RAKOTOBE MPAKA SARY Manankarena tahiry tsy tontan’ny ela

News - RAKOTOBE MPAKA SARY Manankarena tahiry tsy tontan’ny ela

News - RAKOTOBE MPAKA SARY Manankarena tahiry tsy tontan’ny ela

Manatanteraka fampisehona mivelatra etsy amin’ny CMDELAC Analakely nanomboka omaly talata 16 Aprily 2019 ka hatramin’ny sabotsy 20 Aprily 2019 momban’ny sary sy gazety voatahiriny i Rakotobe Michel, mpaka sary an-gazety fantatra amin’ny anarana hoe Rakotobe. Hita mandritra io hetsika karakarainy io ireo tahirin-tsary tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa nanomboka tamin’ny repoblika faharoa ka hatramin’ny tapan’ny repoblika fahaefatra. Misy santionan’ny zavatra nitranga tamin’ny 29 martsa 1947 ihany koa amin’io fampiarantiana io. Ao ireo gazety maro isan-karazany. « Tsy mora ny mitahiry antontan-kevitra na sary izany na gazety an-tsoratra kanefa rehefa eo ny finiavana dia mitady ny hevitra rehetra hanaovana izany ».

Tanjona ny hampafantarana ny Malagasy rehetra ny fomba fankalazana ny 29 martsa izany sy ny fivoarany nandritra ireo taona nifandimby. « Nandany vola mihitsy aho nividianana ireo gazety ireo teny amin’ny fivarotam-boky Ambohijatovo satria tsy tiako ho lasan’ny vahiny ny fananan’ny Malagasy.

Antsika ireo ka tokony isika ihany no mitahiry azy », hoy ity paka sary an-gazety ao amin’ny tia tanindrazana ity. Santionany amin’ireo tahirin-kevitra ananany ihany anefa ireo am-pirantina ireo fa efa manodidina ny 500 ireo tahirin-kevitra ananany ankoatra ireo « pelicule ». 13 taona izy no efa nanomboka tia naka sary ka ireo mpiara-mianatra aminy no nalainy sary.

Ny taona 1980 kosa izy no nanomboka naka sary an-gazety, toy ny gazety Midi, Gazetiko, Tribune, Vaovaontsika. Efa nampiasa ireo fakantsary rehetra nisy hatrizay izy, teo ny fankatsary « plastique, 12 pause », fankatsary « demi format », 36 pause lasa 72 pause ny taona 1991 izay nazahoany tahirin-tsary betsaka. « Faniriko ny ahazo fitaovana raitra misy ankehitriny fa saingy ny fahefana mividy no olana ».

Nirina R.

Cet article RAKOTOBE MPAKA SARY Manankarena tahiry tsy tontan’ny ela est apparu en premier sur déliremadagascar.

Kolontsaina  -  Rakotobe mpaka sary

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Sport - News Mada

Kempo – Taom-pilalaovana 2019: hanomboka rahampitso ny fiofanana

Voarafitra tamin’ny fiatombohan’ity herinandro ity ny fandaharam-potoanan’ny Kempo Madagasikara ho amin’ny taona 2019. Hosokafana amin’ny dingana voalohany, amin’ny fifampizarana sy fanomezana fiofanana ireo mpitarika mpanampy, rahampitso 8 desambra ho avy izao izany, raha ny tatitra nataon’ny filohan’ny komity mpitantana ny Kempo sy ny MMA (Mixed Martial Arts) eto Madagasikara. Hitohy any Ambositra, ny 21 sy 22 desambra izao izany fampiofanana izany. Ity farany izay fanombohana amin’ny fampidirana ny Kempo sy  MMA any amin’ny faritra Ambositra iny. Ankoatra an’Ambositra, efa maro ireo faritra mangataka fiaraha-miasa amin’ny fifampizarana toy izao, toa an’i Vaingaindrano sy Farafangana. Hiditra amin’ny dingana faharoa amin’ny fampiofanana ireo mpitarika mpanampy ny volana febroary 2019.Ho an’ny mpitarika, fiofanana roa no hatrehin’izy ireo, ny taona 2019, dia ny volana mey sy ny volana jiona. Hisy ny fitsapam-pahaizana hatao ao aorian’ny fampiofanana izay omen’ny manam-pahaizana. Eo amin’ny lafiny fifaninanana kosa indray, ny lalao eo amin’ny samy klioba, mivondrona sy mitsangana eo anivon’ny komity mpitantana no hisantarana ny fandaharam-potoana. Izany dia hotontosaina ny faha-29 ny volana desambra izao. Aorian’izay, hiditra amin’ny fifaninanana hiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, kempo sy MMA, ireo mpikatroka, ny faran’ny volana martsa 2019. Fa anisan’ny ady goavana hatrehan’ny mpikatroka malagasy amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity ihany koa ny fifaninana iraisam-pirenena. Handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka manerantany amin’ny taranja Kempo hotontosaina any Madrid, ny volana aprily 2019, mantsy i Madagasikara. Fanamby goavana apetraky ny komity mpitantana ny kempo sy MMA eto an-toerana ny fiatrehana ity fifaninanana lehibe ity ary antenaina fa hitondra fivoarana eo amin’ny taranja Kempo eto Madagasikara. Efa manomboka hita ihany koa ankehitriny ny fitomboan’ny traikefan’ireo mpikatroka malagasy. Mazoto manatrika ny fampiofanana karakarain’ny komity mpitantana rahateo izy ireo ka vetivety dia mahita fivoarana, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny komity mpitantana, Rakotonindriana Parfait.   Mi.RazL’article Kempo – Taom-pilalaovana 2019: hanomboka rahampitso ny fiofanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hetsiky ny olom-pirenena: « Ovana ny Ceni sy ny HCC…”

