Tafakatra 1071 ireo tsaboina raha 844 izany ny 1 septambra

News - Tafakatra 1071 ireo tsaboina raha 844 izany ny 1 septambra

News - Tafakatra 1071 ireo tsaboina raha 844 izany ny 1 septambra

Mbola mampanahy tanteraka. Niakatra
ho 1071 ny isan’ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny fahasalamany,
araka ny tatitry ny CCO, omaly. Miisa 844 anefa izany ny 1
septambra teo. Izany hoe, miisa 227 ireo marary vaovao amin’ity
Covid-19 ity tao anatin’ny sivy andro. Mitsinjara ho 26 isan’andro
eo ho eo izany ireo miditra hopitaly amin’ny ankapobeny.

Manaporofo izany koa ny tranga
vaovao miisa 85 tamin’ny fitiliana vita miisa 626. Mifanahantsahana
amin’ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina miisa 22 eto Analamanga
ny tranga vaovao miisa 16 any Alaotra Mangoro sy ny any Diana,
miisa 15, ary ny any Menabe, ahitana 14. Manampy ireo ny any
Vatovavy Fitovinany sy any Sofia, miisa dimy avy, raha efatra ny
any Sava. Iray avy kosa ireo nifindran’ny valanaretina any Melaky
sy any Anosy ary any Matsiatra Ambony. Manodidina ny 13% ny
tahan’ny fiabon’ny fitiliana.

Ankoatra izany, tsy nihetsika ny
isan’ireo marary mafy fa nijanona ho 53 ihany. Tahaka izany ireo
lavon’ny Covid-19, tsy nisy ny maty ka mbola 206 izy ireo
hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.

Na izany aza anefa, miisa 24 ireo
sitrana ka tafakatra 14 243 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho
amin’ny fahasitranana tamin’ireo marary miisa 15 520.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Tafakatra 1071 ireo tsaboina raha 844 izany ny 1 septambra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany

Sambany ho an’i Fiadanantsoa Sidonie ny fandraisana anjara amin’ny “Lalaon’ ny Nosy”, saingy izao nahazoany vokatra tsara izao sahady. Atleta vao misandratra manana hoavy mamiratra izy, araka izany, raha izao fivoarany izao. Tsahivina fa efa nifaninana tamin’ny “CJSOI” teo amin’ny sokajy « cadette”, ny taona 2016, i Sidonie ary nahazo medaly volamena. Isan’ireo atleta niatrika fiofanana tany Sina izy ka izao nioty vokatra tsara izao, tamin’ity andiany faha-10 ny “Lalaon’ny Nosy” ity. Efatra taona izay no nidiran’i Sidonie ao anatin’ny taranja atletisma. L’article Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Sit-in », teny Anosy: nitaky ny hampiharana ny lalàna  ireo mpisolovava

Tsy nipetra-potsiny. Nidina an-dalambe, nanao hetsika teny amin’ny manodidina ny fitsarana Anosy ny eo anivon’ny Holafitry ny mpisolovava, omaly. Tsy hanaiky izy ireo raha ho vitavita mora ilay vono sy daroka nihatra tamin’ny naman’izy ireo tetsy Antanimena. Mivonona ny handeha hatramin’ny farany ary tsy hanaiky. “Fanehoana  firaisankina amin’ny namanay  niharan’ny herisetra teny Antanimena ny marainan’ny asabotsy teo izao hetsika izao. Toherinay amin’ny herinay rehetra koa ny tranga tahaka ireny ary takinay tanteraka ny hampiharana ny lalàna, amin’ny maha tany tan-dalàna ny firenena”, hoy ny fanambaran’ny teo anivon’ny biraon’ny Holafitry ny mpisolovava.  Nialohavan’ny diabe manodidina ny teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy izany hetsika izany. Nambaran’izy ireo fa efa nisy ny fitoriana napetraky ny Holafitry ny mpisolovava, ny faran’ny herinandro teo, manoloana iny herisetra iny. Fizahozahoana sy fanamparam-pahefana… Samy nanameloka ny tranga herisetra niseho iny avokoa, na ny polisim-pirenena, na ny mpiaro ny zon’olombelona sy ny teny anivon’ny primatiora. Marobe ny fihetsika na tranga mitovy amin’ireny any amin’ny tany lavitra andriana rehetra any, saingy lafitsaran’ny tambajotran-tserasera ny nielezan’ny vaovao haingana, ho an’ny aty an-tanan-dehibe. Mainka moa fa any ambanivohitra any.  Fomba ratsy fanaon’ny sasany ny fizahozahoana sy ny fanamparam-pahefana ary koa ny tsy refesi-mandidy, tahaka ireny, na inona na inona zava-misy sy nitranga. Mety ho tampohin’ny fahefana kely ka manao ny tsy fanao sy tsy mandinika. Tompon’ny lalàna sy manao didy jadona Eo koa ny filazana ho mahalala olona mpitondra sy mpitantana izatsy na izaroa na akaiky ny tena ka zary lasa tompon’ny lalàna sy manao didy jadona. Mivoaka avokoa ny teny feno fiavonavonana sy ny fampihorohoroana. Eo koa ny tsindry aloka mbola miampy ny fampiasana fitaovana aza izany, toy ny basy ohatra, tahaka ity niseho teny Antanimena ity. Misy fetrany sy farany ihany anefa izany ary tsy dondrona avokoa ny Malagasy rehetra ka hanaiky hotsindrina hatrany isaky ny mihetsika. Tokony hanova fomba fisainana ny tsirairay. Ifandimbiasana ny fitantanana sy ny fahefana ka tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny hafa izany na hampiharana tsindrihazolena. Araka izany, hampiharo ny lalàna, araka ny fitakian’ny mpisolovava … Andrasana ny ho tohiny. Randria  L’article « Sit-in », teny Anosy: nitaky ny hampiharana ny lalàna  ireo mpisolovava a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Famosaviana :: Zazakely roa volana sy tapany nofantsihina ny lohany

Miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny omaly ny zazakely iray naratra mafy rehefa nisy namantsika teo amin’ny lohany, tany Bemahatazana-Tsiroanomandidy, tamin’ny 15 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva. Tsaboina ao amin’ny hopitaly any Tsiroanomandidy ilay zazakely. Famosaviana no anton’ity zava-doza ity, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. “Resin-tory tany amin’ny rihana voalohan’ny tranon’izy ireo ny renin’ity zazakely tamin’io fotoana io. Tao ambany rihana kosa ilay zaza. Tsy fantatra izay nahavanon-doza fa ny zazakely efa nihiakiaka nitomany no nanaitra ny reniny. Rehefa nojereny tao ambany rihana dia hita fa voafantsika ny lohan’ilay zaza, sady nahitana ody gasy. Taitra izy nahita izany ka nitondra ny zaza tany amin’ny toeram-pitsaboana haingana aloha. Tsy vita tao Bemahatazana anefa ny raharaha. Teo no ho eo ihany dia nentina niakatra tao Tsiroanomandidy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Eo am-pitadiavana an’izay mety ho nahavanona an’izao loza izao ireo zandary miasa any Bemahatazana. Araka ny fitantaran’ireo mponina any an-toerana dia famosaviana no anton’io tranga io. L’article Famosaviana :: Zazakely roa volana sy tapany nofantsihina ny lohany est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ho maina ny andro: ho betsaka ny zavona

Hanjaka eto Madagasikara mandritra ity herinandro ity ny tsioka varatraza malefaka sy maina. Vokatr’izany, ho maina ny andro amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy ary hibaliaka ny masoandro. Etsy andanin’izany anefa, hisitraka orana malefaka ihany ny any avaratra atsinanana : faritra Analanjirofo sy Sava. Hisy zavona ny vao maraina ho an’ny ny faritry ny afovoan-tany sy ny tapany atsimon’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro ho avy.Ho an’ny  maripana, tsy ahitana fiovana loatra izany fa rahampitso no hisy fidinany ny maripana ambony amin’ny ilany Atsimon’i Nosy. Ny maraina manodidina ny 05- 21°C ny maripana ary ny tolakandro kosa tafakatra 20- 33°C. Hidina hatrany amin’ny 4°C ny maripana ambany indrindra ho an’ny faritra Vakinankaratra ary ho tafakatra 34°C kosa any Maevatanàna, Antsohihy  ary Morondava. Mbola ao anatin’ny vanim-potoana ririnina ihany isika hatramin’izao. Vokatry ny fiovan’ny toetry ny andro matetika, mbola betsaka ny olona voan’ny gripa sy ny kohoka miharo sery. Torohevitra nomen’ny mpitsabo ny fihinanana sakafo manome otrikaina toy ny voankazo miloko volomboasary. Tsara hatrany koa ny mivatsy akanjo mafana hiarovana amin’ny fidinany maripana tampoka, indrindra ny maraina sy ny takariva.Ho an’ny telo volana manaraka, aogositra septambra sy oktobra, hihamalefaka ny tranga El Nino izay mifandraika amin’ny velaran’ny ranomasimbe pasifika ekatorialy, araka ny  vinavina avy amin’ny foibe fitiliana ny toetrandro maneran-tany.Vonjy  L’article Ho maina ny andro: ho betsaka ny zavona a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Baolina lavalava :: Afaka manomana ara-batana an’ireo mpilalao ihany koa ireo mpitsara

Miezaka hampivoatra hatrany an’ireo mpilalao baolina lavalava ny avy ao amin’ny Malagasy Rugby. Nanatante­raka fiofanana indray izy ireo, tamin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianjan’i Makis Andohantapenaka. Miisa enina amby telopolo ireo mpandray anjara nandritra ny iray andro, izay nahitana mpitsara, satria fantatra fa afaka manomana ara-batana ny mpilalao ihany koa izy ireo. “Fepetra iray ihany no notakiana. Tsy maintsy efa nandray anjara tamin’ny fitsapana tany amin’ny tranonkalan’ny Federasiona maneran-tany amin’ny baolina lavalava avokoa vao miatrika ny fiofanana. Tsy misy fanavahana kosa na iza na iza. Afaka manomana ara-batana ihany koa mantsy, na mpitsara, na mpianatra any amin’ny akamedia, na ireo anaty klioba”, arakya ny fanazavan-dRandrianoroso Antsoniandro, tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby. Hanomboka amin’ny 3 aogositra ho avy izao kosa ny lalao sivana hiakarana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara na ny “Top 20”. Ny toerana hanaovana izany kosa no mbola tsy voafaritra hatreto. Sendra R. L’article Baolina lavalava :: Afaka manomana ara-batana an’ireo mpilalao ihany koa ireo mpitsara est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Brentch: raikitra ny « Izao rehetra izao III »

