Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

News - Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

News - Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters

Sambany hiaka-tsehatra eto an-tanindrazana ny Malagasy guitar masters, hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ny alakamisy 25 jolay izao ny fotoana, etsy amin’ny Piment café etsy Behoririka, ao anatin’ny « cabaret », araka ny hetsika ahafantarana ity toerana ity. Azo lazaina ho miavaka amin’izay fampisehoana sy seho mozika, ny amin’io faran’ny herinandro io, ity.

Tsy fahita matetika eto an-tanindrazana ny tarika, izay efa manana ny lazany any ivelany any sy mitety faritra maro. Araka ny fantatra, miisa 12 eo ho eo ny toerana notsidihin’izy ireo sy nanaovany fampisehoana, nandritra iny volana mey sy volana jona iny. Tsy nataon’izy ireo diso anjara ny mpankafy eto an-toerana, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto.

Raha tsiahivina, tarika ahitana mpikambana telo, samy havanana sy manana ny maha izy azy eo amin’ny fitendrena gitara, ny Malagasy guitar masters. Tsy iza izany fa i Teta, i Chrysanto Zama ary i Rija Randrianivosoa, izay nisolo an’i Joël Rabesolo. Ankoatra ny fitetezana firenena, efa namoaka rakikira, mitondra ny lohateny hoe « Volo hazo », ny tarika.

Ny mampiavaka azy ireo, ny fahaizan’ny tsirairay mamoaka ny talentany sy mametraka ny « soniany », izay sady mifameno. Eo koa ny fahaizan’izy ireo mampifanaraka ny mozika malagasy amin’ny fironana ankehitriny. Fotoana iray ankafizana izany rehetra izany io amin’ny alakamisy io, izay inoana fa hahaliana ny maro.

Landy R.

Article tiré de Newsmada

L’article Rehefa avy nitety an’i Eoropa: hanolotra seho tokana eto ry Malagasy guitar masters a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 23/07/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire

Nitohy, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Allianz Field ao St Paul, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Major League Soccer  (MLS), taranja baolina kitra. Niatrika izany, ny Minnesota United FC, klioba hilalaovan’i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar  sy ny Vancouver Whitecaps. Nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko ny roa tonta. Na teo aza io vokatra io, voahosotra ho mpilalao mendrika, i Metanire. Ny zava-bitany teny ambony kianja no nahazoany izany amboara izany. Marihina fa manan-danja ny lalao natrehiny satria hitadiavana isa, hiatrehana ny “play-offs”. Hatreto, fahadimy ny Minnesota United FC, izay manana isa 35 ary efa manana tongotra ila, any amin’izany “play-offs”, izany. Mbola mila miady mafy ry Metanire, amin’ny lalao hikatrohany amin’ny Portland Timbers, ny alahady ho avy izao.Mialoha io, hiatrika ny All Star Game, any Orlando, i Romain Metanire, ny alarobia ho avy izao. Raha tsiahivina, lalao hihaonan’ny ekipa voafantin’ny MLS sy ny ekipa eoropeanina, iray izy io. Amin’ity, ny Atletico de Madrid, no hikatroka amin-dry MLS, ka anisan’ireo mpilalao voafantina amin’izany, i Romain Metanire. TompondakaL’article Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Manaitra ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo: misy maka ny tany hanorenana « chapelle » eny Ambatomaro

Nanao antso ho an’ny mpiandraikitra ny oniversiten’Antananarivo ny mpianatra eny amin’ny cité Ambatomaro fa misy naka indray ny tany tokony ho nanorenana “chapelle” ho an’ny Aumônerie protestante universitaire. Efa nangataka ny tany mirefy 22 m tsy mivadimandry amin’ny 10 m tsy mivadimandry eny anivon’ny mpiandraikitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny CrouA ny mpianatra. Azo avokoa ny fankatoavana ary vonona ny taratasy samihafa ahafahana manomboka ny fanorenana. Nosantarina ny volana aogositra teo ny ady fototra. Amin’izao fotoana izao, misy andian’olona mipetraka eo amin’ny manodidina ihany milaza fa tompon’ny tany, araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny Aumonerie protestante sady mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, i Fanomezantsoa Rija. Nanao hetsika ho fanoherana izany fakana tany izany ny mpianatra monina eny amin’ny cité Ambatomaro. Ny mampalahelo azy ireo, misy tomponandraikitra ao amin’ny CrouA miaraka amin’ireo milaza ho tompon’ny tany nefa tokony hijery ny tombontsoan’ny mpianatra aloha ny CrouA. Hijanona ho fotodrafitrasan’ny oniversite sy ny mpianatra hifandimby hipetraka eny ny “chapelle”. Misy ny dingana efa vita nitondrana ny olana teny anivon’ny fiadidiana ny oniversite ary nilaza ny tomponandraikitra fa hijery ifotony izany. Manahy ny mpianatra fa mitombo an-dalana ny fakana ampahan-tany tokony hanorenana “chapelle” ka manaitra ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo. Vonjy A.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fanahiana hala-jaza :: Nisava trano iray teny Ambohibao ny zandary

