Sarimihetsika: hivoaka ny DVD ny « Manompo masira 2 »

News - Sarimihetsika: hivoaka ny DVD ny « Manompo masira 2 »

News - Sarimihetsika: hivoaka ny DVD ny « Manompo masira 2 »

Rehefa avy nankafy ny “Manompo
masira 1”, mitohy hatrany ny horonantsary vokarin’ny Out
Linemovies. Hivoaka manerana ny Nosy ny sarimihetsika malagasy «
Manompo masira 2”. Rahampitso talata 3 aogositra no hanapariahana
izany ho an’ny mpankafy ny sarimihetsika malagasy. DVD “original”
ahitana lafim-piainana maro amin’ny endriny samihafa: ny
mahatsikaiky, ny alahelo, ny fiarahamonina… Maro ireo sangany
amin’ny mpilalao sarimihetsika eto Madagasikara handray anjara ao
anatin’ny “Manompo masira 2”. “Tsy latsa-danja amin’ny efa
novokarina hatramin’izay fa hanome fahafinaretana tanteraka ho
an’ny mpianakavy satria natao ho an’ny olon-drehetra”, hoy ny
tompon’andraikitra ao amin’ny Out Linemovies.

Narilala

Article tiré de Newsmada

L’article Sarimihetsika: hivoaka ny DVD ny « Manompo masira 2 » a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 02/08/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Delire Madagascar

FIFANINANANA WIKICHALLENGE : Lasan’ny sekoly moana sy marenina ADSF avy eto Madagasikara ny fitaovam-pianarana mitentina 5.000 Euros

Tamin’ny alalan’ny vakodrazana no nandrombahan’ny ankizy teto Madagasikara tao amin’ny sekoly moana sy marenina ADSF avy eto Antananarivo ny loka voalohany ny « WikiChallenge » 2021. Fitaovam-pianarana mitentina 5.000 Euros no azon’izy ireo. Laharana faharoa kosa ny ankizy avy any amin’ny repoblika demokratikan’i Congo tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany A, Matonge, nanao ny « Malewa » ary fahatelo ny ankizy tao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany Bandia any Senegal, nampisehoany famokarana tantely any Bandia. Miisa 100 ireo sekoly nandray anjara tamin’ny fifaninanana « WikiChallenge » tamin’ity taona 2021 ity. Marihana fa ny mpitsaran’ny Fondation Orange aty afrika no nifantina ireo telo nahazo ny loka iraisam-pirenena ireo. Ankoatra izay dia nisy ny loka nasionaly roa, izay azon’ny EPP Ilafy, fitaovam-pianarana mitentina 2.000 Euros ary 1.000 Euros azon’ny EPP Maibahoaka. Lakandranon’ny Pangalane no nahazoan’ny EPP Ilafy ny loka ary Fantsiolitsa ny an’ny EPP Maibahoaka Ny fikambanana Wiki In Africa no nikarakara ny fifaninana « WikiChallenge ». Ny taona 2017 no nanombohan’izy ireo ny fifaninanana. Natokana ho an’ny mpianatra 9 ka hatramin’ny 13 taona amin’ny sekoly nomerika izay sahan’ny Fondation Orange aty afrika izy ity. Natao mba ho famporisihana ireo mpianatra hizara ny fomba fijeriny ny manodidina azy. Ny mpianatra amin’ny sekoly nomerika dia afaka mizara sy mianatra mandefa ny fiainan’izy ireo ao amin’ny «  Vkidia ». Nanomboka ny taona 2014 ny orange solidarté Madagascar no nanangana ireo sekoly nomerika manerana faritra 22. Efa  miisa 156 no isan’izy ireo ankehitriny. Ra-Nirina Cet article FIFANINANANA WIKICHALLENGE : Lasan’ny sekoly moana sy marenina ADSF avy eto Madagasikara ny fitaovam-pianarana mitentina 5.000 Euros est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FIFANINANANA WIKICHALLENGE : Lasan’ny sekoly moana sy marenina ADSF avy eto Madagasikara ny fitaovam-pianarana mitentina 5.000 Euros a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - Midi Madagasikara

Musique : Des pépites musicales à découvrir via Talent Discovery 2021

Nainako sur la scène du Talent Discovery 2020 au No Comment Bar Isoraka. S’il est une chose certaine à Madagascar, c’est le manque de plateforme, et peut-être aussi de volonté pour faire connaître les jeunes talents musicaux du pays. Avec Talent Discovery, No Comment Bar Isoraka, Isaray Cultural Consulting et Ray Event Creators souhaitent changer la donne. Talent Discovery est une opportunité offerte à tous les artistes musiciens locaux pour se dévoiler sur scène. Cependant, il ne faut pas croire qu’il s’agit de placer n’importe qui devant le micro. La plateforme n’accepte que les artistes qui envisagent ou font déjà carrière dans le milieu de la musique. C’est-à-dire, il faut avoir ses propres compositions, ce qui semble normal puisqu’il s’agit de présenter des œuvres au public. Chaque talent retenu par REC et ICC a droit à un set de 15 minutes sur la scène du No Comment Bar, une prestation qui comprendra trois œuvres originales et un cover (interprétation). Chaque musicien viendra avec son instrument, excepté le batteur qui peut utiliser celui de la salle de concert. Condition de participation. Selon les explications des initiateurs du programme, la sélection se fait sur le réseau social Facebook en publiant une vidéo d’une minute d’une chanson originale du groupe ou de l’artiste, en mode publique. Après cela, il suffit d’envoyer un message privé contenant le lien de la vidéo, les informations sur le groupe, la fiche technique pour la scène, et la vision professionnelle du projet à la page de l’organisation. Il y aura deux concerts par mois pour ce projet où cinq participants, par événement, partageront la scène. Opportunité. Chaque artiste participant à ce projet, en plus de pouvoir présenter au public ses œuvres, bénéficiera aussi de la présence de managers, producteurs, tourneurs, dans l’assistance. Une opportunité donc de se faire des contacts dans le milieu professionnel et, pourquoi pas, décrocher un contrat. Outre cela, le coup de cœur de chaque spectacle gagnera aussi une séance de 2h de direction artistique assurée par Ray Event Creators. Toutefois, les organisateurs affirment que tous les participants recevront des conseils par REC et les jurys, toujours dans l’optique d’améliorer la qualité des prestations des artistes locaux. La première scène de Talent Discovery 2021 se tiendra ce 20 janvier à 20 heures. Les noms des premiers participants seront dévoilés ce jeudi 14 janvier. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Musique : Des pépites musicales à découvrir via Talent Discovery 2021 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Des pépites musicales à découvrir via Talent Discovery 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fakan-kevitra tany Mahajanga: Dodona amin’ilay sata ireo mpanakanto

Taorian’Antananarivo, efa naneho ny hetahetany koa ireo mpanakanton’i Mahajanga. Maika amin’ilay sata hifehy ny asany koa izy ireo. Maika hiasa anatin’ny fepetra maha matihanina ihany koa… Mila miainga avy amin’ireo mpanakanto ny tolo-kevitra. Nanaja izay fepetra nangatahin’ny maro izay ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ka nanao fakan-kevitra ho an’ireo mpanakanto. Mahakasika indrindra ilay satan’ny mpanakanto, izay hifehy ny asany izy io. Efa natomboka teto Antananarivo izany, nanasana ireo solontenan’ny fikambanana, ny federasiona isaky ny sokajin-kanto. Nitohy tany Mahajanga kosa, ny alatsinainy lasa teo. Nifanatrika tamin’ireo mpanakanto isan-tsokajiny avy, tao an-drenivohitr’i Boeny ny minisitra ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo lalatiana sy ireo teknisianina niara-dia taminy. Nihaino sy nandray ireo hetahetan’ny mpanakanto no tena natao nandritra izany. Misandrahaka ny hevitra, saingy niraisana ny fahamehana amin’ny fametrahana ity sata ity, izay hamaritra ny mahamatihanina sy ny maha mpanakanto azy ireo. Teboka iray lehibe nisy namerimberina tamin’izany ny ho fitsinjovana ny hoavin’izy ireo, indrindra rehefa tonga ny fotoana tsy hahafahana miasa amin’ny maha mpanakanto intsony, ohatra. « Hirosoantsika izay vahaolana amin’ny fitsinjovana ny fisotroan-dronon’ny mpanakanto izay, rehefa tafapetraka soa aman-tsara ity sata hifehy ny asanareo ity. Mila homena ny toerana sahaza azy amin’izany ny mpanakanto mba ho afaka mivelona sy misitraka ny zavakanto ataony », hoy ny fampanantenan’ny minisitra. Nisy kosa ireo hetahetan’ny mpanakanto, izay nahazo valiny teo no ho eo. Anisan’izany ny fanomezana maimaim-poana ny Banja Toalaza, mandritra izao hamehana izao, hatramin’ny faran’ny taona. Mijanona ho an’ny kolontsaina sy ny zavakanto hatrany koa ny Maison de la Culture Mahajanga, na dia eo aza ny fijoroan’ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera izay ho vita tsy ho ela.Zo ny Aina L’article Fakan-kevitra tany Mahajanga: Dodona amin’ilay sata ireo mpanakanto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tselatra

