PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”

News - PAM:  Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”

News - PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”

Fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Vola mitentina 300 tapitrisa Ariary sy fanomezana isan-karazany toy ny fanafody, “gel désinfectant”, ronono mandrimamy sy ny maro hafa  no voaangon’ny GEM (Groupement des entreprises de Madagascar) tamin’ireo orinasa maro teto Madagasikara sy ireo orinasa mpikambana ao aminy. Miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana OIT  (Organisation International du Travail) sy ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) amin’ny fitantanana io kitapo iombonana io sy ireo fanomezana ireo ny GEM. Nanomboka tamin’ny volana aprily 2020 dia nandray an-tanana ny fisafidianana ireo mpisitraka ny tosika fameno sy ny fizarana izany ny PAM. Noho ny traikefa hananany dia manampy ny GEM izy amin’ny fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”. “Fandaharan’asan’ny sehatra tsy miankina izy ity. Niantso ny OIT sy ny PAM ry zareo mba hanampy amin’ny fitantanana ireo fanomezana amin’ny fomba mahomby indrindra. Ny vola rehetra voaangona dia mirotsaka ao amin’ny kaonty eny amin’ny banky. Hametraka rafitra izahay mba hisitraka izany amin’ny fomba mahomby ireo mpahazo tombontsoa”, hoy ny tomponandraikitry ny PAM eto Madagasikara, Moumini OUEDRAOGO.

 “Noho ny krizy ara-pahasalamana sy ny fahasahiranana naterak’izany dia ho tsinjaraina amin’ireo  mpiasa marefo  sy ny fianakaviany ireto fanomezana ireto”, hoy ny filohan’ny GEM, Rajaona Thierry.  Mpiasa 2000 no hisitraka ny “vatsy firaisankinan’ny oriansa” ka samy hahazo iray hetsy Ariary avy izy ireo. Miampy tolotra ara-tsakafo kosa izany ho an’ireo tena marefo. Ireo kely karama, ny faharetan’ny fampiatoana ara-teknika, ny fotoana naha-voaroaka, ny maha-mpiasa vehivavy, ny fahasembanana sy ny fianakaviana maro an-trano no mason-tsivana  nifantenana ireo mpahazo tombontsoa tamin’ity andiany voalohany ity.

Nirina R.

Cet article PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa” est apparu en premier sur déliremadagascar.

PAM:  Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”

L’article PAM: Manampy amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa” a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 12/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

TOAMASINA-SOANIERANA IVONGO :: Ankizilahy roa samy maty an-drano

Tranga nifanandrify. Dimy ambin’ny folo taona sy enina ambin’ny folo taona ireto ankizilahy roa hita faty tao anaty rano, tany Toamasina sy Soanierana Ivongo, omaly maraina. Samy maty an-drano izy roa lahikely ireo araka ny nambaran’ny loharanom-baovao. Natelin’ny ranomasina tao Canada Toamasina ny ankizilahy iray, dimy ambin’ny folo taona, afak’omaly tolakandro. Nifampitadiavana izy, nanomboka teo. Nitohy omaly maraina ny fikarohana azy tao anaty rano. Niafara tamin’ny fahitana ny vatana mangatsiakany, tokony ho tamin’ny sivy ora. Nandro kosa ity ankizilahy iray, enina ambin’ny folo taona, rehefa avy nanasa lamba tany Sahantirono Soanierana Ivongo, tamin’ny afak’omaly tolakandro ihany. Nilomano naka kapa lasan’ny rano izy no tra-doza. Tonga teny amin’ny faritra lalina ilay ankizilahy no nilentika. Ny ampitso maraina ihany koa (ndrl: omaly) no nahitana ny razana tao anaty rano. L’article TOAMASINA-SOANIERANA IVONGO :: Ankizilahy roa samy maty an-drano est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita

Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Service central des enquêtes spécialisées (SCES), ny alakamisy teo teny Andraisoro ireo roa vavy voarohirohy amin’ny fanondranana vehivavy mihazo an’i Arabia Saodita…Na efa norarana aza, mbola mahita hirika ihany! Loharanom-baovao no nahafantaran’ny polisy fa misy vehivavy mpanangona olona halefa any Arabia Saodita eny amin’iny faritra Andraisoro iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy raha vantany vao nandre ny fisian’ireo manangona tovovavy ireo. Voamarina tokoa ny fisian’izany toerana fanangonana olona izany eny Andraisoro. Tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, tamin’io alakamisy io, nanao fisavana ilay trano fanangonana olona ny polisy ka vehivavy miisa dimy no tratra tao. Nambaran’ny polisy fa ny iray amin’izy ireo no fantatra fa mpikarakara ny taratasy handehanan’izy ireo. Avy any amin’ny faritra Vohémar sy Andapa ary Sambava no fiavian’ireo tovovavy ireo ary efa herinandro izay no nahatongavany teto Antananarivo. Fantatra nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy ireo fa vola 6 hetsy Ar isan’olona no alain’ireo olon-dratsy amin’ireto vehivavy ireto vao tonga eto Antananarivo izy ireo. Vehivavy iray mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo ihany koa voasambotra tamin’io fotoana io noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ity raharaha fanondranana olona ity. Nanamafy  hatrany ny polisy fa mbola misy naman’izy ireo karohina amin’izao fotoana izao.Jean ClaudeL’article Nakana vola 6 hetsy Ar avy: tratra ireo roa vavy mpanondra olona mankany Arabia Saodita a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Tsangan-tononkalo ::Tonga eto an-drenivohitra ny fiantsana arahina kanto hafa

