ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka

News - ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka

News - ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka

Na dia teo aza ny fihibohana noho ny Covid-19 dia niezaka ny ESTIIM nahatafita ny mpianatra ity onveriste tsy miankina amin’ny fanjakana ity. Mpianatra 106 indray no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 23 desambra 2020 teny amin’ny CCI Ivato. Nahazo ny diplaoma BAC + na DTS, Licence, Master I sy Master II ireto andiany “Mandresy” ireto. Avy ao amin’ny lalam-piofanana fito misy ao amin’ny ESTIIM izy ireo: Interprétariat, diplomatie et sciences politiques, Administration et managment, Commerce et marketing, Communication, Tourisme, hôtellerie, environnement, Informatique ary ny Droit. Araka ny fanazavan’ny tale mpitantana ny oniversite fa ireo nahazo ny mari-pahaizana Master I na BAC + 4 no betsaka indrindra tamin’ireto andiany faha-15 ireto.

Lalam-piofanana mahaliana ny mpianatra

 «18 taona no nisian’ny ESTIIM. Ny azo  tsapain-tanana  hatramin’izay dia ny 80 % ny mpianatra mivoaka ato no tafiditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa. Betsaka no mbola manohy ny fianarany any ivelany na eto an-toerana. Ny orinasa mandray ny ESTIIM, raha natao ny tombana dia matetika eny amin’ny sehatry ny fanjakana, mpiasam-panjakana matetika, noho ilay fampianarana, ny vocation ny mpianatra tsirairay.  Izany tsy midika hoe ny orinasa privé tsy mandray fa be dia be no mandray, be dia be ihany koa no mamorona asa”, hoy hatrany i Andrianadison. Nambarany fa miovaova ny isan-taona ny mpianatra mivoaka isaky ny lalam-piofanana fa tamin’ity taona ity dia avy ao amin’ny lalam-piofanana fizahantany no tena betsaka. “Ho an’ireo vao hiditra taona voalohany rehefa natao ny kajy tsotsotra dia mbola ny filière tourisme no betsaka. Izay ilay vocation kanefa ny sehatry ny fizahantany no tena mitotongana indrindra noho ny covid fa ny mpianatra  mahita  fa mbola misy lalana azo aleha, misy sehatr’asa azo foronona dia mihazakazaka mankany izy ireo”. Anisany mahasarika mpianatra ihany koa ny lalam-piofanana lalàna sy fitantanana satria “ matetika mitarika any amin’ny asam-panjakana. Ny Interprétariat, diplomatie et sciences politiques no hitanay vitsivitsy, angamba no fahitana ny zava-misy ara-politika ankehitriny na noho ny tsy fahafantarana ny tokony ao anatin’ny sciences politiques”.

Fanampiana ny ray aman-dreny

Anisany fanampiana tena lehibe omen’ny oniversite ESTIIM ny fanampiana ireo ankizy vao afaka bakalorea avy ao amin’ny akan’ny marenina (AKAMA).  “Nanomboka tamin’ny heritaona izahay nandray  ny mpianatry ny AKAMA miisa 11. Ny lalam-piofanana informatique no nianaran’izy ireo ary  efa taona faharoa izy ireo amin’izao. Tamin’ny ity taona ity  dia nisy dimy indray vao afaka bakalorea dia ho raisinay ry zareo. Ny ampahatelon’ny saram-pianarana no aloan’izy ireo, ny akany ihany no miantoka izany”, hoy ny tale mpitantana ny ESTIIM. Ankoatra izany dia mijery ireo mpianatra mila fanampiana ity oniveriste tsy miankina ity.  Ao no “mahazo ny saram-pianarana tsy aloa, toy ny kamboty na  sahirana ara-pivelomana”. Manana bourse de mérite ho an’ireo vao afaka bakalorea teo ka nahazo “mention” ihany koa ny oniversite. “Tsy mandoa écolage amin’ny taona voalohany izy ireo ary raha tafiditra ao anatin’ny mendrika indray izy amin’ny taona faharoa dia mbola tsy mandoa écolage. Anisany fanampiana ny ray aman-dreny izany”.

Nirina R.

Cet article ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka est apparu en premier sur déliremadagascar.

ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka

L’article ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 24/12/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Songadina an-tsary

Sary: Fanou sy Tiana RL’article Songadina an-tsary a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ortana: hitsidika an’Ambohitrimanjaka sy Antsahadinta

Toerana manan-tantara hafa indray ny tsidi-bohitra karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana), ny sabotsy 18 mey ho avy izao. Andiany voalohany, manomboka eny Ambohitrimanjaka ary hiakatra ny tendrombohitr’i Ambonivohitra. Toerana kanto sy mahasondriana, ahitana ny tontolo manodidina toy ny lemak’i Betsimitatatra. Mampiavaka ny eny Ambohitrimanjaka koa ny fambolena anana sy voankazo ataon’ny tantsaha. Anisan’izany ny voasary, ny mandarina, ny anana sy legioma samihafa.Andiany faharoa, ny fitetezana ny tampon-tendrombohitra Ivatobe, mihazo an’Antsahandinta. Mirefy 42 km ny dia hatao amin’izany, ao anatin’ny fe-potoana adiny valo sy sasany. Mila olona salama tsara mahatanty dia an-tongotra ity ampahany faharoa ity, ary tokony hanana fitaovana sy kojakoja mifanandrify amin’izany toy ny rano fisotro, ny satroka iarovana amin’ny masoandro, ny kiraro fentina dia an-tongotra, sns.Tsiahivina fa andiany fahatelo ity karakarain’ny Ortana ity, ahalalana bebe kokoa ny toerana sy tanàna manana ny tantarany eto Analamanga, sady tsara tsidihina amin’ny lafiny fizahantany.Njaka A.L’article Ortana: hitsidika an’Ambohitrimanjaka sy Antsahadinta a été récupéré chez Newsmada.

News - Delire Madagascar

TAGNAMARO TENY AMIN’NY EPP AMBOHIPO: Mamantana sekoly vaovao ireo mpianatra

Nirodorodo teny amin’ny EPP Ambohipo indray ny ratsa-mangaika rehetra mandrafitra ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina (MSK) nanao « tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”, ny 27 aprily 2019. Nanatevin-daharana ny hetsika ireo mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohipo, ireo fikambanana maro toy ny Fandio, Ivoarana… Nizara ekipa maro ireo mpilatsaka an-tsitrapo ka tao no nisahana manokana ny fandokoana ny atiny sy ivelany ary ny “plafond” an’ireo efitranon-tsekoly miisa 12 amin’ny 16, ny fandokoana ny varavaran-kely sy ny varavaram-be ary ny solaitrabe, ny fandokoana ny ivelan’ny biraon’ny talen-tsekoly, ny fandokoana ny tamboho… Nisy tamin’ireo ekipa no nanala ny lobolobo manodidina ny sekoly. Tao ihany koa no nanamboatra ny zaridainan’ny sekoly tamin’ny alalan’ny fanamboarana ny fefiny, ny fambolena voninkazo vaovao. Ankehitriny, mamantana ny sekoly vaovao ireo mpianatra. Nambaran’ny talen-tsekoly, Raharimalala Fidelys Voahirana fa feno 57 taona ny sekoly. Hatramin’izay mbola tsy nisy ny fanavaozana ny EPP afa-tsy ny fanamboarana fanampina efitranon-tsekoly, novatsian’ny firenena japoney. “Mitondra fiovàna ho an’ny sekoly izao tagnamaro izao ka maneho ny fisaorana mitafotafo ny ekipan’ny minisitera sy ireo nanome tanana rehetra izahay”. Iray andro monja dia nahavita asa maro ireo mpanao tagnamaro notarihin’ny minisitry serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana. Ankoatra ireo tonga teny an-toerana dia nanampy ara-pitaovana ihany koa ireo orinasa sasantsasany miasa eto Madagasikara. Tsy ny teto an-drenivohitra ihany no nanao tagnamaro fa saika nahitàna hetsika avokoa nanerana ny Nosy. Ny 17 mey 2019 indray ny fotoana manaraka. Lynda A. Sary Cet article TAGNAMARO TENY AMIN’NY EPP AMBOHIPO: Mamantana sekoly vaovao ireo mpianatra est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Tsipy kanetibe – “Mada 2019”: ho any Togo ry Mamy sy i Ali ary i Tafita