Niray feo  ary nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany. “ Tsy tokony hirosoana aloha ny fifidianana Ben’ny Tanàna raha tsy milamina ny fanoloana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Ceni sy  ny ratsa-mangaika, ny fokontany, ny distrika, ny kaominina nikirakira ny fifidianana sy  ny HCC”, hoy ny Hetsiky ny olom-pirenena  miady amin’ny  hosoka sy hala-bato (Hom3HF), tetsy Anosy, omaly. Nohitsin’izy  ireo fa tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana rehetra  natao  teto ireo ary  tsy afa-bela amin’ny halabato niseho koa.  Anisan’ny nitarika izany ny sasany amin’ireo kandidà  tsy  lany sy ireo mpanao politika  sasany, toy ny pasitera  Tsarahame Edouard, ny Dr Razafindrakoto Harison, i Ninie Donia na  koa ry Riri be. Nanatrika izany kosa  ny maro amin’ireo  depiote Tim,  voafidy farany teo. Ankoatra izany, nanterin’izy ireo fa tokony ovana ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Mba isian’ny fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra  ny anton’izany. Tsy tokony  ho afa-bela  koa  ireo nandika lalàna sy nanao fahadisoana. Aoka isika olom-pirenena mba hitsangana hatramin’ny farany ary hanohitra ny halabato sy ny hosoka”, hoy  ihany izy ireo. Notsindrin’ireto mpanao  politika ireto fa tsy hisy firenena vanona eto raha ohatra ka  olona lany tamin’ny halabato no hitondra sy ny firenena sy ny faritra.Synèse R.L’article Hetsiky ny olom-pirenena: « Ovana ny Ceni sy ny HCC…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - Ao Raha

HAZAKAZA-PIARAKODIA – RUN :: Voahosotra ho tompondaka fanindiminy i Vazaha

Nivoaka ny didy. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara fanindiminy teo amin’ny hazakaza-piarakodia sokajy ProRun i Jean de Dieu Rafanomezantsoa na i Vazaha, mpanamory Subaru Impreza. Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny mpanara-maso ny fifaninanana eo anivon’ ny Federasiona malagasin’ ny hazakaza-piarakodia, taorian’ny tsy nahavitan’ny dingana farany ho an’ny fifaninanam-pirenena tamin’ny 2 desambra lasa teo noho ny fiavian’ny orana tampoka. Talohan’io dingana fahenina io dia nanana isa 112 i Vazaha, raha 103 ny an’i Jaona Randriarimalala na i Jaona Elite, nanamory Smart Dragster. Samy nojerena ny isa azon’ny tsirairay, teo amin’ny fitsaharan’ny fifa-ninanana vokatry ny orana tamin’ny 2 desambra lasa teo ka nahazo fanampin’isa 25 i Vazaha niampy isa telo ka tafakatra ho 140. Nandritra ny dimy taona nisesy (2014 – 2018) dia voahosotra foana izy. Teo amin’ny sokajy Run indray dia voahosotra ho tompondaka i Tony Razafintsalama, nitondra ny Renault Super 5. Azony avokoa ny laharana voalohany tamin’ireo dingana rehetra nanamarika ny fifaninanam-pirenena tamin’ity taona ity. L’article HAZAKAZA-PIARAKODIA – RUN :: Voahosotra ho tompondaka fanindiminy i Vazaha est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona: manjaka ny resa-bola sy ny teritery

Hanomboka, ny alakamisy 8 aogositra ho avy izao, ny fampielezan-kevitra hifidianana ny ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Samy handresy lahatra ireo filohan’ny ligy miisa 22 ireo kandidà dimy mirahalahy, amin’ny tetikasa hoentiny, hanatsarana ny baolina kitra.Amin’izao fotoana izao, efa mandeha sahady ny ady tsy fiady fanaon’ireo kandidà sasany, amin’ny fampiasana vola. Tsy ny fanaovana izany anefa no ratsy fa ilay fomba ratsy mihitsy. Misy mantsy ireo mikasa hividy ny safidin’ireo mpandatsa-bato. Ao kosa ireo mampiasa ny fahefana eo am-pelatanany ka manao teritery sy tsindry amin’ny fomba hita maso sy amin’ny endriny hafa, hanerena ireo filohan’ny ligy hifidy azy ireo. Misy kosa ireo manao fanambatambazana amin’ny endrika samihafa toy ny fitsidihana ireo filohan’ny ligy any amin’ny hotely misy azy, na fitondrana azy ireo amin’ny fiara mihazo an’i Toliara. Nazava anefa ny tenin-dramatoa filohan’ny “comité de normalisation” fa hihatra amin’izay manaotao foana na minia mandika ireo lalàna ny sazy fa tsy hijerena tavan’olona.Afaka manantena izany ny rehetra fa hizotra antsakany sy andavany ity fifidianana, hotanterahina any Ifaty Toliara, ity, ny asabotsy 24 aogositra ho avy izao. TompondakaL’article Kitra – Fifidianana filohan’ny federasiona: manjaka ny resa-bola sy ny teritery a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