Tafiditra ao anatin’ny adiany faha-3 ny « Izao rehetra izao ». Antsa tononkalo sy hira ary fampahafantarana ireo hetsika hotontosaina ao anatin’ny fanamarihan’i Brentch Mbolamasoandro ny faha-20 taona nanoratany. « Izao rehetra izao III » hotontosaina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (Efitrano Rado), ny alakamisy 4 jolay izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Ity rahateo no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ireo fandaharam-potoana rehetra hotontosaina mandritra ny fankalazana. Hanafana ny sehatra eny an-toerana i Kôlibera sy ny tarika Tafasiry Kolokanto (ENS) ary i Simon Randria.Fantatra fa ho maro ny hetsika hotanterahin’ity mpanoratra ity ao anatin’ny taona iray hanamarihany ny faha-20 taona nanoratany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirantina ireo sanganasany tao anatin’izay 20 taona izay, ny rindrankira an-tsehatra, sns. Marihina fa ankoatra ny maha mpanoratra azy, mpanakanto eo amin’ny sehatry ny asa famoronana (akanjo, haingo, ravaka…) ihany koa i Brentch Mbolamasoandro.HaRy RazafindrakotoL’article Brentch: raikitra ny « Izao rehetra izao III » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kaomandin’ny ZRPS Alpha: hamaky kizo roa fieren’ny dahalo ny Tafika

Ny ZRPS Alpha na “faritra ambanivohitra laharam-pahamehana amin’ny fampandriana fahalemana” Alpha dia miandraikitra ny faritra atsimo toa an’i Matsiatra ambony, Atsimo atsinanana, Anosy, Ihorombe,  Androy ary Atsimo Andrefana izay manana “bataillon telo”. Laharam-pahamehana ho an’ity andian-tafika ity ny famakiana ireo kizo tsy mbola nidirana mpitandro filaminana efa ampolon-taona ary nanaovana ezaka manokana ao amin’ny distrikan’Ihorombe dia ny ao Sakoazato izay nahazoana omby 300 mahery, saingy tsy tratra ny lehiben’ny dahalo atao hoe Jaonary ary hanaovana hazalambo hatramin’izao, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny ZRPS, ny Jly Andriamasimanana William Michel nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly teny Ampahibe. Notsipihiny manokana fa misy taratasy ara-dalàna avokoa ireo iraka ataon’izy ireo amin’ny famakiana kizo fa tsy araka ny fanamarihana aparitaky ny olona sasany. Ny rafitra apetraka amin’ny fampandriana fahalemana dia mipetraka fa ny olona no miova ary ny ezaka amin’ny famongorana izany dia mitohy hatrany. Hovakina tsy ho ela ireo kizo roa ireo ary efa maty paika ny paikady hanaovana izany, hoy izy.Jean Claude   L’article Kaomandin’ny ZRPS Alpha: hamaky kizo roa fieren’ny dahalo ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra afrikanina – «Ligue des champions»: resin’ny Fosa Jr tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Pamplemousse SC

Fandresena tamin’ny isa manify no azon’ny Fosa Jr, nanoloana ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy, teo amin’ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ligue des champions”, taranja baolina kitra.Tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, no nandresen’ny Fosa Jr ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy, nandritra ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana, notanterahina ny asabotsy lasa teo,  tany amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga.Baolina matin’i Baggio, teo amin’ny minitra faha-34, tamin’ny alalan’ny “penalty”, taorian’ny fingana nataon’i Augustin, tamin’i Lekadoda, tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana.Sahirana ry Elio sy i Dahery, teo amin’ny fanafihana satria tsy nahavaky ny vodilaharana maorisianina, nisy an-dry Lafoudre sy ry Diaz. Nanjakan-dry Santatra sy ry Baggio ny famezivezena ny baolina teo afovoan’ny kianja fotsiny, fa tsy nahita irika nandinganana teo amin’ny fiarovantena maorisianina. Na izany aza, nisy ihany ny baolina tokony ho tafiditr’i Elio, teo amin’ny minitra faha-19, taorian’ny tolotra nataon’i Baggio, saingy voasakan’i Jean-louis, mpiandry tsatobin’ny Pamplemousse, izany. Nanantombo, tamin’ny isan’ny “corner” ny Fosa Jr, izay nahatratra 10, saingy tsy nitondra n’inoninona izany.Lesoka ny fampidiram-baolinaNitovy tamin’ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany hatrany ny endri-dalao teo amin’ny tapa-potoana faharoa. Nanindry hatrany ny Fosa Jr, saingy tsy nisy ny baolina tafiditra. Toy ny an’i Dahery, teo amin’ny minitra faha-54, izay nidona tamin’ny tsatoby ny dakany.Torak’izany koa ny an’i Andry Max, teo amin’ny minitra faha-58. Niakatra ny baolina nodakany, nefa izy sy ny tsatoby, irery. Taorian’io, nosoloina i Fabrice, mpiandry tsatoby malagasy, noho ny ratra nahazo azy, taorian’ny “corner”, azon-dry zareo Maorisianina, teo amin’ny minitra faha-70 ary nosoloina an’i Nina.Nitsitapitapy ny fanafihan-dry zareo Pamplemousse izay tsy dia nisy natahorana loatra, notarihin’ireo Malagasy mirahalahy, Hollas sy i Fabrini ary ilay Nizerianina, Sunday. Hatreo amin’ny minitra faha-90, tsy nijanona ny fanafihan’ny Fosa Jr, saingy tsy nety nahafaty baolina izy ireo. Anisan’ireny, ny tolotra nifanaovan’i Santatra sy i Elio, saingy voasakan’i Jean-Louis, ny baolina.Lesoka hatrany ny famonoam-baolina, ho an’ny Fosa Jr Boeny. Betsaka ireo tokony ho faty, saingy tratry ny fikoropahana hatrany ireo lohalaharana ka matetika mivoaka ny tsatoby, ny dakan’izy ireo.Tsy ampy fifantohana ihany koa ka very hatrany ireo tolotra. Efa voafehin-dry Baggio sy ny namany kosa ny eo afovoan’ny kianja fa ny famaranana azy sisa no mila hamafisin’ny mpanazatra. , mialoha ny hiatrehana ny lalao miverina, hatao any amin’ny kianja Georges V, ny asabotsy 24 aogositra, ho avy izao. TompondakaL’article Kitra afrikanina – «Ligue des champions»: resin’ny Fosa Jr tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Pamplemousse SC a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena

Miantraika any amin’ny tontolo iainana ny fambolena, vokatry ny fitomboan’ny mponina be loatra, miteraka ny fiovan’ny toetr’andro izany. Tsy mifandanja koa ny sakafon’ny tany mandroso miohatra ny any amin’ny tany mahantra.Namoaka tatitra ny Vondron’ny manampahaizana sy mpikaroka iraisam-pirenena mikasika ny fivoaran’ny toetr’andro (GIEC). Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanadihadiana nataony ny fahafantarana fa ampiasaina sy ajarian’ny olombelona ny 72%-n’ny velaran-tany tsy misy ranomandry, izay tsy maharitra ny ankamaroany. Avy amin’ny olombelona ny 23%-n’ny etona karbonika na gaz à effet de serre (Gez), amin’ny alalan’ny fandripahana ny ala, ny fanovana ny ala ho amin’ny fambolena sy fiompiana indostrialy ny biby. Tsindry mivantana manimba ny haibolantany ny fihariana ataon’ny olombelona, izay mahatonga mivantana ihany koa ny fiovan’ny toetr’andro, manapotika ny zavamananaina, ary indrindra ny tsy fahampian-tsakafo. Tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala maneran-tany ny fambolena sy ny sakafo.Very fotsiny ny 30%-n’ny sakafoAraka ny fanadihadian’ny GIEC ihany, mahatratra 810 tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo maneran-tany. Etsy ankilany anefa, very fotsiny na tsy misy mihinana ny 25 hatramin’ny 30%-n’ny sakafo vokatra rehetra eto ambonin’ny tany. Endriky ny tsy fifandanjan’ny sakafo sy ny fihinanana azy izany eo amin’ny tany mandroso miohatra amin’ny tany mahantra.Araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF, hita soritra eto Madagasikara, ity fanadihadiana nataon’ny GIEC ity. Anisan’ny hanamarinana izany ny firongatry ny fandripahana ny ala eto amintsika, havadiky mponina ho amin’ny fambolena.Mahatratra 25,7 tapitrisa ny Malagasy, ankehitriny, ary tombanana ho 55 tapitrisa afaka 30 taona, amin’ny 2050. Hitombo ny vava mihinana, ka hampiasaina araka ny tokony ho izy ny tany efa ambolena ary mila arindra tsara ny fanitarana ny tany vao hojariana. Tanjona, ny hisian’ny famokarana maharitra sady manaja sy miaro ny tontolo iainana.Mifandray ny toetr’andro, ny fambolena ary ny fiarovana ny zavamananainaHo an’ny WWF, mampiseho ny fifandraisana akaiky eo amin’ny toetr’andro, ny olombelona ary ny zavaboahary ity tatitry ny GIEC ity. Midika izany fa tsy afa-miala ary tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampiasana ny tany ny fiarovana maharitra ny zavamananaina sisa tavela, ny fanarenana ny zavaboahary potika, nefa mifandrindra amin’ny fiarovana ara-tsakafo ho an’ny zanak’olombelona.Manana ny lanjany lehibe ny vahaolana ho an’ny toetr’andro mifototra amin’ny zavaboahary. Singanina amin’izany, ny anjara toeran’ny ala honko amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, asdy manampy ny fiarovana ny tontolo mananaina ho an’ny mponina eny ifotony avy. Mamerina ny fisian’ny loharano ny famerenana ny ala, manampy ny tany ho lonaka ary miverina tsikelikely amin’ny maha izy azy tany aloha ny zavaboahary sady maharitra.Nilaza ny lehiben’ny mpanolotsaina amin’ny fiovan’ny toetr’andro, sady tompon’andraikitry ny GIEC, Stephen Cornelius, fa “mitondra hafatra mafonja ho an’ny rehetra ity fanadihadiana ity, milaza fa miantraika any amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fomba ampiasaintsika ny tany, ka mila hovana haingana izany”.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – Fiadiana ny amboara eran-tany : ho raikitra any Qatar amin’ ny novambra 2022 ny «Mondial»