Tontosa soa aman-tsara ny “Grand tournoi”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana, nakana ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’olon-telo miaraka lehiahy. Hisolo tena an’i Madagasikara ny ekipan’i Mamy.Hisolo tena an’i Madagasikara ny ekipan’i Mamy sy i Ali ary i Tafita, avy amin’ny CBT Analamanga, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Fihaonana hotanterahina, any Togo ny 13 ka hatramin’ny 16 jona ho avy izao.Tanteraka tetsy amin’ny kianja Ampasampito, ny asabotsy 25 mey lasa teo, ny “Grand tournoi”, niadiana ny tapakila amin’izany. Lavon-dry Mamy, teo amin’ny famaranana, tamin’ny fandresena 2 no ho 1, ry Black sy i Bôla ary i Délegué, avy amin’ny CBT ihany. Novaina ny “formule” nanaovana ny famaranana, tamin’ity, ka mivoaka ho mpandresy izay ekipa mahazo fandresena indroa. Toy izany koa teo amin’ny manasa-dalana, mihaona avokoa ireo ekipa efatra ka nanao ny famaranana ny ekipa nahazo isa betsaka tamin’ny fandresena roa.Tsiahivina fa anisan’ireo tonga teo amin’ny ankatoky ny famaranana ry Lova sy i Zakabe ary i Bonde, avy any Vakinankaratra. Teo koa ny ekipan’ny AS Mama. Ho fantatra, anio talata, kosa ny mpilalao fahefatra hanampy an-dry Mamy hofantenana tamin’ireo ekipa tonga teo amin’ny manasa-dalana, araka ny nambaran-dRandriamarohaja Dolys, filohan’ny federation sport boule malagasy (FSBM).Hanomboka, rahampitso alarobia, ny fampivondronana sy ny fanomanantenan’ity ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity. Tsiahivina fa hanana ny lanjany tanteraka io fifaninanana io satria hiadian-toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Lausanne, Soisa, ny taona 2020.Hiatrika izany ireo ekipa valo voalohany miatrika ny ampahefa-dalana. Tanjon’ny FSBM ny hahatafita an’i Madagasikara amin’izany fihaonana izany. TorcelinL’article Tsipy kanetibe – “Mada 2019”: ho any Togo ry Mamy sy i Ali ary i Tafita a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa

Hitohy ny fijerena manokana ireo mponina tsy manan-kialofana ny matory eny an-dalambe, hoy ny talen’ny kabinetra vaovaon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Andriantseheno Paul, omaly nandritra ny famindrana ny fitantanana teo aminy sy ny talen’ny kabinetra teo aloha, Rasoamaromaka Hery. Efa misy ny tetikasa handraisana an-tanana azy ireo, araka ny paikadin’ny minisitera. Nizara sakafo mafana sy lamba firakotra amin’ireotoerana vitsivitsy nisy ireo tsy manan-kialofana ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Ireo tunnel telo eto an-dRenivohitra : Ambanidia, Ambohidahy ary Behoririka no notolorana fanampiana. 250 ireo nomena sakafo mafana, 50 amin’ireo vehivavy mampinono sy mitondra vohoka ary nahazo botofotsy koa. Nanambara ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah fa tohin’ny fidinana efa natao tamin’ ny faran’ny herinandro lasa teo, no natao ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tsy misy tahirim-bola manokana hanaovana ny hetsika fa fandraisana andraikitra mivantana ataon’ny mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera. Eo am-pamolavolana ny fananganana village communautaire ny fitondram-panjakana. Mamantatra ireo olona tokony hahazo trano amin’izany village communautaire izany ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Mponina. Efa manana toerana any Ankarefo ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana izao. Amin’ity taona ity,  vinavina ny hanangana toerana hafa any Vinaninkarena, kaominina ambanivohitra Antsirabe. Asiana toeram-pambolena sy fiompiana hiveloman’ny mpifindra monina ny tanàna vaovao.Vonjy A. L’article Minisiteran’ny Mponina: haorina ny village communautaire faharoa a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos

Naverin’ny Britanika amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao ireo nosy kely Chagos, misy ny tobim-pamaharan’ny tafika britanika sy amerikanina ao Diego Garcia. Nanao izay fomba rehetra ny hijerena ity raharaha ity ny Maorisianina tany amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ), ka nankatoavina teo anivon’ity Fitsarana ity izany, ny volana febroary 2019. Telo volana taorian’izay, nangatahan’ny Firenena mikambana (ONU) ry zareo Britanika hampitsahatra faran’izay haingana ny fitantanana ny nosy Chagos.Nambaran’ny CIJ fa tsy ara-dalàna ny fihazonan’ny Britanika ireo Nosy Chagos tamin’ny 1965 eo anatrehan’ny lalàna iraisam-pirenena, nefa nomena fahaleovantena ny Nosy Maorisy tompony tamin’ny 1968. Fandresena ho an’ny diplomasia maorisianina izao fanapahan-kevitra izao. Ny 15 jolay teo, narahin’ny vahoaka maorisianina tamin’ny haino aman-jery rehetra ny fanamafisana ny fanambarana nataon’ny CIJ.Nankatoavin’ny solombavambahoaka maorisinina rehetra ny fandraisana ireo Nosy manodidina ireo, ary nisy solontenan’ny vahoaka avy any Chagos nanatrika ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena tany an-toerana. Hanana solombavambahoaka i Chagos amin’ny taom-piasan’ny Antenimiera maorisianina manaraka.Fitambaran’ny Nosy kely maromaro i Chagos, 56,13 km2.  Misy azy, 1 174 km atsimon’i Malé, 1 832  km atsinanan’i Victoria, any Seychelles. Anisan’ny lehibe : Diego Garcia, Nosy Salomons, Peros Banhos, Great Chagos, Nosy Egmont… R.MathieuL’article  ( CIJ): naverin’i Britanika amin’i Maorisy ireo nosy Chagos a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite”

Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra teo aloha, i Rejo-Fienena Felicitée,  sy ny vaovao hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Blanche Nirina Richard. Tahaka izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.“50%-n’ireo tanora afaka bakalorea anefa, tsy tafita eny amin’ny oniversite. Tsy maintsy hojerena ny hoavin’izy ireo hitovian’ny tanora malagasy sy ny zana-bahoaka. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy ny fizohiana amin’ny asa rehetra atao… Omena hasina ireo mendrika eo amin’ny andraikitra”, hoy ny minisitra vaovao, i Blanche Nirina Richard, omaly tetsy Fiadanana tamin’ny lahateniny, raha vao nandray ny fitantanana. Nanteriny fa hapetraka ny toko telo: fiaraha-miasan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Ilaina ny kalitaon’ny fampianarana ary hotanterahina ao anatin’ny fitoniana ny asa rehetra. “Hanampy sy hanohana eo amin’ny fampitaovana ny fanjakana hanatrarana ny fanamby”, hoy ihany izy. Notsiahivin’ny minisitra teo aloha kosa ny dingana vita. Anisan’izany ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny hosoka eo amin’ny diplaoma. Ny fametrahana ny oniversite manakaiky vahoaka, ny nametrahana ny sehatra ifanakaozan-kevitra, ny famahana ny olan’ny vatsim-pianaranana…Hamaky ady amin’ny kolikolyVita koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vonjimaika, i Rejo-Fienena Felicitée, sy ny ministra teo aloha ny Fanabeazam-pirenena, naverina amin’ny toerany, i Volahaingo Marie Thèrese. Nanteriny fa hanohy sy hanatsarana ary hanatratra ny tanjon’ny minisitera miainga amin’ny veliranon’ny filoha ny tenany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatontosana ny fanadinana, tsy misy hadisoana. Ny fanorenana trano sekoly EPP sy CEG ary lycée… “Ho lavitry ny kolikoly izany fanamboarana izany…”, hoy izy. Hapetraka ny vaomiera hifantina ireo fampidiranam-piasam-panjakana, tsy misy kolikoly… Hohafainganina ka haloa mialoha ny fotoam-pialan-tsasatra ny volan’ny mpampianatra Fram. “Miantso ny tsy miankina sy ny teknisianina ary ny mpamatsy vola hifandinika handrindrana ny PSE ho amin’ny fanatsarana ny fanabeazana”, hoy izy.Synèse R.   L’article Minisitra Blanche Nirina Richard: “Hojerena ireo tsy tafita eny amin’ny oniversite” a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

EDGARD RAZAFINDRAVAHY :: «Fahasahiana ny fanaovan’i Andry Rajoelina velirano amin’ny vahoaka »

Namaly an’ireo fanontanian’ny gazety l’express de madagascar manodidina ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny mpitari-dalana nasionalin’ny antoko adn (antoka sy dinan’ny nosy) edgard razafindravahy. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ny tenany sady nampitandrina mba tsy hanadinoana ny tantara satria tsy manan-jo ny ho diso amin’ny safidiny intsony ny malagasy. L’Express de Madagascar : Tsy nankasitraka ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny firosoana amin’ny Fanorenana ifotony eto amin’ny firenena ianao, midika ve izany fa mitodi-damosina tanteraka amin’ny fifidianana ianao? Edgard Razafindravahy: Marina tokoa izany ary tsy miova ny hevitry ny antoko ADN fa tokony ho ny Fanore­nana ifotony no mandeha alohan’ny fifidianana rehetra. Manamarina an’ireo fanambaràna efa nataoko ny disadisa nahazo laka tamin’iny fifidianana fihodinana voalohany iny. Tsy tonga tamin’izany olana izany isika raha nomena andraikitra feno tamin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ireo fokontany. Fa efa nanao ny safidiny anefa ny vahoaka tamin’ny fihodinana voalohany. Manaja ny safidim-bahoaka aho satria olom-pirenena tompon’andraikitra sady mpanao pôlitika sarotiny amin’ny ho avin’ny firenena. Ahoana ny fomba fijerinao ny ho fizotran’ny fihodinana faharoa? ER: Efa niasa mba hampandresy ny Fanorenana ifotony hatrany ny ADN ka hanohy hatramin’ny farany ny ady efa natombony. Tsy afaka ny hitazam-potsiny kosa anefa aho manoloana ny toe-draharaha ankehitriny sy izay mety mbola hiseho amin’izao fihodinana faharoa izao. Adidiko izany ary manana andraikitra aho hanoro hevitra an’ireo mpiray tanindrazana. Raha tiana ny hisoroka ny toe-draharaha tsy hahasoa mety hiseho aoriana ao, dieny izao dia mila mitandrina. Eo amin’ny kihon-dalana mavaivay isika, amin’izao vanim-potoana izao, ka raha tsy mandinika tsara dia hampidi-kizo tanteraka ny firenena. Hirona amin’iza izany ny safidinao amin’ireo kandidà roa ireo? ER: Aoka tsy hohadinoina ny tantara. Ny fitadidiana ny tantara no hahafahana tsy mamerina an’ireo hadisoana taloha sy hisafidianana lalana hafa. Tokony ho fantatry ny rehetra fa raha tonga amin’ izao toerana misy azy izao ny firenena, dia noho ny zava-nisy tamin’ny taona 2009 rehefa nametra-pialana ny Filoha Ravalomanana Marc vokatry ny fihetseham-bahoaka teto. Tsy tongatonga ho azy ny fahatezeran’ny vahoaka tamin’izany fotoana izany. Nahery vaika ny fana­raraotam-pahefana nampiha­rin’ny Filoha Ravalomanana tamin’ireo mpandraharaha, ireo mpanao pôlitika, ireo manamboninahitra, ireo mpanao gazety, ireo olom-piangonana sy fikambanam-pinoana samihafa hatramin’ny olom-pirenena tsotra, talohan’ny taona 2009. Hamerina ny tantara ratsy indray isika raha ho diso safidy amin’izao fihodinana faharoa izao. Mandeha ho azy izany ve ny safidinao any amin’i Andry Rajoelina? ER: Mazava angamba ny fitanisako ny santionan’ireo fahoriana nianjady tamin’ny sokajin’olona samihafa nan­dritra ny fitondrana jadona talohan’ny taona 2009 ireo. Matoky aho fa sahy hanova ny tantaran’ny fireneny ny Malagasy. Manaporofo an’izany ny safidim-bahoaka nahazoan’i Andry Rajoelina ny vato be indrindra tamin’ny fihodinana voalohany. Inona no antoka hanantenana fiovana tokoa ka mahatonga anao hiandany amin’ny kandidà Andry Rajoelina? ER: Masina loatra ny safidim-bahoaka. Tsy tokony hohadinoina mihitsy fa tetezamita feno tsindry sy fepetra tena nanahirana no noentin’i Andry Rajoelina tao anatin’ny dimy taona. Aorian’izao fiho­dinana faharoa izao izy vao tena hanana hirika hanaporofoany amin’ny vahoaka ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy toy ny manao andra­nandrana ihany ve izany ho an’ny dimy taona manaraka? ER: Raha andranandrana, angamba, mety tsy ho sahin’i Andry Rajoelina ny hanao velirano imasom-bahoaka an’ireo fampanantenana 13 ao anatin’ny fandaharanasany. Ary heveriko fa hotsarain’ny tantara amin’izany izy. Tena ampy amin’ny tokony hifidianan’ny maro an’isa ny kandidà Andry Rajoelina ve izany? ER : Anisan’ny nanaitra ahy io velirano io satria tsy ataotao foana izany amintsika Malagasy. Ny fanaovana fifanekena amin’ny vahoaka dia mitaky fahasahiana sy fahavononana amin’ny fanatanterahana an’izay nampanantenaina. Hiandry inona indray moa isika mpifidy, raha misy kandidà roa eo ka ny iray no efa manao fianianana amintsika sahady? Ny tantara sy ny velirano ve no mason-tsivana nampirona anao amin’izao safidy amin’ny fihodinana faharoa izao ? ER: Ny tantara aloha dia efa mazava iny. Betsaka no lasibatra. Raha tena sahy kosa ny vahoaka dia mametraka ny fitokisany amin’ny mpanao pôlitika tanora izay mifanao velirano aminy. Efa zava-dehibe ny isian’ny teny ifanomezana dieny izao. Izaho Edgard Razafindravahy kosa no hijoro voalohany hanaraka akaiky ny fanatante­rahana an’ireo fampanantenana nanaovan’i Andry Rajoelina velirano amintsika vahoaka ireo. Tsy amin’ny kajikajy pôlitika mihitsy ny safidiko fa ny tombontsoa iombonana hatrany no tokony hibaiko ny fanaovana pôlitika. L’article EDGARD RAZAFINDRAVAHY :: «Fahasahiana ny fanaovan’i Andry Rajoelina velirano amin’ny vahoaka » est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

