Rajoelina tetsy Ambohitratrimo: manohana hatrany ny Barea ny fitondrana

News -    Rajoelina tetsy Ambohitratrimo: manohana hatrany ny Barea ny fitondrana

News -   Rajoelina tetsy Ambohitratrimo: manohana hatrany ny Barea ny fitondrana

 

Mitohy ny ezaka amin’ny
fampivoarana ny fanatanjahantena ataon’ny fitondram-panjakana
amin’izao  fotoana izao. Anisan’izany ny fitokanana ny kianja
manara-penitra vaovao etsy Ambohitratrimo, notarihin’ny
filoham-pirenena Rajoelina Andry sy  nanehoany fahavononana
hanohana hatrany ny Barea…

Tsy vao omaly efa nisy hatrany ny
fandraisana an-tanana nataon’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana
amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy taranja baolina
kitra. Anisan’izany ny tamin’ny “Can 2019”, nahatafakatra ny Barea
hatrany amin’ny dingana am-pahefan-dalan’ny fifaninanana.
« Reharehan’ny vahoaka malagasy ny fananana ny Barea ary
vonona hanohana hatrany ny fitondrana », hoy ny filoha
tetsy Ambohitratrimo omaly. « Tanjona iraisantsika ny
hahatafakatra ny Barea amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany
2022 », hoy hatrany izy. Ankilany, manampy ny mpilalao
kitra eto an-toerana hivelaran’izy ireo ny fananana kianja tahaka
io vita ao Ambohitratrimo io. « Zava-dehibe tokoa ny
fanatanjahantena ary tsy latsa-danja ao anatin’izany ny baolina
kitra », hoy hatrany ny filoha. Nisantatra ny kianja avy
hatrany ny mpilalao ny Barea io omaly io ihany.

Ankasitrahin’ny Fifa sy
ny Caf ny kianja vaovao…

Tafiditra anatin’ny velirano
faha-13 nataon’ny ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ny
fanamboarana ny kianja vaovao notokanana eny Ambohitratrimo omaly
io. Manara-penitra tanteraka ny fotodrafitrasa, mahazaka mpijery
hatramin’ny 1 000 isa. Misy toerana efatra na
« vestiaire » ho an’ny mpilalao ary roa kosa ho an’ny
mpitsara. Efa nahazo fankasitrahana avy amin’ny Fifa sy ny Caf ny
kianja ka azo andraisana lalao iraisam-pirenena. Marihina fa efatra
andro monja taorian’ny nitokanana ny kianja manara-penitra Mahitsy,
tontosa koa ny fanokanana ny kianja Ambohitramtrimo.

Tsiferana R.

Article tiré de Newsmada

L’article   Rajoelina tetsy Ambohitratrimo: manohana hatrany ny Barea ny fitondrana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 11/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Betroka: tompon’andraikitra sivily voatonona amina halatra omby

  Nahazo loharanom-baovao ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Betroka fa maro ireo omby very nandritra ny herintaona ary atobin’ireo dahalo ao Soahazo fokontany Mangalahy, kaominina ambanivohitr’Ivaho, distrikan’i Betroka. Nanapakevitra ny kaomandin’ny kaompania ao Betroka niampy holafy roa avy ao amin’ny USAD (Unité Spéciale Anti-dahalo) hamaky io toerana io ny 28 jona maraina teo. Teo am-pandaminana ny tetikady teo an-toerana anefa ny zandary dia efa nisy nitifitra ireo dahalo avy ao an-tanàna. raikitra ny fifandonana ka dahalo dimy indray lavon’ny balan’ny zandary. Henjana ny fifandonana ka trano tafo bozaka miisa telo indray may. Omby miisa 329 no hita niaraka tamin’ny basim-borona miisa fito, basy vita gasy miisa telo ary bala maro karazana no azon’ny zandary tao an-toerana. misokatra ny famotorana ka misy tompon’andraikitra sivily voatonona amin’ity raharaha ity, saingy ny zandarimaria dia resy lahatra fa tsy maintsy atao ny fanadiovana ary tsy misy ny tsimatimanota.Jean ClaudeL’article Betroka: tompon’andraikitra sivily voatonona amina halatra omby a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Nisesy ny fahoriana ho an’ny FLM: lavon’ny Covid-19 koa ny pastora Rabenorolahy Benjamin

Mitohy ny fisaonan’ny FLM sy ny FFKM. Namoy ny ainy noho ny Coronavirus indray koa ny filoha teo aloha ny FLM, ny pastora Rabenorolahy Benjamin. Vao ny asabotsy alina teo anefa no nodimandry ny filoha am-perinasa an’ity fiangonana ity.Nodimandry, omaly tetsy amin’ny TPLA Ambohibao, noho ny aretin’ny voa sy ny Covid-19 ny pastora Dr Rabenorolahy Benjamin. Nanamafy izany fahalavoany noho ny Coronavirus izany ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololontiana Hanta. « Marihina fa avy eto Analamanga ny iray namoy ny ainy, ny filoha teo aloha ny FLM », hoy izy. 80 taona ny tenany izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Voafidy ho filoha’ny FLM tamin’ny fivorian’ny Synoda lehibe natao tany Taolagnaro, ny taona 1989, ny pastora Rabenorolahy Benjamin ary nitantana izany hatramin’ny taona 2004. Anisan’ny andraikitra efa nosahaniny ny naha filohan’ny Synodam-paritanin’i Menabe azy. Teo koa ny nisahanany ny toeran’ny talen’ny STPL Betela, Morondava.Anisan’ny namaha ny krizy politika 1991Teo amin’ny lafiny politika sy ny fiainam-pirenena kosa, anisan’ireo filoham-piangonana nandrafitra ny FFKM ny tenany. Niaraka taminy tamin’izany ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Ramambasoa Joseph, sy ny avy amin’ny anglikanina (EEM), ny Mgr Rabenirina Remi Joseph, ary ny avy amin’ny fiangonana katolika, ny kardinaly Razafimahatratra Victor. Anisan’ny nanelanelana tamin’ny famahana ny krizy ny taona 1991 ny tenany ary filoha nitarika ny FFKM tamin’ireny fifanarahan’ny Panorama Andrainarivo, 31 oktobra 1991, ireny.Efa loholon’i MadagasikaraAnkoatra izany, efa mpanolotsain’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, fony teo amin’ny fitondrana, izy. Efa loholon’i Madagasikara, anisan’ireo mpikambana koa teo anivon’ny Antenimierandoholona tamin’ny fitondran’ny antoko Tiako i Madagasikara.Tsiahivina fa filoha fahatelo teo anivon’ny FLM ny pastora Rabenorolahy Benjamin. Nandimby azy avy eo ny pastora Rakoto Endor Modeste, filoha fahefatra hatramin’ny taona 2016. Voafidy ho filohan’ny FLM, ny septambra tamin’io taona io, avy eo ny pastora Rakotonirina David, vao nodimandry ny asabotsy teo.Synèse R.L’article Nisesy ny fahoriana ho an’ny FLM: lavon’ny Covid-19 koa ny pastora Rabenorolahy Benjamin a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Orange Madagascar: manodidina ny 450 ny nanome ra, ny notilina…