Herinandro taorian’ny nahavery an’i Sitraky Ny Avo Ramarosandy, ankizilahy iray 11 taona, monina eny Ankadivory-Talatamaty no nahalalana fa mboka misitery ny antony nahafaty an’ilay zaza, rehefa hita tao amin’ny lakandranon’ Andriantany ny vatana mangatsiakany, ny marainan’ny 10 jona lasa teo. Nahitana ratra tamin’ny tarehiny sy ny lohany. Misy ny ahiahina hala-jaza na fakàna an-keriny. Trano iray teny Ambohibao no nosavain’ny zandary rehefa niely ny feo ny tamin’ny mety ho nanafenana an’ilay zaza tao, saingy tsy nahitana na inona na inona. Niteraka savorovoro teny amin’ ny kaominina Talatamaty hatreny Ambohibao ny fahaverezan’io ankizy, 11 taona, io nanomboka tamin’ny 4 jona lasa teo. Nampiasa ny fomba maro mba hahitana azy ireo ray aman-dreniny saingy tsy nahitam-bokany. Nandeha ny resaka ny amin’ny hoe nisy naka an-keriny, ka mitaky vola ireo jiolahy saingy tsy nisy porofo nahitan’ ny mpitandro filaminana izany. Niarahana tamin’ny fianakavian’ilay zaza mihitsy ny fisavana iry trano iry fa tsy nahitana mangirana. L’article Fanahiana hala-jaza :: Nisava trano iray teny Ambohibao ny zandary est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2021”: fantatra ireo fandaharan-dalaon’ny Barea

Taorian’ny nivoahan’ny antsapaka, nahalalana ny vondrona misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2019”, fantatra ihany koa izao, ireo fandaharan-dalao, ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.Azo lazaina fa mety ho an’ny Barea de Madagascar, ny daty hanatanterahana ny fifanintsanana hiadian-toerana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2021”, taranja baolina kitra. Raha tsiahivina, ao amin’ny sokajy “K” i Madagasikara, miaraka amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Les Walya-n’i Etiopia ary ny Le Mena-n’i Niger. Raha ny vinavinan’ny rehetra mantsy, ny Ivoarianina, no heverina fa mety hanahirana ny Barea de Madagascar. Amin’ity, hampiantrano ny lalao voalohany, ry zareo Elefanta ary eto Madagasikara ny fihaonana miverina. Tafiditra amin’ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ny fihaonan’ny roa tonta.Azo atao tsara, araka izany, ny manao kajikajy hikendrena ny toerana voalohany. Ankoatra izay, fihaonana roa ihany no hotanterahina amin’ity taona ity, dia ny lalao handraisana an’i Etiopia, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, ary ny fivahinianana any Niger. Tombanan’ny rehetra fa tsy ho olana amin’ny Barea de Madagascar, ny handingana an’i Niger sy i Etiopia. Raha ara-taratasy mantsy, manana tombony ny Malagasy. Na izany aza, ilaina hatrany ny fanomanana, mba tsy hisian’ny fahadisoam-panantenana toy ny nahazo ny Barea, tany amin’ny lalaon’ny Nosy, farany teo. Ekipa, heverina tsy hahatohitra ny Barea, saingy tsy resy, hany ka niveri-maina ary nanaratsy ilay sary tsara vitan’ny Barea, tany amin’ny “Can 2019”, natao tany Egypta. Tompondaka   Ireo datin’ny fifanintsanana ho an’ny Barea 11 novambra 2019Barea # Etiopia19 novambra 2019Niger # Barea31 aogositra 2020Côte d’Ivoire # Barea8 septambra 2020Barea # Côte d’Ivoire13 oktobra 2020Etiopia # Barea17 novambra 2020Barea # NigerL’article Kitra – Fifanintsanana ny “Can 2021”: fantatra ireo fandaharan-dalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

