Sombintsombim-baovao

News - Sombintsombim-baovao

News - Sombintsombim-baovao

 

Espoirs Sportifs de Tuléar: Tsy
mbola nahazoana valiny, hatreto, ny fangatahana alalana
amin’ny fanavaozana ny kianjan’ny prefektiora Toliara, raha ny
nambaran’ny filohan’ny fikambanana Est. Araka ny efa nolazainy,
nandrasana hatramin’ny faran’ny volana aogositra io valiny io
ka efa niroso amin’ny fanavaozana kianja hafa ny mpisehatra any
an-toerana. Raha ny fandehan’ny asa amin’izao fotoana izao, ny
kianja basikety ao Anketa izao ny imasoan’ny fikambanana ary efa
mitady izay fanamboarana hafa tokony hatao ny
tomponandraikitra.

Cours des dirigeants Sportifs:
Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, ny fiofanana ho an’ny
mpitantana fanatanjahantena, karakarain’ny Komity olympika
malagasy. Niditra lalindalina kokoa ny mpampiofana, ny tale
Ramaroson Ratoaviniriana. Ho an’ny anio kosa, ny atrikasa ny tena
hifantohana, raha ny fanazavana hatrany. Fanaovana fanadinana sy
fizarana mari-pankasitrahana kosa ny hatao ho amin’ny rahampitso
hanakatonana tanteraka ny fiofanana, andiany voalohany amin’ity
taona 2020 ity.

 

Nangonin’i
Mi.Raz

 

Article tiré de Newsmada

L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fampandrosoana ny eny ifotony: nojeren’ny minisitera ny tetikasa ho an’ireo Mikea

Nidina ifotony nijery ny ala sy ny tanàna itoeran’ireo Mikea tao amin’ny kaomina Basibasy fokontany Bedo sy Vorehe ny solontenan’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy (MAHTP) tamin’ity herinandro ity. Notarihin’ny tale jeneralin’ny fananan-tany Ratolorantsoa Petera sy ny tale jeneralin’ny tahirim-pirenena ho an’ny fananan-tany (FNF). Nofidina manokana ity faritry ny Mikea ity mba hijerena ifotony ny zava-misy any an-toerana sy ny fandaminana ny fiaraha-monina ao amin’izy ireo. Nisy ny dinidinika sy fifankalozana natao tamin’ireo vondron’olona Mikea  ahafahana  mamolavola tetikasa ho azy  ireo.  “Tsy afaka tanterahina eo ambony latabatra fotsiny fa mila fandinihana ifotony ny asa hatao.  Jerena ny singa rehetra sy ny tena tranga misy mba hahafahana mampifandray ny zavatra ho volavolaina amin’ny tena zava-misy.  Fomba fiasa napetraky ny eo anivon’ny MAHTP  izany”, hoy ny tompon’andraikitra.Fampandrosoana ny tanan-dehibe… Tafiditra ao anatin’ny sehatry ny atrikasam-pirenena handinihana ny fametrahana ny fiarovana ny zon’ny fananan-tanin’ny fokonolona rahateo izao fidinana ifotony izao. Anisan’ny vokatra andrasana amin’izany atrikasa izany ny famoahana ny famaritana iraisana ny atao hoe vondron’olona  mba hampidirana azy ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny zon’ny fananan-tany iraisana.Ankoatra izany, vita sonia, omaly  ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny MAHTP sy ny Ivontoeram-pirenena misahana  ny antontanisa (Instat). Natao izany ahafahana mandrindra ny antontanisa sy  ny antontam-baovao ho an’ny tanan-dehibe. “Ahafahana mijery ny fampandrosoana tokony hatao izany”, hoy ny tale jeneralin’ny MAHTP, Rabe H., omaly tetsy Anosy.Synèse R. L’article Fampandrosoana ny eny ifotony: nojeren’ny minisitera ny tetikasa ho an’ireo Mikea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Banky sy ambaratonga ambony: hisy ny lalam-piofanana vaovao

