ONIVERSITE HPI/MASCA SABOTSY NAMEHANA: Manofana ny mpianatra hanangana orinasa

News - ONIVERSITE HPI/MASCA SABOTSY NAMEHANA: Manofana ny mpianatra hanangana orinasa
Reharehan’ny sekoly ireo mpianatra nahavita ny fianarany. Tontosa ny 23 desambra 2020 teny Sabotsy Namehana ny famoahana ny andiany TAFARAI (Tambatra-Fanamby-Raitra) ao amin’ny oniversite HPI/MASCA Sabotsy Namehana. 20 mianadahy izy ireo ary notolorana ny mari-pahaizana Licence. Ny lalam-piofanana « communication et multimédia », « agronomie » ary « Paramédicaux » no nianaran’izy ireo tao amin’ny oniveriste. «Hita fa niezaka ny mpianatra taorian’iny fihibohana iny satria samy nanao izay tratry ny heriny rehefa niverina ny fampianarana », hoy ny Tale jeneralin’ny HPI/MASCA, Rakotoson André.
Mampiavaka ny oniversite
« Ny mpianatry ny oniversite HPI/Masca dia ampianarina hamorona orinasa. Mianatra momba ny famoronana sy fitantanana orinasa ny mpianatra ato”, hoy i Haingo Paradis, tomponandraikitra ao amin’ny oniversite. “Marihina fa misy mpianatra roa sangany reharehan’ny oniversite amin’izao fotoana izao. Ny anankiray any akaikin’i Ambatovy, mamboly tsaramaso amina hektara maro izy ary ny vokatra avy efa misy mandray any ivelany. Ankoatran’izay tsy lasa any dia mitobaka eto amin’ny tsena anatiny”, hoy izy. Ao anatin’izay lalam-piofanana agronomie izay hatrany dia “resaka fiompiana trondro no nataon’ny tovovavy iray vao 23 taona monja nefa manana ny orinasany manokana. Tany amin’ny faritra Itasy izy no nampihatra ny fianarana nataony tato. Efa mamelona tokantrano maro izy ary anisany manampy ireo ankizy sahirana aty amin’ny oniversite ka nanolotra fitaovana maro ho an’ireo mpianatra mila izany”, hoy i Haingo Paradis. Anisany mampiavaka ny oniversite ihany koa ny tsy fandroahana mpianatra rehefa tsy mahaloa ny saram-pianarana. “Miezaka mifampiresaka hatrany satria ny ankamaroan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia mpiasa tena avokoa, raha tsy hilaza afa-tsy ireo tantsaha. Misy ireo ray aman-dreny no miteny hoe rehefa miakatra vary vao afaka mandoa écolage. Misy foana ny fifampiraharahana. Ny antony dia amin’ny maha groupe ny Masca dia misy mpiara-miasa maro amin’ny resaka fitantanana. Izahay ihany koa tsy manofa trano tahaka ireo oniversite hafa fa manana ny trano manokana ahafahana manohy ny fianarana”, hoy hatrany ramatoa Haingo Paradis. Ny 11 janoary 2020 ny fidirana manaraka ho an’ny taom-pianarana 2020-2021. Efa misokatra ny fisoratana anarana.
Lynda A.
VIDEO:
Cet article ONIVERSITE HPI/MASCA SABOTSY NAMEHANA: Manofana ny mpianatra hanangana orinasa est apparu en premier sur déliremadagascar.
L’article ONIVERSITE HPI/MASCA SABOTSY NAMEHANA: Manofana ny mpianatra hanangana orinasa a été récupéré chez Délire Madagascar.