Avy nitety tanàna maro. Anjaran’Antananarivo indray no mandray ny tsangan-tononkalo mitondra ny lohateny hoe: “Hitady azy “S” 3.0” hiarahana amin’ny Faribolana Sandratra. Hotontosaina etsy amin’ny Fjkm Ambohimiadana Kristy Fitiavana, amin’ny alahady 4 aogositra izao ny lanonana. Hanakoako, mandritra izany, ny sanganasan-dry Liantsoa, Vatoary, Kalo Fanomezana ary Narilala. Hampiavaka ny “Hitady azy “S” 3.0” ny filalaovana zavakanto maro ankoatra ny soratra, toy ny dihy, sary hosodoko… Fehezanteny entina hanabeazana ireo karazana sehatra hiveloman’ny olona eo amin’ny fiainany andavanandro, mifamatotra amin’ny fitadiavam-bola ny “Hitady azy ”. Efa nentin’ny Faribolana Sandratra tany Antsirabe izy ity ary natao hoe: “Hitady azy B” ny lohahevitra tamin’izay. Avy eo, nentina tany Tsiroanomandidy ary nantsoina hoe: “Hitady azy D”. Ankehitriny, ho tonga eto Iarivo indray ka natao hoe “Hitady azy S”. Mifono hevitra maro io “S” io, toy ny hoe “spécial”, amin’ny maha seho tokana azy. Azo atao koa hoe “seho” na “sary”, araka ny fanazavan’i Kalo Fanomezana hatrany. L’article Tsangan-tononkalo ::Tonga eto an-drenivohitra ny fiantsana arahina kanto hafa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanaovam-baksiny iarovana amin’ny kitrotro: manomboka izao hatramin’ny faran’ny taona ny fatra faharoa

Ho fiarovana ny zaza amin’ny aretina kitrotro, manohy ny ezaka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy amin’ny fanaovana vaksiny ny zaza ahafahana mampitombo ny hery fiarovan’izy ireo. Tsapa fa nidina ny fahazotoan’ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hatao vaksiny noho ny tahotra hifindran’ny valanaretina Coronavirus. Nampahatsiahy ny tompon’andrakitra fa nanomboka tamin’ity volana septambra hatramin’ny volana desambra izao ny hanatanterahana ny fatra faharoa (rappel) ny vaksiny fanefitry ny kitrotro, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra no ahafahana manao izany ary ireo zaza 15 hatramin’ny 18 volana efa nahavita ny fatra voalohany no misitraka izany. Misy ny fanentanana amin’ny afisy apetraka isam-pokontany ho fampahafantarana ny hetsika ara-pahasalamana. Hatao eny anivon’ireo CSB manerana ny distrika ny fanatanterahana izany fatra faharoa izany. Efa nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny distrikan’Amparafaravola, i Miarinarivo, Ambato Boeny, Antanifosy, i Manandriana, i Fenoarivobe, Ankazoabo sy Ambatofinandrahana.Vonjy A. L’article Fanaovam-baksiny iarovana amin’ny kitrotro: manomboka izao hatramin’ny faran’ny taona ny fatra faharoa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mba hitondra fivoarana!

Saika ahitana fanamboaran-dalana avokoa amin’izao fotoana izao, manerana an’Antananarivo, fanamboarana hisorohana zavatra maro, toy ny fitohanan’ny fiarakodia sy ny lozam-pifamoivoizana isan-karazany. Manana tanjona ny hampivoatra sy hampandroso ny fitondrana matoa manao izany ezaka izany, antenaina fa tena ho fivoarana marina tokoa fa tsy vao mainka hampitombo ny olana andavanandron’ny Malagasy. Fiainana isan’andro ary efa tsy mahataitra ny fitohanan’ny fiarakodia eto an-dRenivohitra, indrindra ao anatin’izao fotoan’ny fanamboaran-dalana etsy sy eroa izao, fanamboarana hamahana io olana lavareny iainana io.Etsy ankilany, mitombo isan’andro ihany koa ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny faharatsian’ny lalana sy ny fisetrasetran’ireo mpitondra moto. Hisorohana izany rehetra izany io fanamboaran-dalana io. Tokony hisy, araka izany, ny fahaizana milefitra ho an’ny mpampiasa ireny lalana hahitana fanamboarana ireny satria hitondra fivoarana ny anton’izany fa tsy inona tsy akory!Tranga iray hita amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ihany koa amin’izao ny mahakasika ny fitaterana amin’ny sarety sy posy eto an-dRenivohitra. Mifampiankina betsaka amin’io fanamboaran-dalana io ihany koa izany satria toa vao mainka mampitombo ilay fitohanan’ny fiara. Efa notaterina teto, miverina mahazo laka indray ny fitaterana amin’ny sarety sy posy eto an-dRenivohitra. Tsy ilay asa akory sanatria no ratsy fa ny fidiran’izy ireny amin’ny ora voaràra no nahatonga resabe, indrindra ho an’ireo mpampiasa ny arabe eto an-dRenivohitra, izay saika mimenomenona amin’ny afitsony. Efa nisy anefa ny lalàna napetraka izay tsy voahaja hatrany. Hita ary tsapa hatrany fa mandalo fotsiny ihany ny fametrahana lalàna eto amintsika, ary saika hita taratra amin’ny sehatra rehetra mihitsy izany tsy fanarahan-dalàna izany. Matoa anefa apetraka ny lalàna, mba hitondra fampivoarana sy tsy hahatonga ny gaboraraka ka samy hanao izay saim-pantany ny rehetra. Mila manova toe-tsaina raha te hivoatra ary tokony hotohanan’ny vahoaka ny ezaky ny fitondrana hita fa hitondra fivoarana! Mi.RazL’article Mba hitondra fivoarana! a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanafihan-jiolahy tao Depot Toamasina: maty ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanolanana tambabe

