Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

News - Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

News - Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.

Hisy komity iraisana handinika

Koa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.

Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.

Sajo

Article tiré de Newsmada

L’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 18/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy

Sehatrasa tena vitsy mpila ny fanjairana akanjon-dehilahy. Tanàn-dehibe Ambatondrazaka, nefa sarotra ny mahita olona manjaitra pataloha. Any amin’ny 12 km, vohitra tsy ao anatin’ny kaominina renivohitra akory vao mahita lehilahy manaiky manao izany asa izany !  “Ny fitobahan’ny lamba tonta na friperies no mahatonga izao”, hoy ny mpanajary akanjo efa nampiasaina ( retaillage). Mora lavitra no ho ny mividy ravin-damba sy manarama mpanjaitra tokoa ny vidin’ny  akanjo tonta. Ary feno misavovona, ity karazam-pitafiana tokoa ny efitrano fiasan’ity rangahy mpanao retaillage. Fa velon-taraina koa ireo mivarotra akanjo vaovao “zaitra an-tsena”. Manahirana ny tantsaha tambanivohitra   izany hiakanjo fitafiana efa nipetaka tamina hoditr’olona hafa izany. Ka dia izy ireny no tena mpanjifa mavitrika ny “zaitra an-tsena”. Saingy ankehitriny…efa mirona any amin’ny fripy koa izy ireny : maro isafidianana  sy be haingony ireo avy any Sina ka mahasarika.Vokany : saika tsy misy mihodina intsony ireo orinasa mpanenona lamba, namelona tokantrano maro.. Ireo foibe manofana ho mpanjaitra koa moa,  toa ny akanjom-behivavy  fentina mianjaika ny betsaka .Fanamby lehiben’ny mpitondra, hisian’ny fandrosoana, ny famoronana asa. Angamba rehefa  mihatsara ny fahefa-mividin’ny Malagasy, hiverina  hividy ravin-damba sy hampanjaitra indray izy… Dia ho afaka hitrena, toy ny Barea,  indray ny  Sotema, ny Cotona… RarivoL’article Famoronana asa : fanjairana akanjon-dehilahy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

«BMOI Premium challenge 2019»: nahomby ny hetsika

 Notanterahina, teny amin’ny Country club Ilafy, ny asabotsy 25 sy ny alahady 26 mey lasa teo, ny andiany fahafito amin’ny «BMOI premium challenge 2019», taranja tenisy. Fahombiazana ny fifaninanana, noho ny fahamaroan’ireo mpandray anjara, miisa 120 mianadahy mianaka.Anisan’ny nampiavaka ity andiany ity ny haavo lentan’ny fifaninanana satria nahatratra 12 ny isan’ny lalao niafara tamin’ny “point décisif”. Tsiahivina fa lalao ho an’olon-droa miaraka ny natao ka 15 mn indroa miditra ny faharetan’ny fihaonana tsirairay. Tsy nasiana ihany koa ny “no let” na ny baolina mikasika ny harato fa azon’ny mpilalao faharoa raisina. Tsy nisy “no ad” koa fa mandresy avy hatrany izay mahazo isa voalohany rehefa mitovy 40 no ho 40 ny isa. Nanatrika ny famaranana ny tale jeneralin’ny BMOI, i Alain Merlot. Nanohana ny fifaninanana ny Orange Madagascar, ny DHL, ny Arabesque sy ny Eau Vive. Torcelin Ireo voka-dalao rehetra :  I – Sokajy  “ladies group”Tompondaka: Ramanantseheno Vony (Caisse d’epargne de M/car) sy Raharitsiresy Domoina (Société Ranaivosoa)Tompondaka lefitra: Rahoeliarivahy Nirina sy Razafimahefa Martina (Sayna)II – Sokajy «titanum»Tompondaka: Rakotobe Alain (HTT) sy Ramiandrisoa N Manantsoa (M2Kar)Tompondaka lefitra: Rakotobe Gilles (Langano) sy Andriamanana Hery (Seabefood)III – Sokajy “steel”Tompondaka: Lavergne Eric (Cas’A Nou) sy Rajaonson Links (Société Links)Tompondaka lefitra: Raoelinavalona Lee Rindra (La Parapharmacie) sy Trunzler Marc (Imprimerie de M/car)L’article «BMOI Premium challenge 2019»: nahomby ny hetsika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Madagasikara – Afrika Atsimo: notsiahivina ny tantara

 Notanterahina, afakomaly teny amin’ny CCI eny Ivato, ny hetsika iray natokana ho an’ny fifandraisana eo amin’i Afrika Atsimo sy i Madagasikara. Nisongadina tao anatin’izany ny hoe misy fifamatorana ny tantaran’ny firenena roa tonta. Raha ny fanazavana, efa anjato taona no misy Malagasy monina any Afrika Atsimo.« Tany amin’ny taonjato faha-17 tany, nisy mpanjanatany naka andevo teto Madagasikara ka nentiny niasa tany Afrika Atsimo izy ireo ary mbola any, hatramin’izao, ny taranak’izy ireo », hoy ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo eto amintsika.Tetsy ankilan’izay, nandritra ny fotoan’ny fanavakavaham-bolon-koditra tatsy Afrika Atsimo, nisy mponina tany tonga nifindra monina teto Madagasikara ary nanambady malagasy. Mbola eto ihany koa ny taranak’izy ireo, raha ny fanazavana hatrany.Nasongadin’ny ambasadaoro afrikanina tatsimo ny fiombonam-po sy ny sorona nataon’ny Malagasy ho fanafoanana ny « apartheid » tany amin-dry zareo. Napetraka teto ny taona 1973, ny onjampeo Freedom, nanamafy izany fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra izany. Notanterahina tamin’ity hetsika ity ny fanolorana ny ambin’ny fitaovana nampiasain’ity radio ity ho an’ny masoivoho afrikanina tatsimo. Ity fotoana ity dia nahafahan’i Afrika Atsimo nisaotra an’i Madagasikara tamin’ny fanohanany ny ady tamin’ny « apartheid ».Landy R. Omaly, nitsidika ny firoson’ny asa famitana ny Rova ny minisitry ny Kolontsaina. Ao anatin’ny fikarakarana manokana ireo hazo ny mpiandraikitra izany. Heverina fa tsy haharitra ela io dingana io ary hiroso, avy hatrany, amin’ny fananganana an’i Besakana izy ireo, araka ny voalazan’ny minisitra.  L’article Madagasikara – Afrika Atsimo: notsiahivina ny tantara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy

« Antom-pisian’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Ambanja (AESUA) ny fifanohanana, indrindra eo amin’ny  lafiny fianarana. Tanjona ny hahatafita ny tsirairay amin’izay lalam-piofanana nofidiny », hoy i Ludovic Odon, filohan’ity fikambanana ity. Tsy vitsy ny misedra olana, mila fanampiana. Izay indrindra ny nahatonga ny biraon’ny fikambanana hikarakara fampisehoana, rahampitso hariva, eny amin’ny Fast Food eny Ankatso.Mpanakanto hanafana ny lanonana amin’ity asabotsy ity i Smaven. “ Soiree m’feeling” ny lohateny nampisaloran’ny mpikarakara ny hetsika. Nambaran’i Ludovic Odon,  filohan’ny fikambanana  fa  tena tanjona amin’io ny hampiseho firaisankina eo amin’ny samy mpikambana sy hitadiavam-bola hoentina manatanteraka asa sosialy  ho fanampiana ny mpianatra tojo fahasahiranana. Hampahafantarina ny rehetra, mandritra io fotoana io, ny birao vaovaon’ny AESUA.Hanamarika ity lanonana ity koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be teo anivon’ny fikambanana. Hanelanelana ny fampisehoana ny fanentanana, iarahana amin’ny DJ.Landy R.  L’article Mpianatra avy any Sambirano: manolotra fampisehoana ho fanatanterahana ny asa sosialy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Bazarikely Toamasina: trano fivarotana anarivony kilan’ny afo, olona iray naratra

Io indray! 13 taona aty aoriana, nisehoana fahamaizana goavana indray ny tsena Bazarikely Toamasina ka trano fivarotana eo amin’ny 100 mahery eo indray lasa lavenona tamin’izay fotoana nahamay azy teo aloha izay. Raha ny zava-nisy ny asabotsy tokony ho tamin’ny 8 ora alina teo, fivarotana anarivony indray lasa lavenona. Nijoalajoala nidorehitra mena tsy nisy toy izany ny afo. Nampanano sarotra ny vondrona mpamonjy voina ny famonoana sy ny fifehezana ny afo noho tsy fisian’ny lalana alehan’ireo mpamonjy voina satria feno tsena hatramin’ny lalana. Araka ny loharanom-baovao voaray, voalaza fa fipoahana herinaratra tao amin’ny trano fivarotana fitaovam-pianarana ny nitarika ny firehetana. Loharanom-baovao hafa kosa nilaza fa ankasomparana vokatry ny adiady eo amin’ny tsena noho ny fanesorana ny lehibe teo aloha ny tsena sy olona iray mitady haka io tany malalaka io hanorenana tranovato ny antony nahatonga izao loza izao. Tao kosa ireo loharanom-baovao nilaza fa misy andian’olona nandoro mihitsy hanamora ny fanesorana ireo mpivarotra sasany hakana ny toeran’izy ireo. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana anefa no manamarina izany rehetra izany fa mijanona amin’ny tombana sy ny ahiahy fotsiny ny rehetra.Sajo sy J.CL’article Bazarikely Toamasina: trano fivarotana anarivony kilan’ny afo, olona iray naratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby – Fifaninanam-pirenena: takin’ny World rugby hatao ho “Top 12”

Tsy maintsy hiova ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby amin’ny taom-pilalaovana ho avy. Hahena, ny isan’ireo ekipa miatrika izany mba hahazoana ekipa mahay sy mpilalao matanjaka.Nambaran’i Antsoniandro, tale teknika nasionaly taranja baolina lavalava fa hiova ny fomba hitondrana ny fifaninanam-pirenena amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Takin’ny World rugby mantsy ny hampihenana ny isan’ireo ekipa miatrika izany. Araka izany, tsy ho “Top 20” intsony fa ho lasa “Top 12”. Mba hampakatra ny lentan’ny fifaninanana, ny anton’izany ka ireo tena ekipa sangany indrindra no hifandona, tsy hisy intsony ny isa tataka be fa hitovy tanteraka ny haavo teknikan’ny mpilalao rehetra.Ankoatra izay, hiova ihany koa ny fampivondronana ireo mpilalao ao amin’ny Makis de Madagascar, atsy ho atsy. Tsy ho atao lavareny be intsony izay matetitra maharitra 2 volana fa atao “regroupement intensif”, izany hoe : maharitra 10 andro tsy ankiato ary alefa mody aorian’izay dia toy izay hatrany. Mba hisian’ny fifantohan-tsain’ireo mpilalao ny anton’izany ka tsy hieritreritra afa-tsy fanazarantena sy fanomanana izy ireo.Mampahatsiahy ny rehetra ihany koa ny Malagasy rugby, mba samy hamita ilay antontan-kevitra takin’ny World rugby. Hifarana ny 17 oktobra mantsy izany ka izay tsy mahavita izany dia tsy afaka mandray anjara intsony amin’ny fifaninanana karakarain’ny Malagasy rugby. Tombony amin’ny fanaovana ity antontan-kevitra ity ny hahalalana ny isan’ny lalao ataon’ireo mpilalao tsirairay, izay ho voatahiry any amin’ny federasiona iraisam-pirenena. Mandra-piandry izany, efa manomboka ny fiofanana ka misantatra izany ny any amin’ny ligin’Antsinanana, ny 27 – 30 oktobra ho avy izao. Hisitraka izany koa ny mpanazatra “niveau 1 sy 2” ny mpanabe ireo ankizy ary ny mpitsara “niveau 1”.Mikasika ny fifaninanana indray dia ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha no mety hanokatra, izany. TompondakaL’article Rugby – Fifaninanam-pirenena: takin’ny World rugby hatao ho “Top 12” a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Consolidation de la paix : La commune urbaine de Sambava mise sur la promotion de la jeunesse

La commune urbaine de Sambava entend mobiliser la jeunesse pour la consolidation de la paix. La paix et la cohésion sociale sont les priorités de la région Sava et de la commune urbaine de Sambava. Le projet PBF Vanille financé par le Fonds des Nations Unies pour la Consolidation de la Paix (UNPBF) appuie l’initiative. Dans la région SAVA, la dépendance des communautés vis-à-vis de la filière vanille génère des pratiques et activités illicites, impliquant à la fois les adultes, les jeunes, les enfants et d’autres acteurs. Ces activités incluent, entre autres, les actes de vol, de criminalité, de violence, de trafic d’influence et de corruption. Les conséquences ne sont plus à démontrer :  elles affectent la paix, la cohésion sociale ainsi que l’essor économique de la région et mettent en danger leur avenir. On peut par ailleurs citer, que le nombre d’enfants incarcérés a commencé à augmenter drastiquement en 2016 après la soudaine hausse du prix de la vanille. Les crimes liés à la vanille constituent encore les premières causes d’incarcération de mineurs dans la Maison Centrale d’Antalaha en 2020 et 2021. Le projet PBF vanille entend changer la donne. Défi. Le projet PBF Vanille propose un paquet holistique d’interventions pour la prévention et les réponses à la violence, à la délinquance juvénile et à l’insécurité dans les régions Diana et Sava. Il entend agir sur les dimensions institutionnelle, communautaire et individuelle. Il s’agit notamment de dialogues suffisamment inclusifs et d’une coopération étroite et complémentaire entre les autorités institutionnelles locales, régionales et nationales, les partenaires sociaux et la société civile pour traiter de manière efficace et durable les questions de la violence et de la délinquance dans les régions du Nord. Il s’agit également de résoudre les défaillances de l’environnement socio-économique et culturel à tous les niveaux qui ne protègent pas les enfants et les jeunes contre toutes formes de violence et de délinquance. Cela met en danger leur avenir, fragilise la cohésion sociale et favorise le recul de la qualité de la vanille dû aux effets néfastes de la violence et de la délinquance. La célébration de la journée internationale de la paix dans la Sava entend mobiliser toutes les parties prenantes, surtout la jeunesse Sambavienne, durant une semaine dans le cadre de la célébration internationale de la paix. Comme l’a fait savoir le Gouverneur de région de la Sava : « la paix et la sérénité dans notre Région passe par l’attention accordée à la jeunesse », tout en continuant qu’il est prêt à soutenir les efforts et les initiatives aidant les jeunes à construire un meilleur avenir.  Le maire de la commune Urbaine de Sambava, Judicaël Ramangalaza quant à lui note que : « la promotion de la jeunesse fait partie des dix actions prioritaires du Maire ». Recueillis par José BelalahyL’article Consolidation de la paix : La commune urbaine de Sambava mise sur la promotion de la jeunesse a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Midi Madagasikara

