Rugby – Fifanintsanana Olympika (JO 2021): mpilalaon’ny Makis 4 bevohoka najanona tsy hilalao

News - Rugby – Fifanintsanana Olympika (JO 2021): mpilalaon’ny Makis 4 bevohoka najanona tsy hilalao

News - Rugby – Fifanintsanana Olympika (JO 2021): mpilalaon’ny Makis 4 bevohoka najanona tsy hilalao

Eo am-piomanana ny
fiverenana an-kianja, amin’izao fotoana izao, ny Makis de
Madagascar, sokajy vehivavy. Hanomana ny fiadiana ny tapakila
hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2021). Misy anefa ireo mpilalao
voatery najanona.

Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka
amin’ny zoma 18 septambra ho avy izao, ny fanazarantenan’ny Makis
de Madagascar, sokajy vehivavy eo amin’ny rugby lalaovin’olona 7.
Mpilalao 21 mirahavavy no nantsoina voalohany ka rehefa avy nandalo
fitiliana ny valanaretina “covid 19” sy “test de grossesse”,
fantatra fa nisy efatra mirahavavy mitondra vohoka ka voatery
najanona.

Manoloana izany, nosoloina izy ireo
ka nantsoina hanatevina ny Makis indray Raveloarinoro Mbolatiana
Dinah, avy amin’ny 3FB sy Rasoanandrasana Volatiana Marie Fleuris,
mpilalaon’ny FTFA ary i Oliniaina Fabrinah (Corra), an’ny FTM
Manjakaray. Efa nandrafitra ny Makis ho an’ny rugby lalaovina olona
15 izy ireo.

Tsy hijanona amin’ireo ihany fa
mbola hisokatra amin’ireo mpilalao hafa ny Makis ka mety hisy avy
any amin’ny faritra ho antsoina amin’ny herinandro ambony.

Ankoatra izay, salama avokoa ireo
mpilalao nantsoina satria miiba ny valin’ny fitiliana natao ka tsy
misy mitondra ny valanaretina “covid 19”, izy rehetra. Tsiahivina
fa hanoman-tena amin’ny lalao famerenana “repêchage”,
hiadian-toerana hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2021)  ny
Makis de Madagascar. Fihaonana, hotanterahina amin’ny volana mey
2021. Hateto, tsy mbola hay izay firenena hampiantrano izany.

Mialoha ny hiatrehan’ny Makis ny
fanazarantena, nodiovina sy notondrahina fanafody, nanomboka omaly
talata, ny kianja Makis Andohatapenaka. Anisan’izany ny efitrano
fibatana fonjamby, ny kianja, ny “gradin”, ny “tribune” ary ny
tokotany rehetra manodidina sy ny vavahady fidirana.

Tsiahivina fa tsy maintsy manaja
ireo fepetra ara-mpahasalamana avokoa ireo mpilalao na manao
fanazarantena aza.

 

Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Rugby – Fifanintsanana Olympika (JO 2021): mpilalaon’ny Makis 4 bevohoka najanona tsy hilalao a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kandidà Feno sy i Bodo: “Hifampizara ny manahirana isika”

Nitohy tamin’ny alalan’ny fitsangantsanganana teny Anosy Avaratra ny fihaonan’ny kandidà Feno sy i Bodo etsy amin’ny boriborintany III. Nahatonga solontena avokoa ireo fokontany miisa 34. “Ndao hiara-kiasa isika.  Hiara-kiisalahy… Mafy ny fihavanantsika. Ataonay ahoana ny hanome lamosina ny fitarainanareo”, hoy izy ireo nanoloana ireo vahoaka tonga  teny an-toerana. Nambaran’ireo nandaha-teny sy ireo mponina efa nihaona mivantana  tamin’ny kandidà fa zanaky ny tanàna i Bodo. “Mahalala ny lesoka sy ny vahaolana. Fantany ny hetahetan’ny vahoaka eto”, hoy izy ireo.Notsiahivin’i Bodo tamin’izany fa niaraka amin’ny mponina eny hatrany izy. Nifampizara, nifampitsinjo ary mbola hiaraka hatrany. “Maro ireo namako fony fahazaza. Tao ireo nitaiza ahy. Tanànako ny boriborintany III, indrindra  fa Ambohibary Antanimena.  Mbola ireo ny namako niara-nilalao vovoka tamiko… Rasoa nitaiza ahy. Noraisinareo aho. Nihaino anareo. Nohainoinareo… Mbola maro ianareo ny niaraka tamiko teo amin’ny fanasan-damba tamin’ny mbola kely. Tazako tery ampita sy nanantona ahy koa i maman’i Titi. I Bodo sy i Noro, teo foana. Nahoana moa ny tsy hifampizara ny manahirana isika?”, hoy izy. Naneho fahavononana ireto kandidà ireto fa hifanakaiky ary hifampitantana amin’ireo vahoaka, ho amin’ny fiaraha-miasa. “Ny maharary ny vahoaka, marary anay… Rehefa tia dia tena tia”, hoy ihany izy.Synèse R.L’article Kandidà Feno sy i Bodo: “Hifampizara ny manahirana isika” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika »

“Inona no nataontsika miaramila ka mety nahaosa ny Tafika Malagasy?”. Io no lohahevitra  nifantohan’ny fivoariambe narahina atrikasa nataon’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy nandritra ny roa andro. Nilaza ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny Jly Rakotonirina Théophile fa raha miombona isika dia mandresy ny Tafika.Nifarana  omaly ity fivoriambe nanaovan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy izay nandinihana manokana io lohahevitra io. Fivoriana nentina nanaovana tatitra mikasa ny asa sahanin’ny miaramila isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, nijerena ireo olana sedrain’izy ireo amin’ny fanaovana ny asa sy ny andraikiny ary nijerena vahoalana. Nivoaka tao anatin’ity atrikasa ity ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fampanajana ny tany tan-dalàna ary navoitra tamin’izany ireo lesoka hatramin’izay ka nahaosa ny Tafika Malagasy. Nilaza ny Cemgam fa navadika ho asa avokoa izay rehetra nivoaka tao anatin’izay roa andro izay. “Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika. Ato amintsika ato ihany no misy olona mamotika ny ezaka tiantsika hatao”, araka ny nambarany hatrany, nandritra ny famaranana ity fivoriana ity. Notsipihiny fa isan’ny lesoka ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fiofanana ka maha ambany kalitao eo amin’ny sehatry ny asa. Nambarany fa mahatratra 403 ireo fandikan-dalàna nataon’ny Tafika.Jean ClaudeL’article Jly Rakotonirina Théophile: « Raha miombona isika dia mandresy ny Tafika » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mbola hifampitadiavana ireo jiolahy: votsotra ilay zazavavikely nalaina an-keriny

Hatramin’ny omaly hariva tontolo, mbola nifampitady amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny hatrany anaty alan’Amparafaravola ireo mpitandro filaminana. Ny azo antoka, efa navotsotr’izy ireo, omaly antoandro, ilay zazavavikely vao enin-taona.Navotsotr’ireo jiolahy, omaly antoandro, rehefa avy nandoana vola 20 tapitrisa Ar, ilay zazavavikely 6 taona nisy naka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola. Fantatra, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, fa niditra an-tsehatra nanao ny fikarohana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tamin’ny fahaverezan’ity zazavavikely ity. Taorian’ny adivarotra nifanaovan’ireo jiolahy sy ny ray aman-drenin’ilay zaza nalaina an-keriny, tapaka fa omaly maraina no natao ny fanakazolana ny vola tao amin’ny kaominina Ambakireny, distrikan’Amparafaravola.Tsiahivina fa nisy naka an-keriny, tao amin’ny kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola ny alakamisy 25 jolay 2019 lasa teo, i Aina, zazavavy vao 6 taona monja. Nanomboka teo, tsy ankiato ny fangataham-bola nataon’ireo mpaka an-keriny tamin’ny ray aman-dreniny. Taorian’io fakana an-keriny io, nisy ny fidinana ifotony tao Amparafaravola nataon’ny prefet-n’Ambatondrazaka sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Milaza ny angom-baovao avy amin’ireo mponina ao Ambodirano fa 20 tapitrisa Ar ny sandan’izao famotsorana izao.Nirefodrefotra ny poa-basy…Nilaza kosa ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpitandro filaminana tsy nanaiky nitonona anarana fa efa tafakatra 60 tapitrisa Ar ny sandan’ny famotsorana ity zaza nalaina an-keriny ity. Mbola ifampitadiavana ireo jiolahy, hatramin’ny omaly antoandro, satria nisy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy. Hatramin’ny omaly hariva, fotoana farany nanoratanay, mbola mifampitady any anaty alan’Amparafaravola ireo mpaka an-keriny sy ireo zandary. Nomarihin’ny mponina ao Amparafaravola fa tsy nisy trangana fakana an-keriny mhitsy tany amin’izy ireo raha tsy vao izao. Nilaza rahateo ireo zandary any amin’ny faritra Alaotra fa mbola hanao tatitra momba ity raharaha ity aorian’ny famotorana rehetra.Andrasana, araka izany, ny vokatra ampitain’ny zandary any an-toerana momba ireto andian-jiolahy mpaka an-keriny ireto.Sajo sy Jean ClaudeL’article Mbola hifampitadiavana ireo jiolahy: votsotra ilay zazavavikely nalaina an-keriny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toliara: hazo sarobidy tratra tao amin’ny Indosuma

Araka ny loharanom-baovao avy any amin’ny foibem-paritry ny Ala sy ny tontolo iainana (DREF) any Atsimo Andrefana, nahatrarana hazo sarobidy voamboana, sy hazo tsotra maro tao amin’ny efitrano iray an’ny orinasa Indosuma, any Mitsinjo Toliara.Niteraka resabe any an-toerana ity raharaha ity ary fantatra fa nogiazana, nohidin’ny tompon’andraiki-panjakana, ilay efitrano nahitana ireo hazo ireo.Manao ny fanadihadiana lalina ny foibem-paritry ny Dreef Atsimo Andrefana, amin’izao fotoana izao. Hampiakarina any amin’ny fitsarana ny raharaha rehefa hita ny lafiny tsy ara-dalàna.Tsy vao izao ny nahitana fandripahana tsy ara-dalàna ny hazo any amin’iny faritra tapany atsimo andrefan’ny Nosy iny. Vao notaterina teto tsy ela ny fanapotehana, ny fanaovana saribao sy ny fambolena any anaty faritra arovana any amin’ny alan’Antimena, faritra Menabe. Toraka izany koa ny any Vohibola Brickaville. Andrasana ny fandraisana andraikitry ny fanjakana, indrindra ny ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala, misahana voalohany ny fiarovana ny harena voajanahary eto amintsika satria fanamby lehibe ny nataon’ny filoham-pirenena ny handrakofana ala an’i Madagasikara.Njaka A. L’article Toliara: hazo sarobidy tratra tao amin’ny Indosuma a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Efa nigadra: jiolahy tratra teny Ambodivona

