Sekoly tsy miankina: 25%  ny tahan’ny fiverenana an-dakilasy ho an’ny 2020-2021

News - Sekoly tsy miankina: 25%  ny tahan’ny fiverenana an-dakilasy ho an’ny 2020-2021

News - Sekoly tsy miankina: 25%  ny tahan’ny fiverenana an-dakilasy ho an’ny 2020-2021

Efa any an-dakilasy,
amin’izao fotoana izao, ny mpianatra eny amin’ny sekoly tsy
miankina misantatra ny taom-pianarana vaovao 2020 –
2021. Betsaka ireo sekoly nitondra
faisana noho ny valanaretina. Ny ray
aman-dreny koa tojo fahasahiranana ka nampiato ny
fianaran-janany.  

Nanapa-kevitra ny hisantatra ny
taom-pianarana 2020-2021, ny fiandohan’ny herinandro teo ireo
sekoly 400 tsy miankina mivondrona ao anatin’ny Association des
instituts laïques pour l’éducation (AILE) manerana ny Nosy, araka
ny fanazavan’ny tale nasionaliny, Rakotomalala Célin, omaly. Satria
ny minisitra vaovao misahana ny Fanabeazam-pirenena, nilaza fa
notazonina ny tetiandro teo aloha ary mifarana ny 30 jona lasa teo
ny taom-pianarana 2019-2020 ary roa volana sy tapany aorian’izay no
misokatra ny taom-pianarana vaovao. Ireo kilasy
« intermédiaire » no miditra tamin’ity herinandro ity fa
ireo mbola miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy bakalorea, ny
volana novambra vao hiverina an-dakilasy. Raha ny zavatra tsapa
taorian’ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny
taom-pianarana vaovao, 25% sisa ny tahan’ny mpianatra niverina
an-tsekoly fa sahirana ny ray aman-dreny ka tsy afa-manoatra izy
ireo. Tranga iraisan’ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina ireo
manoloana ny krizy ara-pahasalamana nitarika krizy sosialy sy
ara-toekarena teto amintsika. Manarina ny fari-pahaizan’ny
mpianatra no himasoana voalohany aloha amin’izao fidirana izao.

Noterena ny sekoly hanome
ny taratasy fiantsoana

Nisedra olana lehibe koa ny sekoly
tsy miankina manoloana ireo mpiadina tamin’ny fanadinana CEPE. Maro
tamin’ireo ray aman-dreny no nanery fotsiny ny talen-tsekoly hanome
ny taratasy fiantsoana mandritra ny CEPE nefa tsy nanefa ny
saram-pianarana feno. Taorian’ny kabarin’ny filoha momba ny tsy
tokony hihazonana ny taratasy fiantsoana, nanararaotra ireo ray
aman-dreny tsy nitsinjo ny karaman’ny mpampianatra, hoy ny
fanambarany. Lasa nibaby vesatra lehibe ny sekoly vokatr’izay. Ny
ankamaroan’ny sekoly tsy miankina tany Atsimondrano tsy nanao
famerenana mialoha ny fanadinana CEPE satria tsy nanam-bola
hanakaramana mpampianatra intsony ny tompon-tsekoly. Nisedra avy
hatrany ny CEPE ireo mpiadina rehetra.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Sekoly tsy miankina: 25%  ny tahan’ny fiverenana an-dakilasy ho an’ny 2020-2021 a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Antsirabe : Maty voatifitry ny pôlisy le Baroda, jiolahy raindahiny

Jiolahy raindahiny antsoina hoe le Baroda  no lavon’ny balan’ny pôlisy teto Antsirabe, maty tsy tra-drano ity jiolahy ity, bala telo no niantefa teny amin’ny vatany. Efa volana maromaro no narahi-maso akaiky ity jiolahy maty voatifitra ity, raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy. Tao Betafo izy no nipetraka rehefa avy namita ny saziny tany am-ponja. Raha ny fanazavana  mantsy dia mpamerin-kelokoa ity jiolahy ity ary efa niditra am-ponja matetika, ary efa avy eny Tsiafahy . Herinandro teo izao izy no narahi-maso akaiky, ka teo am-panomanana fanafihana izy izao lavo izao. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia nifanenjahan’ny pôlisy tao Andranovisy  le Baroda sy ny namany roa lahy. Nifanena  tamin’ny pôlisy nanao akanjo sivily le Baroda ary nikasa hanindrona Sabatra azy. Niaro tena ny pôlisy ka voatery nitifitra. Ireo namany roa lahy kosa tafaporitsaka. Nambaran’ny “commissaire central” Raholisoa Patrick  fa nanao vava le Baroda talohan’izao nahafaty azy izao, nilaza fa tsy maintsy hamono pôlisy iray. Fantatra fa vao avy nanendaka teo Andranomaimbo le Baroda sy ny namany, vao tsy ela akory izay, ary voarohirohy amina resaka famakian-trano nisesisy tao Antsenakely. Miisa efatra kosa ny didy mampaka azy.  Araka ny fanazavana hatrany dia naman’ilay jiolahy antsoina hoe le Gena, maty voatifitra koa, le Baroda. Le Gena dia vao roa volana izay no nahavoatifitra azy, tao Andranovisy ihany koa. Samy any am-ponja ny vadin’izy roa lahy ireo, fa mpiray tsikombakomba sy mpivarotra ny entana halatra azony. Andry N.L’article Antsirabe : Maty voatifitry ny pôlisy le Baroda, jiolahy raindahiny a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara

Nihintsana teo am-pototry ny dingan’ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja baolina lalaovina amina tora-pasika, nandritra ny lalao farany teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na ny CAN Beach Soccer fa tsy araka ny voasoratra teto amin’ny gazety, omaly. Ialana tsiny indrindra amintsika mpamaky noho io fifandisoana io. Resin’i Maraoka, tamin’ny alalan’ny isa 6 noho 4, ny Barean’i Madagasikara, tamin’ity lalao farany ity ka nahatonga azy ireo tsy tafiditra ho isan’ireo ekipa efatra hanohy ny fifaninanana. Faharesena roa (Ejypta sy Maraoka) sy fandresena tokana (Côte d’Ivoire) no nanjo ny ekipam-pirenentsika tamin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Voatery hiatrika ny lalao fanasokajiana ny Barean’i Madagasikara, manomboka anio. Hiady ny laharana fahadimy manoloana ny ekipan’i Tanzania, izay nitana ny laharana fahatelo teo amin’ny vondrona B, izy ireo. Ny ekipan’i Ejypta sy Maraoka no hisolo tena ny vondrona misy antsika eo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, raha i Sénégal sy Nizeria kosa no hiaro ny voninahitry ny vondrona B. Hotanterahina, anio, ny manasa-dalana ilany, raha rahampitso kosa ny manasa-dalana iray, izay samy hialohavan’ ny lalao fiadian-toerana avokoa. L’article BEACH SOCCER – «CAN 2018» :: Nosakanan’i Maraoka ny lalan’ ny Barean’i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

BFV-SG: tolotra manokana ho an’ny faran’ny taona

Manome tolotra manokana ny mpanjifa ny banky BFV-SG, hanamora ny fiatrehana ny fotoana samihafa amin’izao faran’ny taona 2018 izao. Nanomboka tamin’ity volana desambra ity izany, hatramin’ny 10 febroary 2019. Maro ny tolotra azo isafidianana, ao anatin’ny findramam-bola Soafeno. Toy ny Soafeno Maika, natao ho an’ny mila vola tampoka, na sendra tratry ny vonjitaitra. Eo koa ny Soafeno express, hiantohana ny fianarana sy ny kojaokoja ilain’ny mpianatra, ny hanatanterahana fotoan-dehibe (fanambadiana, kojakoja ao an-trano, …). Ahafahana mividy fiara na moto ihany kosa ny Soafeno Auto-moto.Mampiavaka ity tolotra manokana faran’ny taona ity, ny fampihenana tarehimarika roa ny tahan’ny zana-bola mihoatra amin’ny mahazatra. Hivaly ao anatin’ny 48 ora ny fangatahana. Hita manerana ny masoivohon’ny BFV-SG rehetra ity tolotra manokana ity sady sahaza ny sokajina mpanjifa manontolo. Azo atao ny mangataka fanapim-panazavana any amin’ny masoivoho tsirairay.Njaka A.  L’article BFV-SG: tolotra manokana ho an’ny faran’ny taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 Fikambanana AAM: “Tsena ho an’ny reny” hanohanana ireo sahirana

 Manome fotoana ho an’ny rehetra ao amin’ny espace Dera eny Tsiadana ny Association accueil Madagascar (AAM), ny 24 mey ho avy izao,amin’ny “Tsena ho an’ny reny” (Bazar des mamans), andiany faha-18. Tsiahivina fa ny fikambanana AAM tantanan’ny Rtoa Raoera Chandoutis, manampy ireo beantitra, ny moana sy ny marenina, ny zaza tratran’ny homamiadana sy tsy misitraka ny zony, ny kamboty tsy misy mpiahy, ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona sy tsy mandeha mianatra intsony. Manampy sy mampita fanabeazana amin’ireo sokajin’olona ireo ny AAM, mampifaly azy ireo ihany koa. Miaraka amin’izany fanampiana izany ny fampitaovana.Ankatoky ny fetin’ny reny io fotoana io hiantsoan’ny AAM ny vonona handray anjara io. Ho hita amin’io ireo asa tanana samihafa, ny fitafiana, ny kojakoja fampiasa ao an-tokantrano, ny haingo isan-karazany fanaon’ny vehivavy, sns. Hanampiana ireo sahirana sy mahantra ireo ny vola azo avy amin’izany. Nitsangana ny taona 1968 ny AAM, mifototra amin’ny fihavanana sy ny kolontsaina malagasy. Ampolony maro ireo vehivavy mpikambana ao aminy. R.MathieuL’article  Fikambanana AAM: “Tsena ho an’ny reny” hanohanana ireo sahirana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société”

