Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie

News - Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie

News - Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie

Mbola ny malala-tanana
sy mpiray ombona antoka malagasy sy vahiny no mampihodina ny Akany
Sainte Marie, amin’ny fandraisana an-tanana ireo ankizy
tandindonin-doza. 

Efa-taona amin’ity taona ity ny
nitondra fanampiana ho an’ny Akany Sainte Marie eny Mahamasina ny
Office pharmaceutique malgache (Opham) sy ny fivondronan’ny
toeram-pivarotana lehibe S2M ahitana ny Jumbo Score, ny Score ary
ny Supermaki. Ampahany amin’ny vidin’ny ronono amin’ny boaty
Bledina, amidy eny amin’ireo magazay lehibe, ireo ary hafaran’ny
Opham no hakana ny tohana ara-bola, amin’ny alalan’ny tetikasa
“Bledi-solidaire”. “Nitombo raha nitaha ny tamin’ny taon-dasa
satria nahatratra 8 886 000 Ar ny vola natolotra ny
mpitantana ny toeram-pandraisana tamin’ny boaty 4 443 lafo
nandritra ny volana jona ary nomena ny anarana Bledi-solidaire”,
hoy ny tale jeneralin’ny Opham, i Philippe Edraz, omaly teny
Mahamasina. “Vonona izahay hanohy ny fanampiana ny akany satria
tsapanay ny asa ataon’izy ireo ho an’ny ankizy Malagasy”, araka ny
fanamarihan’ny tomponandraikitry ny S2M, i Marc Sheffer.

Tandindonin-doza…

20 ny ankizy raisina kilasimandry
ao amin’ny akany amin’izao fotoana izao ary ankizy tandindonin-doza
avokoa izy. Zanak’olona mamita sazy any am-ponja, iharan’ny
herisetra na narian’ny fianakaviany, zanak’adala na koa mila
fitsaboana akaiky ireo karakaraina ao amin’ny akany. Avy amin’ny
didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara manokana ny ankizy no mametraka
sy manala ny zaza rehetra eo amin’ny Akany Sainte Marie. Ankoatra
ireo, misy ankizy 86 hafa tohanana amin’ny sakafo sy ny
fampianarana fa mijanona eny anivon’ny fianakaviany ihany.
“Ampirisihina koa ireo ray aman-dreny 56 hanaovana tantsoroka
hitady asa fivelomana ka ho afaka hikarakara ny zanany ara-dalàna”,
hoy ny mpanorina ny akany. Raha mbola azo avela eny amin’ny
ankohonany ny zaza, izay ny vahaolana idealy fa tohanana fotsiny
izy ireo. Mamboly sy miompy, mivarotra, manao biriky ny ankamaroany
ary mahavelombolo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.

“Vao teraka ka hatramin’ny 10 taona
no mahazo mijanona ao ny ankizy noho ny fotodrafitrasa voafetra
ihany”, hoy ny mpanorina ny akany, Rahantamalala Irène. Rehefa
tonga ny 10 taona, afindra amin’ny toeram-pandraisana sahaza ny
zaza satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana. Mpiasa
karazany maro manana ny fahaiza-manaony ny mampihodina ny akany.
Mampiofana ny tanora koa ny akany mba hahaleo tena izy ireo any
aoriana. 15 ny mpiofana raisina isan’andiany manao zaitra sy
fikirakirana ny hazo. Misy fepetra ny fidirana amin’ny fanofanana
momba ireo taranja roa ireo.

Vonjy A.

Article tiré de Newsmada

L’article Opham – S2M / Tetikasa Bledi-solidaire: notolorana fanampiana 8 886 000 Ar ny Akany Sainte Marie a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Tselatra

Nisy naka an-keriny indray koa ny lehilahy iray 40 taona tany Andriamena Tsaratanana, afakomaly alina. Voalazan’ny fampitam-baovao fa tantsaha sy mpiompy ny asan’ity raim-pianakaviana ity. Hatramin’izao, tsy mbola nisy fitakiana vola nataon’ireo jiolahy tamin’ny fianakaviany. Fantatra fa efa nisy naka an-keriny toy izao koa ny ray aman-drenin’ity raim-pianakaviana ity, ny volana janoary 2019 lasa teo. Ny nampivarahontsana tamin’ity fankana an-keriny ny ray aman-dreniny ity dia ny taolam-balon’izy mivady sisa hitan’ny fianakaviana, tapa-bolana taorian’ny fakana an-keriny azy ireo. Mitaintaina mafy, araka izany, ny fianakaviany.Nidoboka am-ponja ao Antalaha rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny zoma teo ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fanakanan-dalana any amin’ny faritra Sava. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ampanefena Vohémar no nahasambotra azy ireo. avy nanafika fiara 4×4 iray sendra nandalo tao Ankijanibe Vohémar ry zalahy ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 50 tapitrisa Ar. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary ka tratra tamin’io fotoana io ihany ry zalahy niampy ny olona iray mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.  L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Varotra sakafo masaka: hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy

Manomboka amin’ny 5 000 ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy ho an’ireo mivarotra hani-masaka na sakafo masaka tsy manara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra. Mbola esorina aminy koa ny toeram-pivarotana. Anisan’ny nivoitra ireo tamin’ny fampiantsoan’ny CUA an’ireo tompona fivarotra hani-masaka rehetra, anatin’ny tsena miisa 29, tantanin’ny kaominina. Notanterahina tetsy Isotry izany ary notarihin’ny avy ao amin’ny departemanta misahana ny rano sy ny fanadiovana avy etsy amin’ny BMH. Nampahafantarina tamin’izany ny momba ny lalàna mifehy ny fikarakarana ny sakafo ary ny fepetra rehetra momba izany, tafiditra amin’ny alalan’ny « code municipale d’hygiène – CMH » izany. Teo koa ny fampahafantarana ireo sazy mety hahahazo azy raha tsy manaraka ny lalàna. Efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny CUA – BMH – Polisy monisipaly miaraka amin’ny eo anivon’ny tsena nialoha izao fivoriana izao. Nanampy izany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny fanentanana ireo mpivarotra hani-masaka sy ny fampahalalana azy ireo ny CMH. “Tanjona ny hitsinjovana ny fahasalaman’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra sy ny fampandraisana andraikitra ireo mpivarotra hanaraka ny fenitra momba ny asa fikarakarana ny sakafo”, hoy ny tompon’andraikitra, ny Dr Ramaherito Andrianaly. Mbola fanentanana aloha ny atao amin’izao fa tsy mihatra ny sazy.Synèse R.L’article Varotra sakafo masaka: hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM

Misoko mangina, tsy re tsaika.  Efa mandeha ny IEM ary anisan’ny nisitraka izany ireo tantsaha any Vakinankaratra.  Nidina ifotony tany an-toerana ny filoha Rajoelina, omaly.Nihaona mivantana amin’ireo tantsaha nahazo ny fanohanana.“Mipaka aty amin’ny tokantranonay mihitsy, Andriamatoa filoha, ilay IEM », hoy ny renim-pianakaviana tao Andranomanelatra Antsirabe.  Fito  ireo nahazo famatsiam-bola ary kendrena hahatratra 800 ny hisitraka ny fihariana sy homena omby, hatramin’ny faran’ny taona any an-toerana. Nahazoana ronono 5 litatra isanandro ny  ombivavy teo aloha. Maherin’ny 20 litatra izany izao.  “Hisy veterinera maimaimpoana hanaraka ny fahasalaman’ny omby eto amin’ny fikambanan’ny tantsaha Sandratra. Homena fiofanana ianareo.  Afaka mametraka dosie  ireo  tsy mbola nahazo omby…  Efa nampanantena ny Socolait  fa hividy ny ronono”, hoy ny filoha Rajoelina. Nambarany fa mbola hisy koa ny fiompiana akoho sy ny fanomezana lalam-barotra ho azy ireo. Nampanantena  ny  hanampy eo amin’ny fitaovana na vola na koa zezika sy masomboly  ny filoha. Natsidiny koa fa hitsangana tsy ho ela ny orinasa mpanamboatra “Plaque solaire”. Ho avy ny “kits solaires” ka  hahazo izany voalohany ny ao Andranomanelatra.Ho avy ny fitaovana hanamboaran-dalana Ho an’ny tao Manandona kosa indray, misitraka ny tetikasa fihariana ny fianakaviana miisa 20 eo ho eo ary  mamboly velaran-tany 30ha. Eo koa ny fiompiana kisoa matavy. Mamboly vary, ny tongolo, ny ovy, ary legioma koa  izy ireo. « Tokony hijery ny tsena any ivelany ny tantsaha ary tokony ho matihanina fa tsy hijanona amin’ny fambolena sakafo ao an-tokantrano fotsiny”, hoy izy. Notsiahivina ny velirano hanampiana ny tantsaha. Fanoitra lehibe amin’ny fahantrana ny fanampiana ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny nambarany. Hahazo omby maherin’ny 800 ny tantsaha ao Andranomanelatra, mialoha ny faran’ny taona. Hahazo koa ny ao Manandona. Notsiahiviny fa homena fitaovana daholo ny faritra  rehetra.  Anisan’izany ny  “Tracks sy ny Bulls” hanamboarana ny lalana mampifandray ny kaominina. Hahazo fiara fitondrana marary koa ny ao Manandona…Nomena toromarika ny tompon’andraikitra hijery ny fampiasana izany.Synèse R. L’article  Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Ankizy nalaina an-keriny