BFV-SG: tolotra manokana ho an’ny faran’ny taona

Manome tolotra manokana ny mpanjifa ny banky BFV-SG, hanamora ny fiatrehana ny fotoana samihafa amin’izao faran’ny taona 2018 izao. Nanomboka tamin’ity volana desambra ity izany, hatramin’ny 10 febroary 2019. Maro ny tolotra azo isafidianana, ao anatin’ny findramam-bola Soafeno. Toy ny Soafeno Maika, natao ho an’ny mila vola tampoka, na sendra tratry ny vonjitaitra. Eo koa ny Soafeno express, hiantohana ny fianarana sy ny kojaokoja ilain’ny mpianatra, ny hanatanterahana fotoan-dehibe (fanambadiana, kojakoja ao an-trano, …). Ahafahana mividy fiara na moto ihany kosa ny Soafeno Auto-moto.Mampiavaka ity tolotra manokana faran’ny taona ity, ny fampihenana tarehimarika roa ny tahan’ny zana-bola mihoatra amin’ny mahazatra. Hivaly ao anatin’ny 48 ora ny fangatahana. Hita manerana ny masoivohon’ny BFV-SG rehetra ity tolotra manokana ity sady sahaza ny sokajina mpanjifa manontolo. Azo atao ny mangataka fanapim-panazavana any amin’ny masoivoho tsirairay.Njaka A.  L’article BFV-SG: tolotra manokana ho an’ny faran’ny taona a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tomban’ezaka zato andro :: Hanao tatitra ny Filohan’ny Repoblika

Tomban’ezaka voalohany. Hanao tatitra momba an’ ireo dingana vitany nandritra ny zato andro nitondrany an’i Madagasikara ny Filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny alahady 28 avrily 2019 ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Hibahan-toerana hatrany ny firosoana amin’ny fanatontosana an’ireo velirano nampanantenainy. Isan’ireo hanotrona ny hetsika eny an-toerana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Raha tsy misy ny fiovana dia ho tonga eny Mahamasina ihany koa ireo mpikatroka politika mpiara-dia aminy. Hifanojo amin’ny fotoam-panombohana ny fampi- elezan-kevitra mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka rahateo io andro io. L’article Tomban’ezaka zato andro :: Hanao tatitra ny Filohan’ny Repoblika est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Faritra Menabe: hanamboatra lalana sy hamokatra angovo i Korea Atsimo

Nihaona vao haingana ny lehiben’ny faritra Menabe, i Gilbert Romain, sy ny masoivohon’i Korea Atsimo eto amintsika, i Lim Sang-woo. Tetikasa niaraha-nidinika ny fanamboaran-dalana sy ny famokarana angovo. Mbola vitsy ny orinasa manangana tetikasa any amin’ny faritra Menabe noho ny tsy fahampian’ny famatsiana angovo sy ny faharatsian-dalana. Nambaran’ny masoivohon’i Korea Atsimo fa ireo no antony lehibe misakana ny fampandrosoana, tsy ahitana fampiasam-bola any amin’iny faritra iny. Efa nasian-teny teo aloha, ny taona 2015, ny fampindramam-bola ataon’i Korea Atsimo an’i Madagasikara, 30 tapitrisa dolara. Voateny tamin’izany ny hanamboarana ny lalana RN35, manelanelana an’i Morondava sy Mahabo. Any amin’ny faritra Menabe ihany,  ry zareo Koreanina hamokatra angovo sy hanatsara ny lalana mankany amin’ny Tsingin’i Bemaraha sy Tsingin’i Bekopaka.  Nambara fa hatao tsara ireo lalana ireo hisintonana mpizahatany sy ho fiarovana ny tontolo voajanahary. Ao anatin’ny fifanarahana ihany koa ny fanamboaran-dalana mampitohy an’Analamisampy sy Manja. Tsara ho fantatra fa aorian’i Japoney, ry zareo Koreanina no faharoa amin’ny fampiasam-bola any Ambatovy.  Nambara tamin‘ny fihaonana ny fandrosoan’ny teknolojia koreanina, toy ny hita amin’ny Samsung sy ny Kia. Efa tany amin’ny taona 1963 ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Korea Atsimo. Novelomina indray izany fifandraisana izany, ny taona 1993. Hatramin’izay, mahatratra 200 tapitrisa dolara izao ny varotra eo amin’ny firenena roa tonta. Tsiahivina fa anisan’ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Korea Atsimo nandritra taona 60, afaka nihoatra izany aty aoriana rehefa notohanan’ny Fikambanana iraisam-pirenena maro, ary ankehitriny mitondra ny anjarany hanosika hampiakatra ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara.   R.MathieuL’article Faritra Menabe: hanamboatra lalana sy hamokatra angovo i Korea Atsimo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fiatrehan’ny Barea ny “Can 2019”: ho fantatra anio ny valin-tenin’i  Dax

