Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or

News - Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or

News - Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or

Une forte délégation conduite par le ministre des Mines et des Ressources Stratégiques, Fidiniavo Ravokatra a rencontré les différents acteurs opérant dans le secteur minier et aurifère et les membres de la société civile dans les régions de SAVA et DIANA. 

A cette occasion, les exploitants aurifères opérant dans les carrières de Betsiaka Ambilobe réclament à l’Etat la mise en place d’un prix de référence de l’or. En effet, « les collecteurs achètent notre production à bas prix. En plus, ils font une mauvaise pratique au niveau du pesage de ce métal jaune », ont-ils déploré. En revanche, d’autres exploitants aurifères souhaitent se formaliser dans leur secteur. Ils demandent ainsi à ce qu’il y ait une facilitation des procédures administratives. Les artisans lapidaires, de leur côté, ont  saisi cette opportunité pour dénoncer l’introduction des pierres synthétiques qui mine la filière pierre précieuse et pierre fine. Il faut savoir que ces deux régions ont une grande potentialité minière surtout en or. Raison pour laquelle, le ministre de tutelle a soulevé qu’il faut bien réinsérer tous les acteurs informels opérant dans ce secteur stratégique dans le circuit formel, afin d’assurer la traçabilité de la production aurifère. « Il n’est pas acceptable que des régions à forte potentialité en ressources minérales comme SAVA et DIANA soient dominées par les exploitations illicites de pierres précieuses et de l’or. En outre, la population de ces deux régions doit en bénéficier des retombées économiques positives », a-t-il enchaîné.

Services de proximité. Il est à noter que l’Etat a mis en place des services de proximité pour éviter la lourdeur administrative. En outre, « les acteurs qui travaillent dans les secteurs minier et aurifère, n’ont plus besoin de se déplacer au niveau de la direction interrégionale des Mines et des Ressources Stratégiques à Antsiranana. Les deux régions ont désormais chacune sa direction régionale chargée des Mines et des Ressources Stratégiques. Celle de la SAVA est dirigée par Tiandrazana Fortinant Issouf , tandis que celle de DIANA est maintenant  assurée par  Marinasy Edith Virginie. A part leurs désignations à ces postes, ces nouveaux directeurs sont en même temps dotés de matériels roulants », d’après toujours les explications du ministre de tutelle. Toujours dans le cadre de la mise en place de ces services de proximité, un Bureau d’Administration Minière (BAM) sera construit dans la commune de Vohémar.

Lutte contre le covid-19. Par ailleurs, la délégation conduite par le ministre Fidiniavo Ravokatra, accompagnée par le vice-Ministre chargé des Nouvelles Villes et des Logements, Angelo Zasy, a rencontré les responsables du Centre Régional de Commandement Opérationnel des deux régions concernées.  Les discussions portent sur les stratégies de lutte contre le covid-19 tout en identifiant les besoins nécessaires, étant donné que la pandémie y sévit encore. Cette délégation a également visité le bureau régional du Cadastre Minier de Madagascar à Sambava qui est transformé provisoirement en centre d’isolement des personnes infectées par le coronavirus.

Navalona R.  

L’article Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or est apparu en premier sur Midi Madagasikara.

Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or

L’article Secteur aurifère : Les exploitants réclament un prix de référence de l’or a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny

Mametraka olana sahady ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana vaovao ary milaza ny ahiahiny ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Efa nanamafy ny minisitra mpiahy fa hotazonina ny tetiandro teo aloha ka miandry ny fampiharana izy ireo.Mangataka ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, haverina amin’ny teo aloha ny tetiandrom-pampianarana. Manomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana ka mifarana ny volana jolay ary miaraka amin’izany ny fanatontosana ny fanadinam-panjakana telo sosona. Nisy ny fivoriana sy fampahafantarana izany hetaheta izany teny amin’ny tokotanin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo,omaly. Fangatahana avy amin’ny ray aman-dreny izany fa mampita fotsiny ny mpampianatra. Ireto farany rahateo mahatsapa fa tsy mifantoka intsony ny mpianatra raha vao dila ny volana jona ho an’ny ambaratonga voalohany. Tsy mandray ny fampianarana koa ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, manomboka ny volana agositra, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zone d’administration pédagogique eto Antananarivo, Njatovola.Fiombonan’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana no naseho omaly ary nandray anjara ny ray aman-dreny sy ny mpanabe. Tsy maintsy miaritra kely aloha ny mpianatra satria hiditra ny volana oktobra nefa ny volana septambra vao niala sasatra. Afaka jerena koa ny fandaminana ho an’ny fidiran’ny mpianatra kilasy famaranana satria izy ireo no tena tsy manana fotoam-pialan-tsasatra mihitsy. Hotanterahina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny dingana voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea iarahan’ny fampianarana ankapobeny sy teknika. Ny 7 oktobra hatramin’ny 10 oktobra kosa ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika fotsiny.Mety hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-dakilasy  Mahatsapa ny mpanabe fa hosahirana ny ray aman-dreny raha hanomana ny fidirana ao anatin’ny fotoana maitsoahitra raha heverina fa ny volana marsa ny fanombohana ny taom-pianarana voasoratra ao amin’ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (2017-2021). Efa nampiharina io tetim-pivoarana io ary tsapa ny lesoka indrindra ho an’ny fotoana fanombohana ny taom-pianarana. Manahy izy ireo fa vao mainka hitombo ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly raha hotohizana ny fanakisahana ny tetiandrom-pampianarana.Tsy hevitry ny ray aman-dreny ao anatin’ny Dren Analamanga irery izany fa iraisan’ny faritra maro, hoy ny mpanabe. Mangataka ny hamoahana haingana ny tetiandro izy ireo hanomanana sahady ny taom-pianarana vaovao. Vonjy A. L’article Tsy mifantoka intsony ny mpianatra: mangataka ny hamerenana ny tetiandrom-pampianara teo aloha ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be

