Roa ireo lavon’ny Covid-19: 9 ireo tranga vaovao – Analamanga

News - Roa ireo lavon’ny Covid-19: 9 ireo tranga vaovao – Analamanga

News - Roa ireo lavon’ny Covid-19: 9 ireo tranga vaovao – Analamanga

Niampy roa indray ireo lavon’ny
Covid-19, omaly, araka ny tatitry ny CCO. Avy eto Analamanga sy avy
any Diana ireo nodimandry ireo. Tafakatra 213 izany izao ireo
matin’ny Coronavirus eto amintsika hatramin’ny 19 marsa no ho
mankaty.

Etsy andaniny, nidina be ny
fifindran’ny valanaretina. Miisa 12 ireo tranga vaovao tamin’ny
fitiliana miisa 506 natao ka avy eto Analamanga ny sivy amin’izany
raha any Boeny kosa ny telo fanampiny. Faritra roa ihany izany no
nisy olona nifindran’ny valanaretina.

Nidina ho 30 ireo marary mafy
mandalo fahasarotana “forme grave” raha 34 izany, afakomaly. Miisa
43 kosa ireo sitrana ka tafakatra 14 441 ny isan’ireo nahafeno
ny fepetra ho amin’ny fahasitranana tamin’ireo mararin’ny Covid-19,
miisa 15 769. Nihena 33 ka lasa 1 143 ireo mbola manaraka
fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.

Miisa 64 676 ny fitiliana PCR vita
raha 6 802 kosa ny eo anivon’ny  GenExpert.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Roa ireo lavon’ny Covid-19: 9 ireo tranga vaovao – Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Triatra

Kidnapping tany Toamasina : Votsotra i Armane Kamis, 1 voasambotra

Hatramin’ny nandraisana an-tanana ny resaka fakana an-keriny teto amintsika dia efa maro no efa rava tamin’ireo tambazotran-jiolahy. Ireo teratany karàna no tena lasibatra, ary vola be hatrany no takian’ireo mpaka an-keriny. Nirefodrefotra ny basy, votsotra omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany i Armane Kamis, rehefa tratra ny toerana nitazonan’ireo mpaka an-keriny ity teratany karana tompon’ny orinasam-pitaterana “Transfy”, nandritry ny enina andro. Ny alatsinainy lasa teo no naharay vaovao ny zandarimariam-pirenena tany Toamasina, fantatra fa tao Tsarakofafa no niafenan’ireo mpaka an-keriny, sy nitazonana ilay karàna. Nidina tany an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana nanao ny fikarohana, ka mbola tao avokoa ireo olona voalaza fa naka an-keriny azy. Raikitra ny fifampitifirana tamin’izany, ka nisy ny voasambotra. Lehilahy iray no azo sambo-belona nandritry ny fifanjevoana tamin’ity fandravana nataon’ny zandarimariam-pirenena. Ny telo hafa kosa mbola niezaka nifanandrina tamin’ny zandary tamin’ny alalan’ny tifitra variraka, raha ny loharanom-baovao hatrany. Sarona teny amin’ity farany nandritry izany ny fitaovam-piadiana mahery vaika toa ny basy kalaky, iray miaraka amin’ny “chargeurs” miisa efatra. Raha tsiahivina, dia ny alarobia 21 novambra lasa teo no nalain’ny jiolahy miisa dimy nilanja fitaovam-piadiana an-keriny tao amin’ny birao fiasany ity teratany karana ity. Ny zoma teo kosa no niantso ny fianakaviany ireo mpaka an-keriny nitaky vola be. Tamin’ny fotoana nanoratanay ny vaovao kosa anefa, dia mbola raikitra ny fifandonana any an-toerana. Mbola mitohy ny fanenjehana an’ireo mpaka an-keriny tsy voasambotra. Ny vaovao mari-pototra no nahalalana fa tsy mbola nisy vola azon’ireo mpaka an-keriny. Fantatra kosa fa rera-tsaina sy rera-batana i Armane Kamis, izao afa-bela teo am-pelatanan’ny jiolahy izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha sy ny hadirin’izao fifanandrinana eo amin’ny zandarimaria sy ny mpaka an-keriny izao. Valérie R. L’article Kidnapping tany Toamasina : Votsotra i Armane Kamis, 1 voasambotra est apparu en premier sur .L’article Kidnapping tany Toamasina : Votsotra i Armane Kamis, 1 voasambotra a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Fahasalamana sy ny fitadiavana… tsy mifamono

