Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»

News - Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»

News - Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz»

 

Seho efa fanao any ivelany ny
« Jeudi du jazz ». I Solo Andrianasolo kosa no nitondra
sy namelona azy teto an-tanindrazana, raha vao tonga izy. Fantatra,
omaly fa hamerina ny hetsika « Jeudi du Jazz » indray ity
mpanakanto ity, ny 5 novambra izao ka ao amin’ny Le 5ème
Element , etsy Ankadivato no hanatanterahany izany.
« Tena jazz standard zakan’ny sofina sy hakana tsirony ho
an’ny mpihaino no hatao fa tsy ilay jazz ho an’ny mpitendry. Jazz
manadio sofina », hoy izy. Hiaraka hitendry aminy amin’io i
July Rakoto (piano électrique Fender Rhodes), i Martin
Randriamampianina (contrebass) ary i Mihaja Rakotoarisoa
(batterie).

Efa nataon’i Solo Andrianasolo io
fiarahana io tamin’ny taona 2003 niverenany nody teto 
an-tanindrazana. Tao amin’ny Sweety Home Ambatoroka, nifindra tao
amin’ny Restaurant Ny Avo Ambatoroka… Ankehitriny, ao amin’ny Le
5ème Element »

Nanjary nanao « Jeudi du
Jazz » ny ankamaroan’ny toerana fanaovana lanonana sy
fisakafoana taty aoriana. « Fahafinaretana ho ahy ny fahitana
an’izany », hoy i Solo Andrianasolo.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Solo Andrianasolo: hiverina ny «Jeudi du jazz» a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 29/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

 Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga

Efa nampoizin’ny rehetra fa ny taranja atletisma, no anisan’ireo handrombahan’ny Malagasy medaly volamena betsaka indrindra. Mbola noporofoin’ireo atleta izany, omaly ka nanampiany roa indray ao anatin’ny kitapony.Nihofahofa indroa indray ny sainam-pirenena Malagasy, omaly tao amin’ny stade germain Commarmond tany Bambou Maorisy. Medaly 6 indray no norombahin’izy ireo, ny roa tamin’ireo dia medaly volamena avokoa, izay noraofin’i Olga Razanamalala, ho amin’ny halavirana 400m haies, azon-dRazafindrafara Marie Madeleine ny 10000 m vehivavy ary nobatain’i Cynthia Felicité, ny fandresena, teo amin’ny heptathlon, tamin’ny fe-potoana 15:81. Nisongadina ireto Malagasy ireto, izay nanandratra avo ny voninahi-pirenena. Ankoatra izay, mbola nahazo medaly alimo telo ihany koa isika, tamin’ny alalan’i Blanc Pierre Mandaly, teo amin’ny 400m haies lehilahy sy i Tahintsoa François Yvonne(5km marche) ary  Rabemihoatra Solonirina Oliva(10.000m). Tsiahivina, teo amin’ny andro voalohany, efa nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 4 ny Malagasy, tamin’ny alalan-dry Njarasoa Claudine, Embony Elodie Vanessa, Mampitroatsy sy ny namany, izay antenaina fa hotohizan’ireo namany hafa, mbola hiaka-tsehatra.Mbola hitohy hatrany moa ny fifaninanana ho an-dry zareo eo anivon’ity taranja atletisma ity, izay isan’ny tena andrasana hampiakatra ny medaly azon’i Madagasikara. Mi.RazL’article  Atletisma – 400 m misy fefy: medaly volamena roa indray noraofin-dRazanamalala Olga a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea

Tsy raikitra ! Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa ny ekipan’ny Swift Hesperange ao Luxembourg no hanaovan’ny Barea, lalao firahalahiana. Tafiditra amin’ny fiomanana hihaonana amin’i Côte d’Ivoire.Nofoanana ny lalao saika nikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso, ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, any Maraoka. Fanomanana ny fifanintsanana amin’ny Can 2022, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Noho ny mbola fisian’ny valanaretina “covid 19” ny anton’izany. Io no fanambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, niditra mivantana nandritra ny tafa nifanaovan’ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny le Centenli Antanimena, omaly.«Ilaina ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra, saingy tsy te  hidi-kizo amin’ny fisian’ny «covid 19», izy ireo. Araka izany, ny vaha olana tsara indrindra hitako dia ny manoman-tena eto Frantsa na ny manodidina. Efa nanolo-kevitra aho ka ny fihaonana amin’ny ekipan’ny Swift Hesperange Luxembourg no hitako fa mety. Tsy te haka loza aho, hitondra ireo mpilalao any amin’ny firenena faritra mena amin’ny «covid 19» satria henjana ny lalao mandroso sy miverina, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Tsy mahamenatra amiko ny mikatroka amin’ny ekipa D1 ao Luxembourg», hoy izy.Azo atao raha mihena ny tahan’ny aretinaNomarihin’i Nicolas Dupuis fa azo atao ny lalao amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, raha mihena ny tahan’ny “covid 19” any Maraoka aorian’ny fihaonana amin’ny Swift Hesperange. Ankoatra izay, nambarany fa sady fiofanana no lalao fitsapana ireo mpilalao vaovao vao nantsoina hanatevina ny Barea de Madagascar ity atao any Luxembourg, ity.Nilaza Andriamanampisoa Alfred, filoha lefitra faharoa ao amin’ny FMF fa maneho fiarahana amin’i Nicolas Dupuis, ny komity mpitantana, amin’ity lalao hatao any Luxembourg ity. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, izany.Ankoatra izay, nasiany resaka ny fanalana an-dRazafinirina Sylvain, “intendant” n’ny Barea de Madagascar, izay nolazainy fa mampalahelo ary tsy rariny satria olona nahavita be ary niasa mafy ho an’ny Barea io olona io ka tsy ekeny ny fanesorana azy tsy ho ao anatin’ny Barea intsony. Miantso ireo olona fito ao amin’ny federasiona, manohana sy manampy azy ny tenany hamerina an’i Sylvain eo amin’ny toerany. TompondakaL’article Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifidianana ben’ny Tanàna: hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana

Mby aiza ny fanatanterahana fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna? Mbola mahabe adihevitra. Hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana“Ny zavatra hataontsika, hisy fanapahan-kevitra amin’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ho avy. Tsy maintsy manapa-kevitra amin’ny filankevitry ny minisitra momba izay fotoana tokony hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna izay.” Io no nambaran’ny filoha Rajoelina Andry teny Anosy, omaly, momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mila hanontaniana aloha ny antoko nilaza fa tsy tokony hatao amin’ity taona ity ny fifidianana. Satria nisy antoko nilaza fa raha hatao amin’ity taona ity io fifidianana ben’ny Tanàna io, tsy handray anjara ry zareo.Hanontaniana koa ny Ceni ny amin’ny fahitany azy: madio tokoa ve ny lisi-pifidianana?“Miroso amin’ny fifidianana tokony hatao isika, rehefa madio ny lisi-pifidianana ary vonona hiroso amin’izany isika”, hoy izy. Tsy misy ny olana na natao amin’ity taona ity io, na amin’ny taona ho avy. Rehefa mifanaraka ny rehetra hoe: miroso rehefa hiroso, aleo ny vahoaka no hisafidy. Hatao fifidianana rehefa izay no hifanarahan’ny besinimaro. Mino izy fa vonona avokoa ny antoko rehetra hiatrika an’izany.Ara-dalàna ny hatao.Zavatra manara-dalàna no tokony hatao, araka ny nambarany. Ny Ceni no mamaritra ny daty tokony hanaovana ny fifidianana, ary iaraha-midinika amin’ny minisitry ny Atitany. Toy ny rehetra ihany izy, nahare fa misy antoko nilaza ny mbola tsy tokony hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna aloha, fa mila jerena ny lisi-pifidianana. Izay no ataon’ny Ceni: mijery ny lisi-pifidianana.Vokany, tsy fantatra intsony hoe: hatao ve ny fifidianana sa tsia? “Izao ny zavatra mampihomehy sy mahagaga eto amintsika: zatra manohitra hatrany ny zava-mitranga isika”, hoy ihany izy. Rehefa milaza isika hoe tokony hiroso, miteny ny sasany hoe mijanona aloha fa aza mbola miroso.Tsy misy eritreritra hanendry PDS“Vaovao tsy marina sy tsy mitombina izany, satria tsy misy manana eritreritra hanolo PDS ny ben’ny Tanàna”, hoy izy momba ny fanendrena PDS. Anjaran’ny vahoaka ny mijery raha nahavita ny asany na tsia ny ben’ny Tanàna tao anatin’ny efa-taona nitantanany. Anjaran’ny vahoaka koa ny manapaka ny amin’izay amin’ny fifidianana: iza ny ben’ny Tanàna tena mahavita azy, tena afa-kampandroso ny firenena?R.Nd.L’article Fifidianana ben’ny Tanàna: hanapa-kevitra ato ho ato ny fitondrana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ankadinondry Sakay : fokontany 22 indray notetezin’ny dahalo notafihina

