Pilo Kely aroson’i Mamy Be

News - Pilo Kely aroson’i Mamy Be

News - Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana

Fampianarana amin’ny fiteny vahiny. Teny ifampiresahana any anivon’ny ankohonana, teny vahiny. Taratasim-panjakana, didy aman-dalana, amin’ny fiteny vahiny, sns. Ny endrika tahaka ireo no anisan’ny mahafoana tsikelikely ny teny malagasy. Raha ny fikarohana nataona mpampianatra mpikaroka iray: “… Ho foana ao anatin’ny 50 taona ny teny malagasy madiorano raha mbola mitohy ireo tranga ireo”.… Mahatratra 7 000 ny karazam-pitenenana (tenenin’ny tompon-tany) misy maneran-tany. Nanaitra ny rehetra ny nilazan’ny mpikaroka fa isaky ny tapa-bolana, teny iray amin’ireo no maty. « … Fa ny tena zava-doza, maty manaraka izany ihany koa ny kolontsaina hoentin’ireny teny ireny », hoy ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana na ny Unesco.HaRy Razafindrakoto L’article Afaka 50 taona: ho foana ny teny malagasy raha tsy iainana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ampy izay ny fampitandremana

Fandikan-dalàna no resaka eto. Tsy hoe nanaitra ihany, fa tena nanaitra mihitsy ny tatitra, miaraka amin’ny tarehimarika navoakan’ny Sampandraharaha misahana ny lozam-pifamoivoizana (Brigade des accidents) eo anivon’ny Polisim-pirenena, omaly. Tatitra sy tarehimarika mikasika ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra moto, indrindra ny scooter, eto an-drenivohitra. Tao anatin’ny adiny efatra monja, fandikan-dalàna miisa 404 no voamarika. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, fandikan-dalàna 101 isaky ny adiny iray. Ny tsy fitondrana na fanaovana aroloha (casque) no betsaka indrindra. Miisa 306. Manaraka izay ny tsy fananana na tsy fisiana fiantohana (assurance). Miisa 93. Dimy no tsy nitondra fahazoan-dalana mitondra moto…Deraina ihany aloha ny fandraisana andraikitra ataon’ny Polisim-pirenena amin’ity hoe “hetsika fanentanana sy fampianarana ho amin’ny fanarahan-dalàna” ity. Saingy, tsy vao izao, na vao omaly no tokony hahafantatra ny mpitondra moto ny amin’ny tokony hanaovana aroloha. Tsy vao izao, na vao omaly, ihany koa no tokony hahafantatra izy ireo fa tokony hanana taratasy fiantohana ny moto rehetra mifamoivoy. Tahaka izany koa ny tokony hananana taratasy fahazoan-dalana (permis de conduire), ho an’ny sokajina moto tokony hanana izany. Izany hoe, lalàna tokony ho fantatra hatry ny ela izany rehetra izany. Saingy…Tsotra ny tiana hahatongavana. Mba hasiana fetra ihany ny fanentanana sy fampianarana, mba hirosoana amin’izay ny dingana famaizana. Izany hoe fanasaziana. Ampy izay ny fampitandremana. Mba tsy ho lasa fahazarana, fahazaran-dratsy ny fampitandremana, ka raha tratra, omaly ohatra, dia hamerina indray rahampitso sy amin’ny manaraka rehetra. Ny tokony ho fantatry ny mpitondra moto, tsy ho fiarovana ny ain’izy ireo ihany no anton’izao, indrindra indrindra, ho fiarovana ny ain’ny sasany, tsy manan-tsiny eny an-dalana rehetra eny izay mety iharan’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’izy ireo. Aoka azava ny resaka!Vao ny resaka fandikan-dalàna amin’ny moto fotsiny izay. Ny an’ny taxi-be, ny sarety sy posiposy ary ny mpivarotra amoron-dalana… Aoka fotsiny!Mamy Randrian L’article Ampy izay ny fampitandremana a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Hasarotam-piaro tafahoatra : Notapahiny ny loham-badiny

