Pilo kely #4503 aroson’i Mamy Be

News - Pilo kely #4503 aroson’i Mamy Be

News - Pilo kely #4503 aroson’i Mamy Be

L’article Pilo kely #4503 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Pilo kely #4503 aroson’i Mamy Be

Nivoaka tamin'ny : 16/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama  

Mbola nanamafy ny mpiasa roa ao amin’ny trano fiantohana Mutuelle d’assurance malagasy (Mama), omaly, fa marina avokoa ny fanambarana nataon’ny mpitatitra momba ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpikambana teo aloha ny filankevi-pitondrana sy ireo vaovao voafidy tany Nosy Be farany teo. Nijoro vavolombelona izy ireo ary nitondra porofo maneho izany zava-misy izany. Nambaran’izy ireo fa voahitsakitsaka ny satan’ny fikambanana satria tsy mpitatitra ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitondrana voafidy farany teo. 20 taona niasana eo anivon’ny trano fiantohana Mama ireo roa lahy ireo ary anisan’ny nanatrika nyy fivoriana tany Nosy Be ihany koa. Manomboka sahady ny antsojay mahazo ny mpiasa sahy mijoro milaza ny tsy rariny ao anatin’ny trano fiantohana ka maro ny mpiasa ary tafiditra ao anatiny izy ireo, nomena famindrana toeram-piasana izay tsy manaja ny lalàn’ny asa. Miendrika fanasaziana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitantana nefa tsy nisy ny hadisoana vitan’izy ireo, araka ny fanazavany, omaly teny Ankazomanga. Miantso ny mpiasan’ny Mama manerana ny Nosy izy ireo tsy hanaiky ny tsindry hazolena fa hijoro amin’ny fahamarinana manoloana ny tsy mety ataon’ny mpitantana.Nanambara koa ireo mpitatitra mpikambana ao amin’ny Mama fa nametraka fitoriana eny anivon’ny ambaratongam-pitondrana mahefa momba izao raharaha izao. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny fitondrana ary hampitsahatra ireo mpikambana manitsakitsaka ny satam-pikambana ao anatin’ny filankevi-pitondrana vaovao. Mampitandrina amin’ny fanaovana antsojay amin’ireo mpiasan’ny Mama niaro ny fahamarinana ny mpitatitra ary handray fepetra henjana raha mitranga izany.Vonjy A. L’article Raharaha mpitatitra sy filankevi-pitondrana: nahazo famindrana toeram-piasana ny mpiasa sasany an’ny Mama   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana

Mitoby ny fako eny amin’ny boriborintany fahenina. Antony nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny fahatapahan’ny lalana ka tsy hahafahan’ny kamiao mpaka fako miditra.Anisan’ny tena lasibatra amin’ny fitobian’ny fako ny eny Ambatolampy Antehiroka. Efa amam-bolana no tsy nisy kamiao naka fako teny an-toerana. Miparitaka mibahan-dalana ary mamofona ratsy eran’ny tanàna ny fakobe. Ampahan-dalana kely sisa no azon’ny fiara alefa.Mihafihafy ny mpandeha an-tongotra. Tsy vitan’izany fa lasa manangon-drano amin’ny arabe izany fako izany satria manototra ny lakandrano tokony handehanan’ny rano maloto.Hamahana ny olan’ny fifamoivoizana ao amin’ny boriborintany VI, eo Ambodivonkely. Nandray an-tanana ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo an-toerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa lalankely. Ezahana hatao rarivato izany, araka ny fanazavan’ny lefitry ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Randrianantoandro Sitraka. Misy ny fitaovana vaovao ampiasaina vao novidian’ny boriborintany anaovana izao lalana izao, ny ekipa teknika avy amin’ny boriborintany fahenina no manatanteraka ny asa. Mamaha amin’ny ampahany ny fitohanan’ny fifamoivozana eny Ambohimanarina sy ny manodidina ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity, izay ahafahan’ny fiara manao hintsin-dalana, hoy ny fanazavana nomen’ny solontenan’ny mponina Ambodivonkely Ambohimanarina.Tatiana AL’article Fanahiana valanaretina: mitobaka ny fako  noho  ny fahatapahan-dalana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fahatapahan-drano