Nandefa taratasy ho an’ny “comité de normalisation” Andriamirado Arohasina (Dax), mpilalaon’ny Kaizer Chiefs Afrika Atsimo fa tsy hanatevin-daharana ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”. Nosoratany ny 7 septambra 2018 izany, fony mbola teo ny biraon’ny FMF. Nitatitra izany tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny filohan’ity komity ity, i Atallah Béatrice, tetsy Isoraka.Manoloana izany, mangataka an’i Dax hanao fanambarana ofisialy amin’ny vahoaka malagasy ny “comité de normalisation” sy ny filohan’ny Fosa Jr Boeny, klioba nilalaovan’i Dax, teo aloha, ny amin’ny fahavononany hilalao na tsia ao amin’ny Barea. Maro ireo mpankafy baolina kitra mangataka ny hiantsoana an’i Dax, hanatevina ny ekipam-pirenena, saingy mazava izao fa tsy mazoto ny tenany. Ankoatra izany, efa nisy ny olana teo amin’i Dax sy ny mpitantana eo anivon’ny federasiona ary ny Fosa Jr, tamin’ny nandehanany nilalao atsy Afrika Atsimo. Mety ho anton’izany io zava-nisy io ka nahatonga an’i Dax nanapa-kevitra tsy ho ao amin’ny Barea de Madagascar. Marihina fa anisan’ireo mpilalao nolazain’i Nicolas Dupuis ho mahay ary manana ny toerany ao anaty ekipam-pirenena i Dax.Etsy andaniny, fantatra fa ho avy eto Madagasikaraa i Dupuis, hijery sy hiresaka amin’ireo mpanazatra malagasy, momba ireo mpilalao dimy hantsoina hanampy ny Barea hiatrika ny “Can 2019”. TompondakaL’article Fiatrehan’ny Barea ny “Can 2019”: ho fantatra anio ny valin-tenin’i  Dax a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Fitarainana momba ny fanabeazana: mavesatra ho an’ny sekoly tsy miankina ny hetra
24/11/2020

Sampandraharaha mitondra soa ho an’ny vahoaka ny sekoly miahy tena ary mizaka ny satan’ny asa fanabeazana fa tsy natao hitadiavana tombombarotra toy ny orinasa. Maneho ny olana ireo mpiandraikitra manoloana ny hetra takin’ny fanjakana.    Araka ny fepetra ankapobeny mifehy ny hetra, tafiditra amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ampiasaina amin’ity taona ity, tsy maintsy manefa tataon-ketra alaina amin’ny karama (IRSA) amin’ny sandany 10% ny sekoly tsirairay. Ny saram-pianaran’ny mpianatra anefa, tsy azo hakana ampahany hatao hetra ka sahiran-tsaina ny mpitantana sekoly manoloana izany. “Amin’izao fotoana izao, tonga ny mpitaky hetra maka ny hetra tokony ho naloa nanomboka ny taona 2017 raha hanamboatra “carte d’identité fiscale” sy laharan’ny karatra maha mpandoa hetra ny mpiandraikitra ny sekoly tsy miankina”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny sekoly miahy tena Aile (Association des instituts laïques pour l’éducation), Rakotomalala Célin. Mavesatra ho an’ny sekoly izany sora-bola izany, indrindra tsy misy fidiram-bola ankoatra ny saram-pianarana avy amin’ny mpianatra. Nampahatsiahiviny fa nihevitra ny sekoly tsy miankina ho sampandraharaha ilain’ny vahoaka ny fitondrana nifanesy ka ny vola azony no entiny mampihodina ny asany nefa tataovana hetra indray ankehitriny. Ireo mpanabe amin’ny maha olom-pirenena azy, efa mandoa ny IRSA 2 000 Ar isam-batan’olona miasa amin’ny sekoly.Ankoatra ny hetra, tsy nisitraka tolotra fanampiana ny mpanabe avy amin’ny sekoly miahy tena nandritra ny fihibohana ary mbola nanampy trotraka ny fanafoanana ny fanampiana ny fampihenana ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny ary ny fanohanana 24 000 Ar ho an’ny mpampianatra miampy ny tosika ho an’ny fikambanan’ny sekoly miahy tena. Nanome toky ny minisitry ny Fanabeazana fa hangataka hamerenana ireo tohana telo ireo raha nitafa tamin’ny solontenan’ny mpiandraikitra ny sekoly tsy miankina.Vonjy A.L’article Fitarainana momba ny fanabeazana: mavesatra ho an’ny sekoly tsy miankina ny hetra a été récupéré chez Newsmada.