Université digitale : Plus de 500 étudiants inscrits à l’ESUM

Beaucoup de gens se sont renseignés sur l’ESUM dans l’enceinte de Jumbo Score à Ankorondrano. La formation en ligne dispensée par la première université digitale à Madagascar, portant l’emblème de l’ESUM ou Ecole Supérieure de Management, intéresse aussi bien les étudiants que leurs parents. La preuve, une forte affluence de gens se sont renseignés lors d’une campagne de communication de proximité menée par cette université digitale en partenariat avec Jumbo Score, dans l’enceinte de celui-ci à Ankorondrano. Cette campagne a duré trois jours d’affilée. « Ce sont notamment des parents faisant leurs emplettes dans cette grande surface, qui ont manifesté leur intérêt à inscrire leurs enfants à l’ESUM. Ils pensent que ce projet innovant constitue une meilleure solution si jamais le pays se retrouve dans le reconfinement. C’est également adapté au contexte actuel, surtout avec l’évolution des Technologies de l’Information et de la Communication, d’après leurs dires », a expliqué Tahiana Razanamahefa, le responsable de Communication et des Relations Publiques au sein de l’ESUM, lors de sa rencontre avec la presse. Toujours ouverte. En outre, « plus de 500 étudiants résidant dans la Capitale et dans les régions, s’y sont inscrits maintenant. Certes, la rentrée solennelle a eu lieu le 1er décembre 2020, mais l’inscription reste toujours ouverte. C’est d’ailleurs une de nos particularités comparées aux autres universités à Madagascar. En effet, tous les cours et les travaux dirigés ainsi que les regroupements virtuels entre les professeurs et les étudiants peuvent être consultables en ligne à tout moment. Il suffit de télécharger les vidéos sur la plateforme numérique www.esum.academy, via un ordinateur portable ou une tablette, voire même un téléphone portable. Les étudiants pourront ainsi les visionner autant qu’ils le veulent, sans oublier les interactions systématiques avec le corps enseignants formés des professeurs expérimentés. En revanche, une meilleure volonté d’étudier s’impose pour réussir. Notre devise constitue d’ailleurs le défi de la réussite », a-t-elle fait savoir. Notons que des séances de démonstration sur l’utilisation de cette plateforme ont eu lieu durant cette campagne de communication de proximité à Ankorondrano. Connexion gratuite. Un autre avantage d’étudier au sein de l’ESUM, même les personnes qui sont déjà en activité ou bien les femmes au foyer, peuvent y suivre des formations en ligne, afin de renforcer leurs capacités, et ce, tout en restant chez elles. « La seule condition sine qua none constitue l’accès à la connexion internet, qui s’avère maintenant plus vulgarisé », a enchaîné Tahiana Razanamahefa. Rappelons que cette université digitale propose six Mentions de formation, à savoir, l’économie, la gestion, la communication, l’informatique, le droit privé et la statistique. Son objectif est de former des pépinières d’entrepreneurs de demain. Par ailleurs, « les étudiants pourront avoir deux diplômes en suivant deux formations en ligne différentes. Nous offrons en même temps des bourses d’études aux bacheliers méritants et ceux issus des couches les plus défavorisées, dans toutes les régions de l’île. Un centre régional de l’ESUM –Tamatave, vient d’ailleurs d’être mis en place suite aux journées portes ouvertes organisées en décembre dernier dans cette capitale économique de Madagascar. Les étudiants inscrits pourront accéder à une connexion internet gratuite », a-t-elle conclu. Navalona R. L’article Université digitale : Plus de 500 étudiants inscrits à l’ESUM est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Université digitale : Plus de 500 étudiants inscrits à l’ESUM a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Midi Madagasikara

Football- Licence C CAF : “ La formation fait partie de mon plan quadriennal ”, déclare le président Arizaka Rabekoto Raoul

La clôture de la formation des entraîneurs pour l’obtention de la licence C CAF, hier, au Cercle Mess Mixte de la Garnison d’Antsirabe, a revêtu un aspect tout particulier avec l’intervention par vidéo conférence du président de la Fédération Malgache de Football, Arizaka Rabekoto Raoul. Un Raoul fier comme le devait l’être tous ceux œuvrant dans le domaine du football car, comme il l’a si bien dit, le football est source de fierté et de joie partagée “La formation fait partie intégrante de mon plan quadriennal », annonçait hier avec une fierté non feinte le président de la FMF, Arizaka Rabekoto Raoul devant les futurs entraîneurs de la licence C CAF. Des stagiaires à qui il a donné divers conseils pour pouvoir agir dans le sens d’un vrai développement incluant également la conduite à tenir pour un entraîneur. Il n’a pas hésité à montrer la vidéo du journaliste Molina non pas pour mettre à nue la gestion du sélectionneur Nicolas Dupuis mais de ce qu’il considère comme une entorse au règlement quand un homme qui n’est pas un technicien et encore moins un entraîneur, se trouvait sur les bancs des Barea lors du match contre la Côte d’Ivoire à Toamasina. Le message qu’il voulait passer c’est qu’un entraîneur se doit de réagir devant de telles usurpations de pouvoir. Il est revenu sur son plan quadriennal et donc ses promesses d’ouvrir des centres techniques au niveau des ligues régionales car il estime qu’il n’y a pas de miracle au football et que ces futurs entraîneurs ont un rôle à jouer dans la formation des jeunes. Arizaka Rabekoto Raoul rappelle au passage que l’exploit à la dernière Coupe d’Afrique des Nations, on le doit à des joueurs formés dans leur jeune âge. Il a cité nommément le capitaine Ima Faneva à l’Uscafoot, Bolida et Voavy Paulin à l’Ajesaia ou encore Ibrahim Amada et Carolus Andriamahitsinoro à l’Académie Ny Antsika à Antsirabe sans oublier Bapasy qui a fait ses premiers pas à Mahajanga. Bien avant l’intervention de Arizaka Rabekoto Raoul, le DTN et néanmoins principal responsable de la formation, est revenu sur le rythme soutenu qu’ont dû endurer les stagiaires. Ils ont réalisé du 8 au 24 février 120h de cours théorique et pratique avec une moyenne journalière de 10h qu’il vente ou qu’il pleuve. Il y avait aussi les trois jours d’examen qu’ils ont dû affronter. Avant cette intervention, le président de la Ligue du Vakinankaratra, Fidy Andriantomponera, n’a pas manqué de remercier la FMF d’avoir choisi Antsirabe comme cadre de ce stage combien bénéfique pour la région qui a pu présenter 11 candidats. Et lorsqu’on sait que la ville d’Antsirabe est la championne de Madagascar en matière de terrain de football, cette formation ne pourrait qu’être bénéfique. Reste à espérer que le Stade Vélodrome va être rouvert pour permettre à la CNaPS Sport-Disciples FC d’y disputer ses matches de Pro League et de rentrer dans ses frais au lieu d’utiliser le Stadium d’Elgeco Plus loué à prix d’or. Clément RABARY L’article Football- Licence C CAF : “ La formation fait partie de mon plan quadriennal ”, déclare le président Arizaka Rabekoto Raoul est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Football- Licence C CAF : “ La formation fait partie de mon plan quadriennal ”, déclare le président Arizaka Rabekoto Raoul a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
15/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services QUANTUM ANALYZER
11/10/2021

