Remise d’une ambulance médicalisée et équipé au CHU Anosiala

News - Santé - Remise d’une ambulance médicalisée et équipé au CHU Anosiala

News - Santé - Remise d’une ambulance médicalisée et équipé au CHU Anosiala

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Remise d’une ambulance médicalisée et équipé au CHU Anosiala » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.

L’Organisation Mondiale de la Santé à Madagascar a offert ce Mardi 15 Septembre une ambulance Médicalisée et équipé aux CHU Anosiala

Crédit Photo et source d’information: #OMSMADAGASCAR

 

Remise d’une ambulance médicalisée et équipé au CHU Anosiala

L’article Remise d’une ambulance médicalisée et équipé au CHU Anosiala a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020
Coronavirus  -  COVID19  -  Fahasalamana

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Covid-19 – Madagasikara : nanolotra 36,85 tapitrisa euros ny Bad

Nankatoavin’ny filan­ke­­vi-pitantan’ny Bad, ny 22 jolay teo tany Abidjan, Côte d’Ivoi­re, ny famatsiam-bola 123,34 tapitrisa euros (trosa na fanomezana) ho an’i Ma­lawi, i Mozambika, i Madaga­sikara, ary i Sao Tomé-Prin­cipe. Vola hoentina miatrika ny Covid-19 sy ny voka-dratsiny eo amin’ny toekarena sy ny sosialy. Fampindramam-bola 36,85 tapitrisa euros ny azon’i Mada­ga­sikara, hanohanana ny fitondram-panjakana noho ny fihanaky ny valanaretina, ho fiarovana ny aina sy ny asa. Fama­tsiam-bola atao indrindra ho fiarovana ny mpiasa, ny fitiliana azy ireo, ho fitandroana ny fa­hasalamam-bahoaka. Ha­nam­piana ny karaman’ny mpiasa sy izay ilaina amin’ny fanatsarana ny lafiny sosialy. Laharam-pahamehana ny sehatra tsy mi­ankina sy ny mpiasa ao aminy. Ampitain’ny OMS hatrany ny antontanisa samihafa mom­­ba ny tsimokaretina Covid-19 amin’ireo firenena ireo ka nandraisan’ny Bad fepetra fanampiana ireo mpikambana ao aminy. Ny volana avrily, napetraka ny rafitra iray (CRF)*, mamaly haingana ny ady atao amin’ny Covid-19. Tetibola 10 miliara dolara ny ao amin’izany rafitra izany hanampiana ireo tany mpikambana sy ny sehatra tsy miankina. Avy amin’ny Bad ihany, nisy 8,9 tapitrisa dolara ny azon’i Malawi, i Mo­zam­bika ary i Madagasikara, ny 24 jona 2020.R.MathieuCRF* : Facilité de réponse rapide contre le Covid-19L’article Covid-19 – Madagasikara : nanolotra 36,85 tapitrisa euros ny Bad a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hafatry ny Papa François: “Fanombohan’ny tontolo vaovao ny Paka”

Fiandohan’ny fiainam-baovao ho an’ny tsirairay ny fitsanganana amin’ny maty, satria miainga amin’ny fo sy ny fahatsiarovan-tena ny fanavaozana marina”, hoy ny hafatry ny Papa François tamin’ny Paka teo.Nefa fanombohan’ny tontolo vaovao koa ny Paka, fanafahana ny fandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, ary farany ny tontolo misokatra amin’ny fanjakan’Andriamanitra, amin’ny fanjakan’ny fitiavana, fandriampahalemana sy firahalahiana. Velona mijanona miaraka amintsika i Kristy. Ary Izy, ilay velona ho fanantenana ho an’ireo vahoaka havana syrianina, tra-pahavoazana noho ny ady maharitra ela.Fotoana izao itadiavana vahaolana politika mamaly ny hetaheta fahafahana, filaminana sy fahamarinana, hiatrehana ny krizy maha olona ary manome vahana ny fiverenana amin’ny filaminan’ny mpifindra monina sy mitsoa-ponenana, indrindra ny ao Liban sy Jordania.Ny fahaveloman’i Kristy, mba hanome fandriampahalemana ho an’ny havana afrikanina, mbola mihahaka noho ny fihenjanana sosialy, ny fifandonana maherisetra indraindray ary mahatonga tsy filaminana, fandravana sy fahafatesana any  Burkina Faso, Mali, Niger, Nigéria, Cameroun. Saininy koa ny any Soudan, mandia fotoana tsy ahazoana antoka ny politika, ka aniriany ny hahazoan’ny tsirairay maneho hevitra sy hahita fahafahana, fandrosoana fanirian’izy ireo hatramin’ny ela.R.Nd.  L’article Hafatry ny Papa François: “Fanombohan’ny tontolo vaovao ny Paka” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs

Nakotroka ary tena tamin’ny fomba manetriketrika ny nandraisan’ny vahoaka alzerianina ny ekipan’ny Fennecs, taorian’ny nahazoan’izy ireo ny amboara amin’ny maha tompondakan’i Afrika azy, ny «Can 2019 », rehefa nandresy an’i Sénégal.Toy ny nandraisan’ny vahoaka malagasy ny Barean’i Madagasikara, ny asabotsy 13 jolay lasa teo, ny nitsenan’ny vahoaka alzerianina ireo mpilalaon’ny Fennecs, ny asabotsy 20 jolay. Vahoaka antapitrisany, niteraka fitohanana goavambe, nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina ka hatreny amin’ny toerana efa voaomana nandraisana azy ireo. Horakoraka sy ranomasom-pifaliana ary dihy ny nanehoan’ny Alzerianina ny hafaliany, tamin’ny nahazoan’ny Fennecs fanindroany ny amboara.Raha tsiahivina, resin’ny Fennecs-n’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Lionan’i Teranga, avy any Sénégal. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Cairo Stadium, ny zoma lasa teo. Baolina tokana, tafiditr’i Baghdad Bounedjah, teo amin’ny minitra faharoa nanombohan’ny fihaonana.Tsy mbola afa-bela indray izany tamin’ity ry Mané izay efa lavon’ny Fennecs, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ihany koa, nandritra ny lalaom-bondrona, tamin’ity “Can 2019” ity. Tsy mbola tao amin-dry zareo Senegaley mihitsy ny vintana satria indroa tonga teo amin’ny famaranana ny Lionan’i Teranga, saingy indroa resy.Ankoatra izay, ilay Nizerianina, i Odion Ighalo, no voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra. Nahatafiditra baolina dimy izy, nandritra iny “Can 2019” iny. Teo amin’ny laharana faharoa ilay Senegaley, i Sadio Mané, sy ilay Alzerianina, i Riyad Mahrez, ary ilay Kongoley, Bakambu, samy nahafaty baolina telo avy. Ho an’ny Barean’i Madagasika indray, i Carolus no nahafaty baolina be indrindra, miisa roa. Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: notsenain’ny Alzerianina tamin’ny fomba makotroka ny Fennecs a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andobomainty: rotiky ny balan’ny zandary i Tsiba dahalo raindahiny

Lavon’ny balan’ny zandary i Tsiba lehiben’i Sopa, ilay dahalo maty voatifitry ny zandary ny 20 septambra 2020 lasa teo tao Andobomainty Besaraha kaominina Soahany, distrik’Antsalova. Tamin’ny fotoana nahatrarana an’i Sopa, nitantara ny lehibeny sy ireo namany ary ny asan-dahalo nataony tao amin’ny distrikan’Antsalova izy. Nidina ifotony ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Maintirano mba hampandry tany ao amin’ny distrikan’Antsalova. Nahitam-bokany izany, ny 25 septambra 2020 tamin’ny 5 ora maraina, tonga ny zandary hisambotra an’i Tsibangoy tao an-tranony ao Besaraha Soahany dia tora-defona sy tifitra avy hatrany no nasetrin’ity dahalo ity ireto zandary hisambotra azy. Namafy tifitra ny zandary namita iraka ka maty tsy tra-drano i Tsiba. Naratra ihany koa ilay sakazainy efa noraran’ny havany tsy hiaraka amin’ity dahalo ity noho ny asa ratsiny ka nentin’ny zandary namonjy hopitaly, saingy tsy avotra intsony ny ainy. Nogiazana ny basy vita gasy nampiasainy sy ny lefona ary mohara tratra tany aminy.Jean Claude    L’article Andobomainty: rotiky ny balan’ny zandary i Tsiba dahalo raindahiny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina

Nisongadina omaly tetsy Anosy tao anatin’ny hetsika iarahan’ireo sehatra tsy miankina amin’ny fitsaboana fa hisy ny fananganana vovonana iraisana ho azy  ireo. Tanjona ny hampitovitoviana ny tolotra ara-pitsaboana eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana omena ireo marary.Manatona ny tobim-pahasalamana miahy tena ny 30%-n’ny Malagasy, indrindra ny an-tanàn-dehibe. Antony ny fahatsaran’ny tolotra omen’ireny sehatra tsy miankina ireny mihoatra ny omen’ny mpiasan’ny fahasalamana miankina amin’ny fanjakana.Aleon’ny marary mandoa vola dia tsara karakara sy  tsara fandraisana toy izay hiaritra ny filaharambe sy ny avonavona ary ny kitakitan’ny mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny tobim-pahasalamana ho an’ny daholobe.Nilaza anefa ny fanjakana fa tsy tokony hiankina amin’ny vola aloa ny kalitaon’ny fitsaboana eto amintsika. Hametraka indrindra ny fomba fiasa, hampitovitoviana ny tolotra eo amin’ireo sehatra tsy miankina sy ny an’ny fanjakana hitsinjovana ny marary ny minisiteran’ny fahasalamana. Hipetraka izany hatramin’ny faran’ny taona. Samy hahazo tombony, araka izany na ireo mpiantsehatra  eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana avy amin’ny tsy miankina na ireo avy amin’ny fanjakana fa tsy hifamono. Hojerena ny fiahiana manokana ireo tena  tsy manana, ny antonony ary indrindra ireo manao fiantohana ara-pahasalamana.Tatiana AL’article Fahasalamana: hatsangana ny vovonana iraisan’ny sehatra tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Famoahana andia miaramila

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faha-40 tamin’ireo manamboninahitra niofana tao amin’ny Akademia miaramila, tao Antsirabe. Nanatrika ny lanonana tany an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, izay nanambara ny fanamafisana ny fampiofanana an’ireo miaramila amin’ny filatsahana amin’ny helon’ aina. Nampitondraina ny anaran’ny «général de brigade Raymond Andrianaivo » ity andiany faha-40 ity. L’article Famoahana andia miaramila est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fiaraha-mientana

Tetikasa isan-karazany no hoentina miady ny kolikoly sy ho fanamafisana ny fandriampahalemana eny amin’ny Fitsarana, ary ny fanavaozana ireo fotodrafitrasn’ny fonja araka ny fantatra taorian’ny fihaon’ny minisiteran’ ny Fitsarana sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny tetsy Antaninarenina, omaly. Hatomboka amin’ity taona ity ihany ny fanatanterahana an’ireo asa mba hahatontosana an’ireo fanamby ireo. L’article Fiaraha-mientana est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Adin’ny samy mpitandro filaminana :: Zandary nifampitifitra teny an-dalambe

Nifanjevo ny zandary roa lahy, samy mpiana-draharaha ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny Zandarimaria (FIGN), teny amin’ny sakana ara-pahasalamana Ambohimangakely, afak’ omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Tsy fantatra ny antony nampifanolana azy ireo fa ny tifitra niantefa tany amin’ilay zandary faharoa no nanaitra ny rehetra teo amin’ny manodidina, tamin’io alina io. Voalaza fa mbola notifirin’ iry voalohany tamin’ny basiny, kalachnikov, ihany koa ny lehibeny nitarika azy ireo teny an-toerana. Olon-tsotra iray hafa no anisan’ny naratran’ny bala tamin’izany fifanjevoana izany. Voatendry hanampy an’ireo mpitandro filaminana namany teny amin’ny sakana ara-pahasalamana, teny Ambohimangakely, ireo zandary ireo. Nidina nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny lehiben’ny FIGN, jeneraly Nixor Tsitambala. Nosamborina ilay zandary mpianadraharaha nahavanon-doza. Niatrika famotorona nanomboka omaly izy, hoy ny vaovao azo avy amin’ny Zandarimaria. Tsy misy indra fo Tohina mafy nanoloana an’izao tranga izao ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, jeneraly Ravalomanana Richard. “Tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana io zandary nahavanon-doza io. Misy koa ny fepetra anatiny ato aminay izay hampiharina aminy satria tsy mila olona toy izany izahay ato amin’ny Zandarimaria”. Nampiany fa “efa nomena ny fitsaboana sahaza azy ireo telo naratra, ary tsy misy ahiana intsony ny ain’izy ireo ”. Manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Soavinandriana ilay zandary mpiana-draharaha voatifitra voalohany. “Teo amin’ny sofiny havanana kosa no naratra tamin’ ilay sivily sendra nandalo ka voan’ ny piti-bala”, araka ny nampitain’ ny Zandarimaria. Nidina teny Ambohimangakely nankahery an’ireo zandary manohy ny asany ny jeneraly Ravalomanana Richard, omaly. L’article Adin’ny samy mpitandro filaminana :: Zandary nifampitifitra teny an-dalambe est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina

Fanamelohana sazy mihatra dimy taona an-tranomaizina ny nomen’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina ny jiolahy iray nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava, afakomaly, momba ilay raharaha fanolanana miharo herisetra tamina zazakely vao 6 taona monja.Maivana loatra ilay sazy nomen’ny fitsarana! Raha hiverenana ity raharaha ity, naolan’i Zara Michel, 25 taona, i Velotody Jessica, zazakely enin-taona, ny 27 jona 2018 tao Vohilengo, Fenoarivo Atsinanana. Raha ny fanazavany nandritra ny fitsarana azy, nantsoiny nanaraka azy hiditra tao amina efitrano iray tsy misy olona ao Vohilengo ilay niharam-boina ka nentiny avy hatrany teny ambony fandriana nanaovany ny filàn-dratsiny. Nikiaka ilay tsy manan-tsiny ka nofatorany lamba ny vavany. Rehefa vita ny filany, norahonany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza ilay niharam-boina fa hovonoiny raha miteny amin’olona, araka ny fanazavan’ilay voampanga hatrany. Tsikaritry ny renin’ilay zaza anefa ny fihetsik’ity zanany somary hafahafa ka nanontaniany ary nambaran’ity niharam-boina ny anaran’ilay jiolahy nahavanon-doza taminy. Tokony homena ny sazy faran’izay henjana itony mahavita fihetsika mamoafady amin’ny ankizy tsy ampy taona itony. Any ivelany, fanamelohana ho faty na figadrana mandra-pahafaty ny mahazo ny olona manao fihetsika mamoafady na manolana ankizy toy izao.Sajo sy Jean ClaudeL’article Fanolanana zazakely 6 taona: jiolahy iray voaheloka dimy taona an-tranomaizina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Anor tany Diana sy tany Sava: fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana volamena

Ny volana jolay teo, nijery manodidina ny fitrandrahana volamena any amin’ny faritra Diana sy ny faritra Sava ny Anor (Agence nationale de l’or). Tanjona ny fampanarahan-dalàna ireo mpitrandraka sy torolalana samihafa ho azy ireo. Na misy masoivohon’ny Anor aza ao Ambilobe, zava-dehibe ny fidinan’ny foibe tany an-toerana nahitana ireo zava-misy maro ka nitondrana fanazavana ireo mpitrandraka volamena ny fampanarahan-dalàna. Nofantarina tamin’izany ny isan’izy ireo, ny teknika fampiasa sy ny lafiny sosialy mifandraika amin’izany asa izany. Nangonin’ny Anor ireo olana any an-toerana, ho fototra hiaingana amin’izay torolalana.Amin’ny ankapobeny, vita ny iraka tamin’ny naharaisana fanirian’ny maro, mampahavitrika azy ireo manohy ny asany. Resy lahatra ireo mpitrandraka sy mpandraharaha ny amin’ny fandrindrana io lalam-pihariana io any amin’ny faritra misy azy ireo. Tonga izy ireo niara-nivory tamin’ny Anor sy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Nampitaina ny lalàna amin’ny fitrandrahana volamena, ny andraikitra mifanandrify amin’izany, ary ny tombontsoa azo amin’ny fanarahana izany.Karatra sy fandoavan-ketraOmena karatra ny mpitrandraka manara-dalàna any amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy, distrikan’Ambilobe izay matetika voaresaka; manaraka izany, omena ny ben’ny Tanàna ny momba azy ireo. Ny any amin’ny kaominina Betsiaka indray, nifanojo tamin’ny fandalovan’ny Anor ny fametrahana ny “Birao mpanatanteraka Dina Betsiaka”. Nosoniavin’izay mpikambana vaovao ny « kahiem-patana », fankatoavana ny asa ataon’izy ireo, vahaolana iray amin’ny fampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ireo lavaka efa voatrandraka teo aloha.Nohazavaina amin’ireo mpitrandraka koa ny fomba fandoavan-ketra amin’izay fitrandrahana volamena izay. Nofaritan’ny Anor ny fanarahana izany, ny mifanohitra amin’izany kosa, lasa sakana tsy ahafantarana ny fiavian’ny volamena sy ny lalam-barotra.Anor tany AntsirananaNiara-nidinika amin’ireo mpivarotra volamena ny fandalovan’ny Anor tany Antsiranana, nanentanana azy ireo ao anatin’ny ara-dalàna ihany momba izay fanangonana volamena izay. Resy lahatra ireo nantsoina nivory, niombon-kevitra amin’izany miaraka amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Any Antsiranana ihany, nantsoina ireo mpianatra amin’ny oniversite ho fanitaran’ny Anor ny fifandraisana, ahafantaran’izy ireo bebe kokoa ny lalam-pihariana volamena sy izay mahakasika izany.Naneho ny fahavononany fiaraha-miasa amin’ny Anor, ny BCMM (Bureau du cadastre minier de Madagascar), ny Police des Mines ireo tompon’andraikitra any amin’ny faritra. Fehiny: ho lalam-pihariana manara-dalàna ny fitrandrahana sy ny varotra volamena. R.MathieuL’article Anor tany Diana sy tany Sava: fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana volamena a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Mahatsiaro iharan’ny antsojay ny mpiasan’ny ACM
28/09/2020

