Olona roa voasambotra, mbola misy hafa karohina: sarona ny gazoala halatra 80 litatra an’ny Jirama

News - Olona roa voasambotra, mbola misy hafa karohina: sarona ny gazoala halatra 80 litatra an’ny Jirama
Anisan’ny mamotika ny
orinasa Jirama ny halatra gazoala ataon’ny mpiasa ao aminy ihany.
Tsy vao izao ny nahenoana toy ity tranga tany Ambanja ity,
indrindra any amin’ny toby mandeha amin’ny
solika.
Ravan’ny zandary sy ny
sampam-pitsikilovana ao amin’ny Jirama, ny alarobia teo, ny
tambajotra mpangalatra gazoala tany Ambanja. Tratra tao amina
tokantrano miisa telo izany, an’ny mpiasan’ny Jirama ny iray,
gazoala mitotaly 80 litatra. Tao amin’ny tranon’ilay mpiasan’ny
Jirama no nahitana ny 60 litatra, miampy daba plastika miisa 146,
efa tsy nisy na inona na inona intsony. Hita tao amin’ny tokantrano
iray faharoa ny daba miisa 12 efa foana ihany koa. Tao amin’ ny
tokantrano fahatelo ny daba iray feno gazoala sy daba valo tsy nisy
na inona na inona.
Olona roa voasambotra, voarohirohy amin’ity raharaha ity.
Taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo no nanononany ny mpiasan’ny
Jirama iray hafa ho isan’ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.
Mbola karohina kosa ilay mpiasan’ny Jirama iray nahatrarana ireo
gazoala 60 litatra.
Mampihodina ny milina mamokatra ny herinaratra vokarin’ny Jirama ny
solika. Maro ny faritra misedra olana, satria tsy ampy ny solika
ampiasaina. Anisan’ny mahatonga izany koa ireo mpiasa “mpamosavy
malemy”, manararaotra mangalatra, toy ity tany Ambanja ity.
Njaka
Andriantefiarinesy
L’article Olona roa voasambotra, mbola misy hafa karohina: sarona ny gazoala halatra 80 litatra an’ny Jirama a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
Mafana ny andro : maro ireo karazan-trondro misy poizina
Fotoana hitandremana tanteraka amin’ny fihinanana hazandrano voafantina izao andro mafana izao. Mihinana poizina ny hazandrano sasany ka tsy azo hanina. Mahafaty ny fihinanana ireny hazandrano mihinana lomotra ireny. Namoaka ny listr’ireo hazandrano misy poizina ka tsy tokony hohanina amin’izao vanim-potoana mafana izao ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Mitarika fanapoizinana ka mety miteraka fahafatesana mihitsy ny fihinanana ireny karazana hazandrano sasany ireny. Anisan’izany ny thon, ny sardine, ny hareng, ny cordonnier fil, ny barracuda, ny carangue, ny perroquet à écailles, ny fano, karazana ankiho sy ny antsantsa maro . Misy zava-maniry tsy hita maso any anaty rano, izay maniry rehefa amin’ny vanim-potoana mafana, mitondra poizina ka izay trondro mihinana io zava-maniry io dia mitondra ilay poizina ihany koa ary mahafaty avy hatrany izay olona mihinana azy. Nitrangana seho fanapoizinana avy amin’izany hazan-drano izany tamin’ny faritra vitsivitsy teto Madagasikara. Manoloana izany sy hisorohana ny mety hisian’ny tranga vaovao dia misy ny fanentanana ataon’ny Maep amin’ny alalan’ ny sampan-draharaha misahana ny jono sy ny harena anaty rano isaky ny faritra, amin’ny fizarana afisy maneho ireo karazana trondro tsy azo hanina. Misy ihany koa ny “arrêté regional” mahakasika izany. Sazy henjana no ampiharina amin’ ireo izay minia mivarotra ireo karazana hazan-drano ireo. Raofina avy hatrany ny entana eny an-tsena na/sy ny fisintonana mihitsy ny “permis de collecte” an’ireo mpanjono. Entanina, araka izany, ny mponina mba ho mailo hatrany amin’ny fanjifàna ireny trondro ireny eny an-tsena.Tatiana AL’article Mafana ny andro : maro ireo karazan-trondro misy poizina a été récupéré chez Newsmada.
