Rugby – Championship 2020 : tsy handray anjara ny Springboks Afrika Atsimo

News - Rugby – Championship 2020 : tsy handray anjara ny Springboks Afrika Atsimo

News - Rugby – Championship 2020 : tsy handray anjara ny Springboks Afrika Atsimo

Hataraina ny an’ny
rehetra naharay ny taratasy avy amin’ny federasiona rugby ao Afrika
Atsimo (Saru) fa tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny
“Championship 2020” ny Springboks. 

Noho ny valanaretina “covid 19”
mbola ma­mely ao Afrika Atsimo sy ny tsy fisian’ny sidina,
nanambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly zoma 16 oktobra ry zareo
Afrikanina tatsimo, fa tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny
“Champion­ship 2020”, taranja rugby ny Springboks.
Fihaonana, tanterahina any Aostralia, ny 31 oktobra ka hatramin’ny
12 desambra ho avy izao. Toy ny valan-da­tsaka no nandraisan’ny
rehetra ity fanapahan-kevitry ny federasiona rugby Afrika Atsimo
ity, tapa-bolana mialoha ny hanombohan’ny fifaninanana. Anisan’ny
ekipa tena andrasan’ny rehetra mantsy ry zareo Springboks,
tompondaka eran-tany. “Tsy manan-tsafidy izahay ary koa tsy afaka
ny handahatra mpilalao tsy misy antoka ho an’ny fahasalaman’izy
ireo ny federasiona”, hoy i Jurie Roux, tale mpanatanteraka eo
ani­von’ny federasiona afrikanina tatsimo.
Olana ho an’ny Spring­boks, araka ny nambaran’i Jacques Nienaber
mpanazatra, tsy mbola nandray baolina mihitsy na niatrika
fifaninanana ireo mpilalao afrikanina tatsimo, taorian’ny
niatrehany ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany
fa­rany teo, izay nikatrohany tamin’i Angletera, ny 2 no­vambra
2019. Farafaharatsiny manko nahavita 500 mn avy ry zalahy vao afaka
miatrika fifaninanana, araka ny nolazain’ny mpanazatra hatrany.
Araka izany, tsy misy afa-tsy firenena telo ihany izany no
hifanandrina amin’ity “Championship 2020” ity dia ny All Blacks-n’i
Nouvelle-Zélande, ny Pumas-n’i Ar­zantina ary ny Wallabies-n’i
Aostralia, izay mpampiantrano ny fihaonana.
Marihina fa noho ny fisian’ny valanaretina “covid 19”, tanterahina
amin’ny firenena tokana ny lalao rehetra, amin’ ity andiany
ity.

Tompondaka

Article tiré de Newsmada

L’article Rugby – Championship 2020 : tsy handray anjara ny Springboks Afrika Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy

Omaly tolakandro no re mivantana tao amin’ny RDJ 96.6Mhz ny vaovao ! Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana an’i Eric Fou Hehy tany Inde. Nanamafy izany rahateo izy raha nanontanian’ny olona avy aty Madagasikara mivantana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera : « Eric ihany ity e ! Eric efa olom-baovao… Salama tsara ! ». Raha ny fanazavany, nosoloina ny voa ary  natao grefy ny aty. Ireo ny fandidiana natao taminy. Mbola mila fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo azy, noho izany, mbola hijanona volana vitsivitsy any an-toerana i Eric Fou Hehy. Nanamafy izany rahateo izy. Nambaran’i Eric fa tsara ny fikarakarana rehetra. Nahafinaritra avokoa na ny fandraisana na ny « administration » na ny mpitsabo any an-toerana.Raha tsiahivina, ny volana jolay 2018 no niala teto an-tanindrazana nihazo an’i Inde i Eric Fou Hehy rehefa tojo tsy fahasalama (insuffisance rénale) ka nilaina fitsaboana ivelan’i Madagasikara.HaRy Razafindrakoto L’article Vita ny fandidiana: salama tsara i Eric Fou Hehy a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fibatana fonjamby :: Nofaranan’ny Malagasy tamina medaly iraika ambin’ny folo ny anjarany

Saika nitondra me daly avokoa ireo mpibata fonjamby malagasy niatrika ny Lalaon’ny Nosy tany Maorisy, tamin’ ity andiany fahafolo ity. Tao rian’ireo vokatra tsara azon’izy ireo tamin’ny andro roa voalohany dia niambozona medaly iraika ambin’ny folo indray ireo mpibata fonjamby nifaninana teo amin’ny sokajy mavesatra, omaly, tao amin’ ny kianja mitafon’ny Dr James Burty Davids tao Curepipe. Nisongadina tamin’ity taranja ity ary nitana ny laharana voalohany ny Malagasy, hatramin’ny omaly. Isan’ireo nisongadina i Claudio Randrianavalona, izay voahosotra ho tompondakan’ny ranomasimbe Indiana, teo amin’ny sokajy latsaky ny 81kg. Voabatany ny vesatra 122kg teo amin’ny «Arraché» sy 150kg teo amin’ny « Epaulé Jeté ». Mbola niambozonany medaly ihany koa ny tambatra olympika, 272 g. « Lalaon’ ny Nosy faharoa ho ahy ity ary nahafahako niambozona medaly volamena telo. Vita ny anjaranay, tamin’ny fampiakarana avo ny fanevam-pirenena”, hoy i Claudio. Ankoatra azy dia nahazo medaly volamena roa ihany koai Vania Ravololoniana teo amin’ny sokajy latsaky ny 64 kg vehivavy, rehefa naha- bata 102kg teo amin’ny “Epaulé jeté” sy nahazo tambatra olympika 184kg. Medaly volafotsy kosa no azony teo amin’ny “Arraché” (82kg), raha i Sitrakiniaina Randrianandrasana no nahazo izany teo amin’ity farany rehefa nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra nasionaly tamin’ny vesatra 83kg. Medaly volafotsy kosa no azon’i Sitrakiniaina teo amin’ny « Epaulé Jeté » (95 kg). Nahazo medaly volafotsy roa sy alimo iray ihany koa i Sergio Hery Ny Aina teo amin’ny sokajy 96kg, raha medaly alimo roa kosa no azon’i Mendrikaja Andrianasolo, teo amin’ny sokajy vehivavy 71 kg. Tapitra hatreo izany ny anjaran’ireo mpibata fonjamby malagasy satria tsy manana solontena eo amin’ ny vehivavy (81kg, 87kg ary +87kg) sy lehilahy (102kg, 109kg ary +109kg) isika. L’article Fibatana fonjamby :: Nofaranan’ny Malagasy tamina medaly iraika ambin’ny folo ny anjarany est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny Caf: andrasana ny fanapahan-kevitr’i Ahmad

