«Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao

News - «Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao

News - «Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao

Nampidirina am-ponja
vonjimaika ao Miarinarivo ny olona miisa dimy voarohirohy amin’ny
famarotana ireo entana sarobidy tao amin’ny trano fonenan’ny filoha
teo aloha, i Tsiranana Philibert, ao Ampefy, ny 5 jona lasa
teo.

Isan’izany ny mpiambina ny toerana,
atidoha nikotrika ny asa ratsy, ireo namany miisa telo nanampy azy
sy ny mpividy ireo entana halatra. Niaiky ny heloka nataony io
lehilahy mpiambina trano io taorian’ny nahatrarana azy tao
Analavory, ny 8 jona teo. Nilaza ilay lehilahy mpiasa ao amin’ny
« résidence » io fa efa nanomboka ny volana septambra
2020 ny namarotany tsikelikely ireo entana sy ny fanaka amin’ny
vidiny mora ary tonga hatramin’ny antsasa-bidy mihitsy izany.
Taorian’izay, nanondro ireo namany mpiray tsikombakomba aminy
amin’ny asa ratsy izy.

Fiara iray nitatitra ireo entana
halatra ihany koa no nogiazana. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa
ireo olona 24 hafa voalaza fa nividy ireo entana halatra taorian’ny
fampanoavana afakomaly tao Miarinarivo. « Mbola hitohy ny
7 jolay izao ny fanadihadiana lalina ny raharaha », hoy
ny fanazavan’ny zandary avy ao Soavinandriana misahana ny
fanadihadiana.

 

Entana
sarobidy

Efa tafaverina avokoa ny 80%
amin’ireo entana sarobidy halatra raha mbola tadiavina kosa ireo
hafa. “Nametrahan’ny kaominina mpiambina ihany koa io tranon’ny
filoha teo aloha io”, hoy kosa ny fanazavan’ny zandary avy ao
Miarinarivo. Fepetra noraisina, hoy izy, ny fanamafisana ny
fisafoana ataon’ny zandarimaria eny an-toerana, indrindra ny
fitobiany eny amin’ny alina. Natao izany mandra-piandry ny
fanapahan-kevitra avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika.

Tsiahivina fa ny 5 jona lasa teo,
nahazo fampandrenesana mahakasika ireo fahaverezana entana ireo
zandary ao Ampefy. Tsikaritr’ireo olona teny an-toerana fa tsy tao
intsony ny mpiambina ny tranon’ny filoha teo aloha io, maro ihany
koa ny entana very, antony nahatonga ny sefo fokontany avy ao
Avarabohitra sy ny ben’ny Tanànan’Ampefy niantso ny mpitandro
filaminana. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny zandary nijery
ny zava-misy. Nantsoina ihany koa ireo tompon’andraikitra avy ao
amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Hita tamin’izany fa tsy tao
intsony ireo entana sarobidy rehetra izay misy vita avy amin’ny
andramena. Lasan’ireo tsy mataho-tody hatramin’ny varavarankely, ny
varavarambe, ny « moquette », ny karipetra, ny armoara sy
ny seza ary ny kojakoja rehetra. Hany sisa tavela tao amin’ny
efitra telo sy ny efitrano fandraisam-bahinin’ny trano fonenan’ny
filoham-pirenena teo aloha io ireo enta-mavesatra toy ny vata
fampangatsiahana, ny lafaoro.

 

Fanadihadiana

Voalaza fa nividy ireo entana
halatra ny mponina avy ao Ampefy sy ny manodidina ary
tompon’andraikitra nivarotra izany ny mpiambina. « Ny
mpiasa ao ihany no mamoaka ireo entana sarobidy ireo. Rehefa natao
ny famotorana, olona 29 ny voasambotry ny zandary ary nanaovana
famotorana tao Miarinarivo », hoy Ratolojanahary, mponina
ao an-toerana. Nambarany fa mety ho tsy nahafantatra ireo olona
mpividy fa entana avy ao amin’ny « résidence » ireo
entana novidiany ary entana namidy, antony nahatonga ireo olona
roboka tamin’ny fividianana izany.

 

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article «Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Midi Madagasikara

Galana Ankorondrano : Voatafika tao anatin’ny fety ny fivarotan-tsolika

Manodidina ny tamin’ny valo ora alina no nitranga ny fanafihana. Roa lahy izay nandeha scooter ary nitondra basy no tompon’antoka. Nambanan’izy ireo ny fitaovam-piadiany teny aminy ny « pompiste » roa ary noterena hanome ny vola rehetra. Tsy nionona tamin’izay fa mbola norobaina koa ny mpamily ireo fiara telo izay saika haka lasantsy teo ka nilahatra. Nambanana basy dia nalaina ny vola teny amin’izy ireo. Vita izay dia niditra indray tao amin’ny trano izay sady birao no fivarotana entana ireo jiolahy. Mbola lasan’izy ireo koa ny vola teo amin’ny « caisse ». Tao anatin’ny fotoana fohy no nanatontosan’ireo olon-dratsy izany fanafihana izany. Ny olona nisomebiseby nitondra ny fianakaviany nanao harendrina ary izy ireo kosa nanararaotra nanao ny fandrobàna. Poa toa izay dia nanjavona teo amin’ilay toerana. Raha ny fanamarihana azo dia tsy nanao saron-tava ireo tompon’antoka. Toy ny fivarotan-tsolika rehetra dia azo heverina fa misy « vidéosurveillance » mipetaka eo amin’io toerana io. Mety hanampy betsaka amin’ny fahafantarana ny jiolahy izany noho izy ireo tsy nisy saron-tava. Isan’ny toerana betsaka mpiambina Ankorondrano kanefa isan’ny be mpanendaka koa. Izao indray aza dia efa tonga amin’ny fandrobàna mitam-basy ny zava-misy. Tsy atahoran’ny jiolahy mihitsy izany ny fisian’ireo mpiandraikitra fiambenana. Nidina teny an-toerana ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny alin’ny nitrangan’ny fanafihana, ary nanontany ny tena fandehan-javatra. Mifantoka betsaka amin’ny fanadihadiana ny olony ankehitriny. D.RL’article Galana Ankorondrano : Voatafika tao anatin’ny fety ny fivarotan-tsolika a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana: tsy hanaiky ireo mpitatitra mpikamban’ny MAMA

