Ramamimampionona Gérard : “Sehatry ny fifampitokisana ny fifidianana”

News - Ramamimampionona Gérard : “Sehatry ny fifampitokisana ny fifidianana”

News - Ramamimampionona Gérard : “Sehatry ny fifampitokisana ny fifidianana”

Nitondra ny heviny
momba ny resaka fifidianana ny eo anivon’ny CFM, amin’ny alalan’ny
filoha lefitra eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Ilaina ny
fifanabeazana araka ny nambarany.

“Anisan’ny sehatra
iray isian’ny fifampitokisana ny fifidianana. Any dia efa
ampianarina ny olona hoe fifampitokisana ange  no dikan’ny hoe
omena olona iray ny vaton’ny tena amin’ny fifidianana. Tokony
hahatoky izay olona omena vato ny tena, ary tsy mivadi-pitokisana
izay omena fahatokisana izay. Anisan’ny ibeazana izany rehetra
izany” , hoy ny filoha lefitry ny Conseil du fampihavanana
malagasy (CFM), faritany Antananarivo, Ramamimampionona Gérard,
amin’izao mbola isian’ny fitarainana etsy sy eroa ny amin’ny
fizarana fanampiana ny vahoaka eny ifotony izao.

Mahatonga korontana ny tsy
fifampitokisana

Ny tsy fifampitokisana no mahatonga
ny fikorontanana, fihazakazahana sao tsy mahazo fanampiana na misy
lazaina na ahina fa mangalatra na manodinkodina izany.

“Lasa mifanitsy isika
amin’izany“, hoy izy. Anisan’ny fahavalon’ny
fiarahamonina ny tsy fifampitokisana. Tokony hibeazana sy hiainana
izay. Toe-tsaina io, toe-po. Saingy tsy maintsy ampianarina sy
atao hita ary fomba fiasa, fomba fihetsika, fomba fiteny…

Ilaina hatrany ny
fanabeazana

Tao anatin’izay 60 taona
niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izay, mila fanabeazana
be dia be isika. Tsy ny ankizy kely na mpianatra no resahina
amin’izany fa isika isan’ambaratonga sy isan-tsehatra: mibe
isan’andro. Tsy mahamenatra izany. Na fomba fiasa, na fiteny, na
fifandraisana, na fihetsika… Mba hisian’izay fifampitokisana sy
fifampihenoana ary fifamenoana izay.

R.Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article Ramamimampionona Gérard : “Sehatry ny fifampitokisana ny fifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka

Nanamboatra lalankely eny amin’ny fokontany Andohatapenaka I, ny zoma teo, ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany I sy ny avy eo anivon’ny departemanta misahana ny asa vaventy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mirefy 120 m ny namboarina tamin’izany ary haharitra herinandro ny asa. Ho afa-pahasahiranan ireo mponina maro mifamezivezy amin’ity lalana ity, indrindra ireo mpantsaka rano. Mikisilasila sy mamotaka izany làlana izany na amin’ny maintany aza. Tafiditra hatrany anaty fandaharansan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ravalomanana Lalao, ny fotodrafitrasa ho an’ny mponina eny ifotony izao. Hitohy amin’ny fokontany hafa miisa 44 izany.Synèse R.  L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanafihana tranona lehiben’ny zandary :: Tifitra nirefodrefotra nahafaty olona telo

Nifampitifitra tsy nisy an-kitsitsy ny lehiben’ny Zandarimaria iray sy ny dahalo am-polony maro, tany Belalanda any Port-Bergé, afak’ omaly. Notafihin’ireo jiolahy ny tranon’io lehiben’ny Zandarimaria io ka namaly bontana itsy farany. Vokany, maty ny roa tamin’ireo voalaza fa jiolahy ary lehilahy iray isan’ireo fokonolona ao Belalanda ihany koa no namoy ny ainy niantefan’ny balan’ireo mpanafika. “Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva ireo jiolahy manodidina ny efapolo lahy nitondra basy mahery vaika MAS 36, no nanafika ny tanànan’ i Belalanda, afak’omaly. Nanafika ny tranon’ny lehiben’ny Zandarimaria ao an-toerana avy hatrany izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana naharitra ora maro satria namaly fa tsy nanaiky hatramin’ny farany ny tompon-trano. Resy tosika ihany ireo olon-dratsy taorian’ izay rehefa hitany fa namoy ny ainy ny roa tamin’izy ireo. Nisy voatifitr’ireo jiolahy ny lehilahy iray tamin’ireo mpon- ina ao an-tanàna”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Hazalambo Nandefa zandary marobe tarihina manamboninahitra iray tany amin’io toerana io, vantany vao naheno ny tranga ireo tompon’andraikitry ny zandarimaria ao Port-Bergé. Nisy koa ireo zandary avy any Marovato, toerana akaiky indrindra an’i Belalanda, no efa tonga any an-toerana manampy ireo namany. Hatramin’ny omaly dia feno zandary any an-toerana manao hazalambo an’ireo jiolahy nanafika ireo. Tavela niaraka tamin’ireo jiolahy namoy ny ainy ny iray tamin’ ireo basy marika “MAS 36” iray sy basimborona roa. “Nirifitra nitsoaka ireo jiolahy taorian’io valy botana nataon’ ny lehiben’ny Zandarimaria ka nahafaty ireo namany io ary tsy mbola nisy hita hatra – min’ny omaly”, araka ny loha ranom- baovao avy any an-toerana. Tsy nisy noho izany ny entana na vola lasan’ireo mpandroba. L’article Fanafihana tranona lehiben’ny zandary :: Tifitra nirefodrefotra nahafaty olona telo est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Sombintsombim-baovao

