RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo

News - RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo

News - RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo

 

Noraisim-potsiny! Tratra ireo
jiolahy roa mpangalatra bizo mipetaka amin’ny lalam-pirenena 32
mihazo an’i Mandritsara. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary
ny alin’ny 10 oktobra misasakalina no nahasamborana ireto jiolahy
ireto teny amin’ny RN 32 PK 145+200. Taorian’ny fanentanana
nataon’ny zandary manamoroana iny lalam-pirenena iny no nanaitra ny
andrimasom-pokonolona ao Antanankely, fokontany Andampihelo, ka
nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto. Nandositra avy hatrany
ry zalahy raha vantany vao nahatazana ireo fokonolona. Tavela kosa
ny bizo miisa dimy niaraka amin’ny sarety saika hitondrana azy
ireo. Tratra ny roa amin’ireo olon-dratsy taorian’ny fikarohana
nataon’ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Besakana sy ny polisy
misahana ny fandikan-dalàna. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy
taorian’ny famotorana nataon’ny zandary ka nanambaran’izy ireo
tamin’izany ny namany roa mpiray tsikombakomba amin’izao asa ratsy
izao. Nanamafy ny zandary fa efa maro ny fanentanana natao mikasika
ny famongorana ity raharaha halatra bizo amin’ny lalam-pirenena any
avaratra ity fa mbola misy ihany ireo minia mandika izany ka tsy
maintsy ampiharina ny sazy ho an’ireo manapotika fotodrafitrasa sy
fananana iombonana toy izao.

Jean Claude

Article tiré de Newsmada

L’article RN 32 mihazo an’i Mandritsara: voasambotry ny zandary ireo jiolahy mpangalatra bizo a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 27/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Taratry ny kanto

“The Week End Festival” Hosokafana anio ilay hetsika anisan’ny goavana indrindra amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanokatra ny “The Week-End Festival” ireo tarika mpiangaly ny rock, zokiny sy zandriny. Hifandimby etsy amin’ny sehatry ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ry Kiaka, Jeneraly, Amboara, Iniah, Mage 4, sns. Hitohy amin’ny fampisehoana fahaiza-manaon’ireo mpikosoka kapila sy ireo mpiangaly ny “show laser” izany. SARY: MAGE 4.JPGMahery sy Inah“Mozika tsy manam-petra”, hoy ny filazan’ny afisy misy ny dokam-barotra. Fampiarahana talenta hataon’i Mahery sy Inah ny marimarina kokoa, ao amin’ny Trass Tsiadana, anio alina. Hamerina ireo hira mitety vanim-potoana ireto mpanakanto ireto, mandritra izany. Mazava loatra fa fiarahana hanjakan’ny fampiaraham-peo io, izay misy tsy ampoizina hatrany raha zohina tamin’ireo efa nisy teo aloha.Tselonina sy PapayFiarahana hafakely indray! Hiaraka an-tsehatra eny amin’ny KMH (Samara taloha), eny Ankadindramamy Ingahibe Tselonina sy i Papay ao amin’ny tarika Iraimbilanja, anio alina. Samy manana ny hanitra ho azy, kanefa mahay mampiaraka talenta tsara izy mirahalahy ireto. Fantatra fa saika Ifanihy no vahin’ny toerana, saingy tsy afaka tampoka noho ny antony ara-pahasalamana izy. Nangonin’i Zo ny Aina L’article Taratry ny kanto a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanitsiana ny teti-pivoaran’ny fanabeazana :: Mirona mankany amin’ny famerenana ny tetiandron’ny taom-pianarana teo aloha

Dia mianoatra. Tsy nampitovy hevitra teo amin’ny sokajin’olona maro, na ray aman-drenin’ny mpianatra, na mpa mpianatra, na sekoly samihafa ny mikasika ny tetiandro vaovao voafaritra ao anatin’ilay antontan-kevitra mirakitra ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE). Mirona mankany amin’ny famerenana ny tetiandron’ny taom-pianarana teo aloha indray, noho izany, ny fidi- rana sy ny fiafaran’ny taom-pianarana 2019-2020. Fantatra fa hanomboka amin’ny faran’ny volana oktobra 2019 ary hiafara amin’ny volana jolay 2020 ny taom-pampianarana vaovao manaraka eo. Nambaran’ ny loharanom-baovao iray akaiky an’ity raharaha momba ny fanitsiana ny PSE ity fa nozaraina telovolana intelo ihany ny tetiandron’ny taom- pianarana vaovao. Na izany aza, fantatra fa noho ireo tetiandro maromaro efa nampiasaina teo aloha teo dia tsy natao tampoka na henjana ny fanovàna fa efa nisy fifam-pidinihana natao mialoha. « …Feon’ny fiarahamonina… » “ Efa nisy ny tetiandro teo aloha, izay nampihatra ny telovolana intelo anatin’ny taona iray. Anisan’ny tetiandro hafa efa nampiharina ihany koa ny fizarana ny taona iray ho roa volana indimy sy ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana na ny PSE. Na izany aza, fanekena ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina no antony nanovana ny tetiandro”, hoy itsy loharanom-baovao itsy. Amin’ ity herinandro ity no voalaza fa ho fantatra ny antsipiriany rehetra mikasika an’izany ho firafitry ny taom- pianarana vaovao izany, mia raka amin’ny datin’ny fana dinam-panjakana rehetra. Marihina fa mbola ao ana tin’ny taom-pianarana 2018 -2019 isika izao. Maro amin’ireo sekoly no tsy mbola nahavita ny fanadinana famaranana. Amin’ny volana aogositra no hifarana ny taom-pianarana ho an’ireo sekoly fanabeazana fototra. Ny volana septambra kosa ho an’ireo kolejy sy lisea. Ho fohy kokoa, araka izany, ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe amin’ity taona ity. Misy manakiana kosa ny fironan’ny adihevitra amin’ny tetiandron’ny taom- pianarana fotsiny, fa tsy mandalina bebe kokoa amin’ny voatoatin’ilay Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana. L’article Fanitsiana ny teti-pivoaran’ny fanabeazana :: Mirona mankany amin’ny famerenana ny tetiandron’ny taom-pianarana teo aloha est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mba hitondra fivoarana!