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mutuelle d’assurance Malagasy (MAMA) raha tsy mametra-pialana ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy ny taona 2018. Tokony hohajaina ny lalàna sy ny sata mifehy ny mpikambana hampirindra ny fitantanana ny asa rehetra. Voalazan’ny mpitantana ny MAMA fa ara-dalàna ny fanatanterahana ny fifidianana ary nanaraka ny fenitra. Mangataka ny lisitr’ireo olona mpitatitra nandeha nifidy tany Nosy Be ny mpitatitra hanamarinana ny maha ara-dalàna ny voka-pifidianana. Mitaky ny hamerenana ny fifidianana rahateo izy ireo ka ny mpitatitra no hisahana ny andraikitry ny filakevi-pitondrana fa tsy olona havan’ny mpitantana teo aloha. Mbola handefa taratasy fampahafantarana ny olana misy ao anatin’ny MAMA ny mpitatitra satria efa voaangona ny sonia an’ireo mpikambana tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna.Tokony handray ny andraikiny ny minisitera misahana ny trano fiantohana ary mila mametra-pialana hatramin’ny faran’ny herinandro ireo mpikambana enina tsy manara-dalàna amin’ny filankevi-pitondran’ny MAMA. Nitondra ny porofo manamarina ny tsy maha ara-dalàna ny fifidianana ny mpitatitra, omaly teny Ankazomanga.Vonjy A. L’article Tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana: tsy hanaiky ireo mpitatitra mpikamban’ny MAMA a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Johnson & Johnson : La vaccination ouverte au grand public la semaine prochaine

En tant que dirigeant, le Premier ministre Christian Ntsay a donné l’exemple à la population. La campagne de vaccination avec le Janssen est prévue débuter la semaine prochaine, d’après le ministère de la Santé publique. Elle s’étalera tout au long de l’année avec des centres de vaccination de proximité Soulagement. Après presque un mois d’attente après la réception du vaccin Janssen à Ivato , le ministère de la Santé publique a enfin communiqué le calendrier de  la campagne de vaccination . D’après le Directeur du programme élargi de vaccination (DPEV) , le Dr Rivo Rakotonavalona, la  vaccination est ouverte à toutes les personnes majeures à partir de la semaine prochaine. Le ministère a également prévu de mettre en place plusieurs sites pour éviter les longues files d’attente. « L’inscription est obligatoire avant l’administration de ce vaccin monodose. Nous allons multiplier les vaccinodromes car c’est une campagne qui s’étalera tout au long de l’année » , a-t-il souligné.  A rappeler que le gouvernement a fixé l’objectif de vacciner 4 millions de Malgaches en 2021 et 10 millions en 2023. Vaccination spécifique. Le site sis au Centre hospitalier universitaire Joseph Raseta Befelatanana (CHU JRB) a enregistré depuis le 11 août 3500 personnes vaccinées. Il s’agit des agents de santé , des forces de l’ordre , les personnes âgées de plus de 55 ans , les personnes avec comorbidité, les travailleurs sociaux , les missionnaires et les étudiants qui vont étudier à l’étranger. Hier , le Premier ministre , Christian Ntsay s’est rendu sur place pour se faire vacciner mais également pour montrer  l’exemple à suivre. Cependant, il a réitéré que la vaccination est un acte volontaire mais il incombe aux dirigeants de sensibiliser les citoyens à se protéger.  Concernant le vaccin AstraZeneca , plus de 25 000 personnes ont reçu jusqu’ici leur seconde dose. Elles peuvent télécharger sur le site  https://vaksiny.gov.mg le certificat électronique avec leur identifiant et leur mot de passe qui sont déjà inscrits sur la carte de vaccination. Narindra RakotobeL’article Johnson & Johnson : La vaccination ouverte au grand public la semaine prochaine a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

“Miss Maman Mada”: ho fankasitrahana ireo reny mendrika

Iza ny hisalotra ny anaram-boninahitra? Misy fito ireo reny mifaninana anatin’ny “Miss Maman Mada 2021”, mitondra ny anarana “Fanamby”. Fifaninanana santatra izy ity, natao ho fankasitrahana ireo reny mendrika sy nahavita be teny ho eny. Fanehoana ny traikefa ananan’ny tsirairay anaty “videos”, zaraina ho hitan’ny besinimaro ao anatin’ny pejy “facebook” an’ny “Miss Maman Madagascar” no tena natao. Samy manana ny traikefany sy ny talentany ireto reny nifaninana ireto ka sady fizarana ho an’ny mpanaraka ihany koa izany. Nisy ihany koa anefa ny filatroana sy ny fizarana sary, nentin’ireo mpifaninana nandresy lahatra ny mpanaraka, mba hanisy “j’aime” maromaro. Efa nifarana ny 10 mey teo ny fizarana ireo traikefa ho an’ireto mpifaninana ireto. Ny 26 mey amin’ny 5 ora hariva kosa ny fanisana ireo “j’aime” ho an’ireo mpanaraka. Ny 28 mey no fanomezana ny satroboninahitra sy ny loka maro hafa. Marihina fa ny safidy nataon’ireo mpanaraka sy ny safidin’ny mpitsara no hatambatra hanome ny valin’ny fifaninanana.Zo ny AinaIreo mpifaninana: N1 Pex Ravoniarisu N2 Lalaina RavahyN3 Ermine RakotonarivoN4 Miantsa NofyN5 Ollie Ollie RatsisetrainaN6 Laurakely GasyN7 Holy Sambatra Andriatsiresy L’article “Miss Maman Mada”: ho fankasitrahana ireo reny mendrika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ratovoson Tahina Juliana: « Fandresena ho an’ny tanora izao fanendrena izao »