KOM- “Cours des dirigeants sportifs”: Nanomboka omaly teny amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano, tao anatin’ny fanajana fepetra tanteraka ilay fiofanana ho an’ny mpitantana ara-panatanjahantena, karakarain’ny Komity Olympika Malagasy. Fiofanana eo ambany fiahian’ny komity iraisam-pirenena Olympika izy ity ary 25 mianadahy ny manaraka izany. Tsiahivina, haharitra efatra andro ny fiofanana ka hisy ny mari-pankasitrana omena ny mpiofana aorin’ny fifampizarana. Hifangaro ny fanazavana “théories” sy ny fampiharana “pratiques”, mandritra io efatra andro hiofanana io, raha ny fanazavan’ny Tale, i Toavina, manome ny fampianarana.Mpianatry ny ANS: Tsy voavaly, araka ny fangatahana nataon’ireo mpianatra eny amin’ny Akademia Nasionaly ny Spaoro Ampefiloha, ny famoahana ny vatsim-pianaran’izy ireo. Raha ny fantatra, vatsim-pianarana telo volana ihany ny navoaka, raha toa ka dimy volana ny nangatahina. Marihina fa efa nanomboka ny taona 2019 ny tapaka ny fandoavana, izany hoe 12 volana no tsy voaloa ara-dalana ary ny telo volana amin’izay ihany no voaloa, ny volana aogositra lasa teo. Mbola mangataka, araka izany, ireo mpianatra ny hanomezana io vatsim-pianarana io, noho ny fahasahiranana mianjady amin’izao hamehana izao.Nangonon’i Mi.RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Analanjirofo: mikatso ny famatsiana entana

Voafetra ny fitaterana an-dranomasina, noho ny sakana ara-pahasalamana iadiana amin’ny Covid-19. Vao mainka nanampy trotraka ny haratsian’ny toetr’andro nandritra ny tapa-bolana teo, aty amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy. Tsy afaka nihetsika teto amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo mpitatitra entana, mamatsy ny any amin’ny tapany avaratr’i Toamasina, tato anatin’ny tapa-bolana farany izao. Vokany, mikatso ny famatsiana ny entana andavanandro ilain’ny mponina. Maro amin’ny entana efa nampidirina tanaty sambo, saika vonona ny handeha, saingy tsy afa-nihetsika ka simba.Sahirana ny mpanangona lavanilaSahirana noho izany ny mponina any amin’ny distrika maro ao amin’ny faritra Analanjirofo, indrindra ny any Mananara Avaratra, i Maroantsetra ary i Sainte Marie, miankin-doha tanteraka amin’ny entana taterin’ny sambo avy aty Toamasina. Sahirana koa ny fitaterana an-tanety any amin’ireo distrika ireo satria tena ratsy ny lalana. Araka ny tatitra azo, tsy ahitana legioma intsony any an-toerana satria lany tanteraka ny tahiry.Nanomboka nisy sambo afaka nitondra entana ihany ny alarobia 29 jolay teo, saingy tsy mbola naharaka amin’ny famatsiana any an-toerana. Tsy afaka niasa koa ny mpanjono any an-dranomasina, nandritra izay tapa-bolana naharatsy ny andro izay. Sahirana noho izany ny mpandraharaha mpanangona lavanila any amin’ny tantsaha.Sajo sy Njaka A.L’article Faritra Analanjirofo: mikatso ny famatsiana entana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Miisa 1 840 ireo tranga vaovao…: 29 ireo lavon’ny Covid-19 tao anatin’ny herinandro

Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana, amin’ny hanohizana na tsia ny ”fahamehana ara-pahasalamana” vokatr’ity covid-19 ity. Nandavo olona 29 sy nahitana tranga vaovao 1 840 izany valanaretina izany tamin’ity herinandro ity.Hiditra amin’ny hamehana ara-pahasalamana manaraka indray isika, manomboka ny alahady izao. Mialoha izany, nana­marika iny herinandro iny ny hamaroan’ireo lavon’ny Covid-19. Miisa 29 izany, nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny omaly, ka manodidina ny telo na efatra isan’andro eo ho eo izany. Niavaka kosa anefa ny antontanisa ny alakamisy lasa teo fa miisa fito ireo lavo. Anisan’ny ambony koa, taorian’ny tamin’ny 16 jolay, nahafatesana olona miisa 10, tao anatin’ny iray andro izany. Tsy mifanalavitra amin’izany koa anefa ny teo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 31 jolay. Nahatratra 30 ny isan’ireo nodimandry noho ity valanaretina ity. Hatreto aloha izany, tafakatra 136 ireo lavon’ny Coronavirus eto amintsika.1 840 ireo nifindran’ny valanaretina Etsy andaniny, miisa 1 840 ireo nifindran’ny valanaretina, hatramin’ny fiantombohan’ny volana aogositra ity hatramin’ny omaly. Ni­songadina indrindra tamin’izany ny voalohan’ny volana teo iny. Nahatratra 405 ireo tranga vaovao. Raha tsiahivina ny antontanisa, omaly, iray ny lavon’ny Covid-19. Notsaboina tany amin’ny faritra Atsi­nanana. Miisa 182 ireo tranga vaovao ka mbola ivon’ny valanaretina sy ny « frome grave » hatrany ny eto Ana­lamanga. Miisa 141 izany raha sivy ny any Matsiatra Ambony. Valo ny any Ihi­rombe ary fito ny any Atsimo Andrefana. Enina kosa ireo tranga vaovao any Boeny raha telo ny any Menabe. Ahitana tranga vaovao roa avy ny any amin’ny faritra Itasy sy Amoron’i Mania ary i Betsiboka. Iray avy ny any Atsinanana sy ny faritra Sofia.Andrasana ny fanapahan-kevitra sy ny fepetra Miisa 93 ireo marary mafy ka avy eto Analamanga ny 75 amin’izany. Mitsinjara ho 37 etsy Befelatanana. Sa­my ahitana 16 avy eny amin’ny HJRA sy eny Anosiala. Miisa efatra ireo marary mafy eny Fenoarivo ary roa kosa ny eny amin’ny Homi, Soavi­nan­driana. Manampy ireo ny any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, miisa 10 raha enina any Boeny ary iray kosa ny « forme grave » any Betsi­boka. Araka izany, andrasana ny mety ho fanapahan-kevitry ny fitondrana sy ny fepetra manoloana ireo antontanisa ireo, indrindra ho an’ny eto Analamanga.Synèse R.L’article Miisa 1 840 ireo tranga vaovao…: 29 ireo lavon’ny Covid-19 tao anatin’ny herinandro a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe

 Tsy afaka ny hangina. Velon-taraina ary miantso vonjy amin’ny fanjakana, indrindra ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mponina any amin’ny distrikan’i Morombe manoloana ny fihetsiky ny miaramila mampandry tany any an-toerana. Nandefa taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny Fiarovana sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny faritra izy ireo. Misongadina ny fihoaram-pefy ataon’ny miaramila sasany  fa alaina an-keriny ny ombin’ny olona sasany. Noraisin’izy ireo ohatra ny nitranga ny 25 sy ny 28 jolay teo tamin’ny fakana omby anjatony. Voalaza anefa fa anaty boky ara-dalàna avokoa ireo omby 1700 an’ilay atao hoe Jaonary, mitondra ny marika TSL avokoa. Anisan’ny mahagaga ny mponina amin’ity raharaha ity  ny fanatanterahan’ny miaramila sy ny dinabe izany fa tsy ahitana ny zandary na ny polisy na koa  ny eo anivon’ny distrika. Adikan’ny mponina  ho fakana an-keriny izany. Notanisain’izy ireo koa fa efa maro ireo lasibatry ny fanamparam-pahefan’ireo mpampandry tany. Voatery mitsoaka mandositra ny mponina.  Ampahany ihany ireo ka hanairan’ny vahoaka ny mpitondra mba hijery ny rariny sy ny fahamarinana ary koa ny mangarahara. Manahy izy ireo fa hanome endrika ratsy ny fitondrana  izao raharaha izao.Synèse R.  L’article Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III”

Niova tampoka! Tsy hisy indray ny “Tsenabe Tangorona III”, ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, tokony hotanterahina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, any Ambatondrazaka. Araka ny loharanom-baovao, nahatonga izany ny fotoana tsy ampy fa akaiky loatra ka tsy mifanaraka amin’ny fepetra takin’ny lalàna, nomena ny olona na ny orinasa, hiantoka ny fanatanterahana ity hetsika toekarena ity.Manampy izany, araka ny fiteny aty Alaotra, azo adika amin’ilay hoe “efa may ny mololo”, izany hoe, lany vola ny mpamboly amin’io fotoana nokasaina hanatanterahana ny “Tangorona III” io, sady efa fotoam-panadinana rahateo manomboka ny aorian’io 31 jolay io. Tsy afaka mamoaka tetibola rahateo ihany koa ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro satria mbola vonjimaika.RarivoL’article Ambatondrazaka: tsy raikitra ny “Tangorona III” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy

Manahy mafy ny tantsaha any amin’ny faritra Atsimo Andrefana manontolo noho ny fihanaky ny bibikely mpanimba voly katsaka sy hasy. Very hevitra ny mpamboly any amin’ny kaominina ambanivohitra maro, ravan’ny bibikely avokoa ny velaran-tany misy voly hasy.  Efa mivarotra omby mihitsy ireo mpamboly ireo hividianana fanafody hamonoana izany bibikely izany, saingy tsy mety foana hatramin’izao. Hiteraka fahavoazana lehibe, mety ho tonga hatrany amin’ny kere, izany.Zara raha hisy 4 000 t ny vokatra hasy amin’ity raha tokony hahatratra 25 000 t. Ny ataon’ny mpandraharaha lehibe izany fa ny mpamboly madinika, mety tsy hisy horaisina. Tsy misy fidiram-bola azo antenaina, araka izany. Misy amin’ireo tantsaha madinika ireo aza ny nindram-bola amin’ireny “microfinances” ireny, tsy fantatra izay ho tohiny. Ny katsaka indray, anisan’ny foto-tsakafon’ny mponina any an-toerana, manahy mafy izy ireo fa tsy hisy horaisina ihany koa.Tokony ho efa fantatry ny mpikaroka ny hisian’ireo bibikely ireo, tokony ho efa niomana amin’izany izy ireo, indrindra amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao. Koa miantso vonjy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana, ny jono ny mponina hijery vahaolana faran’izay haingana. Ny voly vary izao io, any Atsimo Andrefana ihany (lahatsoratra eo ambony), azo ambara fa mahabe fanantenana, satria eo ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) mamatsy vola ny tetikasa. Ny voly katsaka sy ny hasy, hatramin’ny taona maro, foto-piveloman’ny olona any an-toerana, toa jerem-potsiny, angamba hiandrasana indray fanampiana avy any ivelany. R.MathieuL’article Atsimo Andrefana: simban’ny bibikely ny voly katsaka sy ny hasy a été récupéré chez Newsmada.

Foot - News - Sport - News Mada

Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina

Mbola ambentin-dresaky ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, ny sokajy misy ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can 2019». «Azo atao tsara ny vondrona misy antsika», hoy ireo teknisianina.  -I Debon Jean-François (tale teknika nasionaly)Azo atao tsara, raha ireo mpifanandrina amin’ny Barea ireo fa miankina amin’ny fahavononana sy ny paik’ady apetraky ny mpanazatra fotsiny sisa. I Nizeria no heverina fa ho mafy, saingy azo resena ihany koa. Na izany aza, afaka miady ny toerana faharoa ny Barea ary tokony ho tafavoaka amin’ity vondrona B ity.Mino aho fa anisan’ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana ny Barea de Madagascar, amin’ity, raha lazaina ny lojikam-baolina. – Odon Michel (mpanazatra Jet Mada)Ny sarotra, ao amin’ity sokajy ity, i Nizeria izay manao baolina anglisy, izany hoe, matanjaka. Raha ny hevitro, hiadiana ny toerana faharoa. Miankina amin’ny voka-dalao eo amin’ireo lalao roa voalohany ihany koa anefa io. Mandeha io raha vao tsara fanombohana. Azo atao tsara izany ny miakatra amin’ny dingana faharoa.Feno fanantenana aloha ny tenako fa mbola hahita ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fihodinana faharoa, amin’ity “Can 2019 ity. Tsy tokony ho sakana mihitsy i Ginea sy i Borondi. -I Raux Auguste (mpanazatra Uscafoot)Raha ny vokatry ny fisarihana aloha, nahazo vondrona mora ny Barea. Miankina amin’ny fanomanana sy ny paikadin’ny mpanazatra ny herijika hiakarana amin’ny fihodinana faharoa. Na izany aza, mila mailo ihany satria mahay koa ireo mpifanandrina ireo matoa tafita hiatrika ny “Can 2019” ka tsy tokony hambaniana.Mitovy hevitra amin’ny rehetra aho fa mba anisan’ireo ekipa miakatra amin’ny fihodinana faharoa ny Barea de Madagascar, amin’ity. Mirary soa ho azy ireo hahavita dingana lavidavitra kokoa, amin’ity “Can 2019” ity. Nangonin’i Tompondaka L’article Kitra – «Can 2019»: «Tsy tokony ho olana ny hiakarana amin’ny fihodinana faharoa», hoy ireo teknisianina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Cites: dinihina ny fitantanana ny andramena

