Pandémie du COVID-19 : La 75e Assemblée générale de l’ONU en visioconférence

News - Pandémie du COVID-19 : La 75e Assemblée générale de l’ONU en visioconférence

News - Pandémie du COVID-19 : La 75e Assemblée générale de l’ONU en visioconférence

Inédit. L’assemblée générale des Chefs d’Etat et de Gouvernement des Nations-Unies sera cette année un évènement spécial et particulier. En raison de la pandémie du coronavirus, les rencontres se dérouleront en visioconférence cette année. Il n’y aura donc aucune rencontre physique entre les Chefs d’Etat et de Gouvernement. Il convient de rappeler que cette année 2020 marque le 75e anniversaire des Nations-Unies. Malgré le COVID-19, la diplomatie mondiale ne sera pas au point mort. Cependant, aucun dirigeant ne sera présent à New-York. Le Sommet en soi débute ce jour. En revanche, le débat général commence le 22 septembre. En effet, comme dans les périodes normales, tous les dirigeants du monde entier ont droit à présenter un discours. Tous les Chefs d’Etat sont invités à envoyer au Secrétariat général de l’ONU une vidéo préenregistrée de leur discours qui sera diffusée en direct. La population du monde entier pourra ainsi suivre en direct la prise de parole de leur dirigeant respectif.

Débat populaire. Ce sera le cas du président Andry Rajoelina qui ne manquera certainement pas de formuler un discours se rapportant sur des thèmes précis, probablement sur la gestion de la pandémie du coronavirus et les stratégies à adopter face aux Objectifs de Développement Durable (ODD). L’on s’attend également à ce que le numéro Un d’Iavoloha interpelle l’Assemblée générale des Nations-Unies par rapport à l’affaire des Îles Eparses. Un représentant de l’Ambassade de Madagascar aux États-Unis pourra être présent dans la salle de l’Assemblée générale durant le discours d’Andry Rajoelina. Les Nations-Unies célèbrent cette année son 75e anniversaire. A cette occasion, le Secrétaire général de l’ONU, Antonio Guterres va lancer un vaste débat populaire axé sur la construction du futur. Ce dernier s’exprimera sur le sujet lors du débat général qui se tiendra au siège de l’ONU.

Davis R

L’article Pandémie du COVID-19 : La 75e Assemblée générale de l’ONU en visioconférence est apparu en premier sur Midi Madagasikara.

Pandémie du COVID-19 : La 75e Assemblée générale de l’ONU en visioconférence

L’article Pandémie du COVID-19 : La 75e Assemblée générale de l’ONU en visioconférence a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Santé

Tetik’asa hiarahana amin’ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA

4 353 769 200 Ar natolotry ny Governemanta Japoney ho entina hanampiana amin’ny ady amin’ny valan’aretina COVID-19 eto Madagasikara.nandritra ny lanona fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa TOLISABO II, sy ny fanolorana fitaovana fiarovana hoan’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny Alarobia 12 Aogositra 2020.   Ho fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 eto Madagasikara sy mba hanamafisana ny fahafahan’ny Firenena Malagasy miatrika izany ary indrindra noho ny hamehana ara- pahasalamana dia nanolotra vola natokana ho amin’ny tetikasa fampandrosoana ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny Gouvernementa Japoney.   Ireo fanampiana ireo dia natao  hisorohana sy hifehezana ny aretina, hanatsarana  ny fitsaboana ireo marary, hiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miatrika mivantana ny valan’aretina, hanaraha-maso ny valan’aretina ary hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo   ambaratonga samihafa amin’ny rafi-pahasalamana.   Ny distrika Ambovombe,  Tsihombe,  Beloha, ary Bekily ao anatin’ny faritra Androy; Ampanihy sy Betioky ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ;  Amboasary ao amin’ny faritra Anosy, ary ny faritra Analamanga sy Alaotra Mangoro, no hisitraka ny tombotsoa amin’ireo vola azo avy amin’ny governemanta Japoney ireo.   Mba hisian’ny mangaraha sy ny fitantanana ara-drariny ireo vola ireo dia hisy ny « comité de pilotage gouvernementale » hanara maso sy fampiasana ireo fanampiana ireo. L’article Tetik’asa hiarahana amin’ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - Midi Madagasikara