News - Delire Madagascar
ROTARY CLUB ANTANANARIVO MAHAMASINA : Miahy ireo mpianatra ASAMA
Notanterahana ny 17 Novambra 2020 ny fizarana ireo fitaovam-pianarana feno ho an’ny kilasy Asa Sekoly Avotra Malagasy (ASAMA) nataon’ny Rotary Club Antananarivo Mahamasina. Kitapo iray ahitana cahier, règle, protège,… ireo fitaovam-pianarana ireo. Andraikitry ny Rotary Club Antananarivo Mahamasina ny mikarakara ny kilasy ASAMA fito eto Antananarivo. Miisa 175 ireo mpianatra ao amin’izany kilasy ASAMA izany, hoy ny filohany mandritra ity taona ity, Eric RAZAFINDRATANDRA. Notetezin’izy ireo ny kilasy ASAMA, toy ny eny Soavimasoandro, Ivandry, Ambohitrimanjaka, Anosipatrana, Ambolokandrina… Tsy fitaovam-pianarana ihany anefa no hiantsorohan’izy ireo fa eo ihany koa ny fampisakafoana ireo mpianatra mandritra ny taom-pianarana. Ankoatra izay dia miantsoroka ny karaman’ny mpampianatra sy ny dokotera mizaha ara-pahasalamana ireo mpianatra izy ireo. Marihana fa ny ASAMA dia natokana ho an’ireo mpianatra nandao ny fianarana, sy ho an’ireo ankizy kamboty sy sahirana ka manomana ny fanadinana CEPE. Nirina R. VIDEO : Cet article ROTARY CLUB ANTANANARIVO MAHAMASINA : Miahy ireo mpianatra ASAMA est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article ROTARY CLUB ANTANANARIVO MAHAMASINA : Miahy ireo mpianatra ASAMA a été récupéré chez Délire Madagascar.
News - News Mada
CFM: « Lavitra ezaka ny fampihavanana… »
“Tokony hatao ao anatin’ny fo sy saina ny fampihavanana. Mbola lavitra ezaka anefa izany na efa manomboka aza isika”, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Ramamimampionona Gerard, omaly tetsy Ampefiloha. Notsiahiviny fa efa nisy ny aingavao tamin’ny alalan’ny Barea. Teo koa ny fiombonana teny anivon’ny Antenimierampirenena ka lany 100% ny filohan’io Andriampanjakana io. “Iriana ho amin’ny sehatra maro izany. Ohatra ny eo amin’ny lafiny politika, ny toekarena. Ny lafiny sosialy, miverina indray ny herisetra…”, hoy ihany izy. Niaiky koa ny tenany fa mahazo laka indray ny fahazarana ny amin’ny fitakiana ny tokony hisian’ny minisitra avy atsy amin’ny faritra izao na izao. Ilana fandinihana lalina sy lavitra ezaka izany satria lasa fahazarana. Nampitoviana amin’ny mpanazatra ny Barea izany ka nilazany fa efa misy ny tompon’andraikitra mifantina sy mifidy, arakaraka ny fahaizany sy ny fahalalany. “Tokony hojerena ny fomba fanaovana politika ary tokony hatoky ny mpanazatra isika amin’ny fifantenana ny ho ao anatin’ny governemanta”, hoy ny CFM. Tsiahivina fa hanao tatitry ny asany izy ireo, ny zoma izao etsy amin’”ny foiben-toerany, Ampefiloha.Synèse R. L’article CFM: « Lavitra ezaka ny fampihavanana… » a été récupéré chez Newsmada.