Isan’ireo minisitera manana minisitra lefitra, ny minisitera ny Tanora sy fanatanjahantena. Araka ny efa fantatra, voatendry ho amin’io toerana minisitra lefitra misahana manokana ny tanora io, Ratovoson Tahina Juliana.Nambarany fa fandresena lehibe ho an’ny tanora malagasy, izay mandrafitra ny 70 isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara, izao fanomezan-danja manokana ny tanora izao. “Matoa omena sehatra toy izao ny minisiteran’ny Tanora dia tsapan’ny filoham-pirenena fa tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tanora”, hoy ny nohamafisin-dRatovoson Tahina Juliana, izay voatendry hisahana ity andraikitra ity, eo anivon’ny MJS. Tsy handraraka ilo mby an-doha izy, araka izany fa hanohy ny ezaka efa natao fony izy mbola Tale Jeneraly ny Tanora. Tetikasa efa napetraka ary mbola hotohizana ny “Youth Connect”, ny fiantsoana ireo tanora amina tetikasa ka hampitomboina ny mpisitraka izany. Eo ihany koa ny mahakasika ny fialam-boly, izay hampivondronana ny tanora manerana ny Nosy. Havaozina ireo tranoben’ny tanora miisa 46 manerana ny Nosy ka hampanarahana ny toetr’andro izany, raha ny nambaran’ity minisitra lefitra ity. Araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, hidina ifotony hatrany Ratovoson Tahina Juliana, hahafahany mifanakaiky bebekokoa amin’ny tanora.Minisitra zandriny indrindraMampiavaka an-dRatovoson Tahina Juliana, ny teny filamatra “Tanora mandray andraikitra”. Porofoiny amin’ny asa ataony izany, satria vao 32 taona monja izy izao kanefa efa misahana andraikitra goavana eo anivon’ny firenena. Izy ny minisitra zandriny indrindra ao anatin’ny governemanta. Vao 19 taona monja izy dia efa nampianatra teny anglisy tany amin’ny Lycée Ambatondrazaka. Nivoatra tsikelikely tany anatin’ireny fikambanana tanora ireny izy ary nanomboka nitantana mahakasika ny fampiroboroboana ny tanora, teo amin’ny 24 taonany. Nanomboka ny taona 2015, Ratovoson Tahina Juliana no nisahana ny andraikitra “Directeur du Partenariat et du développement” tao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Voatendry ho Tale Jeneraly ny tanora kosa izy, nanomboka ny taona 2019 ary izao nahazo ny toerana minisitra lefitra misahana ny tanora izao. Teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, andraikitra tena nahafantarana azy ny nahavoafidy azy ho filoha lefitry ny « Union Panafricaine de la Jeunesse ». Ankehitriny, voatendry ho filoha an’io vondrona io satria lasa nisahana andraikitra hafa ny filoha tompon-toerana. Mi.Raz L’article Ratovoson Tahina Juliana: « Fandresena ho an’ny tanora izao fanendrena izao » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis »

Velon-taraina indray ireo tanora vao afaka fanadinana eo anivon’ny familiana fiarakodia ao Toamasina. Anjakan’ny kolikoly izany ka lasa fototra mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika. Tsy manana traikefa amin’ny familiana fiara sady tsy mbola mahafehy azy akory. Ho an’ireo afaka fanadinana, vola hafa ankoatra ny haloa ara-dalàna eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanomezana fahazahoan-dalana hamily fiara no hefaina eny amin’ny mpikarakara vao azo izany. Nambaran’ireo tanora nitaraina tamin’ny mpanao gazety fa mandoa 50 000 Ar amin’ireo iraky ny mpikarakara vao azo ny “permis” eo amin’ny birao misahana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny “permis”, etsy amin’ny lapan’ny Faritanin’i Toamasina. Milaza mantsy izy ireo fa 20 isan’andro ihany ny zaraina ka noho izay, aleon’izy ireo mihitsy matory eto an-davarangana ho tafiditra anatin’ny  20 omena isan’andro. Mbola tsy mahazo ihany indray anefa satria mila manolotra vola 50 000 Ar vao mety, araka ny voalazan’ireo niharany. Nohamafisin’ireto tanora vao haka ny “permis” ireto fa hatrany amin’ny fanaovana fanadinana hahazoana “permis” sy ny fanadinana ho an’ny fahafahana amin’ny “code de la route”no efa manomboka ny kolikoly ka izay manome 50 000 Ar ny mpampanao fanadianana, afaka avy hatrany tsy mila mitondra fiara intsony fa omena naoty tsara. Aiza ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ao an-toerana amin’izany zava-misy izany ?SajoL’article Toamasina: misy kolikoly ny fanaovana « permis » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM

Niompana tamin’ny fandokoana  ny vavahady sy ny fanadiovana ary ny  fambolena voninkazo  eo amin’ny  CSB II Ampahimanga Ambohimanambola  ny hetsika « Asa Tagnamaro » nataon’ny Vehivavy malagasy miara-miainga (VMMM), ny faran’ny herinandro teo. Efa notanterahin’ny tanora – TMMM  ny fanavaozana ny lokon’ny tobim-pahasalamana. Ankoatra izany, asa sosialy efa fanao isan-taona rehefa ririnina ny famoran-jaza. Anisan’ny nisitraka izany hatrany ny eo  anivon’ny distrikan’Avaradrano. Notanterahina ny herinandro  lasa teo ny anjaran’ny kaominina Ambohimanambola.Nanolotra lamba ho an’ny fandriana fiterahana tao amin’ny CSBII Ambohimanambola ny  VMMM. Ankoatra  izany, nahazo rompatsa avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko  Malagasy miara-miainga ireo reny mpiteraka miisa roa  tao amin’ity  CSB II eny an-toerana ity.Synèse R. L’article Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina

Mbola ambentin-dresaky ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, ny sokajy misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019». «Azo atao tsara ny vondrona misy antsika», hoy ireo teknisianina.  -I Debon Jean-François (tale teknika nasionaly)Azo atao tsara, raha ireo mpifanandrina amin’ny Barea ireo fa miankina amin’ny fahavononana sy ny paik’ady apetraky ny mpanazatra fotsiny sisa. I Nizeria no heverina fa ho mafy, saingy azo resena ihany koa. Na izany aza, afaka miady ny toerana faharoa ny Barea ary tokony ho tafavoaka amin’ity vondrona B ity.Mino aho fa anisan’ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana ny Barea de Madagascar, amin’ity, raha lazaina ny lojikam-baolina. – Odon Michel (mpanazatra Jet Mada)Ny sarotra, ao amin’ity sokajy ity, i Nizeria izay manao baolina anglisy, izany hoe, matanjaka. Raha ny hevitro, hiadiana ny toerana faharoa. Miankina amin’ny voka-dalao eo amin’ireo lalao roa voalohany ihany koa anefa io. Mandeha io raha vao tsara fanombohana. Azo atao tsara izany ny miakatra amin’ny dingana faharoa.Feno fanantenana aloha ny tenako fa mbola hahita ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fihodinana faharoa, amin’ity “Can 2019 ity. Tsy tokony ho sakana mihitsy i Ginea sy i Borondi. -I Raux Auguste (mpanazatra Uscafoot)Raha ny vokatry ny fisarihana aloha, nahazo vondrona mora ny Barea. Miankina amin’ny fanomanana sy ny paikadin’ny mpanazatra ny herijika hiakarana amin’ny fihodinana faharoa. Na izany aza, mila mailo ihany satria mahay koa ireo mpifanandrina ireo matoa tafita hiatrika ny “Can 2019” ka tsy tokony hambaniana.Mitovy hevitra amin’ny rehetra aho fa mba anisan’ireo ekipa miakatra amin’ny fihodinana faharoa ny Barea de Madagascar, amin’ity. Mirary soa ho azy ireo hahavita dingana lavidavitra kokoa, amin’ity “Can 2019” ity. Nangonin’i Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mankahery sy mandrisika ny atleta hatrany ny Minisitera

Isan’ny antoka iray tena mampahomby sy hahazoan’ireo atleta fahombiazana mandritra ity Lalaon’ny Nosy, tanterahina aty Maorisy ity, ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena. Azo lazaina fa eo akaiky hatrany na aiza na aiza misy ireo atletantsika mandray anjara amin’ity lalao ity. miakatra an-kianja aty Maorisy, dia hita eo hatrany ingahy Tinoka Roberto, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy ambava fotsiny fa tanterahiny  amin’ny asa ataony ny teny navoakany, nandritra ny fotoana nandraisany ny fitantanana ity minisitera ity, izay hoe hanakaiky anareo tanora mpanao fanatanjahantena hatrany izahay ary  rehefa misy ny fifaninanam-pirenena karakarainareo, indrindra rehefa faran’ny herinandro dia ho hita eny foana ny tenako sy ireo mpiara-miasa amiko.Nanome hery ny atleta tokoa izany ary lasa nivadika ho fananana fahatokisantena ho azy ireny satria dia tsy miady irery intsony rehefa eny ambony kianja fa eo indrindra ny ray aman-dreny manohana sy mampahery azy ireny. Miarintsoa.Raz L’article Mankahery sy mandrisika ny atleta hatrany ny Minisitera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina: 23 mianadahy niofana ho an’ny fizahantany

Namoaka 23 mianadahy, misehatra amin’ny fizahantany, ny sekoly tsy miankina Ariane Tour, ny asabotsy 20 jolay teo. Nitondra ny anarana hoe “Ravinala” ity andiany ity, niofana nandritra ny roa taona taorian’ny fahazoany ny diplaoma bakalorea.Azo adika fa avo lenta ny fiofanana satria ambony ny salanisa azon’ireo mpiofana. Nahazo naoty 19,76/20 ny voalohany, 19,5/20 ny faharoa ary 19,1% ny fahatelo.Nambaran’ny mpampiofana, mpanorina sady talen’ny sekoly fa maro ny taranja nianaran’izy ireo, mahafeno ny fepetra takin’ny fikirakirana ny fizahantany. Toy ny fandrahoana sakafo, ny fandraisana olona, ny fandrosoana sakafo, ny fitarihan-dia, ny fandikan-teny, ny fikarakarana efitrano, ny sns. Nanao fitsidiham-paritra ihany koa izy ireo nandritra ny fiofanana, niampy fanarahana zotram-pizahantany (circuit touristique).Notsoriny koa fa olana eto amintsika ny tsy fisian’ny sekolim-panjakana mampiofana toy izao, indrindra any amin’ny faritra, nefa any amin’ny faritra no tena toerana mahaliana ny mpizahatany eto Madagasikara. Mba tokony ho mora kokoa amin’izay ny saram-pianarana satria mbola midangana ny an’ny sekoly tsy miankina.Sajo sy Njaka A.L’article Toamasina: 23 mianadahy niofana ho an’ny fizahantany a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Yamaha twin
11/10/2021

moto : Yamaha twin 850ccContact: 0330805246Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Yamaha twin".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

Emploi et services QUANTUM ANALYZER
11/10/2021

 LA TECHNOLOGIE AU SERVICE DE NOTRE BIEN-ETRELe QUANTUM ANALYZER  est un nouvel outil pour contrôler le fonctionnement de vos organes. Une technologie de pointe qui permet d’avoir un bilan général complet en 60 secondes. Des produits naturels sont à votre disposition pour les éventuelles  anomalies.Principe de l'Analyse par le Quantum Analyzer  Le corps humain est un agrégat de nombreuses cellules qui, sans interruption se développent, se dédoublent, se régénèrent et meurent.Les cellules se remplacent par scission. Pour les personnes adultes, environ 25 millions de cellules fractionnent chaque seconde et les globules sanguins les remplacent constamment à un taux d'environ 100 millions par minute.En cours de dédoublement cellulaire et renouvellement, les corps chargés du noyau et les électrons extra-nucléaire émettent des ondes électromagnétiques sans interruption. Les signaux des ondes électromagnétiques émises par le corps humain représentent l'état spécifique de l'état de santé d'un individu. Les différents signaux des ondes électromagnétiques seront émis selon l'état de santé des organes.AVANTAGES :  • Rapide et efficace  • Accessible à tous  • Non-invasive  • Pratique  • Économique 38  Rapports seront obtenus :Contact: 032 87 550 88 – 033 07 683 00 – 034 64 553 53 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services QUANTUM ANALYZER".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE
15/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne
13/10/2021

Ayant 11ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement (9ans particulier, 6ans programme Français et 4ans Universitaire, 3ans cours en ligne(live video) )et diplômé en Master Mathématiques appliquées. Je vous offre des cours particuliers : - Mathématiques: 6eme- Tle A, C, D, ES, S ( systèmes éducatifs malagasy).- Mathématiques: 6eme- Tle Spé math spé maths, option maths expert ou informatique( systèmes éducatifs Français). - Analyse, algèbres, statistiques et probabilités appliquées, mathématiques appliquées, mathématiques générale, mathématiques financière, base informatique(Universitaire: Économie, gestion, Informatiques, ...). Mon but est de faire progresser l'étudiant sans le surcharger avec des méthodes très efficace. N'hésiter pas à me contacter pour de plus amples informations. À bientôtMr JackisCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Cours de Soutien en maths, syst Malagasy, syst Fraincais, et universitaire à domicile et/ou en ligne".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Notsongaina

Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar
12/10/2021

Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma maraina teo ireo lehilahy roa mpanao taratasy hosoka mahakasika “carte de santé” an’ireo mpiasa amina orinasa iray. Ny iray amin’ireo jiolahy izay mpianatrasa ho farmasianina raha mpiray tendro aminy kosa ny lehilahy iray hafa. Efa nahtratra 10 tapitrisa Ar ireo ny vidim-panafodin’ilay orinasa lasan’ireo jiolahy ary efa fanaony mihitsy izany noho ireo fanafody amidiny amin’ny vidiny mora.Mampiasa “carte de santé » hosoka amin’ny anarana orinasa iray ireo jiolahy. Orinasa izay miantoka ireo olona mpikambana ao aminy ka hahafahan’ireo marary tsy mandoa vidim-panafody. Araka izany, tsy maintsy manana « carte assurance » ireo mpikambana ka io karatra io no nataon’ireo lehilahy ireo hosoka amin’ny « ordonnace » hosoka misy ny tombokase hosoka ana dokotera ihany koa. Taty aoriana, tsikaritr’ilay orinasa fa misy mampiasa karatra hosoka amin’ny anaran’izy ireo, toy izany koa ireo taratasim-panafody izay tsy mifanaraka velively ao aminy ka nahatongan’ilay orinasa nametraka fitoriana teny amin’ny Service central des affaires réservées. Vokany, voasambotra teny Ambohibao, tao amina fivarotam-panafody teny an-toerana ny lehilahy iray.Henintsoa HaniL’article Fampiasana « carte de santé » hosoka: mpianatrasa iray efa nahazo hatramin’ny 10 tapitrisa Ar a été récupéré chez Newsmada.

FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina….
12/10/2021

Malagasy tsy mataho-tody. Malagasy mpivarotra tanindrazana. Malagasy tsy matahotra an’Andriamanitra. Malagasy sahy mandatsak’aina. Malagasy mpanindrahindra sy mpanao an-doloha ny fomban’ny hafa. Malagasy mpamadika… Tsy misy idiran’ny politika sy ny toekarena ireo tranga mamotika an’i Madagasikara ireo. Raha ireo no iaingana, voaporofo fa fandrebirebena sy fanodinkodinan-javatra tsy tiana ho hita fotsiny ny fanaovana resabe etsy sy eroa.Nitondra faharavan-javatra maro ny fahapotehan’ny kolontsaina malagasy. Firy tamin’ireo didy aman-dalana navoaka teto Madagasikara no niteraka fifamaliana sy fifandrafesana teo amin’ny samy Malagasy noho ny tsy fifankahazoan-kevitra ny amin’izay tena tian’izy ireny hambara ?… Satria tsy fomba fisainana malagasy, tsy fiteny malagasy, tsy hitsinjovana ny tanindrazan’ny Malagasy, sns, no namolavolana azy ireny hany ka samy nandroritra izay heveriny fa dikany.Efa voaporofo ihany koa fa tsy ny fananana diplaoma manaka-danitra no hanala an’i Madagasikara ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana izao fa ny fananam-panahy sy fananam-pahendrena. Kolontsaina madiorano ireo fa tsy resa-politika na toekarena ventimbetesina etsy sy eroa.… Sa ve atao izay hahavalalanina ny Malagasy amina resabe politika amin’izay tsy mahita sy tsy mahafantatra fa potika tanteraka ny maha izy azy anisan’izany ny kolontsainy ? Mahavariana raha izay tokoa no izy, satria efa paikady fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona hatramin’izay ny tahaka izany kanefa mbola tsy fantatry ny Malagasy sasany ihany ny fisiany hatramin’izao !HaRy RazafindrakotoL’article FAKAFAKA: Kolontsaina… Kolontsaina… Kolontsaina…. a été récupéré chez Newsmada.

Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea
11/10/2021

Nampitaintaina! Namelona indray ny fanantenana teo amin’ny mpitia baolina kitra malagasy ny fandresen’ny Barea ny Leopard-n’i Congo, omaly. Nahazo isa 3 ny Barea ary mbola manohy ny lalana amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”.Niverina ao anaty hazakazaka ho an’ny fiadian-toerana, amin’ny “Mondial 2022”, indray ny Barea de Madagascar, rehefa nandresy ny Leopard-n’i Congo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, omaly alahady 10 oktobra. Ny faharesen’i Benin, nanoloana an’i Tanzania, tamin’io isa tokana io ihany koa no hananan’ny Barea, herijika indray. Samy mbola afaka miandrandra ny ho tafita avokoa, araka izany, ireo ekipa efatra.Hatreto,  mitarika amin’ny isa 7 mitovy i Benin sy i Tanzania arahiin’i RD Congo, amin’ny isa 5 ary fahefatra ny Barea, isa 3. Mbola hangotraka, araka izany, ny andro fahadimy sy fahenina. Raha tsy misy ny fiovana, hanafika any Benin ny Barea, ny 11 novambra ary hampiantrano an’i Congo kosa i Tanzania. Ny 14 novambra, handray an’i Tanzania ny Barea ary hanafika any Congo i Benin.Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, naneho fahavononana avy hatrany ny Barea, nahitana ireo mpilalao tanora nalahatr’i Eric Rabe, mpanazatra. Anisan’ireny i Mathyas, mpiandry tsatoby. Teo koa i Fabien Boyer sy i Fabrice, niampy an’i Marco sy i Rayan. Vao nanomboka 2 mn dia efa matin’i Njiva ny baolina taorian’ny tranonkala nifanaovan’i Rayan sy i Marco ary i Metanire. Nanindry avy eo ry Bakambu sy ry Binda ary i Samuel, saingy tsara ny hiditrano nataon’i Boyer sy i Mamy Gervais. “Afa-po tamin’ny lalaon’ny ekipa aho, satria nisy fahatokisana sy toe-tsaina vonon-kiady. Misy valiny foana ny ezaka atao ary mandeha miandalana ny vokatra. Tonga dia tafiditra ireo mpilalao tanora, saingy mila fahazarana kely. Tsy ho antsoina intsony ireo mpilalao nanda ny hanatevina ny Barea”, hoy i Eric Rabe. TompondakaL’article Fandresena nanoloana ny RD Congo (1-0): velona indray ny fanantenana, mitohy ny lalan’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