Ho vita eo amin’izay, ny amin’izao aloha, ny ady mivantana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Volana vaovao idirana amin’ny hafanana izao. Tsy mitsaha-mitombo ny marary sitrana hoe tsy mamindra intsony, mihena manaraka izany ny tranga vaovao amin’ny ny fitondrana ny tsimokaretina Cononavirus amin’izao.Na izany aza, tohizina sy tandremana hatrany ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana. Tsy hita maso ny fahavalo. Mety hanao tampody fohy? Mila mahay miara-miaina amin’ny aretina… heverina ho toy ny any ho any ihany. Toy ny fitandremana ireo areti-mifindra tsy mbola fongana tanteraka fa manana ny fotoany isan-taona: tazo, pesta…Ny ady no (ho) vita fa mitohy hatrany ny fitandreman-tena hisian’ny fitoniana: tsy fisian’ny ady mivantana izany, na firongatry ny valanaretina raha tsy fongana tanteraka. Aleo malina ihany… Tsy efa fomba fiaina amin’izay ve, ohatra, ny fanasana tanana matetika, ny fitandremam-pahasalamana, ny tsy fanaovana dokotera tena…Amin’izao fialana miandalana amin’ny fihibohana izao, hita eny ho eny sahady ny manao antsirambina: tsy ilaozan’izay tsy miaro tena, tsy mitsinjo ny hafa. Maika sy tery amin’ny fitadiavana? Karazana valifatim-piainana noho izay fihibohana izay, hany ka tsy mahatsiaro tena fa mandika lalàna amam-pomba fiaina ho azy eny.Ny tsy fisiana mahazaka maniraka? Sanatria, ny fahantrana no anamarinan’ny sasany tena amin’izay mety ho tsy fanjariana rehetra: fahalotoana, tsy filaminana, fahakizintinana; eny, na ny tsy fanarahan-dalàna aza. Ny saina no mbola mihiboka amin’izany? Na tsy nitondra inona eo amin’ny fomba fisaina sy fiaina ny ady tamin’ny aretina…Mba hisy olom-baovao ve amin’izao fialana amin’ny fihibohana izao? Mivoaka mpandresy… Na eo aza, ohatra, ny fahasahiranana sy ny fahantrana, tandrovina hatrany ny fahadiovana sy ny fahasalamana. Ny fahasalamana no hanatsarana ny fitadiavana, ny fitadiavana hanatsarana ny fahasalamana? Mifameno fa tsy mifamono…Rafaly Nd.L’article Fahasalamana sy ny fitadiavana… tsy mifamono a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampasika – Vatobe: tapaka noho ny fanamboarana ny lalana

Nanomboka ny faran’ny herinandro ary hitohy ao anatin’ny iray volana ny fanamboarana ny lalana eny 67 Ha, izay iandraiketan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Any amin’ny 4 oktobra any vao heverina ho vita ny fanamboaran-dalana.Misy, araka izany, ny fandaminana napetraky ny tanànan’Antananarivo ho fandrindrana ny fifamoivoizana hampandeha tsara ny asa fanamboarana.  Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy ankanavaka ny ampahan-dalana eo anelanelan’ny fandraisana taksibe 30 Ampasika hatreo amin’ny sampanan-dalana eo amin’ny Vatobe, 67Ha.Ireo fiara rehetra avy any 67Ha (Garage) te hihazo iny lalana iny dia mandray avy hatrany ny FDC Ampasika, Andohatapenaka coco plastika, 67 Ha (Vatobe), 67 Ha Ny Havana.Ireo fiara rehetra avy any 67 Ha (Ny Havana) te hihazo io ampahan-dalana tsy azo andehanana io kosa dia mandray avy hatrany ny lalana 67 Ha (Vatobe), Andohatapenaka, 67 Ha Garage.Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana ny haratsian’ny lalana eny 67Ha sy ny manodidina iny ka nahafaly ireo mpandeha fiara ny fahafantarana izao fanamboarana ataon’ny fanjakana izao. Efa ho avy ny fahavaratra, manantena ny fahavitan’ny lalana rehetra ny mpampiasa lalana.Tatiana AL’article Ampasika – Vatobe: tapaka noho ny fanamboarana ny lalana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seg: nanao dinikasa niaraka tamin’ny zandary frantsay

