Raikitra ny savahao ao Midongy Atsimo: karohina fatratra i Beba dahalo raindahiny

News - Raikitra ny savahao ao Midongy Atsimo: karohina fatratra i Beba dahalo raindahiny

News - Raikitra ny savahao ao Midongy Atsimo: karohina fatratra i Beba dahalo raindahiny

Mbola mitohy ny
fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana (tafika sy zandary) any
amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo. Fantatra izao fa eo
am-pikarohana ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Beba,
tompon’antoka tamin’ilay fanafihana narahina vonoan’olona sy doro
trano tany an-toerana…

Nambaran’ny minisitry ny
Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard fa karohina fatratra
ny toerana rehetra ieren’i Beba, dahalo raindahiny ity ao amin’ny
distrikan’i Midongy. Izy avokoa no tompon’antoka sy tao
ambadik’ireny raharaha fanafihan-dahalo nahery vaika tao amin’ny
kaominina Benonoky Midongy Atsimo, araka ny fanazavan’ity
manamboninahitra ity hatrany. Olona miisa 11 (miaramila roa lahy sy
olon-tsotra sivy) no indray lavon’ireo malaso nandritra ity
fanafihana mahery vaika. Taorian’ity fanafihana ity, nahetsika
avokoa ny mpitandro filaminanan rehetra miampy ireo miaramila
voaofana manokana hifanehitra amin’ny asan-dahalo, niampy ireo
helikoptera roa. Nisy ny fifandonana nahery vaika tany anaty ala
teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo dahalo, araka ny tatitra
nampitain’ny depioten’i Midongy Atsimo, i Tovondray Brillant De
L’Or.

Mitohy, araka izany, ny fikarohana
ity lehiben’ny dahalo ity, indrindra ny toerana mety ahitana azy sy
ireo mpiara-dia aminy. Anjatony ireo omby efa tafaverina taorian’ny
fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana. Araka ny fanazavan’ny
minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) hatrany, dahalo 11 no
tratran’ny Tafika tao Vohimary fokontany Fandana Mahalava niaraka
tamin’ny fitaovam-piadiana. Saika hihazo an’i Vondrozo ireto
andian-dahalo ireto no nifanehitra tampoka tamin’ny Tafika.

Nohamafisin’ny MDN hatrany fa tsy
andeferana ny asan-dahalo, indrindra fa ireo dahalo mpampihorohoro
izay fahavalom-pirenena. Misy lalàna eto Madagasikara fa tsy azo
atao izany, araka ny fanazavany.

Jean Claude

Article tiré de Newsmada

L’article Raikitra ny savahao ao Midongy Atsimo: karohina fatratra i Beba dahalo raindahiny a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 04/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

Famonoana zazavavy :: Lehilahy karohina hatrany ambanivohitr’i Marovoay

Tonga hatrany ambanivohitr’i Marovoay ny mpitandro filaminana manao ny fitadiavana an’ilay lehilahy voarohirohy ho namono zazavavikely, fito taona, tany Mahajanga. Tsy mbola tratra io lehilahy io, hatramin’ny omaly tolakandro. Efa niatrika famotorana kosa ny vadiny. “Misy fianakavian’ilay lehilahy any Marovoay ka izany no antony nidinana tany an-toerana. Ny vadiny kosa milaza fa tsy nahita azy niverina tao an-trano intsony, taorian’ny fahafatesan’ i Adriana. Milaza ho tsy mahafantatra ny antony mety ho nahatonga ny famonoana an’ilay zaza ihany koa io vadiny io ”, hoy ny mpitandro filaminana manao ny fikarohana. Roa amby efapolo taona, ity lehilahy voatondro ho namono ankizivavy, fito taona, ity izay sady mpiara-monina tamin’ilay zaza niharam-boina ihany. Izy no niantefan’ny ahiahy voalohany noho izy voalaza fa nitondra an’ i Adriana, mialoha ny nahitana ny razana. Manampy ny fiampangana ihany koa ny tsy fahitana azy teo an-tanàna, taorian’ ny loza. L’article Famonoana zazavavy :: Lehilahy karohina hatrany ambanivohitr’i Marovoay est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nampiasa seky tsy misy anto-bola: namoahan’ny polisy didy fikarohana i Hanitriniaina Nirina Lalao

Namoaka filazana tamin’ny alalan’ny didy fikarohana ny teo anivon’ny polisy ekonomika tamin’ny alalan’ny Service central des affaires réservées près direction de la police économique Anosy (DPE) ny vehivavy iray. Toy izao ny mombamomba azy. Anarana : Hanitriniaina Nirina Lalao Marie Chandrine, teraka tamin’ny 10 aogositra 1997 tao Tanambe Amparafaravola, zana-dRandrianiaina Johnny Walker sy Rasolomalala Nirina Lalao. Tompon’ny kara-panondro laharana : 401 012 059 439 natao tamin’ny 29 aogositra 2016 tao Mahajanga. Toeram-ponenana nahitana azy teny Namontana. Antony hikarohan’ny polisy azy ny fanaovana seky tsy misy anto-bola. Nilaza ny polisy ekonomika ho an’izay mahita sy/na mahafantatra ity vehivavy ity mba hiantso ny laharana telefaonina finday 034 43 986 45 / 034 99 855 18 / 034 18 629 06.J.C L’article Nampiasa seky tsy misy anto-bola: namoahan’ny polisy didy fikarohana i Hanitriniaina Nirina Lalao a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Vary mora

Mitohy ny fitsinjarana ny vary mora.Anjaran’ny eto Antananarivo renivohitra indray no hisitraka azy. Teny 67Ha, Ankasina, Ambala­vao, Andavamamba, Anatihazo, Antetezana Afovoany, Andrano­mana­lina Isotry, Ambohipotsy hatrany Mandrangobato no nizarana vary, omaly. Hitohy ny alarobia ho avy izany ho an’ny eny Andohantapenaka, Analakely, Tsarafaritra Tsimialonjafy. Kara-pokontany ihany no entina. L’article Vary mora est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty

Olona efatra indray maty! Io ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andranomisa Anjozorobe, afakomaly. Kamiaobe iray nitondra vary milanja vary 8 taonina no nivadika noho ny olana teknika, araka ny fanazavana voaray.Hiakatra aty an-dRenivohitra ity kamiaobe nitondra vary ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Olona telo naratra mafy ankoatra ireo maty ka nentina haingana namonjy hopitaly.Fa nisy olona telo koa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN 2 tao amin’ny kaominina Beforona, distrikan’i Moramanga, afakomaly alina. Fiara taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy i Fenoarivo Atsinanana ny tra-doza tampoka. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Fenoarivo Atsinanana ity fiara ity. Raha ny angom-baovao, niala fiarabe teo alohany ny mpamily ka tsy tafaverina intsony ny familiana ary nivarina tany anaty hantsana ny fiara. Vokany, maty tsy tra-drano ny olona telo tamin’ireo mpandeha. Nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitalin’i Moramanga kosa ireo naratra. Anisan’ny mampitaraina ireo mpitatitra mampiasa iny RN 2 ny fisian’ireo kamiaobe mandeha mafy amin’iny lalana iny nefa tery ny lalana. Milaza ny mpamilin’ireny kamiaobe ireny fa noho ny henjikenjika amin’ny famoahan’entana eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny mahatonga azy ireo mandeha mafy satria misy ora tsy maintsy enjehina. Nambaran’ny mpamily iray mpanao zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy i Toamasina fa antony iray miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny RN 2 koa ny fahasimban’ny lalana, indrindra ny fisian’ireo lavadavaka ilàna fanamboarana.Jean Claude sy SajoL’article Anjozorobe: kamiaobe nitondra vary nivadika, olona efatra indray maty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C.

Noraisin’ny Praiminisitra  Ntsay Christian  teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, omaly  ny  ambasadaoro frantsay, niasa sy nonina teto Madagasikara, Veronique Vouland- Aneini. Voaresaka  ny fiaraha-miasan’ny firenena roa  tonta sy  ny ezaka nataon’ny lehiben’ny governemanta.Narahabain’ny ambasadaoro ny praiminisitra tamin’ny andraikitra sy ny adidy lehibe notazoniny ary niantsorohany, tamin’ny taona 2018, tamin’ireny fotoan’ny krizy politika  teto amin’ny firenena  ireny. « Fotoana nilana fandraisana fanapahan-kevitra hentitra  ireny ka nahafahan’ny firenena niatrika izany fotoan-tsarotra izany ny fepetra noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian »,  hoy  izy  tamin’izao fihaonana izao. Fotoana  koa io nametrahany  veloma ny lehiben’ny governemanta noho ny fahataperan’ny fe-potoana niasany teto amintsika.Nambaran’ity masoivoho ity ihany koa fa maro ny tranga, nanamarika azy nandritra ny efatra taona niasany teto Madagasikara. Anisan’izany ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay, noraisina teto Antananarivo, nampiseho taratra ny fahombiazan’ny diplaomasia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa tamin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina samihafa… »,  hoy ihany izy.Nanafatrafatra ny ambasadaoro Veronique Vouland- AneiniTsiahivina fa anisan’ny lahateny nambaran’ity masoivoho Frantsay  ity, farany teo, tamin’ny  fanamarihana ny fetim-pireneny, ny 14 jolay teo teny Ivandry ny resaka politika. « Teo  ny fihetsika matotra nasehon’ny mpanao  politika  niray hina tao anatin’ny  fotoana manokana tamin’ny fianianan’ny filoha Rajoelina, ny 19 janoary  teo. Teo koa ny fihaonan’ny filoha roa tonta :  Emmanuel Macron sy Rajoelina  Andry, ny  volana mey teo tany Frantsa », hoy izy tamin’izany ». Natsidiny sahady koa fa hatsangana ny komity iraisana hitady vahaolana amin’ny ireo resaka mampifanolana… Anisan’ny nangatahan’ny ambasadaoro ary hafatra napetrany  ny tokony hiarovana ny olona sy ny fananany, manoloana ny  asan-jiolahy.  Ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Ny hifehezana ny mpitandro filaminana manaraka ny fitsipi-pitondran-tena.Synèse R.  L’article Lapan’i Mahazoarivo: noderain’ny ambasadaoro frantsay ny Praiminisitra Ntsay C. a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahampian-drano: hihena hatrany amin’ny 70 % ny voka-bary

Tsy ampy ny rotsak’orana amin’ity taona ity  hampiova zavatra maro eo amin’ny fambolena. Misy mpandraharaha na fikambanana sasany, miomana amin’izay tsy fahampian’ny orana izay, ka efa mitady fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka mpamatsy vola. Tsy hita ny tetibola atokan’ny fanjakana hiatrehana izayy tsy fahampian’ny orana izay.Fantatra izao eo amin’ny fambolem-bary fa mety hihena hatrany amin’ny 70 % ny voka-bary any amin’ireo lazaina sompitr’i Madagasikara hatramin’izay. Tsy ho ampy ny vokatra amin’ny taona ho avy, ary tsy maintsy hiakatra ny vidim-bary, na ireo hafarana avy any ivelany raha tsy misy ny fandraisan’ny fanjakana anjara (subvention). Miantefa amin’ny fambolena hafa, toy ny legioma, sy amin’ny  fiompiana koa izao tsy fahampian-drano izao.Haharitra ny roa na telo taona ny fiantraikan’ny tsy fahampian-drano amin’izao fotoana amin’ny toekarena sy ny fahasalamana, koa tokony haroso ho laharam- pahamehana amin’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2021 ny hiatrehana izany. R.Mathieu L’article Tsy fahampian-drano: hihena hatrany amin’ny 70 % ny voka-bary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Literatiora malagasy: “Kolontsaina iray makadiry… ny soratra”, hoy i Hajaina

