Rien à cirer !

News - Rien à cirer !

News - Rien à cirer !

Le gouvernement a finalement déposé les projets de loi relatifs aux élections présidentielles et autres scrutins auprès du Parlement. Le Premier ministre a beau expliqué pourquoi la mise en forme de ces projets de loi et leur dépôt auprès des institutions législatives ont pris beaucoup de temps, mais en vain. La classe politique des « opposants », nombre de sociétés civiles et les citoyens qui sont avertis n’y croient pas et ne cessent de marteler que c’est une stratégie pour faire passer sans encombre et comme d’habitude une lettre à la poste les textes de loi concoctés par et au profit des tenants du pouvoir dans la perspective de demeurer au pouvoir ou tel contexte pour poursuivre ce qui a été initié. Toujours est-il qu’au vu des textes qui régissent l’adoption d’une loi organique, le temps imparti aux parlementaires pour leur examen est déjà insuffisant et on prévoit déjà une prolongation de la session extraordinaire. A qui cela profite-t-il ? Suivez mon regard !

Quant aux communs des citoyens et électeurs potentiels (ceux auprès desquels on aime bien se faire passer comme leur protecteur et bienfaiteur), ils s’en foutent ! Tout cela ne va pas leur offrir des opportunités de sortir définitivement de leur situation de précarité ou de pauvreté durable, nous confient-ils. Pas mal de foyers d’Anosibe, Anosizato, Andravoahangy-Besarety ou des environs des 67ha, en situation de précarité, qui survivent des petits boulots quotidiens jusqu’à tirer tout au long de la journée des charrettes à bras bondées de débris de briques et de remblais, s’en foutent. D’autant plus que malgré les interventions médiatiques et appels de la CENI aux partis politiques ou sociétés civiles pour qu’ils descendent dans les fokontany et encouragent les électeurs à s’inscrire ou à vérifier l’authenticité de la liste électorale, ces électeurs potentiels ne les ont jamais vu ni entendu leur passage dans leur fokontany. Un citadin (parce qu’il vit dans la capitale) à la fois manœuvre et tireur de charrette à bras et homme à tout faire, dont l’épouse s’est fait ramasseur et collecteur des ordures dans les quartiers dans le cadre de la RF2 (Rafitra Fanadiovana sy Fidiovana), nous a manifesté tout simplement son indifférence à l’égard de tout ce qui est affaire publique (c’est-à-dire la politique) car à son avis, toutes les mesures et décisions prises par tous les pouvoirs ne lui conviennent pas. « A quoi bon se faire du souci des affaires politiques » déclare-t-il quand nous lui avons demandé s’il est déjà inscrit dans la liste électorale et lequel des candidats pour les présidentielles et autres scrutins de 2018.

Raw

Cet article Rien à cirer ! est apparu en premier sur déliremadagascar.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Ataovy sotroranon’akoho re

Tsara noho ny tsy misy aloha e! Nitanatana vava ho voky, toa voron-kely miandry ny hofahanan-dreniny, ireo valalabemandry nanantena ny hidinan’ny vidin-tsolika. Dia nahitana fihenana tokoa izany saingy “sotroranon’ akoho ka izay kely azo no andrandraina”. Tsy vitsy ihany no diso fanantenana tamin’ny fampanantenana nipoapoaka tamin’ny tatitry 100 andron’ny fitondrana teny Mahamasina iny. Raha mba ny resabe re tamin’ny adihevitra teny rehetra teny dia niandrandra ny fidinana tsy latsaky ny 1000 ariary tamin’ny litatry ny lasantsy ny mpampiasa izany saingy… Ny resaka tsy atao be anie, hono, ny mamerina azy no sarotra e! Satria raha ny fampanantenana amin’ny fihenjanana tsy maintsy hampidinana ny vidin-tsolika, niampy ny faharetan’ny fotoana nifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpandraharaha amin’ny solika dia tsy ho io Ariary zato io monja no nandrasana hilatsaka tamin’ny lasantsy. Na efa mino fotsiny ireo fampanantenana tamin’ny praopagandy sy tamin’ny fanamarihana ny 100 andro nitondrana aza ny vahoaka malagasy dia aleo tsy hipoapoakan’ny hafanam-po loatra ny fampanantenana e! Fa raha hahavita mampidina misesy sy matetika ny vidin’ny solika kosa moa aloha, arahaba soa arahaba tsara! Raha tsy izany kosa aleo ny sarety hotarihin’ny omby ihany fa aza atao eny alohan’ireo omby hitarika mihitsy. Ny tranom-pody, hono, mantsy no vitan’ny vava; ary ny bainga voavadika no tsara milaza ny asa vita. L’article Ataovy sotroranon’akoho re est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Zavakanto brezilianina: hanolotra seho hafa ry Bloco sy ny Roda Malagasy 