Voasambotry ny zandary tao Nosibe, Vohémar, ny lehilahy iray 35 taona voarohirohy ho nivarotra rongony 8 kg. Tao amin’ny fokontany Begaraka, kaominina ambanivohitra Nosibe, Vohémar, ny nahasamborana azy. Tratra tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny fonosan-drongony marobe. Ireo zandary mpanao fisafoana avy ao amin’ny tobim-paritra Daraina no nahatratra azy, afakomaly. Tratra ireo jiolahy enina tompon’antoka amina fanafihana tao Soaniadanana Marovoay, afakomaly alina. Lelavola mitentina 2 tapitrisa Ar sy telefaonina finday no lasan’ireto mpanafika ireto. Lehilahy iray naratra voatifitra.    L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Maep: ifantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Mahatratra 19.000 ha ny velaran-tany nampiasana masomboly safiotra iarahana amin’ny firenena sinoa. Nahatratra 11 t/ha ny vokatra.Maromaro ny paikadim-pampandrosoan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep) amin’ny seha-pihariana samihafa. Isan’izany ny fanapariahana ny karazam-bary safiotra manerana ny Nosy. Velaran-tany 18.511 ha no nambolena ity karazam-bary safiotra ity tato anatin’ny roa taona tany amin’ny distrika miisa 35, anaty faritra 10. Misy tamin’ireo tantsaha nahazo vokarta 11 t/ha. Ho tohin’izany, hisy tetikasa lehibe hiarahana amin’ny firenena sinoa, hamokarana masomboly safiotra milanja 2.000 taonina, hambolena any amin’ny velaran-tany maherin’ny 19.000 ha. Tanjona ny hahaleotena amin’ny vary an’i Madagasikara, ka tsy tokony hanafatra avy any ivelany intsony.Tetikasa AD2M any MenabeAnkoatra izany, manohana ny seha-pihariana tsaramaso any amin’ny faritra Menabe ny Maep. Nidina tany Miandrivazo ny talen’ny fampiroboroboana ny fambolena, Ramananjanahary Harivony sy ny talem-paritra Maep Menabe, Andriamiarinera Hajanirina, niaraka tamin’ny teknisian’ny tetikasa AD2M. Hita fa tsara ny vokatra sady sahaza ny tany any amin’ny kaominina Andranomainty ny tsaramaso. Resy lahatra ny tantsaha hampiasa ny teknikam-pambolena natoron’ny tetikasa AD2M. Miroborobo koa ny fiompiana tantely any Menabe sy Melaky, tohanan’ity tetikasam-pampandrosoana ity.Njaka A.L’article Maep: ifantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kaominina Alasora: “Miroborobo ny fananan-tany sy ny fanorenan-trano”

Kaominina antenantenany eto Alasora satria mifanila amin’Antananarivo Renivohitra, 7 km monja ny elanelany. Mifangaro ny mponina, ahitana tantsaha sy mpiasa hafa (mpikarama, miasa tena, …). Dinidinika niarahana amin’ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Jimmy.Gazety Taratra: Inona ny tena mampiavaka ny kaominina Alasora? (-)Randrianarisoa Jimmy (*): Tato ho ato, tena miroborobo ny lafiny fananan-tany sy ny fanorenan-trano satria be ny olona avy any ivelany nahazo tany aty an-toerana, miala ny fivangongoan’ny tanàna any an-dRenivohitra, indrindra hatramin’ny fisian’ny lalana By Pass ihany koa. Maro   amin’izy ireny ny mandeha miasa na mianatra any an-tanàn-dehibe. Mitombo be, noho izany, ny fivezivezena ka tsy maharaka ny fiara fitaterana na efa mba betsaka ihany na izany aza, toy ny zotra I miainga any Ambohijatovo, sy ireo mandalo (zotra 015, 163, 192, 194,…).Azo lazaina fa anisan’ireo kaominina mahazaka tena Alasora amin’ny fitantanana ny raharaha anatiny ankapobeny satria mba voaloa ny karaman’ny mpiasa. Tsy maharaka anefa ny vola miditra miohatra amin’ny mivoaka, tsy ahafahana manao fampiasam-bola betsaka. Singaniko, ohatra, kely ny tahan’ny fidiran-ketra mikasika ny tany (IFT) sy ny trano (IFPB), 9 hatramin’ny 15%, izay mila ampiakarina satria anisan’ny fidiram-bola maharitra.-Manao ahoana ny fotodrafitrasa sy ny lesoka?*Maro ny lalana vita rarivato fa betsaka koa anefa ny mila atao, indrindra ny mampifandray amin’ireo fokontany 20. Voavaha ny ampahany amin’ny famatsian-drano vokarin’ny Jirama satria vita ny eny Ankadindratombo, afaka namatsy fokontany efatra. Tsikaritro anefa fa marivo loatra ny halalin’ny lavaka mitondra ny fantson-drano (20 sm?) hany ka nisy sahady ny simba vao tsy ela izay. Mbola manana olana amin’ny rano ireo fokontany hafa manodidina, sy ny eto an-tampon-tanàna satria avo toerana Alasora. Mizotra tsara ny fitantanan’ny fikambanana ny toerana mamatsy rano. Maro koa ny sekoly tsy voakojakoja, toy ny EPP eto an-tampon-tanàna izay efa maherin’ny 150 taona, ohatra, satria tsy ampy ny loharanom-bola.-Ny hafatrao?*Isaorana ny fikambanana sy ny orinasa tsy miankina manohana. Manao antso avo amin’ny fanjakana kosa anefa satria tsy vitanay samirery ny fampandrosoana. Tsy ho anay mpitantana ny fisian’ny zava-bita sy ny fandrosoana fa ho an’ny mponina sy ny taranaka.Nanangona: Njaka Andriantefiarine-Mirefy 44 km2 ny kaominina Alasora, distrika Avaradrano, faritra Analamanga, ahitana mponina manodidina ny 70 000, anaty fokontany 20.-Anatin’ny vondrom-paritra « Antananarivo midadasika » na « Grand Tanà », ivondronan’ny kaominina miisa 37.-Tetibola 2020 : vinavina : 1.399.774.785 Ar ; tanteraka : 886.384.778 Ar-Vohitra naorin’ny mpanjaka Andriamanelo sy ny zandriny Andriamananintany eny Ambohitrandriananahary.L’article Kaominina Alasora: “Miroborobo ny fananan-tany sy ny fanorenan-trano” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Raha tena mampandroso ny fitrosana…    