Andrianasolo Hajaina Naomy, poety, mpanoratra, mpikabary, mpanatontosa sy mpilalao tantara fihaino, mpamoron-kira. Avy amin’ny traikefa matanjaka ananany eo amin’ny tontolon’ny soratra no nilazany fa: “ny soratra no anton’ny fandaminam-piainana rehetra. Ny lalàmpanorenan’ny firenena iray, tsy maintsy voasoratra”. Efa niorim-paka roanjato taona eto Madagasikara ny soratra. Noho izany, efa tafiditra anatin’ny kolontsaina malagasy, raha ny fanazavany hatrany. “Fampitan-kafatra haingana sy mora voarain’ny vahoaka ny soratra, raha tsy hiteny afa-tsy ny hita maso. Ohatra, miainga eo Ambohijatovo ka hatrany amin’ny Gara Soarano, ahitana soratra ampolony maro ny havia sy ny havanan’ny lalana. Ny mahavariana kely fotsiny, ny 90%-n’ireny, tsy teny malagasy”, hoy i Hajaina.“Na izany aza, manantombo sady mitoetra kokoa raha voakaly ho haisoratra ny soratra. Izany no mbola tsy maha lefy laza ny haisoratr’ireo mpanoratra kalaza taloha ary mampitombo hery ireo mpanoratra kalaza ankehitriny. Asa soratra anabeazana ny zanaka malagasy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao. Midika izany fa kolontsaina iray makadiry tsy lefin’ny vanim-potoana ary aina tsy azo ialana iveloman’ny fiarahamonina ny soratra”, hoy hatrany i Hajaina.Fantatra fa  filohan’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy “Havàtsa-Upem” Andrianasolo Hajaina. Mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademiam-pirenena malagasy, manomana “thèse de doctorat” momba ny literatiora, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, sokajim-pampianarana “études malagasy”.Narilala L’article Literatiora malagasy: “Kolontsaina iray makadiry… ny soratra”, hoy i Hajaina a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Buzz du week-end : La chanson « Aza Maignatra » suscite la polémique

Aza Maignatra, une chanson qui fait parler d’elle. (extrait du clip) Durant le week-end, les avis sur le réseau social Facebook émergeaient de partout à la vue du clip vidéo de la chanson « Aza Maignatra » de la chanteuse Tsarahita, publié le 26 janvier 2021. L’objet du débat : la question de l’homosexualité abordée dans la chanson. Les paroles sont plus ou moins explicites, expliquant qu’il n’y a rien de honteux à être homosexuel et que chacun mène sa vie comme bon lui semble. Ce qui n’a pas manqué d’interpeller l’opinion publique. Les avis étaient partagés et les débats ressemblaient à des échanges entre puritains et libertins. « Les chanteurs actuels n’ont plus rien de valeureux. Ils pervertissent la jeunesse », pouvait-on lire de ceux qui s’opposent à la diffusion de la chanson. Quant à ceux qui prônent la liberté de l’orientation sexuelle, on lisait des arguments comme quoi « il n’est pas interdit de sortir du cadre stéréotypé de la société ». Et dans ce brouhaha, c’est chacun sa conviction et ses principes, les protagonistes ne s’accordant aucun crédit, virant parfois aux insultes verbales. Ceci dit, le buzz est fait, et la chanson a été vue plus de 9 000 fois en seulement quelques jours. De quoi se faire un nom rapidement dans la sphère musicale locale pour la chanteuse Tsarahita, même si on peut penser que ce n’est pas voulu. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Buzz du week-end : La chanson « Aza Maignatra » suscite la polémique est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Buzz du week-end : La chanson « Aza Maignatra » suscite la polémique a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Manetsika tambavy amin’izao…        

Karazan’aretina mahazo ny zaza heverina ho avy amin’ny reniny ny hoe tambavy, nefa ilazana koa ny fanafody avy amin’ny fitanehena raokandro ho fanasitranana izany. Taty aoriana, fanefitra na fanasitranana aretina hafa ny tambavy; eny, fanatanjahana aza. Ny hoe manetsika tambavy na mampiakatra tambavy, tsy inona fa ny fihetsehan’ny hery ao anatin’ny tena vokatry ny fisotroana tambavy.Matetika, ny fahatezerana noho ny atao na ny vavan’ny hafa no manetsika sy mampiakatra tambavy. Amin’izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus izao, misy tokoa ny manetsika na mampiakatra tambavy tsy amin’ny antony? Manetsika sy mampiakatra aretina izany noho ny tsy fanarahana sy tsy firaharahana ireo fepetra fitandroana fahasalamana: fiarovan-tena, fiarovana ny hafa.Izay koa no manetsika sy mampiakatra ny tambavin’ny hafa, mahatonga fahatezerana sy fahasorenana. Manetsika ny hery ao anaty izany, te hitroatra amin’izao ady lehibe iombonana amin’ny fahavalo hoe tsy hita maso izao: ny afitsoky ny otrikaretina efa tsy fidiny, manampy trotraka ny tsy firaharahan’ny hafa. Nefa ny tsy fitandremana kely ataon’ny vitsy no mety hampidi-doza lehibe ho an’ny maro.Inona no (h)atao amin’izay hoe manetsika tambavy, ny aretina sy ny hery ao anaty noho ny fahatezerana, izay? Mba tena azo antoka ny fandresena sy famongorana tanteraka ny otrikaretina Conoravirus; raha tsy izany, ho afa-manohitra izany ahay ny tsirairay. Tsy inona fa ny manetsika tambavy koa? Na ny fisotroana mangidy izay vokatry ny raokandro malagasy, fanefitra sy fanasitranana ny aretina.Tompon’andraikitra feno sy tanteraka amin’izay lazainy sy ataony ny tsirairay? Misotro mangidy isa-maraina etsy sy eroa aza, ataon’ny sasany. Vao mainka fa izay efa vita sedra sy nanaovana fanandramana… Ny tsirairay ihany no erany. Na izany aza, aza manetsika tambavy tsy amin’ny antony. Na manetsika aretina io, na izay mahatezitra ny hafa, na misotro mangidy tsy araka ny tokony ho izy…Rafaly Nd. L’article Manetsika tambavy amin’izao…         a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Baolina kitra – « CAN 2021 » :: Mety ho azon’ny mpijery hatrehana ny lalaon’ny Barea sy Côte d’Ivoire