 Nanokana andro ho an’ny fahasalaman’ireo mpiasa ao aminy sy ny fianakaviany avy ny Orange Madagascar, omaly  ary natao teny amin’ny foiben’ny orinasa, eny Ankorondrano.Afaka nanao maimaimpoana fitiliana ireo aretina samihafa (VIH Sida, diabeta, tosidra) izy ireo. Teo koa ny fahafahana manome ra sy azon’ny mpitsabo nozahana manokana. Efa fanaon’ny Orange Madagascar izy ity, saingy nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fitiliana maimaimpoana ny aretina homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.450 ny mpiasa sy ny fianakaviany avy, miampy ireo sehatra hafa miasa ao amin’ny La Tour, misy ny Orange Madagscar, nandray anjara tamin’izany. Nisy koa avy amin’ny fokontany manodidina. Ankoatra izany, miezaka hatrany ny orinasa min’ny fametrahana ny fitaovana rehetra ilay ahafahana mandray ireo  manana fahasembanana eo amin’ny tontolon’ny asa.Nanome aina ny hetsika ny seho zavakanto natolotry ny Joyfull Music, antoko mpihiran’ireo mpiasa ao amin’ny Orange Madagascar, sy ny Orange Danse, mpandihy ao aminy ihany.Landy R. L’article Orange Madagascar: manodidina ny 450 ny nanome ra, ny notilina… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy

Tsy nanadino ny nisaotra ny minisitra mpiahy azy ireo andriamatoa minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police, Rafanomezantsoa Roger, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, taorian’ny fandresena goavana azon’izy ireo nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” natao tany Maorisy. Medaly volamena roa ny nentin’ireto ekipa malagasy ireto niverina eto an-tanindrazana. Nitsidika ary naneho fisaorana ny minisitra mpiahy azy ireo ireto mpilalao ireto, ny herinandro lasa teo, indrindra tamin’ny fanohanana fitaovana sy ny vola ary ny fankaherezana nomena talohan’ny niarehana iny lalao goavana iny, ka antony nahazoana izao fandresena miezinezina izao.Tetsy ankilany, nankasitraka ireo mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny basikety ireto ny minisitra, ity farany izay tsy nitazam-potsiny tamin’ny fandresena azon’ny mpilalao malagasy fa nanolotra mari-pankasitrahana ho azy ireo tamin’ny nitondrany avo ny fanevam-pirenena, tany Maorisy. Mi.RazL’article Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fibatana fonjamby – 2020 : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena

Amin’ny taona 2021 no ha­natanterahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasi­kara 2020, eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Io no nambaran’ny filohan’ny federasiona, Randriamanarivo Harine­lina, izay nanamafy fa noho ny krizy ara-pahasalamana nitranga teto amin’ny firenena no nahatonga izany. Tsiahi­vina, tokony tamin’ny volana avrily tany ho any no nanaovana azy ity, tany amin’ny li­gin’i Vakinankaratra. Maha­kasika izay hatrany, hiankina amin’ny fivoriambe fanao ara-potoana ho an’ny federasiona, amin’ny volana desambra ho avy io no hanapahana, raha ho voatazona any Antsirabe ihany na hiova faritra hafa no handray izany fifaninanam-pirenena izany. Ho an’ny sehatra iraisam-pirenena indray, any amin’ny volana avrily 2021 atsy Maorisy no hanaovana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tafiditra ihany koa amin’ny fifanitsanana hiakarana amin’ny Lalao olympika. Mazava ho azy, hanana solontena hiatrika izany isika, izay marihina fa manana atleta maromaro mbola anatin’ny hazakazaka tsara, ny hahazo tapakila handehanana any Tokyo Japon. Fantatra, fa ha­tramin’ny volana aogositra no hahafahan’ireo atleta miady tapakila, araka ny toromarika avy amin’ny iraisam-pirenena ka afaka manenjika izany izy ireny.Mi.RazL’article Fibatana fonjamby – 2020 : tsy hisy ny fifaninanam-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Musique : Tsew The Kid, nouvelle star franco-malgache