Notapahin’ny fivoriamben’ny Kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), ny alakamisy lasa teo fa tsy miova ny daty hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana izany. Miandry ny fanapahan-kevitry ny filoha am-perinasa ny rehetra. Notazomin’ny Kaon­fe­derasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), ny datin’ny 12 marsa 2021, hanatontosana ny fifidianana izay ho filohany. Niova kosa ny toerana hanaovana izany. Raha i Maoritania no voatondro tany am-boalohany dia nafindra any Rabat, Maraoka indray izany, tamin’ity. Vaovao iray lehibe andrasan’ny rehetra ny ho fanapahan-kevitry ny filoha am-perinasa, i Ahmad, na ho kandidà ny tenany na hijanona tamin’iny taom-piasana tokana iny. Raha ny tsilian-tsofina, mety mbola ho kandidà ny tenany. Mbola naka ny hevitr’ireo filohan’ny federasiona nanohana azy tamin’ny taona 2017 mantsy ny tenany. Raha tsiahivina, nandresy tamin’ny isam-bato 34 tamin’ireo federasiona 54 izy. Raha toa ka voatazona io isam-bato io, azo antoka ny mbola haha mpifaninana azy. Marihina fa anisan’ny tombony ho an’i Ahmad ireo filohana federasiona avy amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny Cosafa, izay miisa 14. Tsiahivina fa nisokatra, nanomboka omaly zoma 11 septambra, ny fandrotsahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo kandidà, izay tsy hifarana raha tsy ny 12 novambra ho avy izao. Ny 11 janoary 2021 kosa no hamoahana ny anaran’ireo mpifaninana nahafeno ny fepetra amin’izay ho filohan’ny Kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf), ho an’ny taom-piasana efatra manaraka, 2021 ka hatramin’ny 2025. Tsiahivina fa i Ahmad no kandidà voalohany nanova ny isan’ny ekipam-pirenena ho 24 mandray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), raha toa ka 16 hatrany izany, hatramin’izay. Nandritra ny fitondran’i Ah­mad ihany koa no niatrehan’ny Barea de Madagascar ny Can voalohany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra ma­la­gasy. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana filohan’ny Caf: andrasana ny fanapahan-kevitr’i Ahmad a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “An’ny filoha ny momba ny governemanta”

“Mipetraka izao ny Antenimierampirenena. Araka ny And. 54 ao amin’ny lalàmpanorenana, ny filohan’ny Repoblika no hahazo ny soso-kevitra amin’izay tokony handrafetana ny  governemanta izay. Ataoko fa hanatanteraka izany antsakany sy andavany ny filohan’ny Repoblika.”Izay no navalin’ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Vatomandry, afakomaly, momba ny governemanta taorian’ny fivoahan’ny vokatry ny fifidianana solombavambahoaka. Mazava fa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fifidianana solombavambahoaka. Mirary sahady an-dry zareo hahavita antsakany sy andavany ny asany izy.Misaotra manokana ny vahoaka malagasy koa ny praiminisitra. Satria tao anatin’ny herintaona izay, fifidianana telo lehibe no natao teto Madagasikara. Teo ny fihodinana voalohany sy faharoa tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka.Misy ny fitoniana sy ny filaminana. Iaraha-mahalala izany. Nisaorany manokana ny vahoaka malagasy, nampiseho izay fahendrena iombonana izay. Ary naseho ny maha zava-dehibe ny soatoavina malagasy: ny fihavanana. Tao anatin’ny fihavanana no nanatanterahana ireny fifidianana ireny.R.Nd.L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “An’ny filoha ny momba ny governemanta” a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Moramanga : Mécanicien bokan-trosa tratra nangalatra fiara

Ny sabotsy teo no nitranga ny halatra fiara tamin’ny fanaovana taratasy sandoka sy laharan’ny fiara hosoka. Tovolahy iray mpanao asa mpanamboatra fiara bokan-trosa avy ao Moramanga no nanao izany izay tratran’ny zandary ambodiomby tao Sahavalaina Brickaville ny sabotsy alina nifoha ny alahady maraina teo. Raha ny fanazavana dia tonga teto Toamasina ity rangahy ity ny zoma, ka raha ny taratasy hosoka efa teo aminy dia fiara “forgeon” no saika hangalariny saingy tsy nahita izany izy, ka fiarakaretsaka iray 306 no nokendreny hitadiavany mpividy. Ny sabotsy maraina no nahitany ilay fiarakaretsaka ka nanao mody mpandeha aloha izy nijereny ny momba ny fiara ka 5.000 ariary ny saran-dalana tamin’izany. Raha hitan’ilay rangahy mpangalatra fiara fa azo hamidy tsara ilay fiara 306 fiarakaretsaka dia nifanome fotoan izy roa lahy ny alina fa hanao “special” ha 60.000 ariary ny saran-dalana. Nisotro tamina trano fisotroana iray izy ireo, rehefa tena alina ny andro dia nirahany mody nividy zavatra ilay mpamily fiarakaretsaka, ka teo no nanararaotany nanisy fanafody “valium” mampatory ny ranomboakazo nosotroin’ilay mpamily raha nisotro toana ilay rangahy hangalatra ny fiara. Vao hitany fa nandaitra ny paikadiny dia nandeha amin’izay izy ireo, ka raha nahita ilay mpamily manomboka rasi-tory ilay rangahy mitetika hangalatra ny fiara dia nofatorany tamina “scotch” ilay mpamily ary nofatotany tamin’ny sezan’ny fiara. Efa teny an-dalana mihazo ny lalam-pirenena faharoa izy ireo no nisy nahatsikaritra ka ireo nahita izany no nampandre ny zandary mpanao sakan-dalana tao Sahavalaina Brickaville, ka tao no nahatrarana azy ambodiomby. Araka ny fanazavana hatrany dia nokasainy ho vonoiny hatsipy anaty rano ilay mpamily miala an’i Brickaville, saingy izy izao tratra izao ka mbola manaraka fitsaboana ilay mpamily noho daroka sy ny fanafody “valium” marobe laniny. Miandry fitsarana ao ambalatavoahangy ilay rangahy nikasa hangalatra fiara taorian’ny fiakarany fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana omaly tolakandro. Malala DidierL’article Moramanga : Mécanicien bokan-trosa tratra nangalatra fiara a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Ao Raha