Any amin’ny kianjan’i Barikadimy, Toamasina, no hanatanterahana ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, amin’ny volana novambra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Mety ho fihaonana azon’ny mpijery hatrehina mivantana ity lalao miverin’ny firenena roa tonta, izay tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2021” ity, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny FMF. « Azo antenaina ny hisian’ny mpijery amin’io lalao io satria efa mizotra tsikelikely any amin’ny fahafahana manatanteraka lalao ara-panatanjahantena isika, raha ny kabarin’ny Filohan’ny Repoblika. Na izany aza, tsy maintsy ferana ny isan’ny mpijery mba ho fanajàna ny elanelana iray metatra, miaraka amin’ny fampiasana ny tsiranoka mamono tsimok’aretina, araka ny takian’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF) », hoy Andrianony Victorien, filoha vonjimaikan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Efa eo am-pandinihana ny fahafahana manokatra ny kianja ho an’ny mpijery ny Federasiona, amin’izao fotoana izao. Daty efatra no vinavinaina: 14, 15, 16 ary 17 novambra 2020. Miankina amin’ny famandrihana sidina hiverenan’ny Barean’i Madagasikara no andro hanatontosana an’izany lalao miverina izany. L’article Baolina kitra – « CAN 2021 » :: Mety ho azon’ny mpijery hatrehana ny lalaon’ny Barea sy Côte d’Ivoire est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

Emploi et services Un Contrôleur de gestion
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans la relation clientèle et BPO à Madagascar, recherche activement un (01) contrôleur de gestion :   Vous aurez pour mission :Votre Profil :Vos avantages :Merci d’adresser votre candidature composée de votre CV et d’une lettre de motivation à l’adresse recrutement@eufonie.frSeules les candidatures présélectionnées feront l’objet d’un entretienCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Un Contrôleur de gestion".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services Travail sur internet
18/06/2021

 Completer des sondages et gagner de l'argent.Des sondages seront à votre disposition journalièrement.ceci ne prend que quelque minute.Ceci est pour vousWallet payeerhttps://tapinbox.com/?rf=160801   Regarder des publicites et gagner de l'argenthttps://clicknox.com/?ref=373978Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail sur internet".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Travaille en ligne
18/06/2021

Quelle est l'essence de l'œuvre ? Nous proposons aux utilisateurs de visionner des vidéos promotionnelles prépayées de divers annonceurs mondiaux et d'obtenir de l'argent pour cela. Parmi nos annonceurs figurent les plus grands producteurs d'appareils électroménagers, les principaux détaillants et les meilleurs blogueurs vidéo. Notre système accepte uniquement les vidéos à haut rendement et de haute qualité sélectionnées et testées par nos experts. Combien puis-je gagner ? À l'heure actuelle, le coût d'une minute de vidéo promotionnelle est de 50 centimes. C'est simple : pour 1 heure de travail, vous pouvez gagner 30,00 dollars. Si vous travaillez au moins 3 heures par jour, votre revenu quotidien sera de 90,00 $, et dans un mois, il sera de 2700 dollars. Selon les résultats des enquêtes menées, le site txovideo.xyz est actuellement le système leader parmi les autres systèmes de visionnage de vidéos payantes. Vous pouvez le constater par vous-même - voir  les paiements en ligne Comment puis-je retirer de l'argent? À la demande de l'utilisateur, l'argent est retiré du système dans un délai d'une heure pendant les heures de travail ou dans un délai de 3 à 4 heures en dehors des heures de travail (y compris les jours fériés et les week-ends). Nous proposons un choix de plusieurs systèmes de paiement, à l'aide desquels vous pouvez retirer l'argent gagné. Pour le moment, le retrait est possible sur les cartes bancaires de toutes les banques étrangères, les comptes bancaires, les portefeuilles Bitcoin et PayPal (via le système de paiement Western Union)Plus d'informations et inscrivez vous à partir de ce lien  https://txovideo.xyz/969907918013662Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travaille en ligne".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services Asa en ligne
14/06/2021

Asa en ligne mety ho an'ny rehetra,  afaka atao na tsisy investissemenr aza satria omwna bonus 10$ ianao hampiakatra nybalsnce_nao, nefa raha te hahazo vokatrhttps://fastscash.online/?ref=25212 raha te hahazo vokatra haingana dia afaka manao investissemebt 0,5$minimum. Manaova inscription eto https://fastscash.online/?ref=25212  fa omena fanazavana ianao. Ny sakana ho anao dia ny tsy fanombohana azy. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Asa en ligne".