Hatao any Genève, Soisa, amin’izao fotoana izao, ny fivoriamben’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena mitantana ny varotra harena voajanahary tandindomin-doiza (Cites). Fivoriambe andiany faha-71, ataon’ireo vaomiera maharitra. Mandray anjara amin’ity fivoriana ity i Madagasikara ary anisan’ny tatitra atao any ny mikasika ny fitantanana ny hazo sarobidy, izay tsiahivina fa voasazin’ny Cites tsy mahazo mikapa, tsy mahazo mitatitra, tsy mahazo mivarotra eto an-toerana sy manondrana any ivelany isika hatramin’izao.Anisan’ny notaterin’i Madagasikara nandritra ity fivorian’ny vaomiera maharitra ity ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fanimbana ny ala, ny fitantanana ny tahiry sarobidy giazan’ny fanjakana ka ao anatin’izany ny andramena sy ny voamboana. Naroso teo anivon’ny mpivory koa ny vinan’ny fanjakana mikasika ity sehatra ity. Nankatoavin’ny mpanatrika ny tatitr’i Madagasikara ary nodinihin’ny Fivoriamben’ny isaky ny solontena mpandray anjara (Conférences des parties) andiany faha-18, nanomboka, omaly alatsinainy.Hatao lavanty amin’ny mpanao asa tananaEtsy ankilany, nilaza ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ala fa anisan’ny vinavinan’ny fanjakana ny hanaovana lavanty ireo andramena giazana amin’izao fotoana izao, ho an’ny mpanao asa tanana eto an-toerana. Tsiahivina fa nitsahatra ny tena trafika andramena goavana nakany ivelany, nanomboka ny taona 2015. Anisan’ny tratra farany ny bolabola maherin’ny 30 000 tany Singapour, saika haondrana tany Sina, ny marsa 2014. Giazana any an-toerana ireo hazo ireo hatramin’izao. Eny amin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly kosa ny raharaha ho an’ireo olona voarohirohy eto an-toerana.Njaka A.L’article Cites: dinihina ny fitantanana ny andramena a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona
25/09/2020

Noho ny fepetra avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny tsy maintsy hanalana ireo trano manamorona ny lalana mankao amin’ny kianja Barikadimy, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny famoriana ny mpanao gazety, ny talata 22 septambra lasa teo, ireo fokonolona voakasik’izany, mahakasika ny taratasy nalefan’ny kaominina Toamasina renivohitra. Nambaran’ny pastora Randrianasolo Etienne, mpitondra tenin’izy ireo fa tsy hisakana na hanakorontana ny fanorenana ny fotondrafitrasa izy ireo. Saingy mangataka kosa ny mba hisian’ny fitsinjovana ny maha olona ka hanomezana toerana hanorenany fonenana vaovao. Lasa mahantra tsy fidiny raha toa ka mijanona amin’izao satria vahoaka noana sy  efa trotraky ny “covid 19”. Nanao taratasy sy fanangonan-tsonia faobe moa izy ireo, alefa any amin’ny filohan’ny repoblika, Andry Nirina Rajoelina. Ankoatra izay, nisy filazana avy amin’ny filoha lefitry ny Ben’ny Tanàna fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bepc, vao hisy ny fandravana.Manoloana ity disadisa ity, manahy ny mpitia baolina kitra fa sao ho taraiky amin’ny fotoana andalovan’ny solontenan’ny Fifa ity fandravana ity ka mety tsy hahafahana mandray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nanome tsiny ny ligy moa ny olona sasany izay tokony mba hanao fanelanelanana hahamora ny fanesorana ireo mponina tsy manaiky ny handravana ny tranony. Sajo L’article Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina
24/09/2020

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara amin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha, ny masoivoho vaovao an’i Ejypta, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo endrika fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny firenena roa tonta. Anisany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nihaona manokana tamin’ny filoha koa ny masoivohon’i Korea Atsimo, i Lim Sang-Whoo, nanambara ny fifaranan’ny fotoam-pisany eto amintsika. Anisan’ireo firenena nanampy an’i Madagasikara tamin’ny ady amin’ny Covid-19 izy ireo tamin’ny alalan’ny laboratoara LA2M eny Androhibe. Resy lahatra amin’ny ho fisandratan’i Madagasikara amin’ny politika apetraky ny filoha ity masoivohon’i Korea Atsimo ity.Synèse R.L’article Fiaraha-miasa: hanangana fotodrafitrasa ny Egypsianina a été récupéré chez Newsmada.

COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020
24/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Bilan epidemiologique du 24 Septembre 2020 Ce 24 Septembre 2020, Madagascar enregistre 24 nouveaux cas sur 284 tests effectués. 8 des ces nouveaux cas sont localisés dans la région Diana, 5 nouveaux cas dans la région d’Analamanga, 5 nouveaux cas dans la région Alaotra Mangoro, 2 nouveaux cas dans la région Menabe, 1 nouveau cas dans la région Itasy, 1 nouveau cas dans la région Haute Matsiatra et 1 nouveau cas dans la région Anosy. Par contre, 14 883 personnes sont totalement guéries du Covid-19 car ce jour, 45 personnes rétablies sont recensées par le CCO-COVID-19. De ce fait, 1129 patients suivent encore des traitements dont 15 presentent des formes graves. Par ailleurs, une personne a succombé au coronavirus, portant à 227 le nombre total des personnes décédées du Covid-19. Rappelons nous que depuis le debut de la pandémie, Madagascar enregistre 16 191 personnes contaminées.L’article COVID-19: Statistique du 24 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana 
26/09/2020

