Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

News - Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

News - Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis

Fanamby goavana no miandry ny Makis vehivavy, amin’ity. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15 mantsy izy ireo. Fihaonana, hiadian-toerana, ho an’ny “Mondial 2021”.

Hotanterahina atsy Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny 7 –  18 aogositra ho avy izao, ny dingana famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Hanana ny lanjany, izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2021”, tanterahina any Nouvelle-Zelande.

Firenena efatra no hiady izany amin’ity dia i Afrika Atsimo, mpampiantrano, Oganda, Kenya ary ny Makis de Madagascar. Mifandimby mihaona ny rehetra ka izay ekipa be isa indrindra no ho tompondaka ary hisolotena an’i Afrika, any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany.

Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny Makis voalohany, ry zareo Kenianina. Lalao hotontosaina, ny 10 aogositra. Fihaonana faharoa, hikatrohana amin’i Afrika atsimo, ny 13 aogositra ary amin-dry zareo, Ogandà ny 16 aogositra. Manana herijika tsara handrombahana ny toerana voalohany, ny Makis, araka ny nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Na izany aza, nomarihiny fa ry zareo Kenianina no heverina fa ho mafy ary tsy maintsy dinganina.

Raha toa kosa ka ny laharana faharoa, no misy ny Makis dia hiatrika ny “repechage”, amin’ireo kaontinanta  dimy hafa. Hatreto, mbola mpilalao 36 no manaraka fanazarantena miaraka. Ny faran’ity volana jolay ity kosa vao hivoaka ny anaran’ireo 26 handrafitra ny Makis, ho atsy Afrika Atsimo.

 

Tompondaka

 

Article tiré de Newsmada

L’article Rugby à XV vehivavy: hiady ny tapakila hiatrehana ny «Mondial 2021» ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 22/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Pilo kely #4473 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4473 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km

Manana ny maha izy azy ny distrikan’Anosibe an’Ala, saingy tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalalana. Hatreto, potika tanteraka ny lalana ary tsy misy ny daty hamantarana ny hanarenana azy.Azo heverina fa tsy misy fiangarana eto amintsika. Na izany aza, anisan’ny mampikaikaika ny mponina ny haratsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala. Roa andro ny hanaovana ny lalana 71 km raha vita amin’izao vanim-potoana izao nefa tokony ho 1 ora sy 30 mn.  Efa ampolo taona maro izany faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala izany fa tsy misy miraharaha. Mijaly ny mponina, velon-taraina, ka mitondra ny feon’izy ireo ny solombavambahoaka any an-toerana, i Ndrianasy Bernando Germain. “Fiara vaventy ihany mitondra entana sady mitatitra olona ny afaka amin’izany lalana  izany, atao mandritra ny roa andro. Mampalahelo ny mahita ireo mpandeha ireo, sao sanatria misy loza”, hoy ny solombavambahoaka any an-toerana. Maro koa ny vokatra avy any Anosibe An’Ala tsy tafavoaka, toy ny akondro, ohatra.Tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasam-pampandrosoanaBetsaka ny voka-dratsin’izay faharatsin-dalana izay: malaina ny mpiasam-panjakana ho any an-toerana ka sahirana ny mponina amin’ny lafiny fahasalamana, ny fampianarana, hatramin’ny fitandroana ny fiarovana ny distrika, sahirana ireo mpitandro filaminana. Andrasana ny ahitana ireny fitaovana tamin’ny 26 jona ireny ho tonga any an-toerana.Mijaly ihany koa ny distrika iray manontolo momba ny famatsiana herinaratra. Ambalahonko, ony iray lehibe any an-toerana, azo trandrahina tsara nefa avily aty Analamanga ny tombontsoa azo avy amin’io renirano lehibe io fa tsy mba misitraka izany ny any Mangoro. Koa mangataka amin’ny fitondrana mpanatanteraka ny vahoaka any Anosibe an’Ala hijerena azy ireo akaiky fa mijaly loatra, amina sehatra rehetra mihitsy, tsy misy mangirana ny fiainan’ny mponina. R.MathieuL’article Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Famahana olana ho an’Atsimondrano – Cirdoma : « Vita telo minitra ny fanamarinana ny fananan-tany »

Niverina nisokatra na­nomboka ny alakamisy 30 jolay 2020 teo ny fari-piadidiana ny fananan-tany (Cir­doma), eny Atsimondrano rehefa nikatona noho ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto amin’ny firenena. Anisan’ny mampiavaka ny eny an-toerana sady ni­santarana ny fomba fiasa ny fananany fitaovana, ilay «Guichet automatique» na milina famoahana «Taratasy fanamarinana fananan-tany» sy ny «sari-tany» anaty fo­toana fohy sy tsy ilana fikirakirana antontan-taratasy maro. Tsy sarotra ho an’ny mpanjifa ny manokatra azy, araka ny nambaran’ny lehiben’ny Cirdoma, Atsimon­dra­no, Rakoto Jean René. «Miroso amin’ny atao hoe «dématérialisation» ny sampandraharahan’ny fananan-tany eo anivon’ny minisite­ran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP). Afaka mahazo ny «certificat de situation juridique» na «plan»n-ny tany anatin’ny telo minitra ny mpanjifa raha mangataka izany», hoy izy. Azo eo no ho eo ny taratasy nangatahinaTafiditra amin’ny fanafainganana ny fandraisana ireo olona izany. Nanteriny fa ilaina izany, indrindra amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. «Tsy misy mi­hitsy ny fifampikasohana eo amin’ny mpanjifa sy ny mpiasan’ny fananan-tany», hoy ihany izy. Nanazava ny fomba fiasa ao amin’ny «guichet unique» kosa ny mpikajy ny fananan-tany ao Atsi­mon­drano, i Tsimiava Ro­berte. «Dingana voalohany ny fandoavana vola sy ny fampidirina ao anatin’ny milina ny momba ny tany sy ny mpanjifa. Mahazo marika miafina «code secret» ny mpanjifa, ampidirina ao anatin’ny guichet. Azo eo no ho eo ny antontan-taratasy nangatahina», hoy izy. Fanomezana fahafaham-po ny mpanjifaNotsindriny fa manafaingana ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ity guichet unique ity. Hentitra kosa anefa ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana, hiarovana sy hisorohana ny fipariahan’ny coronavirus eny amin’ity birao ity.Synèse R.L’article Famahana olana ho an’Atsimondrano – Cirdoma : « Vita telo minitra ny fanamarinana ny fananan-tany » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina

Hiankina betsaka amin’ny feon’ny fieritreretan’ireo filohana ligy miisa 22, ny ho avin’ny baolina kitra malagasy. Ny tsikaritra, misy ireo mpitantana ligy sasany, tsy manana hazon-damosina, ka zary manara-drenirano fotsiny. Tsy mijoro amin’ny tena heviny fa izay alehan’ny sasany, handehanany. Ny hafa indray, sady mahay atsy no mahay aroa, izany hoe : tsy te ho ratsy amin’ireo kandidà. Toa lasa feno fihatsarambelatsihy, ny fihetsik’izy ireo.Raha ny lojika, tokony ho ligy fito sisa no hiadian’ireo kandidà dimy mifaninana satria ny kandidà tsirairay avy, efa samy nahazo filohana ligy telo avy, tamin’ny alalan’ny fanomezana “caution”. Araka ny heno anefa, “caution” fotsiny no nataon’izy ireo fa tsy hifidy io kandidà io. Toe-javatra mampihomehy sady mahamenatra, ny fomba toa izany raha toa ka tena mitombina. Ny latsa-bato miafina no hilaza, ny marina mikasika azy ireo. Tsiahivina fa hanomboka anio, ny “5 mn n’ny stade”, hanaovana ny fampielezan-kevitra, ao amin’ny RNM, ho an’ny kandidà tsirairay. Hisantatra izany, Rabekoto Raoul, arahin’i Mohamad Abdillah, ny talata ho avy izao ary Andriamiasasoa Doda, ny alarobia. Rasoamaromaka Hery, ny alakamisy ary Rakotomamonjy Neypatraiky, ny zoma. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teatra poetika arahina dihy: lalaovin’ny Bee Z’Art ny « Tononkira fananganana ny maty »

Anisan’ny nanaitra izay nahita azy ity sanganasan’i Avelo-Nidor ity. « Tononkira fananganana ny maty ». Fa iza sa inona ny maty ? Iza no afaka mamelona izany maty izany?Ny manana aina, saika mandalo na mandia ny fahafatesana avokoa ! Ao koa ireo zavatra nisy sy misy ary hisy kanefa mety iharan’ny fahafatesana ihany koa. Ireo rehetra ireo, samy tafiditra ao anatin’ilay teatra poetika arahina dihy nampitondraina ny lohateny « Tononkira fananganana ny maty ». Ny 24 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ny fikambanana Bee Z’Art indray no hilalao azy ity ao amin’ny Ivokolo Cemdlac Analakely.Hoy i Avelo-Nidor raha nanontaniana ny hevitra tiana hampitaina amin’ity teatra poetika ity : « Amin’izao fotoana izao, efa tsy manana toe-tsaina hiombona intsony ny olona. Efa samy manao izay ho afany amin’ny fiainana hany ka lasa manaotao foana ny ankamaroany : misoloky, mamono olona, mametsifetsy ny hafa ary lasa tsy manam-panahy… Io ilay fanahy maha olona hoy isika Malagasy. Noho izany, ny maty atsangana eto dia ilay fanahy maha olona fa tsy vatana nofo sy ra akory… Atsangana amin’ny alalan’ny tononkalo… ».Misy akta 4 ny « Tononkira fananganana ny maty ». Ny akta voalohany miresaka ny tontolon’ny soratra sy ny fiainam-pirenena. Ny akta faharoa sy ny fahatelo ary ny fahefatra miresaka momba ny fitiavana. Tononkalo 40 mahery no mandrafitra ny tantara raha 90 mahery kosa ny mandrafitra azy ireo ho boky.Marihina fa ny fikambanana Bee Z’Art rahateo no mikarakara azy ity. Fikambanana niorina tany amin’ny taona 2016 ahitana sampana 3 : fanentanana sy dihy ary ny mozika izay mbola eo an-dalampikarakarana. « Bee Z’Art: Tantely mizara ny mamy indrindra. Ny «  Z » tokana ary ny « Art » zava-kanto. « Bizarre » : miezaka hanao zavakanto miavaka, hafahafa, tsy toy ny mahazatra kanefa kanto… », hoy i Avelo-Nidor.HaRy Razafindrakoto L’article Teatra poetika arahina dihy: lalaovin’ny Bee Z’Art ny « Tononkira fananganana ny maty » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale

Tsy hiaraka amin’ny any Atsimo Andrefana. Nanao fanambarana mitaky amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijerena manokana ny faritra “Plateau Mahafale”, ahitana ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy, ny any an-toerana. Antony maro ny nahatonga azy ireo hanao izany fitakiana izany satria mahatsapa ny rehetra fa anisan’ny manana zanaka manampahaizana maro sy sokajin’olona maro tahaka ny ny profesora, ny jeneraly, ny mpitsara, ny mpiasam-panjakana ambony ary ny misahana andraikitra hafa amin’ny sampandraham-panjakana maro iny faritra iny. Manana ny maha izy azy koa iny « Plateau Mahafale » iny raha ny lafiny tantara sy ny kolontsaina. Anisan’izany ny Aloalo, iavahany  amin’ny rehetra sy ny fisian’ny fanjakana mahafale talohan’ny fanjanahantany. Manana ny harena an-kibon’ny tany toy volamena sy ny vatosoa isan-karazany “grenat”, “bradorite”, vato indostrialy, koa iny faritra iny raha eo amin’ny toekarena.Haratsian’ny lalana sy ny vidim-piainana Manampy izany ny fananany toerana manan-tantara azo tsidihina. Olana kosa anefa ny faharatsian’ny lalana RN 10. Mahatsapa koa ny rehetra fa anisan’ny mitarika ny fahantrana ny tsy fahavitan’io lalana io. “Misondrotra avokoa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy maharaka ny fahefa-mividin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Lasa vato misakana ny fampandrosoana amin’ireo distrika roa ireo koa ny halehiben’ny faritra Atsimo Andrefana ka miteraka ny fitokana-monina. Voafarita ao anatin’ny reniranon’i Onilahy sy i Menarandra ary ny lakandranon’i Mozambika io faritra ilana fizankatena io raha ny sarintany. “Manainga ny filoham-pirenena hanome anay io farita « Plateau Mahafale » io izahay ho fampandrosoana iny faritra iny. Hiezaka ny handom-bararavana ny rehetra fa indrindra ireo zanak’iny faritra iny ao anaty fitondrana hanamora ny hahazoana io fizankantena io ho tombontsoan’ny rehetra.CMSL’article Fampandrosoana eny ifotony: mitaky ho faritra mizaka tena ny Mahafale a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…”

Nidina ifotony nijery ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo  sy  ny manodidina ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, omaly. “Anton’ny fijerena ety tahaka izao  ny fandrindrana ny asa miaraka amin’ny teknisiana mba tsy hisy ny tandrametaka fa asa tokony hamaha  tanteraka ny olana rehetra… Efa  mandeha ny fanamboaran-dalana rehetra amin’izao  fotoana  izao… Manodidina ny  35% ny asa vita ho an’ny toerana  sasany. Tombanana fa ho vita mialohan’ny faran’ny taona avokoa izy rehetra”, hoy  izy.  Niara-dia tamin’ny minisitra ireo teknisianina eo anivon’ny minisitera sy ireo orinasa misahana ny fanamboaran-dalana. Nambarany fa tsy maintsy atao ny fandrindrana  izany mba tsy hiteraka fikorontanana eo amin’ny asa.  Efa hiatrika ny fotoam-pahavaratra rahateo  isika ka tsy maintsy miomana dieny mialoha hialana amin’ny mety hiakaran’ny rano. Ankoatra izany, niaiky ny minisitra fa misy ihany ny fahasarotana amin’ny fanamboarana ny lalana Antanimena mihazo an’Ankorondrano.Azo ampiasaina amin’ny fahatongavan’ny papa François…Tsy maintsy hafindra ny andrin-jiron’ny Jirama na koa ny taribin’ny orinasam-pifandraisana na koa  ireo fotodrafitrasa hafa hokitihina. Eo koa ny fivarinan’ny rano sy  ny rano maloto. “Na izany aza,  hiezaka ny orinasa  mba ho azo ampiasaina amin’ny fandraisana ny papa  François izany. Hohatsaraina indray aorian’izany avy eo”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo  Hajo.  Ho azon’ny fiara efatra, roa  mandroso sy miverina izany lalana  izany.Synèse R. Mirefy 47 km ny lalana amboarina eto Antananarivo  sy ny manodidina. Mitsinjara ho efatra izany, ahitana ny RN4 : Gara Soarano-Mahazo  sy Andravoahangy Ambony-Sabotsy Namehana. Ny RN4 kosa, Soarano  hatreny Imerinafovoany. Miainga eo Soarano mihazo an’i Mandriamena ho an’ny RN7 ary ny RN1 kosa, “Rond-point” Anosy mihazo ny tetezana Ampitatafika ary koa ny lalana Itaosy hatreny amin’ny tetezana Ampasika sy ny Cité Itaosy ary Avarabohitra. L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Lalao firahalahiana: betsaka ireo mpilalaon’ny Barea tsy ho avy