Nalain’ny jiolahy an-keriny tao an-tranony ny ankizilahikely iray, 13 taona, zanaka mpamboly tany Anjiajia Ambato Boeny, ny alin’ny alahady lasa teo. Vola mitentina valopolo tapitrisa ariary no heno fa takian’ireo mpaka an-keriny ho takalon’ny famerenana an’ilay ankizy. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny ny zandary sy ny fokonolona dia votsotra ny ampitson’io izy. Tsy nisy ny fandoavam-bola an’ireo olon-dratsy. L’article Ankizy nalaina an-keriny est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Teny an’anona teny

   L’article Teny an’anona teny a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Voka-panadihadiana tany Antsirabe :: Matin’ny entona misy poizina izy enina mianaka

Nifanojo tamin’ny vokatry ny famotoran’ny Zandarimaria ny valin’ ny fizahana nataon’ny mpitsabo tamin’ireo eni-mianaka, reny sy ny zanany dimy, izay nindaosin’ny fahafatesana tany Maromandraisoa-Tsarahonenana, any Antsirabe II, tamin’ny 12 septambra lasa teo. Nanasongadina ny fisian’ny fahasemporana ireo zandary, raha nampahafantatra ny fisian’ny poizina avy amin’ny fofon’ arina tao amin’ny trano nitoeran’izy eni-mianaka ireo ny mpitsabo. “Fahafatesana avy amin’ny fahasemporana hatramin’ny 90% no nihatra tamin’ireo olona ireo”, hoy iretsy farany. Voarakitry ny fitanana an-tsoratra nataon’ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana, taorian’ny loza, ny nahitana arina fandrehitra mitsitokotoko efa lasa lavenona tao ambany rihan’ny trano nahitana ny razan’izy enina mianaka. Mbola nahitana arina fandrehitra mivaingana mitsitokotoko ihany koa, tsy lavitra teo. Tsiahivina fa ny raim-pianakaviana nody tao antrano nahita azy eni-mianaka nitsotra teo am-pandriana saingy efa samy tsy nisy aina intsony,tamin’ny sabotsy lasa teo. L’article Voka-panadihadiana tany Antsirabe :: Matin’ny entona misy poizina izy enina mianaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - Ao Raha

Miaramila sandoka

Voasambotr’ireo Tafika manao fisafoana amin’ny alina, eny Analakely ny lehilahy iray 31 taona manao fanamiana miaramila, afak’omaly. Avy nanao fisafoana tany Isotry ireto miaramila nahita io lehilahy io teo Analakely. Tsikaritr’izy ireo ny tsy fetezana teo amin’ny galonany, ka nahatonga azy ireo hanadihady. Nilaza ho serzà-sefo io lehilahy mpisandoka io. Naterin’ireo miaramila tao amin’ny kaomisarian’ny polisy boriborintany voalohany avy hatrany io mpisandoka io. L’article Miaramila sandoka est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fihariana isan-karazany: entanina ho matihanina ireo mpanao asa tanana

Fihariana manan-danja ho an’ny fampandrosoana ny asa tanana, sehatra entina miady amin’ny fahantrana. Asa tanana, nankinina miaraka amin’ny indostria sy ny varotra sahanin’ny minisitera iray (Mica), hiteraka asa matihanina hitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena.Ataon’ny minisitera misahana izany ny mametraka tontolo hanomezan-danja ny asa tanana mifandraika amin’ny kolontsaina hisian’ny fampandrosoana ny toekarena. Amin’izao vanim-potoana korontanin’ny Covid-19 izao, haverin’ny minisitera ny hasin’ny mpanao asa tanana, miaraka amin’ny fanomezana vahana ny kalitaon’ny asa vita.Entanina ireo mpanao asa tanana ho matihanina hatrany hitazona ny kalitaon’ny asa vita. Fihariana karazany 14 ny tohanana amin’izany: vita avy amin’ny hazo, ny vy, ny vato, ny lamba, ny akora samihafa avy amin’ny biby sy ny zavamaniry. Karazany maro samihafa ny vita avy amin’ireo, toy ny haingon-trano, ny firavaka, ny fitafy, ny satroka, ny kiraro. Manana ny mampiavaka azy manokana ny asa tanana vita malagasy amin’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany.Laharam-pahamehana eo anivon’ny Mica, araka izany, ny manohana teknika sy manampy fitaovana. Ho fantatra tsy ho ela ny hatao sy ny vokatry ny fitsidihana ny toerana misy mivelona amin’ireny. Afantoka ho matihanina ireo mpanao asa tanana ho fampiroboroboana ny fihariana misy azy ireo. R.MathieuL’article Fihariana isan-karazany: entanina ho matihanina ireo mpanao asa tanana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy

Anisan’ireo taranja tsy niveri-maina ny ady totohondry satria nandrombaka medaly volamena  ihany koa. Nampitolagaga ny nanatrika ny zava-bitan’ireo mpikatroka malagasy.Nihofahofa indray ny saina sy ny hiram-pirenena malagasy, omaly, taty amin’ny Centre national Vacoas, Maorisy, ho an’ny taranja ady totohondry. Nandrombaka medaly volamena indray mantsy ny atletantsika, teo amin’ny latsaky ny 52 kilao, satria lavon’i Marco Jérôme, tamin’ny alalan’ny KO, teo amin’ny fidirana faharoa, ilay Maorisianina, i Bactora Gilbert. Niady ny fihaonan’izy mirahalahy ireto, nanampy tosika mafy ity solontenany ity ireo mpijery sy mpanohana ny tompon-trano, saingy tsy nampihetsi-bolo sy nampitahotra an’i Marco Jérôme izany fa vao mainka nanome hery azy aza. Vao nanomboka kely ny fidirana faharoa, nanomboka nivoa-dri teo amin’ny tatamason’ity Maorisiana ity, rehefa voan’ny totohondry nipetapetaka teny amin’ny tarehiny. Nifehy ny ady, nanomboka teo, i Marco ary tsy namelany raha tsy nianjera tamin’ny tany ny mpifanandrina taminy. Natsahatry ny mpitsara ny ady rehefa avy nisaina ilay Maorisianina ka nambara fa tompondaka ny Malagasy. Ankilany, nanao ny tsy nambinina ihany i Heriniaina Nomenjanahary (48kg), izay lavona teratany maorisianina, i Beedasse, teo amin’ny lalao famaranana. Na izany aza, mendrika ny zava-bitan’ity Malagasy ity, izay somary betsaka ihany ny tsindry nahazo azy nanoloana ireo mijery nihorakoraka sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Miarintsoa.Raz L’article Ady totohondry: nahazo medaly miisa telo ny mpikatroka malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany

Sambany ho an’i Fiadanantsoa Sidonie ny fandraisana anjara amin’ny “Lalaon’ ny Nosy”, saingy izao nahazoany vokatra tsara izao sahady. Atleta vao misandratra manana hoavy mamiratra izy, araka izany, raha izao fivoarany izao. Tsahivina fa efa nifaninana tamin’ny “CJSOI” teo amin’ny sokajy « cadette”, ny taona 2016, i Sidonie ary nahazo medaly volamena. Isan’ireo atleta niatrika fiofanana tany Sina izy ka izao nioty vokatra tsara izao, tamin’ity andiany faha-10 ny “Lalaon’ny Nosy” ity. Efatra taona izay no nidiran’i Sidonie ao anatin’ny taranja atletisma. L’article Atletisma – Fiadanantsoa Sidonie: fahombiazana avy hatrany ny fandraisana anjara voalohany a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara
29/10/2020

  Tra-tehaky ny zandary avy ao Ambilobe ny toeram-pambolena rongony mirefy 3 hektara. Sarona tamin’izany koa ny rongony 20.000 fototra tao Maroamalona, fokontany Bobantsery, kaominina ambanivohitr’i Anaborano Ifasy ao Ambilobe. Tratra tamin’io fidinana tampoka nataon’ny zandary avy ao Anaborano io koa ireo rongony milanja 540 kilao sy ny trano heva miisa telo tao an-toerana. Lehilahy dimy ihany koa voasambotra. Nahitana ny mpividy, ny mpamboly, ny mpitatitra ny rongony avy ao amin’io toerana io ihany. Nanaovana famotorana ireo voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. « Tsy maintsy nodorana kosa ireo rongony izay mitarika ny tsy fandriam-pahalemana », hoy ny zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. Misaotra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo nanome loharanom-baovao ny zandary. Mitohy hatrany ny ezaka ataony amin’ny ady amin’ny famokarana sy fanapariahana zava-mahadomelina.Henintsoa HaniL’article Fambolena zava-mahadomelina: saron’ny zandary ny sahan-drongony 3 hektara a été récupéré chez Newsmada.

DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy
29/10/2020

 Nihaona mivantana ny tompon’andraikitry ny foibe fitsarana fiarakodia sy ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao, omaly. Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao (Gcam). Tanjon’ny fihaonana ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana fiara sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara. Eo koa ny fanamboarana sy ny fikirakirana ny ara-taratasy rehetra hahatomombana ny fivezivezena.Nasiana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony hanaovana fandraisana ara-teknika ireny fiara vaovao ireny mialoha ny hamarotana azy. Teo koa ny lalàna mikasika ny laharana WWT, izay voafaritra mazava fa ireo fiara vaovao navoakan’ny orinasa nanamboatra azy ihany no tokony hitondra izany.Anisan’ny nampitaraina mafy ny foibe fitsarana fiara teo aloha ny gaboraraka teo amin’io laharana WWT io satria misy fiara tena efa ratsy kanefa mbola mitondra izany ihany fa tsy milamina ny taratasiny.Hodinihina amin’ny fivoriana manaraka indray ny mikasika ny fanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Iarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany ny fihaonana amin’io fotoana io.Tatiana AL’article DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy a été récupéré chez Newsmada.

Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra
27/10/2020

Maty tsy tra-drano i Faly Françoise Zamena, vehivavy ben’ny tanànan’ny kaominina Marohazo-Maintirano, tamin’ny alin’ny alahady 25 oktobra lasa teo. Lehilahy iray tonga tao aminy no voalaza ho nitifitra ka nahafaty azy avy hatrany. Fantatry ny fianakaviany io olona io, raha ny fanampim-baovao azo, omaly, izay voalaza fa lehiben’ny dahalo any an-toerana ary havan’ny maty ihany. Ben’ny tanàna naman’itsy niharam-boina itsy no nampandre ny mpitandro filaminana, tamin’ny alina nisehoan’ny loza. Tonga nanadihady ny zava-niseho tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Lehilahy voatondro ho dahalo raindahiny efa nanafika naka ny ombin’ny ben’ny tanànan’Antsaindoha Bebao, tamin’ny 5 oktobra lasa teo, izy, raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana any Maintirano, ankehitriny. L’article Vono olona :: Ben’ny tanàna vehivavy maty voatifitra est apparu en premier sur AoRaha.

Ady amin’ny kolikoly :: Nanolotra vahaolana ho an’ny Fitsarana ny HCDDED
27/10/2020

Nandroso vahaolana maromaro hoentina misoroka ny kolikoly eny anivon’ny Fitsarana ny Filankevitra ambony ho an’ny fanjakana tan-dalàna, ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana (HCDDED). Torohan’io filankevitra io mantsy « ny fahapotehan’ny Fitsarana noho ny kolikoly eto amintsika amin’izao fotoana izao ». Nandritra ny atrikasa notanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny HCDDED, teny Ampefiloha, omaly, no nanaingany ny minisiteran’ ny Fitsarana mba hanaparitaka ny taratasy fanentanana amin’ny fanajàna ny etika ara-maoraly hialana amin’ny kolikoly eo anivon’ireo rafi-pitsarana eto amintsika. « Eo ihany koa ny fisakanana ny kiantranoantrano amin’ny fampidirana ny fianakaviana mpitsara ao anatina rafi-pitsarana iray. Zava-dehibe koa ny fanomezana vahana ny fanatanterahana ny Dina », hoy i Imbiky Anaclet, zokiolona ao amin’ny HCDDED, izay isan’ireo nitarika ny atrikasa nitondrana ny lohahevitra « Fanjakana tsara tantana ». Efa manomboka mijery vahaolana amin’io kolikoly manimba endrika ny fianakaviamben’ny Fitsarana io ny minisitera, amin’izao fotoana izao. Isan’izany, ohatra, ny fidirana an-tsehatry ny Filankevitra ambonin’ ny mpitsara tamin’ny famindrana ny raharahana andramena niampangana mpandraharaha iray. L’article Ady amin’ny kolikoly :: Nanolotra vahaolana ho an’ny Fitsarana ny HCDDED est apparu en premier sur AoRaha.

Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij
27/10/2020

Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fifidianana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny volley ball. Lany ho filoha hitantana mandritra fe-potoana fitondrana manaraka ramatoa Bouchra Hajjij, filohan’ny federasiona maraokanina ny taranja volley ball. Isam-bato 42 no ho 12, nanoloana ny Dr Amr Elwani, filoha nitantana teo alohany, ny azon’i Bouchra Hajjij, nandritra ny fifidianana, natao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence”. Marihina fa nanomboka ny 24 oktobra teo ny kongresin’ny CAVB ka federasiona avy amin’ny firenena miisa 51 eto Afrika ny niatrika izany tany am-panombohana. 53 kosa ireo filohana federasiona nanatanteraka ny fifidianana, omaly alatsinainy, ary isan’izany ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley Ball, Andriamanantena Tahiana Nirina. Tsy nanadino ny niarahaba ity filoha vaovaon’ny CAVB ity ny filohan’ny FMVB, i Tahiana Nirina, ary nirary soa azy. Tsiahivina fa firenena telo ny tsy niatrika ny kongresy (i Djibouti, i Erithré ary i Ginea), saingy firenena iray ihany kosa ny tsy nanatanteraka ny fifidianana, omaly.Nialoha ny fifidianana, nisy ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha, mahakasika ny zava-bita nandritra ny fotoam-piasan’ny Dr Amr Elwani sy ny mpikambana niaraka aminy. Ankoatra ny zava-bita, nisy koa ny tatitra vola, efa fanao rehefa tapitra toy izao ny fotoam-piasana. Samy miandrandra fampandrosoana ho an’ny taranja volley ball eto Afrika ireo federasiona, amin’izao nahazoana filoha mpitantana vaovao sady vehivavy izao.Mi.RazL’article Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij a été récupéré chez Newsmada.

Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra
26/10/2020

 Manana hatramin`ny 11 novambra ny eo anivon’ny Ceni, hikirakirana ny lisitr`ireo mpifidy vaventy. « Mety hiova ireo voarakitra ao satria misy ireo kandidà no nitory ireo ben’ny Tanàna lany tamin`ny fomba ofisialy navoakan`ny fitsarana miady amin`ny fanjakana. Nitondra ny raharaha eny anivon’ny filankevim-panjakana izy ireny », hoy ny mpampakan-teny, i Fano Rakotondrazaka. Miisa 155 ny didim-pitsarana voarain` ny Ceni avy amin`ny filankevi-panjakana momba ny fifanolanana tamin`ireo kandidà tamin` ny fifidianana kaominaly farany teo.Etsy andaniny, hamoaka ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà loholona afaka hifaninana ny eny Alarobia ny 29 oktobra izao. Miisa 14 izy ireo raha ny voarain’ny eny anivon’ny Ovec.Synèse R. L’article Ceni – Mpifidy vaventy: mety hisy fiovana ny lisitra a été récupéré chez Newsmada.

Vaovao tambatra
27/10/2020

35 ireo tanora any amin’ny kaominina Bemanevika, distrikan’Ambanja, nanaraka fiofanana “Miasa na mianatra asa sahaza”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana asa sy ny Helvetas Madagascar. Fito ireo nanaraka fiofanana momba ny fahasalaman’ny biby, 12 ny nianatra momba ny zaitra ary 16 ny nanaraka fiofanana momba ny nahandro. Tanjona ny hanampiana ireo tanora any ambanivohitra, mahazo fianarana sy mianatra asa, ahafahan-dry zareo miasa tena, mampandroso ny toekarena ao amin’ny faritra. Hampiofana tanora maro ny minisitera sy ny Helvetas mialoha ny volana febroary taona 2021.Any Tanambe, distrikan’Amparafaravola, mijoro ara-dalàna hatramin’izao ny kaoperativa Ndao, ahafahan’ireo tantsaha mpikambana mifanakalo hevitra momba ny fambolem-bary. Manodidina ny 60 ha ny tany volena izy ireo, mijoro toy ny orinasa tsy miankina, ary misedra olana goavana ankehitriny. Olana ny amin’ny fahazoana hoenti-manana amin’ny voly vary, iantsoan’ny mpikambana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana.  Havaozina isaky ny dimy taona ny mpikamban’ny birao.Ho famelomana indray ny sehatry ny fizahantany, misy ny tolotra package any Belo sur Mer, faritra Menabe, ataon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Afaka mandray anjara ny mpandraharaha rehetra, sy ny mpandraharaha any an-toerana, hiaraha-miasa amin’ny kompania mpitatitra ana habakabaka Tsaradia. Isam-bolana ny hanaovana ny tolotra package, hisafidianana tanàna iray, toy ny any Sainte Marie, ny any Nosy Be, ny any Taolagnaro… hanentanana ny mpandraharaha sy hisarihana mpizahatany. L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