Namoy ny ainy, ny talata tolakandro teo tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanolanana tambabe nataon’ny jiolahy miisa 15, nandritra ny fanafihana tao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny fokontany Depot Fahatelo, Toamasina.Fantatra nandritra ny fanadihadiana tany an-toerana fa efa saika isan’andro ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ao amin’ity fokontany ity sy ny manodidina, saingy hatreto, tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy. Raha ny loharanom-baovao voaray nandritra ny fidinana tao amin’ny fokontany, tsy misy zavatra azo nalaina afa-tsy fahitalavitra “ecran plat” iray tao amin’ilay tokantrano ka antony nahatonga ireo jiolahy nanolana ilay renim-pianakaviana izany. Nofatoran’ireo jiolahy ilay raim-pianakaviana ary tsy vitan’izay fa mbola nambenana tamina basy ka nifandimbiasan’izy ireo teo ilay renim-pianakaviana. Niafara tamin’ny fahafatesany anefa izany noho ny ratra nahazo azy. Velon-taraina, araka izany ,ny fokonolona any an-toerana satria vao ny 13 jolay lasa teo koa no nisy raim-pianakaviana iray avy nahalafo akoho manatodilava niharan’ny fanafihan-jiolahy raha vao hiditra tao an-tranony. Voaambana basy sy antsy lavalela avy hatrany izy ka lasan’ireo jiolahy avokoa ny entana rehetra tao an-tranony niampy ireo vola vidina akoho hatramin’ny fitaovana tany an-dakozia.Nambaran’ny sefom-pokontany ao an-toerana fa tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny hametrahana “poste avancé”-n’ny zandary ao amin’izy ireo hialana amin’ny tranga toy izao.SajoL’article Fanafihan-jiolahy tao Depot Toamasina: maty ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanolanana tambabe a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Miankin-drindrina irery

Mampahatsiahy ny famaritana ny fijalian’ireo vehivavy mitondra vohoka ny sedra lalovan’ireo orinasa tsy miankina eto Madagasikara noho ireo fepetra ara-pahasalamana ateraky ny krizy ara-pahasalamana, efa ho dimy volana izao. « Miankindrindrina irery » ireo orinasa tsy miankina rehetra, eny hatramin’ireo manan-jara ka afaka nanohy ny fandraharahany tao anatin’ny fihibohana aza. Manapa-kevitra ny fanjakana hoe mikatona daholo ny orinasa tsy ankanavaka, dia tsy maintsy manaraka ireo orinasa tsy miankina. Nangaina teo ireo tompon’orinasa sy mpiasa marobe, fa tsy nahazo afa-tsy ny fanemorana ny fandoavan-ketra (amin’ity vanim-potoana tsy nihodinan’ny milina sy ny tsy fisian’ny mpanjifa akory!) sy ny fanamoràna ny fampindramambola ary izay mpiasa tsara vintana nahazo anjara tamin’ireo endrika fanampiana sosialim-bahoaka isan-karazany isampokontany tany (aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy). Tahaka ny akohokely notsipazam-potsimbary indray ireo tsy miankina rehefa nanome alalana amin’ny fiverenan’ny asa andavanandro, izay narahin’ny famerana ny ora fiasana, ireo orinasa tsy miankina : miantoka fitaterana, hono! Orinasa iza no hahavelon-tena amin’izany? Mpiasa an’hetsiny anefa no fantatra fa voatery naato tamin’ny asany, tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Atosika hidiran-trosa ireo mpiasa sasany raha ho raikitra ihany ilay fampindramam-bola homen’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps). Ny tompon’ orinasa, etsy an-daniny, ataon’ny fandoavan-ketra mivadika atidoha. Tahaka ny vehivavy mitondra vohoka satria hiteraka famokarana sy ho mpanjifan’ny tsena marobe anefa ireo orinasa tsy miankina. Iretsy reny aza mba hoe miaritra kely (na be) fa hanana ny soa, fa ireo tsy miankina kosa dia tsy manana antoka fa ho tafarina, raha aoriana kely ao. Mifanohitra tanteraka amin’ireo mamboly voky tsy mamboly voky, ka na « kaofinimà » aza dia mitomboka foana ny isaky ny faran’ny volana. Asa izay fanantenana navoakan’izao fifanakalozan’ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina tamin’ireo mpamatsy vola Eoropeana izao, fa soa mba nahatsiaro an-dry zareo « miankin-drindrina irery » aza ny vahiny! L’article Miankin-drindrina irery est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Fanadinam-panjakana :: Naharay ny laza adina BEPC ireo Dren dimy ambin’ny folo

Mitohy ny fanomanana ny fanadinam-panjakana BEPC hotanterahina, amin’ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao, manerana ny Nosy. Foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena (Dren) dimy ambin’ ny folo amin’ireo roa amby roapolo no efa naharay ny laza adina, hatramin’ny omaly, araka ny tatitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Anisan’izany ny faritra Analamanga, Sofia, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Bongolava, Atsinanana, Diana, Analanjirofo, Ihorombe, Menabe, Boeny, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania ary Vatovavy Fitovinany. Navantana avy hatrany eny anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena ireo laza adina ireo mialoha ny hizarana azy eny anivon’ny foibem-panadinana tsirairay, mba hahazoana antoka amin’ny fiarovana azy. Tsiahivina fa iraisana ny laza adina manerana ny Nosy ho an’ny BEPC, amin’ity taona ity L’article Fanadinam-panjakana :: Naharay ny laza adina BEPC ireo Dren dimy ambin’ny folo est apparu en premier sur AoRaha.