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Antaninandro, ny 10 desambra 2018 teny Ambodivona ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanendahana. Araka ny fanazavan’ny polisy, mpanendaka eny amin’iny faritra manodidina an’Ambodivona iny ary ireo mpivezivezy sy mpandeha eny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy no tena lasibatry ry zalahy amin’izany. Vao maraimbe sy amin’ny hariva no fotoana fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Nohamafisin’ny polisy fa efa nigadra roa taona teny amin’ny fonjan’Antanimora ireto jiolahy ireto, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray taorian’ny fivoahany ny fonja, kanjo izao tratran’ny polisy izao indray. Tokony hamafisina mihitsy ny sazy homena itony jiolahy mpamerin-keloka itony.J.CL’article Efa nigadra: jiolahy tratra teny Ambodivona a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Karibotel Twenty Six : Solo Andrianasolo investit septembre en brunch

Solo Andrianasolo, un monument de la musique malgache. La scène malgache commence à se réveiller de sa torpeur, Solo Andrianasolo sera ainsi sur la scène du Karibotel, plus précisément au restaurant Twenty–Six, Analakely le 6 septembre dans le cadre d’un buffet en famille à partir de 12 h 30 jusqu’à 15 h. Une bonne nouvelle pour les mélomanes, mais aussi un événement servant de baromètre pour l’avenir de ce secteur. C’est sûr que ce grand musicien aura toujours des inconditionnels voulant réentendre les « Isaky », « Ho zakaiko», « Ny lasako », etc… Un rendez-vous sous le signe de la convivialité, puisqu’il s’agit d’un buffet familial. Comme il s’agit d’allier plaisirs de la table et de la scène, le menu proposé variera la terre et la mer. A titre d’exemple, en guise d’entre froide, les gourmets pourront s’essayer au « Poisson belle vue», ou encore à l’« akoho gasy sauce ». Un peu de sophistication et du terroir dans les assiettes. Il est temps que la scène musicale tananarivienne revienne à ses bonnes habitudes. Toutefois, le respect des consignes sanitaires est de rigueur au risque de faire reculer de nouveau la situation. Il est plaisant de penser que le mois de juin sera l’année du redémarrage des cabarets et des petites salles de la capitale. Maminirina Rado L’article Karibotel Twenty Six : Solo Andrianasolo investit septembre en brunch est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Karibotel Twenty Six : Solo Andrianasolo investit septembre en brunch a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Fisamborana nahery vaika :: Matin’ny fokonolona ireo telo lahy namana sefo fokontany

Voasambotra, tamin’ny herinandro lasa teo, ireo noahiahiana tamin’ny fanafihana niharo famonoana mpianaka, tany Ambalavero, distrikan’i Manakara. Notoherin’ireo voampanga ny fokonolona izay nisambotra azy. Vokany, namoy ny ainy ny lehilahy telo voatondro ho jiolahy. Azo sambobelona ny lehiben’ny fokontany iray voalaza fa naman’izy ireo. Nafindra toerana haingana ho fiarovana azy amin’ny fitsaram-bahoaka sady hatao famotorana io sefo fokontany io. “Nanonona anaran’olona voatondro ho namono an’ireo mpianaka ny fianakaviana. Tratra ireo noahiahiana, omaly (Ndrl: afak’omaly). Lehilahy telo no voasambotra niaraka tamin’ny lehiben’ny fokontany iray, izay efa saika hitsoaka. Nanohitra sy namaly an’ireo fokonolona kosa izy telo lahy. Naratra ny dimy tamin’ ny fokonolona. Maty noho ny ratra nahazo azy izy telolahy”, araka ny fanampim-baovao avy amin’ny zandary any Manakara. Niara-nisalahy tamin’izao fisamborana izao ny andrimasom-pokonolona sy ny “Kalòny” na irony mpiambina eo an-tanàna irony ary ny fokonolona. Tsiahivina fa lehilahy lehibe, 73 taona, sy ny lehilahy iray zanaky ny mpiray tampo aminy no namoy ny ainy voafirafira tamin’ny antsibe, tany Ambalavero, tamin’ny alin’ ny alakamisy 27 aogositra lasa teo. Voaroba ihany koa ny vola 260 000 ariary sy vary 50 kapoaka, akanjo maromaro ary entana hafa tao an-tranon’izy ireo. L’article Fisamborana nahery vaika :: Matin’ny fokonolona ireo telo lahy namana sefo fokontany est apparu en premier sur AoRaha.

Foot - News - Sport

Ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ny Barea sy ny Gineana

Ireo baolina maty nandritra ny fihaonan'ny Barea sy ny Gineana tamin'ny 22 Jona 2019. 2 - 2 no isa nisarahana tamin'io lalao io. Ny Gineana no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Sory Kaba tamin'ny minitra faha 34 tamin'ny fizaram-potoana voalohany. Nosalahan'ny Malagasy ny isa tamin'ny minitra faha 49. I Anicet Abel no nampiditra ny baolina taorian'ny corner nodakan'i Carolus Andrea (Charles Andriamanitsinoro). Enina minitra taorian'io dia nampian'i Carolus Andrea ny isa ka lasa 2 - 1. Tamin'ny minitra faha 66 no nanasahala ny isa i François Kamano tamin'ny alalan'ny Penalty. Misaotra Barea. Miara Mirona. Alefa Barea