Hotanterahina manomboka ny asabotsy 3 aogositra izao ary tsy hifarana raha tsy ny 17 aogositra ny « Salon des jeux de société », andiany faha-24. Toy ny mahazatra, mandray ity hetsika ity ny Alliance française (AFT) etsy Andavamamba. Raha tsiahivina, ity ny fotoana tokana sady lehibe indrindra hanomezan-danja sy hanasongadinana ireo karazan-dalaon-tsaina hifanandrinan’olon-droa, eto amintsika.Homena vahana hatrany ireo kilalaon-tsaina mampiavaka ny Malagasy, toy ny fanorona sy ny katro, izay tsy mbola lefy laza, ankafizin’ny ankizy hatramin’ny olon-dehibe. Ao koa anefa ireo kilalao vahiny, fantatra manerana izao tontolo izao, toy ny “jeu de go”, kilalao fanaon-dry zareo Aziatika, ny “sudoku”. Ankoatra ireo, ho hita ao ihany koa ny “uno”, ny “scrabble”, ny “1000 bornes”, ny “jeu de dame”, sns.Tanterahina mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra hatrany ny “Salon des jeux de société”. Na mbola tsy tontosa aza ireo karazana fanadinam-panjakana, heverina fa tsy vitsy ny ankizy efa miditra tsikelikely ao anatin’izany fialan-tsasatra izany. Sady fialam-boly ny hetsika no fampiasan-tsaina ihany koa ary fotoana hifaneraserana amin’ny ankizy sy ny tanora hafa, efa mahafehy ireo karazan-dalao ireo.Ho an’ireo tsy mbola mahafehy na tsy mahay azy ireo, hisy ny fotoana hampianarana izany, mandritra ity « salon » ity. Toy ny mahazatra, hisy koa ny fifaninanana amin’ireo sokajin-dalao rehetra.Landy R. L’article AFT: raikitra indray ny “Salon des jeux de société” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rakotoarijaona Mamy: « Havadika tanjaka ireo mpiavy »

2% isan-taona ny fihenan’ny ala ao anatin’ny ala noho ny fitrandrahana tsy ampiheverana ataon’ny olona miditra an-tsokosoko. Ny ala anefa no mitondra ny rano hiveloman’ny mponina ka mila arovana. Mitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny Madagascar National Parks (MNP), mpisolo toerana, dokotera Rakotoarijaona Mamy.*Taratra : Tsy azo roahina hiala ny faritry ny atiala ve ireo olona mpiavy manimba sy mitrandraka ? -Rakotoarijaona M. : Midadasika be ny atialan’Ankarafantsika ka sarotra ny fanaraha-maso,  afaka mivezivezy malalaka koa ny olona hitady fivelomana mety aminy. Betsaka ireo olona avy amin’ny faritra hafa tonga mamboly satria lonaka ny tany ao anatin’ny atiala sy ny manodidina. Zavatra tokony hoeritreretina ny hamadihana ireo mpiavy marobe ho tanjaka hampandrosoana ny faritra ka hojerena ny toerana azo anatanterahana izany tsy ao anaty ala arovana. Tsy miaro fotsiny ny valanjavaboary ny asan’ny MNP fa mamaly ny filan’ny mponina amin’ny andavanandro toy ny angovo, sakafo…Anisan’izany ny fanomezana tany 18 ha hambolen’ny mponina hazo Acacia sy bambou manodidina ny valanjavaboary. Tokantrano sivy no manatanteraka izany ao Andranofasika ka manana 2 ha avy isanisany.*Nisy vokany ve ny fiaraha-miasa niaraka amin’ny mpitandro filaminana taorian’ny antso nataon’ny MNP ?                       -Efa nihena ny tsindry mahazo ny valanjavaboary, nidina ny isan’ny teboka afo hita fa nitombo kosa ny fanapahana hazo sy ny famandrihana biby. Tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, 167 ny isan’ny famonoana biby tao anatin’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny MNP. 122 ha ny velarana simba, 1 566 ny hazo lehibe voakapa. Azo avy amin’ny fampiasana ny logiciel Smart izay ampiasain’ny mpiasa manao fanaraha-maso any anaty ala ireo antontanisa ireo. Ankoatra ny fanampian’ny mpitandro filaminana, manana fitaovana famonoana afo isan-kazarany koa ny MNP isaky ny valanjavaboary. Tsara ho fantatra-43 ny valanjavaboary tantanin’ny Madagascar National Parks manerana ny Nosy. 2 600 000 ha ny velarany ka ny 1 500 000 ha amin’ireo, rakotra ala avokoa. 1 187 ny isan’ny mpiasa manara-maso ny atiala rehetra.-Mizara roa ny valanjavaboary : « zone tampon » manodidina ahazoana manalefaka ny tsindry ary ny faritra ivon’ny valanjavaboary tena arovana tanteraka. Misy kazarana biby sy zavamaniry tena arovana manokana ahafahana mampiroborobo ny zahavoary ao anatin’ny sokajy faharoa. Mahatratra 226 ny kazaran-javatra arovana ka tafiditra ao ny sifaka sy ny farihy fito. Vonjy Andrianjaka    L’article Rakotoarijaona Mamy: « Havadika tanjaka ireo mpiavy » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Boeny: jerena miaraka amin’ny Alemaina ny fampandrosoana