CAN 2019: mpanohana ofisialy ny lalao ny Orange

Fanineniny no hanohana amin’ny fomba ofisialy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, hatao any Egypta, ny orinasan-tserasera, Orange. Raha tsiahivina, mpiara-miombonantoka amin’ny baolina kitra afrikanina, nanomboka ny taona 2008 ny Orange.Firenena misy ny Orange avokoa ireo 11 amin’ireo 24 tafita amin’ny “Can 2019” ka anisan’izany, i Kameronina, Côte d’Ivoire, RD Kongo, Egypta, Ginea, Ginea Bisao, Madagasikara, Mali, Maraoka, Sénégal ary Tonizia. Araka izany, ho hita amin’ireo kianja hilalaovana ny marika Orange.Hisy fanentanana, hatao eto Madagasikara sy fifaninanana hahazoana mivahiny any Egypta. Hatao any amin’ireo toerana voatokana izany, miaraka amin’ny fahitalavitra lehibe hanarahana ireo lalao rehetra. Tanjona, ny iainan’ireo mpanjifa ity fetin’ny kitra ity. Hisy koa ny «tournoi orange kitra », hatao any amin’ireo faritra samihafa, hitondra ny anaran’ireo ekipa 24 miatrika ny «Can 2019 », ka hanomboka ny asabotsy 22 jona, ny fifanintsanana.Hisy koa ny «tournoi », atao amin’ny PES 2019, any amin’ireo firenena isan-tokony, ka hisolo tena ny fireneny avy, ny ho mpandresy, izay hiatrika ny famaranana lehibe «Panafricaine Orange Esport Experiecne», ny 17 sy 18 jolay, any Le Caire Egypta. Ho an’i Madagasikara, hotanterahina ny 15 jona, izao, eny amin’ny Arena Ivandry ny dingana famaranana. Ankoatra ny fivahinianana any Egypta, hijery ny famaranana ity «Can 2019» ity ihany koa io solontenan’i Madagasikara, io.Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny taona 2024, ny ho fanohanan’ny Orange, ny Caf, amin’ity fifaninanana, ity. Torcelin L’article CAN 2019: mpanohana ofisialy ny lalao ny Orange a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah

Anisan’ireo, kandidà hifaninana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), i Mohamad Abdillah. Nanamafy izany, filatsahany izany izy. Nohamafisiny fa olona miaina isan’andro, amin’ny baolina kitra izy.Gazety Taratra (-) : Mety aminao ve any Toliara sy ny datin’ny 24 aogositra, hanaovana ny fifidianana?Mohamad Abdillah (*) : Mpilalao baolina aho, ka tsy mifidy kianja hilalaovana. Rehefa any Toliara, no heverin’ny mpitantana fa mahafeno ny fepetra dia vonona aho, hiatrika izany. Toy izany koa ny datin’ny fifidianana. Tsy fombako ny manohitra zavatra efa tapaka sy nekena. Manaja izany ny tenako ka hamonjy io toerana io.– : Inona no mampiavaka anao amin’ireo kandidà hafa?*-Misy zavatra telo heveriko fa mety hampiavaka ahy dia ny maha mpilalao baolina aloha, satria miaina izany isan’andro aho ary tsy mahazo aina raha tsy milalao baolina sy miresaka baolina ary manaraka vaovaon’ny baolina kitra maneran-tany. Fianakaviako faharoa ny baolina kitra. Eo koa ny fifandraisako amin’ireo ankolafin’olona maro samihafa. Amiko, ny baolina kitra dia tsy fanilikilihana fa fampiraisana ny rehetra. Farany, olona anisan’ireo, mitandrina ny lalàna sy manara-dalàna ary manaja ny soatoavina ny tenako.-Inona ny laharam-pahamehana ho anao ?*: Hanatanteraka ny fandaharanasa ao anatin’ny efa-taona gm quadrienal. Hanamboatra ny trano hiasan’ny federasiona fa tery loatra, ny amin’izao fotoana izao, izay hiarahana amin’ny Fifa. Toy izany koa ny an’ny ligy fa tsy hotadiavina eny an-tsena na any an-tranony ny filohany. Afaka manangana 7 na 8 ao anatin’ny taom-piasana iray, isika. Hampitomboina, ny kianja hilalaovana ary hatsaraina ny kalitaon’ny fifaninanana, amin’ny alalan’ny fanaovana atrikasa, mba hitovy ny lanjan’ny ekipa. Tsy atao mitanila ny fandaharam-potoana sy ny kianja hilalaovana, tsy hisian’ny isa midangana, 7 no ho 0. Omena fampirisihina ireo mpiantsehatra rehetra.-Ny fahitanao ireo filohana ligy manao fanambarana manohana kandidà? * : Zo fototra amin’ny fahalalahana maneho hevitra ireny, ka tsy hitako izay mahadiso azy ireo, saingy tsy tokony hanohintohina ny hafa. Na izany aza, tokony hojerena ihany, fa fifidianana miafina no atao, izany hoe mila hajaina ny tsiambaratelon’ny safidy, ka ny filazana ampahibemaso toa ireny, dia efa fantatra mialoha ny safidin’ny tsirairay, ka lasa voahosihosy ilay latsa-bato miafina.– Raha lany ianao, vonona ve hiara-kiasa amin’ireo mpifaninana. Raha tsy lany koa mbola ho ao anatin’ny baolina kitra hatrany ve? *: Mpilalao baolina ny tenako, noho izany, miomana amin’ny zava-drehetra. Mampiray ny baolina kitra fa tsy mampisaraka ary tsy vitan’ny olon-tokana. Raha lany aho, misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa. Raha sanatria tsy lany, vonona hifanampy amin’izay tonga eo, ary raha ilain’izy ireo ny fandaharanasako dia atolotro azy. Tsy mitady olona hampitombo ny fahantran’ny baolina kitra isika fa olona hanala azy ao anatin’izany. Nangonin’i TorcelinL’article Kitra: «Fianakaviako faharoa ny baolina kitra », hoy i Abdillah a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray 22 taona tompon’antoka tamin’ny fandratrana polisy teo am-panatanterahana ny asany teny Ambodihady Ambohimanarina. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny 16 jolay tokony ho tamin’ny 5 ora maraina teny Ambodihady Ambohimanarina dia nitrangana fifamaliana teo amina olona roa tao Anosisoa Ambodihady. Nifamaly tamin’ny rafozam-baviny ity lehilahy voasambotra ity noho ny fidirana an-keriny tao an-trano fonenan’ny rafozam-baviny ary nodarohany tao ilay rafozany. Niantso polisy avy hatrany anefa ilay vehivavy vadin’ilay nahavanon-doza ary nilaza tamin’ny polisy fa novonoim-badiny ny reniny mipetraka ao Anosisoa. Tonga ara-potoana ny polisy avy ao amin’ny FIP sy ny avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimanarina (CSP6). Raikitra ny fifanenjehana ka raha vao nahatazana ireo polisy ity lehilahy ity dia nitoraka tamin’ny biriky avy hatrany sady nanompa variraraka. Voa teo amin’ny lohany ny polisy iray ka naratra mafy ary nalefa nentina notsaboina. Tafaporitsaka ilay lehilahy ka nitohy ny fikarohana nataon’ny polisy, tratra tao an-trano fonenany ao Ambodihady izy, ny zoma lasa teo.Jean ClaudeL’article Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

KMF/Cnoe: “Tsara sokafana indray ny lisi-pifidianana”

“Tsara ny hanokafana indray ny lisi-pifidianana, ary hatsaraina indray mandeha. Satria mandra-pahatonga ny fifidianana kaominaly, be dia be ny tanora vaovao ampy taona. Mbola azo atao hatrany ny manatsara sy ny manadio lisi-pifidianana” hoy  ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Andoniaina.Anisan’ny fototry ny fifidianana iray manontolo ny lisi-pifidianana: rehefa madio ny lisi-pifidianana, mihena ny hosoka. Na tsy azo 100% aza izay, tsy maninona fa manaiky ny 100% ary manakaiky ny 0% ny mety hisian’ny hosoka. Mila hatevenina koa ny fahaizan’ireo mpikamban’ny birao fandatsaham-bato amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni. Misy olona efa hita nanao hadalana, tokony hoesorin’ny Ceni, soloiny ary hofaninana ny ekipa vaovao.Mila hatsaraina ny olon’ny Ceni sy ny rantsa-mangaikany amin’ny fifehezana ny fifidianana. Tokony ho roa andro, ohatra, ny fanofanana ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato. Lasa ratsy ny kalitaon’ny fahaiza-manao amin’izany. “Tokony hanamafy ny seraserany ny Ceni hananan’ny olona fitokisana azy”, hoy izy.R.Nd. L’article KMF/Cnoe: “Tsara sokafana indray ny lisi-pifidianana” a été récupéré chez Newsmada.

News - Sport - News Mada

Tsipy kanetibe: mitaky ny fialan’ny federasiona ireo ligy

Izao vao vaky am-batolampy ny olana eo amin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe malagasy. Misavorovoro mantsy ireo ligim-paritra sy ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FMP). Araka izany, mitaky ny fametraham-pialan’ny filohan’ny federasiona sy ireo ekipany ireo ligim-paritra. Betsaka ny anton’izao fitakiana ataon’ireo ligim-paritra ireo izao. Teo aloha ny tsy fisian’ny vokatra teo amin’ny ekipam-pirenena, tena nanala baraka an’i Madagasikara. Anisan’ny goavana amin’ireny ny faharesen’ny ekipa lehilahy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, notanterahina tany Kanadà, ka nandresen’i Alemaina an’i Madagasikara, tompon’ny anaram-boninanihitra farany, tamin’ny isa tsy noeritreretina, 13 no ho 1. Teo koa ny nahalavo an’i Madagasikara, teo amin’ny famaranana, niadiana ny “Masters 2018”, natao tany Frantsa. Ankoatra izay, misy tsy mazava ny fifantenana ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena miatrika ireo fifaninanana isan-tokony, any ivelany. Ny fitsabahan’ny federasiona amin’ny lafiny teknika ka tsy manome toerana ny mpanazatra nasionaly. Vokatr’izay, mangataka amin’ny federasiona ihany koa ny tale teknika nasionaly hanala azy amin’ny toerany.   Tompondaka

