Seranana Ivato: 109.300 euros tratra saika havoaka tsy ara-dalàna

News - Seranana Ivato: 109.300 euros tratra saika havoaka tsy ara-dalàna

News - Seranana Ivato: 109.300 euros tratra saika havoaka tsy ara-dalàna

Manamafy ny fanaraha-maso sy fitsikilovana eny amin’ny seranam-piaramanidina ny mpiasan’ny fadintseranana. Ny 21 novambra teo, Malagasy efatra tratran’ny ladoany nitondra vola vahiny 109.300 euros, na 448.130.000 Ariary. Mpandeha iray, nahitana 19.000 euros ; iray hafa, nisy 49.850 euros ; iray namany, nitondra 20.000 euros ; ary ny iray farany, 20.450 euros. Voatazona izy efatra ireo izao ary mitohy ny fakana am-bavany azy ireo.

Tsy misy fanambarana na fahazoan-dalana mazava ny saika hamoahana ireo vola vahiny ireo ho any Nosy Maurice (zotra MK 289), rehefa nanontanian’ny mpanara-maso ao amin’ny ladoany izy ireo. Ny nasehon’izy ireo ny fahazoana mividy izany ihany, izay tsy ampy sy tsy manan-kery amin’ny fomba famoahana azy.

Manomboka ahitam-bokatra izao ny fanaraha-maso hentitra ataon’ny ladoany eo amin’ny seranana Ivato. Mila fahaiza-miasa anefa izany, ny fomba fiatrehana sy ny fanadihadiana ireo mpandeha mampiahiahy. Tsy maintsy mivonona amin’izany ny mpiasan’ny fadintseranana ary indrindra fandavana ny kolikoly. Ireo no miantoka ny fahatrarana ireny fanondranana an-tsokosoko ireny.

Nanamarika ny ao amin’ny ladoany fa maro ny vola ny vahiny avoaka tsy ara-dalàna amin’izao fotoana tsy maha mafy orina ny toekarena izao. Fanohitra iray farany ny fadintseranana miaro ny toekarena manerana ny sisin-tany rehetra, ka miantso ny Malagasy hifanome tanana hiady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Tsy tokony eo Ivato ihany anefa izany fa manerana ny seranana rehetra, toy ny any amin’ireo seranan-tsambo “malalaka”, famoahan’ny sasany andramena, omby, sokatra, vatosoa…

 

R.Mathieu

Article tiré de Newsmada

L’article Seranana Ivato: 109.300 euros tratra saika havoaka tsy ara-dalàna a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 23/11/2018

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Santé - Ao Raha

Fandikana fepetra ara-pahasalamana :: Olona telo amby fitopolo sy telonjato voasazy tao anatin’ny herinandro

Mbola maro ihany ireo sokajin’olona tsy manaja ny fepetra arapahasalamana amin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 eto amin’ny faritra Analamanga izao. Nahatratra telo amby fitopolo sy telonjato ireo olona voasazy nampanaovina asa ho tombontsoan’ny daholobe teto an-drenivohitra, ny alatsinainy 6 jolay hatramin’ny alahady 12 jolay 2020. Iraika amby efapolo sy roanjato kosa ireo mpivarotra tsy nanaradalàna, araka ny tatitra avy amin’ny Polisim-pirenena. Nisy ihany koa ireo môtô nanao taingin-droa, ankoatra an’ireo mpamily sy mpamily mpanampy naiditra fonja kely. Teny amin’ny faritra sahanin’ny Kaomisarian’ny polisy, Boriboritany faharoa, eny Ambohijatovo sy ny Boriboritany fahefatra, eny Isotry, no nahitana ny ankamaroany tamin’ireo voasazy, satria ahatrarana olona enina amby telopolo sy dimy amby dimampolo.  Olona roa kosa no nosakanan’ny polisy teny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Teny amin’ny faritra 67Ha sy ny manodidina, iandraiketan’ny Kaomisarian’ny polisy Boriboritany fahafito no nahitana mpivarotra betsaka indrindra rehefa tsy nanaraka ny lamina napetraka. Fiara enina, mpitondra entana sy vokatra, indray no sarona tamin’ny fikasana hitatitra olona an-tsokosoko hiditra teto an-drenivohitra, nandritra an’ireo fito andro ireo. Mitohy ny fanaraha-mason’ny mpitandro ny filaminana eto Analamanga momba ny fampanajàna an’ireo ny fepetra ara-pahasalamana rehetra. L’article Fandikana fepetra ara-pahasalamana :: Olona telo amby fitopolo sy telonjato voasazy tao anatin’ny herinandro est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire

Nitohy, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Allianz Field ao St Paul, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Major League Soccer  (MLS), taranja baolina kitra. Niatrika izany, ny Minnesota United FC, klioba hilalaovan’i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar  sy ny Vancouver Whitecaps. Nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko ny roa tonta. Na teo aza io vokatra io, voahosotra ho mpilalao mendrika, i Metanire. Ny zava-bitany teny ambony kianja no nahazoany izany amboara izany. Marihina fa manan-danja ny lalao natrehiny satria hitadiavana isa, hiatrehana ny “play-offs”. Hatreto, fahadimy ny Minnesota United FC, izay manana isa 35 ary efa manana tongotra ila, any amin’izany “play-offs”, izany. Mbola mila miady mafy ry Metanire, amin’ny lalao hikatrohany amin’ny Portland Timbers, ny alahady ho avy izao.Mialoha io, hiatrika ny All Star Game, any Orlando, i Romain Metanire, ny alarobia ho avy izao. Raha tsiahivina, lalao hihaonan’ny ekipa voafantin’ny MLS sy ny ekipa eoropeanina, iray izy io. Amin’ity, ny Atletico de Madrid, no hikatroka amin-dry MLS, ka anisan’ireo mpilalao voafantina amin’izany, i Romain Metanire. TompondakaL’article Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