RN44 : potika ny tetezan-kazo ao Ambatosoratra

Simba dia simba ny tetezan-kazo ao Ambatosoratra, raha ny tazana ny 14 oktobra teo.Samy mitondra hazo “madrie” ny fiara vaventy satria mety hihotsaka ny faritra sasany amin’ilay izy. Io tetezana io irery sisa no mbola tetezan-kazo amin’ny lalam-pirenena faha-44 manomboka any Moramanga ka hatrany Vohitraivo, iafarany. Tsy sahy mikasika azy ny kaominina, satria fotodrafitrasa amin’ny lalam-pirenena.Mandalo mitety eo amin’ity tetezana Ambatosoratra ity avokoa ny fiara vaventy, mavesatra, mitondra vary, hazo, saribao, sns. Andrasan’ny rehetra ny tokony hijeren’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy haingana ity fotodrafitrasa ity, ny hanovana azy ho betao, atao simenitra sy vatokely ary fasika, mba hitovy amin’ny rehetra. Marihina fa tsy anisan’ny asa atao amin’ny ampahan-dalana amin’ny RN 44, amboarina sy horakofana godirao, amin’izao fotoana izao,  ity tetezan-kazo ity.Rarivo sy Njaka A.L’article RN44 : potika ny tetezan-kazo ao Ambatosoratra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Manjaka ny kajikajy sy paipaika politika…   

Amin’izao fiandrasana ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao: manjaka tanteraka ny kajikajy sy paipaika politika. Efa hatramin’izay? Mibahan-toerana hatrany ny fiadiana sy fiarovana tombontsoa manokana, fa tsy fampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Efa niseholany tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany ny fivadihana palitao noho ny kajikajy sy paipaika politika. Sakaizan’ny (ho) mpandresy? Tsy ho tonga namana vao mavomavo ny tena amin’izany. Saingy eo ihany koa ny hoe: ataovy maro ny sakaiza fa iray na vitsivitsy ihany no itokiso. Matoa misy ny tsy mena-mivadika amin’ny fivadihana palitao, tsy azo antoka amin’izay ijoroany sy misy azy izy, raha azo lazaina hoe mijoro sy manana ny toerana misy azy.  Manaraka ambokony izay hoe mahery sy mandresy fotsiny no be… Any aoriana any, tsy ho mena-mivadika indray. Mbola izay ny mpanao na mpilalao politika eto Madagasikara? Manaraka olona tohanana sy ialokalofana hahazoan-toerana ny ankamaroany, fa tsy manana sy tsy mijoro amina foto-kevitra mazava. Miara-dalana amin’izany ny tokony hananana vinam-piarahamonina,  fandaharanasa, fomba fiasa… Tsy mahagaga raha tonga eo amin’ny fitondrana ny sasany vao manangana an’itsy sy iroa, mamorona an’izao na izatsy… Vokany, mitsapatsapa amin’izay atao, tampohin-javatra, itangoronan’ny mpitady sy mpiady tombontsoa… Amin’izany, tsy ilaozan’izay mpanararaotra na teratany na vahiny. Hisy amin’izay ve ny fiovana? Mba tsy ho andranandrana na kitsapatsapa intsony ny raharaham-pirenena, tsy ananan-kavana, anoloran-tena… Efa teo amin’ny fitondrana ireo hiatrika ny fifidianana fihodinana faharoa amin’izao, raha tsy misy ny fiovana tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika. Hanao ahoana? Mba kajikajy sy paipaika ho amin’ny fampandrosoana amin’izay no hojerena: ahoana, ohatra, ny amin’ny vinam-piarahamonina, ny fandaharanasa, ny fomba fiasana… ? Ny vahoaka tokoa no ho tompon-tsafidy sy ho tompon’ny teny farany amin’izay hoaviny. Tomponandraikitra amin’ny safidiny ny tsirairay. Rafaly Nd.    L’article Manjaka ny kajikajy sy paipaika politika…    a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre TERRAIN AVEC BASSINS PISCICOLE 13Ha A ANKAZOBE
26/01/2021

Terrain de 13 ha aménagés. Prix intéressantIdéal pour un projet de construction des Bungalows....-Dont 4 ha de bassins piscicole pour elevage de poissons(alevins de carpe royale et de tilapias, production de carpe koï et de gold fish.)-3 maisons de gardien-2 maison secondaire-Arbres fruitiers: letchis, manguiers, pommiers et autres.- Eau 24/7 toutes l'année.Terrain sur la RN 4 , PK 78 ROUTE DE MAHAJANGA à 15 km avant Ankazobe.Environ 2 km à l'intérieur sur une route secondaire praticable l'année.Contact 0342814000Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre TERRAIN AVEC BASSINS PISCICOLE 13Ha A ANKAZOBE".

Emploi et services UN(E) OPERATEUR POLYVALENT MULTITACHE (R2101_DE-POLYVALENT)
20/01/2021

Pour renforcer ses équipes, QDATA recherche actuellement, un Opérateur Polyvalent Multitâche (H/F) Missions principales seront :Profil requis :Possibilité d’évolution du poste :Veuillez transmettre votre CV, Prétention salariale ainsi que votre lettre de motivation, avant le 30/01/2021, à l’adresse recrutement@qdata-mg.com sous la référence R2101_DE-POLYVALENT.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN(E) OPERATEUR POLYVALENT MULTITACHE (R2101_DE-POLYVALENT)".

A louer VILLA BASSE F5 MEUBLEE A ANTSAHAVORY AMBOHIJANAHARY
26/01/2021

REF : 14551VILLA BASSE F5 MEUBLEE A ANTSAHAVORY AMBOHIJANAHARY ANTANANARIVO MADAGASCAR Localisation : Antsahavory Ambohijanahary RDC : 1 living 40m² avec cheminé, salle à manger 28m², cuisine placardé, 1 pièce 12m², salle de bain avec WC et lave main, 2 chambres 16m², 1 chambre 18m² attenante avec salle d’eau cabine de douche et WC avec lave main, WC avec lave main Extérieur : dépendance gardien, parking pour 2 voitures, pelouse, jardinLoyer: € 1 000Visites gratuites Pas de frais de dossierBur.: (261) 20 22 273 82 Mob. : (261) 34 22 273 82 / 33 23 273 82 E-mail : info@innova-immo.com Site web: www.innova-immo.com Adresse : Rue Dr Villette Isoraka (près de l'Ex. Ambassade de Japon), 101 ANTANANARIVOCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer VILLA BASSE F5 MEUBLEE A ANTSAHAVORY AMBOHIJANAHARY".

Emploi et services Job en ligne
25/01/2021

https://GramFree.cc/?r=14060835Vous pouvez vous faire de l'argent facilement, il est juste important d'être patient :)Ca m'as beaucoup aidé et je partagesJ'espère que cela vous aidera par la suite,Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Job en ligne".

