Repoblika… demokratika

News - Repoblika… demokratika

News - Repoblika… demokratika

Tsy ilaozan’izay mamalan-kira
amin’ny politika. Tsy izy, tsy mahavoa… ? Na manao fanahy iniana.
Tsy sahy, tsy matoky tena… Ambentin-dresaka tamin’ity herinandro
ity ny hoe Repoblika. Tsy ifandovana ny fitondram-panjakana,
amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny olom-pirenena anjara ny
fanomezam-pahefana izay mitondra. Nefa misy minia mamalan-kira,
mitompo teny fantatra ho hany manana ny marina sy mety ary mahasoa
ny maro.
Tsy mety handray anjara amin’ny fifidianana: ahoana, hanao inona… ?
Tsy hita izay ilazana sy itsarana azy amin’izay lazainy sy ataony.
Ny fifidianana no ahazoana mametraka azy amin’ny toerana sahaza sy
mety aminy amin’izay tanjany sy izay vitany. Ny toy izany no
mandringa na mamalan-kira ka izay mandray andraikitra indray no
tsaraina hoe tsy ho marin-toerana na mandeha ila.
Voaresaka tato ho ato koa ny hoe demokrasia. “Fitondran’ny vahoaka,
avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka”, hoy ny filohan’i Etazonia
teo aloha izay, i Abraham Lincoln. Avy amin’ny vahoaka izany, izy
no mampandeha azy ary ho an’ny tombontsoany. Mila mitondra izay
mahasoa ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ny hoe
fahalalahana maneho hevitra? Fa tsy fanehoan-kery ho tsy resy
tohika, manana ny marina…
Mifandrohy amin’izay demokrasia izay amin’ny tany repoblikanina ny
fanjakana tan-dalàna, ny fisaraham-pahefana, ny fifidianana fakana
fahefana, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fitsinjaram-pahefana…
Tsy mandeha ila fa mifameno hisian’ny fahamarinan-toerana ireo.
Misy ny fahefana mpanatanteraka, ny mpanao lalàna, ny mpitsara. Tsy
efa samy nandray ny andraikitra tandrify azy ve ireo amin’izao
fifidianana loholona izao?
Tsy lavina, malalaka ny fanehoan-kevitra. Tsara henoina ary
manan-jo amin’izany izay miteny na hoe vitsy anisa aza. Saingy
mitondra inona eo amin’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka
izay lazaina sy atao? Fitsikerana, fanakiviana, fanaratsiana… Tonga
amin’ny fankalahana sy fanakorontanana aza ny sasany. Tsy mety
avokoa izay mitranga sy atao rehetra?

Rafaly Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article Repoblika… demokratika a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Rugby – Lalao fihantsiana: nitsapa mpilalao vaovao ireo fileovana

Ao anatin’ny manasara-taona “inter-saison” ny baolina lavalava, amin’izao fotoana izao, miandry ny fanombohan’ny taom-pilalaovana 2019. Manararaotra io fitsaharana io ireo fileovana isan-tokony mitsapa ireo mpilalao vaovao heveriny fa hanatevina azy ireo. Nisy, araka izany, ny fihaonana nisedrana azy ireo, ny alahady lasa teo tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Fileovana iray ny nanao izany, ny STM (Savony), mieritreritra ny haka an’i Claudio sy i Christian (Vorinofo). Nikatroka tamin’ny Cnaps Sport, mbola ao anatin’ireo fifantenana ny mpilalao handrafitra azy, koa ny Savony, tamin’io. Nivoaka mpandresy, tamin’ny isa 12 no ho 8, ny klioban’ny Tranom-piahiana.Ankoatra izay, niatrika ny FTM Manjakaray (Dakar), tompondakan’ny ranomasimbe Indianina 2018, ihany koa ny UIRC, nohatevenin’ireo mpilalaon’ny Uscar, toa an-dry Radadatoa sy ry Toussaint ary ry Aina. Nampakatra ireo zandry mpandimby kosa, tetsy ankilany, ny Dakar. Nivoaka mpandresy, tamin’ny isa tery 27 no ho 25, ny FTM Manjakaray. Niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, ary nahitana endri-dalao mahafinaritra. Nitarika, tamin’ny isa 12 no ho 3, ny Dakar, teo am-pialan-tsasatra.Nanokatra ny fihaonana ny lalao ho an’ny vehivavy. Mbola noporofoin’ny SCB Besarety indray ny maha andrarezina azy, nanamontsana ny FTFA, tamin’ny isa mavesatra 31 no ho 10. Tompondaka L’article Rugby – Lalao fihantsiana: nitsapa mpilalao vaovao ireo fileovana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs

Nakotroka ary tena tamin’ny fomba manetriketrika ny nandraisan’ny vahoaka alzerianina ny ekipan’ny Fennecs, taorian’ny nahazoan’izy ireo ny amboara amin’ny maha tompondakan’i Afrika azy, ny «Can 2019 », rehefa nandresy an’i Sénégal.Toy ny nandraisan’ny vahoaka malagasy ny Barean’i Madagasikara, ny asabotsy 13 jolay lasa teo, ny nitsenan’ny vahoaka alzerianina ireo mpilalaon’ny Fennecs, ny asabotsy 20 jolay. Vahoaka antapitrisany, niteraka fitohanana goavambe, nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina ka hatreny amin’ny toerana efa voaomana nandraisana azy ireo. Horakoraka sy ranomasom-pifaliana ary dihy ny nanehoan’ny Alzerianina ny hafaliany, tamin’ny nahazoan’ny Fennecs fanindroany ny amboara.Raha tsiahivina, resin’ny Fennecs-n’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Lionan’i Teranga, avy any Sénégal. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Cairo Stadium, ny zoma lasa teo. Baolina tokana, tafiditr’i Baghdad Bounedjah, teo amin’ny minitra faharoa nanombohan’ny fihaonana.Tsy mbola afa-bela indray izany tamin’ity ry Mané izay efa lavon’ny Fennecs, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ihany koa, nandritra ny lalaom-bondrona, tamin’ity “Can 2019” ity. Tsy mbola tao amin-dry zareo Senegaley mihitsy ny vintana satria indroa tonga teo amin’ny famaranana ny Lionan’i Teranga, saingy indroa resy.Ankoatra izay, ilay Nizerianina, i Odion Ighalo, no voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra. Nahatafiditra baolina dimy izy, nandritra iny “Can 2019” iny. Teo amin’ny laharana faharoa ilay Senegaley, i Sadio Mané, sy ilay Alzerianina, i Riyad Mahrez, ary ilay Kongoley, Bakambu, samy nahafaty baolina telo avy. Ho an’ny Barean’i Madagasika indray, i Carolus no nahafaty baolina be indrindra, miisa roa. Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: mbola vonona hanome fandresena ho an’ny mpijery ny Barea

Hitana ny sain’ny rehetra, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny lalao baolina kitra, hiadiana ny “Can 2019”. Hampiantrano an’i Soudan, amin’ity, ny Barea de Madagascar. Mbola vonona hanaporofo ny maha andrarezina azy ny ekipam-pirenena malagasy. Hotanterahina, rahampitso eny amin’ny kianja Complexe Vontovorona, ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy i Soudan. Fihaonana, tafiditra amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana isam-bondrona, hiadian-toerana amin’ny “Can 2019”. Marina fa efa tafita any Kameronina ny Barea de Madagascar, saingy hanamafy ny toerana efa misy azy. Lalao miverina eo amin’ny roa tonta ity hatao ity. Hanala vela amin’ny Barea ry zareo Sodaney, izay efa resin’ny Malagasy, tany amin’ny kianja filalaovany, tamin’ny isa mazava 3 no ho 1. Efa tsy manana herijika intsony ry zareo Sodaney fa lalao hiarovan-boninahitra fotsiny sisa hataony. Nanambara i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar, fa tsy manambany ity fihaonana amin’i Soudan ity mihitsy ry zalahy fa tena mandray izany ho fihaonana lehibe. Mbola vonona indray ry zalahy hanolotra fandresena ho an’ireo mpijery. Tsiahivina fa efa tonga eto an-toerana avokoa ireo mpilalao mpila ravinahitra avy any Frantsa sy avy any Thaillande ary avy any Egypta, nantsoin’i Nicolas Dupui, mpanazatra malagasy. Izay mendrika no ho tafiditra “18 ihany ny azo atao ao anaty lisitra, amin’io lalao io, noho izany, izay mendrika no tsy maintsy ho tafiditra ao anatin’izany. Tsy hijerena hoe mpila ravinahitra na avy eto an-toerana io satria ny voninahitr’i Madagasikara ny arovana”, hoy i Nicolas Dupuis. Tetsy ankilany, efa tonga eto Madagasikara ny alakamisy lasa teo ny mpilalaon’i Soudan. Nilaza ry zalahy fa tsy hitsangantsangana ny hahatongavany eto Madagasikara fa tena hilalao ary vonona ny handresy ny Barea. Efa nitsapa ny kianjan’i Vontovorona izy ireo, omaly zoma, ary mbola manohy ny fanomanan-tenany eo amin’izany fotodrafitrasa izany, amin’ity asabotsy ity. Miantso ireo mpijery ho tonga marobe hanohana azy ireo hatramin’ny farany ireo mpilalaon’ny Barea. Miangavy ry zalahy mba tsy hiala aloha izy ireo fa hiandry ny kiririoka hatramin’ny farany, hiaraka hiaina ny fandresena homen’ireo mpilalao azy ireo, amin’ity fihaonana farany, atao eto Madagasikara, ity. Tsiahivina fa ny lalao hikatrohana amin’ny Liona senegaley, ny volana marsa 2019, ny mamarana ny fifanintsanana, hiadian-toerana amin’ity “Can 2019” ity.   Tompondaka  

News - Delire Madagascar

FILOHAMPIRENENA HERY RAJAONARIMAMPIANINA : 70 % sisa ny taham-pahantran’ny Malagasy

Tao anatin’ny  efa-taona nitondrana an’i Madagasikara, nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy   nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona 2018,  teny Iavoloha fa nihena 18 %  ny Malagasy miaina ao anatin’ny fahantrana. Nidina  ho 70 izany   raha 92 %  teo aloha. Iza avy ireo niala tao anatin’ny fahantrana ? Ao anatin’izany  ve ireo  mahantra teny ambany tonelina, teny amin’ny « la réunion kely  » izay   nozarain’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA fanomezana tamin’ny faran’ny taona ?  Amin’izao an-katoky ny fifidianana Filohampirenena izao, nilaza ny Filohampirenena  fa hanomboka hijery ny olan’ny rano any Atsimo, hampiditra  jiro amin’ny  alalan’ny angovo azo havaozina,  isan-tokantrano izy. Omby elektronika Mirongatra hatrany ny halatra omby eto Madagasikara. Vahaolana hitan’ny Filohampirenena Malagasy  ny fametahana  « puce électronique  » ny omby mba hanaraha-maso azy. « Hatomboka ihany koa izany », hoy izy. Teny filamatra  an’ny fitondram-panjakana amin’ity taona 2018 ity ny fitohizan’ny fisandratana. Lynda A. Cet article FILOHAMPIRENENA HERY RAJAONARIMAMPIANINA : 70 % sisa ny taham-pahantran’ny Malagasy est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991”