Tsew The Kid, la nouvelle étoile de la scène musicale française. Tsiry Ralaiarisedy est le phénomène musical actuel en France, il vient de sortir un album intitulé « Ayna ». En 2018, le  jeune de 25 ans réussit à se hisser sur le toit du show biz local grâce à deux vidéos postées sur Twitter. La première fait 700 000 vues et la seconde, arrive sur plusieurs plateformes et permet à Tsew The Kid, son nom de scène, de vraiment s’affirmer. Avec sa famille, il a quitté Madagascar en 2001. Il avait alors 5 ans. Selon lui, des souvenirs sont restés, puisqu’il a visité son pays natal plus tard. En 2019, c’est la consécration pour le jeune Tsiry Ralaiarisedy. Il remplit deux fois, la mythique salle La Maroquinerie. La salle de référence de la musique indé en France, ayant accueilli Bruno Mars, Wiz Khalifa ou encore Macklemore… Après quelques mixtapes, il sort maintenant un vrai album. « Ayna », sorti le 26 mars, comporte 12 titres et deux featurings. Avec le rappeur PLK, qui a déjà collaboré avec, entre autres, Black M et Rim’K. Et aussi, Lefa, fondateur du collectif Sexion d’Assaut. Les fans peuvent déjà écouter son duo avec ce dernier, sur le titre « Maladroit ». Le style de Tsew The Kid relève du rap chanté, la tendance actuelle. On y retrouve du hip hop, du RnB, de la pop… Quoi qu’il en soit, le jeune Tsiry Ralaiarsedy est en train de grimper très loin dans les charts. Mais au-delà des sonorités, ce sont des textes travaillés parfois mélancoliques. Un blues omniprésent qui, quelque part, se retrouve dans la musique malgache quand elle est à point. Maminirina Rado L’article Musique : Tsew The Kid, nouvelle star franco-malgache est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Tsew The Kid, nouvelle star franco-malgache a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly       

 Misy olona manafatra mpiavy  ivelan’ny faritra Boeny hamboly ao anatin’ny atialan’Ankarafantsika izay midadasika amin’ny velarana 136 513 ha. Efa misy fandraisana andraikitra nataon’ny fitondrana, nanomboka ny taona 2018. Nahatratra 23 ireo olona notanana am-ponja vonjimaika nanomboka ny fiandohan’ny taona teo.   Ny taona 2017 no nisy fanairana momba ny fahapotehan’ny ala ao anatin’ny valanjavaboary Ankarafantsika (RN4). Nijery ny zava-misy teny ifotony ny tompon’andraikitra ary nametraka lamina hiarovana ny valanjavaboary sy hifehezana ny mpiavy mitrandraka ny atiala. Voalaza fa olona avy amin’ny faritra hafa ivelan’ny faritra Boeny no manimba ny ala sy mamboly anatin’ny faritra arovana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra Boeny, Bazezy Vanombe Clavelah Roslan. Roa taona taty aoriana, tsapa fa tsy voafehy ny fifehezana ny fanimbana ala. Nandeha nizaha ifotony indray ny solontenam-panjakana ka nisongadina fa misy ny fatana fanaovana arina sy lasa faritra fambolena katsaka. Nanapa-kevitra niaraka amin’ny prefet eto Mahajanga izy ireo fa horavana avokoa ny tranokely ao anaty rebareba manodidina ny valanjavaboary. Nojerena  ihany koa ny lalana hidirana ao anatin’ny valanjavaboary ary nametrahana toerana fanaraha-maso miaraka amin’ny zandary hitsirihana ireo mpiavy manimba ny atiala. Efa vonona ny mpamatsy vola momba izay, araka ny fanazavany ihany, tamin’ny herinandro lasa teo, tao Mahajanga. Fantatra fa avy any Toliara ny ankamaroan’ny mpiavy mamboly sy manao arina fandrehitra. Nivondrona ao anatin’ny fikambanana iray ny mponina ao Anjijia mivelona manodidina ny vala ka nanentana ny mpiray fiaviana tsy hitrandraka ny atiala. Izy ireo rahateo no mpanelanelana ny mpitrandraka sy ny fitondram-panjakana.Nanamafy ny lehiben’ny faritra fa afaka mivezivezy malalaka ny olona ato anatin’ny faritra ka sarotra ny hanakana ny fiavian’ny mpitady velon-tena eto Madagasikara fa mila fehezina kosa ny fitrandrahan’izy ireo ny aty ala izay fandikan-dalàna faizin’ny lalàna mihatra eto amintsika. Misy ny fitsarana manokana mikarakara ny fanimbana ala.Tokony hisoratra anarana amin’ny fokontany Sarotra ny mitantana ireo olona mpifindra monina mitrandraka ny atiala ao Ankarafantsika satria tokony hisoratra amin’ny secteur sy fokontany avokoa ny mponina anamorana ny fanaraha-maso, hoy ny prefet ao Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana. Vahaolana mahomby indrindra ny hisoratan’izy ireo anarana amin’ny fokontany efa nisy fa tsy azo atao ny hametraka tanàna na fokontany vaovao ao anatin’ny faritry ny ala arovana.L’article Fitrandrahana ny atialan’Ankarafantsika: mila paikady hentitra ny fifehezana ny mpifindra monina mamboly        a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fahalalana sy fahaizana : afaka mifa­meno ny fahiny sy ny ankehitriny

Hatreto, mbola maro amin’ny Malagasy tsy resy lahatra fa manana fahalalana goavana be ny Ntaolo. Tsy niravaka diplaoma maro noho ny fandrantoana fianarana tany an-tsekoly izy ireny fa niaina sy nandia fiainana tao anatina taona maro (analinkisa) io fahalalana any aminy io. Manam-pahalalana lalina ny Malagasy fahiny. Ny ankehitriny indray, manaka-danitra amin’ny fahaizana satria nianatra tao anatina rindrina efatra. Tsy nampianarin’ny zavaboahary fa nampianarin-dramose sy ry madama. Tsy tokony hifanipaka anefa ireo raha tena mikatsaka fandrosoana marina ny Mala­gasy sy i Madagasikara. Afaka mifameno tsara na ninian’ny vahiny nampifandonina ny Ma­lagasy mahatana ny fomba amam-pahalalana navelan’ny razana sy ny avara-pianarana. Ny fampifanatonana ireo sokajin’olona roa ireo no anisan’ny antoka lehibe hiverenana an-doharano sy hirosoana any amin’ny fivoarana tsaratsara kokoa hatrany. Paikady hoenti-manatanteraka izany ny fampidirana tsikelikely ny maha Malagasy any amin’ny fandaharam-pianarana sy ny famerenana miandalana ireo karazana dinidinika sy tafatafa eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eo anivon’ny ankohonana tsirairay.HaRy RazafindrakotoL’article Fahalalana sy fahaizana : afaka mifa­meno ny fahiny sy ny ankehitriny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio

Hifantoka any Alzeria avokoa ny sain’ny besinimaro, amin’ity anio ity. Ho fantatra eo mantsy izay handrombaka ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”. Hiady izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Hitodika ao amin’ny kianja Cairo Stadium avokoa ny mason’ny rehetra, amin’ity zoma ity, hiatrika ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra “Can 2019”, andiany faha-32. Hamarana izany, ny Liona-n’i Teranga avy any Senegal sy ny Fennecs-n’i Alzeria.Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta, satria efa niray vondrona tamin’ity “Can 2019” ity. Raha tsiahivina, resin’i Alzeria, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 tamin’izay, ny Senegaly. Hanala vela izany, eto ry Sadio Mané. Hatreto, tsy mbola nandrombaka ny “Can” mihitsy ny Liona avy any Teranga. Fanindroany amin’izao, ry zalahy no tonga eo amin’ny famaranana. Ny voalohany, tamin’ny taona 2002, saingy resin’ny Liona tsy voafolak’i Kameronina, izy ireo, tamin’izany. Ity no famaranana fanindroany.“Hiezaka izahay, hamafa ny nofy ratsy, tamin’ny taona 2002, ka hitady fandresena. Fanalana vela ihany koa ity ka tsy maintsy hiady mafy ny mpilalao rehetra, handrombahana ny amboara”, hoy i Alliou Cissé, mpanazatra senegaley.Etsy an-kilany, mikendry ny hamerina ny anaram-boninahitra efa azony, 29 taona lasa ry zareo Alzerianina. Ny Fennecs no ekipa nahavita dingana tsara indrindra tamin’ity “Can 2019” ity satria tsy mbola resy na nanao ady sahala mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreto amin’ity famaranana ity.Manana olana ny Liona-n’i Teranga, amin’ity famaranana ity satria tsy afaka ny hiakatra kianja i Kalidou Koulibali, vodilaharana mahatokin-dry zareo Senegaly, noho ny fahazoany karatra mavo roa. Na eo aza izany, nanambara i Cissé, fa vonona ny mpilalaony ary tsy matahotra na manana ny fahaiza-manaony aza, i Riyad Mahrez. Tompondaka L’article Kitra – Famaranana ny «Can 2019»: hanala vela amin’i Alzeria i Senegal, anio a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja”

 Hentitra ny Praministra Ntsay Christian noho ny fahitana fa mitarazoka  loatra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahateniny,  omaly  ny momba  ireo voafonja, mbola voatazona ela loatra any am-ponja.“Tokony hafainganina  ny fitsarana  ireo voafonja. Efa misy  ihany ny ezaka ho amin’izany”, hoy izy, tetsy  Anosy.  Nomarihina tamin’izany ny faha-60 taona ny mpandraharahana  ny fonja ka nanehoany izany toromarika izany.  Na izany aza, nambarany  fa efa nisy ny dingana  vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana toy ny  eo amin’ny lafiny sakafo  ho an’ireo voafonja. Nanteriny koa fa azo ametrahana fitokisana ireo voafonja  rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy toerana famaizana ny fonja.  “Natao hisaintsainana hiverenana eny anivon’ny mpiara-belona ny toeram-pamonjana”, hoy ihany izy.Mitaky fampitaovana  ny mpandraharaha ny fonjaFitakiana sy fangatahana maromaro. “Tsy fotodrafitrasa ihany fa eo koa ny fampitaovana. Tena sarotra ny  asa, indrindra eo amin’ny fiara ho an’ny voanfonja.  Efa simba ny ankamaroany ka tokony hojerena ny fampitaovana…”, hoy kosa  ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques tamin’ny  lahateniny. Eo ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanomezana  ny mpandraharaha ny fonja fitaovam-piadiana,  toy ny basy.  Na izany aza, nanafatrafatra ny minisitra. “Aoka hampiasaina amin’ny tokony ho  izy avokoa izany fitaovana izany fa tsy sanatria hampanofaina ny jiolahy. Aoka isika handala ny fahendrena sy ny fahamatorana”, hoy ihany  izy.Tsiahivina fa maherin’ny 27 000 ireo voafonja manerana ny Nosy mitsinjara amin’ireo fonja 41. Nisy ny fanehoana ny asa sy ny fitaovan’ny mpandraharaha ny fonja tamin’izany.Synèse R. L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Hafaingano ny fitsarana ireo voafonja” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

A louer TANY AHOFA
15/06/2021

Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Tany ahofa malalaka tsara azo anaovana garage na anaovana stockage mifefy tsara amoron-dalana faritra sabotsy namehana tel 0324712472Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer TANY AHOFA".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Développeur Codeigniter
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le BTP,Développeur CodeigniterEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVCODEIGNITER-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Codeigniter".

Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)
18/06/2021

Nous recrutons pour un structure d’externalisation, unASSISTANT COMMERCIAL SENIORMissions :- Assurer les premières démarches commerciales (mail / téléphone) via base des données existante- Assurer l’Onboarding des professionnels sur la plateforme- Assistance clientèle sur les démarches d’inscription sur la plateforme- Assurer le suivi des procédures d’achat et de livraisons- Assurer le SAV : Gestion du service client (Mail / téléphone / chat)Profil:- Titulaire d’un bac +3 minimum en commerce, marketing, communication- Expériences probantes dans le domaine de la relation client- Bonne maîtrise du Français (lu, écrit, parlé)- Bonne maîtrise du pack office- Autonome, rigoureux (se) et professionnel (le) Envoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence ASSISTANTCOMS-0621(+261) 034 10 826 36 Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services ASSISTANT COMMERCIAL SENIOR (H/F)".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Notsongaina

Voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina: mandà tanteraka ny filazana ny polisim-pirenena
14/06/2021

« Tsy misy mpikambana ao amin’ny governemanta izany nikasa hiondrana ka nosakanan’ny polisim-pirenena », hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena ( ny polisy miaro ny sisitany – PAF) manoloana ny fanambarana an-gazety sy tamin’ny tambajotran-tserasera, izay milaza fa nisy mpikambana iray ao amin’ny governemanta voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nilaza izy ireo fa saika hiondrana any Taolagnaro io olona io ka noraràna tsy handray ny fiaramanidina. « Tsy nisy ihany koa antso an-tariby voaray avy any amin’ny fiadidiana ny repoblika manome toromarika mikasika izany», hoy hatrany ny fanambaran’ny polisim-pirenena. Nohamafisiny tamin’izany fa ny fandraisana ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny asa dia atao ao anatin’ny fanajana ny lalàna hatrany. Henintsoa HaniL’article Voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina: mandà tanteraka ny filazana ny polisim-pirenena a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés
17/06/2021

Une des réalisations des travaux de fixation des dunes dans l’Androy. Le monde célèbre, ce jour, la Journée mondiale de la lutte contre la désertification et la sécheresse. Des phénomènes qui concernent Madagascar, notamment la partie Sud du pays où le Tiomena sévit depuis le mois d’octobre 2020. « Favorisant l’ensablement, le phénomène détruit nos cultures, détruit nos champs et impacte même, de façon négative, les routes nationales ». Propos de Marie Zoéline, mère de famille vivant dans la région Androy qui témoigne des méfaits du phénomène Tiomena qui sévit dans l’Androy depuis le mois d’octobre dernier. Propos qui interpellent également sur l’urgence de mener des actions coordonnées et systémiques afin de protéger la population et accroître leur bien-être. Interrogé sur le pourquoi du comment du phénomène, le Dr Tsimanaoraty Mahatante Paubert, expert en changement climatique et maître de conférence auprès de l’université de Toliara explique que « le Tiomena résulte de la hausse de la température et de la dégradation du sol. Cette dernière est causée par la perte de la couverture végétale, elle-même provoquée par la culture sur brûlis et la coupe ». Le Dr Tsimanaoraty Paubert Mahatante de poursuivre avec les conséquences du phénomène. « Le Tiomena déforme le paysage de l’Androy, favorise l’ensablement des forêts et des routes, assèche la végétation et provoque la baisse des précipitations » déplore-t-il. Propos soutenus par Natasha van Rijn, représentante résidente du PNUD à Madagascar qui note que « le phénomène de Tiomena et spécifiquement la migration des dunes, constitue un fléau qui porte atteinte au développement notamment agricole dans la région Sud ». Progressive. Face à l’urgence de la situation, le PNUD, en partenariat avec le ministère de l’Économie et des Finances et le ministère de l’Environnement et du Développement durable, ainsi que le gouvernorat d’Androy ont initié des actions de fixation des dunes le long des côtes des régions Sud du pays. « Jusqu’ici 50 Ha de terres cultivables sont sécurisés et sont de nouveau exploitables grâce à la fixation de 140 Ha de dunes. Mais, il reste beaucoup à faire», fait savoir la représentante résidente du PNUD. Pour ce faire, les parties prenantes ont adopté « une approche progressive afin d’agir à la fois sur le problème d’ensablement et de désertification, et sur l’amélioration des revenus des ménages les plus vulnérables par ces travaux de fixation des dunes ». Une approche qui permettait à chaque travailleur de percevoir «4.700 Ar par journée de travail payés par tranche de 10 jours et une épargne de 3.575 Ar, toujours par journée de travail constituée dans le compte du bénéficiaire pour servir de fonds de démarrage pour une activité génératrice de revenus », précise Natasha van Rijn. Si des efforts sont menés par divers acteurs, le Tiomena continue de sévir dans l’Androy bien que les fréquences sont diminuées selon les populations locales. José Belalahy L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la désertification dans l’Androy : 50 Ha de terres cultivables sécurisés et 140 Ha de dunes fixés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fampirantiana “Velo-Misy”: miainga amin’ny tononkalo ny hosodokon’i Joey Aresoa
18/06/2021

“Miaina zavatra mafy isan’andro, miampy ny tsindry avy any ivelany ny Malagasy… Na izany aza, mbola velona izy, sady misy. Manana ny tantarany hotantaraina ny tsirairay…” Izay no namintinan’i Joey Arisoa ny nisafidianany ny “Velo-Misy”. Lohahavitry ny fampirantiana izay nosokafana, omaly, etsy amin’ny Fondation H Andraharo io. Hita maso ny fihavahan’ny hosodokon’i Joey Aresoa: safidin’ny akora, ny loko, ny karazany ary ny aigam-panahy. Miainga amin’ny tononkalo mantsy ity mpanakanto ity, vao manao ny hosodoko. “Miezaka manambatra ny abstrait, figurative ary ny digital aho. Mifandimpatra tokoa izany, saingy ny tononkalo no manambatra azy”, hoy ny fanazavany. Araka ny lohahevitra, maka endrika fitantarana amina dingana maromaro ny fampirantiana. Izay ihany koa ny endriky ny fanatontosany ny kantony: tononkalo, hosodoko amina kafe sy loko, fampiasana ny teknolojian’ny sary avy eo fanambarana izany. Misy fironana mankany amin’ny fanasongadinana ny tontolon’ny vehivavy ny sanganasan’i Joey Aresoa. Akaiky aminy kokoa amin’ny maha vehivavy azy ny miresaka izany anatin’ny sanganasany. Maneho ilay tantara hatrany anefa izany. Maneho ihany koa ilay “Velo-Misy”, raha tarafina amin’ireo sanganasany toy ny “Fagneva”, “Tatao”, “Ranomangandranomaso”, sns. Ny faraparan’ny taona 2020 no nanomboka niketrika ny fampirantiana i Joey Aresoa. Ny volana marsa kosa izy no tena nanomboka izany, ary nndritra ny fihibohana no tena nahatontosany ny ankamaroany. Nanamafy ny faniriana hitondra avo ny feon’ireo tsy afa-manoatra noho ny zava-misy ny krizy, raha ho an’ity mpanakanto ity. Marihina fa ny 30 jolay izao vao hifarana ny fampirantiana “Velo-Misy,” ho an’ireo liana.Zo ny AinaL’article Fampirantiana “Velo-Misy”: miainga amin’ny tononkalo ny hosodokon’i Joey Aresoa a été récupéré chez Newsmada.