Vakio ihany koa
News - Ao Raha
Famonjena olona hafa kely :: Lehilahy marary saina nampidinina teny amin’ny andrin-jiro
Avotra soa aman-tsara ny lehilahy iray voalaza fa tsy salama saina, teny Anosizato, omaly. Nianika teo ambony andry vy lehibe mitondra herinaratra tena matanjaka an’ny orinasa Jirama izy. Soa fa haingana ny fanapahana ny herinaratra nataon’ny Jirama ho fisorohana ny zava-doza mety nitranga. Niantsoana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina mihitsy ny fanavotana an’io lehilahy io. Tsy maintsy nirosoana ny fanapahana ny famatsiana herinaratra noho ity tranga tsy dia fahita ity. Efa tafanika teny ambonin’ilay andry vy lehibe mirefy dimampolo metatra eo ho eo sady andalovan’ny tariby mihitsy ilay lehilahy. Nitangorona ny olona. Tapaka naharitra adiny roa teo ho eo ny herinaratra mifandray amin’ io andry vy lehibe io tamin’ny faritra maromaro, nanomboka teny Ampitatafika, Itaosy, Ambohidrapeto sy ny manodidina, amin’ny vahilava, Andranoro, Ambohibao sy ny manodidina, Andraharo sy ny manodidina, 67Ha, Isotry ka hatrany Isoraka sy ny manodidina, araka ny fanambaràna nataon’ny orinasa Jirama, vantany vao tsikaritra ny zava-niseho. Famonjena nampiaiky Feno hakingana ny asa famonjena nataon’ireo mpamonjy voina, toy ireny fahita amin’ny horonantsarimihetsika ireny mihitsy. Nilàna fitandremana ihany koa mantsy ny fanavotana an’ity lehilahy tsy salama saina avy teny ambonin’ny andry vy lehibe. Nofatoran’izy ireo ny tanana ilany sy ny tongotra ilan’io lehilahy io. Nifampisintonana ireo kofehy roa mba tsy hampifandringotra azy eny ambony eny. Toy ny natoraka hidina ilay lehilahy saingy tsy mianjera fa manaraka moramora ireo kofehy hatraty ambany. Tsy nisy aina nafoy na naratra nandritra izany rehetra izany, ary nampisehoan’ny mpamonjy voina ny fahaizany tamin’ity tranga teny Anosizato, omaly, ity. L’article Famonjena olona hafa kely :: Lehilahy marary saina nampidinina teny amin’ny andrin-jiro est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara
Mampikolay ny rehetra ny fitohanan’ny fiara saika amin’ireo toerana rehetra eto Antananarivo, indrindra amin’ireo lalana hivoaka any amin’ny manodidina ny tanàna. Mimenomenona ny rehetra amin’ny fahataran’ny fotoana. Mikatso tanteraka ny fifamoivoizana.Anisan’ny voakasik’izany ny eny Ambohibao hatreny Ambodimita rehetra iny. Efa mahazatra ary vao mainka mihamafy ny makeny Itaosy, hatreny 67Ha… Torak’izany ny eny Anosibe sy Anosizato mihazo an’Ampitatafika.Antony mampamaivay ny fitohanan’ny fiara ny fanamboaran-dalana izay hanapahana ireo lalana sy ampahan-dalana maromaro. Maharitra amam-bolana maro ny fanamboarana, indrindra ny fametrahana ny sisin-dalana vaovao amin’ireo lalam-pirenena.Manakorontana fiainan’olona maro ny fitohanan’ny fiara lavareny sy maharitra. Ho an’ireo mpianatra sy mpiasa, voatery miala ora roa na telo mialohan’ny fidirana vao tonga ara-potoana any am-pianarana sy any am-piasana.Ao ireo mpianatra na mpiasa nisafidy manokana ny nitondra bisikileta hialana amin’ny fitohanana. Sady fanatanjahantena vita no tsy miaritra ny fitohanana ary afaka amin’ny fandoavana saran-dalana izy ireo amin’izany. Ny an’ny sasany mampiasa moto.Ao koa ireo misafidy ny mandeha an-tongotra, indrindra ho an’ireo mponina mipetraka akaikin’ilay lalana tapaka.Tatiana AL’article Fifamoivoizana: hejana ny fitohanan’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Tetikasa Fafy – Fahasalamana: fitaovana mitentina 2 tapitrisa dolara avy amin’ny OMS
