Saripika – Tee-ta Rakotonjanahary: “Atao izay hisongadinana amin’ny rehetra mba ho velona” 

News - Saripika – Tee-ta Rakotonjanahary: “Atao izay hisongadinana amin’ny rehetra mba ho velona” 

News - Saripika – Tee-ta Rakotonjanahary: “Atao izay hisongadinana amin’ny rehetra mba ho velona” 

Rakotonjanahary Mifaly
Tafitanirina Jeremia na fantatra amin’ny hoe Tee-ta Rakotonjanahary
– Photographer ao amin’ny tambajotran-tserasera facebook.
 Misehatra amin’ny tontolon’ny fakana sary ny tenany ary
miezaka mametraka ny maha izy azy…

4 taona nilonana tao anatin’ny
tontolon’ny fakana sary ny tenany ary eo am-pikarakarana ny
taratasy hidirana amin’ny ara-panjakana mba ho matihanina
kokoa.  « Nanangana orinasa manokana manao ny asa
manodidina ny saripika rehetra aho. « Immagini Mg » no nataoko
anarany mba handraisana ireo fiaraha-miasa rehetra sy ny tanjona
lavitra kokoa amin’ilay tontolo”, hoy i Tee-ta
Rakotonjanahary.

Nilofo hanana
fitaovana

Vokatry ny fitiavana manokana ilay
asa, nilofo fatratra nanao izay ahazoany fitaovana ho azy manokana
ny tovolahy. « Nitady hevitra foana mba hahazoana
fakantsary ho ahy manokana, izahay tsy ireny karazan’olona
manam-bola ireny ka hoe vao mangataka dia mahazo fa lasa nanao
karazana asa samihafa ary nanangona vola. Taty aoriana, nahazo
ihany dia niezaka nivoatra tao amin’ilay tontolo ka nampiana-tena
sy nitady izay hahatsara ny sary alaiko. Ankehitriny, efa mahaleo
tena aho ary miezaka nivelatra tamin’ny asa saripika. Efa mivoatra
be ny fankana sary eto amintsika ary maro dia maro ny mpaka sary
amin’izao ka tsy maintsy hatao izay hampihavaka sy hisongadinana
amin’ny rehetra mba ho velona  ”, raha ny filazany.

Mbola mianatra sy mandalina ny
taranja serasera sy ny tontolon’ny haino aman-jery ny lehilahy ka
tsy mifanelingelina fa mivady tsara ny asa sy ny fianarana, efa eo
am-pamaranana fianarana izy izao. Mahavelona ny asa rehetra,
indrindra moa rehefa asa tiana no atao ka hajaina tsara, ifotorana
sy hatao matotra. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny tenany
ary manana ny tambajotran-tserasera facebook« Tee-ta
Rakotonjanahary – Photographer » sy @teeta_rakotonjanahary ao
amin’ny Isntagram. Ho an’ireo maniry hifanerasera aminy.

Narilala

Article tiré de Newsmada

L’article Saripika – Tee-ta Rakotonjanahary: “Atao izay hisongadinana amin’ny rehetra mba ho velona”  a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 05/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Gouvernement américain : 8 millions de dollars pour le Sud du pays

Le gouvernement américain a fourni 8 330 tonnes d’aides alimentaires en faveur des familles du Sud et du Sud-est de Madagascar. (Photo fournie) 8 330 tonnes d’aides alimentaires ont été fournies aux familles dans le Sud et Sud-est de Madagascar pour leur permettre de faire face à la prochaine période de soudure qui s’annonce grave. C’est l’Agence américaine pour le développement international (USAID) qui a financé cette aide alimentaire destinée à appuyer les besoins nutritionnels de plus de 350 000 personnes, dont 20 500 femmes enceintes et allaitantes. Les vivres sont expédiés au pays depuis janvier. Actuellement, les vivres sont arrivés et sont prêts à être distribués par le Programme alimentaire mondial (PAM) dès que le besoin se fera ressentir. Ces expéditions font partie d’un programme d’aide alimentaire d’une valeur de 8 millions de dollars financé par l’USAID et acheminé sur Madagascar par les soins du PAM. Ce don alimentaire est composé de 5 910 tonnes de sorgho, de 870 tonnes de pois cassés jaunes, de 660 tonnes de riz enrichi, de 520 tonnes d’huile végétale et de 370 tonnes de CSB +, un mélange cuit de maïs et de soja enrichi de vitamines et de minéraux pour le traitement de la malnutrition. Ménages vulnérables. Le PAM se chargera de la distribution des vivres auprès des ménages vulnérables dans les régions les plus touchées dans le sud (Androy, Anosy et Atsimo Andrefana) et dans le Sud-est (Atsimo Atsinanana et Vatovavy Fitovinany) de Madagascar. Dans ces régions, en effet, les catastrophes naturelles récurrentes telles que la sécheresse, les cyclones et les inondations entraînent des taux élevés d’insécurité alimentaire et de malnutrition. D’ici la fin juillet, environ un quart de la population du Sud de Madagascar, soit plus de 550 000 personnes, n’aura pas assez à manger au quotidien. Les districts d’Ampanihy et de Tsihombe seront les plus touchés. Période de soudure. Les prévisions de sécurité alimentaire pour la prochaine période de soudure, qui devrait débuter en novembre, sont désastreuses. Plus de 100 000 enfants dans les six districts les plus touchés du Sud de Madagascar sont prévus souffrir de malnutrition aiguë en 2020, dont plus de 19 000 cas graves. Le Sud de Madagascar est frappé par une sécheresse périodique depuis 2014. Après un léger mieux en 2019, la pluie s’est faite rare au début de 2020, entraînant une perte des récoltes, notamment les céréales et les légumineuses, une faible production qui a contraint de nombreuses familles à consommer les tubercules avant qu’elles n’atteignent leur pleine maturité. Le bouleversement économique causé par la pandémie de Coronavirus devrait également exacerber l’insécurité alimentaire, car les gens du Sud qui travaillent dans les grandes villes de Madagascar pourraient faire face à d’autres difficultés pour envoyer de l’argent à leurs familles restées dans le Sud. Recueillis par Dominique R. L’article Gouvernement américain : 8 millions de dollars pour le Sud du pays est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Gouvernement américain : 8 millions de dollars pour le Sud du pays a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Fanararaotam-pahefana