A vendre WP-Profitent ( Nouvel outil clé en main ).
22/01/2021

Accédez Tout de suite à Ce nouvel Outil qui Force Google à vous envoyer chaque jour des tonnes de visiteurs qualifiés qui achètent !Cliquez ici ,https : // bonheur-viral.com/business/wp-profitent/?aid=assialex3Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre WP-Profitent ( Nouvel outil clé en main ).".

Emploi et services Développeur .NET MVC
20/01/2021

Nous recrutons un(e) développeur .NET MVC  Missions : Développement des modules et applications en utilisant le framework ASP .NET MVC Profil : - Minimum 2 ans d’expériences dans ce domaine - Maîtrise du Framework ASP .NET MVC - Connaissance de système de gestion de base de donnéesCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur .NET MVC".

A louer IVATO AEROPORT CHAMBRES TOUT CONFORTS A LOUER
20/01/2021

Ivato Aéroport, nous avons plusieurs chambres et studios à LouerChambres tout confort au premier étage avec salle de bains (eau chaude) et toilette au rez de chausséele prix est de 10€ ou 45000 ariaryMini studio 2 pièces avec kitchenette et douche; (eau chaude) toilette extérieure. Prix 10€ ou 45000 ariaryLes prix sont dégressif selon la durée du déjour     si vous habitez en europe, vous pouvez appeler au 0033756980383Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer IVATO AEROPORT CHAMBRES TOUT CONFORTS A LOUER".

Emploi et services Gagnez des bitcoins gratuitement
20/01/2021

Bonjour je viens vous présenter une très bonne opportunité, un site pour gagner des bitcoins gratuitement. Pas besoin d'investir ou de travailler il suffit juste d'avoir une adresse bitcoins pour créer un compte et collecter les bitcoins gratuitement ( c'est une exploitation minière de bitcoins).Dès que vous atteignez le solde minimum pour les retraits vous réclamer votre paiement et l'argent est viré sur votre compte bitcoins.Voici le lien du site:https://freemining.co/657465Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagnez des bitcoins gratuitement".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
20/01/2021

Etudes, Dimensionnements et Plans en : ·       Gros Œuvre ; VRD ; Assainissement ; Second Œuvre·       Electricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·       Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Moyens de Lutte Contre l’Incendie·       Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée Tél : 033 08 909 22E-mail : ajafluides@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre Chaussure pour femmes (de Marque)
25/01/2021

En provenance de la Réunion Chaussure de marque Carla Selvone (Couleur blanche) Semelle intérieure CUIR Pointure 41 : 36-41 Prix boutiques la Réunion 39,99 Euros (Prix bradé 140.000 Ar. Pas de livraison)En provenance de la Réunion Chaussure de marque Jina (couleur Rouge) Pointure 38 : 35-41 Prix boutiques la Réunion 36 Euros (Prix bradé 120.000Ar  Pas de livraison)En provenance de la Réunion Chaussure de marque Chic Metisse  Pointure 39 : 35-41 Prix boutiques la Réunion 29,99 Euros (Prix bradé 115.000Ar Pas de livraison)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Chaussure pour femmes (de Marque)".

Emploi et services Travail en ligne qui paye vraiment
20/01/2021

Bonjour vous voulez travailler en ligne et gagner réellement de l'argent ? je vais vous parler des deux sites où vous pouvez en gagner des crypthomonnaies et les convertir ensuite en la monnaie de votre choix le premier est un site qui permet de gagner des litecoins ( 1 litecoin = 45,14 dollars USD ) vous pouvez convertir à partir du dollar pour voir combien ça fait dans votre pays. Sur le site ils y a plusieurs tâches à effectuer pour gagner des litecoins ( cliquer sur des pub c'est mon préféré parceque ça ne prend pas trop de temps car tu clic sur une pub une page s'affiche tu apu sur regarder, tu dois regarder pendant 10 secondes seulement. Il y a aussi la possibilité de gagner en regardant des vidéos et bien autres moyens. Voici le lien pour ce sitehttps://litecoinads.com/register.aspx?u=133599Le deuxième site te permet de gagner des bitcoins (1 bitcoin= 9282,87 dollars USD) Il y a un faucet ou vous pouvez réclamer de bitcoins à chaque 40 minutes, vous pouvez gagner aussi de bitcoins en regardant de pub aussi.et plus tu es régulier sur le site plus tes gains augmentent Voici le lien pour ce sitehttps://www.faucetcrypto.com/ref/317203Les deux sites sont totalement gratuit il n'y a rien à payer vous n'avez qu'à vous inscrire et à travailler c'est tout.  Si vous avez d'autres questions n'hésitez pas.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne qui paye vraiment".

A vendre PC Complet 100 000 Ar
21/01/2021

Occasion unique pour cause départUnité Centrale:Intel core 2 Duo CPU E8400 @ 3.00 GHZ (2CPUs)Mémoire 2 Gb RAMCarte graphique Intel GMA 3100Disque dur 100 GoWindows 7 proTrès bon état, peu utilisé, achat en 2019Ecran LENOVO 16 poucesSouris LENOVO modèLE GMClavier LENOVOPrix total 200 000 Ar (UC+Ecran+Souris+Clavier)Pas de mp, contact direct au 0334927717 ou 0325867436Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre PC Complet 100 000 Ar".

Notsongaina

Fanatsarana ny fanabeazana: tokony hilaza ny olana ny mpampianatra
26/01/2021

Nandritra ny fanamarihina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, omaly, nanamarika ny minisitry ny Fanabeazana, i Sahondrarimalala Marie Michelle fa manoloana ny fiatrehana ny valanaretina Coronavirus eny anivon’ny sekoly, ny mpianatra no ambasadaoron’ny fahasalamana , manitsy ny fiarahamonina, hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana. Tany amin’ny Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana, Cisco Antananarivo Avaradrano no nanamarihana izany. Lohahevitra noraisina ny hoe « Mamelona ary mamelona aina ny fanabeazana ny taranaka tratran’ny Covid-19 ». Nanambara izy fa masina ny asa fanabeazana satria manasoa ireo taranaka. Noho izany, ireo mpanabe no fanasin’ity firenena ity ka maro ny zavatra mbola tokony hohatsaraina sy hampiharina, indrindra ny fijerena manokana an’ireo mpanabe . « Raisiko ho andraikitra ny hiahy ireo mpanabe tsirairay avy », hoy izy. Noho izany, tsy tokony hisalasala ny mpanabe amin’ny fampahafantarana ny zava-misy eny ifotony hahafahana manampy anareo hampisondrotra sy hanatsarana ny fomba fiasa ». Nanamafy ihany koa izy fa ilaina hatrany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra iadiana amin’ny valanaretina.Vonjy A.L’article Fanatsarana ny fanabeazana: tokony hilaza ny olana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

Leadership et management : Huit semaines de formation pour 50 jeunes
27/01/2021

Les jeunes apprenants après la cérémonie de remise de certificats, vendredi dernier. Cinquante jeunes viennent de bénéficier d’une formation en leadership et management, dans le cadre d’une initiative de deux associations : Blessing Covenant Training &Academyet Youth Leadership Voice, qui ont uni leurs objectifs dans la formation dejeunes dans ce domaine en particulier. Ainsi, durant huit semaines, ces jeunes ont suivi une formation dispensée dans les locaux d’une université privée à Antananarivo, dans le cadre de son partenariat avec celle-ci. La formation est composée de cours théoriques et de séances pratiques en public via un team building, permettant aux apprenants d’acquérir les compétences nécessaires dans le domaine de formation. Au terme des huit semaines de formation, les 50 jeunes ont reçu leurs certificats, remis vendredi dernier, 22 janvier 2021. L’occasion pour le formateur, Jo Christian LaryRazanajatovo, de réitérer auprès des jeunes apprenants la valeur à accorder au fait de se former : « Au-delà du certificat obtenu, il s’agit d’une question d’amélioration de l’estime de soi et de la confiance en soi… », a-t-il déclaré. Prochainement, les entités initiatrices de cette formation en leadership et management, se pencheront, dans le cadre de la célébration de la journée internationale de la Femme, sur les associations defemmes pour une formation gratuite en Leadership associative féminine. Hanitra R. L’article Leadership et management : Huit semaines de formation pour 50 jeunes est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Leadership et management : Huit semaines de formation pour 50 jeunes a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fisaina sy fiaina… handrosoana
27/01/2021