Nanomboka, omaly 8 aogositra, ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’ireo kandidà mifaninana Rasoamaromaka Hery. “Hanohy ny fametrahana ireo kianja manara-penitra “synthétique”, any amin’ireo ligim-paritra rehetra isika. Tetikasa mifanandrify tanteraka amin’ny vinan’ny IEM satria mpanjakan’ny fanatanjahantena ny baolina kitra”, hoy izy. Nomarihiny fa mora kokoa ny miara-miasa amin’ny filoha Rajoelina noho ny fitoviam-pijery eo amin’ny roa tonta, hampiroboroboana ny fanatanjahantena, indrindra fa ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasany ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fifaninanana hahafahana mitily dieny izao ireo ho taninketsan’ny ekipam-pirenena, sokajin-taona rehetra. Tsiahivina fa anisan’ireo olona nanampy betsaka ny Barea ny tenany, na tany Egypta, nandritra ny “Can 2019”, na ireo niatrika ny “Lalaon’ny Nosy” tatsy Maorisy, na ny Barea, nanao ny fifanintsanana, tamin’ny “Chan”, nikatrohana tamin’i Mozambika.Ankoatra izany, efa nisy ireo ligim-paritra resy lahatra amin’ny fitiavany sy ny fanampiany ny baolina kitra ka nanambara ny fanohanany azy. Mbola hampahafantatra misimisy kokoa ireo teboka lehibe entiny mampandroso ny baolina kitra, mandritra ity fampielezan-kevitra ity, ny kandidà Hery Be. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana filohan’ny FMF: hanohy ny fametrahana kianja “synthétique” i Hery Be a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fivorian’ny minisitra sy ny filohan’ny oniversite: hatomboka volana marsa avokoa ny taom-pianarana  

Hatomboka amin’ny volana marsa avokoa ny taom-pianarana ho an’ny oniversite enina eto Madagasikara, araka ny tapaka tao amin’ny fivorian’ny minisitry ny Fampianarana Ambony, profesora Richard Blanche Nirina sy ny filohan’ny oniversite enina, izay fanao isan-taona. Amin’izao fotoana izao, mbola mizotra ny taom-pianarana ka misy ny oniversite hamita ny taom-pianarana amin’ny desambra, ny sasany mety hiitatra hatramin’ny taona 2020. Toromarika nomen’ny minisitra ny tokony hisantarana ny taom-pianarana amin’ny fotoana iray. Mila mitovy koa ny fitantanana ny oniversite rehetra ka hampiasa ny comptabilité analytique ny tompon’andraikitra hampirindra ny kajy, hampifanaraka ny vola misy eo an-tanana sy ny asa hotanterahina. Hisy teknisianina havanana amin’ny fitantanam-bola hiara-kiasa amin’ireo tompon’andraikitry ny minisitera misahana ny vola. Napetraka ihany koa fa 1500 ora no tokony hataon’ny mpampianatra tsirairay, arakaraka ny asany fa misy ny fandaminana azo atao.Hojerena ny fanatanterahana ny fampanantenana Voaresaka tao anatin’ny fihaonana koa ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo (Seces). An-dalana avokoa ny antontan-taratasy ilaina min’ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny praiminisitra ka hanara-maso ny fivoaran’izany ny minisitera.Ho an’ny oniversiten’i Toamasina, efa vonona hanaraka ny toromarika amin’ny fitantanana mangarahara ny tompon’andraikitra, hoy ny fanazavan’ny filohany, i Zafitody Conscient.VonjyL’article Fivorian’ny minisitra sy ny filohan’ny oniversite: hatomboka volana marsa avokoa ny taom-pianarana   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo kely #4467 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4467 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Saika haka an-keriny sefo fokontany: dahalo 3 nitondra odigasy saron’ny zandary

