Sarimihetsika malagasy: hivoaka rahampitso ny DVD « Melok’elà »

News - Sarimihetsika malagasy: hivoaka rahampitso ny DVD « Melok’elà »

News - Sarimihetsika malagasy: hivoaka rahampitso ny DVD « Melok’elà »

Tafaraka ireo samy andrarezin’ny
sarimihetsika malagasy! Hivoaka DVD, rahampitso alakamisy 17
septambra, maneranany Nosy, ilay tantara mitondra ny lohateny hoe
« Melok’elà » novokarin’ny Tatatata Production. Ireo
mpilalao kalaza sy manana ny mampiavaka azy eo amin’ny filalaovana
sarimihetsika no tazana manome aina ny “Melok’elà”. Anisan’izany i
Tsarafara (Rajao), i Jocelyn (Pasitera), i Sahondra (Raly), i
Israel (Fetra), i Sombiniaina (Chantal), sns. Saika ireo tazana
nilalao ilay andian-tantara “Malok’Ila” izy ireo. Mpifamofo eo
am-piomanana ny hivady i Pun sy i Lafatra. Eo am-panatanterahana
iraka miatrika dahalo anefa i Lafatra vao mahafantatra fa naman’ny
dahalo ity fofom-badiny. Ho raikitra ihany ve ny fanambadian’izy
roa ireo?

Fanambin’ny Tatatata Production ny
hatsaran’ny kalitaon’ity vokatra voalohany havoakan-dry zareo
rahampitso ity. Ireo efa manana traikefa matanjaka amin’ny
fandavorariana sarimihetsika tahaka izao no niantsoroka ny lafiny
teknika. Anisan’izany i Germain Andriamanantena teo amin’ny
fanatontosana.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Sarimihetsika malagasy: hivoaka rahampitso ny DVD « Melok’elà » a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Hajao ny hafainganam-pandeha

Tongasoa foana ny hevitra mankany amin’ny fanatsarana sy ny fivoarana. Antoky ny fahombiazana kosa ny fahaizana manaraka ny ambaratonga sy dingana rehetra mba hisorohana amin’ny sakana mety hibahana ny lalana aoriana kely ao. Resaka fitaterana mihitsy no ametrahana ahiahy taorian’ny fikasana hametraka an’irony fitaovana fanarahan-dia irony amin’ireo taksibe tsirairay avy. GPS no fahalalan’ny maro azy, avy amin’ny fanafohezana ny hoe « Global Positioning System » na azo adika tsotsotra amin’ny teny malagasy ho fitaovana fanarahan-dia na toerana. Tsy handefa saina lavitra akory isika fa raha mitazana an’ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra fotsiny, dia mbola mahita fiara tranainy; fiara efa trotraka saingy zara fa misy fonony sy mbola afaka mifamoivoy; fiara tsy manana hidim-baravarana; fiara tsy manana hisatra sintomin-tanana; fiara tsy velona raha tsy atosika; fiara mampiasa hazo kesika ho solon’ny seza; fiara iasan’ireo mpamily sy mpanampy azy sasany, izay toa tsy mba mahay ny farafaharatsiny amin’ny fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba akory; fiara iasan’ireo mpamily minia mandika ny lalànan’ny fifamoivoizana… sy ny fanamarihana maro hafa tsy voatanisa. Mety ho fandoto iray tandroka manaratsy ny fandio iray siny ireo atsidika eo ambony ireo. Misy dia misy tokoa ny fikambanan’ny mpitatitra miezaka manome kalitao sahaza ny mpandeha. Ny tena tiana hahatongavana dia ny fitsambikinana avy hatrany amin’izato tetikasa fametrahana an’ireo “GPS” amin’ny fiara fitaterana. Raha ny tatitra voaray fotsiny dia am-polony maro ireo mpisehatra amin’ny fitaterana no niharan’ny sazy raha nampiharina tamin’ny zotra D mihazo an’iny Ivato iny ilay fametrahana zotra filamatra nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Mbola firifiry anefa ireo kaoperativa sy zotram-pitaterana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ? Moa efa samy mahatakatra ny tanjona tian-kokendrena avokoa izy ireo ? Nisy fotoana nametrahana an’ilay fepetra fahadiovana tsy maintsy nohajain’ireo mpamily sy ny mpanampy azy, taona maromaro lasa izay, ka mitondra fanamiana araka ny tokony ho izy ry zareo. Mbola betsaka no voretra tamin’izany. Mila miainga any amin’ireny mpikatroka fototra amin’ny sehatry ny fitaterana ireny anefa ny fanajàna an’ilay asa. Manginy fotsiny ny fitsipika tokony hifehy ny familiana fiara mba ho fahafaha-po ho an’ireo mpandeha; tsy hanelingelina ny fifamoivoizana; ary indrindra mba tsy ho loza mitatao eny an’arabe. Tsy mbola ilay “GPS” angamba no vahaolana voalohany mba tsy hirotorotoana be loatra. Raha tena mikatsaka fana­tsarana sy fampivoarana tokoa ny tontolon’ny fitateram-bahoaka eto amintsika dia zava-dehibe ihany koa mantsy ny fanajàna ny hafainganam-pandeha ! L’article Hajao ny hafainganam-pandeha est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe

Mitohy ny fanadiovana, eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Fantatra fa natsahatra tamin’ny asany, ny alarobia 31 jolay lasa teo, amin’ny talen’ny fifandraisana azy, Rabe Nathalie. Tsy fantatra ny antony, nanalana azy. Raha tsiahivina, izy no vehivavy voalohany, nitazona izany andraikitra izany. Ny volana marsa 2018 izy, no voatendry tamin’io asa io, taorian’ny fivoriambe mahakasika ny baolina kitra vehivavy aty Afrika, natao tany Marrakech, Maraoka. Izy no nandimby an’ilay Kamerone, Junior Binyam. Hisolo an-dRabe Nathalie, indray ilay Ivoarianina, Ouattara Hégaud. “Andro farany. Faly fa nahavita ny asa ary vehivavy voalohany niandraikitra izany asa izany. Ho ela velona ny baolina kitra afrikanina ary ho ela velona i Afrika”, hoy izy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany. TompondakaL’article Kitra – Caf: nesorina tamin’ny toerany i Nathalie Rabe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny valanaretina : nahazo fitaovam-pitiliana avy amin’ny Star ny eny Ambatolampy

Taorian’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra, nitondra fanampiana ho an’ ny kaominina Ambato­lampy ihany koa ny Star. Nanolotra fitaovam-pitiliana TDR ny orinasa, ho tohin’ny asa so­sialy efa natombok’izy ireo tany an-toerana, hatramin’ny taona 2014. Nanom­boka tamin’io ny fotoana nisian’ny ozinin’ny Star tany Ambato­lam­py ka mandray ny andraikiny hatrany ny Star, amin’izao hamehana izao, na dia eo aza ny fanakatonana mandritra ny fotoana voafetra izany. Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny fanomezana tamin’ny fomba ofisialy ireto fitaovana ireto, avy amin’ny delegasiona notarihin-dRako­toarivelo Andrianaivo­jaona Lala, talen’ny ozinina Star Ambatolampy, ary no­raisin-drakotomalala Mika, ben’ny Tanàna sy ny ekipany. “Iraisa­na ny ady amin’ny coronavirus ka rariny raha mifantoka any ny tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta”, hoy ny nambaran’ny ben’ny Tanàna. “Mendrika tolorana ny fisaorana ny Star, amin’ny fijerena manokana ny kaominina Ambato­lampy. Hampiasaina araka ny filan’ny mponina ireo fitaovana ireo”, hoy kosa ny ben’ny Tanàna.Zo ny AinaL’article Ady amin’ny valanaretina : nahazo fitaovam-pitiliana avy amin’ny Star ny eny Ambatolampy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra

Olan’ny sarimihetsika sy ny zavakanto malagasy ny tsy fahampian’ny sehatra hanehoana ny vokatra. Nitondra vahaolana amin’izany ny CanalOlympia, ka nanangana ny CanalOlympia Iarivo, eny Andohatapenaka.Notokanana omaly ny CanalOlympia Iarivo, toerana lehibe iray ahitana efitrano fijerena sarimihetsika sy toerana fanaovana fampisehoana. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina mivady sy ny minisitry ny Fifandraisana sy ny kolontsaina.Raitra sy manaraka ny teknolojia ny fitaovana hita ao amin’ny trano fijerena sarimihetsika, izay mahazaka mpijery miisa 300. Hita ao, ohatra, ny “écran scope” lehibe (14m) sy ny fanamafisam-peo mahafa-po. Tsy latsa-danja amin’izany ny ho an’ny fampisehoana ety ivelany, izay mahazaka mpijery anarivony.Misokatra avy hatrany ho an’ny rehetra ny CanalOlympia Iarivo. Miisa 19 isan-kerinandrano ny sarimihetsika alefa ao ka amin’izao folo andro voalohany izao, ireo horonantsary fanta-daza nivoaka farany, toy ny “Avengers End Game” sy ny “Captain Marvel” no hatolotra ny mpijery.Tsy ho tara amin’ireo horonantsary vao hivoaka ihany koa ny eto Antananarivo, satria miaraka amin’ny any amin’ny firenen-kafa ny fandefasana azy ireny ao amin’ny CanalOlympia Iarivo, mandritra ny “Week-end Premières”. Isaky ny asabotsy sy alahady maraina, hisy ny fandefasana horonantsary natokana ho an’ny tanora.Homen-danja ny zavakanto malagasy Toerana iray hampiroboroboana ny zavakanto malagasy ihany koa ny CanalOlympia Iarivo. Hanana ny anjarany ao ny horonantsary malagasy. Ankoatra izany, handahatra mpanakanto ny ministeran’ny Fifandraisana sy ny kolontsaina ka ho azon’izy ireo ampiasaina maimaimpoana ihany koa ity toerana ity. Ireo no anisan’ny votoatin’ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ity minisitera ity, ny CanalOlympia, izay natao Sonia, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana.Toeram-pandefasana sarimihetsika sy fanaovana fampisehoana lehibe indrindra aty Afrika ny CanalOlympia. Toerana faha-13 misy azy ny eto Antananarivo.Landy R.  L’article Fijerena sarimihetsika sy fampisehoana: misokatra ny CanalOlympia Iarivo, raitra sy manara-penitra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy

Noraisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’Iavoloha, omaly, ireo mahery fo malagasy, nitondra avo ny voninahi-pirenena, tany Maorisy, nandritra ny andiany faha-10, ny lalaon’ny Nosy farany teo.Nahazo ny valin-kasasarany ireo atleta nahazo medaly rehetra ary nampitomboina 4 avo heny ny tamin’ny efa-taona lasa ny fankasitrahana azy ireo, izay tafiakatra hatramin’ny 361 tapitrisa ariary ny fitambarany. Raha dimy hetsy ariary izany, ho an’ny volamena, niakatra ho roa tapitirisa ariary izany tamin’ity, toy izany koa ny volafotsy sy ny alimo. Ankoatra izay, nomen’ny fitondram-panjakana mari-pankasitrahana manokana ihany koa izy ireo. Nisy 13 mianadahy nahazo ny « Chevaliers de l’ordre national », izay nahazo medaly volamena 2 no ho mihoatra, « Commandeur de l’ordre de mérite sportif » kosa ho an’ireo 78 mianadahy, nahazo medaly volamena iray. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo nisalotra ny medaly volafotsy sy alimo, dia ny «Officier de l’ordre de mérite sportif » sy ny « Chevalier de l’ordre de mérite sportif ». Tsy hadinon’ny fitondrana ihany ireo mpanazatra fa nahazo fankasitrahana toy ireo atleta rehetra, arakaraka ny medaly azon’ny taranjany tsirairay.Velom-pisaorana ireo atleta Velom-pisaorana ny fitondrana sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ireo atleta malagasy, amin’ny fihetsika mendri-piderana toy izao. Nanambara Andriantsitohaina Éric, izay nisolo tena ireo atleta rehetra, fa isan’ny nahazoana izao vokatra tena tsara izao, ny fanatrehan’ny filoham-pirenena sy Andriamatoa Minisitra, Tinoka Roberto, mivantana hatrany, ny ady sy ny lalao natrehin’izy ireo. « Zava-dehibe loatra ho anay ary tena nandrisika anay hitady fandresena ny fahitanay anareo fitondram-panjakana, manaraka akaiky anay sy nankahery anay teny an-kianja, ray aman-dreny tokoa ianareo ary tena nandray anay ho zanaka », hoy i Eric, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Mbola tokony hahavita tsara lavitra noho ireny, aza ny atleta raha manana fotodrafitrasa tsara mamaly ny filàny izy ireo, araka ny  nambarany hatrany, isan’ ny fangatahan’ireo mpanao fanatanjahantena, araka izany, ny hanamboarana sy hanatsarana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto amintsika. Naneho fisaorana ny federasiona, izay vy nahitana ny fahombiazana ihany koa ireo atleta, ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, hoy i Eric.Tetsy ankilany, nanambara Andriamatoa Minisitra fa izao dingana vita izao dia mariky ny firosoana hatrany. Faharoa isika, hoy izy, tamin’iny lalaon’ny Nosy andiany faha-10 iny, tsy tongatonga ho azy izany fa nisy ny fanomanana sy ny ezaka nataon’ny tsirairay. Nitondra ny hetahetan’ireo federasiona teo anatrehan’ny filoham-pirenena ihany koa ny Minisitra Tinoka Roberto, ny tokony hisian’ny lalao goavana handraisan’ny faritra 22 anjara, amin’ny herintaona. Mi.RazL’article Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Arivonimamo: tratra ilay lehilahy mpivarotra biskoy sy sokolà lany daty