Mitaraina ny olona ! Miron­gatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay. Mi­taintaina vokatr’izany ny mponina, indrindra ireo tantsaha. La­san’ny dahalo avokoa ny ankamaroan’ny vidim-bokatra rehetra. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina iharan’ny fanafihan’ireo malaso fa fokontany 22 ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay no indray voatetin’ireo dahalo tao anatin’ny roa volana izay. Maro ireo olona tifirin’ireo dahalo ka mahatonga ireo mponina any an-toerana mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity resaka tsy fandriampahalemana any an-toerana ity fa tena mikaikaika izy ireo. Raim-pianakaviana iray koa tao amin’ny fokontany Andohaniki­fi­ka no maty novonoin’ny dahalo, ny alahady teo. Tonga avy any ireo dahalo nitaky volabe 80 tapitrisa Ar tamin’ny fianakaviany ka rehefa tsy nanam-bola izy ireo dia nokapakapainy tamin’ny famaky ilay raim-pianakaviana. Vokany, maty tsy tra-drano ilay niharam-boina. Tsy vitan’ izay fa nifindra fokontany hafa indray ry zalahy nanohy ny asa ratsiny. Dahalo manodidina ny 20 mahery no indray mandravarava nandritra io fanafihana io. Voalazan’ireo mponina fa dimy tamin’ireo dahalo mpanafika no efa voasambotry ny zandary ka hiakatra fitsarana, ny volana septambra ho avy izao.Jean ClaudeL’article Ankadinondry Sakay : fokontany 22 indray notetezin’ny dahalo notafihina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

RN 2: nisesy ny lozam-pifamoivoizana, olona dimy naratra

Tohivakana indray ny lozam-pifamoivoizana, ny faran’ny herinandro teo. Olona dimy indray naratra nandritra ny fifandonan’ny fiara roa teo amin’ny PK 37 + 100 tao Antanifotsy fokontany Ambohijafy, kaominina ambanivohitra Nandihizana, distrikan’i Manjakandriana. Fantatra, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, fa olana teknika teo amin’ny fiara ny antony nahatonga ny loza. Nentina hopitaly avy hatrany ireo naratra. Fa teo Ambatolampikely koa, tamin’io fotoana io ihany, moto iray tafasitrika tany ambany kamiaobe ka potipotika tsy nisy noraisina intsony. Naratra mafy koa ilay mpitondra moto ka voatery nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Fiara iray koa nirehitra ny asabotsy teo ihany teny amin’ny PK 37+500 tao Ambanitsena, tsy mbola fantatra mazava koa ny antony nahatonga ny loza fa mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny zandary amin’izao fotoana izao. Teny Ambohipo, fiara taxi-be iray nifatratra tamina tranon’olona iray. Voalaza fa olana teknika koa ny nahatonga ity fiara ity nitrongy tranon’olona.J.CL’article RN 2: nisesy ny lozam-pifamoivoizana, olona dimy naratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Betsiboka: tantara sisa ny tanimbary any Marovoay

Potika tanteraka ny fotodrafitrasa momba ny fambolena any Marovoay, anisan’ny sompitra iray lehibe eto Madagasikara, nefa tany amin’ny Repoblika voalohany ny lazany farany amin’ny maha mpamoka-bary azy. Ny « station de pompage » misintona rano avy any Amboromalandy, efa simba hatramin’ny taona maro, ireo lakandrano lehibe sy kely manondraka tanimbary, tototry ny fasika avokoa. 10 000 ha ny velarana tanimbary any Marovoay, nefa zara raha misy 1500 ha sisa ny azo volena noho ny fahanteran’ny  fotodrafitrasa.Manahirana tanteraka ny rano, “moto pompe” kely ireny sisa, ho an’izay manana, ny ampidiran-drano. Izay mahakasika rehetra momba ny fambolem-bary, manahirana avokoa raha ny any Marovoay.  Hafa tamin’ny andron’ny Fifabe (Fikambanana fampandrosoana ny lemak’i Betsiboka), namoka-bary ny kaominina rehetra ao anatin’ny distrika : Marovoay, Manaratsandry, Ambolomoty, Ankaboka, Anosinalainolona, Antanimasaka. Nanana tanimbary tamin’ireo toerana ireo avokoa ny Fifabe, ankoatra ny an’olon-tsotra. Tantara sisa izany ankehiriny. Voalaza aza fa natao lavanty ireo tanimbarin’ny Fifabe, tamin’ny taona 2015, satria matiantoka  nidiran-trosa.Isaky ny fampielezan-kevitra, filoham-pirenena sy solombavambahoaka, nampanantena ny fanamboarana ny fotodrafitrasa ireo nilatsaka hofidina. Vita ny fifidianana, veloma hatreo i Marovoay ! Angamba andrasana famatsiam-bola avy any ivelany indray, toy ny ataon’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) any Bas Mangoky. R.MathieuL’article Faritra Betsiboka: tantara sisa ny tanimbary any Marovoay a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lozam- pifamoivoizana