Dahalo telo lahy saron’ny zandary sy ny fokonolona ao Betroka tao amin’ny fokontany Maroraza, kaominina ambanivohitr’i Tsaraitso, ny zoma lasa teo. dahalo samy vao herotrerony avokoa ry zalahy ireto : i Dahaoay, Zafilahy ary Retsitohitsy samy monina ao Andriry Avaratra avokoa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Nikasa haka an-keriny (bohiry) ny sefo fokontanin’i Maroraza ry zalahy ireto kanjo tsikaritry ny fokonolona ny fihetsik’izy ireo ka niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny mpiray dinan’i Mangoky sy ny zandary ao Betroka. Nandritra ny fisavana sy ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa hay anisan’ireo jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana amin’iny faritra Betroka iny ry zalahy ireto. Notazonina vonjimaika ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Betroka izy ireo ary hatolotra ny fampanoavana avy hatrany aorian’ny famotorana.Jean ClaudeL’article Saika haka an-keriny sefo fokontany: dahalo 3 nitondra odigasy saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jejy Music: hanohana sy hampisongadina ireo manan-talenta

Nametraka tetikasa vaovao ny ivontoeram-pampianarana mozika, Jejy Music, ho fampivoarana ny tontolon’ny mozika eto Madagasikara sy ho fanohanana ary ho fampisongadinana ireo manan-talenta, araka ny valan-dresaka nifanaovan’ny mpitantana ity sekoly ity tamin’ny mpanao gazety, omaly teny Andravoahangy Ambony.Tsy misy havahany fa samy homeny tosika avokoa ireo mpiangaly mozika amin’ny karazany rehetra: klasika, jazz, bà gasy, sns. Izany dia amin’ny alalan’ny fikarakarana fampisehoana, fandrindrana ny hira, ny fikarakarana ny lafiny teknika ary amin’ny alalan’ny fanentanana ny olona mba hijery sy hankafy ny talentan’izy ireo.Rehefa misy io sehatra hanehoana talenta io, heverina fa harisika ireo tanora hanatsara hatrany ny fahaizany ka hametraka tanjona amin’izany. Ho sehatra hifanakalozana eo amin’ny samy manan-talenta ihany koa izy ity ka hampivelatra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy, amin’ny ankapobeny. Marihina fa efa voaomana ny toerana hanatanterahana ny seho: ny efitra Kintana, ao amin’ny Jejy Music etsy Andravoahangy Ambony; ny efitra Isaac Hamone Auditorium, etsy Isoraka ary toerana hafa, araka izay safidin’ilay mpandray anjara.Ankoatra ity tetikasa vaovao ity, manomana seho maromaro, handraisan’ireo mpikambana ao aminy anjara, ny Jejy Music. Hisantatra izany, ny 27 jolay izao, i Tsiky, vao 15 taona monja kanefa manan-talenta amin’ny fitendrena lokanga. Ny “Lokanga amin’ny endriny rehetra” ny lohatenin’ny fampisehoana hotanterahiny. Hanaraka azy, manomboka amin’ny volana aogositra, ireo mpitendry zavamaneno hafa, toy ny mpitendry gitara miisa 40, hiara-hiaka-tsehatra ny 31 aogositra izao. Ho fantatra amin’ny fotoana manaraka ny toerana hanatontosana izany.Landy R. L’article Jejy Music: hanohana sy hampisongadina ireo manan-talenta a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fitsaboana ny covid-19 :: Fiainana vehivavy mpitsabo iray nandritra ny efa-bolana