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria (CSP) Arivonimamo, omaly tamin’ny 11 ora antoandro, ny lehilahy iray mpivarotra entana lany daty. Fantatra, araka ny fanazavan’ny polisy, fa mpivarotra biskoy sy sokolà, mandehaleha eny an-dalana eny ity lehilahy ity. Manoloana ny fahamaroan’ny ankizy marary vokatry ny fanapoizinana amin’ny sakafo noho ireny biskoy sy sokolà lany daty ireny, nanao fanadihadiana manokana ny polisy. Nahazo angom-baovao ny polisy, omaly maraina, momba ny fisiana lehilahy iray mivarotra entana lany daty mandehaleha eran’ny tanànan’Arivonimamo. Nokarohina avy hatrany ity mpivarotra ity ka voamarina fa mivarotra entana lany daty izy. Rehefa nosavaina ireo entana namidiny, tsy nahitana ny daty namokarana sy ahafahana mihinana farany ireo biskoy sy sokolà. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ny nilazany fa efa lany daty avokoa ireo entana amidiny ireo ary eny Isotry ny fakany azy ireo amin’ny vidiny mora. Rehefa azony kosa izany, kosehiny amin’ny “dissolvant” ny daty eo amin’ny fonony mba ho mora hamidy ilay entana aorian’izay. Efa fantatra izany fa eny Isotry ny fakan’ireo mpivarotra ireo sakafo lany daty. Jerem-potsiny anefa izy ireny fa tsy misy fandraisana andraikitra matotra. Matoa anefa ireny miparitaka eny, misy ireo mpandraharaha goavana misehatra amin’ny fanafarana azy ireny. Mitovy amin’ny tsipoapoaka. Ailika any amin’ny hoe ireo sisa tsy lany tamin’ny taon-dasa no amidin’ireo mpivarotra.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: tratra ilay lehilahy mpivarotra biskoy sy sokolà lany daty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afrika sy Madagasikara: 40 miliara dolara isan-taona ny fanafarana sakafo

40 miliara dolara isan-taona ny lany amin’ny fanafarana sakafo ampidirina aty Afrika, araka ny tatitra nataon’ny Vondrona afrikanina (UA) miaraka amin’ny Nepad (Nouveau partenariat pour le développement de l’Afrique). 50 % ny tany mamokatra tsy voatrandraka ho an’ny fambolena. Ambany dia ambany ny vokatry ny fambolena aty Afrika, 10 % amin’ny ankapobeny raha oharina amin’ny vokatra any Azia. Mandalo eto Madagasikara izao ny teknisianina avy any Maraoka mampiofana teknisianina sy mpikaroka malagasy ny amin’ny hamerenana ny tsiron’ny tany eto an-toerana, hamokatra bebe kokoa. Isan-taona mihena hatrany io taham-pamokarana io na tsy mampiasa zezika firy aza ny Malagasy.Tsy maintsy hampitomboana hatrany amin’ny 100 % ny vokatra eto an-toerana, hiadiana amin’ny fahantrana, hita any ambanivohitra sy amin’ny tanàn-dehibe. Faritan’ny UA hahatrarana izany ny fampandrosoana izany ny toekarena miainga avy amin’ny tontolon’ny fambolena. Tsy hita eto Madagasikara ny politika maharitra momba ny fampandrosoana ny fambolena.Tetikasa mandalo sy vonjy maika ihany hatramin’izao ny hita eto matoa mbola tsy tonga amin’izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay. Manamarina izany ny fiakaran’ny vidim-bary, nanomboka ny taona 2008. Ny taona 2014, nambaran’ny UA fa taona ho an’ny fambolena, tokony nametraka politika tsara fototra sy lavitrezaka ny firenena afrikanina isanisany, saingy tsy izay ny zava-mitranga fa misongadina, indrindra ny fandripahana ala, tonga amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao, manimba ny taom-pambolena.Azo tanterahina tsara anefa ny revolosiona maitso, toy ny hita any Azia, mifototra amin’ny fambolem-bary. Ahitan’ny Aziatika fahombiazana izany, na avy amin’ny asan’ireo mpamboly madinika aza. Tsara alain-tahaka ho an’i Madagasikara. R.MathieuL’article Afrika sy Madagasikara: 40 miliara dolara isan-taona ny fanafarana sakafo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Havatsa-Upem 67 taona: hasandratra i FX-Mahah

 Hetsika iray anisan’ny mampiavaka ny fikambanan’ny poeta sy mpanoratra malagasy Havatsa-Upem ny fanandratana mpanoratra iray mbola eo am-perimpanoratana. Anisan’izany ny « Mbarakalin’ny Havatsa-Upem ho an’i FX-Mahah » hotontosaina ao amin’ny Nosy-TV Behoririka, ny 7 septambra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hamelona an-tsehatra ireo tononkalo nosoratany (30 eo ho eo) ny mpikambana Havatsa-Upem, horavahin’ny hiran’ny tarika Tafasiry Kolokanto, ny tarika Abel Ratsimba ary ny tarika Abel Andriarimalala.Razafimahatratra François Xavier no tena anaran’i FX-Mahah. Izy ny filoha nanorina ny Havatsa-Upem sampana Frantsa. Ankoatra izay maha poeta sy mpanoratra azy izay, mpanao sary hosodoko ihany koa i FX-Mahah.Fantatra fa efa notolorana ny « Chevalier des palmes académiques de Claude Kupfer » ity mpanoratra ity tany amin’ny taona 2009.HaRy Razafindrakoto L’article Havatsa-Upem 67 taona: hasandratra i FX-Mahah a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Rodorodo Haona Fi »: hanolotra tolotrasa 400 ny mpikarakara

Hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika « Rodorodo Haona Fi » karakarain’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny 30 oktobra ka hatramin’ny 2 novambra ho avy izao, eny amin’ny Tanàna Voara Andohatapenaka. Tanjona ny hizara ny Filazantsara ho an’ny mpitsidika sy ny fampisehoana fiombonana sy fifankatiavana amin’ny sahanasa rehetra ho hita eny an-toerana. 200 ny tranoheva hampiranty sy hivarotra entana sy vokatra samihafa ho an’ny mpitsdika 30 000 andrasana mandritra ny hefarana. Hiavaka ny hetsika satria hahazo vahana ny sosialy amin’ny fizahana maimaimpoana momba ny fitiliana ny dibeta, ny fijerena ny maso sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. « Hakana sarany 5 000 Ar kosa ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono raha misoratra anarana any amin’ny Fiangonana ilay vehivavy. 10 000 Ar ny vola hefaina raha tonga eny an-toerana ka maniry ny hatao ireo karazam-pitiliana ireo », hoy ny komity mpikarakara, i Disaile Lala, teny Analakely, omaly.Hampiofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny teknisianina manokana ho an’ireo vonona hitrandraka izany fihariana izany. Hanome fahalalana manodidina ny fahaiza-mitarika sy ny fandraharahana ny mpikarakara ho an’ireo liana. Ankoatra izay, hisy tolotrasa 400 miandry ny mpitady fivelomana miaraka amin’ny orinasa maro.Ho an’ny andiany faharoa, manamarika azy ny “Kolorallye” hiandrasana fiara 40 ahitana mpanamory roa ka hatramin’ny efatra isaky ny fiara izay hifaninanana amin’ny familiana fiarakodia. “Sady fialamboly no fanampiana ny sosialy ny hetsika”, hoy ny sekretera jeneralin’ny FJKM, Radimison Jonah.Vonjy                    L’article « Rodorodo Haona Fi »: hanolotra tolotrasa 400 ny mpikarakara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Tsy tokony hanasan-damba ny paompin-drano iraisana
19/09/2020

Voarakitra ao anatin’ilay “Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA”, sokajy faha- 4, ny mom­­ba ireo toeram-pantsakana sy fanasan-damba ho an’ny besinimaro. And. 23, tsy main­tsy mandray fepetra tsy hisian’ny fihandronan’ny rano eo amin’ny faritra manamorona ny fantsakana ireo mpampiasa sy tompon’andraikitry ny toeram-pantsakana. Ankoatra ny famatsiana rano madio fisotro, voarara ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka ho amin’ny fanasan-damba, na ny fanasana fitaovan-dakozia, na ny fisasana, na ny fanasana fiarakodia. Voarara ihany koa ny fa­nariana diky na akora hafa mety handoto ny loharano mamatsy ny rehetra. And. 24, voarara ny manary fatim-biby ao anaty lavaka, ireo sisa avy amin’ny fivarotan-kena, ireo zezika avy amin’ny biby, na ny diky hafa, ary amin’ny ankapobeny ny sisam-biby mora lo ka mety handoto ny rano natao hosotroana. Mahatonga fanatanterahana sazy mifototra amin’ny famerenana amin’ny laoniny eo no ho eo ny fahadiovan’ny toerana, ny fotodrafitrasa sy ny manodidina azy, ny fahatrarana am-bodiomby ny fandikana, ankoatra ny fandoavana sazy vonodina mi­fandraika amin’izany.Tatiana A.L’article Tsy tokony hanasan-damba ny paompin-drano iraisana a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: «Hametraka Antananarivo madio sy milamina isika»
17/09/2020

Hampahafantarina ny rehetra, anio, etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny “Lalàna amam-pitsipika mifehy ny fahadiovana – CMH). Iarahan’ny CUA miasa amin’ny Friedrich-Ebert-Stiftung(FES) izany amin’ny alalana fifanaovan-tsonia fiaraha-miombona antoka eo amin’ny roa tonta. “Tonga ny fotoana hametrahana an’Antananarivo sy hamerenana ny hasina ka ho tanàna madio, mazava, milamina ary maoderina”, hoy ny fanambaran’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina.Tsy fotoan’ny gaboraraka sy tsy fanajana lalàna…Nohitsiny fa niainan’ny mponina Antananarivo nandritra ny fotoana maro ny korontana, ny kolikoly, ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ny gaboraraka, ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fanajana lalàna… “Tanànantsika ity sady Renivohitr’i Madagasikara ka tsy azo ekena intsony izany”, hoy ihany izy.Araka izany, hisy ny fampitaovana samihafa sy fanofanana ary fanentanana, hotanterahina anio, mifandraika amin’izany fahadiovana amin’ny lafiny rehetra izany.Fanambin’ny CUA ny fahadiovanaHo fantatra eo koa ireo lalàna sy fitsipika mifehy izany fahadiovana izany. Ny fizarana ny andraikitry ny tsirairay satria fanamby ho an’ny CUA ny fahadiovana. Tsy maintsy jerena sy apetraka miaraka amin’izany ny rafitra hampiharana ny CMH.Synèse R.L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: «Hametraka Antananarivo madio sy milamina isika» a été récupéré chez Newsmada.

Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao
19/09/2020

Miisa 46 ireo tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, omaly. Avy eto Analamanga ny 34 amin’izany raha enina ny any Diana. Telo kosa ny any Matsiatra Ambony raha iray avy ny any Bongolava sy any Atsimo Andrefana ary ny any Boeny. Iray kosa ny lavo ary avy any Diana izy io. Tafakatra 217 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity. Miisa 30 ireo marary anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 40 ireo sitrana. Tafakatra 14 587 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo marary mitondra ny tsimokaretina miisa 15 971. Miisa 1 165 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R.L’article Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry
21/09/2020

Hita faty nihantona tao amin’ny trano iray, tetsy Ivandry, ny lehilahy karàna iray, tamin’ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Tsy fantatra hatreto na namono tena na nisy namono izy. Rahalahin’i Moustapha, izay karohina noho ny raharaha fakàna an-keriny, ity namoy ny ainy. Mbola manjavozavo ny zava-nitranga, hatramin’ny omaly. « Efa naiditra am-ponja, teny Tsiafahy, niaraka tamin’ itsy rahalahiny itsy io Karàna hita faty io, nandritra ny Tetezamita farany, teto amin’ny firenena. Voarohirohy tamin’ny fanapoahana baomba teny amin’ny magazay lehibe iray tetsy Tsaralalàna izy roa lahy, tamin’izany fotoana izany », araka ny fanampim-baovao amin’ny mpitandro filaminana. Famotsiam-bola ? « Manomboka ny famotorana  momba an’io Karàna hita faty nihantona io izahay. Tsy vahiny aminay ny anarany satria voatonontonona matetika amin’ny fanaovana trafikana volamena izy sy ny rahalahiny (Naotin’ny fanoratana : Moustapha). Efa heno koa ny anaran’izy ireo tamin’ny raharaha famotsiam-bola mitentina telo hetsy dôlara isan’andro tao amina banky iray teny Antsahavola », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Loharanom-baovao teny amin’ny Zandarimaria no nahalalana fa isan’ireo karohin’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava i Moustapha. « Voarohirohy amin’ny raharaha fakàna an-keriny karàna teto Madagasikara i Moustapha. Nisy nitifitra teny Analamahitsy izy, taona vitsy lasa izay, ka naratra mafy. Lasa nitsabo tena any La Réunion no nialany teto Madagasikara », hoy ny avy amin’ny Zandarimaria. Ireo Polisy misahana ny heloka bevava (BC), izay manao ny famotorana momba an’izao tranga farany tetsy Ivandry izao, no miahiahy ny amin’ny mety ho fifandraisan’ny zava-nisy sy resaka valifaty. « Tsy azo lavina ihany koa anefa ny mety ho famonoantena. Ho hita eo ny marina, aorian’ny famotorana », hoy ny BC. L’article Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry est apparu en premier sur AoRaha.

Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV
21/09/2020

Kandidà amin’ny fifidianana loholona avy amin’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (TGV), naorin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no nofantenana tetsy amin’ny Arena Ivandry, efa ho andro vitsivitsy izao. Fantatra fa izy ireo no handrafitra ny lisitra hisalotra ny loko volomboasary amin’io latsa-bato hatao, amin’ny 11 desambra 2020 io, araka ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny depiote Rakotomanga Lanto, mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny antoko TGV, omaly. Voalaza fa ny Filoham-pirenena kosa no hanome fankatoavana farany momba an’izany lisitra izany. « Izay no tapaka sy nifanarahan’ireo mpikambana ao anatin’ny Vovonana miara-dia amin’ny Filoha Andry Rajoelina (MAPAR), hoy izy, ary efa vita tanteraka ny lisitr’ireo kandidà roa ambin’ny folo amin’ireo faritany enina manerana an’i Madagasikara, miampy kandidà loholona mpanampy telo isaky ny faritany ». Namaly ny mason-tsivana notakian’ny antoko ireo kandidà ireo, araka ny fanampim-panazavana. L’article Fifidianana loholona :: Voafantina ireo kandidà avy amin’ny antoko TGV est apparu en premier sur AoRaha.

Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB
18/09/2020

Araka ny efa fantatra, manomboka miverina amin’ny fanazarantena avokoa ny ekipa sy ny atleta manerana ny Nosy, isan’izany ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley ball). Ao anatin’izay indrindra, ho fampitomboana ny lenta sy hanomanana bebe kokoa ny ekipa amin’ny fifaninanana goavana hatrehina, mitady ankizy lava handrafitra ny ekipany ny filohan’ny GNVB, ny kolonely Rakotomalala Heriniaina. Somary lava ity fiatoana vokatry ny Coronavirus ity, raha ny nambarany, ka tena ilana ezaka goavana ny famerenana ny lentan’ny ekipa. Izany indrindra no tsy maintsy hirosoana amin’ny fitadiavana ankizy lava.Raha ny fanazavana hatrany, efa nanomboka niverina nikotrana, ny alatsinainy lasa teo, ny ekipan’ny volley ball ary mifantoka tanteraka amin’ny fanomanantena mafy. Nambaran’ity filohan’ny GNVB ity fa mila manao “revanche” mafy isika, taorian’ny faheresena azon’ny GNVB nanoloana an’ny Reonioney, nandritra ny “CCZone 7” farany teo iny. Fifaninanana notontosaina teto amintsika ny volana febroary lasa teo. Mba ho fampiakarana ny lentan’ny fifaninanana fotsiny ihany ny nandraisan’ny La Réunion Ankara nandritra izany fa tsy ao anatin’ny faritra faha-7 izy. Izany hoe, ny GNVB ihany ny nahazo ny amboara, hisolo tena ny faritra faha-7, na laharana faharoa aza. Mi.RazL’article Volley Ball: mitady mpilalao  lava, ny GNVB a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso
17/09/2020

   Izay vao tena raikitra ny lalao firahalahiana, ataon’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021. Hidona amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso ry zalahy, amin’izany.Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly maraina, teny amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teny Isoraka fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra ho avy izao, any Lisbonne Portugal ny lalao firahalahiana hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso. Fihaonana, tafiditra ao anatin’ny fanomanantena mialoha ny hiatrehana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny Can 2021.Mpilalao 23 mirahalahy no nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika izany. Tsy misy fiovana firy ny firafitry ny Barea fa saika ireo efa nahalalana azy hatrizay, miampy ireo vao nantsoina toa an’i Hery Bastien, i Sylvio Ouassiero, i Alexandre Ramalingom ary i Hakim Abdallah. Tsy ao anaty lisitra intsony i Dax sy i Njiva. Tsy misy mpilalao avy eto an-toerana ity Barea hidona amin’i Borkina Faso, ity. Ankoatra izay, naverina i William Gros. Natao mpilalao fiandry (réserve), i Toavina Debakely sy i Bakary Mario. Hanomboka ny 5 oktobra izao ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra ka hatao any Frantsa izany, araka ny vaovao voaray.Mety hijanona amin’ity lalao hikatrohana amin’i Borkina Faso ity ihany, araka izany, ny fihaonana firahalahiana ataon’ny Barea de Madagascar raha voafaritra fa ho roa tany am-boalohany. Tompondaka  Ireo mpilalao 23 nantsoina ho Barea de Madagascar-Mpiandry tsatoby : Melvin Adrien, Ibrahim Dabo-Vodilaharana : Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerome Mombris, Bapasy, Romain Metanire, Sylvio Ouassiero, Bakary Mario-Irakiraka : Hery Bastien, Abel Anicet, Ilahimaharitra Marco, Raveloson Ryan, Ibrahim Amada, Zotsara, Toavina Debakely-Lohalaharana : Dimitri Caloin, Ramalingom Alexandre, Hakim Abdallah, Carolus, Voavy Paulin, Bôlida, William Gros L’article Kitra – Lalao firahalahiana: Barea 23 hidona amin’ny Etalons Borkina Faso a été récupéré chez Newsmada.

Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be
17/09/2020

L’article Pilo kely #4504 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo
24/09/2020

Miisa 31 ireo tanga vaovao tamin’ny fitiliana vita miisa 257, araka ny antontanisa, navoakan’ny CCO, omaly. Avy eto Analamanga ny valo amin’izany raha 10 ny avy any Diana. Miisa dimy ireo nifindran’ny valanaretina any Vatovavy Fitovinany ary enina ny any Alaotra Mangoro. Iray avy kosa ny any Itasy sy any Matsiatra Ambony.Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mijanona ho 226 ireo lavon’ny valanaretina eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Tsy niova koa fa miisa 20 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny any Boeny, miisa 15. Tafakatra 14 788 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa16 167. Mbola maherin’ny 1 000, miisa 1 151, ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Miisa 68 564 ireo fitiliana PCR vita raha 7 289 kosa izany ho an’ny fitiliana GenExpert.Synèse R.L’article Valo ny tranga vaovao eto Analamanga, tsy nisy ny lavo a été récupéré chez Newsmada.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray
19/09/2020