 LA TECHNOLOGIE AU SERVICE DE NOTRE BIEN-ETRELe QUANTUM ANALYZER  est un nouvel outil pour contrôler le fonctionnement de vos organes. Une technologie de pointe qui permet d’avoir un bilan général complet en 60 secondes. Des produits naturels sont à votre disposition pour les éventuelles  anomalies.Principe de l'Analyse par le Quantum Analyzer  Le corps humain est un agrégat de nombreuses cellules qui, sans interruption se développent, se dédoublent, se régénèrent et meurent.Les cellules se remplacent par scission. Pour les personnes adultes, environ 25 millions de cellules fractionnent chaque seconde et les globules sanguins les remplacent constamment à un taux d'environ 100 millions par minute.En cours de dédoublement cellulaire et renouvellement, les corps chargés du noyau et les électrons extra-nucléaire émettent des ondes électromagnétiques sans interruption. Les signaux des ondes électromagnétiques émises par le corps humain représentent l'état spécifique de l'état de santé d'un individu. Les différents signaux des ondes électromagnétiques seront émis selon l'état de santé des organes.AVANTAGES :  • Rapide et efficace  • Accessible à tous  • Non-invasive  • Pratique  • Économique 38  Rapports seront obtenus :Contact: 032 87 550 88 – 033 07 683 00 – 034 64 553 53 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services QUANTUM ANALYZER".

Notsongaina

Medem : “Olan’ny mpitsara ny tsindry sy ny fanelanelanana…”
12/10/2021

               “Ny tsindry sy ny fanelanelanana,  tena olana mateti-piseho eo amin’ny mpitsara. Mety avy amin’ny olona manana toerana ambony izany .Manahirana ho an’ny mpitsara izany. Matoa misy tsindry, tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny angatahiny na manivaka”, hoy ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, filohan’ny ”Mouvement pour l’éthique et la déontologie – Medem”, Ratsiharovala Lala Henriette, teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly. Natao sonia tamin’izany ny amin’ny fitondran-tenan’ny mpitsara iarahan’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny Medem.Sahirana ny mpitsara manoloana izany tsindry sy fanelanelanana izany. Mieritreritra sao misy valifaty na misy fiantraikany amin’ny toerany amin’ny asany raha tsy manaraka izany. Nefa ny fampiharana ny lalàna no tena tokony hotandrovin’ny mpitsara amin’ny fanapahan-keviny. Ny lalàna ihany no mibaiko azy amin’izany. Arakaraka ny mpitsara koa ny fanapahan-kevitra, nefa tokony hanana ny maha izy azy izy hahazoany mifahatra amin’ny etika sy ny deontolojia, indrindra eo amin’ny asa  ataony.Ezahina ny fametrahana fitsarana marina“Miezaka mametraka, izany hoe fitsarana ao anatin’ny fahamarinana izahay, fitsarana tsy mitanila, fitsarana mamerina ny fitokisan’ny vahoaka”, hoy kosa ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza. Tsy afa-hanao izany rehetra izany ny mpitsara, raha tsy arovan’ny minisiteran’ny Fitsarana, fa anisan’ny adidy aman’andraikitra mifehy azy rahateo izany. Hita  hihatsara ny didim-pitsarana, ny fifandraisan’ny mpitsara sy ny vahoaka, raha tanteraka an-tsakany sy an-davany ny zavatra voalaza, indrindra ny fitondran-tena sy moraly.R.Nd.   Nankasitrahana ireo minisitra teo alohaNisy ny fanoloran’ny minisiteran’ny Fitsarana mari-pankasitrahana ireo minisitry ny Fitsarana teo aloha miisa 26 na ny taranaka na ny fianakaviana hatramin’ny Fahaleovantena, taona 1960 no ho mankaty. “Hazondamosin’ny firenena sy hazondamosina ho an’ny vahoaka malagasy ny minsiteran’ny Fitsarana”, hoy ny minisitra. Ny fifanajana sy ny fifankatiavana ary ny fahaizana miara-monina ihany no ahazoana mampandroso ny minisiteran’ny Fitsarana.   L’article Medem : “Olan’ny mpitsara ny tsindry sy ny fanelanelanana…” a été récupéré chez Newsmada.

Kitra ao Toamasina – Fifafifi FC: tsy nanaja fotoana ny filohan’ny Ligy
11/10/2021

Naneho ny alahelony sy ny hatezerany tamin’ny filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra ao Antsinanana ireo mpitarika ny sekolin’ny baolina kitra  Fifafifi FC ao Toamasina, sy ireo  ray aman-drenin’ankizy manaraka ny zanany, ary ireo mpitsara sy vadintany mitarika ny katitakely ary ireo olo manan-kaja sivily, ny alarobia 22 septambra lasa teo, noho ny tsy fanajan’ity mpitantana ny kitra ao Toamasina ity ny fotoana nifanomezana.Fotoana nanolorana medaly ho an’ireo mpandresy teo amin’ny U9; U11 ; U13 lahy sy vavy ary fanomezana fitaovana entina manao fanatanjahantena ho an’ireo afa-panadinam-panjakana CEPE, BEPC ary bakalorea.Tamin’ny 3 ora folakandro mantsy ny fotoana nifanomezana tamin’ny mpikarakara, saingy efa tamin’ny 5 ora  12 mn hariva kosa vao tonga ny filohan’ny ligy, izay nomena fahefana hanome voninahitra ny hetsika. Fimenomenomana no nandraisan’ny olona izany fihetsika izany. “Izao ve ny filoha hatao ho fitaratry ny ankizy…? “ hoy ny fimenomenoman’ireo olona tonga nanatrika izany. SajoL’article Kitra ao Toamasina – Fifafifi FC: tsy nanaja fotoana ny filohan’ny Ligy a été récupéré chez Newsmada.