Fête de la musique: hanatanteraka hetsika ny ANKIZ’Art
19/06/2021

Fararanon-danonana sy he­tsika ny volana jona… Hana­tan­teraka ny « Fête de la mu­sique » ny Ankiz’Art, rahampitso, alahady 20 jona, manomboka amin’ny 12 ora antoandro. Izany dia hotanterahina ao amin’ ny Ivontoerana fifampizarana Art-kolontsaina ambany tanàna ANKIZ’Art Anosibe andrefana II. Mpanakanto maro ny handrafitra izany hetsika izany, izay ahitana tarika maro toa an-dry Spesialista, Ravelo Jean Baptiste & Jeannot Kopikole Noely, Petit Percu (Tarika Ba­komanga), Reggean’Jah, Fidar, Profesia, MOM Clan BeAnosy, Aloka mainty, Safimar, Pinam, Tsotsotr’art, , Look’Iray, Jess-Mih, Soldat Clan. Ao koa ny Ankiz’Art Dihy sy ny mpanakanto toa an-dry Kehman ary ireo maro tsy ampoizina ho avy hanafana ny fotoana. “Fikam­banana niorina ny taona 2012 ny ANKIZ’Art, ary manana ny sata ara-dalana, izay mampivondrona tanora mpanakanto maro isan-karazany fa ny tanjona amin’ity hetsika ity aloha dia ny fankalazana ny “F?te de la musique”. Ireo mpanakanto rehetra ireo indray dia mpikambana ato avokoa, ankoatra ireo vahiny nasaina ”, hoy i Fidy, filoha mpitantana ny ANKIZ’ Art. Marihina fa hetsika tsy misy vidiram-pidirana izy ity fa natao hanomezana fahafinare­tana ho an’ny rehetra. Ao anatin’ ny fampisehoana dia mihatra ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus. Ma­nana ny tambajotran-tserasera facebook, pejy “ANKIZ’Art- Pejy ofisialy izy ireo.NarilalaL’article Fête de la musique: hanatanteraka hetsika ny ANKIZ’Art a été récupéré chez Newsmada.

Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés
17/06/2021

Le programme SEKOLY TELMA vise à améliorer l’accès à l’éducation de base pour les enfants des zones enclavées ou rurales. Heureux. Les tout-petits élèves du préscolaire de l’EPP Antanimena sont désormais reçus dans une salle de classe propre et bien équipée. Et ce, grâce au programme Sekoly Telma initié par la Fondation Axian. Implication. Cinq écoles primaires publiques (EPP) de la capitale sont concernées par ce programme. A savoir, Antanimena 2, Benasandratra, Ambodiafontsy, Ambohinaorina et Tsarahonenana. L’inauguration de ces nouvelles réalisations a été marquée hier, par une cérémonie qui s’est tenue à l’EPP Antanimena 2, en présence, notamment du maire de la Commune Urbaine d’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, du directeur de cabinet du ministère de l’Education nationale, des dirigeants de la Fondation Axian et de la directrice de l’association KOZAMA, ainsi que des directeurs des EPP concernées. Ce programme traduit une fois de plus l’implication de la Fondation Axian dans le développement socio-économique des quartiers défavorisés. De qualité. La Fondation Axian offre ainsi aux plus jeunes, notamment aux enfants de 2 à 5 ans, un environnement et des infrastructures d’apprentissage de qualité, respectant les normes nationales, et leur permettant de s’épanouir dans leur scolarité. Au total, plus de 290 enfants par an bénéficieront de la construction de ces 5 infrastructures. Les 5 établissements concernés scolarisent déjà 142 élèves. Ce projet est réalisé en collaboration avec la KOZAMA (Kolo Zaza Malagasy) qui a pour vocation de diminuer , à son échelle et de façon durable, la pauvreté à travers l’éveil et l’éducation des enfants des familles les plus vulnérables de la capitale malgache. Pour cela, Kozama collabore étroitement avec la communauté éducative et les autorités locales pour le renforcement durable et inclusif des services éducatifs publics et des acteurs sociaux. L’association compte plus de 4.000 parents participants à l’éducation parentale et plus de 5.000 enfants bénéficiaires chaque année. Fresques murales. Par ailleurs, la Fondation Axian a sollicité les street-artistes lauréats du concours lancé conjointement par la Fondation H et la Fondation Axian, fin 2020. Les artistes Mat Li, Naty Kaly, Tahina Rakotoarivony et Mendrika Ratsima, ont ainsi procédé à l’habillement de 5 nouveaux établissements à travers la création de fresques murales adaptées aux jeunes enfants. Ces réalisations artistiques permettront de stimuler la curiosité des enfants et de les sensibiliser à l’art dès leur première intégration dans la scolarisation, mais aussi de soutenir et d’accroître la visibilité des artistes contemporains malgaches dans de nouvelles sphères. R.Edmond. L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Fondation Axian : Cinq établissements préscolaires inaugurés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea
18/06/2021

Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 18 jolay ho avy izao ny andiany faha-20 amin’ny “Cosafa cup”, sokajy “senior” lehilahy. Fifaninanana natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hampiantrano izany ry zareo Afrikanina tatsimo ka ao amin’ny kianja Nelson Mandela Bay, ny hanaovana ireo fifaninanana. Iray vondrona amin’i Zambia tompondaka. Ekipa tsy zovina amin’ny Malagasy ry zareo Zambianina, satria efa nikatroka tamin’ny Barea, ny taona 2018. Resin-dry zareo teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny Malagasy, tamin’io ary nitana ny laharana fahefatra ny Barea. Tsiahivina fa tsy nandray anjara ny Barea de Madagascar, ny taona 2019. Niato moa ity Cosafa cup ity, tamin’ny taon-dasa, noho ny fisian’ilay valanaretina coronavirus, ary izao miverina izao indray. Ankoatra izay, mbola hiaraka amin’ny Malagasy ihany koa ry zareo Kaomorianina, izay hiatrika ny Can 2022.Tompondaka  Sokajy “A” Afrika Atsimo Lesotho Soazilandy Botsoana Sokajy “B” Zambia Malawi MadagasikaraKaomoro Sokajy “C” Senegal Zimbaboe Mozambika NamibiaL’article Kitra – “Cosafa cup 2021”: iray vondrona amin’i Zambia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika
15/06/2021

Nanao fanambarana, nitondra fanamarihana ary mandiso izay lazain’izy ireo fa “vaovao tsy marina” niely tao anaty tambajotran-tserasera, mikasika ny fahafatesan’ilay tovolahikely antsoina hoe Nasandratra Valimbavaka, teny Ivato, ny eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.Manoloana ny vaovao miparitaka ao anatin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny raharaha Nasandratra Valimbaka, nitondra fanamarihana ny Etamajaoron’ny Tafika malagasy. Nilaza izy ireo fa tsy ny miaramila no namono an’io olona io. « Nanavotra izahay fa tsy namono », hoy ny fanazavana voaray. Nambarany fa tamin’ny alahadin’ny 06 jona tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva, tratran’ny vahoaka izay nilalao baolina tao amin’ny kianjan’ny Bani ny mpangalatra bisikleta roa lahy, izay efa voadaroka. Nandray ny andraikiny ny miaramila, hoy ihany ny voalaza tao anatin’ilay fanambarana ka nanapa-kevitra ny hitondra azy roa lahy tany amin’ny « poste avancé » ny zandary. Tafatsoaka anefa ireo ankizilahy ireo noho izy tsy nisy nitazona, tsy nanenjika ihany koa ny miaramila. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva anefa, nisy nampandre ireo miaramila fa misy olona lavo eo akaikin’ny EPP BASE, tsy misy kara-panondro ihany koa. Nijery izany ny miaramila ka olona tsy nahatsiaro teno no hita teo. Voamarina tamin’izany fa iray tamin’ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka izany ka nentina teny amin’ny sampana vonjitaitra ny HJRA avy hatrany. « Ny dokotera nandray anay tao moa niteny fa tsy misy hevitra intsony ity olona ity. », hoy ny fanazavana. Ny ampitson’io, nampandrenesina ny tranga ny zandary saika nanaterina azy roa lahy. Nasaina nanatona ny HJRA ihany koa izay mitady olona tratran’ny fokonolona nangalatra. Tsy izany anefa no nanontanian’ireo fianakaviana nony tonga tany amin’ny zandary, fa hoe : “hitady olona very izahay”. Nilaza ihany koa ireo fianakaviana fa voarirarira.Fanampiana no nataon’ny miaramila…Disoin’ny miaramila tanteraka izany filazana izany. Nanazava ny Etamazaoron’ny Tafika fa niverina tany amin’ireo miaramila ireo fianakaviana ary natoro azy ireo ny dokotera nandray an’ilay ankizilahy 15 taona. Voamarina tamin’izay fa  Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka tokoa ilay maty. Nivoaka ra ny sofiny, natao ihany koa ny « autopsie » an’io tovolahy mpianatra ao amin’ny sekoly Fanovozantsoa FJKM Ivato Seranana, taona faha-9.Nanamafy ireo miaramila fa fanampiana ny mpiara-belona dia antom-pisian’ny miaramila. Nilaza izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny asa hifarimbonana amin’ny vahoaka ny toe-javatra toy izao.Tsiahivina fa vao iray volana izay, nisy tovolahikely tratran’ireo miaramilan’ny Bani ambodiomy namaky trano teny an-toerana. Naterina teny amin’ny zandary izy tamin’izany ary nilaza fa misy olona maniraka sy manome vola azy ireo. Tsy fantatra, araka izany, raha namany ihany ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo. Handrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa
15/06/2021

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka faritra Sofia, ny faran’ny herinandro teo ny jiolahy roa malaza ratsy amina raharaha fisolokiana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tonga nametraka fitoriana mahakasika fisolokiana vatosoa hosoka tao amin’ny kaomisarin’i Befandriana Avaratra. Nanao ny angom-baovao rehetra ny polisy ka fantatra tamin’izany ny mombamomba ireo olon-dratsy. Nametraka ny vela-pandrika rehetra ny polisy ka tratra ny alahady teo tao Befandriana Avaratra ireto roa lahy ireto. Nentina teny amin’ny CSP Befandriana Avaratra izy ireo nanaovana fanadihadiana. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa isaky ny tsenan’omby isan-kerinandro izy ireo no manao ny asa ratsiny ary ireo olona tonga hividy omby no tena kendren’izy ireo amin’izany. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja avy hatrany.J.CL’article Befandriana: tratra ireo jiolahy mpanao hosoka vatosoa a été récupéré chez Newsmada.

Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina
15/06/2021

Niombon-kevitra ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI (Commision de l’océan indien), anisan’izany i Madagasikara, tamin’ny fivoriana farany natao ny volana mey teo , amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Ny « Regional maritime information fusion center » no manome ny vaovao rehetra tsara ho fantatra amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Samy mahita ireo firenena mpikambana fa ianjadian’ny tsy fandriampahalemana ny fari-dranomasina aty amin’ny Nosy manodidina.Tapaka teo anivon’ny COI koa ny lamina hampiharana ny « toekarena manga », raha fintinina dia toekarena miompana amin’ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, tafiditra amin’izany ny jono, ny fizahantany, ny tontolo iainana …Takina ny fahaiza-mitantana maharitra, izay andry iray iankinan’ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ary nohatsaraina ny rafitra ao amin’ny COI, sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny maro,  indrindra ny amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Eto Madagasikara, olana mampitaraina ny mpanjono madinika maro ny fidiran’ireo sambo vahiny vaventy. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny fitondram-panjakana. R.MathieuL’article Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina a été récupéré chez Newsmada.

Voaolana sady voadaroka: mpivady naka an-keriny ankizy mianadahy
16/06/2021

Tranga mampalahelo. Ankizy mianadahy 4 sy 6 taona ny niharan’ny herisetran’ireo mpitaiza azy, andro vitsy lasa izay. Raha ny filazan’ny mpampianatra azy ireo avy ao amin’ny EPP Ambohijanaka tao anatin’ny tambajotran-tserasera, tsy tonga nianatra izy mianadahy rehefa niverina nianatra ny mpianatra ny herinandro teo. Nanontaniany, araka izany, ireo ray aman-dreny mitaiza ireo zaza ireo ka nilaza fa lasa any ambanivohitra izy dahy. “Rehefa hariva anefa, maheno ankizy mikiakiaka, mitomany ao amin’ny trano ipetrahan’ny ankizikely ny mpiara-monina”, hoy fanazavana voaray. Vokany, nanontany an-dramatoa mpampianatra ireo mponina manodidina amin’ny antony tsy ahatongavan’ireo mpianatra mamonjy sekoly. Raha ny fanazavana azony, any ambanivohitra ireo mpianany. Nandiso izany kosa ireo mpiara-monina amin’ireo ankizikely ary nilaza fa maheno feon’ankizy mitomany sy miantso vonjyVokany, niantso zandary ilay mpampianatra, nisokatra ihany koa ny fanadihadiana. Fantatra nafenin’ireo mpitaiza azy tao amina toerana maizina ao amin’ilay trano ihany ireo ankizikely, efa misy tavimandry ampiasainy ary voankazo nataony sakafony.Tsikaritra fa naratra sy mangana i Cédric raha niharan’ny herisetra ara-nofo kosa ny zokiny vavy vao 6 taona monja. Taorian’izay, nentina namonjy mpitsabo ireo ankizikely, hita fa simba tanteraka izy. Ireo nahavanon-doza kosa, voasambotra avy hatrany.Hita tamin’ny fisavana ny tranon’ireo mpitaiza azy koa ny kopian’ireo mpianadahy ary novaina ihany koa ny anaran’ireo zaza avy eny Ambohimangakely rehefa namonjy sekoly. Manao antso avo amin’ny fanampiana sy ny hijerena ny raharaha ny mpampianatra azy ireo. Henintsoa Hani L’article Voaolana sady voadaroka: mpivady naka an-keriny ankizy mianadahy a été récupéré chez Newsmada.

Akaiky fetim-pirenena: mirongatra ny tsy fandriampahelamana ao Toamasina
16/06/2021

Vatana mangatsiakana raim-pianakavina iray sahabo ho 50 taona indray hita faty tetsy amin’ny tetezana mainty Tanambao verrerie ny marain’ny alatsinainy teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy, porofon’izany ireo fanjaitra tsy latsaky ny folo tao am-bavany sy teo amin’ny lelany. “Mangana ny tendany ary loaka ihany koa ny lohany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovoao ao an-toerana. Faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana io tetezana mainty io noho izy lasa toerana fieren’ny jiolahy.  “Araka izany, tombanan’ny fokonolona eo an-toerana fa efa maty tany an-kafa ilay raim-pianakaviana ary nariana sy natsipy teo amin’io tetezana mainty io”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.Ankoatra izay, renim-pianakaviana iray mampiasa “cash point” ao Toamasina ihany koa lasibatry ny asan-jiolahy ny asabotsy teo. Nambanan’ireo jiolahy basy izy tamin’izany ka lasan’ireo olon-dratsy ny poketra nisy vola mitentina 40 tapitrisa Ar sy ny finday.  Sajo sy Henintsoa HaniL’article Akaiky fetim-pirenena: mirongatra ny tsy fandriampahelamana ao Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka
14/06/2021

Ho an’ny sehatry ny fahasalamana, nivoitra tao anatin’ny akon’ny fikaonan-doha ifotony tany Taolagnaro ho fanatanterahana ireo asa vina fampandrosoana ny faritra Androy sy Anosy fa hanangana CSB 21 sy hopitaly manara-penitra roa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voaresaka koa ny centre de réhabilitation nutritionnelle et médicale (CRNM) ao Amboasary hitiliana sy handraisana an-tanana ireo olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo voatily any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Hisy mpitsabo sy mpikarakara tsy tapaka ny toeram-pandraisana amin’ny fotoana rehetra. Ankoatra izay, momba ny fandrindram-piterahana maimaim-poana, nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis fa voapetrapetraka avokoa ireo paikady hoentin’ny minisitera hampihenana ny taham-pahaterahana any amin’ny faritra Atsimo, izay anisan’ny ambony indrindra eto Madagasikara.Hisy fampahafantarana sy fanentanana miainga avy eny ifotony mikasika ny fandrindram-piterahana ary hohamafisina ny fanentanana amin’ny haino aman-jery.Hotohizana ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo minisitera hafa amin’ny fampiharana ireo paikady ireo.Vonjy A.L’article Androy sy Anosy: hahena ny isan’ny zaza teraka a été récupéré chez Newsmada.