                 Firy tao-maty izay? Hatramin’izao, mbola ao anatin’ny fahasahiranana lalina sy maharitra ny vahoaka ifotony. Fanambin’ny fitondrana amin’izao ny hoe fanarenana izay antony fototra nahatonga izany hatramin’izay, fanonerana izay fampandrosoana tsy tratra ampolo taona maro, fanorenana ho amin’ny dingana vaovao… Mby aiza? Ho hita eo…Iaraha-manaiky tsy i Madagasikara no mahantra; eny, na fitenin’ny sasany mandrakariva hatramin’ny any ivelany aza ny hoe firenena mahantra indrindra maneran-tany. Mifanohitra amin’izany ny marina? Manankarena i Madagasikara amin’ny harena an-kibon’ny tany, ohatra, ny zavaboary tsy fahita eran-tany, ny kolontsaina mampiavaka azy…Ny vahoaka no mahantrana izay ela izay, na nampahantraina… Nahoana? Teo, ohatra, ny fandrobana sy ny fanapotehana vahoaka nafitsoky ny mpanjantany, mbola mamela takaitra sy misy tarazo ratsy hatramin’izao. Nanara-dia izany ny mpitondra nifandimby, fa saika ady tombontsoa manokana ny fakana sy fampiasana fahefam-panjakana.Tsy nitsinjara araka ny tokony ho izy ny harena, tsy niainga avy any ifotony ny tetikasa fampandrosoana, tsy nisy firy ny tamberin’andraikitra avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga… Saika ireo mpanao fivoriana atrikasa etsy sy eroa, ohatra, no tena misitraka ny vola laniana, fa tsy tafapaka firy any amin’ny vahoaka…Tsy vitan’izany, araka ny fijerin’ny mpandinika sasany: saika miverina any amin’ny firenen-dehibe mpampanjana-bola ny ankamaroan’ny vola ampiasaina amin’ny hoe fampandrosoana: mandray ny asa, mamatsy ny fitaovana, miantoka ny akora… Izay no mahampahantra ny vahoaka ifotony izay ela izay? Na mandringa hatrany ny fampandrosoana…Hanao indray ny amin’izao? Mby amin’ny hoe fanovana… Takin’ny Antenimierampirenena, ohatra, ny fangaraharana amin’ny fampiasana ny vola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena farany teo, ary hiantraika amin’ny isan-tokantrano. Mba hanana anjara amin’izay ny vahoaka, raha tena mampandroso tokoa ny fitrosana sy fanampiana?Rafaly Nd. L’article Raha tena mampandroso ny fitrosana…     a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony

Feno ny toerana! Nanao fitsirihana tampoka ny faritry ny ladoany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly talata maraina, ny tompon’andraikitry ny ladoany, notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny fadin-tseranana, i Zafivanona Lainkana Ernest, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rtoa Delmotte Stéphanie. Tsikaritra fa maro loatra ireo entana mitoby tahirizina ao. Nambaran’ny tale jeneraly fa ilaina ny fanalalahana ny faritra sy ny toerana fametrahana entana ao amin’ny ladoany manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Misy ny entana lany fetr’andro nefa tsy nalain’ny tompony. Ao koa ny nogejain’ny fanjakana toy ny karazan-kazo, sy ny hafa.Hisy komity iraisana handinikaKoa tsy maintsy raisina ny fepetra, hanaovana lavanty ny entana na koa hanapotehana na handorana ary handevenana ireo entana sasany, toy ny sakafo fihinana, ohatra, satria tsy azo antoka intsony ny hitahirizana azy mihoatra ny roa volana, nefa tsy tafavoakan’ny tompony. Singanina amin’izany ny entana ao anaty kaontenera miisa 500 ao amin’ny orinasa MICTSL. Eo koa ireo fiara tsy tokony hiditra eto Madagasikara, manana familiana ankavanana, ny fiara mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, ny fiarakely mihoatra ny 10 taona. Tsy maintsy hatao lavanty izy ireny na hopotehina, arakaraka ny fanapahan-kevitry ny komity manokana iraisan’ny minisitera sy ny rafi-panjakana voakasika samihafa.Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny ladoany fa ankoatra ireo fiara sy karazan-kazo, misy koa ny entana hafa, toy ny lafarinina, ny fanafody, ny siramamy, ny vary, ny kilalao, ny akanjo na lamba efa niasa (friperie), sns. Misy amin’ireo entana ireo ny efa tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatramin’ny taona 2009, saingy tsy navoakan’ny tompony.SajoL’article Seranan’i Toamasina: hopotehina sy hatao lavanty ny entana tsy alain’ny tompony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsena iraisam-pirenena: ferana ho 250 dolara farany ambany ny vidin’ny lavanila

Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta, ny 19 aogositra teo, fa hatomboka ny 15 septambra ho avy izao hatramin’ny 31 mey 2021 ny fotoam-pisokafan’ny fanondranana lavanila. Mandritra io fotoana io izany ny fampidirana any amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra lavanila avy eto Madagasikara.Tsy misy fanovana ny vidin’ny farany ambany amin’ny lavanila any amin’ny tsena iraisam-pirenena, 250 dolara ny kilao, mandritra io vanim-potoana io. Niaraha-nanapaka tamin’ny volana jolay teo izany teo anivon’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV). Marihina fa samy ahitana solontena mpikambana ao amin’izany CNV izany ny avy amin’ny minisitera 10, Banky foibe, sy ireo mpandraharaha amin’ity fihariana lavanila ity. Manentana ny mpandraharaha mpanondrana io vokatra io ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana (Mica) hanaja ny fepetra rehetra, indrindra ny fampiharana ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.« Misy ny fepetra fanohanana ny eto an-toerana, indrindra ny fiavian’ireny vokatra ireny, fikarohana sy fampandrosoana ny varotra, fisorohana ny vokatra natoraly hosoka, asa maharitra ataon’ireo mpandraharaha amin’izany fihariana izany, ary ny tahan’ny vanila mampiavaka ny lavanila avy eto Madagasikara », hoy Rakotomalala Lantosoa, minisitry ny Mica.Hatramin’izay, zatra manondrana io vokatra io toy ny akora fototra ny mpandraharaha, ankehitriny, efa betsaka ny manitatra manodina izany, mampiakatra ny sandany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tanjona ny tsy hampiova ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, voalohany amin’ny varotra lavanila, 70 %. Hampahafantarin’ny Mica tsy ho ela ny lisitr’ireo matihanina mpanondrana lavanila. R.MathieuL’article Tsena iraisam-pirenena: ferana ho 250 dolara farany ambany ny vidin’ny lavanila a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

“M’Foot Fokontany”: miaraka ny baolina kitra sy ny fanabeazana

Vita, ny 21 avrily teo, ny dingana voalohany “M’Foot Fokontany”, nifanaovan’ny ankizy 13-15 taona, natomboka ny 30 marsa ka nandraisan’ny ekipa anjara niisa 75 tany am-boalohany avy amina boriborintany enina eto Antananarivo.Hanomboka ny 27 avrily izao ny dingana faharoa fifanintsanana eo amin’ireo ekipa enina voalohany isaky ny boriborintany sy ireo enina voafantina ahitana ireo ankizy mpilalao mahay, nofantenana avy amin’izay nihintsana ny dingana voalohany.Vita, omaly, ny fisarihana ireo ekipa telo isam-bondrona amin’izao dingana manaraka izao, natao tao amin’ny Skate Park Antanimena, nahitana ireo mpanohana isan-tsokajiny (Airtel, Total, Sanifer, Jumbo Score, Supermaki, Big, Aro, BOA) miaraka amin’ny Alefa Barea, mpikarakara ny fifaninanana. Kendrena koa ny fanabeazana sy ny fijerena ny lafiny sosialy ho an’ireo ankizy ireo hiomana ny hoavy ka singa iray lehibe ny fanohanana azy ireo amin’ny fanatanjahantena. Antony iray lehibe koa nisafidianan’ny mpanomana ny kianja manara-penitra (synthétique) any Andralanitra, misy ny toby Akamasoa, nifampiresahana tamin’ny mpitantana, ny mompera Pedro.“Mahafaly anay ny mandray anjara ho fanabeazana ireo ankizy ireo amin’ny baolina kitra, taranja fanatanjahantena mampiombona. Vonona hatrany izahay manohana, hanomana sy hampivoatra ireo tanorantsika ireo miainga avy any amin’ny fokontany misy azy avy”, hoy ny filohan’ny mpanohana Alefa Barea, Ramisamanana Lova.Raha mpilalao fito isaky ny ekipa no nifanandrina tany amin’ny dingana voalohany, sivy kosa ny handray anjara amin’izao manaraka izao. Ny 12 mey ny lalao famaranana eny amin’ny toby Akamasoa ihany. R. Mathieu   Ireo enina voalohany isaky ny boriborintany :Boriborintany 1 : CF TFC Anatihazo Isotry;  Boriborintany 4 : Ouest MananjaraBoriborintany  2: JSM Morarano               ;   Boriborintany 5 : FC ZandrikelyBoriborintany 3 : FC Betongolo                ;    Boriborintany 6 : Sport 6 City Ireo no hifanintsana amin’ny ekipa voafantina. L’article “M’Foot Fokontany”: miaraka ny baolina kitra sy ny fanabeazana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services AGENTS PRISE DE RENDEZ VOUS
23/09/2021