In Soccer Family Challenge : La famille Rasolofosaona sacrée
11/10/2021

Pour sa première édition, le tournoi « In Soccer Family Challenge », destiné aux familles qui veulent jouer ensemble au football, a tenu  toutes ses prouesses à Anosy-Avaratra le samedi 2 octobre dernier.  Hommes, dames et enfants ont tous chaussé leur godasses afin de venir surmonter le stress et la pression des matchs tout en conjuguant l’ambiance et le fair play. De nos jours, les moments permettant aux parents de passer des moments récréatifs avec leurs enfants se font rares, l’idée d’organiser le tournoi s’est donc fondée principalement dessus. D’après les organisateurs, le tournoi est un moment précieux pour tisser davantage les liens familiaux. Chaque équipe a été composée d’au moins une femme et un enfant de moins de 14 ans issus de la même famille. Pour les co-organisateurs, Motonifik, Paparazzi Group et In Soccer, l’objectif a été atteint. Les résultats:  Famille championne: Les Rasolofosaona Vice-championne: Les Razafitsiarovana. Trophée Ballon d’or – Meilleure joueuse: Aina de la famille Rasolofosaona. Trophée meilleur joueur: Rei de la famille Rabarilala. Meilleur Dress-code: – Famille Rabarilala – Famille Andriambelo  T.H  L’article In Soccer Family Challenge : La famille Rasolofosaona sacrée a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ombivavy « Montbéliarde »: ahazoana ronono 30 litatra isan’andro
12/10/2021

Miisa 165 ireo ombivavy beronono, karazana « Montbéliarde », nohafarana avy any Frantsa, tonga eto Madagasikara, ny 5 otkobra teo. Efa mitondra vohoka dimy volana avy izy ireo ka vao mainka hampahazo tombony ireo mpiompy hisitraka azy. Natoka-monina mandritra ny 40 andro any amin’ny Fifamanor Antsirabe izy ireo, arahi-maso ara-pahasalamana araka ny fenitra iraisam-pirenena.Manome ronono 25 hatramin’ny 30 litatra isan’andro ireto karazan’omby ireto, raha 4 litatra isan’andro ny an’ny omby malagasy. Tafakatra 40 litatra izany rehefa araka tsara ny sakafony. Izany hoe, hiampy 490.000 litatra isan-taona ny ronono eto Madagasikara. Nilaza ny minisitra lefitra misahana ny fiompiana, ny Dr. Raymond, fa hanampy ny fanjifan’ny Malagasy ronono ny fahatongavan’ny ombivavy miisa 165 ity. Mbola 5 hatramin’ny 7 kilao isan’olona isan-taona ihany no hohanin’ny Malagasy, raha efa 32 kilao any amin’ny firenena antoniny ary 250 kilao any amin’ny firenena mandroso. Anisan’ny firenena nahita fahombiazana amin’ny fiompiana ny omby “Montbéliarde” ny any Cameroun, izay efa tsy manafatra ronono any ivelany intsony.Mampiofana ny Malagasy amin’ny fifehezana ny fiompiana omby “Montbéliarde” ny teknisianina frantsay. Hotsinjaraina any amin’ireo tanora mpiompy malagasy miisa 94 ao anatin’ny tetikasa “Titre vert”, ireo omby ireo.Njaka A.L’article Ombivavy « Montbéliarde »: ahazoana ronono 30 litatra isan’andro a été récupéré chez Newsmada.

Technologies : 78% des enfants utilisent Internet
14/10/2021

Les participants à la session de formation contre l’AESEL Plus de la moitié des mineurs sur les 1 500 enquêtés par l’ONG Ecpat France utilisent Internet. 50% d’entre eux ne sont pas sous la surveillance des adultes au moment où ils sont connectés. Les enfants utilisent fréquemment Internet pour apprendre, communiquer, partager des contenus, jouer ou encore s’amuser. Ces activités ont lieu de plus en plus souvent loin de l’ordinateur familial, sur des appareils mobiles comme les smartphones et les tablettes. Bien que les parents peuvent diriger l’enfant vers des contenus intéressants, amusants et adaptés à son âge, 50% des enfants enquêtés ont indiqué ne pas être dirigés quand ils surfent. C’est le résultat des études menées par l’ONG Ecpat France sur 1.500 enfants et 500 adultes qui ont eu lieu dans six villes de Madagascar dont Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Nosy-Be et Taolagnaro. « Nous encourageons les parents à surveiller de près les activités de leurs progénitures sur Internet. Avec le développement de la nouvelle technologie, l’exploitation sexuelle des enfants à travers Internet est un phénomène qui nécessite une prise de responsabilité », selon Tokinirina Rakotoarimanana, formateur auprès de l’Ecpat France. Ces points ont été évoqués hier durant la formation des acteurs sur la terminologie relative aux Abus et exploitations sexuels des enfants en ligne (AESEL) dans le cadre du projet PAESEL ou Prévention des abus et exploitations sexuels des enfants en ligne conduit par Ecpat France et appuyé par l’UNICEF. Risques. L’utilisation des médias sociaux peut présenter certains risques. Cette étude réalisée par l’Ecpat France a permis d’apprendre que 44% des enfants enquêtés ont indiqué avoir été victimes de l’un des cinq types d’abus et exploitations sexuels en ligne comme l’online grooming, le sexting, la sextorsion, le live streaming d’abus sexuels ainsi que l’abus sexuel à partir d’une webcam, messenger ainsi que toutes les plateformes où l’on peut visionner des vidéos. Le chef du service de la législation auprès de la direction des études et des réformes législatives du ministère de la Justice, Vololoniaina Rakotonirina a indiqué que pour renforcer davantage la protection des enfants contre l’AESEL, il est primordial de faire une large diffusion de ces guides terminologiques auprès des acteurs concernés par la protection des enfants. C’est également dans ce sens que des sessions de formation seront organisées dans les six villes d’intervention du projet. Narindra RakotobeL’article Technologies : 78% des enfants utilisent Internet a été récupéré chez Midi Madagasikara.

