Savorovoro teny Ambohitrimanjaka: dimy mianadahy voasambotra, atolotra ny fampanoavana anio

News - Savorovoro teny Ambohitrimanjaka: dimy mianadahy voasambotra, atolotra ny fampanoavana anio

News - Savorovoro teny Ambohitrimanjaka: dimy mianadahy voasambotra, atolotra ny fampanoavana anio

“Fanakorontanana ny
filaminam-bahoaka”. Izay no hoe antony nisamboran’ny zandary ireo
olona dimy mianadahy, taorian’ilay savorovoro nitranga teny
Ambohitrimanjaka, ny faran’ny herinandro teo.

Efa-dahy sy vehivavy iray no
vaosambotra ny zandary omaly noho ny fanakorotanana ny
filaminam-bahoaka nataon’izy ireo nandritra ny filazana
fahaverezana zazavavikely iray 12 taona  tetsy
Ambohitrimanjaka ny alahady lasa teo. “Naneli-tsaho tamin’ny
andro nikarohana ilay zaza ireo olona dimy mianadahy ireo ary
nampiteraka ny korontana teny an-toerana”, hoy ny Kaomandin’ny
Kaompania ny zandarimariam-pirenana Ambohitratrimo.  Raha
atsidika ny zava-niseho dia nambaran’ireo olona dimy mianadahy ireo
fa ao anatin’ny trano iray tsy lavitry ny toeram-ponenany ihany no
misy ireo olona naka an-keriny ilay zazavavavy very nanomboka ny
alakamisy 3 jona lasa teo. Nidina teny ifotony noho izany ny
mpitandro filaminana ka nanao ny fisavana ny trano voatondro.
Nanampy trotraka koa ny fitakian’ny vahoaka tonga teny an-toerana
nitaky ny hisavana ny trano.  Akory anefa ny hahatairana 
fa tsy nisy na inona na inona tao amin’ireo voatondro, 
nanambara ny tompon-trano fa tsy nanafina ny zaza velively izy
ireo. Tetsy an-kilany, niantso ny ray aman-dreniny ilay zazavavy fa
very teny Analakely ka nangataka ny hakana azy. “Vao teo
am-pitomaniana  izahay no niantso tampoka nilay zanakay fa
very” hoy ny rainy. Taorian’io, noraisin’ny manam-pahefana ny
raharaha ka nandritra ny fanadihadiana no naha voasambotra ireo
dimy mianadahy voalaza fa nanakorotana filaminam-bahoaka ireo.
Hiakatra fampanoavana tsy ho ela kosa ny raharaha araky  ny
loharanom-baovao hatrany.

Nifampitory ny very
zanaka sy ny voaroiroy…

Taorian’ny nahitana ilay zaza very
ny alahady lasa teo, mitohy ny tsy fifankazahoana eo amin’ny ray
aman-dreny ny zaza sy ireo olona voatondro ho nanafina ny zaza.
“Samy nametraka fitoriana avokoa ny roa tonta amin’izao fotoana
ka tsy maintsy jerena tsirairay avy izany”, hoy ny 
Kaomandin’ny Kaompania ny zandarimariam-pirenana Ambohitratrimo.
Notsiahivin’ ny mpitandro filaminana fa ilaina hatrany ny
manamarina ny zavatra tenenina sy hahely mba tsy hisian’ny
fanakorotanana filaminam-bahoaka tahaka iny niseho teny
Ambohitrimanjaka iny.

Tsiferana
Randriatiana

Article tiré de Newsmada

L’article Savorovoro teny Ambohitrimanjaka: dimy mianadahy voasambotra, atolotra ny fampanoavana anio a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 10/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Amboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona 2 maty voatifitra, am-polony hafa naratra mafy

Nisehoana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Tsivory, ao anatin’ny Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, afak’omaly naraim-be tokony ho tamin’ny efatra ora, tao amin’ny fokontany Fandranarivo, ka fokonolona roa no namoy ny ainy ary am-polony kosa ireo naratra mafy voatifitra. Ity tanàna voatafika ity, dia miala 8 km andrefan’i Tsivory renivohitry ny kaominina, izay manaraka ny lalam-paritany (RIP 117) mihazo an’i Marotsiraka mivoaka amin’ny RN 13 ao Andalatanosy. Noho ny faharatsian-dalana misy, eo ihany koa ny fahalaviran’ny tobin’ny mpitandro filaminana ary ny tsy fisian’ny tambajotram-pifandraisana mampijaly ny vahoaka, dia miliba ireo dahalo tsy niova fo antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : kotro izay tsy matahotra fanjakana intsony. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia nanodidina ny 80 isa eo ireto andian-dahalo nanafika izay nitam-piadiana avokoa izy ireo. Eric ManitrisaL’article Amboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona 2 maty voatifitra, am-polony hafa naratra mafy a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

HCC Ambohidahy: nanao fanambaram-pananana ireo loholona miisa 18

Mba tsy ho fisehosehoana ivelany fotsiny ihany. Nanatanteraka ny fanambaram-pananana teny amin’ny HCC Ambohidahy, omaly, ireo loholona miisa 18 eo anivon’ny Antenimierandoholona. Nitarika izany ny filoha Razafimahefa Herimanana sy ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra.Anisan’ny adidy sy andraikitra lehibe tokony hotanterahin’ireo olom-boafidy eto amin’ny firenena izany, araka ny nambaran’ny avy ao anivon’ny HCC.“Adidy masina ho an’ny olom-boafidy eto amin’ny firenena ny fanambaram-pananana, ary koa ho modely ho an’ny rehetra ny antony nanatanterahana izany. Tsy tara akory ny fotoana nanaovan’izy ireo izany fa manana fahalalahana tanteraka ireo olom-boafidy amin’ny fe-potoana hanatanterahana izany”, hoy ny filoha lefitra ho an’ny faritra atsimo, Rabemananjara Nicolas. Nanteriny fa hany afaka manapaka na tara na tsia ny fanatanterahana izany ny etsy Ambohidahy.Tokony hanao izany koa rehefa miala…Tsy misy zavatra afenina ny fananana ananan’ireo loholona rehetra ary azon’ny eo anivon’ny HCC ny manamarina izany, araka ny nambarany hatrany.Na izany aza, tsy mbola nisy teto amin’ny firenena ka mba nanao fanambaram-pananana koa rehefa niala sy nandao ny toerana iray. Lasa ary tsy hita intsony ka tsy fantatra intsony ny fananany taorian’ny andraikitra noraisiny. “… Mba madio koa mivoaka eo!”Synèse R.L’article HCC Ambohidahy: nanao fanambaram-pananana ireo loholona miisa 18 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita

Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Service central des enquêtes spécialisées (SCES), ny alakamisy teo teny Andraisoro ireo roa vavy voarohirohy amin’ny fanondranana vehivavy mihazo an’i Arabia Saodita…Na efa norarana aza, mbola mahita hirika ihany! Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisy fa misy vehivavy mpanangona olona halefa any Arabia Saodita eny amin’iny faritra Andraisoro iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy raha vantany vao nandre ny fisian’ireo manangona tovovavy ireo. Voamarina tokoa ny fisian’izany toerana fanangonana olona izany eny Andraisoro. Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, tamin’io alakamisy io, nanao fisavana ilay trano fanangonana olona ny polisy ka vehivavy miisa dimy no tratra tao. Nambaran’ny polisy fa ny iray amin’izy ireo no fantatra fa mpikarakara ny taratasy handehanan’izy ireo. Avy any amin’ny faritra Vohémar sy Andapa ary Sambava no fiavian’ireo tovovavy ireo ary efa herinandro izay no nahatongavany teto Antananarivo. Fantatra nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ireo fa vola 6 hetsy Ar isan’olona no alain’ireo olon-dratsy amin’ireto vehivavy ireto vao tonga eto Antananarivo izy ireo. Vehivavy iray mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo ihany koa voasambotra tamin’io fotoana io noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ity raharaha fanondranana olona ity. Nanamafy  hatrany ny polisy fa mbola misy naman’izy ireo karohina amin’izao fotoana izao.Jean ClaudeL’article Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rugby vehivavy: tafiditra ao anaty «Top 50 mondial» ny Makis

Namoaka ny filaharan’ireo firenena tsirairay avy, rugby vehivavy, ny federasiona iraisam-pirenena (IRB), taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny rugby lalaovina olona 15 na ny “Africa women’s cup 2019” farany teo. Vaovao tsara ho an’i Madagasikara satria tafiditra ao anatin’ny “Top 50 mondial” ny Makis. Eo amin’ny laharana faha-41 ny misy an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Sambany ary voalohany, eo amin’ny tantaran’ny rugby vehivavy malagasy, no voalahatra ao anatin’ny laharana iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, mitana ny laharana voalohany eran-tany, ho an’ny andriambavilanitra, ny All-blacks-n’i Nouvelle-Zelande, arahin’i Three Lions-n’i Angletera ary fahatelo ny Les Bleus-n’i Frantsa.Ankoatra izay, fahadimy aty Afrika ny Makis de Madagascar, aorian’i Afrika Atsimo, tompondaka 2019, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Nouvelle-Zelande, ny taona 2021. Faharoa i Kenya, fahatelo i Namibia ary fahefatra i Zimbaboe. Azo lazaina fa nihatsara ny fampiroboroboana ny taranja baolina lavalava malagasy, amin’izao fotoana izao.Ny Makis vehivavy izay handeha hiatrika ny fifanintsanana, ho an’ny “Lalao olympika 2020”, hatao any Japon, eo amin’ny rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, hatao any Tonizia, ny volana oktobra ho avy izao.Mandra-piandry izany, tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Top 20”. Anisan’ny nisongadina ny fandresen’ny Cnaps Sport ny FTBA tamin’ny isa mavesatra, 44 no ho 24. Ankoatra izay, resin’ny Uscar (Fivondronana), tamin’ny isa 26 no ho 13, ny US Ikopa ary 41 no ho 10 ny nanilihan’ny Tam Anosibe ny VTMA Antsalovana raha ny STM (Savony), nampiondrika ny Matadorea, tamin’ny isa 27 no ho 22. Novizanin’ny 3FB (Fahasalamana), tamin’ny isa midangana, 27 no ho 6, kosa ny 3FAI. Tompondaka L’article Rugby vehivavy: tafiditra ao anaty «Top 50 mondial» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy

Nosokafana, omaly, teto amin’ny kianja Anjalay, Nosy Maorisy, ny andiany faha-10 amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny ranomasimbe Indiana. Niavaka ny fampisehoana nataon’ny Malagasy nandritra ny filatroana teo amin’ny kianja.Nitondra ny sainam-pirenena malagasy tamin’izany filaharana izany Andriantsitohaina Eric, taranja fibatana fonjamby.  Nisalotra ny fitafy malagasy tanteraka ireo atleta malagasy sy ireo delegasiona solontena an’i Madagasikara aty Maorisy, nandritra ny lanonam-panokafana. Anisan’ny nampiavaka antsika tamin’izany satria raha ny hita tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Nosy rahavavy rehetra, samy nanao ilay akanjo iraisana avokoa izy ireo. Tsy nisalotra ny fitafy mampiavaka ny fireneny tsirairay. Nampisongadina ny fampisehoana ho an’ny Malagasy ihany koa ny fidiran’ireo ankizy manan-talenta, Zaza kanto, an-tsehatra, tamin’ity lanonam-panokafana ity.Ankoatra izany, manodidina ny 190 eo ny isan’ireto delegasiona malagasy nilatro ireto, ankoatra ireo vao hanainga anio, ka mitotaly 275 raha atambatra.Fahatongavan’ny filoha Rajoelina Heni-boninahitra ihany koa i Madagasikara satria natrehan’ny filoham-pirenena Rajoelina ity lanonana, omaly ity. Nigadona tao amin’ny kianjan’ny Anjalay izy sy ny vadiny, Rajoelina Mialy, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tonga nanatrika ity fanokafana ity ihany koa, ny filoham-pirenen’ny  Nosy Comores sy ny Maorisianina mpampiantrano. Manampy  izany  ny eo anivon’ny delegasion’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihin’ny minisitra Tinoka Roberto.  Miezaka  manao ny farahery amin’ny fikarakarana ny Malagasy aty an-toerana ny tenany miaraka amin’ny Komity olympika malagasy (Com), tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny. Raha atambatara, 2000 mahery ireo mpiangaly ny taranja miisa 15 mandray anjara amin’ity lalaon’ny Nosy 2019 ity, hahitana firenena miisa 9. Eo ny Nosy Maorisy mpampiantrano, i Madagasikara, ny Nosy La Reunion, i Maldives, i Kaomoro,  i  Seychelles ary i Mayotte.Nikorontana ny fandraisan’ny Nosy Maorisy Marihina fa  nahitana fikorontanana ny teo amin’ny lafiny fandraisan’ny Nosy maorisiana ny delegasiona vahiny tonga teto an-toerana, nanomboka ny alakamisy, lasa teo . Nisy ny fahasahiranana teo amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana hiditra ny kianja, ny lafiny ara-pitaterana sy ny sakafo. Somary nanakorontana kely ihany koa ny lanonanam-panokafana, omaly, ny haratsian’ny andro, minitra vitsy tsy hanombohan’ny filatroan’ireo atleta no nijohy ny orana tao amin’ny kianja. Tsy nanakana ireo mpijery teny amin’ny toerana misy azy ireo anefa izany fa niaritra ny orambe ary nijanona teo hatramin’ny farany izy ireo. Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany koa, ny filatroana sy fandraisam-pitenena isan-tsokajiny. Nangonin’i Miarintsoa Raz (Iraka manokana aty Maurice)L’article JIOI 2019 – Fanokafana: niavaka ny filatroan’ny atleta malagasy tatsy Maorisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety 3×3 : tanora fahatelo nahavita ny “E-learning Program” i Handry