Nofo kely ihany sisa no nitazona ny tendany. Ny zanany vavy avy tany amin’ny fianakaviana no nahita ny vatana mangatsiakan-dreniny, izay efa nitsirara ary nihosin-dra teo amin’ny gorodona. Io no hitan’ny mpiara-monina teny amin’ny manodidina ny fokontany Ambodihazomamy, kaomina Morafeno, distrikan’i Sambava, ny marainan’ny alahady lasa teo. Hasarotam-piaro no fantatra fa nitarika ady teo amin’ity farany sy vadiny, ka nahatonga ny habibiana nampivarahontsana. Mpivady mbola ao anatin’ny fahatanorana, manan-janaka vavy iray manodidina ny 5 taona no nifamono tamin’ny alalan’ny antsy, ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Nisy fikasihan-tanana teo amin’ny roa tonta ary tsy fantatra raha toa ka nandray zava-pisotro ilay rangahy na tsia, tao an-trano no nisehoan’ny loza tamin’io fotoana io. Tafajanona tany amin’ny fianakaviana kosa ilay zanany, ka tsy nahita ny zava-nitranga. Izy nihikiaka sy nitomany nahita ny habibiana nampivarahontsana nihatra tamin’ny reniny no ren’ny manodidina. Tokony ho tamin’ny 6 ora maraina ny mpitandro filaminana no naharay antso mahakasika ny fahitana ny razana. Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana izy ireo ora vitsy taorian’ny fampandrenesana azy. Tamin’izany indrindra no fantatra fa efa nandositra ny lehilahy vadiny izay manodidina ny 27 taona eo ho eo, ka tsy misy afa-tsy izy ihany no voampanga ho nahavanona ny loza. Tsy voakitika ny entana tao an-trano fa dia ny hanapitra ny ain’ity farany no nokendrena, rehefa nisy tsy nifanarahana. Tsy nahavita niantso vonjy ilay ramatoa raha ny nambaran’ny olona mpifanolo-bodirindrina taminy, ary tsy nisy nahare ny zava-nitranga ny olona teo amin’ny manodidina noho ny andro alina. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha, ary karohina ilay nahavanona ny loza. Valérie R. L’article Hasarotam-piaro tafahoatra : Notapahiny ny loham-badiny est apparu en premier sur .L’article Hasarotam-piaro tafahoatra : Notapahiny ny loham-badiny a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Jirama: hotantanina toy ny orinasa tsy miankina

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoelina, omaly, ny fanapahan-kevitra hanarenana ny Jirama. Fantatra fa “tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny orinasa Jirama, manomboka izao. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana amin’ny antsipiriany ny fomba fitantanana sy ny vola, hataon’ny kabinetra miaraka amin’ny mpanara-maso ny kaontimbolam-panjakana (Cours des comptes) sy ny sampana Fanaraha-maso ankapobeny ny fanjakana (IGE)”.30 miliara Ar ny tsy naloan’ny fanjakanaHapetraka mazava ny tetiandro hanarenana ny orinasa ary tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ny sampandraharaham-panjakana ananan’ny Jirama trosa, mitentina 30 miliara Ar, raha asian-teny, nanomboka ny janoary hatramin’ny jona 2019.Araka izany, tsy maintsy vitaina ao anatin’ny roa taona, raha ela indrindra, ny fanarenana ity orinasam-panjakana ity sy ny trosany. Hapetraka ny vaomiera manokana ahitana solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny primatiora ary ny minisitera mpiahy. Miantoka ny fandaminana ireo rehetra ireo ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama.Hojerena ny fifanarahana rehetraAraka ny tatitry ny Cour des comptes, mahatratra 400 miliara Ar ny fanampiana ara-bola nomen’ny fanjakana ny Jirama. Fantatra nandritra ity fivoriana ity koa fa “tsy maintsy harafitra ny drafitrasam-pitantanana (Business plan) vaovao. Manampy izany, hojerena akaiky ny fifanarahana mikasika ny fanofanana ny gropy mamokatra herinaratra. Hisy ny fifanarahana fandaharanasa (contrat programme) iarahan’ny fanjakana sy ny Jirama, amin’ny hanatanterahana ny paikady rehetra hanarenana ny fitantanana ity orinasa ity.Njaka A.L’article Jirama: hotantanina toy ny orinasa tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Artec sy ny fadintseranana: potehina ireo finday hosoka ampidirina eto

Ny volana desambra 2018, nampitandrina ny Artec (Autorité de régulation des technologies de communication) sy ny fadintseranana ny amin’ny fampidirana telefaonina finday hosoka sy ny fivarotana izany. Omaly, navoaka ny tatitra fanaraha-maso. Ny marika finday rehetra misy famantarana azy manokana na code Imei*, ka hosoka izay tsy mifanaraka amin’io Imei io. Koa nampitandrina ny Artec miaraka amin’ny fadintseranana ny tsy ampidirana ireny finday hosoka ireny. Nambara fa efa voarara ny fampidirana izany, nanomboka ny janoary 2018. Efa natomboka ihany koa ny fanaraha-maso ny fivarotana finday tsy ara-dalàna araka ny code Imei.Miara-miasa ny Artec sy ny ladoany  momba izany amin’ny fampiharana ny lalàna, arahi-maso ireo finday amidy ka nangonina izay tratra amin’izany hosoka izany ary nopotehina. Nohamafisina fa voararan’ny lalàna tanteraka ny fampiasana ireo finday hosoka ireo. Arovana amin’izany fepetra izany ny mpanjifa. Fanombohana amin’ny fampiharana ny lalàna ihany izao nataon’ny Artec sy ny ladoany izao fa mitohy sy hamafisina ny fanaraha-maso mandritra ny fotoana maro ho avy ho amin’izany fiarovana ny mpanjifa izany.Ho fiarovana ny mpanjifaAnjaran’ny Artec ny miantoka ny fepetra teknika manara-penitra ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjifa ao anatin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Mifandray amin’ny asan’ny ladoany izany amin’ny ady atao amin’ny hosoka. Asa iombonana tsy misy fiangarana koa izany ho fampandrosoana  ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra.Ny hoe Imei, tarehimarika 15 isa manamarina ny tena finday. Avy amin’izany ny ahafantarana ny fidirana ara-dalàna na tsia amina tambanjotra iray ; avy amin’io ihany koa ny ahafantarana ny maha samy hafa ny finday. Ny ahitana izany, ohatra, amin’ny faktiora sy amin’ny telefaonina rehefa atao ny *#06#.Misy hatrany ny fanararaotana amin’ny fampidirana entana hosoka eto Madagasikara. Antony manosika ireo milaza azy ho mpandraharaha manao izany ny toekarena mbola marefo, satria marefo araka izany koa ny fahefa-mividy. Na izany aza, izay hosoka rehetra voararan’ny lalàna iraisam-pirenena ho fiarovana ny mpanjifa. R.Mathieu Imei* :  International mobile equipment identity                                                                                                      L’article Artec sy ny fadintseranana: potehina ireo finday hosoka ampidirina eto a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking”