News - Delire Madagascar

PAPA FRANSOA : Faly tamin’ny fitsidihana nataony teto Madagasikara

Tontosa antsakany sy andavany ny fitsidihana apostolika nataon’i Papa Frasoa mpiandry ondry ao amin’ny eglizy katolika sady filoham-panjakana ao Vatikana teto Madagasikara. Nandritra ny nivanihanany dia namafy fiadanana sy fanantenana izy. Nandao an’i Madagasikara androany Talata 10 Septambra 2019 ny Papa ray masina Fransoa. Fiaramanidin’ny air Madagascar no nitondra azy sy ny delegasiona nentiny any Italia. Naneho mivantana ny hafaliana sy ny fahafaliam-pony ny Papa tamin’ireo evekan’i Madagasikara. Gaga izy tamin’ny hafanam-pontsika sy ny firaisankina ary ny fahaizantsika mandray vahiny. Noho izany dia nisaotra izay rehetra nahatontosa ka nahandro nahamasaka izao fitsidihana nataon’ny Papa izao ireo eveka eto Madagasikara, anisan’izany ny mpitondra fanjakana. Eo ihany koa ny fanehoana ny fihavanana malagasy, ny fahaizana mandray vahiny, ny fiombonan-po tamin’ny fitsidihan’ny papa. Marihana fa tonga nanatitra ny Papa Fransoa teny Ivato ny mpitondra fanjakana malagasy izay notarihan’ny Prezidàn’ny repoblika Rajoelina Andry sy ny vadiny, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitra vitsivitsy, ny filohan’ny antenimierandoholona… Nirina R. Cet article PAPA FRANSOA : Faly tamin’ny fitsidihana nataony teto Madagasikara est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - Ao Raha

Vono olona tany Antanifotsy :: Tazonin’ny zandary ireo miaramila efatra ambin’ny folo

Fantatra fa miaramila miisa enina amby roapolo no efa nataon’ny zandary famotorana momba ny raharaha vono olona nahafatesana lehilahy telo, hita faty tao anaty rano, tany Ampitatafika Antanifotsy, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Notazonina atao andrimaso ny efatra ambin’ny folo amin’izy ireo satria ahiana mafy ho tafiditra tamin’iny raharaha iny. Voatazona eny amin’ny zandary ao Ankadilalana izy ireo, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpanao famotorana. Hatolotra ny Fampanoavana, anio na rahampitso, ny valin’ny fanadihadiana. Notohizana etsy Ankadilalana ny famotorana momba an’iny raharaha vono olona tany Antanifotsy iny. Nampanantsoina ireo miaramila rehetra voarohirohy. Nandefasana zandary manao fanadihadiana kosa any Ambohimahasoa, toerana misy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy. Ho fantatra tsy ho ela ny zava-nisy marina sy ny nihatra tamin’ireo lehilahy telo namoy ny ainy. Iretsy farany izay fantatra fa voasambotry ny miaramila tany Ambohimahasoa, ny tapaky ny volana mey. Hita faty nifatotra tongotra aman-tanana tao anaty rano manamorona ny lalam-pirenena fahafito izy ireo, ny zoma lasa teo. Nitory an’ireo mpitandro filaminana tompon’antoka tamin’ny famonoana ny havan’ny maty. Milaza ny avy amin’ny Tafika malagasy fa: «efa eo anatrehan’ny zandary ny fanadihadiana rehetra. Andrasana ny tohiny». L’article Vono olona tany Antanifotsy :: Tazonin’ny zandary ireo miaramila efatra ambin’ny folo est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Voka-dratsin’ny hanoanana :: Zaza valo matin’ny Kere any Atsimo
29/09/2020

Lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo. Mihatra aman’aina amin’ireo zaza mihitsy ny hanoanana lalimpaka na Kere any amin’ny faritra Atsimo.  Ankizy valo no namoy ny ainy vokatr’ izany tany amin’ny fokontany Ankilimarohatsy ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy. Fantatra fa tsy misakafo mihitsy ireo zaza ireo. Manampy trotraka amin’ny fahavoazan’ny olona any amin’iny faritra Atsimo iny ny hain-tany.  Mponina manodidina ny 1,6 tapitrisa no mbola hiatrika an’io toetany io indray. Mila tohana ara-tsakafo maika ny efatra arivo sy dimy alina sy dimy hetsy (554 000) amin’izy ireo. Ankizy roa alina sy iray hetsy ihany koa, araka ny tombana, no ahiana hiharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Vao mainka nampananosarotra ny fahazoan’ireo mponina marefo sakafo sy tolotra ara-pahasalamana ny fisian’ny valanaretina Covid-19. «Tsy misy sakafo mihitsy ao amin’ilay tanàna. Ritra tanteraka ny reniranon’i Mandrare. Nidina tany ifotony mihitsy aho sao dia tazomoka no nahazo azy ireo. Tena tsy misy nofo intsony ireo olona, fa taolana sisa, izay ankizy no betsaka, manodidina ny 2 sy 4 ary 5 taona. Tsy misakafo izy ireo fa matory fotsiny amin’izao. Hanoanana no manjo azy ireo fa tsy aretina velively. Nitondra vary 10 gony sy mangahazo 20 gony ho azy ireo aho », araka ny tatitry ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Amboasary Atsimo, Angèle Solange. Tsy afa-mitsangana Notsindriany fa tsy ny ankizy ihany no lasibatra amin’ity kere ity fa misy ihany koa ireo olon-dehibe. Tsy ao amin’io tanàna io ihany fa any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Latsa-dranomaso ity solombavambahoaka ity nitantara ny zava-misy any an-toerana, toy ny any Afrika, hoy izy. Ankoatra ny hahiazana dia voalazany fa tsy afaka mitsangana intsony ny olona any. Olana iray goavana, etsy an-daniny, ny tobim-pitsaboana izay anaovany antso avo amin’ny fitondram-panjakana. Nahatonga fanampiana, toy ny vary 500 kilao ary mangahazo 600 kilao, ihany koa anefa ny fitondram-panjakana,. Fahavoazana mitarazoka efa ho am-polony taona maro no mihatra amin’ireo ampahan’ny mponina any Atsimo noho io Kere io. Samy nilaza ho nanam-bahaolana ireo mpitondra nifandimby saingy tsy nisy nahitam-bokany maharitra, hatramin’izao. Vahaolana farany notinapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, tamin’ny 9 septambra 2020, ny fananganana ny orinasa « Nutriset », izay hamokatra sakafo be otrikaina ho an’ireo zaza sy reny iharan’ny kere any amin’ny faritra Atsimo. Tokony efa ho tonga tany an-toerana ireo fitaovana hampiasain’izany orinasa izany L’article Voka-dratsin’ny hanoanana :: Zaza valo matin’ny Kere any Atsimo est apparu en premier sur AoRaha.