Mitombo hatrany ireo ta­nora mahazo ny mari-pankasitrahana amin’ilay “E-learning Program”. Dingana voa­lohany natrehin’ireo “Youth Leader” 21 mianadahy ity fan­daharanasa ity, ka Raza­fiminoharison Handry Ny Aina Fehizoro Abdinago, avy any Betsiboka ny tanora fahatelo nahavita izany hatramin’ny farany. Nambaran’i Handry fa tsy mora ny manao zavatra kanefa tiana ilay taranja basikety ary vao main­ka nampitombo ny fi­niavana niatrika ilay fiofanana ka izao vita soa aman-tsara izao. “Antoka hahafahana mahafantatra ny fampandrosoana ny basikety 3?3 ity fiofanana ity ka tsy kivy satria maniry ny hampivoatra izany taranja izany”, hoy ny nambaran’i Handry, tovolahy mbola tanora tokoa satria vao 21 taona monja. Raha ny fitantarany, nanomboka kilasy 1er no nilalao basikety voalohany, Razafiminoha­ri­son Handry Abdinago ary efa teny amin’ny Oniversite vao niditra klioba tao amin’ny IFPT (Tsiroanomandidy). Mbo­la maro ny dingana arahina ho an’ireo tanora isam-paritra manaraka ny programa ka efa miomana sahady i Handry, saingy miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahalasamana eto amin’ny firenena ny tohin’ny fiofanana.Mi.RazL’article Basikety 3×3 : tanora fahatelo nahavita ny “E-learning Program” i Handry a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - Ao Raha

FAHASALAMANA :: Am-polony ireo voan’ny diabeta nandritra ny fitiliana teto Antananarivo

Olona roa ambin’ny folo no fantatra fa voan’ny diabeta. Io no valin’ny fitiliana maimaim-poana notanterahina teto Antananarivo, ny alarobia lasa teo sy teny Faravohitra ary tetsy amin’ny Hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavaloa na HJRA ny sabotsy lasa teo. Tao anatin’ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta hatrany no nanaovana ity fizahana ho an’ny rehetra ity. Olona efapolo amby azo no tonga teny amin’ny foiben’ny Andia Malagasy miady amin’ny Diabeta na Amadia ka ny roa amin’izy ireo no fantatra fa voan’izany. Tamin’ny sabotsy, tonga maro be ireo olona nanao ny fitiliana satria enimpolo sy telonjato izy ireo no namaly ny antso. Olona folo no fantatra fa diabetika nandritra ny fitiliana maimaim-poana natao tamin’izany. Nisy ihany koa ireo olona efa manana ity toe-tena diabetika ity no nanararaotra ny fisian’ity fitiliana maimaim-poana ity tamin’ny sabotsy teny amin’ny HJRA. Miisa iraika amby telopolo izy ireo no fantatra fa nanatanteraka izany. Tsiahivina fa tena ilain’ny diabetika ny fanaovana fitiliana mba hahafantarana ny fivoaran’ny aretina. “ Mila manatona mpitsabo ireo olona vao fantatra fa manana ity toe-tena ity. Ilaina kosa ny manohy ny fitsaboana mahazatra ho an’ireo efa manana izany toe-tena izany”, hoy ny mpitsabo iray teny an-toerana ny sabotsy lasa teo. L’article FAHASALAMANA :: Am-polony ireo voan’ny diabeta nandritra ny fitiliana teto Antananarivo est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara

Mampikolay ny rehetra ny fitohanan’ny fiara saika amin’ireo toerana rehetra eto Antananarivo, indrindra amin’ireo lalana hivoaka any amin’ny manodidina ny tanàna. Mimenomenona ny rehetra amin’ny fahataran’ny fotoana. Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana.Anisan’ny voakasik’izany ny eny Ambohibao hatreny Ambodimita rehetra iny. Efa  mahazatra ary vao mainka mihamafy ny makeny Itaosy, hatreny 67Ha… Torak’izany ny eny Anosibe sy  Anosizato mihazo an’Ampitatafika.Antony mampamaivay ny fitohanan’ny fiara ny fanamboaran-dalana izay hanapahana ireo lalana sy ampahan-dalana maromaro. Maharitra amam-bolana maro ny fanamboarana, indrindra ny fametrahana ny sisin-dalana vaovao amin’ireo lalam-pirenena.Manakorontana fiainan’olona maro ny fitohanan’ny fiara lavareny sy maharitra. Ho an’ireo mpianatra sy mpiasa, voatery miala ora roa na telo mialohan’ny fidirana vao tonga ara-potoana any am-pianarana sy any am-piasana.Ao ireo mpianatra na mpiasa nisafidy manokana ny nitondra bisikileta hialana amin’ny fitohanana. Sady fanatanjahantena vita no tsy miaritra ny fitohanana ary afaka amin’ny fandoavana saran-dalana izy ireo amin’izany. Ny an’ny sasany mampiasa moto.Ao koa ireo misafidy ny mandeha an-tongotra, indrindra ho an’ireo mponina mipetraka akaikin’ilay lalana tapaka.Tatiana AL’article Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha teo aloha, Ravalomanana: “Aoka hajaina sy arahina ny lalàna…”