10 oktobra – 94 taona nahafatesan’i Samuel Ratany: Andrarezin’ny literatiora na tsy namoaka boky aza i Tanicus

Nasandratry ny gazety an-tsoratra, tamin’ny alalan’ireo sanganasany nivoaka matetika tao amin’ny Akon’Iarivo, Ny Mpanolotsaina, Sakaizan’ny tanora, ny Tsara hafatra, Ny mpandinika sns… Mbola tafiditra anaty fandaharam-pianarana koa ny sanganasan’i Tanicus. Nanjombona ny tany, nihazo ny kintana ilay sakaiza tsy foin-dRabearivelo, i Samuel Ratany, ny 10 oktobra 1926. Tsy voakosoky ny vanim-potoana ny fisian’izany lehilahy izany eo amin’ny sehatry literatiora malagasy. Tsy namoaka boky ho an’ny tenany manokana i Samuel Ratany, fa ireo niarahana tamin’ny namana sy ny tamin’ny gazety no nahatonga azy ho an­drarezina sy notetezin’ny va­nimpotoana ankehitriny. Ankoa­tra ny asasoratra, namolavola ny talentany ny fianarana nataony tao amin’ny sekoly Paul Mi­nault Ambohijatovo sy ny fa­nampian-dRandrianjafitrimo anadahin-dreniny azy. Ny filalaovana zavamaneno toy ny piano, nolovainy tamin’ny rainy, ary ny fitendrena harmonia sy ny fitsofana sodina no manavanana azy. Ny tononkalo sy ny sombintantara no tena nahafantarana an’i Tanicus. Teo koa ny lahatsoratra fanadihadiana toy ny “Tononkiran’ny Ntaolo”. Na­noratra tononkalo tamin’ny teny vahiny ihany koa izy, raha tsy hilaza afa-tsy ny “Elegie de minuit” sy ny In memorium”… Tanicus sy ny dindon’ny sorany Nanana olon-tiana nokasaina ho vady i Samuel Ratany, saingy tsy tanteraka izany noho ny fandraran’ny ray aman-drenin’izy ireo. Na izany aza, tojo an-dRasoazananoatra, nampakariny ho vady izy ny volana marsa 1926 ka nananany vavitokana nan­tsoina hoe Maria Rasoave­lomanana. Nanaloka azy ny fahafatesana, satria ny volana avrily 1926 izy no namoaka ilay tononkalo hoe “ Raozy sy vonimboasary”, izay nirakitra ny tsiambaratelon’ny fony. Ny volana aogositra, namoaka ilay tononkalo hoe “ Izay feoko eo am-pialana aina”. Ny volana septambra izy no nanomboka tsy salama ary nopaohin’ny fahafatesana, ny 10 oktobra . Anisan’ny mpanoratra nivelatra ara-tsaina sy ara-piarahamonina i Samuel Ratany. Nifandray be tamin’ireo mpanoratra maro toa an-dry J.J. Rabearivelo, Ny Havana, sns. 10 taona nilonana tao anaty asa soratra nefa voasokajy ho anisan’ireo andrarezina tsy lefy laza hatramin’izao i Samuel Ratany. Azo lazaina ho manana tarakevitra “Romantis­me” ny lehilahy raha ny asasorany no dinihina satria manana alahelo maningo-po tsy fanta-piaviana, mihirahira fahafatesana, nalofan’ny tsindrimandry matetika. Navoitrany ao amin’ilay tononkalony hoe “Embona” sy ny hoe “ Irery eo akaiky ny fasana”, sns, izany. Gazety sy ny boky “Kalokalo Tatsinanana” Amin’ireo asasorany marobe, toa manana tsindrimandry hafahafa i Samuel Ratany, ny dindon’ny fahafatesana, izay mihelohelo manaloka azy mazana. Ho fahatsiarovana an’i Samuel Ra­tany anefa, namoaka boky iray ireo sakaiza nifanerasera akaiky taminy, “Kalokalo Tatsinanana” , izay misy ny asasoratr’i Samuel Rata­ny anankiroa ny fiandohan’io boky io. Boky misy ny asasoratr’ireo mpanoratra maro toa an-dry JJ Rabearivelo, i Fredy Ra­jaofera, i Meteora, i Josephe Ra­­jaonah, i Elisa Freda, Rafa­noharana, i Jean Narivony, i Ro­dlish. Gazety maro nirakitra ny asasorany, tamin’izany fotoana izany, toy ny gazety Ta­na­ma­soandro, Ny Mpanolo­tsaina, Akon’Iarivo, Sakaizan’ny tanora, ny Tsara hafatra, Revue de Ma­dagascar. Teraka ny 16 jolay 1901, nindaosin’ny fahafatesana ny 10 oktobra 1926 i Samuel Ra­tany na i Tanicus , izany hoe teo amin’ny faha 25 taonany, ary na­levina ao Lazaina Avaradrano. Ny 3 jolay 1971 no nafindra tany Maharavo Vonizongo ny taolambalony.NarilalaL’article 10 oktobra – 94 taona nahafatesan’i Samuel Ratany: Andrarezin’ny literatiora na tsy namoaka boky aza i Tanicus a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanondranana antsokosoko harem-pirenena: kivy amin’ireo tsimatimanota mbola miriaria ny AVG