Adina mpivady nampianjera vehivavy teny ambony lavarangana
28/09/2020

Tsy tana ihany koa ny ain’ ny vehivavy iray, 28 taona, nianjera avy eny ambony lavarangana midadasika na irony antsoina hoe “terrasse” irony, tamin’ny alin’ny alakamisy lasa teo, tany Amorona-Antanifotsy. Volazan’ny loharanombaovao fa noho ny adiady teo aminy sy ny vadiny no niafara tamin’ny fianjerany ary nitarika tamin’izao fahafatesany izao. Nosamborin’ny zandary sy notazonina vonjimaika ao amin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria any Antanifotsy ilay lehilahy. “Tsy mbola tonga tany amin’ ny hopitaly io vehivavy tra-doza io dia namoy ny ainy. Tonga tany amin’ny tranon’izy ireo ny mpitsabo sy ireo mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy. Nosamborina avy hatrany ny vadiny. Miandry ny fahavitan’ny famotorana no hanolorana ny raharaha amin’ny Fitsarana any Ambatolampy”, araka ny fanampim-baovao avy amin’ ny Zandarimaria any an-toerana. L’article Adina mpivady nampianjera vehivavy teny ambony lavarangana est apparu en premier sur AoRaha.

Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona
25/09/2020

Noho ny fepetra avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny tsy maintsy hanalana ireo trano manamorona ny lalana mankao amin’ny kianja Barikadimy, nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny famoriana ny mpanao gazety, ny talata 22 septambra lasa teo, ireo fokonolona voakasik’izany, mahakasika ny taratasy nalefan’ny kaominina Toamasina renivohitra. Nambaran’ny pastora Randrianasolo Etienne, mpitondra tenin’izy ireo fa tsy hisakana na hanakorontana ny fanorenana ny fotondrafitrasa izy ireo. Saingy mangataka kosa ny mba hisian’ny fitsinjovana ny maha olona ka hanomezana toerana hanorenany fonenana vaovao. Lasa mahantra tsy fidiny raha toa ka mijanona amin’izao satria vahoaka noana sy  efa trotraky ny “covid 19”. Nanao taratasy sy fanangonan-tsonia faobe moa izy ireo, alefa any amin’ny filohan’ny repoblika, Andry Nirina Rajoelina. Ankoatra izay, nisy filazana avy amin’ny filoha lefitry ny Ben’ny Tanàna fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bepc, vao hisy ny fandravana.Manoloana ity disadisa ity, manahy ny mpitia baolina kitra fa sao ho taraiky amin’ny fotoana andalovan’ny solontenan’ny Fifa ity fandravana ity ka mety tsy hahafahana mandray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.Nanome tsiny ny ligy moa ny olona sasany izay tokony mba hanao fanelanelanana hahamora ny fanesorana ireo mponina tsy manaiky ny handravana ny tranony. Sajo L’article Raharaha Stadium Barikadmy: nitondra valin-kafatra ireo fokonolona a été récupéré chez Newsmada.

Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana
23/09/2020

Misy mandrehitra afo ho tonga hatrany amin’ny fanonganam-panjakana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa anisan’ny ao ambadik’ireny fandorana oniversite na tranon’ny mpianatra ireny ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoha teo aloha. Anisan’ny efa niseho izany tany Manakara, tany Toliara ary ny teto Antananarivo tato ho ato. Efa tafiditra ao anatin’ny paikady maloto ketrehin’izy ireo koa ny handorana ny oniversiten’i Toamasina.Mpanolotsaina efa nigadra tamin’ny taon-dasaHita taratra tamin’ny fanadihadiana savaranonando efa natao fa miainga avy amin’ny trano tsy misy olona ny afo. Tsy misy fifampikasohana herinaratra “court- circuit” sady tsy misy afo mirehitra.Efa mandray an-tanana ny raharaha amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ka voatonontonona ao ambadik’izany ny mpanolotsaina iray avy amin’ny filoham-pirenena iray teo aloha. Efa nigadra tamin’ny taona 2019 izy io nefa izao mbola manohy ny tetikady maloto izao ihany.Fampiasana akora hafa mihitsy…Tonga hatrany amin’ny fiketrehena sy ny fikononkononana fanonganam-panjakana ny raharaha, niainga tamin’ny fivorian’izy ireo.Manampy ireo ny fampiasan’ireo mpandoro fitaovana na akora “produits hautement inflammables » satria tsy vitan’ny miitatra ny afo miainga amin’ny toerana iray fa miara-mipoaka avokoa ny “bloc Amicale II” iray eny Ankatso.RandriaL’article Misy mamboly korontana hanonganam-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana 
26/09/2020