Examen du BEPC : Pas d’épreuves d’EPS pour cette année

La nouvelle vient de tomber juste après l’annonce qu’il n’y aura pas d’épreuves d’EPS pour le baccalauréat, il n’y en aura pas également pour le BEPC selon les déclarations des responsables au niveau du ministère de l’Education nationale. Dans le souci de protéger les enfants    malgaches de la Covid-19, le ministère de l’Education nationale a pris la décision de retirer l’EPS de la liste des épreuves à passer pour l’obtention du Brevet d’études du premier cycle ou BEPC 2020. Les risques de propagation du virus durant ces épreuves sportives seraient trop élevés qu’il n’est pas concevable que les enfants les passent. Rappelons que cette épreuve se déroule normalement avant les autres et que certains établissements ont rappelé à l’école leurs élèves en vue de bien préparer l’examen d’éducation physique et sportive. Ce qui ne représente pas un effort vain puisque la pratique d’une activité sportive est bon pour la santé avec ou sans diplôme à la clé. Ligne verte. Outre la suppression des épreuves d’EPS, le ministère fait également savoir la disponibilité d’une ligne téléphonique verte si jamais un problème lié aux convocations aux examens se présente. Il faut donc appeler au 020 30 807 86 en cas de problème alors qu’auparavant, il fallait se rendre auprès de chaque établissement pour résoudre les soucis sur les convocations. Par ailleurs, une innovation a également été bien reçue par les parents et les candidats. Il s’agit d’un tutoriel vidéo mis en ligne sur la page Facebook et le site Internet du MENETP concernant la manière adéquate pour remplir les copies d’examen. Cela peut éventuellement réduire les éventuelles erreurs de la part des candidats. D’autant plus que les enfants n’auront pas assez de temps cette année pour se familiariser avec la procédure, la date de début des épreuves étant fixée au 21 septembre 2020, soit dans moins de 25 jours. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Examen du BEPC : Pas d’épreuves d’EPS pour cette année est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Examen du BEPC : Pas d’épreuves d’EPS pour cette année a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Kitra – «THB Ligue des champions»: hidona amin’ny Jet Mada etsy Mahamasina ny Cnaps Sport

Noho ny fisian’ny fifidianana solombavambahoaka, notapahina fa haroso ireo lalao tafiditra amin’ny andro fahadimy, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hotanterahina, amin’ity alarobia ity, ny andro fahadimy, hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, “THB Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny AS Jet Mada sy ny Cnaps Sport, samy avy any Itasy. Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.Hatreto, hiezaka hitady fandresena ny Jet Mada na tsy manana herijika handrombaka ny anaram-boninahitra intsony aza. Hanao izay hakana, isa telo kosa ny Cnaps Sport hahatsara toerana azy ireo. Hatreto mantsy, isa fito ny azon’izy ireo.Any Mahanjanga indray, hanafika ny Fosa Jr Boeny ao an-kianjany ny Ajesaia. Ny ekipan’i Bongolava izay vao avy resy teo amin’io kianja Rabemananjara io, ny alahady lasa teo, nandritra ny lalao manasa-dalana, niadiana ny amboaran’i Madagasikara. Hanarina ny fahavoazany amin-dry zareo tompon-jaridaina izy ireo, amin’ity.Heverin’ny rehetra fa ho sarotra ho azy ireo ihany ny hanilika ny Fosa Jr Boeny eo an-taniny, saingy boribory ny baolina.Any amin’ny kianja Andaboly Toliara, handray ny FC Zanakala Matsiatra Ambony ny 3FB Toliara. Hafana vay io fihaonana io satria ekipa nahavita dingana goavana ary tsy nisy nanam-po mihitsy ny 3FB, manana isa enina, hatreto, ary manana herijika handrombahana ihany koa ny ho tompondakan’i Madagasikara.Ny lalao fahefatra amin’ity “THB Ligue des champions” ity kosa, hotanterahina rahampitso alakamisy 23 mey, eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina hatrany. Hampiantrano ny FC Ilakaka avy any Ihorombe ny AS Adema Analamanga. Ny ekipan’ny seranam-piaramanidina Ivato izay tsara toerana ihany koa satria mitarika amin’ny isa valo. Ny FC Ilakaka izay tsy manana afa-tsy isa iray, hatreto, ary mitana ny rambony eo amin’ny filaharana. TompondakaL’article Kitra – «THB Ligue des champions»: hidona amin’ny Jet Mada etsy Mahamasina ny Cnaps Sport a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ianabinda Betroka: dahalo iray matin’ny fokonolona