Fifampitifirana :: Olona efatra maty tany Ankavandra

Naharitra ora maro ny fifampitifrana teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary marobe, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Andrafia-Ankaboka any Ankavandra. Telo tamin’ireo fokonolona no voalaza fa namoy ny ainy teo no ho eo. Tsy afaka hanohy ny halatr’omby intsony ihany koa ny iray tamin’ireo dahalo am-polony maro. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby miisa efatra amby telopolo amby zato, norobain’ny dahalo. Notafihin’ny dahalo am-polony maro nitondra basy, tany Beambiaty-Antsahalava, any Tsiroanomandidy, tamin’ny faran’ny herinandro. Toerana iray fitobian’ny omby io toerana io ka lasan’ireo dahalo avokoa ny omby miisa roa amby efapolo amby zato tao anatiny. Nisy ny fanenjehana nataon’ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ka nifanojo ireo dahalo sy ireo mpanenjika tany Andrafia-Ankaboka, any Ankavandra, ora maro taty aoriana. Na teo aza ireo olona telo namoy ny ainy avy amin’ ireo fokonolona dia nanohitra hatrany ireo zandary manodidina roa amby valopolo isa nampian’ireo Tafika avy amin’ny Bia. Fito tamin’ireo omby no voalaza fa maty teny an-dalana. L’article Fifampitifirana :: Olona efatra maty tany Ankavandra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy

Nanakoako indray ny taranja fibatana fonjamby taty amin’ny andiany faha-10 ny fifaninanana “Lalaon’ny Nosy”, aty amin’ny Nosy Maorisy. Medaly 47 be izao ny noraofin’izy ireo ka medaly volamena avokoa ny 24 amin’izany, norombahin’ireo kalaza toa an-dry Eric, i Tojo, i Vania, i Rosina sy ny maro hafa. Ankoatra izay, medaly volafotsy ny 19 ary nahazo medaly alimo isika. Nametraka ny firenentsika ho eo amin’ny laharana voalohany izany ka na efa tapitra tamin’ny alarobia teo aza ny fandraisan’ireo mpibata fonjamby malagasy, tsy hahatratra na hisongona antsika intsony ireo firenena hafa mpifanandrina. Mbola noporofoin’ny eo anivon’ity taranja ity fa sangany isika raha aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika mihitsy. Mbola nampatsiahivin’ny filohan’ny federasiona, Randriamanarivo Harinelina, fa “tsy hoe manonofy fotsiny dia mahazo vokatra tsara toy izao fa misy asa sy ezaka be atao ao”, hoy izy vao tonga amin’izao, ary tsy ao anatin’ny volana vitsivitsy ny ahazoana izany fa an-taony maro ny hanomanana ny fahombiazana toy izao. Tsy afa-misaraka amin’izany fahombiazana izany koa, hoy hatrany ity filohan’ny FMHMC ity, ny mpitondra fanjakana, nitondrany fisaorana hatrany amin’ny fanohanana ny mpanao fanatanjahantena hatreto ka nahatonga izao fahombiazana izao. Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby: laharana voalohany ny atleta malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy

Noraisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’Iavoloha, omaly, ireo mahery fo malagasy, nitondra avo ny voninahi-pirenena, tany Maorisy, nandritra ny andiany faha-10, ny lalaon’ny Nosy farany teo.Nahazo ny valin-kasasarany ireo atleta nahazo medaly rehetra ary nampitomboina 4 avo heny ny tamin’ny efa-taona lasa ny fankasitrahana azy ireo, izay tafiakatra hatramin’ny 361 tapitrisa ariary ny fitambarany. Raha dimy hetsy ariary izany, ho an’ny volamena, niakatra ho roa tapitirisa ariary izany tamin’ity, toy izany koa ny volafotsy sy ny alimo. Ankoatra izay, nomen’ny fitondram-panjakana mari-pankasitrahana manokana ihany koa izy ireo. Nisy 13 mianadahy nahazo ny « Chevaliers de l’ordre national », izay nahazo medaly volamena 2 no ho mihoatra, « Commandeur de l’ordre de mérite sportif » kosa ho an’ireo 78 mianadahy, nahazo medaly volamena iray. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo nisalotra ny medaly volafotsy sy alimo, dia ny «Officier de l’ordre de mérite sportif » sy ny « Chevalier de l’ordre de mérite sportif ». Tsy hadinon’ny fitondrana ihany ireo mpanazatra fa nahazo fankasitrahana toy ireo atleta rehetra, arakaraka ny medaly azon’ny taranjany tsirairay.Velom-pisaorana ireo atleta Velom-pisaorana ny fitondrana sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ireo atleta malagasy, amin’ny fihetsika mendri-piderana toy izao. Nanambara Andriantsitohaina Éric, izay nisolo tena ireo atleta rehetra, fa isan’ny nahazoana izao vokatra tena tsara izao, ny fanatrehan’ny filoham-pirenena sy Andriamatoa Minisitra, Tinoka Roberto, mivantana hatrany, ny ady sy ny lalao natrehin’izy ireo. « Zava-dehibe loatra ho anay ary tena nandrisika anay hitady fandresena ny fahitanay anareo fitondram-panjakana, manaraka akaiky anay sy nankahery anay teny an-kianja, ray aman-dreny tokoa ianareo ary tena nandray anay ho zanaka », hoy i Eric, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Mbola tokony hahavita tsara lavitra noho ireny, aza ny atleta raha manana fotodrafitrasa tsara mamaly ny filàny izy ireo, araka ny  nambarany hatrany, isan’ ny fangatahan’ireo mpanao fanatanjahantena, araka izany, ny hanamboarana sy hanatsarana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto amintsika. Naneho fisaorana ny federasiona, izay vy nahitana ny fahombiazana ihany koa ireo atleta, ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, hoy i Eric.Tetsy ankilany, nanambara Andriamatoa Minisitra fa izao dingana vita izao dia mariky ny firosoana hatrany. Faharoa isika, hoy izy, tamin’iny lalaon’ny Nosy andiany faha-10 iny, tsy tongatonga ho azy izany fa nisy ny fanomanana sy ny ezaka nataon’ny tsirairay. Nitondra ny hetahetan’ireo federasiona teo anatrehan’ny filoham-pirenena ihany koa ny Minisitra Tinoka Roberto, ny tokony hisian’ny lalao goavana handraisan’ny faritra 22 anjara, amin’ny herintaona. Mi.RazL’article Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo

Telo volana aty aorian’ny fanapahan-kevitra, hiroso amin’ny fanatanterahana ny teboka fito momba ny fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo, mametra-panontaniana ny mpampianatra fa tsy misy ny dingana vita avy amin’ny fitondram-panjakana. Nivory izy ireo, omaly ary namoaka fanambarana amin’ny teboka efatra mazava. Manamafy fa tokony handefan’ny minisitera mpiahy ny Fampianarana ambony eny anivon’ny fiadidiana ny primatiora ny antontan-taratasy momba ny fangatahana « dérogation » manokana hitazona amin’ny asany ny mpampianatra mpikaroka izay mbola ilaina amin’ny sahanasa maro. Misy antontan-taratasy samihafa tokony hofenoin’ny mpampianatra mpikaroka sasany efa naterina teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ho fanampiny. Mety ho tapaka karama anefa ireo tsy nahafeno ny antontan-taratasy notakiana vokatr’izay fitarazohana izay, hoy ny fanazavana.Misy ny porofo homena ny tompon’andraikitra Voalazan’ny fanambarana koa fa tokony hatolotra ny tompon’andraikitra ny porofo amin’ny fandaniana vola ka tsy nahafahan’ny minisitera mpiahy nanefa ny tambin’ny fikarohana « indemnité de recherche » ho an’ny mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono fa mbola manohy ny asa fikarohana, taona 2016. Namonjena ireo mpianatra malagasy mamita fianarana tany Sina sy Frantsa ny vola tokony homena ireo mpampianatra mpikaroka efa misotro ronono ireo. Mitaky izay porofo izay ny Fiadidiana ny primatiora handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izay. Ankoatra ireo, miandry ny fandoavana ny trosa rehetra momba ny saran’ny ora fanampiny tamin’ny asany ny mpampianatra vacataire sy ny mpampianatra hafa ho an’ny taom-pianarana 2016-2017 ary ny mbola misy aza tsy nahazo ny saran’ny ora fanampiny nandritra ny taom-pianarana  2015-2016 ireo mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny DEGS.Miantso  fandraisana andraikitra haingana Mangataka koa izy ireo mba haraha-maso ny antontan-taratasy momba ny fanasokajiana na ny « reclassement » ho an’ny mpampianatra mpikaroka 110. Mihisatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nefa miankina amin’izay avokoa ny famahana ny fangatahana samihafa, hoy ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Raveloharison Sammy Grégoire, omaly. Fanairana fotsiny aloha izao fanambarana izao satria iankinan’ny fiainan’ny mpampianatra maro ka mila mandray andraikitra haingana ny minisitera mpiahy.Vonjy A.                 L’article Fitakiana tsy mbola nivaly: manaitra ny minisitera mpiahy ny Seces Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Artec sy ny fadintseranana: potehina ireo finday hosoka ampidirina eto

Ny volana desambra 2018, nampitandrina ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication) sy ny fadintseranana ny amin’ny fampidirana telefaonina finday hosoka sy ny fivarotana izany. Omaly, navoaka ny tatitra fanaraha-maso. Ny marika finday rehetra misy famantarana azy manokana na code Imei*, ka hosoka izay tsy mifanaraka amin’io Imei io. Koa nampitandrina ny Artec miaraka amin’ny fadintseranana ny tsy ampidirana ireny finday hosoka ireny. Nambara fa efa voarara ny fampidirana izany, nanomboka ny janoary 2018. Efa natomboka ihany koa ny fanaraha-maso ny fivarotana finday tsy ara-dalàna araka ny code Imei.Miara-miasa ny Artec sy ny ladoany  momba izany amin’ny fampiharana ny lalàna, arahi-maso ireo finday amidy ka nangonina izay tratra amin’izany hosoka izany ary nopotehina. Nohamafisina fa voararan’ny lalàna tanteraka ny fampiasana ireo finday hosoka ireo. Arovana amin’izany fepetra izany ny mpanjifa. Fanombohana amin’ny fampiharana ny lalàna ihany izao nataon’ny Artec sy ny ladoany izao fa mitohy sy hamafisina ny fanaraha-maso mandritra ny fotoana maro ho avy ho amin’izany fiarovana ny mpanjifa izany.Ho fiarovana ny mpanjifaAnjaran’ny Artec ny miantoka ny fepetra teknika manara-penitra ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjifa ao anatin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Mifandray amin’ny asan’ny ladoany izany amin’ny ady atao amin’ny hosoka. Asa iombonana tsy misy fiangarana koa izany ho fampandrosoana  ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra.Ny hoe Imei, tarehimarika 15 isa manamarina ny tena finday. Avy amin’izany ny ahafantarana ny fidirana ara-dalàna na tsia amina tambanjotra iray ; avy amin’io ihany koa ny ahafantarana ny maha samy hafa ny finday. Ny ahitana izany, ohatra, amin’ny faktiora sy amin’ny telefaonina rehefa atao ny *#06#.Misy hatrany ny fanararaotana amin’ny fampidirana entana hosoka eto Madagasikara. Antony manosika ireo milaza azy ho mpandraharaha manao izany ny toekarena mbola marefo, satria marefo araka izany koa ny fahefa-mividy. Na izany aza, izay hosoka rehetra voararan’ny lalàna iraisam-pirenena ho fiarovana ny mpanjifa. R.Mathieu Imei* :  International mobile equipment identity                                                                                                      L’article Artec sy ny fadintseranana: potehina ireo finday hosoka ampidirina eto a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly
26/10/2020