Iray tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana niatrika voalohany tamin’ny fahatongavan’ny valanaretina Covid-19, teto Madagasikara, ny dokotera Rakotonandrasana Brigitte Irène. Lohalaharana tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana nahetsika hitondra ny traikefany eo amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina ity mpitsabo eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fahasalaman’ny isam-pianakaviana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ity. Mitantara ny fizotran’ny fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ireo mpandeha an-jatony tamin’ireo sidina faramparany niditra teto Madagasikara, ny 17 marsa hatramin’ny 19 marsa 2020, ny dokotera Brigitte.  « Tamin’ireo daty ireo no efa nanahiako mafy hoe tsy maintsy ho tonga eto amintsika io valanaretina io satria misy ireo nody tany an-tranony ary nisy koa no nihiboka tany amin’ny trano fandraisambahiny », hoy izy. Tafiditra tao anatin’ny ekipa nivezivezy nizaha matetika ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’ireo mpandeha tonga teto Madagasikara rahateo ny tenany, taorian’ny 20 marsa 2020. Tahotra « Iray andro taorian’izany no nisian’ny olona voalohany voamarina ho nitondra ny tsimok’aretin’ny Covid-19 teto amintsika. Olona nandalo teto amiko sy narahina maso akaiky ny iray tamin’izy ireo. Io no andro nanamarika ahy indrindra satria natahotra aho. Aretina vaovao mbola tsy fantatra tsinona ny Covid-19 tamin’izany fotoana izany  », araka ny fitantaran’ity mpitsabo ity. « Tena sarotra, ny niainana ny ady tamin’ny valanaretina, tany am-piandohana, noho ny mbola fifampitadiavana tamin’ireo fitaovana fiarovantena », hoy izy. Rehefa nitsangana ny Ivon-toerana voalohany nisahana ny ady tamin’ny valanaretina Covid-19 teny amin’ny CCI Ivato, no voafantina ho isan’ireo mpitsabo nitily sy nanara-maso an’ireo olona nahiana ho mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus ny dokotera Brigitte. Tery dia tery ny fandaharam-potoanany tao anatin’ny iray andro, tamin’izany fotoana izany, satria matetika izy no miala maraina ao an-tokantranony ary tsy tafody raha tsy amin’ny 11 ora alina. « Henjana ny asa. Mandany ora maro ny fitadiavana ny tranon’ireo olona tokony hatao fitiliana sy arahimaso. Voatery nisintaka kely tamin’ny fianakaviako nandritra ny fotoana lavalava mihitsy aho ho fitandremana ny fahasalamanay mianakavy. Tsy afaka nitoka-monina ela anefa aho rehefa nantsoina hanohy ny asa noho ny firongatry ny valanaretina », araka ny fitantaran’ity mpitsabo ity. Niato kely Rakotonandrasana Brigitte Irène, taorian’ny fijoroan’ny Foibe fibaikoana ny ady amin’ny Covid-19 (CCO), teny Ivato. Tsy ela kosa dia niverina tamin’ny ady ity renim-pianakaviana manan-janaka mianadahy ity, satria voaantso tamin’ny fandraisana an’ireo olona marary na ireo ahiana ho mitondra ny tsimok’aretina, tetsy amin’ny  Tanàna Voara, indray ny tenany. Marary efa maty Raha ny filazany dia mifandimby miasa 24 ora amin’ny 24 ora amin’ny fandraisana marary izy ireo, ka indraindray no tsy afaka misakafo mihitsy noho ny fahamaroan’ny olona. Misy fotoana no amin’ny 2 ora maraina vao mitsahatra ny fizahana marary. « Tena nahaontsa ahy ny trangana fahafatesana iray teo aminay. Tsy nialana nenina akory ilay olona rehefa novonjen’ny havany nentina taty satria efa tsy nisy aina intsony ilay marary no nigadona teto », hoy indray ny fitantaran’ity renim-pianakaviana ity ny zava-nisy efa nandalo teo ambany masony, tao anatin’izay efa-bolana izay. Eo ny harerahana amin’ny fandraisana an-tanana an’ireo marary, fa tsy maintsy tsimbinina ihany koa ny fiarovan-tena mba tsy hifindran’ny tsimok’aretin’ny Covid-19. Misy ireo mpitsabo mitaraina noho io olana farany io. Toy izany koa ny fiaretana any amin’ny hopitaly, tahaka ny tsy fisian’ny efitra manokana fatoriana, ka indraindray no eo amin’ny toerana fandraisana olona no ilafihan-dry zareo. Nambaran’ny dokotera Brigitte fa izy ireo ihany no mitondra ny firakotra avy any an-tranony. Tsy mihinana, afatsy izay sakafo karakarainy, dokotera Brigitte ho fitandremana ny fahasalamany. Amin’ny 3 ora maraina izy no mifoha mahandro ny sakafony mialoha ny hialany ao antranony rehefa hiandry raharaha eny Andohatapenaka. Tsy mampilavo lefona an’ity mpitsabo ity sy ny ankamaroan’ireo namany misehatra amin’ny tontolon’ny fitsaboana izany rehetra izany. « Efa zatra miady amin’ny valanaretina aho, toy ny tamin’ny fiparitahan’ny kolera, ny pesta ary ny kitrotro. Isaorana an’ Andriamanitra fa mbola salama tsara aho hatramin’izao. Ady tsy maintsy atao izao ary adidy tsy maintsy hiantsorohana », hoy izy. L’article Fitsaboana ny covid-19 :: Fiainana vehivavy mpitsabo iray nandritra ny efa-bolana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra

Anisan’ireo zavakanto vahiny nofolahin’ny Malagasy hifanaraka amin’ny aingam-panahiny,ny  fomba fisainany, sns, ny teatra. Nanjary teatra klasika malagasy mihitsy aza moa ny anarany taty aoriana… Nandalo fotoan-tsarotra anefa izy io…Iray amin’ireo kolontsaina sy ny zavakanto niroborobo fatratra ny teatra, nandritra ny vanim-potoan’ny fanjanahantany teto Madagasikara ka hatraty amin’ny Repoblika voalohany. « Raha ny vaovao ofisialy, nitriatra Ambatovinaky (trano filalaovana teatra) ka izay ny antony nandrodanana azy », hoy i Mbato Ravaloson. Raha ny filazan’ny mpilalao teatra sy ireo mpitia teatra tamin’izany fotoana izany anefa, vokatry ny fahatezeran-dry zareo mpanjanaka, noho ny « Raharaha 1947 », ny anisan’ny antony nandrodanana ilay trano fanaovana teatra tetsy Ambatovinaky. « Raha ny fanadihadiana nataon’ny teo aloha sy notohizana taty aoriana, nanana ny lanjany teo amin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny fisian’ny teatra tamin’izany. Kolontsaina malagasy, hira malagasy, teny malagasy, sns, no novoizina tao, hany ka natahotra ny mpanjanaka sao sanatria hampitombo ilay fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy ny fisian’ny teatra ka naleony narodana ny taona 1953 Ambatovinaky », hoy hatrany i Mbato Ravaloson.Notsiahiviny ihany koa ny vina tany amin’ny taona 2010. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’nireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Averina ny endrika ivelan’ilay trano filalaovana teatra tetsy Ambatovinaky. Ny anatiny kosa, atao « Musée d’art ». Hatreto anefa, mijanona ho vina tokoa io fa tsy mbola nisy asa notanterahina. Efa zary toerana fanariana maloto rahateo Ambatovinaky nijerena teatra fahiny !HaRy RazafindrakotoL’article Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FLM Vangaindrano: ampidirina Cnaps ny katekista rehetra

Natao tany amin’ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Ambohijatovo Vangaindrano, ny herinandro lasa teo ny fiofanana mikasika ny fiahiana sosialy, araka ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Anisan’ny tanjona ny hampidirana ao anatin’ny CNaPS ny katekista maherin’ny 1.000 ao amin’ny fiangonana FLM synodam-paritany Atsinanana.Nampahafantarina ny mpiofana ny tombontsoa omen’ny CNaPS, toy ny fanampiana amin’ny fiterahana, ny fampiakarana ny volan-jaza ho 6.000 Ar raha 5.000 Ar teo aloha, ny vola omena raha sendra tra-doza am-perinasa, ny fisotroan-dronono, sns.Nilaza ny talen’ny Fitantantanana CNaPS, Rakotomila, fa “ilaina amin’ny fitsinjovana ny sedram-piainana samihafa ny fiahiana sosialy, toy ny fiterahana, ny marary, ny fisotroan-dronono, sns. Koa, mila an’izany koa ny mpiasam-piangonana, toy ireo katekista, ohatra”.Nentanin’ny CNaPS koa ny mpampiasa amin’ny sehatra tsy miankina, hitsinjo ny fiahiana sosialy ny mpiasa, toy ireo misehatra amin’ny fikirakirana ny letisia, ny jirofo, ny kafe, ny kakao, sns.Njaka A. L’article FLM Vangaindrano: ampidirina Cnaps ny katekista rehetra a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

CIO: hahemotra amin’ny taona 2026 ny lalao olympika ho an’ny tanora

Nanaiky ny fangatahan’i Se­negaly ny eo anivon’ny Komity iraisam-pirenena Olympika, ny amin’ny tokony hanemorana ny lalao olympika ho an’ny tanora, kasaina hatao ny 22 oktobra hatramin’ny 9 novambra 2022 any Dakar, Senegaly. Mano­loana ny fanambaran’ny filohan’ny CIO, i Thomas Bach, fa hahemotra efa-taona ity lalao ity, ka amin’ny taona 2026 ny hanatanterahana izany. Noha­mafisiny, efa nifandinihana nandritra ny fihaonan’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny CIO izao fanapahan-kevitra izao. Noho ny antony ara-pahasalamana sy ny krizy aterak’izany no tena anton’ny nangatahan’ny filoha senegaley, Macky Sall, ny fanemorana. Fanemorana ha­hafahan’ny CIO, ny Komity na­sionaly ary ny federasiona iraisam-pirenena, mampitombo ny ezaka hanomanana ity lalao olympika ho an’ny tanora ity. To­raka izany koa ny firenena senegaley, afaka manatsara ny fandraisana ny fifaninanana. Tsiahivina fa nankatoavina, omaly, ity fanemorana ny lalao olympika ho an’ny tanora ity, nifaneken’ny filohan’ny CIO, i Thomas Bach sy ny filoha senegaley, Macky Salle. Hohama­fisina, anio zoma 17 jolay, mandritra ny fivorian’ny komity iraisam-pirenena Olympika kosa izany fanapahan-kevitra izany, araka ny loharanom-baovao.Mi.RazL’article CIO: hahemotra amin’ny taona 2026 ny lalao olympika ho an’ny tanora a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina
23/09/2020