 Mandeha ny fotoana. 28 taona izay ny “Raharaha 10 aogositra”, asabotsy toy izao. Efa zary hadino? Na odian-tsy hita sy tsy fantatra… Tsy misy hetsika manokana intsony ho fahatsiarovana izany. Toa tian’ny sasany hofafana aza? Nitondra ho amin’ny Repoblika III ny hetsi-bahoaka tamin’ny 91, nipoiran’iny hoe “Diaben’ny Fahafahana” iny.Io hetsika io no noheverina hamaranana ny fitakiana, nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha, ny 1 mey 1991: ny fanovana ny lalàmpanorenana, ny fialan’ny filoha Ratsiraka… Ny hametrahany fialana rahateo ny hoe anton’ny “Diaben’ny Fahafahana”, nangatahin’ny solontenan’ny Hery Velona Rasalama fifampidinihana taminy.Nitarika izany, niainga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hamonjy ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Pr Zafy Albert sy ny pasitera Andriamanjato Richard ary ny jeneraly Rakotoarisoa Jean. Na marobe aza ny vahoaka nandeha tamin’ny hetsika sy tamina tanam-polo, tsy araka izay niheverana azy ny niafaran’ny raharaha.Nisy ny famonoana vahoaka Tsy nisy izay fametraham-pialan’ny filoha Ratsiraka; eny, na ny hoe fifampidinihana taminy aza. Vao taty amin’ny 1,5 km alohan’ny sampanan-dalana ho any amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ohatra: niraraka ny toraka pilotra nataon’ny Antandroy voakarama manokana. Vokatr’izany, nikoropaka sy niparitaka nandositra ny olona.Kinanjo, nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nanidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera tamin’izany, noheverin’ny maro fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka… niala. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. Fantatra fa anisan’ny nokendrena tamin’izany ny fiara miloko mainty nisy ny Pr Zafy Albert.Nisy koa fibaikoana miaramila hitifitra ny tongotry ny mpanao fihetsiketsehana: nisy naratra, nisy maty… Teo koa, ohatra, ny fanenjehana sy ny fitifirana olona, na efa nitodi-doha nody aza. Nisy filazana hoe teo ny fanasana ny arabe nihosin-dra, ny fisavana trano manodidina ny alin’iny; eny, na ny hoe fisian’ny lavaka nanaovana fandevenana faobe aza…Inona ny marina? Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaram-pirenena ny “Raharaha 10 aogositra”: mila fikarohana, famoahana ny marina…R.Nd.L’article Tantaram-pirenena: 28 taona ny “Raharaha 10 aogositra 1991” a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

VATSY TSINJO

Olona miisa 1109 avy amin’ny fokontany 03 teto amin’ny boriborintany faha-03 no nisitraka ny Vatsy Tsinjo izay ahitana : vary 50kg, menaka 02 Tavoahangy, ronono mandry 02 boaty, voamaina 2kg 500 ary CVO, Androany 01 Septambra 2020. Fizarana andiany faharoa izay nandraisan’ny avy eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka anjara. Tonga nijery ifotony sy nanara maso ny fizotrin’ny fizarana ireto vatsy ireto ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Hanitrala Jean Louis RAKOTOVAO, niaraka tamin’ny solombavam-bahoaka voafidy teto amin’ny boriborintany faha-03. Nandritra ny lahateny izay nataony no nanehoan’Andriamatoa Minisitra ny fisaorana ireo vahoaka tonga nisitraka ireto vatsy tsinjo ireto ny amin’ny filaminana sy fanarahan’izy ireo ireo fandaminana napetraka. Hitantsika hoy Andriamatoa Minisitra fa midina ny isan’ireo tranga vaovao, « nefa tsy midika izany hoe ho vahantsika ny « gestes barrières » rehetra fa tsy maintsy hamafisintsika » Nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ireo mpanao gazety dia naneho ny fisaorana ireo namana rehetra niara-niasa izay nahitana ny avy eo amin’ny boriborintany sy ny ekipan’ny solombavam-bahoaka Anyah ary ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy, Andriamatoa Minisitra. Namafisiny ihany koa fa tsy mbola mijanona ny ady fa vao maika ampitomboina ny fahazotoana, ny fitiavana. Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANPL’article VATSY TSINJO a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Nécrologie du 26 août 2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 26 août 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 26 août 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

KMF/Cnoe: “Mbola azo atao amin’ity taona ity ny fifidianana ben’ny Tanàna”

