Praiminisitra Ntsay Christian: “Manana finiavana isika hanova ny tantaran’ny firenena”

News - Praiminisitra Ntsay Christian: “Manana finiavana isika hanova ny tantaran’ny firenena”

News - Praiminisitra Ntsay Christian: “Manana finiavana isika hanova ny tantaran’ny firenena”

Anisan’ny nambaran’ny
Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny tatitry ny asa vitan’ny
governemanta, nanoloana ireo depiote tamin’ny alalan’ny
“visioconference”, omaly ny tetikasa nataon’ny fitondrana. Na izany
aza, nisehoana olana ihany izany.

Navoitrany tamin’izany fa tokony ho
hitan’ireo depiote any amin’ny toerana nahavoafidy azy ireo izany
tetikasa izany. Hitan’ny vahoaka koa. Niaiky anefa ny tenany fa
misy ny lesoka. “Azontsika atao ny mandrefy ny ezaka hitondrana
vahaolana, hanarenana ny vokatry ny fahatarana maro teto amin’ny
firenena. Manana finiavana isika hanova ny tantaran’ity firenena
iombonana ity”, hoy izy.

25 tapitrisa Ar isaky ny
kaominina

Notanisainy tamin’izany ny asa vita
ho an’ny fitsinjaram-pahefana ny fanampiana ara-bola, 210 tapitrisa
Ar isan-taona ho fampandehan-draharaha eny anivon’ny faritra.
 Hisitraka famatsiam-bola (CIAD), 250 tapitrisa Ar ny distrika
raha 500 tapitrisa Ar isan-taona kosa izany ho an’ireo manana
depiote roa. Nomena fanampiana ho fampandehanan-draharaha, 25
tapitrisa Ar avy ireo kaominina raha 15 tapitrisa Ar izany teo
aloha. Mbola hisy koa ny tetibola fanampiny ho an’ireo kaominina
manana mponina mihoatra ny 5 000.  Tohizana ny
famatsiam-bola hanatanterahana fotodrafitrasa, tohanan’ny banky
iraisam-pirenena ho an’ny kaominina, mitentina 30 tapitrisa Ar.
 Tahaka izany koa ny fandoavana ny latsakemboky ny CNaPS tsy
voaloa eny amin’ny kaominina. “Manamaivana ny vesatra ho an’ny
tetibolan’ny kaominina ny fandoavan’ny fanjakana ireny latsakemboka
tsy voaloa ireny ary ahafahan’ny mpiasan’ny kaominina misitraka ny
zony”, hoy izy.

Fanakianana
voka-pifidianana

Ankoatra izany, namaly ny
fanakianan’ny depiote momba ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna
farany teo ny praiminisitra. Nambarany fa hohatsaraina izany mba
hipetrahan’ny fifampitokisana ary hanao ezaka ny fitsarana. Na
izany aza, nohitsiny fa tsy azo ekena ny voka-pifidinanana
mifamadika. Ohatra, lasa voafidy tampoka ny kandidà iray mahazo
vato 500 raha 5 000 ny vato azon’ny kandidà iray hafa.

Tsiahivina fa niompana amin’ny
teboka maromaro ny lahatenin’ny praiminisitra. Anisan’izany ny ady
amin’ny covid-19, ny fitantanana, ny filaminana sy
fandriampahalemana. Eo koa ny toekarena sy ny fotodrafitrasa ary ny
sosialy.

Synèse R.

Article tiré de Newsmada

L’article Praiminisitra Ntsay Christian: “Manana finiavana isika hanova ny tantaran’ny firenena” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany

Nampahafantarina, omaly, ny dingana vita momba ny fanamboaran-dalana « rocade Atsinanana sy Avaratra Atsinanana » mampifandray ny RN2, RN3, sy ny afovoan-tanàna. « Lavitrezaka ny famolavolana io tetikasa io, 10 taona any ho any, vao hanomboka ny asa fanatanterahana azy. Koa ela loatra raha hiandrasana 10 taona avokoa ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana, ka tokony hojerena izay hanafainganana azy », hoy ny minisitry ny Asa vaventy, fanajariana ny tany sy trano fonenanana, Andrianainarivelo Hajo.Iaraha-mahita sy miaina ny eto an-dRenivohitra noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana, mampikatso ny toekarena, hatrany amin’ny fahasalamana, misy fiantraikany. Izay nampiteraka izao tetikasa izao mampifandray ireo lalam-pirenena ireo, misy zotra efatra (roa ankilany avy). 35 % ankehitriny ny fandrosoan’ny asa, heverina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2021, raha natomboka tamin’ny mey 2018.Matoa tonga amin’izao dingana izao anefa, isaorana lehibe ny fokonolona voakasika tamin’izany, nanaiky ny hanaovana ny asa, nefa mbola tsy naharay onitra tamin’izay fananany  noravana, trano na tany … Mikasika indrindra momba izay onitra izay ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny fanjakana sy ny fokonolona voakasika amin’ity tetikasa ity. Anjaran’ny fanjakana rahateo ny miantoka ny onitra, nanokanana tetibola 20 miliara Ar. Efa navoaka ny 55 % amin’izany vola izany, ka ny ampahany be indrindra nomena ireo rava trano, very asa fivelomana.Mbola betsaka ny tsy nahazo onitraAnjatony maro ireo antontan-taratasy mandalo ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany sy fanasintahana. Mbola betsaka ny tsy nahazo onitra. Nisy fotoana, 2017 -2018, natsahatra izay fandoavana onitra izay, niverenana nanaovana fanadihadiana izay vola tena  onerana. Tsy ilaozan’ny kolikoly sy fanaovana taratasy hosoka io fangatahana onitra io ; ao ny manitatra ny velaran-taniny ; ary misy aza tsy manana fa mamorona, iraisana tsikombakomba amina tompon’andraikitra sasany. Nandritra io fotoana io koa, nandraisana ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana momba ireo olana mbola tsy voavaha : rano tsy tafavoaka, lalan’ny mpandeha tongotra tapaka, faritra, sns. R.MathieuHalavan’ny lalana : 8,250 kmZotra : 4 ( 2 ankilany avy)Tetezana : 2Fiandrasana taxibe : 20Fotodrafitrasa ho an’ny fokonolona : 33Tetibidin’ny asa : 60 tapitrisa eurosMpamatsy vola : AFD, UE, BEI, Fanjakana malagasy L’article Lalana «rocade» – RN 2, RN 3: 35 % izao ny fandrosoan’ny asa, vita ny dingana voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vinany: tratra ireo jiolahy mpangalatra moto