Nifanentana, avy eo, nifamotoana teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara na “parking” lehibe, mifanila amin’ny tsena, ny mpivarotra sasany etsy Anosibe, omaly maraina. Naneho ny tsy fahafaliany izy ireo manoloana ny fananganana tsena vaovao ao anatin’ny faritry ny “parking”.Raha tsiahivina, tsy vao izao ity resaka ity fa efa tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Efa nisy ny naneho hevitra tamin’ireo mpivarotra, raha mbola tsy nanomboka ny asa tamin’izany fotoana izany, saingy niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha, satria nolazaina fa mamafy lainga izy ireo fa tsy hisy izany fanamboarana tsena izany eo amin’ny “parking”. Raha ny voalazan’i Marcelin, anisan’ireo mpivarotra mandà ity tetikasa ity, nampidirina am-ponja mihitsy ireo olona naneho hevitra ireo.“Amin’izao fotoana izao kosa, tsy misy azo afenina intsony ary voaporofo fa tsy nandainga ireo olona ireo… Izao iaraha-mahita izao ny fanamboarana tsena vaovao ato anaty “parking”, hoy izy. Tsy eken’ny mpivarotra ity tetikasa ity, satria tena ilain’ny tsena ny toeram-piantsonana ary io efa misy io aza, tsy mbola ampy. Voaporofo izany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, rehefa misy ny miditra sy ny mivoaka ny “parking”, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra hatrany.Ankoatra izany, nambaran’izy ireo fa tombontsoa manokana ho an’ny mpanam-bola ity tsena vaovao ity fa tsy ho an’ny mpivarotra amoron-dalana velively, satria antapitrisa maro ny vidin’ny iray amin’ireo tsena vaovao. Ireo mpivarotra “madinika”, tsy mbola manan-toerana, no tokony hijerena vahaolana, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. “Raha tena ho an’ny mpivarotra amoron-dalana tokoa ny tsena, tokony hisy fifanarahana mazava momba izany”, hoy hatrany ireo mpivarotra.Nilaza ireto farany fa efa nitady ny fomba rehetra ahafahana mihaona sy mifampidinika amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, saingy tsy tontosa mihitsy izany. Ankehitriny, misy ny fanangonan-tsonia, halefa any amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay hiangavian’izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity.Landy R. L’article Tsenan’Anosibe: tsy eken’ny mpivarotra ny fanorenana tsena ao anaty “parking” a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

MARC RAVALOMANANA: Nisintona ny fitoriany

Ho fikatsahana ny tombontsoam-pirenena, nanapa-kevitra ny kandida Marc Ravalomanana ny hisintona ny fitoriana momba ny tsy fahatomombanana tamin’ny fifidianana 7 novambra 2018. Fitoriana miisa 208 no naterin’ny solontenan’ny kandida laharana faha-25 teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) omaly 20 novambra 2018. Nanatitra ny taratasy fisintonana izany indray ny solontenan’ny kandida androany 21 novambra 2018. Mankasitraka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny kandida Marc Ravalomanana. Nilaza ny solontenan’ny kandida, Hasina Andriamadison fa  nanatri-maso sy nijanona 24 ora teny amin’ny CENI Alarobia tamin’ny fanarahana maso ny fikirakirana ny valim-pifidianana. Manoloana izany, “manaiky ny kandida Ravalomanana fa nanaja ny fangaraharana ny CENI”, araka ny tatitra nataon’ny tale fampielezan-kevitrany, Tsehenoarisoa  Rabenja teny amin’ny QG Antsakaviro androany maraina. Nambaran’i  Tsehenoarisoa  Rabenja fa  misy amin’ireo manao fihetsiketsehana ny mitady  hanafoanana ny fifidianana filohampirenena. Ho fisorohana ny korontana, naniraka ny mpahay lalàna ny kandida laharana faha-25. “Tsy mankasitraka izany fanafoanana ny fifidianana tamin’ny 7 novambra 2018 ny kandida fa aleo handeha ny fihodinana faharoa hampazava ny safidim-bahoaka”, hoy hatrany izy. Ho tombontsoam-pirenena tokoa ve izany ny  fanapahan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana ka na dia nahita tsy fietezana maro tamin’iny fifidianana iny aza dia nosintonina indray ireo fitoriana? Lynda A.     Cet article MARC RAVALOMANANA: Nisintona ny fitoriany est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

« Fampihavanana sy fanarenana ny firenena »: “Tsy mifanaraka amin’ny kolontsaina ny fihariana”