Olana eny ifotony: nihaino ireo ben’ny Tanàna ny minisitra Vahiniala
12/10/2021

Nihaino ireo ben’ny Tanàna miisa 16, nisolo tena ny fikambanan’izy ireo avy amin’ny distrikan’Ambositra, Fandriana, Manandriana ary Ambatofinandrahana, ny herinandro teo, ny minisitra mpiahy ny faritra Amoron’i Mania, Raharinirina Vahiniala.Voaresaka ireo tetikasa nampanantenaina nefa tsy mbola natomboka. Ny olan’ny tsy fandriampahalemana, ny lalana, ny tsy fisian’ny rano madio, ny sekoly mbola tsy ampy fitaovana na koa ny halaviran’ny toeram-pitsaboana. Nampitain’izy ireo tamin’ny minisitra koa ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny momba ny faritra arovana ao Itremo…Fandrafetana tetikasaHetahetan’ireo olom-boafidy ny hanofanana azy ireo momba fitantanam-bola, ny fandrafetana tetikasa miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka (PTF), ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro…Niraisan’ny rehetra fa hotohizana ny dinika iarahana amin’ireo ben’ny Tanàna miisa 61 ao amin’ny faritra. Hatsangana amin’ny fomba ofisialy koa ny fikambanan’izy ireo ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Nahatsapa ny roa tonta fa mila mihazakazaka ny tomponandraikitra rehetra tsy ankanavaka, na olomboafidy na olomboatendry eo amin’ny faritra. “Hanatrarana ny fahatarana, ary mba ho isan’ireo faritra maodely amin’ny fanatanterahana ireo velirano sy fametrahana ireo fotodrafitrasa mitondra fanovana ny faritra Amoron’i Mania”, hoy izy ireo.Synèse R.L’article Olana eny ifotony: nihaino ireo ben’ny Tanàna ny minisitra Vahiniala a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina tany Matsiatra Ambony: “Tsy maintsy mipaka any ifotony ny fampandrosoana…” 
11/10/2021

Nitohy tany Matsiatra Ambony indray ny dian’ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy teo. Mazava ny nambarany. “Tsy maintsy mipaka any ifotony ny fampandrosoana”, hoy izy. Nizara “certificat” ho an’ireo vahoaka nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ireo “Asa Avotra” ( vola atakalo asa) ny tenany tamin’izany. Mifantoka amin’ny fanatanterahana ireo asa madinika eo anivon’ny tanànan’i Fianarantsoa, nandritra ny vanim-potoanan’ny Covid-19. Anisan’izany ny fanamboarana lalan-kely, “pave”, tohatoha-bato, fanadiovana zaridaina…“Tsy maintsy mifanampy sy mifampitsinjo isika amin’ny asa fampandrosoana”, hoy ny filoha. Nitokana ny EPP manara-penitra ao Mahamanina  avy eo ny filoha.Hosazina ireo mihoa-pefyNitohy tamin’ny fitokanana ny fonja vaovao manara-penitra ao Volamena Ambalakely ny rehetra taorian’izany. Hahazaka voafonja miisa 1800 ity fotodrafitrasa ity.“Tokony ho hita taratra amin’ny asa ny fitondran-tena mendrika sy fanajana ny zo. Tsy azo ekena ary hosazina ireo mandika fitsipi-pifehezana. Tsy tanjona ny famenoana fonja fa tokony hisy fiarovana ny madinika sy fitsinjovana ireo voafonja. Ilaina ny fanenana ny isan’ny voafonja », hoy ny filoha. Nanteriny fa toerana fanarenana ny fonja ary mila manaja zon’olombelona ny mpiandry fonja. Nanolotra fiara hitondrana ireo voafonja ny filoha tamin’izany.Ilaina ny fikirizana sy fifehezan-tenaNotokanana koa ny toby miaramila « Détachement spécial de sécurité » ao amin’ny kaominina Ambalakindresy, Ambohimahasoa. Anisan’ny  faritra mena ny any an-toerana. Nambaran’ny filoha fa tsy misy fampandrosoana  eto amin’ny firenena raha tsy tafapetraka ny fandriam-pahalemana ary milamina ny vahoaka. « Mametraka ny fandriampahalemana manakaiky vahoaka isika. Aleo isika mametraka zavatra maharitra. Hanamarika ny tantara ity fotodrafitrasa ity » hoy ihany izy. Nampanantena ny filoha fa hovitaina ny kianja manara-penitra ary hamboarina, tsy ho ela ny lalam-pirenena RN25.Nitokana ny kianja manara-penitra ao Ambalavao ny filoha avy eo. Notsindriny fa ilaina ny fanorenana fotodrafitrasa tahaka izao. « Raha misy olona roa mihazakazaka. Mitranga lela ny iray raha vao mahavita iray kilometatra monja. Isika anefa mbola mahavita manao 20 km. Ny fikatsahana ny tsara kokoa. Toe-tsaina ilaina hoentina mampandroso ny firenena izany. Isika tanora  ka mahavita azy “, hoy izy.Synèse R.  L’article Filoha Rajoelina tany Matsiatra Ambony: “Tsy maintsy mipaka any ifotony ny fampandrosoana…”  a été récupéré chez Newsmada.

Razafiarivony Solofohery Angelot: manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta
11/10/2021