Notanterahina, omaly teny amin’ny INSPC Mahamasina, ny lanonana fanomezana ireo fitaovana ilaina entina hiadiana amin’ny fahataran’ny fitomboan’ny zaza ao anatin’ny tetikasa Fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony (Fafy) notarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tetikasa iarahana amin’ny OMS sy ny Unicef ary ny Banky iraisam-pirenena ny Fafy ka tanjona ny fampidinana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Nanolotra bisikileta 1 451 sy finday 1 500 ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) ampiasain’ny mpanentana eny ifotony hiasa amin’ny distrika 46. “Miasa amin’ny toerana saro-dalana ny ankamaroan’izy ireny ka fitaovana hanampy amin’ny fampitam-baovao haingana isorohana ny valanaretina ny tanjon’ny fampitaovana”, hoy ny solontenan’ny OMS eto amintsika.Manampy ireo koa ny “tablette” apetraka eny amin’ny CSB 2 800 manerana ny Nosy, efa misy 1 200 naparitaka eny amin’ny tobim-pahasalamana ka ny1 600 fanampiny sy ny kojakoja miaraka aminy no naseho omaly.Ho an’ny amin’ny aretina pesta manokana, nahazo fitaovana famandrihana voalavo ny minisiteran’ny Fahasalamana. Ary ho fitsinjovana ny vehivavy, nampiana telo ny fitaovana “cryothérapie” ka 16 izany ireo efa miasa amin’izao fotoana izao hisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Mitentina 2 tapitrisa dolara mahery ny fitaovana natolotry ny OMS, omaly. Voalaza ihany koa fa hisy ny fankasitrahana omena an’i Madagasikara noho ny ezaka nataony eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nanamarika ny filoha fa hametrahana fitaovana fanaovana dialyse ny hopitaly ho fanampiana ny vahoaka.Vonjy A. L’article Tetikasa Fafy – Fahasalamana: fitaovana mitentina 2 tapitrisa dolara avy amin’ny OMS a été récupéré chez Newsmada.
Boriborintany VI: zaza iray matin’ny kitrotro
Nahafaty zaza ny aretina kitrotro teny amin’ny boriborintany VI, fokontany Ambohimiadana Atsimo. Voaporofon’ny dokotera eny an-toerana kitrotro ny nahafaty ity zaza ity. Tsy nitazam-potsiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa nandefa avy hatrany ny ekipa avy ao amin’ny amin’ny BMH (Bureau municipal d’hygiène), nandraraka ranom-panafody, teny amin’ny toerana manodidina ny trano fonenan’ny niharam-boina. Tanjona amin’izao ny hamonoana ireo bibikely sy ny otrikaretina mety hiparitaka manodidina ny trano, hitsinjovana hatrany ny fahasalaman’ny daholobe. Araka ny voalazan’ireo mponina manodidina, efa ho roa izao ny zazakely maty voan’ny aretina kitrotro teny amin’iny toerana iny nandritra ny herinandro izay. Araka izany, hanamafy ny fanadiovana ny boriborintany fahaenina. Nentanina amin’ny fanaovam-baksiny ny zaza sy ny ankizy ihany koa ny mponina ho fiarovana amin’ity aretina kitrotro efa mby an-koditra sy amoizana ain’olona ity. Tao anatin’ny roa volana izao ny firongatry ny aretina kitrotro ary tsy mifidy na ankizy na lehibe. Efa mivoaka ny mibontsimbontsina amin’ny vatana vao taitra ny ray aman-dreny ka mitondra ny zaza eny amin’ny dokotera. Fanaviana, malain-komana, marary tenda… no iantombohan’ny aretina. Heverin’ny ray aman-dreny ho fanaviana tsotra izany ka fampidinana hafanana ihany ny omeny ny zanany. Efa mihombo ny aretina vao mandeha eny amin’ny dokotera, matetika, ny olona, raha ny fanazavan’ny dokotera hatrany. Tatiana AL’article Boriborintany VI: zaza iray matin’ny kitrotro a été récupéré chez Newsmada.