Saika ahitana fanamboaran-dalana avokoa amin’izao fotoana izao, manerana an’Antananarivo, fanamboarana hisorohana zavatra maro, toy ny fitohanan’ny fiarakodia sy ny lozam-pifamoivoizana isan-karazany. Manana tanjona ny hampivoatra sy hampandroso ny fitondrana matoa manao izany ezaka izany, antenaina fa tena ho fivoarana marina tokoa fa tsy vao mainka hampitombo ny olana andavanandron’ny Malagasy. Fiainana isan’andro ary efa tsy mahataitra ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-dRenivohitra, indrindra ao anatin’izao fotoan’ny fanamboaran-dalana etsy sy eroa izao, fanamboarana hamahana io olana lavareny iainana io.Etsy ankilany, mitombo isan’andro ihany koa ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny faharatsian’ny lalana sy ny fisetrasetran’ireo mpitondra moto. Hisorohana izany rehetra izany io fanamboaran-dalana io. Tokony hisy, araka izany, ny fahaizana milefitra ho an’ny mpampiasa ireny lalana hahitana fanamboarana ireny satria hitondra fivoarana ny anton’izany fa tsy inona tsy akory!Tranga iray hita amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ihany koa amin’izao ny mahakasika ny fitaterana amin’ny sarety sy posy eto an-dRenivohitra. Mifampiankina betsaka amin’io fanamboaran-dalana io ihany koa izany satria toa vao mainka mampitombo ilay fitohanan’ny fiara. Efa notaterina teto, miverina mahazo laka indray ny fitaterana amin’ny sarety sy posy eto an-dRenivohitra. Tsy ilay asa akory sanatria no ratsy fa ny fidiran’izy ireny amin’ny ora voaràra no nahatonga resabe, indrindra ho an’ireo mpampiasa ny arabe eto an-dRenivohitra, izay saika mimenomenona amin’ny afitsony. Efa nisy anefa ny lalàna napetraka izay tsy voahaja hatrany. Hita ary tsapa hatrany fa mandalo fotsiny ihany ny fametrahana lalàna eto amintsika, ary saika hita taratra amin’ny sehatra rehetra mihitsy izany tsy fanarahan-dalàna izany. Matoa anefa apetraka ny lalàna, mba hitondra fampivoarana sy tsy hahatonga ny gaboraraka ka samy hanao izay saim-pantany ny rehetra. Mila manova toe-tsaina raha te hivoatra ary tokony hotohanan’ny vahoaka ny ezaky ny fitondrana hita fa hitondra fivoarana! Mi.RazL’article Mba hitondra fivoarana! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanondranana antsokosoko harem-pirenena: kivy amin’ireo tsimatimanota mbola miriaria ny AVG

Naneho hakiviana. « Maro loatra ny tsimatimanota eo amin’ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny fandripahana ala na koa ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena. Nahitana kolikoly izany nefa tsy nampiharina ny lalàna », hoy ny eo anivon’ny Alliance voahary gasy (AVG), Razakarimanana Ndranto, tetsy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo. Nanao  tatitra ny asa vitany ny eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) tamin’io fotoana io ary nanaovana famelabelaran-kevitra ihany koa. Nivoitra tamin’izany fa efa an-dalan’ny fanadihadiana ireo raharaha 62 miompana amin’ny fanenjehana heloka bevava ho an’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fanondranana antsokosoko andramena ary ny harena sarobidy samihafa.Mpandraharaha, i Bekasy JohnfrinceAnisan’izany ny momba ilay mpandraharaha, i Bekasy Johnfrince. « Mitohy ny fanadihadiana sy ny fanangonana porofo manoloana ny fiahiahiana fanondranana antsokosoko andramena. Kasaina hampiakarina fitsarana mialoha ny faran’ny taona ny raharaha », hoy ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny Pac, sampana andramena, i Mahonjo Berthin. Nanamafy izany ny mpandrindra nasionaly eo anivon’ity rantsam-pitsarana ity, Ratiarisoa Harimahefa, fa efa manao ny ezaka rehetra izy ireo hanafainganana ny asa. « Hanomboka ny 20 aogositra izao  ka hatrany amin’ny faran’ny taona izany », hoy izy.Hiakatra fitsarana Razaimamonjy Claudine Anisan’ny hiakatra fitsarana tsy ho ela koa ilay mpandraharaha, Razaimamonjy Claudine, ary koa ny raharaha hafa mbola maha voasaringotra an-dRajaonah Mbola.Na izany aza anefa, misedra olana ihany ny Pac noho ny tsy mbola fisian’ny rantsa-mangaikan’ity fitsarana ity any amin’ny faritra. Anisan’ny anton’izany ny tetibola hoenti-miasa ka mampitarazoka ny fanadihadiana sy ny fampiakarana fitsarana ireny raharaha ireny.Araka izany, andrasana ny ho tohin’ireo raharaha ireo sy ny  mety mbola  ho voasaringotra ao anatin’izany.Synèse R.  L’article Fanondranana antsokosoko harem-pirenena: kivy amin’ireo tsimatimanota mbola miriaria ny AVG a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra »

Notontosaina, omaly ny famoahana ny andiany “Fenitra” tao amin’ny sekolin’ ny Polisim-pirenena manofana ho “Agents” sy “Inspecteurs de police” (Eniap) any Antsirabe. Miisa 1098 ireto Polisy vaovao ireto ka 100 ny Inspecteurs de Police (miisa 08 ny vehivavy) raha 999 kosa ny “Agents de Police”(miisa 94 ny vehivavy). Nitondra hafatra ho an’ireto andiany “Fenitra” ireto ny Minisitry ny filaminam-bahoaka ny Controleur Général de Police Rafanomezantsoa Roger ary nilaza fa : “Ny galona izay napetraka teny an-tsorokareo androany (omaly io), dia tadidio tsara fa laharamboninahitra sandain’andraikitra avy amin’ny firenena malagasy. Aza viraviraina toa voro-damba fa vidio haja, vidio voninahitra, na amin’ny fihetsika, na amin’ny fiteny ary indrindra amin’ny fomba fiasa, ho reharehan’ny mpiray tanindrazana. Aza avela hiraviravy tanana eo anoloan’ny horohoro ny vahoaka .Aleo hafindra any amin’ny tontakely ny tahotra, efa ela niandrasana izany ny Malagasy”.Ankoatra ny famoahana ny andiany “Fenitra” dia nisy ihany koa ny fanatanterahana ny fandraisam-pibaikoana teo amin’ireo talem-paritra vaovao. Jean ClaudeL’article Eniap: nivoaka ny andiany « Fenitra » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana… mana(n)tona vahoaka       

Efa hifarana izao ny ady mivantana amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 amin’izao? Na ahoana na ahoana, tsy misy toy ny mitandrina ihany. Heverina ho toy eny ho eny ihany ny tsimokaretina coronavirus. Fijerena lavitra amin’ny fiarovan-tena izany, fitandroana fahasalamana…Inona ny ho fampandrosoana eo raha farofy sy tsy matoky tena amin’izay ataony ny tsirairay noho ny fanahiana aretina, ohatra? Mila miatrika ny fampandrosoana amin’izay izao. Mby aiza? Farafaharatsiny fihatsaran’izay ahazoana miatrika ny asa sy ny famokarana andavanandro ahay.Maika sy lohalaharana hatrany ny fandriampahalemana. Tany tsy ilaozan’adala na olon-dratsy. Saingy misy faritra tena anjakazakan’ny asan-jiolahy. Lavitra fanjakana? Na mpitandro filaminana, na mila fahatokisana fitsarana… Misy ny ezaka, saingy be lavitra hatrany ny mila hatao.Mba tsy hisy intsony ny tany lavitra fanjakana, na mitaraina tsy misy mihaino na mijery… Fanjakana manakaiky vahoaka, fampandrosoana manatona vahoaka… Hatramin’izao, mbola misy tsy mahafa-bela fa tavela ny tarazo ela teo aloha? Na fampandrosoana manantona fa tsy manatona vahoaka.Tsy inona izay fampandrosoana manantona vahoaka izay fa mampikirazorazo azy miandry izay ataon’ny mpitondra noho ny tsy fandriampahalemana tsy ahafahany manoatra, ohatra, na tsy fampandraisana andraikitra amin’izay azony atao sy vitany, na tsy fakana ny heviny amin’izay mahasoa azy…Mihantona ho azy koa ny hoe fampandrosoana amin’izany, tsy mety tafapaka any ifotony na manatona azy toy inona aza: tsy andraisany anjara, tsy mamparisika azy, mety tsy tsapany sy fantany aza… Hafa ny fampandrosoana manatona na manakaiky vahoaka: avy aminy, misy ataony, miantefa aminy.Tsy nahitan-javatra amin’ny fifandraisana mivantana sy akaiky amin’ny vahoaka amin’izay mahazo azy sy ny hetahetany ve ny ady tamin’ny valanaretina covid-19 teo? Fandresana iray izay raha hay ampiasaina hiatrehana ny fampandrosoana, fa manana ny hasiny sy toerany amin’izany ny vahoaka ifotony.Rafaly Nd.L’article Fampandrosoana… mana(n)tona vahoaka        a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

M’Foot Fokontany: fahombiazana ny an’ny Alefa Barea sy ny RTA

Tanteraka ny fampanantenan’ny Alefa Barea sy ny RTA ny amin’ny fanomanana ny ho avin’ny tanora eo amin’ny baolina kitra. Hiditra amin’ny dinga manasa-dalana ny M’Foot Fokontany, rahampitso eny Andralanitra (kianja synthétique), misy an’ny Mompera Pedro ; ny alahady ny famaranana eny an-toerana ihany. « Sady fanabeazana no fitiliana ireo ankizy manan-talenta ny tanjona amin’ity M’Foot Fokontany ity”, araka ny nambaran’ny filohan’ny Alefa Barea, Ramisamanana Lova. Eo amin’izay fitiliana talenta izay indrindra ny niantsoan’ny mpikarakara matihanina roa lahy, i Herman de Souza, avy ao amin’ny Fifa sy  i Nicolas Santucci, mpanazatra any Frantsa ary mpanoro hevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.« Hijery sy hifantina  izy roa lahy, hampiakarana azy ireo any amin’ny dingana ambony kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho reharehan’ny Malagasy. Hojeren’izy ireo ny 18 – 22 taona, fa araraotina koa ny hitilian’izy ireo sahady ny M’Foot Fokontany latsaky ny 15 taona », hoy ihany Ramisamanana Lova.Ny amin’ny lalao manasa-dalana, ny CFTFC Anatihazo hifanehatra amin’ny Ouest Mananjara ; Voafantina Fiadanana hifanenjana amin’ny Voafantina Androhibe. Ny orinasa Sanifer, anisan’ny mpanohana miaraka amin’ny Total, hanamboatra fotodrafitrasa mitentina 11 tapitrisa ariary any amin’izay fokontany mandresy ; ny Airtel indray hanolotra finday isaky ny mpilalao sy fahana mandritra ny enim-bolana. Mpiara-miombon’antoka : Aro, Big, Tamboho, Cinepax, Supermaki, Jumbo, Kudeta, Air Madagascar, BOA.  Halefa mivantana amin’ny RTA ny lalao manasa-dalana sy famaranana. R.MathieuL’article M’Foot Fokontany: fahombiazana ny an’ny Alefa Barea sy ny RTA a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947”