News - News Mada

Nitombo 50% ny marary manatona toeram-pitsaboana tsy miankina

Nitombo 50% ny isan’ny marary tonga mizaha fahasalamana eny amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina raha mitaha amin’ny zava-misy nialoha ny nisian’ny Coro­navirus teto amintsika, araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray. Sery, kohaka, gripa sy fanaviana no antony hanatonan’ny olona ny tobim-pahasalamana ary ny olon-dehibe no maro an’isa. Mahazo vahana ny gripa amin’izao fotoana mampidina ny maripana izao ka tokony hitandrina ny rehetra, indrindra ireo manana aretina mitaiza amin’ny taovam-pisefoana. Raha misy olona ahina mampiseho soritraretina Co­ro­navirus, asaina manao fitiliana PCR izy ireo ary atomboka avy hatrany ny fitsaboana fa tsy miandry ny valiny izay mety ho 15 andro aty aoriana mihitsy. Mandray ny marary rehetra tonga ny mpitsabo fa manaja tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana ary mampiasa EPI hiarovan-tena na mampitombo ny vola mivoaka aza izany. Ho fisorohana ho an’ny olona tsy mbola voan’ny sery sy ny gripa, tsara ny mihinana ny sakafo ara-pahasalamana ary miezaka matory ora 8 isaky ny alina. Zava-dehibe koa ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra napetraky ny fanjakana hitandroana ny tsy hahazoana ny tsimokaretina samihafa ankoatra ny Covid-19.Vonjy A.L’article Nitombo 50% ny marary manatona toeram-pitsaboana tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

V7V sy Sava: tsara ny vokatra sy ny vidin’ny lavanila

Misokatra ny taom-piotazana lavanila any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany (V7V). Tsara ny vokatra amin’ity taona ity, tombanana ho 100 t ny lavanila manta. Tsara ihany koa ny vidiny, iray hetsy ariary ny kilao amin’ny lavanila manta, mora indrindra. Tsy vitsy ihany koa ireo orinasa tonga any an-toerana manangona izany vokatra izany. Ny hita ao Manakara, ny Ramanandraibe Export, ny Cotona, ny Sahanala, samy orinasa lehibe avokoa; ahitana ihany koa ireo mpandraharaha avy any avaratra tonga manangona izany vokatra izany.Misy amin’ireo orinasa sy ny mpandraharaha ny mikarakara ny vokatra any an-toerana ihany, anisan’izany ny Ramanandraibe Export, mividy be indrindra. Raha 20 t ny vinan’ny orinasa hovidina amin’izao taom-piotazana izao, efa tafakatra 30 t izany ankehitriny. Tamin’ny taon-dasa, tsy nisy afa-tsy 3 t ihany ny azon’ny orinasa Ramanandraibe Export. Na izany aza, nilaza ny mpamokatra fa mbola tsy ampy ny mpividy.Tsara vidy kokoa ny any SavaMisokatra, toy izany koa, ny taom-piotazana any amin’ny faritra Sava ka any amin’ny kaominina Tanambao Daoda, distrikan’i Sambava, ny nanokafana izany. Tsara ny vokatra any amin’io kaominina io ka izay ny antony nanomezana toerana azy ho fantatry ny mpandraharaha. Nitombo ny vokatra, noho ny fitombon’ny tany novolena sy ny fanarahana ny lamina napetraka hahatsara kalitao ny lavanila any amin’iny faritra iny. Tsara vidy kokoa ny lavanila manta any Sava, tafakatra hatrany amin’ny telo hetsy na dimy alina sy roa hetsy ariary ny kilao.Amin’izao fisokafan’ny taom-piotazana izao, mitaky fananana karatra ho an’ireo mpandraharaha te hiditra amin’izany lalam-pihariana izany ny minisiteran’ny Varotra. Ho matihanina eo amin’ny asa, indrindra ho fisorahana ny asa an-jorony (informel) hiditra amin’ny ara-dalàna. R.MathieuL’article V7V sy Sava: tsara ny vokatra sy ny vidin’ny lavanila a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Toetr’andro: hangatsiaka rahampitso
17/09/2020

Mbola miovaova ny mari-pana eto Madagasikara na dia efa ao anatin’ny lohataona aza. Raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’ andro, hidina ny mari-pana ambany ho an’ny eto afovoan-tany ary hiitatra hatrany amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy rehetra iny izany, manomboka rahampitso.Hidina hatrany amin’ny 7°C ny ao Antsirabe ary manodididna ny 11°C hatramin’ny 24°C ny eto Antananarvo. Mila miomana amin’izany, indrindra ireo rehetra tsy maintsy hivoaka ny trano mba tsy ho tampohan’ny hatsiaka.Rahampitso, ho rakotra zavona ny amin’ny afovoan-tany, hiitatra hatrany amin’ny ilany atsinanana izany. Marihina ihany koa ny fisian’ny orana malefaka miatoato amin’ny ilany avaratra-atsinanan’ny Nosy. Saika ho maina ny andro ny any an-kafa.Ny asabotsy, hanorana ny any amin’ny morontsirak’i Sava sy Analanjirofo. Andro maina kosa no hanjaka amin’ny faritra sisa.Tatiana AL’article Toetr’andro: hangatsiaka rahampitso a été récupéré chez Newsmada.

Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy
23/09/2020

Lasan’ny rano tampoka tany Andalotsimaka-Ambohijanaka i Tiana sy Rasoamalala Victorine, tamin’ny alahady 20 septambra maraina lasa teo. Nanasa lamba izy roa vavy. Vita ny lamba dia nisasa i Tiana. Lasa tampoka tany anaty rano anefa izy. Nandeha nanavotra nisintona azy ny zaobaviny Rasoamalala Victorine no tsy tafaverina fa lasa tany anaty rano ihany koa. « Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo no nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nahita azy roa vavy samy lasan’ny rano, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Tsy nisy nipoitra intsony izy ireo rehefa nojeren’ireo mponina teo amin’ ny manodidina. Nanapa-kevitra ny hiantso mpamonjy voina izahay, taorian’izay. Hita ny vatana mangatsiakan’i Tiana rehefa nokarohin’ireo mpamonjy voina. Mitohy, hatramin’izao, kosa ny fitadiavana an-dRasoamalala Victorine, vadiko », hoy Rajeankri Modeste, omaly. Tsy very fanantenana amin’ny hahitana am-badiny izy. Nandany andro nikaroka an’i Victorine Rasoamalala ny mpamonjy voina, ny alahady tontolo. Mbola niverina izy ireo, afak’omaly, saingy tsy nahitam-bokany. Ireo fokonolona teo amin’ny manodidina no nifanampy tamin’ny fanohizana ny fikarohana, omaly tontolo. Valo metatra « Nisy ampahany taminay no nandeha tany amin’ny tetezan’Ankadindratombo, vao maraina nanomboka tamin’ny 5 ora. Nizotra nijery sao natsingevan’ny rano ny vatany. Ny ampahany hafa tamin’ny fokonolona sy ny fianakaviana kosa nampiasa hazo lava hatrany amin’ny valo metatra nasiana farango noentina tamin’ny lakana nisavana ny tao ambany rano saingy samy tsy nisy nahitam-bokany ireo », hoy ireo mponina nanampy. Samy nitanjozotra namonjy fodiana ireo mponina sy fianakaviana rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva, omaly. Nilaza ny tsy hitsahatra anefa amin’ny fikarohana, mandra-pahita an’i Victorine izy ireo. « Miangavy sy mitalaho amin’ny mpamonjy voina izahay mba hanampy hatrany amin’ny fikarohana raha mbola azo atao », hoy izy ireo nanao antso avo. L’article Loza teny am-panasan-damba :: Niara-lasan’ny rano izy roa vavy, mpizaobavy est apparu en premier sur AoRaha.

COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020
21/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Sur les 451 tests effectués ces dernières 24 heures, 20 personnes sont diagnostiquées positives au coronavirus a rapporté ce lundi 21 septembre la porte-parole du CCO. Ainsi, Madagascar compte actuellement 16073 contaminations depuis l’apparition de la pandémie de covid-19 dans le pays. Ces nouveaux cas ont été majoritairement localisés dans la région Analamanga avec un total de 12 cas. Le reste est réparti comme suit: 4 cas à Vakinankaratra, 1 cas à Itasy, 1 cas à Alaotra Mangoro, 1 cas à Matsiatra Ambony et 1 cas à Boeny. Ce jour, 36 patients ont recouvré la santé portant à 14682 le nombre total de guérisons dans tout le territoire malagasy. Par ailleurs, 1164 malades sont encore en traitement, dont 20 dans un état critique. Deux nouveaux décès ont été communiqués. Désormais, le nombre officiel des victimes s’élève à 225. L’article COVID-19: Statistiques du 21 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Fomba mahomby hanimbana ny teny malagasy: mila mitandrina amin’ny fampiasana ny “facebook”
18/09/2020

Toa zary lasa mahazatra ny Malagasy ny mahita ny teny malagasy diso fanoratra ao anatin’ny “facebook”. Vitsy dia vitsy ny manitsy ny diso fa mitazam-potsiny ny ankamaroany. Nahitsy be kosa ny fanehoan-kevitra nataon’i Arikaomsa Randria, omaly. “Ity FB ity no fomba mahomby indrindra hanimbana ny fomba fanoratra teny malagasy”, hoy izy. Ankoatra ireo fanafohezan-teny teraka noho ny hakamoana, mbola ao ihany koa ireo mpanao tandrametaka amina fanoratana ny teny malagasy amina fomba fiteny vahiny. Tahaka ny “olona” manjary “oul”, sns.Mila mitandrina fatratra amin’ny fampiasana ny teny malagasy ifaneraserana sy ifampitan-kevitra ao anaty “facebook” ny Malagasy. Maro loatra ny fahadisoana tazana amin’ny teny malagasy ao anatin’izany tambajotran-tserasera anisan’ny be mpampiasa indrindra eto ambany masoandro izany. Raha vao miparitaka sy mivelatra be tahaka izany anefa ny sehatra itenenana na anoratana, mila mitandrina ny tsirairay!Mety ho azo adika ho tsy fahafehezana ny tenindrazana ihany koa ny fitobahan’ireny fahadisoana amin’ny fomba fanoratra ny teny malagasy any anaty “facebook” ireny. Tranga mahamenatra manoloana ny “fandrosoana”. Ny toknolojia sy ny fampiasana azy, ilingiligiana kanefa ny tenin’ny tena alefa ao anatiny, diso avokoa ny ankamaroana. Mihaingo ambony tsikoko!HaRy RazafindrakotoL’article Fomba mahomby hanimbana ny teny malagasy: mila mitandrina amin’ny fampiasana ny “facebook” a été récupéré chez Newsmada.

Minisitry ny Fitsarana : “Entina eo anatrehan’ny fitsarana ny depiote Leva”
22/09/2020

“Raha tsy diso aho, androany (omaly) izy no entina miseho eo anatrehan’ny tonia mpampanoa lalàna. Misy ny fiampangana hahazo azy, na fanatanterahana ny fitsarana miandry azy, na fanatanterahana ny fitoriana izay ataony any ambadika any. Tsy fantatra izany.”Io ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard, teny Anosy omaly, momba ny raharaha mahakasika ny solombavambahoaka tany Mahabo, faritra Menabe, teo aloha, Raveloson Ludovic na i Leva, nokarohin’ny fitsarana nanomboka ny febroary 2020.Miara-miandry ny vokatry ny fitsarana ny rehetra: inona no hataon’ny fitsarana, inona ny ho tohiny, aiza ho aiza any raharaha? Raha maneho hevitra miteny io solombavahoaka teo aloha io: milaza ny lalàna ny fahafahana mivoaka na miteny, arakaraka ny zava-mitranga raha voatana. Hatramin’izao aloha, andraikitr’izay mitana azy mamela azy hiteny na tsia.Ny hoe manana fahadisoana izy sa tsia? “Aleo isika tsy handany andro ny amin’izay, fa ny zava-mitranga aloha: nandositra izy, hita, tratra, entina miverina eo anatrehan’ny fitsarana hijerena ny momba azy na ny tsy maintsy anenjehana azy”, hoy ny minisitry ny Fitsarana. Ny mpampanoa lalàna ny mahafantatra izay hanaovana ny raharaha.R.Nd.  L’article Minisitry ny Fitsarana : “Entina eo anatrehan’ny fitsarana ny depiote Leva” a été récupéré chez Newsmada.