Voasambotry ny polisy ireo jiolahy tompon’antoka tamina halatra moto teny amin’ny sampanana Vinany Ambohijanamasoandro Itaosy. Nametraka fitoriana teny amin’ny CSP Itaosy ny tompon’ilay moto very, ny oktobra 2018 lasa teo. Ny 30 novambra 2018 lasa teo, hita tany Ambaniala Itaosy ilay moto very ka nampilaza haingana tamin’ny polisy ny tompony. Noraisim-potsiny ny jiolahy taorian’ny fidinana tampoka nataon’ny polisy. Tadidin’ilay mpitory izy roa lahy ireto raha vao hitany satria izy ireo no nisandoka azy tamin’ny fotoana nahavery ilay moto. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo. Ny 5 desambra 2018, nahazo antso avy amin’ny andrimasom-pokonolona teny Ambohijafy Ampasika Itaosy ny polisy ka tamin’izany no nahafantarana fa misy olona telo mampiahiahy nitondra sakaosy. Rehefa nosavaina izy telo lahy ireto dia nisy fanalahidy maroanaka sy baraminina ary entana fampiasa an-dakozia tany amin’izy ireo. Nentina natao famotorana izy ireo ka niaiky ny heloka vitany ary nilaza fa avy namaky trano. J.C     L’article Vinany: tratra ireo jiolahy mpangalatra moto a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Lakolosy hiaraha-midinika

Miarahaba antsika mpamaky. Tsara raha resahina eto anio, ny momba ny « Comité local de développement » (Cld) , izay famatsiam-bola isaky ny distrika, mitentina hatrany amin’ny 250 hatramin’ny 300 tapitrisa ariary, isan-taona. Ny depiote no miahy sy manara-maso ireo tetikasam-pampandrosoana amin’io tetibola io. Misy amin’ izy ireo anefa no mivaona, ka manararaotra, manodinkodina izany. Lasa izy ireo indray tompon’ny tetikasa sy manapa-kevitra amin’ny fandaniana nefa tsy mandeha araka ny tokony ho izy akory izany. Io no mampihazakazaka ireo depiote teo aloha hirotsaka indray satria mihevitra izy ireo fa amin’ny alalan’io vola io no hamerenany izay lany amin’ny fampielezan- kevitra, amin’izao fotoana. Misy ireo fikambanana mitaky ny fanovàna famindra amin’ny fitantanana ny volan’ny Cld io. Tsy tokony hataon’ olom-bitsy ampihimamba intsony ny famatsiam- bolan’ny fampandrosoana eny ifotony amin’ny alalan’ny Cld. Tsy hiteraka vokatra hisitrahan’ny vahoaka eny ifotony ny fomba fitantana mifono fanodinkodinana ny Cld amin’izao fotoana izao. Tokony ho ireo olom-boafidy eny anivon’ny vondrom- bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no hitantana io vola io manomboka izao satria izy ireny no tena mahalala ny laharam- pahamehana amin’ny asa fampandrosoana eny ifotony. Fanaovana zinona ny fahefan’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna eny ifotony, ary ireo lehiben’ny fokontany, ny tsy fanomezana azy ireo fahefana feno hanapaka sy hitantana ny Cld satria mbola tsy hita taratra hatramin’izao ny tena vokatr’izany. Albain Rabemananjara L’article Lakolosy hiaraha-midinika est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM

Niompana tamin’ny fandokoana  ny vavahady sy ny fanadiovana ary ny  fambolena voninkazo  eo amin’ny  CSB II Ampahimanga Ambohimanambola  ny hetsika « Asa Tagnamaro » nataon’ny Vehivavy malagasy miara-miainga (VMMM), ny faran’ny herinandro teo. Efa notanterahin’ny tanora – TMMM  ny fanavaozana ny lokon’ny tobim-pahasalamana. Ankoatra izany, asa sosialy efa fanao isan-taona rehefa ririnina ny famoran-jaza. Anisan’ny nisitraka izany hatrany ny eo  anivon’ny distrikan’Avaradrano. Notanterahina ny herinandro  lasa teo ny anjaran’ny kaominina Ambohimanambola.Nanolotra lamba ho an’ny fandriana fiterahana tao amin’ny CSBII Ambohimanambola ny  VMMM. Ankoatra  izany, nahazo rompatsa avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko  Malagasy miara-miainga ireo reny mpiteraka miisa roa  tao amin’ity  CSB II eny an-toerana ity.Synèse R. L’article Fiainan’antoko: mitohy ny hetsiky ny VMMM a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

HCDDED – Fandraisana fanapahan-kevitra: « Aoka hahay haka leson’ny tantara ny mpitondra… »

Tsy nitsitsy fitenenana manoloana ireo fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra. “Tokony hahay haka lesona amin’ny lasa sy ny tantara ny mpitondra”, hoy ny filohan’ny HCDDED, i Navony Pierre Lenoble, afakomaly tetsy Soanierana. Notsiahiviny tamin’izany fa ratsy fiafara ny Repoblika II noho ny tsy fisian’ny demokrasia. Tahaka izany koa ny mpitondra nampitsahatra fandaharana tao amin’ny RDB sy ny RTA na koa ny fanakatonana ny Viva, tamin’ny fotoan’androny. “Tsy tsara ny tahaka izany. Ilaina hatrany ny fifanatonana sy fifampiresahana”, hoy izy. Na izany aza, nisaorany ireo minisitera dimy, niverina tamin’ny fanapahan-keviny momba ny nampitsaharana ireo fandaharana amin’ny haino aman-jery maromaro ny herinandro teo. “Tsy mahamenatra izany amin’ny tany demokratika mba tsy ho tonga amin’ny korontana ny firenena ary tsy hitera-doza. Fahendrena izany ka tokony hotohizana”, hoy ihany izy. Voahosihosy ny fomba amam-panao…Nohitsiny fa tsy maintsy misy gazety sy fahafahana miteny izany demokrasia izany.Tsy nijanona teo ny fanehoan-keviny fa eo koa ny momba ny ambarany fa tsy fanajana ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy. “Tsy fombantsika izany mihady fasana izany sahady raha mbola marary ny olona… Mirary ny hahafatesany isika ka tsy mety izany”, hoy izy; manoloana ny nanorenana fasana anjatony eny Anosiala, Ambohidratrimo.Ankoatra izany, mbola nohamafisiny hatrany fa tsy miandany amin’ny mpanohitra nefa koa tsy manara-dia ny fitondrana ny eo anivon’ny HCDDED. “Miteny hatrany izahay rehefa misy ny tsy mety”, hoy izy.Synèse R.L’article HCDDED – Fandraisana fanapahan-kevitra: « Aoka hahay haka leson’ny tantara ny mpitondra… » a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Marc Ravalomanana : « J’ai encore une mission pour le pays »