News - Delire Madagascar
ORANGE SOLIDARITE NOËL 2020: Fianakaviana sahirana sy ankizy anarivony nivimbina fanomezana rehefa nody
Andron’ny firaisankina. Teo ambany fiahian’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy dia nanatanteraka andro natokana ho an’ny firaisankina ny Orange Solidarité Madagascar ho fizarana hafaliana ho an’ireo fianakaviana sahirana sy ny ankizy taizana amin’ireo fikambanana sy mianatra amin’ireo sekoly mpiara-miasa amin’ity fikambanana misahana ny asa sosialy ao amin’ny orinasa Orange Madagascar ity. Ny 19 desambra 2020 teny amin’ny Tour Ankorondrano no notontosaina ny « Orange Solidarité Noël 2020 ». Fianakaviana 350 avy ao amin’ny fokontany Ankorondrano Atsinanana sy Ankorondrano Andranomahery no nozaraina vary, siramamy, menaka ary labozia. Nomena vatomamy kosa ireo ankizy 400 mahery. Ankoatra izany dia notoloran’i dadabe noely vatomamy sy biscuit ary boky ihany koa ireo ankizy 200 avy amin’ny Centre Fazako, sekolin’ny marenina eto Madagasikara, ny SOS Village d’Enfant, ny EPP Maibahoaka ary ny Compassion Madagascar. Amin’ny maha fety ny « Orange Solidarité Noël » dia nampiseho ny talentany tamin’ny alalan’ny dihy, ny tsianjery ireto ankizy ireto. Nanafana ny lanonana ihany koa ny Joyfull Music, mpihira sy mpitendry mozika avy ao amin’ny Orange. Nandritra io fotoana io ihany dia nizara fanomezana tamin’ireo faritra maro ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange. Anisany nandalovan’izy ireo ny akany fitaizana zaza kambony an’ny sekoly Sainte Famille Sambava, ny Orchidée vanille Antalaha, ary ny sampandraharaha misahana ny zaza ao amin’ny hopitaly Antambohobe Fianarantsoa. Raha atambatra dia ankizy 1000 no nihanoka sahady ny fetin’ny noely noho ny « Orange Solidarité Noël ». Nirina R. Cet article ORANGE SOLIDARITE NOËL 2020: Fianakaviana sahirana sy ankizy anarivony nivimbina fanomezana rehefa nody est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ORANGE SOLIDARITE NOËL 2020: Fianakaviana sahirana sy ankizy anarivony nivimbina fanomezana rehefa nody a été récupéré chez Délire Madagascar.
