Olona… olana ifotony          

News - Olona… olana ifotony          

News - Olona… olana ifotony          

 Tsy misy ny
hoe distrika hadino amin’ny fampandrosoana? Arahaba soa, arahaba
tsara. Amin’izao, mandeha ny fanorenana fotodrafitrasa fototra.
Tena misy na hisy ny fisitrahan’ny vahoaka ifotony hopitaly
manara-penitra, sekoly manara-penitra, kianja manara-penitra… Misy
ny efa vita, ao ny an-dalam-panaovana; ny hafa, kasaina hatao.

Ao anatin’izany rehetra izany, misy
ny olana fototra mbola mahazo sy mampikaikaika ny vahoaka ifotony
amin’ny faritra sasany: tsy fandriampahalemana noho ny asan-dahalo,
ady tany amin’ny setrasetran’ny manana sy ny matanjaka… Misy
an-taona maro ny fizakana ny mafy sy mangidy ny amin’izany, efa
misy ifandovan-taranaka.

Eo koa ny olana efa ho lava amin’ny
famatsian-drano miverimberina, ny tsy fampian-tsakafo… Ao ny
fahasahiranana amin’ny fifampitondrana eny anivon’ny
vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tsy vitan’izany, misy aza ny
efa fizakana fahoriana fa tsy fahasahiranana fotsiny ny amin’ny
fitantanana orinasam-panjakana, ohatra.

Ny mahavalalanina amin’izany
rehetra izany ka mampanontany tena izay mahalala: tsy maharaka ve
ny fitondrana? Na tsy misy ny tatitra miakatra; eny, na efa
an-taona maro aza, ohatra, ny fitarainana. Amin’izany, dingan-dava
ny antsoantso vonjy: any amin’ny fitondrana foibe avy hatrany.
Afa-nenina amin’ny isan’ambaratonga ifotony?

Tena misy tsy fantatra na odian-tsy
fantatra amin’ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Na misy tsy
ahafaha-manoatra, na tratran’ny antsonjay… Vokany: saika tsy
fantatra, tsy hita sy tsy re, izay tena olana mahazo ny vahoaka
raha tsy misy ny fitsidihana ifotony. Iza no tsy mahalala na tsy
mahay na tsy manao ny asany amin’izany?

Misy antony ao… Tsy
mampanongon-tena ny tomponandraikitra isan’ambaratonga sy
isan-tsehatra ve, ohatra, ny fampiakarana fitarainana sy antso
vonjy any amin’ny fitondrana foibe avy hatrany ny sasany? Na olona
no olana ifotony… Mbola mety misy ny tsy re na tsy hita amin’izay
tena fahasahiranana sy fahoriana mahazo ny mponina? Na hadino…

Rafaly Nd.

Article tiré de Newsmada

L’article Olona… olana ifotony           a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/06/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Barea de Madagascar: nosoloina an’i Lôlôdy i Theodin

Niova indray ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny Barea de Madagascar. Nampahafantarin’ny klioba Fosa Jr, omaly talata, fa noho ny fahatapahan’ny “clavicule”, tsy afaka hiakatra kianja mandritra ny volana vitsivitsy i Theodin. Faharatrana azony ny alahady lasa teo, nandritra ny fifanintsanana niadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Orange pro league”, nikatrohan’ny Fosa Jr sy ny Cosfa.Araka izany, tsy ho afaka hanatevina ny ekipam-pirenena ny tovolahy amin’ny fiatrehana ireo lalao roa, fifanintsanana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2022).Vokatr’izay, voatery nosoloin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, izy ka nantsoina haka ny toerany i Marobe Jean-Claude (Lôlôdy), mpilalaon’ny Fosa Jr Boeny ihany. Lôlôdy izany no handeha ho any Etiopia hiaraka amin’ny Barea, ny 24 marsa ho avy izao, sy hidona amin’i Niger, ny 30 marsa 2021 any Toamasina.Marihina fa vodilaharana ny toerana hisy an’i Lôlôdy, ao amin’ny Barea de Madagascar. Ny fiarovantena izay efa banga noho ny tsy fahafahan’i Fontaine milalao. Tompondaka L’article Barea de Madagascar: nosoloina an’i Lôlôdy i Theodin a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy

Tsy nanadino ny nisaotra ny minisitra mpiahy azy ireo andriamatoa minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police, Rafanomezantsoa Roger, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, taorian’ny fandresena goavana azon’izy ireo nandritra ny “Lalaon’ny Nosy” natao tany Maorisy. Medaly volamena roa ny nentin’ireto ekipa malagasy ireto niverina eto an-tanindrazana. Nitsidika ary naneho fisaorana ny minisitra mpiahy azy ireo ireto mpilalao ireto, ny herinandro lasa teo, indrindra tamin’ny fanohanana fitaovana sy ny vola ary ny fankaherezana nomena talohan’ny niarehana iny lalao goavana iny, ka antony nahazoana izao fandresena miezinezina izao.Tetsy ankilany, nankasitraka ireo mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny basikety ireto ny minisitra, ity farany izay tsy nitazam-potsiny tamin’ny fandresena azon’ny mpilalao malagasy fa nanolotra mari-pankasitrahana ho azy ireo tamin’ny nitondrany avo ny fanevam-pirenena, tany Maorisy. Mi.RazL’article Basikety: nisaotra ny minisitra mpiahy ny ekipa malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hanomezana diplaoma manokana: tontosa ny CEPE andrana katolika