Objet de la référence annonce : Nous recrutons : DES AGENTS POUR PRISE DE RENDEZ VOUSSKYCALL MADA, centre d’appels international, à dimension humaine, réalise, depuis plusieurs années, tous types d’opérations télémarketing pour le compte de clients prestigieux. Toutes nos opérations sont des contrats annuels. La majorité de nos clients sont des clients récurrents, fidélisés par la qualité de nos résultats.POSTE IMMEDIAT : DES AGENTS EN PRISE DE RENDEZ VOUS MISSIONSVos missions :  Vous effectuez des appels téléphoniques sur une cible de particuliers (fichiers qualifiés)  Vous saisissez le rendez vous dans notre interface Vos atouts :  Une expérience réussie en prise de rendez vous  Un tempérament jovial, créatif et constructif,  Maîtrise des outils informatiques indispensables -Nous vous proposons : -Un contrat en CDI -Un salaire fixe de 800 000Ar +primes - Un transport pour vous raccompagner -Des horaires de travail fixes du lundi au Vendredi -Ambiance de travail chaleureusePROFIL-Titulaire d’un Bac +2 minimum -Excellent niveau de Français -Ayant une écoute active, sens de l’analyse, objectivité et rigueur -Une expérience en prise de rendez vous est un atout majeurCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENTS PRISE DE RENDEZ VOUS".

Emploi et services COURS MATHEMATQUES-PHYSIQUE
25/09/2021

Jeune Ingénieur donne Cours particulier MATHEMATIQUES et PHYSIQUE-CHIMIE à domicile. Programme Malagasy et Français. Toutes classes et toutes séries : BREVET, A,C,D, TS, TL, OSE...Préparation divers concours. Disponible la fin de journée et les week end, 10 ans d'experiences, Sérieux et dynamique.Contact : 0327177054Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS MATHEMATQUES-PHYSIQUE".

A vendre De bons livres et des excellentes annales de Mathematiques et de Sciences physiques pour des éleves ou étudiants.
26/09/2021

Trouver de bons livres et des excellentes annales de Mathématiques et de Sciences physiques pour vos enfants élèves ou étudiants sur le site : fb.me/Comprendre.ces.MAT1ERE5PS : De belles opportunités de business , des outils marketing , des livres d'entrepreneuriat , des robots aspirateurs , des ordinateurs PC , des bijoux , ...etc à découvrir sur fb.me/Change.de.V1ECliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre De bons livres et des excellentes annales de Mathematiques et de Sciences physiques pour des éleves ou étudiants.".

Emploi et services AGENTS TELEVENTES
24/09/2021

Objet de la référence annonce : Nous recrutons dans l'immédiat : DES AGENTS TELEVENTES en émission d’appelsSKYCALL MADA, centre d’appels international, à dimension humaine, réalise, depuis plusieurs années, tous types d’opérations télémarketing pour le compte de clients prestigieux. Toutes nos opérations sont des contrats annuels. La majorité de nos clients sont des clients récurrents, fidélisés par la qualité de nos résultats. POSTE IMMÉDIAT : AGENTS TELEVENTES en émission d’appelMISSIONSVos missions :  Vous effectuez des appels téléphoniques sur une cible de particuliers (fichiers qualifiés)  Vous saisissez la vente dans notre interface Vos atouts :  Une expérience réussie en télévente  Un tempérament jovial, créatif et constructif,  Maîtrise des outils informatiques indispensables Nous vous proposons : -Un contrat en CDI -Un salaire fixe de (800 000 Ar) + primes -Un transport pour vous raccompagner -Des horaires de travail fixes du lundi au Vendredi -Ambiance de travail chaleureuse Candidature :Merci d’envoyer votre CV et lettres de motivationMail : rhskycall@gmail.comPROFIL-Titulaire d’un Bac +2 minimum -Excellent niveau de Français -Ayant une écoute active, sens de l’analyse, objectivité et rigueur -Une expérience en télévente serait un atout majeurCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENTS TELEVENTES".

Emploi et services RECRUTEMENT CALL CENTER
21/09/2021

Objet de la référence annonce  SKYCALL MADA, centre d’appels international, à dimension humaine, réalise, depuis plusieurs années, tous types d’opérations télémarketing pour le compte de clients prestigieux. Toutes nos opérations sont des contrats annuels. La majorité de nos clients sont des clients récurrents, fidélisés par la qualité de nos résultats. SKYCALL  CONTINUE SA CROISSANCE ET RECRUTE A TANA Nous recrutons  sur de nombreux postes :     1 Responsable qualité     4 Superviseur( euse) de production      18 Télévendeurs (euses)      2 agents en recouvrement de créances      4 Agents de qualités Nous vous proposons : -Un contrat en CDI -Un salaire fixe très motivant +primes - Un transport pour vous raccompagner -Des horaires de travail fixes du lundi au Vendredi -Ambiance de travail chaleureuse   Candidature : Merci d’envoyer votre CV et lettre de motivation à skycallmada@gmail.coCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services RECRUTEMENT CALL CENTER".

A louer VILLA NEUVE AVEC PISCINE
28/09/2021

En location de longue durée à Mahajanga, référence LMV 208/21 MAV, une villa neuve de plain-pied, située dans le quartier de Mahavoky à 10 mn du centre-ville et des plages du Village touristique, dans un quartier résidentiel, calme et sécurisé.Cette jolie et confortable villa  récemment achevée est bâtie sur un terrain paysagé de 600m2 clos de murs agrémenté d’une belle piscine. Elle est composée d’un spacieux salon ouvrant sur une belle terrasse couverte, d’une cuisine américaine avec plan de travail et plaque de cuisson, d’un cellier, de trois chambres, d’une salle d’eau avec douche à l’italienne et toilette. L’ensemble est très lumineux et doté de matériaux et équipements de qualité. A l’extérieur, un garage pour deux véhicules, un logement de gardien avec douche et toilette. Villa déjà équipée de la fibre optique, abonnement en sus.Son loyer est fixé à l’équivalent de 500 euros mensuels soit 2.250.000 Ariary au taux actuel moyen de la devise nationale, charges comprises hors JIRAMA et abonnement à la fibre optique déjà installée. A la signature du bail d’un an renouvelable par tacite reconduction, versement du premier loyer, d’un mois de caution et des honoraires d’agence équivalents à 75% du montant du loyer.Pour tout renseignement supplémentaire et pour une visite, merci de prendre contact avec l’agence AIM, par téléphone au 032 97 156 68 et 032 68 576 41 ou par mail à contact@mahajanga-immobilier.com  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer VILLA NEUVE AVEC PISCINE".