Fanta-daza amin’ny lafiny fanazarana sy fitarihana ny tanora mpilalao basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot, tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasy ny basikety. Nandalovany avokoa ny sehatra maha mpilalao, mpanazatra ary mpitsara, fa ny teo amin’ny maha mpanazatra  ny tena nanamarika azy. Isan’ireo mpanazatra manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta na ny “Entrainement de Haut Niveau-Niveau 4) izy, izay vitsy dia vitsy ny mpanazatra manana azy io maneran-tany. Tany Canada ny nahazoan’ny DTN Angelot izany, ny taona 2008. Mbola niatrika fiofanana momba ny “Sciences appliquées aux Sports” tany Canada ihany koa izy, ny taona 2006 ka nahazo ny diplaoma Niveau 3, nitohy hatramin’ny taona 2013 ny fiofanana. Talohan’ireo fotoana ireo, efa nanana ny lazany teo amin’ny fizarana traikefa, ho an’ny taranja basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Saika mibata fandresena avokoa ny ekipa volavolainy, isan’izany ny klioban’ny Fanjamy tany Mananjary, nahazo ny tompondakan’ny faritra Fianarantsoa intelo nisesy, ny taona 1988, 1989 ary 1990. Nanamarika azy kosa teo amin’ny lafiny fitsarana lalao ny nahafahana ho mpitsara nasionaly, ny taona 1995 ary “major de promotion” mihitsy tamin’izay. Tsiahivina fa efa nanomboka, ny taona 1977, Razafiarivony Solofohery Angelot ny nitsara lalao basikety, izay mbola mpianatra asa tamin’izay.Nilalao tamin’ny seza mihantonaNanomboka tany amin’ny taona 1972 tany Fort Dauphin ny nilalao basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot, seza mihantona fa azo ampidirana baolina ny nilalaovana tamin’izany, raha ny fitantarany. Tia fanatanjahantena ny rainy ka nampitaina taminy sy ny iray tampo taminy izany. Tsy ny basikety ihany no nolalaovina fa teo ihany koa ny Hand ball, ny Volley ball, ny baolina kitra ary indrindra ny tenisy ambony latabatra. Isan’ny klioba nandalovan’ny DTN Angelot, ny COCE (Club Omnisport de Côte Est), ny 3FM Mananjary, niarahany tamin’ny mpiray tampo taminy miisa sivy mianadahy (5 vavy- 4 lahy) ary ny BTM. Isany niara-nilalao tamin’i Angelot tamin’izany koa i Herman, i Kiki, i Raymond, i Coco lavaloha, i Didi; i Loulou, i Mamiherilala, i Momo, i Solo, i Noarison, i Firaisana, i Jacques, i Rolland, i Grégoire ary i Tovo, mpilalao tany Mananjary avokoa.Vy nahitana ny fandresena tany Maorisy sy MaraokaTaom-pahombiazana ho an’ny taranja basikety, ny tamin’ny taona 2019. Isan’ny vy nahitana izany fandresena izany ny DTN Angelot, ka nahazoan’ny ekipa malagasy ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy tany Maorsiy sy nandritra ny lalao afrikanina tany Maraoka, teo amin’ny sokajy 3×3. Ankoatra izay, filohan’ny delegasiona, taranja basket tamin’ny lalaon’ny “francophonie” tany Niamey-Niger ihany koa izy, ny 2005 ary laharana faha valo isika tamin’izany. Nahazo loka iraisam-pirenena kosa, ny taona 2017 (voalohany tamin’ny fifaninanana fitarihana fiofanana). Nanamarika azy koa ny naha mpitarika fiofanana teto an-toerana sy iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritra fahafito. Efa nanofana mpanazatra basikety miisa 598 ka ny 36 amin’ireo dia aty amin’ny faritra fahafito.Mbola mila ezaka ny basikety etoMbola maro, hoy ny DTN Angelot ny lesoka, toy ny tsy fahafehezana ny fototra ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy fitaovana toy ny baolina… Eo koa ny tsy fahampiana eo amin’ny lafiny ara-bola ka miteraka faharavan’ny klioba ary ny fakana tahaka fahatany ny NBA. Tsy tokony ho kivy anefa, hoy izy, ny mpanao basikety fa efa maro ireo toerana manana sekolin’ny basikety ary azo isafidiana tsara. Etsy an-kilany manao izay ho afany ny FMBB amin’ny fanofanana sy fampandehanana ireo mpilalao hiatrika fiofanana any ivelany. Mandrisika ny rehetra hatrany, Razafiarivony Solofohery Angelot, hanao fanatanjahantena satria mahasalama sy mampavitrika ary mahalasa lavitra raha hay ny mandanjalanja azy amin’ny fianarana.Mi.Raz1981-1991:Filoha lefitra ny mpitsara (Fianarantsoa)1985: Mpanazatra1995-1997: Filoha ny “commission régionale arbitre”(Antananarivo)1998: Filoha ny CCA2003-2005 : DTN lefitra2006-2007/2017-2021 : DTN2008-2021 : « Instructeur » FIBA Afrika2017 : Commandeur de l’Ordre National/Diplaoma « Management du Sport ».L’article Razafiarivony Solofohery Angelot: manana ny diplaoma faratampony amin’ny fanazarantena avo lenta a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Atsinanana: miroso ho an’ny fampandrosoana
12/10/2021

Mandeha tsikelikely ny fampandrosoana ao amin’ny faritra Atsinanana. Manomboka ny fandoavan’ny karama tsy voaloa ao amin’ny kaominina Toamasina I. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny tetikasa Padeve. Mandeha ny fanamboaran-dalana, harenina ny fizahantany, sns. Fanadihadiana.Nanjaka ny gaboraraka teo aloha, nivangongo ny trosa, tara ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, manodidina ny 500 ny mpiasa matoatoa tsy miasa nefa mandray karama. Maro ny fotodrafitrasa simba, toy ny lalana, misy mivarotra ny tany sy ny tranon’ny kaominina.Manomboka miharin-doha tny kaominina amin’izao fotoana izao, taorian’ny herintaona sy tapany, nitantanan’ny ben’ny Tanàna, Rakotonirina Nantenaina. Arahi-maso ny mpiasa rehetra, ankehitriny. Notsipihiny fa misy koa ny mpiasan’ny seranan-tsambo mandray volan’ny kaominina, ka ilaina ny fanadiovana, satria tsy azo ekena izany. Efa vita 85% ny lalana simba, foana ny fako nivangongo.Padeve IINifarana ny volana septambra teo ny andiany voalohany amin’ny fandaharanasa tohana sy fampandrosoana ny tanàn-dehibe mifandanja (Padeve). Nifantoka tamin’ny fanofanana ny mpiasa sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny kaominina Toamasina I ity fandaharanasa ity. Nofaranana tamin’ny fanolorana fitaovana samihafa izany, toy ny ordinatera, GPS, “disque dure externe”, “imprimante” (A3, matricielle), sns. Hampiasaina amin’ny fandrafetana ny Drafi-panajariana ny tanàna (Pudi) sy ny faritra isarahan’ny kaominina an-tanàn-dehibe sy ny ambanivohitra ireo fitaovana ireo. Tsiahivina fa voakasiky ny Padeve I ny renivohi-paritany enina miampy an’Antsirabe I, vatsin’ny Fandaharanasa ho an’ny fampandrosoana japoney (Jica), sy ny an’ny Frantsay AFD ara-bola, nanomboka ny taona 2017. Tafiditra ao anatiny ny tetikasa hametrahana ny drafi-panajariana ny lalana ara-toekarena Antananarivo-Toamasina-Madagasikara (Tatom). Isan’izany ilay arabe migodana Antananarivo –Toamasina.Ho an’ny kaominina Toamasina I, eo am-pikarakarana ny karatra biometrika ho an’ny mpiasa tsirairay, mba hisorohana sy hanafoanana ny mpiasa matoatoa, tombanana hatrany amin’ny 500.Hiarina ny fizahantanyMitsinjo sahady ny fiatrehana ny fisokafan’ny fizahantany indray koa ny tomponandraikitry ny faritra Atsinanana. Ny hita aloha, efa tonga tsikelikely any Foulpointe ny mpizahatany eto an-toerana, Malagasy sy vahiny, nanomboka ny fialan-tsasatra lehibe teo. Nilaza ny governoran’ Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fa efa azo ampiasaina ary vita ao anatin’ny 15 hatramin’ny 20 minitra ny lalana 13 km, mampitohy ny lalam-pirenena faharoa (RN 2) mankany Manambato, toerana tena manan-danja amin’ny fizahantany. Tanteraka izany satria efa ampiasaina ireo fitaovana vaventy fanamboaran-dalana avy any amin’ny filoha Rajoelina.Hanarenana izay lafiny fizahantanyizay ihany, natao ny 24 hatramin’ny 26 septambra teo, ny Tsenabe Fagnako, hisarihana ny mpizahatany anatiny rahateo. Nanome toky ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joël, fa hanohana ireo mpikarakara hetsika toy izao, ny minisitera.Manampy ireo, mitohy ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa, toy ny arabe Boulevard Ratsimilaho, simban’ny rivodoza Honorinina, ny taona 1986. Eo koa ny fiarovana ny sisin-dranomasina. Efa hiditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa Miami, fanajariana ny amoron-dranomasina sy ny manodidina. Anjatony kilometatra ny famakian-dalana ao anatin’ny faritra Atsinanana, tanterahin’ny faritra Atsinanana.Lahatsoratra sy sary: Sajo L’article Faritra Atsinanana: miroso ho an’ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony
10/10/2021