Ao anatin’ny famolavolana ny Fandaharanasa fampandrosoana ny faritra iarahana amin’ny Alemaina (Page / GIZ)* izao ny any Boeny. Natomboka tany amin’ny distrikan’i Soalala sy Mitsinjo izany, nanomboka ny volana novambra lasa teo, niaraha-nizaha ny tokony hisian’ny fampandrosoana any am-potony. Nantsoina niady hevitra tamin’izany ireo zokiolona ao an-tanàna, ny fikambanana, ny mpandraharaha sy ireo lehiben’ny sampandraharaha samihafa. Nohavaozina tamin’io fiaraha-midinika io ny sary fanajariana ny tany any amin’ireo distrika ireo ; manaraka izany ny famaritana ny laharam-pahamehana izay tokony hatao ; miainga avy amin’izay ny fampiasam-bola, araka ny zava-misy any amin’ireo tanàna ireo. « Tsy maintsy miainga avy amin’ny mponina eny an-toerana raha tiana tokoa ny hisian’ny fampandrosoana. Noho izany, anjaranareo ny maneho izay tena iainanareo, ary andraikitr’ireo tekninisianina ny manoro anareo amin’izay fanapahan-kevitra arahina », hoy ny talen’ny kabinetra faritra Boeny, i Hemedy. Fahavoazana lehibe mahazo ireo distrika roa ireo ny faharatsian-dalana, ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa, miampy ny tsy fandriampahalemana. Manomboka miantraika any an-toerana izao ny fiovan’ny toetr’andro, araka ny voalazan’ireo mpandray anjara tamin’ny fivoriana. Vahaolana naroso ny famaritana ny toerana volena ahitra ho an’ny sakafom-biby ; tolo-kevitra iray hafa, ny fanokanana faritra fanamainana ahitra na fanamboarana efitra mangatsiaka fitahirizam-bokatra. Fanirian’ny mponina ny tena fanatanterahana ny vahaolana fa tsy hijanona an-tsoratra na kabary fotsiny ny Fandaharanasa fampandrosoana ny faritra. Betsaka ihany tokoa, nandritra ny fitondrana nifandimby sy taona maro, izay atrikasa natao nandraisana lohahevitra samihafa ho an’ny fampandrosoana izay, saingy misongadina ihany ny fahantrana. Any Ambato Boeny ny distrika manaraka hanangonana ny hevitry ny mponina.   R.Mathieu  L’article Faritra Boeny: jerena miaraka amin’ny Alemaina ny fampandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah

Anisan’ireo, kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), i Mohamad Abdillah. Nanamafy izany, filatsahany izany izy. Nohamafisiny fa olona miaina isan’andro, amin’ny baolina kitra izy.Gazety Taratra (-) : Mety aminao ve any Toliara sy ny datin’ny 24 aogositra, hanaovana ny fifidianana?Mohamad Abdillah (*) : Mpilalao baolina aho, ka tsy mifidy kianja hilalaovana. Rehefa any Toliara, no heverin’ny mpitantana fa mahafeno ny fepetra dia vonona aho, hiatrika izany. Toy izany koa ny datin’ny fifidianana. Tsy fombako ny manohitra zavatra efa tapaka sy nekena. Manaja izany ny tenako ka hamonjy io toerana io.– : Inona no mampiavaka anao amin’ireo kandidà hafa?*-Misy zavatra telo heveriko fa mety hampiavaka ahy dia ny maha mpilalao baolina aloha, satria miaina izany isan’andro aho ary tsy mahazo aina raha tsy milalao baolina sy miresaka baolina ary manaraka vaovaon’ny baolina kitra maneran-tany. Fianakaviako faharoa ny baolina kitra. Eo koa ny fifandraisako amin’ireo ankolafin’olona maro samihafa. Amiko, ny baolina kitra dia tsy fanilikilihana fa fampiraisana ny rehetra. Farany, olona anisan’ireo, mitandrina ny lalàna sy manara-dalàna ary manaja ny soatoavina ny tenako.-Inona ny laharam-pahamehana ho anao ?*: Hanatanteraka ny fandaharanasa ao anatin’ny efa-taona gm quadrienal. Hanamboatra ny trano hiasan’ny federasiona fa tery loatra, ny amin’izao fotoana izao, izay hiarahana amin’ny Fifa. Toy izany koa ny an’ny ligy fa tsy hotadiavina eny an-tsena na any an-tranony ny filohany. Afaka manangana 7 na 8 ao anatin’ny taom-piasana iray, isika. Hampitomboina, ny kianja hilalaovana ary hatsaraina ny kalitaon’ny fifaninanana, amin’ny alalan’ny fanaovana atrikasa, mba hitovy ny lanjan’ny ekipa. Tsy atao mitanila ny fandaharam-potoana sy ny kianja hilalaovana, tsy hisian’ny isa midangana, 7 no ho 0. Omena fampirisihina ireo mpiantsehatra rehetra.-Ny fahitanao ireo filohana ligy manao fanambarana manohana kandidà? * : Zo fototra amin’ny fahalalahana maneho hevitra ireny, ka tsy hitako izay mahadiso azy ireo, saingy tsy tokony hanohintohina ny hafa. Na izany aza, tokony hojerena ihany, fa fifidianana miafina no atao, izany hoe mila hajaina ny tsiambaratelon’ny safidy, ka ny filazana ampahibemaso toa ireny, dia efa fantatra mialoha ny safidin’ny tsirairay, ka lasa voahosihosy ilay latsa-bato miafina.– Raha lany ianao, vonona ve hiara-kiasa amin’ireo mpifaninana. Raha tsy lany koa mbola ho ao anatin’ny baolina kitra hatrany ve? *: Mpilalao baolina ny tenako, noho izany, miomana amin’ny zava-drehetra. Mampiray ny baolina kitra fa tsy mampisaraka ary tsy vitan’ny olon-tokana. Raha lany aho, misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa. Raha sanatria tsy lany, vonona hifanampy amin’izay tonga eo, ary raha ilain’izy ireo ny fandaharanasako dia atolotro azy. Tsy mitady olona hampitombo ny fahantran’ny baolina kitra isika fa olona hanala azy ao anatin’izany. Nangonin’i TorcelinL’article Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Can 2019 – Lalao fanomanantena: rahampitso no hidona amin’i Luxembourg ny Barea

