Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

News - Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

News - Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.

Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.

Vonjy 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 01/08/2019

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina : ahina mbola hihena ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy

Ho raikitra ihany ve ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna amin’ity taona ity? Andrasana ny fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana amin’ity herinandro ity na amin’ny herinandro ambony io.Mbola mahabe adihevitra etsy sy eroa ny amin’ny lisitry ny mpifidy, ohatra; eny, na eo aza ny hoe fanatsarana ataon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny fikitihana ny lisi-pifidianana amin’izany, fa fanaovana “lisitra mena”: fanakanana ireo mpifidy miverimberina ny anarana tsy hifidy mihoatra ny indray mandeha.Hilamina àry ve ny amin’izay lisi-pifidianana izay? Anisan’ny nampihena be ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ohatra,  izay. Ahina mbola hampihena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy koa izao fanjavozavoan’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izao: hatao amin’ity taona ity ihany sa tsia? Misy ny alaim-panahy hanombana fa kajikajy sy paipaika politika no antony; eny, na hoe ho voahaja ihany aza ny fe-potoana hanatontosana azy.Tsy hitan’ny vahoaka ifotony izay fiovam-piainanaAnisan’ny fifidianana akaiky ny vahoaka indrindra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, miantoka ny fampandrosoana ifotony mivantana. Na izany aza, toa tsy rototra firy amin’izany ny maro: sempotry ny fiainana andavanandro mandavantaona? Saika ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily no tena be adihevitra ny amin’ny tokony hanemorana na tsia izay fifidianana izay. Toy izany koa ny amin’ny tsara hikitihana na tsia ny lisi-pifidianana, ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana…Tsy mahatsapa na tsy resy lahatra firy izay fiovam-piainana amin’izay mpitondra na olom-boafidy ny ifotony ny vahoaka? Tsy hita rahateo izay hoe fitsinjaram-pahefana tena izy amin’ny fampandrosoana mivantana eny ifotony: ny enti-manana, ny fahaiza-manao… Eny, na misy aza ny ezaka amin’ny karazam-piofanana etsy sy eroa. Hisy àry ve ny fiovana sy fanovana, raha hoe hatao ihany ny fanavaozana ny amin’izany mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna?Na ahoana na ahoana, mila hetsehina indray ny risi-pon’ny vahoaka ifotony amin’ny fahatokisany ny mpitondra. Eo koa ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana amin’ny maha olom-pirenena azy. Anisan’ny azo anombanana izany izay ho taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ny fifidianana, na mbola mampanahy be ihany aza. Ho hita eo…R.Nd.L’article Fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina : ahina mbola hihena ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «THB ligue des champions»: resin’ny 3FB Atsimo Andrefana ny AS Jet Mada

Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny andro fahefatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “THB ligue des champions”. Resin’ny 3FB Atsimo Andrefana mantsy ny AS Jet Mada Itasy.Taorian’ny nandresen’ny 3FB Atsimo Andrefana ny Cnaps Sport, teo amin’ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB ligue des champions”, taranja baolina kitra, mbola nanilika ny AS Jet Mada indray izy ireo, teo amin’ny andro fahefatra. Fihaonana notanterahina, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tsy nisy nanampo ny vokatra satria noheverina fa tsy hahatohitra ny ekipan’ny Jet Mada, efa zatra milalao etsy Mahamasina, ny zanak’Androy. Nahazo isa 3 indray izany ny 3FB, taorian’ity fandreseny ity. Manomboka manalavitra ny AS Jet Mada Itasy kosa ny ho tompondakan’i Madagasikara.Tsy nampoizina ihany koa ny voka-dalao, tany amin’ny kianjan’Ampasambazaha Fianarantsoa, satria voatazon’ny FC Ilakaka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Fosa Jr Boeny. Tsy nahita mangirana teo anatrehan’ny mpilalaon’Ihorombe mihitsy ry Baggio sy ry Santatra. Niady ny lalao ary samy nanana “occasion” tokony hamonoana baolina avokoa ny andaniny sy ny ankilany.Lavon’ny AS Adema Analamanga, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo an-jaridainany, koa ny Zanakala FC. Efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ny seranam-piaramanidina Ivato, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, vao nahafaty ny baolina tokana ho azy ny Zanakala FC. Niezaka nanindry ihany ny mpilalaon’ny Zanakala, saingy nahay ny mpiandry tsatobin’ny Adema.Teny Vontovorona indray, resin’ny Cnaps Sport, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, ny Ajesaia Bongolava. Tompondaka L’article Kitra – «THB ligue des champions»: resin’ny 3FB Atsimo Andrefana ny AS Jet Mada a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tontolo politika:  tsy mazava ny fototra sy ny anton’ny fanoherana