“Raha mijery ny fivoaran’ny toe-draharaha politika amin’izao ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, mbola matoky fa azo atao tsara amin’ity taona ity ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, na ambanivohitra na ambonivohitra io.”Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna nokasain’ny Ceni hatao ny 28 oktobra. Toy ny tolo-kevitra rehetra, raha nanome vinavinana tetiandrom-pifidianana ny Ceni.Tsy voatery hanaraka izay ny governemanta, izay mpanapa-kevitra hoe rahoviana ny hamoahany didim-panjakana ny amin’izany. Raha manapa-kevitra, ohatra, izy, afaka herinandro vao hataony izay, mbola mety koa izany ny herinandro aorian’ny 28 oktobra.Tsy tsara ny manao fifidianana ao anatin’ny andro ratsyNa izany aza, mila fehezina ihany ny toetr’andro. “Tsy tsara ny manao fifidianana ao anatin’ny vanim-potoan’ny andro ratsy”, hoy izy. Raha ny tokony ho izy, any amin’ny voalohandohan’ny novambra no tokony hanaovana fifidianana. Vita io rehefa teny ierana fa miankina amin’ny fahavononana.Tsy tokony hohadinoina fa fifidianana eny anivon’ny fiarahamonina io, manakaiky vahoaka. Tsy azo anaovana sangisangy izany fa mety hitera-doza raha tsy atao tsara. Mampahazo vahana ny Ceni ny fanaovana fifidianana tsara, na mihemotra andro vitsivitsy aza. Mba hahazoany manao zavatra araka ny tokony ho izy izany.Zava-doza raha manendry PDSRaha sanatria mihemotra amin’ny taona 2020 io fifidianana kaominaly io, ny tsy mahatsara an’izay: manohitra ny demokrasia. Olom-boafidy ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna, ary manana ny fe-potoam-piasany. Tsy voahaja ny lalàna mifehy izay fe-potoam-piasana izay, raha mihemotra ny fifidianana. Tan-dalàna ny firenena demokratika. Tsy demokratika rehefa tsy tan-dalàna intsony.Hohalavaina ve ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ireo, ary alalana avy aiza? Mbola tsy fanajan-dalàna ihany koa izay. Sa hosoloina PDS? Vao mainka zava-doza: lasa olom-boatendry izany fa tsy olom-boafidy. “Hita be izany hoe misy paipaika maloto ao anatin’ilay raharaha, raha vao hatao PDS avokoa ny mitantana ny kaominina”, hoy izy. Aleo aza mihafihafy amin’ny fanalavana fe-potoam-piasana, nefa tsy ara-dalàna izay.R.Nd. L’article KMF/Cnoe: “Mbola azo atao amin’ity taona ity ny fifidianana ben’ny Tanàna” a été récupéré chez Newsmada.

Mode - News - Ao Raha

HETSIKA « MODUS MODE » :: Nahaliana tanora maro ny fampianarana milatro sy haingo

Nifarana ny alin’ny zoma teo tetsy amin’ny trano mala­laky ny Aft Andavamamba ilay hetsika “Modus Mode”, andiany faharoa. Mahakasika ny sehatry ny lamaody maro no nibahan-toerana nandritra ny telo andro nanaovana ny hetsika. Anisan’ny nahasarika tanora maro any fifana­kalo­zana traikefa teo amin’ireo mpaka sary lamaody matihanina sy ny fampianarana filatroana ary fampihaingoana ny tarehy izay nahafahan’ny olon-tsotra natrehina. Nahavariana ireo mpitsidika tsy mbola mahalala ny sehatry ny filatroana sy ny fanga­lan-tsary izany. Nahazo traikefa avokoa ireo izay nandalo tetsy Andavamamba nandritra ny telo andro nisiany hetsika. Mpikirakira lamaody fanta-daza sy manana ny maha izy azy, toa an’i Tantely Rakotoarivelo, MA Andrianalidera, Maforal, Toky Si, vahiny avy any ivelany sy ry zareo avy ao amin’ny Totem. Nampiseho ny fomba fandravahana ny endrika kosa ry zareo avy ao amin’ny Vero Vero. L’article HETSIKA « MODUS MODE » :: Nahaliana tanora maro ny fampianarana milatro sy haingo est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa
27/10/2020

Nodisoin’ny fiombonamben’ny Eglizy Katôlika Romana eto Madagasikara ny fampielezam-baovao manambara ny « faneken’ny Papa François ny mariazy arapanjakana eo amin’ireo olona mitovy fananahana». Nampahafantarin’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré tao anatin’ny fanambarana novakiany, omaly, fa « niharan’ny famitahana avo lenta ny Papa François (…) satria tsy mbola nanao fanehoan-kevitra vaovao momba ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny Papa Ray Masina ». Horonantsary ir ay nataon’ilay mpanao gazety rosiana, Evgeny Afineevsky, izay naseho tany Roma, tamin’ny 21 oktobra 2020, nampitondrainy ny lohateny « Franchesco » no fototra niteraka ny resabe tamin’ireo haino aman-jery sy tranonkalam-pifandraisana, ka nilaza ny faneken’ny Papa François ny fanambadiana sivily eo amin’ireo mitovy fananahana. « Tsy marina velively izany. Navadik’ilay mpanao gazety araka izay nitiavany azy ny fanehoan-kevitry ny Papa François momba ny fanambadian’ireo olona mitovy fananahana », hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré. Tafatafa nataona mpanao gazety meksikana, Valentina Alazraki, teny ambony fiaramanidina tamin’ny fiteny Espanôla, 18 volana lasa izay, no notapatapahina sy nalain’io mpanao gazety rosiana io ka nampidirina tao anatin’ny horonantsary fanadihadiana nataony. Iraika amby roapolo segaondra monja ny faharetan’ny resaky ny Papa François tao anatin’ilay fanadihadiana. Antso fitoniana « Notapatapahina ary natambatra mba hoentina hanaporofoana ny faneken’ny Papa ny fanambadiana sivily eo amin’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy samy vavy, avy eo. Niniana nodisoina mihitsy ny dikan-teny nanazavana an’io fanehoan-kevitr’io », araka ny fanampim-panazavan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré. « Aoka isika ho tony sy tsy ho tafintohina satria tsy misy velively ny fanekena ny fanambadiana sivily eo amin’ ireo olona mitovy fananahana. Hamafiso hatrany ny finoantsika », hoy ny toromariky ny Kardinaly, omaly. Nampahafantariny ny fisian’ny fanazavana amin’ny antsipiriany amin’ny fomba ofisialy mikasika ny fanambadiana, tsy ho ela, izay hataon’ny fiombonamben’ireo Eveka katôlika eto amintsika. L’article Fanambadian’ny mitovy fananahana :: Naboraky ny kardinaly Tsarahazana Désiré ny fandisoana ny hevitry ny Papa est apparu en premier sur AoRaha.

