Ranesa Firiana: “Mila hafainganina ny fifidianana kaominaly haverina” 

News - Ranesa Firiana: “Mila hafainganina ny fifidianana kaominaly haverina” 

News - Ranesa Firiana: “Mila hafainganina ny fifidianana kaominaly haverina” 

              Mbola
resabe hatramin’izao ny momba ny hiatrehana ny fifidianana
loholona. Anisan’ny anton’izany ny tsy nahavitan’ny fifidianana
ben’ny Tanàna tamin’ny kaominina sasany.

“Mba hamerenana ny
fahatokisan’ny vahoaka ny mpitondra sy ny zon’ny vahoaka amin’ireo
kaomianina hifidy ny solontenany, tokony hatao araka izay haingana
ny fifidianana” hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana.

Misy ny didim-pitsarana mampamerina
ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina maromaro. Raha ny
tokony ho izy, 120 andro aorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana no
atao izay fifidianana izay. Nefa misy koa ny fampiakarana fitsarana
fandravana nataon’ny kandidà hafa, izay mety hisy fiantraikany
amin’izay famerenana fifidianana izay.

Tokony hisy fifanatonan’ny
tomponandraikitra rehetra

Tokony hisy fiaraha-miasa sy
fandaminana manokana hataon’ireo tomponandraikitry ny fifidianana
amin’ny fanomanana izany. Eo ny Ceni, ny avy amin’ny
Filankevi-panjakana izay mitsara ny fangatahana fandravana rehetra,
na ireo fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana raha
tsy misy fampiakarana ilay didim-pitsarana sy fanapahan-kevitra
mampamerina ny fifidianana amina kaominina iray.

Rehefa vita ny fifanatonan’ireo
tomponandraikitra, tokony hofaritana ny daty hamerenana ny
fifidianana. Fifidianana manokana no hifidianana azy ireo ka manohy
ny fotoam-piasana miaraka amin’ireo ben’ny Tanàna sy ny
mpanolotsain’ny Tanàna efa am-perinasa izay voafidy eo.
Miara-mifarana amin’ireo voafidy tamin’ny fifidianana kaominaly
farany teo ny fe-potoam-piasan’izy ireo.

R.Nd.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Ranesa Firiana: “Mila hafainganina ny fifidianana kaominaly haverina”  a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Fiahiana ny zon’ny gadra

Namoaka fanambaràna mitaky ny hampiharana avy hatrany ny fanamarihana sy ny toromarika nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’ny tokony hirosoana amin’ny fanajana ny zon’ireo voafonja ny fikambanana iraisam-pirenena « Amnesty international ». Takian’ity farany ny fanavaozana ny fonja ary ny famoahana an’ireo voafonja mbola tsy voatsara. L’article Fiahiana ny zon’ny gadra est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra

Vonona ny Barean’i Madagasikara hidona amin’i Mozambika, eo amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.“Tapa-kevitra ary hiezaka handresy an’i Mozambika izahay, rahampitso alahady”, hoy i Rivo Francklin, mpanazatra, sy i Ando, kapitenin’ny Barean’i Madagasikara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly tetsy Ankorondrano.  Fihaonana, hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny mpilalao tsy matihanina na ny “Chan 2020”.Fanambin’ireo mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea ny ho tonga amin’ny dingana famaranana, amin’ity “Chan 2020” ity. Efa iray volana rahateo ry zalahy no nanoman-tena ary niavaka satria nahatratra 16 ireo ekipa nakana ireo mpilalao raha efatra ny hatramin’izay. “Nohamafisina ny fanafihana, tamin’ity, izay hita fa lesoka nandritra ny “Cosafa 2018”, hoy i Rivo Francklin.Raha tsiahivina, ekipa efa nidona tamin’ny Barean’i Madagasikara i Mozambika tamin’ny taona 2018, nandritra ny fifanintsanana “Chan”, toy izao ihany. Nisaraka ady sahala, 2 sy 2, tetsy Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso ary nandresy tany an-tanin’olona, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny fihaonana miverina.Ankoatra izay, ny fanamiana mitondra ny marika Nino no hoentin’ny Barea, rahampitso, fa tsy ny Garman intsony. Hisokatra amin’ny 7 ora kosa ireo vavahady miisa sivy eo Mahamasina hisorohona ny ho fibosesehana.Tonga omaly, ny ekipan’i Mozambika. Hitsapa ny kianjaben’ny Mahamasina izy ireo, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mbola hanao fanazarantena kely ho fanitsiana sy fanamafisana ny taktika kosa ny Barea, amin’ity maraina ity.Marihina, fa afaka herinandro no hanaovana ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, ka raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Maputo, ny asbotsy 3 aogositra izany fihaonana izany. Tompondaka L’article Kitra – «Chan 2020»: «Nohamafisina ny fanafihana», hoy i Francklin, mpanazatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 30.07.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 30.07.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.344 guérisons et 431nouveaux cas de Covid-19 sont rapportés par le Pr Vololontiana ce 30 juillet 2020. 388 de ces nouveaux cas sont localisés dans la région d’Analamanga, 13 cas dans la région d’Alaotra mangoro, 2 cas dans la région d’Itasy, 6 cas dans la Région Boeny, 1 cas dans la région Sava, 2 cas dans le région Antsinanana, 7 cas dans la region de Haute Matsiatra, 3 cas dans la région d’Amoron’i mania. Selon le rapport du Professeur, 7461 personnes sont totalement guéries du Covid-19 tandis que 3182 patients sont en cours de traitement dont 94 presentent des formes graves. 6 nouveaux décès dus au coronavirus ont été egalement enregistrés dans le bilan epidemiologique du CCO ce jour. Ce qui porte à 105 le nombre de personnes ayant perdu la vie à cause de cette maladie.L’article Covid-19: Situation du 30.07.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Mpanan-karena mahantra!