Après match : Des rues noires de monde  
18/11/2020

Il a fallu jouer des coudes pour sortir du stadium de Barikadimy après le match des Barea. Et le mot n’est pas trop fort pour qualifier cette marée humaine prendre d’assaut toutes les rues par où passent les Barea. Des héros que tout le monde voulait voir. Autant dire que les Tamataviens étaient fiers de ces Barea qui ont vraiment mouillé le maillot et tenu tête à des Ivoiriens théoriquement supérieurs. Mais la première haie d’honneur était pour le Président Andry Rajoelina grâce à qui la ville a pu se doter d’un stade aux normes internationales. C’était tellement bien fait au point de faire dire au capitaine ivoirien Serge Aurier que les conditions incluant également l’hôtel Le Calypso étaient réunies pour rendre leur séjour agréable. Clément RABARY L’article Après match : Des rues noires de monde   est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Après match : Des rues noires de monde   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Manahy ny mpitantana sekoly: “Lasa fanararaotana ny fitorohana ny herisetra”
23/11/2020

Taorian’ny fanentanan’ny tomponandraikitra ny rehetra tsy hisalasala hitoroka raha mahita endrika fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy, manahy ny fivoaran’ny zava-misy ny mpitantana sekoly tsy miankina sy ny mpanabe. Nisy tranga iray niseho tamin’ny sekoly tsy miankina eny Tanjombato, nilazana fa nisy mpampianatra lehilahy nikitika ny mpianatra ao amin’ny “grande section” telo vavy, 5 taona avy. Herinandro taty aoriana, nametraka “plainte de reserve” eny amin’ny mpitandro filaminana ny ray aman-dreny iray amin’ireo telo voalaza.Rehefa nanao fanadihadiana anefa ny mpitsabo ao amin’ny sekoly, voalaza fa tsy nisy ny fikitihana natao ireo zaza ireo, araka ny fanazavana azo. Niakatra avy hatrany teny anivon’ny fitsarana ny raharaha ka voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay mpanabe lehilahy mampianatra ao amin’ny ambaratonga faharoa ao amin’ilay sekoly ny zoma lasa teo. “Attentat à la pudeur et tentative de viol” ny heloka iampangana ity lehilahy ity. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra ny mpitantana sekoly sy ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina fa misy manararaotra ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka manahy sao hataon’ny olona fitaovana hanimbana fiainan’olona fotsiny.Nangonin’i Vonjy            L’article Manahy ny mpitantana sekoly: “Lasa fanararaotana ny fitorohana ny herisetra” a été récupéré chez Newsmada.

Herinaratra: 1,2 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID
24/11/2020

5% monja amin’ny mponina any ambanivohitra eto Madagasikara izao ny mahazo herinaratra mivantana na eo aza ireo loharanon’angovo azo havaozina toy masoandro, ny rivotra sy ny rano.Orinasa telo eto Madagasikara nampian’ny governemanta amerikanina, amin’ny alàlan’ny USAID, sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana, sy ny tetikasa Power Africa. Mitentina 1,2 tapitrisa dolara ny tetikasa, hamokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tanjona ny hahazoan’ny tokantrano mihoatra ny 400 000 any ambanivohitra herinaratra amin’ny taona 2022. Voakasik’izany ny faritra telo: Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, ary i Boeny.Orinasa 17 ny nanao fangatahana, telo ireo nahazo izany taorian’ny safidy: ny Autarsys Madagascar, ny Hydro Ingenierie Etudes et Realizations (HIER) ary ny Henri Fraise Fils & Cie.Tanjona ny 50 % hahazo herinaratra amin’ny 2023Ny volana mey 2020 no natomboky ny Power Africa ny tetikasa fampiroboroboana ny tambajotra madinika eto Madagasikara. Tetikasa tantanan’ny Power Africa’s Southern Africa Energy Program (SAEP) manampy ireo nahazo alalana avy amin’ny Ader, saingy sahirana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola; misy koa ireo mpandraharaha manana tetibola afaka manampy tokantrano vaovao hafa. Manohana ny tanjon’ny fanjakana ny tetikasa, hahatratra 50% amin’ny fahazoana herinaratra manerana ny Nosy amin’ny taona 2023.Manampy amin’ny fanitarana ny fiharianaRehefa mitombo ny fampiasana izany, afaka mampiasa fitaovana sy milina maoderina ny orinasa, toy ny paompy fitarihan-drano sy ny vata fampangatsiahana. Manampy amin’ny fanitarana ny fihariana ireo, sy famoronana asa vaovao hampandroso ny orinasa sy ny faritra. Manampy amin’ny fanamafisana ny fifandraisana varotra sy ny toekarena, sy ny fampiroboroboana ny fizakantena maharitra ny fahazoana herinaratra eto Madagasikara. R.Mathieu L’article Herinaratra: 1,2 tapitrisa dolara avy amin’ny USAID a été récupéré chez Newsmada.

STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy
20/11/2020

Fotoana ankamamian’ny mpianakavy ny fetin’ny faran’ny taona. “Manoloana izany dia nanao ezaka ny teo anivon’ny Startimes hamenoana izany hafaliana izany”, hoy ny tompondraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes, Zafera Joyce nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 20 novambra 2020 teny Ankorondrano. Nambarany fa nampiditra chaînes vaovao 28 tao anatin’ny bouquet ny Startimes tamin’ity taona ity, nanome fihenam-bidy tamin’ny alalan’ny Startimes GO ary tamin’ny alalan’ny Startimes ON dia afaka nisitraka ny vokatra Startimes na mpanjifa na tsia. Ho tohiny izany rehetra izany dia manao fihenam-bidy goavana ity televiziona nomerika ity ho fanamarihana ny fetin’ny faran’ny taona. “ Raha ho an’ny eto Antananarivo dia lasa 45.000 Ariary ny décodeur ary efa misy abonnement 44.000 Ariary. Ho an’ny sahafa indray dia lasa 80.000 Ariary izany raha toa ka 120.000 Ariary teo aloha ary efa misy bouquet 44.000 Ariary miaraka aminy”, hoy i Zafera Joyce. Ankoatra izany dia mbola mitohy ny fihenam-bidy amin’ny “télévision numérique” an’ny Startimes. Raha 650.000 Ariary ny 32” dia lasa 550.000 Ariary. Ho an’ny televiziona 43” dia 950.000 Ariary ny vidiny raha toa ka 1.100.000 Ariary izy teo aloha. Nirina R. Cet article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article STARTIMES: Mitohy mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ny fihenam-bidy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo
24/11/2020

Zava-doza ary efa tena tsy fampiseho masoandro ity nitranga tany amin’ny faritra Vakinankaratra ity. Raim-pianakaviana iray no notorian’ny zanany vavy teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ao Antsirabe fa nanolana azy. Araka ny loharanom-baovao dia efa manambady ity vehivavy ity nefa dia mbola sahin’ity rangahy ity ny nanao azy izany fomba ratsy izany raha sendra nivahiny tao aminy ity zanany ity. Nambaran’ity mpitory moa fa efa tany amin’ny taona 2003 tany no nanaovan-drainy azy izany raha mbola kely izy tamin’izany. Voatery nangina hono izy tamin’izany fotoana izay fa natahotra. Tsara anefa no manamarika fa tena heloka bevava izao nataon-drainy izao satria ankoatry ny fanaovana herisetra amin’ny zaza tsy ampy taona, dia mbola sazian’ny lalàna ihany koa ilay fifoterana amin’ny fianakaviana. Ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona (PMPM) Antsirabe no nisahana ny fanadihadiana. Ano moa no natolotra ny fitsarana ny raharaha ka andrasana izay ho vokany. T.M. L’article Fanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Fanolanana : Vehivavy efa manambady nanaovan-drainy herisetra ara-nofo a été récupéré chez Midi Madagasikara.

UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy
19/11/2020

Mba tsy hampitombo ny takaitran’ilay niharan’ny herisetra. Mpanao gazety avy amin’ny haino vaky jery aman-tranokala miisa 20 avy eto Antananarivo no nahazo fiofanana avy amin’ny UNICEF momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra atao amin’ny ankizy. Ny 16 sy ny 17 novambra 2020 teny Antaninarenina no nanatanterahina izany. “Ny haino vaky jery aman-tranokala dia sehatra iray ahafahana mandefa  vaovao sy mampita hafatra mba handraisana anjara amin’ny fanabeazana ny vahoaka Malagasy amin’ny lohahevitra tena  ilaina toy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny herisetra atao amin’ny ankizy. Tafiditra ao anatin’ny sahan’asa momba ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izay hanomboka ny 25 novambra ary hifarana ny 10 desambra 2020 ity fiofanana ity”, hoy ny mampiofana Rossella Albertini, manam-pahaizana manokana momba ny maha lahy sy maha vavy avy ao amin’ny UNICEF Madagasikara. Nambarany fa nifanandrify tamin’ny tranga niseho matetika, herinandro lasa, tamin’ny haino vaky jery aman-tranokala momba ny  herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy sy herisetra ara-nofo atao amin’ny ankizy ihany koa ity fampiofanana mpanao gazety ity. Noho izany, “tena ilaina ny fiofanana hampitàna ireo vaovao tokony alefa sy ampahafantarana ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy  ary koa ampahafantarana amin’ny vahoaka ireo ivon-toerana mandray an-tanana izany”, hoy izy. Nandritra ny fiofanana dia  voalaza fa tomponandraikitra ny mpanao gazety satria mety hampitombo ny takaitra mahazo ilay niharan’ny herisetra indray ny lahatsoratra na fanadihadiana nataony. Ho fisorohana izany ihany koa no anisany zava-kendreny ny fiofanana nomen’ny UNICEF. Lynda A. Cet article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article UNICEF: Ny tokony ataon’ny mpanao gazety manoloana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nécrologie du 24 novembre 2020
24/11/2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 24 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 24 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps
20/11/2020

Ao anatin’ny velirano faha-11 nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fampiroboroboana ny trano fonenana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Napetraka ny Antokon-draharaha nasionaly hanohanana ny trano fonenana (Analogh), orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MTTP), sady miara-miasa amin’ny minisitera lefitra miadidy ny Tanàn-dehibe vaovao sy ny trano fonenana (VMVNH). Ny antony, ny hanatanterahana ny Politikam-pirenena mikasika ny trano fonenana.Tanjon’ny Analogh ny hiantoka ny ahazoan’ny tokantrano malagasy trano fonenana sahaza, hampihenana ny fahantrana sy hanatsarana ny fari-piainany. Maro, araka izany, ny tetikasa hanorenana trano fonenana manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.Natao, omaly, ny sonian’ny fifanarahana eo amin’ny Analogh, ny banky BNI Madagasikara ary ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Hita taratra amin’ity fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ity ny fanatanterahana ny Politikam-pirenena ho an’ny trano fonenana (3P).Nilaza ny tale jeneralin’ny CNaPS, Rakotondraibe Mamy, fa anisan’ny tanjona ao anatin’ity fifanarahana ity ny ahazoan’ny mpikambana ao amin’ny CNaPS, mahazo trano fonenana. aorin’ny Analogh.Amin’ny alalan’ny banky BNI no ahafahan’ny mpikambana mindram-bola, hividianana ny trano.Njaka A.L’article Fiaraha-miasa 3P: trano fonenana ho an’ny mpikambana Cnaps a été récupéré chez Newsmada.

Semipi: tsara ny voka-panadinana bakalorea
24/11/2020

« Mahatsiaro ny tanàna nahabe ». Io ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, raha nitsidika ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ny alahady 22 novambra 2020 tany Fianarantsoa. Nijery ny fanavaozana ny fotodrafitrasa entina manatsara ny andavanandron’ny mpianatra ao amin’ny sekoly ny MDN. Nambarany fa nahafapo ny vokatra azon’ny sekoly tamin’ny fanadinana bakalorea farany teo ka nisaotra manokana ny kaomandin’ny sekoly, ny Kly Rafidison, izy. Niarahaba manokana ireo afa-panadinana koa ny izy sady nankahery ireo mpianatra hitozo hatrany ny fianarana. Nandritra ny fandalovany tany an-toerana, nisy ny fihaonany amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao Matsiatra Ambony sy ireo OMC. Nanatrika ny fivoriana koa ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Raharinirina Baomihavotse Vahinala, sy ny masoivohon’ny firenena Soisa eto Madagasikara, i Chasper Sarott. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny lafiny tsy fahampian-drano noho ny fiovaovan’ny tontolo iainana sy ny fisian’ny doro tanety. Ankoatra izany, nihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana noho ny ezaka nataon’ireo miaramila mampandry tany ka nahafanana nanangona basy tsy ara-dalàna, indrindra ny tao amin’ny distrikan’Isandra, araka ny nambaran’ny MDN.Jean ClaudeL’article Semipi: tsara ny voka-panadinana bakalorea a été récupéré chez Newsmada.