Taorian’ny fitsidihana fomba ofisialy narahina dinikasa tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria tany Romania, nanohy ny diany narahina dinikasa manokana tao Frantsa ny (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, ny alatsinainy teo. Noraisin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany frantsay, i Laurent Nunez, niaraka tamin’ny mpiandraikidraharaha eo anivon’ny ambasadin’i Madagasikara ao Frantsa, i Désiréé Ibrahimdjee, sy ireo tompon’andraiki-panjakana ambony ao Frantsa ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity. Nisy ny dinikasa manokana niarahany amin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena frantsay izay notarihin’ny delegasiona frantsay, ny Jly Lizurey, sy ireo zandary manamboninahitra frantsay. Nitohy, afakomaly, izany ka niampy ny fitsidihana ireo sekoly fampiofanana manamboninahitra frantsay izay toerana niaran’ny Jly Ravalomanana toy ny tao Melun sy ny toerana fampiofanana ambony eo anivon’ny zandarimaria frantsay ao Maisons Alfort. Nankasitraka ny ezaka vitan’ny zandarimaria malagasy tamin’ny fampandriana fahalemana an’i Madagasikara, indrindra ny famongorana ny fakana an-keriny ny sekreteram-panjakana frantsay, i Laurent Nunez. Tapaka tamin’ity dinikasa ity fa hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny fiadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna, ny trafikana harem-pirenena sy zava-mahadomelina ary ny ady amin’ny fampihorohoroana.J.CL’article Seg: nanao dinikasa niaraka tamin’ny zandary frantsay a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Festival The Week End”: telo andro anatin’ny mozika sy ny fialamboly

Raha ny fanamby, tsy mbola nisy ny hetsika toy ity miandry ity. Hilomano anatin’ny mozika, ny zavakanto ary ny karazam-pialamboly maroloko ireo hanatrika ny “Festival The Week End”, mandritra ny hateloana.Hetsika goavana, andrasan’ny maro, indrindra amin’ity faran’ny herinandro ity, ilay “Festival The Week End”. Telo andro an-danonana, anatin’ny mozika, ny zavakanto sy ny fialamboly maroloko ny kasain’ny Ivenco hotontosaina, ny 2, ny 3 ary ny 4 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. “Amin’ny maha orinasa misehatra eo amin’ny famokarana kanto, mirona mankany amin’ny fitondrana zava-baovao ho an’ny Malagasy ny Ivenco. Fanamby goavana be ity hetsika ity”, hoy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ivenco. Goavana satria Sehatra telo lehibe hatokana ho an’ny mozika fotsiny no miandry amin’io. Maherin’ny 50 kosa ireo karazana fialamboly hatolotra, homanin’ny mpikarakara miisa 200 mahery. Manantena mpijery hatrany amin’ny 20 000 kosa izy ireo. Mpanakanto manana ny lazany avokoa ireo hifandimby an-tsehatra mandritra ireo telo andro ireo: Shyn, Denise, Mage 4, Kiaka, Zay, Dalvis, Da Hopp, 18.3, Raboussa, Tovo J’Hay, Nate Tex, sns. Hisy sehatra manokana ihany koa ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra amin’io fotoana io. Hanao fampisehoana miavaka koa ireo mpiangaly ny “laser”, hiara-dalana amin’ny fahaiza-manaon’ireo mpikosika kapila toa an-dry Dj Shin Chan, MPX, sns. Lafiny fialamboly, misy ny toerana ho an’ireo mankafy ny “jeux vidéos”, ny “sports extrêmes”, sy izay mety ho karazan-dalao fahita amin’ireny kerimesy lehibe ireny. Zo ny Aina L’article “Festival The Week End”: telo andro anatin’ny mozika sy ny fialamboly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny

« Tsy misy firenena na iray aza eto ambany masoandro ka afaka ny handroso amin’ny alalan’ny kolontsain’ny hafa », hoy ny mpampianatra sady mpikaroka iray izay. Hatreto anefa, mbola tsy laharampahamehana ho an’ny Malagasy ny hitia sy hiaina ny kolontsainy. Miainga any amin’ny sarambabembahoaka ka miafara any amin’ny mpitantana isan’ambaratonga, samy mametraka ny kolontsaina ho toy ny zava-bitika.Fanorona, katro, sns, no lalaovin’ny Malagasy any amin’ny ivokolo vahiny. Tranga mahamenatra. Sady tsy manana toerana ilalaovana azy ireny ny Malagasy no tsy manana finiavana mba hikarakara hetsika tahaka io « Kilalao iombonana » io rahateo. Efa ho 24 taona, ohatra, no nanatontosan’ny Alliance Française Andavamamba azy ity. Aiza ny mpandraharaha malagasy ? Aiza ireo Malagasy midradradradra fa tia an’i Madagasikara ? Aiza ireo sampandraharaha isan-tsokajiny tokony hanome lanja ny kolontsaina ? Sns.Hatreto, mbola tena sarotra ny ilaza fa tena mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Malagasy, raha io tranga io no jerena !HaRy Razafindrakoto L’article Kilalao iombonana: mbola tena ilaina ny ivokolo vahiny a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fiara nirehitra

Levon’ny afo tanteraka ny fiara marika “Peugeot 305” iray teny Ambonisoa Itaosy, afak’omaly. Tsy fantatra izay anton’ny afo araka ny nolazain’ireo mponina teo amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny firehetana. Fiara mijanona amin’ny toeram-piantsonana ilay niharan-doza. Tsy nisy olona tao anatiny.   L’article Fiara nirehitra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Manohy ny lalany: etsy amin’ny IFM indray i Mamina

Vao 6 taona monja, efa fantatra tany anivon’ny antoko mpihira ny feony ! Mamina, mpanakanto anisan’ny manana ny mampiavaka azy manokana. Iray amin’ireny ny feony izay mahatakatra hatrany amin’ny « octave » faha-5. Rahampitso manomboka amin’ny 7 ora hariva, hiaka-tsehatra ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely i Mamina sy ny gitarany.Raha tsiahivina, mbola vao tany amin’ny taona faha-10 tany an-tsekoly i Mamina no efa namolaka tsikelikely ity zavamaneno vahiny ity. Notrandrahiny manokana tamin’izany ny figadon’ny hira nentin-drazana malagasy na ny bagasy. Tsy ny teto anivon’ny riaka ihany fa ny tany amin’ny faritra ihany koa.Ankoatra ny feo kanto sy ny fahaiza-mifehy ny gitara, mampiavaka ity mpanakanto tanora ity ihany koa ny fanasongadinana hatrany ilay fananan-karena eo amin’ny kolontsaina malagasy. nanamarika izany ilay hirany voalohany nampitondrainy ny lohateny « Mila vonjy ny kanto gasy ». Ho an’i Mamina, mila apetraka amin’ny toerana sahaza azy ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy.HaRy RazafindrakotoL’article Manohy ny lalany: etsy amin’ny IFM indray i Mamina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra vehivavy eran-tany: norombahin’ny Amerikanina