A vendre WHATSAPP::+1 (205) 3191273 vape shop in sharjah
26/09/2021

Buy Vape Pens in UAEHere, you can Buy Vape Pens online in UAE  http://nebannaphamarcy.com/product/buy-vape-pens-online-in-uae/Nebanna pharmacy is the online vape shop of choice for countless customers and we’re on a mission to change the way you vape. We cater to vapers of all levels of expertise, from the beginners looking for their first kit to the advanced cloud chasers looking for high powered mods and the most complex of flavors. Buy Vape Pens online in UAE Our vape shop has an e-liquid or mod to fit every customer’s need. We are constantly bringing you the most innovative technology in the world of vaping. You’ll never be bored with the products offered at Nebanna pharmacy. We are committed to high standards, amazing customer service, and elevating your experience with our products all over UAE. Buy Vape Pens online in UAE we sale and deliver all types of vape pens in areas in: Oman , Muscat , Bahrain , Manama , Dubai , Abu Dhabi , Saudi Arabia , Riyadh , Kuwait , Hawalli , Qatar , Doha , Salalah , Muharraq , Dammam , Jeddah ,Mecca , Medina , Al Farwaniyah ,Al Rayyan , Umm Said. A vaporizer pen or simply vape pen is one of the most popular types of e-cigarette on the market. They range from the size of a standard cigarette to that of a large cigar and many have a smooth and streamlined appearance like a traditional cigarette. They are usually slim and lightweight in design and incorporate a small rechargeable battery for convenience. Vape pens also include a heating element and a tank, known as the clearomizer or atomizer. It’s in this tank you put your chosen e-liquids and for many vapers, moving onto a vape pen is their first chance to try the diverse range of different e-liquids  on the market. E-liquid kits are a great middle ground between disposable kits and more advanced mod kits, since they give you the opportunity to choose your e-liquid without being too complicated. Buy Vape Pens online in UAE WHATSAPP::+1 (205) 3191273 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre WHATSAPP::+1 (205) 3191273 vape shop in sharjah".

A vendre ASUS ZenBook Flip UX363JA Écran tactile Full HD 13,3" I5 | 8 Go de RAM | 512 Go SSD
28/09/2021

Sell ​​all kinds of mobile phones, laptops, cameras, camera encoders, electricscooters, iPads, etc. New in box with full accessories, delivered with1 year warrantyFor more information, contact usE-mail ;; json08775@gmail.comWhatsApp chat :: +18722046405Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ASUS ZenBook Flip UX363JA Écran tactile Full HD 13,3" I5 | 8 Go de RAM | 512 Go SSD".

A vendre Villa basse a vendre
21/09/2021

Villa basse situé a Anosizato Est 3 Chambre-cuisine- douche et WC interieur- eau et électricitéSuperficie terrain: 300 m2Cloturer-accessible moto Prix: 60 millions ariary légèrement a débattreContact: E-mail: immo.jhn@gmail.com Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Villa basse a vendre".

Emploi et services Voulez – vous gagner une grande commission d'une valeur de 500 millions de dollars US ?
26/09/2021

Si oui , profitez cette belle opportunité de business qui est un projet énorme. C'est en pré-lancement donc gratuit pour le moment après ce sera payant et plus vous recrutés des affiliés et donc vous gagnez plus - chaque personne recrutée vous fait gagner 100 USD ( dollars ). C'est l'affiliation de 1 à 16 niveaux , ce qui est énorme . Si vous ne voulez pas faire la promo pour constituer votre réseau d'affiliés et gagner de l'argent , ne vous inscrivez pas par ici : https : // 5billionsales.com/affiliate/assi1Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Voulez - vous gagner une grande commission d'une valeur de 500 millions de dollars US ?".

Emploi et services Gagner de l'argent grâce au trading
24/09/2021

Tu veux gagner de l'argent en faisant du trading mais tu ne sais pas comment ça fonctionne, je te propose de mettre en place en moins d'une heure ton robot de trading automatique http://www.1tpefb4.com/goto.php?dat=saintia_tradeauto_1&tk=Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent grâce au trading".

Emploi et services AGENTS TELEVENTES
23/09/2021

Objet de la référence annonce : Nous recrutons : AGENTS TELEVENTES en émission d’appels SKYCALL MADA, centre d’appels international, à dimension humaine, réalise, depuis plusieurs années, tous types d’opérations télémarketing pour le compte de clients prestigieux. Toutes nos opérations sont des contrats annuels. La majorité de nos clients sont des clients récurrents, fidélisés par la qualité de nos résultats.POSTE IMMÉDIAT : AGENTS TELEVENTES en  émission d’appelMISSIONSVos missions :  Vous effectuez des appels téléphoniques sur une cible de particuliers (fichiers qualifiés)  Vous saisissez la vente dans notre interface Vos atouts :  Une expérience réussie en télévente  Un tempérament jovial, créatif et constructif,  Maîtrise des outils informatiques indispensablesPROFIL-Titulaire d’un Bac +2 minimum -Excellent niveau de Français -Ayant une écoute active, sens de l’analyse, objectivité et rigueur -Une expérience en télévente serait un atout majeur Nous vous proposons : -Un contrat en CDI -Un salaire fixe de (800 000 Ar) + primes -Un transport pour vous raccompagner -Des horaires de travail fixes du lundi au Vendredi -Ambiance de travail chaleureuse Candidature :Merci d’envoyer votre CV et lettres de motivationMail: rhskycall@gmail.com Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services AGENTS TELEVENTES".

Notsongaina

Olona sivy hanaovana fanadihadiana: renim-pianakaviana maty voatsatoka antsy sy voaolana
22/09/2021

   Renim-pianakaviana iray 34 taona voaolana ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao Mahalina, fokontany Lomboka, kaominina Niherenana, distrikan’i Vatomandry, ny alakamisy atoandro teo.Hatreto, olona miisa sivy no voasambotra sy hanaovana fanadihadiana mikasika vonoan’olona feno habibiana nihatra tamin’ity ranim-pianakaviana iray ity.  Vehivavy ny roa ary lehilahy kosa ny ambiny, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Araka ny fantatra, nivoaka ny tranony tokony ho tamin’ny 10 ora teo io vehivavy io, handeha ho any an-tanimboliny haka ravimbomanga, hatao laoka. Ora roa taty aoriana, mbola tsy niverina izy ka nanara-dia azy ny vadiny sy ny zanany lahimatoa 17 taona, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray hafa. Hatairana ny an’ireo mpianaka raha nahita ilay renim-pianakaviana tsy nisy aina intsony sy mihosin-dra tanteraka. Feno dian’antsy marobe ny tarehiny ary niboridana ny tapany ambany. Namela vady sy zanaka efatra mianadahy ity renim-pianakaviana ity ka vao 16 volana ny faravavy. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana ka voasambotra ny ampitson’io ihany ireo olona sivy ireo.Tsiahivina fa tranga fanindroany niseho tao amin’ny faritra Atsinanana ity vono olona mahatsiravina ity. Toy izao koa ny nahazo ilay vehivavy iray tao amin’ny fokontany Ambalahasina, kaominina Ampasimbe Onibe, faritra Atsinanana ny 2 aogositra lasa teo. Naolana sy novonoina izy ka narian’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny fokontany Antanambao Namahoaka ny vata-mangatsiakany nihosin-dra.Sajo sy Henintsoa HaniL’article Olona sivy hanaovana fanadihadiana: renim-pianakaviana maty voatsatoka antsy sy voaolana a été récupéré chez Newsmada.

Tsimbazaza : Retard de paiement des salaires des assistants parlementaires
25/09/2021