Naneho hakiviana. « Maro loatra ny tsimatimanota eo amin’ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny fandripahana ala na koa ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena. Nahitana kolikoly izany nefa tsy nampiharina ny lalàna », hoy ny eo anivon’ny Alliance voahary gasy (AVG), Razakarimanana Ndranto, tetsy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo. Nanao  tatitra ny asa vitany ny eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) tamin’io fotoana io ary nanaovana famelabelaran-kevitra ihany koa. Nivoitra tamin’izany fa efa an-dalan’ny fanadihadiana ireo raharaha 62 miompana amin’ny fanenjehana heloka bevava ho an’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fanondranana antsokosoko andramena ary ny harena sarobidy samihafa.Mpandraharaha, i Bekasy JohnfrinceAnisan’izany ny momba ilay mpandraharaha, i Bekasy Johnfrince. « Mitohy ny fanadihadiana sy ny fanangonana porofo manoloana ny fiahiahiana fanondranana antsokosoko andramena. Kasaina hampiakarina fitsarana mialoha ny faran’ny taona ny raharaha », hoy ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny Pac, sampana andramena, i Mahonjo Berthin. Nanamafy izany ny mpandrindra nasionaly eo anivon’ity rantsam-pitsarana ity, Ratiarisoa Harimahefa, fa efa manao ny ezaka rehetra izy ireo hanafainganana ny asa. « Hanomboka ny 20 aogositra izao  ka hatrany amin’ny faran’ny taona izany », hoy izy.Hiakatra fitsarana Razaimamonjy Claudine Anisan’ny hiakatra fitsarana tsy ho ela koa ilay mpandraharaha, Razaimamonjy Claudine, ary koa ny raharaha hafa mbola maha voasaringotra an-dRajaonah Mbola.Na izany aza anefa, misedra olana ihany ny Pac noho ny tsy mbola fisian’ny rantsa-mangaikan’ity fitsarana ity any amin’ny faritra. Anisan’ny anton’izany ny tetibola hoenti-miasa ka mampitarazoka ny fanadihadiana sy ny fampiakarana fitsarana ireny raharaha ireny.Araka izany, andrasana ny ho tohin’ireo raharaha ireo sy ny  mety mbola  ho voasaringotra ao anatin’izany.Synèse R.  L’article Fanondranana antsokosoko harem-pirenena: kivy amin’ireo tsimatimanota mbola miriaria ny AVG a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”

 Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tahitikely: tovolahy iray nofaohin’ny ranomasina

Mbola tsy hita popoka, hatramin’ny omaly hariva, ilay tovolahy iray 20 taona antsoina hoe Patrick, nofaohin’ny ranomasina teo amoron-dranomasina eny Tahitikely Toamasina. Fantatra fa tovolahy mipetraka eny Manjakaray izy ity ary tonga hiasa momba ny fikirakirana ny letisia amina orinasa iray ao Toamasina ka nanararaotra nilomano an-dranomasina raha izao lasan’ny rano ary tsy hita popoka izao. Raha ny fanazavana avy amin’ireo mpiara-miasa aminy, telo lahy izy ireo no niara-dia ary samy nanapa-kevitra fa hilomano, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro teo ho eo. Raha mbola variana nanala akanjo ireo namany, i Patrick kosa, efa niroboka tao anaty rano. Tampoka teo anefa, feo tokana sisa heno sy ny tanany nitsangana toa miantso vonjy dia izay, tsy hita intsony fa natelin’ny ranomasina, araka ny fanazavan’ireo namany hatrany. “Hiasa letisia ny anton-dia aty Toamasina kanefa fahavoazana ny nanjo anay”, hoy hatrany ireo namany vonton’alahelo. Raha hiverenana, araka ny fanazavan’ireo mponina ao Toamasina, misy toerana tsy tia mpihavy, indrindra avy nandray zava-pisotro misy alikaola, ny ranomasina ary tsy ao Toamasina ihany fa betsaka mihitsy ny faritra tahaka izany ka mila mitandrina hatrany sy mifampiresaka amin’ny tompon-tanàna raha hilomano an-dranomasina, eny na ranomamy koa aza. Sajo sy J.C L’article Tahitikely: tovolahy iray nofaohin’ny ranomasina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony »

Nitondra tolokevitra ho amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fanaovana politika  ary ny  demokrasia. “Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis. Nohitsiny fa anisan’ny tsy nety ny nandrafetana sy ny fanatanterahana azy fa samy nanao ny tiany hitondrana azy ny mpitondra nifandimby teto. “Ilaina, noho izany, ny fanorenana ifotony mba tsy hisian’ny olana hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena intsony. Tokony hampanjakaina ihany koa ny tena demokrasia hipetrahan’ny tena tany tan-dalàna”, hoy ihany ity mpitarika antoko politika ity. Efa nivoy hatramin’ny ela  ny tokony hanaovana ny fanorenana ifotony ny eo  anivon’ny antoko  Teza, saingy  tsy nisy nihaino sy nanaraka. Vita  ihany  ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena.Synèse R.  L’article Teza: « Hirosoana ny fanorenana ifotony » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahasalamam-bahoaka: misy voka-pikarohana tsotra nefa tsy ampiasaina  

  Voka-pikarohana mifandraika amin’ny fahazoana fitsaboana, ny kalitaon’ny tolotra omena. Ny famatsiana ny asam-pitsaboana no niompanan’ny fihaonana teo amin’ny mpitsabo mpikaroka, mpianatra ho mpitsabo sy ny mpanohana ara-bola sy teknika ny fahasalamana eto Madagasikara. Anisan’ny manome voka-pikarohana maro ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo amin’ny faritany enina, ny Institut Pasteur de Madagascar ary ny INSPC Mahamasina izay misahana ny fahasalamam-bahoaka fa ny fanampariahana ireny voka-pikarohana ireny no tsy ampy, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, profesora Rakotonirina Julio, omaly teny Ivato, nandritra ny Andro natokana ho an’ny fikarohana ho fanatsarana ny rafitra ho an’ny fahasalamana. Tokony hanome vahaolana sy torohevitra azo avadika ho politika hampiasaina hanatsara ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny ny fikarohana voatrandraka. Ireny voka-pikarohana ireny no mampandroso ny fahasalamana manomboka eny ifotony. Ohatra iray amin’izany ny voka-pikarohana « partogramme » entina hanaraha-maso ny fivoaran’ny toe-batan’ny vehivavy eo am-piterahana. Fomba tsotra amin’ny alalan’ny kisary hijerena ny fahasalaman’ny reny ( velaran’ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza) sy ny zaza izany, andraisana fanapahan-kevitra raha ilana fandidiana na fitsaboana hafa ilay mpiteraka. Betsaka ny toeram-pitsaboana tsy mampiasa izany akory nefa afaka mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza, hoy ny profesora Ranjalahy Justin,  sady mpikaroka no mpampianatra.Ho an’ny fiarahamonim-pirenena kosa, tsapa fa mbola tsy laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana malagasy ny fahasalamana sy ny sehatra hafa mifampiankina aminy (rano madio…). Mila mahatsapa koa ny mpiasan’ny fahasalamana fa ilaina amin’ny famonjena aina ary farany rehefa misy ny fanapahan-kevitra mikasika ny fahasalamana, tokony alaina daholo ny hevitry ny ankolafy rehetra voakasika, hoy ny sekretera jeneralin’ny CCOC, Radert Hony. Izay no mbola tsy hananantsika rafitry ny fahasalamana matanjaka, araka ny fahatsapan’ny fiarahamonim-pirenena ny zavamisy eny ifotony.Vonjy A. L’article Fahasalamam-bahoaka: misy voka-pikarohana tsotra nefa tsy ampiasaina   a été récupéré chez Newsmada.

Basket - News - Sport - News Mada

Basikety – « Jump tournoi »: tompondaka ny Esca Antanimena

Notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ilay fifaninanana eo amin’ny samy kolejy sy lycée, taranja basikety. Nafana vay ny lalao famaranana teo amin’ny fifanandrinan’ny Esca Antanimena sy ny Saint François Xavier. Samy dadany ireto ekipa roa ireto ary nifandimby nampitombo ny isa hatrany am-piandohan’ny lalao. Sahala, 53 no ho 53, ny isa teny amin’ny solaitrabe, teo am-piafaran’ny fe-potoana ara-dalàna ka niroso tamin’ny fanalavam-potoana. Nivoaka mpandresy tamin’izany ny Esca Antanimena, rehefa avy niady mafy. Mi.RazL’article Basikety – « Jump tournoi »: tompondaka ny Esca Antanimena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana

Notolorana fiara 4×4 – V8 miisa 20 ny sampandraharaha misahana ny antontanisa (Instat), omaly teny Anosy, hoentina hanatanterahana ny asa, hizahana akaiky ny tahan’ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny Statcap* izany, mahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, 30 tapitrisa dolara (90 miliara ariary eo ho eo) hatramin’ny 31 marsa 2022.HHHHhHerintaona ny hanaovana ny fanangonana antontanisa manerana ny Nosy, hanomboka amin’ny septambra 2019 hatramin’ny desambra 2020. Jerena avokoa ny lafiny fahasalamana, ny fanabeazana, ny trano fonenana, ny fitaterana, ny asa atao, ny fandaniana, sns. Hanaovana fanadihadiana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano; faritana ny endriky ny fahantrana sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny toekarena sy ny sosialy, mba ho mazava amin’ny mpitondra. Midika izany fa mila fandinihana mialoha ny fanapahan-kevitra rehetra.Avy amin’io Statcap io ny tokony hahitana antontanisa tsara rafitra sy hanatsarana ihany koa ny fampahafantarana azy, hanitsiana ny tsy mety teo aloha. Atomboka amin’ny fanangonana tarehimarika, ny fanadihadiana sy ny fanaparihana ny tsara ho fantatra momba ny mponina, ny fahantrana sy ny fari-piainan’ny mponina; ny vidim-piainana, sns… Heverina hatao isaky ny roa na telo taona izany ; ny vita farany izao, tamin’ny taona 2012, nahitana tahan’ny fahantrana 71,5 %, tarehimarika ampiasana hatramin’izao, nefa tokony ho efa havaozina. R.MathieuL’article Fanangonana antontanisa: hofantarina ny tahan’ny fahantrana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Kitra – Can 2022: efa tafakatra i Alzeria sy i Sénégal ary i Tonizia…
19/11/2020