Polisy Monisipaly iray no nanararao-pahefana tamin’ny mpamily fiara karetsaka iray teo Behoririka, ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa norovitin’ity polisy ity ny antontan-taratasy fitondrana fiara an’ilay mpamily. Nampiaka-peo ireo mpampily fiarakaretsaka ka nitokona nanoloana ny lapan’ny tanàna. Nitaky ny hamoahana ilay polisy nandrovitra ny antontan-taratasin’ny mpamily iray, izay nalefa tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. L’article Fanararaotam-pahefana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Sport - News Mada

“Quiz Orange pro league”: betsaka ireo mpanjifa mifaninana

Nanomboka, omaly alatsinainy, ny fifaninanana “Quiz orange pro league”, taranja baolina kitra. Lalao tanterahina amin’ny alalan’ny tambajotran-serasera izy io, karakarain’ny orinasan-tserasera Orange Madagascar, mpanohana ofisialy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hametrahana fanontaniana mikasika ny fifaninanam-pirenena ireo mpandray anjara, amin’izany.Raha ho an’ny andro voalohany fotsiny, maro ireo mpanjifa niandahy, niambavy ary tsy nifidy salan-taona, nandray anjara. Tsy ireo mpankafy ny baolina kitra ihany fa na ireo olon-tsotra aza.Tsotra ny fandraisana anjara, amin’ilay lalao. Misy fanontaniana roa apetraka isan’andro ka amin’ny 9 ora maraina ny iray ary ny tolakandro amin’ny 2 ora ny iray. Mahazo isa 5 ny mpanjifa mahita ny valiny marina ary isa 3 ny faharoa, raha isa 1 ny fahatelo. Atambatra ireo isa, mandra-pahatonga ny zoma ka mivoaka ho mpandresy izay manana isa ambony indrindra, ary hahazo ny finday Smartphone. Hisy ihany koa loka hafa toy ny fahana sy ny kojakoja isan-karazany. Tanjona, amin’izao lalao izao, ny hanalana ny sorisory sy ny faharerahana saina, ao anatin’izao fotoan’ny fihiboana izao. Ankoatra ny lalao, afaka manaraka ireo vaovao mahakasika ny “Orange pro league” ihany koa ireo mpanjifa. Tompondaka  L’article “Quiz Orange pro league”: betsaka ireo mpanjifa mifaninana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Misaona ny taranja volley ball: nodimandry ny Coach Ranaivoson Thierry

Ankoatra ny kitra, basikety, misaona koa ny tontolon’ny volley all eto Madagasikara. Nodimandry, ny faran’ny herinandro teo, Ranaivoson Thierry, mpanazatra ny GNVB.Tsy mety afa-tsaona ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, ny alin’ny alahady teo, ny mpanazatra Ranaivoson Thierry, fantatra eo amin’ny taranja volley ball. Tsy nilaza mazava ny antony tena nahafaty azy ny fianakaviany rehefa nanontaniana, saingy fantatra kosa efa tojo tsy fahasalamana elaela ihany Ranaivoson Thierry. Nambaran’ny olona nifanerasera taminy fa nilaza ho efa mihatsara izy kanefa izao nodimandry tampoka ny alahady alina teo izao. Tanana an-kavanan’ny tale teknika nasionaly ny federasiona malagasy ny volley ball Ranaivoson Thierry fony fahavelony ary teo hatrany nandritra ny fifaninanana natrehin’ny ekipa malagasy. Ankoatra izay, tena nahafantaran’ny maro, indrindra ny mpiangaly ity taranja ity, ny naha mpanazatra azy an-taony maro, ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley ball). Vao tsy ela akory ny tazana teny an-kianja ny tenany, nanome fanazarantena ity ekipany ity. Teo foana ihany koa izy, nandritra ny fifaninanana rehetra natrehin’ny GNVB, isan’izany ny fiatrehana ny « Fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka ho an’ny faritra faha-7 », natao teto Madagasikara, ka nahazoan’ny Zandarmariam-pirenena ny laharana faharoa. Tsy tambo isaina ireo mpilalao efa novolavolainy ary tsy hay kosehina ny zava-bitany ho fampandrosoana ny taranja volley ball malagasy.Mi.RazL’article Misaona ny taranja volley ball: nodimandry ny Coach Ranaivoson Thierry a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona

«Tena mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ity tsangambato ity». Izay ny nambaran’ny mpitandrina iray anisan’ireo nasaina. Vita ary tena nanaraka ny fenitra amin’ny fanaovan-trano tokoa ny akany tsangambaton’ny faha-140 taon’ny fiangonana Tranovato Ambatonakanga. Trano lehibe misy rihina roa, ahitana efitra maro (efitrano malalaka fanaovana fivoriana na atrikasa, fiofanana…, trano fidiovana manara-penitra, efitra fandraisam-bahiny miaraka amin’ny fanaka sy ny kojakoja samihafa mifandraika amin’izany,…). Ny alahady 4 aogositra 2019 teo ny nitokanana amin’ny fombam-piangonana ity akany ity. Alahady izay nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny “Alahadin’ny taranaka”. Vory marobe, araka izany, ny mpianakavin’ny finoana, nahitana ireo kristianina maro sy zanaka am-pielezana ary ireo vahiny nasaina manokana.Niarahana amin’ny foibe FJKM sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano ny fotoana rehetra. Nitarika ny fanompoam-pivavahana Rabetokotany Miarilaza A, mpitandrika, prezidà synodaly SPIA. Nitondra ny tenin’Andriamanitra Rakotonindrainy Jaona, mpitandrina sady tonian’ny departemantan’ny fiangonana, foibe FJKM, niara-niasa  Razafiniarivo Fidison Maxim, mpitandrina FJKM Tranovato Ambatonakanga… “Ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity ho tranon’Andriamanitra… Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona” (Gen 28, 22a /II Kor 6, 16b). Ireo tenin’ny Soratra masina ireo no nanompanana ny fotoana. “Tsangambato natao holovain’ny taranaka mifandimby ity akany ity…”, hoy ny filohan’ny komitin’ny tsangambato, Atoa Rakotomavo Hugues.M.R. L’article FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampy izay ny fampitandremana