Anisan’ny endrika iray maneho ny fivelaran’ny zavakanto eo amin’ny firenena iray ny fahaiza-mifehy ny an’ny tena sy fahaiza-manatanteraka ny an’ny hafa. Afaka maneho izany tsara ny Bloco Malagasy sy ny Roda Malagasy. Tsy zovina amin’ny maro intsony ny Bloco Malagasy, tarika mpively ampongabe, sy ny Roda Malagasy, mpanao “capoera”. Maro ny sehatra efa nahitana azy ireo ary niavaka hatrany izany. Tsy ho latsa-danja amin’ireny ny hotanterahin’ireto tarika roa ireto, ny alakamisy alina izao, eny amin’ny Ravimpontsy eny Tsiadana. Matetika, hira mandrotsirotsy sy malefadefaka no entina manafana ny fotoana, rehefa manakaiky ny faran’ny herinandro, amin’ny toerana toy ny Ravimpontsy. Amin’ity kosa, azo lazaina ho ny mifanohitra amin’izany ny hitranga, satria feon’amponga, miaraka amin’ny dihy sady fanatanjahantena, “capoera”, no enti-mamalifaly ny vahiny. Fampisehoana sady fanentanana ny hataon’ny Bloco Malagasy sy ny Roda Malagasy, amin’io alakamisy io, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Ny mampiavaka azy, ampifanarahina ny toerana hanaovana ny seho sy ny maha takariva ny fotoana ny famoronana entin’ny tarika roa tonta. Tanjona ny hampiaina ireo vahiny ny kolontsaina sy ny zavakanto brezilianina. Raha tsiahivina, samy sahanin’ny fikambanana Bel’Avenir, any Toliara, ny Bloco Malagasy sy ny Roda Malagasy. Iry voalohany, ahitana tovovavy marobe, izay samy nianatra ary mahafehy ny fivelesana ampongabe. Ny faharoa kosa, tarika mpanao “capoera”. Samy efa zatra sehatra ary efa nitety firenen-tsamihafa izy ireo. Landy R. L’article Zavakanto brezilianina: hanolotra seho hafa ry Bloco sy ny Roda Malagasy  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiampitana lalamby: notohanan’Ambatovy ny fankalazana ny aroloza

 Nankalazaina, ny zoma 7 jona teo, ny Andro iraisam- pirenena ho an’ny aro loza amin’ny fiampitana lalamby. Nikarakara azy ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ary nanohana ny hetsika ny tetikasa Ambatovy. Nisy ny fampisehoana ny fomba hisorohana ny loza amin’ireny fiampitana lalamby ireny. Nambaran’ny tompon’ andraikitry ny fiarovana ao amin’ny tetikasa Ambatovy, i Nicolas Alexandre Rogowski, fa ilaina entanina ny fiarahamonina sy ny mpampiasa lalana, hatrany an-tsekoly, hamantaran’izy ireo ny tokony hatao rehefa hiampita lalamby (passage à niveau) ireny. Nilaza ny talen’ny fampiroboroboana ao amin’ny Madarail, fa mahatratra 5 ka hatramin’ny 10 isan-taona ny lozam-pifamoivoizana amin’ny lalamby. Tena ahitana azy ny zotra Antsirabe- Antananarivo- Toamasina ary Ambatondrazaka. Ho an’ity farany, maty voahosin’ny fiaran-dalamby nitatitra kraoma ny mpandeha rehetra tao anaty fiara fitaterana.Sajo L’article Fiampitana lalamby: notohanan’Ambatovy ny fankalazana ny aroloza a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

FLM Ivato Famonjena: nanamarika ny 20 taony ny Akon’ny lanitra

Tsy nahasakana ny fiderana an’Andriamanitra sy ny fitoriana ny filazantsara ny orambe, nitranga omaly tolakandro, teto an- dRenivohitra. Tetsy Antsahamanitra, vory lanona ny maro, niara-nanandra-peo nanome voninahitra ny Tompo noho ny fahasoavana natosany, indrindra tamin’ny Akon’ny lanitra, antoko mpihira ao amin’ny fiangonana loterana malagasy (FLM) Ivato Famonjena. Nanamarika ny 20 taona nijoroany izy ireo, nandritra ity taona 2018 ity. Marobe ny hetsika efa tontosa, nentina nanasongadinana izany sy ho fiderana an’Andriamanitra. Hetsika famaranana kosa, ny omaly tolakandro, tetsy Antsahamanitra, nanatontosana ity antsan-kira fiderana ity. Tsy nandeha irery fa notronin’ny antoko mpihira telo ny Akon’ny lanitra tamin’izao fitoriana filazantsara lehibe izao. Samy nitondra ny anjara birikiny sy naneho ny hakanton’ny talenta nomen’Andriamanitra azy amin’ny hira ny KT Ambatovinaky sy ny Kerobima Ankatso ary ny Tanora 67ha. Tao anatin’izay 20 taona nijoroany izay, efa anjatony ny mpikambana nandalo tao amin’ny antoko mpihira Akon’ny lanitra. Tsy sampana midera an-kira fotsiny izy fa mitaiza ara-panahy ireo mpino mpikambana ihany koa. “… Fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra”. Io tenin’Andriamanitra, ao amin’ny Kolosiana 3: 11b, io no nentin’ny Akon’ny lanitra nanamarika izao tsingerin-taona niorenany izao. Landy R.L’article FLM Ivato Famonjena: nanamarika ny 20 taony ny Akon’ny lanitra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Ady amin’ny dahalo :: Manao fanamby goavana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena

Nidina tany amin’ny Faritra Bongolava ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard, nanatitra ireo miaramila efajato, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny ady amin’ ny dahalo dia hanampy ny mponina ao amin’ny Faritra Bongolava, Melaky ary Itasy, amin’ny asa sosialy, toy ny fitsaboana, fanamboarana lalana, fambolena hazo sy ny maro hafa ireo tafika ireo, araka ny fantatra. Sahy nanao fanamby goavana amin’ny famerenana ny fandriampahalemana ao anatin’ny fotoana fohy ny minisitra. “Manome toky anareo aho fa tsy ho ela dia hilamina ity faritra ity. Tsy maintsy ho tratra ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny hampi -henana na tsy hampisy intsony ny halatr’omby ato anatin’ ny fotoana fohy. Koa miantso fiaraha-mientana amintsika rehetra aho mba ho tratra izany tanjona fandriampaha- lemana maharitra izany aty amintsika. Matetika mantsy dia olana avy amin’ny fiarahamonina ihany no mahatonga azy ireny. Ireto miaramila apetraka aty ireto dia tsy hifidy tany hiasana. Amin’ireo toerana tsy tongan’ ny fiara no tena hidiran’izy ireo hamaky ireny kizo fitsoahan’ny dahalo ireny”, hoy hatrany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tamin’ity diany tany Bongolava ity ihany koa no nahafantarana fa ho apetraka tsy ho ela any amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara, atsimo atsinanana ary atsimo Andrefana ireo sambo mpiady an’ny Tafika. “Ankoatra ny fanaraha-maso ny sisin-tany dia hanampy ireo mpanjono madinika hiaro ny harena an-dranomasina ireo sambo ireo”, hoy izy.   L’article Ady amin’ny dahalo :: Manao fanamby goavana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

1/8-N-dalana: nitondra mpisikidy ny Kongoley

Nahoraka be, any Egypta efa ho andro vitsivitsy izay taorian’ny nahatafakatra azy, eo amin’ny ampahavalon-dalana, ny fahatongavan’i Evoloko, any Egypta. Tsy iza izy io fa ilay mpisikidy raindahiny, any Kongo. Nohafaran-dry zareo Kongoley mihitsy ity mpisikidy gagilahy ity hanao fanafody, tamin’ny lalao nikatrohan’ny Leopard-n’i Kongo, tamin’ny Barean’i Madagasikara.Mandoro lamba sy dinti-kazo ary mitsoka anjomara no nataony, talohan’ny fihaonana, omaly. Ny nahavariana, tsy mba eny amin’ny “gradin”, na eny amin’ny toeran’ny mpijery no nanaovany izany, fa teny ambony kianja mihitsy. Amin’ny lalao goavana iraisam-pirenena tahaka izao, asa na azo atao izany na tsia, fa maro no nametra-panontaniana.Miravaka karazam-barahina ihany koa izy, ary mivavaka amin’ny tapa-kazo maro tao anaty kianja filalaovana. Marihina fa tsy vao izao akory no malaza amin’ity fampiasana an’ingahy Evoloko ity ry zareo Kongoley fa efa hatramin’izay. Tsy amin’ny ekipam-pirenena ihany fa hatramin’ireo klioba miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny ho tompon’ny amboaran’i Afrika ihany koa aza. “Mety ho izany angamba”, hoy ny sasany, no mahamafy be an-dry zareo Tout Puissant Mazembé. TompondakaL’article 1/8-N-dalana: nitondra mpisikidy ny Kongoley a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Hifantoka any Alzeria avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity anio ity. Ho fantatra eo mantsy izay handrombaka ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiady izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Hitodika ao amin’ny kianja Cairo Stadium avokoa ny mason’ny rehetra, amin’ity zoma ity, hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, andiany faha-32. Hamarana izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta, satria efa niray vondrona tamin’ity “Can 2019” ity. Raha tsiahivina, resin’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 tamin’izay, ny Senegaly. Hanala vela izany, eto ry Sadio Mané. Hatreto, tsy mbola nandrombaka ny “Can” mihitsy ny Liona avy any Teranga. Fanindroany amin’izao, ry zalahy no tonga eo amin’ny famaranana. Ny voalohany, tamin’ny taona 2002, saingy resin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, izy ireo, tamin’izany. Ity no famaranana fanindroany.“Hiezaka izahay, hamafa ny nofy ratsy, tamin’ny taona 2002, ka hitady fandresena. Fanalana vela ihany koa ity ka tsy maintsy hiady mafy ny mpilalao rehetra, handrombahana ny amboara”, hoy i Alliou Cissé, mpanazatra senegaley.Etsy an-kilany, mikendry ny hamerina ny anaram-boninahitra efa azony, 29 taona lasa ry zareo Alzerianina. Ny Fennecs no ekipa nahavita dingana tsara indrindra tamin’ity “Can 2019” ity satria tsy mbola resy na nanao ady sahala mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreto amin’ity famaranana ity.Manana olana ny Liona-n’i Teranga, amin’ity famaranana ity satria tsy afaka ny hiakatra kianja i Kalidou Koulibali, vodilaharana mahatokin-dry zareo Senegaly, noho ny fahazoany karatra mavo roa. Na eo aza izany, nanambara i Cissé, fa vonona ny mpilalaony ary tsy matahotra na manana ny fahaiza-manaony aza, i Riyad Mahrez. Tompondaka L’article Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Lôjika politika