News - News Mada
Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho
Raha tarafina tamin’ny famerenana, tsy hitovy amin’ny fampisehoana mahazatra ao amin’ny CCEsca Antanimena ny hiseho anio sy rahampitso, samy hanomboka amin’ny telo ora tolakandro. Ny antony, haharitra ora maromaro mihitsy, raha ny fandaharan’i Erick Manana sy ny namany ny hira ao. Hizara efatra mazava tsara mantsy ny seho ka ny tapany voalohany, i Erick Manana sy i Dama. Tohin’ilay “Feo roa, gitara roa”, niainga tao amin’ity efitrano ity, ny volana marsa 2016, ihany io. Efa nentin’izy mirahalahy nitety firenena maro ity fiarahana ity, haverina izao. Hanembonana ireo vazon-dry Lôlô sy ny tariny kosa ny tapany faharoa, iarahan’i Erick Manana, i Benny ary i Bebey. Ao amin’ny tapany fahatelo ny tarika Feo Gasy, ahitana an’i Kaolibera sy i Nini ary i Sata, hanampy an’i Erick sy i Benny. Io ilay tena nandrasan’ny maro satria efa aman-taony maro tsy niaka-tsehatra teto an-tanindrazana ny Feo Gasy. Ny tapany fahefatra farany kosa no tena hafana indrindra satria hiaraka an-tsehatra avokoa izy irehetra ireo, handahatra hira vitsivitsy. Fantatra fa hisy ampahany betsaka hitoviany ny seho roa, saingy hisy kely ihany ny fiavahany. Anisan’izany ny nanasan’i Erick Manana an’i Simon Randria, izay hiaraka an-tsehatra aminy, amin’ny seho anio. Zo ny Aina L’article Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy
Tsy nanadino ny nisaotra ny minisitra mpiahy azy ireo andriamatoa minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police, Rafanomezantsoa Roger, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, taorian’ny fandresena goavana azon’izy ireo nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” natao tany Maorisy. Medaly volamena roa ny nentin’ireto ekipa malagasy ireto niverina eto an-tanindrazana. Nitsidika ary naneho fisaorana ny minisitra mpiahy azy ireo ireto mpilalao ireto, ny herinandro lasa teo, indrindra tamin’ny fanohanana fitaovana sy ny vola ary ny fankaherezana nomena talohan’ny niarehana iny lalao goavana iny, ka antony nahazoana izao fandresena miezinezina izao.Tetsy ankilany, nankasitraka ireo mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny basikety ireto ny minisitra, ity farany izay tsy nitazam-potsiny tamin’ny fandresena azon’ny mpilalao malagasy fa nanolotra mari-pankasitrahana ho azy ireo tamin’ny nitondrany avo ny fanevam-pirenena, tany Maorisy. Mi.RazL’article Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.
News - Triatra
Minisiteran’ny Fanatanjahantena : Misy fanodinkodinam-bola goavana
Hatramin’izay, izany hoe, teo aloha teo, mbola tsy nisy fitarainana avy amin’ireo firaisambe Olympika (firaisan’ireo federasiona Olympika), mahakasika ny fomba fitantanana ny raharaha ara-panatanjahantena teo anivon’ny minisitera mpiahy (MJS). Ankehitriny, nipoitra izany. Saika nampiaka-peo avokoa ny ankamaroan’ireo federasiona ara-panatanjahantena noho ny tsy fahazoan’izy ireo fanampiana avy amin’ny minisitera, eny, na dia nanao fangatahana an-tsoratra mazava sy nampiseho ny fandaharam-potoany mandritra ny taom-pilalaovana aza. Nambaran’ny teo anivon’ny federasion’ny malagasin’ny basikety (FMBB) mantsy, fa raha toa ka nanao fangatahana fanampiana izy ireo amin’ny niatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny basikety ho an’olon-telo miaraka na ny Fiba 3×3, notanterahina tany Lomé, Togo, ny 9-11 novambra teo, dia tsy nahazo valiny nahafa-po tamin’izany, ary avonavona no nasetrin’ny MJS izany fangatahana izany. Manampy izany, nisy ihany koa fandefasam-bola ho an’ny minisitera sy ho fanampiana ireo federasiona avy amin’ny minisiteran’ny Tetibola. Voalaza fa mitentina 333 Tapitrisa Ar ny anjaran’ny federasiona Olympika amin’ny