Vonona ny Barean’iMadagasikara, hiatrika an’i Luxembourg, eo amin’ny lalao fanomanantena, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja baolina kitra. Fihaonana hotanterahina, rahampitso alahady, ao amin’ny kianja Luxembourg, manomboka amin’ny 8 ora alina eto Madagasikara.Efa tonga ao Paris avokoa ireo mpilalao rehetra, nanomboka omaly zoma. Toerana anaovan’izy ireo ny fampivondronana. Raha tsy misy ny fiovana, amin’ity asabotsy ity vao hihazo an’i Luxembourg ny delegasiona malagasy. Tsiahivina fa niverina ao anatin’ny Barea de Madagascar ry Mamy Gervais sy i Dax.Raha tsiahivina, aorian’ity lalao hikatrohana amin’i Luxembourg ity, mbola hifandona amin’i Kenya ny Barean’i Madagasikara, ny 7 jona ho avy izao. Aorian’io, hiverina eto Madagasikara ka hisy ny lalao fanomanana hifanaovan’ireo samy mpilalaon’ny Barea, ny 10 jona. Hihazo an’i Maraoka indray ny Barea, aorian’izay, hiatrika fampivondronana. Hisy ny lalao fahatelo hikatrohany amin’i Maoritania, ny 14 jona, mialoha ny hihazoany an’i Egypta, hiatrehany ny “Can 2019”. Tompondaka L’article Can 2019 – Lalao fanomanantena: rahampitso no hidona amin’i Luxembourg ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Indray mijery           

Mpivady 41 isa no nahafeno ny antontan-taratasy ilaina nanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe tao Ambatomainty, boriborintany fahadimy, ny herinandro lasa teo. Na maro aza ny namaly ny antso avy amin’ireo fokontany 27 ao anatin’ny boriborintany fahadimy, ireo ihany no nahavita ny antontan-taratasy ilaina. Vokatry ny ezaky ny boriborintany avokoa no nahafahana nanatanteraka ity hetsika natao maimaimpoana ity, hoy ny delegen’ny boriborintany fahadimy, Rakoto Emmanuel Richard.Notontosaina ny herinandro teo ny fanamboarana ny lalankely izay mampitohy ny fokontany Ambodihady sy fokontany maromaro eo anivon’ny boriborintany fahenina. Nifarimbonan’ny ekipa teknikan’ny boriborintany fahenina sy ny ekipa avy tao amin’ny asa vaventin’ny kaominina ny asa. Ny ekipan’ny boriborintany no naka sy nanangona ary nitaona ireo vato nesorina tamin’ny sisin-dalana na “trottoir”. Ny ekipa avy tao amin’ny DTP kosa no nandrafitra ny vato hirindra tsara ho rarivato. Vato avy nalan’ny Colas tamin’ny sisin-dàlana ireny no nahavitana lalankely. L’article Indray mijery            a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe
24/09/2020

Tsy nitsitsy fitenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny fametrahana ny tany tan-dalàna. Anisan’ny notsikerain’izy ireo ny fitsarana.“Foto-kevitra iray iainan’ny KMF/Cnoe ny fanajana lalàna. Ho anay, rehefa izay ny fanapahan-keviny: mampalahelo sady mahamenatra. Mampalahelo sy mahamenatra tsy hoe tsy nahavoa na resy izahay fa Repoblika sy fanjakana tan-dalàna no iainantsika nefa mahasahy milaza fa tsy mahefa ny raharaha ny mpitsara.”Io ny nambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andriamalazaray Andoniaina, teny Antanimena, afakomaly, manoloana ny tsy fahefan’ny Filankevi-panjakana mitsara ny fitoriany amin’ny hanafoanana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy sy ny hanafoanana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.Ny fanambaran’ny Filankevi-panjakana fa tsy mahefa hitsara ny raharaha amin’izay io fitoriana izay no tsy nampoizina. Efa nisy ny ady toy izao tany amin’ny taona 2008. Angamba, mety ho diso fitadidy ireo mpitsara. Nisy didim-panjakana navoakan’ny Filankevi-panjakana tamin’izany. Amin’ny maha didy fakan-tahaka azy fotsiny, mahamenatra ny nambaran’ny fitsarana ho tsy mahefa ny raharaha. “Mahamenatra izany fa tsy maninona: izay ny rafitra sy ny lalàna, hajaina ny lalàna”, hoy izy.Tsy ny voka-pifidiana no zava-dehibeRehefa mifidy ny olona, tsy ny voka-pifidianana no zava-dehibe fa ny fahazoana maneho hevitra amin’ny latsa-bato. Izay famoahana ny safidy avy amin’ny tsirairay izay no manambara fa tany tan-dalàna sy fanajana ny demokrasia, manoloana ny filazana fa tsy hanova ny voka-pifidianana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io.Nilaza ny mbola hivory sy handinika tsara ny KMF/Cnoe na hanara-maso na tsia ny fifidianana. Tsy azo entina amin’ny hafanampo sy ny hataitairana ny raharaham-pirenena.R.Nd.L’article Fametrahana ny tany tan-dalàna: malahelo sy menatra amin’ny ataon’ny fitsarana ny KMF/Cnoe a été récupéré chez Newsmada.