Fotoana fohy taorian’ny niaingany tao amin’ny seranam-piaramanidina Antsirabe, nidoboka tamin’ny tranon’olona iray, ao Tsarafiraisana, Ambano Antsirabe II, omaly antoandro, ny fiaramanidina kely iray. Naratra mafy tamin’izany ilay mpanamory sy mpianatra ho mpanamory tao anatiny.Nitrangana lozam-piaramanidina tao Antanivao Tombon­tsoa, fokontany Tsarafiraisana, kaominina ambanivohitr’Ambano, distrikan’Antsirabe II, omaly tamin’ny 12 ora sy 10 mn. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny talem-paritry ny Polisim-pirenena ao Vakinankaratra, fiaramanidina kely iray mitondra ny laharana 5RMKX no nianjera teo an-tokotanin’olona eo amin’io toerana io raha nikasa hihazo ny seranam-piaramanidina Antananarivo Ivato. Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidin’ Antsirabe ity fiaramanidina ity tamin’ny 11 ora sy 40 mn ka vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ny mpanamory sady mpampianatra ny niaraka aminy. Ireto olona roa ireto irery no tao anatin’ity fiaramanidina ity, araka ny tatitra voaray avy any an-toerana. Vao niainga kelikely anefa ilay fiaramanidina ka tamin’ny 12 ora sy 5 mn, fantatra fa nisy olana teknika tao amin’ny moterany ka nitarika ny fianjerany tao amina tokotanin’olona iray. Vokany, potipotika tsy nisy noraisina ilay fiaramanidina kely, nilatsaka mihitsy ny moterany. Naratra mafy ilay vehivavy mpianatra ho mpanamory sy ilay mpanamory niaraka aminy.Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana…Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana nanao fizahana ny zava-nisy ny talen’ny fibaikoana ny Filaminam-bahoaka faritra Vakinankaratra sy ny lehiben’ny kaomisaria foibe Antsirabe, niaraka amin’ireo polisy miasa ao an-toerana. Nalefa any amin’ny hopitaly Loterana Andranomadio ireto olona roa naratra ireto, saingy tsy misy atahorana kosa ny ainy, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Naratra mafy teo amin’ny lohany izy ireo ary efa mahatsiaro tena. Nieren-doza ihany koa ireo olona tao amin’ny toerana nianjeran’ilay fiaramanidina. Ny elatra havian’ilay fiaramanidina no nahakasika ny trano ka nitarika ny fahasimbana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana rehetra momba ity fianjerana fiaramanidina ity. Ahina ho tsy fahampian’ny tosika teo amin’ny motera teny am-piaingana no nitarika ny loza, saingy ny valin’ny fanadihadiana rehetra ny hamaritra ny marina rehetra momba ity raharaha ity.Jean ClaudeL’article Fiaramanidina kely nidoboka tao Ambano Antsirabe II: naratra mafy ilay mpanamory sy mpianatra vehivavy iray a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange
18/09/2020

Tsy fantatra izay tena antony fa manao fanerena ankolaka ary tena misisika mafy ny hanaovana lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar ny Swift Hesperange Luxembourg. Efa tsy neken’ny federasiona malagasy (FMF) anefa izany. Nandefa taratasy any amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny ekipan’ny Swift Hesperange D1 ao Luxembourg, misisika sy manao fanerena ankolaka mangataka hanao lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar. Hotanterahina aorian’ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, hatao any Lisbonne, Portugal, ny asabotsy 10 oktobra. Nambaran’ity ekipan’i Luxembourg ity fa hiantohany avokoa ny fivahinian’ny delegasiona malagasy, ny sakafo sy ny fiantranoana ary hatolotra ny Barea de Madagascar ny vola azo rehetra amin’io lalao io ary hampitaina mivantana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny fihaonan’ny roa tonta, raha raikitra izany.Efa nanaiky ity lalao ity ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, i Nicolas Dupuis, fa miandry ny valin-tenin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra izany sisa. Marihina fa efa nilaza ny tomponandraikitry ny FMF fa tsy mendrika ny Barea de Madagascar ny hifandona amin’ity ekipa vao niakatra D1 ao Luxembourg ity.Tsiahivina fa anisan’ireo manao ny fanelanelanana hisian’izao lalao izao ilay Malagasy, Randriantsoaray Justin (Plâtre), namana akaikin’i Nicolas Dupuis, araka ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasy. Izy rahateo, tomponandraikira ao anatin’ity ekipan’ny Swift Hesperange ity, ary anisan’ireo nampiditra an’i Hakim Abdallah hilalao ao amin’ity ekipa ity.Nanamarika kosa ny mpitantana ao amin’ny federasiona malagasy fa aleo mitady ekipam-pirenena hanaovana lalao firahalahiana toy izay amin’ny klioba satria tsy misy ekipa nasionaly manao “sparring partner” amin’ny ekipa D1 izany na aiza na aiza. TompondakaL’article Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange a été récupéré chez Newsmada.