Vokatry ny fanamboarana fantsona iray teny amin’ny manodidina no nahatonga ny fahatapahan-drano, teny amin’ny hopitaly Befelatanana omaly sy afak’omaly, saingy efa miverina amin’ny laoniny ny famatsiana. L’article Fahatapahan-drano est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Baolina kitra – Filaharana FIFA :: Tafaverina ao anatin’ny Top 100 i Madagasikara

Namoaka ny filaharana vaovao taorian’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN tany Ejypta ny federasiona iraisam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra (Fifa) omaly. Nampiova ny filaharana maneran-tany sy eto Afrika ihany koa ny lalao nataon’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea taorian’iny CAN iny. Nandroso toerana roa ambin’ny folo i Madagasikara noho fifaninanana tsara nataony tany Ejipta, ka eo amin’ny laharana faha-96 manerantany ny Barea raha faha-108 teo aloha. Lasa eo amin’ny laharana faha-21 aty Afrika kosa. Anisan’ny nampiakatra ny laharan’i Madagasikara ny nandresen’ny Barea an’i Burundi tamin’ny isa 1 noho 0 tany amin’ny fifaninam-bondrona nandritra ny CAN. Teo ihany koa ny nandavoan’ny mpilalao malagasy ny Nizeriana tamin’ny isa 2 noho 0 ary ny nanilihantsika an’i RD Congo tamin’ny fandakana penalty teo amin’ny ampahavalon-dalan’ny CAN. Ampahatsiahivina fa ny 14 jona lasa teo no namoaka ny filaharana farany ny Fifa. Nanom- boka ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay kosa ny CAN. Nitondra tantara sy sary tsara ho an’ny baolina kitra malagasy ny Barea tany amin’iny andiany faha 32-n’ny CAN iny. Sendra R. L’article Baolina kitra – Filaharana FIFA :: Tafaverina ao anatin’ny Top 100 i Madagasikara est apparu en premier sur AoRaha.

News - Santé - News Mada

Faritra 20 amin’ny 22 izao ny tratran’ny Covid-19: nisy efatra indray ny maty, 262 ireo tranga vaovao

Efatra ireo matin’ny Covid-19, tao anatin’ny iray andro. Efa mahenika ny faritra 20 ny valanaretina amin’izao fotoana izao ary tsy vitan’izany fa miisa 51 ireo ahina mafy koa ny toe-pahasalamany, ankoatra ireo tranga vaovao 262.Sambany tafakatra efatra ny matin’ny Corona­virus tao anatin’ny 24 ora, eto amintsika. «Avy any Ambanja ny iray ary avy eto Analamanga ny telo amin’izy ireo», hoy ny mpitondra tenin’ny CCO, ny Pr Vololon­tiana Hanta, omaly. Tafakatra 43 izany izao ireo namoy ny ainy noho ity valanaretina ity. Mbola mampanahy koa aza anefa fa miisa 51 ireo marary mafy «forme grave» ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, toy ny etsy Be­felatanana sy ny eny Ano­siala ary ny etsy Andohata­penaka sy ny eny Fenoarivo. Miisa 10 koa ireo marary mafy any Antsirabe raha roa ny any Toliara ary iray ny any Boeny.Mbola foiben’ny valanaretina hatrany Analamanga Etsy andaniny, mbola lohalaharana amin’ny hamaroan’ireo nifindran’ny valanaretina eto Analamanga. Miisa 205 izany amin’ireo tranga vaovao 262. Manaraka azy eo ny any Mahajanga. Miisa 15 ireo tratran’ny Co­ronavirus raha 13 avy kosa ny any Toliara sy ny any Ano­sy. Dimy ny any Fia­narantsoa raha efatra ny any Vakinankaratra. Samy roa avy kosa ny any Atsinanana sy ny any Betsiboka. Iray ny tsy voafaritra ny toerana misy azy.Faritra 20 efa misy Coronavirus «Mbola voalohany sy ma­ro anisa ny eto Analamanga amin’ny fiparitahan’ny valanaretina. Misy faritra vaovao koa ahitana izany amin’izao fotoana izao. Ohatra ny any Maevatanàna, faritra Betsi­boka. Na izany aza, tokony hitandrina ny rehetra na aiza na aiza ahafahana misakana ny Coronavirus », hoy ihany ny eo anivon’ny CCO. Hany faritra roa amin’ireo faritra 22 tsy ahitana ny valanaretina sisa ny any Melaky sy ny any Androy. Izany hoe, 20 izany izao ireo faritra efa misy olona tratran’ny Covid-19.Synèse R.L’article Faritra 20 amin’ny 22 izao ny tratran’ny Covid-19: nisy efatra indray ny maty, 262 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire

Nitohy, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Allianz Field ao St Paul, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Major League Soccer  (MLS), taranja baolina kitra. Niatrika izany, ny Minnesota United FC, klioba hilalaovan’i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar  sy ny Vancouver Whitecaps. Nisaraka ady sahala, samy tsy nisy nitoko ny roa tonta. Na teo aza io vokatra io, voahosotra ho mpilalao mendrika, i Metanire. Ny zava-bitany teny ambony kianja no nahazoany izany amboara izany. Marihina fa manan-danja ny lalao natrehiny satria hitadiavana isa, hiatrehana ny “play-offs”. Hatreto, fahadimy ny Minnesota United FC, izay manana isa 35 ary efa manana tongotra ila, any amin’izany “play-offs”, izany. Mbola mila miady mafy ry Metanire, amin’ny lalao hikatrohany amin’ny Portland Timbers, ny alahady ho avy izao.Mialoha io, hiatrika ny All Star Game, any Orlando, i Romain Metanire, ny alarobia ho avy izao. Raha tsiahivina, lalao hihaonan’ny ekipa voafantin’ny MLS sy ny ekipa eoropeanina, iray izy io. Amin’ity, ny Atletico de Madrid, no hikatroka amin-dry MLS, ka anisan’ireo mpilalao voafantina amin’izany, i Romain Metanire. TompondakaL’article Kitra – «Major League Soccer»: voahosotra ho mpilalao mendrika i Metanire a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

FAMONOANA PÔLISY TELO LAHY :: Naiditra am-ponja ireo olona sivy ambin’ny folo voampanga

Natolotra ny Fitsarana , omaly any Toamasina ireo olona miisa sivy ambin’ny folo voarohirohy namono nahafaty ireo pôlisy miisa telo, tany Fenoarivo Atsinanana, tamin’ny 24 oktobra lasa teo. Vita ny fihainoana azy ireo tao amin’ny Fampanoavana dia avy hatrany natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireo voampanga rehetra. Naiditra am-ponja avokoa izy ireo taorian’izay. Nifandrombonan’ny zandary sy ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny fisamborana sy ny famotorana ireo olona am-polony ireo tany Fenoarivo Atsinanana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Pôlisim-pirenena dia vehivavy no nampirisika ireo andian’olona nitarika tamin’ny famonoana ireo pôlisy telo mirahalahy namita iraka tany an-toerana tamin’io fotoana io. Isan’ireo efa voasambotra ary natolotra ny Fitsarana io vehivavy io. Ankoatra ny fianakavian’ireo pôlisy namoy ny ainy dia nametraka fitoriana tamin’ity raharaha ity ihany koa ny Pôlisim-pirenena. Raha tsy mbola mivaha ny olana momba ny raharaha Antsakabary, izay maha voarohirohy olon-tsotra maro namono nahafaty pôlisy roa sy pôlisy maro voampanga nandoro trano an-jatony, ka namoizana ain’olona iray tany an-toerana dia miseho indray ity raharaha Fenoarivo Atsinanana ity. L’article FAMONOANA PÔLISY TELO LAHY :: Naiditra am-ponja ireo olona sivy ambin’ny folo voampanga est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Mila mailo: misy misandoka ho mpitsabo maso

Tokony ho mailo ny rehetra, indrindra any ambanivohitra, fa misy ny olona maso mitety vohitra mitonona ho mpitsabo mandray an-tanana marary ary manome fanafody. Tranga iray niseho tany amin’ny faritra ivelan’ny Renivohitra, nitarika fahasimban’ny mason’ny zaza vao 15 volana, izany. Noho ny fanafody (collyre) nomen’ny olona nisandoka ho mpitsabo maso ny nahatonga izany. Efa mandeha ny fanadihadian’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’izao fotoana izao momba io tranga io. Ireo rehetra mitonona ho fikambanana misehatra amin’ny fahasalaman’ny maso, tsy maintsy manana fifanaraham-piaraha-miasa avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana.Tokony hanana mpitsabo manana fahaizana manokana amin’ny fitsaboana maso koa izy ireo, araka ny fanambaran’ny tomponandraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamana. Mialoha ny hanatanerahana ny asa, mila mitondra ireo antontan-taratasy voalaza ireo eny amin’ny tomponandraiktiry ny fahasalamana ao an-toerana ilay fikambanana.Vonjy A.  L’article Mila mailo: misy misandoka ho mpitsabo maso a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fampandrosoana: hamondron-kery ny Fizafia