Fanamby amin’ny fitantanana :: Hanova an’Antananarivo ao anatin’ ny enim-bolana ny Ben’ny tanàna
28/09/2020

Nafana ny tafatafa nifanaovan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina, niaraka tamin’ireo mpanao gazety tetsy amin’ny Studio an’ny vondrona fahitalavitra RTA tetsy Ankorondrano, omaly. Fotoana nanamafisan’ny Ben’ny tanàna ny fahasahiana hitondra ny fanovana mendrika ny renivohitra ary nanaovany fanamby amin’ny fahatsapana ny fiovana ao anatin’ny enimbolana monja. Naverimberiny matetika ny fifotoran’ny baiko sy ny asa aman-draharaha hataon’ ny ekipany araka izay fampanantenana nataony tamin’ ny mponin’Antananarivo renivohitra amin’ny alalan’ilay fandaharanasa « veliranon’ Iarivo ». Tsy hanavaka amin’ny fampiharana ny fitsipika sy ny lalàna ho famerenana ny hasin’Antananarivo ny lehilahy. « Tsy maintsy manaraka fitsipika isika rehetra. Tsy tokony hoentina eto andrenivohitra intsony ny fomba fiainana avy any ambanivohitra. Izay tsy afaka hanaraka ny satan’ Antananarivo renivohitra dia tsofina rano hitady tanàna hafa honenana », hoy mihitsy ny Ben’ny tanàna.  Isan’ny fepetra hihatra tsikelikely eto Antananarivo renivohitra ny andalana rehetra ao amin’ilay boky kely mirakitra ny fikoloampahasalamana sy filaminana, na eo aza ny resabe sy fanabarabarana miely any amin’ ny tambazotran-tserasera. Zon’ny mponina tsy ankanavaka ny mitaraina noho ny loto sy ny fikorontanana eny amin’ny fiaraha-monina eto an-drenivohitra. « Tanjona ny fametrahana ny fifanajana eny amin’ny fiaraha-monina. Tsy ny lamandy no hampidi-bola ho an’ny kaominina. Betsaka ireo mbola tsy mahalala an’ireo fitsipika ireo, ka hisy ny fanentanana hatao », araka ny fanamafisana nataon’i Naina Andriantsitohaina. Na eo aza ny fanenjehana an’ireo mpandoto sy mpanakorontana dia tsy latsa-danja ny fepetra fanatsarana ombam-panorenana an’ireo fotodrafitrasa sosialy izay mifaningotra amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro. Tsy mandeha ila Nosinganin’ny Ben’ny tanàna ny fanamboarana toeram-pivoahana vaovao sy ny fametrahana dabam-pako maro. An-dalana ireo asa ireo, araka ny fampahafantarana nataony tetsy amin’ny Studio an’ny RTA, omaly. Isan’izany ny fananganana trano fonenana ho an’ireo sahirana, ny fividianana fitaovana hiasan’ny kaominina amin’ny fanamboarana lalana, ny fanamboarana tsena, ny fanorenana toerana fialam-boly hanatsarana ny endrik’Iarivo sy ny hafa… « Efa mandeha avokoa ny antso tolo-bidy momba an’ireo, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Na izany aza, hoy i Naina Andriantsitohaina, dia hiezaka hatrany ny kaominina hampitombo ny fidirambolany ». Nahazo fampitandremana manokana , tetsy andaniny, ireo mpihoa-pefy amin’ireo mpiara-miasa aminy, indrindra fa ireo mpanao kolikoly. L’article Fanamby amin’ny fitantanana :: Hanova an’Antananarivo ao anatin’ ny enim-bolana ny Ben’ny tanàna est apparu en premier sur AoRaha.

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA
23/09/2020

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 27.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 27.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon le bilan quotidien de la porte parole du CCO, Pr Vololontiana sur la situation du Covid-19 à Madagascar, 28 nouvelles contaminations sur 417 tests effectués ont été enregistrées ces dernières 24h. Ces nouveaux cas sont éparpillés dans la région de Sava avec 15 cas, Vakinankaratra avec 6 cas, Analamanga avec 4 cas, Analanjirofo avec 1 cas, Matsiatra Ambony avec 1 cas et Vatovavy Fitovinany avec 1 cas. Par contre aucune guerison n’a été signalée ces dernières 24h, le nombre de guérisons reste donc à 14 922. Cependant, 1132 personnes suivent encore des traitements dont 17 présentent des formes graves. Le nombre total de décès reste également à 229 puisqu’aucun décès n’a été rapporté. Jusqu’à ce jour, Madagascar compte 16 285 cas confirmés.L’article Covid-19: Situation du 27.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra
24/09/2020

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Fandaminana sy fanadiovana: novahan’ny CUA ny olan’ny fitohanana sy ny fako eny Mahazo
26/09/2020