 62,5 % ny tanora tsy ampy fahaiza-manao eo amin’ny asan’ny banky. Antony lehibe nahatonga ny Association professionnelle des banques (APB) miara-miasa amin’ny IST (Institut supérieur de technologie) Antsiranana sy ny oniversite Antananarivo (sampam-pianarana toekarena, fitantanana) hanofana tanora ho matihanina ho an’ny banky amin’ny fandraisana mpanjifa sy ny fanomezana torohevitra (Conseil et gestion de la clientèle). « Mila ezaka betsaka ny amin’io sampanasa io hifandraika amin’ny tinadin’ny banky hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa », hoy Rakotobe Mamy, avy ao amin’ny BNI.Mitaky fandraisana mpiasa vaovao sy mahay ny hanokafana izao lalam-piofanana vaovao izao any amin’ny IST Antsiranana sy ny oniversite Antananarivo, noho ny fitombon’ny  asan’ny banky eto an-toerana. Iarahan’ireo ambaratongam-pianarana ambony roa ireo sy ny APB ny mandray ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fifaninanana, mitohy amin’ny fampianarana sy ny fanofanana. 50 ny horaisina amin’ny andiany voalohany. Manome toky ny APB amin’ny fanampiana sy ny fandraisana ireo tanora. Tamin’ny taona 2017, tanora 300 ny noraisin’ny APB.Manohana vola ny AUFManohana vola izao lalam-piofanana vaovao izao, mandritra ny telo taona, ny Agence universitaire de la francophonie (AUF). Hisian’ny fampandrosoana maharitra ny hitondran’ny AUF fanampiana vola amin’ny fiaraha-miasan’ny APB, ny IST Antsiranana sy ny oniversite Antananarivo ho an’ny filàn’ny tontolon’ny toekarena ankehitriny. Anatin’ny fifanarahana, homen’ny APB tambin-karama ireo manaraka fiofanana fampiharana asa maharitra 32 herinandro ka mandray anjara ny BMOI, ny BNI, ny  Société Générale, ary ny Accès Banque.Natao, omaly, ny sonia fiaraha-miasa eo amin’ny filohan’ny APB, i Alain Merlot, avy ao amin’ny BMOI, sy ny avy amin’ny IST Antsiranana ary ny oniversite Antananarivo. Mitaky fahaiza-manao sy matihanina ny banky amin’izao fivoaran’ny teknolojia izao. Maro karazana ny tolotrasa ao amin’ny banky fa karazany iray ny fandraisana ny mpanjifa, nanokafana lalam-piofanana vaovao izao.R.MathieuL’article Banky sy ambaratonga ambony: hisy ny lalam-piofanana vaovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toliara: fiahiana sosialy tsy miangatra ny Cnaps

Natao tany Toliara, ny 25 sy 26 avrily teo, ny fiofanana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, nataon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps). Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa ho fampiroboroboana ny fiahiana sosialy (PPPS), novolavolain’ny Cnaps, ity hetsika ity. Nandray anjara tamin’izany ny fokontany, ny kaominina any Toliara. Tanjona ny hampitombo sy hanitatra ny olona sahanin’ny Cnaps amin’ny lafiny fahasalamana, ny fisotroan-dronono, ny fanampiana ny tra-doza am-perinasa, sns.Fantatra fa tsy nahalala ny antsipiriany amin’ireo ny 80%-n’ny olona nanatrika ity atrikasa ity.Ao anatin’ny PPPS koa ny Cnaps mitety vohitra, toy ny tany amin’ny kaominina  Mahaboboka, distrika Sakaraha, sy ny tao Sakaraha an-tampon-tanàna, ny kaominina Ankililaoke sy ny kaominina Soahazo, samy distrika Toliara II. Isan’ny mpanatrika i Mboazay Alfred, niasa tamin’ny ONG tany aloha, ary mpampianatra tsy raikitra amin’ny fanjakana (ECD) ankehitriny. Isan’ny efa mpikambana Cnaps izy, saingy liana te hahafantatra ny latsakembony.Nametrahana tranoheva miisa fito tao Toliara nandritra ireo fotoana ireo, hanomezam-baovao sy fanazavana ny olon-drehetra. Eo koa ny Cnaps Zandriolona, ho fanentanana ny tanora sy ny mpianatra. Nisy koa ny fitsidihana orinasa tsy miankina efatra any Toliara. Tanjona amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny Cnaps ny hoe « fiahiana sosialy tsy miangatra, ho an’ny rehetra ».Njaka A.L’article Toliara: fiahiana sosialy tsy miangatra ny Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be