Nitondra ny heviny.  “Rehefa lalàna dia lalàna. Antony tena ilàna ny mpanohitra sy ny hampiharana ny demokrasia  izany hahafahana milaza ny marina.  Hanaja ny lalàna, hanaja ny lalàmpanorenana, hanaja ny zon’olombelona”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana  Marc.  Anisan’ireo  nasaina  tamin’ny fetim-pirenen’i Soisa natao teny Ambohibao, afakomaly ny tenany sy ny ben’ ny Tanàna,  Ravalomanana  Lalao. Ankoatra izany, nambarany fa matoky ny tenany sy ny vahoaka fa hanana ny maha izy azy ity fifidianana ben’ny Tanàna ity.Notsiahiviny avy eo ny fitsidihana  nataony tany ivelany ka nilazany fa nahita ny tena marina tany amin’ny “Vondrona eoropeanina” (UE) ny  tenany.  “Fantatro ny marina tamin’ny  fifidianana filoham-pirenena.  Tena mampalahelo sy mahamenatra ary mahatezitra. Tsy vitan’izany fa tena mahasosotra satria any ivelany indray no mahalala ny tena nisy”, hoy izy.Miantso fifampiresahana amin’ny mpitondra Tsiahivina fa efa nanambara ny fahavononany ny  sehatra iraisam-pirenena hanampy sy hanohana an’i Madagasikara, saingy nametraka fepetra, araka ny tatitra nataon-dRavalomanana, ny herinandro teo tetsy Bel’Air. « Tsy maintsy hapetraka aloha ny tena demokrasia sy ny fifampitokisana, indrindra ny fitoniana politika. Ilaina  ny mifampiresaka amin’ny filoha am-perinasa Rajoelina Andry. Miandry izany ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy  izy.Synèse R.  L’article Filoha teo aloha, Ravalomanana: “Aoka hajaina sy arahina ny lalàna…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hosodoko – Tetikasa BéAZO: vehivavy no hofanina ho mpanentana

Miala amin’ny nahazatra hatramin’izay ! Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « BéAZO » hotanterain’ny Sekolin’ny Sary, ny ady amin’ny fidonana-poana eo amin’ny ankizy sy ny tanora. Ho fampandrosoana sy fampivoarana ny tovovavy sy ny reny tanora 20 ka hatramin’ny 25 taona, monina any amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo, « hofanina ho mpanentana fampianarana sary ho an’ny ankizy 9 taona ka hatramin’ny 13 taona izy ireo », hoy i Tiana Raparivo, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Sekolin’ny sary. Nohazavainy fa mikarama ireo mpanentana amin’ny fampianarana sary ireo rehefa misy hetsika eto an-dRenivohitra. An-tsitrapo kosa ny faran’ny herinandro any amin’ny kaominina misy azy.Marihina fa hanatanteraka fampianarana sary sy hosodoko mandritra ny telo volana ity mpanabe ity ato ho ato. Aorian’izay, hiverina hanaso hosodoko hoentina hampirantiana amin’ity faran’ity taona 2019 ity.HaRy RazafindrakotoL’article Hosodoko – Tetikasa BéAZO: vehivavy no hofanina ho mpanentana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée
17/06/2021

Dans une résidence neuve, fraîchement construite. Appartements Type 2 au Type 4 (avec suite parentale) À louer Vide ou Meublé Bénéficiant d’une Vue exceptionnelle sur la Campagne Avec Grand Balcon/ Terrasse/ Ascenseur/ Parking/ Groupe ÉlectrogèneCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer APPARTEMENT T2 ou T4 de standing sécurisée".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Notsongaina

Rap ara-pilazantsara: nitondra “Carpediem” i Aaron Pretra
17/06/2021

Mozika ara-pilazantsara… Namoaka ny “Carpediem” i Aaron Pretra, mpiangaly ny gadona Rap, mitory ny tenin’Andriamanitra an-kira. Vazo anisan’ny hirakitra ilay rakikira “Pandemia”, hivoaka afaka volana vitsivitsy izy ity. Notontosain’ny trano mpamokatra  ShotRec RAP Rima Art. Ezahina ny hamoaka tsirairay ireo hira hirakitra ny “album” “Pandemia” mandra-pivoakany ary mbola misy hira sivy manaraka ny “Carpediem”. Raha fintinina, aingam-panahy avy amin’ny tenin’i Jesosy hoe, “Aza manahy ny ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy azy”, izany hoe, hihaino ny androany fa tsy fantatrao izay havoakan’ny ampitso, araka ny nambaran’i Aaron Pretra.   Tanjony moa ny hitaona ny olona rehetra hanatona an’Andriamanitra ary tsy manavaka finoana ny mozika ataony. “Ohariko amin’ny voankazo fihinam-boa, na dia midoroboka be aza ny sampany sy ny raviny, rehefa tsy misy voa dia zava-poana ihany. Fiandrandrana hioty “voa” no antony hikarakarana azy mba ho tsara sy hamokatra. Matiantoka raha namboly ianao nefa nijanona teo amin’ny raviny midoroboka fotsiny, fa tsy nisy voa”, hoy izy, nanao fanoharan-teny.NarilalaL’article Rap ara-pilazantsara: nitondra “Carpediem” i Aaron Pretra a été récupéré chez Newsmada.