Tra-doza, tany Mangily Toliara, ny môtô iray, afak’omaly tolakandro. Fantatra fa lehilahy sy vehivavy iray no noentin’io kodiaran-droa io. Namoy ny ainy ilay lehilahy. Naratra mafy kosa ilay vehivavy niaraka taminy. L’article Lozam- pifamoivoizana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha

Natao sonia, omaly, teny amin’ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro. Nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny sampandraharaha iraisam-pirenena Pnud sy ny Ocha ary ny Vovonana mikasika ny maha olona iarahan’ny sehatra tsy miankina (PHSP). Nanolotra fitaovana informatika ny PHSP, ahitana ordinatera maromaro miampy ny kojakoja miaraka aminy, entina hitantanana sy hanarahana ny mikasika ny mpandeha, indrindra amin’izao tranga Covid-19 izao.Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny Pnud-Ocha, ho endriky ny fanohanany ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny solontenan’ny PHSP fa santatra hatao filamatra ny eny amin’ny toby Andohatapenaka, tanjona ny hanatanterahana toy izao manerana ny toby fiantsonan’ny fitaterana zotram-paritra sy nasionaly manerana ny Nosy. Ho an’ny minisiteran’ny Fitaterana, fivoarana lehibe mankany amin’ny fandrosoana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana ara-informatika ny mombamomba ny mpandeha.Njaka A.L’article Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4474 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4474 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

CFM: “Mba hahay hifidy ireo mpifidy”
20/11/2020

“Amin’izao ankatoky ny fifidianana loholona eto Madagasikara izao, manao antso avo izahay ato amin’ny CFM hitandroana ny fihavanana. Zava-dehibe ho antsika io fifidianana io, satria olon-dehibe ary ho mpikamban’ny andrimpanjakana mpanao lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana no hofidina.”     Io ny fanambaran’ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM), i Maka Alphonse, amin’izao fiatrehana ny fifidianana loholon’i Madagasikara izao, izay nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra amin’izany. Koa manantena izy fa ny fieritreretan’ny mpifidy vaventy no hamaritra ny safidin’izy ireo tsirairay avy. Hahay hifidy koa izy ireo, satria izay no lalàn’ny demokrasia.Ireo mpifidy vaventy no raiamandreny sy heverina ho olon-dehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Koa antenaina ho vita ao anatin’ny filaminana ny fifidianana hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny soatoavina maha Malagasy izany: ny fitandroana lalandava ny fihavanana. Ao anatin’ny firaisankina sy ny fitonian-tsaina ary ny fandriampahalemana no ahazoana miroso amin’ny asa fampandrosoana ho fanarenana ny firenena. Matoky sy mino ny CFM fa hiara-mientana sy hiray fo hampandroso ny firenena ny rehetra.R.Nd. L’article CFM: “Mba hahay hifidy ireo mpifidy” a été récupéré chez Newsmada.

Manahy ny mpitantana sekoly: “Lasa fanararaotana ny fitorohana ny herisetra”
23/11/2020

Taorian’ny fanentanan’ny tomponandraikitra ny rehetra tsy hisalasala hitoroka raha mahita endrika fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy, manahy ny fivoaran’ny zava-misy ny mpitantana sekoly tsy miankina sy ny mpanabe. Nisy tranga iray niseho tamin’ny sekoly tsy miankina eny Tanjombato, nilazana fa nisy mpampianatra lehilahy nikitika ny mpianatra ao amin’ny “grande section” telo vavy, 5 taona avy. Herinandro taty aoriana, nametraka “plainte de reserve” eny amin’ny mpitandro filaminana ny ray aman-dreny iray amin’ireo telo voalaza.Rehefa nanao fanadihadiana anefa ny mpitsabo ao amin’ny sekoly, voalaza fa tsy nisy ny fikitihana natao ireo zaza ireo, araka ny fanazavana azo. Niakatra avy hatrany teny anivon’ny fitsarana ny raharaha ka voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay mpanabe lehilahy mampianatra ao amin’ny ambaratonga faharoa ao amin’ilay sekoly ny zoma lasa teo. “Attentat à la pudeur et tentative de viol” ny heloka iampangana ity lehilahy ity. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra ny mpitantana sekoly sy ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina fa misy manararaotra ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka manahy sao hataon’ny olona fitaovana hanimbana fiainan’olona fotsiny.Nangonin’i Vonjy            L’article Manahy ny mpitantana sekoly: “Lasa fanararaotana ny fitorohana ny herisetra” a été récupéré chez Newsmada.