Iray volana latsaka taorian’ny nitadiavan’ny mpanazatra mpilalao lava hanatevin-daharana ny ekipany, efa nahita ireo ankizy ireo ny klioban’ny Stefauto. Araka ny fanazavan’ny mpanazatra, mpilalao avy eto Antananarivo sy avy any Toliara ireo voafidy ireo, izay mbola tanora, saingy efa nilalao Volley avokoa. Tsiahivina fa  miisa telo izy ireo ary miandry fiantsoana, amin’izao fotoana izao. Alohan’ny 5 oktobra izao ity fiantsoana ity ary hanomboka amin’io ihany koa ny fanazaran-tena ho an’ny klioban’ny Stefauto. Marihina fa hanamafisana ny fanoherana sy ny fanafihana “contre” sy “attaque” ny tena nitadiavana azy telo vavy lava ireto. Azo lazaina ho mampiseho fahavononana tanteraka amin’ny fifaninanana ho avy, na ny nasionaly na ny iraisam-pirenena ny Stefauto ary taratra sahady izao fisian’ny mpilalao vaovao izao.Raha hiverenana ny tamin’ny taon-dasa, laharana faharoa ny Stefauto, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra fahafito (CCCOI), rehefa nolavoin-dry zareo Renioney teo amin’ny lalao famaranana. Mpilalao mendrika teo amin’ny “Contre” i Armella ary mendrika teo amin’ny “reception” kosa i Emma. Mi.Raz L’article Volley-Stefauto: efa nahita mpilalao hanatevin-daharana  a été récupéré chez Newsmada.

Firaisamonina sivily : “Inona ny mbola itanana ny hamehana ara-pahasalamana?”
29/09/2020

“Miroso mankany amin’ny famahana tanteraka ny fihibohana ny fepetra raisin’ny governemanta ankehitriny. Raha jerena ny zava-misy toekarena sy sosialy, ireo famerana samihafa takin’ny hamehana ara-pahasalamana, ny fameran’ny fitondrana eo amin’ny lafiny politika sy momba ireo fahafahan’ny olom-pirenena: manontany izahay ny antony mbola itazonana ny hamehana ara-pahasalamana.“Io ny fanambaran’ny firaisamonina sivily maromaro, ny faran’ny herinandro teo: “Enim-bolana aty aoriana, aiza ho aiza ankehitriny ny fametrahana ny mangarahara amin’ny fiatrehana ny Covid-19?” Anisan’ny manao sonia izany, ohatra, ny CCOC, ny Hetsika Rohy, ny MSIS Tatao, ny ONG Ravintsara, ny TI-MG…Mitaky rafitra amin’ny sehatra marolafy…Takin’izy ireo, ohatra, ny tokony hisian’ny rafitra voalaza ao amin’ny Drafitra amin’ny sehatra marolafy amin’ny fahamehana. Antoky ny fandraisana andraikitr’ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny Covid-19 sy ny fanarenana ny toekarena izany. Eo ny komity fakan-kevitra, ny rafitra iombonana iadiana amin’ny kolikoly, indrindra ny komity mpitondra. Mbola tsy natsangana ireo nefa anisan’ireo andrin’ny ady amin’ny Covid-19.Eo koa ny fampidirana sy ny fanomezana fahefana ireo sehatra samihafa hanampy amin’ny fametrahana ny ady amin’ny Covid-19. Efa naneho ny fahavononany hiditra ho mpikambana amin’io komity io ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonina sivily hahazoana mitondra fanatsarana sy tolo-kevitra amin’ny fomba araka ny lalàna.R.Nd.L’article Firaisamonina sivily : “Inona ny mbola itanana ny hamehana ara-pahasalamana?” a été récupéré chez Newsmada.

Doro trano niniana natao? Jeneraly misotro ronono sy ny vadiny maty tao anaty haintrano
25/09/2020

Tao amin’ny efitrano iray ambany rihana no nahitana ny fatin’ilay jeneraly, nihohoka sady nihosin-dra . Tahaka izany koa no nahitana an-dramatoa vadiny, tao an-dakozia. Ahina ho  doro trano niniana natao no nahatonga ny fahamaizan’ny tranon’izy ireo, ao Antaniavo, afakomaly alina…Nitrangana haintrano tao amina tranona jeneraly iray efa misotro ronono monina ao Antaniavo Antsirabe, afakomaly alina tamin’ny 11 ora. Tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny UIR nijery ny zava-misy sy nanavotra ilay jeneraly. Hita faty tao an’efitrano iray tao ambany rihana ilay jeneraly raha tany an-dakozia no nahitana ny fatin’ny vadiny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavam-paritry ny polisim-pirenena (DSRP) Vakinankaratra. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa ny afo nijoalajoala nahazo ny trano iray manontolo no nahataitra ny olona teo amin’ny manodidina ary tapitra kila hotohoton’ny afo tsy nisy noraisina intsony ny trano manontolo. Ny loharanom-baovao hafa kosa anefa milaza fa izy mivady miaraka amin’ny tovolahy mpanampiny iray no mipetraka ao amin’ity trano ity. Nambaran’ilay mpanampiny fa any ambony rihan’ny trano izy no matory amin’ny alina ka naheno fipoahana mafy tao an-trano izy tamin’io fotoana io ary niaraka tamin’izay, nirehitra ny trano. Nijoalajoala ny afo ka ireo fokonolona teo an-toerana no nifanome tanana tamin’ny famonoana ny mialoha ny nahatongavan’ny kamiaoben’ny orinasa Smatep namono ny afo. Nisedra olana rahateo ny kamiaoben’ny mpamonjy voina ao Antsirabe ka tsy afa-nanao ny asam-pamonjena tamin’ity voina ity.Fanafihan-jiolahy narahina vonoan’olona…Efa tamin’ny 1 ora sy 25 mn vao voafehy ny afo, raha ny fanazavan’ny polisy. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny polisy no nahitana fa hita faty nihidy tao an’efitrano fatoriany tao ambany rihana ilay jeneraly, nihohoka teo akaikin’ny farafara sady nihosin-dra. Ramatoa vadiny kosa hita faty nihosin-dra tao an-dakozia, tsy misy fitafiana intsony ny tapany ambany.Miteraka resabe ao Antsirabe hatrany anaty tambajotran-tserasera ny fahitana ity haintrano nahafatesana jeneraly mivady ity. Manahy ny rehetra fa fanafihan-jiolahy narahina vonoan’olona tsotra izao ity raharaha ity. Manaporofo izany rahateo ny nahitana ny vadin’ilay jeneraly mitanjaka ny tapany ambany. Hita tao an-dakozia ihany anefa ny akanjony. Rehefa vita kosa ny asa ratsin’ireo jiolahy vao mety nodoran-dry zalahy ny trano mba tsy hahafantarana ny marina rehetra. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy anefa no ahafantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity. Efa lasan’ny fianakaviany kosa ny fatin’izy mivady niharam-boina tao amin’ity trano ity.Jean ClaudeL’article Doro trano niniana natao? Jeneraly misotro ronono sy ny vadiny maty tao anaty haintrano a été récupéré chez Newsmada.