Malaza androany

Notsongaina

Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama  

Nanao hetsika fanakanan-dalana ny mponina eny amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro, omaly, noho ny fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana maharitra. Nanapa-kevitra hamatsy rano ny mponina avy amin’ny fizaran-drano entin’ny kamiaobe ny Jirama.Manao tohivakana ny olana momba ny fahatapahan-drano eto an-dRenivohitra. Tsy ny famatsian-drano isan-tokantrano ihany fa hatramin’ny paompin-drano iraisan’ny vahoaka. Omaly, nitrangana fahatapahan-drano tao anatin’ny fotoana naharitra ka nampihetsika ny mponina ao amin’ny fokontany Antsahameva Andraisoro. Voalazan’ny mponina sy ireo mpianatra fa hatramin’izay, mandeha kely ihany ny paompin-drano amin’ny alina ka manararaotra mantsaka ny olona. Tao anatin’ny herinandro farany, tsy nisy rano na andro na alina ka sahirana ny vahoaka. Izay afaka mampantsaka, any amin’ny 1 km vao mahita vovo hakana rano. Tsy vitsy koa ny misafidy ny rano eny an-tanimbary izay tsy manara-penitra.Nanakana ny lalana ireo mponina nandahatra ny “bidon” mavo ka nampikatso ny fifamoivoizana. Nidina an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha ary niantso ny tomponandraikitra ny Jirama hijery ny olana. Tonga teny an-toerana ny mpiasan’ny Jirama sy ny minisiteran’ny Rano nizaha ifotony ny zava-misy. Mandra-pahita ny vahaolana maharitra, nanapa-kevitra ny hamatsy rano ny mponina amin’ny kamiao lehibe izy ireo.Misy fotodrafitrasa famatsiana ho vitaVahaolana maharitra ny fametrahana fotodrafitrasa famatsian-drano vaovao afaka mamokatra rano 100 m toratelo isan’ora eny Amoronankona. Vinavinaina ho vita afaka volana vitsivitsy ny asa eny an-toerana. Tsy eto an-dRenivohitra ihany fa mikaikaika amin’ny fahatapahan-drano matetika ny toerana avo nefa be mponina. Ny faritra miala ny Renivohitra, efa maro no misafidy ny hanao vovo hialana amin’ny fahatapahan-drano matetika. Mila teknisianina manokana anefa ny fitrandrahana rano any ambanin’ny tany sady tokony hokojaina hikajiana ny kalitaon’ny rano.Vonjy A. L’article Tapaka ny rano eny Antsahameva Andraisoro: nanao hetsika ny mponina, tonga ihany ny fizaran-dranon’ny Jirama   a été récupéré chez Newsmada.

Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy

Fahombiazana tanteraka! Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena, ho an’ny lehilahy sy vehivavy, teo amin’ny taranja basikety, tamin’ity andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy ity. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy, tao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Maorisy, ny asabotsy lasa teo. Tsy sarotra ho an’ny ekipa malagasy ny nandavo ireo mpifanandrina taminy, nanomboka hatrany amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana, hatramin’ny lalao famaranana, omaly. Teo amin’ny sokajy lehilahy, isa mavesatra 89 no ho 45 no nandavoan’ny ekipam-pirenena malagasy an-dry zareo Mayotte. Efa nanana herijika, ireto mpilalao malagasy ireto vao nanomboka ny lalao ary efa hita taratra ny elanelana isa teo amin’ny roa tonta. Isa 53 no ho 25 no nisarahana teo am-pialan-tsasatra.Teo amin’ny sokajy vehivavy, azo lazaina ho nivoaka sempotra ihany ny Malagasy satria hety dia hety hatrany ny elanelana isa teny amin’ny solaitrabe, efa nisy fotoana aza nodinganin’ny Renioney isika tao anatin’ny ampahefa-potoana faharoa, raha toa ka sahala ny isa teo am-piafaran’ny ampahefa-potoana voalohany (21 – 21). Niady, araka izany, ity lalao ity saingy ny Malagasy no tompon-teny farany ka nisalotra ny medaly volamena, ho an’ny sokajy vehivavy, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019 teto Maorisy ity. Isa 93 no ho 77 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-pamaranana.Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja basikety, tsy tanjona akory izao nahazoana medaly volamena izao fa dingana fotsiny ihany. Mbola lavitra ny lalana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, indrindra amin’ny fanomanana lalao iraisam-pirenena maro, isan’izany ny fifaninanana Afrobasket. Mi.RazL’article Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Tolotra Kred – BNI: atao hampihodina ny lalam-pihariana madinika