Izay vao tena raikitra ary ofisialy eo anivon’ny Fifa, araka ny vaovao amin’ny tambajotran-tsosialy, omaly. Tsy miova izany ny firenena handray ny fiadiana ny amboara eran-tany «Mondial 20­22», taranja baolina kitra, fa i Qa­tar. Hotanterahina any amin’ io fi­re­nena izany, saingy tsy ho tahaka ny mahazatra ny fotoana ha­na­tanterahana izany fa ha­no­mboka ny 21 novambra hatramin’ ny 18 desambra amin’ny taona 20­22. Lalao efatra isan’andro no hatao amin’ny fifanintsanana isa­ky ny sokajy ka amin’ny 1 ora antoandro hatramin’ny 10 ora alina iza­ny. Miisa valo ireo kianja ka handraisana ny lalao fanokafana ny kianjan’i Al Bayt, mahazaka mpijery miisa 60 000. Hotanterahina any amin’ny kianjan’i Lusail, ma­hazaka mpijery miisa 80 000, ny lalao fa­maranana.Ekipam-pirenena dimy hisolo tena an’i Afrika Ho an’ny Barea manokana, miray vondrona amin’ny RD Con­go sy i Benin ary i Tanzania ao amin’ny sokajy J amin’ny fi­fanintsanana aty Afrika. An­isan’ireo firenena 40 mandray anjara, mizara amin’ny sokajy folo amin’izany ny ekipam-pirenena malagasy. Hiady ny toerana ho anisan’ireo firenena dimy hisolo tena an’i Afrika hiatrika ny «Mondial» hatao any Qatar.Synèse R.L’article Kitra – Fiadiana ny amboara eran-tany : ho raikitra any Qatar amin’ ny novambra 2022 ny «Mondial» a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0
24/09/2020

Araka ny nampanantenain’i Mario, efa nivoaka niparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook » sy ny «youtube», ny alahady teo, ny hira vaovao an’i Romeo 3.0 «Jaolahy be», amin’ny gadona balvin & wizkid. Mbola tena vitsy mpanao eto Madagasikara kanefa manana ny hanitra ho azy izy io, araka ny nambarany. Anisan’ny tena nahafantarana an’i Romeo 3.0 ny afrobeat sy ny mozika tropikaly…Ankoatra izay, eo am-piketrehana rakitsary (album), ahitana rindrantsary (clip) folo eo ho eo, izy ka anisan’ny ho hita ao anatin’izany ny «Jaolahy be», araka ny nambarany hatrany. Raha tsy misy ny fiovana, hanohy ny fiakarana an-tsehatra miaraka amina mpanakanto hafa toa an-dry Arth, i Lawout, i Ghotta, i Emci, i Jinn’s, i Jean Marc, i Mc Rami, i Jo Joly, i Allex sy ireo maro hafa. « Mivelatra be ny mozika… Ary amin’ny maha mpanakanto, mila mitady zava-baovao hatrany hiavahan’ny tena amin’ny hafa. Izay no tena maha artista », araka ny nambaran’i Romeo 3.0.NarilalaL’article Gadona Balvin & Wizkid: nivoaka ny «Jaolahy be» an’i Romeo 3.0 a été récupéré chez Newsmada.

Tsindron’antsy noho noho ny hasarotam-piaro :: Lehilahy maty novonoin’ny tovovavy, sakaizany
28/09/2020

Nandeha namangy ny tovovavy, olon-tiany, tany Ambilobe no anton-dian’ity mpianatra iray ao amin’ny lisea any Antsiranana, tamin’ny sabotsy lasa teo, kinanjo fahafatesana no niafaran’ny diany. Voalaza fa notsatohan’io olon-tiany io tamin’ny antsy teo amin’ny tendany itsy mpianatra itsy. Namoy ny ainy ilay tovolahy na dia noezahina novonjena tany amin’ny hopitaly aza. “Nivantana tany amin’ny fianakaviany monina eny Manongarivo ilay tovolahy rehefa sendra mandalo eto Ambilobe. Tsy fantatra izay tena zava-nisy fa araka ny resaka fohy nataonay tamin’ilay vehivavy voatondro ho tompon’antoka tamin’ny famonoana dia tezitra noho ny fampirafesana nataon’io tovolahy io taminy izy. Izany no nanosika azy hanindrona antsy an’ity sakaizany”, araka ny tatitra azo avy amin’ny loharanom-baovaon’ny Polisim-pirenena any Ambilobe. Ora iray taorian’ny nisian’ izao tranga mampalahelo izao no nitolo-batana tany amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy iry tovovavy. “Hisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka kosa dia nalefanay avy hatrany any Antsiranana ilay vehivavy. Any izy no hatao famotorana sy hatolotra ny Fitsarana”, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana any Ambilobe. Mpianatra ao amin’ny kolejy iray ao Ambilobe itsy tovovavy, vao 23 taona, itsy. Efa eo am-pelantanan’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay mpianatry ny lisea any Antsiranana izay namoy ny ainy. Mbola nataon’ny mpitsabo fitsirihana ny razana alohan’ izany. L’article Tsindron’antsy noho noho ny hasarotam-piaro :: Lehilahy maty novonoin’ny tovovavy, sakaizany est apparu en premier sur AoRaha.

Indray mijery
23/09/2020

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Tratran’ny fisafoana tampoka : tsy migadra ao anatin’ny fonjan’i Tsiafahy Rajaonah Mbola
26/09/2020