Notsongaina

Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra
17/06/2021

Maro ny tetikasan’ny Jirama amin’ny lafiny herinaratra sy ny rano. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa, sady hanarenana rahateo ny toe-bolan’ny orinasa.Manana adidy lehibe amin’ny fampahafantarana ny tena zava-misy ny mpanjifa ny fikambanana miaro ny zony. Nihaona amin’ny tompon’andraikitry ny Jirama ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, miisa efatra (Fimpa, VOMZM, MCI, Scae-PC) ny 14 jona teo. Naharitra adiny efatra ny fihaonana, niresahana lafin-javatra maro, nanomezan’ny tale jeneraly, Andriamanga Vonjy, fanazavana avokoa. Anisan’izany ireo tetikasan’ny Jirama rehetra, toy ny fanarenana ny fantson-drano, ny « fampidiran-jiro mora », ny fanarenana sy ny fampitaovana ny tobim-pamokaran’ny Jirama manerana ny faritra, sns. Nohazavaina koa ny fanavaozana ny sandan-jiro vaovao, ny toe-bolan’ny orinasa. Nifarimbona namaly ny fanontaniana ny filohan’ny fikankevim-pitantanana (PCA) ny Jirama sy ny tale jeneraly (DG).Ho vita tsy ho ela ny Mandroseza IINosinganin’ny DG Andriamanga Vonjy manokana fa ho vita tsy ho ela ny foibe mpamokatra rano Mandroseza II. Afaka mitahiry rano 43 000 m3 isan’andro ity toby vaovao ity, ahitana fitaovana fanadiovan-drano. Eo koa ny fanavaozana ireo fantson-drano ampolony kilometatra, hamaha olana betsaka amin’ny famatsian-drano eto Antananarivo. « Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity toby ity, ampiasana ny teknolojia avo lenta”, hoy ihany izy.Nanazava tamin’ny antsipiriany mikasika ny fanavaozana ny vidin-jiro ny PCA, Andriamanampisoa Solo. Ao anatin’ny ezaka hanarenana ny toe-bolan’ny Jirama izany. Nampahafantariny koa ny fanamby manaraka ho an’ny orinasa.Nisy ny fifanarahana niombonana natao sonia, teo amin’ny Jirama sy ireo fikambanan’ny mpanjifa, miisa efatra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Jirama: nampahafantarina ny fikambanan’ny mpanjifa ny tetikasa rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina
15/06/2021

Niombon-kevitra ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI (Commision de l’océan indien), anisan’izany i Madagasikara, tamin’ny fivoriana farany natao ny volana mey teo , amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Ny « Regional maritime information fusion center » no manome ny vaovao rehetra tsara ho fantatra amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Samy mahita ireo firenena mpikambana fa ianjadian’ny tsy fandriampahalemana ny fari-dranomasina aty amin’ny Nosy manodidina.Tapaka teo anivon’ny COI koa ny lamina hampiharana ny « toekarena manga », raha fintinina dia toekarena miompana amin’ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, tafiditra amin’izany ny jono, ny fizahantany, ny tontolo iainana …Takina ny fahaiza-mitantana maharitra, izay andry iray iankinan’ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ary nohatsaraina ny rafitra ao amin’ny COI, sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny maro,  indrindra ny amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina. Eto Madagasikara, olana mampitaraina ny mpanjono madinika maro ny fidiran’ireo sambo vahiny vaventy. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny fitondram-panjakana. R.MathieuL’article Fivorian’ny COI: fiarovana ny fari-dranomasina a été récupéré chez Newsmada.

Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra
17/06/2021

Tsy milamina ny tontolon’ny fampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana tato anatin’ny andro maromaro. Vatsim-pianarana tsy voaloa ny fototry ny olana sy ny fitakiana miafara amin’ny fifanandrinana amin’ny mpitandro filaminana.Taorian’ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato-Fianarantsoa, omaly maraina, noho ny fitakiana vatsim-pianarana dimy volana, mpianatra roa, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Degs, sy ny filoha leftra, no voasambotra tao anatin’ny hetsika. Niraisan’ny lalam-piofanana rehetra ny fitakiana ka niato ny fampianarana ho an’ny mpianatra sasany fa nitohy kosa ny fanantanterahana ny fanadinana ho an’ireo miatrika izany, toy ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo. Nanapa-kevitra hampiato ny fanadinana manomboka anio ny tomponandraikitra noho ny toe-draharaha misy eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa.Nisy nanimba ny fitaovana tao amin’ny CTCNanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina omaly no nandoro kodiarana nanoloana ny « barrière » eo amin’ny fiadidiana ny oniversiten’i Fianarantsoa ny mpianatra nanao fitakiana ny vatsim-pianarana. Nitaona mpianatra namana hafa teny anivon’ny toeram-pianarana ny mpitarika nanatevina ny hetsika ary nanao sakana teny amin’ny tetezana Antanifotsy sy nandoro kodiarana indray, araka ny fanazavan’ny mpanao gazety nanatri-maso ny zava-nisy tany an-toerana. Raikitra teo ny fifanjevoana ary nisy ny fandefasana grenady lakrimozena nandravana ny fitokonona. Rehefa voasambotra ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, nihemotra ny mpitokona ka noravana ny hetsika. Ny tapak’andro hariva, nitohy tamin’ny fanimbana fitaovana tao anatin’ny CTC eo anivon’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo ny hetsika. “Tsy fantatra mazava aloha hatramin’izao ireo nitarika ny fanimbana fa raikitra ny savorovoro”, hoy ny loharanom-baovao. Efa navotsotry ny mpitandro filaminana, omaly hariva, ihany ireo mpianatra roa voasambotra ny maraina.Minisiteran’ny Fampianarana ambonyEo am-pikarakarana ny vatsim-pianarana volana fahafitoManoloana ny hetsika mafampana fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversite tany Mahajanga sy tany Toliara ary tany Fianarantsoa, nanao fanambarana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Assoumacou Elia, omaly. Efa nisy ny fivoriana niarahana amin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Toekarena ary ny minisitry ny Fampianarana ambony nijerena manokana ity raharaha ity, ny talata hariva lasa teo.Voalazany fa eo am-panatanterahana ny famoahana hatramin’ny volana fahafito ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite manerana ny Nosy ny fitondram-panjakana. Ireo tara tsy mbola nandray ny volana voalohany noho ny fihibohana, handray izany miaraka amin’ny fampitaovana. Hampifanarahina amin’ny famitana ny taom-pianarana kosa ny fandoavana ny volana fahavalo sy fahasivy. Manentana ny mpianatra ho tony ny minisitra mpiahy satria handray avokoa ny vatsim-pianarana feno izay voakasik’izany. Momba ny karaman’ny mpandraharaha eny anivon’ny oniversite, efa manao ny ezaka ny fanjakana handefa ny karama mialoha ny fetim-pirenena.Vonjy A.L’article Hetsiky ny mpianatra any Andrainjato Fianarantsoa: navotsotra ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra roa voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Barea : Les petits devant…
14/06/2021