Alan’i Tsiazompaniry: mahasarika mpizahantany
15/06/2021

Azo isarihana mpizahantany.  Anisan’ireo ala voajanahary arovana ny ao Tsarafara, Tsiazompaniry, any amin’ny distrikan’Andramasina. Mirefy 6 000 ha izany ka ala arovana ny 1 059 ha amin’izany. Ahitana varongy mainty, voamboana, lanona, « orchidées » ary sifaka sy gidro ao, ankoatra ny farihy lehibe. “Mahatratra 100 ha no voafaritra ao anatin’ny 1059 ha, ary ao no tena misy ireo hazo, voninkazo ary biby tena arovana”, hoy ny mpitarika ny VOI Tsarafara, Rakotondramanana sy RaseliarisonMiaro sy mitantana ary manajary izany ny Vondron’olona ifotony  (VOI) Tsarafara, misy mpikambana 178 avy amin’ireo tanana : Andriankely, Anamamy, Fasanilavakanjo, Ambilanijia. Ezaka ataon’izy ireo ny fambolen-kazo sy ny aro afo. Nidina tany an-toerana ny avy amin’ny Tafomihaavo sy ny tambajotran’ny fokonolona miaro ny harena voajanahary notarihin’ny  filohany, Ramanandraibe Louis de Gonzague. Hita tamin’izany fa misy ampahan’olom-bitsy mikendry ho tompon’ny ala voajanahary arovan’ny VOI. Efa miroso amin’ny fanaovana « borne » izy ireo. Manahy ireo fokonolona fa ho tandindomin-doza ny famatsian-drano an’Antananarivo sy ny manodidina, indrindra ny lemank’i Betsimitatatra. Ho potika koa ny ala ary ho very maina ny ezaka nataon’ny VOI tao anatin’ny 20 taona. Manaitra ny tompon’andraikitra isan-tokony izy ireo noho izany hijery akaiky izao raharaha izao.Synèse R.L’article Alan’i Tsiazompaniry: mahasarika mpizahantany a été récupéré chez Newsmada.

  Faritra Anosy sy Androy: natao andrana ny kavin’omby elektronika
18/06/2021

   Nihaona tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana ny olobe ary ny mpisehatra samihafa amin’ny omby ny tale jeneralin’ny Fiompiana, ny 14 jona teo tany Taolagnaro. Noresahina ny tetikasa vaovao hamantarana ny omby sy ny fiarovana azy.Fotoana nihainoana mivantana ny hetahetan’ny mpisehatra amin’ny omby izany, sady namantarana ny tena zava-misy eny ifotony. Nohazavain’ny tale jeneraly, Andriamahatola Lezoma Tsiry, ny lalàna mikasika ny omby sy ny biby miraok’ahitra. Teo koa ny fomba vaovao hamantarana ny biby tsirairay (Lits*), hapetraka any amin’ny faritra efatra (Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe). Anisan’ny tetikasa vaovao fisandratana (NPE) ao anatin’ny drafitra fisandratana ho an’ny tapany atsimon’i Madagasikara (PEM Sud) izany.Navoitran’ireo solontenan’ny mpiompy omby any amin’ny kaominina Ankaramena sy Manambaro, anisan’ny tsenan’omby lehibe any amin’ny faritra Anosy ny sakana samihafa any an-toerana. Toy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny biby, ny tsy fahampian’ny dokotera mpitsabo biby nahazo fankatoavana, ny tsy fisian’ny toerana manokana fanaovana vaksiny, sns. Anisan’ny vahaolana nomen’ny tale jeneraly ny Mpiompy manampy amin’ny asa veterinera (MMAV). Mikasika ny bokin’omby, nampahafantarina ny kavin’omby elektronika vaovao sy ny karatra kely (puces) tsy azo atao hosoka.Niaiky i Niha Gilbert, mpiompy omby any Ankaramena, fa « namantarana ny olanay ity fihaonana ity ary hanampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny omby ny vahaolana nomena».Noraisina ny soso-kevitra samihafaNatao andrana tany amin’ny kaominina Ankaramena ny fampiasana ny famantarana ny omby tsirairay, Lits. Soso-kevitra naroson’ny ben’ny Tanàna, Rtoa Attalah Arline, ny hampihenana ny habetsahan’ny fanafody sy ny lanja ary ny haben’ny kavina ho an’ny omby tanora. Nanampy izany ny DG Andriamahatola Lezoma Tsiry mikasika sakafom-biby sy ny fanatsarana ny karazan’omby.Dingana manaraka amin’ny tetikasa Lits, ny fampiofanana ny mpisehatra rehetra sy ny fanaraha-maso ny fifindran-toeran’ny omby. Voakasik’izany ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny kaominina ary ny mpitandro filaminana. Hametraka ny kavin’omby elektronika ny veterinera raha vao tonga any an-toerana izany. Nilaza Rtoa Mounira Mayet, tale jeneralin’ny orinasa Bovima, fa “tsy manan-tsafidy isika, tsy maintsy fantarina ny mombamomba ny biby sy ny toerana niaviany tsirairay raha hivarotra sy hanondrana any ivelany. Fepetra takin’ny firenena hanondranana ny vokatra izany”.Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny minisitry ny Fambolena, Ranarivelo Lucien, nandritra ny fikaonan- doha fisandratan’ny tapany atsimon’i Madagasikara, ny 11 sy ny 12 jona, ny fanatsarana ny fiompiana omby. Ao anatin’izany ny toerana fanatavezana (Feedlot) any Anosy sy Androy, izay hiteraka asa 20.000.Njaka AndriantefiarinesyL’article   Faritra Anosy sy Androy: natao andrana ny kavin’omby elektronika a été récupéré chez Newsmada.

Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail !
16/06/2021

Changement de décor pour le Rallye ASACM devenu de plus en plus relévé avec l’arrivée de puissantes voitures. Une authentique voiture de rallye en fait puisqu’il s’agit de la 206 WRC du regretté Le Roi Lion et confiée aux mains expertes de Faniry Rasoamaromaka qui fait logiquement partie des favoris voire le favori tout court tant le jeune maitrise de mieux en mieux le sujet. Le Rallye ASACM verra Les frères Rasoamaromakavo vont prendre le devant de la scène avec de belles voitures de course. Si Faniry sera au volant de la 206 WRC, Mika sera à bord de la 208. Et avec cette fougue héritée de leur père, les deux jumeaux sont bien capables de s’imposer dans ce rallye quelque peu raccourci car il va se jouer sur 187km en deux étapes et 9 épreuves spéciales. La bataille ou plutôt la guerre se tient à Ambohimiadana et ses environs et pour la plupart sur des pistes nouvellement traçées. Si le statut de favori de Faniry qui hérite également du navigateur de son père Hery Be en l’occurrence l’expérimenté Fafah, ne se discute pas, il n’aura pas pour autant la partie facile. Dans les 39 équipages qui prendront le départ, figurent en effet des champions en puissance tels Rivo et Ando sur leur Subaru. C’est à bord d’une autre Subaru Impreza que Tahina et Ranto vont tenter de brouiller les cartes. Mathieu Andrianjafy sera aussi à bord d’une Subaru dans le but de se rappeler à nos bons souvenirs et pour peu qu’il parvient à franchir la ligne. Parmi les voitures de la classe M12, on notera aussi la présence de la Mitsubishi Lancer Evo X d’Yves de TMF Rally. Un club qui n’entend pas céder pour marquer de ses empreintes cette reprise du rallye à Madagascar. Mais dans la liste des vainqueurs potentiels, on se gardera de sous-estimer Olivier sur une C2 de compétition. Parmi les surprises du chef, on citera la Land Rover Defender d’Anjabob chez les T2. Pour couronner le tout, il y aura deux Polaris RZR dans un lot assez composé mais marqué par la seule catégorie en R5 de Mika Rasoamaromaka. Clément RABARY L’article Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rallye ASACM : Faniry Rasoamaromaka en épouvantail ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo
19/06/2021