Anisan’ireo efa tsara toerana. Nifarana tamin’ity herinandro ity ny andro faha-14 eo amin’ny fifanintsanan’ny “Can 2022”. Maromaro ireo efa tafakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany.Eo ny ekipa mpampiantrano ny “Can 2022”, i Kameronina, manana isa 10 ao amin’ny sokajy F. Misongadina amin’izany koa i Sénégal ao amin’ny sokajy I. Manana isa 12 tamin’ny lalao efatra efa vita. Tahaka izany koa, efa tafita ny Alzerianina sy i Mali ary i Tonizia. Samy manana isa 10 avy izy ireo. Hatreto izany, ekipa dimy ireo efa nahazo tapakila ho any Kameronina. Efa tsy lavitra amin’izany koa anefa ny Kaomorianina ao amin’ny sokajy G. Samy lohany, manana isa valo, izy ireo sy i Egypta. Voatanan’i Kaomoro sahala, samy tsy nisy nitoko, ny Faraona tamin’izao andro fahefatra izao. Nandresy an’i Togo 1 no ho 0 ary mbola nandavo an’i Kenya 2 no ho 1 ity Nosy rahavavy ity. Na izany, mbola hanao lalao miverina amin’ny Egyptianina sy i Togo, efa anisan’ireo raraka, ny Kaomorianina amin’ireo andro roa farany ny volana marsa izao.Mety hisolo tena ny ranomasimbe Indianina ny Barea sy i KaomoroMila mitady fandresena iray izy ireo raha te hananika ny tendron’i Afrika ka hanara-dia ny Barea amin’ny “Can 2022” hatao any Kameronina. Mety ho ekipa roa izany no hisolo tena ny ranomasimbe Indianina amin’ity indray mandeha ity.Etsy andaniny, anisan’ireo efa any Kameronina koa ny ila tongotry ny Kintana maintin’i Ghana sy i Afrika Atsimo. Samy manana isa sivy avy ao amin’ny sokajy C raha manana isa 10 kosa i Maraoka ao amin’ny sokajy E. Ny Voromaherin’i Nizeria kosa, manana isa valo ao amin’ny sokajy L ary tahaka izany koa i Borkina Faso, sokajy B.Tsiahivina fa hotanterahina ny 21 hatramin’ny 29 marsa ny andro fahadimy sy fahenina farany, ahitana ireo hahazo tanteraka ny tapakila handehanana any Kameronina. Ho fantatra eo ireo ekipa roa isaky ny sokajy hiakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany. Anisan’izany ny Barea, mbola manana lalao roa, hifandonana amin’i Niger sy i Etiopia.Synèse R. L’article Kitra – Can 2022: efa tafakatra i Alzeria sy i Sénégal ary i Tonizia… a été récupéré chez Newsmada.

Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary
23/11/2020

Nandriaka indray ny ra teny Ankaraobato, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nihosin-dra tanteraka ny maitre Bary, nivalampatra tamin’ny arabe. Olona sendra nandalo ny nahita azy teo amin’ny rarivaton’Ankadilalampotsy-Ankaraobato. Feno dian’antsy ny faritry ny tendan-dRatompokolahy Bary. “Antony mety ho nitarika ny fahafatesany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa monina eny Antsahasoa, tsy lavitra eny, ralehilahy. Mpitaiza tanora amin’ny fanatanjahantena izy. Anarana ahalalan’ny maro azy ny “maitre Bary”. Malaza amin’ny tanjany izy ary tsy mahatohitra azy raha mbola olona telo aman’efatra manao angaredona aminy. Mety ho tampoka aminy kosa ny fanafihana nahazo azy.Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminanan nijery ilay namoy ny ainy. Nanatrika izany koa ny mpitsabo ao an-toerana. Misokatra, manaraka izany, koa ny fanadihadiana ny raharaha. Henintsoa Hani L’article Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny olom-boafidy eny fotony : « Tokony hohajaina ny safidin’ny tsirairay… »
23/11/2020

« Tsy misy ny teritery », hoy ireo avy amin’ny Hetsiky ny olom-boafidy eny ifotony, raha nihaona amin’ny mpanao gazety tetsy Antanimena izy ireo. Nambaran’ny mpitarika, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mandrosoa, Andramasina, Andrianomenjanahary Laza, fa vonona hanatanteraka ny adidiny amin’ny fifidianana loholona izy ireo. Hitandro ny fihavanana sy hikatsaka ny soa iombonana sy ny fampandrosoana ho an’ny kaominina tsirairay misy azy ireo avy. « Hajaina ny safidy sy ny fanehoan-kevitry ny tsirairay ka miantso ireo vondron-kery rehetra hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana », hoy izy. Maherin’ny 70 ireo ben’ny Tanàna anatin’ity hetsika ity ary avy amin’ny antoko politika sy tsy miankina avy eto amin’ny faritanin’Antananarivo.Mbola nanentana ireo mpifidy lehibe namany: mpanolontsaina sy ben’ny Tanàna, izy ireo hanatevina izao hetsika izao. « Hanolo-tanana ny fanjakana sy hiray hina », hoy izy ireo.Synèse R. L’article Hetsiky ny olom-boafidy eny fotony : « Tokony hohajaina ny safidin’ny tsirairay… » a été récupéré chez Newsmada.