Mba mila mahay mankasitraka koa !
29/10/2020

Tena ilaina ny kiana ! Tsy manana mari-pandrefesana ny mety na tsy mety hataony ny mpitondra raha tsy misy ny mpanohitra. Tsy voatery resa-politika, fa na ny kiana hanatsaran-javatra avy amin’ny vahoaka aza, ilaina dia ilaina tokoa. Any amin’ny firenen-kafa, ampirisihina mihitsy izay manan-ko lazaina mba hiteny izany fa tsy kobonkobonina irery any. Izay mahita ny tsy mety, ny tsy rariny, ny tsy ara-dalàna indrindra indrindra, tokony hahasahy hijoro miteny sy manohana ny heviny. Antoky ny demokrasia rahateo ny fahafaha-miteny. Azo lazaina fa malalaka tsara ny fitenenana, ny fanakianana, ny fanehoan-kevitra mifanohitra amin’ny an’ny mpitondra eto Madagasikara. Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny hiteny hoe tratran’ny teritery sy fanampenam-bava. Tsy tao anatin’ny ara-dalàna mantsy ireny. Raha fanehoan-kevitra an-kalamanjana misy famoriana vahoaka, mila fahazoan-dalana, mazava loatra. Raha fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera, tsy tokony hivaona mankany amin’ny fandrisihana amin’ny fankahalana, na sanatria mankany amin’ny fanakorontanana. Fa mba ilaina ihany koa ny fankasitrahana… Tsy voatery hanakiana izay hataon’ny mpitondra foana ny mpanohitra. Zony tanteraka, ary mariky ny fifanajana anatin’ny tsy fitovian-kevitra koa ny fankasitrahana. Raha toa moa tanteraka ny faniriana, izay nangatahin’ny mpanohitra, dia hangina fotsiny ve? Fahalalam-pomba kely sy bitika indrindra ny misaotra, na dia hitady izay hirika hahafaha-manakiana indray aza? Tsy ny lafiny politika politisianina ihany… Mavaivay mihitsy ny kiana, mafonja ny fangatahana ary malaky mampiaka-peo ny vahoaka, rehefa misy tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy any anaty fiarahamonina any, toy ny fotodrafitrasa tsy zarizary, ny fampanantenana tsy vita, ny velirano tsy tontosa, sns. Fa raha misy kosa ny tombontsoa iombonana, mahafa-pahasahiranana, mitondra fandrosoana amin’ny maha olona sy ara-toekarena, angamba tsy fahadisoana ny mankasitraka. Ny tena zava-dehibe tsara afantsika ao an-tsaina: tsy voatery mpomba vao mankasitraka ary tsy mpanohitra ihany vao manakiana. Raha mahay mandanjalanja izay, tsy misy ady saritaka na tsy mitovy fironan-kevitra aza ny anaty fiarahamonina iray. Eny, misy ary azo atao tsara izany.Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Mba mila mahay mankasitraka koa ! a été récupéré chez Newsmada.

Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna
27/10/2020

  Maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo tao an-tranony ao Marohazo, distrikan’i Maintirano, ny ramatoa, ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny alahady alina teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany. « Ny zanak’anadahiny ny nahavanon-doza nahafaty azy », hoy ny loharanom-baovao iray. Io lehilahy io izay malaza ho dahalo raindahiny. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa maty nisy nitifitra ny rahalahin’io dahalo io ka ahina ho nahatonga izany ilay ramatoa ben’ny Tanàna io.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpivarotra zava-pisotro ilay ben’ny Tanànan’i Marohazo. Ny alahady teo, tonga tao aminy ny lehilahy miisa efatra nisotro toaka, isan’izany ilay voalaza fa dahalo. Nivoaka tao ilay lehilahy manodidina ny 25 taona voalaza fa zanak’anadahiny ary nitifitra ny lamosin’ilay ben’ny Tanàna intelo tamin’ny basim-borona. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana 43 taona. Tsy naninona kosa ny zanany vavy 20 taona niaraka aminy tao. Nitsoaka sady nanao difi-danitra izy efa-dahy taorian’ny asa ratsiny. « Raha ny fanadihadiana natao, lonilony fianakaviana ny mety ho namonoana an-dramatoa ben’ny Tanàna », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Maintirano. Nohamafisiny fa fantatra avokoa ny anaran’ireo efa-dahy tao an-tsena. Efa mandeha ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.Henintsoa HaniL’article Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra
23/10/2020