Les « petits » Barea, avec de gauche à droite, El Hadari, Tsiry et Doddy qui ont fait sensation à Ambohidratrimo. Le match test des Barea de samedi, au stade Odeam Rakoto à Ambohidratrimo, a mis en lumière le talent des joueurs locaux de petite taille. Une issue qu’apprécie, à juste titre, le coach Éric Rabesandratana et qui devrait lui faire changer d’avis à l’avenir. Notamment sur ses premières impressions mettant en doute la capacité des locaux à assimiler les dispositions technico-tactiques. Le football malgache est en train de revivre la belle époque des frères Rabemananjara, Kiki et Alban, mais aussi Mick Andrianasy, Roland Kely Rakotondrasoa et tous ceux qui sont petits par la taille mais grands par le talent. N’Golo Tsiry. Il fallait être à Ambohidratrimo pour voir Tsiry de l’Ajesaia donner le tournis à tous ses adversaires. Son jeu ressemble étrangement à celui de N’Golo Kanté tant par ses charges que ses passes lumineuses. El Hadari, son coéquipier, est aussi crédité d’une prestation remarquable même si ses lumineuses passes ont été, par deux fois, gâchées par Voavy Paulin. Au rang des petits qui ont brillé, samedi, on citera aussi Doddy et Tsito de JET Kintana. Petit par l’âge mais grand par la taille et le talent, Mathyas Randriamamy a aussi montré qu’on pouvait maintenant lui faire confiance. Son arrêt déterminant sur le penalty de Hakim Abdallah en était la parfaite illustration, le Parisien est prêt pour la bataille. Mais il n’était pas le seul car le gardien de l’Adema, Nina a aussi montré un visage séduisant. Vévé pas à sa place. La petite déception des stars des premiers jours vient en l’occurrence de deux joueurs du Five FC. Si Bancé, replacé sur le flanc droit, n’a pas réussi à sortir du lot, Vévé, pourtant comparé par Eric Rabesandratana au Parisien Moïse Kean, est placé bien trop bas pour recouvrer son potentiel offensif. Quant à Fabrice, il s’est montré exact au rendez-vous avec ce missile des 25m sur lequel Melvin Adrien n’a pu rien faire rappelant un des quatre buts encaissés par ce portier à Bahir Dar. Les cadres ont aussi confirmé leur statut à l’image de Morel, Mombris, Berajo et dans un degré moindre Théodin. Mais replacé sur le flanc droit de la défense, ce dernier s’est montré moins tranchant. Dimitri Caloin a toutefois retrouvé le moral en réintégrant la charnière centrale. La seule reproche qu’on pouvait lui faire, c’est de ne pas avoir suivi Hakim lors du penalty. Dax pour sa part, n’a jamais su retrouver son niveau quand il était au Fosa. Mais pour sa défense, il peut toutefois invoquer cette place inhabituelle sur le flanc au milieu du terrain. On citera également les absents dont Anicet resté sur les bancs en invoquant le fait qu’il ne supportait pas un entraînement intensif de plusieurs jours sur une pelouse synthétique. Quant à Carolus, il est occupé à retrouver ses bagages perdus lors du transit à Paris. Mais l’erreur venait de lui-même car il ne les a pas enregistrés directement sur Tana alors que sans visa, il n’avait pas le droit de sortir à Paris. On aurait pourtant aimé le voir, lui et Anicet, lors de ce match test de 3x30mn combien édifiant. Clément RABARY  L’article Barea : Les petits devant… est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Barea : Les petits devant… a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA
19/06/2021

Ilaina ny fananana antontanisa, ahafahana miatrika ny fampandrosoana. Anisan’ iza­ny ny eo anivon’ny CUA. Voadinika tamin’ny fivoriambe momba ny fanamby sy ny fahafaha-manao amin’ny antontanisam-panjakana eny ifotony ny amin’ny tokony ho fandraisana andraikitra bebe kokoa. Ni­fanakalo hevitra tamin’izany tetsy Analakely ny avy amin’ny masoivohon’i Sosia, amin’ny alalalan’ilay antsoina hoe «Road to Bern» . Niarahana amin’ny ONU ny fandinihana sy ny fijerena ny fomba fiasa manoloana ny eo anivon’ny firenena sy ny faritra ary indrindra ho an’ny eto amin’ny kaominina Antananarivo Reni­vo­hitra. Manana ny antontan-ke­vitra sy ny antontanisa ny CUA. Tsy ampy anefa izany fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny Instat. Efa maha matihanina izy ireo. Tsy mbola misy ny fifanatonana sady tsy mbola mazava tsara ny fankatoavana ny antontanisa eo an-tananan’ny CUA. Nambaran’ny talen’ny fampiroboroboana ny haitao ara-nomerika eo anivon’ny kaominina, Ranaivo Mihaja fa efa niezaka namoaka ny antontanisa eo an-tanany izy ireo, efa herintaona izao. Anisan’izany ny fitantanana ny tsena, Taxi, Par­king… «Miezaka hatrany izahay mba hanana antontanisa mitombina sy marina. Efa misy ny fomba fiasa vaovao ary efa an-dalana ny hanatsarana hatrany ny asa», hoy izy.Synèse R.L’article Fitantanana sy fomba fiasa vaovao: Hanatsara ny antontanisa ny Instat sy ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
18/06/2021