« Ho soa hatrany » : Le nouveau cru d’AmbondronA
25/11/2020

AmbondronA a présenté « Ho soa hatrany » à la presse hier. Bonne nouvelle pour les fans d’AmbondronA .  Après de long mois voire deux années d’attente, le groupe a annoncé la sortie imminente de son septième album. « Ho soa hatrany », tel est l’intitulé de cet album collector qui sera disponible à partir de demain dans toute la Grande île, en streaming. Constitué de neuf titres dont « Aza ela any » et « Ny lalanao atao », l’opus porte toujours la signature bien marquée d’AmbondronA, tout en étant éclectique. Du pop rock certes, mais avec leur touche propre qui fait la particularité du groupe. Histoire de marquer le lancement, plusieurs dates sont prévues  pour la rencontre avec les inconditionnels. La plus proche reste l’après-midi du samedi 28 novembre à l’Aero Village à Talatamaty. Au programme, showcase et séance de dédicace en entrée libre. Dans la soirée du  4 décembre, la bande se retrouvera dans le hall de la City Ivandry, toujours dans le cadre de la promotion de « Ho soa hatrany ». Pour le mois de décembre, AmbondronA investira l’Ifm Analakely les 11 et 13, pour enchainer ensuite  au Santilo Anosizato les 18 et 19 décembre 2020.  Évidemment, chaque rencontre se fera dans le total respect des gestes barrières. Il y a deux ans, Kix et ses compères ont travaillé d’arrache-pied sur cet opus en préparation de la célébration des 20 ans du groupe en 2021. Malheureusement, avec l’annulation  du grand spectacle au Coliseum Antsonjombe au mois d’avril, pour cause de pandémie, la sortie de l’album a dû être reportée ce mois-ci. Etant donné que « Ho soa hatrany » a été « masterisé » en Europe, il a fallu attendre la réouverture des frontières pour son arrivée dans la Grande île. Pour rappel, AmbondronA a fait ses heures en sortant le tout premier album « ‘Lay tanàna » en 2002. En 2013, « Havaoziko », le sixième album  est mis sur le marché. Depuis, la bande à Beranto enchaîne les singles tout en remplissant le Coliséum, enchaînant les tournées nationales et internationales.   Beranto de mentionner que «  nous n’avons plus envisagé de sortir des albums sur support étant donné qu’Il est temps de suivre le courant à l’ère du digital, toutefois, à la demande du public, nous avons décidé de faire de « Ho soa hatrany » un album collector en digipack. »  Un cadeau d’avant noël qui fera plus d’un heureux parmi les inconditionnels, à pourvoir dans les telma shop dès demain. Zo Toniaina L’article « Ho soa hatrany » : Le nouveau cru d’AmbondronA est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article « Ho soa hatrany » : Le nouveau cru d’AmbondronA a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara
21/11/2020

Nankalazaina, omaly, tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny Andron’ny indostria aty Afrika 2020. Nitarika ny fotoana ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny indostria (Onudi), ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana ary ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Navoitra tamin’ny An­dron’ny indostria aty Afrika ny fifanakalozana malalaka ao anatin’ny fifaninanana, izay misy tse­na mahatratra 3 000 miliara dolara aty Afrika. Mitaky vokatra betsaka avy amina fi­renena isanisany izany, ampy ho an’ny tsena anatiny sy hoentina eo amin’ny tsenan’ny fifanakalozana. Ma­no­hana izay tetikasa misy mangaraharaha mankany amin’izany tolotra izany ny Onudi. Ho an’i Madaga­si­ka­ra, fanamby napetraka ny fa­nomezan-danja ny fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’ny tsena anatiny, koa hampirisihina ny mpanjifa hirona amin’ny vita malagasy. Aorian’izay ny tolotra ho an’ny tsena ivelany hifaninana amin’ny hafa. Mifamatotra ny indostria sy ny varotra ka manafaingana izany ny fampiasana an­govo azo havaozina, ny fidirana amin’ny teknolojia vaovao, ny fiantsoana ny mpampiasa vola mivantana avy any ivelany. Mitombo hatrany ny fampiasam-bola aty Afri­ka ataon’ireo firenen-dehibe, efa nahatratra 49 mi­li­ara dolara tamin’ny 2019, saingy tamin’ity taona ity, nosembanin’ny Covid-19.Indostria iray isaky ny distrika irayNotsiahivin’ny minisitra Ra­kotomalala Lantosoa, fa tsara toerana ny indostria ma­lagasy tamin’ny taon-dasa sady nahazo fanohanana tamin’ny Onudi. Mbola anatin’izay fampiroboroboana ny indostria malagasy izay ny politikan’ny fitondram-panjakana: Indostria iray isaky ny distrika iray. Ankoatra ireo orinasa tafatsangana tamin’ity taona ity, hisy tetikasa fananganana in­dostria iray goavana ma­no­dina ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono any atsimo andrefana, amin’ny taona 2021, vatsin’ ny Bad vola. “Eto Madagasikara, isan-taona, mankalaza ny An­dron’ny indostria aty Afrika, ahafahana manao jery todika ny zava-bita sy hijerena ny ho avy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, sehatra tsy miankina”, hoy ny minisitra Rakotomalala Lan­tosoa. Napetraka ny lo­hahevitra hoe fampandrosoana ny indostria maharitra, manolona ny fisokafan’ny tsena aty Afrika sy fiatrehana ny fandalovan’ny valanaretina coronavirus.R.MathieuL’article Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