Fandikan-dalàna no resaka eto. Tsy hoe nanaitra ihany, fa tena nanaitra mihitsy ny tatitra, miaraka amin’ny tarehimarika navoakan’ny Sampandraharaha misahana ny lozam-pifamoivoizana (Brigade des accidents) eo anivon’ny Polisim-pirenena, omaly. Tatitra sy tarehimarika mikasika ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra moto, indrindra ny scooter, eto an-drenivohitra. Tao anatin’ny adiny efatra monja, fandikan-dalàna miisa 404 no voamarika. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, fandikan-dalàna 101 isaky ny adiny iray. Ny tsy fitondrana na fanaovana aroloha (casque) no betsaka indrindra. Miisa 306. Manaraka izay ny tsy fananana na tsy fisiana fiantohana (assurance). Miisa 93. Dimy no tsy nitondra fahazoan-dalana mitondra moto…Deraina ihany aloha ny fandraisana andraikitra ataon’ny Polisim-pirenena amin’ity hoe “hetsika fanentanana sy fampianarana ho amin’ny fanarahan-dalàna” ity. Saingy, tsy vao izao, na vao omaly no tokony hahafantatra ny mpitondra moto ny amin’ny tokony hanaovana aroloha. Tsy vao izao, na vao omaly, ihany koa no tokony hahafantatra izy ireo fa tokony hanana taratasy fiantohana ny moto rehetra mifamoivoy. Tahaka izany koa ny tokony hananana taratasy fahazoan-dalana (permis de conduire), ho an’ny sokajina moto tokony hanana izany. Izany hoe, lalàna tokony ho fantatra hatry ny ela izany rehetra izany. Saingy…Tsotra ny tiana hahatongavana. Mba hasiana fetra ihany ny fanentanana sy fampianarana, mba hirosoana amin’izay ny dingana famaizana. Izany hoe fanasaziana. Ampy izay ny fampitandremana. Mba tsy ho lasa fahazarana, fahazaran-dratsy ny fampitandremana, ka raha tratra, omaly ohatra, dia hamerina indray rahampitso sy amin’ny manaraka rehetra. Ny tokony ho fantatry ny mpitondra moto, tsy ho fiarovana ny ain’izy ireo ihany no anton’izao, indrindra indrindra, ho fiarovana ny ain’ny sasany, tsy manan-tsiny eny an-dalana rehetra eny izay mety iharan’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’izy ireo. Aoka azava ny resaka!Vao ny resaka fandikan-dalàna amin’ny moto fotsiny izay. Ny an’ny taxi-be, ny sarety sy posiposy ary ny mpivarotra amoron-dalana… Aoka fotsiny!Mamy Randrian L’article Ampy izay ny fampitandremana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sombintsombim-baovao

Fiofanana ho an’ny tanora: Misokatra ny fametrahana antontan-taratasy ho an’ireo tanora mpanao fanatanjahantena liana amin’ny fiofanana mahakasika ny asa manodidina ny spaoro sy ny fomba fitantanana izany. Fiofanana natokana ho an’ny tanora lahy sy vavy 15 hatramin’ny 25 taona, any amin’ny faritra Diana, Sofia ary Sava. Hatao ny 23 hatramin’ny 27 novambra izao ity fiofanana karakarain’ny masoivoho frantsay sy ny “Maison du Sport” ity.Volley ball: Tsy mipetra-potsiny fa efa manomboka mikarakara hetsika ara-panatanjahantena ihany koa ny eny anivon’ny ligy, ho an’ny taranja Volley ball. Ho an’ny ligin’ny Boeny, ny amboaran’ny Noely, ny miandry ireo klioba any an-toerana amin’ity taom-pilalaovana 2020 ity. Raha ny fandaharam-potoana, ny 19 hatramin’ny 23 desambra izao ny hanaovana ity “Coupe de Noel” ity, izay hanasan’ny ligy ireo klioba rehetra ao Boeny ho tonga maro sy handray amin’ny fifaninanana tokana karakaraina ity. Nangonon’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fibatana fonjamby :: Nofaranan’ny Malagasy tamina medaly iraika ambin’ny folo ny anjarany