Efa nitety an’i Eoropa ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny aty Afrika. Ilay horonantsary fanadihadiana, “Fahavalo, Madagascar 1947”, notontosain’i Marie-Clémence Andriamonta Paès, no tian-kambara eto. Anisan’ireo nofantenana ka hiatrika fifaninanana, mandritra ny “Festival Ecrans noirs” andiany faha-23, any Kamerona, ity horonantsary ity. Anio tolakandro no handefasana azy, any amin’ny Institut français any Yaounde.Aorian’io, anisan’ireo notsongaina halefa mandritra ny “Festival Cinémas d’Afrique”, any Lausanne ihany koa ity horonantsary fanadihadiana ity ka ny 22 sy ny 24 aogositra ny handefasana azy, ao amin’ny Cinémathèque Suisse. Mbola anisan’ireo voafidy hiatrika fifaninanana ihany koa ny “Fahavalo, Madagascar 1947”, mandritra ny “Festival international du film insulaire”, any Groix. Hamaranany ny diany, amin’io volana aogositra io, ny any amin’ny “Festival Africlap” any Toulouse.Horonantsary ahitana fijoroana vavolombelon’ireo akanga sisa nanamborana, tamin’ny ady tamin’ny mpanjanaka, ny “Fahavalo, Madagscar 1947”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Raha tsiahivina, mandravaka ity horonantsary ity ny feon-kira notendren’i Régis Gizavo, mpanakanto malagasy fanta-daza maneran-tany. Mbola vao ny lasitr’ireo feon-kira ampiarahina amin’ity horonantsary ity no vitany, nodimandry izy, roa taona lasa izay. Na izany aza, tsy najanona fa izay efa vitany no nampidirina tao amin’ny horonantsary ka vao mainka mitondra fihetseham-po hafa mihitsy.Landy R.L’article Sarimihetsika: hitety “festivals” maro ny “Fahavalo, Madagascar 1947” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra  – «Chan 2020» – Resin’ny Mambas 3-2: tafakatra amin’ny dingana manaraka ny Barean’i Madagasikara

Manohy ny lalany ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Chan 2020”. Tafakatra ihany ny Barea, na resin’i Mozambika aza.Lavon’i Mozambika, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Barean’i Madagasikara nandritra ny fihaonana miverina, notanterahina omaly, tao Maputo, eo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Lalao natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Ampy niakaran’ny Barean’i Madagasikara io isa io satria efa nanantombo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Malagasy nandritra ny fihaonana mandroso, herinandro lasa teto Madagasikara.Nampitaintaina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fihaonana satria efa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ny Mozambikanina, vao nanenjika ny Barea. Voatery nanova paikady i Francklin sy i Dama, mpanazatra, ka nampiditra an’i Arnaud sy i Lalaina. Nahitam-bokany izany satria samy nahatafiditra baolina avokoa izy mirahalahy ireo. Nampikobana ny baolina voalohany i Arnaud, teo amin’ny minitra faha-51, taorian’ny daka nataon’i Toby, votsotra teny am-pelatanan’i Victor, mpiandry tsatoby mozambikanina, narahin’i Arnaud.Nanindry ny Mozambikanina Tsy nijanona teo fa mbola nanohy nanafika hatrany ny Malagasy, niainga tao amin-dry Baggio sy ry Tsito. Tsy naharaka ny hazakazaka nataon’ny Barea intsony koa ny Mozambikanina. Minitra faha-56, nanao tolotra lava ho an’i Lalaina i Theodin, nanakobana fanindroany ny tsatobin’i Victor. Nanindry avy eo ny Mozambikanina, saingy efa tsara hidy ny fiarovantenan’ny Barea. Hidona amin’izay maharesy amin’i Namibia sy i Kaomoro ny Barea eo amin’ny dingana farany. Lalao hotanterahina ny volana septambra ho avy izao. Tompondaka L’article Kitra  – «Chan 2020» – Resin’ny Mambas 3-2: tafakatra amin’ny dingana manaraka ny Barean’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette

Iray amin’ireo hetsika hanamarihan’ny tropy Jeannette ny faha-90 taony ny filalaovana ilay tantara « Ny Voromailala » nosoratan’i Rosa Beby ravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo, ny 9 aogositra izao. Tovovavy teren’ny rainy hanambady ny tsy safidiny… Ho tanteraka ve ny mariazy? Handresy ve ny fitiavan’ilay tovovavy ny olon-tiany ka haharesy lahatra an-drainy izy? Ny fijerena io tantara io no hamantarana izay hiseho marina sy ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha ny fanazavan’i Mbato Ravaloson tale artistikan’ny tropy Jeannette sady handrindra an-tsehatra rahateo ny filalaovana ny « Ny Voromailala ».Raha tsiahivina, andiany fahatelo B, ankehitriny ity tropy teatraly manana ny maha izy azy ity.HaRy RazafindrakotoL’article Teatra: hanamarika ny 90 taony ny tropy Jeannette a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Kitra – Can 2022: efa tafakatra i Alzeria sy i Sénégal ary i Tonizia…
19/11/2020