Mitohy ny asa fanatsarana sy fanadiovana ny Tanàna, tanterahin’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Namaha ny olana eny amin’iny faritr’i Mahazo sy ny manodidina iny ny eo anivon’ny CUA, omaly. Anisan’ny mampitaraina ny rehetra ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny fako eny an-toerana. Faritra ifandraisan’ny CUA sy ny kaominina Ambohimangakely ka nametrahan’ny roa tonta fiaraha-miasa ny fijerena ifotony ny zava-misy. Manoloana izany, nanomboka omaly avy hatrany ny fanadiovana ny toerana sy ny nametrahana ireo dabam-pako vaovao miisa roa. Nakisaka koa ny toerana fandraisan’ny mpandeha ny taxi-be mba hampalalaka ny toerana.Nilamina ireo mpivarotra teny MahazoNisy ny fanentanana sy fandresena lahatra ireo mpivarotra hanaja ny fandaminana ka nilamina izany.Tsiahivina fa niara-niasa nanatanteraka izany fandraisana andraikitra izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Ny avy amin’ny distrika sy ireo tompon’andraikitra rehetra. “Ahafahantsika mitondra fampandrosoana ny Tanànantsika ny fiaraha-mientana tahaka izao”, hoy ny hafatry ny ben’ny Tanàna.Araka izany, mitohy hatrany ny ezaka fandaminana, fanatsarana sy fandrindrana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.Synèse R.  L’article Fandaminana sy fanadiovana: novahan’ny CUA ny olan’ny fitohanana sy ny fako eny Mahazo a été récupéré chez Newsmada.

Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis
24/09/2020

Izay vao tena fantatra fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ankoatra izay, tsy manantena vokatra loatra amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tenany.Novakin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ampahibemaso tao amin’ny tambanjotran-tserasera fa misy ny tsy fifankahazoana eo aminy sy ny mpikambana sasany ao amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Notsindriny mihitsy fa olona telo ihany amin’ireo folo mandrafitra ny mpikambana eo anivon’ny komity mpantanteraka no tena tsy mitovy fomba fijery aminy, amin’izany.Raha tsiahivina, tsy vao izao akory no nisy ity tsy fifankahazoana eo amin’i Nicolas Dupuis ity sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa efa hatry ny ela. Anisan’ny nampifanolana azy voalohany ny resaka vola azon’ny Barea, tamin’ny “Can 2019”. Teo ihany koa ny resaka fanamiana hanaovan’ny ekipam-pirenena Malagasy. Ary ny farany teo, ny lalao firahalahiana, hanomanana ny fihaonana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2022”. Misisika mafy ny hanaovana fihaonana firahalahiana amin’ny Swift Hesperange, ekipa D1 any Luxembourg, mantsy ingahy mpanazatra raha tsy manaiky izany kosa ireo mpikambana sasany ao amin’ny federasiona.Vokany, nilefitra ihany i Nicolas Dupuis ka nanaiky fa ny Etalons-n’i Borkina Faso no hihaonana amin’izay fanomanantena izay. Tsy nijanona teo ny olana fa vao mainka nampisy disadisa indray ny famoahana ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny Barea. Ny tale teknika nasionaly sy ireo mpikambana eo anivon’ny FMF mantsy no nampahafantatra izany tamin’ny mpanao gazety fa tsy i Nicolas Dupuis. Ankoatra izay, tsy manantena fandresena amin’ny Elefantan’i Cote d’Ivoire i Nicolas Dupuis fa miantehitra amin’ny lalao hikatrohana amin’i Etiopia ny hamaritana ny ho lalan’ny Barea.Mikasika ny lalao firahalahiana, eo am-panaovana fangatahana amin’i Maraoka ny federasiona ankehitriny amin’ny hamindrana ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Etalons. Efa nofoanana ilay any Portugal noho ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina Covid-19. TompondakaL’article Kitra: miaiky ny fisian’ny disadisa eo aminy sy ny FMF i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

« Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ».
28/09/2020

MITOHY NY ADY AMIN’NY « COVID-19 » : « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ».   Androany maraina dia tonga nanolotra fanampiana hanatsaràna ny ady amin’ny « Covid-19 » ny avy eo anivon’ny « Groupe FILATEX ». « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa no natolotr’izy ireo ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsara ny manamarika fa mahatratra hatrany amin’ny 12 litatra ka hatramin’ny 15 litatra isa-minitra ny fatra-na « oxygène » azo amin’ny fampiasana ireo « masque » ireo izay manampy betsaka tokoa amin’ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana ireo mararin’ny « COVID-19 » maneho fahaseporana na tranga misy fahasarotana. Andriamatoa Minisitra no nandray tamin’ny fomba ôfisialy ireo tolo-tanana ireo ary nisaotra sy nankasitraka ny « Groupe FILATEX » izy amin’izao ezaka lehibe fanampiana ny mpiray tanindrazana izao. Na dia hita ary fa mihatsara ny vokatra ho antsika eto Madagasikara, dia manentana antsika hatrany izy hitandro mandrakariva ireo fihetsika sy fepetra napetraka rehetra hanakanana ny fihanaky ny valanaretina. Mihezaka hatrany ny fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ahafahana mandresy ity areti-mandoza nampitondra takaitra ny firenena maro manerana an’izao tontolo izao ity. Anisan’izany ny fiaraha-mientana amin’ireo orinasa sy sampan’asa tsy miankina eto amintsika na avy any ivelany. Nomarihany ihany koa misokatra amin’ny fiarahamiasa ankolafy rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao ady ataontsika handresena ny « Covid-19 » izao. Vonona ny mpiasan’ny Fahasalamana ary tsy andraraka ilo mby an-doha araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra hatrany. Fanadihadiana : SCM/MSANP L’article « Masque oxygène à haute concentration » 500 isa avy amin’ny « Groupe FILATEX ». a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be
28/09/2020