 « Kred hafa mihitsy ! ». Io ny tolotra iray ao amin’ny BNI Madagascar natokana ho an’ny  fandraharahana tena madinika sy orinasa madinika sy salantsalany. Nampahalala bebe kokoa momba ny ao amin’ny BNI  ny amin’ny fanaparihana ny tolotra Kred.Tsy mora ny fampidirana olona ao anatin’ny fandraharahana ara-dalàna, afa-miatrika ny fifaninanana, ao anatin’ny fiovan’ny tontolon’ny toekarena sy sosialy eto amin’ny firenena. Koa manampy ny rehetra amin’izany ny tolotra Kred, hampihodina ny lalam-piharian’ireo orinasa madinika amin’ny fanampiana azy ireny ara-bola.« Any amin’ireo mpanjifa no misy anay », hoy i Zafindratsilikana Bernardin, mpitantana ny tolotra Kred. Mihaona mivantana amin’ny mpanjifa eny ifotony ny ekipa misahana izany, mampahafantatra ny tolotra sahaza azy ireo sy ny fampanantenana azy ireo hahazo valiny haingana amin’izay fangatahana atao. Ampiharana ny fomba fiasa ny teknolojian’ny fifandraisana ankehitriny, hanangonana ny fangatahana rehetra hatrany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra farany. Miara-miasa amin’ny BNI amin’izany ny Telma amin’ny alalan’ny MVola.Nanatrika ny fanazavana ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Randriamandrato Richard ; minisitry ny Indostria, varotra sy ny asa tanana, Rakotomalala Lantosoa, sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa.Maro no miandry valiny amin’ny FiharianaTafiditra ao anatin’izany ny fanatanterahana ny tetikasan’ny fitondram-panjakana, Fihariana, iarahana amin’ny BNI. Nandray voalohany ny tetikasa Fihariana ny faritra Vakinankaratra, ho an’ireo mpamboly sy mpiompy ombivavy beronono ao Andranomanelatra. Nanamarika ny fotoana ny fanoloran’ny filoha Rajoelina ny famatsiam-bola ho azy ireo, niaraka tamin’ireo delagasiona Kred/BNI sy ny Socolait. Marihina fa anarivony maro ny antontan-taratasy miandry valiny amin’ny fangatahana ity Fihariana ity. “Ezahina ny hanafainganana ny asa rehetra iarahana amin‘ireo mpiara-miombon’antoka hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, fa tsy mijanona eo ihany ny tombontsoa ho azy ireo, tahan’ny zana-bola 4 %, mora no ho ny an’ny mpifaninanana hafa”, hoy Rakotosamizanany Dolly, iray amin’ireo mpiandraikitra ny Kred ihany. Natao indrindra ity tolotra ity hanosehana ireo lalam-pihariana tsy ampy tosika manerana ny Nosy sy hamoronana asa. R.MathieuL’article Tolotra Kred – BNI: atao hampihodina ny lalam-pihariana madinika a été récupéré chez Newsmada.

Fivoriana manokana: handinika ny lalàna mifehy ny mpanohitra ny Antenimiera

Tsy ankiandriandry. Tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, ny fandraisana ny didim-panjakana fampiantsoana fivoriana manokan’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Hanomboka ny 12 aogositra izao izany ary haharitra 12 andro. Anisan’ny lahadinika amin’izany ny fandaniana ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena. Eo koa ny fandinihana ny tolo-dàlana momba ny lalàna mifehy ny antoko mpanohitra ary ny fampahafantaran’ny governemanta ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana (PGE). Handinika izany koa ny ho lahadinika etsy Anosikely.Tsiahivina fa efa naneho ny heviny momba io lalàna mifehy na ny satan’ny mpanohitra io ny eo anivon’ny HCC  tamin’ny fotoan’androny ary nilaza fa misy banga na tsy ampy izany lalàna izany. Nampanahirana ny nampiharana azy tamin’ny fitondrana teo aloha. Anisan’ny antony namerenana ny handinihan’ny Antenimiera roa tonta io lalàna io izany.Synèse R.       L’article Fivoriana manokana: handinika ny lalàna mifehy ny mpanohitra ny Antenimiera a été récupéré chez Newsmada.

Fiainam-pikambanana: hanangana birao ny TKM

Velona sy miaina ary ho an’ny taranaka mifandimby. Hifamotoana etsy amin’ny foiben-toerany etsy Soarano, rahampitso, ny eo anivon’ny Trano koltoraly (TKM). Tohin’ny fihaonana efa natao ny herinandro teo izany ary nandraisana fanapahan-kevitra maromaro. Anisan’ny hisongadina namin’izao fivoriana izao ny hananganana ny birao hitantanana ity fikambanana manana ny maha izy azy ity. Anisan’ny hantsoina hiatrika izany fivoriambe izany ny sampana rehetra miaraka amin’ny TKM. Eo ny mpianatra sikidy, ny ho amin’ny fanandroana, ny tantara sy ny fomba, ny famato ary ny hadivory fito sosona… Araka izany, ho ambohipihaonan’ireo mpandala ny nentin-drazana ny etsy Soarano amin’io fotoana io.Synèse R. L’article Fiainam-pikambanana: hanangana birao ny TKM a été récupéré chez Newsmada.