Nanatontosa ny CEPE andrana, omaly tontolo andro ny sekoly katolika manerana ny Nosy araka ny toromariky ny sampandraharaha misahana ny fampianarana ho an’ny fiangonana katolika (Dinec) izay nivory tany Toliara farany teo. Enina ny distrika mandrafitra ny Vikaria afovoany eto Antananarivo. Samy nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny fanadinana CEPE andrana avokoa izy ireo, omaly tontolo ny andro. Ho an’ny teny amin’ny distrikan’i Mahamasina, nandeha tsara ny fanadinana CEPE andrana. Nisy ihany anefa ny ankizy vitsivitsy nanadino ny taratasy fiantsoana, 10 ireo mpiadina tsy tonga tamin’ny 1034 ao amin’ny kilasy 7ème. Vonona ny mpiadina, efa niomana koa ny ray aman-dreny satria tonga maro nanotrona ny zanany. Tonga daholo ny mpanabe, araka ny lamina efa napetraka. Taranja sivy, mihoatra roa amin’ny CEPE mahazatra no nanadinana ny ankizy, omaly. Sekoly 12 no mandrafitra ny distrikan’i Mahamasina;  Saint Michel, Sainte Famille, Providence, Sainte Chantale hatrany amin’ny sekoly katolika eny Anosibe, Anosizato, Antangaina, Ankazoto. Ankoatra eny Mahamasina, tafiditra ao anatin’ny Vikaria afovoany koa ny Mangasoavina, Isotry, Andohalo, Faravohitra ary Antanimena, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vikaria afovoany momba ny fanabeazana, Razafimahatratra Rakotovao Jean Emile, omaly teny Amparibe.Mizara isaky ny distrika ny fanantanterahana ka ireo sekoly fito ao anatin’ny distrikan’Antanimena nanao ny fanadinana andrana teny amin’ny lycée Notre dame de rosaire Antohomadinika. Mitovy amin’ny fizotry ny CEPE karakarain’ny fanjakana ihany ny andrana ary tokana ny laza adina ho an’ny taranja rehetra. Mampiavaka azy fotsiny ny éducation à la vie et à l’amour  (EVA)sy ny fandalinam-pinoana amin’ny maha sekolim-pinoana azy ireo, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara. Nilamina ny zava-drehetra ary nozarina sahady hiatrika fanadinana ny mpianatra. 588 ny isan’ny mpiadina ho an’ny sekoly katolika navondrona tao anatin’ny distrikan’Antanimena.Ilaina ny andrana tahaka izao hitsapana ny fari-pahazain’ny mpiadina sy hanitsiana ny lesoka raha misy izany, hoy ny ray aman-dreny, tonga nanatitra sakafo ny zanany ny antoandro.Hotolorana ny mari-pahaizana CEPE katolika ireo mpianatra tafita tamin’ny andrana, diplaoma tsy mahasolo ny mari-pahaizana omen’ny fanjakana fa manana ny lanjany kosa ho an’ny fampianarana katolika manokana, hoy ny mpiandraikitra ny fanabeazana eny anivon’ny sekoly katolika.Vonjy A. L’article Hanomezana diplaoma manokana: tontosa ny CEPE andrana katolika a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tarika Maboto: omena lanja ny famoronana

Maboto, midika ho tovolahy matanjaka na jaolahy eo amin’ny fiainana. Taona 2018, nahita masoandro ny tarika Maboto, tarihan’i Manitra, zanak’Ilaka Centre. Tarika miezaka manajary mozika vaovao amin’ny alalan’ny fampiarahana ny gadona malagasy sy vahiny. Ny gadona « afro beat » ampiarahina amin’ny gadon-kira avy eto Madagasikara, raikipohy vaovaon’ny hira sy ny mozika ampiharin’ny tarika rehefa manajary ireo sanganasany ry zareo.Nomarihan’i Manitra fa « ezahana hatrany ny hamorona hira mirakitra hafatra izay miendrika fananarana sahaza ny isam-batan’olona ». Nanosika azy ireo hanambatra ny « afro beat » amin’ny bankira malagasy ihany koa ny fanandratana ny maha Malagasy amin’ny alalan’ny hira manerana ny vazantany sy hatrany Dilambato.Ireo trangam-piaraha-monina etsy sy eroa no akora fototra ampiasain’ny tarika Maboto. Vokany, misandrahaka amin’ny lafim-piainana maro ireo tononkirany. Anisan’ireny ny fitiavana, ny maha sarobidy ny Reny, sns. « I Ando sy i Herman izay mpandihy eo anivon’ny Maboto no miketrika ireo soradihy. Tsy misy, araka izany, ny fakana tahaka fa ny asa famoronana no ampanjakaina hatrany », hoy izy.Manana efitrano fandraisam-peo azy manokana ihany koa ny tarika izay manamora ny fomba fiasan’izy ireo. Ampahany amin’ireo vazon’ny Maboto efa be mpankafy ny « Tsy mavozo misaraky », ny « Tiako ny zanakao », fampiarahana ny « afro beat » amina ban-kira avy eto an-toerana. Fantatra fa tsy ho ela ny hivoahan’ny vazo vaovao be !Nanangona : HaRy Razafindrakoto  L’article Tarika Maboto: omena lanja ny famoronana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho

Raha tarafina tamin’ny famerenana, tsy hitovy amin’ny fampisehoana mahazatra ao amin’ny CCEsca Antanimena ny hiseho anio sy rahampitso, samy hanomboka amin’ny telo ora tolakandro. Ny antony, haharitra ora maromaro mihitsy, raha ny fandaharan’i Erick Manana sy ny namany ny hira ao. Hizara efatra mazava tsara mantsy ny seho ka ny tapany voalohany, i Erick Manana sy i Dama. Tohin’ilay “Feo roa, gitara roa”, niainga tao amin’ity efitrano ity, ny volana marsa 2016, ihany io. Efa nentin’izy mirahalahy nitety firenena maro ity fiarahana ity, haverina izao. Hanembonana ireo vazon-dry Lôlô sy ny tariny kosa ny tapany faharoa, iarahan’i Erick Manana, i Benny ary i Bebey. Ao amin’ny tapany fahatelo ny tarika Feo Gasy, ahitana an’i Kaolibera sy i Nini ary i Sata, hanampy an’i Erick sy i Benny. Io ilay tena nandrasan’ny maro satria efa aman-taony maro tsy niaka-tsehatra teto an-tanindrazana ny Feo Gasy. Ny tapany fahefatra farany kosa no tena hafana indrindra satria hiaraka an-tsehatra avokoa izy irehetra ireo, handahatra hira vitsivitsy. Fantatra fa hisy ampahany betsaka hitoviany ny seho roa, saingy hisy kely ihany ny fiavahany. Anisan’izany ny nanasan’i Erick Manana an’i Simon Randria, izay hiaraka an-tsehatra aminy, amin’ny seho anio. Zo ny Aina L’article Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toe-draharaha politika: miantso ny tsy tokony hifanenjehana ireo depiote IRD

Nivoaka amin’ny fanginany ireo depiote IRD, manoloana izao toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena izao. Nitodika manokana amin’ireo mpanohitra ny hafatra.“Efa manao ny ezaka rehetra ny fanjakana… Iaraha-miaiky fa misy ny fahasahiranana eto vokatry ny antony samihafa anisan’izany ny Covid-19. Sarotra ny tsy hahita ezaka ataon’ny fanjakana hanarenana ny sosialy sy ny toekarena ka iantsoana ny vahoaka hifanome tanana sy hitsinjo ny mahasoa. Tsy fotoan’ny fifananjehana na ny fifanomzean-tsiny izao fa fifanomezan-tanana”, hoy izy ireo tetsy Tsimbazaza, omaly. Tsy eken’izy ireo koa ny fanelezana tsaho sy lainga ary ny fihantsiana, indrindra ny ataon’ireo depiote mpanohitra. “Miantso ny birao maharitra izahay hampahatsiahy ireo depiote ireo tsy hivaona”, hoy ihany izy ireo.Tsy ho voarebireby amin’ny fitarihana korontanaNahitsy koa izy ireo niantso ny vahoaka tsy ho voarebireby amin’ny fitarihana korontana. Notsiahivin’ireto depiote ireto fa efa eo ny lapan’ny demokrasia, eny Tsimbazaza, ka afaka miteny avokoa. Anisan’izany ireny famakafakana momba ny resaka vola ireny. “Afaka mampiantso minisitra na tompon’andraikitra. Tsy azo ekena kosa anefa ny lainga sy ny fitaka”, hoy ihany izy ireo.Naverimberin’izy ireo fa misy vahoaka mangetaheta filaminana, ahafahana mampandroso ny firenena. “Aoka tsy hisy intsony ny fambolena ny korontana…”, hoy izy ireo.Synèse R. L’article Toe-draharaha politika: miantso ny tsy tokony hifanenjehana ireo depiote IRD a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo,… : Vita ny tetezana, hamboarina ny lalana RN 5