L’article Pilo kely #4513 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Fanabeazana eto an-drenivohitra :: Hivoaka, amin’ny faran’ny herinandro, ny voka-panadinana BEPC
29/09/2020

Vinavinaina hivoaka, amin’ny faran’ity herinandro ity, ny voka-panadinana BEPC eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Antananarivo renivohitra. Mampiditra ny naoty ao anaty solosaina ireo mpikirakira, amin’izao fotoana izao. Manodidina ny dimanjato ny isan’ireo mpampianatra mikarakara ny fandrafetana an’ireo naoty ireo. « Tamin’ny sabotsy lasa teo no nifarana ny fitsarana. Efa eny Antanimbarinandriana avokoa ny taratasim-panadinana. Maharitra efatra andro fara-fahaelany ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina. Tombanana, fara-fahatarany any amin’ny alahady, ny fivoahan’ny voka-panadinana eto an-drenivohitra », hoy Ramananantony Lalaina, lehiben’ny Cisco Antananarivo renivohitra. Efa misy ireo faritra namoaka ny voka-panadinana BEPC, toy ny any Iakora, Faratsiho, Ambatolampy, Antsalova, Soalala, Midongy Atsimo, Ikalamavony, Besalampy, Antanifotsy, Mandoto, Befotaka, Morafenobe, Benenitra, Sakaraha ary Antanambao Manampotsy. L’article Fanabeazana eto an-drenivohitra :: Hivoaka, amin’ny faran’ny herinandro, ny voka-panadinana BEPC est apparu en premier sur AoRaha.

Fiarakodia: mandeha gazoala ny 75,1 %, efa niasa na vaovao
29/09/2020

Mitombo hatrany ny varotra fiarakodia efa niasa avy any ivelany ampidirina eto Madagasikara, nanomboka ny taona 2016 hatramin’izao, araka ny tarehimarika nomen’ny Instat. 51,4 % ny fiara fampiasan’olon-tokana , 21,7 % ny ho an’ny fitaterana iombonana. Eto Antananarivo sy ny manodidina ny ahitana betsaka ireo karazana fiara ireo miampy ny moto. Karazana Mercedes (Sprinter) sy Hyundai no betsaka indrindra, be mpividy.  Mercedes Sprinter ho an’ny fitateram-bahoaka, izay hita ny fitombony eto an-dRenivohitra sy misahana ny fitaterana amin’ny zotra nasionaly. Raha amin’ny fiara vaovao indray, ny Toyota no mitana ny laharana voalohany.Mandeha gazoala ny maro anisa indrindra, fiara efa niasa na vaovao, 75,1 %. Raha oharina ny tany amin’ny taona 2010, betsaka ampidirina eto ny fiara efa niasa latsaky ny dimy taona, 26 % ; nihena betsaka kosa ireo 10 na 15 taona, saingy mbola maro anisa ny miasa eo amin’ny fitaterana.Fehiny: endriky ny toekarena tsy mihodina ny varotra fiara efa niasa. Singa iray mandoto ny tontolo iainana ny fahamaroan’ny fiara mandeha amin’ny gazoala, ary tsy maharaka ny fahamaroan’izy ireo ny lalana eto Antananarivo, antony iray mampitohana ny fifamoivoizana. R.MathieuL’article Fiarakodia: mandeha gazoala ny 75,1 %, efa niasa na vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika
24/09/2020

Natao, omaly tetsy Tsaralalana, trano fiasan’ny Madagascar Entreprise Développement (MED), ny fanolorana ny tohana ara-bola ho an’ireo mpandraharaha madinika 100 voafantina tamin’ny tetikasa “Atrika” nokarakarain’ny vondrona MED. 50 000 000 Ar izany tohana izany izay natao indrindra hanohanana ireo mpandraharaha madinika mpikambana ao amin’ny MED, noho ny fahavoazana vokatry ny valanaretina Covid-19. Efa nahazo fiofanana tao amin’ny MED izy ireo. 1 900 ireo nametraka antontan-taratasy tamin’ity tetikasa ity fa ireo 100 ireo no voafantina taorian’ny sivana natao ny 7 sy ny 8 septambra teo. Nisy ny masontsivana napetraka natao laharam-pahamehana tamin’ireo mpifaninana: vehivavy mpikambana ao amin’ny vondrona, olona manana fahasembanana ary mivelona amin’ny sehatrasa tena manakaiky vahoaka.Marihina fa ny IECD (Institut européen de coopération et de développement) no mpamatsy vola tamin’izao tetikasa “Atrika” izao. Miasa amina firenena 15 izy io ka anisany i Madagasikara izay sahanin’ny MED. Mpikambana efa anjatony, amin’izao fotoana izao, ny avondron’ny MED izay efa nanaraka fiofanana tao aminy amina sehatrasa fito, toy ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, ny asa tanana, ny varotra, ny indostria, ny fizahantany…Andry F.L’article Tetikasa Atrika: tohana ho an’ny mpandraharaha madinika a été récupéré chez Newsmada.