Marc Ravalomanana a du mal à réfréner ses ambitions. « J’ai encore une mission pour le pays », a-t-il déclaré, samedi dernier. Contrairement à ce que d’autres croient, l’ancien président ne compte pas encore jeter l’éponge, ni quitter l’arène politique. Après cette déclaration, le nuage qui planait sur sa présence lors de la prochaine élection présidentielle commence alors à se dissiper peu à peu. Même si l’échéance est encore lointaine, le camp de Marc Ravalomanana et ceux de ses partisans de l’opposition veulent déjà affirmer leur présence sur terrain. L’ancien président multiplie les sorties politiques en faisant, ces dernières semaines, le tour de certains marchés communaux. Samedi dernier, l’ancien président était au marché communal de Sabotsy Namehana, dans le district d’Avaradrano, avant de se rendre sur le site historique du Rova d’Ambohimanga. Il prend ainsi le relais des périples initiés par les parlementaires des partis Tiako i Madagasikara et Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Rija R. L’article Marc Ravalomanana : « J’ai encore une mission pour le pays » est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Marc Ravalomanana : « J’ai encore une mission pour le pays » a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Delire Madagascar

MIAHY JOVENA : Nanombohana ny fampiasana ny « clinique mobile » tao amin’ny Akany Iarivo Mivoy

Fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Vehivavy 10 isan’andro no maty am-piterahana, ny telo amin’ireo dia tanora 15 ka hatramin’ny 19 taona, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny UNFPA raha ny taona 2018 no resahana. Ao anatin’ny fiarahamiasa nosoniavin’ny Fondation Axian sy ny UNFPA ny fandefasana “clinique mobile” amin’ireo toerana tena mila izany. Ny Fisa Madagasikara no miandraikitra ny tolotra momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny firaisana ara-nofo. Ny Akany Iarivo Mivoy, mandray ireo tsy manan-kialofana eny Anosizato no misitraka izany voalohany. Ho fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana, amin’ny alalan’ny fanamorana ny fikarakarana tsara kalitao sy maimaim-poana ny lafin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana no tanjon’ity fiarahamiasa ity”, hoy Rajemison Dina, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Axian. Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny herinandron’ny fampiasana fanabeazana aizana, hetsika voalohany nataon’ny roa tonta ny fanomezana tolotra momba ny fanabeazana aizana ho an’ireo mipetraka ao amin’ny Akany Iarivo Mivoy. Lehilahy, vehivavy, tanora maherin’ny 100 no nentanina momba ny vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana ireo karazana fanabeazana aizana. Nahazo vaovao momba ny fahasalamana ara-panahanana ihany koa izy ireo izay anisany zo fototra. Nirina R. Cet article MIAHY JOVENA : Nanombohana ny fampiasana ny « clinique mobile » tao amin’ny Akany Iarivo Mivoy est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article MIAHY JOVENA : Nanombohana ny fampiasana ny « clinique mobile » tao amin’ny Akany Iarivo Mivoy a été récupéré chez Délire Madagascar.

News - News Mada

 ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos

Naverin’ny Britanika amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao ireo nosy kely Chagos, misy ny tobim-pamaharan’ny tafika britanika sy amerikanina ao Diego Garcia. Nanao izay fomba rehetra ny hijerena ity raharaha ity ny Maorisianina tany amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ), ka nankatoavina teo anivon’ity Fitsarana ity izany, ny volana febroary 2019. Telo volana taorian’izay, nangatahan’ny Firenena mikambana (ONU) ry zareo Britanika hampitsahatra faran’izay haingana ny fitantanana ny nosy Chagos.Nambaran’ny CIJ fa tsy ara-dalàna ny fihazonan’ny Britanika ireo Nosy Chagos tamin’ny 1965 eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena, nefa nomena fahaleovantena ny Nosy Maorisy tompony tamin’ny 1968. Fandresena ho an’ny diplomasia maorisianina izao fanapahan-kevitra izao. Ny 15 jolay teo, narahin’ny vahoaka maorisianina tamin’ny haino aman-jery rehetra ny fanamafisana ny fanambarana nataon’ny CIJ.Nankatoavin’ny solombavambahoaka maorisinina rehetra ny fandraisana ireo Nosy manodidina ireo, ary nisy solontenan’ny vahoaka avy any Chagos nanatrika ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena tany an-toerana. Hanana solombavambahoaka i Chagos amin’ny taom-piasan’ny Antenimiera maorisianina manaraka.Fitambaran’ny Nosy kely maromaro i Chagos, 56,13 km2.  Misy azy, 1 174 km atsimon’i Malé, 1 832  km atsinanan’i Victoria, any Seychelles. Anisan’ny lehibe : Diego Garcia, Nosy Salomons, Peros Banhos, Great Chagos, Nosy Egmont… R.MathieuL’article  ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

COVID-19 ANTONTAN’ISA 31 MAY 2021

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19 ANTONTAN’ISA 31 MAY 2021 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.COVID-19 ANTONTAN’ISA 31 MAY 2021 Isan’ny nanaovana fitiliana: 202 Tranga vaovao: 24 17 Analamanga 4 Matsiatra Ambony 3 Amoron’i Mania Sitrana: 122 Tranga misy fahasarotana: 142 Namoy ny ainy: 02 02 Analamanga   L’article COVID-19 ANTONTAN’ISA 31 MAY 2021 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

HCDDED: “Inona ny hetahetam-bahoaka ?”

“Vita iny ny fifidianana solombavambahoaka. Na ambany aza ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, isaorana avokoa ireo nandray anjara tamin’iny. Tsy nisy ny korontana sy ny tabataba. Miandrandra zava-baovao hatrany ny vahoaka amin’ny fifidianana.”Io ny fanambaran’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), tarihin’ny filohany, i Pierre Lenoble Navony, afakomaly.Ny vahaolana amin’izay fiandrandran’ny vahoaka zava-baovao hatrany izay amin’ny fifidianana, tokony hampiseho hetahetam-bahoaka ny fitondrana amin’izao fotoana izao: inona ny hetahetam-bahoaka? Ny fandriampahalemana; ny fandrosoana toekarena; ny filaminana amin’ny ankapobeny toy ny filaminana amin’ny sakafo, amin’ny asa sy ny toeram-piasana; ary ny fanarahan-dalàna.“Izay ny andrasan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Voahaja sy atao ve izay?”, hoy izy.  Tsy misy fanilikilihana ny Malagasy rehetra amin’izany.R.Nd.L’article HCDDED: “Inona ny hetahetam-bahoaka ?” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Mégane Scénic
15/06/2021

A vendre RENAULT MEGANE SCENICVitre Electrique, Verrouillage Centralisé, direction assistée, AIRBAGS, Très Bonne Etat, SANS DEVOIR, Année de mise en circulation 2001, bôite de vitesse manuel, diesel, faible consommation, puissant, 5 places, 5 portes, radio d'origine, intérieur très bonne état. Prix: 11 200 000 ar à debattreContact: 033 37 574 65Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mégane Scénic".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
18/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
16/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre Vend CF Moto 150NK
18/06/2021

🚦CF Moto 150nk 🏍 - 6 vitesses - Kilométrage 15xxx km - 2 modes de conduites : Sportive 🚀/ Economique⛽️ - Peinture carbone personnalisée  - Rétroviseur kit Rizoma - Anti crache et cache réservoir installé  - Immatriculé WWTMoto très bien entretenue, rien à prévoir, très faible consommation.Prix: 8.000.000Ar légèrement à débattre Contact: 0327850398 📞 ToamasinaCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Vend CF Moto 150NK".