 Efa eo am-piomanana tanteraka amin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny seksiona ankehitriny, ny eto Antananarivo Renivohitra taranja Karate. Tapitra amin’ity taona ity mantsy ny fe-potoana hitondran’ny mpitantana am-perinasa ka tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga Karate, Rakotomalala Jean Paul. Araka izany, mitaona ireo klioba rehetra eto Antananarivo Renivohitra ny federasiona, hanontany izay tokony ho fantatra mahakasika ny “certificat de conformité”. Voakasika izany avokoa na ireo efa mijoro ara-dalana na tsia, raha ny fanazavana hatrany. Eny amin’ny Delegen’ny tanora sy fanatanjahantena Antananarivo Renivohitra etsy Ambohidahy ny hahafahana mahazo fanampim-panazavana mahakasika izay.Raha ny tokony ho izy, ny volana aogositra ny fotoana efa napetraka hanaovana ity fifidianana ity, saingy tsy tontosa izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Araka ny loharanom-baovao, maro ny hirotsaka amin’ity indray mitoraka ity, mbola tsy fantatra kosa raha mbola ho isan’ny ho kandida ny filoha am-perinasa na tsia. Mi.RazL’article Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana  a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 27.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 27.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon le bilan quotidien de la porte parole du CCO, Pr Vololontiana sur la situation du Covid-19 à Madagascar, 28 nouvelles contaminations sur 417 tests effectués ont été enregistrées ces dernières 24h. Ces nouveaux cas sont éparpillés dans la région de Sava avec 15 cas, Vakinankaratra avec 6 cas, Analamanga avec 4 cas, Analanjirofo avec 1 cas, Matsiatra Ambony avec 1 cas et Vatovavy Fitovinany avec 1 cas. Par contre aucune guerison n’a été signalée ces dernières 24h, le nombre de guérisons reste donc à 14 922. Cependant, 1132 personnes suivent encore des traitements dont 17 présentent des formes graves. Le nombre total de décès reste également à 229 puisqu’aucun décès n’a été rapporté. Jusqu’à ce jour, Madagascar compte 16 285 cas confirmés.L’article Covid-19: Situation du 27.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon
28/09/2020

Les Ivoiriens défieront les Belges et les Japonais. Les Éléphants prennent au sérieux la préparation pour la double confrontation face au Barea de Madagascar au mois de novembre. Costauds. C’est ce qu’on peut qualifier des adversaires de la Côte d’Ivoire pour les matchs de préparation dans le cadre des journées FIFA au mois d’octobre. Les Eléphants de la Côte d’Ivoire vont défier les Diables Rouges le 8 octobre au Stade Roi Baudouin, Bruxelles. «C’est une équipe avec des talents individuels de très haut niveau qui se distinguent en ce moment par leurs belles performances, comme Wilfried Zaha (Crystal Palace) et Nicolas Pépé (Arsenal). Il s’agit d’un excellent partenaire d’entraînement pour notre première période de matchs internationaux au cours de laquelle nous disputons trois matchs. Nous espérons avoir l’opportunité de jouer en présence de quelques supporters, c’est quelque chose que nous attendons avec impatience», a annoncé Roberto Martínez, le sélectionneur des Diables Rouges sur le site de sa fédération. Les Belges caracolent toujours en tête du classement de la FIFA depuis septembre 2018. Les Ivoiriens auront un adversaire de taille dans le cadre de leur préparation de la double confrontation face aux Barea au mois de novembre. La crise sanitaire a chamboulé tous les calendriers des matchs amicaux de nombreuses sélections africaines. Le match prévu contre les Super-Eagles du Nigéria du 9 octobre en Autriche n’a pas eu lieu. Pourtant, un deuxième match amical figure dans le programme des Éléphants. Ils affronteront les Japonais, le 13 octobre à Utrecht aux Pays-Bas. Madagascar jouera contre l’équipe du Swift Hesperange du Luxembourg. Un choix qui ne fait pas l’unanimité auprès de l’opinion et surtout de la communauté footballistique. « L’idéal aurait été à mon avis de se frotter contre une équipe nationale. Ça aurait mis de la valeur au match qui se déroulera durant la journée FIFA, et donc comptabilisable pour le prochain classement FIFA. Par exemple notre adversaire la Côte d’Ivoire jouera contre la Belgique et le Japon en octobre. Après, l’organisation a eu des contraintes que l’opinion essaie de comprendre. Dans tous les cas, avec l’implication positive de l’Etat, je pense que les parties prenantes pourront trouver la solution la plus bénéfique à nos chers Barea. La double confrontation face aux Eléphants au mois de novembre se jouera à Madagascar et en Côte d’Ivoire, c’est-à-dire en Afrique. Quoi qu’il en soit, il faut jouer en Afrique. Si le lieu pose un problème, Portugal ou Maroc, pourquoi ne pas jouer le match contre le Burkina-Faso au Luxembourg ? », a expliqué Mirado Rakotoharimalala, SG du CFEM et spécialiste du football. T.H L’article Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Eliminatoires CAN 2022– Préparation : La Côte d’Ivoire défiera la Belgique et le Japon a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina
26/09/2020