TARATRY NY KANTO
20/11/2020

 Nampoina  – No dose by Trano Bongo TanjombatoHafampana ny faran’ny herinandro … Hitondra mozika mahafinaritra i Nampoina, anio zoma 20 novambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny No Doze by Trano Bongo Tanjombato. Ao anatin’izany ny hira “acoustique” iarahan’i Nampoina amin’i Harty Andriambelo, izay manana ny mampiavaka azy ihany koa. “Seho maimaim-poana izy ity… Hanafana sy handrotsirotsy antsika eny am-pihinanana sy fisotroana ny tovovavy,” hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny No Dose.Lion Hill – Karibotel26 Analakely Asabotsy mahafinaritra … Mpanakanto manana ny maha izy azy indray ny hanafana ny After work, amin’ny alalan’ny “Show case” etsy amin’ny Karibotel26  Lounge Analakely, i Lion Hill miaraka amin’i Ambassadora -615. Seho hotanterahina rahampitso asabotsy 21 novambra, manomboka amin’ny 12 ora 30 antoandro. Hovelomina ao ireo hira nahafantarana azy  sy ny maro hafa tsy ampoizina . Eo am-pisakafoana ny matsiro, hovazoina amin’izany ny “ Ambila”, “ Hanaraka ano ”… L’article TARATRY NY KANTO a été récupéré chez Newsmada.

Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly
24/11/2020

Vonona ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny “Afrobasket”. Hanainga anio ny delegasiona hihazo an’i Kigali, Rwanda. Ao anatin’ny heriny tanteraka ireo mpilalao.Anio amin’ny 3 ora sy 35 mn no hiainga ao Nosy Be ny sidina hitondra ny delegasiona malagasy hihazo an’i Kigali, Rwanda, hiatrika ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket”. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, ao anatin’ny hery sy ny tanjaka tsara avokoa ireo mpilalao rehetra, efa niatrika fanazarantena avy hatrany ny alahady hariva raha vao tonga tany Nosy Be, sady nizatra ny toetr’andro. Nitohy omaly izany fanazarantena izany,  tamin’ny 7 ora hatramin’ny 9 ora maraina, sy tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva. Mialoha ny niaingana, mbola niatrika fanazarantena ny ekipam-pirenena tamin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora maraina ary tamin’ny 12 ora antoandro teo no nihazo ny seranam-piaramanidina ny delegasiona. Mahakasika an’i Rija, mpilalao mila ravinahitra any Frantsa indray, hanainga anio izy ka any Addis Abeba ny hihaona amin’ny delegasiona avy aty Madagasikara avy eo mamonjy an’i Kigali, Rwanda. Tsiahivina fa hanomboka ny 27 novambra izao ny fifaninanana ka ny ekipam-pirenen’i Tonizia ny hifanandrina voalohany amin’ny ekipan’i Tojo. Ny ampitson’io indray, hihaona amin’ny ekipam-pirenena Centrafricaine ary ny fifanandrinana amin-dry zareo RDC ny hamarana ny fifaninanana mandroso. Amin’ny volana febroary kosa ny hanatanterahana ny lalao miverina, izay tsiahivina hatrany fa mahazo ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny famaranana amin’ny “Afrobasket 2021” ireo ekipa telo voalohany isaky ny vondrona, izay hatreto, manana ny herijika handehanana amin’izany ny ekipam-pirenena malagasy. Mi.RazL’article Basikety – “Afrobasket 2021”: hiala ao Nosy Be anio ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny
19/11/2020

Notazonin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny dimy andro ity ankizikely nalaina an-keriny ity tao Benobasy, fokontany Malaindromisotra, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny alin’ny 10 novambra lasa teo no nisy naka an-keriny tao an-trano ny ankizilahikely antsoina hoe Pierre. Ny faran’ny herinandro teo, navotsotr’ireo olon-dratsy izy. Tsy fantatra na nahazo vola takalonaina avy amin’ny fianakaviany ireo jiolahy ka namotsotra ity ankizilahikely satria mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Tsiahivina fa andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny nanafika sady naka an-keriny azy tamin’io fotoana io.Fa nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika koa tao Andonabe Mananjary, ny alahady alina teo. Andian-jiolahy miisa fito no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Nanapoaka basy ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy tao an-trano niaraka amin’ny fahana telefaonina finday. Nitsoaka nihazo ny fokontany Androrangavola Andonabe ireo malaso taorian’izay. Mandeha ny fikarohana sy ny sakana ataon’ny zandary.J.C L’article Soavina: navotsotr’ireo jiolahy ilay ankizikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19
23/11/2020