Sarona tamin’ny fotoana tsy nampoizina ! Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tsy migadra ao anatin’ny fonjaben’i Tsiafahy akory ilay mpandraharaha, Rajaonah Mbola sy ny teratany maorisianina roa hafa fa nomena vahana manokana. Noraisina avy hatrany ny fepetra momba izany.Efitrano manokana arifomba tanteraka. Fantatra fa nisy ny fisafoana tampoka nataon’ny tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja teny Tsiafahy, ny 20 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Sarona tamin’izany fa tsy ao anatin’ny fonja itazonana azy vonjimaika Rajaonah Mbola sy ireo teratany maorisianina roa. Nafindra sy mipetraka soa aman-tsara any amin’ny “batiment administrative”, biraon’ny sefo iray lehiben’ny mpiandry fonja ilay mpandraharaha. Ahitana fitaovana samihafa, toy ny fahitalavitra “écran plat”, ordinatera, vata fampangatsiahana kely, fatana mandeha amin’ny “gaz” miaraka amin’ny kojakojan-dakozia ilay efitra. Tahaka izany koa ireo teratany maorisianina roalahy, nahazo efitrano mitokana, ahitana fitaovana samihafa, mitovy amin’ireo. Natory soaman-tsara avokoa izy ireo, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao tamin’io fisafoana tampoka natao io.Resaka toe-pahasalamanaNilaza ny tompon’andraikitra voalohan’ny fonjan’i Tsiafahy, rehefa nanontaniana fa anton’izao namindrana toerana azy ireo amin’ny trano arifomba ivelan’ny fonja ny resaka toe-pahasalaman’izy telo lahy ireo.Manoloana izany, nafindra avy hatrany, naverina ao anatin’ny  fonjaben’i Tsiafahy toa ireo voafonja rehetra izy ireo. Nohamarinin’ny tompon’andraikitra koa fa tsy mitombina ny filazana fa hoe tsy salama izy ireo. Nomena fampitandremana hentitra ny tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao koa ny lehiben’ny fonja fa handraisana fepetra avy hatrany ny momba azy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Voalaza rahateo fa mety hanohintohina ny filaminana eny Tsiafahy sy ny filaminam-panjakana izany.Tokony hitohy sy hiitatra amin’ny fonja hafaTsiahivina fa voatana am-ponja vonjimaika (MD) avokoa ary samy tsy mbola voatsara izy telo lahy ireo. Nanomboka ny 22 janoary 2020 ny nitanana an-dRajaonah Mbola raha samy tamin’ny 12 jona 2018 kosa ireo teratany vahiny roa hafa.Araka izany, tokony harahi-maso sy hanaovana fisafoana tampoka tahaka izao avokoa ireo fonja rehetra. Ahina hiteraka kolikoly sy firaisan-tendro ny tranga tahaka izao ka ilaina ny fanohizana ny hetsika tahaka izao.RandriaL’article Tratran’ny fisafoana tampoka : tsy migadra ao anatin’ny fonjan’i Tsiafahy Rajaonah Mbola a été récupéré chez Newsmada.

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana
25/09/2020

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, taranja fibatana fonjamby, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Mialoha ny hanomezana Mari-pankasitrahana ireo mpiofana, hiatrika fanadinana izy ireo anio sy rahampitso. Adina an-tsoratra sy fampiharana moa no hataon’izy ireo amin’izany. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fiofanana ity ary efa nanomboka ny herinandro lasa teo izany. Mpampiofana manana ny maha izy ny mizara traikefa, manam-pahaizana iraisam-pirenena malagasy, hahitana an’ i Harimalala Solomampionona Rakotoarisena. Miisa 20 mianadahy ny miofana ary avy amin’ny ligy 6, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Boeny ary Vakinankaratra. Nambaran’ny mpampiofana fa nisy fitohizana satria ireo niatrika ny “niveau 1” ihany ireto manaraka ny fampianarana ho an’ny “niveau 2” ireto. Izany hoe, efa manomboka miditra lalindalina kokoa amin’ny “planification”, “périodisation”, “anatomie”ary ny “blessure”. Antenaina, araka izany fa hitondra fivoarana eo amin’ireto mpiofana ireto, raha ny nambaran’ny mpampiofana hatrany. Azo lazaina ho fohy rahateo ny fotoana kanefa mbola maro ny tiana hampitaina ka inoana fa any amin’ny fampiharana no hanatevina ny fahalalany ny mpiofana. Mi.RazL’article Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana a été récupéré chez Newsmada.

KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis
26/09/2020

Football club Swift Hesperange izay 1 ère division ao Luxembourg no hanao lalaom-pirahalahiana amin’ny Barea ho fanomanana ny dingan’ny fifanintsanana CAN 2021. Ho fanomanana ny ekipam-pirenena Malagasy dia nandroso soso-kevitra tamin’ny komity mpanatanteraky ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis. Tao anatin’izany ny fanatanterahana lalao ara-pirahalahiana tany Portugal saingy tsy tanteraka izany noho ny fepetra ara-pahasalamana iadiana amin’ny Covid-19 tao amin’io firenena io. Ho fiarovana hatrany ny fahasalaman’ny Barean’i Madagasikara dia nangataka ihany koa ny mpanazatra ny ekipa mba ho ao amin’ny manodidina an’i Frantsa ihany izy ireo no hanao ny fanazaran-tena ho fiomanana amin’ny fifanintsanana ho an’ny CAN 2021. Manohana ny hevitra natolony  ireo komity mpanatanteraka miisa fito ao amin’ny FMF araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny 25 septambra 2020 tetsy Antanimena.  “Araka ny fandaminan’ny CAF dia tompon’ny fanapahan-kevitra  ambony ny komity mpanatanteraka. Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis izahay”, hoy ny solontenan’ny komity, Andriamanampisoa Alfred. Noho izany, hanao “fizaran’asa” ao Luxembourg sy hanao lalaom-pirahalahiana  amin’ny  Football club Swift Hesperange 1 ère division ao Luxembourg ny Barea ny volana oktobra 2020. “Mety ny alin’ny 11 oktobra na andron’ny 12 oktobra 2020 no hanatanterahana izany. Ny federasiona no handray an-tanana ny fikarakarana na ara-taratasy izany”, hoy hatrany i Andriamanampisoa Alfred. Nohamafisin’i Nicolas Dupuis fa ao anatin’ny fitandroana fepetra ara-pahasalamana no hanaovana ity fanazaran’asa ity. Nambarany ihany koa ho fampivondronana ny ekipa, ho fandraisana ireo mpilalao vaovao, ho fanomanana ny mpilalao hiasa hiaraka ny lalao atao any Luxembourg. Marihina fa ny 9 ka hatramin’ny 17 novambra 2020 ny lalao mandroso sy miverina hifandonan’ny ekipam-pirenena Malagasy sy ny Côte d’Ivoire ho an’ny fifanintsanana CAN 2021. Nirina R. Cet article KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article KOMITY MPANATANTERAKY NY FMF : Manohana ny soso-kevitr’i Nicolas Dupuis a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fifidianana loholona :: Haverina ny fandrafetana ny lisitra volomboasary
29/09/2020