alalan’ny komity olympika malagasy, na ny Com. Nilaza ny teo anivon’ity farany fa mbola tsy naharay io tetibola io hatramin’izao. Raha ny vaovao hatrany, vantany vao tonga tao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana ilay vola avy amin’ny minisiteran’ny Tetibola, izay mitsinjara telo mazava, ka ny ampahany iray amin’izany no anjaran’ny Com. Tsy tody tany amin’ity farany izany, ka nahatonga ny teo anivony nisafoaka, ary vaky mihitsy aza ny ady teo amin’izy ireo sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Hita ary tsapa, araka izany, fa nisy ny fanodinkodinam-bola teo anivon’ny MJS, satria dia tsy nisy tatitra mazava mahakasika izany nataon’ireo tompon’andraikitra manomboka any amin’ny minisitra Tsihoara Eugène, hatrany amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Raha ny marina, tsy hita popoka izany ny vola ho fanampiana ireo federasiona. Manaporofo, avy hatrany izany, fa misy fanodinkodinam-bola goavana eo anivon’ny MJS. Na izany aza, nilaza ny teo anivon’ity farany fa hapetraka manomboka izao ny fanaovana fanadihadiana sy fitsirihana ny fitantanana eo anivon’ny minisitera, mba hisian’ny mangarahara. Toraka izany koa ny eo anivon’ireo federasiona mahakasika ny fandaniana ilay fanampiana avy amin’ny Fanjakana… MN L’article Minisiteran’ny Fanatanjahantena : Misy fanodinkodinam-bola goavana est apparu en premier sur .L’article Minisiteran’ny Fanatanjahantena : Misy fanodinkodinam-bola goavana a été récupéré chez Triatra.
News - Ao Raha
Pilo Kely aroson’i Mamy Be
L’article Pilo Kely aroson’i Mamy Be est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
« Mpanoratry ny taona 2018 »: natolotra an-dRavorombato ny amboara
Tontosa soa aman-tsara ny lanonana ! Natolotra an-dRavorombato Ony Lantoarimamy, tao amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy Unesco etsy Behoririka, omaly, ilay amboara lehibe maha « Mpanoratry ny taona 2018 » azy, araka ny fifaninanana nampanaovin’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko (KHT). Taona 1996, nanomboka nanoratra Ravorombato. Ny tononkalo no nikorisan’ny peniny tamin’izany. Taona 2004, nanoratra tantara fandefa amin’ny Radio. Taona 2008, nanoratra tantara filalao an-tsehatra. Taona 2016, nanoratra sombin-tantara. « Ny fanoratana tantara fandefa amin’ny onjampeo (Radio) no tena nahafa-po ahy indrindra », hoy Ravorombato. Anisan’ny mpanoratra manana sanganasana mahasarika azy kosa i E.D Andriamalala, i Rado, i Dox, i I.P Andriamangatiana, i Tsiavahana. Nambarany ihany koa fa misy ny « vanim-potoana maty » izay tsy ahavitany manoratra mihitsy. « Eo amin’ny herinandro eo ho eo no hanoratako ny tantara fihaino, saingy mety ho tonga iray volana izany, na mety tsy ho vita mihitsy aza », hoy izy. Ankoatra ny amboara, nasalotra azy ihany koa ny lamba landy « Mpanoratry ny taona 2018 ».Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana omaly ihany koa ny fifanakalozan-kevitra ho fanatsarana hatrany ny ezaka tahaka izao. Nisy ny soso-kevitra voarain’ny tompon’andraikitra ka nilazan’izy ireo fa « … Mila fiaraha-mientan’ny rehetra ny ezaka tahaka izao ho fampivelarana ny tontolon’ny soratra…. Hitohy hatrany ny fifaninanana « Mpanoratry ny Taona » ».Nifarimbona sy niara-niasa ary nanampy ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko tamin’ny fanatanterahina izao hetsika izao ny Com/Nat Unesco, ny Zoromanga, ny tsara sitrapo avy any ivelan’ny Nosy, ny Volot’Art nanafana tamin’ny feom-baliha, i Poète Rebelle nanao ny slam ary ny Valiha Academie, izay nanome ny loka fianarana valiha maimaimpoana ho an-dRavorombato.HaRy RazafindrakotoL’article « Mpanoratry ny taona 2018 »: natolotra an-dRavorombato ny amboara a été récupéré chez Newsmada.