Hanao ahoana ihany ny amin’izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny  Antenimierampirenena? Mbola mahabe adihevitra. Mandra-pitrangan’izay hitranga, andrasana izay ho vokatry ny fandinihan’ny Antenimiera roa tonta ny tolo-dalàna momba ny satan’ny mpanohitra.Na izany aza: nambaran’ny Tim, izay efa nilaza ho lehiben’ny mpanohitra, fa momba ny fanoherana eny anivon’ny Antenimierampirenena ihany io tolo-dalàna momba ny satan’ny mpanpohitra io. Ho hita eo… Na ahoana na ahoana, miharihary fa tsy mety hitovy ny fijery ny amin’izay lehiben’ny mpanohitra izay.Ny lalàna no tsy mazava? Na tsy misy didy fampiharana, ka samy mandrirotra amin’izay mahametimety azy. Nilaza, ohatra, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, fa: “Mba ho marin-pototra ny lalàna, aoka isika tsy hanilika fa hivelatra eo amin’ny adihevitra. Hanatsarana ny firenena izany, ary fototry ny demokrasia”. Mila fakan-kevitry ny antoko politika rehetra izany.“Moa ve tsy maintsy solombavambahoaka sa mety ho olona avy ety ivelany? Izay no tena fototry ny adihevitra”, hoy kosa, ohatra, ny mpahay lalàna sady loholona, Rakotomanana Honoré, ny amin’izay hoe lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena izay.Mila mazava ny foto-kevitra, ny vinam-piarahamonina… Inona no toherina, raha mazava fa ny mpitondra no toherin’ny mpanohitra na izay tsy eo amin’ny fitondrana. Izay hoe tsy maha eo amin’ny fitondrana izay no anton’ny fanoherana na maha mpanohitra? Amin’izany, tsy misy resaka firy ny amin’izay foto-kevitra na ideolojia, izay vinam-piarahamonina, izay fandaharanasa… Toerana no tsy mampitovy fijery ny amin’izay hoe fanoherana izay amin’izao?Tsy mazava rahateo tsinona izay tena foto-kevitra sy vinam-piarahamonina ary fandaharanasa, ohatra, eo amin’ireo ankamaroan’ireo antoko hoe mpanohitra? Hany ka tsy mazava na tsy misy antony be ihany koa ny hoe hanoherana ny fitondrana, fa arakaraka ny toerana misy ny tena fotsiny.Hampisy fitoniana ho amin’ny fahazoana manao asa fampandrosoana ve ny fanoherana  amin’izany rehetra izany? Mba ho fanoherana ho amin’ny fanorenana amin’izay… Tena mila fanovana ny fomba fanaovana politika? Raha mijoro ny mpanohitra,  inona amin’izao fitondrana izao, ohatra, no toheriny: foto-kevitra, vinam-pirahamonina, fandaharanasa… ?R.Nd.L’article Tontolo politika:  tsy mazava ny fototra sy ny anton’ny fanoherana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Praiminisitra Ntsay Christian: « Maka lesona tamin’ny fifidianana ny governemanta » 