BNI- Antanetibe Mahazaza: tamberin’andraikitra anjatony tapitrisa Ariary
18/11/2020

« Ny fahasalamana no voalohan-karena », koa rehefa salama, afaka miasa mamokatra, mahazo vola. Izany ny naharesy lahatra ny Fondation Axian, BNI Madagascar, avy amin’ny fandaharanasa Salama BNI, sy ny ONG Hilfe, miara-miasa amin’ny fanjakana, nanamboatra ny CSB II ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo. Kaominina misy mponina 12 000, manana ny maha izy azy eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana, manodidina ny kaominina Mahitsy.Tamberin’andraikitra amin’ny lafiny sosialy ataon’ny sehatra tsy miankina ny nataon’ny BNI. Nomarihin’ny solombavambahoakan’Ambohidratrimo, Rakotoarison Jhonny, fa « betsaka ny orinasa mahita tombontsoa eto amintsika nefa manadino izay tamberin’andraikitra izay ». Ny tetikasa Salama BNI, manao izany amina sehatra maro: ny fanebeazana sy ny fahasalamana, toy ny fananganana CSB II izao, nandaniana vola anjatony tapitrisa. Nisaotra ireo mpanohana sy mpiara-miombona antoka rehetra ny ben’ny Tanàna, ny dokotera Rakotonomenjanahary Louis Firmin, nampisy izao fotodrafitrasa fandraisana marary sy efitra fiterahana izao.Raha ny nambaran’ny mponina eny an-toerana, tsy nisy fiantraikany loatra amin’izy ireo any amin’io kaominina ambanivohitra io ny valanaretina Covid-19 satria ny ONG Hilfe, nanentana isan-tokantrano sy nitondra fidiovana ho fiarovana amin’ny aretina. Afaka niasa hatrany izy ireo amin’ny fiompiana fanaony, saingy nihena ny varotra, nisy fotoana tsy tonga ireo mpanangom-bokatra tamin’ireny fihibohana ireny.Mitohy ny ataon’ny Salama BNIManohy ny fanaovana tetikasa toy izao ny Fondation Axian, araka ny nambaran’ny tale mpanatanteraka, i Isabelle Salabert, ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny fahantrana ho fanatsarana fari-piainan’ny mponina. Ny mponina salama sy tsara fivelomana no mpanjifan’ireo orinasa mivondrona ao amin’ny Fondation Axian. Mbola hotohizan’ny Salama BNI ny tetikasa any amin’ny faritra hafa, ho fametrahana toeram-pitsaboana manakaiky vahoaka any ambanivohitra, antoka iray amin’ny fihariana trandrahin’izy ireo. R.MathieuL’article BNI- Antanetibe Mahazaza: tamberin’andraikitra anjatony tapitrisa Ariary a été récupéré chez Newsmada.

Commune rurale de Fiaferana : Les lauréats au baccalauréat, BEPC et CEPE récompensés
21/11/2020

Le maire de la commune rurale de Fiaferana dans le district d’Antananarivo, Andrianaho Ratovelomanana a récompensé les lauréats au BEPC, au CEPE et au baccalauréat de sa commune. Pour cela, ces enfants ont reçu des attestations, des médailles, et une enveloppe. Outre les trois lauréats, le maire a aussi tenu à féliciter 14 nouveaux bacheliers en leur remettant des médailles. Par ailleurs, la commune comptait également quatre écoles qui ont obtenu un résultat de 100% à l’examen du CEPE, ce qui a particulièrement ravi le maire de la commune qui a d’ailleurs financé le repas des enfants durant le dernier examen du CEPE. Il a par ailleurs promis de suivre de près la scolarité de ces enfants en cherchant des moyens pour les aider. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Commune rurale de Fiaferana : Les lauréats au baccalauréat, BEPC et CEPE récompensés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Commune rurale de Fiaferana : Les lauréats au baccalauréat, BEPC et CEPE récompensés a été récupéré chez Midi Madagasikara.