Taon’ny asa izao. Ho hita eo… Eny, na eo amin’ny tsirairay aza: samy manana kasaina. Tsy vitan’ny resaka sy ny hetsika ivelany izay kendrena sy atao. Mila fanapahan-kevitra, fahasahiana, fahavononana, fijoroana, firosoana, faharetana… Izy avokoa izany? Arakaraka ny tsirairay ihany ny ataony, arakaraka ny ataony ihany no mahasoa na maharatsy azy. Miainga amin’ny tsirairay ny hoe fampandrosoana sy ny fandrosoana?Efa mba miomana sy vonona amin’izay ve ny tsirairay? Miankina amin’izay no anisan’ny mahamora ny fampandrosoana, mahahaingana azy, ho mafy orina, maharitra, ho an’ny rehetra… Mila miova mialoha na manaraka ny fampandrosoana tian-katao sy hotratrarina ny fomba fisiana sy fiaina. Mety mbola adihevitra be ny hoe: ny zava-misy no manova ny fisainana sa ny fisainana no hanova ny zava-misy?Na ahoana na ahoana, mila miova amin’izay mahasoa sy tsaratsara kokoa hatrany ny tena: fandrosoana. Lanja miakatra ny fiainana. Eny, na ny fisainana aza. Raha tsy izany, manila ny fampandrosoana. Nefa hoe tsy hisy ho hadino… Mila tapa-kevitra sy vonona ny tsirairay. Tsy miandry ny rehetra ho tongan’ny herinaratra, ohatra, ny hafa vao hampiasa ordinatera. Tsy miandry ny tsy afaka na tsy handeha ny fampandrosoana.Mbola ho feno sarety na posy tarihin-tanana ihany ve, ohatra, amin’ny hoe arabe migodana, amin’ny andehanan’ny “tranway”…?  Miandry valiny koa ny amin’izay mety ho fahadiovana sy fahamendrehana amin’ny fampiasana izany rehetra izany? Mila miova ny fomba fisaina sy fiaina: maharaka fandrosoana, mahazaka, mendrika. Tsy lavina, ao anatin’ny fahasahiranana lalina sy maharitra ny ankamaroan’ny olona amin’izao.Na izany aza, ndeha ho resy tsy miady amin’izay mety ho fihazakazaky ny fandrosoana ve ny tena? Izay no maha zava-dehibe ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Mila jerena ary tsy tokony ho ambin-javatra na ambanin-javatra ny maha olona. Mby aiza? Mila mandroso koa ny olona amin’ny fotodrafitrasa, haitao, fomba fiasa… mitondra fandrosoana.Rafaly Nd. L’article Fisaina sy fiaina… handrosoana a été récupéré chez Newsmada.

Sendikàn’ny mpampianatra: avoahy ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana 
22/01/2021

Manainga ny fanjakana hitondra vahaolana amin’ireo olana samihafa sedrain’ny fanabeazana ireo mpampianatra nanatrika ny « Andro famakafakana ny fampianarana” nokarakarain’ny Pasem-Fisemare ary ny Fimpafram teny Andravoahangy, omaly. Nitondra ny olana mianjady aminy ny mpivory, miainga avy amin’ny fanambaran’ny fitondrana ihany. Voaresaka ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, fepetra 0 Ar ho an’ny fampidirana an-tsekoly, ny « vacation » izay tara lava ary ny karama sahaza ny mpanabe. Nahatonga solontena koa ny sekoly tsy miankina nitondra fitarainana momba ny fanafoanan’ny fanjakana ny fanampiana ho azy ireo. Zava-dehibe nivoitra koa ny mahamaika ny tokony hamoahan’ny minisitera mpiahy ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana telo. « Miankina amin’izay ny handaminan’ny mpanabe ny asany hisorohana ny fikorontanana », hoy ny mpitarika ny fivoriana, Rajoarihery Victor. Efa nitaky izay koa ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina manerana ny Nosy.Mangataka fifanakalozana amin’ny minisitera mpiahy ny sendikà satria tsapa fa tsy misy ny fakana ny hevitry ny sendikà rehefa haka fanapahan-kevitra ny fanjakana. Manameloka ireo sendikà sasany, mangina fotsiny manoloana ny olana izy ireo ary ambarany fa manampy trotraka ny olana ny fitarazohan’ny vahaolana avy amin’ny mpitondra.Haravona ny soso-kevitra momba ny dinika omaly isaky ny faritra ka hatolotra ny minisitera mpiahy.VonjyL’article Sendikàn’ny mpampianatra: avoahy ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana  a été récupéré chez Newsmada.

Fampanarahana lalàna: mampahatsiahy ny fepetra momba ny takelaka doka ny CUA
26/01/2021

Fampahatsiahivana. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo fa hifarana ny alahady 31 janoary 2021 izao ny famerenana amin’ny ara-dalàna ireo takelaka dokam-barotra tsy ara-dalàna rehetra. « Miantso ireo mpisehatra rehetra. Anisan’izany ny mpametaka (régisseurs) na ny tompon’ny dokam-barotra (annonceurs), mba handray ireo fepetra rehetra momba izany », hoy ny CUA. Notsiahivin’izy ireo fa azo jerena amin’ity rohy ity ny lisitry ireo takelaka dokam-barotra. panneaux : www.cua.mg/regis. Hentitra ny CUA fa handray ny fepetra rehetra aorian’io fe-potoana amin’ny alahady io ho amin’ny fanasaziana. Anisan’izany ny lamandy sy ny fanesorana ireo « panneau », ary ny fiantohana ny lany rehetra amin’izany. « Miara-tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny sazy ny tompon’ny dokam-barotra sy ny mpametaka izany », hoy ihany ny kaominina.Notokanana ny fanavaozana ny BMH annexeAnkoatra izany, notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanavaozana ny BMH annexe, etsy Isotry. Tonga nanotrona ny lanonana ny ambasadaoron’i Alemana i Michael Derus sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina.Anisan’ny nohavaozina tamin’izany ny efitrano fitahirizana entana miisa telo izany. Eo koa ny birao iray hafa sy trano fidiovana… Natao izany tetikasa izany mba hahafahan’ireo mpiasa manao ny asa an-tsakany sy an-davany. Naharitra iray volana sy tapany ny faharetan’ny asa fanavaozana ary mitentina 15 000 Euros  ny fanampiana nomen’ny masoivoiho Alemà tamin’ny fanamboarana izany. Mbola mitohy hatrany ny ezaka fanavaozana ity tranoben’ny BMH annexe Isotry ity amin’ny alalan’ny fametrahana trano vaovao handraisana ireo ankizy iharan’ny herisetra.Synèse R. L’article Fampanarahana lalàna: mampahatsiahy ny fepetra momba ny takelaka doka ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Mihatra ny filazana loza mitatao: efa mandravarava any avaratry ny Nosy i Eloise
20/01/2021