Velon-taraina noho ny antsojay mihatra aminy ny sasany amin’ireo mpiasa eo anivon’ny Aviation civile de Madagascar – ACM. Anisan’izany ny kiantranoantrano ataon’ny mpitantana, ny fanaovana halako bika tsy tiako tarehy amin’ireo mpiasa tsy mba namana, araka ny fampitam-baovaon’izy ireo. Efa nisy tompon’andraikitra ambony iray nesorina tamin’ny toerany noho ny tranga tahaka izao nefa naverina amin’ny toerany na tsy nahafeno ny fepetra fifaninanana aza. Anisan’izany ny fe-potoana niasana teo anivon’ny ACM. Nitohy tamin’ny fanilihana ireo mpiasa tsy namana izany raha nafindra toerana ny sasany ary nampidinina laharana ny hafa. Tao ireo tsy nanaiky ka nitondra ny raharaha teny anivon’ny «Inspection de travail » na teny anivon’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Niato ny fandraisana fanapahan-kevitra noho ny fihibohana nefa niverina indray ny antsojay.Maromaro ireo raharaha niakatra…Terena haka fialan-tsasatra ny mpiasa kanefa tsy maintsy ifaneken’ny andaniny, mpampiasa, sy ny ankilany, mpiasa, io. Notendrena avy hatrany anefa ny hisolo ny sasany amin’izy ireny. Efa maromaro ireo raharaha niakatra eny amin’ny « Inspection de travail » sy any amin’ny sampandraharaha hafa, manoloana izany. « Tsy manda ny fanovana na ny fanavaozana izahay fa tsy ekena kosa ny fanaovana izany ho fitaovana hanilihana ny hafa. Tsy misy antony tokony hamindrana na hanilihana na hanendrena mpiasa hisahana andraikitra iray raha tsy amin’ny alalan’ny fahaiza-manaony irery ihany », hoy ireo mpiasa.Manoloana izany, nanao antso avo izy ireo ny hampitsaharana izao tranga izao ary ny mba hijeren’ny tomponandraikitra mahefa ity “afindrafindrao”, mody ialokalofana amin’ny  fanovana sy ny fanavaozana, ity ary hanararaotana ny hamehana ara-pahasalamana. Manahy hatramin’ny fandraisana sidina avy any ivelany hanomboka ny 1 oktobra ho avy izao ho an’ny any Nosy Be ireo mpiasa raha tsy matotra ny fomba fiasa sy ny fitantanan’ny ACM.Synèse R. L’article Mahatsiaro iharan’ny antsojay ny mpiasan’ny ACM a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»
24/09/2020

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona
25/09/2020

Noho ny fepetra avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny tsy maintsy hanalana ireo trano manamorona ny lalana mankao amin’ny kianja Barikadimy, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny famoriana ny mpanao gazety, ny talata 22 septambra lasa teo, ireo fokonolona voakasik’izany, mahakasika ny taratasy nalefan’ny kaominina Toamasina renivohitra. Nambaran’ny pastora Randrianasolo Etienne, mpitondra tenin’izy ireo fa tsy hisakana na hanakorontana ny fanorenana ny fotondrafitrasa izy ireo. Saingy mangataka kosa ny mba hisian’ny fitsinjovana ny maha olona ka hanomezana toerana hanorenany fonenana vaovao. Lasa mahantra tsy fidiny raha toa ka mijanona amin’izao satria vahoaka noana sy  efa trotraky ny “covid 19”. Nanao taratasy sy fanangonan-tsonia faobe moa izy ireo, alefa any amin’ny filohan’ny repoblika, Andry Nirina Rajoelina. Ankoatra izay, nisy filazana avy amin’ny filoha lefitry ny Ben’ny Tanàna fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bepc, vao hisy ny fandravana.Manoloana ity disadisa ity, manahy ny mpitia baolina kitra fa sao ho taraiky amin’ny fotoana andalovan’ny solontenan’ny Fifa ity fandravana ity ka mety tsy hahafahana mandray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nanome tsiny ny ligy moa ny olona sasany izay tokony mba hanao fanelanelanana hahamora ny fanesorana ireo mponina tsy manaiky ny handravana ny tranony. Sajo L’article Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