“Be loatra ny elanelana eo amin’ny tanàn-dehibe sy ny any ambanivohitra. Tsy hay mizara ny harim-pirenena, tsy mitovy ny Malagasy. Vao mainka mihamahantra ny any ambanivohitra: tsy misy toeram-pitsaboana, tsy misy sekoly, tsy misy lalana, tsy misy herinaratra, tsy misy fandriampahalemana … Betsaka ny tsy miasa hita amin’ny tanàn-dehibe sy hita any ambanivohitra”. Ireo ny fanamarihana nataon-dRajaonson Huges, nanazava momba ny fihariana na “économie” (conjuncture no toekarena), nandritra ny famelabelaran-kevitra momba ny “Fampihavanana sy fanarenana ny firenena”, omaly, tao amin’ny Centre sociale Arupe, Faravohitra.“Sarotra ny mampandroso an’i Madagasikara satria tsy mitady afa-tsy vola ny mpitondra mifandimby. Mahomby eo amin’ny fitondrana izay hoe mahay mifampiraharaha amin’ny mpamatsy vola. Tsy misy mihevitra izay drafitra mifanaraka amin’ny kolontsaina malagasy hampandrosoana ny fihariana”, hoy Rajaonson Hugues. Mitaky saina amam-panahy anefa ny fampandrosoana, raha ny fanazavan’ny nanao famelabelaran-kevitra hatrany, izay tsy tokony hiverenan-dalana fa mifamatotra amin’ny kolontsaina. “Maro ny fototry ny fahantrana ka ny politika avy amin’ny Banky iraisam-pirenena na ny FMI no ampiharina eto izay tsy mifanaraka amin’ny fihariana malagasy”, hoy Rajaonson Hugues.“Tsy mijery ny maha olona ny politika eto amintsika, very hasina ny kolontsaina maha Malagasy, voalohany amin’izany ny fihavanana”, hoy ny Pr Ratrema William. Raha tsy mipetraka ny fahamarinana, tsy misy ny fifampitokisana ary very ny fihavanana. Jamban’ny vola ny maro noho ny fahantrana ka manjavona ilay hoe “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsy tsikalakalam-pihavanana”. Hevitra saika itovian’ny rehetra nandray anjara tamin’ny fihaonana izany. Mampitovy ny rehetra ny fahamarinana, mampitoetra ny fihavanana ka mampandroso ny fihariana. R.MathieuL’article « Fampihavanana sy fanarenana ny firenena »: “Tsy mifanaraka amin’ny kolontsaina ny fihariana” a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Notsongaina

Rugby vehivavy – «Can 2019»: nomontsanin’i Afrika atsimo 73 no ho 0 ny Makis

Potipotika, saika tsy nisy nijerena azy ny Makis vehivavy, nanaovan’ny Afrikanina tatsimo azy. Tsy nitraka mihitsy fa tena novizanin-dry zareo tanteraka teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”.Resin’i Afrika atsimo, tamin’ny isa mavesatra, 73 no ho 0 ny Makis vehivavy, teo amin’ny andro faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15 “Can 2019”. Fihaonana, notanterahina omaly talata, tao Johannesburg, afrika atsimo.Tsy nisotro rano mihitsy ny Malagasy fa nataon’ireo tovovavin’i Afrika atsimo, totoafo. Maty ni-“charge” fotsiny ry Sariaka sy ry Josiane, nandritra ny 80 mn, nilalaovana. Natanjaka ary nanantombo ara-batana, ry zareo mpampiantrano. Vokany, olona telo na efatra no manakana ny lohalaharan’izy ireo. Nisesy ny baolina nentin-tanana nataon’ny Afrikanina tatsimo. Nisy anefa ireo voatsara tao koa ireo tsy maty.Nahay nameno ny kianja ny mpilalaon’i Afrika Atsimo, hany ka tsy nahita hirika handehanana mihitsy ny “trois quart” sy ny lohalaharana malagasy. Navesatra ihany koa ry zareo, tao anaty “pack d’avant”. Porofon’izany, raha vao “mêlée” ny baolina dia efa atosik’izy ireo fotsiny. Teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa mazava, 44 no ho 0 ny Afrikanina tatsimo.Na niezaka nanao izay ho afany aza, ry Laurence kapitenin’ny Makis, tsy tafavoaka mihitsy. Tsy tafiditra tao anatin’ny faritry ny 22 m mihitsy ny Malagasy nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Efa tany amin’ny fiafaran’ny lalao vao tafaporitsaka tao, saingy tsy nahavita nanindry baolina.Teo amin’ny lalao ilany, lavon’i Kenya, tamin’ny isa mazava, 37 no ho 5 koa i Oganda. Amin’ny asabotsy 17 aogositra izao, ny lalao farany ka hifandona i Oganda sy i Madagasikara ary i Kenya hifandona amin’i Afrika Atsimo. Tompondaka L’article Rugby vehivavy – «Can 2019»: nomontsanin’i Afrika atsimo 73 no ho 0 ny Makis a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: 23 mianadahy niofana ho an’ny fizahantany