News - Ao Raha
Anjanahary :: Tovolahy, 20 taona, tratra nangalatra fiara
Voatazona eny amin’ny polisy ny tovolahy iray, 20 taona, voarohirohy ho nikasa hangalatra fiara, teny Anjanahary, omaly tolakandro. Tafaporitsaka ny namany iray niaraka taminy. Nampandrenesin’ny fokonolona haingana ny tompon’ny fiara marika iray « Peugeot 309 » saika nisy nangalatra teo Anjanahary. Voalaza fa olom-pantany ihany iry voatondro ho nikasa hangalatra iry. «Manana fanalahidy mahavaha ny fiara ilay tovolahy. Efa voasokatra sy velona ny fiara no taitra ny olona teo amin’ny manodidina. Nitangorona ny olona, saika hanao fitsaram-bahoaka», hoy ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana ny polisy avy eny amin’ ny Kaomisaria Antaninandro naka an’ilay voarohirohy. L’article Anjanahary :: Tovolahy, 20 taona, tratra nangalatra fiara est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
Fandoroana olona valo tany Faratsiho: nogadraina ny lehiben’ny fonja ao Antsirabe
Nandray ny andraikitra sy ny fepetra rehetra na somary taratara aza ny fanjakana manoloana ny ”Raharaha Faratsiho”. Anisan’izany ny momba ny lehiben’ny fonja sy ny mpiara-miasa aminy. “Efa mandeha ny fanadihadiana, ary efa navoakan’ny minisitry ny Fitsarana koa ny fahazoana manao ny fanenjehana azy ireo amin’ny lafiny heloka ”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, momba ny “Raharaha Faratsiho” nandoroana velona olona valo mianaka, ny 18 desambra lasa teo. Nanitrikitrika rahateo ny depiote voafidy tany an-toerana, Rasolonjatovo Honoré, fa valifaty nataon’ny gadra tafavoaka ny fonja iny fandorana olona sy fitifirana iny.Nisy teny mita nampihantona amin’ny asany aloha ny lehiben’ny fonja ao Antsirabe sy ny mpiara-miasa aminy iray voakasiky ny raharaha. Tamin’ny faramparan’ny taona teo izay dingana amin’ny fitsarana izay, ary nidoboka any am-ponja izy ireo mandra-pisian’ny fitsarana azy ireo. Betsaka ny tranga nandraisana fepetra manokana: hita hoe mety misy tsy mitombina ny fanenjehana azy ireo; ny sasany, mety mitombina. “Natao hatrany ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso”, hoy izy ny amin’izany.Betsaka ny fanatsarana amin’ny raharaham-pitsarana“Betsaka ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ireo fitsarana isan’ambaratonga”, hoy ihany izy. Eo koa ny fanakaikezan’ny fitsarana ny vahoaka amin’ny fampahafantarana ny fomba arahina na ny paikady amin’ny raharaham-pitsarana rehetra. Misy koa ny fanentanana ny vahoaka hiady amin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka satria nisy fotoana nampirongatra an’izay.Ankoatra an’izay, misy ny fanentanana ny mpitsara hamoaka didim-pitsarana ho azon’ny olona. Voalohany amin’izany, manaraka ny lalàna ny didim-pitsarana, ho lavitry ny fanerena sy ny fanelanelanana. Indrindra, manazava hatrany ny antonantony ny mpitsara isaky ny mamoaka didim-pitsarana. “Atao koa ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana maro isan-karazany satria anisan’ny mampimenomenona ny olona izay”, hoy hatrany izy.R.Nd.L’article Fandoroana olona valo tany Faratsiho: nogadraina ny lehiben’ny fonja ao Antsirabe a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Jery todika 2020: indroa ny fanamboarana governemanta
Indroa nisy fanovana ireo mpikamban’ny governemanta. Teo ny tamin’ny 29 janoary 2020, nanendrena minisitra folo vaovao, ho an’ity taona madiva hivalona ity.Nitombo ho 24 ny isan’ny minisitera, raha 22 izany teo aloha. Nosarahina, ohatra, ny minisiteran’ny Rano sy ny angovo ary akoranafo. Lasa minisitera mitokana ny misahana ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana. Notendrena koa ny minisitra lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.Anisan’ny minisitra vaovao tamin’izany ny misahana ny Fitsarana, ny Raharaham-bahiny, ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ambony, ny Fahasalamana, ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Fanajariana ny tany.Fanamboarana tao anatin’ny ady sarotraTao anatin’ny ady amin’ny Covid-19, ny 20 aogositra, indray nisy fanamboarana governemanta. Anisan’ny nosoloina ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy. Nosarahina ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny fampianarana Teknika ary ny fampiofanana momba ny asa, natao mitokana ny misahana Fampianarana teknika sy ny fanofanana momba ny asa.Heverin’ny maro ho antony nanoloana ny minisitry ny Fahasalamana teo aloha tamin’izany, ohatra, ny amin’ny raharaha fandefasana taratasy fangatahana fanampiana tamin’ireo mpiara-miombona antoka hiadiana amin’ny Covid-19. Voalaza fa tsy nisy dinika teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny amin’izany, tsy nifampierana sy tsy nisy fampitam-baovao.Ny amin’ny ”Raharaha vatomamy 8 miliara Ar” no notombanan’ny maro ho antony nanoloana ny minisitry ny Fanabeazana. Eo koa ny ainga sy ny lamina vaovao amin’ny fiatrehana ny fampianarana, indrindra ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana, tao anatin’ny fihibohana.R.Nd.L’article Jery todika 2020: indroa ny fanamboarana governemanta a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Minisiteran’ny Fitsarana : “Hafohezina ny fialan-tsasatra”