A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état
14/06/2021

Un fauteuil dentaire complet en parfait état  constitué d’un fauteuil inclinable, d’un bras articulés, d’un compresseur, d'un ensemble d’ instrumentation dentaire, d’une soufflette à air/eau, d’un crachoir, d’un système d’aspiration, d’un scialytique, et d’un siège à roulettes pour le praticien, stérilisateur pour les outils à main, ...Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A vendre Fauteuil dentaire complet en bonne état".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services PDF à propos de ADWORD
14/06/2021

Vous vous demandez peut-être comment les grandes entreprises utilise la technologie pour promouvoir ses produits.Ne vous inquiétez voici-ci quelques notion qui pourrait vous aider.Dans ce pdf de Content Marketing 101https://bit.ly/3cqJQLY AdWords Annihilationhttps://bit.ly/3zavLMDCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PDF à propos de ADWORD".

A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES
16/06/2021

A VENDRE : CHEVROLET SPARK (DAEWOO MATIZ 4), FAIBLE KILOMETRAGE, ANNEE 2012, TRES BONNE OCCASION DE COREE, IMMATRICULATION ETRANGERE, ARRIVEE RECEMMENT A MADAGASCAR (4 semaines), boite de vitesses AUTOMATIQUE, moteur ESSENCE 3 S- TEC II 16V, TOUTES OPTIONS :-Direction assistée-Freinage ABS-Rétroviseurs électriques  - Intérieur cuir, confort et propre-Tableau de bord multifonctions-AIRBAGS-4 Vitres électriques-Sièges chauffantes-Verrouillage centralisée avec commande à distance-Climatisation bien frais-Radio d’origine CHEVROLET avec BLUETOOTH/USB/MP3/CD-4 Jantes alu d’origine-Barre de toit VOITURE TRES CONFORTABLE, TRES SILENCIEUSE ET ULTRA- ECONOMIQUEETAT IMPECCABLE PETITE CITADINE, AGREABLE A CONDUIRE, IDEALE POUR FEMME PRIX : 21M8AR (109.000.000 FMG) LEGEREMENT DISCUTABLE CONTACT DIRECT : 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso fa tsy mi- connecte matetika , MERCI!)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE : CHEVROLET SPARK ( DAEWOO MATIZ 4),ANNEE 2012, BVA,BONNE OCCASION DE COREE,MOTEUR ESSENCE 3 CYLINDRES,5 PLACES".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090
20/06/2021

Antminer Bitmain S19J Pro, SHA-256 with Hashrate, 100.00TH/sAntminer Bitmain S19J, SHA-256 with Hashrate, 90.00TH/sAntminer Bitmain S19 Pro, SHA-256 with Hashrate, 110.00TH/sAntminer Bitmain S19, SHA-256, with Hashrate, 95,00TH/sAntminer Bitmain T17+ SHA-256, with Hashrate, 58.00TH/sAntminer Bitmain T17, SHA-256, with Hashrate, 40TH/sGeForce RTX 3080 / 3070/3090 GTX 2080 Ti, 1080 Ti, 1070 Ti, 2080, 1080, 1070, 1060 Ti, 1060, 2080 Ti, RTX 2070 , RX 5700 XT. NVIDIA GeForce RTX 3060 Ti NVIDIA GeForce RTX 3080  NVIDIA GeForce RTX 3090All Sealed In Original Box With Warranty Full Accessories With Discount.REQUIRED FOR YOUR ORDER AS QUICK AS POSSIBLE .... Urgent Response Whatsapp : +17076412645 E-mail : ms7088344@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Selling New Antminer Bitmain S19, Nvidia GeForce RTX 3090".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Notsongaina

Herimanana Razafimahefa : Descente à Nosy-Be
15/06/2021

Le président du Sénat Herimanana Razafimahefa a rendu visite aux personnes âgées de l’Île de Nosy-Be. Le président du Sénat, Herimanana Razafimahefa, a procédé à une descente, avant-hier et hier à Nosy-Be. Dans la matinée du dimanche 13 juin, il a rencontré un groupe constitué de 110 personnes âgées, issues du village d’Ampangoriana de l’île Komba, à Nosy-Be. En outre, le président du Sénat a déjeuné avec eux et leur a offert du riz, de l’huile alimentaire et des vêtements chauds. Il n’a également pas manqué de doter le personnel médical de ladite localité, de gels désinfectants. L’après-midi, toujours à Ampangoriana, il a assisté à une campagne de vaccination dans le cadre du « Covishied 1ère vague». 70 personnes en ont été les bénéficiaires; la campagne durera jusqu’au 17 juin prochain, date de péremption du vaccin. Le lendemain, il a offert 10 brouettes et des désinfectants aux habitants d’Ampangoriana, qui ont immédiatement procédé au nettoyage du village. Le Président a mis, à cette occasion, la main à la pâte. Notons que lors de cette visite, le Numéro Un du Palais de verre a été assisté par la députée élue à Nosy-be, Marifidy Christine Razafindravony, du gouverneur de la région Diana, Daodo Arona Marisiky et du Préfet de l’Île aux parfums, Lucien Mananjara. Recueillis par Dominique R. L’article Herimanana Razafimahefa : Descente à Nosy-Be est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Herimanana Razafimahefa : Descente à Nosy-Be a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Karohina fatratra ilay mpamily: mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara
14/06/2021

Nandriaka indray ny ra teny Andraharo, ny alin’ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Tra-doza tamin’izany ny lehilahy iray 35 taona nitondra moto. Voadonan’ny fiara iray teny an-toerana izy ka maty teo no ho eo, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka tsy naharo an’ilay lehilahy tra-doza intsony ny aroloha nanaovany. Vokany, vaky tanteraka ny lohany ary maty tsy tra-drano izy. Ilay fiara nahavanon-doza kosa nitsoaka avy hatrany vao nahita an’ilay mpitondra moto nianjera sy naratra mafy. Taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-misy. Nisokatra ihany koa ny fanadihadiana. Miparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa ny laharan’ilay fiara nahavanon-doza ary karohina hatramin’izao. Ny vata-mangatsiak’ilay mpitondra moto kosa nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Efa fantatra ny mombamomba azy ary efa nijery izany teny an-toerana ny fianakaviany. Henintsoa HaniL’article Karohina fatratra ilay mpamily: mpitondra moto maty voafaokan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy
15/06/2021