Me Razafinjatovo Willy: “Mila manana depiote izay ho lehiben’ny mpanohitra”

Mbola resabe hatramin’izao ny momba ny ho mpanohitra. Nitondra ny heviny momba  izany ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy.“Raha ohatra ka tena mpanohitra tokoa ilay olona, voasoratra sy eken’ny eny amin’ny minisiteran’ny Atitany: tsy maintsy mba manana solombavambahoaka eny amin’ny Antenimierampirenena afa-midinika sy manohitra tokoa izy.” Izay ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy, ny amin’izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Raha ety ivelany ny tena ka hisoratra fotsiny eny amin’ny minisiteran’ny Atitany hoe mpanohitra sy mahazo taratasy ny amin’izany: tsy izy izay, satria afa-manao an’izay avokoa io olona rehetra amin’ny elakelaka-trano. Na mpivarotra izy, na mpisolovava, na mpiandry omby… Lasa mpanohitra avokoa izany izay misoratra sy mahazo taratasy ny amin’izany, nefa tsy manana solombavambahoaka na iray aza ao amin’ny Antenimierampirenena. Tsy izay satria afa-manao izay avokoa ny rehetra.Farafaharatsiny, ny lojika tokony hapetraka: tsy maintsy mba manana solombavambahoaka izy vao afa-kiteny sy manana ny toeran’ny mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena. Inona no hataon’ny hoe mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena raha tsy manana solombavambahoaka izy?Na izay aza ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna toy izany, ohatra: anisan’ny olana fototra amin’ny fametrahana izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena ny tsy fisian’ny didy fampiharana ny amin’izany. Mandra-pahoviana?R.Nd. L’article Me Razafinjatovo Willy: “Mila manana depiote izay ho lehiben’ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika

Misy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Madagascar National Parks sy ny mpitando filaminana ao Mahajanga amin’ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny atiala hisorohana ny fidirana an-tsokosoko sy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 2013, hoy ny kaomandin’ny rezimanta voalohany ao Mahajanga ao anatin’ny faritany miaramila fahefatra, kolonely Nasinto Herilala Jean Christian. Rehefa tsy voafehin’ny mpiasan’ny MNP intsony ny fidiran’ny mpifindra monina tao anatin’ny valanjavaboary sy ny fanimbana, nanome tohana ny miaramila sy ny zandary. Tsy mbola nisy ny fifandonana mivantana hatramin’izay fa akisaka toerana fotsiny ireo mipetraka amin’ny faritra voaaro miaraka amin’ny miaramila.Mamboly katsaka sy voamaina ireo mpifindra monina ao anaty ala ka ny hazo tapahana hanaovana ny tanimboly havadika ho arina fandrehitra. Amin’ny andro alina avokoa no hanaovana izany asa izany ka 30 ka hatramin’ny 50 olona no manatanteraka ny fambolena sy ny fiotazana ny vokatra hatramin’ny fanamboarana ny arina. Nisy ny zana-tanàna noravana niorina tao anatin’ny ala arovana sy fandravana ireo voly tratra rehetra miaraka amin’ny prefektiora sy ny MNP ary ny mpitandro filaminana. Fametrahana brigade forestierTamin’ity taona ity, nidina teny ifotony ny tompon’andraikitra, ny volana avrily lasa teo. Nandray fepetra izy ireo ka olona dimy no nosamborina ary natolotra ny fampanoavana. Tolo-kevitry ny mpitandro filaminana ny fametrahana ny brigade forestier mipetraka any anaty ala mihitsy manara-maso ny tsy fanarahan-dalàna. Manampy azy ny vondron’olona eny ifotony mitantana ny ala sy manohana amin’ny fanentanana ny mponina tsy hiditra ao anatin’ny ala arovana.  Voalazan’ny mpandrindram-paritry ny minisiteran’ny Tontolo iainana ao Boeny, Andrianjafy Ihandro fa nihahenjana ny fanenjehana ireo mpanimba ny atiala ao Ankarafantsika ka 23 ny olona notanana am-ponja vonjimaika ao Mahajanga, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ity volana ity. Ireo olona dimy voalaza etsy ambony ny farany indrindra. Ny volana aogositra sy septambra no tena betsaka ny doro ala.27 ny mpiasan’ny MNP misahana ny velarana 136 513 ha  ka ny mpiasa iray mitantana 5 000 ha raha 500 ha ny fenitra.L’article Amin’ny alina no mamboly sy manao arina: olona 23 notanana am-ponja vonjimaika a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

Depiote Anyah: « Velirano koa ny sakafo… »