Fikasana hanondrana antsokosoko any Dubai: saron’ny ladoany eny Ivato ny volamena 15 kg
23/11/2020

 Ampahafirin’ireo bolongam-bolamena efa miteronterona any amin’ny firenena any ivelany ity sarona ity? Tratran’ny fadintseranana eny Ivato, ny asabotsy teo, ny volamena milanja 15 kg mahery, saika haondrana any Dubai. Olona iray voarohirohy.Milanja 15,245 kg izao sarona nampiarahina amin’ny asa tanana sary baobab vita amin’ny vy izao ary mitentina hatrany amin’ny iray tapitrisa dolara na efatra lavitrisa ariary ny vidin’izany.Voatazona ny olona iray, teratany Malagasy, ary iraka ihany fa tsy tompon’ny entana anisan’ny voarohirohy ka hatolotra ny fampanoavana. Nampiarahina amin’ny asa tanana vy tokony halefa sy voasoratra eny anivon’ny ladoany izany entana izany. Tsy misoratra amin’ny anaran’ny tompony ny entana fa olona manao sorona ny tenany sy manana fahasahiana ny nitondra azy ity. « Matihanina ary efa avo lenta ny fomba fanaon’izy ireo amin’izany fanondrazana antsokosoko izany. Hatao ny fanadihadiana ny tena ny tompony », hoy ny tale jeneralin’ny ladoany, i Zafivanona Lainkana Ernest. Nanteriny fa efa mandeha ny famotorana. Notsiahiviny fa orinasa iray misy anarana malagasy, efa fantatra any Dubai, ny nanafatra azy io ary saronana hosoka amin’ny resaka kolontsaina sy fampianarana ataony izany.Araka izany, fandikan-dalàna eo anivon’ny ladoany izao ary fandikan-dalàna koa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, noho ny fandrarana fanondranana any ivelany. Nohararaotina amin’ny mbola fihidin’ny sisintany sy ny valanaretina Covid-19?Volamena 25 kg atsy MaorisyTsiahivina fa any Maorisy koa ilay volamena 25,5 kg sarona ny janoary 2019. Nokasaina halefa any Dubai sy Inde izany, saingy sarona ireo olona telo tompon’antoka amin’izany ary efa nogiazan’ny fanjakana maorisianina ilay volamena. Efa nivoaka ny didim-pitsarana amin’ny hamerenana azy io eto Madagasikara ary hatao fananam-panjakana eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara. Tsy mbola fantatra na efa hatraiza ny fifampiraharahana amin’ny Maorisianina momba io volamena io na efa nandraisana fanapahan-kevitra tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 30 septambra lasa teo aza. Izao sarona izao indray koa ny volamena 15 kg hafa…Synèse R. L’article Fikasana hanondrana antsokosoko any Dubai: saron’ny ladoany eny Ivato ny volamena 15 kg a été récupéré chez Newsmada.

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
23/11/2020

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboanaNa izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.Synèse R.L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Lant’Joss: “Mitahiry fahatsiarovana ny sary ka sarobidy”
18/11/2020

Andriantsilavo Hasinavalona Lantosoa Jossie na i Lant’Joss. Mpandrakitra an-tsary ny karazana lanonana rehetra (mariazy, batemy…). Talenta vokatry ny fitiavana sy ny fikirizana… Enina taona nikirakirana ny tontolon’ny sary. Nampitombo ny talenta voajanahary ao aminy satria tsy mba nandalo toeram-piofanana momba ny fakana sary fa nampiana-tena. “Efa an-dalana ny hanokatra “studio photo” iray sy hanomboka hampitombo traikefa amin’ny alalan’ny fanaovana “vidéo” aho ary hametraka eo ambany fitarihan’Andriamanitra ny vinavina rehetra”, hoy i Lant’Joss. “Tadidio anefa fa mandalo avokoa ny lanonana samihafa raha tsy eo ny fandraketana an-tsary ireo rehetra ireo ho fahatsiarovana rahatrizay kanefa ataon’ny maro ambany toerana ny sary indraindray. Izany indrindra ny anaovanay mpaka sary antso hanohanana ny paka sary rehetra eto”, araka ny filazany. Afaka miara-miasa amin’ny rehetra izay mikarakara lanonana na raharaha momba ny sary i Lant’Joss. Araka ny voalazany, ao anatiny ezaka fanatsarana tanteraka izy ankehitriny mba hanomezana fahafaham-po ny mpajifa tsy ankanavaka rehetra. Manana ny pejy facebook, Lant’Joss Photographe Andriantsilavo, ihany koa izy.Narilala L’article Lant’Joss: “Mitahiry fahatsiarovana ny sary ka sarobidy” a été récupéré chez Newsmada.