Noraisina vonjimaika. Ni­dina teny amin’ny kianjan’ny seminera zandriny eny Am­bo­hipo, ny arsevekan’Antanana­rivo, ny Mgr Razanakolona Odon sy ny filohan’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny seminera zandriny, Andriama­nanoro Augustin, afakomaly. Nijery ifotony ny fahavitan’ ny “Tribune” ho an’izao jobily izao izy ireo. Efa mamaramparana ny asa amin’ny fanaovana izany fotodrafitrasa izany ny orinasa nisahana ny fanamboarana azy. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny tetika­san’ny filoham-pirenena ta­min’izany fa niainga tamin’ny hetahetan’ireo seminarista zandriny izao fananganana ny sehatra eo amin’ny kianja izao.Mbola hohatsarainaNiarahana amin’ireo mpi­ara-miombona antoka rehetra izany. “Io aloha ny bainga voavadika fa mbola ho avy ny fanatsarana bebe kokoa”, hoy izy. Nanteriny fa hamaha ny olana amin’ny fahamaroan’ny oloan tonga eny an-toerana rehefa fotoan-dehibe ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao. Nanamafy izany ny Mgr Razanakolona Odon, nilaza fa ilaina ny zavatra maharitra tahaka izao. Tsy mbola hotokanana anefa izany fa iandrasana ny fotoana avy amin’ny diosezy. “Fandraisana ny asa vita ara-teknika ny natao”, hoy izy. Mbola hisy ny fanarenana ny kianja amin’ny herinandro ary hojerena koa ny hanitarana ahazoana toerana maherin’ny 100 eo amin’ny “Podium” ankoatra ny efa vita.Synèse R.L’article Tsangambaton’ny faha-100 taona: vita ny « tribune » an’ny seminera zandriny eny Ambohipo a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea
15/06/2021

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fampivondronana ny Barea de Madagascar, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny niainany ny tapany voalohany i Bapasy sy i Tsiry ary i Melvin. Nambaran’izy telo mirahalahy fa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar ao anatin’izao fanomanantena izao. Ho an’i Bapasy, matoa nantsoina dia vonona ary hiadiana ny toerana. “Nahazo tombony tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanazatra vaovao satria nisy zavatra tsy mbola hita ary nahazo traikefa hoentina any amin’ny klioba hilalaovany. Manoro ireo mpilalao efa manana traikefa toa an’i Morel”, hoy izy. Aminy, ny fiarahana tamin’i Caloin, ny asabotsy lasa teo, nambarany fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpilalao rehetra izay mila mahay ny toerana rehetra. Nahafaly ireo mpilalao zokiny ny namalian’ireo mpilalao zandriny, izay ampirisihiny fa mendrika ny hanana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena fa tsy ho variana amin’ny anarana efa mahazatra.Tsy nanafina kosa i Tsiry fa nahitany zava-baovao ny niatrehany ny fampivondronana tao amin’ny Barea. “Ilay fiarahana na “tandem”, izany no hitako tsy ampy raha iny lalao tamin’ny asabotsy iny”, hoy i Tsiry.Raha ho an’i Melvin Adrien, mpiandry tsatoby indray, nilaza ny tovolahy fa miray saina tsara izy sy i Nina ary i Mathias ary samy manana andraikitra hiaro ny voninahi-pirenena. “Fitsapana ny tamin’ny asabotsy ka miezaka maneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Toy ny fianakaviana ny Barea ka mifanoro sy mifampizara traikefa”, hoy izy. Torcelin L’article Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere”
14/06/2021