Manan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Mitohy hatrany ny famoahan’ny mpikarakara ny “Tiona Bagasy”. Hiompana amina mpanakanto iray izy amin’ity boky vaovao ity.Asa goavana no vita! Tontosa soa aman-tsara ka hivoaka ny 26 jona izao ilay boky sy CD (mirakitra ireo feonkira) nampitondraina ny lohateny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy. Araka io lohateniny io, natokana ho an’ireo hira nokaloin’i Henri Ratsimbazafy izy ity, ka hira sy tonony mahatratra 26 no voasoratra amina solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky roa sy voarakitra ao anatin’ilay kapila mangirana (CD) miaraka aminy ny feony. Amin’ny fiteny malagasy sy anglisy ary frantsay ny boky Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy, na ny “TBG HR”. Nanao ny solfa sy sorapeo : i Mbosa Rabenasolo sy i Olivier Ramorasata ary i Naina Andrianarivony.Ireto avy ireo hira vita solfa sy sorapeo ao anatin’ny boky voalohany: “Bobongolo ilay fitia”, “Dans ma case en falafa” (Ao an-trano falafa), “Fitiavan’ankizy”, “Fony aho”, “Hodian-tsy hita ve”, “Ianao”, “Ilay sarinao”, “Indro tazako”, “Tiana”,“Kalon’ny any Tyrol”, “Kanefa…”, “Iarivo », « Kidaombaramita », « La chercheuse d’eau » (Ilay mpantsaka), « Lasa izahay ».Ny ao anatin’ny boky faharoa kosa : “Mamy indray ny miaina”, “Manimanina”, “Ny fitiavana ihany”, “Ny itiavako anao re ry Mama”, “Ny lambanao mikopakopaka”, “Prends ma main”, “Raozy maina”, “Ry Voahirana ô”, “Satria tia ahy ianao”, “Talaky mandeha”, “Ton lamba blanc”, “Vao teny antsasa-dàlany”, “Veloma… doria”.Nanao ny sasinteny i Benjamina Emadisson, nanoratra ny “préface & forewords” i Beby Randretsa-Rabenasolo. Teny fanolorana notontosain’i Mbosa Rabenasolo.HaRy RazafindrakotoL’article Solfa sy sorapeo: hivoaka ny Tiona Bagasy Henri Ratsimbazafy a été récupéré chez Newsmada.

Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions
16/06/2021

Après une saison presque blanche, la Fédération malgache de football (FMF) a décidé de reprendre à nouveau les compétitions nationales. Les programmes de la Telma Coupe et la THB Ligue des Champions édition 2021 sont désormais connus. Ça y est ! La Fédération malgache de football a publié le calendrier de la Coupe et du Championnat national. Madagascar n’avait ni champion ni vainqueur puisque la compétition n’était pas arrivée à son terme en raison de contraintes de temps. Espérons que ce ne sera plus la même situation cette année. Pour la Telma Coupe de Madagascar, la compétition  débutera le 27 juin prochain et s’étalera pendant deux mois notamment jusqu’au 22 août. La date des inscriptions a été clôturée hier. Selon les explications, environ 70 clubs participeront au premier tour des phases préliminaires. Le second tour est programmé les 3 et 4 juillet. A l’issue de ces journées, 32 équipes s’affronteront pour les seizièmes de finale les 17 et 18 juillet, avec les équipes de la Pro League qui intègreront la course à partir de cette étape.  Les huitièmes de finale se joueront le week-end du 24 et 25 juillet, tandis que les quarts sont prévus s’étaler le 1er août. Les demi-finales se dérouleront une semaine avant la grande finale du 22 août. Quant à la THB Ligue des champions, l’édition 2021 commencera le 09 juillet 2021. « Le système reste le même que les précédentes éditions. Les champions de chaque ligue représenteront leur ligue respective. On tirera au sort, parmi les 22 ligues, les 2 clubs qui ramèneront le nombre à 24 participants », peut-on lire du communiqué de la FMF. Le droit d’engagement est fixé à 500.000Ar. Les inscriptions des clubs et des joueurs s’effectuent sur le site sigi.fmf.mg. Seuls les clubs et les joueurs enregistrés sont autorisés à y participer. Concernant la licence des joueurs, la FMF a adopté une politique d’enregistrement des acteurs de football dans le système SIGI depuis l’année 2020. « Nous sollicitons toutes les ligues de football à y inscrire leurs clubs, ainsi que leurs joueurs en vue de bénéficier de la nouvelle licence électronique. Après inscription des clubs, les ligues peuvent faire la demande de licence directement auprès de la FMF. Tous les engagements aux compétitions de la fédération seront désormais traités par le même système», indique le communiqué. Sur la mutation des joueurs, l’instance nationale a expliqué que « les mutations au niveau des ligues affiliées à la FMF s’effectueront du 1er au 30 Septembre 2021. Toutefois, suite au retard pour des raisons indépendantes de notre volonté, une période de mutation exceptionnelle est autorisée du 16 au 23 juin 2021 ». Manjato Razafy L’article Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Football : Début de la Telma Coupe et la THB Ligue des champions a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika
15/06/2021