Dahalo miisa enina indray nanafika sy nangalatra omby roa vala tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina ambanivohitr’i Ianabinda, distrikan’i Betroka, ny 11 aogositra 2019 misasakalina. Rehefa naheno koika na hazolava (antso vonjy) ny fokonolona iray tanàna dia samy nivoaka ny tranony ka nanao izay ho afany namaly ireo tifitra variraraka nataon’ny dahalo. Resy tosika ireo dahalo ka vaky nandositra niaraka tamin’ny omby miisa 25. Raikitra ny fifanenjehana ka niarafara tamin’ny fifandonana indray  izany, dahalo iray lavo ary tafaverina tamin’ny tompony ny omby raha mbola any am-pelatanan’ireo dahalo kosa ny omby miisa 11. Mbola manohy ny fanarahan-dia ireo fokonolona miaraka amin’ny zandary any an-toerana sy ny Usad. Tsapa fa tsy manaiky lembenana amin’ny asa ratsy ataon’ny dahalo intsony ireo vahoaka ao amin’ny distrikan’i Betroka. Manampy mivantana ireo mpitandro filaminana ny fokonolona ary ahitam-bokany toy izao izany.Jean ClaudeL’article Ianabinda Betroka: dahalo iray matin’ny fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita

Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Service central des enquêtes spécialisées (SCES), ny alakamisy teo teny Andraisoro ireo roa vavy voarohirohy amin’ny fanondranana vehivavy mihazo an’i Arabia Saodita…Na efa norarana aza, mbola mahita hirika ihany! Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisy fa misy vehivavy mpanangona olona halefa any Arabia Saodita eny amin’iny faritra Andraisoro iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy raha vantany vao nandre ny fisian’ireo manangona tovovavy ireo. Voamarina tokoa ny fisian’izany toerana fanangonana olona izany eny Andraisoro. Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, tamin’io alakamisy io, nanao fisavana ilay trano fanangonana olona ny polisy ka vehivavy miisa dimy no tratra tao. Nambaran’ny polisy fa ny iray amin’izy ireo no fantatra fa mpikarakara ny taratasy handehanan’izy ireo. Avy any amin’ny faritra Vohémar sy Andapa ary Sambava no fiavian’ireo tovovavy ireo ary efa herinandro izay no nahatongavany teto Antananarivo. Fantatra nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ireo fa vola 6 hetsy Ar isan’olona no alain’ireo olon-dratsy amin’ireto vehivavy ireto vao tonga eto Antananarivo izy ireo. Vehivavy iray mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo ihany koa voasambotra tamin’io fotoana io noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ity raharaha fanondranana olona ity. Nanamafy  hatrany ny polisy fa mbola misy naman’izy ireo karohina amin’izao fotoana izao.Jean ClaudeL’article Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tifitra nahafaty

Namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy ny lehilahy iray, efapolo taona, tany Ankifafa Ambalakazaha any amin’ny distrikan’Antsalova, faritra Menabe. Teny an-dalana hamonjy tsena, tamin’ny alarobia 3 jolay izy, no niharan’ny fanafihana. Tsy nisy anefa ny entana na vola voaroba. L’article Tifitra nahafaty est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Ratsietison Jean Jacques – « Iles Eparses » : « Tsy olana ny miara-mitantana amin’i Frantsa »

  Nitondra ny heviny koa. “Tsy olana ny miara-mitantana amin’ny Frantsay ireo Nosy manodidina (Iles Eparses). Aleo aza miara-miasa aminy toy izay firenen-kafa. Mila samy mahazo tombony fotsiny “gagnant gagnant” », hoy ny mpahay toekarena sady mpanao politika, Ratsietison Jean Jacques. Nohitsiny  fa tena maty antoka isika raha ny vokatra eo fotsiny no zaraina. “Ohatra, tsy hanaiky hizara ny hetra voaangona amin’ny vahoaka frantsay amin’ny Malagasy izany izy ireo ohatra. Tahaka izany  koa ireo Nosy manodidina ireo”, hoy ihany izy. Nanteriny  fa raha te hifampizara misasaka ny tombontsoa azo avy amin’ireo Nosy manodidina antsika ireo ny Frantsay, mila mandoa vola, izany hoe, raha 100 no harena ao, mila mandoa 50 amintsika aloha ny Frantsay. “Avy eo vao misasaka ary ilay 50 ahafahantsika mihetsika manao zavatra hafa. Atao mitovy ny vola harotsaka rehefa hifandraharaha ny olona roa na orinasa roa na hafa fa tsy hoe mody mandrotsaka antoka ny iray dia vita”, hoy izy. Tokony ho 20%  n’ny vokatra azo koa izany ny anjarany raha 20% ny entiny araka  ny nambaran’ity mpahay toekarena ity ihany.Synèse R. L’article Ratsietison Jean Jacques – « Iles Eparses » : « Tsy olana ny miara-mitantana amin’i Frantsa » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha

Mety tsy hihoatra ny amin’ity herinandro vao manomboka ity. Tombanana fa tsy hiova firy ireo mpikambana handrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, taorian’ny nanendren’ny filoha Rajoelina azy indray amin’izany toerana izany. Ho tompon’ny teny farany amin’ny tolokevitry ny avy eny Mahazoarivo anefa ny eny Iavoloha. Efa nitakian’ny filoha tombana tsirairay arakaraka ny asa vitany ireo minisitra eo anivon’ny governemanta farany teo ireo, ho an’ny enim-bolana voalohany nandraisan’izy ireo andraikitra. Mbola hiverenana hotsaraina sy hanaovana tombana indray koa any amin’ny faran’ny taona ka antony mety tsy hampiova firy ny ho fanendrena izany. Na izany aza, anisan’ny voakiana mafy tato anatin’ny herinandro maromaro noho ny delestazy mahery vaika miverina indray ny minisiteran’ny Angovo, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Jirama. Hanao ahoana ny hoaviny amin’izao governemanta faharoa amin’ny fitondrana Rajoelina izao?Hiverina ho minisitra ireo depiote roa Etsy andaniny, mety hiverina handray ny minisitera nosahaniny teo aloha ireo voafidy ho solombavambahoaka farany teo. Anisan’izany ny depiote Volahaingo Marie Therése, hisahana ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena. Hiverina hiandraikitra ny minisiteran’ny Mponina kosa ny depiote Naharimamy Lucien Irmah. Samy tsy manana andraikitra eny anivon’ny Antenimierampirenena izy mirahavavy ireo. Nisolo toerana ireto depiote ireto vonjimaika teo anivon’ny governemanta tao anatin’ny telo volana ny minisitry ny Fampianarana ambony, i Rejo-Fienena Felicité, sy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo.Araka izany, mety tsy hisy fiovana tahaka ny namerenana ny Praiminisitra Ntsay Christian ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.Synèse R. L’article Fitsanganan’ny governemanta: ho tompon’ny teny farany amin’ireo ho minisitra ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lehilahy handeha hiasa : maty voafaokan’ny kamiao nandalo

Nandriaka ny ra teny amin’ny araben’i Namontana, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora. Maty tsy tra-drano voafaokan’ny kamiaobe iray ny lehilahy iray sahabo ho 40 taona. Saika hamonjy ny toeram-piasany ilay mpandeha an-tongotra kanjo sendra ny loza. Hatreto, tsy fantatra ny nahatonga ny loza. Voamarina kosa fa voafaokana kamiao mpitondra entana hihazo an’i Namontana ralehilahy. Voadona mafy teo amin’ny lohany izy ka potika tanteraka izany. Taorian’ny tranga, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy. Voatazona hanaovana fanadihadiana ny mpamily ankehitriny. Ny vata-mangatsiakan’ilay niharam-boina kosa, nalefa etsy amin’ny tranom-patin’ny HJRA. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola tonga teny an-toerana ny fianakaviany. Tsy mbola fantatra kosa ny mombamomba azy. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Henitsoa HaniL’article Lehilahy handeha hiasa : maty voafaokan’ny kamiao nandalo a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be
23/09/2020

L’article Pilo kely #4509 aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho »
24/09/2020