Hiova indray ny lisitr’ireo kandida hitondra ny loko volomboarasy amin’ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020. Tontosa, tamin’ny herinandro lasa iny, ny fifantenana voalohany niaraka tamin’ny fandrafetana ny lisitr’ireo kandida saika haroson’ny antoko politika Tanora malaGasy Vonona (TGV) amin’io fifidianana, saingy izao haverina hokitihina izao. “Mamerina ny antso ho an’ireo olona manana ny fahaiza-manao afaka hisolo tena ny antoko amin’io fifidianana io izahay. Nojerena avokoa ny mombamomba an’ireo kandida namaly ny antso, ka nisy ary mety mbola hisy ny fanitsiana ny lisitra”, hoy ny depiote Lanto Rakotomanga, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, tamin’ny antso an-tariby, omaly. Nomarihiny ihany koa fa tsy voatery ho mpikambana ao anatin’ny antoko TGV no hosafidiana hiatrika ny fifidianana loholona.  Fantatra fa tsy maintsy vita, amin’ity herinandro ity, ny fandrafetana an’io lisitra vaovao io. L’article Fifidianana loholona :: Haverina ny fandrafetana ny lisitra volomboasary est apparu en premier sur AoRaha.

Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra
26/09/2020

Mitombo ihany ny asa ivelan’ny ara-dalàna, araka ny fanadihadiana natao, indrindra ny tsy fitoviana eo amin’ny fidiram-bolan’ny lahy sy ny vavy. Misongadina hatraiza hatraiza izany eto Madagasikara.Mibaribary ny tsy fitoviana eo amin’ny fitadiavana tantanin’ny lahy, manan-tombo kokoa no ho ny tantanin’ny vavy. Miainga any amin’ny fahasarotan’ny fahitan’ny vehivavy asa aloha izany ary mbola hita ihany koa ny elanelana eo amin’ny karama. Anisan’ireo antony ireo ny mampitombo ny « mpivarotra amoron-dalana ».Hita izany aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy eto Madagasikara. Na olona nahavita fianarana ambony aza ireo olona ireo, mbola sarotra ho azy ireo ny mahazo asa araka ny fepetra ara-dalàna. Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 50 % ny manana Bac misafidy mivelona amina karazam-barotra fa tsy mamokatra. Sarotra ny mahazo famatsiam-bola. Porofo fa tena mahantra i Madagasikara.Amin’izay asa an-tselika izay, tsy mitovy ny tanjany: misy mivarotra fiara, ao ny mivarotra voanjo fa tena betsaka raha eto Antananarivo ny mivarotra sakafo masaka. Amin’io sokajy iray io, mbola hita ihany koa ny elanelana be loatra na amin’ny vidiny na amin’ny kalitaony.Hita amin‘ny sokajin’asa ivelan’ny ara-dalàna ny karazana asa sy ny olona manao azy. Araka izay ihany koa ny sokajin’ny mpanjifa, mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Tombanana 1500 miliara ariary isan-taona ny vola tsy miditra amin’ny fanjakana raha eto Antananarivo fotsiny : varotra sy fitaterana no tena betsaka. Fitaterana eto, tsy amin’ny fiara ihany fa hatramin’ny sarety sy posy. Matiantoka voalohany ny kaominina manodidina, na misy manao fanambarana izy ireo, tsy izy rehetra akory. R.MathieuL’article Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA
25/09/2020

Efa nihomana mialoha ny fotoam-pahavaratra sy nandray an-tanana ny fanomanana ny fotoam-pahavaratra ny kaomina Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fiakaran’ny rano sy hahavitsy kokoa ireo traboina. Efa nivory niaraka ny CUA sy ny eo anivon’ny Sadc nijery ny ho toetry ny andro. Nivaly ny fitiliana ny toetrandro iraisam-pirenena sy ny aty Afrika ary i Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa ho mafy kokoa ary ho betsaka ny rotsak’orana raha mitaha tamin’ny taon-dasa ka ilana fiomanana.Efa misy ny « Comité communale de gestion » natsangana ka filoha mitarika izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Miara miasa amin’ny Samva sy ny Apipa ary  ary ireo mpiara-miasa rehetra miandraikitra amin’ny fikirakirana ny tandindomin-doza sy ny loza izy amin’izany. Tafiditra ao koa ny eny anivon’ny fokontany, ahitana  ny « Equipe locale de secours » na ny komity loharano.  « Tokony ho samy mandray an-tanana amin’ny fiakaran’ny rano , amin’ny fandraisana andraikitra manandrify azy koa ny vahoaka. Tsy hanary fako amin’ny lakandrano sy hanorina trano ambonin’ny lakandrano ary hitandro ny fahadiovana rehetra », hoy ny eo anivon’ny CUA.Faritra iva sy ny tondra-dranoEfa nisy ny koa ny fanadihadiana natao teto Antananarivo momba ny fijerena ireo toerana « point noir » mahatonga ny fahatsentsenana. Tsy mahavita ny ady amin’izany raha ny tetibolan’ny CUA fa mila tosika amin’ny fanjakana foibe, indrindra  avy amin’ny eo anivon’ny BNGRC . Mangataka mba homena tombony ny eto Antananarivo, anisan’ny ahitana olana maro eo amin’ireo faritra iva misy ny fiakaran’ny rano.Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny asa ataon’ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lalàna ary ny fanarahana ny Fehezam-pitsipika monisipaly ho fikoloam-pahasalamana « CMH », miaraka amin’ny fampahalalana izany.Synèse R.L’article Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Miisa 229 ireo matin’ny valanaretina: olona roa tonga eto avy any Maorisy mitondra Covid-19
28/09/2020