Anisan’ireo efa tsara toerana. Nifarana tamin’ity herinandro ity ny andro faha-14 eo amin’ny fifanintsanan’ny “Can 2022”. Maromaro ireo efa tafakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany.Eo ny ekipa mpampiantrano ny “Can 2022”, i Kameronina, manana isa 10 ao amin’ny sokajy F. Misongadina amin’izany koa i Sénégal ao amin’ny sokajy I. Manana isa 12 tamin’ny lalao efatra efa vita. Tahaka izany koa, efa tafita ny Alzerianina sy i Mali ary i Tonizia. Samy manana isa 10 avy izy ireo. Hatreto izany, ekipa dimy ireo efa nahazo tapakila ho any Kameronina. Efa tsy lavitra amin’izany koa anefa ny Kaomorianina ao amin’ny sokajy G. Samy lohany, manana isa valo, izy ireo sy i Egypta. Voatanan’i Kaomoro sahala, samy tsy nisy nitoko, ny Faraona tamin’izao andro fahefatra izao. Nandresy an’i Togo 1 no ho 0 ary mbola nandavo an’i Kenya 2 no ho 1 ity Nosy rahavavy ity. Na izany, mbola hanao lalao miverina amin’ny Egyptianina sy i Togo, efa anisan’ireo raraka, ny Kaomorianina amin’ireo andro roa farany ny volana marsa izao.Mety hisolo tena ny ranomasimbe Indianina ny Barea sy i KaomoroMila mitady fandresena iray izy ireo raha te hananika ny tendron’i Afrika ka hanara-dia ny Barea amin’ny “Can 2022” hatao any Kameronina. Mety ho ekipa roa izany no hisolo tena ny ranomasimbe Indianina amin’ity indray mandeha ity.Etsy andaniny, anisan’ireo efa any Kameronina koa ny ila tongotry ny Kintana maintin’i Ghana sy i Afrika Atsimo. Samy manana isa sivy avy ao amin’ny sokajy C raha manana isa 10 kosa i Maraoka ao amin’ny sokajy E. Ny Voromaherin’i Nizeria kosa, manana isa valo ao amin’ny sokajy L ary tahaka izany koa i Borkina Faso, sokajy B.Tsiahivina fa hotanterahina ny 21 hatramin’ny 29 marsa ny andro fahadimy sy fahenina farany, ahitana ireo hahazo tanteraka ny tapakila handehanana any Kameronina. Ho fantatra eo ireo ekipa roa isaky ny sokajy hiakatra amin’izany dingan’ny famaranana izany. Anisan’izany ny Barea, mbola manana lalao roa, hifandonana amin’i Niger sy i Etiopia.Synèse R. L’article Kitra – Can 2022: efa tafakatra i Alzeria sy i Sénégal ary i Tonizia… a été récupéré chez Newsmada.

Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs
23/11/2020

Lors du lancement du challenge Airtel Mandresy. Pour la 7e année consécutive, Airtel Madagascar organise un challenge Airtel Mandresy. Il s’agit notamment d’un concours de performance dédié à ses revendeurs de carte SIM éparpillés dans tout Madagascar et qui sera valable à compter du 20 novembre 2020 jusqu’au 31 janvier 2021. L’objectif consiste à valoriser les forces de vente afin de rehausser les réalisations de chacun des partenaires dans le cadre de la commercialisation des cartes SIM. En effet, « chez Airtel, nous croyons à la force du potentiel. Etant une société dynamique, nous encourageons fortement l’épanouissement et le développement des personnes ayant l’ambition de grandir et de réussir aux côtés d’une entreprise qui sait reconnaître et récompenser la performance. Ainsi, toute personne désireuse de contribuer à la vulgarisation des services télécom est invitée à nous rejoindre dans notre merveilleuse mission de connecter toute la population malgache », a déclaré Eddy Kapuku, le directeur général d’Airtel Madagascar. Reconnaissance. Dans le cadre de ce concours, les partenaires commerciaux sont incités à maximiser leurs ventes durant la période de challenge. Ils seront ensuite classés en trois catégories suivant leurs réalisations, et ce, avec des objectifs de vente définis », a expliqué Heritiana Randrianarison, directeur des ventes au sein d’Airtel Madagascar. De nombreux lots seront distribués par tirage au sort aux revendeurs les plus performants. On peut citer, entre autres, une voiture neuve Renault KWID au meilleur revendeur, des motos, des télévisions Smart 40’’ et des smartphones Redmi. « L’organisation de ce challenge est pour nous un témoignage de reconnaissance envers nos distributeurs et revendeurs des SIM qui sont à la fois, des membres à part entière de la grande famille Airtel, et également des traits-d’union entre Airtel et les consommateurs dans tout le pays », a conclu le directeur général d’Airtel Madagascar. Navalona R. L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Airtel Madagascar : Lancement d’un concours de performance dédié à ses revendeurs a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ambilobe : Altercation entre le député et le SG de la Commune
18/11/2020

Le député en train de faire une savate contre le SG de la Commune. Les locaux de la Commune Urbaine ont été hier le théâtre d’une dispute entre le député élu dans le district et le secrétaire général de ladite commune qui ont fait le buzz sur les réseaux sociaux. Les deux hommes en sont venus aux mains, quoique le premier se soit aussi servi de ses pieds contre le second. Un membre des forces de l’ordre a tenté vainement de s’interposer entre les deux belligérants qui appartiennent pourtant au même camp politique. Le député est issu de l’IRD comme le témoigne la couleur de son pantalon et le SG est le bras droit du maire élu sur étiquette IRK. Orange. L’expulsion temporaire des marchands longeant le marché d’Ambilobe, pour cause de travaux de curage du canal d’irrigation menés par la Commune, est à l’origine de la bagarre entre les deux « Orange ». Des marchands se sont rués à la permanence du « Solombavambahoaka » pour manifester leur mécontentement par rapport à leur expulsion. Des transporteurs dont le lieu de stationnement a été également déplacé par la Commune, se sont joints aux manifestants. Conflits de compétence. La réunion d’urgence de l’Organisme Mixte de Conception (OMC) au niveau du District n’a pas réussi à désamorcer la situation ayant abouti à l’explication musclée entre le député et le SG qui dénote des rivalités récurrentes ou des conflits de compétence entre  « Olomboafidy » et « Olomboatendry ». Fussent-ils issus de la même plateforme politique et de la même localité comme c’est le cas du député Bruno Assimo et du SG Mokra qui se sont battus hier. Leur bagarre postée en « live » sur les réseaux sociaux ne s’est toutefois pas généralisée à l’ensemble du District d’Ambilobe où la population a gardé son calme. Qui plus est, des éléments des forces de l’ordre étaient prêts à intervenir à tout moment pour préserver l’ordre public. Trafic d’influence. Le député élu dans le district d’Ambilobe n’est pas le seul à faire parler de lui ces derniers temps. Un autre membre de la Chambre basse faisant partie du groupe parlementaire IRD s’est également distingué en tentant de soustraire un « Karana » aux opérations de fouille à l’aéroport de Fascene. Suspectant des velléités de trafic, les autorités aéroportuaires ont refusé d’obtempérer aux injonctions de ce député qui n’a d’ailleurs pas été élu dans le district de Nosy Be. L’immunité parlementaire invoquée par Tsimbazaza est indéfendable pour ce député pris en flagrant délit de tentative de trafic d’influence. R. O L’article Ambilobe : Altercation entre le député et le SG de la Commune est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ambilobe : Altercation entre le député et le SG de la Commune a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra vehivavy- Teratany malagasy : miketrika ny hitsara ny “Mondial 2023” i Lidwine
20/11/2020