  Nampahafantarina nandritra ny « sakandro », ny lanonana fihaonamben’ny mpikambana natao teny Alarobia, ny alahady teo ny hirosoan’ny  Fikambanan’ny zanaka Ampanabaka Fitovinany eto Antananarivo ( Fizafia) lalindalina kokoa amin’ny fampandrosoana. “Paikady hiatrehana izany ny famoronana hetsika lehibe ao Vohipeno, hanasongadinana ny kolontsaina sy ny soatoavina Antemoro hoenti-mampandroso iny faritra niavian’ny Ampanabaka iny”, hoy ny filohan’ny  fikambanana, i  Botomahasendry. Notsiahiviny  fa manana olomanga sy manampahaizana azo akan-kevitra amin’ny sehatra samihafa ny Ampanabaka ka ho vovonana hihaonana, handinihana ny sakana amin’ny fampandrosoana sy ny tokony hatao io fotoana io. Etsy andaniny,  hatao fisintonana mpitsidika ihany koa izany hetsika izany hisian’ny fidiram-bola ho an’ny mponina sy ny rafitra any an-toerana amin’ny fandraisana azy ireo sy ny fifanakalozana aminy. “Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fifandraisan’ny samy Ampanabaka,  efa miely patrana manerana ny Nosy”, hoy ihany izy.Tsiahivina fa efa niendrika fampiraisam-pirenena ny « sakandro » nataon’izy ireo teto AntananarivoL’article Fampandrosoana: hamondron-kery ny Fizafia a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Afrika sy Madagasikara: 40 miliara dolara isan-taona ny fanafarana sakafo

40 miliara dolara isan-taona ny lany amin’ny fanafarana sakafo ampidirina aty Afrika, araka ny tatitra nataon’ny Vondrona afrikanina (UA) miaraka amin’ny Nepad (Nouveau partenariat pour le développement de l’Afrique). 50 % ny tany mamokatra tsy voatrandraka ho an’ny fambolena. Ambany dia ambany ny vokatry ny fambolena aty Afrika, 10 % amin’ny ankapobeny raha oharina amin’ny vokatra any Azia. Mandalo eto Madagasikara izao ny teknisianina avy any Maraoka mampiofana teknisianina sy mpikaroka malagasy ny amin’ny hamerenana ny tsiron’ny tany eto an-toerana, hamokatra bebe kokoa. Isan-taona mihena hatrany io taham-pamokarana io na tsy mampiasa zezika firy aza ny Malagasy.Tsy maintsy hampitomboana hatrany amin’ny 100 % ny vokatra eto an-toerana, hiadiana amin’ny fahantrana, hita any ambanivohitra sy amin’ny tanàn-dehibe. Faritan’ny UA hahatrarana izany ny fampandrosoana izany ny toekarena miainga avy amin’ny tontolon’ny fambolena. Tsy hita eto Madagasikara ny politika maharitra momba ny fampandrosoana ny fambolena.Tetikasa mandalo sy vonjy maika ihany hatramin’izao ny hita eto matoa mbola tsy tonga amin’izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay. Manamarina izany ny fiakaran’ny vidim-bary, nanomboka ny taona 2008. Ny taona 2014, nambaran’ny UA fa taona ho an’ny fambolena, tokony nametraka politika tsara fototra sy lavitrezaka ny firenena afrikanina isanisany, saingy tsy izay ny zava-mitranga fa misongadina, indrindra ny fandripahana ala, tonga amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao, manimba ny taom-pambolena.Azo tanterahina tsara anefa ny revolosiona maitso, toy ny hita any Azia, mifototra amin’ny fambolem-bary. Ahitan’ny Aziatika fahombiazana izany, na avy amin’ny asan’ireo mpamboly madinika aza. Tsara alain-tahaka ho an’i Madagasikara. R.MathieuL’article Afrika sy Madagasikara: 40 miliara dolara isan-taona ny fanafarana sakafo a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD
23/09/2020

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.

Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana
23/09/2020

   Mifantoka amin’ny fitaterana sy ny fizahantany ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo sehatra roa mifamatotra ireo. Maro ny olona mivelona mivantana amin’izany ka mila arenina hainganaTsy afa-misaraka ny fitaterana sy ny fizahantany. Roa volana izao, nifantoka tanteraka amin’ireo sehatra roa mifamatotra ireo ny minisiteran’ny Fitaterana hanomezana aina indray ireo fiharian-karena fototra niharam-pahavoazana toy ny sehatra hafa rehetra tratran’ny krizy ara-pahasalamana. Sarotra arenina izany ankehitriny noho ny fahavoazana isan-tokony mifandray amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.Fototry ny toekerem-pirenena ireo, iveloman’ny olona antapitrisany mivantana, ka nametraka paikady vaovao ny minisitera mpiahy ho mpanelanelana sy ho fanarenana izany, any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho fiatrehana izany ny tetikasa Fihariana sy ny banky Indostrian’i Madagasikara, mifampiraharaha manamora ny fampindramam-bola ho an’ireo sehatra roa roa ireo: fitaterana sy fizahantany. 300 miliara ariary ny hatokana ho amin’izany ary haverina mandritra roa taona, miaraka amin’ny zanabola 8 % isan-taona ho an’ny mpitari-dalana sy ny mpitatitra ahafahan’izy ireo mamelona indray ny sehatra tandrify azy.Maika miaraka amin’izany tetikasa ny fanajariana ny manodidina izany, ny fitandroana ny tontolo iainana. Fandriamapahalemana, fanamboarana fotodrafitrasa manodidina, toy ny lalamby, ny seranam-piaramanidina, tsy ambanin-javatra koa ny fanadiovana ny lakandron’i Pangalana. Manana harena voajanahary mampiavaka samihafa ny manamorona ny lakandrano Pangalana sy ny lalamby FCE ireo rehetra ireo. R.MathieuL’article Fizahantany any Vatovavy Fitovinany: manohana 300 miliara ariary ny Fihariana a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra
22/09/2020

Taorian’ny fikatonan’ny CTC etsy Mahamasina sy ny foibem-pitiliana etsy Andohatapenaka, nilaza, mitohy ny fitsaboana ireo mararin’ny  covid-19 eny amin’ireo hopitaly lehibe rehetra.Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala fa manatona avy hatrany ny hopitaly lehibe ireo marary miaina ny tranga fahasarotana, satria efa nahazo toromarika amin’ny fandraisana marary covid-19 izy ireny.Nanome toky ny minisitera  fa tsy misy atahorana ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly satria efa midina be ny trangan’aretina, ankehitriny.Ho an’ireo misy tranga mampiahiahy, manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana ary manao ny fitiliana raha ilaina izany. Tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana tsotra kosa raha tsy mbola misy fahasarotana.Na ny eny amin’ny CSB aza, efa vitsivitsy ny olona tonga manao fizaham-pahasalamana satria efa tsy manafika be intsony ny aretina tao anatin’ny iray volana mahery izao.Na midina aza ny tahan’ny voan’ny coronavirus, mitohy hatrany ny fanajana fepetra rehetra ho fiarovan-tena sy fiarovana ny manodidina . Tatiana AL’article Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona
24/09/2020

Mitohy ny lalana, ary miakatra hatrany ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Robotika. Efa maro ireo fanamby notakina amin’izy ireo, ary tontosany soa aman-tsara avokoa nandritra izay fotoana lavalava nisian’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020” izay. Hiatrika ny fanamby faha-25 sady farany ireto tanora manampahaizana ireto, ka naka aingam-panahy tamin’ny fitsidihana ozinina. Nandray azy ireo ny ekipan’ny Star, tany amin’ny ozinin’ny Eau Vive any Andranovelona, omaly. Nijery mivantana ireo milina miasa ao amin’ny ozinina, hananan’izy ireo hevitra amin’ny fanamby farany hatrehiny. “Mahafaly ny ekipan’ny Star ary reharehan’ny rehetra ny dingana vitan’ny ekipam-pirenena Robotika. Efa ao anatin’ny dimy voalohany maneran-tany, ary tohanantsika hatrany mba samy hanakatra ny kintana izy ireo”, hoy ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ao amin’ny Star. “Misaotra manokana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izahay, izay nandray an-tanana anay nandritra ny fifaninanana ary nanohana hatrany. Misaotra ny Star koa noho ny fandraisan’izy ireo teto amin’ny ozinina fa misy azo entina miatrika ny dingana farany izany”, hoy ny nambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny ekipa. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena mahakasika ny Robotika ny “First Global Challenge”. Ho an’ireo tanora mpianatra, 14 hatramin’ny 18 taona, izany ka manana fitiavana manokana amin’ny fikarohana. Tsy mena-mitaha amin’ireo ekipan’ny firenen-kafa ny ekipa malagasy hatramin’izay. Mbola mahavelombolo ihany koa ity ekipa amin’izao ity.Zo ny AinaL’article Ekipam-pirenena Robotika: nitsidika  ny ozinin’ny Eau Vive Andranovelona a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle
23/09/2020