Fampitiavana kolontsaina: tsy mahafoy minitra iray ho an-janany ny ray aman-dreny
28/09/2020

Mora taitran-drandram-bao ny ankizy sy ny tanora ankehitriny. Misy antony ny nahatonga izany. Iray amin’ireny, tsy nahavita ny adidiny sy niala ny andraikiny ny ray aman-dreny. Nialokaloka hatrany tao ambanin’ny: “sarotra ny fiainana” ny ray aman-dreny sasany, hany ka tsy vitany na ny niteny tamin-janany hoe: “aza mihaino an’izany”, na “aza mijery an’io”, na ny manoro amin’ny teny indraim-bava hoe: “tahaka izao ny fombantsika”! Na inona na inona fahasahiranana, ny maha izy ny tena, tsy tokony hatao ambanin-javatra. Iray amin’ireny ny kolontsaina.Io andraikitra tsy tanteraky ny ray aman-dreny niteraka io no anisan’ny mahatonga ny taranaka malagasy ho very fototra. Hiantehitra amin’ny hafa hatrany fa tsy mba tafajoro amin’ny toerana tokony hisy azy. Na dradraina etsy sy eroa aza fa “mila miverina an-doharano ny Malagasy”, ray aman-dreny mihitsy no tsy mampahafantatra ny taranany ny fisian’ilay “loharano”. Tsy ho tongatonga ho azy anefa izany raha tsy manao ezaka ny tsirairay.… Ireo firenena mahafantatra sy manana ny fototra ijoroany no tafiditra ao anatin’ireo ambara fa matanjaka sy mandroso indrindra maneran-tany. Tsy mba mangetaheta izany ve ny Malagasy?HaRy RazafindrakotoL’article Fampitiavana kolontsaina: tsy mahafoy minitra iray ho an-janany ny ray aman-dreny a été récupéré chez Newsmada.

Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra
26/09/2020

Mitombo ihany ny asa ivelan’ny ara-dalàna, araka ny fanadihadiana natao, indrindra ny tsy fitoviana eo amin’ny fidiram-bolan’ny lahy sy ny vavy. Misongadina hatraiza hatraiza izany eto Madagasikara.Mibaribary ny tsy fitoviana eo amin’ny fitadiavana tantanin’ny lahy, manan-tombo kokoa no ho ny tantanin’ny vavy. Miainga any amin’ny fahasarotan’ny fahitan’ny vehivavy asa aloha izany ary mbola hita ihany koa ny elanelana eo amin’ny karama. Anisan’ireo antony ireo ny mampitombo ny « mpivarotra amoron-dalana ».Hita izany aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy eto Madagasikara. Na olona nahavita fianarana ambony aza ireo olona ireo, mbola sarotra ho azy ireo ny mahazo asa araka ny fepetra ara-dalàna. Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 50 % ny manana Bac misafidy mivelona amina karazam-barotra fa tsy mamokatra. Sarotra ny mahazo famatsiam-bola. Porofo fa tena mahantra i Madagasikara.Amin’izay asa an-tselika izay, tsy mitovy ny tanjany: misy mivarotra fiara, ao ny mivarotra voanjo fa tena betsaka raha eto Antananarivo ny mivarotra sakafo masaka. Amin’io sokajy iray io, mbola hita ihany koa ny elanelana be loatra na amin’ny vidiny na amin’ny kalitaony.Hita amin‘ny sokajin’asa ivelan’ny ara-dalàna ny karazana asa sy ny olona manao azy. Araka izay ihany koa ny sokajin’ny mpanjifa, mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Tombanana 1500 miliara ariary isan-taona ny vola tsy miditra amin’ny fanjakana raha eto Antananarivo fotsiny : varotra sy fitaterana no tena betsaka. Fitaterana eto, tsy amin’ny fiara ihany fa hatramin’ny sarety sy posy. Matiantoka voalohany ny kaominina manodidina, na misy manao fanambarana izy ireo, tsy izy rehetra akory. R.MathieuL’article Ivelan’ny ara-dalàna: mitombo isa hatrany ny mpivarotra a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Ambovombe – BEPC: « Tsy marina ny valopy misy laza adina efa nisokatra »
25/09/2020

Nandiso ny vaovao niely ary nanamafy ny nambaran’ny eo anivon’ny minisitera ireo any ifotony. « Tsy nisy velively ny valopy misy laza adina efa misokatra, mialoha ny fanadinana BEPC. Nisy kosa anefa ny hosoka nataon’ny mpiadina iray », hoy ny sefo Cisco any Ambovombe Androy, Rabesalimanana Nicolas, omaly. Nanamafy izany ny lehiben’ny foibem-panadinana any an-toerana, i Tolojanahary Davidson. Nambarany fa nisokatra kely, tsy antonona rantsan-tanana iray ilay valopy misy ny laza adina tantara sy jeografia. « Niaraha-nanapaka sy nifanotronan’ny tompon’andrakitra teo fa hosokafana tanteraka izany ahitana ny marina. Ampy, tsy nisy nanombinana ny tao anatiny. Mety tsy voahidy tsara na nisy ampahan’ny valopy tsy nisy lakaoly », hoy izy. Nifanindry tamin’izany koa anefa ny hosoka « fraude » nataon’ny mpiadina iray, nitondra telefaonina an-tsokosoko ary nanafina izany, niatrika ny fanadinana. Sarona izy io fa nifandefa « message » amin’ny olona any ivelany manontany ny valin’ny fanontaniana amin’ny laza adina. « Efa noraisina ny fepetra momba izany », hoy izy.Tsiahivina fa nanamafy ny tsy maha marina io vaovao io ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.Synèse R. L’article Cisco Ambovombe – BEPC: « Tsy marina ny valopy misy laza adina efa nisokatra » a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena
23/09/2020

