Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray

News - Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray

News - Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray

 

 Mihorohoro
saina tanateraka ny fianakavian’ireo mpirahalahy mpiandry omby nisy
naka an-keriny, ny herinandro lasa teo tao amin’ny fokontany
Amparihibe Ambatomanohina-Anjozorobe. Hatramin’izao, tsy mbola
nandrenesam-baovao ny momba ilay zandriolona, raha hita faty teo
amin’ny fokontanin’Amparihibe kosa ilay zokiny, ny alarobia
antoandro teo rehefa avy novonoin’ireo jiolahy. Fantatra fa nitaky
vola mitentina 5 tapitrisa Ar amin’ireo fianakaviana ireo
olon-dratsy talohan’izay. Efa nisy anefa fifampiraharahana teo
amin’ny roa tonta. Saingy, niharan’ny heristran’ireo mpaka
an-keriny hatrany ilay tovolahy 16 taona ka maty.

Mponina ao amin’ny fokontany
Amparihibe ireo roa lahy mpiandry omby. Tsy hita nanomboka ny
harivan’ny 25 oktobra lasa teo izy roa lahy ireo. Nanaovana ombay
mitady avy hatrany raha vao tsy nandrenesam-baovao ireo
mpiarahalahy 10 sy 16 taona. « Tsy nampahafantatra ny
zava-nitranga ireo mpitandro filaminana ireo
fianakaviany », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao
iray. Taorian’ny tranga, naharay antso avy amin’olona tsy fantatra
ireo fianakaviana. Nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar ilay
mpiantso ho tambin’ny famotsorana azy roa lahy.

Taorian’ny fanadihadiana ny
raharaha, efa misy ny olona roa voasambotra, ahina ho ao ambadiky
ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny famotorana.

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 30/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km

Manana ny maha izy azy ny distrikan’Anosibe an’Ala, saingy tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalalana. Hatreto, potika tanteraka ny lalana ary tsy misy ny daty hamantarana ny hanarenana azy.Azo heverina fa tsy misy fiangarana eto amintsika. Na izany aza, anisan’ny mampikaikaika ny mponina ny haratsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala. Roa andro ny hanaovana ny lalana 71 km raha vita amin’izao vanim-potoana izao nefa tokony ho 1 ora sy 30 mn.  Efa ampolo taona maro izany faharatsian’ny lalana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala izany fa tsy misy miraharaha. Mijaly ny mponina, velon-taraina, ka mitondra ny feon’izy ireo ny solombavambahoaka any an-toerana, i Ndrianasy Bernando Germain. “Fiara vaventy ihany mitondra entana sady mitatitra olona ny afaka amin’izany lalana  izany, atao mandritra ny roa andro. Mampalahelo ny mahita ireo mpandeha ireo, sao sanatria misy loza”, hoy ny solombavambahoaka any an-toerana. Maro koa ny vokatra avy any Anosibe An’Ala tsy tafavoaka, toy ny akondro, ohatra.Tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasam-pampandrosoanaBetsaka ny voka-dratsin’izay faharatsin-dalana izay: malaina ny mpiasam-panjakana ho any an-toerana ka sahirana ny mponina amin’ny lafiny fahasalamana, ny fampianarana, hatramin’ny fitandroana ny fiarovana ny distrika, sahirana ireo mpitandro filaminana. Andrasana ny ahitana ireny fitaovana tamin’ny 26 jona ireny ho tonga any an-toerana.Mijaly ihany koa ny distrika iray manontolo momba ny famatsiana herinaratra. Ambalahonko, ony iray lehibe any an-toerana, azo trandrahina tsara nefa avily aty Analamanga ny tombontsoa azo avy amin’io renirano lehibe io fa tsy mba misitraka izany ny any Mangoro. Koa mangataka amin’ny fitondrana mpanatanteraka ny vahoaka any Anosibe an’Ala hijerena azy ireo akaiky fa mijaly loatra, amina sehatra rehetra mihitsy, tsy misy mangirana ny fiainan’ny mponina. R.MathieuL’article Moramanga – Anosibe an’Ala: atao ao anatin’ny roa andro ny lalana 71 km a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

 Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka  loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny,  omaly  ny momba  ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja.“Tokony hafainganina  ny fitsarana  ireo voafonja. Efa misy  ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy  Anosy.  Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana  ny fonja ka nanehoany izany toromarika izany.  Na izany aza, nambarany  fa efa nisy ny dingana  vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana toy ny  eo amin’ny lafiny sakafo  ho an’ireo voafonja. Nanteriny koa fa azo ametrahana fitokisana ireo voafonja  rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy toerana famaizana ny fonja.  “Natao hisaintsainana hiverenana eny anivon’ny mpiara-belona ny toeram-pamonjana”, hoy ihany izy.Mitaky fampitaovana  ny mpandraharaha ny fonjaFitakiana sy fangatahana maromaro. “Tsy fotodrafitrasa ihany fa eo koa ny fampitaovana. Tena sarotra ny  asa, indrindra eo amin’ny fiara ho an’ny voanfonja.  Efa simba ny ankamaroany ka tokony hojerena ny fampitaovana…”, hoy kosa  ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques tamin’ny  lahateniny. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanomezana  ny mpandraharaha ny fonja fitaovam-piadiana,  toy ny basy.  Na izany aza, nanafatrafatra ny minisitra. “Aoka hampiasaina amin’ny tokony ho  izy avokoa izany fitaovana izany fa tsy sanatria hampanofaina ny jiolahy. Aoka isika handala ny fahendrena sy ny fahamatorana”, hoy ihany  izy.Tsiahivina fa maherin’ny 27 000 ireo voafonja manerana ny Nosy mitsinjara amin’ireo fonja 41. Nisy ny fanehoana ny asa sy ny fitaovan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’izany.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava

Niatrika lalao fitsapana, nikatrohana tamin’ny ekipa voafantin’i Bongolava, tany amin’ny kianja Tsiroanomandidy, ny alahady lasa teo, ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”. Tamin’izany no nanoloran’ny ligin’i Tsiroanomandidy lelavola 300 000 Ar ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, hanampiana azy ireo hiatrehana ity fifaninanana ity.Raha hiverenana kosa ny lalaon’ny roa tonta, resin’ny Barea, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, i Bongolava.Mila fanamboarana ny famonoam-baolina ho an’ny Barea, izay mbola lesoka ho an’ireo lohalaharana. Ankoatra izay, tokony hamafisina ihany koa ny fiarovantena, izay somary goragora. Tsiahivina fa hiatrika an’i Mozambika ny Barea, ny asabotsy 27 jolay ho avy izao, etsy Mahamasina, eo amin’ny lalao mandroso, amin’ny fifanintsanana ho an’ity “Chan 2020” ity. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: nanome 300 000 Ar ho an’ny Barea ny ligin’i Bongolava a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy

Tsara fanombohana ny Malagasy, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana, eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, ao anatin’ny andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina aty Maorisy. Medaly miisa 17 indray norombahintsika, ny andro voalohany.Medaly volamena miisa sivy sy volafotsy valo ny efa eo am-pelatanan’ireo mpibata fonjamby malagasy, hatreto, raha ny voka-dalao ho an’ny Malagasy. Araka ny efa nampoizina sy nandrasan’ny maro, Randafiarison Rosina, sokajy latsaky ny 45 kilao, ny nandrombaka voalohany, ny volamena telo, izay nahavita ny “arraché”(65 kilao) sy “epaulée jété” (85 kilao) ary ny “total olympique” (150 kilao). Taorian’izay, nandravarava ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nahazoan’Andriatsitohaina Eric, latsaky ny 56 kg, ny medaly volamena miisa telo, ity farany izay nahavita nibata 151 kilao teo amin’ny “arraché”. Nisoritra teny amin’ny tavan’i Eric ny hafaliana nandritra ny fizarana medaly, sady nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany, omaly, ihany koa izy. Ramiaramanana Ricardo kosa ny namarana ny fisalorana ny medaly volamena telo, omaly.Ankoatra izay, medaly volafotsy valo ny norombahin’ny Malagasy, teo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Isany nahazo izany i Sabrina, sokajy latsaky ny 49 kilao, nifanintsana tamin’ilay kalaza mifaninana ho an’ny Nosy Maorisy, teratany malagasy, nisalotra ny medaly volamena, teo amin’io sokajy io.Ny taranja fibatana fonjamby, araka izany, no nahazo ny medaly betsaka indrindra, hatreto, ho an’ny Malagasy ary nisantatra ny fisalorana ny medaly volamena ho an’i Madagasikara koa ity taranja ity.Mbola maromaro ny fifaninanana hatrehin’ny Malagasy, ary antenaina fa mbola hahazoantsika medaly betsaka ihany koa. Hitohy ho amin’ny anio sy rahampitso ny fifaninanana eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, amin’ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy”, tanterahina eto Maorisy ity. Mi.RazL’article “JIOI 2019” – Fibatana fonjamby: nahazo medaly volamena sivy sy volafotsy valo ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

«Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville

Hotanterahina amin’ity alakamisy 24 septambra ity, ao amin’ny kianja Puskas Arena, Budapest, ao Hongrie, ny fiadiana ny «Super coupe de l’UEFA», taranja baolina kitra. Hifandona amin’izany ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa, sy ny FC Seville, tompon’ny amboara. Heverin’ny rehetra fa hangotraka ny fihaonana na betsaka aza ireo mihevitra fa mety tsy hahatohitra an-dry Rainiboto ry zareo Espaniola.Raha tsiahivina, indroa ihany ireo ekipa roa ireo no nihaona: ny teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, ny taona 2018. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny lalao mandroso tany Munich ary lavon’ny Bayern, tamin’ny isa 2 no ho 1, kosa ny Seville, teo amin’ny fihaonana miverina ka nahatafita ny Bayern de Munich.Hanala vela izany amin’ity ny Espaniola, izay heverina fa afaka hanohitra tsara ireto Rainiboto ireto, izay ao anatin’ny tanjany tanteraka ary tsy mbola resy mihitsy tamin’ireo lalao rehetra nataony, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. TompondakaL’article «Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville a été récupéré chez Newsmada.