Tsy afaka ny hitazam-potsiny.  “Velirano nataon’ny filoha Rajoelina ny hisakafoanan’ny vahoaka malagasy ara-dalàna”, hoy ny depiote voafidy etsy amin’ny boriborintany III,  Anyah, omaly. Namaly ny hetahetan’ireo tompon’andraikitra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny EPP miisa 13 eny an-toerana  ny  tenany ka nanatanteraka  ilay tetikasa “Tohan’aina” . Nihena ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra. Nilatsaka ambany koa ny taham-pahaizan’ireo ankizy. Hany mba nahazo  naoty tsara eo amin’ny kilasy fahafito ny12%-n’ny mpianatra amin’ireo EPP. Anisan’ny anton’izany ny tsy fanjariana ara-tsakafo mianjady amin’ireo ankizy mpianatra. Miantoka ny fahazotoan’ny saina sy ny  vatana izany. Araka  izany, tetikasa  natao hiantohana ny tohan’aina ho an’ireo ankizy indroa ao anatin’ny herinandro iray izao tanterahin’ny depiote Anyah  izao. Hitohy hatrany amin’ny andro hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE izany. “Tanjona apetraka ao anatin’ny tetikasa “tohan’aina” ity ny hampiakarana ny taham-pahavitrihan’ireo mpianatra hianatra, indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny fotoam-panadinana izao. Hampiakatra koa ny tahan’ny mpianatra afa-panadinana. Hoezahina haparitaka ho an’ny kilasy rehetra ary hihitatra hatrany amin’ny CEG, ho an’ireo hanala ny fanadinana Bepc izany”,  hoy ihany ny  depiote.Synèse R. L’article Depiote Anyah: « Velirano koa ny sakafo… » a été récupéré chez Newsmada.

Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric

“Lalaon’ny Nosy” intelo nisesy, nandrombaka medaly volamena hatrany ny atleta malagasy, ao anatin’ny taranja fibatana fonjamby, Andriantsitohaina Eric, sokajin- danja 56 kg. Nanomboka niditra eo amin’ity sehatra ity izy ny taona 2011, taona nandraisany anjara voalohany tamin’ny “Lalaon’ny Nosy” ary nahazoany avy hatrany medaly volamena telo. Tsy nitsahatra intsony izy nanomboka teo fa nivelatra, indrindra teo amin’ny sehatra afrikanina sy iraisam-pirenena. Efa nandray anjara ary nahazo medaly hatrany tamin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tany Maraoka ary tany Egypta. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena, ny « Solidarity International Championships 2018 »,nahazoany medaly volafotsy iray sy alimo iray, ny « Tournoi international » natao teto Maorisy ka nahazoany laharana voalohany. Mbola maro ny fahombiazana azon’i Eric, ankoatra ireo, ka anisan’izany ny “Lalaon’ny Nosy 2015” sy ny tamin’ity taona 2019, samy nahazoany medaly volamena telo avy. Tsahivina nitondra ny sainam-pirenena malagasy Andriantsitohaina Eric,nandritra ny lanonam-panokafana ity andiany faha-10 amin’ny “Lalaon’ny Nosy” ity, ny zoma 19 jolay lasa teo. Vonona ny hanome ny tsara hatrany i Eric ho an’ny taranja fibatana fonjamby malagasy sy ho an’ny firenena malagasy. Nangonon’i Mi.Raz L’article Fibatana fonjamby – Andriantsitohaina Eric a été récupéré chez Newsmada.

Trano fiantohana MAMA: « Tsy ara-dalàna ny fifidianana ny filankevi-pitondrana »

Nanambara ny mpitatitra mpikambana ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (MAMA) fa tsy nanara-dalàna ny fifidianana ny mpikambana enina ao amin’ny filankevi-pitondrana, notanterahina ny volana desambra 2018.Tsy nanaja ny satam-pikambanana ihany koa ny fifidianana satria tokony ho olona manana fiara iray mpanao fitaterana olona na entana sy mahalo ny latsakemboka 500 000 Ar isan-taona no afaka milatsaka hofidina ho mpikambana. Notanterahina tany Nosy Be ny fifidianana izay tena lavitra raha mitaha amin’ny toerana misy ankamaroan’ny ny biraon’ny mpitatitra sy ny kaoperativa. Tsy nampahafantarina io fifidianana io rahateo ny mpitatitra mpikambana sy nanorina ny trano fiantohana MAMA, hoy ny solontenan’ny mpitatitra, Raharinirina Clémence, omaly teny Antaninarenina. Amin’ny mpikambana enina voafidy handrafitra ny filankevi-pitondrana, olona iray ihany no manafeno ny fepetra fa ny dimy ambiny tsy tokony ho tafiditra mihitsy. Noho izany, miantso ny minisiteran’ny Fitantanam-bola izay miahy ny trano fiantohana hanafoana ny fifidianana izay natao farany teo ny mpitatitra. Mangataka ny fametraham-pialan’ny mpikambana voafidy koa satria tsy nanaja lalàna sy ny satam-pikambanana. Tokony hosoloina ny mpikambana rehefa tsy mahafeno ny fepetra.Te hanatsara ny orinasa fiantohana MAMA ny mpitatitra nefa tsy mety raha misy ny tsy fanaraha-danàna tahaka izao. Ilaina ny fanatsarana ny tolotra izay mampimenomenona ny mpitatitra mpikambana rehefa sendra lozam-pifamoivoizana izy ireo. Indraindray, maharitra an-taona maro vao mivaly ny fangatahana onitra sy fanonerana ho an’ny naratra.Tokony handray andraikitra haingana ny minisitera miandraikitra fa fanararaotana ny mpitatitra no nitranga, hoy ny mpitatitra iray, Rakotoarimanana Fidimalala.Vonjy A.    L’article Trano fiantohana MAMA: « Tsy ara-dalàna ny fifidianana ny filankevi-pitondrana » a été récupéré chez Newsmada.