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboanaNa izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.Synèse R.L’article Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana
20/11/2020

Miezaka mitondra sy manome vitrika ho an’ireo manan-talenta amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto ny minisitera misahana izany. Iray amin’ireny ny fanolorana mari-pankasitrahana.Ho fankaherezana amin’ny tontolon’ny zavakanto…. Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina mari-pankasitrahana ireo tanora 163, izay mpianatra avy ao amin’ny ivontoeram-panofanana momba ny dihy sy ny mozika Cnemd, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Vokatry ny fandraisan’anjara tamin’ny seho ara-javakanto natao tamin’ny fanokanana ny Lapa Manjakamiadana sy ny Lapa Besakana, ny 6 novambra 2020 teo izany. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny mari-pankasitrahana teny an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany tamin’izany fa vonona hatrany ny minisitera hanohana ireo tanora manan-talenta mba ho tena hanana ny maha izy azy. Nandritra ny lahateniny, nitondra ny fiarahabana sy ny fisaorana avy amin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina mivady ny tenany ho an’ireo tanora naneho zavakanto mahafinaritra. Marihina fa rafitra iray eo anivon’ny minisitera ny Cnemd. Vao tsy ela akory izay no vita ny fanamboarana ity ivontoerana ity raha simba tanteraka izany teo aloha. Efa manomboka maha velombolo, araka izany, ny ho avin’ny tanora sy ny zavakanto atsy ho atsy satria efa nahavita dingana sahady ny mpianatra na dia 50 ora aza no nanaovana ny fanomanana ny seho. Anisan’ireo tao amin’izany ivontoerana izany, tamin’ity taona 2020 ity, « Zaza kanto », raha ny nambaran’ny talen’ny Cnemd, i Holy Razafindrazaka.Narilala L’article MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana a été récupéré chez Newsmada.

Secteur minier : La révision du Code minier incontournable
20/11/2020

Le comité de réflexion et de rédaction sur la révision du Code minier est opérationnel depuis janvier 2020. Il réunit toutes les parties prenantes œuvrant dans le secteur minier à Madagascar. On peut citer, entre autres, les opérateurs issus de la grande mine, les exploitants issus de la petite mine, les membres de la société civile et l’administration publique. Ces parties prenantes reconnaissent que la révision du Code minier est incontournable afin que ce secteur, qualifié de stratégique, puisse constituer un levier du développement socio-économique pour Madagascar. Elles travailleront ainsi de concert pour émettre des recommandations visant à améliorer certains dispositifs du Code minier. Il s’agit notamment des recommandations validées par toutes les parties prenantes. Approche inclusive. A noter que la réunion de ce comité de réflexion et de rédaction sur la révision du Code minier se tient chaque semaine. Durant cette concentration, des échanges et des négociations entre les participants ont lieu. L’objectif consiste à adopter une nouvelle réglementation régissant le secteur minier qui a été élaborée dans le cadre d’une approche inclusive. Les discussions au niveau des travaux de commission se poursuivent encore, a-t-on appris de source auprès de ce comité de réflexion. De nombreuses thématiques ont été abordées. En ce moment, les taux des redevances minières, la levée du gel des permis miniers, le développement des activités extractives face aux problèmes fonciers et environnementaux sont, entre autres, les thèmes à discuter entre toutes les parties prenantes. Le comité lance ainsi un appel à ces dernières qu’il est temps de se mettre toujours en avant tout en poursuivant les négociations afin d’atteindre l’objectif commun. Navalona R. L’article Secteur minier : La révision du Code minier incontournable est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Secteur minier : La révision du Code minier incontournable a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Degmia – Oniversite Toamasina : manana sampam-piofanana roa vaovao
24/11/2020

Amin’ny ankapobeny, hafakely no ho izay efa fomba fifankahafantarana mahazatra ny fanohizana indray ny fampianarana an-dakilasy sy ampitain-davitra eo anivon’ny departemantan’ny fakiolten’ny Degmia, oniversiten’i Barikadimy – Toamasina , ny tapaky ny volana lasa teo. Nihaona ny mpampianatra sy ny mpianatra ary nitondra ny fandaharam-pianarana isaky ny taranja sahaniny ny profesora isanisany. Nohazavaina amin’ny antsipiriany ny lohahevitry ny taranja tsirairay sy ny faharetany avy.Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny nandritra izany koa ny fampiofanana vaovao eo amin’ny fakiloten’ny Degmia : master professionnelle en marchés  publics, sy licence professionnelle en gestion portuaire et logistique. Nampiavaka ny lanonana ny fanatrehan’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fakiloten’ny Degmia, toy ny SMMC, Spat, APMF. Nohamafisin’ny sojaben’ny fakiloten’ny Degmia, ny profesora Razanakolona Diny, fa manomboka ny 1 desambra ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra hiditra eo anivon’ny sampam-piofanana roa vaovao voalaza ary hifarana ny 11 desambra izany.SajoL’article Degmia – Oniversite Toamasina : manana sampam-piofanana roa vaovao a été récupéré chez Newsmada.