News - Rugby - Sport - News Mada

Rugby – «Gold Top 20»: haverina amin’ny alahady ny lalaon’ny Cosfa sy ny JSTA

Miainga amin’ny isa nisarahana, 20 no ho 20, ny lalaon’ny JSTA Ambondrona sy ny Cosfa, ny alahady ho avy izao. Fihaonana haverina, noho ny tsy fahavitany hatramin’ny farany, ny alahady 2 desambra lasa teo. Tapaka, nandritra ny fivoriana nataon’ny komity mpitantana eo anivon’ny Malagasy rugby, ny alatsinainy lasa teo, fa haverina amin’ny alahady 9 desambra ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fihaonana eo amin’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny JSTA Ambondrona. Lalao tafiditra ao anatin’ny dingana ampahefa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Gold Top 20”. Raha tsiahivina, tsy tontosa hatramin’ny farany ity lalao ity, ny alahady 2 desambra lasa teo, rehefa niditra teo amin’ny fanalavam-potoana, noho ny aizina efa nandrakotra ny kianja. Nisaraka ady sahala, 20 no ho 20, ny roa tonta, tamin’izay. Nifanarahan’ny ekipa roa tonta fa miainga amin’io isa 20 no ho 20 io ny fihaonana amin’ny alahady ho avy izao, ary holalaovina ny 40 mn indroa miditra. Araka ny lalàna mifehy ny fifaninanana, tsy misy miova ny anaran’ireo mpilalao tao anaty “feuille de match” sy ireo mpitsara nitantana ny fihaonana. Tsy maintsy fantatra amin’io izay ho ekipa fahefatra hiatrika ny manasa-dalana, amin’ity fifaninanam-pirenena ity, satria tsy maintsy alefa any amin’ny Aroi, mialoha ny faran’ity volana desambra ity, ny anaran’ireo ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina “Top 6 Aroi”, amin’ny taona 2019. Tsiahivina fa ekipa telo no efa nahazo ny tapakila hiatrehany ny ankatoky ny famaranana: ny FTM Manjakaray, ny TFA Anatihazo ary ny FTA Andavamamba. Raha ny fandaharan-dalao eo amin’io manasa-dalana io, hifandona ny FTM sy ny TFA ary miandry izay tafavoaka eo amin’ny JSTA Ambondrona sy ny Cosfa kosa ry zareo FTA.   Tompondaka  L’article Rugby – «Gold Top 20»: haverina amin’ny alahady ny lalaon’ny Cosfa sy ny JSTA a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ankizy sima 121 voadidy

Nifarana ny herinandro lasa teo ny hetsika fandidiana ireo ankizy sima eny amin’ny HJRA Anosy. Iarahan’ny Opération Smile sy ny mpanohana toy ny Fondation Telma sy ny Groupe Axian ny hetsika maimaimpoana ahafahana mandidy ny ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana. Andiany faharoa no notanterahina ny 7 ka hatramin’ny 14 jona lasa teo ka 121 ny fandidiana vita raha 267 ny olona tonga nozahana tao anatin’ny tolotra. Ny taona 2007 no nanomboka ny asa fandidiana teto Madagasikara fa miasa amin’ny firenena 40 ny ONG Opération Smile. Fandidiana ireo ankizy sima na koa ahitana lavaka ao anaty vava ny asa atao, mandritra ny herinandro amin’ny trano fandidian’ny HJRA.Manohana tsy tapaka ny asam-pitsaboana ny Fondation Telma sy ny tomponandraikitra ao amin’ny Groupe Axian ka olona tsy latsaky ny 50 no mifarimbona miaraka amin’ny ONG manatontosa ny asa.Vonjy L’article Ankizy sima 121 voadidy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be  Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”

Fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Vola mitentina 300 tapitrisa Ariary sy fanomezana isan-karazany toy ny fanafody, “gel désinfectant”, ronono mandrimamy sy ny maro hafa  no voaangon’ny GEM (Groupement des entreprises de Madagascar) tamin’ireo orinasa maro teto Madagasikara sy ireo orinasa mpikambana ao aminy. Miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana OIT  (Organisation International du Travail) sy ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) amin’ny fitantanana io kitapo iombonana io sy ireo fanomezana ireo ny GEM. Nanomboka tamin’ny volana aprily 2020 dia nandray an-tanana ny fisafidianana ireo mpisitraka ny tosika fameno sy ny fizarana izany ny PAM. Noho ny traikefa hananany dia manampy ny GEM izy amin’ny fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”. “Fandaharan’asan’ny sehatra tsy miankina izy ity. Niantso ny OIT sy ny PAM ry zareo mba hanampy amin’ny fitantanana ireo fanomezana amin’ny fomba mahomby indrindra. Ny vola rehetra voaangona dia mirotsaka ao amin’ny kaonty eny amin’ny banky. Hametraka rafitra izahay mba hisitraka izany amin’ny fomba mahomby ireo mpahazo tombontsoa”, hoy ny tomponandraikitry ny PAM eto Madagasikara, Moumini OUEDRAOGO.  “Noho ny krizy ara-pahasalamana sy ny fahasahiranana naterak’izany dia ho tsinjaraina amin’ireo  mpiasa marefo  sy ny fianakaviany ireto fanomezana ireto”, hoy ny filohan’ny GEM, Rajaona Thierry.  Mpiasa 2000 no hisitraka ny “vatsy firaisankinan’ny oriansa” ka samy hahazo iray hetsy Ariary avy izy ireo. Miampy tolotra ara-tsakafo kosa izany ho an’ireo tena marefo. Ireo kely karama, ny faharetan’ny fampiatoana ara-teknika, ny fotoana naha-voaroaka, ny maha-mpiasa vehivavy, ny fahasembanana sy ny fianakaviana maro an-trano no mason-tsivana  nifantenana ireo mpahazo tombontsoa tamin’ity andiany voalohany ity. Nirina R. Cet article PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa” est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa” a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - News Mada

Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy

Noraisin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’Iavoloha, omaly, ireo mahery fo malagasy, nitondra avo ny voninahi-pirenena, tany Maorisy, nandritra ny andiany faha-10, ny lalaon’ny Nosy farany teo.Nahazo ny valin-kasasarany ireo atleta nahazo medaly rehetra ary nampitomboina 4 avo heny ny tamin’ny efa-taona lasa ny fankasitrahana azy ireo, izay tafiakatra hatramin’ny 361 tapitrisa ariary ny fitambarany. Raha dimy hetsy ariary izany, ho an’ny volamena, niakatra ho roa tapitirisa ariary izany tamin’ity, toy izany koa ny volafotsy sy ny alimo. Ankoatra izay, nomen’ny fitondram-panjakana mari-pankasitrahana manokana ihany koa izy ireo. Nisy 13 mianadahy nahazo ny « Chevaliers de l’ordre national », izay nahazo medaly volamena 2 no ho mihoatra, « Commandeur de l’ordre de mérite sportif » kosa ho an’ireo 78 mianadahy, nahazo medaly volamena iray. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo nisalotra ny medaly volafotsy sy alimo, dia ny «Officier de l’ordre de mérite sportif » sy ny « Chevalier de l’ordre de mérite sportif ». Tsy hadinon’ny fitondrana ihany ireo mpanazatra fa nahazo fankasitrahana toy ireo atleta rehetra, arakaraka ny medaly azon’ny taranjany tsirairay.Velom-pisaorana ireo atleta Velom-pisaorana ny fitondrana sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ireo atleta malagasy, amin’ny fihetsika mendri-piderana toy izao. Nanambara Andriantsitohaina Éric, izay nisolo tena ireo atleta rehetra, fa isan’ny nahazoana izao vokatra tena tsara izao, ny fanatrehan’ny filoham-pirenena sy Andriamatoa Minisitra, Tinoka Roberto, mivantana hatrany, ny ady sy ny lalao natrehin’izy ireo. « Zava-dehibe loatra ho anay ary tena nandrisika anay hitady fandresena ny fahitanay anareo fitondram-panjakana, manaraka akaiky anay sy nankahery anay teny an-kianja, ray aman-dreny tokoa ianareo ary tena nandray anay ho zanaka », hoy i Eric, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Mbola tokony hahavita tsara lavitra noho ireny, aza ny atleta raha manana fotodrafitrasa tsara mamaly ny filàny izy ireo, araka ny  nambarany hatrany, isan’ ny fangatahan’ireo mpanao fanatanjahantena, araka izany, ny hanamboarana sy hanatsarana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto amintsika. Naneho fisaorana ny federasiona, izay vy nahitana ny fahombiazana ihany koa ireo atleta, ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, hoy i Eric.Tetsy ankilany, nanambara Andriamatoa Minisitra fa izao dingana vita izao dia mariky ny firosoana hatrany. Faharoa isika, hoy izy, tamin’iny lalaon’ny Nosy andiany faha-10 iny, tsy tongatonga ho azy izany fa nisy ny fanomanana sy ny ezaka nataon’ny tsirairay. Nitondra ny hetahetan’ireo federasiona teo anatrehan’ny filoham-pirenena ihany koa ny Minisitra Tinoka Roberto, ny tokony hisian’ny lalao goavana handraisan’ny faritra 22 anjara, amin’ny herintaona. Mi.RazL’article Fandraisana teny Iavoloha: henin-kaja ireo atleta nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Toamasina : Un gymnase de 4 000 places opérationnel dans 6 mois
20/11/2020