Araka ny toko faharoa miresaka momba ireo tabataba isan-karazany mety hanelingelina ny fiarahamonina ao amin’ilay “Fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana”, mila fehezina ny feo mety hanakotaba ny hafa.Ao amin’ny sokajy fahefatra, andininy faha- 79 momba ny kotaba ataon’ny biby, tsy maintsy mandray fepetra manokana rehetra hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina ny tompon’ny biby. Mila mampiasa amin’ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina sy mafy, toy ny fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala ny toeram-ponenana ny tompony. Voakasik’izany indrindra ny alika.Ao amin’ny sokajy faharoa ny momba ny fampiasana fitaovan-jaridaina maneno mafy. Ireo asa fanamboarana na ny fanaovan-jaridaina ataon’ireo olona manokana amin’ny alalan’ny zavatra na ny fitaovana mety hiteraka fanelingelenana ny manodidina noho ny hamafin’ny feo, toy ny fanapahana ahitra misy motera, ny fanapahana, ny fandavahana, ny fikikisana na ny fanapahana mekanika dia tsy azo atao afa-tsy amin’ireo andro fiasàna, amin’ny 8 ora 30 hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 1 ora 30 hatramin’ny 7 ora 30 hariva. Eo kosa ny asabotsy amin’ny 9 ora hatramin’ny 12 ora sy amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora hariva.Milaza ny andininy faha-78 fa tsy maintsy mandray ny fepetra rehetra ireo mponina amin’ny toeram-ponenana na ireo miankina aminy mba tsy ho voakorontan’ny feo avy amin’ny tranony ireo mpiara-monina manodidina, toy ny vata famoaham-peo, ny firaketam-peo, ny fitaovana fandrenesam-peo sy ny fahitalavitra, ny zavamaneno, ny fitaovana maneno, ny fitaovana an-tokantrano sy ireo feo ateraky ny fanaovana kiraro mafy faladia na fanatanterahana asa na kilalao tsy mifanaraka amin’ireo trano ireo.Tatiana AL’article Ho fitandroana ny fiarahamonina: mila fehezina ny biby tsy hanelingelina ny manodidina a été récupéré chez Newsmada.

KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby
17/09/2020

Manao sesilany ny fanomezana fampiofanana avy amin’ny Komity olympika malagasy sy ny FMHMC (Fédération Malagasy d’Haltérophilie de Musculation et de Culturisme). Hiditra an-tsehatra, manomboka anio, amin’ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, ny eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Etsy amin’ny foiben’ny Malagasy Rugby Ankorondrano ny hanaovana izany, raha ny fanazavana, raha toa ka mbola tsy fantatra kosa ny isan’ireo hiofana.Ho an’ny taranja Escrime kosa, miditra amin’ny andro fahenina ny fiofanana etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpampiofana fa tsy maintsy miatrika fanadinana ireo mpiofana ka izay afaka ihany no mahazo ny diplaoma, hozaraina amin’ny fiafaran’ny fampiofanana, amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Omaly, nanomboka niditra bebekokoa tamin’ny fampiharana ny mpiofana. Tsiahivina, 14 mianadahy ny hizarana traikefa ho mpanazatra “niveau 1” eo amin’ity taranja Escrime ity. Mi.Raz  L’article KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby a été récupéré chez Newsmada.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

«Hip Hop 4 Peace» : Anisan’ireo firenena 62 handray anjara i Madagasikara
19/09/2020