Nifarana, omaly alahady, ny fiadiana ny amboara eran-tany, baolina kitra vehivavy, ka nibatan-dry zareo Amerikanina ny fandresena, tamin’ny isa 2 no ho 0, nanoloana ny ekipan’i Pays-Bas, tao amin’ny kianjan’ny Parc Ol, ao Frantsa. Tamin’ny alalan’ny penalty nodakan’i Megan Rapinoe, teo amin’ny minitra 61, ny nanokafan’i Etazonia ny isa ho azy ireo. Niezaka nanindry ary nanova taktika ry zareo Neerlandais, nanomboka teo, saingy tsy nahatoraka ireto vehivavy amerikanina ireto. Niditra indray ny baolina faharoa, ho an’i Etazonia, teo amin’ny minitra faha-69, tamin’ny alalan’i Rose Lavelle. Tsy nisy fiovana intsony nanomboka teo ny endri-dalao teo amin’ny roa tonta. Tsahivina fa fisalorana ny anaram-boninahitra faninefatra izao ny azon’ny Amerikanina, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny lalao baolina kitra vehivavy.Marihina fa tafapetraka eo amin’ny laharana fahatelo ny ekipan’ny Suède, taorian’ny lalao fiadian-toerana nifanandrinany tamin-dry zareo Angletera. Isa 2 noho 1 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-piafaran’ny fe-potoana ara-dalana. Mi.RazL’article Kitra vehivavy eran-tany: norombahin’ny Amerikanina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C

Mety  tsy hihoatra ny faran’ny herinandro  izao. Tafapetraky ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Iavoloha,  omaly ny  fametraham-pialany  sy ny governemanta tarihiny. Nankatoavin’ny filoha Rajoelina izany ary nisy avy  hatrany  ny didim-panjakana nivoaka ny amin’ny hiantohan’ity governemanta ity ny asa fampandehanan-draharaha andavanandro, mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao na hamerenana azy ireo eo indray. Tombanana fa tsy ho ela izany fanendrena, miainga amin’ny maro anisa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena  izany. “Tany tan-dalàna isika satria voalazan’ny  lalàmpanorenana araka  ny And  54 fa tendren’ny  filohan’ny Repobolika ny praiminisitra lehiben’ny governemanta rehefa mivoaka ny maro anisa  eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Manaja  izany  isika  ary manome  hasina ny demokrasia”,  hoy ny Praiministra nametra-pialana, i Ntsay  Christian,  tetsy  Anosy, omaly. Tsy mbola fantatra hatreto na hiova na hiverina amin’ny toerany avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.Mitaky ankolaka ny handrena depiote ho lasa minisitra Na izany aza, efa natsidiky ny filohan’ny  Antenimiera,  Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza tamin’ny lahateniny, afakomaly fa tokony ho hita taratra ao anatin’ny governemanta hijoro eo ny firafitry ny Antenimiera. Na tsy mivantana aza, mety ho fitakiana ankolaka ny hisian’ny depiote hotendrena minisitra izany kabary izany. Mbola banga toerana roa aloha hatreto ny minisitera rehefa voafidy depiote ireo minisitra vehivavy :  Volahaingo Marie Therese misahana ny Fanabeazana sy ny misahana ny Mponina, Naharimamy Irmah. Tsiahivina fa 13 volana  izao raha ny fitambarany  ny naha-lehiben’ny governemanta ny tenany, taorian’ny hetsika nataon’ireo depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny volana avrily 2018 ka  hatramin’izao fametraham-pialany izao.  Fito volana ny nitantanany  ny governemantan’ny marimaritra iraisana ary enim-bolana kosa ny nisahanany izany andraikitra izany, taorian’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny volana janoary teo.Synèse R. L’article Fametraham-pialana: hiantoka ny fampandehana-draharaha ny governemanta Ntsay C a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Pilo kely #4507 aroson’i Mamy Be
21/09/2020

L’article Pilo kely #4507 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD
23/09/2020