Antoko RDS : “Miankina amin’ny HCC ny filaminana na korontana”
21/09/2020

Mitodika eny Ambohidahy ny mason’ny mpanao politika. Miteraka resabe ny fanapahanj-kevitra na ny fanapahana noraisin’ny HCC tato ho ato. Nitondra ny heviny momba izany ny eo anivon’ny RDS.“Manana adidy aman’andraikitra lehibe ny rafi-pitondrana najoro eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izany. Io ny hitanay ho rafitra ambony indrindra hampisy ny korontana na hampisy ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena.”Io ny fanehoan-kevitry filohan’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, manoloana ny adihevitra ny amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fifidianana loholona, hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao.Tokony hiandany amin’ny lalàna fototra na lalàmpanorenanaAmbara sy ampahafantarina ny vahoaka malagasy fa indray mandeha ihany no azo fidina ny mpikambana amin’izany rafi-pitondrana izany.Noho izany, tsy misy tokony hiandaniany amin’izay mpitondra misy eo amin’ny tany sy ny fanjakana. Tokony ho ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana no iandaniany sy ataony izay hampanajana an’izany.Tsy tokony ho eo ambanin’ny lalàna ny mpitondraTsy ifanomezan-tsiny izany, nefa hita fa ny tsy ahazoana mitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka. Tsy midika izany fa tsy ho eo ambanin’ny lalàna ny mpitondra mikatsaka izay fampandrosoana izay. Tokony hisy ny lalàna mifehy azy, ary ny lalàna fototra na ny lalàmpanorenana no tokony hohajaina voalohany indrindra.R.Nd.L’article Antoko RDS : “Miankina amin’ny HCC ny filaminana na korontana” a été récupéré chez Newsmada.

Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza
23/09/2020

Mangidy sady mafy raha mbola fahoriana no nandalovan’ity ankizilahy iray, roa taona lasa izay (ny alin’ny 26 aogositra hifoha 27 aogositra 2018), raha izy vao 8 taona monja. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nandripahan’ny tsy mataho-tody an’ireo nahitany masoandro sy ny zandriny vavy, efataona. Mickael Rakotorahalahy irery, izay mandia ny faha-10 taonany ankehitriny, no sisa velona tamin’ ity fianakaviana ity, taorian’ ny herisetra tsy manampaharoa nihatra tamin’ny fianakaviany, tany Mamoladahy, Imerintsiatosika. Nitondra vohoka dimy volana aza ilay reniny, tamin’ny fotoana nisehoan’ny voina. Zary fanoitra hoentin’ i Micka miatrika sy ho tafita amin’ny fiainana ny zava-niseho. Isan’ireo ankizy mendrika any am-pianarana sy any am-piangonana izy, ary vao nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Manohy ny fianarany any Sandrandahy, Fandriana, izay tanàna misy ny raibeny sy ny renibeny ny zazalahy. Nanolo-tena hitaiza azy ireo ray amandrenibe ireo. Ny ho tonga mpitsara na mpanamory fiaramanidina no nofinofy goavana manosika an’ i Micka amin’ny filofosany any an-tsekoly isan’andro. Avotry ny fialan-tsasatra Tahaka ny efa lahatra manokana ny an-dRakotorahalahy Mickael, satria niala sasatra tany Sandrandahy Fandriana no nahatonga azy tsy ho isan’ny lasibatr’ireo namono ny ray aman-dreniny sy ny zandriny. Ny raibeny sy ny renibeny, avy amin’ ny dadany, ireto mitaiza azy. Tsy mba manana taranaka intsony iretsy olon-dehibe, ka isan’ny antony nakan’ izy ireo an’i Micka ho toy ny solon-janany. Roa taona talohan’ny nahafatesan’ireo mpianakavy kely no efa nindaosin’ny fahafatesana ihany koa ny zandrin’i Nantenaina Rakotorahalahy, rain’i Micka. Izy mirahalahy irery no mpiray tampo. Mazoto amin’ny fianarana i Micka. Fony izy kilasy fahavalo no efa nitazona ny laharana voalohany hatrany tany an-tsekoly. Mianatra amina sekoly tsy miankina izy, ankehitriny, sady tezaina ihany koa amin’ny finoana kristianina, araka ny fitantaran’i Olga Razanabary, renim-pianakaviana nanangana an’i Malalatiana Juliana, renin’i Micka. « Zaza tena mahay izy ary mikendry ny ho lasa ambony eo amin’ny fiainana hatrany, na any an-tsekoly hatrany am-piangonana », hoy iry reniben’i Mickael avy amin’ny reniny. Nampahafantarin’ itsy farany fa « mpitarika tanora kristianina sady mpamoron-kira ho an’ny antoko mpihira ny raibeny sy ny renibeny. Nisy fotoana nandehanan’izy ireo teto Fianarantsoa niaraka tamin’io antoko mpihira io, ka nipetraka tato amiko i Mickael ». « Tsapako fa ny fahoriana nidona taminy no isan’ny nanosika azy vao mainka hihoitra eo amin’ny fiainana », hoy ihany izy. L’article Fanamby amin’ny fiainana :: Zazalahy manana nofy goavana na dia very ray sy reny ary zandry aza est apparu en premier sur AoRaha.