Misy ny marina, misy ny ara-dalàna, dia misy ihany koa ny lôjika eo amin’ny tontolo politika. Mila mianatra mivoaka amin’ilay toe-tsaina be fanankianana lava na manohanohana fahatany arakarak’izay mpitondra eto amin’ny firenena isika. Tsy hoe rehefa olona notohanana no lany dia fotsy daholo izay miseho rehetra, na rehefa tsy ilay kandida antsika dia mainty avokoa ny sary mipoitra. Tsy tokony hiteraka resabe hatraiza izao fanapahan-kevitry ny fitondrana Rajoelina hiroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanitsiana an’ireo andininy sasantsasany amin’ny Lalàm-panorenana izao. Na ingahy Ravalomanana aza no lany teo, inoana fa tsy nandeha an-jambany tamin’io Lalàm-panorenana narafitra sy nolaniana tamin’ny tetezamita io izy. Mahagaga aza raha izao vao sahy niroso tamin’ny fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka ny fitondrana. Angaha azo vitavitaina amin’izao izany fanafoanana ny Antenimierandoholona izany, na ny fanomezam-pahefana feno an’ireo mpitantana ny faritra, eny fa na ireo fepetra goavana hitondrana fanovàna eto amin’ ny firenena aza dia mila ny fanitsiana ny Lalàm-panorenana. Ohatra akaiky izay malaza ankehitriny ny finiavana hanenjika an’ireo mpitondra nandika lalàna teto amin’ny firenena nefa toa voaelingelin’ity fangatahana alalana amin’ny Antenimierampirenena ity mialoha ny handraisan’ny Fitsarana manokana HCJ ny adidy sy andraikiny. Na ilay andininy faha-54 nahabe savorovoro mandrak’ity ny androany aza dia mila amboarina mba hifanojo kokoa amin’ny vinam-pampandrosoana fa tsy hifantoka loatra amin’ny kajikajy politika. Santionany ihany ireo fa ny fehiny dia manaraka an’ilay fomba fiteny hoe: miova andriana miova sata. Fitsapan-kevi-bahoaka no hatao. Anjaran’ireo antoko politika no mandresy lahatra ny vahoaka ny amin’ny mety sy tsy mety ka hampandany na tsia an’izay volavolam-panitsiana ny Lalàm-panorenana ho avy eo. Samia miaro ny lôjika politikany nefa aoka hiaro mandrakariva ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena. L’article Lôjika politika est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Amboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona 2 maty voatifitra, am-polony hafa naratra mafy

Nisehoana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Tsivory, ao anatin’ny Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, afak’omaly naraim-be tokony ho tamin’ny efatra ora, tao amin’ny fokontany Fandranarivo, ka fokonolona roa no namoy ny ainy ary am-polony kosa ireo naratra mafy voatifitra. Ity tanàna voatafika ity, dia miala 8 km andrefan’i Tsivory renivohitry ny kaominina, izay manaraka ny lalam-paritany (RIP 117) mihazo an’i Marotsiraka mivoaka amin’ny RN 13 ao Andalatanosy. Noho ny faharatsian-dalana misy, eo ihany koa ny fahalaviran’ny tobin’ny mpitandro filaminana ary ny tsy fisian’ny tambajotram-pifandraisana mampijaly ny vahoaka, dia miliba ireo dahalo tsy niova fo antsoin’ny mponina any an-toerana hoe : kotro izay tsy matahotra fanjakana intsony. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia nanodidina ny 80 isa eo ireto andian-dahalo nanafika izay nitam-piadiana avokoa izy ireo. Eric ManitrisaL’article Amboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona 2 maty voatifitra, am-polony hafa naratra mafy a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis

Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa vondrona azoazo, ny misy an’i Madagasikara, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny toerana any amin’ny “Can 2021”, tanterahina any Kameronina. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy K, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy i Niger ary i Kenya no misy ny Barea de Madagascar. “Tokony ho tafiditra ao anatin’ireo roa voalohany, ny Barea de Madagascar. Raha ara-taratasy, ambony lavitra ny Barea, raha mitaha amin-dry zareo Kenyanina sy Niger. Ny Ivoarianina no mafy, saingy miankina amin’ny fanomanana ny zava-drehetra”, hoy  izy.Marihina fa samy niatrika ny “Can 2019”, tany Egypta i Kenya sy i Côte d’Ivoire. Raha tsiahivina, tsy nivoaka vondrona ny Kenyanina, raha nihintsana teo amin’ny ampahavalon-dalana kosa ny Ivoarianina.Tafita hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina, ireo ekipa 2 voalohany isam-bondrona, aorian’ny fifanintsanana, izay hatao lalao mandroso sy miverina. Tsiahivina fa tsy miatrika ny lalao savaranonando, intsony ny Barea de Madagascar. Mbola hanao izany kosa i  Liberia sy Tchad, Sodan Atsimo sy Seychelles, Nosy Maorisy sy Sao Tomé sy Principe ary i  Djibouti sy i Gambia. TompondakaL’article Kitra – «Can 2021»: “Azo atao tsara ny mitazona ny laharana roa voalohany”, hoy i Dupuis a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Mahajanga: noraisina manetriketrika ny depiote Nina

 Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika ny fahatongavan’ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’i Mahajanga, Rahantanirina Lalao, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny filaharambe namakivaky ny tanàna tamin’ny alalan’ny diabe sy ny fiara tamin’izao fahatongavany any an-toerana izao. Nitsena azy tamin’izany ireo vahoaka  marobe ao Mahajanga, notarihin’ny eo anivon’ny distrika sy ny ben’ny Tanàna,  Andriantomanga Mokhtar Salim. Anisan’ny nanotrona sy nanatitra azy tany an-toerana koa ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy any Antsiranana, i Jocelyne Maxime, mbola horaisina manetriketrika koa any amin’ny tany niaviany. Samy avy amin’ny vovonana IRD avokoa izy mirahavavy ireo.Synèse R.  L’article Mahajanga: noraisina manetriketrika ny depiote Nina a été récupéré chez Newsmada.

Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo

Sahirana ireo mpitondra fiara rehefa handalo ny tanànan’i Marozevo, tanàna eo am-pototry ny fiakaran’i Mandraka iny. Mandalo eo avokoa na ireo fiara mitondra entana tonga avy ao Toamasina na ireo mitatitra entana haondrana ao amin’io seranana io avy aty Antananarivo sy avy any Alaotra, ny kraoma, ohatra. Miampy izany ireo mpitatitra olona sy fiaran’olon-tsotra.Toerana fisakafoan’ny maro ny eo Marozevo. Isan’ireny ireo fiara goavana sy lavabe. Maro ireo fiara miantsona eo ka zary ampahan-dalana kely sisa azon’ny fiara aleha. Lavabe ny filaharan’izay mijanona eo ka tsy tazan’ny mpamily avy amin’ny ilany iray ny fidiran’ny fiara avy any amin’ny ilany faharoa. Tafiditra ao afovoany vao mifankahita. Tsy afaka mihemotra, satria fiara maro no efa manaraka aoriana.Mandany fotoana, tonga hatamin’ny fifamaliana.”Tsy antoandro, tsy alina, ary samy manao beloha!”, hoy ny mpitondra fiara. Misy tobin’ny zandary tsy lavitra eo ka heverina fa tokony hisy ny fandaminana. Rarivo       L’article Lalam-pirenena – RN2: mila fandaminana ny eo Marozevo a été récupéré chez Newsmada.

Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera

4 500 ny isan’ny mpitsabo voasoratra ao anatin’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara miparitaka manerana ny Nosy, 4 000 ireo miasa eto Analamanga. Misy anefa ny  olana  sedrain’izy ireo. « Ampy ny isan’ny mpitsabo fa ny fitsinjarana azy hisandrahaka amin’ny faritra rehetra no manahirana, indrindra ho an’ny any ambanivohitra saro-dalana », hoy ny filohan’ny holafitry ny mpitsabo, Andrianasolo Eric, omaly teny Anosy. Mbola maro rahateo ny toerana tsy mandry fahalemana ka tsy mazoto miasa any ny mpitsabo, vokatr’izay.Misandoka  ho  mpitsaboTsy vitsy noho izany ny olona misandoka ho mpitsabo amin’ny faritra lavitry ny tanàn-dehibe. Isan-taona, manodidina ny telo ireo tratra miaraka amin’ny porofo fa misandoka ho mpitsabo nefa tsy manana ny diplaoma sy ny fanamarinana momba ny asam-pitsaboana. Tokony hiezaka hanara-maso sy hitory ireny ny solontenan’ny holafitra isam-paritra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy tafiditra ao kosa ny mpitsabo nentim-paharazana izay manana lalàna mifehy azy manokana.Natokana ho an’ny Andron’ny mpitsabo eto Analamanga, ny omaly teny Anosy ka nizarana fitaovana « Application amin’ny Android » ho an’ny mpitsabo. Mivoatra hatrany ny fitsaboana ka zava-baovao (tao anatin’ny 10 taona farany) momba ny certificat médical, fanafody ary ny fomba fitsaboana no naparitaka amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ahafahan’ny mpitsabo manatsara ny asany.Hanangana vaomiera  manokana Nanamarika ny tompon’andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana, nandritra ny hetsika teny Anosy fa hanangana cellule de crise hitantanana ny asa rehetra, ny fanaraha-maso ny fisorohana ny tsy hidiran’ny aretina Ebola eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny seranana izy ireo. Nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikamban momba ny fahasalamana fa hamehana ara-pahasalamana ny ady amin’ny aretina Ebola ka tokony handray fepetra ny firenena rehetra.Vonjy A.      L’article Holafitry ny mpitsabo: tsy mazoto  miasa any ambanivohitra ireo dokotera a été récupéré chez Newsmada.

Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary

Notanterahina, ny alatsinainy lasa teo tao amin’ny Toby Kly Jean Philippe ao Mahajanga, ny fivoriana niarahana tamin’ireo “commandants d’unité” ao anatin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Boeny, notarihin’ny Kly kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria ao Mahajanga. Ity fivoriana ity izay nandinihana sy nijerena paikady hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao hametrahana fandriampahalemana maharitra ao Boeny sy hiadiana amin’ny kolikoly. Nilaza ireo teo anivon’ny kaomadin’ny tobim-paritra fa vonona hanatsara ny fomba hiarovana ny vahoaka ny fananany.J.CL’article Mahajanga: hamaky ady amin’ny kolikoly ny zandary a été récupéré chez Newsmada.

Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly

Mbola hanjakan’ireo Nosy rahavavy, Maorisy, La Réunion ary Seychelles, ny fandrombahana ny medaly, eo amin’ny taranja lomano. Anisan’ny mendrika ary nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra ho an’ny lalaon’ny Nosy, ny teratany maorisiana, Bradley Vincent. Vitany tao anatin’ny 22 sec 57 ny halavirana 50 m NL, ho an’ny sokajy lehilahy. Ilay teratany seychelloise, Felicity Passon kosa no nahazo ny medaly,teo amin’ny 50 m NL, vehivavy, tamin’ny fe-potoana 26 sec 21. Tsy hita taratra ny mpilomano malagasy hatreto Nanombohana ny fifaninanana, omaly maraina, ny teo amin’ny taranja lomano. Solontena malagasy miisa 10 mianadahy no mifaninana ao anatin’ity taranja ity ary ny 7 mianadahy tamin’izy ireo no niditra an-tsehatra, voalohany, tamin’ny lalao famaranana, nahitana an-dRamiakatrarivo Ando, Rakotomavo Herinirina John, Rakotovelo Nomentsoa, Andrianirina Malalasoa, Rakotomamonjy Tiavina, Rakotomavo Hajanirina ary Rabejaona Holy Antsa. Niady mafy avokoa ireto solontenantsika ireto, saingy tsy mbola hita taratra, hatreto, raha ny voka-dalao, omaly.Anisan’ny tsara indrindra ny vokatra azon-Rakotovelo Nomentsoa, tamin’ireo Malagasy nandray anjara ireo, izay nipetrahany teo amin’ny laharana faha-4, teo amin’ny fifaninanana 50 m brasse vehivavy, 37 sec 75 no fe-potoana nahavitany izany. Mi.Raz L’article Nifampizaran’i  Maorisy, Seychelles ary La Réunion ny medaly a été récupéré chez Newsmada.

« Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio

Anisan’ny andrasan’ny mpanaraka ny “Lalaon’ny Nosy”, amin’ity andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy ity, ny vaovao mahakasika ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, eo amin’ny taranja baolina kitra. Niakatra an-kianja voalohany, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Geoges V, Flic en Flac, Maorisy, izy ireo. Ny ekipan’ny Seychelles no nifanandrina tamin’i Madagasikara nandritra izany ary isa sahala, 0 no ho 0, ny nisarahan’ny roa tonta. Raha ny tokony ho izy ary araka ny nambaran’ny mpanazatra, tokony ho mora tamintsika ny nandavo an’i Seychelles, saingy tsy ampy ny fahamatorana teny ambony kianja.Raha hiverenana ny lalao, nanam-bintana ny Malagasy ary nahazo penalty, saingy tsy maty. Nandaka ity penalty ity i Xavier, laharana faha-6.Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ekipan’i Maorisy ny Barea, ao amin’ny kianjan’i Georges V hatrany. Ho mafy ny miandry ireto mpilalao malagasy ireto, saingy tsy maintsy mandresy raha te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka. Ho raraka avy hatrany kosa izay resy eo satria efa samy nanao ady sahala 1 no ho 1 Maorisy sy 1 Seychelles, tamin’ny andro voalohany. Mi.Raz L’article « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio a été récupéré chez Newsmada.

Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha

Voasambotry ny polisy teny Tsimbazaza, ny 12 jolay 2019 lasa teo, ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpitam-piadiana tany Maevatanàna ny volana oktobra 2018 lasa teo…Mpivady mpandraharaha ireto nisy nandroba tao an-tranony any Maevatanàna ireto izay nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny polisy. Tsy niandry ela ny polisy any an-toerana fa nanao ny fikarohana avy hatrany ka tratra ny maraina tamin’io fotoana io ihany ny iray amin’ireo jiolahy nanafika azy mivady ireto. Nitohy ny fanadihadiana ka andro vitsivitsy taorian’izay, tratra ihany koa ny efatra amin’ireo jiolahy, nahatrarana basy miisa efatra. Tsy nijanona hatreto anefa ny fanenjehana ireo jiolahy fa nitohy ny famotorana ary fantatra fa mbola misy jiolahy iray atidoha nikotrika ity fanafihana ity tafatsoaka niakatra aty an-dRenivohitra. Nokarohin’ny polisy ity jiolahy ity ka tratra teny Tsimbazaza tamin’ny zoma lasa teo. Tsy nanampo na inona na inona ity jiolahy ity satria efa voahodidin’ny polisy nanao fanamiana sivily ny trano nisamborana azy. Noraisim-potsiny tao an-tranony izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana, isan’ireo jiolahy mpanakan-dalana eny amin’ny RN 4 ary voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny niseho tany Maevatanàna ihany koa izy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.Jean ClaudeL’article Nanafika tany Maevatanana: voasambotra tetsy Tsimbazaza ilay nandroba mpandraharaha a été récupéré chez Newsmada.

Fenoarivo Atsinanana: MD ny mpiambina farmasia nangalatra fanafody

Miezaka manova mankany amin’ny tsara ireo mpitantana eo anivon’ny Hopitalibe ao Fenoarivo Atsinanana amin’izao fotoana izao. Ny volana jona lasa teo, nahatsikaritra ny mpiandraikitra ny farmasia ao an-toerana fa misy fahabangana ny fanafody ao amin’ny farmasia. Ny trano anefa, tsy vaky nefa ny fanafody, nahitana fahabangana. Mitentina 12 tapitrisa Ar ny fanafody very tao amin’ny farmasia, araka ny fampitam-baovao voaray avy ao amin’ny Hopitalibe. Voarohirohy avy hatrany ny mpiambina ary nanaiky fa izy no nangalatra sy nivarotra amin’ny mpivarotra fanafody iray ao Soanierana Ivongo ireo fanafody avy ao amin’ny farmasian’ny Hopitalibe. Noraisim-potsiny tany Soanierana Ivongo ihany koa ilay mpivarotra halatra fanafody. Mbola hita tao an-tranony nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana ireo fanafody marobe. Ny sasany izay mbola tanaty baoritra misy soratra hoe Hopitalibe Fenoarivo Atsinanana. Nosamborina ilay mpivaro-panafody sy ilay mpiambina farmasia ka natolotra ny fampanoavana avy hatrany izy ireo taorian’ny famotorana ka naiditra vonjimaika am-ponja (MD) ao amin’ny fonjan’i Fenoarivo Atsinanana.Sajo sy J.C  L’article Fenoarivo Atsinanana: MD ny mpiambina farmasia nangalatra fanafody a été récupéré chez Newsmada.

Halatra fanafody

Voatazona am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray mpiambina amin’ny hopitaly sy olona iray hafa voarohirohy ho nangalatra fanafody tao amin’ny hopitaliben’ i Fenoarivo Atsinanana, tamin’ ny volana jona lasa teo. Voatondro ho mangalatra ny fanafody amidy ao amin’ny fivarotam-panafody ilay mpiambina. Nitazona izany kosa ny olona iray mipetraka any Soanierana Ivongo. L’article Halatra fanafody est apparu en premier sur AoRaha.

Ampanefena: zazakely novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Nampihoronkoditra! Fatin-jazakely eo amin’ny fito na valo volana eo ho eo ny hita faty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany Ampanefena Avaratra, Vohémar. Araka ny fampitam-baovao voaray, omaly, nisy renim-pianakaviana iray niantso ny lefitry ny ben’ny Tanàna ao Ampanefena nilaza fa misy fatina zazakely ao amin’io fokontany io. Teo no ho eo ihany, nidina tany an-toerana ny lefitry ny ben’ny Tanàna niaraka tamin’ny kaomandin’ny borigadin’Ampanefena niaraka tamin’ny dokotera nizaha ny razana. Nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa ny tapany ambany amin’ilay zaza ihany sisa hita manomboka eo amin’ny valahany no ho midina. Tsy fantatra mazava hoe zanak’iza marina ity zazakely hita faty ity. Niantso ny fokonolona avy hatrany ny manam-pahefana ao an-toerana ka noraisin’ny eo anivon’ny kaominina an-tanana ny fandevenana ilay razana, omaly ihany. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana amin’izay mety ho tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao.J.C L’article Ampanefena: zazakely novonoina tamin’ny fomba feno habibiana a été récupéré chez Newsmada.

Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha

Ifantohana manokana miaraka amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny fampiroboroboana ny fambolena ao amin’ny lemaka Bas Mangoky. Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, nentina any an-toerana ny vokatry ny fikarohana karazam-bary.Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Priaso (1) ny fikarohana karazam-bary mety any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ny herinandro lasa teo, niarahana tamin’ny tantsaha mpamboly amin’ny lemaka Bas Mangoky, ny vokatry ny fikarohana. Nisy karazam-bary 18, ka 14 ny avy amin’ny Africarice ary efatra ny avy amin’ny Fofifa. Nomena sehatra malalaka hisafidy amin’izay mety aminy na PVS (2) ny tantsaha, hanatsara kokoa ny vokatra raha oharina amin’ny efa fanao tany aloha.Raha eo anivon’ny Africarice, firenena maro aty Afrika ny efa nitondrana izany nanomboka tamin’ny fanaovana andrana, misy maharitra telo taona, tonga amin’ny fambolena karazam-bary mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro, hatramin’ny fomba amam-panaon’ny mpamboly. Toy izany koa ny atao any amin’ny lemaka Bas Mangoky.Tonga any an-toerana ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena nampiofana sy nampahalala ireo tantsaha momba ireo karazam-bary ireo. Momba izay safidy izay indrindra, nampahalalana azy ireo ny dingana natao momba ny fikarohana mialoha izao fanaparihana azy izao.Atao izay hahamora ny fanapariahana sy ny handraisan’ny tantsaha azy, koa raha hita ny fahombiazana amin’ny taom-pambolena fampiharana azy, hatao izay hanatevenana azy hahazoana masomboly vaovao ho an’ny taom-pambolena manaraka. Hampahafantarana ny sampam-pikarohana ihany koa izay karazam-bary nahitana fahombiazana teo amin’ny vokatra.Tanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/haTanjona ny hahazoam-bokatra 10 t/ha, efa vitan’ny tany Afrikanina sasany (Gabon, ohatra), any amin’ny lemaka Bas Mangoky, manomboka amin’ny fanajariana ireo fotodrafitrasa, tonga amin’izao teknika vaovao izao. Fianakaviana iray alina mahery ny mahita tombontsoa any an-toerana. Tohanan’ny Bad amin’ny famatsiam-bola ny lemaka Bas Mangoky nefa tsy any ihany ny faritra mpamboly vary eto amin’ny Nosy mila tosika amin’ny lafiny maro. Ny fanjakana koa moa, zatra miandry famatsiam-bola avy any ivelany. R.Mathieu Piaso (1) : Projet de réhabilitation des infrastructures agricoles de la région Sud-OuestPVS (2) : Sélection variétale participativeL’article Lemaka Bas Mangoky: nomena hisafidy karazam-bary volena ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

Sambava : Zazavavikely 2 taona narian-drainy teny amoron-dalana

Zazavavikely sahabo ho roa taona eo no nisy nanary teny amoron-dalana, afak’omaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Antaimby, an-tampon-tanànan’i Sambava. Raha ny vaovao voaray, dia taitra ireo mpiantsena tao Antaimby raha nahita an’ity zaza nitsirara natory tamin’ny tany, ka vory ny olona nijery, ary tao anatin’izany no nisy nahafantatra ny anaran’ny ray aman-drenin’io zaza nisy nanary io sy ny adiresiny. Nampahafantarina ny Polisy tao amin’ny Kaomisaria Sambava Centre ny zava-misy, ary nentin’ireo olona tsara sitrapo teny amin’ny hopitalibe Besopaka kosa ilay zaza, saingy tsy nahitana soritr’aretina izy, hoy ny mpitsabo, ka nasaina niverina. Nony hariva ny andro, nipoitra teny amin’ny biraon’ny Polisy ny renin’ity zaza, ary nanazava tamin’ny mpitandro filaminana, fa tsy nanary anaka izy, fa « noho tsy fandraisan’ny rain-janako andraikitra amin’ity zaza tsy salama, dia voatery nomeko azy ilay zaza raha sendra nifanojo teny an-tsena izahay, kinanjo dia nilaozany io zanakay io », hoy Rtoa Noé mipetraka ao Antanifotsy Sambava. Eric ManitrisaL’article Sambava : Zazavavikely 2 taona narian-drainy teny amoron-dalana a été récupéré chez Midi Madagasikara.