Anisan’ny mampimenomenona ny olona ny fihemoran-dava amin’ny raharaham-pitsarana. Amin’izao, hafohezina ny fialan-tsasatry ny fitsarana.“Nisy ny teny mita nalefan’ny minisitry ny Fitsarana, nilaza fa manomboka ny 23 desambra 2020 ka hatramin’ny 11 janoary 2021 ny fotoam-piatoan’ny raharaham-pitsarana. Somary nohafohezina izay fotoam-pialan-tsasatra izay.”Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, momba ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsarana amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao, raha iray volana katroka izany isan-taona: ny 15 desambra hatramin’ny 15 janoary.Anton’izay fanafohezana fotoam-pialan-tsasatra izay ny fahamehana ara-pahasalamana niadiana tamin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 nandritra ny volana maro, tsy nahazoana niasa araka ny tokony ho izy.“Nefa raharaham-bahoaka ny fitsarana. Iaraha-mahalala fa mampimenomenona ny olona ny fahataran’ny raharaham-pitsarana”, hoy izy. Mba hahazoana mamita ny vary mangatsiaka nandritra ny fahamehana ara-pahasalamana, nohafohezina ny fotom-pialan-tsasatra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana manerana an’i Madagasikara. Eo koa ny hoe mba hahazoana mitodika amin’izay hoe raharaham-bahoaka izay tokoa ny fitsarana.Misy ny fiandrasan-draharahaNa izany aza, misy ny fiandrasan-draharaha amin’izay fotoam-pialan-tsasatra izay. Amin’izany no ahazoana mijery ny ady maika. Eo koa ny ady heloka tsotra amin’ny hoe tratra ambodiomby. Isaky ny fitsarana rehetra manerana an’i Madagasikara no manao izay. Tsy maintsy misy koa ny fitsarana miahy sy mijery manokana momba ny fangatahana fahafahana vonjimaika fa ny raharaham-pitsarana ankapobeny no mijanona.Efa nanome toromarika ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana hanamafisana ny fiambenana ny fonja. Eo koa ny fanamafisana ny fiambenana ny trano rehetra miankina amin’ny minisiteran’ny Fitsarana.R.Nd.L’article Minisiteran’ny Fitsarana : “Hafohezina ny fialan-tsasatra” a été récupéré chez Newsmada.
News - Triatra
Tetibolam-panjakana 2019 : Nolanian’ireo solombavambahoaka
Nolanian’ireo solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2019 rehefa avy nandalo adihevitra sy fandalinana teo anivon’ny asan’ireo kaomisiona isan-tokony. Depiote manodidina ny 50 isa teo ho eo no nandany izany, tamin’iny omaly iny. Anisan’ny nisongadina tamin’ny fandaniana iny tetibolam-panjakana 2019 iny ny mahakasika ny komity fampandrosoana ny eny anivon’ny distrika na CLD. Nasian’ireo depiote tsindrim-peo mantsy ny tokony hampakarana izany hatrany amin’ny 400 tapitrisa Ar isaka ny solombavambahoaka raha 250 tapitrisa Ar izany teo aloha. Teo ihany koa ny tetibola mitentina 526 miliara Ar eo anivon’ny minisiteran’ny Tetibola sy Fitantanam-bola (MFB), izay takian’ireo depiote hanalàna 62 miliara Ar izany. Izany hoe, tokony ho 464 miliara Ar izany ny tetibola ao amin’ity minisitera ity. Raha ny mahakasika ny orinasa Jirama manokana indray, ankoatra ny fitakiana fanafoanana ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana, nitaky hanenana izany fanampiana izany ireo solombavambahoaka. Raha tokony ho 255 miliara Ar mantsy izany fanampiana izany, ny depiote mitaky fanalana 50 miliara Ar izany fanampiana ny orinasa Jirama izany. Izany hoe, tokony ho 205 miliara Ar izany sisa ny fanampiana ity orinasa nasionaly mpamokatra herinaratra ity. Ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo (MEH) anefa efa nitondra fanazavana ny amin’ny mety ho aterak’izany fanalana ny tetibola ho fanampiana ny Jirama izany, amin’ny mety hiverenan’ny delestazy, sns, satria dia mbola midi-trosa, ary mivarotra fatiantoka ny orinasa Jirama amin’izao fotoana izao. Marihina fa tsy afaka sy tsy navelan’ireo solombavambahoaka hitondra fanazavana mahakasika iny volavolan-dalàna misahana ny tetibolam-panjakana 2019 iny ny minisitry ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola. Andrasana kosa ny fandaniana ity tetibolam-panjakana ity eny anivon’ny Antenimieran-doholona. MN L’article Tetibolam-panjakana 2019 : Nolanian’ireo solombavambahoaka est apparu en premier sur .L’article Tetibolam-panjakana 2019 : Nolanian’ireo solombavambahoaka a été récupéré chez Triatra.