Hatry ny ela ny niandrasan’ny mponina sy ny mpampiasa ny hanarenana ny lalam-pirenena RN 5. Hihazakazaka ny fandrosoana raha tanteraka tokoa izany.Nijery ifotony ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5) any Fenoarivo Atsinanana, omaly, ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa hamboarina ny lalana Foulpointe sy i Fenoarivo Atsinanana (43 km), ny mampitohy an’i Ma­na­nara Avaratra sy i Ma­roantsetra, ny Soanierana Ivo­ngo hatrany Ivohibe. Tsia­hi­vina fa efa mandeha ny asa fanamboarana ny miainga eo Toamasina hatreo Foulpointe. Raha jerena ny zava-bita, miisa 18 ny tetezana sy «dalot» iray vita tanteraka. Manohana vola ny fanjakana malagasy ny asa ny Vondrona eoropeanina (UE), mitentina 13 tapitrisa euros. Mian­drai­kitra ny fanatanterahana ny asa tany Mananara Avaratra ny antokon-draharaha Agence routière, natao tamin’ny alalan’ny asa tana-maro. Nahafaly ny vahoaka izany satria nanome asa ho azy ireo.Manana otrikarena matanjaka Zava-dehibe ho an’ny mponina tokoa ny hanamboarana haingana ity lalam-pirenena RN 5 ity. Efa vita godirao, saingy ratsy ny Fenoarivo Atsinanana hatrany Soani­erana Ivongo. Tena andrasana ny fanaovana godirao ny eo Soanierana Ivongo hatrany Mananara Avaratra (120 km), sy indrindra, ny Mananara Avaratra hatrany Maroantsetra (108 km). Raha vita ireo, ho haingana ny fampandrosoana satria manana otrikarena ma­tanjaka iny faritra iny, raha tsy hilaza afa-tsy ny lavanila sy ny jirofo.Njaka AndriantefiarinesyL’article Mananara Avaratra, Soanierana Ivongo,… : Vita ny tetezana, hamboarina ny lalana RN 5 a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy…

Mbola resaka hafa ny taxi-be sy ny fihoaram-pefy ataon’izy ireo.  Niserana ihany ny fampiharan-dalana ho an’ireo sarety sy posy ary kalesy teto Antananarivo Renivohitra. Miverina sahady ny gaboraraka eny an-dalana. Manjaka amin’ny fotoana rehetra izy ireo. Antony miteraka fitohanana lavareny manampy trotraka ny fanamboaran-dalana ary mampikaikaika ny maro anefa ny fikisahan’izy ireny eny an’arabe.Ankoatra ny fandikana ny fotoana iasana, manimba zavatra ary tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana ireo mpitarika posy sy sarety ireo. Betsaka ireo efa velon-taraina amin’ny fahapotehan’ny fiara amin’ny hafitsok’izy ireny.Miala maina anefa ireo manana ny simba satria tsy misy fiantohana ireny sarety sy posy ireny. Ankoatra izany ny vava ratsy sy ompa hataon’ireo mpitarika azy izay tsy manaiky hanana ny fahadisoana.Anisan’ny sosokevitr’ireo mpampiasa ny fifamoivoizana ny tokony hametrahana lalàna mazava, manaraka ny zava-misy ankehitriny sy fampiharan-dalàna hentitra sy maharitra amin’izy ireny.Tokony hazava ao anatin’izany lalàna izany ny refin’ny sarety na posy ampiasaina. Tokony  hiditra anaty trano fiantohana izy ireny hahafahana miady aminy raha manimba zavatr’olona.Tompon’antoka amin’izay mety ho fahasimbana ny mpitari-posy, tompon’ny posy ary ny tompon’ny entana entina.Efa napetraka mazava ny ora hahafahan’ireny mivezivezy izay voatondro fa manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 12 ora antoandro izy ireo no miasa ny maraina. Amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora kosa ny hariva.Voafetra ihany koa ny toerana hahafahan’izy ireo mivezivezy. Tsy azon’izy ireo aleha ny faritry ny afovoan-tanàna. Tafiditra ao anatin’izany ny ao Analakely, Ambohijatovo, Antaninarenina, Soarano ary Ankadifotsy. Tsy tokony hivezivezy amin’ny toerana misy fiakarana ihany koa ireny sarety sy posy ireny.Tatiana A L’article Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy… a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fanompoam-pirenena :: Lehilahy fito alina hotsaraina miaramila

