Otrikafo: “Afa-manao diplaomasia ny parlemanta”

News - Otrikafo: “Afa-manao diplaomasia ny parlemanta”

News - Otrikafo: “Afa-manao diplaomasia ny parlemanta”

“Tokony hanao diplaomasia koa ny
parlemantera ary afa-mandeha irery amin’izany, indrindra amin’ny
fampiraisana ny vahoaka ato anatiny satria mahasolo tena ny
vahoaka” hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabe­va­hiny Elia.
Nanatitra taratasy momba izany teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza izy
ireo saingy niveri-maina fa tsy teo ny filohan’ny Antenimiera,
tamin’ity herinandro ity.
Manantena fandraisana an­draikitra amin’io andrimpanjakana io ry
zareo. Ma­nana ny maro anisa ny fitondrana amin’ny mpikambana eo
anivon’ny Antenimiera. Koa anisan’ny fitaovana iray eo an-tanan’ny
fanjakana mba hanampy azy amin’ny fitakiana io andrimpanjakana
io.

Tokony hamoaka lalàna ny
Antenimierampirenena

“Samy mahafantatra ny ataon’ny
Frantsay isika amin’ny fomba ilazana fa tsy azo averina amin’i
Madagasikara ireo Nosy malagasy manodidina”, hoy izy. Mbola
nohamafisin’ny tatitry ny An­te­ni­mi­erandoholona frantsay iza­ny
farany teo. Tsy mbola misy fandraisana andraikitra na valy bontana
avy amin’ny fanjakana malagasy.
Samy nahatsiaro ny rehetra fa tamin’ny fivorian’ny
Antenimierampirenena teny amin’ny CCI, Ivato, nisy ny kabarin’ny
filohan’io andrimpanjakana io hoe : azon’ny Antenimierampirenena
atao tsara ny mamoaka lalàna fa an’i Madagasikara ireo Nosy
malagasy manodidina ireo. Raha mbola manda ny tsy hamerina ireo
Nosy malagasy manodidina ireo ny fitondrana frantsay, tsy misy
antony intsony manakana ny Anteni­mi­e­ram­pirenena malagasy tsy
hamoaka izay lalàna izay fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo.

R. Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article Otrikafo: “Afa-manao diplaomasia ny parlemanta” a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 17/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana

Nangotraka ary niavaka ny fampisehoana isan-karazany nandravahana ny lanonam-panokafana, taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, amin’ny fisokafan’ny andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny filoham-pirenena maorisiana, i Barleen Vyapoory. Natomboka tamin’ny fitondran’ireo firenena ny jiro sy ny fampitàna izany ary ny fanentanana maro isan-karazany. Nirefodrefotra ny afomanga taorian’izay, izay naharitra minitra vitsivitsy. « Hampitombo ny firahalahiana eo amin’ny Nosy rehetra manerana ny ranomasimbe Indiana, izao lalaon’ny Nosy tanterahina eto Maorisy izao”, io no hafatra matanjaka avy amin’ny kaomisiona mpikarakara ity andiany faha-10 ity, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly. Tsy nanadino ny nisaotra sy naneho fankasitrahana ireo delegasiona rehetra tonga hifaninana, izy ireo ary nirary soa hahavitan’ny lalao hatramin’ny farany, amin’ny antsakany sy andavany.Mivonona ny handray ny JIOI 2023 i Madagasikara Hatolotra sy velabelarina anio, eto Maorisy, ny vinan’ireo firenena maniry ny handray ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy, tanterahina ny taona 2023. Anisan’ny hanolotra izany eo anatrehan’ny CIJ ( Comité International des Jeux) i Madagasikara. Efa nanambara moa ny filohan’ny CIJ, nandritra ny fitsidihana ny firenena malagasy, roa herinandro lasa izay fa tsy manana fahasarotana i Madagasikara amin’ny fandraisana ny JIOI 2023, saingy mila fanatsarana kely ny « site » tsirairay handraisana ireo lalao rehetra. Nangonin’i Miarintsoa.Raz (Iraka manokana aty Maurice) L’article Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Simba ny milina any Andekaleka: niaraka tapaka ny jiro sy ny rano eto Antananarivo