Nanatanteraka lalao fitsapana ny ekipa nasionaly, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, ho fanomanana ny lalao iraisam-pirenena hataon’izy ireo ny volana novambra izao. Ny ekipan’ny CosPN ny nifanandrina amin’izy ireo nandritra izany ka lavony tamin’ny isa 68 no ho 40. Raha io valin-dalao io, azo lazaina ho maivana amin’ny ekipa nasionaly ny nandavo ity ekipan’ny CosPN ity, “na izany aza, mbola misy hatrany ny lesoka mila harenina”, hoy ny mpanazatra. Mbola manana iray volana latsaka eo ny ekipa, mialoha ny hiaingana eto an-tanindrazana hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2021”, hatao any Kigali Rwanda. Raha ny vaovao voaray, ny 20 novambra izao ny tokony hiala eto an-toerana ny delegasiona malagasy. Miankina betsaka amin’ny fisokafana ny sidina eto amintsika anefa izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety, Ramaroson Jean Michel.Tsiahivina fa efa tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny fampivondronana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ary mbola mitohy hatramin’ny andro hialana eto an-toerana izy ireo. Mi.RazL’article Basikety-Lalao tsapa: nandresy ny ekipan’ny CosPN ny ekipa nasionaly a été récupéré chez Newsmada.

RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo
27/10/2020

 Noraisim-potsiny! Tratra ireo jiolahy roa mpangalatra bizo mipetaka amin’ny lalam-pirenena 32 mihazo an’i Mandritsara. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary ny alin’ny 10 oktobra misasakalina no nahasamborana ireto jiolahy ireto teny amin’ny RN 32 PK 145+200. Taorian’ny fanentanana nataon’ny zandary manamoroana iny lalam-pirenena iny no nanaitra ny andrimasom-pokonolona ao Antanankely, fokontany Andampihelo, ka nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nandositra avy hatrany ry zalahy raha vantany vao nahatazana ireo fokonolona. Tavela kosa ny bizo miisa dimy niaraka amin’ny sarety saika hitondrana azy ireo. Tratra ny roa amin’ireo olon-dratsy taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Besakana sy ny polisy misahana ny fandikan-dalàna. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka nanambaran’izy ireo tamin’izany ny namany roa mpiray tsikombakomba amin’izao asa ratsy izao. Nanamafy ny zandary fa efa maro ny fanentanana natao mikasika ny famongorana ity raharaha halatra bizo amin’ny lalam-pirenena any avaratra ity fa mbola misy ihany ireo minia mandika izany ka tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an’ireo manapotika fotodrafitrasa sy fananana iombonana toy izao.Jean ClaudeL’article RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo a été récupéré chez Newsmada.

Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy
30/10/2020

  Hisokatra any amin’ny kaominina Ikongo ny orinasa manodina toaka gasy, afaka volana vitsivitsy. Toaka gasy avadika ho éthanol azo arehitra, ampiasana amin’ny fatana, na andrehetana jiro. Fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombona antoka avy any ivelany ny hanokafana ity orinasa ity ary hisitraka izany koa ny distrika hafa ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Manana akora fototra azo hamokarana angovo azo havaozina, toy ny fary, ny ao amin’ny distrika. Fary avadika ho toaka gasy, avy eo, ahodina ho angovo azo arehitra. Fananganana orinasa ho fanomezan-danja ny vita malagasy sy famoronana asa ny tanora.Toaka gasy sotroina ihany ny fantatry ny maro, hatramin’izay, fa misy koa toaka gasy azo avadika ho zavatra hafa, angovo azo trandrahina. Efa nankatoavin’ny Antenimierampirenena rahateo ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy, koa ampirisihin’ny governoran’ny faritra, Razafitsotra Lucien, ny tantsaha hamboly fary sy hamokatra toaka gasy na firy na firy, tsy misy intsony manenjika azy ireo. Efa nisy mpandraharaha iray nampiseho ny fanodinana toaka gasy ho lasa éthanol. Ireo tantsaha ireo ihany no hivarotra ny vokatra amin’ilay orinasa mpanodina azy. Loharanom-bola iray goavana izany ny voly fary.Misy ihany koa izao ny sasany amin’ireo mpandraharaha ireo, miara-miombona antoka amin’ny mpamboly, mamatsy vola ho an’ny fambolena fary. Tafiditra anatin’izany ny fanitarana tany hiasana, ny fanofanana mpamboly, satria eo ihany koa ny voly hafa tsy azo avela, ohatra, ny kafe, izay tena nahafantarana ny faritra tany aloha, mila fanarenana ankehitriny. Mifandraika amin’izay fambolena izay ny fanamboaran-dalana, mampifandray ireo kaominina. Hatao rarivato avokoa izay tratra ary iangaviana ny ben’ny Tanàna rehetra hanolotra ny asa tokony hatao ny 2021 amin’ny governoran’ny faritra. Mety hampiova ny fandaharanasa ihany anefa izany noho ny fizarana roa eo amin’ny faritra: i Vatovavy sy i Fitovinany.R.MathieuL’article Angovo: hosokafana ao Ikongo ny fanodinana toaka gasy a été récupéré chez Newsmada.

DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy
29/10/2020

 Nihaona mivantana ny tompon’andraikitry ny foibe fitsarana fiarakodia sy ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao, omaly. Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao (Gcam). Tanjon’ny fihaonana ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana fiara sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara. Eo koa ny fanamboarana sy ny fikirakirana ny ara-taratasy rehetra hahatomombana ny fivezivezena.Nasiana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony hanaovana fandraisana ara-teknika ireny fiara vaovao ireny mialoha ny hamarotana azy. Teo koa ny lalàna mikasika ny laharana WWT, izay voafaritra mazava fa ireo fiara vaovao navoakan’ny orinasa nanamboatra azy ihany no tokony hitondra izany.Anisan’ny nampitaraina mafy ny foibe fitsarana fiara teo aloha ny gaboraraka teo amin’io laharana WWT io satria misy fiara tena efa ratsy kanefa mbola mitondra izany ihany fa tsy milamina ny taratasiny.Hodinihina amin’ny fivoriana manaraka indray ny mikasika ny fanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Iarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany ny fihaonana amin’io fotoana io.Tatiana AL’article DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy a été récupéré chez Newsmada.

Loza mitatao :: Mamerina miantso vonjy ny mponina eny Ampasamadinika
27/10/2020

Mitaky ny hamerenana amin’ ny laoniny amin’ny fotoana faran’ izay haingana ny faritra nihotsaka eny Ampasamadinika ny mponina eny an-toerana. Efa andro maro no notataovandoza ireo fianakaviana maro lasibatr’ity tranga ity saingy tsy mbola nanomboka, hatramin’ny omaly, ny asa fanarenana sy fanamboarana an’ilay lavaka mangotanatana eo amin’ny faritra fivezivezen’izy ireo. Tsy mety voavaly ara-dalàna sy ara-drariny ny antso vonjy ataon’ny mponina. Nametraka sora-baventy ho fanairana an’ireo tompon’ andraikitra sy manampahefana isan’ambaratongany ny mponina, tamin’ny faran’ny herinandro. Tahotra andro aman’alina amin’ny loza mety haterak’ity fihotsahan-tany ity no iainan’izy ireo satria zara fa nosaronana labasy fotsiny ny faritra mihotsaka. Tsy nisy tohiny ny fe-potoana fanarenana ny simba nomen’ny kaominina Antananarivo renivohitra tamin’ny tompon’ny tany, izay voalaza fa fototry ny fihotsahana. Fijerena ny lafiny teknika “Olona mitaona fasika sy vato kely no mifamezivezy ety, andro vitsivitsy izay, kanefa tsy misy asa mandeha akory. Tsy hahatazona ny tany mihitsy io labasy io raha sanatria ka ho avy be indray ny orana. Trano ampolony no tandindonin-doza ety. Manginy fotsiny ny fahasahiranana amin’ny lalana ifamezivezena. Miantso ny kaominina izahay amin’ny fanairana mafy an’ilay tompon’antoka izahay, sao hitera- doza ho anay ny mety fitaran’ ny fahasimbana”, hoy ny raim-pianakaviana monina, eny Ampasamadinika. Nambaran-dRasamoelimihamina Niry, talen’ny fanajariana ny tanàn-dehibe ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), fa efa noterena hanao ny asa ilay olona mba hiarovana ny toerana ao anatin’ny fotoana fohy. “Efa nosaronany aloha ny toerana. An-dalam-pandinihana ny fanatanterahana ny asa izy ireo, amin’izao fotoana izao, satria tsy afaka tonga dia hatao amin’izao. Misy lafiny teknika tsy maintsy jerena mikasika ny zavatra sao sanatria hisy olana indray”, araka ny fanampimpanazavany. L’article Loza mitatao :: Mamerina miantso vonjy ny mponina eny Ampasamadinika est apparu en premier sur AoRaha.

5 pagodes Iavoloha: nankahery ireo zaza kamboty ny MDN
29/10/2020

  Miisa 13 mianadahy ireo ankizy tezaina ao amin’ny tobin’ny miaramila Antsavasoa “5 pagodes” Iavoloha ka 6 hatramin’ny 16 taona izy ireo. Nitsidika azy ireo ny fikambanan’ny vehivavy eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) izay ivondronan’ireo mpiasa sivily sy ny vadin’ny mpiasa na sivily na miaramila, omaly. Nitarika izany teny an-toerana Ranaivoseheno Lala vadin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hita fa manano sarotra tokoa ny fampidirana mpianatra ka izany indrindra no nahatonga ireto mpikambana ireto nanome fanampiana sy fankaherezana ireo ankizy. Nankasitraka azy ireo ny lehiben’ny akany, ny Jly RAmahavonjy José, noho izao fitsinjovana manokana ireto ankizy ireto izao.Jean ClaudeL’article 5 pagodes Iavoloha: nankahery ireo zaza kamboty ny MDN a été récupéré chez Newsmada.