Fonjamby-Fiofanana: mpanazatra matihanina no tanjona
28/09/2020

Tontosa soa aman-tsara, ny asabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny lanonam-pamaranana ny fiofanana ho mpanazatra federaly voalohany sy faharoa, taranja fibatana fonjamby. Tanjona tamin’ny fampiofanana, hoy ny mpanazatra, Rakotoarisena Harimalala Solomampionona, ny haha matihanina ireo mpiofana. Tsy nitovy, hoy izy, ny lentan’ireo mpiofana satria nizara ho federaly voalohany sy faharoa izy ireo kanefa tsy nampanano sarotra ny fampianarana izany. Mahakasika ny kalitaon’ny fampiofanana indray, efa niditra lalindalina kokoa, tamin’ity, satria ny resaka “anatomie” ny tena noresahina.Nizara telo mazava tsara ny mari-pankasitrahana nozaraina tamin’io lanonam-pamaranana io. Voalohany, ho an’ireo afaka fanadinana mpanazatra federaly “niveau 1”, niisa 19 izy ireo ny nahazo izany. Faharoa, mari-pankasitrahana ho an’ny mpanazatra federaly “niveau 2” ka sivy mianadahy ny nisitraka izany. Farany, nanome mari-pankasitrahana ihany koa ny eo anivon’ny Solidarité Olympique, amin’ny mpikarakara ny fiofanana azy.Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina Jean Alex, fa natao hampiakarana ny lentan’ny fanazarantena homena ny atleta ny fampiofanana, hahazoana vokatra tsara hatrany amin’ny fifaninanana goavana hatrehina. Isan’ny taranja mitondra avo ny voninahi-pirenena hatrany, hoy izy, ny taranja fibatana fonjamby. Mi.Raz L’article Fonjamby-Fiofanana: mpanazatra matihanina no tanjona a été récupéré chez Newsmada.

Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe »
25/09/2020

“Adidintsika ny fanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe sy ny fanajariana ny tany. Apetraka ny vina, mijery lavitra kokoa, afaka 10 na 20 taona… Anisan’izany ny fanorenana tanàna vaovao sy ireny tetikasa Padeve, ahitana ny drafi-panajariana sy fanatsarana ireo tanàn-dehibe, tanterahin’ny fanjakana”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP), Andrianainarivelo Hajo, tetsy Anosy, omaly.Ezaka avy amin’ny mpitantanaNotanterahina tamin’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny IST Ampasampito sy ny MATP ary koa ny Fikambanan’ireo matihanina eo amin’ny  tanàn-dehibe (Apum). Nanterin’ny minisitra tamin’izany anefa fa tsy maintsy misy ny ezaky ny mpitantana ny tanàna, hanaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.Tsy resaka diplaoma fotsiny ihany…Tafiditra ao anatin’izany ny fifampiresahana, ny traikefa hanatsarana ny fitantanana ny tanan-dehibe. “Tokony ho hita amin’izany ny fiofanana sy ny fikarohana ary koa ny avy amin’ny minisitera… Tsy resaka diplaoma fotsiny fa ilaina ny mampihatra izany ho amin’ny fampandrosoana. Mifanaraka amin’ny vina koa ny fiofanana”, hoy ihany ny minisitra.Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta izao fifanarahana izao.Tsy misy fampandrosoanaAnisan’izany ny fanofanana ho injeniera ho amin’ny taotrano ho an’ny tanàn-dehibe ireo tanora eo anivon’ny IST ary efa an-dalana hivoaka tsy ho ela ny andiany voalohany. Ampiarahana amin’izany koa ny teknolojia sy ny zava-misy eto an-toerana. “Tsy misy ny fampandrosoana  raha  tsy miainga amin’ny tsirairay izany”, hoy Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa efa niara-niasa an-taony maro ny eo anivon’ny MATP sy ny IST. Fanamafisana sy fanohizana izany izao, miaraka amin’ny APUM.Synèse R.L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo: « Mila vina lavitra ny fitantanana tanan-dehibe » a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
23/09/2020

Ho an’ny Dren Bongolava, nahatratra 5 081 ireo niatrika fanadinana BEPC .Misy 14 ireo ivontoeram-panadinana ary ahitana efitrano 222. Mipetraka hatrany ny lamina ara-pahasalamana ka tsy mihoatra ny isaky ny efitranom-panadinana 25 ny mpiadina ary ahitana fanasana tanana avokoa ny foibem-panadinana rehetra. 11 taona ny zandriny indrindra ary 46 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Mila fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna ny fivarotana hani-masaka anatin’ny fiara, aorian’ny fankatoavan’ny fitaleavana miandraikitra ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy maintsy manatanteraka ireo adidy voasoratra ao anaty bokin’andraikitra izay nahazo alalana. Io bokin’andraikitra io no mametra ireo sokajin-tsakafo na entam-barotra azon’ireo fiara mpivarotra hani-masaka amidy… L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Fandrindram-piterahana :: Matahotra fanabeazana aizana ny vehivavy malagasy
28/09/2020