Nanomboka, omaly 8 aogositra, ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’ireo kandidà mifaninana Rasoamaromaka Hery. “Hanohy ny fametrahana ireo kianja manara-penitra “synthétique”, any amin’ireo ligim-paritra rehetra isika. Tetikasa mifanandrify tanteraka amin’ny vinan’ny IEM satria mpanjakan’ny fanatanjahantena ny baolina kitra”, hoy izy. Nomarihiny fa mora kokoa ny miara-miasa amin’ny filoha Rajoelina noho ny fitoviam-pijery eo amin’ny roa tonta, hampiroboroboana ny fanatanjahantena, indrindra fa ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasany ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fifaninanana hahafahana mitily dieny izao ireo ho taninketsan’ny ekipam-pirenena, sokajin-taona rehetra. Tsiahivina fa anisan’ireo olona nanampy betsaka ny Barea ny tenany, na tany Egypta, nandritra ny “Can 2019”, na ireo niatrika ny “Lalaon’ny Nosy” tatsy Maorisy, na ny Barea, nanao ny fifanintsanana, tamin’ny “Chan”, nikatrohana tamin’i Mozambika.Ankoatra izany, efa nisy ireo ligim-paritra resy lahatra amin’ny fitiavany sy ny fanampiany ny baolina kitra ka nanambara ny fanohanany azy. Mbola hampahafantatra misimisy kokoa ireo teboka lehibe entiny mampandroso ny baolina kitra, mandritra ity fampielezan-kevitra ity, ny kandidà Hery Be. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ivontoerana Safidy: “Mila hajaina ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna”

Ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna. Hisy sa tsia ny fifidianana? “Tokony hohajaina ny fe-potoam-piasan’n y ben’ny Tanàna”, hoy ny Ivon-toerana Safidy. “Fanairana ny mpitondra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, miteny izahay hoe: hajao ilay fe-potoana fifandimbiasam-pahefana. Hotanterahina amin’ity taona ity ihany ny fifidianana  ben’ny Tanàna.”Izay ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Ivontoerana Safidy amin’ny alalan’ny mpitondra teniny, Razanamahefa  Désirée Marie Stella, momba ny fanemorana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy ampy intsony ny 90 fihaikana mpifidy alohan’ny fifidianana, raha hatao ny 28 oktobra araka ny volavolana tetiandrom-pifidianana naroson’ny Ceni.“Raha hatao amin’ny tapatapaky ny volana novambra izany, mbola manam-potoana isika. Na hatao amin’ny voalohandohan’ny volana desambra aza, mbola manana fotoana isika”, hoy izy. Ny hanaovana ny fifidianana amin’ny 28 oktobra no tsy ampy intsony ny fotoana.Tokony hatao ny fifidiananaTapitra ny volana septambra ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, tokony hatao ny fifidianana hisian’ny fifandimbiasam-pahefana ara-dalàna. Tsy manaraka lalàna intsony, raha hatao amin’ny herintaona izany.“Ny tena ahiahinay, raha sanatria ka PDS no hapetraka ho solon’ny ben’ny Tanàna. Olona tendrena ny PDS, izay tsy maintsy manatanteraka ny tenin’izay manendry azy”, hoy ihany izy.Nefa raha tsy maintsy hahemotra ny fifidianana, hiitatra ny fe-potoan’ireo ben’ny Tanàna, izay efa miomana ny hiala aorian’ny volana septambra. Nefa mbola ho eo hatrany izy ireo mandra-pahatonga ny fotoana mahametimety ny fanjakana.R.Nd. L’article Ivontoerana Safidy: “Mila hajaina ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tompondaka amin’ny matematika: notoloran’ny minisitra fitaovana Ravelonirina S

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa, i Rejo Fienena Felicitée, omaly teny amin’ny birao fiasany eny Fiadanana, ny profesora Ravelonirina Hanitriniaina Sammy Grégoire, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’Antananarivo. Izy no Malagasy tompondaka eran-tany tamin’ny fifaninanana matematika “algèbre de Lie”, tamin’ity taona ity. Nahatratra 98 ireo firenena nandray anjara tamin’izany fa mendrika indrindra tamin’izy ireo ny tenany. Voninahitra lehibe ho an’ny Malagasy iray manontolo izao fandreseny izao. “Voaporofony fa manam-pahaizana sy tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany isika Malagasy”, hoy ny minisitra. Nanolotra « ordinateur portable » ho azy ankoatra ny “certificat” sy medaly ary ireo loka hafa miandry azy ny minisitra.Vonjy L’article Tompondaka amin’ny matematika: notoloran’ny minisitra fitaovana Ravelonirina S a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany

Sambany ho an’i Fiadanantsoa Sidonie ny fandraisana anjara amin’ny “Lalaon’ ny Nosy”, saingy izao nahazoany vokatra tsara izao sahady. Atleta vao misandratra manana hoavy mamiratra izy, araka izany, raha izao fivoarany izao. Tsahivina fa efa nifaninana tamin’ny “CJSOI” teo amin’ny sokajy « cadette”, ny taona 2016, i Sidonie ary nahazo medaly volamena. Isan’ireo atleta niatrika fiofanana tany Sina izy ka izao nioty vokatra tsara izao, tamin’ity andiany faha-10 ny “Lalaon’ny Nosy” ity. Efatra taona izay no nidiran’i Sidonie ao anatin’ny taranja atletisma. L’article Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Honoré Rasolonjatovo : « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale »

Le vice-président de l’Assemblée nationale estime que les ministres qui viennent d’être remerciés ont réussi avec succès leurs missions. Le président de la République a affirmé lors de son intervention sur les chaînes nationales, dimanche dernier, que « le pays est au bout du chemin qui mène à la victoire contre la pandémie ». Très vite, le chef de l’Etat est soutenu par ses partisans. « Le régime a réussi la lutte contre la propagation du Coronavirus dans le pays », a soutenu hier Honoré Rasolonjatovo, vice-président de l’Assemblée nationale. Les efforts déployés soutenus par une mobilisation méritée du personnel médical, des forces de sécurité, ainsi que le gouvernement, ont, selon ce dernier, porté leurs fruits pour endiguer le virus. En tout cas, le député de Faratsiho a défendu, devant la presse, que « le bilan de ces 19 premiers mois du régime est positif ». Et ce malgré les virulences des critiques qui fusent surtout de la part des opposants. Durant cette crise sanitaire, la société civile elle aussi, a épinglé à plusieurs reprises le régime. Au niveau du parlement, l’opposition, toujours aussi vigilante, scrute les moindres dérapages des tenants du pouvoir pour lancer des piques. Mais jusqu’à présent, la majorité reste en bloc derrière l’Exécutif. « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale », a soutenu ainsi son vice-président. L’exécutif peut ainsi compter sur un soutien infaillible de la Chambre basse. Cette dernière sera décisive dans le cadre de l’adoption du projet de loi 001-2020 relatif aux ratifications des ordonnances présidentielles sur les élections et référendums, le Sénat ainsi que le code minier. Rija R. L’article Honoré Rasolonjatovo : « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Honoré Rasolonjatovo : « Aucune motion n’est mijotée à l’Assemblée nationale » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be

Nanomboka, omaly 8 aogositra, ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’ireo kandidà mifaninana Rasoamaromaka Hery. “Hanohy ny fametrahana ireo kianja manara-penitra “synthétique”, any amin’ireo ligim-paritra rehetra isika. Tetikasa mifanandrify tanteraka amin’ny vinan’ny IEM satria mpanjakan’ny fanatanjahantena ny baolina kitra”, hoy izy. Nomarihiny fa mora kokoa ny miara-miasa amin’ny filoha Rajoelina noho ny fitoviam-pijery eo amin’ny roa tonta, hampiroboroboana ny fanatanjahantena, indrindra fa ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasany ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fifaninanana hahafahana mitily dieny izao ireo ho taninketsan’ny ekipam-pirenena, sokajin-taona rehetra. Tsiahivina fa anisan’ireo olona nanampy betsaka ny Barea ny tenany, na tany Egypta, nandritra ny “Can 2019”, na ireo niatrika ny “Lalaon’ny Nosy” tatsy Maorisy, na ny Barea, nanao ny fifanintsanana, tamin’ny “Chan”, nikatrohana tamin’i Mozambika.Ankoatra izany, efa nisy ireo ligim-paritra resy lahatra amin’ny fitiavany sy ny fanampiany ny baolina kitra ka nanambara ny fanohanany azy. Mbola hampahafantatra misimisy kokoa ireo teboka lehibe entiny mampandroso ny baolina kitra, mandritra ity fampielezan-kevitra ity, ny kandidà Hery Be. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly

Niditra an-tsehatra, nanomboka omaly, tao amin’ny kianjan’ny Germain Commarmond Bambou, eto Maorisy, ny taranja atletisma, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”. Azo lazaina ho tsara ihany ny vokatra ho an’ny Malagasy satria nahazo medaly volamena miisa roa sy volafotsy miisa efatra ny efa eo am-pelatanan’ireo atleta nifaninana.Norombahan’i Molenjanahary Njarasoa Claudine (12.02) ny fandresena teo amin’ny famaranana, 100 metatra vehivavy. Mbola isika Malagasy ihany koa no nitana ny laharana faharoa, teo amin’ity sokajy ity, tamin’ny alalan’i Embony Elodie Vanessa (12.22). Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa nahazo ny medaly volamena , i Mampitroatsy (30.37.88), teo amin’ny 10 000 metatra ary Andriamparany Fenosoa ny teo amin’ny faharoa (31.08.28). Ankoatra izay, medaly volafotsy avokoa ny norombahin’ny atleta malagasy, teo amin’ny famaranana, 1 500 metatra sy 110 metatra misy fefy, sokajy lehilahy hatrany. Niaro ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninanana roa ireo Randrianantenaina Soazara Lahivokatse (3.56.63) sy i Mananjara Be Ibrhim (14.78). Mi.Raz    Vokatra omaly Famaranana 100 m vehivavy: 1-Molenjanahary Njarasoa Claudine: 12.022-Embony Elodie Vanessa: 12.22Famaranana 10 000 m lehilahy: 1-Mampitroatsy: 30.37.882-Andriamparany Fenosoa: 31.08.28Famaranana 1 500 m lehilahy: 1-Dookun Mohammed (Mau): 3.56.632-Randrianantenaina Soazara Lahivokatse: 3.56.89Famaranana 110 m “haies” lehilahy: 1-Lararaudeuse Jeremie (Mau): 14.632-Mananjara Be Ibrahim: 14.78 L’article Atletisma: medaly volamena roa sy volafotsy efatra ny azon’ny Malagasy, omaly a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Fanabeazam-boho ny « Slow dance »: miditra lalindalina hatrany ny Band dago  
21/09/2020

 Nanana ny vanim-potoana nampalaza azy tokoa ny “Slow dance”, teto Madagasikara. Misy ny mahatadidy fa ao ihany koa ireo tsy niaina niaraka taminy. Ny fahatsapana ireo no hamerenan’ny tarika Bad dago ny lazan’io gadona kanto io.Raha toa ka hadinodinon’ireo mpankafy ny fisian’ny « slow dance » noho ny fibosesehan’ireo gadona hafa loko teto Madagasikara… Tapa-kevitra ny hilofo ho amin’ny famerenana izany an-tsehatra indray i Rivo, i Tahina ary i Jamel. Telo mirahalahy samy zanak’Avaradrano, mivondrona ao anatin’ny tarika Band dago. Tsy nihambahamba ny tarika « Band dago » nanambara fa « tonga ny fotoana hampitana ny faneva ho an’ireo zandry mahaleo mahalasa avy amin’ireo zoky be efa nahavita be tokoa teo amin’ny fiangaliana ny « Slow dance » teto Gasikara”.Fanatsarana hoentin’ny Band dago ny fampivadiana amin’ny fomba kanto sy manaraka ny fitsipiky ny mozika ny « slow dance » amin’ny gadona malagasy ary ny fanatevenana bebe kokoa ny lafiny fandrindrana hanaraka vanimpotoana. Nampiavaka ireo tarika zokiny, ny filalaovana ny « Slow dance » ary mbola tazonin’ny « Band dago » ilay fianjaika ahatarafana hajejoana, izay manome hasina ny mpankafy sy lanja manokana ihany koa ny mozika atosak’izy ireo.Ampahany amin’ireo sanganasa efa vita rindrantsary, ankehitriny, ny « Ho any aminao » ary hivoaka ny volana ambony hitsidika io ny “Anjarako ianao”.Raha tsiahivina, tany amin’ny taona 2006 no nahazo laka tao am-pon’ireo mpankafy ny fankafizana ny « Slow dance » teto an-tanindrazana, indrindra teto an-kibon’Imerina, tamin’ny alalan’ireo tarika niangaly izany avy any Antsirabe. Anisan’ny hotazonina ilay fomba fihirana sady fandihizana rehefa miantsehatra ny mpiangaly ny « Slow dance », raha ny fanazavan’izy telo mirahalahy.Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto vonona hanandratra avo ny kanto an-kira ry « Band dago » mpanakanto zanak’Avaradrano.Nanangona : HaRy Razafindrakoto L’article Fanabeazam-boho ny « Slow dance »: miditra lalindalina hatrany ny Band dago   a été récupéré chez Newsmada.

Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra
26/09/2020

Mitombo ihany ny asa ivelan’ny ara-dalàna, araka ny fanadihadiana natao, indrindra ny tsy fitoviana eo amin’ny fidiram-bolan’ny lahy sy ny vavy. Misongadina hatraiza hatraiza izany eto Madagasikara.Mibaribary ny tsy fitoviana eo amin’ny fitadiavana tantanin’ny lahy, manan-tombo kokoa no ho ny tantanin’ny vavy. Miainga any amin’ny fahasarotan’ny fahitan’ny vehivavy asa aloha izany ary mbola hita ihany koa ny elanelana eo amin’ny karama. Anisan’ireo antony ireo ny mampitombo ny « mpivarotra amoron-dalana ».Hita izany aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy eto Madagasikara. Na olona nahavita fianarana ambony aza ireo olona ireo, mbola sarotra ho azy ireo ny mahazo asa araka ny fepetra ara-dalàna. Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 50 % ny manana Bac misafidy mivelona amina karazam-barotra fa tsy mamokatra. Sarotra ny mahazo famatsiam-bola. Porofo fa tena mahantra i Madagasikara.Amin’izay asa an-tselika izay, tsy mitovy ny tanjany: misy mivarotra fiara, ao ny mivarotra voanjo fa tena betsaka raha eto Antananarivo ny mivarotra sakafo masaka. Amin’io sokajy iray io, mbola hita ihany koa ny elanelana be loatra na amin’ny vidiny na amin’ny kalitaony.Hita amin‘ny sokajin’asa ivelan’ny ara-dalàna ny karazana asa sy ny olona manao azy. Araka izay ihany koa ny sokajin’ny mpanjifa, mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Tombanana 1500 miliara ariary isan-taona ny vola tsy miditra amin’ny fanjakana raha eto Antananarivo fotsiny : varotra sy fitaterana no tena betsaka. Fitaterana eto, tsy amin’ny fiara ihany fa hatramin’ny sarety sy posy. Matiantoka voalohany ny kaominina manodidina, na misy manao fanambarana izy ireo, tsy izy rehetra akory. R.MathieuL’article Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces
22/09/2020

Naneho hevitra eo anatrehan’ny fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny oniversiten’Antananarivo amin’ny ankapobeny tamin’ny loza nitranga tao Ankatso II, oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo, ka nahamay ny Bloc Amicale fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny Seces sampana Antananarivo. Manantena izy ireo fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo Anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly intsony ny loza toy ireny. Mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana ny mpikambana ao amin’ny Seces amin’ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny mpianatra amin’ny trano fonenana manara-penitra, hahafahan’izy ireo miaina sy mianatra ao anatin’ny filaminan-tsaina tanteraka.May ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatraNohamafisin’ny birao fa vahaolana maika, azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana ny olana no ilaina momba ny tranon’ny mpianatra. Zava-misy mahamenatra sy vato misakana amin’ny fahatrarana ny kalitao no sady tsy mendrika ny fampianarana ambony ny fotodrafitrasa misy amin’izao fotoana izao. Mankahery ireo mpianatra niharam-boina ny mpampianatra mpikaroka satria tsy mora ny mamoy ny trano fonenana sy ireo entana ary fitaovana entina manatanteraka ny fianarana.Vao tsy ela akory no may ny trano vondro ipetrahan’ny mpianatra miisa 62 any Maninday.VonjyL’article Mitaky vahaolana momba ny tranon’ny mpianatra ny Seces a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina
22/09/2020