Anisan’ireo mpitsara baolina kitra vehivavy malagasy, hiady toerana amin’ny “Mondial 2023”, Rakotozafinoro Pélagie Lidwine. Tafiditra ao anatin’ireo 19 “présélectionnées” eto Afrika, ny tenany. Tsiahivina fa ny volana jolay 2023 ny hanaovana io fihaonana an-tampony amin’ny baolina kitra vehivavy io ka firenena roa no hampiantrano izany dia i Aostralia sy i Nouvelle-Zelande.Ao anatin’ireo mpitsara mpanampy i Lidwine, amin’ity. Tsy vaovao amin’io sehatra io izy fa efa maro ireo lalao iraisam-pirenena notsarainy, toy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy zandriny lehilahy, ny lalao afrikanina sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany. Manana ny traikefa sy ny fahaiza-manao amin’izany izy ary mahafehy tsara izany lalao izany.Marihina fa 8 ireo mpitsara afovoany ary 11 ireo mpitsara mpanampy, hanaovana ny fifantenana farany, izay mendrika ho any amin’io fiadiana ny ho tompondaka eran-tany io. Mahatratra 156 ireo mpitsara baolina kitra vehivavy maneran-tany hifanandrina hiady toerana hitantana io “Mondial 2023”, sokajy vehivavy io. Tompondaka L’article Kitra vehivavy- Teratany malagasy : miketrika ny hitsara ny “Mondial 2023” i Lidwine a été récupéré chez Newsmada.

Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées
19/11/2020

Même les enfants sont venus se faire dépister du diabète, comme cette fillette de 12 ans. Les diabétiques qui s’ignorent sont, hélas, la réalité du terrain, aussi bien dans les structures sanitaires que dans le cadre des dépistages de proximité. Samedi dernier encore, dans le cadre de la journée mondiale du diabète (14 novembre), le Lions Club Antananarivo Ilohasina en a fait le constat dans le cadre de son action en faveur de la population d’Imerintsiatosika où une séance de dépistage gratuit a été proposée. En effet, sur 75 personnes dépistées lors de cette journée, 8 cas de diabète ont été découverts, soit 6% de l’ensemble des personnes dépistées. Parmi ces cas de diabète figure une personne avec un taux de glycémie à jeun atteignant 18g/l. Soit plus de 25 fois le taux normal de sucre dans le sang, à jeun, lequel doit être compris entre 0,7g/litre et 1g/litre de sang. Complications invalidantes. Ce constat des diabétiques qui s’ignorent, constitue un véritable danger pour la santé des personnes concernées, au regard des complications qui pourraient survenir en l’absence d’une prise en charge adéquate de leur diabète. Raison pour laquelle les sensibilisations se multiplient à l’endroit du public sur la nécessité de contrôler régulièrement le taux de glycémie afin de prendre en charge le plus tôt possible les éventuels cas de diabète et éviter ainsi les complications, souvent invalidantes telles la cécité et les amputations. Pour ce qui est des cas de diabète dépistés lors de la séance d’Imerintsiatosika, ils ont été aussitôt orientés vers le CSB II sur place pour être pris en charge. C’est alors dans cette optique d’assurer le suivi des patients que le LCA Ilohasina a remis deux testeurs de glycémie au CSB II d’Imerintsiatosika et au Centre hospitalier d’Arivonimamo. Dons scolaires aux enfants. Cette journée de dépistage gratuit a été le fruit d’une collaboration entre le LCA Ilohasina, le service de district de la Santé publique d’Arivonimamo et le CSB II d’Imerintsiatosika. Rappelons que le 14 novembre dernier, le Lions club International, sous la tutelle du ministère de la Santé publique par le biais de la direction de la lutte contre les maladies non transmissibles, a célébré la journée mondiale du diabète, à l’instar de nombreuses autres organisations et forces vives. Parallèlement, le club a également remis à plus de 70 élèves ayant réussi leur examen de CEPE cette année, des kits scolaires comprenant un sac à dos imperméable ; 12 cahiers de 100p ; 4 cahiers de 200p ; 2 cahiers de 50p ; des carnets de vocabulaire ainsi que des stylos, crayons et gommes. Hanitra R. L’article Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Imerintsiatosika : Diabète chez 6% des personnes dépistées a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy”
23/11/2020