Fampinonoan’ny reny tsy misy fangarony: miaro zaza 823 000 isan-taona amin’ny fahafatesana
19/11/2020

51% ny tahan’ny fampinonoan’ny reny tsy misy fangarony ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny fahenim-bolana eto amintsika, araka ny valin’ny fanadihadiana MICS 2018. « Mazoto mampinono ny zanany ny vehivavy malagasy fa tsy tomombana ny fanaovana izany ka tsy mahomby ny vokatra », hoy ny teknisianina. Fomba iray hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka izay mbola mahatratra 41,6% izany ary paikady voafaritra ao anatin’ny Drafitrasam-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo III (PNAN III) hifarana amin’ny taona ho avy. Vaksiny voalohany ary miaro ny zaza vao teraka amin’ny aretina maro ny fampinonoana avy hatrany azy raha vao teraka. Zaza iray amin’ny roa ihany anefa no minono avy hatrany amin’ny reniny raha vao teraka. Mampihena 9% (zaza 823 000 isan-taona) ny taham-pahafatesan’ny zaza latsaky ny 6 taona anefa ny fampinonoana azy avy hatrany, indrindra raha mahatratra 90% ny tahan’ny fampinonoan’ny reny.Entanina ny renim-pianakaviana hampinono tsy misy fangarony ny zanany mandritra ny enim-bolana voalohany. Napetraka ny herinandron’ny fampinonoana, nanomboka ny alatsinainy lasa teo ary hifarana ny alahady ho avy izao manerana ny faritra 22. “Fampinonoan’ny reny, sakafo lavorary, hery fiarovana voajanahary” ny lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity. Nisy hetsika manokana teny anivon’ny CSB II rehetra nampirisihana ny vehivavy hazoto hampinono sy nampianarana azy ireo ny fomba fampinonoana mahomby. “Anisan’ny nandray anjara ny CSB II Ampasanimalo izay nizara fampianarana sy famerenana ny fepetra ara-pahasalamana hiarovana amin’ny valanaretina Coronavirus”, hoy ny lehiben’ny mpitsabo ao aminy, ny dokotera Ramahefasoa Voahangy.Tsy farofy i SarobidyEnim-bolana i Sarobidy ary milanja 10,5 kg amin’izao fotoana izao. “Tsy mba farofy mihitsy izy tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay satria nonon-dreny tsy misy fangarony hatrany ny sakafony”, hoy i Aina reniny. Izao izy vao hikarakarana sakafo satria hiditra amin’ny fahafito volany. Nizara ny tombontsoa azo tamin’ny fampinonoana tamin’ny renim-pianakaviana tonga tao amin’ny CSB II Ampasanimalo izy.Vonjy A.L’article Fampinonoan’ny reny tsy misy fangarony: miaro zaza 823 000 isan-taona amin’ny fahafatesana a été récupéré chez Newsmada.

Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly
24/11/2020

Vonona ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny “Afrobasket”. Hanainga anio ny delegasiona hihazo an’i Kigali, Rwanda. Ao anatin’ny heriny tanteraka ireo mpilalao.Anio amin’ny 3 ora sy 35 mn no hiainga ao Nosy Be ny sidina hitondra ny delegasiona malagasy hihazo an’i Kigali, Rwanda, hiatrika ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket”. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, ao anatin’ny hery sy ny tanjaka tsara avokoa ireo mpilalao rehetra, efa niatrika fanazarantena avy hatrany ny alahady hariva raha vao tonga tany Nosy Be, sady nizatra ny toetr’andro. Nitohy omaly izany fanazarantena izany,  tamin’ny 7 ora hatramin’ny 9 ora maraina, sy tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva. Mialoha ny niaingana, mbola niatrika fanazarantena ny ekipam-pirenena tamin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora maraina ary tamin’ny 12 ora antoandro teo no nihazo ny seranam-piaramanidina ny delegasiona. Mahakasika an’i Rija, mpilalao mila ravinahitra any Frantsa indray, hanainga anio izy ka any Addis Abeba ny hihaona amin’ny delegasiona avy aty Madagasikara avy eo mamonjy an’i Kigali, Rwanda. Tsiahivina fa hanomboka ny 27 novambra izao ny fifaninanana ka ny ekipam-pirenen’i Tonizia ny hifanandrina voalohany amin’ny ekipan’i Tojo. Ny ampitson’io indray, hihaona amin’ny ekipam-pirenena Centrafricaine ary ny fifanandrinana amin-dry zareo RDC ny hamarana ny fifaninanana mandroso. Amin’ny volana febroary kosa ny hanatanterahana ny lalao miverina, izay tsiahivina hatrany fa mahazo ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny famaranana amin’ny “Afrobasket 2021” ireo ekipa telo voalohany isaky ny vondrona, izay hatreto, manana ny herijika handehanana amin’izany ny ekipam-pirenena malagasy. Mi.RazL’article Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Internet mobile : Telma annonce une forte baisse des tarifs
25/11/2020