Afaka mampitombo ny hery fiarovana ny CVO ankoatra ny fitsaboana ny Covid-19 ampiasana azy eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Tsy mamokatra CVO intsony ny Insititut malgache de recherches appliquées (Imra), amin’izao fotoana izao, fa ampy iatrehana ny filana ny tahiry ao amin’izy ireo”, hoy ny tale jeneraliny, ny dokotera Andrianjara Charles, omaly teny Avarabohitra Itaosy. Vonona sy ampy ny tahiry amin’ny CVO raha sanatria ka miverina miparitaka indray eto amintsika ny valanaretina Coronavirus. Tokony hanohy ny fiarovantena sy ny fiarovana ny ankohonany ny rehetra ary hanaja ny fepetra ara-pahasalamana. Mila ampiana tosika koa ny hery fiarovana ka mety ny fisotroana ny tambavy nohavaozina CVO ho an’ny olona mahazaka izany, araka ny fanazavany ihany. Ho an’ny sokajin’olona tsy mahazaka ny CVO, efa namokatra ny ATA ny Imra, samy novolavolaina iadiana amin’ny Covid-19 avokoa ireo. Mahomby amin’ny fitsaboana ny aretin’ny taovam-pisefoana ny ATA raha mahery vaika hanoherana ny tsimokaretina ny CVO. Hatreto, tsy nahitana fiantraikany hafa amin’ny vatan’ny olona mihinana azy ny ATA. Mety hampiakatra ny haavon’ny tosidra sy hahafanina eo amin’izay mampiasa azy kosa ny CVO, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo. Samy tsy voatondro hampiasa azy ireo kosa ny vehivavy mitondra vohoka sy ny mampinono. Tsy mety ho an’ny olona manana tosidra ambony sy ireo manana toe-tena diabetika tsy voaara-maso ny CVO. Efa notsinjaraina eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amin’ny tsena ireo vokatra roa ireo novolavolaina iadiana amin’ny Coronavirus.Momba ny vidin’ny CVO izay tafidina hatramin’ny 300 Ar ny tavoahangy iray eny amin’ny tsena, efa manakaiky ny fe-potoana ahazoana mampiasa ka nalefan’ny mpivarotra varoboba hisorohana ny fanariana azy fotsiny. Tsy misy idiran’ny Imra ny raharaha satria 1 500 Ar ihany ny hivarotan’izy ireo ny CVO miainga ao aminy.Tsy mandray anjara amin’ny famokarana ny CVO pilina sy tsindrona kosa ny Imra fa ny  ivontoerana fampiharana ny fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) sy ny mpiray ombon’antoka hafa no misehatra amin’io sokajy io.Vonjy A.L’article Tambavy CVO sy ATA: manana tahiry iatrehana ny filana ny Imra a été récupéré chez Newsmada.

Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony
26/10/2020

Noraisim-potsiny! Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro ireo telo lahy voarohirohy amina raharaha halatra taolam-paty, ny asabotsy tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao nampitain’ny polisy, nandritra ny fanatanterahana ny asa fisafoana nataon’izy ireo, ny nahatrarana ireto telo lahy ireto niaraka amin’ny gony roa mampiahiahy tao Amparihy Taolagnaro tamin’io fotoana io. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy raha vantany vao nahatazana ny gony nentin’izy ireo. Hita tao anatin’ireo gony miisa roa ireo ny taolam-paty lava miisa miisa 167. Nosamborina avy hatrany ireto telo lahy ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana sy hahafantarana marina ny toerana niavian’ireto taolam-paty marobe ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha halatra taolam-paty ity.Jean ClaudeL’article Amparihy: telo lahy nahatrarana taolam-paty roa gony a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Analamanga: tsy ho vita amin’ity taona ity ny fifidianana
27/10/2020

 Araka ny efa notaterina teto, tokony ho nivoaka ny asabotsy lasa teo, taorian’ny fihaonana nataon’ny ligy sy ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Analamanga, ny daty hanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga. Tsy izany anefa ny zava-nitranga fa nahazo baiko midina ny ligin’Analamanga fa tsy azo tontosaina intsony amin’ity taona ity ny fifidianana fa tsy maintsy miandry amin’ny taona ho avy. Araka izany, mbola mitohy indray izany ny fe-potoana hitantanan’ny filoha am-perinasa. Ity filoha ity izay nilaza fa mbola hangataka fanazavana misimisy kokoa eny anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Raha ny fantatra, saika niharan’ny fanafoanana fifidianana toy izao avokoa ireo taranja rehetra, toy ny judo, izay tsy afaka nanatanteraka ny fifidianana ihany koa tamin’ity volana oktobra ity. Raha ny loharanom-baovao, ny eo anivon’ny komity iraisam-pirenena olympika mihitsy ny nanafoana ny fifidianana rehetra amin’ity taona ity. Nanamafy izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy, ny tapaky ny volana teo.Ho an’ny taranja lomano, mbola ny filoha am-perinasa izany ny hampandeha ny raharaha amin’izao fanombohana ny taom-pikatrohana vaovao izao. Hanomboka ny 8 novambra izao izany taom-pikatrohana 2021 izany, ho an’ity taranja ity. Taona ho feno tanteraka raha ny fandaharam-potoana napetraka.Mi.Raz L’article Lomano-Analamanga: tsy ho vita amin’ity taona ity ny fifidianana a été récupéré chez Newsmada.