Fomba fiteny toa efa mahazatra ny Malagasy, saingy mifono zava-dalina rehefa dinihina akaiky satria ny andavanandrom-piainana mihitsy no voalaza ao anatin’izany. Harena goavana be ny velaran’i Madagasikara raha oharina amin’ny mponina ao aminy. Firy amin’ny Malagasy anefa ny manan-tany? Sarotra, faran’izay sarotra ny mangataka tanim-panjakana. Vola sy fotoana lany, manginy fotsiny. Fambolena sy fiompiana, ireo ny harena eo amin’ny Malagasy.Tsy nisaraka tamin’ny tany izy fa nosarahina tamin’ny tany… Nidiran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny taniny. Aty aoriana, nanjakan’ny dahalo ny fananany. Niala tsy fidiny teo amin’ny tany nohajariny izy. Hatreto anefa, ampahany kely dia kely amin’izany tany izany ihany no voaverina eo aminy.Raha tena tiana marina ny hampandroso an’i Madagasikara sy ny Malagasy, mila jerena manokana ny momba io tranga io. Maninona ny Malagasy no mifanaritaka sy miady mifamono noho ny raharahan-tany? Misy antony ao! Fa maninona ny Malagasy tsirairay no tsy manana tany kanefa i Madagasikara, malalaka be? Misy antony ao!… Mila hanaovana ezaka manokana ny hananan’ny Malagasy tany. Mitaky fanamorana izany. Fikarakarana ny taratasy, ny sarany aloa, ny fepetra arahina, sns, hamboarina avokoa ny lalàna mifandraika amin’ireo. Tsy zava-baovao ny fanomezana tany ho an’ny olona tsirairay fa efa nisy fony fahampanjaka satria « tsy manam-pahavalo afa-tsy ny mosary aho », hoy Andrianampoinimerina.Raha omena ny Malagasy ny tany. Omena azy ny fitaovana hoenti-mamboly. Omena azy ny masomboly. Omena azy ny tsena hivarotana ny vokatra, sns. Anjaran’ny fanjakana ny mandrindra ny fanatanterahana ireo amin’ny ankapobeny. Ho Nosy sambatra tokoa i Madagasikara atsy ho atsy!HaRy RazafindrakotoL’article Mpanan-karena mahantra! a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FIKAMBANAN-JIOLAHY :: Telo mianadahy voarohirohy tamin’ ny fanafihana niharo vono olona

Vosambotra ny vehivavy iray sy lehilahy roa voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-basy niranga teny Ankadievo Alasora, tamin’ ny talata 8 novambra lasa teo. Fandrobana niharo vono olona no niseho tamin’io fotoana io, izay nahafatesana ny iray tamin’ ireo olona roa voavely vy. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireo olon-dratsy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika kosa izy telo mianadahy. Voatondro ho anisan’ireo efa-dahy nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana izy roa lahy. Voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’izy ireo kosa ilay vehivavy. Entana maro toy ny finday sy firavaka ary vola maherin’ ny valo tapitrisa ariary no very, nandritra ny fanafihana nataon’ny jiolahy efatra nitondra basy, tamin’ny harivan’ ny talata 8 novambra, teny Ankadievo Alasora. Novelesin’ireo mpanafika tamin’ny vy ny mpandraharaha roa lasibatra. Namoy ny ainy teny amin’ny hôpitaly, herinandro taorian’izay, ny iray tamin’izy ireo. Niainga tamin’ny fahatrarana ny lehilahy iray tamin’izy telo ireo no nisamboran’ny mpitandro filaminana ny roa ambiny, rehefa nofandrihina. L’article FIKAMBANAN-JIOLAHY :: Telo mianadahy voarohirohy tamin’ ny fanafihana niharo vono olona est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray namoy ny ainy, olona efatra naratra voadonan’ny fiara