Ho fankalazana ny faha-75 taona niforonany sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana, manomana hetsika goavana antsoina hoe «Hip Hop 4 Peace» ny rantsan’ny Firenena mikambana, miara-miasa amin’ny UHHM (Universal Hip-Hop Museum).Amin’ny 21 septambra 2020, hisy seho goavana, «Hip Hop 4 Peace», hampitaina amin’ny fahitalavitry ny Firenena mikambana (United Nations Television) sy eny amin’ny tambajotran-tseraseran’ny UHHM sy ny youtube UHHM. Hetsika ahitana mpa­nankanto maneran-tany, miriaria ao amin’ny tonto­lon’ny Hip Hop. Anisany handray anjara amin’izany ny avy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ireo firenena 62 mpikambana ao amin’ny GHH Global i Ma­da­gasikara. Tsy vao sambany ny mikarakara hetsika ny GHH Madagasikara, tarihin’ i Luis Herald, fa efa nikarakara hetsika sy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Alliance française Andava­mam­ba, ny jona 2019. Amin’ity taona ity, mandray anjara amin’ny “Hip Hop4 Peace” i Madagasikara ary hisolo tena azy amin’izany ireo mpanakanto ao amin’ny tontolon’ny hip hop toa an-dry Doublenn, i MBL (Kar­naz), i Mymen Kaïd, i Ysa­ra­ya, i Adrien (mpandihy) ary i Clipse (artiste graffiti).Misehatra amin’ny maha olona “Manosika ireo tanora hiantsehatra sy handray an­draikitra eo amin’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny famoronana sy talenta, ao anatin’ny tontolo hip hop, ny GHH. Soatoavina efatra ny tena ifantohan’ireo hetsika sy asa rehetra ataony: ny Fan­­driampahalemana, ny Fi­tiavana, ny Firaisankina, ny Fialamboly. Ny fandaharanasany mahakasika sehatra maromaro toy ny fandravonana ady, fanampiana ireo mpifindra monina, ady amin’ny hanoanana ary ady amin’ny famarotana olona”, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. 62 ireo firenena mikambana ao anatin’ ny GHH ka tarihin’ireo am­basadaorony avy izany. Fa­m­pivoarana ny tontolo ivelarana sy ny fiarahamonina no anisan’ny tanjona lehibe ezahin’ny GHH tratrarina. Marihina fa “ny Hip Hop dia tsy mozika fotsiny na hetsika kolontsaina ihany fa efa mivondrona ho fianakaviambe. Mitondra ny feontsika ho ren’izao tontolo izao, amin’ ny fitenintsika, ary manamarika ny fisiantsika ao anatin’izany fianakaviamben’ny hip hop maneran-tany iza­ny”, araka ny nambaran’i Luis Herald, mpitarika ny Generation Hip Hop Ma­da­gascar.Narilala sy HaRy RazafindrakotoL’article «Hip Hop 4 Peace» : Anisan’ireo firenena 62 handray anjara i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19
17/09/2020

Manimba, mampanify ny hatevin’ny sosona ôzôna eny amin’ny habakabaka ny fiharian’ny olombelona. Nisy fihatsarany ny fihibohana vokatry ny tranga Covid-19 satria nihena ny fiparitahan’ny entona karbona manimba ny sosona ôzôna.Miaro ny haibolan-tany amin’ny hafanana avy amin’ny masoandro ny sosona ozôna.Tandindomin-doza amin’izao fotoana izao ny haibolan-tany, indrindra tato anatin’ny taonjato roa farany, ity sosona ity, satria niroborobo ny famokarana indostria, mamoaka entona karbôna (CO2), ampian’ny fitrandrahana ny zavamaniry ka mampanify ny hateviny ary mampiakatra ny maripana eto an-tany.Nilaza ny teknisiana ao amin’ny Birao nasionaly ny Ozôna (BNO), i Nandrasana Mamy, fa miverina tsikelikely, mihatsara ny sosona ôzôna eto amintsika amin’izao vanim-potoana hisian’ny tranga Covid-19 izao. Antony, nihena ny famokarana indostrialy sy ny fifamoivoizana satria maro ny fiara tsy nivezivezy ka nihena koa ny fampiasana solika, mamoaka etona karbona. Nihena koa ny doro tanety nandritra izay fihibohana izay.Omaly 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna, napetraky ny firenena Mikambana. Lohahevitra noraisina ny hoe : “Ozôna ho an’ny fiainana”. Nampiavaka ity fotoana ity koa ny faha-35 taona ny nankalazana ny Andron’ny ozôna.Foanana ny fampiasana ny HCFCManampy izany, mitohy ny fanafoanana tsikelikely ny fampiasana ny fitaovana na kojakoja  ahitana ny etona HCFC (Hydrochlorofluorocarbures). Etona anisan’ny manimba ny sosona ozôna koa ity. Nanomboka ny taona 2010 ny ezaka nanafoanana ny fampiasana azy tsikelikely. Efa Manodidina ny 35% ny taha tsy ahitana azy amin’izao fotoana izao ka tanjona ho 65% amin’ny taona 2025. Nanolotra fitaovana “climatiseur” miisa 38 ny Sampana firenena Mikambana hampandrosoana ny indostria (Onudi), omaly, miaraka amin’ny kojakoja mandeha amin’ny etona R290. Mitsitsy angovo ireo fitaovana ireo, mihena hatrany amin’ny 20%. Haparitaka eto Analamanga sy Vakinankaratra izy ireo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fidy de l’Anôsy – Afro beat: “Manana ny hoaviny mamiratra i Karinah”
22/09/2020