Ora-mikija sy rivotra mifofo no entin’ilay rivodoza Eloise any amin’ny tapany avaratra any. Miakatra ny rano, tapatapaka ny hazo. Mihatra ny filazana loza mitatao.Be fiavy ilay rivodoza Eloise satria mahatratra 100km isan’ora ny rivotra entiny ary tafakatra 140 km isan’ora ny tafiotra manaraka azy, manodidina ny foibeny. Efa mandravarava ao amin’ny distrikan’Antalaha sy Maroantsetra ny tafiotra sy ny orambe entiny. Maro ireo toerana efa dibo-drano any an-toerana. Tapatapaka ny hazo. Mitsahatra ny fampianarana, hatramin’ny omaly mba tsy hitera-doza ho an’ny mpianatra ary mitohy anio izany. Fanapahan-kevitry ny sekoly manokana izany ho fitandroana ny ain’ny mpianatra. Notapahina ihany koa ny herinaratra amin’ny faritra sasany mba tsy hitera-doza.Hatrany Toamasina, efa orambe, hatry ny omaly tontolo vokatr’ity rivodoza ity hatrany. Tanàna maro ihany koa no efa dobo tsy misy andehanana. Efa nampilaza ny Meteo Malagasy fa mihoa-pampana ny orana entiny ka mila mailo ny rehetra.Niditra an-tanety ao amin’ny distrikan’Antalaha, omaly hariva, i Eloise. Miaina tanteraka ao anatin’ny rivodoza ny mponina any an-toerana. Mizotra mianatsimo andrefana ny diany ka mahafaka 17 km/ora.Hanavatsava mianandrefana izy, anio tontolo ary rahampitso any ho any vao hivoaka an-dranomasina manodidina an’i Maintirano.Mihatra avy hatrany ny filazana loza mitatao miloko mena ho an’ny faritra Sava manontolo, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara.Filazana loza manambana miloko mavo ho an’i Toamasina I-II sy Alaotra.Filazana fanairana miloko maitso ho an’i Brickaville, Vatomandry, Mahanoro ary Moramanga.Mitsahatra avokoa ny fampiasana fitaterana an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratr’i Vatomandry sy ny avaratra andrefana. Tsy tokony hiandriaka intsony ny mponina.Tatiana AL’article Mihatra ny filazana loza mitatao: efa mandravarava any avaratry ny Nosy i Eloise a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-N1A 2020: fantatra ireo hiatrika ny ampahefa-dalana
21/01/2021

Taorian’ny andro fahadimy ny fifanintsanana, amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara N1A, fantatra avokoa ireo hiatrika ny lalao ampahefa-dalana, hotanterahina rahampitso etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa nampoizina avokoa ireo ekipa tafakatra, dia ireo efa azo lazaina ho sangany, raha ny fahitana ny voka-dalao hatrany am-piandohana. Isan’izany ny SBBC Boeny, izay laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy, taorian’ny fifandonana tamin’ny COSPN2, omaly, ka nahazoan-dry Prisca sy ry Dhalia ny isa 70 no ho 57. Laharana voalohany ao amin’ny vondrona ilany, sokajy vehivavy, kosa, ny Mb2All izay nandresy ny Serasera Vakinankaratra, tamin’ny isa 69 no ho 40, omaly.Ho an’ny sokajy lehilahy, nisongadina hatrany am-piandohana ny GNBC, izay tsy mbola  resy mihitsy nandritra ny fifanintsanana, torak’izany ihany koa ny ekipan’ny Ascut, Sebam, Cospn, Cosfa, Cosmos, izay samy tafakatra amin’ny ampahefa-dalana. Tsy isan’ny hanohy ny fifaninanana intsony ny BCEst, Asb, Crjs, 2bc, Ascb ary ny Tmbb. Mi.RazL’article Basikety-N1A 2020: fantatra ireo hiatrika ny ampahefa-dalana a été récupéré chez Newsmada.

Kitra : handrasana etsy Mahamasina ny nofo mangatsiakan’i Gôly Be
21/01/2021

Efa ofisialy fa higadona eto Madagasikara, amin’ny alahady 24 janoary ho avy izao, amin’ny 10 ora latsaka fahefany ny nofo mangatsiakan-dRafalimanana Ferdinand (Gôly Be), hotronin’ny vady aman-janany. Io no nambaran-dRafalimanana Stellah, zanaka vaviny, teny 67ha, omaly, izay efa tonga mialoha hanomana sy hikarakara ny fandevenana azy any Mandritsara. Ho feno ny fandaharam-potoana, satria handrasana etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny razana, ny andron’io alahady io ary azon’ny rehetra tsidihina. Hihazo an’i Mahajanga ny alatsinainy ary mbola hisy ny fiandrasana azy any an-toerana. Hanainga ary hamonjy ny fasan-drazany any Mandritsara, ny talata 26 janoary, hanaovana ny fandevenana.Nambaran’i Stellah, fa tsy nanana ny hoenti-manana izy ireo fa noho ny fanampian’ireo mpanao baolina fahiny sy ireo namana tsotra, na teto Madagasikara na tatsy La Réunion na ny tany Frantsa, dia feno ny fepetra hampodiana ny razana.Ankoatra izay, natolotry ny fikambanan’ireo mpilalao fahiny tao amin’ny ekipam-pirenena (Club M, Scorpions, Barea de Madagascar), tamin’ny alalan’i Angelo Fernand, filoha lefitra, ho an’ny fianakaviany ny vola mitentina 4 036 900 Ar , voangona tamin’ny tsipaipaika natao tetsy Andohan’Analakely sy ny azo tamin’ny rindran-kira ary ireo nalefan’ny mpankafy tamin’ny Mvola. Torcelin L’article Kitra : handrasana etsy Mahamasina ny nofo mangatsiakan’i Gôly Be a été récupéré chez Newsmada.

Fadintseranana – JID*: hampiditra 2869,1 miliara Ar, taona 2021
27/01/2021

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fadintseranana (JID), omaly 26 janoary, tany Toamasina ny foiben’ny fitantanan-draharahan’ny fadintseranana eto Madagasikara. Notsiahivina ny fanarenana ny toekarena amin’ny alalan’ny fadintseranana hitandro ny lalàna sy hanefa izay tokony hefaina amin’ny fanjakana. Samy manana adidy araka izay tandrify azy amin’izany ny mpiasam-panjakana sy ny any amin’ny tsy miankina. Natao ny fanentanana momba izany ny tapaky ny volana janoary teto an-dRenivohitra, ary izao nampitaina any Toamasina izao ho an’ny  rehetra.Raha 2187,4 miliara Ariary ny nampidirin’ny fadintseranana tamin’ny 2020, kajiana amin’ity taona ity ny hampiditra 2 869,1 miliara Ariary. Ny ampahany be indrindra amin’izany avy amin’ny entana hafarana, ankoatra ny solika. Tsy maintsy ifantohana ny varotra noho izay fanafarana entana izay, ankoatra ny fadintseranana, manampy izany koa ny hetra amin’ny vola miditra ho an’ny fanjakana. Misy ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny ladoany. Havaozina, ohatra, ny haban-tseranana amin’ny vokatra sy ny fitaovana sasany. R.Mathieu JID* : Journée Internationale de la Douane L’article Fadintseranana – JID*: hampiditra 2869,1 miliara Ar, taona 2021 a été récupéré chez Newsmada.