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, dimy amby roapolo taona, voadonan’ny fiara tetsy Ankazomanga, omaly maraina. Olona efatra hafa naratra. Efa voatazona eny amin’ny polisy ny mpamily nitondra ny fiara nanao loza. «Nirimorimo nandeha mafy avy any ilay fiara tsy mataho-dalana. Nanidina mihitsy izy rehefa nandalo teo amin’ny dongona fampihenana ny hafainganam-pandeha. Nandona olona sy nifatratra teo an-tsisin’arabe, avy eo», hoy ny olona milaza ho nahita ny fisehon’ny loza. Nandona fiara iray marika « Peugeot 306 » nijanona teo an-tsisin-dalana io fiara tsy mataho-dalana io. Voadonany ihany koa ny olona telo nandeha an-tongotra teo akaiky teo. Namoy ny ainy teo no ho eo ny tovolahy iray, izay mipetraka eny amin’ny manodidina ihany. Naratra ny lehilahy iray, roa amby dimampolo taona sy vehivavy, roapolo taona. «Nizotra ho any Andraharo ity fiara nanao loza. Niezaka niala bisikileta iray teo alohany izy kanjo tavafoaka ny arabe. Ankoatra ny fiara sy ireo mpandeha an-tongotra voadona dia naratra ihany koa ilay mpitondra bisikileta teo alohany sy mpitondra môtô iray nanaraka azy tao aoriana», araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny polisy. Nitangorona ny olona. Nivoaka avy tao anaty fiara ary nafenina tao amina fivarotana iray teo akaiky teo ny mpamily, teo am-piandrasana ny mpitandro filaminana. Ny polisy ao amin’ny Borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC), etsy Tsaralalàna, no misahana ny fanadihadiana. Nalain’ny fiara avy amin’ny Birao misahana ny fahadiovana (Bmh) ny razana. Naterina eny amin’ny hopitaly ireo maratra. L’article Lozam-pifamoivoizana :: Lehilahy iray namoy ny ainy, olona efatra naratra voadonan’ny fiara est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao. TorcelinL’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahafatesana nateraky ny fanarahan-dia :: Mpirahalahy efatra novonoin’ny dahalo

Namoy ny ainy noho ny hetra-ketraky ny dahalo, tany amin’ny kaominina Androy, distrikan’i Lalangina, ny lehilahy efatra mpirahalahy, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Maty tsy tra-drano ny telo tamin’izy ireo. Nindaosin’ny fahafatesana teny amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa kosa ny iray. Teny am-panarahan-dia an’ity andian’olon-dratsy izy efa-dahy ireo no niharam-boina. Nitohy ny fanenjehana. Lavon’ny mpitandro filaminana ny roa tamin’ireo malaso.Fantatra fa nanao latsak’ alina tao amin’ny tanàna iray ny dahalo manodidina ny enimpolo lahy, tamin’io sabotsy io. Nangalarin’izy ireo ny omby enina ambin’ ny folo, teo an-tanàna. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona. Anisan’izany ny lehilahy efatra mpirahalahy. An’ny ray aman-drenin’izy ireo ny enina tamin’ireo omby voaroba. «Lalana tokana no fidirana sy fivoahana ao amin’io tanàna voatafika io. Niaraka tamina lehilahy iray hafa izy efa-dahy nanenjika. Voafandriky ny dahalo anefa izy ireo. Samy voatifitra ireo mpirahalahy sady mbola voatapa-doha koa ny iray. Afaka nandositra ny naman’ izy ireo. Novonoin’ireo dahalo teo amin’io toerana io ihany koa ny omby iray», araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny mpitandro filaminana, any an-toerana. Telopolo minitra taorian’ ny fanafihana no naheno ny zandary any Lalangina. « Voatifitra teo amin’ny tratrany tandrify ny fony ny iray tamin’izy efa-dahy. Izany no nitarika tamin’ny fahafatesany teny amin’ny hopitaly. Nisy fifandonana nahery vaika teo aminay sy ny dahalo. Tafaverina ny omby sivy, taorian’ny fahalavoan’ny roa tamin’izy ireo», hoy hatrany ny zandary any an-toerana. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana hatao eo an-tanàna manoloana an’ity raharaha ity, aorian’ny fandevenana an’izy efatra mirahalahy.   L’article Fahafatesana nateraky ny fanarahan-dia :: Mpirahalahy efatra novonoin’ny dahalo est apparu en premier sur AoRaha.