Karinah, mpanakanto andriambavilanitra nisafidy ny fivoizana ny « Afro beat ». Nomarihin’i Fidy de l’Anôsy, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny tranom-pamokarana « Fido prod », mandray an-tanana ny famolavolana an’i Karinah eo amin’ny lafiny mozika fa “mpanakanto manana ny hoaviny mamiratra i Karinah. Manaporofo izany ny fankafizan’ireo liankanto sahady ireo vazony. Ampahany amin’ireny ny « Engagé » sy ny « Tompony Zah ». Ity farany izay efa tsy afaka am-bavan’ireo mpankafy, tsy eto Iarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra manerana ny Nosy”. Raha ny fanazavany hatrany, fa tombony ho an’i Karinah ny fahafahany milalao ny feo ambany sy manakatra ny avo. Tsy mionona hatreo amin’ny famolahana ny « Afro beat » fa miezaka mivelatra amina gadona hafa toy ny « slow », “reggae », « sega ». Tsy mitsaha-mikaroka amin’ny fampiarahana ny gadon-kira malagasy sy vahiny hanjary mozika vaovao ihany koa.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tao anatin’ny fihibohana no namokaran’ny « Fido prod » ireo vazon’i Karinah sy nanatontosana ary nanapariahana ireo rindran-tsariny. Nampanantena ny hanajary hira sahaza ny fetin’ny faran’ny taona i Karinah ho fanomezana fahafaham-po ireo mpiondana mozika mihetsika sy mafana. Tsy ho diso ihany koa anefa ireo mankafy ny mozika milamina.Nanangona: HaRy Razafindrakoto L’article Fidy de l’Anôsy – Afro beat: “Manana ny hoaviny mamiratra i Karinah” a été récupéré chez Newsmada.

JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa
20/09/2020

Fanatsarana ny fomba fandoavana faktiora. Nanavao ny fiarahamiasany indray ny Jirama sy ny Orange Money. Tontosa ny 18 septambra 2020 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Andriamanga Vonjy sy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Orange Money, Degland Michel.  Entina hanampiana ireo “antokon-draharaha ara-barotra” sy ireo toerana fandoavam-bola an’ny Jirama ity fiarahamiasa vaovao ity mba hanamorana ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa ao amin’ny Jirama. Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nanampy ireo mpanjifa tamin’ny fomba tsotra sy haingana ary tsy andoavam-bola sy tsy mila mivezivezy ny fandoavana ny faktiora tamin’ny alalan’ny Orange Money. Fomba iray ialana amin’ny filaharana elabe ity tolotra ity. Raha toa ka tsy manana kaonty amin’ny Orange Money ireo mpanjifa dia azo atao ny manefa izany eny amin’ny “Cash Point Orange Money”. Ankoatr’izany, azo atao amin’ny alalan’ny Orange Money na eny amin’ny botika Orange ny fividianana fahana ho an’ireo manana kaontera “prépayé”. Vokatr’ity fiarahamiasa ity, afaka manaramaso ny faktiora nandoavam-bola ireo mpanjifa ary mamoaka izany amin’ny taratasy rehefa avy mitsidika ny tranokalan’ny Orange Money Madagascar. Nirina R. Cet article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa a été récupéré chez Délire Madagascar.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.

Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona”
21/09/2020

“Tokony hojerena ny And. 81 sy ny manaraka izany ao amin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona. Feno ny fepetra takin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna hahazoana miroso amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra.” hoy ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza. Tsara marihina koa fa nahavita fifidianana ny fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona sy tapany. Teo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolatsain’ny Tanàna, natambatra.Iaraha-mahita koa fa tratran’ny fahamehana ara-pahasalamana noho ny fihanaky Covid-19 isika, nanomboka ny ny volana marsa ka hatramin’izao. Tsy misy azo natao.Tapitra fe-potoam-piasana ny loholonaNa tiana na tsia, tsy maintsy tapitra amin’ny voalohandohan’ny taona 2021 ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Tsy azo ihodivirana izany ka irosoana ny fifidianana. Misy koa ny andininy mamaritra ao amin’ny lalàmpanorenana fa hatreo amin’ny 30 novambra no farany azo anaovana fifidianana fa miditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana. Nefa raha antony tsy azo anoarana, azo atao ihany ny manatanteraka fifidianana.Tamin’ny taona 2015, toy izao ihany ny fifidianana loholona: ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna no nifidy, na mbola tsy feno aza ny rafitra voalazan’ny lalàmpanorenana. Mandroso tsikelikely ny fametrahana izany rafitra izany…Mamaritra ny fahazoana manatanteraka ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra izany. Na araka ny And. 81 sy ny manaraka azy ao amin’ny lalàmpanorenana, na ny voalazan’ny lalàna fehizoro momba ny Antenimierandoholona. Eo koa ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lalàna rehetra mifandraika amin’izany ary ny didim-panjakana fihaikana mpifidy vaventy, araka ny fanazavany.R.Nd.L’article Imbiki Herilaza : “Azo atao fa feno ny fepetra fifidianana loholona” a été récupéré chez Newsmada.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.