Taitra ny mpanjifa! Indray tapaka avokoa ny jiro sy ny rano manerana an’Antananarivo sy ny manodidina, hatrany Antsirabe, Miarinarivo,….(tambajotra RIA), omaly alarobia, nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Jirama fa nahatonga izany ny fahasimban’ny milina mamokatra herinaratra any amin’ny toby tohodrano Andekaleka. Vokany, tapaka koa ny famatsian-drano satria tsy afaka mandeha ny milina manosika ny rano izay mandeha amin’ny herinaratra. Niverina tsikelikely ny jiro sy ny rano, tany amin’ny faritra sasany, adiny iray taty aoriana. Marobe koa anefa ny tsy mbola nandeha ka nanomboka nampihatra ny fanapahana misesy (delestazy) ny Jirama nanomboka tamin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina.Ankoatra ny ny jiro tapatapaka, eo koa ny tsy fisiana na ny tsy fahampian’ny rano. Anisan’ny tena misedra olana ny eny Itaosy, ary nisy mihitsy ny mpanjifa nanao antso vonjy “SOS rano Itaosy” any anaty tambajotra sosialy. Voalaza fa tsy ampy ary tsy mahavaha ny olana ny fizaran-drano amin’ny siniben-drano.Randria  L’article Simba ny milina any Andekaleka: niaraka tapaka ny jiro sy ny rano eto Antananarivo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nilaza ny heviny ny minisitra mpiahy: hanomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana 2019-2020

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika, i Volahaingo Marie Thérèse, teny Anosy omaly, fa hiroso amin’ny volana oktobra ny fidirana ho an’ny taom-pianarana vaovao ho an’ireo sekoly mampihatra ny rafi-pampianarana malagasy. Nahaheno ny hetahetan’ny ray aman-dreny ny tenany ary nandray izany. Ny minisitera rahateo, vonona handray ny fampianarana ny volana oktobra ary hifarana ny volana jolay. Hivoaka amin’ity herinandro ity ny andinindininy amin’ny tetiandrom-pampianarana 2019-2020.Tanjona napetraky ny tetipivoarana ho an’ny fanabeazana 2017-2022 ny hampandrosoana isan-taona ny fotoana hisantarana ny taom-pianarana vaovao ka ho tonga volana marsa izany ny taona 2022 ary hifarana ny volana desambra. Tsapa fa misy ny lesoka samihafa, indrindra amin’ny fifantohan’ny mpianatra ka nisarika ny ray aman-dreny sy ny mpanabe hanaitra ny tomponandraikitra.Ankoatra ny fanambarana momba ny tetiandrom-pampianarana, nilaza ny minisitra fa efa lasa any amin’ny faritra ny tambin-karaman’ny mpampianatra Fram volana fahefatra sy ny volana fahadimy ka fandaminana isam-paritra sisa mamaritra ny fandoavana ny vola.Ho an’ny fanadinam-panjakana, voatsinjara isaky ny Dren ny laza adina samihafa, miaraka amin’ny mpitandro filaminana ny fiambenana azy ireny mandra-pahatonga ny andro hanatanterahana ny fanadinana. Nisy ny fivoriana fandaminana ny fizotry ny fanadinana CEPE sy BEPC, omaly teny Anosy, nandraisan’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena 22 anjara.Vonjy A. L’article Nilaza ny heviny ny minisitra mpiahy: hanomboka ny volana oktobra ny taom-pianarana 2019-2020 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9

Tropy 14 no hifampitana. Toerana 8 kosa no hotetezin’ny “Hiragasy makotrokotroka” amin’ity. Hakotrokotroka noho ny andiany teo aloha, raha ny fiaraha-misalahy amin’ny fanomanana no tarafina…Hiditra amin’ny andiany fahasivy ny “Hiragasy makotrokotroka”. Fifaninanana adin-kiragasy, hifanandrinan’ireo tropy kalaza eto Iarivo izy ity, izay fanao isaky ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra, fandalovan’ny mpizahatany ihany koa. Hotontosaina ny 4 aogositra hatramin’ny 6 oktobra izao ny “Hira gasy makotrokotroka”, raha ny fandaharam-potoana. Raha toa ka tamina toerana iray hatrany ireo andiany teo aloha, hitety tanàna sy vohitra kosa izany amin’ity andiany fahasivy ity. “Ho fanomezan-kasina ny kolontsaina eto Analamanga, ho fanomezan-danja ihany koa ireo vakoka sy toerana manan-tantara no antony hanaovana azy mitety vohitra”, hoy  ny fanazavana nomen-dRakotondrabe Niry, tale jeneralin’ny ofisim-pirenena misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto (Ofnac), nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely. Hatao, ny alahady 4 aogositra tolakandro izao ny adin-kira gasy voalohany, eny amin’ny Rovan’Antananarivo. “Efa tamin’ny andro faha mpanjaka no nisy hira gasy farany teny amin’ny Rova, ka nosafidiana manokana ny toerana amin’ity”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Ofnac. Hitohy amin’ireo vohitra sy tanàna toa anAmbatomanga, Sambaina, Talata Volonondry, Fidasiana Ambohimanga, Anosy, Ambohijatovo ary eo antokotanin’ny lapan’ny Tanàna eo Analakely izany. “Tsy avela ho fandalovan’ny mpizahatany fotsiny eto Antananarivo, fa mba hisarihana azy ireo hijanona hamantatra ny kolontsaina sy ireo vakoka ary toerana azo tsidihina ihany koa ny hetsika. Anisan’ny tanjona napetraka tany am-boalohany izay, miara-dalana amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina”, hoy kosa ny avy ao amin’ny Ofisim-paritra misahana ny fizahantany eto Antananarivo. “Nandritra izay andiany valo izay, niezaka izahay ny hampiakatra avo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny, sy ny hira gasy manokana. Sambany amin’ity no nanohana sy niditra an-tsehatra anatin’ny fanatontosana mihitsy ny minisitera mpiahy, ka mahavelombolo ny mpisehatra rehetra izany”, hoy kosa ny nambaran’ny filohan’ny Haigasy, Randrianarivelo Faly. Zo ny AinaL’article “Hiragasy makotrokotroka”: hitety tanàna sy vohitra ny andiany faha-9 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Lecofruit: orinasa mpanondrana legioma any ivelany