 Voasambotry ny polisy, ny alarobia teo ilay teratany vahiny 41 taona mpanao trafikana rongony. Tratra teny Analamahitsy izy ary mbola nahatrarana rongony milanja 450g. Fantatra ihany koa fa efa tapitra efa ela ny fe-potoanan’ny taratasy ahafahany mijanona eto Madagasikara, hoy ny polisy. Nambarany fa sady mivarotra no mifoka rongony io lehilahy io. Mifoka izany indroa isan-kerinandro izy ary ireo olona fantany sy mifandray aminy eny Analamahitsy sy Ambatobe no manjifa izany amin’ny vidiny 40.000Ar ny grama.Tra-tehaky ny polisy tetsy anoloan’ny HJRA, omaly maraina, ny lehilahy iray voalaza fa mpamaky fiara. Lasibatrany tamin’izany ny fiarana mpitsabo ao amin’ny HJRA ka lasany  ny « auto-radio » tao anatiny. Tsikaritry ny tompon’ny fiara ny asa ratsin’io lehilahy io ka niantso polisy avy hatrany izy. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana ka mbola tratra teny aminy avokoa ireo fitaovana efa namboariny manokana hanokafany fiara. Natao fanadihadiana ralehilahy ary efa naverina tamin’ny tompony ny entana nangalariny. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa fampandrosoana: natsangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora
15/06/2021

Nanangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora (CCJ) ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra natokana ho an’ny vondrona tanora (avy amin’ny ONG na klioba) vonona hiroso amin’ny fampandrosoana amin’ny endriny samihafa. Sehatra iray ahafahan’ny tanora mifanakalo traikefa sy hevitra ka hametraka tetikasa fampandrosoana iombonana ny CCJ. Azo ampiharana ny politikan’ny tanora misy eo an-toerana koa ao anatiny. Hiompana amin’ny lohahevitra maromaro ny asa fampandrosoana: ny fahasalamana, ireo endrika herisietra miseho amin’ny mahalahy na mahavavy, ny teknolojia sy fampandrosoana… Afaka miditra ho mpikambana amin’ny famenoana ny taratasy natokana ho amin’izany ireo tanora liana rehetra. https//forms.gle/SEK9MajeKHePMebr6 ny adiresy tsidihina.L’article Tetikasa fampandrosoana: natsangana ny filankevitra kaominalin’ny tanora a été récupéré chez Newsmada.

Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha
16/06/2021

Manoloana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa efa mananika ny 90% etsy Mahamasina, tonga nitsidika voalohany ny kianjany ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry omaly…Tonga nijery voalohany ny fotodrafitrasa vaovao manara-penitra nampanantenain’ny fitondram-panjakana ny mpilalaon’ny Barea niaraka amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Afa-po tanteraka ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy raha ny nambaran’izy ireo nandritra ny fitsidihana ny toerana rehetra mandrafitra ny kianja. Anisan’ny resy lahatra amin’ny hakanton’ny kianja ny kapiteny Abel Anicet. « Tena mahafinaritra tanteraka ny fahavitany», hoy izy. Na mbola misy 10%-n’ny fanamboarana aza tsy vita, hita ho misongadina ny zava-bita na amin’ny endrika anatiny na ivelany. Tsy vitan’izay, matihanina tanteraka ny teknolojika mandrafitra azy noho ny fisian’ny « caméra de suirveillance » miisa 178 ao anatiny. Entina hanaraha-maso ny zava-mitranga rehetra sy ny olona mifamezivezy ao amin’ny faritry ny kianja avokoa ireo fitaovana ireo. Eo ihany koa ny fahitalavitra goavana roa mirefy 20 m ny halavany ary mahatratra 10 m ny haavony. Hahazaka mpijery miisa 44 266 ny kianja. Nanararaotra kosa, ny filoha Rajoelina nilaza tamin’ny Barea fa matoky azy ireo hitondra avo indray an’i Madagasikara. « Matoky aho fa hahavita zavatra goavana indray ny Barea, indrindra ny ahafahantsika Malagasy hiatrika ny fiadiana tompondaka eran-tany voalohany eo amin’ny tantara toy ny tamin’ny “Can 2019”», hoy ny filoha. Marihina fa ny faran’ny volana novambra ho avy izao no ho vita tanteraka ity fotodrafitrasa ity.Tsiferana R.L’article Mahamasina: nitsidika voalohany ny kianjan’ny Barea ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