Le ministre Tinoka Roberto s’est déplacé sur le site devant abriter le nouveau gymnase de Toamasina. A la place de l’ancien stade municipal de Toamasina sera construit un gymnase respectant les normes internationales. Annoncées depuis le début de l’année, mais avec les mesures de confinement, les démarches relatives aux travaux de construction du Gymnase couvert de Toamasina ont pris un peu de retard. Mais avec la descente d’une délégation ministérielle conduite par le ministre de la Jeunesse et des Sports, Tinoka Roberto, dans la ville du Grand port, les choses sérieuses vont pouvoir commencer. Mercredi dernier, le ministre a fait le déplacement au stade municipal de Toamasina, le lieu qui va abriter la nouvelle infrastructure. Un gymnase couvert de 4 000 places sera construit dans le cadre du projet présidentiel et dans l’accomplissement du « Velirano numéro 13 » dédié au sport et à la jeunesse. Celui de faire du sport et de la jeunesse malagasy une fierté nationale. Le ministre a été accompagné du Colonel Raherinjanahary, coordonnateur général des projets (CGP) au sein du département en charge de la jeunesse et des sports. Celui qui est chargé des suivis des projets d’infrastructures sportives dans toute l’île. Toamasina est une ville sportive et les athlètes locaux méritent d’avoir des infrastructures à la hauteur de leurs ambitions. « L’entreprise qui prendra en charge le projet a été déjà notifiée donc je ne vois plus de contrainte qui devrait retarder le début du chantier. Ainsi, les travaux d’aménagement commenceront dès la semaine prochaine. En plus d’un gymnase respectant les normes internationales d’une capacité de 4 000 places avec des parkings, un terrain d’échauffement sera intégré à l’ensemble. Avec cette infrastructure, Toamasina a toutes les chances d’abriter des compétitions pour la 11e édition des Jeux des îles de l’Océan Indien en 2023 dont nous sommes candidat pour l’organisation. Des jeux régionaux qui pourront apporter un plus pour les jeunes et surtout contribuer aux changements de mentalité de la jeunesse », a souligné le ministre Tinoka Roberto. L’entreprise en charge des travaux s’attèle déjà aux installations et à l’implantation du chantier. Et avec le projet « Miami » dont les travaux ont débuté cette semaine, l’ancien stade municipal qui a vu naître des champions du football de la ville de Toamasina sera déplacé ailleurs, mais, en plus moderne avec des pistes en tartan dédiées à l’athlétisme. T.H L’article Toamasina : Un gymnase de 4 000 places opérationnel dans 6 mois est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Toamasina : Un gymnase de 4 000 places opérationnel dans 6 mois a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Bal masqué : Cinq artistes de la SAVA enflamment le Jao’s Pub
23/11/2020

La température a augmenté au Jao’s Pub vendredi dernier. Les adeptes de rap attendaient, dans la rue d’Ambohipo, la prestation de Ngiah Tax Olo Fotsy et Onilahy BMS.  A 22 heures 35 minutes, le rappeur Olo Fotsy est monté sur scène. Il a été accueilli par un tonnerre d’applaudissements. Après 30 minutes de prestation, Onilahy BMS a fait son entrée. Ce dernier vient juste de débuter sa carrière. Il a dû travailler dur pour en arriver là où il en est aujourd’hui. Désormais, le jeune homme voit sa popularité augmenter. De Nosy Be à Toamasina, d’Antananarivo à Toliara, BMS est connu partout à Madagascar. Ensuite, Fayonne Armada, One six GT, SP Armada montaient successivement sur scène. « J’étais vraiment surpris de voir tous ces artistes qui accompagnaient Ngiah Tax. En plus, je suis fan de tous ces chanteurs. Bref, je suis satisfaite », a affirmé Richnah, une jeune femme de 22 ans. « Je me suis déplacé depuis 67 Ha pour assister à ce concert. Je ne voulais pas rater cette soirée. Quelle surprise ! Voir plus de cinq artistes dans un concert,  je trouve cela impressionnant », a relevé un fan de Onilahy BMS, Mika . Les organisateurs étaient satisfaits de la soirée. « Bal masqué en est à sa troisième édition, et beaucoup de jeunes sont venus y assister. Cela veut dire qu’on a réussi ».  « Bal masqué » était un show surprenant duquel les artistes et les fans resserrent les liens. Une occasion pour les jeunes universitaires de faire connaissance avec leurs aînés. Les organisateurs ont promis de hausser la barre l’année prochaine, afin que tous les jeunes de la capitale puissent s’épanouir. Iss Heridiny L’article Bal masqué : Cinq artistes de la SAVA enflamment le Jao’s Pub est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bal masqué : Cinq artistes de la SAVA enflamment le Jao’s Pub a été récupéré chez Midi Madagasikara.

HCDDED : Sortie du n° 8 du magazine « DEMOKRASIA »
20/11/2020

Le magazine trimestriel « DEMOKRASIA », édité par le Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit (HCDDED), en est aujourd’hui à sa huitième édition. Ce numéro se focalise sur les quatre grandes thématiques principales traitées par le HCDDED : la démocratie, l’Etat de droit, la bonne gouvernance et les droits de l’Homme. Notons que du 12 octobre au 3 novembre 2020, le HCDDED a organisé des séries d’ateliers portant sur ses domaines de compétences. Un projet appuyé par l’Organisation Internationale de la Francophonie (OIF). Recueillis par Dominique R. L’article HCDDED : Sortie du n° 8 du magazine « DEMOKRASIA » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article HCDDED : Sortie du n° 8 du magazine « DEMOKRASIA » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Toetr’andro: hitohy ny andian-javona eto afovoan-tany
20/11/2020