Prochain rendez-vous avec les députés en octobre prochain Les salaires des députés sont régulièrement payés et épargnés par les problèmes de procédures.  Les assistants parlementaires en fonction à l’Assemblée nationale n’ont pas encore touché leurs salaires des mois d’août et septembre. Il s’agit d’un retard de paiement, laisse-t-on entendre à Tsimbazaza où la grogne commence à monter dans les couloirs de ce palais. Chaque député a droit à cinq assistants parlementaires et deux conseillers. Et ces derniers n’auraient pas reçu non plus leurs émoluments depuis le mois dernier. Ces collaborateurs des députés devraient encore attendre pour pouvoir bénéficier de leurs avantages en numéraire. Calme. La situation fait grincer les dents à Tsimbazaza et plombe l’atmosphère dans les antres du palais à quelques semaines de la prochaine rentrée parlementaire du mois d’octobre. On craint qu’elle dégénère. « On n’arrive pas à comprendre qu’un tel problème survient à l’approche de la session parlementaire d’octobre », nous a confié un député. Mais jusqu’à présent, le calme est toujours observé à l’Assemblée nationale. Au niveau de l’administration, on est déjà à pied d’œuvre pour résoudre le problème, a-t-on signalé. Transferts. Le retard aurait été dû à des questions de procédures liées à la gestion des finances publiques, a-t-on indiqué. Un réaménagement de crédit au niveau de l’Assemblée nationale aurait, en effet, provoqué un retard sur le paiement de certains engagements, dont les salaires des assistants parlementaires. Le traitement serait déjà en cours et la situation pourrait être débloquée prochainement, rassure-t-on. Par ailleurs, le Conseil de Gouvernement a adopté, mercredi dernier, le décret portant transferts de crédits inscrits au budget d’Exécution 2021 de l’Assemblée nationale. Cette mesure va renflouer les caisses de cette institution pour le dernier trimestre de cette année. Achat à crédit. Quoiqu’il en soit, ce sujet risque d’animer la rentrée parlementaire prévue au début du mois d’octobre prochain. Les députés peuvent interpeller l’exécutif sur cette question. « Nous ne manquerons pas d’évoquer le sujet devant le gouvernement », a affirmé un député. Car les élus n’auront pas intérêt, selon ce dernier, à ce qu’une telle situation affecte leurs avantages. Beaucoup de députés auraient pris des engagements au niveau d’un concessionnaire automobile local pour contracter un achat à crédit de leurs nouveaux véhicules tout-terrains. Plus d’une centaine d’élus qui ont fait l’opération ne désirent, en effet pas, qu’un retard de paiement sur leurs émoluments ait lieu. Rija R.   L’article Tsimbazaza : Retard de paiement des salaires des assistants parlementaires a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Faha-160 taona nidiran’ny finoana katolika  Nitaky hampitsaharana ny adilahy ny Mgr A. Pascal 
27/09/2021

   Namatrapatratra tamin’ny teny fampianarany. « Toe-po andrasana amin’izao jobily izao, miainga eo anivon’ny ankohonana, fiaraha-monina, fiangonana ary firenena ny fihavanana sy ny fifamelana… Tsy ahita hafaliana sy hasambarana amin’ny adilahy sy ny fifampihantsiana isika », hoy ny eveka mpanampy, ny Mgr Andriantsoavina Pascal. Nomarihina, omaly, teny Soamandrakizay ny faha-160 taona, nidiran’ny finoana katolika teto amin’ny diosezin’Antananarivo.Fihavanana amin’ny zavaboaryNohamafisiny fa toe-po andrasana koa ny hifampitsinjovana. “Mangoraka sy mifanampy fa tsy mifamotika ka mba samy hiaraka hivoatra. Fifanomezan-kasina sy haja koa izany”, hoy izy. Manampy ireo ny amin’ny tokony hananana toe-po mihavana amin’ny zavaboary, hahay hitsinjo ny tany fa tsy hamotika. Mikolokolo ny tontolo iainana. Eo koa ny fananana toe-po mifandray amin’Andriamanitra.Anisan’ny nanorina ny FFKM ny EkarEtsy an-daniny, voatsiahy ny lalan’ny Ekar Antananarivo tao anatin’ny 160 taona. Ny maha mpikambana mpanorina ny FFKM azy ireo, ny taona 1979. Voatanisa koa ireo eveka sy fikambanan-drelijiozy samihafa, nanamarika izany tantara izany.Nitarika ny sorona Masina kosa sady nanamasina ireo pretra sy diakra, miisa 30 lahy, tsangambaton’izao jobily izao ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon.Teo koa ny fitsofan-drano ny mpitantana ny faritra sy ny APV. Nomena mari-pankasitrahana ireo mpitantana nahavita be, tao anatin’ny 25 taona eo anivon’ny Filankevitry ny fitantanana ny vahoakan’Andriamanitra (FFVA).Synèse R.L’article Faha-160 taona nidiran’ny finoana katolika  Nitaky hampitsaharana ny adilahy ny Mgr A. Pascal  a été récupéré chez Newsmada.

Andry Rajoelina : Discours à la tribune de l’ONU demain
21/09/2021

Le président Andry Rajoelina a atterri hier soir à l’aéroport John Fitzgerald Kennedy de New York. Tout de suite après la signature de l’accord gouvernemental relatif au financement du projet transport par câble et Mandraka 3 à Paris, le Chef de l’Etat a mis le cap sur les États-Unis pour une nouvelle mission mettant en exergue la diplomatie économique. En effet, le numéro Un d’Iavoloha va assister à la 76è Assemblée générale de l’Organisation des Nations unies qui a pour thème  » Miser sur l’espoir pour renforcer la résilience afin de se relever de la Covid-19, reconstruire durablement, répondre aux besoins de la planète, respecter les droits des personnes et revitaliser l’Organisation des Nations Unies « . Si l’on se réfère à l’ordre du jour de ce sommet, le chef de l’Etat prononcera demain un discours à la tribune de l’ONU. Il s’agit de son premier discours à l’AG de l’ONU depuis son élection en 2018. Andry Rajoelina évoquera certainement les questions relatives aux changements climatiques, le kere dans le Sud, et partagera aussi l’expérience malgache par rapport à la gestion de la pandémie de Covid-19. D’après les informations, plusieurs rencontres bilatérales figurent également dans son agenda durant ce voyage. Andry Rajoelina rencontrera, selon nos sources, le Secrétaire général de l’Organisation des Nations unies, Antonio Guterres et la Directrice générale du Fonds Monétaire International (FMI), Kristalina Georgieva. Pour ce déplacement, le numéro Un d’Iavoloha est accompagné par son épouse Mialy Rajoelina. Davis RL’article Andry Rajoelina : Discours à la tribune de l’ONU demain a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Raharaha halatra « coffre fort »: tafakatra 15 ireo voasambotra
27/09/2021

  Hiakatra fampanoavana amin’ity herinandro ity ireo olona miisa 15 voasaringotra tamin’ilay raharaha halatra « coffre fort » nisy vola amina miliara tao amin’ny biraon’ny Microfinance iray ao Marovoay, ny 06 septambra lasa teo. Isan’ireo voarohirohy amin’io raharaha io ireo vehivavy miisa telo sy ny lehilahy 12 voalaza ho nampiantrano, nampadositra sy nanafina ireo « coffre fort » nisy ireo volabe sy ilay tompon’antoka tamin’ny asa ratsy.Hita teny amin’ny lakandrano iray tany Antanambao Andranolava, lalam-pirenena fahefatra kosa ireo “coffer fort” miisa roa, ny alakamisy teo. Tsy nisy vola intsony izany fa narian’ireo nahavanon-doza rehefa lasany ireo vola tao anatiny. Nambaran’ireo voasambotra kosa fa nalevina tao amina tokotanin’olona iray any an-toerana ireo vola manodidina ny 80 tapitrisa Ar raha mbola nilaza ny marina mahakasika ireo ambim-bola izy ireo. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola mitohy ny fanadihadiana ny raharaha. Voalaza fa nafindrafindra toerana hatrany ireo fitoeram-bola taorian’ny halatra nataon’ilay mpiambina io Microfinance io.Tsiahivina fa voasambotra, ny 14 septambra lasa teo io lehilahy mpiambina ny birao io rehefa avy namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana. Tratra tao amina trano iray tao Namakia, kaominina Mitsinjo, 30 km miala an’i Marovoay ny lehilahy. Niaiky ny helony izy nandritra ny fanadihadiana azy ary nanondro ireo namany niray petsapetsa taminy tamin’io heloka bevava io. Mbola nahitana vola 200.000Ar izy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Nambarany fa isan’ireo ambim-bola laniny tamin’ireo vola voaroba izany. Nohamafisiny tamin’izay koa fa nafeniny tany amin’ireo fianakaviany ao Mahabibo ireo fitoeram-bola. Tsy tratra tany kosa anefa ireo olona voalaza taorian’ny fidinana nataon’ny mpitandro filaminana. Henintsoa HaniL’article Raharaha halatra « coffre fort »: tafakatra 15 ireo voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Fanatsarana fomba fiasa: tsy ho ela ny fitsarana ireo heloka madinika
23/09/2021