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”       
22/09/2020

                 Valin-kafatra. Nitondra fanazavana momba ny onitra ho an’ireo niharam-boina noho ny krizy ny eo anivon’ny CFM. Tsy mitombina koa ny resaka nataon’ireo gadra politika, ny herinandro teo. “Diso ny filazana fa anjaran’ny fanjakana malagasy ny 30 % amin’ny fanonerana sy fanarenana ary an’ny mpiara-miombon’antoka ny 70%. Tsy misy milaza an’izany na any amin’ny tondrozotra na any amin’ny lalàna” hoy ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, teny Ampefiloha. Tsy manao ny nahimpony amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny  hanomezana na tsia fanonerana fanarenana ry zareo fa tsy maintsy manaraka ny voalazan’ny lalàna. Hisy didim-panjakana ny fanonerana na ny fanomezana onitra hamaritra ny fomba arahina. Hatramin’izao, tsy mbola misy izany didim-panjakana izany. “Mahatsapa izahay  ary nanapa-kevitra fa misy andraikitra tokony hataonay”, hoy izy. Namolavolana mialoha ny volavolana didim-panjakana, natolotra ny governemanta tamin’ny aogositra 2019 izany.Feran’ny lalàna mifehy ny tetibola ny fanonerana Anisan’izany ny   fananganana “Fond nationale de solidarité” (FNS) sy ny “Caisse nationale de réparation et d’indemnisation” (CNRI). Eo koa ny momba ny foto-kevi-dehibe amin’ny fanomezana fanonerana sy fanarenana.Voalaza amin’izany mialoha ny volavolana didim-pitsarana izany fa mandray anjara amin’ny tahirim-pirenen’ny firaisankina ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Feran’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola ny an’ny fanjakana amin’izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy sora-bola ny amin’ny fanonerana sy fanarenana. Tsy anjaran’ny CFM ny manao tetibola na ny lalàna mifehy ny tetibola. Tsy misy ny fanonerana azo atao, raha tsy misy ny didy fampiharana izany.R.Nd. L’article CFM – Krizy 2002-2013: “Tsy mbola misy didim-panjakana ny fanomezana onitra”        a été récupéré chez Newsmada.

«Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville
24/09/2020

Hotanterahina amin’ity alakamisy 24 septambra ity, ao amin’ny kianja Puskas Arena, Budapest, ao Hongrie, ny fiadiana ny «Super coupe de l’UEFA», taranja baolina kitra. Hifandona amin’izany ny Bayern de Munich, tompondakan’i Eoropa, sy ny FC Seville, tompon’ny amboara. Heverin’ny rehetra fa hangotraka ny fihaonana na betsaka aza ireo mihevitra fa mety tsy hahatohitra an-dry Rainiboto ry zareo Espaniola.Raha tsiahivina, indroa ihany ireo ekipa roa ireo no nihaona: ny teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, ny taona 2018. Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny lalao mandroso tany Munich ary lavon’ny Bayern, tamin’ny isa 2 no ho 1, kosa ny Seville, teo amin’ny fihaonana miverina ka nahatafita ny Bayern de Munich.Hanala vela izany amin’ity ny Espaniola, izay heverina fa afaka hanohitra tsara ireto Rainiboto ireto, izay ao anatin’ny tanjany tanteraka ary tsy mbola resy mihitsy tamin’ireo lalao rehetra nataony, nanomboka ny volana desambra 2019 no ho mankaty. TompondakaL’article «Super coupe de l’UEFA»: hifampitana ny Bayern de Munich sy ny FC Seville a été récupéré chez Newsmada.

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina
21/09/2020

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika
24/09/2020

Raikitra ny fitsofana kiririoka nataon’ireo mpiasa antselika sasany ao amin’ny kaominina Toamasina, omaly. Nitaky karama sivy volana tsy voaray izy ireo. Notanisain’ireto mpiasa ireto fa mandrahona handroaka azy ireo mpanofa trano. Eo koa ny fampidirana ny mpianatra sy ny olana samihafa. Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina kosa fa tsy miankina amin’ny mpitantana ankehitriny ny antony mahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa antselika. “Miisa 2 346 ireo mpiasa tamin’ny fidirany teo nanomboka ny janoary 2020 ary andoavana karama hatramin’ny 500 tapitrisa Ar ka mavesatra amin’ny kaominina izany”, hoy izy. Nanteriny fa hany fidiram-bolan’ny kaominina mba matanjaka ny tamberim-bidy amin’ny seranantsambo. Kely kosa izany amin’ny eny anivon’ny tsena sy ny hetra sasany. Maro loatra ny mpiasa nefa koa eo ireo mpiasa matoatoa, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa mbola mandoa ny karama tsy voaloan’ny teo aloha ny mpitantana ankehitriny.Sajo sy Synèse R.L’article Kaominin’ i Toamasina: nitaky karama ireo mpiasa antselika a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea
22/09/2020