News - Midi Madagasikara

Galana Ankorondrano : Voatafika tao anatin’ny fety ny fivarotan-tsolika

Manodidina ny tamin’ny valo ora alina no nitranga ny fanafihana. Roa lahy izay nandeha scooter ary nitondra basy no tompon’antoka. Nambanan’izy ireo ny fitaovam-piadiany teny aminy ny « pompiste » roa ary noterena hanome ny vola rehetra. Tsy nionona tamin’izay fa mbola norobaina koa ny mpamily ireo fiara telo izay saika haka lasantsy teo ka nilahatra. Nambanana basy dia nalaina ny vola teny amin’izy ireo. Vita izay dia niditra indray tao amin’ny trano izay sady birao no fivarotana entana ireo jiolahy. Mbola lasan’izy ireo koa ny vola teo amin’ny « caisse ». Tao anatin’ny fotoana fohy no nanatontosan’ireo olon-dratsy izany fanafihana izany. Ny olona nisomebiseby nitondra ny fianakaviany nanao harendrina ary izy ireo kosa nanararaotra nanao ny fandrobàna. Poa toa izay dia nanjavona teo amin’ilay toerana. Raha ny fanamarihana azo dia tsy nanao saron-tava ireo tompon’antoka. Toy ny fivarotan-tsolika rehetra dia azo heverina fa misy « vidéosurveillance » mipetaka eo amin’io toerana io. Mety hanampy betsaka amin’ny fahafantarana ny jiolahy izany noho izy ireo tsy nisy saron-tava. Isan’ny toerana betsaka mpiambina Ankorondrano kanefa isan’ny be mpanendaka koa. Izao indray aza dia efa tonga amin’ny fandrobàna mitam-basy ny zava-misy. Tsy atahoran’ny jiolahy mihitsy izany ny fisian’ireo mpiandraikitra fiambenana. Nidina teny an-toerana ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny alin’ny nitrangan’ny fanafihana, ary nanontany ny tena fandehan-javatra. Mifantoka betsaka amin’ny fanadihadiana ny olony ankehitriny. D.RL’article Galana Ankorondrano : Voatafika tao anatin’ny fety ny fivarotan-tsolika a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fotoam-pivavahana: samy manana ny fandaharam-potoany ny isam-piangonana

Samy manana ny fandaminany ny fotoana handrindrana ny fotoam-bavaka sy ny fidirana ny isam-piangonana, taorian’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FJKM ny amin’ny fisokafan’ny fiangonana.Ho an’ny FJKM Salema vaovao etsy 67ha, ohatra, efa nivoaka ny peta-drindrina mampahafantatra ny mpiangona ny fotoana. Fantatra tamin’izany fa hisokatra isan’andro, manomboka ny alatsinainy hatramin’ny alahady ny tempoly. Hiditra indroa ny fiangonana, ny alatsinainy hatramin’ny zoma.Rakitra indray mandeha ihany Manomboka amin’ny 6 ora sy fahefany maraina ny fidirana voalohany ary miditra amin’ny 8 ora maraina ny fidirana faharoa. Rakitra indray mandeha ihany no hataon’ireo kristianina amin’izany.Mitovy amin’ny fotoam-bavaka isaky ny alahady kosa no hatao ny asabotsy. Misy fidirana intelo. Ny alahady kosa hisy fidirana inefatra. Haharitra 45mn ny fanompoam-pivavahana isan’andiany. Mikasika ny rakitra asabotsy sy alahady dia toy ny fanao efa nitaizana ny kristianina hatrizay ihany no hatao.Hentitra ny fampanarahana fepetra ireo mpiangona amin’ny fitondrana arovava, elanelana 1m, fanasana tanana mialohan’ny fidirana sy rehefa mirava. Tsy hihoatra ny 50 ny mpiangona isan’andiany.Hikatona noho ny fotoam-pivavahan’ny FFKMNa eo aza izany, misy ireo fiangonana nanapa-kevitra ny mbola tsy hisokatra. Anisan’ireny ny etsy amin’ny FJKM katedraly Analakely. Maherin’ny arivo ny kristianina ao an-toerana. Raha hatao indimy miditra aza ny fiangonana, tsy ho voaray avokoa ireo mpiangona rehetra rehefa alahady. Na izany aza, hisy ny maraim-baovao, isaky ny amin’ny 6 ora maraina.  Tahaka izany koa ny FJKM Isotry Fitiavana. Mbola handray ny fotoam-pivavahana iarahana amin’ny FFKM ny alahady izao. Aorian’izany no ahafantarana ny ho tohiny.Tatiana A L’article Fotoam-pivavahana: samy manana ny fandaharam-potoany ny isam-piangonana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 27-09-2020
Source : CCO COVID19 - 27/09/2020