Hanomboka amin’ ny 1 aogositra ho avy izao ny fotoam-pitsarana miaramila amin’ity taona ity, manerana ny Nosy. Araka ny loharanom- baovao avy amin’ny Foibem- pitondrana misahana ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny miaramila na ny Dsngr, dia eo anelanelan’ ny dimy alina ka hatramin’ny fito alina ireo lehilahy hitsara miaramila amin’ity taona ity. “Maimaim-poana avokoa ny zavatra hatao rehetra amin’io, hatramin’ny fano me – zana ny karatra maitso, tapa- bolana aorian’ny fahavitan’ ny fitsarana”, hoy ny jeneraly Rasolonirina Roger, talen’ ny Dsngr. Tsy toy ny isan-taona ny fitantanana ny fitsarana miaramila amin’ity taona ity fa manatona hatrany amin’ny kaominina lavitra indrindra ireo tompon’andraikitra. “Ho fanatanterahana ny torolalan’ny Filohan’ny Repoblika, hanomezana ny zon’ny zatovo lehilahy rehetra no anton’io fidinana any am-potony io. Nisy ny baikon’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny amin’ny tsy maintsy hitondrana manakaiky ny vahoaka ny fitsarana miaramila”, hoy hatrany ny jeneraly Rasolonirina Roger. Karatra maitso Tsy nitsahatra nidina tany ifotony ireo mpiasa eo anivon’ity foibem-pitondrana ity nandritra ny volana maro izay. “Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo préfet, lehiben’ny distrika, ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy any amin’ireo toerana, ireo ben’ ny tanàna ary ireo lehiben’ ny fokontany nataonay tany amin’ireny toerana lavitra ireny. Izy ireo, arakaraka ny fahafahany avy, no nanolotra soson-kevitra amin’ny andro hanaovana ny fitsarana miaramila any amin’ireo faritra tsirairay. Natao izay tena nanatonana ny kaominina rehetra na dia ny 40%-n’izy aza saro-dalana avokoa. Nisy ireo nandehanana lakana, taksi-môtô, sarety, ankoatra ny dia an-tongotra ora maro. Ireo tompon’andraikitra no nizara izay toerana atao foibe fitsarana miaramila isaky ny distrika. Tsy ho lasa foibe avokoa ny kaominina rehetra fa tapaka hoe atao mifanatona eo amin’ny kaominina iray izay akaiky azy ireo kaominina hafa. Ao anatin’ny distrika iray dia mety hisy foibe fitsarana telo na mihoatra”, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpiasa ao amin’ny Dsngr. Ireo lehilahy eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 31 taona no antsoina hitsara miaramila avokoa raha mbola tsy nanao izany. Ho an’ireo efa nitsara kosa kanefa tsy nahazo karatra maitso manamarina izany dia tokony hanatona ny foibe fitsarana akaiky azy izy ireo mba homena ny karatra maimaim- poana voasonian’ny talen’ ny Dsngr. Hifarana amin’ny 30 septambra 2019 kosa ny fotoam-pitsarana amin’ity taona ity. L’article Fanompoam-pirenena :: Lehilahy fito alina hotsaraina miaramila est apparu en premier sur AoRaha.

News - Delire Madagascar

CNAPS-BOA: Hahazo tolotra manokana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra

Olana lehibe hitarainan’ireo mpikambana ao amin’ny CNAPS ny filaharana lavabe sy maharitra rehefa handray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra. Ho fitsinjovana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra dia mahazo tolotra manokana izy ireo noho ny fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny BOA. Ny 12 novambra 2020 teny Ampefiloha no niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny Tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy sy ny  Tale jeneralin’ny BOA Madagascar Othmane Alaoui. “Fantatsika fa misy ny olana. Ao anatin’ny taona iray dia mandeha eny amin’ny banky sy ny orinasa mpampindram-bola mandinika ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra maka ny volany kanefa milahatra. Nanome tolotra manokana ho azy ireo ny BOA, kaonty tahiry tsy andoavam-bola kanefa afaka maka ny volany any amin’ireo masoivohon’ny BOA miisa 94 ireo mpisotro ronono sy mpandray vidin-takaitra. Arotsakin’ny CNAPS  ao amin’io kaonty io ny volan’izy ireo. Anisany hampihena ny filaharana ataon’ireo ray aman-drenintsika izany”, hoy ny Tale jeneralin’ny CNAPS. Araka ny fanazavan’ny talen’ny seraseran’ny CNAPS, Ratsimbaharison Alain fa an-tsitrapo ny fidirana amin’io tolotra io. “Rehefa mipetraka elaela ao ny vola dia mitombo”, hoy izy nanazava ny tombontsoa amin’ny fampiasana ity tolotra ity. Nilaza izy fa tsy misy vola aloan’ny mpikambana fa efa nalefahan’ny BOA ny sarany ka ny CNAPS no mandoa izany. Raha mila fanazavana fanampiny kosa dia mila manatona eny amin’ny biraon’ny CNAPS  na eny amin’ireo masoivoho BOA. “Noho ity fiarahamiasa ity dia anarivony ireo mpandray fisotroan-dronono no afaka misitraka ny tolotra omen’ny BOA. Anisany tanjon’ny fiarahamiasa ihany koa ny fanampiana ny olona hampiasa ny banky sy ny fanamorana ny fahafahana misitraka ny tolon-draharaha ara-bola”, hoy ny Tale jeneralin’ny BOA. Marihina fa 50.000 ny mpikambana mpandray fisotroan-dronono amin’ny CNAPS ary 5000 ny mpandray vidin-takaitra. Lynda A. Cet article CNAPS-BOA: Hahazo tolotra manokana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CNAPS-BOA: Hahazo tolotra manokana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra a été récupéré chez Délire Madagascar.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement
15/06/2021

Bonjour,  il y a plusieurs manières de se faire de  l'argent en ligne chez soi et gagner de petits revenus en cette année 2021. Si cela vous intéresse suivez ces liens et inscrivez vous :Voulez vous gagner de l'argent en ligne sans fournir trop d'effort ? Si oui je vous propose de visiter ce site qui vous permet de gagner un revenu mensuel acceptable.https://rupee4click.com/48ks0efa nazaoko avec preuve de paiementinscrit et vous gagnerai Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services trvail en ligne tres serieux avec preuve de paiement".

Emploi et services Antares trade, prêt possible
18/06/2021

Bonjour à tous!Il est maintenant possible de demander un prêt avec Antares. Vous n'avez plus d'excuse pour ne pas vous inscrire sous motif de manque de fond. Antares est là pour vous dépanner, et vous prouver que l'investissement dans le site marche et n'est pas une arnaque comme les gens le pensent. Le prêt va de 100$ à 4000$! Ils appellent l'investissement P2P c'est-à-dire de partenaire à partenaire. Avec cet investissement, vous pouvez percevoir des revenus de 0,5% par jour pendant 12 mois, tandis que la plateforme rembourse votre prêt à votre place. Par exemple vous empruntez 2500$ pour prendre le pack de 2500$. Au lieu de recevoir les 1% par jour soit 25$ par jour environ, vous recevez 12,5$ par jour et votre prêteur revoir également 12,5$ par jour.Il est n'est valable que pour les nouveaux arrivants et ne fonctionne que si: - l'emprunteur sollicite un prêt et s'inscrit auprès d'Antares- l'investisseur émet un emprunt sur 12 mois avec un rendement moyen de 0,5%/jour- l'emprunteur investit dans un produit d'investissement séparé avec un rendement de 0,5% par jourCe programme vous permet de participer à un programme d'affiliation basé sur le marketing linéaire, dont vous pouvez en savoir plus ici : https://antares.trade/antares-p2p-platform/#partners.Pour vous inscrire: https://antares.trade/personal/?signup=MG000823370Pour plus d'informations, veuillez me contacter par mail: shonaliyah3@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Antares trade, prêt possible".

Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT
15/06/2021

Études, Dimensionnements, Plans et Travaux en : ·        Gros Œuvre et Second Œuvre·        Électricité (Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie)·        Adduction d’Eau Potable ; Plomberie Sanitaire ; Matériels de Lutte Contre l’Incendie·        Climatisation ; Ventilation Mécanique Contrôlée  Références :-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD(032 03 111 09)-Mme HANITRA(034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : randrianarivony_rija_frank@yahoo.com / randrianarivony.rija.frank@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services BUREAU D’ETUDES TECHNIQUES EN FLUIDES ET BATIMENT".

A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo
16/06/2021

Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury 4x4 turbo année 2005 diesel  boite automatique, 7 places 163000 kms, première main. Véhicule  très résistant, couleur verte,  phares xenon antibrouillards, radio CD, climatisation, fermeture centralisée, verrouillage à distance. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre 4X4 Nissan Patrol 3.0 TDI Luxury Turbo".

Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) francophones. Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 160 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC. MISSION En tant que Téléconseiller(ère) francophone, vos missions seront : PROFIL VOS AVANTAGES Si tout cela vous parle, vous êtes le candidat qu’il nous faut ! Merci de postuler en ligne sur notre site www.eufonie.fr/jobs. Vous pouvez également adresser votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ; Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) francophones".

Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones
18/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement des Téléconseillers(ères) bilingues anglophone.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.En tant que  Téléconseiller(ère) bilingue, vos missions seront de :PROFIL :VOS AVANTAGES :Merci de postuler votre candidature à l'aide de votre CV muni d’une photo, lettre de motivation et n° de téléphone à l’adresse recrutement@eufonie.fr ;Pour entrevoir nos offres d'emplois, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Téléconseillers(ères) bilingues angophones".

Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction
16/06/2021

Eufonie SARL, société spécialisée dans l’outsourcing de la relation client multilingue à Madagascar, recherche activement un Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction.Référence de la Relation Client à Antananarivo depuis 2012, notre entreprise formée de plus de 150 collaborateurs compte de nombreux clients issus des NTIC.MISSIONS:Le Business Unit Manager développe et assure le bon fonctionnement de ses activités :PROFILS :AVANTAGES :Veuillez adresser votre candidature à l’adresse recrutement@eufonie.fr à l'aide de votre CV et d’une lettre de motivation. Pour entrevoir nos offres d'emploi, merci de visiter www.eufonie.fr/jobs.Seules les candidatures retenues seront contactées pour un entretien.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Business Unit Manager spécialisé dans la rédaction".

Emploi et services Gagner de l'argent en ligne
19/06/2021

Nous vous proposons une opportunité intéressante pour gagner de l'argent en ligne. Votre rôle consiste à remplir des micro-tâches comme répondre à des sondages, essayer certaines applications, répondre à des quiz etc. Cliquez sur ce lien :https://paidera.com/?r=2057784Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Gagner de l'argent en ligne".

A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE – TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨
18/06/2021

✨✨  ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE -  TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨L’Agence Immobilière AINA Antsirabe vous propose à la vente, ce beau terrain plat constructible,  idéal pour des projets. Terrain titré et borné. Situé au bord de route principale. Accessible en voiture.Electricité à proximité.➡️ LOCALISATION : ANDRANOMANELATRA à 500m  de la route nationale  RN7➡️ SURFACE DU TERRAIN : 02HA 10A 09CA   NON MORCELABLEPour plus d’informations contactez-nous🏠 AGENCE IMMOBILIÈRE AINA ANTSIRABE🌐 https://aina-immobilier-antsirabe.com📩 contact@aina-immobilier-antsirabe.com☎ 0340255077 - 0330255077 – 0328347800Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre ✨✨ ANDRANOMANELATRA ANTSIRABE A VENDRE - TRES BEAU TERRAIN IDEAL POUR PROJET ✨✨".

Emploi et services Développeur Phyton
18/06/2021

Nous recrutons pour une structure dans le domaine de l'externalisation,Développeur PhytonEnvoyer votre candidature sur talent@human-talent-consulting.com avec en référence DEVPHYTON-0621(+261) 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur Phyton".

A louer Location voiture
15/06/2021

Location 4×4 - Toyota New Prado >>7 places, voiture confortable et économique,  >>Voiture classe, adéquats pour les évènements familiaux ou affaires, >courses en ville, en périphérie, ou en province - Chauffeur expérimenté pour les circuits touristiques - Le tarif varie en fonction de la destination et du trajetContact: 034 84 747 64Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location voiture".

Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay
15/06/2021

site légitime qui paye très bienfaucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay.Pas de retrait minimum, claim tous les 5min.Ci-joint le lien:https://ezbit.co.in/ref/13850Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services faucet bitcoin/litecoin/dogecoin retrait instantané sur faucetpay".

Notsongaina

Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation
15/06/2021

Quinze nouveaux cas de Covid-19 le 13 juin 2021. Le nombre de nouvelles contaminations en 24 heures est descendu en dessous de la vingtaine dimanche dernier. Une confirmation de la courbe descendante qui se poursuit depuis plus d’un mois. Les 15 nouveaux cas de dimanche dernier ont été enregistrés parmi 470 tests, soit un taux de positivité de 3,19%. Ils sont localisés dans trois régions : Analamanga qui compte 10 cas, Haute Matsiatra en compte 3 et Ihorombe en compte 2. Pour Analamanga en particulier, les 10 cas ont été enregistrés dans trois districts : Tana Ville 7 ; Ambohidratrimo 2 et Andramasina 1. Quant aux cas graves, leur nombre semble être en stagnation depuis plusieurs jours, mais reste en dessous de la barre des 100. Au jour du 13 juin, il a été enregistré 95 patients présentant une forme grave de la maladie sur l’ensemble de l’île. Au niveau des décès, on notera qu’Analamanga n’en comptait aucun dimanche dernier. Les 2 décès enregistrés à cette date sont localisés dans deux régions, à savoir la Haute Matsiatra et l’Atsinanana, lesquelles comptent chacune un décès. Le décompte officiel indique actuellement 889 décès liés à la Covid-19 à Madagascar depuis le début de l’épidémie dans le pays en mars 2020. Au chapitre des guérisons, 25 patients ont été déclarés guéris le 13 juin. Et enfin les données récapitulatives, montrant à la date du 13 juin un cumul de 41 948 cas confirmés sur un total de 209 522 tests effectués depuis mars 2020. Le nombre total des guérisons est de 41 343. Hanitra R. L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Bilan Covid-19 du 13 juin 2021 : 2 décès et 15 nouveaux cas, les cas graves en stagnation a été récupéré chez Midi Madagasikara.

FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI
18/06/2021

Ao anatin’ ny fankalazana fety marobe ny eto amintsika amin’ ity volana ity, ny Alahady 20 Jona 2021 ho avy izao ohatrany  fetin’ ny ray, eo ihany koa ny fetim-pirenena. Tsy diso anjara amin’ izany fankalazana ny fety samihafa izany ny Tranombarotra« Baolai ». « Ny marika « Hisense » izay mpanohana ofisialy ny« Euro 2020 » dia efa hita ato aminay, etsy Analakely,Soarano ary ao Bazar Be – Toamasina » hoy ny tompon’andraikitra. Ho an’ ny fetin’ ny ray dia maro ny zavatra azo atao fanomezana ao amin’ izy ireo. Toy ny : Smart tv sy télé led, misy manomboka 22 hatramin ‘ ny 85  » –  laser tv 100  » ( misy antoka herintaona daholo), Gsm, cuisinière à gaz et électrique, synthétiseur, machine à laver, réfrigérateur, table de mixage, four micro – onde, amplificateur… « Ho fiarahana mankalaza ampifaliana ny fetin’ ny asaramanitra malagasy, dia vao naha tonga entana lohalaharana amin’ ny kalitao izahay » hoy hatrany ny tompon’ andraikitra. Ny ankoantran’ izay dia azo fantarina ao amin’ ny « site web »sy pejy fb : baolai ary ao amin’ ny 034 56 288 21 (amin’ ny ora fiasana). Dia ho fety feno fifaliana tokoa ity volana Jona2021 ity miaraka amin’ ny entana tsara kalitao hita ao amin’ ny tranombarotra « Baolai ». Cet article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article FETIN’ NY RAY SY ASARAMANITRA : VAO NAHATONGA ENTANA NY BAOLAI a été récupéré chez Délire Madagascar.

Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana
14/06/2021

Mijaly rano ny mponina any Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, maina ny tany, lafo ny vary, ary ratsy dia ratsy ny lalana. Ireo ny olana amin’ny ankapobeny mahazo ny mponina. Herinandro maromaro izao, tsy mahazo rano ny mponina na tsy ampy ny rano avy amin’ny Jirama. Milina mandeha amin’ny herin’ny masoandro no mampiakatra ny rano avy any ambany mankany ambony toerana. Rehefa ratsy ny andro, mihodina ihany ny milina, rehefa ratsy ny andro, tsy mandeha ny milina satria tsy misy “batterie” nanomboka ny volana marsa tamin’ity taona ity. Volan’ny CLD (Comité local de développement) anefa nividianana ny milina. Koa noho ny tsy fahampian-drano, lasa mividy rano amin’ny vovo ny olona, 400 Ar ny daba 20 l. Mavesatra ho an’ny tokantrano maro izany, satria tsy ampy iray andro mihitsy ny rano 20 l.800 Ar ny kapoakan’ny varySahirana ihany koa ny mponina amin’ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny vary, 800 Ar ny kapoaka; menaka, 8000 Ar ny litatra ; siramamy, 1100 Ar ny kapoaka. Mampihemotra ny fari-piainan’ny olona daholo ireo, tsy mifandanja ny vola miditra sy mivoaka. Tsy tafita amin’ny vahoaka maro anisa ny tarehimarika navoakan’ny praiminisitra momba ny tahan’ny vidim-piainana, fa ireo PPN saika misondro-bidy isan’andro ny hitany.Olana iray goavana iainan’ny mponina hatramin’ny taona maro ny lalana RN10. 250 km avy eo Andranovory, 30 000 Ar ny saran-dalana avy any Toliara, atao iray andro amin’ny fiara lehibe mpitatitra, misy olona 80 ao anatiny miampy entana ambony sy ambany. Mihantona ny tongotra mandritra ny dia, resaka fotsiny izany elanelana sakana amin’ny valanaretina izany,  araka ny filazan’ny mponina. Tany lavitra andriana. R.MathieuL’article Ampanihy – Atsimo Andrefana: tsy ampy ny rano, lafo ny vary, ratsy ny lalana a été récupéré chez Newsmada.

« Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole
16/06/2021

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny « Concert classique de midi » amin’ity indray mitoraka ity. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ny seho hotontosaina ny talata 22 jona izao manomboka amin’ny 1ora tsy diso, ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Ny tarika Tsimihole no hitondra ny talentany ho an’ny mpitia zavakanto amin’io fotoana io. Tarika mivoy ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Ahenoana ihany koa ny fihaonan’ny mozika malagasy sy ny mozika ankehitriny. Mamoitra ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra fa ny any atsimo, kosa ny tononkira.Marihina fa faha-118 amin’ny seho « Concert classique de midi » ity karakarain’ny Madagascar Mozarteum izay mandia ny faha-10 taony ity.HaRy RazafindrakotoL’article « Concert classique de midi »: hiaka-tsehatra ny tarika Tsimihole a été récupéré chez Newsmada.

  “Cybercriminalité”: nohadihadin’ny zandary, omaly, i Ravo Nambinina
16/06/2021

 Nohenoina tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava tao amin’ny sampana “cybercriminalité”  Ramasomanana Ravo Nambinina, omaly. « Tsy mbola nisy ny resaka nivoaka ankoatra ny fanohizana ny fanadihadiana azy », hoy ny fanazavana voaray. « Misy fitoriana voarain’ireo mpitandro filaminana mahakasika azy, ao anatin’izany ny fanapariahana vaovao tsy marina sy ny fanalam-baraka », hoy ny zandary.Tsiahivina fa efa nampiantsoin’ny Zandarimariam-pirenena ny lehilahy, iray volana lasa,  saingy tsy afaka namonjy izany noho izy voalaza fa nararin’ny Covid-19 ka mbola nitsabo tena teny amin’ny hopitaly. Nisolo tena azy tamin’izay ny mpisolovava azy tamin’ny alalan’i Me Rafidison Eric.Mpiasa fahiny tao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny lehilahy, nisahana ny tsenambaro-panjakana. Anisan’ny fitsikerana sy ampamoaka navoakany tao anaty tambajotran-tserasera “facebook” ny fandaniam-bola antapitrisany maro nandokoana ny hopitaly manara-penitra sy ny fandaniam-bola mihoa-pampana amin’ny nananganana ny “centre de transplantation rénale” ao amin’ny CHU Andohatapenaka ka antontan-taratasy hosoka avokoa ny nampiasaina tamin’izany. Nambarany fa volan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny 44 miliara Ar tamin’izany ka tsy naverina, ny taona 2020. Nohamafisiny fa tokony ho nanamboarana hopitaly ireo vola ireo kanjo nanjavona tampoka. Nambarany fa namoaka ny lahatsorany momba ilay centre de transplantation ny Transparency International- Initiative Madagascar ny 9 jona lasa teo. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Henintsoa HaniL’article   “Cybercriminalité”: nohadihadin’ny zandary, omaly, i Ravo Nambinina a été récupéré chez Newsmada.