Efa eo am-panomanana ny lalao firahalahiana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalon-n’i Borkina Faso, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny federasiona roa tonta, amin’izao fotoana izao. Tsy mantsy manaraka fepetra ny delegasiona roa tonta.Hatreto, tsy misy ny fiovana fa hotanterahina ny asabotsy 10 oktobra 2020 ny lalao fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, hikatrohana amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso. Nohamafisin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy mbola misy ny fiovana fa any amin’ny kianja Lisbonne Portugal, no hanatanterahana io lalaon’ny roa tonta io. Efa eo anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.Anisan’ireny ny fandefasana ny taratasy fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar sy ny fanomanana ny fampivondronana azy 23 mirahalahy, izay efa voalahatra fa atao any Frantsa, manomboka ny 5 oktobra, ho avy izao. Ankoatra izay, tsy maintsy manao fitiliana avokoa ireo mpilalao rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Tsy ny Barea de Madagascar irery no manao izany fa ry zareo Borkinabe, ihany koa.Ao anatin’ny fanajana ny hamehana ara-pahasalamana izany rehetra izany. Anisan’ireny ny tsy maintsy hanajana ny elanelana 1 m ao anatin’ny kianja sy ny fanaovana arovava ho an’ireo mpilalao fiandry, ny mpanazatra, ny dokotera ary ny fanasana tanana amin’ny fanafody voatokana amin’izany. Ankoatra izay, tsy azo jerena ny lalaon’ny roa tonta, amin’ity.Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).Tsiahivina fa raha tsy misy ny fiovana, hatao any Abidjan, ny 9 novambra ho avy izao, ny lalao mandroso ary eto Madagasikara, any amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny 17 novambra, ny fihaonana miverina. TompondakaL’article Kitra – lalao firahalahiana: tsy maintsy manao fitiliana ireo mpilalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka
23/09/2020

Nohon’ny fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana dia nahitana fihenana ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany dia nakatona tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Septambra 2020 ny ivon-toerana fandraisana ireo mararin’ny coronavirus (Centre de Traitement Covid-19) ao Mahamasina, izay ivon-toerana farany nandray ireo marary.  Ireo hopitaly lehibe arak’izany no mandray an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Azo lazaina fa mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy eto Madagasikara izao fanakatonana ity ivon-toerana ity izao noho ny fahavitsian’ireo mbola mila fitsaboana.  Araka ny nambaran’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis dia ny fanakatonana ity ivon-toerana ity tsy midika akory hoe tapitra ny ady fa mbola mila manaraka ireo fepetra rehetra mba hitazomana izany vokatra tsara izany. Manomboka izao dia ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no handray an-tànana izay mahakasika ity valanaretina ity ary nanamafy ireo tomponandraikitra fa hanohy ny ady sy hametraka ny paikady mahomby rehetra amin’ny fifehezana ity valanaretina ity ary ahafahantsika mandresy ny coronavirus. L’article Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero
21/09/2020