Tsy afaka zava-manahirana ny Barea de Madagascar. Taorian’ny fikorontanan’ny lalao firahalahiana, izao indray, betsaka ireo mpilalao tsy ho afaka hamonjy ireo fihaonana roa ho fanomanantena.Raha tsy misy ny fiovana farany, hanomboka amin’ity alatsinainy ity ny fampivondronana sy ny fiofanana ataon’ireo mpilalao, nantsoina handrafitra ny Barea de Madagascar. Raha 23 no nantsoina tany am-boalohany, mihena am-pitoerana toa fen’antitra izany satria maro ireo mpilalao no tsy afaka amin’izany. .Taorian’ny faharatran’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea, fantatra ihany koa izao fa tsy salama fa voan’ny valanaretina covid 19 i Jerome Mombris, vodilaharana, ka tsy maintsy miatrika fihibohana mandritra ny tapa-bolana. Ankoatra izay, tsy misy ny sidina mampitohy ireo firenena hafa mihazo an’i Eoropa. Anisan’izany ny any Etazonia, ilalaovan’i Romain Metanire sy ireo firenena arabo misy an’i Ibrahim Amada sy i Carolus. Efa nanambara ny tsy fahafahany ihany koa i Dax atsy Afrika Atsimo, raha toa ka hantsoin’i Nicolas Dupuis, noho izay tsy fisian’ny sidina izay.Hatreto anefa, tsy niantso mpilalao hafa intsony hasolo azy dimy mirahalahy ireo ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, ankoatra an’i Toavina (Debakely) sy i Bakary Mario, izay natao tao anaty “équipe de reserve”. Mety hiaritra amin’ireo mpilalao 20 ambiny ireo izany sisa i Nicolas Dupuis, amin’ny lalao hifanandrinana amin’ny Swift Hesperange, ny zoma 9 oktobra ho avy izao, ao Luxembourg sy ny amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, ao amin’ny kianja El Jadida Maraoka, ny alatsinainy 12 oktobra 2020.Tsiahivina fa ireo lalao firahalahiana ireo dia tafiditra ao anaty fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, amin’ny fihaonana fiadian-toerana ho an’ny Can 2022, hifanandrinana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny 9 novambra ho avy izao ny lalao mandroso, any Abidjan ary ny 17 novambra ny fihaonana miverina, any Toamasina. Tompondaka L’article Kitra – Lalao firahalahiana: betsaka ireo mpilalaon’ny Barea tsy ho avy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle

Nidina tany Ambositra ni­tondra fanampiana ho an’ireo olona marefo any an-toerana. Nitsidika ny foibe fampiroboroboana ny sehatra sosialy sy toekarena CPSE ny mi­nisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Michelle Bavy Angelica, tamin’ity herinandro ity. Nanolotra fitaovana toy ny milina fanjairana sy akora hoentina miasa ho an’ireo manana fahasembanana, ny zaza kamboty ary nizara mari-pahaizana ho an’ireo nahavita fiofanana tao amin’izany toerana izany ny tenany. Nitsidika ny Centre Tsa­rahonenana misahana ireo mikorontan-tsaina sahanin’ny mompera Max ihany koa izy. Mahatratra 17 ny olona tsy misy miahy noraisiny an-tanana tao hatramin’izay nijoroan’ny centre. Nanolotra fanampiana ihany koa izy ary nampanantena fa hanolotra jiro azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro ho fanalana ny fahasahiranan’ireo beazina ao. Nitondra fanampiana ho an’ireo jamba mpanao asa tanana ao amin’ny Centre Tsaraho­nenana ihany koa ra­matoa minisitra ary nanome toky fa hampita amin’ny tompon’andraikitra rehetra ny hijerena ity ivontoerana ma­melon-tena sy hita fa manao ezaka lehibe ity. Ankoatra ireo, nisy ny fitsidihana ny Centre de kinetherapie Mitasoa. Ivontoerana hitsaboana ireo olona sembana. Efa nahatratra 600 no efa tonga nitsabo tena tao.Tatiana AL’article Ambositra : nanampy ireo marefo ny minisitra Angelica Michelle a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Mpitondra mahefa… mahafaka olana
21/11/2020

Tato ho ato, saika re etsy sy eroa ny karazana fitarainana na fangatahan’ny vahoaka eny ifotony noho ny faha­sa­hi­ra­na­na na olana mahazo azy: tsy fandriampahalemana, ohatra, fa­ha­ratsian’ny lalana, ady tany… Amin’izany, any amin’ny hoe tompon’andraikitra mahefa avy hatrany no hiantefan’ny alahelo sy fanantenana. Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany ny fitondrana foibe. Tsy misy na tsy mahefa ny solontenam-panjakana na mpitondra eny ifotony, na olom-boafidy na olom-boatendry? Na tsy mihaino ny fitarainana, na tsy mahita ny zava-misy any an-toerana… Tsy vitan’izay, mety ho angady tsy mahatapaka ahitra? Na iandrasana ny fitondrana foibe avokoa ny zava-drehetra… Eny, na olana madinidinika aza, misy mitaraina amin’ny mpitondra mahefa. Mety eo ihany koa ny tsy fifampitokisana tsy mahafa-bela? Na tsy tonga any amin’izay tokony hiantefany ny fampi­a­ka­ra­na fitarainana avy any ifotony… Tari-drano an-kilahila ka ny mania na very no betsaka. Sarontsaronana na odian-tsy hita ny olana mampikaikaika ny vahoaka fa manala baraka ireo tsy mahavita ny asa aman’andraikitra, na ny fampiakarana fitarainana ihany aza? Mbola raharaha hafa ambonin’izany ny mety ho fisian’ny tsikombakomba noho ny ady sy fiarovana tombontsoa ma­no­ka­na, ny fisian’ny kolikoly, ny fisian’ny tsimatimanota… Hany ka tena misy ny faritra zanak’Ikalahafa na lavitra fanjakana tanteraka. Izany rehetra izany no mahatonga ny vahoaka ifotony miantso avy hatrany ny hoe mpitondra mahefa amin’izay manahirana azy? Tena mila arenina sy averina ny fifampitokisana ifotony? Na amin’ny fitsinjaram-pahefana izany, na amin’ny fanaraha-maso… Mba tena ho tsapa sy iainan’ny vahoaka fa misy fan­ja­kana ny toerana misy azy, tan-dalàna, afa-miaro azy, azo ita­rainana… Miara-dalana amin’izany ny tamberin’an­drai­ki­tra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Amin’izany, mahefa tokoa ny hoe mpitondra?Rafaly Nd.L’article Mpitondra mahefa… mahafaka olana a été récupéré chez Newsmada.