Notsongaina

Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa
24/09/2020

 Ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana navoaka’ny CUA ao amin’ny toko fahatelo sokajy voalohany dia milaza fa tsy tokony hanelingelina ny mpamily fiarakodia sy ny mpandeha an-tongotra ireo rehetra manao ny asa fangatahana izay mandehandeha eny an’araben’Antananarivo. Izy ireo dia tsy tokony harahina biby masiaka mba tsy hampidi-doza ny hafa. Tsy tokony hampideradera fitaovana isan-karazany ihany koa ho fampitahorana na hambaboana ireo olona angatahiny.Voarara ny fanimbana ireo fananan’olona sy ny mihanika amin’ny lafin-drindrina  sy amin’ny andrin-jiro, tamboho sy ireo andrim-by isan-karazany. Tsy azo atao koa ny familiana ireo fantson-drano isan-karazany sy ny fikitikitihana ireo fitaovana fanoroana lalam-bahoaka nafanazavana ny toro-lalana ho famantarana.Ao amin’ny sokajy faharelo dia miresaka momba ny tabataba amin’ny alina sy atoandro sy ireo sazy mifandraika amin’izany.Voarara ny tabataba amin’ny alina, torak’izany amin’ny atoandro rehefa tsy misy misy antony voamarina ho ara-drariny. Voarara ho tabataba amin’ny atoandro ireo kipantson’ny fiarakodia tsy misy antony ara-drariny torak’izany ny antsoantson’ny mpanampy ny fiara miantsoantso ny mpandeha indrindra ho an’ireo fiantsonana makaiky fianarana sy hopitaly.Ny lanonana rehetra na andro atoandro na alina na misy fahazoan-dalana aza, toy ny famadihana sy ny fora zaza dia tsy maintsy mitandro ny fahasalamana sy ny fitonian-tsaim-bahoaka.Anjaran’ny tompon-draharaha ny mandray ny fepetra mba hampihena ny fanelingelenana mety hiteraka izany eo amin’ny manodidina.Tatiana AL’article Mpangataka an-dalambe: tsy tokony hanelingelina ny hafa a été récupéré chez Newsmada.

Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19
22/09/2020

Niampy roa indray ireo lavon’ny covid-19, tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Diana ireo namoy ny ainy ireo. Tafakatra 225 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa noho mankaty.Etsy andaniny, miisa 12 ireo tranga vaovao ho an’ny eto Analamanga amin’ireo 20 nifindran’ny valanaretina. Avy any Vakinankaratra kosa ny efatra raha iray avy ny avy any Itasy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary avy any amin’ny faritra Boeny.Nihena enina ireo anaty fahasarotana ka miisa 20 izany izao ireo “forme grave”.Na izany aza, miisa 36 ireo sitrana ka anisan’ny maro amin’izany ny avy any Diana, miisa 15. Tafakatra 14 682 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 073. Miisa 1 164 ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA
25/09/2020

Efa nihomana mialoha ny fotoam-pahavaratra sy nandray an-tanana ny fanomanana ny fotoam-pahavaratra ny kaomina Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fiakaran’ny rano sy hahavitsy kokoa ireo traboina. Efa nivory niaraka ny CUA sy ny eo anivon’ny Sadc nijery ny ho toetry ny andro. Nivaly ny fitiliana ny toetrandro iraisam-pirenena sy ny aty Afrika ary i Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa ho mafy kokoa ary ho betsaka ny rotsak’orana raha mitaha tamin’ny taon-dasa ka ilana fiomanana.Efa misy ny « Comité communale de gestion » natsangana ka filoha mitarika izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Miara miasa amin’ny Samva sy ny Apipa ary  ary ireo mpiara-miasa rehetra miandraikitra amin’ny fikirakirana ny tandindomin-doza sy ny loza izy amin’izany. Tafiditra ao koa ny eny anivon’ny fokontany, ahitana  ny « Equipe locale de secours » na ny komity loharano.  « Tokony ho samy mandray an-tanana amin’ny fiakaran’ny rano , amin’ny fandraisana andraikitra manandrify azy koa ny vahoaka. Tsy hanary fako amin’ny lakandrano sy hanorina trano ambonin’ny lakandrano ary hitandro ny fahadiovana rehetra », hoy ny eo anivon’ny CUA.Faritra iva sy ny tondra-dranoEfa nisy ny koa ny fanadihadiana natao teto Antananarivo momba ny fijerena ireo toerana « point noir » mahatonga ny fahatsentsenana. Tsy mahavita ny ady amin’izany raha ny tetibolan’ny CUA fa mila tosika amin’ny fanjakana foibe, indrindra  avy amin’ny eo anivon’ny BNGRC . Mangataka mba homena tombony ny eto Antananarivo, anisan’ny ahitana olana maro eo amin’ireo faritra iva misy ny fiakaran’ny rano.Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny asa ataon’ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lalàna ary ny fanarahana ny Fehezam-pitsipika monisipaly ho fikoloam-pahasalamana « CMH », miaraka amin’ny fampahalalana izany.Synèse R.L’article Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany: hisy fihenam-bidy 10 – 50% ho an’ny Malagasy
26/09/2020