Nanamarika ny mpamantatra ny toetry ny andro fa hisy ny andian-javona ao anatin’ny telo andro misesy ho an’ny eto afovoan-tany. Mety hanelingelina amin’ny fifamoivoizana izany ny maraina ka mila mitandrina ireo tsy maintsy mandeha vao mangirandratsy.Anio, handrahona tanteraka ny any Ankazobe ny maraina ary hanevokevoka ny andro. Rahampitso kosa, heverina ny hisian’ny rotsak’orana amin’ny tapany andrefan’Analamanga ary handrahona ny tapany atsinanana. Hitohy ny orana ny asabotsy ho an’ny tapany atsinanan’ny faritra Analamanga.Mbola hafana sy hanevokevoka hatrany ny andro ao anatin’ny telo andro misesy satria manodidina ny 15°C ka hatramin’ny 29°C ny hafanana eto Antananarivo. Manodidina ny 32°C kosa ny hafanana ambony indrindra any Toliara, any Antsiranana ary any Nosy Be.Mila mivonona amin’izany hafanana izany ny rehetra, indrindra ireo tsy maintsy mivoaka ny trano ny mitataovovonana. Miomana amin’ny aroorana ihany koa ireo hody hariva amin’ny faritra andrefan’Analamanga sy ny tapany atsinanana iny.Tatiana AL’article Toetr’andro: hitohy ny andian-javona eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM
21/11/2020

Sarotiny amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Niton­dran’ny kandidan’ny antoko Malagasy miara-miainga va­ha­olana avy hatrany ny eny ifotony. “Hampitomboina ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana”, hoy ny loha lisitra, Rakoton­drai­ni­be Michel, tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona.Nisantaran’izy ireo iza­ny ny teo anivon’ny distrikan’ Am­bohidratrimo, notanterahina teny Talatamaty, afako­maly. Fampivoarana ny kaominina rehetra Naneho ny fahavononany ny kandida fa hanaja ny teny no­mena sy ny tamberin’andraikitra ho fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ireo olom-boafidy. “Tafiditra ao an­a­tin’izany indrindra koa ha­mpivoarana ny kaominina rehetra ato amin’ny faritan’ An­tananarivo”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’izy ireo koa ny fisokafany amin’ireo olom-bo­afidy rehetra tsy an-kanavaka, amin’izao fiatrehana ny fi­fi­dianana loholona, hatao ny 11 desambra izao.Synèse R.L’article Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM a été récupéré chez Newsmada.

Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule
25/11/2020

Un pickpocket a été pris en flagrant délit, avant-hier, durant son acte. Cet homme venait de prendre en force le sac d’un passant. La victime a pu alerter les badauds en criant. Une course poursuite a été lancée par des personnes qui n’ont pas hésité à prêter main forte. Après quelques minutes de course poursuite, ils ont fini par appréhender le malfrat. La foule a rendu justice elle-même en tabassant le voleur. Même à l’arrivée des forces de l’ordre, la foule a continué de réclamer la vindicte populaire. Il a fallu une intervention manu-militari pour évacuer le malfrat des lieux sinon il aurait certainement laissé la vie. Les gens furieux ont estimé que la meilleure correction n’est autre que la justice populaire. « Nous en avons assez des pickpockets qui font la loi dans ce quartier et sèment la terreur auprès des habitants », a-t-on entendu sur place. Malgré les mesures de prévention prises par les riverains, les victimes de cette pratique malsaine sont encore nombreuses, car les malfrats y sont présents quotidiennement. Les femmes sont leurs cibles préférées. Ces derniers temps, la situation s’empire puisque les malfrats ne se contentent plus du vol à la tire mais vont jusqu’à violer les victimes et même jusqu’à les tuer avec des armes tranchantes. Ce dynamisme de vindicte populaire fait suite à ces actes barbares de la part des criminels. Certaines personnes trouvent que la pratique de la vindicte populaire est une manière pour elles de participer à la lutte contre le banditisme. La pratique, pourtant condamnée par la loi en vigueur, tend à devenir une habitude car les civils sont frustrés par leur quotidien miné par le barbarisme. Yv Sam L’article Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ankadimbahoaka : Un pickpocket lynché par la foule a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar
25/11/2020

La représente résidente du PNUD Natasha Van Rijn a rencontré le ministre de l’Economie et des Finances, Richard Randriamandranto (Mefpnud) La représentante résidente du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD), Natasha Van Rijn a  effectué, avant-hier, une visite officielle auprès  du ministre de l’Economie et des Finances, Richard Randriamandranto. Une occasion pour les deux personnalités  de faire un tour d’horizon sur les relations entre Madagascar et le PNUD.  On rappelle que récemment le ministère de l’Economie et des Finances et le PNUD ont organisé l’atelier de revue annuelle et de planification stratégique des projets et programmes soutenus par le PNUD à Madagascar. Le PNUD accompagne les efforts nationaux dans les domaines de la promotion de la croissance inclusive et la lutte contre la pauvreté ; du soutien à la gouvernance démocratique, la paix, la justice et la redevabilité ainsi que la protection de l’environnement et l’adaptation au changement. Lors de cet atelier qui a duré deux jours,  les participants ont procédé à la revue des résultats stratégiques obtenus  selon les appuis apportés aux différents ministères et partenaires nationaux de développement. Ils ont également identifié  les orientations pour la prochaine année et le nouveau cycle de programmation du PNUD et du gouvernement de Madagascar à partir de juillet 2021. Le PNUD reste engagé à soutenir les efforts de développement et de l’émergence du pays. R.Edmond. L’article Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Coopération : Le PNUD confirme son engagement à soutenir Madagascar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