Saika nitondra me daly avokoa ireo mpibata fonjamby malagasy niatrika ny Lalaon’ny Nosy tany Maorisy, tamin’ ity andiany fahafolo ity. Tao rian’ireo vokatra tsara azon’izy ireo tamin’ny andro roa voalohany dia niambozona medaly iraika ambin’ny folo indray ireo mpibata fonjamby nifaninana teo amin’ny sokajy mavesatra, omaly, tao amin’ ny kianja mitafon’ny Dr James Burty Davids tao Curepipe. Nisongadina tamin’ity taranja ity ary nitana ny laharana voalohany ny Malagasy, hatramin’ny omaly. Isan’ireo nisongadina i Claudio Randrianavalona, izay voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indiana, teo amin’ny sokajy latsaky ny 81kg. Voabatany ny vesatra 122kg teo amin’ny «Arraché» sy 150kg teo amin’ny « Epaulé Jeté ». Mbola niambozonany medaly ihany koa ny tambatra olympika, 272 g. « Lalaon’ ny Nosy faharoa ho ahy ity ary nahafahako niambozona medaly volamena telo. Vita ny anjaranay, tamin’ny fampiakarana avo ny fanevam-pirenena”, hoy i Claudio. Ankoatra azy dia nahazo medaly volamena roa ihany koai Vania Ravololoniana teo amin’ny sokajy latsaky ny 64 kg vehivavy, rehefa naha- bata 102kg teo amin’ny “Epaulé jeté” sy nahazo tambatra olympika 184kg. Medaly volafotsy kosa no azony teo amin’ny “Arraché” (82kg), raha i Sitrakiniaina Randrianandrasana no nahazo izany teo amin’ity farany rehefa nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra nasionaly tamin’ny vesatra 83kg. Medaly volafotsy kosa no azon’i Sitrakiniaina teo amin’ny « Epaulé Jeté » (95 kg). Nahazo medaly volafotsy roa sy alimo iray ihany koa i Sergio Hery Ny Aina teo amin’ny sokajy 96kg, raha medaly alimo roa kosa no azon’i Mendrikaja Andrianasolo, teo amin’ny sokajy vehivavy 71 kg. Tapitra hatreo izany ny anjaran’ireo mpibata fonjamby malagasy satria tsy manana solontena eo amin’ ny vehivavy (81kg, 87kg ary +87kg) sy lehilahy (102kg, 109kg ary +109kg) isika. L’article Fibatana fonjamby :: Nofaranan’ny Malagasy tamina medaly iraika ambin’ny folo ny anjarany est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus

Tafahaona tamin’Andriamahitsinoro Andrea Carolus, mpilalaon’ny Barea ihany, ny alarobia lasa teo, i Julio. Ilay tovolahikely, nametaka ny anaran’i Carolus, teo amin’ny fanamiany. Raha tsiahivina, efa tany Égypte, no hitan’i Carolus, tamin’ny tambajotran-tserasera ilay sary, ary nampihetsi-po azy, izany.Nampitady an’i Julio, izy nony tafaverina teto Madagasikara ka izao nifanena izao, izy mirahalahy mianaka. Manana vina hanampy an’i Julio ho lasa lavitra amin’ny baolina kitra i Carolus fa mbola hiresaka tsara amin’ny reniny aloha. Faly, i Julio sy ny reniny, nihaona tamin’i Carolus. Raha ny fitantaran’i Julio dia tsy tia mpilalao afa-tsy i Carolus izy ary tsy manaiky mihitsy raha tsy mijery baolina rehefa manao ny Barea de Madagascar. Avy any Antsirabe, i Julio ary kilasy taona fahatelo na (10 ème), izy amin’izao.Nanolotra fanamiana misy ny laharana sy ny anarany ho an’i Julio, i Carolus, izay nampirisika azy, hianatra tsara sy hilofo mafy amin’ny filalaovana baolina. Nisaotra sy nankahery an’i Carolus, ihany koa tetsy ankilan’izany, ny renin’i Julio. TompondakaL’article Kitra: nanolotra «maillot», ho an’i Julio i Carolus a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teny an’anona teny

Sary: Fanou, Tiana R ary MamiherisonL’article Teny an’anona teny a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT
14/06/2021

Voici des sites qui permettent de gagner de l'argent gratuitementhttps://mining-forever.com/?ref=rajaonarshttps://duplinow.com?aff=70888https://banana-cash.com?aff=15898https://topmining.host/?ref=1190Vous n'avez pas de compte payeer ?https://payeer.com/?session=16887921Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services VOICI DES SITES POUR GAGNER LE L'ARGENT GRATUITEMENT".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services Développeur Laravel
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans l'externalisation,Développeur LaravelEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVLARAVEL-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Laravel".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

Notsongaina

Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée
19/06/2021

Les efforts pour le rétablissement de la sécurité et de la paix dans tout le territoire se renforcent au niveau des forces de l’ordre. Dans cette action, une cérémonie militaire dédiée à la dotation d’armes effectuée par l’Armée Malgache à la Police nationale a été tenue hier dans la matinée au camp du Capsat à Soanierana. Décidé récemment en conseil des Ministres, cette cession d’armes porte sur 500 Fusils MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs. En recevant cette dotation, le Ministre de la Sécurité publique, le Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rafanomezantsoa a rappelé que la restauration de la paix et de la sécurité  constitue le « Vina n°1 » du Président de la République Andry Rajoelina. Pour atteindre cet objectif, les forces de l’ordre doivent faire preuve de collaboration et de fraternité. D’après lui, ces deux principes sont actuellement vérifiés par cette remise de matériels. Il a rappelé que l’année dernière, la gendarmerie a déjà fait le même geste à la police. Mais en ce qui concerne particulièrement la police, la réception de ces armes la permet d’équiper les commissariats et les postes de polices nouvellement construits dans les régions surtout dans les zones rouges. C’est exactement l’objectif du donateur comme il a été dit par le Ministre de la Défense nationale, Général de Corps d’armée Richard Rakotonirina lors de sa prise de parole. « Que cela permette  le rapprochement entre les forces de l’ordre et la population et que les policiers assument leur travail avec quiétude. Dans leurs discours, les deux ministres ont tous manifesté leur souhait de voir la fête de l’indépendance se dérouler dans le calme et sans aucun incident malgré la multiplication des actes de déstabilisation depuis ces derniers temps. Le Secrétaire d’Etat chargé de la gendarmerie, le commandant de la gendarmerie nationale (Comgn), et le directeur général de la Police nationale (Dgpn) étaient présents à cette cérémonie. La convention portant sur cette cession d’armes a été signée par le Cmgn et le Dgpn. T.M. L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Police nationale : 500 MAS 36 et 50 pistolets mitrailleurs remis par l’Armée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara
17/06/2021