Maherin’ny 15.000 ny tantsaha miara-miasa amin’ny orinasa Lecofruit, sangany amin’ny fanondranana legioma any Eoropa ny orinasa Lecofruit. Nahita maso izany ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena Malpass.Anisan’ny notsidihan’ny filoha vaovao mitantana ny Banky Iraisam-pirenena, David Malpass, ny herinandro lasa teo, ny orinasa Lecofruit. Sampana orinasa ao anatin’ny vondrona Basan, ny Lecofruit, vondrona sangany eo amin’ny sehatry ny fanodinam-bokatra. Tsapany fa fanoitra iray mampandroso an’i Madagasikara ny fihariana mahakasika mivantana ny vahoaka, indrindra ny fambolena.Sangany sady voalohany amin’ny famokarana sy fanondranana legioma manta sy atao anaty ambifotsy any amin’ny vondrona eoropeanina (UE) ny orinasa Lecofruit, miara-miasa mivantana amin’ny tantsaha maherin’ny 15.000.Manatsara ny fidiram-bolan’ny tantsahaManohana azy ireo amin’ny fomba fambolena manaraka ny fenitra sy ny teknika, ny zezika sy ny masomboly, ny fikojakojana sy ny pitsompitsony rehetra. Vidiany manontolo amin’ny mpamboly ny vokatra, izay mifanaraka amin’ny bokin’andraikitra. Manampy sy manatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany fiaraha-miasa izany, indrindra mandritra ny fotoan’ny maitsoahitra. Manodidina ny 20 miliara Ar ny fampiasam-bolan’ny Lecofruit amin’ny lafiny fampandrosoana ny fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.Manampy izany, mitondra avo ny fahaiza-manao sy ny kalitaon’ny vita malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity orinasa ity. Ao anatin’izany ny fanajana sy ny fametrahana ny lalam -pihariana, miainga any amin’ny famokarana, ny fanangonam-bokatra, ny fanodinana ary ny fanondranana any Eoropa. Tsara ho fantatra, fa avy amin’ny Lecofruit, ny antsasaky ny vokatra “haricot vert” eo amin’ny tsenan’ny UE.Njaka AndriantefiarinesyL’article Lecofruit: orinasa mpanondrana legioma any ivelany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Seg: mitsinjo ireo zandary tratry ny tsy fahasalamana

Ny zandary (GST) Rakotoarison Mamisoa Christian miasa ao amin’ny borigadin’Ampasinambo Mananjary no nakarina haingana aty an-dRenivohitra noho ny tsy fahasalamany. Nigadona tao Betongolo, omaly maraina, ny helikoptera manokana nitondra azy izay mila fitsaboana faran’izay haingana noho ny tsy fahasalamana mahazo azy. Efa nahazo fitsaboana eny amin’ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana (Homi) izy amin’izao fotoana izao. Ny herinandro lasa teo izy no tratran’ny tsy fahasalamana ary efa notsaboina tao amin’ny CSB II Ampasinambo. Noho ny fihomboan’ny aretina nahazo azy sy ny fahalaviran’ny lalana mbola hitondrana azy mihazo an’i Mananjary ny antony nahatonga ny lehibeny nangataka ny hanaovana vonjiaina azy aty amin’ny Homi. Tonga nitsena azy teny Betongolo ireto tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena notarihin’ny kabinetran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), nisolo tena ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Seg. Nambarany fa tohin’ny ezaka efa natao izao fihetsika ataon’ny zandarimaria izao, araka ny voalazan’ny Seg momba ny fitsinjovana manokana ny zandary tratran’ny tsy fahasalamana toy izao.J.CL’article Seg: mitsinjo ireo zandary tratry ny tsy fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Pilo Kely aroson’i Mamy Be