Namoaka ny heviny, taorian’ny fahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Niaiky ny tenany fa misy azo tsoahina manoloana izany. « Tsy maintsy maka lesona ny governemanta amin’ireny trangan-javatra tamin’ny fifidianana ireny. Eo koa ny fanadihadiana ireo tatitra nataon’ireo mpanara-maso fifidianana, na ny avy any ivelany izany na ny avy eto an-toerana. » Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Anosy, omaly, momba ireo trangan-javatra nahatonga fitarainana tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, natao ny 7 novambra lasa teo. Miroso amin’ny zotra famoahana ny voka-pifidianana eo amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) isika amin’izao fotoana izao. « Ao anatin’izany, efa mandinika sahady izahay ny amin’izay tokony hohatsaraina amin’ny lafin-javatra miankina amin’ny governemanta amin’ny fifidianana », hoy izy. Nanampy ny Ceni hatrany ny governemanta Tsotra ny zava-misy, tao anatin’ny zotram-pifidianana nanomanana iny fihodinana voalohany iny: nandray andraikitra amin’izay fanampiana rehetra azo atao ho an’ny Ceni ny governemanta. Natao tamin’izany koa ny famelana ny rehetra amin’izay azo atao hahazoana mitondra vahaolana amin’ireo trangan-javatra voalazan’ny kandidà maromaro na izy rehetra momba ny fanomanana ny fifidianana, napetraka teo ambany fitantanan’ny Ceni. Ny Ceni no tomponandraikitra voalohany amin’izay lafin-javatra izay. R. Nd.L’article Praiminisitra Ntsay Christian: « Maka lesona tamin’ny fifidianana ny governemanta »  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fanajana ny kolontsaina malagasy: nahazo fampitandremana i Zukkie Kardinnal

Raha ny vaovao niely tao anatina tambajotran-tserasera maro, omaly, nahazo taratasy fampitandremana avy any amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ilay mpanakanto mpihira Zukkie Kardinnal, noho ilay sanganasany mitondra ny lohateny « Sambôra amin’ny bongany ». Anisan’ny antony nanaovan’ny tompon’andraikitra izany ny fahitana fa tsy mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ny tononkira sy ny sary (rindrantsary) miaraka aminy. Fantatra fa esorina any anatin’ireo sehatra rehetra ahitana azy (facebook, Youtube, …) ity rindrantsary ity.Notsiahivin’ny tompon’andraikitra tao anatin’izany taratasy fampitandremana izany ihany koa ireo lalàna mifehy mila arahina amin’ny famoahana zavatra kanto tahaka izao mba tsy hanohintohina ny soatoavina malagasy. Nampahafantarin’ny tompon’andraikitra ihany koa ny sazy mety ho azon’izay minia mandika lalana.Nanangona : HaRy R.L’article Tsy fanajana ny kolontsaina malagasy: nahazo fampitandremana i Zukkie Kardinnal a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fivoriamben’ny firenena mikambana :: Ampitain-davitra ny kabary hataon’ireo Filoha

Hiavaka tsy tahaka ny mahazatra hatramin’izay ny fivoriambe faha-75 an’ny Firenena Mikambana (NU), manomboka anio, any New-York (Etazonia). « Hatao amin’ny alalan’ny tafatafa mivantana amin’ny fahitalavitra (visioconference) ny fifanakalozana sy ny kabary mandritra ny fivoriana », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny NU, omaly. Efa atao rakitsary mialoha ary halefa mandritra ny fivoriana hatrehan’ny besinimaro amin’ny alalan’ny « visioconference », manomboka amin’ ny 22 septambra 2020, ireo kabary. Isan’ireo handray anjara amin’izany ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Mbola tsy voafaritra anefa ny fotoana handefasana an’io fandraisam-pitenenana io », araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy. Voalaza fa mety ho tafiditra ao anatin’ny kabariny ny fitakiana ny famerenana amin’i Madagasikata an’ireo nosikely manodidina na « Iles éparse », ankoatra ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. L’article Fivoriamben’ny firenena mikambana :: Ampitain-davitra ny kabary hataon’ireo Filoha est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Fanatsarana ny fanaovam-baksiny: manara-penitra ny vata fampangatsiahana 130 