Nanomboka omaly alatsinainy 21 septambra ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Roland Garros, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Anisan’ireo miatrika ity fifanintsanana ity ireo Malagasy mirahavavy, Andrianjafitrimo Tessah sy Ramialison Irina, saingy tsy mbola voaray ny voka-dalao teo amin’izy ireo. Ankoatra izay, nosembanin-drahona ny fanombohan’ity lalao ity, satria mpilalao dimy no voatery nesorina fa voan’ilay valanaretina “coronavirus”. Rehefa natao ny fitiliana, ny roa tamin’izy ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina fa ny telo kosa tranga fifampikasohana avy amin’ny mpanazatra azy ireo, izay tratry ny “coronavirus” ihany koa.Nanapa-kevitra avy hatrany ny talen’ny fifaninanana fa tsy afaka mandray anjara izy ireo. Nampiharina tamin’izy ireo ny fanokana-monina mandritra ny 7 andro. Tsy nambara kosa ny anarana sy ny fiavian’ireo mpilalao voalaza fa voan’ny “covid 19”, ireo. Tsiahivina fa nahatratra 900 ny fitiliana natao nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Tsy anisan’ireo voan’ny “covid 19” aloha izy ireo ka afaka mifaninana tsara. Haharitra hatramin’ny zoma 25 septambra ho avy izao ity fifanintsanana ity. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hiditra amin’ny fifaninanana ny rehetra, izay haharitra hatramin’ny 11 oktobra, ho avy izao.Ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, ferana ho 5000 isan’andro ihany ny isan’ireo mpijery afaka manatrika ny lalao. TompondakaL’article Tenisy – Roland Garros: niditra an-tsehatra i Tessah sy i Irina a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020
22/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 22 Septembre 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 63 sur 598 tests effectués, portant à 1165 le nombre de cas actifs actuels dont 20 présentent des formes graves. La majorité des nouveaux cas sont localisés dans la région de Sava avec 25 cas, suivi de Alaotra Mangoro avec 13 cas, la région Diana avec 9 cas, la région vatovavy Fitovinany avec 3 cas, la région Analamanga avec 6 cas et la région de Boeny avec 1 cas. Quant aux guérisons, 61 cas de guérisons ont été également annoncés par le Pr Vololontiana, de ce fait sur 16 136 personnes contaminées du Coronavirus dans toute la Grande Île, 14 743 personnes sont totalement rétablies du Covid-19. 1 décès liés au Covid-19 a été rapporté par la porte-parole du CCO Covid-19, depuis le début de l’épidémie en mars 2020, le nombre de décès liés au coronavirus à Madagascar est de 226L’article Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy
24/09/2020

“Noho ny faharefoan’ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny akany, nisintaka mihitsy tany ambanivohitra ny zaza sy ny mpikarakara nandritra ny fihibohana hisorohana ny fahazoan’izy ireo ny tsimokaretina”, hoy ny mpitantana ny akany fandraisana. Nikatona tanteraka ny akany eny Mahamasina. Antso amin’ny finday fizarana vaovao sy fandefasana vola amin’ny finday ny tantsoroka natao ireo ray aman-dreny rehetra tohanan’ny ONG.Nisy nanala fanadinana CEPE ny ankizy tohanana ary afaka soa aman-tsara avokoa fa roa kosa no niala an-daharana noho ny fahasahiranana tao anatin’ny fihibohana. “Zavatra mampalahelo izany nefa izahay koa, niala teto amin’ny akany ka sarotra ny faharaha-maso ny ankizy », hoy ny fanazavany ihany. Ankehitriny, efa miverina tsikelikely amin’ny fiainany ny akany sy ireo asa rehetra nataon’ny ONG ho tantsoroka amin’ny fianakaviana. Hatramin’ny taona 1988 niorenan’ny akany, 180 mahery ny ankizy nobeazina sy noraisina an-tanana tao. Nivoatra tsikelikely ny toeram-pandraisana izay niandoha tamin’ny zaza roa voan’ny aretina raboka ka nalain’ny mpanorina notsaboina tao an-tokantranony. Avy amin’ny fianakaviana sahirana monina eny amin’ny faritra iva: Andavamamba, Anatihazo, Itaosy, Ambatomaro … ireo ankizy beazina ao. Betsaka ny antso azo nandritra ny fihibohana fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy afa-nanoatra ny mpitantana. Vonjy    L’article Fisorohana ny valanaretina: nisintaka tany ambanivohitra ny ankizy a été récupéré chez Newsmada.

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra
21/09/2020

Fampirisihina ny mponina amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka 100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva, satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona nanaditra ny “caravane”.Zo ny Aina L’article «World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra a été récupéré chez Newsmada.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza
23/09/2020

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina. Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro. Avotry ny fialan-tsasatra Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy. Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo. Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka. « Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny. Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy. L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.