L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Firehetana fiara

Nirehitra tetsy amin’ny 67 Ha ny fiarakely iray, omaly antoandro. Tsy fantatra ny nahatonga ny afo. Tsy nisy ny olona may na namoy ny ainy vokatr’izay. Tsy niitatra na nanimba zavatra hafa ihany koa ny afo. L’article Firehetana fiara est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea

Fantatra izao fa i Namibia no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny fihodinana fahatelo, hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2020». Araka ny daty, hotanterahina eto Madagasikara ny lalao mandroso, ny 22 septambra ho avy izao, ary any Windhoek kosa ny fihaonana miverina, ny 12 oktobra 2019. Hiatrika ny dingana famaranana, hatao any Kameronina ny taona 2020, izay tafavoaka amin’ny roa tonta.Ankoatra izay, tafaverina omaly alatsinainy, eto an-tanindrazana, ny Barean’i Madagasikara ka nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rasoamaromaka Hery. Nentiny niara-nisakafo taminy ny Barea, ary notolorany 6 tapitrisa Ar ireo mpilalao ho fankasitrahana ny zava-bitany sy ny nahatafakatra azy ireo. Nomeny 1 tapitrisa Ar kosa ilay mpitsara malagasy nitantana ny lalao tany Lesotho. Nisaotra an’i Hery Be ny solontenan’ireo mpilalao noho izao fihetsika nataony izao. TorcelinL’article Kitra – «Chan 2020»: hidona amin’i Namibia ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitantanana fiangonana : voatendry ho filohan’ny FLM ny pastora Andrianjafy Octave

Voatendry avy hatrany ho filoha mpisolo toerana eo anivon’ny FLM, manomboka izao, ny filoha lefitra, ny pastora Andrianjafy Octave Benil. Nisahana ny andraikitry ny filoha lefitra ny tenany, fony mbola filoha ny Rev. Rako­tonirina David. Filoha mitantana ny Synodam-paritany Atsi­nanana ny tenany izao hisahana vonjimaika ny filo­han’ny FLM izao. Mipetraka sy miasa ary manatanteraka ny andraikiny any Farafangana ity filoha mpisolo toerana ity amin’izao fotoana izao, noho ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Tsiahivina fa nodimandry ny herinandro lasa teo noho ny Coronavirus ny filohan’ny FLM, ny Rev. Rakotonirina David. Miandry ny synoda lehibe tokony hotanterahina ny volana septambra izao ny fi­fidianana ny ho filohan’ny FLM, arakaraka ny fivoaran’ny valanaretina. Mitohy ihany anefa ny fitantanan’ny filoha mpisolo toerana raha tsy tanteraka amin’ity taona ity izany.Synèse R.L’article Fitantanana fiangonana : voatendry ho filohan’ny FLM ny pastora Andrianjafy Octave a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 31-10-2020
Source : CCO COVID19 - 31/10/2020

Notsongaina

«Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro
24/10/2020

Mahatsiaro ho ankilabao ireo «paramédicaux» nanao ny ainy tsy ho zavatra nandritra ireny valanaretina nivaivay teto amin’ny firenena ireny satria maro ireo milaza fa tsy mbola nandray ny vola tokony ho anjarany. Hisy ny fivoriambe hatao isan-tendro hataon’izy ireo hifampizarana ny zava-misy sy ny dingana fangatahana iza­ny vola tambin’ny niasana mafy izany. Notanterahina ny 22 oktobra teo ny fivoriambe ho an’ ny any Soalala. Hanatanteraka ny azy, rahampitso, ny any Fa­ratsiho ary amin’ny alatsinainy ny any Anosibe an’Ala. Ny 30 oktobra kosa no hivory ireo “paramédicaux” any Am­batolampy, any Arivonimamo ary any Miarinarivo. Mitohy izany ho an’i Manja amin’ny faran’ny volana oktobra izao. Araka ny baikon’ny mpitarika fikambanan’ny “paramédicaux”, tsy hisy ny fangatahana alalana amin’ny ambaratonga amin’ny toerana misy azy ireo. Tsy maintsy hatao ko­sa ny fampahafantarana amin’ ny lehibe isan’ambaratonga mi­kasika ny fivoriana hatao. “Manan-jo hivory izahay ka hanatanteraka izany ha­mon­dronana ny hery sy hanamafisana ny fitakiana fa tsy hatao vato natsindry ahazana ka atsipy rehefa vita ny nilana anay”, hoy ireo “paramédicaux”.Tatiana AL’article «Paramédicaux»: Sesilany ny fivoriambe isan-tendro a été récupéré chez Newsmada.

Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray
30/10/2020

  Mihorohoro saina tanateraka ny fianakavian’ireo mpirahalahy mpiandry omby nisy naka an-keriny, ny herinandro lasa teo tao amin’ny fokontany Amparihibe Ambatomanohina-Anjozorobe. Hatramin’izao, tsy mbola nandrenesam-baovao ny momba ilay zandriolona, raha hita faty teo amin’ny fokontanin’Amparihibe kosa ilay zokiny, ny alarobia antoandro teo rehefa avy novonoin’ireo jiolahy. Fantatra fa nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar amin’ireo fianakaviana ireo olon-dratsy talohan’izay. Efa nisy anefa fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta. Saingy, niharan’ny heristran’ireo mpaka an-keriny hatrany ilay tovolahy 16 taona ka maty.Mponina ao amin’ny fokontany Amparihibe ireo roa lahy mpiandry omby. Tsy hita nanomboka ny harivan’ny 25 oktobra lasa teo izy roa lahy ireo. Nanaovana ombay mitady avy hatrany raha vao tsy nandrenesam-baovao ireo mpiarahalahy 10 sy 16 taona. « Tsy nampahafantatra ny zava-nitranga ireo mpitandro filaminana ireo fianakaviany », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Taorian’ny tranga, naharay antso avy amin’olona tsy fantatra ireo fianakaviana. Nitaky vola mitentina 5 tapitrisa Ar ilay mpiantso ho tambin’ny famotsorana azy roa lahy.Taorian’ny fanadihadiana ny raharaha, efa misy ny olona roa voasambotra, ahina ho ao ambadiky ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny famotorana.Henintsoa HaniL’article Roa lahy nalaina an-keriny: maty nisy namono ny iray a été récupéré chez Newsmada.

Mbola ho ela e !
28/10/2020

« Tsy fanasaziana akory izao, fa fampahatsiahivana anao amin’ny tokony hiarovanao tena mba tsy hiverenan’ny fihibohana indray… ». Mba nanaitra ihany ny nahita io teny io tamin’ny tatitra nataon’ny polisy, mikasika ny fahatrarana ireo olona miisa 398 tratra tsy nanao arovava teto an-drenivohitra, omaly. Hay ka tsy tena fanasaziana akory no nampiharina. Toy ny manao parady fotsiny ny fahitana ireo olona nasaina namafa lalana. “Manala azy!”, araka ny fitenin-jatovo. Ny fanambaran’ny prefet-n’ny polisy, nohamafisin’ny governoran’ny faritra Analamanga, ny faran’ny herinandro teo anefa, nilaza fa tsy azo ekena intsony ny gaboraraka amin’ny tsy fanarahan-dalàna, amin’ity tsy fanaovana arovava ity. Voalaza fa hoe hampiharina amin’ireo izay mandika izany ny sazy.Aiza rehefa tena hampiharina tokoa ny sazy ? Any Frantsa izao, ohatra, 135 euros, izany hoe, efa ho 6 hetsy Ar mahery ny lamandy ho an’izay tratra tsy manao arovava eny an-dalambe. 90 euros, izany hoe, 4 hetsy Ar mahery raha afaka mandoa eo no ho eo ilay olona tratra. Mbola henjana noho izany aza raha olona efa mpamerin-keloka no tratra ; 3750 euros, izany hoe, 17 tapitrisa Ar mahery, ary mety hiafara amin’ny fampidirana am-ponja hatramin’ny enim-bolana mihitsy aza. Izany ny an’ny olona rehefa tena hampiharina tokoa ny lalàna. Efa izany henjana be izany aza ny lalàna, mbola izao ihany ny zava-misy any Frantsa vokatry ny fihanaky ny valanaretina covid-19 ity.Raha akapoka ny resaka, mbola tena lavitry ny afo ny kitay mikasika ity resaka fampiharan-dalàna ity eto amintsika. Be dia be ny fandikan-dalàna amin’ny lafiny sy amin’ny endriny maro, saingy… Tsy dia hita miharihary loatra ny fampiharana fa toa moramoraina, hamaivanina na saron-tsaronana eny. Tsy mahagaga raha misy ny mpamerin-keloka. Voatana na ampidirina am-ponja, avy eo tafavoaka tsy re tsaika. Mahavariana aza fa izay heverina ho mpanao na mpampihatra ny lalàna, na koa ny manampahefana sy tompon’andraikitra ambony koa aza indraindray no mahabe resaka amin’ity fandikan-dalàna sy tsy fampiharan-dalàna ity. Ndeha hatao hoe misy ihany ny fampiharan-dalàna. Saingy, ny hita toa fampiharan-dalàna miendrika na mamofompofona… politika. Tsy mahagaga raha manjaka ny gaboraraka tsy mampandroso firenena. Mbola ho ela isika e !RandriaL’article Mbola ho ela e ! a été récupéré chez Newsmada.

Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy
29/10/2020

   Voasambotry ny polisy ny talata teo, ary efa naiditra am-ponja avy hatrany ny lehilahy iray ao anatina fikambanan-jiolahy mpanao vola sandoka efa nokarohana hatramin’ny taona 2018.Araka ny tatitra nampitain’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle, sakelika fahefatra nandray an-tanana ity raharaha ity, efa kalaza amin’ny fanaovana vola sandoka tokoa ity lehilahy iray ity. Anisan’ny ao anatin’ny Fikambanan-jiolahy malaza mpanao vola sandoka, izay efa nokarohin’ny polisy hatrany amin’ny taona 2018 izy io, saingy izao vao sarona. Loharanom-baovao azon’ny BC 4 avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny toerana misy azy, eny Sadabe, Talatavolonondry. Nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana ary nidina ifotony avy hatrany teny an-toerana ireto farany, ny talata 27 oktobra teo. Hita tokoa ilay trano voalaza fa misy ireo jiolahy mpanao vola sandoka, saingy tamin’io fotoana nahatongavan’ny polisy teny, efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana.Milina avo lenta…Na izany aza, niroso tamin’ny sava hao ilay trano ny polisy ka nandritra izany no nahasaronana ireo fitaovana maro samihafa. Anisan’izany, ohatra, ny ordinatera, “imprimante” izay tena avo lenta tokoa, raha ny voalaza, ankoatra ny singa sy kojakoja hafa fampiasany. Fantatra tamin’izany, fa ahavitan-dry zalahy hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo fitaovana ireo, izay efa nahatratra enina gony be izao. Nogiazana avy hatrany ireo entana ary nentina eny amin’ny biraon’ny BC4 hatao porofo atolotra ny fitsarana. Ilay lehilahy iray, naman’ilay tompon-trano moa, araka ny voalaza ery ambony no voasambotra tamin’io fotoana io, ary efa naiditra any am-ponja taorian’ny nanolorana azy ny fampanoavana. Tsy mijanona hatreo, araka ny voalaza, ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ny polisin’ny BC 4 mikasika ity raharaha ity fa mbola hitohy.M.RL’article Saron’ny polisy teny Sadabe, Talatavolonondry: mahavita hatramin’ny vola “Euro” sandoka ireo jiolahy a été récupéré chez Newsmada.

Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10
24/10/2020

Rendrika, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 7 ora tao amin’ny vavaranon’i Ma­roa­ntsetra, ny sambokely iray. Nikasa ho any Navana, kaominina ambanivohitr’An­ja­ha­na, ilay sambo avy any Ma­ro­antsetra io kanjo tra-doza no­ho ny haratsian’ny toetr’andro ka rendrika. Niainga avy ha­trany ny zandariamaria ao amin’ny tobim-paritr’i Maro­an­tsetra raha vao nahare ny tranga. Nanao vonjiaina ireo traboina niaraka amin’ny sambo haingam-pandeha niaraka amin’ny polisim-pirenena. Vokany, avotra soa aman-tsara ireo mpandeha miisa 10 sy ny mpanamory miisa roa. Misy ihany koa ireo entana ma­romaro an’ireo mpandeha mbola avotra.«Manentana ny zandariamaria fa raha vao maloka na be rivotra na manorambe ny andro, tokony haato aloha ny fivezivezena an-dranomasina hialàna amin’ny loza toy izao», hoy ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao.Henintsoa HaniL’article Sambokely rendrika : avotra avokoa ireo mpandeha miisa 10 a été récupéré chez Newsmada.

Kamiao nivadika an-kady: olona roa sy omby valo  maty
28/10/2020

  Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny tetezan’Anjamana, fokontany Ampano, kaominina Talata Ampano, distrikan’i Vohibato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora. Vokany, mpandeha miisa roa (lehilahy 23 sy 33 taon) maty tsy tra-drano. Lehilahy roa hafa koa maratra mafy raha tsy naninona kosa ilay mpamily fiara. ” Kamiao nitondra omby miisa 44 avy any Ihosy io tra-doza io ary saika hivarotra ireo omby ao amin’ny tsenan’i Vohiposa androany”, hoy ny fanazavan’ny polisy ao Fianarantsoa, misahana ny famotorana. Fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy, tafavoaka ny fiolahan-dalana mahazo ny tetezana eo Anjamana ny fiara ka nivarina an-kady.Taorian’ny loza, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy. Nandefa ihany koa an’ireo naratra any amin’ny toeram-pitsaboana ary nanokatra fanadihadiana mahakasika ny raharaha. Voalaza tamin’izany fa maty teo no ho eo koa ny omby valo tamin’ireo saika hamidy. Ny mpamilin’ny fiara kosa atao andrimaso sy hanaovana fanadihadiana ao Fianarantsoa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola ao an-toerana ilay kamiao nivarina an-kady. Efa an-dalana haka ireo razana roa ihany koa ny fianakavian’ny maty. Ireto farany, izay samy avy ao Ihosy avokoa. Voalaza fa ombivavy ny ankamaroan’ireo omby noentin’ny fiara saika hamidy. Fantatra fa matetika isehoana lozam-pifamoivoizana eo an-toerana ary lasibatra amin’izany ireo kamiao mpitondra omby.Ankoatra izay, mpivady nanao taingin-droa tamin’ny moto koa voafaokan’ny fiara 4×4, omaly tetsy Mandroseza. Vokany, nipitika avy eny ambony moto ilay ramatoa raha nosokirina tao ambany fiara ilay rangahy vadiny. Naterina vonjimaika teny amin’ny hopitaly ireo niharam-boina taorian’izay.  Henintsoa HaniL’article Kamiao nivadika an-kady: olona roa sy omby valo  maty a été récupéré chez Newsmada.

Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra
26/10/2020

Tra-tehaky ny zandary avy ao Betafo, ny asabotsy teo tao Tsarazafy, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, ao Betafo, ny sahan-drongony iray hekitara. Angom-baovao voaray avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny nahitana ity toerana ity.Nahitana fototra rongony 1 118 isa nataona roa lahy mpianaka izany. « Midadasika ny toerana ary mody ampiarahina amin’ny voly anana ireo zava-mahadomelina teo an-toerana », hoy ny fanazavan’ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Vokany, nandraisana avy hatrany fepetra ireo mpamboly sy ireo voly nataony. Nongontana avokoa ireo fototra rongony ka nentina tao Betafo nanaovana famotorana sy nodorana. Ireo mpianaka tompon’antoka amin’ny fambolena kosa, notanana sy natao fanadihadiana. Fantatra fa mpamatsy rongony ireo olon-dratsy izy mianaka ireo. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Nanentana ny mponina ny zandary fa voarara ary mahavoasazy ny fambolena toy ireny. Henintsoa Hani L’article Betafo: nahitana rongony 1 118 fototra a été récupéré chez Newsmada.

Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy
24/10/2020

Handeha lavidavitra kokoa amin’ny handrakofana ala ity Nosy ity. Notokanana, ny 20 oktobra teo, ny tanin-jana-kazo Mitsinjo ny ho avy ao Sahavon­dronina, kaominina Androy, distrikan’i Lalangina. Nitokana izany tany an-toerana ny Fita­lea­vam-paritry ny tontolo iainana (DREDD) Matsiatra Ambony, Rabotovao Mamisoa. Mitan­tana ny tanin-jana-kazo kosa ny fikambanam-behivavy ao an-toerana, miara-miasa amin’ny MNP Ranomafana. Efa notsidihin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Raharinirina Vahiniala, vao tsy ela izay, izany toerana izany. Ahitana karazany ireo zana-kazo miisa 12 500 ary tanjon’izy ireo ny hamokatra hatrany amin’ny 150 000 isa. “Miezaka mamokatra “pots biodégradables” , izany hoe, vita amin’ny herana, koa ry zareo ialana amin’ny fampiasana ny “pots plastiques”, hoy ny eo anivon’ny DREDD. Nivoitra tamin ny kabary nifandimbiasana ny olana sy ny fifanampiana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fampaha­tsiahivana ny fampiharana ny lalàna velona.Synèse R.L’article Fandrakofana ala : hamokatra zana-kazo anetsiny ny Mitsinjo ny ho avy a été récupéré chez Newsmada.

Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera
30/10/2020

  Misy toerana maromaro mbola ahitana tranga Coronavirus eto amintsika amin’izao fotoana izao. Arahin’ny minisiteran’ny Fahasalamana akaiky ny fivoaran’ny valanaretina amin’ireo toerana amin’ny fampiharana ny fepetra momba ny ady amin’ny Covid -19. « Raha tsy mitandrina ny rehetra, mety hahina hirongatra izany ka hamafisina ny fandraisana andraikitra ho an’ny tomponandraikitra efa mahalala ny tandrify azy avy », hoy ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Rakotovao Jean Louis, omaly teny Ambohidahy. Niantso manokana ny mpiasan’ny fahasalamana miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana koa ny minisitra. Nanantitrantitra izy amin’ny tokony hahamailo hatrany ny mpitsabo sy ny mpiasa rehetra eny an-kianja. Nambarany fa hatsaraina ny fanaovana fitiliana ary tokony hitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo rehetra voatily fa mitondra ny tsimokaretina ka manaraka fitsaboana. Niantefa amin’ny vahoaka iray manontolo ny antso farany, tokony handray andraikitra ny isam-batan’olona satria faly fa afaka niverina amin’ny fiainana andavanandro ka mety hanao gaboraraka ny fanajana ny fepetra rehetra hiarovana amin’ny tsimokaretina. Mbola mitoetra avokoa ny fepetra samihafa ary misy ny mpitandro filaminana manara-maso ny fampiharana izany. Raha tiana ny hampahomby ny ady ka hitondra amin’ny fandresena ny valanaretina, mitaky andraikitra avy amin’ny rehetra izany fa tsy miankina amin’ny minisitera irery fotsiny. Nidina ny tranga noho ny fanajana ny fepetra ka tokony hotohizana.Vonjy AL’article Faritra maromaro arahi-maso: manahy ny mety ho firongatry ny covid-19 ny minisitera a été récupéré chez Newsmada.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