Nanolotra vata fampangatsiahana miisa 130 mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny  sampan-draharahan’ny fandaharanasa misahana ny vaksiny (Dpev) ny banky iraisam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Salama Anosiala. Haparitaka amin’ireo tobim-pahasalamana CSB sy hopitaly  amin’ny distrika 15, indrindra ireo tsy mbola manana herinaratra ireo vata fampangatsiahana hahafahana mitahiry ireo vaksiny. Tanjona ny hahazoana vaksiny tsara kalitao manaraka ny fepetra fitahirizana ho tena mahomby amin’ny fiarovana ireo zaza amin’ny aretina maro. Hisitraka izany vata fampangatsiahana vaovao izany ny any Alaotra Mangoro, Bongolava, Analamanga, vakinankaratra ary Itasy.Misy ny fanaraha-maso ara-teknika hatao amin’ireo fitaovana hampaharitra azy ho azo ampiasaina hatrany, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Rasolofomalala Gaetan Duval.Sady miaro ny tontolo iainana no mampihena ny fandaniana ny fampiasana ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ny tobim-pahasalamana toy izao. Fitaovana avo lenta sy manaraka ny fenitra takin’ny fahasalamam-bahoaka rahateo izany.Tatiana AL’article Fanatsarana ny fanaovam-baksiny: manara-penitra ny vata fampangatsiahana 130  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsarana misahana ny kaonty: maro ny fepetra tokony hahitsin’ny Base Toliara

Nanao fifanarahana fiaraha-miasa ny rafi-pitsarana momba ny kaonty sy ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena OSC, miisa 16, ny volana marsa 2020 teo. Fiaraha-miasa voalohany natao ny fanadihadiana ny tetikasa Base Toliara.Nivoaka, omaly, ny fanadihadiana ny tetikasa Base Toliara, nataon’ny rafitra Fitsarana momba ny kaonty. Voakasik’izany ny fanomezana fahazoan-dalana amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny fanamarinana ny fiarovana ny tontolo iainana. Voalohany, fantatra fa tsy nanaja ny fomba sy ny fitsipika voalazan’ny lalàna ny Base Toliara, ny fahazoan-dalana nomena azy, ny lah.39130, nomena ny 22 marsa 2012, nomen’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Faharoa, atahorana koa ny fandalovan’ny lalana ilaina amin’ny fitrandrahana any amin’ny faritra arovana. Fahatelo, tsy notoavina ny zo araka ny fananan-tany an’ireo mponina mpampiasa ny tany efa hatry ny ela. Tsindrina amin’izany ny fifanarahana sy ny fampanofana tany ary koa ny fanomezana alalana ny tetikasa ampiasana ny tany. Tokony hotsinjovina ny zon’ny mponina any ifotony mikasika ny fananany, natao ampiasana amin’ny raharaham-panjakana na tsia. Ary fahefatra, tsy lavorary ny paikady nakana ny hevitry ny vahoaka, nandritra ny fanadihadiana mikasika ny tontolo iainana, nataon’ny ONE.Tsy nahitana helokaEtsy ankilany, manaiky ary tsy mitsipaka ity tetikasa ity ny mponina any ifotony, nohadihadina, saingy mangataka ny hijerena bebe kokoa ny lafiny sosialy. Toy ny rano madio fisotro, ny kianja, ny fahasalamana, sns. Manoloana ireo, manamarika ny filohan’ny Fitsarana momba ny kaonty, Rakotondramihamina Jean de Dieu, fa tsy nahita fandikan-dalàna mikasika ny heloka tamin’izao fanadihadiana izao. Araka izany, fanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny nataony, hanintsiana izay lesoka. Voakasik’izany ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny minisitera misahana ny Fananan-tany, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ONE.Anisan’ny takin’ny fanadihadiana koa ny hampandraisana anjara ny fiarahamonim-pirenena (OSC), amin’ny fifampidinihana samihafa.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fitsarana misahana ny kaonty: maro ny fepetra tokony hahitsin’ny Base Toliara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitantanana sy ny asa: eny amin’ny fitsarana ny raharaha momba ny ACM

Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny tohin’ny raharaha nahavoarohirohy mpiasa iray eo anivon’ny Aviation civil de Madagascar (ACM) kanefa nahavoasaringotra olona hatrany amin’ny 40. Efa nandalo teny amin’ny Bianco izany mialoha izao hiakarany fitsarana izao.  Anisan’ny anton’izany ny fitantanana mitanila sy manilikilika ireo mpiasa havanana amin’ny asany. Nahatonga azy ireo nanao fitarainana. Nambaran’ny loharanom-baovao fa eo koa ny momba ilay tale iray handeha tsy ho ela hisotro ronono kanefa tratry ny antsojay nanomboka ny volana septambra teo. Noterena haka “congé” ary nosoloina hatramin’ny fanalahidin’ny biraony tsy hahafahany miditra intsony. Nanendrena olon-kafa ny fisahanana ny andraikiny.Intelo niakatra teny amin’ny fitsirihana asaEfa intelo niakatra teny anivon’ny fitsirihana asa ny raharaha kanefa mbola tsy nahitam-bahaolana ary hiverina eny indray anio. Manampy izany ny fangataham-panazavan’ny filankevi-pitantanana amin’ny tale jeneraly ny fizotry ny asa aman-draharahan’ny ACM nandritra ity taona ity. Ny filankevi-pitantanana izay tokony hakana hevitra rehefa hanondro tale jeneraly. Rehefa hanala kosa, tsy mba hakana hevitra. “Afaka maneho ny heviny ihany izy ireo amin’ny fomba fiasan’ny mpanatanteraka raha toa ka mahafa-po na tsy mahafa-po, saingy anjaran’ny minisitry ny Fitaterana, mpiahy azy ireo, sy ny ambaratongam-pahefana eo amboniny ny maka fanapahan-kevitra”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Razafy Robert.Synèse R.L’article Fitantanana sy ny asa: eny amin’ny fitsarana ny raharaha momba ny ACM a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Ahiahy Famonoan-tena :: Miaramila voan’ny bala tamin’ ny lohany teny Ambohimitsimbina

Miaramila iray, vao 19 taona, no hita faty tao amin’ny lakaly fitoeran’ny mpiambina teny amin’ny trano misy an’ireo fitaovana teknika mampita sary sy feo an’ny fahitalavitra sy onjam-peom-pirenena eny Ambohimitsimbina, afak’ omaly alina. Teo aminy ny basiny “kalachnikov”.Ahiana ho nitifi-tena izy raha ny petrakevitra voalohany avy amin’ ireo mpanao famotorana. “Nikaton-trano irery tao amin’ny lakaly io miaramila io, tokony ho amin’ny 7 ora hariva. Rehefa nojerena dia hita fa maty voatifitra izy. Vaky tamin’ny fidiran’ny bala mihitsy ny handriny. Namono tena izy raha ny fijery azy satria tsy nisy olon-kafa tao. Ny basiny kalachnikov ihany no mety ho nitifirany ny tenany. Tsy fantatra kosa izay antony”, hoy ireo mpitandro filaminana tonga teny Ambohimitsimbina. Fitadiavana porofo Tonga nijery ny razana teny Ambohimitsimbina ny talen’ ny angom-baovao ao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika sy ny mpitsabo avy eny amin’ny hopitaly Soavinandriana, afak’omaly alina ihany.Nalain’ izy ireo ny razana, taorian’izay, ary naterina eny amin’ny hopitaly Soavinandriana mba hanaovana fitsi-rihana. Miasa eny amin’ny toby miaramila rezimanta voalohany Jenia eny Ampahibe ity miaramila ity, saingy voatendry hiambina ireo fotodrafitrasa sy fitaovana stratejika eny Ambohimitsimbina. Monina eny Tanjombato izy, araka ny fitantaran’ireo mpiara-miasa taminy. Misy ny famotorana ataon’ ny zandarimaria eny amin’ny tobim-paritra Betongolo momba izao tranga izao. Milaza ho tsy mbola manana porofo mikasika ny amin’ny mety ho famonoan-tena na antony hafa tamin’izao fahafatesan’ itsy miaramila itsy ireo mpanao famotorana, hatramin’ ny omaly hariva. L’article Ahiahy Famonoan-tena :: Miaramila voan’ny bala tamin’ ny lohany teny Ambohimitsimbina est apparu en premier sur AoRaha.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Ambositra – Imady Ala : Etat lamentable de la route
24/11/2020