FAKAFAKA: ho fanatsarana ny literatiora malagasy
22/09/2020

Ahitsy ny fiheverana fa ny literatiora dia tsy fialamboly fotsiny ihany na fanalana andro fa tena fiainana mihitsy. Ampirisihina ny ankizy hamaky boky, indrindra ny literatiora fahiny, ary ampidirina amin’ny fandaharam-pianarana ny fototra sy tantaran’ny literatiora malagasy. Hatsangana ny sekoly manokana ho an’ny zava-kanto malagasy … Miroborobo, saingy tsy mivoatra fa mihemotra ny literatiora ankehitriny.  Tsy ampy ny  ivontoerana na fampianarana manokana mikolokolo ny tanora amin’ny sehatry ny zavakanto.  Zary lasa mandeha amin’ny herin’ny tenany ny mpanoratra amin’izao ka tsy maharitra ela fa mandalo ihany ny hazavana entiny. Rahateo, efa nampianarina antsika tany amin’ny ambaratonga fototra fa ny “literatiora dia natao hanalana andro, fialamboly”.Andaniny, tsy ampy ny faribolan-tsehatra hifampizarana, indrindra ny takalo eo amin’ny zoky sy ny zandry.  Ny zandry aty aoriana , mieritreritra efa mahasongona sahady ireo zokiny, ny zokiny rahateo tsy manao dingana voalohany amin’ny zandriny «  araka ny lalàn’ny fiarahamonina tokoa izay » . Amin’izaovanimpotoana izao, mifamahofaho be ihany ny resaka mpanoratra, ny fanoratsoratana ainga aparitaka etsy sy eroa , indrindra amin’ny tambajotran-tserasera sy ny fanaovana hetsika tsy masaka tsara. Ny famoaham-boky tefy maika ve no mahafaritra ny antsoina hoe Mpanoratra na poeta ?  Tsy misy hifanomezan-tsiny … Tsy misy handrara tsy hanoratra velively … Aina ho an’ny firenena rahateo ny literatiora ary voninahitra ny fananana mpanoratra maro …. Fa mpanoratra manao ahoana tokoa ny hovolavolain’ity taom-polo ity?”Manana adidy ny tsirairay na ny fanjakana na ny olontsotra mpamaky boky, indrindra ny mpanoratra sy ny mpandalina literatiora. Anisan’ny vahaolana amin’izao aretin’ny literatiora izao, ny fanarenana ifotony. Ampahafantarina ny ankizy any amin’ny garabola sy ny fanabeazana fototra ny anjara asan’ny literatiora sy ny maha zava-dehibe azy eo anivon’ny firenena sy ny maha olona. Ampahany ihany ireo fa maro ny azo atao hanatsarana ny tontolon’ny literatiora.Narilala L’article FAKAFAKA: ho fanatsarana ny literatiora malagasy a été récupéré chez Newsmada.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana”
23/09/2020

Midina ifotony ny eo anivon’ny  Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). Nahitan’izy ireo taratra ny vokatry ny fampihavanana izany noho ny fandalana ny soatoavina, miainga amin’ny ”Kianja”.“Nidina tany Arivonimamo izahay, nitondra ny soatoavina enti-mamokatra. Azo atao hery na fitaovana iray enti-mamokatra ny fihavanana. Mba hahazoana mifanentana sy mifanome tanana izany, ahazoana mifanabe sy mifanitsy mba hiasa” hoy ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, momba ny hetsika fampihavanana nataon’ny CFM tany amin’ny kaominina Arivonimamo, taorian’ny kaominina Andriambilany. Hahazoana koa mametraka filaminana ny fihavanana. Afa-miasa tsara rehefa ao anatin’ny fandriampahalemana.Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanaparitahana ny “kianja”. Atambatra ho “kianja” iray ny olona isam-bohitra afa-mifanentana, mifampiteny, mifampifehy, mifanaja, miara-miaina tsara. Lasa hery iray ho an’ny rafi-pitondrana ny fokontany. Nanome ohatra tsara ny any Arivonimamo nanao valintanana: namboly, niara-nanao lalana. Tonga nanome tanana ny hafa rehefa nahita: ny avy amin’ny governora, ny mpandraharaha…Miainga amin’ny tena ny fanorenana ny firenena“Tsy maintsy miainga amin’ny tenantsika ny fanorenana ny firenena”, hoy izy. Izay vao miakatra tsikelikely: miainga amin’ny fokontany, mankamin’ny kaominina, ny faritra… Famokarana ao anatin’ny fihavanana: ny fihavanana, mitondra famokarana ary ny famokarana, mitondra ny olona ho amin’ny fihavanana.Ezahina aparitaka tsikelikely ny fanomezana hasina ny fokonolona: ny zony, ny andraikiny, ny tombontsoany. Ao anatin’ny toe-tsaina sy ny soatoavina mandala fihavanana sy ny fahendrena malagasy ny anatanterahana izany.Fiaraha-mientana hisian’ny fifampifehezana ny fihavanana, fiaraha-miasa mba hiara-miaina ho amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ary miitatra ho an’ny firenena.R.Nd. L’article Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana” a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.