Nanao fanambarana, nitondra fanamarihana ary mandiso izay lazain’izy ireo fa “vaovao tsy marina” niely tao anaty tambajotran-tserasera, mikasika ny fahafatesan’ilay tovolahikely antsoina hoe Nasandratra Valimbavaka, teny Ivato, ny eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.Manoloana ny vaovao miparitaka ao anatin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny raharaha Nasandratra Valimbaka, nitondra fanamarihana ny Etamajaoron’ny Tafika malagasy. Nilaza izy ireo fa tsy ny miaramila no namono an’io olona io. « Nanavotra izahay fa tsy namono », hoy ny fanazavana voaray. Nambarany fa tamin’ny alahadin’ny 06 jona tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva, tratran’ny vahoaka izay nilalao baolina tao amin’ny kianjan’ny Bani ny mpangalatra bisikleta roa lahy, izay efa voadaroka. Nandray ny andraikiny ny miaramila, hoy ihany ny voalaza tao anatin’ilay fanambarana ka nanapa-kevitra ny hitondra azy roa lahy tany amin’ny « poste avancé » ny zandary. Tafatsoaka anefa ireo ankizilahy ireo noho izy tsy nisy nitazona, tsy nanenjika ihany koa ny miaramila. Tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva anefa, nisy nampandre ireo miaramila fa misy olona lavo eo akaikin’ny EPP BASE, tsy misy kara-panondro ihany koa. Nijery izany ny miaramila ka olona tsy nahatsiaro teno no hita teo. Voamarina tamin’izany fa iray tamin’ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka izany ka nentina teny amin’ny sampana vonjitaitra ny HJRA avy hatrany. « Ny dokotera nandray anay tao moa niteny fa tsy misy hevitra intsony ity olona ity. », hoy ny fanazavana. Ny ampitson’io, nampandrenesina ny tranga ny zandary saika nanaterina azy roa lahy. Nasaina nanatona ny HJRA ihany koa izay mitady olona tratran’ny fokonolona nangalatra. Tsy izany anefa no nanontanian’ireo fianakaviana nony tonga tany amin’ny zandary, fa hoe : “hitady olona very izahay”. Nilaza ihany koa ireo fianakaviana fa voarirarira.Fanampiana no nataon’ny miaramila…Disoin’ny miaramila tanteraka izany filazana izany. Nanazava ny Etamazaoron’ny Tafika fa niverina tany amin’ireo miaramila ireo fianakaviana ary natoro azy ireo ny dokotera nandray an’ilay ankizilahy 15 taona. Voamarina tamin’izay fa  Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka tokoa ilay maty. Nivoaka ra ny sofiny, natao ihany koa ny « autopsie » an’io tovolahy mpianatra ao amin’ny sekoly Fanovozantsoa FJKM Ivato Seranana, taona faha-9.Nanamafy ireo miaramila fa fanampiana ny mpiara-belona dia antom-pisian’ny miaramila. Nilaza izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny asa hifarimbonana amin’ny vahoaka ny toe-javatra toy izao.Tsiahivina fa vao iray volana izay, nisy tovolahikely tratran’ireo miaramilan’ny Bani ambodiomy namaky trano teny an-toerana. Naterina teny amin’ny zandary izy tamin’izany ary nilaza fa misy olona maniraka sy manome vola azy ireo. Tsy fantatra, araka izany, raha namany ihany ireo ankizilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo. Handrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Henintsoa HaniL’article Fahafatesan’i Nasandratra Valimbavaka – Ivato: “Olona efa tsy nahatsiaro tena no hita teo”, hoy ny Etamazaoron’ny Tafika a été récupéré chez Newsmada.

Kitra «Orange Pro league» : mitarika hatrany ny AS Adema
19/06/2021

Tsara fiditra ny AS Adema Analamanga, teo amin’ny lalao miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Izy irery mantsy ny hany ekipa nahazo fandresena.Ny AS Adema no hany ekipa tokana nahazo fandresena teo amin’ny andro voalohany amin’ny lalao miverina hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”. Fihaonana notanterahina omaly teny amin’ny kianja Vontovorona. Lavon’ny Adema, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 ny Five FC. Baolina tafiditr’i Onja, teo amin’ny minitra faha-57 sy ny an’i Aina tany amin’ny minitra faha-77. Nandiso fanantenana ireo mpijery ny lalaon’ny roa tonta. Noheverina fa hanohitra ny ekipan’Ivato ry zareo avy ao amin’ny firaisana fahadimy, saingy mbola manana ny fahaiza-manao ireo mpilalaon’Ivato. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ihany ny hany mba nahatosika ny Five FC. Fizaram-potoana faharoa, nahay namezivezy baolina ry Eric sy i Fabien niaraka tamin’i Bamainty. Tetsy an-kilany, niezaka nandrindra ny fanafihany ihany ry Veve sy Racool ary i Bance, fa tsy tafavoaka. Teo amin’ny fihaonana faharoa, nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Ajesaia. Efa nitarika tamin’ny isa ny Bebaoty, tamin’ny alalan’ny baolina tafiditr’i Baco, teo amin’ny minitra faha-21 no nosahalain’i Ando, tany amin’ny minitra faha-78. Mitarika vonjimaika aloha izany ny AS Adema, manana isa 9, arahin’ny Cosfa sy ny Ajesaia, samy nahazo isa 6 ary ny Five FC, isa 3. Hitohy ny alatsinainy 21 jona ny fihaonana ka hifanehatra ny Cosfa sy ny AS Adema ary ny Ajesaia sy ny Five FC.TompondakaL’article Kitra «Orange Pro league» : mitarika hatrany ny AS Adema a été récupéré chez Newsmada.

Il est où le courage politique, il est là …
14/06/2021

Si l’on faisait  le  parallèle entre les actualités politiques françaises et malgaches, on ne manquerait pas de noter comme similitudes,  la simultanéité de deux crises actuellement. En France, les mouvements sociaux font  tanguer le navire Macron. Que les cheminots mènent une grève  contre le changement de leur statut; que les  étudiants bloquent leurs universités  ou   que le mal-être frétille dans d’autres secteurs   créant une onde de chocs d’ampleur à ne pas négliger… Le président français assume la responsabilité  des objets de mécontentement (quitte à recevoir des soufflets !). Il ne dit pas qu’il n’en a cure  mais va devant armé seulement  de ses pourquoi  et de ses comment, parce qu’ils font partie du programme sur lequel il a été élu. Exemple de ce qu’on peut appeler  « courage politique ». Pendant ce temps à Madagascar, on observe une fièvre  de fin du premier  mandat du pouvoir  en exercice, la classe politique est en ébullition, la situation est explosive et le spectre d’une enième crise politique est menaçant. Le  tenant du pouvoir persiste dans un « J’y suis, j’y reste !»  Au risque de paraître dédaigneux. Pourtant, « Généralement, dans le gouvernement démocratique, le courage est une vertu qui ne peut se dissocier de la responsabilité, principe moral émergent de notre temps. Puisque la responsabilité consiste à répondre de ses actes ou décisions, et de leurs conséquences devant ceux qui sont concernés par ces actes ou décisions, elle constitue bien une épreuve dont la pratique enveloppe l’idée de courage » écrivait le philosophe Alain Etchegoyen, dans une éditoriale du Figaro. Quand les banderoles  bordent un trajet prévu et qu’on les évite, c’est  l’absence de courage. En  ce moment, le courage politique serait de dire «  j’ai le courage de dire que ce vote a été une erreur ou  j’ai le courage de dire qu’on est allé trop loin ».Car  le courage politique lui-même oscille dit-on,  entre la résolution et la témérité, le cran et l’entêtement, la fermeté et la crânerie. Le courage, dans sa définition immédiate… est toujours valorisé. Il est toujours perçu comme un compliment, suscite l’admiration, transforme le pouvoir en autorité. Déjà, De gaulle disait : «les hommes intelligents sont rarement courageux, les hommes courageux sont rarement intelligents». A méditer ! M.Ranarivao L’article Il est où le courage politique, il est là … est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Il est où le courage politique, il est là … a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle
19/06/2021