Tsy ny hira irery intsony fa hatramin’ny boky, anjakan’ny mpanao piraty! “Raha izaho manokana, tsy mankasitraka ity nomerika ity aho. Jereo tsara fa mitondra faisana mihitsy ny tontolon’ny boky manoloana ny PDF ataon’ny sasany. Boky amidy 10 000 Ar, amidin’ny mpanao piraty any anaty “facebook” 500 Ar”, hoy ity filohan’ny Federasion’ny mpikanto teny sy soratra ity.Tahaka izany ihany koa ny fampiasana ny tablety. “Tsy mahasolo ny boky na oviana na oviana iny. Rehefa tena mivoaka ny tanàn-dehibe, tena mbola vitsy dia vitsy ny tanana manana herinaratra. Dia ho azo antenaina ve fa hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy ny fananana ny tablety kanefa ny herinaratra, tsy lasa lavitra akory? Ny eto an-dRenivohitra aza, tapa-dava!”, hoy hatrany Rabenandrasana Lalao.Nambarany fa mila paikady mazava ny tontolon’ny boky eto Madagasikara raha tiana ny hahazo vokatra tsara avy aminy.HaRy RazafindrakotoL’article Rabenandrasana Lalao – Boky: « Tsy mankasitraka ity nomerika ity aho » a été récupéré chez Newsmada.

Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra.
20/09/2020

Novaina ny fanamarihana tamin’ity taona ity, nafantoka manokana tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana. Efa heritaona no nisian’ny toeram-panangonana tavoahangy plastika Kopakelatra manerana an’Antananarivo. Manantona ny vahoaka kokoa ireo baka fanangonana amin’ny alalan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra» ny andron’ny sabotsy 19 septambra amin’ny lalan’Ambohimanarina, 67 ha ary Ampefiloha. Ny tanjon’ny hetsika dia ny fanentanana ny olon-drehetra hanatitra ireo tavoahangy plastika efa niasa manodidina azy. Mahazo « bon d’achat » mitentina 100 000 ariary ireo izay mitondra tavoahangy betsaka indrindra amin’ireo toerana telo hijanonan’ny « Caravane ». Tratra ny tanjona tao aorian’ny hetsika satria dia 50 mahery ny isan’ireo nandray anjara ary 412 kilao kosa ireo tavoahangy plastika voaangona tamin’ireo toerana telo nandalovana. KOPAKELATRA. ‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana. Miora Razafy Cet article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Clean Up Day Kopakelatra Mandray anjara indray amin’ny « World Clean Up Day » ny tetikasa Kopakelatra. a été récupéré chez Délire Madagascar.

R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy…
21/09/2020

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandikan-teny 2020”. Hanatanteraka loabary an-dasy mivantana ao anaty “facebook” ny R.N. S Kolontsaina. Hetsika hotanterahina ny alahady 27 septambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy 30mn tolakandro (oran’i Madagasikara) ka hatramin’ny 6 ora hariva. Lohahevitra nosafidina amin’izany ny “Fandikana ny teny malagasy ho amin’ny teny vahiny”. Handray anjara amin’ny famoaboasana izany i Irène Rabenoro, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, i Johary Ravaloson, mpanoratra, mpanonta boky, mpandikateny; i Hajaina Andrianasolo, mpanoratra mpikambana mpiombona antoka ao amin’ny Akademia malagasy filohan’ny Havatsa-Upem ary i Hanitr’Ony Salomon, mpanoratra, poeta, filohan’ny Havatsa-Upem sampan Frantsa. I Salohy Rahaingoson kosa no handrindra ity loabary an-dasy ity. Hanasana ny rehetra kosa ny fandraisana anjara.… Anisan’ny fanoitra lehibe hoenti-mampivoatra ny fiainam-pirenena ny famelomana hatrany ny tenin-drazana. Na izany aza, tsy afa-miala amin’ny fifaneraserana eo anivon’izao tontolo izao ny Malagasy sy i Madagasikara. Antony iray mahalehibe sy mampanan-danja ny fandikan-teny ireo.HaRy RazafindrakotoL’article R.N.S Kolontsaina – Loabary an-dasy: hodinihina ny fandikana ny teny malagasy… a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
18/09/2020

Ho fisorohana ny fanapoizinana sakafo, mpitantana toeram-pisakafoana na gargaoty 336 ny nahazo fanentanana avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (sampandraharaha misahana ny kalitao sy ny fahadiovan’ny sakafo) sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ity herinandro ity tetsy amin’ny tranom-pokonolona Isotry. Tanjona iraisana ny hanolorana hatrany sakafo ara-pahasalamana sy tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. Eo koa ny fisorohana ny fanapoizinana sakafo eny amin’ireny toeram-pisakafoana anisan’ny manavanana ny vahoaka ireny.Betsaka ny olona mivarotra ny entana ao an-trano azo avadika ho vola haingana manoloana ny fahasahiranana hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Ireo tokantrano sahanin’ny olon-tokana indrindra vehivavy irery no tena tojo olana amin’izao fotoana izao. Sasa lamba, asa an-trano, ny asa antselika ahazoana vola tsy mahavita ny filana fototra no raisina isan’andro arakaraka ny asa. Mirongatra rahateo ny ala-boty eny anivon’ny fokontany ka raha vao tsy malina, lasa ny lamba miahy eto an-tokotany sy ny entana ao an-dakozia.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalàna vaovaon’ny Fifa: afaka miova firenena ny mpilalao iray
21/09/2020

Niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra manerantany ny famoahan’ny Federasiona iraisam-pirenena baolina kitra (FIFA), ilay lalàna vaovao  momba ny fahazoan’ny mpilalao iray miova ekipam-pirenena. Manomboka izao, tsy ny zom-pirenena intsony no jerena ka hahafahan’ny mpilalao iray mifindra, manatevina ny ekipam-pirenena iray vaovao. Manan-jo, ny miala ao amin’ny firenena nisy azy izy ireo raha toa ka latsaky ny lalao telo no nataony sy nitondrany ny akanjon’ny ekipam-pireneny.Ankoatra izany, raha toa ka latsaky ny 21 taona ny niantsoana azy ka tsy voantso intsony nandritra ny telo taona manaraka ary tsy mbola nifaninanana tamin’ny fihaonana kaontinantaly, toy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, na (Euro) na fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), na (Copa America) sy ny hafa.Manoloana izany, tsy vitsy ireo naneho hevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera fa famonoana sy fanimbana ny baolina kitra izao fanapahan-kevitra noraisin’ny Fifa, izao. Mbola fanontaniana mipetraka eo amin’ny mpitia baolina kitra ihany koa ny amin’ireo mizaka zom-pirenena roa. Ohatra amin’izany, raha toa ka Frantsay sy Alemà ve mbola afaka milalao any Arzantina na Brezila.Mbola hisy ny fanazavana misimisy entin’ireo tompon’andraikitry ny FIFA, momba ity lalàna vaovao, ity. TompondakaL’article Kitra – Lalàna vaovaon’ny Fifa: afaka miova firenena ny mpilalao iray a été récupéré chez Newsmada.

Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie
24/09/2020

Mbola ny malala-tanana sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindonin-doza. Efa-taona amin’ity taona ity ny nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa “Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”, hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer. Tandindonin-doza…20 ny ankizy raisina kilasimandry ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany. “Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”, hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany. Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana momba ireo taranja roa ireo.Vonjy A.L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao
19/09/2020

Miisa 46 ireo tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, omaly. Avy eto Analamanga ny 34 amin’izany raha enina ny any Diana. Telo kosa ny any Matsiatra Ambony raha iray avy ny any Bongolava sy any Atsimo Andrefana ary ny any Boeny. Iray kosa ny lavo ary avy any Diana izy io. Tafakatra 217 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity. Miisa 30 ireo marary anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 40 ireo sitrana. Tafakatra 14 587 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo marary mitondra ny tsimokaretina miisa 15 971. Miisa 1 165 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.Synèse R.L’article Iray lavon’ny Covid-19, 46 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA
23/09/2020

Ahoana ity Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ity amin’ny ankapobeny ? Manomboka rahoviana ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ? Aiza ho aiza ny fanomanana ny hiatrehana ny fotoam-pahavatra ? Ahoana ny lafiny toetsaina ankapobeny ho an’ny mponina sy ny fanovana izany ? Ampahany amin’ireo fanontaniana hovalin’ny tale kabinetra lefitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàn’Antananarivo, i Solofoniaina Michkael, izany. Horenesintsika anio alarobia 23 septambra ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM, amin’ny 12 ora sy fahefany, ny amin’ny fiteny malagasy (VM) ary amin’ny 1 ora sy fahefany amin’ny fiteny frantsay (VF).TaratraL’article Radio Alliance 92 FM: hivahiny amin’ny « Ambarao » ny tale kabinetra lefitry ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
24/09/2020