Namoaka 23 mianadahy, misehatra amin’ny fizahantany, ny sekoly tsy miankina Ariane Tour, ny asabotsy 20 jolay teo. Nitondra ny anarana hoe “Ravinala” ity andiany ity, niofana nandritra ny roa taona taorian’ny fahazoany ny diplaoma bakalorea.Azo adika fa avo lenta ny fiofanana satria ambony ny salanisa azon’ireo mpiofana. Nahazo naoty 19,76/20 ny voalohany, 19,5/20 ny faharoa ary 19,1% ny fahatelo.Nambaran’ny mpampiofana, mpanorina sady talen’ny sekoly fa maro ny taranja nianaran’izy ireo, mahafeno ny fepetra takin’ny fikirakirana ny fizahantany. Toy ny fandrahoana sakafo, ny fandraisana olona, ny fandrosoana sakafo, ny fitarihan-dia, ny fandikan-teny, ny fikarakarana efitrano, ny sns. Nanao fitsidiham-paritra ihany koa izy ireo nandritra ny fiofanana, niampy fanarahana zotram-pizahantany (circuit touristique).Notsoriny koa fa olana eto amintsika ny tsy fisian’ny sekolim-panjakana mampiofana toy izao, indrindra any amin’ny faritra, nefa any amin’ny faritra no tena toerana mahaliana ny mpizahatany eto Madagasikara. Mba tokony ho mora kokoa amin’izay ny saram-pianarana satria mbola midangana ny an’ny sekoly tsy miankina.Sajo sy Njaka A.L’article Toamasina: 23 mianadahy niofana ho an’ny fizahantany a été récupéré chez Newsmada.

Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe

 Tsy afaka ny hangina. Velon-taraina ary miantso vonjy amin’ny fanjakana, indrindra ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mponina any amin’ny distrikan’i Morombe manoloana ny fihetsiky ny miaramila mampandry tany any an-toerana. Nandefa taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny Fiarovana sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny faritra izy ireo. Misongadina ny fihoaram-pefy ataon’ny miaramila sasany  fa alaina an-keriny ny ombin’ny olona sasany. Noraisin’izy ireo ohatra ny nitranga ny 25 sy ny 28 jolay teo tamin’ny fakana omby anjatony. Voalaza anefa fa anaty boky ara-dalàna avokoa ireo omby 1700 an’ilay atao hoe Jaonary, mitondra ny marika TSL avokoa. Anisan’ny mahagaga ny mponina amin’ity raharaha ity  ny fanatanterahan’ny miaramila sy ny dinabe izany fa tsy ahitana ny zandary na ny polisy na koa  ny eo anivon’ny distrika. Adikan’ny mponina  ho fakana an-keriny izany. Notanisain’izy ireo koa fa efa maro ireo lasibatry ny fanamparam-pahefan’ireo mpampandry tany. Voatery mitsoaka mandositra ny mponina.  Ampahany ihany ireo ka hanairan’ny vahoaka ny mpitondra mba hijery ny rariny sy ny fahamarinana ary koa ny mangarahara. Manahy izy ireo fa hanome endrika ratsy ny fitondrana  izao raharaha izao.Synèse R.  L’article Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe a été récupéré chez Newsmada.

Ambolomadinika: andian-jiolahy ravan’ny polisy

Noraisim-potsiny ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny halatra miharo vaky trano tao amin’ny fokontany Ambolomadinika Toamasina, ny talata lasa teo. Nisy tonga nametraka fitarainana teo amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Mangarano Toamasina fa nisy namaky ny tranony, ny alatsinainy alina teo. Rehefa natao ny fikarohana, nahazo loharanom-baovao ny polisy ka nametraka ny vela-pandrika hahafahana misambotra ireo jiolahy. Tratra tao Ambolomadinika ny iray miaraka amin’ny entana halatra avy nangalariny. Nitohy ihany ny fikarohana ka tratra tao Tanambao Fahadimy ny jiolahy roa hafa miaraka amin’ny caméra, écran ary entana sarobidy marobe. Teo anatrehan’ireo porofo teo am-pelatanany, niaiky ireto jiolahy ireto fa ry zalahy no tompon’antoka tamin’ny famakiana ilay trano tao Ambolomadinika ary mbola misy naman’izy ireo niaraka nandray anjara tamin’ity halatra sy vaky trano ity. nilaza izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa eny amin’ny fokontany Ambolomadinika sy Mangarivotra no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Nanentana hatrany ny polisy mba tsy hisalasala hiantso azy ireo amin’ny laharana telefaonina finday 034 05 703 86 na 034 49 714 15 raha mahita tranga mampiahiahy.Sajo sy J.CL’article Ambolomadinika: andian-jiolahy ravan’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.

Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra

Efa nilaza ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitsidihany taty an-toerana, volana vitsy lasa izay, fa tsy maintsy harenina araka ny tokony ho izy ny lalam-pirenena Moramanga –Ambatondrazaka (RN – 44). Nohamafisiny izany nandritra ny fitsidihany ny foara “Fier Mada” atao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.Efa manomboka ny fanajariana ny tapany atsimo, toy ny any Amboasary, ankehitriny. Hita efa misy mandrefirefy koa any amin’ny tetezan’i Ranofotsy. Tsy misy fanazavana amin’ny antsipiriany anefa ireo rehetra ireo, toy ny famatsiam-bola sy ny tentimbidin’ny asa hanaovana azy, ny faharetany, izany hoe, ny fiantombohany sy ny hifaranan’ny asa.Tsy nisy fikojakojana matotraTsy mazava koa raha aravona toy ny fahita hatramin’izay fotsiny ny lalan-tany, na tena hatao godirao manara-penitra.Ny zava-misy, azo ihafiana ny ampahany atsimon’ny RN-44, avy any Moramanga hatreo Amboasary, satria misy rarivato, fa tena ratsy ny tapany avaratra satria tsy nisy fikojakojana matotra. Tsy fantatra raha nampiasaina ny Tahirimbola hijojakojana ny lalana (Fer) na tsia. Mandritra ny fotoam-pahavatra, mitaky 50 000 Ar isaky ny fiara ny mpanosika.Rarivo sy Njaka A.L’article Lalana RN-44: tena ratsy ny tapany avaratra a été récupéré chez Newsmada.

Jly Ravalomanana Richard: nankahery ilay CB voatifitra tany Befandriana Avaratra

Tonga nitsidika sy nankahery ilay kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria (CB) Befandriana Avaratra, omaly teny amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana, ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena, notarihin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nandritra izany no nanolorana ity maherifon’ny zandarimaria ity ny taratasy fankasitrahana sy ny lelavola 2 tapitrisa Ar avy amin’ny Seg sy ny kaomandin’ny zandariam-pirenena (ComGN) ho mariky ny herim-po nananany. Marihina fa notolorana, toy izany, koa ilay zandary niaraka taminy na tsy naratra aza mba ho fampirisihana azy amin’ny ezaka nataony. Nanambara ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny zandarimaria ireto fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny olon’ny zandarimaria miady amin’ireo mpanao ratsy sy hiarovana ny vahoaka sy ny fananany manerana ny Nosy, koa rariny raha ankasitrahina izy ireo. Efa niatrika fandidiana ity zandary naratra ity vao vantany tonga teto Antananarivo ka avotra soa aman-tsara ny ainy ary iantohan’ny fanjakana avokoa ny lany rehetra amin’ny fitsaboana azy. Nankasitraka ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana ny Seg tamin’ny fanavotana tamin’ny alalan’ny helikoptera nanavotana ireto maherifon’ny zandary ireto.Jean ClaudeL’article Jly Ravalomanana Richard: nankahery ilay CB voatifitra tany Befandriana Avaratra a été récupéré chez Newsmada.

Ambatonapoaka – Arivonimamo: fiara 4×4 nivadibadika, olona telo, indray maty

Vaky tampoka teny am-pandehanana ny kodiarana ankavanan’ny fiara 4×4  iray nitondra olona dimy saika hihazo an’i Soavinandriana Itaosy, ny asabotsy maraina teo. Teo am-pidirana ny tsenan’omby ao Ambatonapoaka no nitranga ny loza. Olona roa maty tsy tra-drano raha namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ny iray…Fiara marika Hyundai Sorento nitondra olona dimy (vehivavy roa sy lehilahy telo) no nivadibadika teo am-pidirana ny tsenan’omby ao Ambatonapoaka kaominina Arivonimamo, distrikan’i Miarinarivo Itasy, ny asabotsy 27 jolay tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Vokany, olona roa maty tsy tra-drano raha teny amin’ny hopitaly kosa vao namoy ny ainy ny iray. Naratra mafy kosa ireo olona roa hafa. Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny zandary, vehivavy no nitondra ilay fiara 4×4, kanjo vaky tampoka ny kodiarana tany amin’ny ilàny ankavanana ka nivilivily avy hatrany ny fiara, tsy voafehin’ilay renim-pianakaviana nitondra azy ny fiara ary nivadibadika avy hatrany. Mafy ny fivadibadihana satria nifatratra tany an-tanimbary mihitsy ilay fiara vao tafajanona. Maty teo no ho eo ny olona roa izay nosokirina tao ambanin’ilay fiara, araka ny fanazavana voaray hatrany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary, ka nandefa ireo naratra nihazo ny hopitalin’Arivonimamo. Namoy ny ainy nony tonga tany kosa ny mpamily (ilay renim-pianakaviana teo ambony familiana). Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimaria fa nikasa hihazo an’i Soavinandriana Itasy ireo niharam-boina, kanjo izao tra-doza tampoka izao.Olona telo hafa koa maty tany Beranomaso…Fa olona telo hafa koa matin’ny lozam-piarakodia tao Beranomaso Ankilizato, distrikan’i Morondava (RN 35), ny asabotsy teo. Nivadibadika noho ny olana ara-teknika ity fiara ity ka izao nitarika fahafatesana olona telo. Fantatra fa nitondra mpilalao handeha hihazo an’Ankilizato ity taksiborosy ity kanjo izao niharam-boina izao koa. Nalefa notsaboina any amin’ny hopitalin’i Morondava ireo naratra ka ny telo amin’ireo no afaka nody taorian’ny fitsaboana raha mbola arahi-maso akaiky kosa ny ambiny. Potipotika tsy nisy namantarana azy intsony koa ilay taksiborosy.Jean ClaudeL’article Ambatonapoaka – Arivonimamo: fiara 4×4 nivadibadika, olona telo, indray maty a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana: tsy hanaiky ireo mpitatitra mpikamban’ny MAMA