Les vaccinés du Covishield attendent leurs secondes doses. Des dizaines de milliers de vaccins Covishield périmés devraient être détruits ou enfouis, si l’on se réfère aux explications du ministère de la Santé publique malgache. «Les statistiques relatives au nombre de personnes vaccinées ont connu une hausse considérable ces derniers jours. Je pense que l’on a pu administrer 200 000 doses de vaccins Covishield à la fin de la campagne». Propos d’un responsable auprès du ministère de la Santé publique joint au téléphone hier pour faire état de la situation de la campagne de vaccination menée à Madagascar. Selon le responsable, «les gens se sont rués vers les vaccinodromes une semaine avant la date butoir de la campagne». Une habitude typiquement malgache selon certains observateurs qui n’ont pas manqué de rappeler les différentes réactions et propos concernant le vaccin et ses éventuels effets secondaires. Les premières heures de la campagne de vaccination n’ont, en effet, pas été concluantes à Madagascar. Il aura fallu que le ministère de la Santé publique et ses partenaires accentuent les campagnes de sensibilisation pour avoir une certaine adhésion de la population, surtout celle de la capitale Antananarivo. Périmés. Une tendance qui a changé vers l’approche du deadline. Les dernières statistiques du 15 juin dernier témoignent d’ailleurs de cet engouement tardif de la population. Il y a eu, ce jour-là, 150 000 doses administrées dans tout le pays selon les chiffres officiels. Les deux derniers jours auraient donc enregistré environ 50 000 administration, si l’on se réfère à la projection du responsable auprès du ministère de la Santé publique. Interrogé sur le devenir des doses non administrées, le responsable du ministère de tutelle de faire savoir qu’il est encore «trop tôt pour savoir si l’on va les détruire ou les envoyer dans des sites d’enfouissement bétonnés comme celui d’Ambohidroa pour les condamner». Selon toujours les responsables, cette question sera «élucidée après le bilan officiel de la première phase de la campagne anti-covid». Ce qui devrait se faire ce jour d’après toujours les dires de notre source. Si la campagne a pris fin, l’on se pose déjà des questions sur sa deuxième phase. Notamment sur le nombre de vaccins à importer, les personnes cibles et les éventuels changements en matière de stratégie vaccinale. José Belalahy L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Vaccination contre la Covid-19 : Bilan final connu ce jour selon le Ministère de tutelle a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fahaleovantena… fahalahelovan-tena     
16/06/2021

Hatramin’izao, maro ny mihevitra fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara. Saika miara-dalana amin’izany ny amin’ny fiandrianam-pirenena. Mbola tsy mahafa-bela tanteraka ny fiankinan-doha sy ny fitavandrana amin’ny any ivelany isaka ny mihetsika saika amin’izay atao na kasaina? Saika ahitana endrika fiankinan-doha hatrany ny sehatry ny toekarena indrindra, na ny sosialy; eny, na ny politika aza, na nambara talohaloha tany aza fa ny fahaleovantena ara-politika no azo.Saika mbola ifampierana na angatahina tsodrano amin’ny any ivelany hatrany izay (h)atao? Eny, na ny politika aza. Raha tsy izany, tsy lasa lavitra na mikorontana amin’izay heverina sy kasaina. Mety mitondra amin’ny faharavam-pananana na ny famoizana aina aza… Efa nisy izany ny tantaram-pirenena. Ahina mbola hiverina? Tarazo ratsy. Izany ve, ohatra, ny mahatonga ny mpanao politika sasany be tati-bolana sy be konetaka amin’ny any ivelany? Na efa zary kolontsaina politika…Mbola fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena? Alahelo anaty ny amin’ny sarintsarim-pahaleovantena mamitaka. Tsy tompony mahazaka manana? Na amin’ny fanapahan-kevitra politika lehibe, na amin’ny toekarena… Samy mandini-tena ny tsirairay: inona ny marina? Any amin’ny faralalina… Saika fialokalofana sy anamarinan-tena mandrakariva ny hoe fitrosana sy ny fanampiana, ohatra. Tsia, tsy hoe tsy azo atao izany fa hatraiza ny hoe fahaleovantena amin’izay atao?Fotoana izao amin’ny hoe fiovana sy ny fanovana? Efa zava-dehibe, ohatra, ny nanambaran’ny filohan’ny Repoblika fa tsy nahomby ny fanampiana any ivelany nandritra ny 30 taona mahery tany atsimon’i Madagasikara, matoa mbola misy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere. Mandra-pahoviana? Fahasahiana lehibe ny samy Malagasy no mitady vahaolana, volan’ny fanjakana malagasy no enti-mihetsika… Ahoana koa ny amin’ny sehatra hafa amin’izay hay sy vitan’ny Malagasy?Mbola misy ny mijoro, ny hevitra, ny tetika… Mbamin’ny enti-manana sy azo atao na amin’ny akora, na fitaovana, na vola eto Madagasikara. Mba tsy fahalahelovan-tena ny hoe fahaleovantena.Rafaly Nd.             L’article Fahaleovantena… fahalahelovan-tena      a été récupéré chez Newsmada.

Un communiqué qui est un pavé dans la mare
18/06/2021

La campagne de vaccination contre la Covid-19 est maintenant terminée et ceux qui l’ont organisée peuvent considérer que leur contrat est rempli, même si un peu plus de 80 000 doses n’ont pas été utilisées. On a vu hier un certain flottement après l’annonce faite par l’ambassade de France affirmant que le Covishield n’était pas accepté par les autorités françaises. Après une suspension de quelques heures, la vaccination a repris et l’affluence dans les centres a été importante. Un communiqué qui est un pavé dans la mare Le communiqué publié sur la page Facebook de l’ambassade de France, précisant que le vaccin Covishield n’avait pas été accepté par les autorités françaises, a semé le désarroi chez les organisateurs de la campagne de vaccination. De nombreux vaccinodromes ont fermé leurs portes et le personnel présent a renvoyé les nombreux candidats qui faisaient la queue. Le ministre de la Santé a exprimé son incompréhension et a décidé d’interpeller l’OMS par rapport à cette affirmation. Mais après une longue concertation entre les responsables, l’opération a repris son cours pour ne pas léser les volontaires désireux de se faire vacciner. Le rythme a été très soutenu tout au long de l’après-midi/ 177 000 personnes ont donc pu recevoir leur première dose de vaccin au terme de ce mois et demi de campagne. Pour les observateurs, ce qui a été annoncé dans le communiqué est un véritable pavé dans la mare et il est tombé à un très mauvais moment. L’embarras des autorités sanitaires était palpable. Ces dernières se sont certainement senties trahies par l’OMS qui a manifesté une certaine assurance lors de la livraison des stocks de Covishield. Aujourd’hui, tous ceux qui se sont fait vacciner pour se protéger, mais aussi pour pouvoir voyager à l’international sont dans le désarroi. Un certain nombre d’entre eux ont accepté le Covishield car ils n’avaient pas d’autres choix. À présent, ils ont l’impression d’avoir été piégés. C’est maintenant vers le gouvernement qu’ils se tournent pour qu’une solution soit vite trouvée. Patrice RABE L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Un communiqué qui est un pavé dans la mare a été récupéré chez Midi Madagasikara.