Aaron Pretra & Denis Jee: hisy ny seho maimaimpoana
23/01/2021

Fiaingana vaovao… Ha­hazo vahana indray ny tontolon’ny rap amin’ity faran’ny herinandro ity, indrindra ny hira ara-pilazantsara. I Aaron Pretra indray no hivahiny etsy amin’ny code 110 Karaoke Bar na Hotel Gasy Tanama­soandro-Vatofotsy, Antsirabe, anio asabosy 23 janoary ma­nomboka amin’ny 9 ora alina. Hetsika iarahana amin’ny DJ Denis Jee. “Hotrotrointsika am-bavaka ity taona vaovao ity ho tsara no ho ny teo aloha… Hetsika tsy misy vidim-pidirana na fitatazan-drakitra izy ity fa maimaimpoana. Fijoroana vavolombelona no hisy amin’io fotoana io”, hoy ny mpikarakara. I Aaron Pretra, manana ny fa­maritana manokana ny atao hoe rap, izay midika hoe, “Rima ara-pilazantsara”. Ho­vazoiny ao ny hira anisan’ny ao anaty album “Pandemia”. “Tsy izaho no nisafidy ny rap fa ny rap no nisafidy ahy”, hoy izy. Ankoatra ity hetsika ity, ho maro ny seho kasain’i Aaron Pretra hatao, amin’ity taona 2021 ity.NarilalaL’article Aaron Pretra & Denis Jee: hisy ny seho maimaimpoana a été récupéré chez Newsmada.

Haisoratra: hanao hetsika maro, amin’ity taona ity, Ny Tsiaro
27/01/2021

Raha somary nangingina ny taona 2020 noho ny valanaretina Coronavirus tsy nahafahana nanao hetsika samihafa… Miezaka manonitra izany ireo mpisehatra kolontsaina, anisan’izany Ny Tsiaro.Ranaivoaritsimba Ny Tsiaro Elihangy, na fantatra amin’ny hoe Ny Tsiaro, eo amin’ny tontolon’ny literatiora. 13 taona nilomanosana eo amin’ny sahaben’ny zavakanto malagasy izy, ankehitriny. Manodidina ny 250 eo ny sanganasany, amin’izao fotoana izao, ary eo am-panangonana azy ireo, hatambatra ho amboaran-tononkalo, ny tenany.Tia mamaky bokyAnisan’ny nanampy azy teo amin’ny talentany ny famakiana boky. “Nividianan’ny reniko bokin’i Rado (Dinitra) aho tamin’ny izaho kilasy fahenina. Teo no nanomboka namakiako tononkalo ka lasa tiako avy hatrany ny resaka poezia. Izaho moa, efa tia namaky boky hatramin’ny fahakeliko ka nanomboka teo, novakiko avokoa izay boky tononkalo hitako ary izay no niteraka ny fitiavako manoratra. Hitako hoe ahafahako milaza sy maneho ny zavatra tsapako ao anatiko ny tononkalo ary ahafahako ihany koa mampita hafatra, izay tsy sahiko lazaina na resahina mivantana ka nahatonga ahy hanoratra izany », hoy Ny Tsiaro, raha nilazalaza ny antony nahatonga azy ho mpanoratra.Hanao seho maroEo am-panomanana ny fiakarana an-tsehatra ny tovovavy, ary maro ny hetsika hotanterahiny amin’ity taona 2021 ity. Misy ny boky iarahana amin’ny namana poeta maromaro hivoaka amin’ny volana marsa sy jona. Hisy boky ho ahy manokana ihany koa, amin’ny volana aogositra, ary ireo rehetra ireo, ampiarahina amin’ny fiakarana an-tsehatra avokoa, raha ny filazany.Maro Ireo tononkalo tena nanamarika sy nahafantarana azy, raha tsy hilaza afa-tsy ny “Iny aloha no làlana”, ny “Tavela an’efitro ato”… Misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny tenany, indrindra eo amin’ny fanandratana ny zavakanto malagasy. Manana ny tambajotran-tserasera “facebook”, “Ny Tsiaro Randriamiandrisoa” izy ho an’ireo te hifanerasera aminy. NarilalaL’article Haisoratra: hanao hetsika maro, amin’ity taona ity, Ny Tsiaro a été récupéré chez Newsmada.

HCC : Validation de l’élection du président du Sénat cet après-midi
21/01/2021

La HCC n’est pas compétente pour se prononcer sur l’élection du nouveau président du Sénat HCC. Le nouveau Sénat est suspendu à la décision du juge constitutionnel qui va se prononcer ce jour sur le règlement intérieur déféré à son contrôle. « Le règlement intérieur de chaque Assemblée est soumis au contrôle de constitutionnalité avant sa mise en application. Une disposition jugée inconstitutionnelle ne peut être promulguée ». En vertu de ces dispositions de l’article 117 in fine de la Constitution, le règlement intérieur du nouveau Sénat est parvenu hier à Ambohidahy. Réserves. La HCC va statuer cet après-midi sur  ce règlement intérieur qui a toutes les chances d’être validé à travers la formule habituelle « sous les réserves énoncées aux considérants (…), les autres dispositions du règlement intérieur du Sénat sont déclarées conformes à la Constitution et peuvent faire l’objet d’une promulgation ». Applicable. L’accession de Herimanana Razafimahefa au perchoir sera implicitement validée car son élection s’est tenue sur la base du règlement intérieur qui reste applicable jusqu’à l’entrée en vigueur du nouveau règlement intérieur. En effet, les dispositions concernant l’élection du président restent et demeurent applicables. En revanche, ce n’est pas le cas pour les autres membres du bureau permanent dont le nombre est révisé à la baisse. Débat. Le débat autour de l’ « appartenance politique » de certains sénateurs nommés par le président de la République n’a pas non plus lieu d’être.  On prête effectivement au président du Sénat sortant d’invoquer la Décision en date du 25 mai 2019 de la HCC qui ordonne que « les sénateurs nommés doivent être issus des forces économiques, sociales et culturelle ou choisis en raison de leurs compétences particulières ; que leur décret de nomination devra respecter à la lettre ces critères exigés par la Constitution ; qu’en tout état de cause, ils ne doivent pas être choisis en raison de leur appartenance politique ». Une Décision qui s’impose effectivement à tous les pouvoirs publics ainsi qu’à toutes les autorités administratives et juridictionnelles. Intérêt. En fixant au lundi 25 janvier 2021, la date de « la passation de pouvoirs dans l’esprit républicain entre le bureau permanent sortant et le nouveau bureau permanent », certains proches du pouvoir suspectent la HCC, de vouloir donner à Rivo Rakotovao, le temps de déposer une requête. En effet, jusqu’à la passation, il reste chef d’institution et peut saisir la HCC. « Dans quel intérêt », se demande-t-on à Ambohidahy qui ne va pas statuer « ultra petita » sur le décret de nomination des 6 sénateurs qui est d’ailleurs un acte de gouvernement. Non susceptible de recours devant n’importe quelle juridiction, y compris par devers la HCC qui n’a pas ses « maux » à dire par rapport au choix du président de la Chambre haute ni de l’élection des autres membres du bureau permanent prévue demain. L’important est que cela se tienne d’ici le 25 janvier. Soit 4 jours après l’expiration du mandat des sénateurs sortants. « Le temps pour les nouveaux membres de la Chambre haute de procéder en toute sérénité à la constitution du bureau permanent et des commissions », argumente-t-on au niveau de la haute juridiction. R.O L’article HCC : Validation de l’élection du président du Sénat cet après-midi est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article HCC : Validation de l’élection du président du Sénat cet après-midi a été récupéré chez Midi Madagasikara.