Fivoriambe manokana nataon’ny Firenena mikambana (ONU) ny voalohan’ny volana jona teo tany New-York ny hiadiana amin’ny kolikoly mahazo vahana amina firenena maro. Nandray anjara tamin’izany fivoriambe izany i Madagasikara, tamin’ny anaran’ny CSI (1) ka anisan’ireo firenena 187 nanao sonia ny fifanarahana teo anivon’ny UNCAC (2). Nanao sonia midika io fifanarahana io fa manaiky marina miady amin’ny kolikoly. Samy nanaiky rehetra ary nanamafy fa sakana ho an’ny fampandrosoana, indrindra mampahantra vahoaka, ny kolikoly, tsy ahafahan’ny vahoaka ihany koa mizaka ny zony feno.Maromaro ihany ireo fepetra an-tsoratra nambaran’i Madagasikara amin’ny fandraisana andraikitra. Anisan’izany ny fanamafisana ny asan’ny Pac (Pôle anti-corruption), ankoatra ny eto Antananarivo, ny any Mahajanga sy any Fianarantsoa. Fiarovana ny lalàna mampahaleo tena ny sampana rehetra miady amin’ny kolikoly: CSI, Pac, Bianco, Samifin.Fahaleovantena tanteraka ny rafi-pitsarana rehetra. Hamafisina fa tsy misy ambony lalàna ary eo koa ny fandraisana fepetra raha mihazona fananana sy vola tsy mazava.Tsy misy mangaraharaTanjona hiadiana amin’ny kolikoly ny hisian’ny fampandrosoana maharitra, mitaky politika ho an’ny fitantanana madio. Nanao izao fivoriambe izao ny ONU noho ny fahatsapany ny tsy fisian’ny mangarahara momba ny fitantanambola, indrindra ny avy amin’ny mmpatsy vola iraisam-pirenena. Voakasik’izany manokana ny aty Afrika. Tao anaty krizy tanteraka i Madagasikara ny taona 2020, amina tetibola 826,09 tapitrisa dolara, 9,37% tamin’izay ihany ny natokana ho an’ny fahasalamana, izay mbola tsy mangarahara ihany koa ny fitantanana azy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International Intiative Madagascar. R.Mathieu CSI (1) : Comité pour la  sauvegarde de l’intégritéUNCAC (2) : Convention des Nations Unies contre la corruptionL’article Firenena mikambana: nanaiky nanao sonia miady amin’ny kolikoly i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

7,5 miliara dolara isan-taona ny vola very
15/06/2021

Niara-nidinika ireo fikambanana iraisam-pirenena voakasika amin’ny sehatry ny jono navorin’ny COI eo ambany fitarihan’ny Ecofish, ny volana mey lasa teo. Maro ireo fikambanana naneho fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny jono ho an’ny 12 volana  manaraka, anisan’izany ny CTOI (1), SWIOFC (2).  Maika ary tsy tokony ho ambanin-javatra ny jono. Tombanana ho 7,5 miliara dolara isan-taona ny vola tsy miditra na very, araka ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena.Nampanantena fiaraha-miombon’antoka sy hamatsy vola ireo firenena aty anatin’ny faritra ny Vondrona eoropeanina (UE), hampaharitra ny jono, mitondra vola sy asa. Teren’ny zava-misy ankehitriny ka tokony hahay handray fepetra hiarovana ny jono ny ato amin’ny COI. Naneho ny fahavononany momba izany ny Nosy Maurice sy Seychelles. Anisan’ny fototry ny dinika, ny fanamby miandry, ny laminasa atao sy ny fitaovana hoenti-miasa. Ny asa tena miandry ny fanaraha-maso iadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Nahazo fito tapitrisa euros ny Ecofish entiny manatanteraka ny tetikasany hampahaleotena ny fihariana.Iharan-doza ny jono eto MadagasikaraSehatra iray efa iharan-doza ny jono eto Madagasikara. Hatry ny ela ireo mpanjono madinika milaza ny zava-misy any amin’ny faritra misy azy ireo. Mihalany ny vokatra, toy ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe. Mihena ny halehiben’ny trondro, vitsy ny vokatra azo. Raha nahazo 60 kg isan’andro ny mpanjono madinika iray tany amin’ny taona 80-90, ankehitriny 10 na 15 kg izany raha be indrindra, misy aza ireo mpanjono tsy mahazo afa-tsy 5 kg. Betsaka ireo mpanjono madinika very fidiram-bola sy very asa. R.Mathieu CTOI (1): Commission des thons de l’Océan IndienSWIOFC (2) : Commission des pêches du sud-ouest de l’océan IndienL’article 7,5 miliara dolara isan-taona ny vola very a été récupéré chez Newsmada.

Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara     
18/06/2021

Mbola misy ady hafa tsy maintsy atrehina amin’izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika. Tsy inona fa ny amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny kere… Mby an-tsaina avy hatrany amin’izany ny any atsimo. Nefa aorian’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, saika manerana an’i Madagasikara na maneran-tany aza no miatrika izay. Mafy ny dona sy ny fiantraikan’ny valanaretina eo amin’ny toekarena sy ny fihariana, eo amin’ny fiainam-bahoaka ankapobeny…Mazava koa ny nambarany fa matoa mbola misy ihany ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny maty mosary, tsy nahomby ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany nandritra ny 30 taona mahery. Nahoana? Tsy tena famahana izay olana ifotony, ohatra, no nimasoana na natao fa zavatra hafa, izay ry zareo sy mpitondra nifandimby niray petsapetsa na tsikombakomba taminy no mahalala izany. Na misy antony hafa tsy voadinika. Mampieritreritra…Hafa ny amin’izao amin’ny hoe fiovana sy fanovana? Na eo aza izay mety ho fanampiana sy fiaraha-miasa tsy azo ialana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, tompony mahazaka amin’izay ataony ny Malagasy: fanapahan-kevitra, tetikasa, enti-manana… Miainga any ifotony izay atao. Ady fiady izany amin’izao hoe fahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantena izao. Tena isiana sy iainana amin’izay? Ady hafa… Mila fahasahiana, fijoroana, firosoana, fitozoana…Miara-dalana ho azy amin’izay tsy fahombiazan’ny fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izay ny tarazo ratsy entina sy avelan’ny fahantrana lalina sy maharitra? Tsy tongatonga ho azy fa misy antony na nanao azy. Manankarena i Madagasikara, nefa ny vahoaka mahantra fadiranovana tsy misitraka inona amin’izany akory. Firy tao-maty izay? Mila ovaina amin’izay ny tantana sy ny tantara. Mba tsy ho fombafomba sy fahazarana fotsiny ny fankalazana ny Fahaleovantena.Fahaleovantena amin’ny fanapahan-kevitra, amin’izay atao, amin’ny fomba fiasa… Tsy andavana na anilihana ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny hafa izany fa ijoroana sy irosoana amin’izay maha tena ny tena?Rafaly Nd.            L’article Ady hafa amin’ny tantana sy ny tantara      a été récupéré chez Newsmada.

GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao
18/06/2021

Nifanaraka ny Jirama sy ny Green Yellow Madagascar (GYM) miaraka amin’ny vondrona Axian, hanitatra ny foibe famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro any Ambatolampy, manana hery 20 hatramin’ny 40 Mw, sy batterie 5 Mwh. 17 tapitrisa euros ny tentim-bidin’ny tetikasa. Mpampindram-bola ny Société Générale, ny GuarantCo, African Guarantee Fund, ary ny BMOI sy ny BNI Madagascar, izay samy nilaza fa mbola hanohana ny tetikasa dingana faharoa.Nambaran’ny Green Yellow Madagascar fa manomboka ny volana jona izao ny tetikasa ary azo trandrahina amin’ny faran’ny taona. «Tafiditra ao anatin’ny tanjona nofaritanay ny fampitomboana fahazoana herinaratra, madio sy maharitra, ary zakan’ny Malagasy rehetra. Miasa ho an’izany isan’andro ny vondrona Axian amin’ny alalan’ny Axian Energy, izay mahavita ny asa ao anatin’ny fotoana fohy, fanamby lehibe napetraka na teo aza ny krizy ara-pahasalamana », hoy ny PDG vondrona Axian, i Hassanein Hiridjee.“Manamafy ny fisian’ny Green Yellow eto Madagasikara sy ranomasimbe Indianina izahay, voalohany amin’ny famokarana herinaratra azo havaozina. Ny fanitarana izany ao Ambatolampy no hahafahanay sy ny Axian hiroso lavidavitra amin’ny fiaraha-miasa sy famatsiam-bola ho an’izay mbola heverina hatao eto Madagasikara”, hoy kosa ny PDG GreenYellow, i Otmane Hajji.   R.MathieuL’article GYM – Axian: 17 tapitrisa euros hanitarana herinaratra vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena
17/06/2021

16 taona ny niandrasana azy… Efa tamin’ny taona 2005 tokoa mantsy no nisy fanovàna farany ny lalàna mikasika ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina ka tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony izany. Nandalo dingana maro ilay volavolan-dalàna mifehy ny Politikam-pirenena momba ny kolontsaina vao tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena ny fandinihana azy, amin’izao fivoriana ara-potoana izao. Lany nandritra ny fivoriana itambarambe izay nampitain-davitra, omaly, ity lalàna ity. Antoka lehibe ho an’ny sehatry ny kolontsaina ity lalàna ity. Maro ny fanovana nentina, mifanaraka amin’ny fivoaran’ny fiarahamonina sy ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Teboka maro koa ny fiarovana ny fototra, toy ny fanajana ny soatoavina nentim-paharazana, ka nametrahana ny fanekena ny maha marolafy ny kolontsaina malagasy. Eo koa ny fifanomezan-tanana ho an’ny soa iombonana amin’ny alalan’ny “Tagnamaro”, ny fampirisihana ny famoronana eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, ny fiarovana ny kolontsaina sy ny harem-bakoka malagasy, ny politika momba ny teny malagasy, ny fanomezana tosika ny sarimihetsika sy sarimiaina, ny fametrahana ho matihanina ny mpanakanto isan-tsokajiny ka ahafahany misitraka tombontsoa maro amin’ny alalan’ny fametrahana ny satan’ny mpanakanto, sns. Tsy nametraka olana firy ireo solombavambahoaka nandray anjara tamin’ny fivoriana, na maro aza ireo teboka nanitikitika. Taorian’ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, sy ny ekipa tarihiny, nolanin’ireo solombavambahoaka ilay volavolan-dalàna. Miandry ny eny amin’ny Antenimierandoholona indray amin’ny dingana manaraka.Zo ny AinaL’article Politikam-pirenena momba ny kolontsaina: lany teo anivon’ny Antenimierampirenena a été récupéré chez Newsmada.

Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka
14/06/2021

Ho an’ny sehatry ny fahasalamana, nivoitra tao anatin’ny akon’ny fikaonan-doha ifotony tany Taolagnaro ho fanatanterahana ireo asa vina fampandrosoana ny faritra Androy sy Anosy fa hanangana CSB 21 sy hopitaly manara-penitra roa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voaresaka koa ny centre de réhabilitation nutritionnelle et médicale (CRNM) ao Amboasary hitiliana sy handraisana an-tanana ireo olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo voatily any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Hisy mpitsabo sy mpikarakara tsy tapaka ny toeram-pandraisana amin’ny fotoana rehetra. Ankoatra izay, momba ny fandrindram-piterahana maimaim-poana, nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis fa voapetrapetraka avokoa ireo paikady hoentin’ny minisitera hampihenana ny taham-pahaterahana any amin’ny faritra Atsimo, izay anisan’ny ambony indrindra eto Madagasikara.Hisy fampahafantarana sy fanentanana miainga avy eny ifotony mikasika ny fandrindram-piterahana ary hohamafisina ny fanentanana amin’ny haino aman-jery.Hotohizana ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo minisitera hafa amin’ny fampiharana ireo paikady ireo.Vonjy A.L’article Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka a été récupéré chez Newsmada.