Minisitry ny Fitsarana: « Tsy handeferena ireo mpitsara manao kolikoly”
17/09/2020

Mba tsy ho resabe ? Mbola nanamafy hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa ho hentitra amin’ireo mpitsara, mihoa-pefy amin’ny fanatanterahana ny asany.“Tsy handefitra manoloana ireo mpitsara zatra ny lalan-dririnina amin’ny fanaovana kolikoly ny minisitera. Ampirisihina ireo manana porofo mbahitondra fitorohana sy fitoriana eny anivon’ny sampana misahana izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny, ny alatsinainy teo tao Toamasina. Nohitsiny fa efa eo am-pelatanan’ny minisitera ny raharaha, anisan’ny maha be resaka ao an-toerana, momba ny ady tany ahenoana mpitsara ao anatin’izany.Tsiahivina fa notanterahina tamin’io fotoana io, tao amin’ny oniversiten’ i Barikadimy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fitsarana  sy ny departemantan’ny ” Faculté de Droit, des Sciences Economiques, de Gestion, et de Mathematique Informatique et Applications- DEGMIA”. Nivoitra tamin’izany ny fametrahana fiaraha-miasaamin’ny tokony hanampiana na koa hiarahana mikaroka mpampianatra hisahana ny sampam-piofanana eo anivon’ny “Masters II” ho an’ny fampiofanana lalàna. Eo koa ny momba ny fianarana asa ho an’ ireo mpianatra lalana.Mpitsara hampita traikefa amin’ireo tanoraHisy rahateo ny famoahana andiana mpianatra amin’izany sampam-piofanana lalana izany ka nangatahana ny mba ho “Ray mpiahy”, ny minisitra amin’ity andiany ity. “ Anisan’ny veliranon’ny filoham-pirenena ny fanatsarana ny fampianarana ambony sy fananana tanora ho tsara taiza sy hanana fahaizana ho fitaratry ny firenena”, hoy ny minisitra. Nanteriny fa mety hisy fiantsoana ireo mpitsara efa misotro ronono, terem-panahy hampita ny traikefany ho an’ireo tanora eo anivon’ny oniversite. Tsiahivina fa miavaka amin’ny departemanta rehetra misy eo anivon’ny oniversiten’ i Barikadimy ny Degmia, tarihin’ny sojabeny, tanora amin’ ireo soja be rehetra. Mihazakazaka eo amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana sy ny fampiofanana eo anivon’ny departemanta tantaniny. Eo koa ny ezaka ho fampandrosoana sy fampiakarana hatrany ny lentan’ny fampianarana eo anivon’ny anjerimanotolo.Sajo sy Synèse R. L’article Minisitry ny Fitsarana: « Tsy handeferena ireo mpitsara manao kolikoly” a été récupéré chez Newsmada.

Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry
21/09/2020

Hita faty nihantona tao amin’ny trano iray, tetsy Ivandry, ny lehilahy karàna iray, tamin’ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 11 ora. Tsy fantatra hatreto na namono tena na nisy namono izy. Rahalahin’i Moustapha, izay karohina noho ny raharaha fakàna an-keriny, ity namoy ny ainy. Mbola manjavozavo ny zava-nitranga, hatramin’ny omaly. « Efa naiditra am-ponja, teny Tsiafahy, niaraka tamin’ itsy rahalahiny itsy io Karàna hita faty io, nandritra ny Tetezamita farany, teto amin’ny firenena. Voarohirohy tamin’ny fanapoahana baomba teny amin’ny magazay lehibe iray tetsy Tsaralalàna izy roa lahy, tamin’izany fotoana izany », araka ny fanampim-baovao amin’ny mpitandro filaminana. Famotsiam-bola ? « Manomboka ny famotorana  momba an’io Karàna hita faty nihantona io izahay. Tsy vahiny aminay ny anarany satria voatonontonona matetika amin’ny fanaovana trafikana volamena izy sy ny rahalahiny (Naotin’ny fanoratana : Moustapha). Efa heno koa ny anaran’izy ireo tamin’ny raharaha famotsiam-bola mitentina telo hetsy dôlara isan’andro tao amina banky iray teny Antsahavola », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Loharanom-baovao teny amin’ny Zandarimaria no nahalalana fa isan’ireo karohin’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava i Moustapha. « Voarohirohy amin’ny raharaha fakàna an-keriny karàna teto Madagasikara i Moustapha. Nisy nitifitra teny Analamahitsy izy, taona vitsy lasa izay, ka naratra mafy. Lasa nitsabo tena any La Réunion no nialany teto Madagasikara », hoy ny avy amin’ny Zandarimaria. Ireo Polisy misahana ny heloka bevava (BC), izay manao ny famotorana momba an’izao tranga farany tetsy Ivandry izao, no miahiahy ny amin’ny mety ho fifandraisan’ny zava-nisy sy resaka valifaty. « Tsy azo lavina ihany koa anefa ny mety ho famonoantena. Ho hita eo ny marina, aorian’ny famotorana », hoy ny BC. L’article Fahitana razana :: Karàna lahy nihantona tetsy Ivandry est apparu en premier sur AoRaha.

Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra
21/09/2020

Voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, araka ny sokajy voalohany miresaka ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny toeram-bahoaka ary ny kianjam-bahoaka fa mila hajaina ny fepetra rehetra.Araka ny andininy fahavalo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, tsy maintsy nahazoana alalana ara-dalàna avokoa ny fanorenana rehetra anatin’ny fari-piadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny andininy fahasivy milaza ny maha tompon’andraikitra feno ny tompon-trano amin’ny fahadiovan’ny trano fonenana sy ireo miankina aminy ary ny lalana manoloana azy.Tsy maintsy lokoina sy diovina ny trano  indray mandeha isaky ny dimy taona farafahakeliny. Atao mifanaraka amin’izay voalazan’ny fitsipika mifehy ny tanàn-dehibe  izany, indrindra ho an’ireo manamorona ny “Avenue” sy ny arabe mikodana, ny manodidina ny lalana ary ny lalankely ampiasain’ny mponina.Ny tsy fanarahana ireo fepetra voalaza ireo dia mahatonga ny fandoavana ny sazy vonodina laharana fahefatra, izay mitentina 1.000.000 Ar. . Miampy fanerena fampiharana didy anatin’ny fito andro izany ho an’ireo manamorona ny araben’ny fahaleovantena.Ny andininy fahafolo kosa, milaza fa tsy maintsy manana toeram-pivoahana avokoa ireo trano fonenana rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Ireo trano fivoahana ivelan’ny trano dia tsy maintsy miala 3m amin’ny arabe na ny faritry ny tanàna. Tsy maintsy arahina ny fikojana sy ny fanatsarana hatrany ireny toeram-pivoahana ireny tsy hanelingelina ny manodidina.Voarara ankitsirano ny fampiasana gabone lavaka mandra-pahafenony tanteraka. Mila maka alalana manokana iray volana mialoha any amin’ny CUA ireo hanala ny maloto anatin’ireny gabone lavaka ireny .Tsy maintsy atao amin’ny andro alina ny fanatanterahana izany raha olon-tsotra no hanao azy. Misy kosa ireo orinasa efa matihanina mampiasa fitaovana arifomba ka tsy manelingelina ny manodidina ny fanatanterahany ny asany.Milaza ny andininy faha-12 ao anatin’ity fitsipi-dalàna ara-pahasalamana ity fa handraisana fepetra avy hatrany ny tompon-trano raha toa ka handraisana fitarainana marim-pototra ny trano fivoahana amin’ny fahadiovany na ny fofona avoakany. Mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mipetraka amin’ny trano intsony izany raha tsy misy ny fandraisana ndraikitry ny tompon-trano….Tatiana AL’article Fahadiovan’ny trano fonenana: mila manana gabone avokoa ny tokantrano rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie
24/09/2020

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

Le groupe axian rejoint l’initiative de développement durable global compact des nations unies
17/09/2020

Le Groupe AXIAN rejoint les 600 entreprises et parties prenantes du continent Africain signataires de l’initiative UN Global Compact des Nations Unies. AXIAN s’engage ainsi activement à améliorer et accroitre son impact partout où il intervient dans les domaines des Droits Humains, du travail, de l’environnement et de la lutte contre la corruption. L’initiative un global compact, une initiative mondiale en faveur du développement durable  L’initiative UN Global Compact est la plus grande initiative de développement durable au monde regroupant plus de 9 500 entreprises et 3 000 organisations à but non lucratif. Catalyseur de premier plan des transformations à venir, elle permet aux acteurs du secteur privé de s’engager en faveur des Objectifs de Développement Durable. Ceux-ci inscrivent à leurs stratégies 10 principes d’action dans les domaines des Droits Humains, du travail, de l’environnement et de la lutte contre la corruption. Pour mettre fin à l’extrême pauvreté, lutter contre les inégalités et lutter contre le changement climatique, il s’agit de faire des affaires de manière responsable ainsi que de prendre des mesures stratégiques pour faire avancer des objectifs sociétaux plus larges. Axian franchi une étape importante et renforce ses engagements en matière d’impact Le Groupe AXIAN a franchi une étape importante en tant que créateur d’impact majeur à travers le continent africain et l’Océan Indien. En devenant une entreprise du Pacte mondial des Nations Unies et en rejoignant l’initiative Global Compact des Nations Unies, le groupe AXIAN affirme sa volonté d’intégrer ces principes fondamentaux dans ses stratégies d’entreprises, sa culture et ses opérations quotidiennes et de les faire progresser dans ses zones d’influences. Convaincu qu’en œuvrant en faveur du développement durable, le Groupe AXIAN répond avec détermination au défi d’une croissance plus juste et inclusive. La direction impact axian créée pour garantir ses engagements au quotidien La création d’impact positif fait partie inhérente de la démarche du Groupe AXIAN. Chez AXIAN, nous croyons que la transformation de nos sociétés passera par la transformation de nos économies pour les rendre plus inclusives et impactantes. En permettant l’accès à des services financiers au plus grand nombre, en permettant à chacun d’avoir accès à une énergie propre et accessible, en connectant des millions d’Africain à leurs proches, le Groupe AXIAN rend possible l’inclusion numérique, énergétique et financière de chacun dans les pays où il est implanté. En tant qu’entreprise à mission, le Groupe AXIAN s’est doté d’une Direction Impact en 2019 afin de mesurer, d’évaluer et de renforcer l’impact positif de chacune de ses entités et manager notamment grâce à un Scoring Impact développé en interne. Le lancement de la Fondation AXIAN, chargée de mutualiser les actions philanthropiques du Groupe, vient appuyer cette ambition. « Améliorer le quotidien des populations, innover pour transformer durablement les économies africaines en accélérant la transition écologique, en démocratisant l’art et la culture, en accompagnant et valorisant les talents du continent, telle est notre mission. » Recueilli par Nirina R. Cet article Le groupe axian rejoint l’initiative de développement durable global compact des nations unies est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Le groupe axian rejoint l’initiative de développement durable global compact des nations unies a été récupéré chez Délire Madagascar.