News - Midi Madagasikara
Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II
Pose des premières pierres du CSB II Manara-penitra du district de Miarinarivo. (Photo :DRSP Itasy) Le ministère de la Santé publique, conformément au Velirano numéro 5 du Président de la République d’améliorer le système de santé à Madagascar, procède actuellement à la construction de Centres de santé de base de niveau II dans plusieurs localités. Le lundi 16 novembre 2020, la délégation du ministère était par exemple à Mananjary pour poser les premières pierres du futur CSB II Manara-penitra Mananjary. Mais les premières pierres ont été également posées pour le CSB II de la commune Alatsinainikely dans le district de Miarinarivo le même jour. Rappelons que l’accès aux soins de qualité demeure problématique dans les communes reculées de Madagascar. Certes, les infrastructures en cours de construction en ce moment ne sont pas assez, mais elles pourront déjà améliorer la situation sanitaire du pays. D’autres sont d’ailleurs prévus être construites très bientôt. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Santé publique : Début de chantier pour quelques nouveaux CSB II a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
Fanararaotana ara-nofo: zazavavikely 5 taona roa indray naolana mpiambina telo lahy
Niharan’ny fanararaotana nofo nandritra ny fitadiavana ireo ray aman-dreniny teny an-tsena ny zazavavikely roa monina eny Ivato. Voa mafy tamin’izany ny iray ary mpiambina tsy lavitra teo ny isan’ireo voarohirohy ho nahavanon-doza.Tranga tsy roa aman-tany. Zazavavikely miisa roa samy dimy taona avy ny naolan’ny mpiambina telo teny Ivato, andro vitsy lasa izay. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fampanoavana, nampidirina vonjimaika am-ponja ny iray amin’izy telo lahy. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo namany roa.Zanak’olona mpirahavavy ireo ankizivavikely roa ary samy monina eny Ivato. Mbola samy mpivarotra ihany koa ny asan’ireo ray aman-drenin’izy roa vavikely. Ny alarobia 7 okotobra kosa, tratra alina tany am-pivarotana ny ray aman-drenin’ireo zazavavikely. Roso nitady azy ireo tany an-tsena izy roa vavy, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nifandiso anefa ireo mpianakavy ka tsy nifankahita intsony. Nandritra ny fotoana nitadiavan’ireo ankizivavikely ireo ray aman-dreniny, efa tafody tao an-trano ireto farany. Araka izany, taitra ireo olon-dehibe raha tsy nahita ireo zanany ka nikoropaka nitady ireo sombin’ny ainy niaraka amin’ny mponina eo an-tanàna.Samy voaolana« Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, nahazo antso ireo ray aman-drenin’ireto zaza fa tonga any an-trano izy roa vavy », hoy ny fanazavan’ny Polisim-pirenena. Hita tamin’izany fa samy niharan’ny herisetra nofo ireo zaza. Tena voa mafy tamin’izany kosa ny iray amin’izy roa vavy. Vokany, nanatona ny centres Vonjy eny Befalatanana ireo ray aman-dreny nanao fizahana ireo zaza sady nametraka fitoriana olona tsy fantatra tamin’ny fanolanana nahazo azy roa vavy ihany koa. Nisokatra nanaraka izany koa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Vokany, nidina teny ifotony ireo polisy misahana ny heloka mamoafady sy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona. Nandeha nanaraka izany ny fanangonam-baovao. Nipetrahan’ny ahiahy tamin’izany ny mpiambina telo lahy eny an-toerana. Nanaovana fanadihadiana ireo lehilahy ireo ary natolotra ny fampanoavana ny zoma lasa teo. « Marihina fa eo anatrehan’ny heloka bevava mihatra amin’ny zaza tsy ampy taoana toy izao, manokatra avy hatrany fanadihadiana ny polisy na misy fitoriana na tsia », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Henintsoa HaniL’article Fanararaotana ara-nofo: zazavavikely 5 taona roa indray naolana mpiambina telo lahy a été récupéré chez Newsmada.