Tsy re tsaika. Niampy iray indray ireo lavon’ny valanaretina tao anatin’ny 48 ora. Avy any Menabe izy io ary nodimandry ny asabotsy teo. Tafakatra 229 izany izao ireo nindaosin’ny fahafatesana noho ny Coronavirus hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Etsy andaniny, miisa 36 ireo tranga, afakomaly, raha 28 kosa izany ny alahady. Izany hoe, miisa 64 ireo nifindran’ny valanaretina tao anatin’ny roa andro. Ny roa amin’ireo, olona vao tonga avy atsy Nosy Maorisy. Efa nisy enina hafa, ny herinandro teo, avy any Eoropa nitondra koa ny tsimokaretina.Valo ireo avy any ivelany mitondra ny CoronavirusMiisa valo izany ireo avy any ivelany nifindran’ny Covid-19. Miisa 165 kosa ireo tranga vaovao teo anelanelan’ny 21 hatramin’ny 25 septambra teo.Etsy andaniny, mbola mamahatra tanteraka any Diana ny Coronavirus. Miisa 24 ireo tranga vaovao ny asabotsy ary 15 kosa izany ny alahady.Niampy roa ireo anaty fahasarotana ka tafakatra 17 izany izao ireo « forme grave ». Tsy nisy koa ny sitrana, omaly, raha miisa 55 izany afakomaly. Tafakatra 14 992 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 16 285. Mbola miisa 1 132 ireo tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R. L’article Miisa 229 ireo matin’ny valanaretina: olona roa tonga eto avy any Maorisy mitondra Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon
28/09/2020

Les Ivoiriens défieront les Belges et les Japonais. Les Éléphants prennent au sérieux la préparation pour la double confrontation face au Barea de Madagascar au mois de novembre. Costauds. C’est ce qu’on peut qualifier des adversaires de la Côte d’Ivoire pour les matchs de préparation dans le cadre des journées FIFA au mois d’octobre. Les Eléphants de la Côte d’Ivoire vont défier les Diables Rouges le 8 octobre au Stade Roi Baudouin, Bruxelles. «C’est une équipe avec des talents individuels de très haut niveau qui se distinguent en ce moment par leurs belles performances, comme Wilfried Zaha (Crystal Palace) et Nicolas Pépé (Arsenal). Il s’agit d’un excellent partenaire d’entraînement pour notre première période de matchs internationaux au cours de laquelle nous disputons trois matchs. Nous espérons avoir l’opportunité de jouer en présence de quelques supporters, c’est quelque chose que nous attendons avec impatience», a annoncé Roberto Martínez, le sélectionneur des Diables Rouges sur le site de sa fédération. Les Belges caracolent toujours en tête du classement de la FIFA depuis septembre 2018. Les Ivoiriens auront un adversaire de taille dans le cadre de leur préparation de la double confrontation face aux Barea au mois de novembre. La crise sanitaire a chamboulé tous les calendriers des matchs amicaux de nombreuses sélections africaines. Le match prévu contre les Super-Eagles du Nigéria du 9 octobre en Autriche n’a pas eu lieu. Pourtant, un deuxième match amical figure dans le programme des Éléphants. Ils affronteront les Japonais, le 13 octobre à Utrecht aux Pays-Bas. Madagascar jouera contre l’équipe du Swift Hesperange du Luxembourg. Un choix qui ne fait pas l’unanimité auprès de l’opinion et surtout de la communauté footballistique. « L’idéal aurait été à mon avis de se frotter contre une équipe nationale. Ça aurait mis de la valeur au match qui se déroulera durant la journée FIFA, et donc comptabilisable pour le prochain classement FIFA. Par exemple notre adversaire la Côte d’Ivoire jouera contre la Belgique et le Japon en octobre. Après, l’organisation a eu des contraintes que l’opinion essaie de comprendre. Dans tous les cas, avec l’implication positive de l’Etat, je pense que les parties prenantes pourront trouver la solution la plus bénéfique à nos chers Barea. La double confrontation face aux Eléphants au mois de novembre se jouera à Madagascar et en Côte d’Ivoire, c’est-à-dire en Afrique. Quoi qu’il en soit, il faut jouer en Afrique. Si le lieu pose un problème, Portugal ou Maroc, pourquoi ne pas jouer le match contre le Burkina-Faso au Luxembourg ? », a expliqué Mirado Rakotoharimalala, SG du CFEM et spécialiste du football. T.H L’article Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.