 Misondrotra avo hatrany ny voninahi-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ny taranja lomano. Taorian’ny nahazoany ny laharana faha-7, teto Afrika, ho an’ny 100 m NL, vehivavy, mbola tafiditra “top 10” indray Rabarijaona Tiana Marielle, ho an’ny 400 m NL. Ny fifaninanana “56th Malaysia International Age Group Swimming Championships” ka nahavitany ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 04’35”45 ny nahafahana nametraka ho eo amin’ny laharana faha-10 eto Afrika. Filaharana navoakan’ny Cana (Confederation africaine de natation), omaly, ho an’ny taona 2020. Tsiahivina fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny tamin’ny taona 2019, nahazoany “record national” maromaro. Isan’izany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny 400 m NL, ny namontsanany ny zava-bita tsara indrindra nasionaly io. Nandray anjara tamin’ilay fifaninanana natao tany Gwangju, Corée, ihany koa i Murielle ka zava-bita tsara indrindra nasionaly roa ny montsany (50 m basse/200 m NL).Raha hiverenana ity filaharana nivoaka ity teo amin’ny 400 m NL, azon’i Dune Coetzee ny laharana voalohany (04’19’’19). Mi.Raz L’article Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle a été récupéré chez Newsmada.

Ankaisy – Toliara: tratran’ny polisy ireo jiolahy nangalatra zaza varira
18/09/2020

Hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Ankaisy i Vaoliny (ilay zaza varira nalain’ny jiolahy an-keriny), rehefa napetrak’ireo olon-dratsy tamina trano vondro (falafa) iray eny an-toerana. Vokatry ny fahitan’ny polisy avy ao amin’ny DRSP Toliara tamin’ny alalan’ny fahazoana loharanom-baovao no nahafantarana ireo jiolahy mpividy zaza varira (zaza bobo). Nametraka ny paikady rehetra ahafahana misambotra ireo jiolahy ny polisy ka noraisim-potsiny izy ireo niaraka amin’ny telefaonina finday entin’izy ireo mifandray amin’ireo olona akaiky ilay zaza varira. Araka ny nifanarahan’ny fianakaviana amin’ireo jiolahy, ny talata lasa teo ny fotoana nifanaovana amin’ireo jiolahy ka teo amin’ny Simpa ny toerana hifankahitana eo amin’ireo olon-dratsy sy ilay olona milaza fa mahita mpividy. Nasaina nifampiresaka tao anaty fiara ilay olona milaza fa mahita mpividy sy ireo olon-dratsy ka teo ry zalahy no voasambotry ny polisy. Nandritra ny famotoran’ny polisy ny nahafantarana ny toerana nametrahan’izy ireo an’i Vaoliny. Nambaran’ny polisy fa olona maromaro ny voarohirohy amin’ity raharaha halatra an’i Vaoliny ka isan’izany ireo roa lahy tratran’ny polisy. Marihina fa nalain’ny jiolahy an-keriny ny 17 aogositra ity ankizikely ity tao amin’ny fokontany Beravy, kaominina Belalanda. Mitentina 200 tapitrisa Ar no mody hoe hividianana azy vao nanaiky hanome azy ireo jiolahy. Efa tafaverina any amin’ny fianakaviany ilay zaza varira.CMSL’article Ankaisy – Toliara: tratran’ny polisy ireo jiolahy nangalatra zaza varira a été récupéré chez Newsmada.

Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro
17/09/2020

Namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary, tany Andohamandry-Mangamila, any Anjozorobe, afak’omaly hariva, ny lehilahy iray voatondro ho mpampitondra faisana ny mponina tany Sadabe, Mangamila hatrany Anjozorobe. Malaza amin’ny fanafihana sy fandrobana amin’ny endriny maro izy. Angom-baovao momba ny fanomanana fanafihana iray tany Andohamandry no niaingan’ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ ny fisamborana an’ity lehilahy ity sy ny namany. Zandary dimy, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Sadabe, no nanatanteraka ny hetsika. Velona avy hatrany ny tifitra, vantany vao nahita an’iretsy mpitandro filaminana ireo andian-dehilahy, araka ny tatitra avy amin’ny Zandarimaria any an-toerana. Tra-tehaka, taorian’izay, ny basy MAS 36 mbola feno bala, niaraka tamin’ny ny sakaosy iray feno ody gasy, kiririoka ary kara-panondro. Naterina any amin’ny toby fitsaboana fototra faharoa ao Sadabe ny razana hozahan’ireo mpitsabo mialoha ny handevenana azy. Volazan’ireo mponina fa “sady manolana ankizy, mamono ary maka omby no tena nampalaza an’ity lehilahy lavon’ny balan’ny zandary ity”. L’article Fahalavoan’olon-dratsy tany Sadabe :: Maty voatifitra ny lehilahy iray malaza ho mpampihorohoro est apparu en premier sur AoRaha.

Pilo kely #4507 aroson’i Mamy Be
21/09/2020

L’article Pilo kely #4507 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020
22/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon les données statistiques du Centre de commandement opérationnel (CCO) Covid-19 de ce 22 Septembre 2020, les nouveaux cas des dernières 24h sont au nombre de 63 sur 598 tests effectués, portant à 1165 le nombre de cas actifs actuels dont 20 présentent des formes graves. La majorité des nouveaux cas sont localisés dans la région de Sava avec 25 cas, suivi de Alaotra Mangoro avec 13 cas, la région Diana avec 9 cas, la région vatovavy Fitovinany avec 3 cas, la région Analamanga avec 6 cas et la région de Boeny avec 1 cas. Quant aux guérisons, 61 cas de guérisons ont été également annoncés par le Pr Vololontiana, de ce fait sur 16 136 personnes contaminées du Coronavirus dans toute la Grande Île, 14 743 personnes sont totalement rétablies du Covid-19. 1 décès liés au Covid-19 a été rapporté par la porte-parole du CCO Covid-19, depuis le début de l’épidémie en mars 2020, le nombre de décès liés au coronavirus à Madagascar est de 226L’article Covid-19: Situation du 22 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19
17/09/2020

Manimba, mampanify ny hatevin’ny sosona ôzôna eny amin’ny habakabaka ny fiharian’ny olombelona. Nisy fihatsarany ny fihibohana vokatry ny tranga Covid-19 satria nihena ny fiparitahan’ny entona karbona manimba ny sosona ôzôna.Miaro ny haibolan-tany amin’ny hafanana avy amin’ny masoandro ny sosona ozôna.Tandindomin-doza amin’izao fotoana izao ny haibolan-tany, indrindra tato anatin’ny taonjato roa farany, ity sosona ity, satria niroborobo ny famokarana indostria, mamoaka entona karbôna (CO2), ampian’ny fitrandrahana ny zavamaniry ka mampanify ny hateviny ary mampiakatra ny maripana eto an-tany.Nilaza ny teknisiana ao amin’ny Birao nasionaly ny Ozôna (BNO), i Nandrasana Mamy, fa miverina tsikelikely, mihatsara ny sosona ôzôna eto amintsika amin’izao vanim-potoana hisian’ny tranga Covid-19 izao. Antony, nihena ny famokarana indostrialy sy ny fifamoivoizana satria maro ny fiara tsy nivezivezy ka nihena koa ny fampiasana solika, mamoaka etona karbona. Nihena koa ny doro tanety nandritra izay fihibohana izay.Omaly 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna, napetraky ny firenena Mikambana. Lohahevitra noraisina ny hoe : “Ozôna ho an’ny fiainana”. Nampiavaka ity fotoana ity koa ny faha-35 taona ny nankalazana ny Andron’ny ozôna.Foanana ny fampiasana ny HCFCManampy izany, mitohy ny fanafoanana tsikelikely ny fampiasana ny fitaovana na kojakoja  ahitana ny etona HCFC (Hydrochlorofluorocarbures). Etona anisan’ny manimba ny sosona ozôna koa ity. Nanomboka ny taona 2010 ny ezaka nanafoanana ny fampiasana azy tsikelikely. Efa Manodidina ny 35% ny taha tsy ahitana azy amin’izao fotoana izao ka tanjona ho 65% amin’ny taona 2025. Nanolotra fitaovana “climatiseur” miisa 38 ny Sampana firenena Mikambana hampandrosoana ny indostria (Onudi), omaly, miaraka amin’ny kojakoja mandeha amin’ny etona R290. Mitsitsy angovo ireo fitaovana ireo, mihena hatrany amin’ny 20%. Haparitaka eto Analamanga sy Vakinankaratra izy ireo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Sosona ozona: nanatsara ny habakabaka ny Covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Famotorana depiote teo aloha
21/09/2020