Fitsirihana tampoka: fiara miisa 47 nogiazana
27/10/2020

 Ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, manohy ny fanaraha-maso ireo fiarakodia amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ny foibe fitsarana fiarakodia. Hatramin’ny 19 hatramin’ny 25 oktobra teo, nahatratra 430 ireo fiara nosavaina teny an-dalambe ka taratasina fiara 148 tamin’izany ny nosintonina noho ny tsy fahalavorariana hita amin’ilay fiara ka lasa «inaptes».  Fiarakodia miisa 47 hafa kosa nampidirina ambalampamonjana satria tsy nanao fitsirihana ara-teknika ary ilàna fanamboarana manokana.Fiara miisa fito ny voamarina fa tsy nahavita fandraisana ara-teknika. Fiara 18 nomena fampitandremana sy toromarika hikojakojany ny fiara ampiasainy. 76 hafa kosa nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika.Mitohy ny fanentanana ataon’ny foibe fitsarana fiarakodia ary manentana hatrany ireo tompona fiara na ny mpamily hikojakoja sy hanamboatra ireo fiarany taorian’izay fihibohana maharitra izay. Tokony hanatona ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia amin’ny fotoana tokony hanaovany fitsirihana teknika ahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe ateraky ny tsy fahatomombanana teknika.Marihina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fitsirihana tampoka an-dalambe ary hivelatra manerana ny Nosy.Tatiana AL’article Fitsirihana tampoka: fiara miisa 47 nogiazana a été récupéré chez Newsmada.

Maroantsetra: nidoboka am-ponja ireo roa lahy nisandoka nanala bakalorea
24/10/2020

Taorian’ny fakana am-bavany azy ireo teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana, naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra ireo roa lahy nisandoka ho mpanala fanadinana bakalorea.Tsiahivina fa nisolo mpi­a­dina, tsy hafa fa vadiny ihany, ny iray amin’ izy roa lahy, nandritra ny laza adina matematika. Nosoloiny ny sariny ny tao amin’ny taratasim-pamantarana ilay mpiadina. Nihevitra izy fa tsy nisy nahafantatra kanjo tsikaritry ny olona. Rehefa nandeha ny fijerena ny mombamomba ilay mpiadina, tsikaritra fa to­kony ho vehivavy ilay manala ny fa­na­dinana fa tsy lehilahy. Tsy na­nan-kavaly intsony fa niaiky ny heloka nataony ity farany. Vo­alaza ihany koa fa mpampianatra Fram ny asan’ io lehilahy saika hanala fanadinana io. Ilay lehilahy faharoa kosa, saika hanolo ny toeran’ny mpiadina iray tao Mananara Avaratra nandritra ny laza adina filozofia. “Olona mitovitovy aminy indray no saika nosoloiny tamin’izay”, hoy ny Polisim-pirenena. Tsikaritra anefa tamin’ny fisavana ny sarin’ilay tena mpiadina fa tsy mitovy mihitsy aminy ny sary. Voasambotra avy hatrany ilay mpisandoka satria tsy izy ilay tokony hanala fanadinana.Henintsoa HaniL’article Maroantsetra: nidoboka am-ponja ireo roa lahy nisandoka nanala bakalorea a été récupéré chez Newsmada.

Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy
24/10/2020

Manana ny lanjany toekarena eto Madagasikara ny Tetikasa Ambatovy. Miankina amin’ny lafin-javatra maro maneran-tany, noho izao tranga Covid-19 izao, anefa vao hiverina amin’ny laoniny ny fiharian’ity orinasa ity. Araka ny fanadihadiana manokana, tsy mbola afaka miverina ny asa fiharian’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Maromaro ny an­tony, ary anisan’ny sakana ny tranga Covid-19 tsy mbola foana ka tsy afaka mankaty Madagasikara ireo vahiny miisa 850 miasa ao Ambatovy satria mikatona ny sidina ana habakabaka iraisam-pirenena mampifandray antsika amin’ ny any ivelany. Tsy misokatra, toraka izany, koa ny ankamaroan’ny sidina ana habaka­baka any amin’ny firenena maro. Eo koa ny lafiny tolotra sy ny tinady, fototry ny fihariana. Andaniny, ny lafiny famatsiana akora fototra ampiasain’ny orinasa, ilaina amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Hatreto, tsy miverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy ny fitaterana azy ireny an-dranomasina, vokatry ny hamehana amin’ny tranga Covid-19, voa­laza etsy ambony. Singanina manokana ny akora sofra, ilaina amin’ny fanadiovana ny nikela sy kobalta, ny arintany ilaina amin’ny angovo ampiasaina amin’izany, sns. Ankilany, sarotra ny hama­ritana sy ny hamantarana ny fotoana hiverenan’ny orinasa Ambatovy hihodina indray. Manampy ireo, tsy mbola miverina amin’ny laoniny koa ny lafiny tinady, ny mpanji­fan’ny orinasa, fototra voalohany iankinan’ny fihodinan’ ny famokarana. Tsiahivina fa voalohany amin’ny varotra ivelany, amin’ny fanondra­nana entana any ivelany, ho an’i Madagasikara, ny fihariana ataon’Ambatovy.Kojakojaina ny milinaSaropady sady mifandraika amin’ny zavatra maro ny fiharian’ny tetikasa Ambatovy. Hatreto, ny mikojakoja ireo fitaovana sy milina ao amin’ ny orinasa no tsy maintsy hany azo atao, any amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy, sy ny toeram-panodinana any Toa­masina. Maherin’ny 9 000 ny mpi­asa mivantana sy tsy mivan­tana miasa ho an’ny orinasa, misandrahaka amin’ny lalam-pihariana maro, toy ny fama­tsiana sakafo ho an’ny mpiasa, ny fitaterana, ny fanadiovana, ny famatsiana akora madinika sy salantsalany eto an-toerana, sns. Izay no maha anisan’ny fototry ny toekaren’i Mada­ga­sikara ny Tetikasa Ambatovy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina
28/10/2020