   “Fanatsarana ny fitondrana tsara tantana eto Madagasikara, heverina fa hatomboka amin’ny volana oktobra 2021 hatramin’ny desambra 2023.”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, momba ny fiaraha-miasan’ny rafitry ny Firenena mikambana (ONU) amin’ny minisiteran’ny fitsarana ho fampandrosoana ny asam-pitsarana, araka ny fitsidihan’ny mpandrindra ny rafitry ny ONU, Sem Isaa Sanogo, azy teny Faravohitra.Manohana ny ezaka amin’ny fampanajana ny zon’olombelona sy ny fametrahana ny fitondrana tan-dalàna ry zareo, indrindra amin’ny fampiofanana sy ny fampahafantarana ny didy aman-dalàna. Misy ny boky 460 momba ny zon’olombelona, ny fehezan-dalàna famaizana, ny fehezan-dalàna momba ny paikady heloka malagasy hatolotra ho an’ny mpitsara amin’ny faritra 23.“Hampitomboina ny fitsarana amin’ny raharaha tratra ambodiomby. Tsy maintsy manao farafahakeliny iray isan-kerinandro ny fitsarana rehetra manarena ny Nosy”, hoy ny minisitra momba ny fanafainganana fitsarana. Hampitomboina koa ny fitsarana ny raharaha ady heloka bevava tsotra. Anarivony ny didim-pitsarana efa nivoaka, fa tsy tonga any amin’izay voakasik’izany. Tsy iandrasana fotoana ela koa ny fitsarana ireo heloka madinika. Hisy ny fampahafantaran’ny mpitsara izay tsy ampy amin’ny antontan-taratasy alohan’ny raharaham-pitsarana.R.Nd.L’article Fanatsarana fomba fiasa: tsy ho ela ny fitsarana ireo heloka madinika a été récupéré chez Newsmada.

Lomano – Ligin’Analamanga: hanomboka ny 14 novambra ny taom-pilalaovana
27/09/2021

 Taorian’ny fihibohana nandritra ny roa toana, hisokatra  manoboka ny 14 novambra ho avy izao indray  ny taom-pilalaovana ho an’ny ligy Analamanga manokana. Manoloana izany indrindra,  maro ny hetsika hotontosain’ny eo anivon’io ligy io, entina hampivelarana  ity taranja ity.  Anisan’izany ny kilalao maro atao anaty rano. “Tsy voatery ho fifaninanana irery ihany, fa hiezaka ny hanitatra any anatin’ny activité aquatique izahay”, hoy ny filohan’ny ligy Analamanga, Rasoanjanahary Valisoaniaina. Heverina fa hampiavaka manokana ny ligin’Analamanga ny fanatanterahana io hetsika io. Tontosa tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny asabotsy lasa teo moa ny fivoriambe, nanehoana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana ao anatin’ny ligy Analamanga. Miisa valo mianadahy izy ireo  ary efa neken’ny eo anivon’ny minisitera sy ny solontenan’ny klioba.Tsiferana R.L’article Lomano – Ligin’Analamanga: hanomboka ny 14 novambra ny taom-pilalaovana a été récupéré chez Newsmada.

«Glossaire sur la migration destiné aux médias»: boky mirakitra teny sy voambolana hanampy ny mpanao gazety
22/09/2021

   Nampahafantarina ary natolotry ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) tamin’ny fomba ofisialy, omaly tetsy Anosy, ny boky « Glossaire sur la migration destiné aux médias à Madagascar ». Boky misy ireo teny na voambolana fampiasa na tokony hampiasain’ny mpanao gazety mpikirakira vaovao momba ny fivezivezena (migration).«Migration forcée et migration volontaire» na «fifindra-monina an-tery sy an-tsitrapo». «Passage clandestin (de migrants) ou trafic des migrants», na «Fanondranana olona an-tsokosoko». «Norme du travail», na «Fenitry ny asa». «Travail décent» na «Asa mendrika». «Esclavage moderne» na «Fanandevozana amin’ny endriny vaovao». «Exploitation au travail» na «Fanararaotana arak’asa». «Discrimination salariale» na «Fanavakavahana ara-karama»… Santionany ihany amin’ireo teny na voambolana hita ao anatin’ity boky “Glossaire sur la migration destiné aux medias de Madagascar» ity ireo. Boky misy pejy 42, natao ho an’ny mpanao gazety, indrindra ireo mpikirakira vaovao manodidina ny fifindra-monina araka asa. Teny na voambolana heverina fa tokony hiraisan’ny mpanao gazety ny fampiasana azy, hialana amin’izay mety ho fifangaroan-kevitra, eny, mety ho fahadisoan-kevitra ihany koa aza.Amin’ny ankapobeny, antony telo lehibe no nanaovana ity boky ity. Voalohany, natao ho fisorohana ny asa an-terivozona. Faharoa, hiarovana ny zon’ny mpiasa manoloana ny mety ho  fanararaotana azy ireo eo am-pandraisana azy hiasa. Ary farany, natao hampihenana ny sandan’ny fifidra-monina arak’asa.Na ny filohan’ny tambajotran’ny mpanao gazety mpikirakira momba ny asa sy fampananana asa (RJSET), Fy Raharijaona, na ny talem-paritry ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, miandraikitra an’i Madagasikara, ny Nosy Kaomaroro sy Maorisy ary Seychelles, Coffi Agossou, dia samy manasongadina ao anatin’ny teny fanolorana ity boky ity ny maha zava-dehibe ny asan’ny mpanao gazety. Indrindra ireo mpikirakira manokana ny manodidina ny asa sy ny fifindra-monina.M.R.L’article «Glossaire sur la migration destiné aux médias»: boky mirakitra teny sy voambolana hanampy ny mpanao gazety a été récupéré chez Newsmada.

Fandaharanasa AD2M: fanjarian-tsakafo any Menabe
28/09/2021

 Fandaharanasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Minae) ny Tantsoroka ho an’ny fampandrosoana any Menabe sy Melaky (AD2M). Miditra amin’ny andiany faharoa ankehitriny ity fandaharanasa ity, mifantoka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nambaran’ny mpandrindra ny AD2M, Razafindriaka Mamiharitiana, fa kendrena manokana ireo fianakaviana sahirana sy marefo, tohanana amin’ny lafiny famokarana maharitra mba ho lovainjafy. Ao anatin’izany koa ny fanatsarana ny lafiny fotodrafitrasa ara-pambolena, toy ny fananganana tohodrano, fanajariana lemaka, fanatsarana ny lakandrano, sns. Tohanana koa ny mpamokatra hikarohana lalam-barotra, mba ahafahan’izy ireo mivarotra ny vokatra araka ny tokony ho izy, mba tsy ho hararaotin’ny mpanangom-bokatra, izay mbola mametra ny vidiny sady ambany, amin’izao fotoana izao.Fambolena sy fiompiana vaovaoNanamafy ny minisitra lefitry ny Fiompiana, ny Dr. Raymond, anisan’ny paikady vaovao raisina ny fanovana ny fomba fambolena sy fiompiana. Singanina amin’izany ny fambolena vilona ho an’ny biby fiompy, mba tsy hiantehatra amin’ny kijana nentim-paharazana, anisan’ny nampirongatra ny doro tanety hatramin’izay. Efa an-dalana ny fanatanterahana izany any amin’ny faritra Menabe. Eo koa, ny fifehezana ny rano izay efa miharitra ny loharano sy ny renirano, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Manampy ireo ny fampiasana ny fambolena biolojika, tsy mampiasa ny akora simika (fanafody sy zezika), izay manimba ny nofon-tany. Paikady vaovao tanterahina any an-toerana koa ny fanomezana tany ny mponina ho an’ny famokarana mitsinjo ny tontolo iainana, “titre vert”.Nandray anjara mivantana tamin’ny fihaonamben’ny fambolena sy ny fiompiana maharitra any Menabe, natao ny 23 hatramin’ny 25 septambra teo, tany Morondava, ny Minae sy ny AD2M.Njaka A.L’article Fandaharanasa AD2M: fanjarian-tsakafo any Menabe a été récupéré chez Newsmada.