Hiova tanteraka ny tantara, indrindra ho an’ny faritra Atsimo. Nifarana ny asabotsy teo rehefa naharitra roa andro ny fikaonan-doha lehibe ifotony, hanatanterahana ny vina fampandrosoana ho an’iny faritra iny. Niatrika izany tany an-toerana ny filoha Rajoelina Andry.Tsy nahomby ny paikady rehetra natao tany aloha. Marefo ny faritra atsimon’ny Nosy ahitana an’Androy sy Anôsy nohon’ny kere, ny haintany, ny tsy fandriampahalemana, ny fitokana-monina sy ny tsy fanjariantsakafo. Nataon’ny filoha ho hamehana ny famonjena ny mponina ao amin’iny faritra iny ka antony nanaovana izao fikaonandoha izao. Tanjona ny hamaritana ireo fanamby tsy maintsy tratrarina sy ireo hetsika laharam-pahamehana isaky ny distrika mifanaraka amin’ny hetahetan’ny mponina sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana. Hametraka paikady hahafahana manetsika ny fampivoarana ara-toekarena any Atsimo izany hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra. Mifantoka amin’ny hevi-dehibe efatra ny fikaonandoha. Ahitana ny lafiny sosialy, ny fanajariana, ny fanafoanana ny kere sy ny fandriam-pahalemana. “Mila lalan-tsaina vaovao ny fomba entina manafoana ny kere  sy manarina ny fahataran’ny fampandrosoana any an-toerana”, hoy ny filoha. Nisitraka fanampiana avy any ivelany hatrany i Madagasikara ampolon-taonany hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Tetikasa mandalo sy tsy mipaka amin’ny tena vahoaka nefa ireny endrika fanampiana ireny araka ny tatitry ny zanak’Anôsy. Tsy mahomby ny paikady nampiasaina. Nanteriny fa fotoanaizao hanovana ny fomba fiasa mba hanana vokatra maharitra, mivaingana sy hita maso ary mipaka amin’ny vahoakan’Atsimo, araka ny vina vaovao entin’ny filoha. Resy lahatra ny filoha fa azo atao ny  mampandroso ny faritra Atsimo.Lalana, fambolena, asa, rano…Voalohany amin’izany ny fanajariana ny tany hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hahatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, handresena ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Paikady hanarenana ny any atsimo koa ny fametrahana ny indostria, mifampiankina amin’ny fampiroboroboana ny fambolena hahafahana manodina ny vokatra hamelomana ny vahoaka. Laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana hahafahana mampivezivezy ny vokatra sy ny olona. “Tsy maintsy hotanterahina sy hovitaina ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 (RN13), tafiditra ao anatin’ny Velirano ho an’ny faritra Atsimo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa ho fanomezana rano ho an’ny faritra atsimo.  Hofongarina ny rano ao Atsimo », hoy izy. Tetikasa goavana atolotry ny filoha ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra iny ny fametrahana ny « pipeline » hitarihana ny rano miainga ao Efaho, mandalo an’Amboasary ka tonga hatrany any Ambovombe, faritra Androy”, hoy izy. Natao hamatsiana rano fisotro madio ny am-pahany raha toa ka natao hanondrahana ny fambolena ny ampahany. Mametraka fanamby ny filoha fa volan’ny fanjakana no hanaovana izany ary finiavana politika sy fitiavana no hahafahana manova ny tantara any atsimo. Tafiditra ao anatin’ny paikady koa ny fanomezana asa ho an’ny rehetra. Haparitaka amin’ny kaominina hafa ny tetikasa fanomezana tany sy toerana hahafahan’ny fianakaviana iray mivelona amin’ny alalan’ny fiompiana sy fambolena. Nosafidina ho kaominina hampiharana ny tetikasa ny ao Ifotaka. Miisa 2 000 ireo fianakaviana hahazo sy hifampizara ny tany 200 ha. Ady gasy : “Raharahan’ny samy Malagasy”Hampiasaina ny « Système gouttes à gouttes » amin’ny fomba fambolena ao amin’io tetikasa io. Mahatratra 20 miliara Ar  ny tetibola ilain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana hanatanterahana ny tetikasa. Mazava ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa miainga amin’ny samy Malagasy ny tokony hamaritana ny zavatra ilaina isam-paritra sy isaky ny distrika, vao entina hazavaina amin’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.  « Malagasy samy Malagasy aloha », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fahavononana hanova ny tantara mba hahazoana ny vokatra maharitra, mivaingana sy mipaka any amin’ny vahoaka. Nanteriny fa hametraka tantara maharitra ho lovain’ny taranaka aman-jafy miaraka amin’ny olomboafidy, olomboatendry sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny filoha ho fanovana tanteraka any Atsimo.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere” a été récupéré chez Newsmada.

« Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana
16/06/2021

Anisan’ny niaka-tsehatra teo anivon’ny Antenimierampirenena nanao tatitra tamin’ny alalan’ny visioconference, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba. “Efa mivonona amin’ny fomba hamaliana an’i Frantsa sy ny antontan-taratasy rehetra hanoherana ny azy ireo isika », hoy izy. Anton’izany ny didim-panjakana noraisin’ny fitondrana frantsay momba ny Nosy Sambatra « Iles Glorieuses », tafiditra ao anatin’ireo Nosy manodidina fa hatao tahiry ara-boajanahary faha-170 ho azy ireo. Hanohitra sy hitsipaka marindrano izany ny fanjakana raha miainga amin’io minisitra io.Notsiahiviny fa efa nampiantsoiny teny Anosy ny ambasadaoro frantsay ny volana mey tamin’ny taona 2020 ary nilazany fa tsy hanaiky velively ny hanaovana ho faritra frantsay ara-boajanahary ireo Nosy ireo ny Malagasy. “Tena midika ho tsy fanajana ny fifampiraharahana efa an-dalana eo amin’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy manodidina izao ataon’i Frantsa izao”, hoy ihany izy. Anisan’izany ny Nosy Bedimaky (Juan de Nova), ny Nosy Ampela (Europa) ary ny Nosy Kely (Bassas da India).Fanohanan’ny Sadc an’i MadagasikaraEtsy andaniny, efa nanao fanambarana ny filankevitry ny minisitry eo anivon’ny Fiaraha-miasa ara-politika sy ny fiarovana ary ny filaminana (CMO) eo anivon’ny Sadc, ny volana jona 2020; fa manohana 100% ny fanjakana malagasy izy ireo amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo. Takin’izy ireo ny hampiharana ny fehinkevitra navoakan’ny filankevitry ny minisitra teo anivon’ny Firaisambe afrikanina (OUA) ny 20 jolay 1979 sy ny fehinkevitra navoakan’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) ny 12 desambra 1979. Voalaza ao anatin’ny fehinkevitra tamin’izany fa tafiditra ao anatin’ny faritry ny Repoblikan’i Madagasikara ireo Nosy ireo.Harena voajanahary tsy hita noanoaTsiahivina fa namoaka didy ny fanjakana frantsay ny talata 8 jona teo ary nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny tahiry ara-boanajahary “Réserves naturelles” an’i Frantsa ny Nosy Sambatra. Tsy vitan’izany fa mbola nohamafisina tao amin’ny gazetim-panjakana frantsay , ny  Journal officiel, izany didy izany ny alakamisy 10 jona.Anisan’ny mampiavaka ity Nosy Sambatra ity ny fananany karazan-javamaniry sy biby maherin’ny 2 500 ary tsy fahita manerana izao tontolo izao. Ahina sy atahorana ny 20% amin’izany.Synèse R.L’article « Raharaha Nosy Sambatra » – Iles Glorieuses: manomana ny hamaly bontana an’i Frantsa ny fanjakana a été récupéré chez Newsmada.

Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana
14/06/2021

Mijaly rano ny mponina any Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, maina ny tany, lafo ny vary, ary ratsy dia ratsy ny lalana. Ireo ny olana amin’ny ankapobeny mahazo ny mponina. Herinandro maromaro izao, tsy mahazo rano ny mponina na tsy ampy ny rano avy amin’ny Jirama. Milina mandeha amin’ny herin’ny masoandro no mampiakatra ny rano avy any ambany mankany ambony toerana. Rehefa ratsy ny andro, mihodina ihany ny milina, rehefa ratsy ny andro, tsy mandeha ny milina satria tsy misy “batterie” nanomboka ny volana marsa tamin’ity taona ity. Volan’ny CLD (Comité local de développement) anefa nividianana ny milina. Koa noho ny tsy fahampian-drano, lasa mividy rano amin’ny vovo ny olona, 400 Ar ny daba 20 l. Mavesatra ho an’ny tokantrano maro izany, satria tsy ampy iray andro mihitsy ny rano 20 l.800 Ar ny kapoakan’ny varySahirana ihany koa ny mponina amin’ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny vary, 800 Ar ny kapoaka; menaka, 8000 Ar ny litatra ; siramamy, 1100 Ar ny kapoaka. Mampihemotra ny fari-piainan’ny olona daholo ireo, tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Tsy tafita amin’ny vahoaka maro anisa ny tarehimarika navoakan’ny praiminisitra momba ny tahan’ny vidim-piainana, fa ireo PPN saika misondro-bidy isan’andro ny hitany.Olana iray goavana iainan’ny mponina hatramin’ny taona maro ny lalana RN10. 250 km avy eo Andranovory, 30 000 Ar ny saran-dalana avy any Toliara, atao iray andro amin’ny fiara lehibe mpitatitra, misy olona 80 ao anatiny miampy entana ambony sy ambany. Mihantona ny tongotra mandritra ny dia, resaka fotsiny izany elanelana sakana amin’ny valanaretina izany,  araka ny filazan’ny mponina. Tany lavitra andriana. R.MathieuL’article Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana a été récupéré chez Newsmada.

Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées)
18/06/2021

Nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana notanterahinaandroany tamin’ny alalan’ny « visioconférence » izay notarihin’nyFiloham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy. Tapaka nandritra izany, araka ny tolo-kevitry ny Minisitry nyFiarovam-pirenena, ny fanendrena ny Général de Division SAHIVELOLala Monja Delphin, ho Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) Cet article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Filan-kevitry ny minisitra: Niova ny Lehiben’ny Etamazaorin’ireo Tafika (Chef de l’État-Major des Armées) a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nécrologie du 17 juin 2021
17/06/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 17 juin 2021 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 17 juin 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kaominina manamorona ny lalamby: hamakian-dalana hifandray amin’ny lalam-pirenena faharoa
15/06/2021

Vahoaka 79.883 avy amin’ny fokontany 34 anatin’ny kaominina ambanivohitra dimy ny manamorona ny lalamby Antananarivo-Toamasina, anivon’ny disitrikan’i Brickaville, faritra Atsinanana. Nanao fitsidihana tany an-toerana, ny 9 sy 10 jona 2021, ny governora Rafidison Richard Théodore sy ireo delegasiona niaraka taminy. Fanadihadiana“Tsy tokony hisy intsony ny kaominina lavitra andriana tsy misy lalana, vesaran’ny tsy fahasalamana sy fanabeazana tsizarizary mahazo ny zanaka malagasy any ambanivohitra. Hamafisina ny fandriampahalemana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa maro. Tsy ekena hitoka-monina intsony ireo kaominina sivy “, hoy ny governora lehiben’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore.Tamin’ireo kominina dimy, sambany teo amin’ny tantaran’ny kaominina Vohipeno Razanaka, Fanasana, ary Lohariandava no mba nisy tompon’andraikitra nitsidika notronin’ny solombavambahoaka voafidy tao Brickaville, i Satra Augustin. Ho an’ny kaominina Anivorano manokana dia nasian’ny governora maso ny fanarenana ny biraon’ny paositra sy baka ho fiampitana ny reniranon’ny Rianila mihazo ny kaominina Fetraomby, Maroseranana, ary Ambohimanana. Tsy maintsy hamaky lalana hifandraisana amin’ny RN2 ny kaominina rehetra manamorona ny lalamby, hisian’ny fampandrosoana. Any Vohipeno Razanakana, 4 km hanaovana asa tanamaro hifandraisana amin’ny RN2 ; 25 km Lohariandava sy Andekaleka, ary 19 km  avy eo Andekaleka hatreo amin’ny RN2.Notolorana vary fotsy 10 gony sy voamaina  ireo mpanao asa tanamaro hamaky lalana. Na izany aza,  tohizana ny fifampiresahana amin’ny mpandraharaha ao amin’ny orinasa Madarail, hiverenan’ny fitaterana olona an-dalamby, izay heverina hatomboka amin’ny volana aogositra izao, rehefa  niato taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahafoizana ain’olona maro, ny taona 2018.FotodrafitrasaHamafisina ny fandriampahalemana any anivon’ny kaominina, hametrahana zandary. “Izany rahateo no hamakiantsika lalana hanamora ny fahatongavan’ny zandary raha sendra hitrangana asan-jiolahy, hanamora ihany koa ny famonjena aina raha misy tsy fahasalamana hanatona toeram-pitsaboana, ankoatra ny famoaham-bokatra”, hoy hatrany ny lehiben’ny faritra.Hodinihina ihany koa ny hitsinjarana ny herinaratra avy ao Lohariandava na koa ny hanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Amin’ireo kominina 18 mandrafitra ny disitrikan’ i Brickaville, sivy ihany no misitraka tambajotram-pifandraisana ka hanaovan’ ireo ben’ny Tanàna antso ho an’ny tompon’andraikitra misahana izany.Kaominina mamokatraKaominina manana vokatra isan-karazany ireo manamorona ny lalamby, ohatra, ny sakaitany, ny tamotamo, indrindra ny akondro, izay misy aman-jato taonina isan-kerinandro, araka nyVoalazan’ireo ben’ny tanàna. Any Vohipeno Razanaka manokana, iray mampiakatra vary tsy latsaky 35 t. Kaominina notoloran’ny governora masomboly 500 kg. Misedra olana amin’ny famoaham-bokatra anefa ireo kaominina ireo ka izany indrindra no tsy maintsy hanaovana lalam-baovao hahatongavan’ny fiara manangom-bokatra. L’article Kaominina manamorona ny lalamby: hamakian-dalana hifandray amin’ny lalam-pirenena faharoa a été récupéré chez Newsmada.