Asa mamoafady amin’ny “internet”: voasambotra ny lehilahy roa mampiasa vehivavy maro
19/11/2020

Tra-tehaky ny polisy tetsy Ampahibe, ny alatsinainy teo, ny lehilahy roa mpanera vehivavy hijangajanga.Araka ny fantatra, mampiasa trano iray eo an-toerana ireo olon-dratsy amin’ny fanaovana ny asa vetaveta. Araka izany, misy ireo vehivavy ampiasain’izy ireo hanao izany. Nambaran’ny Polisim-pirenena fa 21 ka hatramin’ny 24 taona avy ireo vehivavy voakarama. Amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « facebook » ny ahitan’izy roa lahy ireo vehivavy ireo. Fantatra fa misy ny fianarana ny asa rehefa manaiky hanao ny asa mamoafady ireo vehivavy voasafidy. Manome fafinaretana ireo vahiny amin’ny alalan’ny filalaovana fivaviana ny asa. Eo koa ny fanaovana « streptease » amin’ny alalan’ny tambajotra na ny « internet ». Nisy nahafantatra ireo teti-dratsin’ireo jiolahy ka nilaza izany amin’ny Polisim-pirenena. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanamarina izany ka voasambotra izy roa lahy. Taorian’ny fanadihadiana azy, natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha. Henintsoa HaniL’article Asa mamoafady amin’ny “internet”: voasambotra ny lehilahy roa mampiasa vehivavy maro a été récupéré chez Newsmada.

Boriborintany III : nisitraka hazavana ny fokontany 16
21/11/2020

Misitraka ny fampandrosoana amin’ny volan’ ny CLD ireo fokontany miisa 34 etsy amin’ny boriborintany faha III. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo fokontany miisa 16. Ha­pe­traka amin’ ireo elakela-trano izany. Tanjona ny hampihenana ny asa fanendahana; mahazo vahana amin’ iny faritra iny. “Misy ny CLD 2019, natokana ho an’ ny depiote hitondrana fampandosoana. Laharam-pahamehana ho antsika ny fandriampahalemana. Nahitana vokany izany satria nihena ny tsy filaminana amin’ny faritra sasany efa nanaovana ny tetikasa. Nihai­no ny fitarainan’ny mponina iza­hay ka izao nitondra ny hazavana ho an’ny rehetra izao», hoy ny depiote Anyah. Hitohy amin’ny fanavaozana ireo biraom-pokontany izany mba hanamafisana ny hidin’ ny trano. Eo koa ny fanatsarana ny varavarana, ny vy vaovao sy varavarankely vaovao ho an’ ireo biraom-pokontany miisa sivy. Efa nialohavan’ny fizarana solosaina ho an’ ireo fokontany tsirairay izany, ho an’ny CLD 2018. Nanteriny fa hanaovana tetikasa mifanakaiky hatrany amin’ ny filan’ ny vahoaka izany. “Tsy mitazona ary tsy mitantana io sorabola io izahay fa manolotra ireo tetikasa. Manapaka ny tetikasa tafiditra ao anatin’ io sorabola io kosa ny komity. Tantanana anatin’ny mangarahara izany”, hoy ihany izy. Tsy misy diso anjara amin’ ny asa fampandosoana ireo fo­kontany miisa 34 eny an-toerana.Synèse R.L’article Boriborintany III : nisitraka hazavana ny fokontany 16 a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fifanintsanana Can 2022: tsy tokony hisy olona ivelan’ny Barea miditra an-tsehatra
20/11/2020

Mbola ambentin-dresaky ny olona hatrany aloha ny lalao nikatrohan’ny Barea de Madagascar, tamin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny talata 17 novambra lasa teo. Betsaka ny fanakianana, izay tokony handraisana fepetra hanatsaran-javatra.Tsy nisy tsy nahazo fanakianana na mpilalao na mpanazatra na ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), taorian’ny lalao nifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, farany teo iny. Rariny loatra izany satria manomboka milentika izany ny fahaizana sy ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar. Efa ela ny mpijery sy ny mpankafy no mangetaheta fandresena. Raha tsiahivina, herintaona lasa izay no niaina izany farany ny mpanohana.Betsaka ny antony mahatonga izany ary samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay. Ny zavatra hita aloha, maro loatra ireo mijapy ny Barea sy ny baolina kitra malagasy. Mikorontana ny fandrindrana ankapobeny eo anivon’ny federasiona sy ny Barea. Mifanitsaka andraikitra ny tsirairay. Olona tsy ao anatin’ny tontolo mihitsy ary tsy mahalala akory ny antsipiriany amin’izay baolina kitra, nefa miseho etsy sy eroa. Vokany, misy fiantraikany betsaka any amin’ny lalaon’ny Barea ilay fisavoritahana madinidinika.Tokony handraisana fepetra haingana izany. Tsy tokony hisy olona ivelan’ny Barea, miditra an-tsehatra na eny amin’ny fanazarantena na mandritra ny lalao ataony. Mila mianatra ny lalàna mifehy ny baolina kitra ihany koa ny daholobe, mba tsy hilatsahan’ny sazy. Ohatra amin’izany, olona voasoratra ao anaty taratasin-dalao ihany ny afaka mipetraka  eny amin’ny “surface technique”. Iray ihany no mahazo mitsangana mandritra ny lalao, na ny mpanazatra na ny mpanampy azy.Tsara fantarina ihany koa ny atao hoe : “Match à huis clos”. Lalao tsy azo atrehina ary tsy tokony hisy tabataba na fanentanana ao anaty kianja. Tsy voahajan’ny Malagasy anefa ireo rehetra ireo, noho ny fitiavana tafahoatra ny Barea de Madagascar. Mila mifampitaiza sy mifanoro ny rehetra mba tsy hisian’ny fihemorana indray. TompondakaL’article Kitra – Fifanintsanana Can 2022: tsy tokony hisy olona ivelan’ny Barea miditra an-tsehatra a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
20/11/2020