Mozika variété: manana tanjona handeha lavitra ny Lina Gpe
29/10/2020

 Tovovavikely vao 13 taona monja, manana ny hoaviny eo amin’ny tontolon’ny mozika i Cheung Shan yi Lina, na fantatra amin’ny ilay anarana Lina Gpe. Efa miisa 10 eo ho eo amin’izao ny hirany. Anisan’ny mamorona ny hirany i Serge Razafimandimby avy ao amin’ny Serge Gpe. Miisa 6 ny mandrafitra ny Lina Gpe ankehitriny ka 5 ny mpitendry ary i Lina no mpihira ao anatin’ny tarika. Efa miparitaka any amin’ny Televiziona maro, ohatra, ny hira arahin’ny rindrantsary (clip) mitondra ny lohateny “ Eto am-baravarankely” novelomin’ny Lina Gpe.Marihina fa sady manao hiran’olon-kafa amin’ny teny  malagasy sy amin’ny teny sinoa i Lina, indrindra ireo hira manana ny maha izy azy, kanefa somary efa tsy dia heno na hita any amin’ny haino vaky jery intsony. Manana feo miavaka, mambabo ny mpihaino avy hatrany ny tovovavy eo amin’ny lafin’ny fihirana.Manana tanjona handeha lavitra eo amin’ny tontolon’ny mozika i Lina Gpe. Efa manomankomana zavatra maro hatolotra ny mpankafy ny kanto malagasy, raha ny filazan’ny mamoronkira sy manajeran’ny Lina gpe, i Serge Razafimandimby. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny Lina Gpe ho an’izay liana amin’ny zavatra ataony. Ireny efa hita any amin’ny Televiziona ireny rahateo ny kanto ataony.Narilala   L’article Mozika variété: manana tanjona handeha lavitra ny Lina Gpe a été récupéré chez Newsmada.

Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote
29/10/2020

 Tsy mbola tara raha miverina amin’ny fanapahan-kevitra ? Totoafo ny fitsipahana marindrano ny fitakian’ireo depiote ny tombontsoa : fiara tsy mataho-dalana sy ny fisotroan-drononon’izy ireo. Hita any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ny antso an-telefaonina amin’ireo haino aman-jery samihafa eto an-dRenivohitra izany. Vao mainka nampirongatra izany tsy fankasitrahana izany ny nilazan’ny depiote iray avy amin’ny fitondrana ny tombontsoa sy ny vola raisin’izy ireo eny Tsimbazaza, tamin’ny fahitalavitra iray, afakomaly alina.Tafakatra 12 ny isan’ireo “Assistant parlementaire”Tsy vitan’izany fa nampiakarina ho 12 ireo mpanampy “Assistant parlementaire” isaky ny depiote. Valo anefa ny isan’izany teo aloha. Mbola hiampy indray izao fitakiana fiara 4×4 sy ny fisotroan-dronono izao izany. Efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahana izany koa ny eo anivon’ny sendikà maromaro. Teo koa ny mpisolovava, ny Me Olalah.Etsy andaniny, niaro tanteraka izany fitakian’ny depiote izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. “Tsy mitovy amin’ireo fisotroan-dronono rehetra izany. Mety hampitondraina anarana hafa izy io. Mbola hapetraka ao anatin’izany avokoa ny fomba fahazoana izany na ho isam-bolana na mety amin’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana”, hoy izy.Anaty covid sy kere ary ny fiharianaAraka izany, mbola anaty ady amin’ny covid-19 izao firenena. Miaina kere ny any atsimo ary mbola ho henjana ny hanarina ny fihariana nefa  ny tombontsoan’izy ireo no mahamaika. Mpanao lalàna handidy dia homana avy hatrany.Raha tena mijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo, tsy olana ho an’ny olona ny hanampy sy hiaraka hiady aminy izany tombontsoany izany. Tsy izany anefa aloha izao ny zava-misy.Synèse R.L’article Fisotroan-dronono sy ny fiara 4×4: mihamahery vaika ny fanoherana ny fitakian’ireo depiote a été récupéré chez Newsmada.