Na tsy mbola resy tanteraka aza ny tranga Covid-19, ampirisihina ny Malagasy sy ny monina eto amintsika hitsidika bebe kokoa ny toerana mahaliana amin’ny fizahantany eto Madagasikara. Hanamorana izany, maro ny mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity, manome tolotra zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy, manao fihenam-bidy goavana, manomboka any amin’ny 10% ary misy mihitsy maherin’ny 50%. Efa hita any anaty site web ireo karazana tolotra ireo, ao amin’ny adiresy “Bon plan à Madagascar”. Maimaim-poana avokoa ny fidirana ao.Ahitana izany ny karazana mpisehatra amin’ny fizahantany isan-tsokajiny, toy ny toerana fandraisam-bahiny, ny fisakafoana, ny mpampanofa fiara, ny orinasa mpikarakara dia ho an’ny mpizahatany (agence de voyage sy Tour operateurs,…), sns. Nampidina ny karama raisiny koa ny mpitari-dia.Nanentana ireo orinasa sy mpandraharaha ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany mba hanao fihenam-bidy, hisarihana ny mpanjifa sy hanarenana ny fizahantany eto an-toerana. Misahana ny fitantanana sy ny fanatanterahana azy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Tsotra ny fampiasana sy ny famakiana ny antontam-baovao ao anatin’ity “site web” “bon plan à Madagascar” ity.Njaka A.L’article Fizahantany: hisy fihenam-bidy 10 – 50% ho an’ny Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea
21/09/2020

Tsy mbola milamina ny ao amin’ny kianja Barikadimy, amin’izao iray volana mahery handraisana ny lalao miverina eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izao. Niteraka gidragidra ny fanesorana ireo trano manamorona ny kianja.Nisavorovoro ny tao amin’ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina I, ny alakamisy 17 sy ny zoma 18 septambra lasa teo. Anton’izany ny tsy maintsy nandravana ireo trano manamorona ny lalana miditra ao amin’ity fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho an’ny baolina kitra ity.Raha tsiahivina, anisan’ny fepetra takin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) ny tsy hisian’ny trano fonenana manakaiky ny kianja filalaovana. Tsy maintsy nirosoana izany hahazoana fankatoavana handraisana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Efa hatramin’ny 10 febroary lasa teo no nandefa taratasy laharana 09-20/Cut/Toa, ho an’ireo mponina voakasika amin’izany ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, handrava tsy misy hatakandro ny trano rehetra. Voalaza mantsy fa tsy ara-dalàna ny fananganana izany satria tsy nisy fahazoan-dalana.Atao lalana migodana misy soritra efatra ho an’ny fiara roa mandroso sy roa miverina mantsy izany, izay hita amin’ny ilany antsinanana sy atsimo ary andrefan’ny kianja Barikadimy, ankoatra ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking”. Manoloana izany, misy ireo mamadika azy ity ho resaka politika ka mitady ny hirika rehetra tsy hahavitan’ny fotodrafitrasa, mba tsy haneken’ny Fifa ny kianja Barikadimy ka tsy hahafahan’i Toamasina mampiantrano io lalao lehibe, efa andrasan’ny vahoakan’ny faritra Antsinanana fatratra io.Vokatr’izay, manao antso avo hiray hina ny mpitia baolina kitra eto Toamasina, satria antomotra ny fe-potoana hanaovan’ny solontenan’ny Fifa fitsirihana ny kianja Barikadimy, sao sanatria tsy hahazo fankatoavana ka ho votsotra ny fandraisana io fihaonan’ny Barea sy i Côte d’Ivoire, io. SajoL’article Kianja Barikadimy Toamasina: misy mitady hanakorontana ny lalaon’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta”
23/09/2020