La Gouverneur sur le terrain. Avec l’arrivée imminente de la saison des pluies, le mauvais état des routes risque de créer des surprises désagréables pour les usagers déjà affectés par l’effritement continu de leur pouvoir d’achat. Près de 80% des routes qui desservent la région Amoron’i Mania sont des routes secondaires et la majorité d’entre elles se trouve dans un état de dégradation avancée. Voulant constater de visu la situation sur le terrain, Aline Mamiarisoa, gouverneur de la région Amoron’i Mania, nouvellement nommée, a effectué, le weekend dernier, une descente sur place et foulé la route reliant Ambositra à Imady Ala, d’une distance de 12km. Un tronçon de route qui ne cesse de faire parler de lui, vu son état. Saisissant l’occasion de cette visite de madame le gouverneur, la population riveraine et les usagers n’ont pas manqué d’exprimer leur vif souhait : celui de voir enfin cette portion de route réhabilitée dans les plus brefs délais, afin de ne pas aggraver la situation. Et pourquoi pas une route en pavés. L’avenir le dira. En attendant une issue favorable à leur requête, les usagers de cette route n’ont d’autres choix que de prendre leur mal en patience. Anastase L’article Ambositra – Imady Ala : Etat lamentable de la route est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Ambositra – Imady Ala : Etat lamentable de la route a été récupéré chez Midi Madagasikara.

RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana »
20/11/2020

Mitondra zava-baovao hatrany ny mpikarakara ! Tao anatin’ny taona maro nisiany, tany anaty efitrano no nanatontosana ny ankamaroan’ny fandaharam-potoana tontosaina mandritra ny « Rencontres du film court » na ny RFC. Amin’izao andiany faha-15 izao, niova sy nohatevenina izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rozifilms sy ny orinasa Orange Madagascar ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hisy ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ». Niombom-peo ny telo tonta fa ilaina ny fampanatonana ny sarimihetsika ho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Halefa any anivon’ny boriborintany eto Antananarivo Renivohitra ireo sarimihetsika sasany mandray anjara amin’ity EFC andiany faha-15 ity mba hahafahan’ny Malagasy miaina sy mahafantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatrehin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Goavana rahateo ny lohahevitra nofidin’ny tompon’andraikitra satria mifandraika amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanabeazana maha olona. Afaka hampitana hafatra haingana sy mahomby ihany koa ny sarimihetsika ka mora raisin’ny olona ny zava-boalaza sy asehony. Ny 21 novambra ao amin’ny EPP Antanimena I sy ny 22 novambra izao, eny amin’ny EPP Manjakaray II B, samy amin’ny 5 ora sy sasany hariva no handefasana ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ».Marihina fa, anio, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva no hanokafana ny fifaninanana sy ny fanentanana ao anatin’ny “Rencontres du films court” andiany faha-15.HaRy Razafindrakoto L’article RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana » a été récupéré chez Newsmada.

Startimes : Des innovations et des nouvelles chaînes pour les fêtes de fin d’année
24/11/2020