Patrick Pisal Hamida, l’Administrateur Directeur Général de Telma annonce une bonne nouvelle pour les usagers (Hamida) Accueillie favorablement par les opérateurs mobiles et Internet, la réduction du droit d’accise sur les télécommunications a déjà un impact sur les tarifs. Telma est la première à réagir. L’Administrateur Directeur Général, Patrick Pisal Hamida confirme  une forte baisse des prix des offres Internet mobile. Vous êtes parmi ceux qui ont milité pour la réduction du droit d’accise sur les télécommunications. Que pensez-vous de l’initiative gouvernementale de baisser à 8% ce taux? C’est un bon début…je voudrais remercier le Gouvernement pour ce premier geste envers le secteur qui profitera surtout à la population qui a de plus en plus besoin de communications mobiles. Concrètement quels sont les impacts de cette mesure sur les tarifs des produits et services? Nous n’avons pas attendu la mise en vigueur du 1er janvier 2021 pour baisser fortement nos prix de nos offres Internet mobile pour le grand public…ainsi les prix du Méga Internet ont été fortement réduits  et certains tarifs sont  divisés en deux. On a par exemple un tarif de 15.000 ariary pour 1 Go alors qu’avant c’était 500 Mo, vous voyez que le volume a doublé pour un même prix. Est-ce que cette mesure peut inciter les opérateurs à renforcer les investissements La dévaluation actuelle nous incite à la plus grande prudence mais nous continuerons à investir dans le cadre du contrat 2019-2023 déjà signé avec Ericsson  et qui prévoit une augmentation de la couverture nationale, nouvelles technologies 4G+ et 5G. Nous assumerons pleinement notre place de précurseur africain de la 5G. Cela fera énormément de biens au secteur des nouvelles technologies de l’information et des télécommunications à Madagascar. Concernant particulièrement Telma, quelles sont les perspectives pour l’année 2021 censée être celle de l’après-covid? Malgré un ralentissement marqué en 2020, nous voulons rester optimiste et pensons que nous pouvons jouer un rôle moteur pour le redémarrage de l’économie nationale : les entreprises, les ménages mais aussi l’administration vont avoir de plus en plus besoin de connexions pour pallier les contraintes logistiques qui vont continuer à peser sur leurs activités  comme la difficulté de déplacement, la  limitation de regroupements physiques,  et on a des périodes de confinement à anticiper. Nous mettons d’ores et déjà tout en œuvre pour accompagner le gouvernement à affronter ces nouveaux défis. Propos recueillis par R.Edmond L’article Internet mobile : Telma annonce une forte baisse des tarifs est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Internet mobile : Telma annonce une forte baisse des tarifs a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Niara-nitoRY ny fianakaviana: Ankizivavy enina indray naolan’i Gaëtan
21/11/2020

Tsy misy farany ! Tratra teo am-panolanana ankizivavikely mbola virijiny vao 13 taona ny raim-pianakaviana iray 45 taona, antsoina hoe Gaëtan, ny alakamisy tao Am­bohibary distrikan’i Mora­manga. Nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé ao Ampitabe ity nahavanon-doza ity. Tonga nitoroka sy nitory ihany koa ny fianakaviana hafa tao an-toerana fa hoe manan-janaka dimy efa voaolan’i Gaëtan, talohan’ izao ka misy kambana vao 10 taona, ny zandrin’ireo kam­bana ireo vao 9 taona, ankizikely hafa 8 sy 12 taona. Efa nozahan’ny mpitsabo ireto ankizikely niharan’ny fanolanana ireo ary manaraka fitsaboana na ara-batana izany na ara-tsaina. Fa tratran’ny zandary ao Matsondakana koa ny jiolahy antsoina Sébastien, izay nanolana zazavavikely vao 8 taona monja tao Am­bohitsara Matsondakana distrikan’i Befandriana Avaratra, ny alakamisy teo ihany.J.CL’article Niara-nitoRY ny fianakaviana: Ankizivavy enina indray naolan’i Gaëtan a été récupéré chez Newsmada.

Fakafaka: Kolontsaina mitady fandrosoana
24/11/2020

Ahitana lesoka be ny tontolon’ny kolontsaina eto Madagasikara ! Ny hira avy hatrany no alehan’ny sain’ny Malagasy. Raha tomorina akaiky anefa, toa tsy ny sehatry ny hira loatra io ahitana lesoka io fa ny kolontsaina hafa. Mbola manana sehatra isehoana ny mpihira. Afaka mivelona amin’ny hira ireo « manana fahasahiana » hitady vola amin’izany, sns.Diniho ny hafa toy ny hosodoko, teatra, fanorona, tantara an-tsary, haisoratra, tantara, teny sy fiteny, sns. Mahazo toerana sahaza azy eo anivon’ny fiarahamonina malagasy ve izy ireny ? Ao aza ireo tena tsy fantatra intsony ny fisiany. Anisan’izany, ohatra, ny fahalalana ny fomba amam-panao ary ny iainana izany hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Tena lesoka goavana eo amin’ny Malagasy mihitsy io.Matetika takona ao ambadiky ny fahombiazana na tsy fahombiazan’ny hira avokoa ireo rehetra ireo. Vanim-potoana tokony hamohazana sy hamoirana  ny karazana kolontsaina ankoatra ny hira izao. Manohintohina ny « vahiny » ny fahalalan’ny Malagasy ny kolontsaina, noho izany, tsy azo iandrasana azy ireo ny asa miandry… Mila mandray andraikitra !HaRy RazafindrakotoL’article Fakafaka: Kolontsaina mitady fandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana sy kabary: tanora 28 nahavita fiofanana
21/11/2020