 Nanomboka omaly ny atrikasa tanterahin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana miaraka amin’ireo orinasa tsy miankina miantsehatra amin’ny rano atao etsy Ivandry. Haharitra telo andro ny fihaonana.Handinihana ny fomba hampidiram-bola amin’ny sehatry ny fitantanana ny rano eto Madagasikara ny atrikasa. Fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina handray anjara amin’ny fitantanana madio sy mangarahara ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana ihany koa.Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Rano, Randriatsiferana Simon, fa mbola ambany ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika. Toy izany koa ny fisitrahan’ny Malagasy ny fahadiovana sy fidiovana, izay mifamatotra tanteraka amin’ny rano rahateo.Rehefa natao ny fandihadiana, tsy nahitam-bokany ny fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana notantanin’ny fikambanana tsotra na ny kaominina. Porofon’izany ny vola vidin-drano lanin’ny mpiandry paompy ary mikatona ilay fotodrafitrasa avy ka lasa fatiantoka ho an’ny mponina sy ny tanàna ary vesatra ho an’ny fanjakana ny trosa avelan’izany avy eo.Eo koa ny fotodrafitrasan’ny fahadiovana izay lasa mitsipozipozy sy maloto satria ratsy tantana no nanaovan’ireo fikambanana sy kaominina azy.Tao anatin’ny 15 taona taty aoriana kosa, tsikaritra fa mateza kokoa ny fotodrafitrasa tantanan’ny otrinasa tsy miankina. Hentitra kokoa ny fitantanana tsy hita ny goragora ary mampanaja ny fepetra sy ny fandoavam-bola vidin-drano amin’ny mponina ireo mpitantana ny fotodrafitrasa eny ifotony.Izany indrindra no anton’ity atrikasa ity ary mbola hampandraisana anjara feno ny sehatra tsy miankina hatrany hanao famatsiam-bola amin’ny tontolon’ny rano sy fidovana ary fahadiovana.Tatiana AL’article Fotodrafitrasan’ny rano: mahomby ny fitantanan’ny tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Tampody fohy «2e vague »…
26/10/2020

Niverina nihiboka sy nandray fepetra ny ankamaroan’ireo firenen-dehibe any ivelany any amin’izao fotoana izao. Mailo tanteraka izy ireo noho ny fiverenan’ny valanaretina Covid-19. Anjatony maro isan’andro ireo maty ary analiny ireo tranga vaovao. Naverina noraisina ny fepetra maromaro. Anisan’izany ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Ny famerana ny isan’ny olona mivorivory… Ahina mafy ny hahamaro ireo lavo sy ny ho tratran’ny valanaretina amin’ny volana novambra mitsidika io. Tsy mbola tafavoaka ny ala izao tontolo izao. Tahaka izany koa ny eto amintsika. “Ramalina aza, mifehy hazo tokana”. Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina. Tsy mbola tapitra niaraka amin’ny fanafoanana ny hamehana ara-pahasalamana, herinandro lasa izay, akory ny ady.  Maro ireo tsy taitra sy tsy mivaky loha intsony eny an-dalana eny. Any anaty fiara fitateram-bahoaka any. Tsy manao arovava orona, tsy voahaja ny elanelana iray metatra. Tsy misy miraharaha intsony fa samy mandeha samy mitady. Voaporofon’ny antontanisa herinandro anefa fa mbola eo ary tsy mbola foana ny valanaretina. Maherin’ny 100 ireo tranga vaovao ary enina ireo maty. Hoatra ny hadinontsika fa olona telo no nitondra io valanaretina io eto ka nampihiboka antsika fito volana teto. Niteraka olana samihafa teo amin’ny fihariana, ny sosialy sy ny toekarena hatrany amin’ny politika noho ny fepetra samihafa tsy maintsy napetraka, niadiana amin’izany.Ekena fa efa atao varoboba ny tambavy na ny fanafody iadiana amin’ity valanaretina ity, saingy aleo mailo sy mitandrina ihany. Aoka hanenjana ny tompon’andraikitra ka hanara-maso sy hanasazy ireo tsy manaja ny fepetra na koa ireo mihoa-pefy. Aoka samy handray andraikitra ny rehetra, hiarovana ny tena sy hiarovana ny hafa koa. Mahazo vahana ny tampody fohin’ity valanaretina ity any ivelany any. Mba tsy ho tonga eto amintsika izany “2e vague” izany.Synèse R. L’article Tampody fohy «2e vague »… a été récupéré chez Newsmada.