Fiarahamonim-pirenena: tokony hivoaka iray volana mialoha ny LFR
18/06/2021

Amin’ny 4 jolay 2021 ny fotoana hikatonan’ny fivorian’ny Antenimierampirenena, nefa mbola tsy mivoaka ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana hasiam-panitsiana (LFR) 2021. Nasian’ny fiarahamonim-pirenena (Msistatao, CCOC, CIvorary) fanamarihana izany, satria tratra aoriana foana ny fametrahana io LFR io ka tsy ahafahan’ny olom-pirenena mahafantatra sy mamakafaka izany.Ahoana moa ny hananana fotoana ampy hamakafakana izany LFR izany ho an’ny tombontsoam-bahoaka ? Raha ny marina, tokony ho iray volana mialoha ny hifaranan’ny fotoam-pivorian’ny Antenimiera ny hivoahany, raha tsy izany, tsy ampy ny fotoana ka izay sitrapon’ny fahefana mpanatanteraka ihany no misongadina ho lanian’ny depiote sy ny loholona maro anisa. Tiana ho hita tsara ny fampiasana ny vola, inona marina         ny laharam-pahamehana ? Tsy hoe fitiavana te hanakiana, hoy ny fiarahamonim-pirenena, fa hajao ny lalàna. Na ariary iray ampiasana aza, tokony hazava.Nomarihin’ny ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ihany fa amin’izao, misy depiote miteny hoe tonga eo am-pelatanany ny LFR, ny sasany kosa milaza mifanohitra amin’izay, hoe tsy mbola tonga any aminy. Raha mipetraka marina izay LFR izay maninona mbola tsy hita any amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola ? R.MathieuL’article Fiarahamonim-pirenena: tokony hivoaka iray volana mialoha ny LFR a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés
17/06/2021

Une des réalisations des travaux de fixation des dunes dans l’Androy. Le monde célèbre, ce jour, la Journée mondiale de la lutte contre la désertification et la sécheresse. Des phénomènes qui concernent Madagascar, notamment la partie Sud du pays où le Tiomena sévit depuis le mois d’octobre 2020. « Favorisant l’ensablement, le phénomène détruit nos cultures, détruit nos champs et impacte même, de façon négative, les routes nationales ». Propos de Marie Zoéline, mère de famille vivant dans la région Androy qui témoigne des méfaits du phénomène Tiomena qui sévit dans l’Androy depuis le mois d’octobre dernier. Propos qui interpellent également sur l’urgence de mener des actions coordonnées et systémiques afin de protéger la population et accroître leur bien-être. Interrogé sur le pourquoi du comment du phénomène, le Dr Tsimanaoraty Mahatante Paubert, expert en changement climatique et maître de conférence auprès de l’université de Toliara explique que « le Tiomena résulte de la hausse de la température et de la dégradation du sol. Cette dernière est causée par la perte de la couverture végétale, elle-même provoquée par la culture sur brûlis et la coupe ». Le Dr Tsimanaoraty Paubert Mahatante de poursuivre avec les conséquences du phénomène. « Le Tiomena déforme le paysage de l’Androy, favorise l’ensablement des forêts et des routes, assèche la végétation et provoque la baisse des précipitations » déplore-t-il. Propos soutenus par Natasha van Rijn, représentante résidente du PNUD à Madagascar qui note que « le phénomène de Tiomena et spécifiquement la migration des dunes, constitue un fléau qui porte atteinte au développement notamment agricole dans la région Sud ». Progressive. Face à l’urgence de la situation, le PNUD, en partenariat avec le ministère de l’Économie et des Finances et le ministère de l’Environnement et du Développement durable, ainsi que le gouvernorat d’Androy ont initié des actions de fixation des dunes le long des côtes des régions Sud du pays. « Jusqu’ici 50 Ha de terres cultivables sont sécurisés et sont de nouveau exploitables grâce à la fixation de 140 Ha de dunes. Mais, il reste beaucoup à faire», fait savoir la représentante résidente du PNUD. Pour ce faire, les parties prenantes ont adopté « une approche progressive afin d’agir à la fois sur le problème d’ensablement et de désertification, et sur l’amélioration des revenus des ménages les plus vulnérables par ces travaux de fixation des dunes ». Une approche qui permettait à chaque travailleur de percevoir «4.700 Ar par journée de travail payés par tranche de 10 jours et une épargne de 3.575 Ar, toujours par journée de travail constituée dans le compte du bénéficiaire pour servir de fonds de démarrage pour une activité génératrice de revenus », précise Natasha van Rijn. Si des efforts sont menés par divers acteurs, le Tiomena continue de sévir dans l’Androy bien que les fréquences sont diminuées selon les populations locales. José Belalahy L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Karohina fatratra ilay mpamily: mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara
14/06/2021

Nandriaka indray ny ra teny Andraharo, ny alin’ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Tra-doza tamin’izany ny lehilahy iray 35 taona nitondra moto. Voadonan’ny fiara iray teny an-toerana izy ka maty teo no ho eo, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka tsy naharo an’ilay lehilahy tra-doza intsony ny aroloha nanaovany. Vokany, vaky tanteraka ny lohany ary maty tsy tra-drano izy. Ilay fiara nahavanon-doza kosa nitsoaka avy hatrany vao nahita an’ilay mpitondra moto nianjera sy naratra mafy. Taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-misy. Nisokatra ihany koa ny fanadihadiana. Miparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa ny laharan’ilay fiara nahavanon-doza ary karohina hatramin’izao. Ny vata-mangatsiak’ilay mpitondra moto kosa nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Efa fantatra ny mombamomba azy ary efa nijery izany teny an-toerana ny fianakaviany. Henintsoa HaniL’article Karohina fatratra ilay mpamily: mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika
19/06/2021