Vao ny 41% -n’ny vehivavy malagasy ihany, izay latsaky ny 25 taona ny ankamaroany, no mampiasa ny fanabeazana aizana, araka ny tarehimarika avy amin’ny Fianakaviana Sambatra na Fisa.  Ny fanakanan’ny vady sy ny tsy fahafantarana ary ny tahotra amin’ny mety ho voka-dratsin’ny fandrindram-piterahana no antony mampalaina an’ireo vehivavy, amin’ny ankapobeny. Nomarihina, tamin’ny sabotsy lasa teo, ny andro maneran-tany ho an’ny fandrindram-piterahana. Nisy ny hetsika fampahafantarana teto Antananarivo, toy ny teny  amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, BMH, CSB Namontana ,CSB Andravoahangy, CSB Volosarika. « Mbola ambany ny tahan’ny fandrindram-piterahana eto amintsika. Ny ho tody any amin’ny 50% no ezaka napetraky ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Maro ireo te-hampiasa saingy noho ny antony samihafa no tsy ahafahany manatanteraka ny fandrindrampiterahana. Anisan’izany, ohatra, ny halaviran’ny tobimpahasalamana, ny tsy fahafantarana ny tolotra isan-karazany sahaza ny tanora sy ny renim-pianakaviana ary ny lehilahy », hoy ny avy ao amin’ny Fianakaviana Sambatra (Fisa). Voasokajy amin’ireo fanafody be mpisafidy ny « implanon » izay asisika eo amin’ny sandry sy ny tsindrona ary ny pilina. Manomboka eo amin’ny 12 taona ny ankizivavy no afaka mampiasa ny fandrindram-piterahana. Amin’io salan-taona io ny ankamaroany no miditra amin’ny firaisana ara-nofo. Safidy isan-karazany Nilaza i Fanja, renim-pianakaviana iray, izay tonga nanatrika ny fanentanana teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, fa vao niteraka ny zanany voalohany izy no nisafidy ny hanao fanabeazana aizana mba hialana amin’ny vohoka tsy niriana. Tamin’ny alalan’ny fanentanan’ny mpitsabo teny amin’ny CSB no nahafantarany an’izany. Tsindrona no ataony. Nisy fiantraikany tamin’ny fahazoan’ny vehivavy nanohy ny fanabeazana aizana kosa ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Natahotra ny hivezivezy teny amin’ny tobim-pahasalamana na koa tsy afaka nivoaka noho ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo. L’article Fandrindram-piterahana :: Matahotra fanabeazana aizana ny vehivavy malagasy est apparu en premier sur AoRaha.

Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra
24/09/2020

Hanenjana hatramin’ny farany. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, koa, omaly, ireo eo anivon’ny “Groupe Panorama”, ahitana ireo antoko ivelan’ny fitondrana sy ny parlemantera. “Hamafisinay hatrany ny fanapahan-kevitra noraisina teny Andrainarivo fa tsy ankatoavinay ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy hanatrika ny fivoriana tarihin’izy ireo izahay fa hanatitra taratasy omena ireo mpiara-miombona antoka teknika sy vola (PTF) maneho izany tsy fahamarinana izany”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier.Nohitsiny fa takin’izy ireo ny fahamarinan’ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana… “Tsy mankasitraka ny Ceni mbola hitantana fifidianana izahay. Takinay ny marina momba ny lisi-pifidianana “doublons””, hoy ihany izy ireo. Nandrangaranga sahady koa ny avy amin’ny antoko Tim fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona.Synèse R. L’article Lisi-pifidianana: mitaky ny marina momba ny “doublons” ny mpanohitra a été récupéré chez Newsmada.

Fanaovam-baksiny iarovana amin’ny kitrotro: manomboka izao hatramin’ny faran’ny taona ny fatra faharoa
28/09/2020