FES – Fampandrosoana: mila politika mampifamotitra ny fambolena sy ny indostria
31/10/2020

 Nanaovan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) fanadihadiana manokana ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara. Ny fifandraisan’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria. Mila politika mazava ny fifandraisan’ny roa tonta.Momba ny politikan’ny indostria, tsy hita taratra loatra ny fifandraisan’ny seha-pihariana momba ny fambolena sy ny fambolena, amin’ny seha-pihariana momba ny indostria. Amin’ny ankapobeny, 15 % amin’ny harinkarena faobe ny entin’ireo seha-pihariana roa mitambatra ireo tato anatin’ny 10 taona farany. Tanjona avy ammin’ny fanadihadiana nataon’ny FES ny hampiakatra izany ho 25 % amin’ny harinkarena faobe amin’ny taona manaraka. Mila politikan’ny indostria mafy orina anefa izany.Hita tamin’ny fanadihadiana, mifanohitra tanteraka amin’ny akora fototra misy eto an-toerana ny fanafarana entana voahodina avy any ivelany, toy ny menaka, ny siramamy, ny savony, ny vokatra ronono, sns. Akora fototra avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana ireo rehetra ireo. Maro anisa rahateo ny Malagasy miasa amin’izany, hatrany amin’ny 8 tapitrisa ha ny tany azo volena. Manambara izany fa karazany tsy misy na tsy ampy ny fifandraisana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria.Tsy ahitana fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny seha-pihariana iray mandeha irery. Ny indostria, tsy maintsy miankina amin’ny famatsiana ny vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana; ary miankina amin’ny fisian’ny indostria ny lalam-barotra manjifa ny vokatra avy any ambanivohitra.Navoitra tamin’ny fanadihadiana ny fifandraisana eo amin’ny sehatra roa tonta, nofaritana, nahoana ny indostria no mifamatotra amin’ny fambolena sy fiompiana? Azo alain-tahaka ny fandaharanasa momba ny indostria amin’ny firenena sasany aty Afrika. Jerena ny efa misy eto an-toerana; ary volavolaina ny politika tokony hanatanterahana izany mazava.R.MathieuL’article FES – Fampandrosoana: mila politika mampifamotitra ny fambolena sy ny indostria a été récupéré chez Newsmada.

Vidin’ny PPN: antony maro ny fiakaran’ny vidim-bary
31/10/2020

 Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Indostria, ny varotra, ny asa tanana (Mica), Rakotomalala Lantosoa, momba ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny PPN amin’ny ankapobeny. Nambaran’ny minisitra fa efa miditra amin’ny vanim-potoana maitsoahitra isika izao, efa lany koa vokatra eto an-toerana. Raha jerena, miakatra 50 Ar ny kapoakam-bary, salanisa, fa indrindra miankina amin’ny antony maro samihafa ny vidin’entana ilaina  andavanandro.« Marina fa mitotongana 10 % ny sandam-bola Ariary fa miezaka ny fanjakana amin’ny fifampiresahana amin’ireo mpandraharaha mifehy izany. Ny menaka, ohatra, hafarana 100 %  nefa tsy miakatra ny vidiny. 10 % ihany ny vary hafarantsika, ary manana politika  momba izany ny fanjakana. Mihena ny hafarantsika amin’ity taona ity, manodidina ny 240 000 t raha 285 000 t tamin’ny taon-dasa », hoy ny minisitra. “Misy ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fambolena”, hoy ihany izy.Ohatra nambaran’ny minisitra Rakotomalala Lantosoa ny vidin’entana any amin’ny faritra Androy sy Anosy, miditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala. Mpandraharaha dimy monja ny mamatsy ireo faritra ireo, ampahany be indrindra 75 % ho an’ny faritra Anosy. Olana ny faharatsian’ny lalana, ny fahalaviran’ny toerana … Miteraka masonkarena hafa tafiditra ao amin’ny vidin’entana ireny rehetra ireny. Ny mpivarotra koa, amin’ny maha mpivarotra azy, tsy maintsy maka tombony.Zon’ny mpanjifaNa izany aza, manara-maso ny minisitera mpiahy (Mica), ny mpitandro filaminana sy ireo tompo’andraikitra any an-toerana, satria misy ihany ny mpanararaotra mampiakatra ny vidin’entana, mitahiry tsy mamoaka ny tokony hamidy, na koa mivarotra entana efa lany andro tsy araka ny fahasalamana. Ao koa ireo mpivarotra tsy mametraka vidin’entana, voararan’ny lalàna. Mila hajaina ny zon’ny mpanjifa.Manamarina ireo rehetra ireo fa mifampiankina ny fambolena, ny fiompiana sy ny indostria (Zahao lahatsoratra eo ambony). Tanjona amin’izany ny hisian’ny fahavitantena sakafo, hampihena araka izay tratra ny fanafarana entana avy any ivelany. Manjifa ny vita malagasy.R.MathieuL’article Vidin’ny PPN: antony maro ny fiakaran’ny vidim-bary a été récupéré chez Newsmada.

Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra
27/10/2020

Maty tsy tra-drano i Faly Françoise Zamena, vehivavy ben’ny tanànan’ny kaominina Marohazo-Maintirano, tamin’ny alin’ny alahady 25 oktobra lasa teo. Lehilahy iray tonga tao aminy no voalaza ho nitifitra ka nahafaty azy avy hatrany. Fantatry ny fianakaviany io olona io, raha ny fanampim-baovao azo, omaly, izay voalaza fa lehiben’ny dahalo any an-toerana ary havan’ny maty ihany. Ben’ny tanàna naman’itsy niharam-boina itsy no nampandre ny mpitandro filaminana, tamin’ny alina nisehoan’ny loza. Tonga nanadihady ny zava-niseho tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Lehilahy voatondro ho dahalo raindahiny efa nanafika naka ny ombin’ny ben’ny tanànan’Antsaindoha Bebao, tamin’ny 5 oktobra lasa teo, izy, raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana any Maintirano, ankehitriny. L’article Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra est apparu en premier sur AoRaha.

Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay
27/10/2020

   Mitentina 1,5 tapitrisa euros na 6 miliara Ar ny fitambaran’ny vola avy amin’ny Frantsay, nanaovana sonia fifanarahana vola natrehin’ny masoivoho frantsay sy ny Agence française de développement sy ny vondrona ONG roa, soloin’ny Action Action contre la faim et humanité sy ny Inclusion, tena omaly.Entina hanampiana ny fanamafisana ny hetsika hamongorana ny valanaretina Covid-19 ny vola nomena.Tanjon’ity fanohanana ity ny hitondra firaisankina, fiaraha-miasa mivaingana ary eo no ho eo, ao anatin’ny fanomezan-toky sy ny fanohanan’i Frantsa ny vahoaka malagasy. Hanampy amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesana noho ny valanaretina ireo fikambanana hiantsehatra amin’ny asa. Eo koa ny fanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sosialy.Manampy ny vondrona ONG roa hamaly amin’ny fomba haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ankehitriny ny zavatra hatao. Iandraiketan’ny vondrona Action contre la faim, ny Action socio-sanitaire organisation secours, ny Care, ny Médecins du Monde ny asa miaraka amin’ny tetikasa Setriny amin’ny krizy ara-pahasalamana….Ny tetikasa “Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa” (Mitehafa) ataon’ny vondrona Humanité sy Inclusion, ny Douleurs sans frontières ary ny SOS Village d’Enfants kosa, hanampy amin’ny fandrindrana ny fihetsika manoloana ny valanaretina.Ho voakasiky ny asa ao anatin’ity tohana ity ireo olona maherin’ny 80 0000. Anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana 1 034, ny mpiasa ny fampianarana 10 921, ny mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra, 66 400.Eo koa ny olona misitraka hetsika fanentanana, fanohanana haipisaina sy hetsipon’ny fiarahamonina sy ny fanohanana hahalala momba ny aretina amin’ny fanabeazana. Tsy hadinoina ireo marary 387 natoka-monina miisa 830 sy ny mpisehatra momba ny firaisa-monina hanenika ny faritra 11 laharam-pahamehana eto Madagasikara. Miparitaka amin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Atsinanana, i Boeny, i Bongolava, i Diana, Itasy ary i Vakinankaratra ny asa hatao.Tatiana AL’article Fiaraha-miasa: nanome vola iadiana amin’ny Covid-19 ny Frantsay a été récupéré chez Newsmada.

Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao
26/10/2020

Misoko mangina tsy re tsaika. Miisa enina ireo lavon’ny Covid-19, tao anatin’ny herinandro. Teo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 oktobra izany. Manodidina ny iray isan’andro eo ho eo izany ireo matin’ity valanaretina ity eto amintsika ary mananika ny 244 izao ireo nodimandry hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Efa manakaiky ny 250 izany.Etsy andaniny, miisa 158 ireo tranga vaovao tao anatin’izany herinandro izao. Manodidina ny 26 isan’andro eo ho eo izany ny isan’ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika. Miisa 86 kosa anefa ireo sitrana. Tafakatra 16 301 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo 16 968 mitondra Covid-19 eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny valanaretina. Izany hoe, misy 423 izany ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Enina ireo lavo: 158 ny tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika
24/10/2020

Notokanana, omaly, ireo fo­todrafitrasa miisa fito ao amin’ ny kaominina Ampitatafika sy ny eny Alakamisy, distrikan’ Atsimondrano. Anisan’izany ny fanavaozana ny tsena, ny efitrano fivarotana miisa 10 sy ny tranoheva lehibe roa, etsy Ampita­tafika. Eo ny lalana 1 km 400 mampitohy an’Ankadintany sy Avarajorozo. Nampiana efatra kosa ny efitrano fianarana ao amin’ny CEG Antanety, Alaka­misy Fenoarivo. Ny fahavitan’ ny lalana « pavet » mampitohy an’Andohony sy Antanety, mi­refy 720 m. Natao tahaka izany koa ny tahala eo amin’ny tsena sy ny lakandrano, anariana ny rano maloto. Nametrahana toeram-pivoahana koa izany. Niara-niasa amin’izany ny ONG Ketsa. Teo koa ny fanohanan’ny Von­drona eoropeanina (UE) sy ny fikambanana MSIS Tatao. Natao mangarahara ny nananganana izany ary nandray anjara ny manampahefana sy ny eny ifotony. Mampivoatra ny andavanandron’ny mponina ireo fotodrafitrasa ireo. Mamaly ny hetaheta eny ifotony kosa ny kaominina. Napetraka koa ny rafitra ho fitandroana sy ho fitantanana ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny maro. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra ireo mponina, hitandro hatrany ny fotodrafitrasa, araka ny lahateny nifandimbiasana.Synèse R.L’article Fiaraha-miasan’ny UE : nahazo fotodrafitrasa ny eny Ampitatafika a été récupéré chez Newsmada.