26 juin 2021 : Défilé militaire à Mahamasina
16/06/2021

Le satisfecit. « Je suis content de ce stade qui respecte les normes internationales… Ce stade fera la fierté de tous les Malagasy », a déclaré le président Andry Rajoelina hier par rapport au nouveau stade des Barea de Madagascar. Le Chef de l’Etat s’est rendu à Mahamasina hier pour constater de visu l’évolution des travaux de construction de ce stade. 90% des travaux ont déjà été réalisés jusqu’à ce jour. Les 10% restants concernent quelques détails au niveau de la finition. Quoi qu’il en soit, la beauté de ce stade est déjà palpable. Hier, le président Andry Rajoelina a annoncé officiellement devant la presse présente à Mahamasina que le stade Barea accueillera la célébration officielle et le défilé militaire du 26 juin. Des responsables au niveau de l’Armée Malagasy et des membres du Comité d’organisation venant de la Présidence de la République ont d’ailleurs accompagné le président de la République lors de cette descente. Mesures sanitaires. Cependant, le numéro Un d’Iavoloha a annoncé que cette cérémonie du 26 juin ne sera pas l’inauguration officielle du stade Barea. Cette nouvelle infrastructure a seulement été choisie pour accueillir la célébration de la fête nationale. « L’inauguration aura lieu plus tard lorsque nous réussirons à vaincre définitivement cette pandémie de la COVID-19 », a laissé entendre le Chef de l’Etat. De source proche de la Fédération Malagasy de Football, les Barea ont demandé à ce que ce stade soit inauguré avant la reprise des matchs éliminatoires pour la Coupe du monde 2022. Les joueurs et le staff souhaiteraient inviter une autre équipe nationale en vue d’organiser un match amical pour avoir une dynamique de groupe lors du jour J. D’après les informations, la célébration de la fête de l’indépendance aura lieu cette année dans le respect strict des mesures sanitaires. Mahamasina ne sera certainement pas ouvert au grand public. Comme ce fut le cas l’année dernière, seuls des invités triés sur le volet pourront assister au défilé militaire. A entendre notre source, des représentants des 23 régions et des publics issus des six arrondissements de la capitale vont être autorisés à y assister. Les membres du comité d’organisation présenteront incessamment des détails concernant les mesures et dispositifs à mettre en place lors de la célébration du 26 juin. Davis R L’article 26 juin 2021 : Défilé militaire à Mahamasina est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article 26 juin 2021 : Défilé militaire à Mahamasina a été récupéré chez Midi Madagasikara.

«Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao
17/06/2021

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo ny olona miisa dimy voarohirohy amin’ny famarotana ireo entana sarobidy tao amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha, i Tsiranana Philibert, ao Ampefy, ny 5 jona lasa teo.Isan’izany ny mpiambina ny toerana, atidoha nikotrika ny asa ratsy, ireo namany miisa telo nanampy azy sy ny mpividy ireo entana halatra. Niaiky ny heloka nataony io lehilahy mpiambina trano io taorian’ny nahatrarana azy tao Analavory, ny 8 jona teo. Nilaza ilay lehilahy mpiasa ao amin’ny « résidence » io fa efa nanomboka ny volana septambra 2020 ny namarotany tsikelikely ireo entana sy ny fanaka amin’ny vidiny mora ary tonga hatramin’ny antsasa-bidy mihitsy izany. Taorian’izay, nanondro ireo namany mpiray tsikombakomba aminy amin’ny asa ratsy izy.Fiara iray nitatitra ireo entana halatra ihany koa no nogiazana. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona 24 hafa voalaza fa nividy ireo entana halatra taorian’ny fampanoavana afakomaly tao Miarinarivo. « Mbola hitohy ny 7 jolay izao ny fanadihadiana lalina ny raharaha », hoy ny fanazavan’ny zandary avy ao Soavinandriana misahana ny fanadihadiana. Entana sarobidyEfa tafaverina avokoa ny 80% amin’ireo entana sarobidy halatra raha mbola tadiavina kosa ireo hafa. “Nametrahan’ny kaominina mpiambina ihany koa io tranon’ny filoha teo aloha io”, hoy kosa ny fanazavan’ny zandary avy ao Miarinarivo. Fepetra noraisina, hoy izy, ny fanamafisana ny fisafoana ataon’ny zandarimaria eny an-toerana, indrindra ny fitobiany eny amin’ny alina. Natao izany mandra-piandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika.Tsiahivina fa ny 5 jona lasa teo, nahazo fampandrenesana mahakasika ireo fahaverezana entana ireo zandary ao Ampefy. Tsikaritr’ireo olona teny an-toerana fa tsy tao intsony ny mpiambina ny tranon’ny filoha teo aloha io, maro ihany koa ny entana very, antony nahatonga ny sefo fokontany avy ao Avarabohitra sy ny ben’ny Tanànan’Ampefy niantso ny mpitandro filaminana. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy. Nantsoina ihany koa ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Hita tamin’izany fa tsy tao intsony ireo entana sarobidy rehetra izay misy vita avy amin’ny andramena. Lasan’ireo tsy mataho-tody hatramin’ny varavarankely, ny varavarambe, ny « moquette », ny karipetra, ny armoara sy ny seza ary ny kojakoja rehetra. Hany sisa tavela tao amin’ny efitra telo sy ny efitrano fandraisam-bahinin’ny trano fonenan’ny filoham-pirenena teo aloha io ireo enta-mavesatra toy ny vata fampangatsiahana, ny lafaoro. FanadihadianaVoalaza fa nividy ireo entana halatra ny mponina avy ao Ampefy sy ny manodidina ary tompon’andraikitra nivarotra izany ny mpiambina. « Ny mpiasa ao ihany no mamoaka ireo entana sarobidy ireo. Rehefa natao ny famotorana, olona 29 ny voasambotry ny zandary ary nanaovana famotorana tao Miarinarivo », hoy Ratolojanahary, mponina ao an-toerana. Nambarany fa mety ho tsy nahafantatra ireo olona mpividy fa entana avy ao amin’ny « résidence » ireo entana novidiany ary entana namidy, antony nahatonga ireo olona roboka tamin’ny fividianana izany. Henintsoa HaniL’article «Résidence»-n’ny filoha Tsiranana : naiditra am-ponja ireo olona 5 nivarotra ireo fanaka tao a été récupéré chez Newsmada.