I Nagamy Jean Fabrice, dimy taona niseharana eo amin’ny tontolon’ny fakana sary na saripika. Vokatry ny fitiavana sy lovan-talenta ny nahatonga ny tovolahy nisehatra amin’izany satria mpaka sary ihany koa ny rainy. Teo ihany koa ny fifampikasohana tamina namana mpiara-nianatra teny Ankatso, manana traikefa amin’ny fakana sary, ka nampiroborobo ny talentany sy nahatongavany amin’izao dingana vitany izao.« Nanomboka teo aho dia lasa nanao fikarohana maro mahakasika ny sary sy ny momba ireo mpaka sary efa lasa lavitra na ny any ivelany na ny eto an-toerana. Tsapako fa maro ireo Malagasy manan-talenta ary tena tsy nampoiziko hahavita zavatra tena avo lenta sy kanto eo amin’ny tontolon’ny saripika”, hoy i Nagamy.Nohamafisiny fa, “… nanomboka teo ihany koa, tapa-kevitra fa hanangom-bola hividianana fitaovana. Nipoitra sy nitsidika ary nisokatra tsikelikely ny lalana sy ny hirika maromaro teo amin’ny sehatra ivelarana. Nazoto nizara ny zava-bita tamina tambajotran-tsosialy. Nihamaro ihany ireo matihanina nanorotoro sy nanitsy ahy rehefa misy zavatra tsy nety”. Tsy nandalo fianarana manokana ny tenany fa nanao fikarohana tamin’ny alalan’ny « internet » ary mazoto maka sary hatrany, manao fampiharana matetika. « Rehefa tsy ao anatinao ny fitiavana, tsy voatery amina sehatra fakana sary ihany fa na inona na inona sehatra, tsy ho lasa lavitra mihitsy ianao. Miantomboka amin’ny fitiavana sy ny finiavana aloha izay vao mamboly talenta », hoy hatrany i Nagamy J. Fabrice. Mba handeha lavitra sy hitety izao tontolo izao, hanandratra avo ny anaran’i Madagasikara amin’ny alan’ny saripika ny tanjony. Ankoatra io, maniry ny hanangana sekoly fianarana manokana momba ny saripika, indray andro any!Narilala L’article Saripika – Nagamy Jean Fabrice: “Ny fitiavana no mampitombo talenta” a été récupéré chez Newsmada.

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.

Paul Rabary : “Tsara foanana ny Antenimierandoholona sy ny CFM”
25/09/2020

Hevitra hafa koa. Nitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena ny mpandinika ny fiarahamonina, Rabary Paul. Nambarany fa tsy ny Antenimierandoholona ihany no tokony foanana.“Ho an’ny firenena toa an’i Madagasikara, mavesatra be ny Antenimierandoholona. Satria efa misy ny solombavambahoaka voafidim-bahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena.  Etsy an-kilany, mbola misy ny loholona voafidin’ny mpifidy lehibe” hoy ny mpandinika fiarahamonina, i Paul Rabary, manoloana ny adihevitra ny amin’ny Antenimierandoholona.Raha te hahita vokatra amin’ny fampandrosoana isika, tokony hahena ny fampandehan-draharaha ary hampitomboana ny fampiasam-bola. Izay no azo atao raha ny fitantanan-draharaham-panjakana eo amin’ny fiezahana hitondra fampandrosoana.Tsy azo ahena na itarina ny fe-potoam-piasan’ny loholona, fa mila hajaina ny lalàna velona misy eto Madagasikara. Noho izany, tokony hirosoana ny fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra.“Inona ny nataon’ny CFM, hatramin’izay ka hatramin’izao? Inona ny zava-mivaingana nataony? Nampihavana ve izy sa tsia? Inona ny asa fampihavanana nataony?”, hoy kosa izy momba ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM). Nisy fikarohana nataon’ny CFM ve momba izay fampihavanana izay: inona ny manakorontana, inona ny mampihavana? Raha handeha amina fety na mijoro etsy sy eroa, ohatra: aleo zava-mivaingana ?R.Nd. L’article Paul Rabary : “Tsara foanana ny Antenimierandoholona sy ny CFM” a été récupéré chez Newsmada.

Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta
23/09/2020

Tsy very maina ny fihibohana ho an’ny tarika Gasta, ahitana an’i Jimmy, i Tantely, i David ary i Haja. Tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana no niketrehan’izy ireo ny vazo vaovao toy ny «Ialako nenina», ny «Tsofy rano», ny “Vavaka ho anao”. Raha tsiahivina, 20 taona ny efa nivoizan’ny Gasta ny gadona rap. Ampahany amin’ireo sanganasa tsy afaka am-bavan’ny maro ary nahafantarana ny tarika ny « Sipa avy aiza? » sy ny « Fo tetaka ».Nomarihan’i Jimmy fa omena vahana ny fanaingoana ny sanganasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavamaneno maivana toy ny gitara sy ny fampiarahana izany amin’ny mpikosoka kapila DJ. 20 taona aty aoriana, tsikaritra ho tafapetraka ilay fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Gasta rehefa milalao mozika. “Nitombo an-dalana toy izany ihany koa ny fahamatorana”, hoy hatrany i Jimmy.Am-periny amin’ny famoahana ny rindrantsarin’ilay sanganasa « Ialako nenina » ry Gasta. Mampanantena seho tokana sy hiavaka ihany koa ry zalahy zanak’i Talatamaty ireto amin’ny lanonana famaranana ny taona 2020. Havondrona ao anatin’io seho io avokoa ny traikefa azo tao anatin’izay fotoana naharitraritra izay.“Mbola vonona hatrany hanjohy ny lalan-tsarotry ny mozika ny tarika Gasta ary nampanantena hanolotra ny kanto sy hampianjaika ny meva ao anatin’ny tontolon’ny rap”, hoy ny mpikambana rehetra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Niketrika vazo vaovao: manomana seho tokana ny tarika Gasta a été récupéré chez Newsmada.

Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana”
23/09/2020

Midina ifotony ny eo anivon’ny  Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM). Nahitan’izy ireo taratra ny vokatry ny fampihavanana izany noho ny fandalana ny soatoavina, miainga amin’ny ”Kianja”.“Nidina tany Arivonimamo izahay, nitondra ny soatoavina enti-mamokatra. Azo atao hery na fitaovana iray enti-mamokatra ny fihavanana. Mba hahazoana mifanentana sy mifanome tanana izany, ahazoana mifanabe sy mifanitsy mba hiasa” hoy ny filoha lefitry ny CFM, faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard, momba ny hetsika fampihavanana nataon’ny CFM tany amin’ny kaominina Arivonimamo, taorian’ny kaominina Andriambilany. Hahazoana koa mametraka filaminana ny fihavanana. Afa-miasa tsara rehefa ao anatin’ny fandriampahalemana.Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanaparitahana ny “kianja”. Atambatra ho “kianja” iray ny olona isam-bohitra afa-mifanentana, mifampiteny, mifampifehy, mifanaja, miara-miaina tsara. Lasa hery iray ho an’ny rafi-pitondrana ny fokontany. Nanome ohatra tsara ny any Arivonimamo nanao valintanana: namboly, niara-nanao lalana. Tonga nanome tanana ny hafa rehefa nahita: ny avy amin’ny governora, ny mpandraharaha…Miainga amin’ny tena ny fanorenana ny firenena“Tsy maintsy miainga amin’ny tenantsika ny fanorenana ny firenena”, hoy izy. Izay vao miakatra tsikelikely: miainga amin’ny fokontany, mankamin’ny kaominina, ny faritra… Famokarana ao anatin’ny fihavanana: ny fihavanana, mitondra famokarana ary ny famokarana, mitondra ny olona ho amin’ny fihavanana.Ezahina aparitaka tsikelikely ny fanomezana hasina ny fokonolona: ny zony, ny andraikiny, ny tombontsoany. Ao anatin’ny toe-tsaina sy ny soatoavina mandala fihavanana sy ny fahendrena malagasy ny anatanterahana izany.Fiaraha-mientana hisian’ny fifampifehezana ny fihavanana, fiaraha-miasa mba hiara-miaina ho amin’ny famokarana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ary miitatra ho an’ny firenena.R.Nd. L’article Ramamimampionona Gérard : “Enti-mamokatra ny fihavanana” a été récupéré chez Newsmada.

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»
24/09/2020

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika
23/09/2020

Sarona niaraka tamin’ny basy mahery vaika “MAS 36” iray misy bala telo ny lehilahy iray, omaly vao maraina, tany Ankazobe. Voatondro ho isan’ireo nanafika tao amin’ny tokantrano iray tany Antakavana, tamin’ny 17 septambra lasa teo, izy. Teny ampisamborana ny namany, izay notononiny, no nisy ny fifampitifirana tamin’ny andian-jiolahy hafa. Namoy ny ainy tamin’io itsy jiolahy voasambotra itsy. « Efa voasambotra tany Beandrarezina-Beronono aty Ankazobe ihany izy. Nitaridalana anay andeha hisambotra an’ireo namany izy no niseho izao fifandonana tampoka tamin’ny jiolahy hafa izao », hoy ny loharanombaovao avy amin’ny Zandarimaria any Ankazobe. Tsy vahiny amin’ireo mpitandro filaminana ity jiolahy maty voatifitra ity satria isan’ireo malaza sy efa fantatra anarana ary karohina tamin’ny fanafihana mitampiadiana maro tany Anjozorobe, Maevatanàna sy Ankazobe izy. L’article Fisamborana jiolahy :: Lehilahy maty voatifitra sady nahitana basy mahery vaika est apparu en premier sur AoRaha.