Teny amin’ny trano fiasany teny Fiadanana no nandraisan-dRamatoa minisitry ny fampianarana ambony, ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana izay miasa sy monina eto Madagasikarara. Dinika tsotra sy tamin’ny fomba fifanajana no nisy teo amin’ny roa tonta ka nahafahan’izy ireo nanasongadina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanaovana sonia tetikasa lasitra momba ny fiarovan’ireo tanora ny zon’olombelona sy fametrahana ho fanamafisana ny fandriampahalemana, sy ny fametrahana ihany koa ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny fiaraha-monina… Ity tetikasa ity izany raha ny marimarina kokoa dia vokatry ny asan’ny OHCHR sy ny UNESCO ary vatsian’ny PBF vola, izany dia ho fanohanana ireo tanora mianatra eny amin’ny oniversité eto amintsika. Navoitran’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fifandraisan’ireo samy mpianatry ny oniversité, indrindra rehefa misy fihetsiketsehana sy fitakiana ataon’izy ireo… Ny  tetikasa « Rary Aro Mada » ihany koa, hoy izy, no hanampy amin’ny fanabeazana ireo tanora, ary ahafantarany tsara izany fiarovana ny zon’olombelona izany, ary ny fiarovana ny fananana iombonana ka mba tsy hisian’ny fihetsika mety ho fanimbàna na koa hnelingelenana ny fizotry ny fampianarana. Izany indrindra dia mba ahafahana manala ny tanora amin’ny haraton’ny kotontana ara-piaraha-monina sy ara-politika Issa Sanogo, ilay mpandrindra maharitry ny rafitry ny firenena mikambana eto amintsika kosa tetsy ankilan’izany dia niarahaba sy nankasitraka an-dRamatoa minisitra amin’ny fanohanan’ny minisitera izay tarihiny ity tetika ity ho an’nireo tanoran’ny oniversite eto amintsika. Cet article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony a été récupéré chez Délire Madagascar.

«Raharaha Eddy Bois de rose» – HJRA: hiakatra fampanoavana, anio, ny Pr Auberlin sy ilay tale iray
11/10/2021

Ahina hafampana ? Hiakatra fampanoavana etsy Anosy, anio, raha tsy misy ny fiovana ny Pr Rakototiana Auberlin sy ny tale lefitra teknika eo anivon’ny HJRA, ny Dr Jean Marie. Navoakan’ny polisy etsy amin’ny  « Surveillance du territoire” izy ireo, ny asabotsy hariva teo, rehefa notanana sy nohadihadina nandritra ny 48 ora, nanomboka ny zoma 8 oktobra teo. Ahina ho niray tsikombakomba tamin’ny fampandosirana ilay gadra narary notsaboina i Maminirina Eddy na i “Eddy Bois de rose” ireto tomponandraikitra ambony eo anivon’ny HJRA ireto, ny herinandro teo ka nampanantsoin’ny polisy.Mbola anatin’ny fahasemporanaEtsy an-daniny, mbola tanana eny Anosy eo anivon’ny polisy i “Eddy Bois de rose” na ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka aza, noho ny fahasemporana.  Mbola tazonin’ny mpitandro filaminana koa ireo mpiandry fonja, niambina ity gadra ity teo anivon’ny HJRA.Tsiahivina fa nilaza ny hanamafy ny fitokonana ary tsy handray afa-tsy ireo marary mafy sy ahina ireo mpitsabo rehetra eo anivon’ny hopitaly. Tsy ny HJRA ihany fa ny hopitaly manerana ny Nosy, araka ny nambaran’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Mety hanao rodobe eny amin’ny fitsarana izy ireo, amin’ity anio ity, hanaraka akaiky ny fivoaran’izao raharaha izao.Synèse R.L’article «Raharaha Eddy Bois de rose» – HJRA: hiakatra fampanoavana, anio, ny Pr Auberlin sy ilay tale iray a été récupéré chez Newsmada.

Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga
11/10/2021

Nifarana, omaly, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A lahy sy vavy, taona 2021. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga.Nanao pao-droa ny ekipa an’Analamanga, tamin’ity fifaninanam-pirenena N1A 2021 ity.  Nafana sy nampitsanga-nitoetra ny mpijery ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Niakatra ny lentan’ny mpilalao tamin’ity, hany ka niady ny fifandonana. Teo amin’ny vehivavy, fitaintainana hatramin’ny farany ny niandrasana izay hibata ny amboara. Na dia somary nangatsiatsiaka aza ny ekipan’ny SBBC Boeny tany am-panombohana, nanezaka mafy izy ireo ka nitsimbadika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsy nahasakana ny ekipan’ny Mb2All anefa izany ka azony ny amboara, tamin’ny isa 71 no ho 69, sengondra vitsy tsy hifaranan’ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina, intelo nisesy izao ny nisaloran-dry Malala sy ry Rasoa ary ry Murielle ny anaram-boninahitra ho tompondaka an’i Madagasikara. Laharana faharoa toy ny tamin’ny taon-dasa hatrany kosa ny ekipan-dry Maeva, Coralie, Dalya ary Sarobidy.Nangotraka ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy Toraka izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nangotraka ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny Sebam Boeny, nandritra ny lalao, omaly. Ekipan’ny samy henjana ka samy tsy nisy nanaiky lembenana. Nifandimbiasana ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisy fotoana efa nifanakaiky be 22 no ho 23 ny isa, nandritra fizaram-potoana faharoa.  Nitohy tamin’ny fizaram-potoana fahatelo sy farany izany, somary nihalefy kely anefa ny herin-dry Faralahy sy ry Martial ka nobatain’ny ekipan’i Livio sy ry Kakay mora foana, tamin’ny isa 57 no ho 50 ny fandresena. Indroa izao ny nisaloran’ny Cospn izao tompondaka nasionaly ny N1A, sokajy lehilahy izao.Lavo tamin’ny manasa-dalana ny andrarezinaTsy nampoizin’ny maro ny valin-dalao teo amin’ny manasa-dalana, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nolavoin’ny Sebam tamin’ny isa hety dia hety …. ny andrarezina, ny GNBC. Tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo kosa anefa ity ekipan’ny Zandary ity, rehefa nandavo ny Cosfa tamin’ny isa 68 no ho 60. Laharana fahadimy ny Mb2All, faha-6 ny Ascut, faha-7 ny Cospn 2 ary faha-8 kosa ny As Fanalamanga. Teo amin’ny vehivavy, laharana fahatelo ny Cospn2 Atsinanana rehefa nanilika ny Ankaratra, tamin’ny isa 66 no ho 65. Laharana fahadimy ny Jea Vakinankaratra, faha-6 ny Serasera Vakinankaratra, faha-7 ny Tamifa Amoron’i Mania ary faha-8 kosa ny Ascut Atsinanana.Mi.RazVehivavyMM:  Ramino Nivo Irma N°7 – COSPN2 (192)MVP:  Ranarisaona Elinah Chantiah N°23 -MB2ALLEkipa Fair play: Serasera VakinankaratraLehilahyMM: Tsialefitra Jino N°14 – COSPN2 (252)MVP: Ratianarivo Livio N°06 -CospnEkipa Fair Play: Ajrt Androy L’article Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar
12/10/2021

Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma maraina teo ireo lehilahy roa mpanao taratasy hosoka mahakasika “carte de santé” an’ireo mpiasa amina orinasa iray. Ny iray amin’ireo jiolahy izay mpianatrasa ho farmasianina raha mpiray tendro aminy kosa ny lehilahy iray hafa. Efa nahtratra 10 tapitrisa Ar ireo ny vidim-panafodin’ilay orinasa lasan’ireo jiolahy ary efa fanaony mihitsy izany noho ireo fanafody amidiny amin’ny vidiny mora.Mampiasa “carte de santé » hosoka amin’ny anarana orinasa iray ireo jiolahy. Orinasa izay miantoka ireo olona mpikambana ao aminy ka hahafahan’ireo marary tsy mandoa vidim-panafody. Araka izany, tsy maintsy manana « carte assurance » ireo mpikambana ka io karatra io no nataon’ireo lehilahy ireo hosoka amin’ny « ordonnace » hosoka misy ny tombokase hosoka ana dokotera ihany koa. Taty aoriana, tsikaritr’ilay orinasa fa misy mampiasa karatra hosoka amin’ny anaran’izy ireo, toy izany koa ireo taratasim-panafody izay tsy mifanaraka velively ao aminy ka nahatongan’ilay orinasa nametraka fitoriana teny amin’ny Service central des affaires réservées. Vokany, voasambotra teny Ambohibao, tao amina fivarotam-panafody teny an-toerana ny lehilahy iray.Henintsoa HaniL’article Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina….
12/10/2021

Malagasy tsy mataho-tody. Malagasy mpivarotra tanindrazana. Malagasy tsy matahotra an’Andriamanitra. Malagasy sahy mandatsak’aina. Malagasy mpanindrahindra sy mpanao an-doloha ny fomban’ny hafa. Malagasy mpamadika… Tsy misy idiran’ny politika sy ny toekarena ireo tranga mamotika an’i Madagasikara ireo. Raha ireo no iaingana, voaporofo fa fandrebirebena sy fanodinkodinan-javatra tsy tiana ho hita fotsiny ny fanaovana resabe etsy sy eroa.Nitondra faharavan-javatra maro ny fahapotehan’ny kolontsaina malagasy. Firy tamin’ireo didy aman-dalana navoaka teto Madagasikara no niteraka fifamaliana sy fifandrafesana teo amin’ny samy Malagasy noho ny tsy fifankahazoan-kevitra ny amin’izay tena tian’izy ireny hambara ?… Satria tsy fomba fisainana malagasy, tsy fiteny malagasy, tsy hitsinjovana ny tanindrazan’ny Malagasy, sns, no namolavolana azy ireny hany ka samy nandroritra izay heveriny fa dikany.Efa voaporofo ihany koa fa tsy ny fananana diplaoma manaka-danitra no hanala an’i Madagasikara ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao fa ny fananam-panahy sy fananam-pahendrena. Kolontsaina madiorano ireo fa tsy resa-politika na toekarena ventimbetesina etsy sy eroa.… Sa ve atao izay hahavalalanina ny Malagasy amina resabe politika amin’izay tsy mahita sy tsy mahafantatra fa potika tanteraka ny maha izy azy anisan’izany ny kolontsainy ? Mahavariana raha izay tokoa no izy, satria efa paikady fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona hatramin’izay ny tahaka izany kanefa mbola tsy fantatry ny Malagasy sasany ihany ny fisiany hatramin’izao !HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina…. a été récupéré chez Newsmada.

Mpanohitra… mijery lavitra
12/10/2021

Vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Efa misy ny antoko na vondrona politika miomana amin’izany? Ady fiady io, samy manao izay afany sy efany. Tato ho ato, saika tsy misy fiatoana ny fametrahan’ny fitondram-panjakana vatofehizoro amin’ny fanorenana fotodrafitrasa etsy sy eroa, ny fitsidihana ny fandehanan’ny asa natomboka na an-dalam-pamitana azy, ny fitokanana zava-bita.Misy mahita fa efa karazana fampielezan-kevitra vita ho azy izay ho an’ny eo amin’ny fitondrana. Miasa: marina sa tsy marina? Misy ny zava-bita: ekena sa tsy ekena? Na izany aza, mampiaka-peo hatrany ny mpanohitra sasany ny amin’ny lafiny sosialy na ny fiainam-bahoaka. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, ny tsy fisian’asa, ny ady tany efa ho lava…Mila vahaolana haingana sy maharitra avokoa izany? Miantoka ny filaminan’ny fiainam-bahoaka ny fivahan’ireo fahasahiranana ifotony. Raha voalamina sy voajery lavitra ny famahana izany, ahazoana miatrika ny asa fampandrosoana bebe kokoa na efa anisan’ny mampandroso aza ny sasany. Na izany aza, tsy efa misy ve ny ezaky ny fitondrana amin’izay lafiny sosialy izay? Na eo izay andrasana…Eo ny tsirairay mahita sy mitsara izay tsapany sy iainany: efa misy fihatsaram-piainana? Andrasana, ohatra, ny fahatongavan’ny entana ilaina andavanandro amin’ny vidiny mora. Inona na ahoana koa? Na ahoana na ahoana ary na inona na inona mitranga sy atao, tsy mahita tsikeraina sy kafaraina hatrany ny mpanohitra. Asany izay. Raha tsy manao izy no hafahafa, tsy mahalala sy mahavita ny asany.Saingy ahoana ity fitakiana ny fialan’ny mpitondra? Nefa ny vahoaka nifidy tsy mihevitra na mitetika izany aloha hatramin’izao. Tsy izay nametraka ve no manan-drariny kokoa mitaky ny fialan’izay nofidiny? Raha misy ny fananana vahoaka, tsy hita izay hanombanana izay ny maro anisa raha tsy amin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy ho lany hery sy fotoana amin’izany raha efa mihevitra fifidianana ny hafa?Rafaly Nd. L’article Mpanohitra… mijery lavitra a été récupéré chez Newsmada.