Tsy manana finiavana hidinika amin’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana ny mpitantana ny minisitera mpiahy, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny paramédicaux, Ralibera Jerisoa, omaly. Maro ny olana sedrain’ny mpiasa ilana fifanakalozana amin’ny mpitantana hitadiavana vahaolana ary anisany ny indemnité de réquisition, nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Coronavirus teo iny. Manoloana izany, miantso ny mpikambana rehetra any amin’ny faritra hanatrika ny fihaonam-be eto Antananarivo, ny 11 desambra ho avy izao ny mpitantana ny sendikàn’ny paramédicaux. Hodinihina mandritra ny fivoriana ny olana mianjady amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny tohin’ny fitakiana samihafa efa nampahafantarina ny mpitantana. Eo koa ireo zo tsy nisitrahan’ny mpiasa. Mahatsapa izy ireo fa tsy mirindra ny fitantanana ny mpiasa amin’ny famindran-toerana hiasana sy ny fandraisana mpiasa vaovao.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées
19/11/2020

Même les enfants sont venus se faire dépister du diabète, comme cette fillette de 12 ans. Les diabétiques qui s’ignorent sont, hélas, la réalité du terrain, aussi bien dans les structures sanitaires que dans le cadre des dépistages de proximité. Samedi dernier encore, dans le cadre de la journée mondiale du diabète (14 novembre), le Lions Club Antananarivo Ilohasina en a fait le constat dans le cadre de son action en faveur de la population d’Imerintsiatosika où une séance de dépistage gratuit a été proposée. En effet, sur 75 personnes dépistées lors de cette journée, 8 cas de diabète ont été découverts, soit 6% de l’ensemble des personnes dépistées. Parmi ces cas de diabète figure une personne avec un taux de glycémie à jeun atteignant 18g/l. Soit plus de 25 fois le taux normal de sucre dans le sang, à jeun, lequel doit être compris entre 0,7g/litre et 1g/litre de sang. Complications invalidantes. Ce constat des diabétiques qui s’ignorent, constitue un véritable danger pour la santé des personnes concernées, au regard des complications qui pourraient survenir en l’absence d’une prise en charge adéquate de leur diabète. Raison pour laquelle les sensibilisations se multiplient à l’endroit du public sur la nécessité de contrôler régulièrement le taux de glycémie afin de prendre en charge le plus tôt possible les éventuels cas de diabète et éviter ainsi les complications, souvent invalidantes telles la cécité et les amputations. Pour ce qui est des cas de diabète dépistés lors de la séance d’Imerintsiatosika, ils ont été aussitôt orientés vers le CSB II sur place pour être pris en charge. C’est alors dans cette optique d’assurer le suivi des patients que le LCA Ilohasina a remis deux testeurs de glycémie au CSB II d’Imerintsiatosika et au Centre hospitalier d’Arivonimamo. Dons scolaires aux enfants. Cette journée de dépistage gratuit a été le fruit d’une collaboration entre le LCA Ilohasina, le service de district de la Santé publique d’Arivonimamo et le CSB II d’Imerintsiatosika. Rappelons que le 14 novembre dernier, le Lions club International, sous la tutelle du ministère de la Santé publique par le biais de la direction de la lutte contre les maladies non transmissibles, a célébré la journée mondiale du diabète, à l’instar de nombreuses autres organisations et forces vives. Parallèlement, le club a également remis à plus de 70 élèves ayant réussi leur examen de CEPE cette année, des kits scolaires comprenant un sac à dos imperméable ; 12 cahiers de 100p ; 4 cahiers de 200p ; 2 cahiers de 50p ; des carnets de vocabulaire ainsi que des stylos, crayons et gommes. Hanitra R. L’article Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nécrologie du 23 novembre 2020
23/11/2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 23 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 23 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fiainana antoko: namboly hazo tany Toamasina ny Arema
24/11/2020

Nanatanteraka fambolen-kazo fihinamboa “letchis” sy “corossol” miisa arivo ao amin’ny fokontany Tananambo, Fanandrana – Toamasina II, ny antoko Arema ny faran’ny herinandro teo. Tany efa novidian’ny mpanorina mivady io nambolena hazo voalaza io ny taona 1963.Nampahafantarana koa ireo mpikamban’ny “Comité directeur national –CDN”, voafidy nandritra ny kongresy natao teny Ilafy ny marsa 2020, izany. Nahatonga solontena ireo faritany enina sy ireo faritra 22. Noferana ho 200 ihany ny isan’ireo nasaina noho ny fepetra ara-pahasalamana. Narahin’ny fiaraha-misakafo tamin’ny alalan’ny kolontsaina betsimisaraka “Tsaboraha” izany nofonkena mitam-pihavanana izany. Nitohy tamin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanatsarana ny endri-piaraha-miasa eo amin’ny samy mpikambana anivon’ny antoko Arema izany.Synèse R.L’article Fiainana antoko: namboly hazo tany Toamasina ny Arema a été récupéré chez Newsmada.