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mutuelle d’assurance Malagasy (MAMA) raha tsy mametra-pialana ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy ny taona 2018. Tokony hohajaina ny lalàna sy ny sata mifehy ny mpikambana hampirindra ny fitantanana ny asa rehetra. Voalazan’ny mpitantana ny MAMA fa ara-dalàna ny fanatanterahana ny fifidianana ary nanaraka ny fenitra. Mangataka ny lisitr’ireo olona mpitatitra nandeha nifidy tany Nosy Be ny mpitatitra hanamarinana ny maha ara-dalàna ny voka-pifidianana. Mitaky ny hamerenana ny fifidianana rahateo izy ireo ka ny mpitatitra no hisahana ny andraikitry ny filakevi-pitondrana fa tsy olona havan’ny mpitantana teo aloha. Mbola handefa taratasy fampahafantarana ny olana misy ao anatin’ny MAMA ny mpitatitra satria efa voaangona ny sonia an’ireo mpikambana tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna.Tokony handray ny andraikiny ny minisitera misahana ny trano fiantohana ary mila mametra-pialana hatramin’ny faran’ny herinandro ireo mpikambana enina tsy manara-dalàna amin’ny filankevi-pitondran’ny MAMA. Nitondra ny porofo manamarina ny tsy maha ara-dalàna ny fifidianana ny mpitatitra, omaly teny Ankazomanga.Vonjy A. L’article Tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana: tsy hanaiky ireo mpitatitra mpikamban’ny MAMA a été récupéré chez Newsmada.

Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy

Fahombiazana tanteraka! Norombahin’ny Malagasy avokoa ny fandresena, ho an’ny lehilahy sy vehivavy, teo amin’ny taranja basikety, tamin’ity andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy ity. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy, tao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix, Maorisy, ny asabotsy lasa teo. Tsy sarotra ho an’ny ekipa malagasy ny nandavo ireo mpifanandrina taminy, nanomboka hatrany amin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana, hatramin’ny lalao famaranana, omaly. Teo amin’ny sokajy lehilahy, isa mavesatra 89 no ho 45 no nandavoan’ny ekipam-pirenena malagasy an-dry zareo Mayotte. Efa nanana herijika, ireto mpilalao malagasy ireto vao nanomboka ny lalao ary efa hita taratra ny elanelana isa teo amin’ny roa tonta. Isa 53 no ho 25 no nisarahana teo am-pialan-tsasatra.Teo amin’ny sokajy vehivavy, azo lazaina ho nivoaka sempotra ihany ny Malagasy satria hety dia hety hatrany ny elanelana isa teny amin’ny solaitrabe, efa nisy fotoana aza nodinganin’ny Renioney isika tao anatin’ny ampahefa-potoana faharoa, raha toa ka sahala ny isa teo am-piafaran’ny ampahefa-potoana voalohany (21 – 21). Niady, araka izany, ity lalao ity saingy ny Malagasy no tompon-teny farany ka nisalotra ny medaly volamena, ho an’ny sokajy vehivavy, tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019 teto Maorisy ity. Isa 93 no ho 77 no nisarahan’ny roa tonta, teo am-pamaranana.Araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona malagasy ny taranja basikety, tsy tanjona akory izao nahazoana medaly volamena izao fa dingana fotsiny ihany. Mbola lavitra ny lalana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, indrindra amin’ny fanomanana lalao iraisam-pirenena maro, isan’izany ny fifaninanana Afrobasket. Mi.RazL’article Basikety: nanao pao-droa ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka

Toerana iray tena mahasarika mpizahatany mitsidika ny valanjavaboary ao Ankarafantsika   ny lavaka na antsoina koa hoe « Canyon » ao Ankarokaroka. Misy toerana avo ety ambony ahafahana mitazana ny hakanton’ny lavaka midadasika be izay vokatry ny asan’ny rivotra sy ny ranon’orana ka nanome endrika miavaka. Anisan’ny valanjavaboary 43 tantanin’ny Madagascar National Parks ny ao Ankarafantsika, mivelatra amin’ny faritra 136 513 ha.Valo ny karazana fitsidihana azo atao ao anatin’ny valanjavaboary ka anisany ny fijerena akaiky ny lavaka. 24 km ny lalana azo diavin-tongotra ao anatiny. Raha hidina hijery ny lavaka any ambany, 20 minitra eo ho eo ny faharetany mamakivaky ny ala. Namboarina manokana ny lalana handray ny mpitsidika mandeha an-tongotra tsy hitera-doza ho azy ireo.Tsy maintsy ialohavan’ny mpitari-dalana ny fitsidihana satria be efitrefitra ny lavaka. Nahavariana ny nahita ny cheminés des fées sy demoiselles coiffées voatefin’ny rivotra ka lasa kindrindriana rehefa tazanin’ny maso. Tsy azon’ny mpitsidika kitihina satria malemy ireny cheminés ireny ka mandrava ny hakanton’ny voary.Ankoatra ny Malagasy, maro ny mitsidika ny lavaka be ao Ankarokaroka ny Frantsay sy ny Amerikanina, indrindra amin’izao fotoana izao. Noho ny tsy fandriampahalemana anefa, nihena 14% ny isan’ny mpitsidika. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny volana jolay lasa teo, 3 117 ny isan’ny mpitsidika tonga nidina tao anatin’ny lavaka be.Ny taona 2018, nahatratra 11 426 ny olona voasarika ka ny 40%,  Malagasy avokoa. Manana karazam-borona 130 ao Ankarafantsika ankoatra ny sifaka sy ny angonoka (tsy azon’ny mpitsidika jerena). Rehefa hiakatra indray hamonjy ny toeram-pitazanana ery ambony, misy faritra nokarakaraina ahazon’ny mpitsidika miala sasatra sy mijery ny zava-maniry samihafa.2 000 Ar ny saran’ny fitsidihana ny lavaka be  Fikaohan’ny riaka sy ny rivotra tao anatin’ny  taon-jato telo teo ho eo no nanome ny endriky ny lavaka amin’izao fotoana izao, tany fasihana no manodidina ny lavaka ka mila fitandremana, hoy ny mpitari-dalana Ratsinjovindraibe Tahiry Germain. 2 000 Ar ny saran’ny fidirana ho an’ny Malagasy raha 55 000 Ar ho an’ny vahiny. 65 000 Ar kosa ny saran’ny fitondrana mpitari-dalana (ho an’ny olona latsaky ny dimy) satria saro-pady ny toerana. 23 ny mpitari-dalana rehetra misahana ny zahavoary ao Ankarafantsika izay entina koa hamelomana sy hampihodinana ny valanjavaboary.Vonjy A. L’article Zahavoary ao Ankarafantsika: mahavarina ilay lavakabe ao Ankarokaroka a été récupéré chez Newsmada.

Hanorina fasana vaovao miisa 96

Anisan’ny dingana hanajan’ny Base Toliara koa ny fifanarahana amin’ny fokonolona, hamindrana ny fasana tafiditra ao anatin’ny faritra iasan’ny orinasa. Miisa 96 izy ireo any amin’ny kaominina dimy. Nampifanarahana ny lalàna nentin-drazana malagasy sy ny lalàna velona ny fomba sy kolontsaina any an-toerana. Ao anatin’ny vaomiera misahana izany ny solontenam-pokonolona, ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, ny fitantanam-paritry ny Kolontsaina sy ny vakoka, ny Harena an-kibon’ny tany, ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Fahasalamana, ny distrika Toliara II, ny olobe, ny mpikaroka ary ny orinasa Base Toliara.Hanorenana fasana vaovao ny tompom-pasana, sady sandaina vola. Miisa 16 ny fasana haorina voalohany ary ho vita amin’ny septambra 2019 ary hitohy indray ho an’ny andiany manaraka.L’article Hanorina fasana vaovao miisa 96 a été récupéré chez Newsmada.

Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka

 Namono nahafaty olona iray ny fiara nentin’ity teratany karana ity, ny 26 jiona lasa teo ka maty tsy tra-drano tamin’izany i Mampiono Miller izay nitondra mato. Mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao ny namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana voaray. Akory anefa ny hatairan’ny fianakaviany raha nandray ny fiantsoana azy ireo, ny zoma lasa teo fa naroso omaly ny fitsarana ilay teratany karana mizaka ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. Nangataka ny fanemorana ny raharaha ny mpisolovava ny fianakavian’ny maty kanefa tsy nahazo fa nahemotra ny harivan’io andro io ihany ity raharaha ity. Fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika ity Karana ity, roa andro taorian’ny nisehoan’ny loza. Niezaka ihany ity Karana ity nanao fampiraharahana fa tsy nanaiky ny fianakaviana satria efa eo am-pelatananan’ny Fitsarana ny raharaha. Anisan’ny mampiahiahy ny fianakaviany ny tsy faneken’ny mpitsara io fanemorana io. Manoloana izany, nitondra sora-baventy ny fokonolona nanatrika ity raharaha ity noho ny fahenoana fa misy fangatahan’ity Karana ity famotsorana vonjimaika alohan’ny hiantombohan’ny fitsarana. Nanambara ny teo anivon’ny Fitsarana fa ny 22 aogositra 2019 ho avy izao ny didim-pitsarana momba izao raharaha izao. Nilaza ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fanambarana nataon’izy ireo fa miandry am-pahatoniana ny valin’ny fitsarana ary mametraka izany eo ambany fahendren’ny fitsarana hampihatra ny lalàna, araka ny tokony ho izy satria ny olona namono olona dia tokony handray ny sazy sahaza ho azy. Tsiahivina fa efa nisy fiara 4×4 nahafaty olona toy izao teny Ankazomanga, ny herinandro teo fa tonga dia nidoboka am-ponja avy hatrany ilay mpamily nahavanon-doza.CMSL’article Lozam-pifamoivoizana tao Toliara: tsy nanaiky LP ho an’ilay karana nahafaty olona ny vahoaka a été récupéré chez Newsmada.