Sarobidy eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny fananany ny teny. Mila hay ihany koa anefa ny mifehy azy mba ahafahana mifanerasera sy mampita hafatra tahaka ny fanabeazana.Tanora mpirotsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny fikambanana « Ank’ izy » mahatratra 28 no notoloran’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fim­pima maneran-tany) mari-piofanana kabary, omaly, tao amin’ny efitrano Gisèle Rabe­sahala, Tranombokim-pire­nena Ampefiloha. Fiofanana tselatra maimaim-poana nandritra ny roa herinandro. No­tanterahina tao anatin’ny fanamarihana ny faha-57 taon’ny Fimpima izany. Kabary samihafa no niofanana mba hahafahan’izy ireo mampita indray ny fahalalana momba ny kabary sy ahaizan’ izy ireo miresaka amin’ireo ankizy hifanerasera aminy any amin’ny « bibliobus ». Mari­hina fa nanolotra boky angano, vakiteny ibeazana, boky fianarana teny malagasy, boky tantara, boky kabary ny Fim­pima. Iray amin’ireo tetikasan’ ny fikambanana « Ank’izy » ny fiaraha-miasa amin’ny « Bi­blio­bus » na ilay fiara famakiam-boky manatona ny ankizy. Mpianatra avy any amin’ ny ambaratonga ambony ny ankamaroan’ny mpiofana. Misy ihany koa ireo efa am-perinasa.HaRy RazafindrakoroL’article Fanabeazana sy kabary: tanora 28 nahavita fiofanana a été récupéré chez Newsmada.

Tetibola 2021: hiakatra +4,5% ny fitomboan-karena
19/11/2020

Dinihina eny amin’ny Antenimiera roa tonta, anekhitriny, ny Tetibolam-panjakana LFI 2021. Raha atao indray mijery ny taona 2020, nikatso ny famokarana ankapobeny sy ny varotra maneran-tany, vokatry ny krizy Covid-19. Hisy fiantraikany amin’ny seha-pihariana sasany izany, toy ny sehatry ny fampiantranoana sy ny fisakafoana izay nihena -79,4% tamin’ity taona 2020 ity, ary -53,2% ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy. Vokany, tafidina -3,8% ny tahan’ny fitomboan-karena ho an’ny taona 2020 raha novinavinaina ho +0,8%. Tsy tena niantraika loatra any amin’ny seha-pihariana voalohany, ahitana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famokarana, anefa ny krizy, satria nahitana fitomboana +3,1% ny taona 2020 raha +3,5% ny vinavina.Nofaritana ao anatin’ny LFI 2021 fa hiakatra +4,5% ny tahan’ny fitomboan-karena amin’ny taona ho avy io. Hahatonga izany ny fitomboan’ny sehatra voalohany ho +3,6%, ho +10,6% ny sehatra faharoa (indostria sy fanodinam-bokatra, fanorenana BTP…) ary hiakatra +4,1% ny sehatra fahatelo (varotra sy ny servisy).Hihen-danja ny AriaryTombanan’ny LFI hiakatra +6,2% ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny taona 2021. Voalaza fa antony hahatonga izany ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, sy ny vinavina ny salanisan’ny fitomboan-karena maneran-tany ho +5,2% amin’ny taona 2021. Manampy ireo ny fihenan-danjan’ny sandambola malagasy Ariary miohatra amin’ny dolara, vola ampiasaina amin’ny fanafarana entana, indrindra ny hividianana solika. Vinavinaina hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny seha-pihariana manomboka amin’ny telo volana voalohany ny taona 2021.Manoloana ireo, hiezaka ny governemanta malagasy hanohana ny sehatry ny famokarana eto an-toerana, indrindra ny fahavitantena sakafo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa (amin’ny fambolena, lalana,…), indrindra ny any amin’ny faritra sy ny distrika. Miavaka amin’ny LFI 2021 koa ny hampitomboana ny famatsiam-bola ny distrika sy ny kaominina.Njaka A.L’article Tetibola 2021: hiakatra +4,5% ny fitomboan-karena a été récupéré chez Newsmada.