Orinasa tompon’andraikitra sady mitsinjo ny maha olona ny Star, miaraka amin’ny fikambanana sosialy Fondation Coca-cola. Anisan’izany ny fitsinjovana ny vahoaka tena sahirana, vokatry ny Covid-19. Natao, ny zoma 20 novambra teo teny Anosizato, ny fizarana fanampiana “Coke Hiray vatsy” ho an’ny fianakaviana sahirana ao amin’ny boriborintany fahefatra, niarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).Nahazo ity fanampiana santatra ity ny eny Ankazotoho, Anosimahavelona, Anosibe Andrefana I, Anosibe, Angarangarana, i Mandrangobato I, i Mandrangobato II, Anosizato Andrefana II ary i Madera Namontana. Miisa 1 150 ny vatsy nozaraina, nahitana vary, tavoahangy menaka 1l, savony lava 1, ronono mandry 1 boaty, siramamy 1 kg, voamaina 3 kg ary Coca-cola 150 sl.Tohin’ny fitsinjovana sosialy sy maha olana (RSE) efa natao hatramin’ny fiandohan’ny taona 2020 ity hetsika ity. Anisan’izany ny fanampiana fitaovana ny minisiteran’ny Fahasalamana niatrehana ny Covid-19. Teo koa ny fizarana rano fisotro ho an’ny vahoaka tratry ny mosary any atsimo.Njaka A.L’article Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy” a été récupéré chez Newsmada.

Ambohimalaza Time Attack 1.0 : fifaninanana ho an’ireo moto matanjaka
21/11/2020

Hotanterahina ny alahady 29 novambra tontolo andro “ny Ambohimalaza Time At­tack 1.0”. Fifaninanana natokana ho an’ireo moto matanjaka “grosses cylindrées”. Hisy halavirana 4, 03 km mam­pitohy an’Ambohima­laza sy Imerinkasinina izany hazakazaka izany. Hangotraka ny fihaonana satria anisan’ ireo fifaninanana mekanika andrasan’ny rehetra izy ity. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpanamory moto kalaza ary hisy vehivavy iray hifaninana amin’ity. Hozaraina ao anaty sokajy fito ireo mpifaninanana amin’ ity « Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity dia ny Chop­per, ny Trail, ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny sportive ary ny Custom Vintage. Adim-pamantaranandro no hanaovana ny hazakazaka. Hetsika voalohany, iarahan’ny X’Inov sy Bira Moto Club ary ny Moto Club Mada, amin’ny federasiona malagasy ny moto izy ity. Hisokatra aorian’ny fankatoavan’ny fe­derasiona ny fitsipiky ny fifaninanana, ny fisoratana ana­rana ho an’ireo maniry handray anjara.TorcelinL’article Ambohimalaza Time Attack 1.0 : fifaninanana ho an’ireo moto matanjaka a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina
20/11/2020

Noraisin’ny Praiminisistra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly,   ny delegasiona avy any Arabie Saodita. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny miandraikitra  an’i Afrika, i Ahmad Bin Abdulaziz Kattan. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.Nodinihina tamin’izany fa haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny roa tonta. Nanamarika ny minisitra saodianina fa efa ela ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodianina. Nisandrahaka amin’ny sehatra maro izany. Eo ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa momba ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana. Manampy ireo ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara eo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.Ady amin’ny covid-19Ny famatsiam-bola 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny covid-19.Nambaran’ny minisitra Ahmad Bin Abdulaziz Kattan koa ny toerana misy an’i Arabie Saoudite sy ny fifandraisany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika. Nohazavainy ny ezaka ataon’ny fireneny mba tsy hisian’ny fitotongananan’ny vidin’ny solika maneran-tany.Nankasitraka izany sady nampita ny fiarahabana ho an’ny mpanjaka Saodianina ny praiminisitra, ary naneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hisokatra mandrakariva amin’ny lalana hahafahana mampivelatra sy manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina a été récupéré chez Newsmada.

Sociétés d’Etat : Le président place ses hommes
21/11/2020

Le président Andry Rajoelina est lui-même un capitaine d’industrie Comme leur nom l’indique, il s’agit de sociétés appartenant en totalité ou en majorité à l’Etat, qui nomme notamment le Président du Conseil d’Administration (PCA). Sans parler des établissements publics à caractère industriel et commercial (EPIC) ou à caractère administratif (EPA), l’Etat garde la haute main sur les entreprises publiques en nommant ses dirigeants dont le PCA. L’occasion pour le président de la République de placer ses hommes de confiance pour marquer son influence sur la gouvernance des sociétés d’Etat. Ce qui explique le choix du Secrétaire Général de la Présidence (SGP), Valery Ramonjavelo pour occuper cumulativement le poste de PCA de la Société du Port Autonome de Toamasina (SPAT). Issu d’un grand groupe leader sur le plan national et qui aspire à l’être au niveau régional, il est chargé d’assurer la bonne santé de la SPAT qui est le poumon de l’économie nationale. Gendarme. Quant au SGP Adjoint Dina Andriamaholy, il est en même temps le PCA de l’Autorité Portuaire Maritime et Fluviale (APMF). Il est aussi membre de la Commission de Supervision Bancaire et Financière dont la composition comprend « un magistrat ayant au moins le grade de Conseiller à la Cour Suprême ». Un critère rempli par l’intéressé qui était auparavant magistrat au sein du Conseil d’Etat. Il est comme l’œil du président de la République au sein de la Commission de Supervision Bancaire et Financière qui « est chargée de veiller au bon fonctionnement des établissements de crédit et de sanctionner les manquements aux règles de bonne conduite de la profession ». Velirano. Le président du Conseil d’Administration de la Jirama est aussi un homme du Président. Solo Andriamanampisoa car il s’agit de lui, est effectivement et parallèlement chargé de mission auprès de la Présidence. Sa mission au niveau de cette société d’Etat consiste certainement à concrétiser le « velirano » présidentiel en matière d’eau et d’électricité, quoique le courant ne passe pas trop entre le PCA et le DG de la Jirama. Objectif présidentiel. De son côté, Pierre Holder Ramaholimihaso cumule les fonctions de Directeur général des Affaires Politiques avec celles de PCA de Fanalamanga. Ce compagnon de la première heure d’Andry Rajoelina aura sa part d’arbres à apporter dans la réalisation de l’objectif présidentiel de « reboiser 40.000 ha par an ». Soit un cinquième du complexe sylvo-industriel de Fanalamanga qui s’étale sur un périmètre de 200.000 ha de forêts. Obligation de résultats. Pour sa part, la Directrice de la Communication et des Relations Publiques (DCRP) auprès de la Présidence, Rinah Rakotomanga est le vice-PCA d’Air Madagascar. Elle est appelée à contribuer au redécollage de la compagnie nationale qui battait de l’aile avant son divorce avec Air Austral. La DCRP était également chargée de gérer les vols de rapatriement des ressortissants malagasy bloqués à l’étranger qui font partie des engagements du président de la République. Etant lui-même un capitaine d’industrie, il a nommé tous ces PCA avec obligation de résultats. Reste à savoir quand est-ce que leur évaluation aura lieu. R.O L’article Sociétés d’Etat : Le président place ses hommes est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sociétés d’Etat : Le président place ses hommes a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ambatofinandrahana : Kidnapping et prise d’otage
20/11/2020