Andrianainarivelo Hajo – Fifidianana loholona: « Tsy azo ekena ny faneriterena sy ny fibaikobaikoana »
28/10/2020

   Nanafatrafatra ireo olom-boafidy eny ifotony na ireo ho mpifidy vaventy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nohitsiny fa misy fomba ratsy tsy tokony haverina intsony amin’izao.Nambarany fa fanohizana ny ezaka efa natomboky ny antoko sy ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, efa niadiana hatramin’izay izao firotsahana an-tsehatra amin’ny fifidianana loholona izao. « Mbola mitohy izany ady amin’ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana izany mba ho fototry ny fampandrosoana eto amin’ny firenena », hoy izy. Nanteriny fa efa zary ny fomba fiasainana  eo anivon’ny antoko, araka ny anarany « Malagasy miara-miainga » ny miady ho amin’ny  tombontsoa imbonana. Nihaona amin’ireo olom-boafidy, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy amin’ny firehana samihafa eny Atsimondrano izy ireo tamin’izany. Notsindriny fa sarotra ny hampandrosoana ny firenena rehefa tsy hiarahana izany na koa mitanila. Nanafatrafatra ireo mpifidy vaventy ny tenany avy eo. « Aoka tsy hatahotra ny haneho ny safidy ianareo. Malalaka izany. Tokony hirotsaka ireo mitady hibaikobaiko na hanindry anareo ireo raha sahy… Tsy ekenay mihitsy ny faneriterena sy ny fibaikoana ny mpifidy raha tena hanaja ny safidim-bahoaka », hoy izy. Notsiahiviny fa nanahirana amin’ny fitantanana teto amin’ny firenena ny olom-boatendry mibaiko olom-boafidy.Vonona hihaino ny eny ifotony ny MMMNaneho fahavononana kosa ny kandidà loholona avy amin’ny antoko.  « Lehibe ny adidy miandry anareo ary tompon-tsafidy sy tompom-pahefana amin’ny hoavin’ny kaominina.  Tsy manavaka izahay ary vonona ny hihaino ny feonareo. Hiaraka hifanome tanana sy hitondra fampivoarana ny kaominina ho any amin’ny fampandrosoana isika », hoy ny lohalisitry ny MMM, Rakotondrainibe Michel. Nanteriny fa mandroso ny firenena rehefa mandroso ny faritra sy ny eny anivon’ny kaominina. « Miakatra ny fari-piainan’ny Malagasy », hoy izy.Synèse R.L’article Andrianainarivelo Hajo – Fifidianana loholona: « Tsy azo ekena ny faneriterena sy ny fibaikobaikoana » a été récupéré chez Newsmada.

Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom
27/10/2020

  Nitsidika ny Akany Enfants de joie ao Andranomadio Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Reny mpiahy ity akany ity rahateo ny tenany. Miisa 33 ireo zaza kamboty taizana ao, ary mpianatra 400 kosa ireo ampianarina ao amin’ny sekoly, miankina amin’ny akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa.Nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra ireo, ahitana boky isan-karazany sy vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza mijery ireo fandaharana samihafa sy miala voly ny antoko.Sahirana ity foibe ity. Miankina amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ao. Nampanantena ny hifanome tanana araka ny vitany ny mpanorina ny Freedom hanarenana ny foibe, tena simba sy tsizarizary tanteraka.Nankasitraka ny fahafoizan-tena asehon’ny talen’ny akany sy ny vadiny ny filoha nasionalin’ny Freedom. Eo ny fanampiana ireo kamboty na narian’ny ray aman-dreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny sekoly koa. Manampy ireo, misy vehivavy telo narian’ny vadiny sy lehilahy manano tena koa mipetraka ao amin’ny akany nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo.Synèse R.L’article Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom a été récupéré chez Newsmada.

Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao
28/10/2020

 Mitohy hatrany ny fampandrosoana ataon’ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar, eo amin’ny lafin’ny ara-panatanjahantena ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Asa maro ny efa vita sy mbola hokasaina atao. Vaovao mahafaly voaray, omaly, vita soa aman-tsara ny kianja basikety Sanfil,  izay namboarin’ny fikambanana EST sy novatsiny vola. Naharitra 10 andro ny faharetan’ny fanamboarana,  nanomboka tamin’ny herinandro lasa iny. Mbola miankina amin’ny taratasy fahazoan-dalana kosa ny fanavaozana ny kianjan’Anketa, izay nitondran’ny filohan’ny fikambanana EST, i Vital Serge, fialan-tsiny ho an’ireo tanora any an-toerana, noho ny tsy mbola fahavitan’izany.Tafatsangana ny JeuestAnkoatra ny fanavaozana ny kianja, miroso hatrany koa ny fananganana klioba, taorian’ny RCEST (Rugby Club Espoirs Sportifs de Tuléar), tafatsangana tamin’ity herinandro ity koa ny Jeuest (Jeunes Étudiants Universitaires EST). Famaliana ny hetahetan’ireo mpianatra no nananganana ity klioba ity.Hetsika maro no mbola miandry ny fikambanana ary efa an-dalam-pikarohana ny hoenti-manana amin’izany ny mpitantana. Isan’izany ny fifaninanana « multi-sports » hatao amin’ny novambra sy desambra izao, eo ihany koa ilay « soirée » kasaina hotanterahina amin’ny faran’ny volana novambra. Hanampiana ireo kliobany amin’ny fifaninanam-pirenena ho avy ireo hetsika fitadiavam-bola ireo.Marihina, vonona hiara-kiasa amin’ny  rehetra ny fikambanana EST, amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsiahivina, efa tafakatra 30% ny mpikambana taorian’ny fanakambanana ny EST sy ny COSTM ka efa mahatratra 400 ireo atleta ao aminy.Mitohy ny fanatsarana ary tanjona ny hampiroborobo ny tanora, tsy ao Atsimo Andrefana ihany fa manerana an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny EST, i Vital Serge. Manentana kosa izy ny mba hanajana sy hitandremana ny fotodrafitrasa rehetra hatsangana.Mi.RazL’article Espoirs Sportifs de Tuléar: asa maro no efa vita sy mbola hatao a été récupéré chez Newsmada.