« Ndao homena lanja ny fikarohana manatsara ny fahasalamana ho an’ny rehetra », ny lohahevitra noraisina ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny farmasianina andiany faha-12, omaly. Nandray anjara mavesatra tamin’ny fizarana fanafody sy kojakojam-pitsaboana ho an’ny mararin’ny Coronavirus teny anivon’ny hopitaly ny farmasianina, nandritra ny ady amin’ny tsimokaretina. Nanapa-kevitra ny hampidina ny vidin’ny fanafody fototra ampiasaina tamin’ny fitsaboana ny valanaretina izy ireo ho fitsinjovana ny marary, araka ny fampitam-baovaon’ny holafitra sy ny sendikà ary ny fikambanan’ny farmasianina niaraka. Telo ny farmasianina lavo tao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus. Niasa mafy andro sy alina ny farmasianina sy ny mpiasa mapihodina ny farmasia namatsy ny marary amin’ny kazaram-panafody ilainy. Saika ahitana filaharana lavareny manoloana ny farmasia teto an-dRenivohitra, indrindra raha vao niatomboka ny valanaretina. Nitantana ny fanafody sy ny kojakoja teny anivon’ny CCO ihany koa izy ireo.357 ny farmasianina ary 265 ny toeram-pivarotana fanafody manerana ny Nosy raha 29 ny ivontoerana mpamongady sy mpanamboatra fanafody. 25 ny farmasianina mpiasam-panjakana ary 40 ny farmasianina mpamongady fanafody.Manana holafitra miahy ny asan’ny farmasianina izy ireo, izay mandrindra ny raharaha momba izany. Misy koa ny fikambanana manofana aorian’ny fianarana sy manampy amin’ny fahaiza-manaon’ny mpikambana rehetra ao anatiny.Vonjy  L’article Ady amin’ny Coronavirus: nampidina ny vidim-panafody tena ilaina ny farmasianina a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea
26/09/2020

Tsy raikitra ! Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa ny ekipan’ny Swift Hesperange ao Luxembourg no hanaovan’ny Barea, lalao firahalahiana. Tafiditra amin’ny fiomanana hihaonana amin’i Côte d’Ivoire.Nofoanana ny lalao saika nikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Etalons-n’i Borkina Faso, ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, any Maraoka. Fanomanana ny fifanintsanana amin’ny Can 2022, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Noho ny mbola fisian’ny valanaretina “covid 19” ny anton’izany. Io no fanambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, niditra mivantana nandritra ny tafa nifanaovan’ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny le Centenli Antanimena, omaly.«Ilaina ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra, saingy tsy te  hidi-kizo amin’ny fisian’ny «covid 19», izy ireo. Araka izany, ny vaha olana tsara indrindra hitako dia ny manoman-tena eto Frantsa na ny manodidina. Efa nanolo-kevitra aho ka ny fihaonana amin’ny ekipan’ny Swift Hesperange Luxembourg no hitako fa mety. Tsy te haka loza aho, hitondra ireo mpilalao any amin’ny firenena faritra mena amin’ny «covid 19» satria henjana ny lalao mandroso sy miverina, hikatrohana amin’i Côte d’Ivoire. Tsy mahamenatra amiko ny mikatroka amin’ny ekipa D1 ao Luxembourg», hoy izy.Azo atao raha mihena ny tahan’ny aretinaNomarihin’i Nicolas Dupuis fa azo atao ny lalao amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, raha mihena ny tahan’ny “covid 19” any Maraoka aorian’ny fihaonana amin’ny Swift Hesperange. Ankoatra izay, nambarany fa sady fiofanana no lalao fitsapana ireo mpilalao vaovao vao nantsoina hanatevina ny Barea de Madagascar ity atao any Luxembourg, ity.Nilaza Andriamanampisoa Alfred, filoha lefitra faharoa ao amin’ny FMF fa maneho fiarahana amin’i Nicolas Dupuis, ny komity mpitantana, amin’ity lalao hatao any Luxembourg ity. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny alatsinainy 12 oktobra ho avy izao, izany.Ankoatra izay, nasiany resaka ny fanalana an-dRazafinirina Sylvain, “intendant” n’ny Barea de Madagascar, izay nolazainy fa mampalahelo ary tsy rariny satria olona nahavita be ary niasa mafy ho an’ny Barea io olona io ka tsy ekeny ny fanesorana azy tsy ho ao anatin’ny Barea intsony. Miantso ireo olona fito ao amin’ny federasiona, manohana sy manampy azy ny tenany hamerina an’i Sylvain eo amin’ny toerany. TompondakaL’article Kitra – Lalao firahalahiana: ny Swift Hesperange indray no hidona amin’ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Fanabeazana eto an-drenivohitra :: Hivoaka, amin’ny faran’ny herinandro, ny voka-panadinana BEPC
29/09/2020