 35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy
12/10/2021

Heni-boninahitra ny fankalazana ny faha35 taona ho an’ny tarika Kiaka… niara-nifety tamin’ny mpankafy mozika metaly tetsy Antsahamanitra, afakomaly tolakandro izy ireo. Novazoina tao avokoa ireo hira nanamarika ny tarika. Nampitora-jofo ny mpiondana metaly, ohatra, ilay hira “Revy” nataon’ny tarika Kiaka, ary nanehoan’izy ireo ny maha izy azy, na tamin’ny fomba fihira izany, na ny fomba fitendrena zavamaneno.  Nanotrona azy ireo amin’izany i Niry avy ao amin’ny tarika Iraimbilanja, i Abasse avy ao amin’ny tarika Apost, i Jacquot amin’ny tarika Green. Nikarakara ity hetsika ity ny Gasy Fest. Ny taona 1986 ny niforonan’ny tarika Kiaka. Ny kiaka dia avy amin’ny hoe hiaka hoenti-mampita hafatra, raha ny nambaran’izy ireo. Tafita tokoa ny hafatra matoa mbola am-bavan’ny olona ireo tononkira maro isan-karazany, toy ny “Ilay mahantra” sns…NarilalaL’article  35 taonan’ny Tarika Kiaka: nafana ny fiarahana tamin’ny mpankafy a été récupéré chez Newsmada.

“Raharaha Eddy bois de rose – Pr Auberlin (HJRA)”: nitohy mandrak’alina ny fakana am-bavany tetsy amin’ny fampanoavana
12/10/2021

  Nitohy hatry ny omaly alina (ora farany nanoratana) ny fanadihadian’ny teo anivon’ny fampanoavana ny Pr Auberlin Rakototiana sy Dr Jean Marie, directeur adjoint technique, izay voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny fampandosirana an’i Eddy Maminirina, fantatra amin’ny anarana hoe « Eddy bois de rose ». Raha ny fampitam-baovao farany voaray teny anivon’ny fitsarana, nanomboka omaly maraina ny fakana am-bavany teo anivon’ny fampanoavana ary nitohy hatry ny alina izany. Tsy mbola fantatra, araka izany, ny valin’ny fanolorana ireo voarohirohy teo anivon’ny fampanoavana. Isan’ireo niakatra teny anivon’ny fampanoavana i Eddy, taorian’ny fitanana azy tao amin’ny polisy Anosy. Voalaza moa fa hoe  “fampandosirana an’i Eddy Maminirina no antony nisamborana ity profesora ity sy ilay dokotera namany” . Naka rivotra teo amin’ny parking anatin’ny faritry ny hopitaly no nahitana ka niampangana azy ho nikasa handositra. Notanana nanaovana fanadihadiana teny amin’ny polisy kosa ireo mpiandry fonja niandry azy. Tsiahivina fa nisy ny fitokonana nataon’ireo mpitsabo taorian’ny fisamborana ireto dokotera ireto ka nanaovan’ireo mpanao fihetsiketsehana antso fa tsy asan’ny mpitsabo ny miambina gadra. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja (DGAP), Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary fa tsy nitsoaka ny hopitaly CHUJRA, araka ny tsaho miparitaka i Maminirina Jean Eddy, manoloana ny vaovao miely eny anivon’ny tambajotran-tserasera.J.CL’article “Raharaha Eddy bois de rose – Pr Auberlin (HJRA)”: nitohy mandrak’alina ny fakana am-bavany tetsy amin’ny fampanoavana a été récupéré chez Newsmada.

Morarano Ambatolampy: naiditra am-ponja ny sefo fokontany
11/10/2021

Taorian’ny fampanoavana tao Antsirabe, ny alakamisy teo, naiditra am-ponja vonjimaika ny sefo fokontany ao Belambo sy ny ramatoa iray lehiben’ny boriborintany Morarano (chef d’arrondissement administratif) miampy lehilahy roa mpivarotra omby. Izy ireo, izay voarohirohy tamin’ny fampiasana taratasin’omby hosoka. Araka ny filazan’ny zandarimaria, nisy ny fahitana omby niaraka tamina taratasy hosoka nandritra ny fanaraha-maso nataon’izy ireo tao amin’ny tsenan’omby Ambodivato Andramasina Ambatolampy. Nisokatra tamin’izay ny famotorana. Voalaza fa nisy roa lahy nilaza ho tompon’omby nilaza fa tsy fanta-piaviana ireo omby novidina ary tsy nanana taratasy ihany koa ka nitadiavana taratasy hanadiovana azy. Araka izany, nisanda 60.000Ar ny iray tamin’ireo taratasy  ary azo tany amin’ny sefo fokontan’i Belambo izany.  Ity farany indray no namboraka fa “Fiche individuelle de Bovin” na FIB hosoka azo avy amin-dRamatoa lehiben’ny boriborintany Morarano ireo azo. Fantatra tamin’ny fanadihadian’ny zandary fa fanaon’ireto olom-boafidy ireo ity asa ratsy ity. Manaporofo izany ireo FIB hosoka 55 isa hita tao an-tranony tamin’ny fisavana natao. Henintsoa HaniL’article Morarano Ambatolampy: naiditra am-ponja ny sefo fokontany a été récupéré chez Newsmada.

ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana
16/10/2021

Fampitomboana ny olona misitraka fandidiana. Te hampitombo ny isan’ny olona manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany ny ONG Operation Smile. Manana vina  ny ONG handidy marary miisa 500 amin’ny taona 2022. Ho maimaim-poana ny fandidiana. Mikarakara hetsika ry zareo hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka afaka manampy amin’ny fanatanterahana io tanjona io.  Nanomboka ny 15 oktobra 2021 ny hetsika fanentanana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana desambra 2021. “Ndao hifanome tanana hanome tsiky indray ireo manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Ny fanampiana voaangona amin’ity hetsika ity dia hanohanana ny fitsaboana ireo marary sy hanavaozana ny sampandraharaha misahana ny fandidiana ho an’ny zaza ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) mba hampitomboana hatrany ny isan’ny marary voadidy isan-taona. Noho ny krizy ara-pahasalamana tamin’ny taona 2020, anarivony ny Malagasy  manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany mbola miandry fandidiana. Araka ny fanazavan-dRamatoa Rakotomalala Mirana fa ny ankabeazan’ny olona marary manana fahasembanana dia avy any ambanivohitra. “Tsy ampy ny enti-manan’ireo marary ka tsy miroso amin’ny fandidiana”. Misedra olana anefa izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. “Ao no voahilikilika, betsaka ny olona matahotra azy ireo. Ny zaza te hianatra nefa jerijeren’ny namany dia lasa tsy mazoto intsony. Ho an’ny olon-dehibe dia tsy mahazo vady fa voahilikilikin’ny fiarahamonina”, hoy izy. Raha ny fanazavany dia manaranaka ny fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ny hifandraisan’izany amin’ny tontolo iainana. Ra-Nirina. Cet article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana a été récupéré chez Délire Madagascar.

Lutte contre les fraudes : Une plateforme d’échanges de données entre les douanes et les impôts
16/10/2021

Les techniciens de la DGD et de la DGI ont planché sur les moyens d’optimiser les contrôles L’Etat entend améliorer la collecte des recettes publiques. Les procédures légales sont renforcées pour y parvenir. C’est justement dans cette perspective que les administrations fiscales et douanières travaillent sur le  renforcement  des actions de lutte contre les fraudes à travers la mise en place d’une plateforme d’échanges de données La Direction Générale des Douanes et la Direction Générale des Impôts ont tenu mercredi dernier une réunion destinée justement à réorienter et à renforcer leur collaboration. Une collaboration qui ne date pas d’hier puisqu’elle a déjà fait l’objet d’un protocole de collaboration signé en 2010. Relance Déjà effectif, ce protocole a cependant  été suspendu pour diverses raisons. Sa relance va probablement améliorer les choses. Il s’agira  notamment de renforcer les contrôles mixtes et les échanges d’informations entre ces deux entités de collecte des recettes publiques. « L’objectif est d’arriver à un accroissement des recettes fiscales et douanières à travers un renforcement des contrôles et une fluidification des échanges des données », précise un responsable de l’administration douanière. En effet, l’exploitation conjointe des données et I ‘échange d’information entre les deux directions générales constituent les pierres angulaires du renforcement de la lutte contre les fraudes. Et ce, pour la bonne et simple raison que les deux administrations font face aux mêmes fraudeurs. Ce qui fait que la meilleure stratégie de ciblage et de mesure du risque de non-conformité douanière et fiscale est de coupler les bases de données des deux administrations et de partager des informations sur les profils des contribuables. Pour le contribuable, cette  collaboration entre les douanes et les impôts leur évite une perte de temps dans la mesure où les contrôles fiscaux et douaniers se font en même temps. En interne À terme, l’exploitation en commun  des informations sur les contribuables accumulées  au niveau de chacune des deux directions générales permettra d’améliorer les contrôles  et la lutte contre les fraudes et de parvenir ainsi à accroître les recettes fiscales et douanières. « Cette plateforme d’échanges de données réalisée en interne au niveau des douanes et des impôts va permettre de faire une économie d’échelle en matière de contrôle », précise Ernest Lainkana Zafivanona, Directeur Général des Douanes. Une manière en somme d’optimiser les résultats des contrôles et de limiter ainsi les fraudes et par conséquent d’augmenter les recettes fiscales. R.Edmond.L’article Lutte contre les fraudes : Une plateforme d’échanges de données entre les douanes et les impôts a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Accroissement de la population : 856 296 individus supplémentaires enregistrés chaque année
14/10/2021

La population malgache devrait doubler d’ici 2050. Madagascar affiche actuellement un taux d’accroissement annuel de 3,02% selon l’Institut National de la Statistique. Un des taux les plus élevés au monde d’après toujours cet organisme. « Au milieu de l’année 2021, nous sommes à 28.177.762 habitants ». C’est ce qu’on peut lire dans un document relatif à une projection démographique de Madagascar à l’horizon 2050. Signée INSTAT ou Institut National de la Statistique et effectuée sur la base des résultats du récent RGPH3 ou Recensement Général de la Population et de l’Habitation 3e édition, la projection note « une hausse de 2,5 millions d’individus de plus depuis l’année 2018 ». Ainsi, Madagascar devrait comptabiliser « 51,5 millions d’individus vers l’année 2043 » qui devrait être « l’année du dédoublement » de la population malgache. L’INSTAT avance également que la population malgache devrait atteindre « les 36,5 millions au terme de l’agenda de l’ONU (Organisation des Nations Unies) sur le développement durable » si la barre « des 60 millions devrait être atteint vers 2050 ». Ce qui représenterait une densité de 100 habitants au kilomètre carré contre 43,4 hab/km² début 2018. Vite. La projection effectuée par l’INSTAT révèle également que la population de la région Analamanga détient le record en matière de taux d’accroissement. « 4,26 millions d’habitants vivront à Analamanga, la région la plus peuplée du pays, et cette population s’accroîtra de 3,2% en moyenne par an » peut-on lire dans le document. Aussi, les taux d’accroissement les plus élevés seraient observés dans trois régions du Sud du pays. Entre autres, Ihorombe qui affiche un taux de 4,01% ; Melaky avec ses 3,76% et Androy qui en enregistre 3,64%. L’Institut National de la Statistique note toutefois que les taux enregistrés dans le Sud « sont à relativiser à un effectif de population parmi les plus bas pour Ihorombe (0,5 million) et Melaky (0,35 million). Avant de conclure que « le cas d’Androy reste alors le plus extrême car, déjà avec une population estimée à plus d’un million, le taux d’accroissement de la population y est parmi les plus élevés ».  Si la natalité et la mortalité constituent des facteurs déterminants de l’accroissement de la population, l’INSTAT estime qu’avec « une hypothétique mise en œuvre d’une politique rigoureuse en matière de contraception, le taux d’accroissement annuel commencera à se situer significativement en dessous de 3%, pour une valeur moyenne de 2,5% sur la période 2025-2050. Soit 1.102.000 individus en plus par an ». José BelalahyL’article Accroissement de la population : 856 296 individus supplémentaires enregistrés chaque année a été récupéré chez Midi Madagasikara.