Asan-jiolahy eto an-dRenivohitra: haverin’ny Emmo indray ny hetsika «Papango»
30/10/2020

 Manamafy ny fiarovana ireo toerana maro sy mametraka paikady iadina amin’ny tsy fandriampahalemana ny « Etat major mixte opérationnel » na ny Emmo. Vokany, nisy ny fidinana ifotony notanterahina teny amin’ny faritra maro eto an-dRenivohitra ny alin’ny 28 okotobra teo. Nitsirika sy nametraka rindram-damina ho an’ireo zandary sy ny tafika ary ireo polisy mpanantanteraka izany ny hetsika “Papango”. Hetsika atao manerana ny Nosy hanamafisana ny fandriampahalemana sy hiarovana amin’ny asan-jiolahy na amin’ny antoandro na amin’ny alina.Ankoatra izay, misy ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana mandeha an-tongotra sy amin’ny fiara. Mandray fanairana na antso vonjy amin’ny laharana 034 05 700 68 koa ny mpitandro filaminana raha misy tranga ahina.Henintsoa HaniL’article Asan-jiolahy eto an-dRenivohitra: haverin’ny Emmo indray ny hetsika «Papango» a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia 
27/10/2020

 Ho tonga tsy ho ela ny fotoam-piotazana letisia. Any amin’ny faritra Analanjirofo, miezaka manamboatra lalana mampifandray ireo kaominina ao anatin’ny distrika, ho famoaham-bokatra.Vato misakana amin’ny famoaham-bokatra any amin’ny faritra ny faharatsian-dalana ka izao fotoana izao, na tratra aoriana aza ny asa, hararaotina ezahina ny fanamboaran-dalana ahafahan’ireo kaominina mifandray, ny mpanangom-bokatra mivezivezy malalaka ao anatin’ny fotoana fohy, mandritra ny fanangonana letisia. Vokatra ezahina ho tafavoaka tsy ho simba, ho loharanom-bolan’ny mpamboly. Misy mitady isan-taona io vokatra io hatrany amin’ny tsena ivelany.Milaza ny mpitantana ny faritra Analanjirofo fa manampy betsaka amin’ny fanamboaran-dalana ny fitondrana foibe, manome fitaovana sy milina ahafahan’ny mpitantana ny faritra manatsara ny lalana mankany any amin’ny renivohitry ny distrika sy ny faritra, i Fenoarivo Atsinanana. Fanamboarana avy eny ifotony, toy ny mampifandray an’i Fenoarivo Atsinanana sy i Foulpointe, RN5.Ny kalitao sy ny lalam-barotraHatramin’ny taona maro, manahirana amin’ny famoaham-bokatra ny faharatsian-dalana. Tsy araka ny fepetra takina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny kalitaon’ny vokatra maro, resin’ny vokatra hafa avy any amin’ny firenen-kafa. Koa hiatrehana ny fifaninanana eran-tany ny kalitaon’ny vokatra sy ny lalam-barotra, tsy ny letisia ihany fa eo koa ny jirofo sy ny lavanila, samy vokatra fanondrana.Ny taona 2017, ny 2018, ny 2019, nihena betsaka ny letisia any Analanjirofo, noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, ny tsy fahazotoan’ny tantsaha mamokatra atao varotra noho ny faharatsian-dalana. Tsy hita ny mpanangom-bokatra na tonga ihany fa mividy mora.  Manodidina ny 15 000 na 17 000 t isan-taona ny letisia naondrana tany Eoropa, tany Afrika Atsimo tamin’ireo ireo fotoana ireo. Tsy fantatra ny amin’ity taona ity, indrindra eo ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19.R.MathieuL’article Faritra Analanjirofo: ezahina hamboarina ny lalana hamoahana letisia  a été récupéré chez Newsmada.

Ady amin’ny aretina lefakozatra: hitady vola 50 tapitrisa dolara isan-taona ny Rotary 
26/10/2020

Raha nahatratra 350 000 isan-taona ny trangana lefakozatra tamin’ny firenena 125 ny taona 1988, ampolony sisa voatily amin’izao fotoana izao vokatry ny ezaka fanaovam-baksiny faobe tokony hotohizana.Ho fanohizana ny ezaka efa vita ka nahazoan’i Madagasikara ny fanamarinana fa afaka amin’ny aretina lefakozatra izy, ny taona 2018, tsy maintsy hatao hatrany ny fanaovam-baksiny faobe miaro amin’io aretina io ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny herintaona. Mitaky volabe ny fanatanterahana izany ka nanambara ny fikambanana Rotary fa hamory vola 50 tapitrisa dolara isan-taona hamongorana ny aretina lefakozatra. Ny fondation Bill sy Melinda Gates kosa, hampitombo avo telo heny ny tohana ka hahazoana famatsiana hatramin’ny 150 tapitrisa dolara. Nanomboka ny taona 1985 ny hetsika nataon’ny fikambanana Rotary maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra. “Tranga ampolony sisa miseho amin’izao fotoana izao vokatry ny asa vita izay hotohizana hanafoanana tanteraka ity aretina ity”, hoy ny governoran’ny district 9 220 ny Rotary international, Randriamifidy Emmanuel. Hatreto, nanokana vola mitentina 2,1 miliara dolara nampiasaina iadiana amin’ny lefakozatra ny fikambanana Rotary. Ho fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ity aretina ity, niantso ny malala-tanana, ny orinasa, ny fikambanana hanao tolo-tanana ahafahana manao vaksiny ankizy maro ny fikambanana, teny amin’ny Parvis Analakely ny faran’ny herinandro teo. Tsy teto Antananarivo ihany fa nisy koa ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina lefakozatra tany amin’ny faritra niarahana amin’ny fikambanana Rotary any an-toerana.Entanina koa ny renim-pianakaviana sy ny mpikarakara zaza hitondra ny zanany hatao vaksiny satria nihena ny isan’izy ireny nandritra ny ny fihibohana noho ny tahotra ny valanaretina Coronavuris. Nitohy hatrany anefa ny fandraisana teny amin’ny CSB rehetra fa napetraka fotsiny ny fepetra ara-pahasalamana. Misy koa ny famerenana ny vaksiny ho an’ireo tsy nahavita izany mandritra ity volana oktobra ity.Vonjy A.L’article Ady amin’ny aretina lefakozatra: hitady vola 50 tapitrisa dolara isan-taona ny Rotary  a été récupéré chez Newsmada.