BNI- Antanetibe Mahazaza: tamberin’andraikitra anjatony tapitrisa Ariary
18/11/2020

« Ny fahasalamana no voalohan-karena », koa rehefa salama, afaka miasa mamokatra, mahazo vola. Izany ny naharesy lahatra ny Fondation Axian, BNI Madagascar, avy amin’ny fandaharanasa Salama BNI, sy ny ONG Hilfe, miara-miasa amin’ny fanjakana, nanamboatra ny CSB II ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo. Kaominina misy mponina 12 000, manana ny maha izy azy eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana, manodidina ny kaominina Mahitsy.Tamberin’andraikitra amin’ny lafiny sosialy ataon’ny sehatra tsy miankina ny nataon’ny BNI. Nomarihin’ny solombavambahoakan’Ambohidratrimo, Rakotoarison Jhonny, fa « betsaka ny orinasa mahita tombontsoa eto amintsika nefa manadino izay tamberin’andraikitra izay ». Ny tetikasa Salama BNI, manao izany amina sehatra maro: ny fanebeazana sy ny fahasalamana, toy ny fananganana CSB II izao, nandaniana vola anjatony tapitrisa. Nisaotra ireo mpanohana sy mpiara-miombona antoka rehetra ny ben’ny Tanàna, ny dokotera Rakotonomenjanahary Louis Firmin, nampisy izao fotodrafitrasa fandraisana marary sy efitra fiterahana izao.Raha ny nambaran’ny mponina eny an-toerana, tsy nisy fiantraikany loatra amin’izy ireo any amin’io kaominina ambanivohitra io ny valanaretina Covid-19 satria ny ONG Hilfe, nanentana isan-tokantrano sy nitondra fidiovana ho fiarovana amin’ny aretina. Afaka niasa hatrany izy ireo amin’ny fiompiana fanaony, saingy nihena ny varotra, nisy fotoana tsy tonga ireo mpanangom-bokatra tamin’ireny fihibohana ireny.Mitohy ny ataon’ny Salama BNIManohy ny fanaovana tetikasa toy izao ny Fondation Axian, araka ny nambaran’ny tale mpanatanteraka, i Isabelle Salabert, ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny fahantrana ho fanatsarana fari-piainan’ny mponina. Ny mponina salama sy tsara fivelomana no mpanjifan’ireo orinasa mivondrona ao amin’ny Fondation Axian. Mbola hotohizan’ny Salama BNI ny tetikasa any amin’ny faritra hafa, ho fametrahana toeram-pitsaboana manakaiky vahoaka any ambanivohitra, antoka iray amin’ny fihariana trandrahin’izy ireo. R.MathieuL’article BNI- Antanetibe Mahazaza: tamberin’andraikitra anjatony tapitrisa Ariary a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina
20/11/2020

Noraisin’ny Praiminisistra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly,   ny delegasiona avy any Arabie Saodita. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny miandraikitra  an’i Afrika, i Ahmad Bin Abdulaziz Kattan. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.Nodinihina tamin’izany fa haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny roa tonta. Nanamarika ny minisitra saodianina fa efa ela ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodianina. Nisandrahaka amin’ny sehatra maro izany. Eo ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa momba ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana. Manampy ireo ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara eo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.Ady amin’ny covid-19Ny famatsiam-bola 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny covid-19.Nambaran’ny minisitra Ahmad Bin Abdulaziz Kattan koa ny toerana misy an’i Arabie Saoudite sy ny fifandraisany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika. Nohazavainy ny ezaka ataon’ny fireneny mba tsy hisian’ny fitotongananan’ny vidin’ny solika maneran-tany.Nankasitraka izany sady nampita ny fiarahabana ho an’ny mpanjaka Saodianina ny praiminisitra, ary naneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hisokatra mandrakariva amin’ny lalana hahafahana mampivelatra sy manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina a été récupéré chez Newsmada.