Tsy afaka ny hangina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Harena, amin’ny alalan’ny filohany, Rabarison Lezava Fleury, omaly. “Ndao haverintsika ny toe-tsaina sy ny toe-po nananantsika nanohanana ny Barea, herintaona lasa izay. Samia manana fahavononana hifanatona sy hifampiresaka. Hikaon-doha sy hikaroka vahaolana mahomby sy maharitra handresentsika ny fahavalo iombonana”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny mbola tsy nandresena tanteraka ny Covid-19, ny adilahy politika arahin’ny fifanasana vangy. Eo koa ny fanarenana ny toekarena, tsy mbola hita taratra izany, araka ny fanambarana. Miantso ny mpikambana eo anivon’ny antokony sy ireo mpiara-dia aminy hanentana ny olom-pirenena hiaraka hamolavola isan-tsehatra ny fomba sy ny paikady hiatrehana ny Covid-19 sy ny fahantrana ary koa ny fanarenana ny fihariana. “Tsarovy ny adidy masina miandry antsika: ny hitia sy hanolokolo ary hanatsara ny lovasoa sarobidy nalevan’ireo razantsika. Ndao isika rehetra hiaraka hikatsaka, hanorina ary hiaina fiadanana sy filaminana ary fandrosoana eto Madagasikara,”, hoy ihany ny antoko Harena.Synèse R. L’article Covid-19 sy ny toekarena: miantso maika fikaonandoha ny Harena a été récupéré chez Newsmada.

Praiminisitra Ntsay Christian – Fivorian’ny ONU: «Nakorontan’ny Covid-19 ny toekarena sy ny demokrasia…»
28/09/2020

Nisolo tena ny filoham-pirenena tamin’ny fivoriana an-tampon’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-75, tanterahina any New York, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Notanisainy tamin’izany ny olana natrehina sy ny fanamby manoloana ny Covid-19.Notanterahina, ny asabotsy alina teo, tamin’ny alalan’ny « visio-conférence », ny anjara lahatenin’ny lehiben’ny governemanta. « Nanamarika izao jobily izao ny fihanaky ny Covid-19, niraisan’ny rehetra. Vao mainka nihalalina ny hantsana momba ny toekarena sy ny tsy fitoviana sosialy na niezaka niady mafy aza ny ONU. Nahazo laka ny tsy filaminana sy ny tsy fandriampahalemana iaisam-pirenena. Nivily lalana ny fanajana ny zon’olombelona tamin’ny firenena maro. Tsy maintsy namehotra ny datim-pifidianana efa voatondro ary nikorontana hatramin’ny demokrasia. Nahenika izao tontolo izao ny krizy toekarena ary marefo tanteraka ny lafiny sosialy, mampanahy ny hoavin’ireo vahoaka antapitrisany maneran-tany », hoy izy.Ny famokarana ny tambavy CVO…Notsiahiviny avy eo fa anisan’ny niady mafy tamin’ny valanaretina i Madagasikara na teo aza izany rehetra izany. Noraisina ny fepetra rehetra miaraka amin’ny fahaiza-manao nanentanana ny rehetra manoloana ny Covid-19. Napetraka ny paikady niatrehana izany ka narahina akaiky ny fihanak’izany. Teo koa ny fanampiana ireo mponina marefo sy ny fiatrehana ny hanarenana ny toekarena.Notanisainy ny nametrahana ny CCO sy ny CRCO. Ny fanampiana ny sehatra tsy miankina hiarovana ny asa tsy ho very ka nohamaivanina ny hetra. Ny tohana ho an’ny mpiasa ary ny nanamboarana ny tambavy CVO, novokarin’ny Imra, iadiana amin’ny Covid-19.« Tsy niady irery anefa izahay fa teo ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpahay siantifika. Isaorana avokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo niasa an-tsitrapo, ny mpitandro filaminana, ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasa avy amin’ny fanjakana… », hoy ihany izy. Nanteriny fa 93% ny tahan’ny fahasitranana raha 1% kosa ny tahan’ny fahafatesana, ho an’i Madagasikara.Demokrasia, kolikoly, tany tan-dalàna…Natsidiky ny praiminisitra tamin’ny lahateniny koa fa hametra ho laharam-pahamehana ny sehatra rehetra ny fanjakana, manoloana ny tsy maintsy hanenjehana ny fampandrosoana noho ny fahatarana. Anisan’izany ny fanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly, indrindra ny anivon’ny asam-panjakana. Eo koa ny fanamby ho an’ny fanjakana tsara tantana ka tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fandriampahalemana sy ny fitsarana. Ezahina ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fampiroboroboana ny demokrasia. Anisan’izany ny hanatanterahana ny fifidianana loholona ny desambra izao. « Mbola laharam-pahamahena ny fanarenana ny toekarena sy ny sosialy…  Eo anilanay ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombona antoka hiaraka hanatratra aminay izany fanamby izany ary efa isaorana amin’ny efa nataon’izy ireo », hoy ny lehiben’ny governemanta.Synèse R.L’article Praiminisitra Ntsay Christian – Fivorian’ny ONU: «Nakorontan’ny Covid-19 ny toekarena sy ny demokrasia…» a été récupéré chez Newsmada.