Ho fiarovana ny zaza amin’ny aretina kitrotro, manohy ny ezaka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy amin’ny fanaovana vaksiny ny zaza ahafahana mampitombo ny hery fiarovan’izy ireo. Tsapa fa nidina ny fahazotoan’ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hatao vaksiny noho ny tahotra hifindran’ny valanaretina Coronavirus. Nampahatsiahy ny tompon’andrakitra fa nanomboka tamin’ity volana septambra hatramin’ny volana desambra izao ny hanatanterahana ny fatra faharoa (rappel) ny vaksiny fanefitry ny kitrotro, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra no ahafahana manao izany ary ireo zaza 15 hatramin’ny 18 volana efa nahavita ny fatra voalohany no misitraka izany. Misy ny fanentanana amin’ny afisy apetraka isam-pokontany ho fampahafantarana ny hetsika ara-pahasalamana. Hatao eny anivon’ireo CSB manerana ny distrika ny fanatanterahana izany fatra faharoa izany. Efa nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny distrikan’Amparafaravola, i Miarinarivo, Ambato Boeny, Antanifosy, i Manandriana, i Fenoarivobe, Ankazoabo sy Ambatofinandrahana.Vonjy A. L’article Fanaovam-baksiny iarovana amin’ny kitrotro: manomboka izao hatramin’ny faran’ny taona ny fatra faharoa a été récupéré chez Newsmada.

Mila miara-mandroso amin’izay… 
29/09/2020

  Tena misy marina ve ny fiovana sy ny fanovana? Na tena atao, ezahina, irosoana… Anisan’izany, ohatra, ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna, ny fitondrana tsara tantana… Miara-mahita sy miaina ny zava-misy amin’izao ny rehetra. Na ahoana na ahoana, tanàna tsy ilaozan’adala?Mbola misy ihany ny tsimatimanota sy mirehareha ary sahy mihantsy ady vahoaka amin’ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanamparam-pahefana, ny fanaovana asa ratsy… Any amin’ny faritra heverina ho lavitra fanjakana no tena miseholany izany. Poa-maso manjaka tokana amin’ny tanin’ny jamba?Na misy ny tsikombakomba ratsy amin’ny kolikoly sy ny fahazoana tambondahiny amin’izay atao; na tsy afa-manoatra firy, ohatra, ny manampahefana any ifotony noho ny antony samihafa. Mahitahita ireo olon-dratsy? Na matoky olom-pantatra, na akaiky olona amin’ny fanjakana…Tsy fantatra izay mety ho fitarainan’ny vahoaka any ifotony amin’izany. Izy ireo indray aza no voarahona, ampahoriana, tratran’ny valifaty… Anisan’ny mahabe fitarainana amin’izany, ohatra, ny sehatry ny ady tany, ny tontolo iainana inian’ny sasany potehina, ny raharaham-pitsarana…Miandry ny fanjakana foibe ve izany rehetra izany vao misy vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… ? Mitaky fitsinjaram-pahefana tena izy eo amin’ny vola, ny fitaovana, ny olona… Indraindray, ny olom-boafidy na ny olom-boatendry koa no manao ny ataony, manaratsy endrika ny fitondrana.Mila henoina ny feon’ny vahoaka, fantarina ny hetahetany, atao izay mety ho fampandraisana anjara azy amin’ny raharaham-pirenena miainga any ifotony araka izay vitany… Raha tsy izany, mbola resaka sy fanamby ihany ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna ary ny fitondrana tsara tantana.Mila mipaka any ifotony ny hoe fampandrosoana iaraha-manana, iaraha-manao, iaraha-misitraka. Izay raha te ho lasa lavitra. Tsy maika tsy faingana, na ny sehatra sy ny faritra vitsivitsy ihany no misitraka izay atao. Tsy efa tokony hisy fiovana sy fanovana ve izany amin’izao?Rafaly Nd.L’article Mila miara-mandroso amin’izay…  a été récupéré chez Newsmada.

Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka
23/09/2020

Nohon’ny fahaiza-mitantan’ny fitondram-panjakana dia nahitana fihenana ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Noho izany dia nakatona tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Septambra 2020 ny ivon-toerana fandraisana ireo mararin’ny coronavirus (Centre de Traitement Covid-19) ao Mahamasina, izay ivon-toerana farany nandray ireo marary.  Ireo hopitaly lehibe arak’izany no mandray an-tànana ny fitsaboana ireo marary. Azo lazaina fa mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy eto Madagasikara izao fanakatonana ity ivon-toerana ity izao noho ny fahavitsian’ireo mbola mila fitsaboana.  Araka ny nambaran’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis dia ny fanakatonana ity ivon-toerana ity tsy midika akory hoe tapitra ny ady fa mbola mila manaraka ireo fepetra rehetra mba hitazomana izany vokatra tsara izany. Manomboka izao dia ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no handray an-tànana izay mahakasika ity valanaretina ity ary nanamafy ireo tomponandraikitra fa hanohy ny ady sy hametraka ny paikady mahomby rehetra amin’ny fifehezana ity valanaretina ity ary ahafahantsika mandresy ny coronavirus. L’article Famindrana ny fitantanana ireo CTC amin’ny Ministerany Fahasalamam-bahoaka a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.