Basikety-NBA: Hamaritra izay ho tafakatra amin’ny famaranana lehibe, ho an’ny kaonferansa ilany, ny lalao fahefatra hifanandrinan’ny Lakers sy ny Nuggets. Tsiahivina fa fandresena roa ny efa azon’ny Lakers tamin’ny fifandonan’ny roa tonta, raha toa ka azon’ny Nuggets kosa ny lalao fahatelo, omaly. Isa 116 ny nandavoan’ny ekipan’i Jamal Murray an-dry James Lebron, tamin’ity lalao omaly ity. Ho hita eo, araka izany, izay ho tafita amin’ireto ekipa samy manana ny lazany ireto.Volley-Ball: Nanatanteraka lalao firahalahiana tao amin’ny CRJS Toamasina ny ekipan’ny EVBA sy ny ekipan’ny Mami. Ireto ekipa roa ireto izay samy klioba ao Toamasina. Efa nanomboka tapa-bolana lasa izay ny fanazarantena ho an’ny klioba, taranja volley ball, manerana ny Nosy ary efa manomboka mamerina ny lentan’ny mpilalao tsirairay ireo mpanazatra isaky ny klioba. Miandry ny “coup d’envoi” ahafahana manao fifaninanana fotsiny sisa izy ireo. Nangonin’i Mi.Raz L’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Kianja Barea Mahamasina: ho vita tsy ho ela ny “tribune centrale”
17/09/2020

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny kianja Barea Mahamasina, na teo aza ny fisian’ny valanaretina “covid-19”. Fantatra ary izao, taorian’ny fitsidihana ifotony nataon’ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena amin’ny tetikasa an-tanan-dehibe sy ny fotodrafitrasa ary ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny alatsinainy lasa teo fa ho vita mialoha ny 14 oktobra ny fandrarahana ny «béton» amin’ny « tribune centrale». Aorian’izay, hisy akora atao eo amboniny, ho mateza tsara. Efa eo am-pamitana ny rihana fahatelo amin’ireo efatra hipetraka amin’ny “tribune centrale” ny orinasa CSCOD (China state construction overseas development), amin’izao fotoana izao.Ankoatra izay, hisy tohatra roa lehibe amin’ny sisin’ny “tribune”,  ho fidirana any amin’ny rihana voalohany, izay mahazaka mpijery eo amin’ny 2904. Ho an’ny “gradin» vaovao indray, efa vita ny 90%, amin’izao fotoana izao, ny fototra miisa 172.Efa voarafitra ihany koa ireo fantsona hitondra ny jiro sy ny rano. Toy izany koa ny toerana hametrahana ireo birao isan-tokony sy ny toeram-pivoahana. Mahakasika ny kianja filalaovana, efa eo am-pamaranana ny fifantenana ny orinasa manokana hanatanteraka izany ny CSCOD, ankehitriny. Marihina fa bozaka natoraly, saingy misy fomba fanondrahana avy any ambanin’ny tany no hatao aminy. Hanomboka ny volana desambra ny fametrahana ireo fantsona fanondrahana ary aorian’ny fotoan’ny orana no hampitsiry ny bozaka. TompondakaL’article Kianja Barea Mahamasina: ho vita tsy ho ela ny “tribune centrale” a été récupéré chez Newsmada.

Fifidianana loholona :: Manomboka mifantina an’ireo kandidany ny IRD
17/09/2020

Manomboka ny fifandaminana amin’ny fiatrehana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020, ireo antoko manohana ny fitondrana. Raikitra ny fandraisana an’ireo kandidà maniry ny hisalotra ny loko volomboasary ao anatin’ny vovonana politika miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina (IRD) amin’io fifidianana io. « Miroso ny fifantenana an’ireo kandidà ireo », hoy Rasoamaromaka Hery , mpitarika ny vovonana IRD sady governoran’ny faritra Analamanga, tamin’ny antso an-tariby, omaly. Fepetra maromaro no hisivanana an’ireo kandidà loholona amin’ny anaran’ny lisitry ny IRD : mila olona mendrika sy to teny eo anivon’ny fiarahamonina ary afaka hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana ny faritra mifanaraka amin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Efa fantatry ny rehetra izao hoe mitsoka mankaiza ny rivotra politika eto amintsika. Ny fametrahana loholona tena hanao ny asany sy hanampy ny fitondrana amin’ny asa fampandrosoana tokony hatao no tanjona », araka ny fanazavan-dRasoamaromaka Hery. Ankoatra ny Tanora malaGasy Vonona dia isan’ny antoko lehibe ao anatin’ity vovonana ity ny Asa Vita no hifampitsarana (AVI), ny Malagasy Miara-Miainga (MMM), ny FAFI 5… L’article Fifidianana loholona :: Manomboka mifantina an’ireo kandidany ny IRD est apparu en premier sur AoRaha.