Samy resy avokoa ny Linfield FC, misy an’i Hery sy ny CS Fola Esch, ilalaovan’i Ouassiero, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Europa league», taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo. Raha tsiahivina, resin’ny Floriana FC avy any Malte, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 tao amin’ny kianja filalaovany ao Windsor Park de Belfast ry Hery Bastien. Baolina tokana matin’i Matias Nicolas Garcia, teo amin’ny minitra faha-10.Henjankenjana ny fifandonana ka niraradraraka ny karatra mavo, na ho an’ny an-daniny na ho an’ny an-kilany. Niafara mihitsy tamin’ny karatra mena azon’i Ross Larkin, mpilalaon’ny Linfield, izany, minitra faha-74. Ankoatra izay, nesorina i Hery, minitra faha-78 noho ny havizanana.Tamin’ny isa tery, 4 no ho 3 kosa ny niondrehan’ny CS Fola Esch nanoloana ny FC Ararat avy any Armenia. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianja FFA Academy Stadium. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nivoaka ho mpandresy ny Armenianina, rehefa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’i Ouassiero hatreo amin’ny 90 mn. Voasahala izany, tany amin’ny fanampim-potoana (90 + 1 mn) sy (90 + 4 mn). Teo amin’ny minitra faha-113 tamin’ny fanalavam-potoana ny baolina fahefatra naharesy ny CS Fola Esch. Nilalao 10 ihany koa ry zalahy, teo amin’ny faha-90 mn, rehefa nahazo karatra mena i Diogo Miguel Zambujo Pimentel. TompondakaL’article Kitra – «Europa league»: nihintsana ny ekipan’i Hery sy i Ouassiero a été récupéré chez Newsmada.

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie
24/09/2020

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Ambovombe – BEPC: « Tsy marina ny valopy misy laza adina efa nisokatra »
25/09/2020

Nandiso ny vaovao niely ary nanamafy ny nambaran’ny eo anivon’ny minisitera ireo any ifotony. « Tsy nisy velively ny valopy misy laza adina efa misokatra, mialoha ny fanadinana BEPC. Nisy kosa anefa ny hosoka nataon’ny mpiadina iray », hoy ny sefo Cisco any Ambovombe Androy, Rabesalimanana Nicolas, omaly. Nanamafy izany ny lehiben’ny foibem-panadinana any an-toerana, i Tolojanahary Davidson. Nambarany fa nisokatra kely, tsy antonona rantsan-tanana iray ilay valopy misy ny laza adina tantara sy jeografia. « Niaraha-nanapaka sy nifanotronan’ny tompon’andrakitra teo fa hosokafana tanteraka izany ahitana ny marina. Ampy, tsy nisy nanombinana ny tao anatiny. Mety tsy voahidy tsara na nisy ampahan’ny valopy tsy nisy lakaoly », hoy izy. Nifanindry tamin’izany koa anefa ny hosoka « fraude » nataon’ny mpiadina iray, nitondra telefaonina an-tsokosoko ary nanafina izany, niatrika ny fanadinana. Sarona izy io fa nifandefa « message » amin’ny olona any ivelany manontany ny valin’ny fanontaniana amin’ny laza adina. « Efa noraisina ny fepetra momba izany », hoy izy.Tsiahivina fa nanamafy ny tsy maha marina io vaovao io ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Synèse R. L’article Cisco Ambovombe – BEPC: « Tsy marina ny valopy misy laza adina efa nisokatra » a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo
25/09/2020

Nifarimbona nanadio tatatra ireo RF2 avy amin’ny fokontany maro, nanomboka omaly. Nanala ny fako mitoby anaty lakandrano manentsina ny fikorianan’ny rano izy ireo hitsinjovana sahady ny fahavaratra.  Mahazo tombony amin’izao ireo fokontany folo eto Antananarivo, Ankasina, Andavamamba, AnjezikaI, Tetezana Afovoany I, 67Ha Atsimo, Antohomadinika, Andavamamba Ambilanibe, Anosibe, Ivolaniray, Manajary ary Ambohidahy. Amin’ny alalan’ny Himo, andiany faharoa no hanatanterahana izany. Olona 20 isaky ny fokontany no mahazo asa amin’ny alalan’ity fanadiovana tatatra ity. Mahazo 5000 Ar isan’andro avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Nisy ihany koa ny fizarana arovava sy savony ho an’ireo RF2 ireo. Mila fanaraha-maso akaiky ny tandrevaka ataon’ny mponina eny amin’ireo toerana andalovan’ny lakandrano. Misy ireo manary fako sy poti-kanina any an-tatatra ka manentsina ny fikorianan’ny rano ary miteraka fiakaran’ny rano mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra.Tatiana AL’article Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo a été récupéré chez Newsmada.