Raikitra ny «Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra»
19/11/2020

Hotanterahina, ny 26 hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, manoloana ny lapan’ny Tanàna Analakely, ny « Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany I ». Mpikarakara izany ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny miaraka amin’ny minisiteran’ny Atitany ary handraisan’ireo minisitera maro samihafa anjara sy ny sehatra tsy miankina. « Anisan’ny modelin’ny fiaraha-miasa mifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika momba ny fampivoarana an’i Madagasikara ny diplaomasia toekarena », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Tehindrazanarivelo Djacoba, tetsy Anosy ny alatsinainy teo.Fandraisana anjaran’ny « diaspora »Nanteriny fa manana adidy ny minisitera tarihiny amin’ny fandrindrana ny fifandraisana iraisam-pirenena. « Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka na ny eo anivon’ny fanjakana izany na ny eo amin’ny sehatra tsy miankina, amin’ny fampirisihana ny tsirairay handray hanjara amin’ity hetsika ity », hoy  izy. Tanjona ny ho fampiroboroboana ny toekarena anivon’ny isam-paritra ary hisintonana ny fandraisan’anjaran’ireo avy any ivelany (Diaspora). Fanombohana ny hetsika hatao ny eto amin’ny faritra Analamanga. Samy hanana ny mampiavaka azy ny andiany rehetra isaky ny faritra. “Fotoana koa io hifanakalozana hevitra momba ny fampandrosoana ny faritra Analamanga. Entanina ny rehetra ho amin’ny fiaraha-mientana hampandrosoana ary koa hahafahana mampitovy lanja ny faritra rehetra eo amin’ny lafim-piarahamonina rehetra”, hoy ny mpikarakara.Synèse R.L’article Raikitra ny «Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra» a été récupéré chez Newsmada.

Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus
21/11/2020

Les passagers d’un autobus de la ligne 109, reliant le quartier des 67 ha à Ambohitrarahaba étaient en effervescence, jeudi soir vers 20 heures. Cela a été provoqué par une altercation, qui s’est produite à l’intérieur de ce véhicule, opposant un couple et un homme. Sur le trajet, les trois individus ont échangé des coups de poings. Heureusement, le chauffeur a eu le réflexe d’arrêter le bus devant des policiers postés sur le bord de la rue à Andranobevava. Alertés, ces éléments de forces de l’ordre sont alors intervenus pour calmer la situation. Arrêtées, les deux parties en conflit ont été amenées au commissariat du 8e Arrondissement à Analamahitsy pour enquête. La police a pris cette décision après avoir été informée de l’origine de cette bagarre, qui était une tentative de vol à la tire. L’homme en question aurait tenté de subtiliser le collier en argent sur le cou du mari, à entendre les témoignages de certains passagers de l’autobus. Ayant remarqué ses agissements, l’épouse a tout de suite réagi en assénant un coup de poing au voleur. Contrarié, celui-ci a alors riposté en frappant la femme et le mari est ainsi intervenu. Les deux hommes se sont farouchement battus. Résultats, ils sont tous les deux blessés. Arrivé au commissariat, le suspect a rejeté l’accusation portée contre lui malgré la présence de quelques passagers qui ont témoigné contre lui. Il a déclaré qu’il était un militaire en permission. Ayant vérifié son statut, la police a remis cette affaire à la brigade de la gendarmerie de Betongolo. Ainsi, l’enquête continue auprès de cette unité. T.M. L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Andranobevava : Un militaire arrêté pour tentative de vol à la tire dans un autobus a été récupéré chez Midi Madagasikara.

EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires
25/11/2020

Eisa a procédé au renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires. Dans le cadre du projet «Africa Democracy Strengthening IV» ou ADS IV mis en œuvre par l’Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique (EISA) et financé par l’Agence Suédoise de Coopération au Développement International (Sida), EISA entend contribuer à l’amélioration de la participation des femmes dans les processus de prise de décision à Madagascar. Dans cet objectif, EISA apporte un appui spécifique aux femmes parlementaires depuis la mise en place de l’actuelle législature en juillet 2019. L’assistance apportée par EISA aux députés s’inscrit dans la volonté de l’organisation de contribuer à l’avènement d’un parlement plus sensible au genre, la promotion de réformes législatives qui prennent en compte l’égalité hommes-femmes et au renforcement de l’influence des femmes à travers une série de thématiques techniques visant à accroître leur participation effective aux travaux parlementaires. Ces objectifs sont conformes aux visions et priorités définies par le Plan Stratégique de l’Assemblée nationale (2020-2025). Ainsi, et en réponse à la requête du Caucus des femmes parlementaires, EISA prévoit organiser un séminaire de renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires en rédaction de proposition de lois ou d’amendements de lois, les 24 et 25 novembre 2020 à l’hôtel Carlton Antananarivo. Elaboration de lois. L’objectif global de l’atelier est de renforcer les compétences des assistants parlementaires dans le domaine de la logistique afin qu’ils puissent appuyer les femmes parlementaires dans leur pouvoir de légifération. De façon plus spécifique, l’atelier vise à expliquer les rôles et responsabilités des assistants parlementaires dans l’élaboration d’une loi, mettre à la disposition des assistants parlementaires les outils nécessaires en matière d’élaboration de lois notamment les règles qui président la conception, l’élaboration et l’évaluation des lois, renforcer les capacités des assistants parlementaires à rédiger des propositions de lois et améliorer les capacités des assistants parlementaires en matière d’interprétation et d’analyse de projets de lois. La méthodologie de la formation sera participative, interactive et basée sur des cas pratiques afin de favoriser les échanges et partages des expériences entre facilitateurs et participants. Recueillis par Dominique R. L’article EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article EISA : Renforcement des capacités des assistants des femmes parlementaires a été récupéré chez Midi Madagasikara.