Tontosa omaly teny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika eny Andohalo ny famindram-pitantanana ara-taratasy teo amin’ny lehiben’ny Etama­zao­ron’ny Tafika teo aloha, andeha hisotro ronono, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude sy ny lehiben’ny Etamazao­ron’ny Tafika vaovao, ny Jly Sahivelo Delphin. Voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 18 jona 2021 teo ity manamboninahitra ambony hisahana ny fibaikoana eo anivon’ny Tafika Malagasy ity. Marihina fa nisahana ny fandrindrana ankapobeny ny tetikasa teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny lehiben’ny Etamazao­ron’ ny Tafika vaovao.Jean ClaudeL’article Jly Sahivelo Delphin: voatendry ho lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere”
14/06/2021

Hiova tanteraka ny tantara, indrindra ho an’ny faritra Atsimo. Nifarana ny asabotsy teo rehefa naharitra roa andro ny fikaonan-doha lehibe ifotony, hanatanterahana ny vina fampandrosoana ho an’iny faritra iny. Niatrika izany tany an-toerana ny filoha Rajoelina Andry.Tsy nahomby ny paikady rehetra natao tany aloha. Marefo ny faritra atsimon’ny Nosy ahitana an’Androy sy Anôsy nohon’ny kere, ny haintany, ny tsy fandriampahalemana, ny fitokana-monina sy ny tsy fanjariantsakafo. Nataon’ny filoha ho hamehana ny famonjena ny mponina ao amin’iny faritra iny ka antony nanaovana izao fikaonandoha izao. Tanjona ny hamaritana ireo fanamby tsy maintsy tratrarina sy ireo hetsika laharam-pahamehana isaky ny distrika mifanaraka amin’ny hetahetan’ny mponina sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana. Hametraka paikady hahafahana manetsika ny fampivoarana ara-toekarena any Atsimo izany hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra. Mifantoka amin’ny hevi-dehibe efatra ny fikaonandoha. Ahitana ny lafiny sosialy, ny fanajariana, ny fanafoanana ny kere sy ny fandriam-pahalemana. “Mila lalan-tsaina vaovao ny fomba entina manafoana ny kere  sy manarina ny fahataran’ny fampandrosoana any an-toerana”, hoy ny filoha. Nisitraka fanampiana avy any ivelany hatrany i Madagasikara ampolon-taonany hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Tetikasa mandalo sy tsy mipaka amin’ny tena vahoaka nefa ireny endrika fanampiana ireny araka ny tatitry ny zanak’Anôsy. Tsy mahomby ny paikady nampiasaina. Nanteriny fa fotoanaizao hanovana ny fomba fiasa mba hanana vokatra maharitra, mivaingana sy hita maso ary mipaka amin’ny vahoakan’Atsimo, araka ny vina vaovao entin’ny filoha. Resy lahatra ny filoha fa azo atao ny  mampandroso ny faritra Atsimo.Lalana, fambolena, asa, rano…Voalohany amin’izany ny fanajariana ny tany hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hahatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, handresena ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Paikady hanarenana ny any atsimo koa ny fametrahana ny indostria, mifampiankina amin’ny fampiroboroboana ny fambolena hahafahana manodina ny vokatra hamelomana ny vahoaka. Laharam-pahamehana ny fanamboarana ny lalana hahafahana mampivezivezy ny vokatra sy ny olona. “Tsy maintsy hotanterahina sy hovitaina ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 (RN13), tafiditra ao anatin’ny Velirano ho an’ny faritra Atsimo. Eo koa ny fananganana fotodrafitrasa ho fanomezana rano ho an’ny faritra atsimo.  Hofongarina ny rano ao Atsimo », hoy izy. Tetikasa goavana atolotry ny filoha ho an’ny vahoaka any amin’iny faritra iny ny fametrahana ny « pipeline » hitarihana ny rano miainga ao Efaho, mandalo an’Amboasary ka tonga hatrany any Ambovombe, faritra Androy”, hoy izy. Natao hamatsiana rano fisotro madio ny am-pahany raha toa ka natao hanondrahana ny fambolena ny ampahany. Mametraka fanamby ny filoha fa volan’ny fanjakana no hanaovana izany ary finiavana politika sy fitiavana no hahafahana manova ny tantara any atsimo. Tafiditra ao anatin’ny paikady koa ny fanomezana asa ho an’ny rehetra. Haparitaka amin’ny kaominina hafa ny tetikasa fanomezana tany sy toerana hahafahan’ny fianakaviana iray mivelona amin’ny alalan’ny fiompiana sy fambolena. Nosafidina ho kaominina hampiharana ny tetikasa ny ao Ifotaka. Miisa 2 000 ireo fianakaviana hahazo sy hifampizara ny tany 200 ha. Ady gasy : “Raharahan’ny samy Malagasy”Hampiasaina ny « Système gouttes à gouttes » amin’ny fomba fambolena ao amin’io tetikasa io. Mahatratra 20 miliara Ar  ny tetibola ilain’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana hanatanterahana ny tetikasa. Mazava ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa miainga amin’ny samy Malagasy ny tokony hamaritana ny zavatra ilaina isam-paritra sy isaky ny distrika, vao entina hazavaina amin’ny mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.  « Malagasy samy Malagasy aloha », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fahavononana hanova ny tantara mba hahazoana ny vokatra maharitra, mivaingana sy mipaka any amin’ny vahoaka. Nanteriny fa hametraka tantara maharitra ho lovain’ny taranaka aman-jafy miaraka amin’ny olomboafidy, olomboatendry sy ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny filoha ho fanovana tanteraka any Atsimo.Synèse R.L’article Filoha Rajoelina Andry tany Atsimo: “Fotoana izao hanovana ny fomba fiasa hanafoanana ny kere” a été récupéré chez Newsmada.