Il est où le courage politique, il est là …
14/06/2021

Si l’on faisait  le  parallèle entre les actualités politiques françaises et malgaches, on ne manquerait pas de noter comme similitudes,  la simultanéité de deux crises actuellement. En France, les mouvements sociaux font  tanguer le navire Macron. Que les cheminots mènent une grève  contre le changement de leur statut; que les  étudiants bloquent leurs universités  ou   que le mal-être frétille dans d’autres secteurs   créant une onde de chocs d’ampleur à ne pas négliger… Le président français assume la responsabilité  des objets de mécontentement (quitte à recevoir des soufflets !). Il ne dit pas qu’il n’en a cure  mais va devant armé seulement  de ses pourquoi  et de ses comment, parce qu’ils font partie du programme sur lequel il a été élu. Exemple de ce qu’on peut appeler  « courage politique ». Pendant ce temps à Madagascar, on observe une fièvre  de fin du premier  mandat du pouvoir  en exercice, la classe politique est en ébullition, la situation est explosive et le spectre d’une enième crise politique est menaçant. Le  tenant du pouvoir persiste dans un « J’y suis, j’y reste !»  Au risque de paraître dédaigneux. Pourtant, « Généralement, dans le gouvernement démocratique, le courage est une vertu qui ne peut se dissocier de la responsabilité, principe moral émergent de notre temps. Puisque la responsabilité consiste à répondre de ses actes ou décisions, et de leurs conséquences devant ceux qui sont concernés par ces actes ou décisions, elle constitue bien une épreuve dont la pratique enveloppe l’idée de courage » écrivait le philosophe Alain Etchegoyen, dans une éditoriale du Figaro. Quand les banderoles  bordent un trajet prévu et qu’on les évite, c’est  l’absence de courage. En  ce moment, le courage politique serait de dire «  j’ai le courage de dire que ce vote a été une erreur ou  j’ai le courage de dire qu’on est allé trop loin ».Car  le courage politique lui-même oscille dit-on,  entre la résolution et la témérité, le cran et l’entêtement, la fermeté et la crânerie. Le courage, dans sa définition immédiate… est toujours valorisé. Il est toujours perçu comme un compliment, suscite l’admiration, transforme le pouvoir en autorité. Déjà, De gaulle disait : «les hommes intelligents sont rarement courageux, les hommes courageux sont rarement intelligents». A méditer ! M.Ranarivao L’article Il est où le courage politique, il est là … est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Il est où le courage politique, il est là … a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Hydroélectricité : Mise en œuvre opérationnelle de la centrale de Volobe reportée à 2025
15/06/2021

Les représentants de la CGHV, reçus par le vice-président du Sénat, Imbiki Herilaza, pour discuter du projet de développement de la centrale hydroélectrique à Volobe. L’Etat s’engage davantage à un partenariat gagnant-gagnant, pour le développement des sources d’énergies renouvelables, selon le vice-président du Sénat, Imbiky Herilaza. Cependant, pour le projet Volobe, un retard est enregistré au niveau des procédures. 7 800 MWh d’hydroélectricité. C’est le potentiel dont dispose Madagascar et sur lequel, l’Etat veut miser pour résoudre les problèmes d’accès à l’électricité. En effet, ce ne sont pas les opportunités qui manquent, compte tenu des 2 800 heures d’ensoleillement par an, traduisant une production possible de 1 500 KWh d’énergie solaire par mètre carré ; ou encore les 2 000 MW de potentiel en énergie éolienne dans le nord et dans le sud du pays. Parmi les projets ambitieux de production d’électricité figure le développement de l’aménagement hydroélectrique de Volobe, qui fait partie des projets prioritaires présidentiels d’envergure pour la transition du pays vers une énergie renouvelable et modulable. « Avec sa capacité de production de 750 GWh/an, environ 40 % de la production annuelle nationale, elle permettra l’accès à une électricité compétitive, fiable et en quantité, à près de deux millions de Malgaches. Par conséquent, ce projet soutiendra et deviendra le moteur de la croissance économique de l’île et en premier lieu du premier port de Madagascar, à Toamasina », ont communiqué les représentants du CGHV, dans le cadre d’une visite de courtoisie, auprès d’Imbiki Herilaza, vice-président du Sénat pour les provinces du nord de Madagascar, le vendredi 11 juin dernier. Retard. A noter que CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe) est un consortium d’entreprises actionnaires – composé de Jovena Madagascar, du groupe Axian SN Power, Africa 50 et Colas Madagascar – créée pour le développement du projet de Volobe. Selon ses représentants, les projets de l’accord de concession et du PPA sont prêts depuis 2020 mais la pandémie de Covid-19 a ralenti le processus de prise de décision. De ce fait, la mise en service opérationnelle de la centrale, prévue initialement en 2023, est désormais reportée à 2025. Comme motif, la CGHV a cité le faible progrès dans le processus pour la signature du Contrat de Concession et du Contrat d’Achat d’Électricité. Lors de la rencontre, le vice-président du Sénat a noté qu’il est convaincu par les valeurs ajoutées socio- économiques du projet, tout en soulignant l’importance d’un partenariat basé sur les intérêts mutuels de toutes les parties prenantes. « Pour assurer la viabilité d’un projet inclusif comme Volobe en amont, le respect de cet équilibre est crucial », a-t-il soutenu. Certes, promouvoir la transition énergétique répondant aux besoins de notre pays reste l’un des défis de l’Etat, en partenariat avec les parties prenantes. Selon la CGHV, la concrétisation du projet Volobe permettra à Madagascar de rentrer pleinement au cœur de la transition énergétique et s’appuie sur une ingénierie de pointe permettant d’atteindre un coût du kilowattheure compétitif et durable à Madagascar. Antsa R. L’article Hydroélectricité : Mise en œuvre opérationnelle de la centrale de Volobe reportée à 2025 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Hydroélectricité : Mise en œuvre opérationnelle de la centrale de Volobe reportée à 2025 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Calypshow : Denise en terre conquise
17/06/2021

Pour sa reprise, Calypshow ouvrira ses portes aux fans de Denise. La diva retrouvera donc ses inconditionnels à Toamasina le 25 juin. La veille de la fête nationale sera sous le signe de l’afro pop de la Makua. Un moment convivial avec la Ladysoul et ses complices de scène, le temps d’un showcase,  tout en célébrant les 61 ans d’indépendance de la Grande Île. Au menu, les meilleurs tubes de la belle, et bien évidemment les morceaux de son album « Tsara joro » qui est sur toutes les lèvres des noctambules. Iss Heridiny L’article Calypshow : Denise en terre conquise est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Calypshow : Denise en terre conquise a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nécrologie du 15 juin 2021
15/06/2021

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 15 juin 2021 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 15 juin 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.