Fampandrosoana eny ifotony: hamondrona ny heriny ny zanak’i Mandrosoa Andramasina  
24/11/2020

 Sambany teo amin’ny tantara. Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony, Ambatofotsy, ny zanaky ny kaominina Mandrosoa Andramasina, ny alahady 29 novambra izao.Nambaran’ireo mpitantana sy mpikarakara izany fa tonga ny fotoana ary ampy izay fotoana maro sy lavabe izay. “Hifankahalala isika rehetra. Hifampihaino koa ny amin’ny tokony hampandrosoana ny tanindrazana iombonana ka hisy ny fakan-kevitra amin’izany hijerena vahaolana satria anisan’ireo kaominina tara raha mitaha amin’ny hafa ny ao an-toerana. Samy nanao teo avokoa ihany ireo nitantana rehetra, saingy voafetra ihany izany noho ny antony maro ka efa fotoany izao ”, hoy izy ireo. Nanterin’ireo mpitarika vonjimaika izao hetsika izao fa mba manana ny vato nasondrotry ny tany, misehatra amin’ny asa samihafa sy manana andraikitra ambony, ny ankamaroan’ny ao Mandrosoa ary mielipatrana hatrany ivelany rehetra any izany. “Antony hamondronana ny hery izany. Ny tsy mahay sobika, mahay fatram-bary”, hoy ihany izy ireo.Olana sedrain’ny any an-toeranaAnisan’ny olana any an-toerana ny haratsian’ny lalana. Eo koa ny fahasahiranan’ny tantsaha eo amin’ny seha-pihariana: fambolena sy fiompiana ary asa tanana… lalam-bola sy lalam-barotra amin’izany. Ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, toy ny herinaratra…Tsiahivina fa hifamindran-dalana amin’izany fihaonamben izany koa ny hetsika kolontsaina sy fialamboly amin’ny maha mpanan-talenta sy mpahay kanto ny zanaky ny ao Mandrosoa Andramasina. Hibahan-toerana kokoa izany ka hanentanana sy iantsoana ireo zanak’io kaominina io.RandriaL’article Fampandrosoana eny ifotony: hamondrona ny heriny ny zanak’i Mandrosoa Andramasina   a été récupéré chez Newsmada.

Any atsimo: hapetraka ny « kere data »
25/11/2020

Nampahafantarin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis, ny alatsinainy teo fa hapetraka ilay « kere data » hahafahana manara-maso ireo olona tena tratran’ny tsy fanjariantsakafo mivaivay any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.Hanamorana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana azy ireo no tanjona amin’ny fampiasana ity « kere data » ity. Misy ihany koa ny foibe fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana ao Amboasary, izay hisahana ny fanampiana rehetra any atsimo. Anjaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny mampandeha izany.Nisaotra ireo Ekipa rehetra nandeha namita iraka tany amin’ireny toerana lavitra ireny ny minisitra ary nambarany, araka izany fa ny fanaovana iraka dia tokony hisy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka hatrany.Fantatra ihany koa izao fa efa hiroso amin’ny fisokafan’ireo toeram-pandidiana manara-penitra manerana ny Nosy ny minisitera. Tsara ny manamarika anefa fa nanomboka ny 19 novambra ka hatramin’ny 09 desambra ho avy izao dia miato mihitsy ny fitokanana zava-bita rehetra noho ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona.Tatiana AL’article Any atsimo: hapetraka ny « kere data » a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la corruption : Recrutement de magistrats et greffiers pour les PAC Mahajanga et Fianarantsoa
20/11/2020