Vinavinaina hivoaka, amin’ny faran’ity herinandro ity, ny voka-panadinana BEPC eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Antananarivo renivohitra. Mampiditra ny naoty ao anaty solosaina ireo mpikirakira, amin’izao fotoana izao. Manodidina ny dimanjato ny isan’ireo mpampianatra mikarakara ny fandrafetana an’ireo naoty ireo. « Tamin’ny sabotsy lasa teo no nifarana ny fitsarana. Efa eny Antanimbarinandriana avokoa ny taratasim-panadinana. Maharitra efatra andro fara-fahaelany ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina. Tombanana, fara-fahatarany any amin’ny alahady, ny fivoahan’ny voka-panadinana eto an-drenivohitra », hoy Ramananantony Lalaina, lehiben’ny Cisco Antananarivo renivohitra. Efa misy ireo faritra namoaka ny voka-panadinana BEPC, toy ny any Iakora, Faratsiho, Ambatolampy, Antsalova, Soalala, Midongy Atsimo, Ikalamavony, Besalampy, Antanifotsy, Mandoto, Befotaka, Morafenobe, Benenitra, Sakaraha ary Antanambao Manampotsy. L’article Fanabeazana eto an-drenivohitra :: Hivoaka, amin’ny faran’ny herinandro, ny voka-panadinana BEPC est apparu en premier sur AoRaha.

“Show case”: ho ao amin’ny Code 110 i Big Jim Da
26/09/2020

Mikarakara  seho miavaka ny  « Cod Wear », izay iarahana amin’i  Big Jim Da, ny asabotsy 26 septambra, amin’ny 8 ora sy 20mn hariva,  ny ao amin’ny Code 110 KaraokeBar na Hotel Gasy Tanamasoandro-Vatofotsy, Antsirabe.  Mpihira manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy, indrindra ny sehatry ny Hip Hop ny lehilahy.  Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny rap malagasy i Big Jim Da, ary nanamarika ny fahazazan’ny tanora ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny hira “Sedra”,  ny « Jaolahy mpiarakandro”, ny « Sentiment anabo poah », ny « Menimeny » sns… Hovelomina amin’io andron’ny fampisehoana io avokoa ireo hira ireo, miampy ny hira vaovao tsy ampoizina. Marihina fa noho ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny covid-19 dia noferana ho olona 100 ihany no afaka manatrika izany hetsika izany, araka ny toromarika ary manaja ny fepetra ara-pahasalamana.NarilalaL’article “Show case”: ho ao amin’ny Code 110 i Big Jim Da a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski
23/09/2020

Hotanterahina, ny alakamisy 1 oktobra ho avy izao, ny «UEFA Club Football Awards 2020», na ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mpilalao mendrika, niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2020». Anisan’ny andrasan’ny rehetra izay ho lohalaharana handrombaka izany, amin’ity. Hiady ny ho lohany i Neymar sy i Mbappé, avy amin’ny Paris St Germain, ary i Lewandowski, ao amin’ny Bayern de Munich, tombanan’ny maro fa manana herijika hahazo izany noho izy nahazo ny ho tompondakan’i Eoropa. Somary nahagaga ny rehetra kosa ny tsy naha tao anaty lisitra an’i Gnabry, mpilalaon’ny Bayern Munchen. Ankoatra izay, hifaninana eo amin’ny mpiandry tsatoby tsara indrindra ihany koa i Manuel Neuer, Bayern de Munich, sy i Keylor Navas, PSG ary i Jan Oblak, Atletico de Madrid. Mbola hangotraka ihany koa ny an’ny vodilaharana satria adin’ny samy Bayern ny fifanandrinan’i David Alaba sy i Alphonso Davies ary i Joshua Kimmich. Hifampitana kosa eo amin’ny irakiraka i Thiago Alcántara, Bayern Munchen, sy i Kevin De Bruyne, Manchester City, ary i Thomas Muller, Bayern de Munich.Ho an’ireo niatrika ny “Ligue Europa” indray, hiady izay ho mendrika i Éver Banega, mpilalaon’ny FC Séville, saingy efa nifindra ao amin’ny Al-Shabab, ary i Bruno Fernandes, Manchester United, sy i Romelu Lukaku, Inter de Milan. Sambany kosa no hisy fisafidianana izay ho mpanazatra mendrika, amin’ity. Mahatratra 32 ireo mpanazatra hifidy ka tsy mahazo mandatsa-bato ho an’ny mpilalaony ireo mpanazatrany. Ankoatra izay, 55 ireo mpanao gazety haneho ny safidiny. Tompondaka L’article Kitra – “UEFA Club Football Awards 2020”: hifampitady i Neymar sy i Mbappé ary i Lewandowski a été récupéré chez Newsmada.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.