Fampivondronan-kery : tafatsangana  any Eoropa ny vovonana Miaradia
27/09/2021

  Tafatsangana any Eoropa, ny vovonana politika « Miaraka amin’i Andry Rajoelina ny diaspora » na ny Miaradia, manohana ny fitondrana. Ahitana antoko sy fikambanana ivondronan’ireo Malagasy « Diaspora » any Frantsa izany. Tafiditra amin’ny famaliana ny antso nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fihaonany tamin’izy ireo, ny volana aogositra teo tany Frantsa izany ny amin’ny tokony hisian’ny fiaraha-mientana sy fifanohanana eo amin’ny samy Malagasy. Nivory indroa miantoana ny 11 sy ny 18 septambra  ny Miaradia, nametrapetraka  ny momba ny tanjona sy ny rafitra ary ny ho fomba fiasa. Tafapetraka tamin’izany koa ny komity mpandrindra, itambaran’ireo solontenan’ny vondrona samihafa. Manampy izany ny nananganana ny birao mpanatanteraka ka voafidy mitarika izany Rasamimanana Hilarion.« Fanambin’ny Miaradia ny hampahomby ny vinan’ny filoham-pirenena sy ny velirano nifanaovany tamin’ny vahoaka tamin’ny fifidianana ary mba hampody ventiny ny rano antsakaina » , hoy izy ireo.Synèse R.L’article Fampivondronan-kery : tafatsangana  any Eoropa ny vovonana Miaradia a été récupéré chez Newsmada.

Fiarahamonim-pirenena: takina mangarahara ny fifanarahana momba ny jono
28/09/2021

   Madagasikara, mitovy amin’ireo firenena maro aty amin’ny ranomasimbe Indianina, manao fifanarahana momba ny jono amina firenena iray, na vondrona firenena, na sampana ara-barotra any ivelany. Maniry hitrandraka ny jono aty amin’ny fari-dranomasina misy antsika ireo, ka mitaky mangarahara ny fiarahamonim-pirenena maromaro. Amin’ireo fifanarahana momba ny jono ireny, betsaka ny tsy mazava, tsy misy ny mangarahara na afenina mihitsy aza, hoy ireo fiaharamonim-pirenena maromaro (1). Tsy fantatra mazava ny fifanarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), indrindra fa amin’ny firenena aziatika. Tsy mazava ny fifanarahana tamin’ny Sinoa, ny taona 2018 (sambo 330) sy 2019 (sambo 30).Efa nifarana tamin’ny faran’ny taona 2018 ny fifanarahana amin’ny UE, raha nanomboka tamin’ny 2014. Efa intelo miantoana izao tsy mety tonga amin’ny fifanarahana raikitra ny roa tonta, momba izay onitra sy fanampiana harotsaky ny UE ho an’i Madagasikara ; ny isan’ny sambo mpanjono ; ary ny fitondrana ireo vokatra azo aty amin’ny seranana malagasy sy fisian’ny mpanara-maso any amin’ireo sambo eoropeanina.Nambara tamin’ireo fiarahamonim-pirenena ireo fa hiverenana tsy ho ela ny fifampidinihana eo amin’ny roa tonta. Koa miantso ny UE sy ny govermanta malagasy ry zareo, mba hahita marimaritra iraisana anatin’ny mangarahara tanteraka, hisian’ny jono maharitra. Takina noho izany ny hahitan’ny an-daniny sy ny an-kilany tombontsoa mitovy. Rariny raha i Madagasikara no homena onitra sahaza amin’ny lamatra (thon) jonoan’ny UE.Onitra saran’ny fanjonoanaEfa nifanarahan’ireo firenena manjono aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indianina ny manome onitra 12 % raha kely indrindra amin’ny sandan’ny vokatra azo. Sarotra ny kajy, fa na inona ny fototra hiaingana, zon’ny fanjakana malagasy ny mitaky amin’ny UE onitra mazava, saran’ny fanjonoana, saran’ny fitantanana, sy ny fanaraha-maso. Matetika voatsikera eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Eoropeanina noho ny onitra maivana omeny.« Raha miasa ny hisian’ny fampandrosoana maharitra ny UE, tokony hanome, ohatra, tsara momba izay fifanarahana atao amin’ireo tany misy fari-dranomasina, manomboka amin’i Madagasikara », hoy Razakamanarina Ndranto, filohan’ny Alliance Voahary Gasy (AVG)Tamin’ny fifanarahana farany, 700 000 euros isan-taona fotsiny no nomena an’i Madagasikara. Maivana ny fiantraikan’izany eo amin’ny jono raha jerena ny fiarovana ny fari-dranomasina sy ny tahiry miha ritra.Fampitomboana ny fanampiana ara-bolaKoa laharam-pahamehana ny fampitomboana ny fanampiana ara-bola ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, indrindra hamaliana ny hetahetan’ireo mpanjono madinika. Tokony ho jeren’ny UE ary hampiharina izay tapaka niarahana amin’ny fikambanana iraisam-pirenena maro tany Bruxelles, ny volana mey 2020. Ny fanjakana malagasy kosa tokony hanampy tetibola ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ho fiarovana ny harena an-dranomasina amin’ny alalan’ny fikarohana sy tombana amin’izay tahiry tavela.Hohamafisina ny fanaraha-maso sy ny ady atao amin’ny jono tsy ara-dalàna sy ny kolikoly mifandraika amin’izany. Ny fitondram-panjakana malagasy dia tsy maintsy mifanaiky  hisian’ny solontenan’ny an-daniny sy an-kilany. Voakasika amin’izany ny sehatra rehetra momba ny jono, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanjono madinika.R.MathieuL’article Fiarahamonim-pirenena: takina mangarahara ny fifanarahana momba ny jono a été récupéré chez Newsmada.

Fikambanana Ny Ampinga: nivoaka ireo mpikabary 135 tao amin’ny andia Volafotsy
22/09/2021

 Notanterahina ny alahady 19 septambra lasa teo, teny amin’ny kianja maintso Analamahitsy ny fanandratana ireo mpianatra kabary teo anivon’ny fikambanana Ny Ampinga. 135 mianadahy mianaka ireo notolorana ny mari-pahaizana tamin’izany, taorian’ny fianarana 10 volana, ka 10 taona ny zandriny indrindra raha 66 taona kosa ny zokiny, tamin’izany. Andiany faha-13 ary misalotra ny anarana Volafotsy izy ireo. Afaka misehatra avy hatrany, eo amin’ny kabary am-panambadiana sy fahoriana ary ny tera-bao sy ireo fanentanana samihafa  izy ireo, izay efa mahafehy tsara izany.Ray mpiahy ity Andia Volafotsy ity, Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny Fitrama, izay nanolotra lela-vola 500.000 Ar, ho an’ny fikambanana Ny Ampinga entina mampandroso bebe kokoa ny kabary sy ny soatoavina malagasy. Nohamafisiny fa reharehan’ny Malagasy ny fananana soatoavina mampiavaka antsika ka tsy nanakalozan’ireto Andia Volafotsy ny fianarana teny vahiny. Reny mpiahy kosa i Liliane Christiane, filohan’ny BM 12. Nanotrona ny lanonana ny filohan’ny federasiona mpikanto ny teny sy soratra (FMTS), Randrianiaina Mamison, izay nanambara fa tsy azo sivanina sady sarotra tadiavina ny volafotsy ka tokony hataon’ireo andiany nasandratra ho rehareha eo amin’ny sehatra rehetra hikabariana. Nifanindry tamin’ny faha-10 taonan’ny Ny Ampinga ity fanandratana ity. “Hiditra amin’ny 6 oktobra ho avy izao ny andiany manaraka. Fampianarana maimaim-poana izany”, hoy i Manampisoa Toavina Ny Tahiry Fahendrena, filohan’ny fikambanana Ny Ampinga. Namaranana ny fotoana ny fanapahana koba, mariky ny hafaliana.TorcelinL’article Fikambanana Ny Ampinga: nivoaka ireo mpikabary 135 tao amin’ny andia Volafotsy a été récupéré chez Newsmada.