Les antennes du Pôle Anti-Corruption (PAC) à Antananarivo et Mahajanga sont déjà opérationnelles. Afin de renforcer la lutte contre la corruption et les infractions économiques et financières au niveau national, le ministère de la Justice prépare aussi l’ouverture du PAC Fianarantsoa. En effet, un appel à candidatures vient d’être lancé en vue d’étoffer l’équipe du PAC Mahajanga et de rendre effective la mise en place de cette structure au niveau de la région Haute Matsiatra. Le recrutement est ouvert à tous les magistrats de l’ordre judiciaire, mais aussi aux personnels judiciaires issus du corps des greffiers en chef et greffiers. Aussi, en ce qui concerne le PAC Mahajanga, le ministère recrute deux magistrats et deux greffiers pour la juridiction de premier degré siège, un substitut du procureur et deux secrétaires du parquet au premier degré parquet, 2 conseillers et 1 greffier au second degré siège, ainsi qu’un avocat général et un secrétaire du parquet pour la juridiction du second degré du parquet. Pour ce qui est du futur Pôle anti-corruption de Fianarantsoa, Faravohitra annonce le recrutement d’un président et d’un doyen des juges, un juge d’instruction, juge et juge des enfants, 3 juges, un greffier en chef et 6 greffiers pour former la juridiction du premier degré siège. Mais aussi un procureur et deux substituts, un chef de secrétariat du parquet, ainsi que 3 secrétaires du parquet pour composer la juridiction du premier degré parquet. Au niveau de la juridiction de second degré siège, le PAC Fianarantsoa est à la recherche d’un chef de siège, 2 présidents de chambre, 4 conseillers, 1 greffier en chef et 4 greffiers. En revanche, le recrutement d’un chef du ministère public, d’un avocat général, un Substitut général, un chef de secrétariat du parquet et 3 secrétaires du parquet est lancé pour la juridiction du second degré parquet. Une capacité à travailler sous pression, capacité de résistance aux différentes pressions et interventions, une bonne condition physique et une disponibilité pour des déplacements fréquents et une intégrité avérée. Ce sont, entre autres, les critères de sélection exigés pour tous ces postes. Les prétendants sont appelés à déposer leurs dossiers de candidature auprès de la Direction de coordination nationale des Pôles Anti-Corruption au 5e étage de l’immeuble CNAPS aux 67Ha avant le 15 décembre prochain. Davis R L’article Lutte contre la corruption : Recrutement de magistrats et greffiers pour les PAC Mahajanga et Fianarantsoa est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la corruption : Recrutement de magistrats et greffiers pour les PAC Mahajanga et Fianarantsoa a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch
24/11/2020

La BAD encourage l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture. Le développement agricole pour l’autosuffisance alimentaire figure parmi les grands défis que la BAD (Banque africaine de développement) compte relever. C’est dans ce cadre que cette institution a organisé le concours pour les entrepreneurs agricoles. 120 000 dollars américains ! C’est ce qu’ont reçu les trois entrepreneurs du secteur de l’agriculture, récompensés par la BAD à l’issue du concours AgriPitch. Bien que les start-ups malgaches brillent parfois dans ce genre de concours, aucun entrepreneur de la Grande île n’a remporté le prix, pour cette fois. « La première lauréate, Kenyane, est fondatrice d’une entreprise de transformation du manioc. Les deux autres sont Nigérians, l’un cofondateur d’une start-up de transformation des aliments par les nouvelles technologies, l’autre propriétaire d’une entreprise d’approvisionnement alimentaire auprès de petits exploitants agricoles », a déclaré la BAD, organisatrice du concours. A noter qu’AgriPitch a permis à de nombreux jeunes entrepreneurs agricoles du continent de présenter leurs projets à un groupe d’experts et d’investisseurs, qui a sélectionné des lauréats classés dans trois catégories notamment la catégorie des Startups, des Startups matures et la catégorie des Entreprises dirigées par des femmes. « J’étais tellement contente à l’annonce de mon nom ! », a réagi Elizabeth Gikebe, fondatrice de « Mhogo Foods » au Kenya, qui a remporté le prix de 20 000 dollars américains dans la catégorie des entreprises dirigées par des femmes. Ravie de n’avoir pas baissé les bras, Elizabeth Gikebe avait déjà présenté « Mhogo Foods » aux éditions 2018 et 2019 d’AgriPitch. Son entreprise apporte de la valeur à la production de manioc en transformant les tubercules pour en faire de la farine, des en-cas au manioc (repas léger) et des aliments pour animaux sans gluten. « C’est avec beaucoup de persévérance qu’on arrive à obtenir ce qu’on recherche. C’est bien la preuve que tout arrive au temps qui lui est propre », a-t-elle déclaré. Mode virtuel. Pour faciliter la participation de tous, le concours a été organisé de façon virtuelle dans le contexte de la pandémie de Covid-19. Il a enregistré plus de 2 500 candidatures et 605 propositions en provenance de trente pays africains. Au total, 25 finalistes de douze pays ont été retenus. Les finalistes ont participé à un campus de deux semaines sur le développement des affaires, puis les neuf premiers ont obtenu une ultime chance de faire valoir leur projet devant un jury en ligne composé d’experts et d’investisseurs. « On éprouve toujours une grande satisfaction lorsqu’on est choisi parmi une telle panoplie d’entreprises », a confié Ikenna Nzewi, lauréat dans la catégorie « Start up », qui représentait Releaf , une société technologique de pré-transformation d’aliments. Créée par des diplômés nigéro-américains des universités du MIT, de Yale et Duke et implantée à Uyo, au Nigeria, Releaf envisage de réserver son prix de 20 000 dollars à des investissements futurs. Pour Femi Aiki, PDG de Foodlocker, lauréat du prix de 40 000 dollars dans la catégorie des Start-ups matures, ce financement de démarrage donne « un bon coup de vent dans les voiles » de son entreprise, soutient les petits agriculteurs en leur procurant des technologies pour produire des aliments comme les tomates et le poulet. « Avec ce prix, nous pourrons nous permettre d’acheter plus d’intrants. Nous disposons maintenant des fonds pour faire appel à davantage d’experts dans les chaînes de valeur qui peuvent soutenir les petits agriculteurs plus excentrés. Cet argent aidera l’entreprise à obtenir de bons résultats », a-t-il expliqué. Bref, pour la BAD, ce concours vise à encourager l’entreprenariat dans le secteur de l’agriculture, pour capitaliser les grandes opportunités qui se présentent en termes d’avantages comparatifs dont bénéficient de nombreux pays africains comme Madagascar. Antsa R. L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Agriculture : 120 000 dollars offerts par la BAD aux gagnants du concours AgriPitch a été récupéré chez Midi Madagasikara.