Volan’ny teny malagasy: namoaka boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka
16/06/2021

Tsy mandalo fotsiny amin’ny Mpanoratra sy Poeta ny Iray volan’ny teny malagasy, fa misy hatrany ny hetsika hanamarihana izany. Namoaka ny boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka. Boky faharoa navoakan’ny tovolahy izy ity, raha ny « Hadalan’ny fo » ny boky voalohany navoakany, ny taona 2015.  « Amboaran-tononkalo miisa 30 pejy eo izy ity, I Zara Ainga nanao ny teny fanolorana ary i Bade RaAnRaMa nanao ny fampahafantarana ahy. Miresaka lafim-piainana maro, indrindra ireo lohahevitra tsy dia be mpiresaka eo anivon’ny fiarahamonina, ireo zavatra atao an-tsokosoko, ireo zavatra tsy sahin’ny rehetra lazaina anaty tononkalo, izay anisan’ny antony namoahana azy an-tsokosoko. Ezahina ny hanapariahana azy ho an’ny rehetra mpankafy ny literatiora malagasy », raha ny filazany. Marihina fa i Ando Harinjaka, poeta sady mpanoratra ao amin’ny Vondron’ny Korirakanton’ny Haisoratra, mpilalao teatra  sy zavakanto hafa ao amin’ny Bee Z’art.Mbola maro ireo tanora tsy mankafy mamaky boky Na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana sy ny mbola tsy fahafahana mamory olona maro dia noezahina ihany ny hampihodina ny literatiora .Tsapa koa fa sarotra ho an’ny olona ny hanjifa boky amin’izao hasarotry ny fiainana izao ka dia noezahina ny hamoaka boky mirary takatry ny rehetra, indrindra ireo tanora. Natao ihany koa izao boky izao ho fandraisana anjara amin’ity Iray volan’ny teny malagasy ity. Mbola maro ireo tanora tsy mankafy mamaky boky amin’ny teny malagasy ka izay no namoahana boky miventy lohahevitra mahaliana, sady hisarihana azy ho tia ny teny malagasy, araka ny nambaran’ i Ando harinjaka. Manana ny tambajotran-tserasera facebook “Ando harinjaka” ny tenany ho an’ireo te hifanerasera aminy.NarilalaL’article Volan’ny teny malagasy: namoaka boky « An-tsokosoko » i Ando Harinjaka a été récupéré chez Newsmada.

Rugby- Association Pachamama : 400 enfants du RCTS gâtés
17/06/2021

Les enfants sont rentrés les mains pleines de vêtements. La capitaine du rugby Féminin du RCTS, Vero, est actuellement à Monaco avec les Makis à VII dames. Elle disputera les 19 et 20 juin 2021, le tournoi de repêchage pour les Jeux Olympiques. Fidèle à son engagement citoyen depuis plusieurs années et en dépit des circonstances sanitaires, l’Association Pachamama renouvelle ses actions auprès des 350 enfants défavorisés du nord de la Capitale, qui sont éduqués et entraînés au centre RCTS (Rugby Club Tanora Soavimasoandro). Ce mois de juin est dédié à l’enfance. L’Association Pachamama, principal partenaire du RCTS a remis des vêtements chauds à ses membres, samedi dernier à Imamba Soavimasoandro. Plus de deux tonnes de vêtements offerts par les principaux donateurs de l’association ont été distribués à plus de 400 membres enfants, et les joueurs seniors hommes et dames surtout en cette période hivernale dans la capitale. Parmi les généreux donateurs figurent le Rugby French Flair (RFF), Pachamama pilier de la Terre (France), la banque BFV-SG et PPM (Profil Partition Madagascar), ainsi que Orange Madagascar. «Nous sommes reconnaissants envers nos sponsors. Malgré la crise liée à la Covid-19, ils ont répondu présent pour le bien des enfants», a fait savoir Mamy Ratsimba,  responsable technique au sein de Pachamama/RCTS. Cette action qui se déroule tous les mois de juin s’ajoute à la donation en nourriture de deux fois par semaine après chaque entraînement au rugby, les mercredis et les samedis à 350 enfants. Comme ces jeunes s’adonnent à leur passion qu’est le rugby, ils bénéficient également d’un suivi médical. Déjà annoncé auparavant, l’Association envisage, cette année, de lancer des projets de grande envergure, comme le dispensaire, qui desservira le centre et les villages d’Imamba et ses alentours, et la tribune de 200 places. Le démarrage des travaux attend encore la sortie officielle du titre de propriété du terrain. Un bâtiment pour le logement du gardien et une salle de musculation sont déjà en cours de construction. Le RCTS, à la fois école et club, table cette année sur leur premier titre dans la catégorie élite régionale. T.H L’article Rugby- Association Pachamama : 400 enfants du RCTS gâtés est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Rugby- Association Pachamama : 400 enfants du RCTS gâtés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tsy nidina ny vidim-bary na efa fararano aza: tafakatra 10 000 Ar ny menaka iray litatra
18/06/2021

Akora tena nahitana fiakarana tsy tapaka tao anatin’ny volana maromaro ny menaka fihinana eny  an-tsena. Samy nisondrotra avokoa na ireo amidy miaraka amin’ny tavoahangy na ireo mbola mila tavoahangy asiana azy (en vrac).8 500 Ar 10 000 Ar ny tavoahangy 1l iray raha tanamasoandro ny akora nanaovana azy ary 7 600 Ar ny menaka vita avy amin’ny soja. 7 000 Ar kosa ny menaka soja mbola tsy ao anaty tavoahangy vita voatra mialoha. Ireo mpikarakara sakafo masaka no maka betsaka ity sokajy faharoa ity fa lafo loatra ilay efa miaraka amin’ny tavoahangy. Vokatr’izay, nahitana fisondrotana ny sakafo mila menaka betsaka. Ny atody koa 600 Ar sy 650 Ar ny iray eny amin’ny mpaninjara fa tsy misy latsak’izay intsony. Amin’izao fotoana manakaiky ny fety izao, mety ho tafakatra 700 Ar ireo tena lehibe, hoy ny mpivarotra. Ny siramamy manodidina ny 3 000 Ar ny kilao eny amin’ny mpamongady fa maka tombony 200 Ar ka hatramin’ny 400 Ar ny mpaninjara ka tafiakatra 3 400 Ar ny kilao ho an’ny siramamy fotsy ary 3300 Ar ho an’ny mavokely.Ny vary tsy nidina latsaky ny 2 500 Ar ny kilao ho an’ny vary vokatra eto an-toerana na efa fararano fotoana mampiakatra ny vokatra aza izao. Misy tafakatra hatramin’ny 2 800 Ar ny vary tsy vaovao satria mitombo kokoa. Ny vary “luxe” nafarana 2700 Ar ny kilao. Nampitaraina ny mpanjifa koa ny vidin’ny voankazo, 4 000 Ar ny voasary mandarine iray kilao ary 5 000 Ar ny papay lehibe iray, 3 000 Ar ny paokanelina iray.Vonjy A.   L’article Tsy nidina ny vidim-bary na efa fararano aza: tafakatra 10 000 Ar ny menaka iray litatra a été récupéré chez Newsmada.

Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha
17/06/2021

Miova sata, miova andriana ary maneho ny fandalana ny mangarahara. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, amin’ny anton-dian’ny filoham-pirenena any ivelany.Nivoitra tamin’ny fanambarana ny filazana  fa nanainga an-tanindrazana hanefa ny adidiny amin’ny fanatrehana ny “confirmation” an’ny zanany vavitokana ny filoha Rajoelina Andry. “Zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainana tokoa mantsy izany ary indrindra, fitahiana sy fahasoavana lehibe avy amin’Andriamanitra”, hoy ny fanambarana. Notsiahivin’ny tompon’andraikitra tamin’izany fa ray sy loham-pianakaviana koa ny filoham-pirenena ary manana andraikitra eo anivon’ny ankohonany sy ny vady aman-janany, ankoatra ny maha filohan’ny Repoblika azy.Fomba fiasa vaovaoMidika izany fa nanova fomba fiasa ho amin’ny tsaratsara kokoa ny tompon’andraikitra vaovao eo anivon’ny sampandraharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana ao an-dapa. Maneho sy mampahafantatra ny vaovao rehetra mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy, manoloana ny mpitondra azy. Efa fanao sy fahita any amin’ireo firenena sasany ny fomba fiasa tahaka izao amin’ny famoahana ny vaovao rehetra eo anivon’ny mpitantana ny firenena.Fitantanana mangaraharaTafiditra amin’ny fametrahana ny mangaraharaha eo amin’ny fitantana izany sady ialana amin’ny honohono sy ny tsaho koa.Sambany indray tato anatin’ny roa taona teo ho eo izao fivoahan’ny filoham-pirenena any ivelany izao na fivahinianana tsy ofisialy aza izany. Tsy mba nisy nanao tahaka izao koa ireo mpitondra sy mpitantana nifandimby.Synèse R.   L’article Fanambaran’ny fiadidiana ny Repbolika: lasa any ivelany hanatrika ny «confirmation» ny zanany ny filoha a été récupéré chez Newsmada.

RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison
14/06/2021

La ville d’Arivonimamo était en effervescence, vendredi 11 juin en début de matinée. Ce jour-là vers 2 heures du matin, les habitants du fokontany de Miadamanjaka, dans le centre-ville de la commune d’Arivonimamo, ont été réveillés de bon matin par un grand vacarme. Sortis de leur domicile, ils ont été face à un camion encastré dans une maison. Leur inquiétude s’est dissipée en voyant l’accident qui venait de se produire. Selon les informations, le poids lourd sortait d’un garage situé près de la maison détériorée, quand son chauffeur a accidentellement embouti la demeure en question avec son véhicule. Le camionneur a perdu le contrôle de l’engin. À entendre ses explications, le problème vient d’un blocage au niveau de l’accélérateur. Il en est sorti sain et sauf comme toutes les personnes présentes dans la maison endommagée. En effet, aucun mort ni blessé n’a également été constaté. Quoi qu’il en soit, la gendarmerie nationale, et notamment ses éléments travaillant dans la région Itasy, qui est servie par la RN1 (axe réputé dangereux en matière de circulation) a sensibilisé la population à être vigilante. T.M. L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article RNI Arivonimamo : Un camion percute une maison a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Musique : Nanie signe son « comeback » en live
14/06/2021

Nanie n’est pas prête de décrocher son micro. Loin des yeux, loin du cœur. Pas le moins du monde. Pour Nanie, le choix est vite fait. C’est en live sur Facebook qu’elle compte faire son come-back après ces quelques années d’absence sur scène. La chanteuse donne déjà rendez-vous à ses fans et les mélomanes sur sa page le samedi 19 juin à 19h. Du temps où Nanie habitait Madagascar, elle a habitué les passionnés de musique par son style très prisé. Ayant fait ses heures auprès de la crème de la musique malgache, elle a livré des prestations dignes d’une diva. Aujourd’hui encore, Nanie n’a rien perdu de sa prestance, et c’est par ailleurs ce qu’elle offrira une fois de plus aux inconditionnels. Évidemment, le répertoire se fera avec ses tubes à l’instar de « Hiraina », « Tena tia » mais il y aura également des surprises. Pour les amateurs d’ambiance jazzy et bon enfant, le live avec Nanie ne décevra point. Iss Heridiny L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Musique : Nanie signe son « comeback » en live a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea
15/06/2021

Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny fampivondronana ny Barea de Madagascar, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Nanambara ny niainany ny tapany voalohany i Bapasy sy i Tsiry ary i Melvin. Nambaran’izy telo mirahalahy fa mifampitondra toy ny mpirahalahy ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar ao anatin’izao fanomanantena izao. Ho an’i Bapasy, matoa nantsoina dia vonona ary hiadiana ny toerana. “Nahazo tombony tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanazatra vaovao satria nisy zavatra tsy mbola hita ary nahazo traikefa hoentina any amin’ny klioba hilalaovany. Manoro ireo mpilalao efa manana traikefa toa an’i Morel”, hoy izy. Aminy, ny fiarahana tamin’i Caloin, ny asabotsy lasa teo, nambarany fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpilalao rehetra izay mila mahay ny toerana rehetra. Nahafaly ireo mpilalao zokiny ny namalian’ireo mpilalao zandriny, izay ampirisihiny fa mendrika ny hanana ny toerany ao amin’ny ekipam-pirenena fa tsy ho variana amin’ny anarana efa mahazatra.Tsy nanafina kosa i Tsiry fa nahitany zava-baovao ny niatrehany ny fampivondronana tao amin’ny Barea. “Ilay fiarahana na “tandem”, izany no hitako tsy ampy raha iny lalao tamin’ny asabotsy iny”, hoy i Tsiry.Raha ho an’i Melvin Adrien, mpiandry tsatoby indray, nilaza ny tovolahy fa miray saina tsara izy sy i Nina ary i Mathias ary samy manana andraikitra hiaro ny voninahi-pirenena. “Fitsapana ny tamin’ny asabotsy ka miezaka maneho ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Toy ny fianakaviana ny Barea ka mifanoro sy mifampizara traikefa”, hoy izy. Torcelin L’article Kitra – Mifandray toy ny mpirahalahy ny Barea a été récupéré chez Newsmada.