Hatolotra ny Fitsarana, any Morondava, Raveloson Ludovic na i Leva, depioten’i Madagasikara teo aloha voafidy tany Mahabo, taorian’ny fisamborana azy tetsy Analakely, tamin’ny herinandro lasa iny. Nigadona tany Morondava, tamin’ny zoma maraina, izy ary voatazona ao amin’ny tobin’ny Zandarimaria any an-toerana. Fantatra fa mbola afaka nanao fitarainana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izy, afak’omaly, izay mety ho nomaniny mialoha ny nahatrarana azy. Iantefan’ny fiampangana hafa ankoatra ny efa nanamelohan’ny Fitsarana azy higadra an-tranomaizina, sazy mihatra, ity olom-boafidy teo aloha ity. L’article Famotorana depiote teo aloha est apparu en premier sur AoRaha.

Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie
23/09/2020

Nitodika manokana amin’ny hoavin’ireo zaza kambana avy any Manajary, fehezin’ny fomba ho tsy azo taizana miaraka, ny “Miss Madagasikara”. Vonona hanome tanana azy amin’izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany… Anisan’ireo hitsarana ireo tovovavy mifaninana amin’ny “Miss Monde” ihany koa ny fahaizana manohana hevitra, amina tranga iray mety hampisy sakana amin’ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Hiatrika ny andiany faha-70 amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity i Anjaratiana Nellie, nisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagasikara 2020”. Nisafidy ny hiady ho an’ny zon’ireo zaza kambana avy any Mananjary izy mandritra izany. “Hataoko amin’ny fo izay azoko atao momba ity ady ity. Tokony ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy mahazo ireo zaza kambana any Mananjary, izay noho ny fomba amam-panao, tsy mahazo miara-monina. Fantatro fa sarotra izany, saingy te hitondra izay kely vitako amin’ny fanatsarana ny hoavin’ireo zaza ireo amin’ny fandraisako anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity”, hoy ny nambaran’i Nellie, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nitsidika sy nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, mantsy ny “Miss Madagasikara”, omaly. “Mahafaly anay eto amin’ny minisitera ny miara-dalana amin’i Nellie sy manohana azy amin’izao dingana lehibe hatrehiny izao. Hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ka tena mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra”, hoy ny nambaran’ny minisitra. Raha tsiahivina, natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny dingana fifanintsanana tamin’ny fifaninanana, nisafidianana ny Miss Madagasikara tamin’ity taona ity. Ny 17 jolay kosa ny dingana famarana, tetsy amin’ny Arena Ivandry, ka nivoaka ho tompon’ny anaram-boninahitra i Nellie. “Raha ny tokony ho izy, tontosaina ny volana desambra isan-taona ny fifaninanana “Miss Monde”. Noho ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy anefa, mbola tsy nanapaka daty ofisialy ny komity. Na izany aza, efa mivonona amin’ny fikarakarana rehetra izahay mba tsy hitsanga-menatra ny solontenantsika”, hoy ny nambaran’i Ginah Vidot, filohan’ny komitim-pirenena mikarakara ny “Miss Madagasikara”, na ny CNMM.Zo ny AinaL’article Hiatrika ny “Miss Monde”: hiady ho an’ireo zaza kambana any Mananjary i Nellie a été récupéré chez Newsmada.