Enlevé dans la nuit du 10 au 11 novembre par des bandits armés, l’enfant d’un homme réputé du village de Malaindromisotra a été relâché cinq jours plus tard. Selon son père, l’enfant kidnappé est rentré à la maison sain et sauf. « Il a été libéré par ses ravisseurs en fin de journée dimanche dernier, dans un endroit situé au sud-est d’Ambatofinandrahana », a expliqué ce dernier. Les limiers de la gendarmerie ont aussitôt ouvert une enquête. Toujours dans le chapitre du banditisme, une autre attaque à main armée suivie d’un enlèvement a eu lieu à Andonabe-Mananjary dimanche dernier, vers 21 heures. Sept malfrats non identifiés et armés de fusils de chasse et de deux armes de fabrication locale ont investi, tour à tour, deux domiciles. Ils ont ouvert le feu durant l’acte. Heureusement, personne n’a été tué ni blessé durant cette double attaque, a rapporté la gendarmerie. Un téléphone portable, 180 cartes de recharge de crédits de 1 000 ariary et un somme de 300 000 ariary ont été emportés par les bandits. Ces derniers ont pris la fuite vers le fokontany d’Androrangavola-Andonabe et sont, depuis, introuvables. Ils ont pris comme otage un dénommé Mbelo qui leur servait aussi de guide. Mbelo a été libéré quelques kilomètres plus loin. Selon son témoignage, les bandits ont pris la direction d’Irondro en empruntant l’axe RN12. La gendarmerie a lancé une course poursuite pour tenter de mettre la main sur les bandits, en vain. Les chefs des forces de sécurité se sont réunis pour mettre en place une cellule d’opération et de sécurité (OPS). Ordre a été donné aux éléments d’intensifier la collecte des renseignements permettant d’identifier les auteurs de ces actes de banditisme en série. Yv Sam L’article Ambatofinandrahana : Kidnapping et prise d’otage est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ambatofinandrahana : Kidnapping et prise d’otage a été récupéré chez Midi Madagasikara.

RFC : Accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel
25/11/2020

La 15è édition des RFC bat son plein Le festival de cinéma panafricain Rencontres du film court Madagascar est à son épicentre. Aujourd’hui, la séance au Cinépax Ambodivona est consacrée à la conservation du patrimoine audiovisuel.  Carte blanche donc  à « Home movies ». A l’affiche, Fonds Cigarini, Mozambico ou 10 jours avec les guerrières du Mozambique libre, 1972. Mais aussi la Sélection Panajotti, un film de voyage à Madagascar, 1981. Cette séance consiste à mettre un accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel. Durant la séance, document d’archives, reportages, documentaires et films de familles des années 70 et 80 plongeront le public dans le passé. Initiateur, l’association italienne Home movies a créé ses archives en 2002, dans le but de préserver un patrimoine audiovisuel généralement inaccessible, dispersé ou oublié. Cela comprend une large gamme de matériaux, basés sur des contextes non officiels tels que le cinéma amateur et les films à la maison. Au fil du temps, Home movies s’est étendue et a commencé à récupérer les archives audiovisuelles des institutions, des associations et des entreprises. Elle a maintenant collecté plus de 30 000 bobines, soigneusement stockées et restaurées par un laboratoire interne hautement qualifié si nécessaire. En 2011, ses actions ont conduit Home movies à être reconnue par le gouvernement italien comme une  archive d’importance historique particulière.   Recueillis par Zo Toniaina L’article RFC : Accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RFC : Accent sur l’importance de la conservation du patrimoine audiovisuel a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II
19/11/2020

Pose des premières pierres du CSB II Manara-penitra du district de Miarinarivo. (Photo :DRSP Itasy) Le ministère de la Santé publique, conformément au Velirano numéro 5 du Président de la République d’améliorer le système de santé à Madagascar, procède actuellement à la construction de Centres de santé de base de niveau II dans plusieurs localités. Le lundi 16 novembre 2020, la délégation du ministère était par exemple à Mananjary pour poser les premières pierres du futur CSB II Manara-penitra Mananjary. Mais les premières pierres ont été également posées pour le CSB II de la commune Alatsinainikely dans le district de Miarinarivo le même jour. Rappelons que l’accès aux soins de qualité demeure problématique dans les communes reculées de Madagascar. Certes, les infrastructures en cours de construction en ce moment ne sont pas assez, mais elles pourront déjà améliorer la situation sanitaire du pays. D’autres sont d’ailleurs prévus être construites très bientôt. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II a été récupéré chez Midi Madagasikara.