A l’approche des fêtes de fin d’année, les opérateurs de télévision payante rivalisent de créativité pour satisfaire leurs abonnés. C’est le cas notamment pour Startimes qui lance actuellement de nouveaux produits et services. Nouveau contexte. « La fin d’année est une période durant laquelle les petites choses prennent une autre dimension, par exemple regarder un film avec ses enfants. Et c’est encore plus vrai cette année, nous allons chérir ces moments encore plus. Toute cette année, nous avons cherché à enrichir nos bouquets avec des programmes différents et de qualité afin d’informer et de divertir tous ceux qui passaient beaucoup de temps chez eux », a annoncé Joyce Zafera, responsable communication et relations publiques de Startimes, lors d’une conférence de presse. Une manière en somme de s’adapter au nouveau contexte marqué par les restrictions sanitaires. « Cette année, le monde est entré dans une nouvelle normalité dans laquelle on porte des masques dans la rue et on regarde à la télévision des joueurs de football s’affronter dans des stades vides. Alors que Noël approche, chacun accepte progressivement le fait que les choses ont changé et qu’elles ne reviendront plus comme avant. Et ce n’est pas une mauvaise chose, car la transformation numérique de nos vies s’est accélérée. Du travail aux loisirs, des achats à la santé, les innovations numériques ont été nombreuses » selon toujours Startimes qui a donc innové en conséquence pour s’adapter à cette transformation Nouvelles chaines. Et ce, à travers l’optimisation de ses services. « Nous avons optimisé notre application de streaming Startimes ON pour rendre l’information et le divertissement plus facilement accessible aux utilisateurs de Smartphones. Grâce à la promotion « 1 à 3 » qui permet à chaque abonné de nos bouquets de bénéficier de trois comptes Startimes ON VIP, gratuitement, et grâce à la politique de paiement flexible qui permet de recharger quotidiennement, hebdomadairement ou mensuellement, Startimes offre aux familles la possibilité de profiter de programmes de télévision selon leurs besoins et moyens ». De nouvelles chaînes sont par ailleurs lancées. « Les amateurs de séries et films ont été ravis de pouvoir regarder des chaînes inédites en Afrique, Warner TV, ST Afro TV, ST Nollywood F. Ils vont également pouvoir savourer des télénovelas de premier choix telles que L’amour illimité, les Sœurs de sang ou Double Kara. Avec les chaînes ID, Discovery Science, NGC F et NGW F, les amateurs de découvertes, de science et de crimes ont été comblés tandis que les enfants ont pu découvrir la chaîne Toonami. Enfin, les mélomanes se sont réjouis de l’arrivée de la chaîne Melody d’Afrique ». En matière de sport, Startimes a ajouté deux chaînes ESPN qui diffusent aussi bien la NBA que les championnats de football américain, turc et néerlandais. L’entreprise a également acquis les droits de retransmission de La Liga, offrant ainsi à ses fans l’intégralité des matchs d’un des meilleurs championnats européens, en direct et en HD. Startimes a également lancé la retransmission de la Ligue des nations UEFA qui voit les meilleures équipes nationales européennes rivaliser les unes avec les autres. Et Startimes poursuit la diffusion de grandes compétitions telles que la Ligue Europa et de trois coupes nationales, les Coupes d’Angleterre, d’Espagne et d’Italie. Par ailleurs, Startimes GO, la nouvelle plateforme de shopping en ligne de Startimes a elle aussi été saluée. « Lancée au printemps, ce service d’achat télévisé, téléphonique et en ligne est devenu indispensable à de nombreux foyers pendant la pandémie. Proposant des promotions sur des produits électroniques et du quotidien, Startimes GO a rendu le commerce en ligne pratique et avantageux. Nombre de personnes qui n’avaient jamais acheté en ligne avant la pandémie ont trouvé à travers cette plateforme le moyen d’équiper leur foyer avec des produits utiles et bon marché tout en restant en sécurité chez eux ». Des promotions sont également disponibles sur les différents bouquets Startimes. R.Edmond L’article Startimes : Des innovations et des nouvelles chaînes pour les fêtes de fin d’année est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Startimes : Des innovations et des nouvelles chaînes pour les fêtes de fin d’année a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fitokanan’ny filoha Rajoelina ny LMOI: hitobaka ny lafarina, tsy hiakatra ny vidin’ny mofodipaina
19/11/2020

Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny indostria sady ao anatin’ny velirano. Mandray anjara tanteraka amin’ny fampandrosoana amin’izany ny LMOI ao Toamasina, notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, omaly.Manafatra lafarina 250 000 taonina/taona i Madagasikara. Afaka mamokatra lafarina eto isika, manomboka izao, ary tanjona ny hanodinana ny zavatra rehetra ilain’ny Malagasy eto an-toerana, araka ny nambaran’ny filoha. « Tokony hidina 15% ny vidiny manomboka izao », hoy izy.Fitsanganan’ny orinasa maromaroTafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny indostria izao fitokanana ny LMOI izao. Efatra ireo orinasa tafatsangana tamin’ity taona 2020 ity. Ao anatin’izany ny Orinasa mpanao paty (pate alimentaire), ny orinasa Sasm mpanao siramamy ao Brickaville, ny LMOI ary ny nanorenan’ny fanjakana ny Pharmalagasy.Anisan’ny orinasa lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary manara-penitra ity ozinina ity. « Manampy sy manosika ny mpandraharaha ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Mitondra tombontsoa toekarena ho an’ny faritra Atsinanana sy ho an’i Madagasikara ny LMOI », hoy ihany ny filoha.Vita eto an-toerana ny lafarinaNambaran’ny mpitantana fa mamokatra lafarina 500 t isan’andro ary hahatratra 1 200 t isan’andro izy ireo amin’ny taona 2021. Mbola manafatra varimbazaha karazany roa ny orinasa ka fanaovana mofo dipaina sy ho an’ny karazana mofo hafa izany.Nanambara kosa ny minisitry ny Varotra, Rakotomalala Lantosoa, fa hamahana ny olan’ny fahavitantena sakafo ny fampiroboroboana ny indostria. « Tsy tokony hiakatra ny vidin’ny mofodipaina satria efa vita eto an-toerana ny lafarina. Nifanarahana amin’ny « Association des boulangères » sy ny tompon’ny orinasa izany », hoy izy.Synèse R.L’article Fitokanan’ny filoha Rajoelina ny LMOI: hitobaka ny lafarina, tsy hiakatra ny vidin’ny mofodipaina a été récupéré chez Newsmada.

Basikety-Ekipa nasionaly: nahazo fanamiana avy amin’ny Telma
18/11/2020

Tsy ny taranja baolina kitra ihany fa eo koa ny basikety tohanan’ny Telma. Nahazo fanamiana avy amin’ity orinasa misehatra amin’ny serasera ity ny ekipam-pirenena hiatrika ny Afrobasket 2021 any Kigali Rwanda.Nanao tohivakana, nanomboka ny faran’ny herinandro teo, ny fanohanana ataon’ireo malala-tanana, ny ekipa nasionaly, taranja basikety, izay manoman-tena amin’ny fiatrehana ny lalao fifanintsanan’ny Afrobasket 2021. Ny fiandohan’ity herinandro ity, tonga nitsidika ireo mpilalao izay nanatanteraka fanazaran-tena teny Ankorondrano ny avy eo anivon’ny Telma. Nahazo fanamiana ity ekipa nasionaly ity nandritra izany. Tsiahivina fa hanainga afaka 4 hihazo an’i Kigali Rwanda ny delegasiona malagasy. Raha ny nambaran’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly, 16 mirahalahy, hatreto, ny fantatra fa mandrafitra ny ekipa, saingy mety mbola hisy fiovana izany mialoha ny tena hiaingana. Etsy ankilany, mitohy ary mihamatotra hatrany ny fanomanan-tena ho an’ny ekipa nasionaly. Misy hatrany ny lalao ara-pirahalahiana ataon’izy ireo amin’ny ekipa goavana eto an-toerana ary manara-maso akaiky ny mpanazatra. Marihina, Tonizia, Centrafrique ary ny RD Congo ny miray vondrona amin’i Madagasikara, ary ny 25 hatramin’ny 29 novambra izao ny hanatanterahana ny fifaninanana ho an’ny “fenêtre 1”. Amin’ny volana febroary 2021 kosa ny hanaovana ny “fenêtre 2” ka hahafantarana izay hisolo tena ny vondrona misy ny Malagasy. Mi.RazL’article Basikety-Ekipa nasionaly: nahazo fanamiana avy amin’ny Telma a été récupéré chez Newsmada.

Izay tsy mandroso, mihemotra… 
24/11/2020

 Mitohy hatrany ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19; eny, na toa somary mangingina ratsy aza izany na tsy mampiraika intsony ny maro. Misy hatrany, ohatra, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus, ny mamoy ny ainy, ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Misy ihany koa ny marary sitrana ary tsy mamindra intsony.Efa samy difotry ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ny maro amin’izao. Eo, ohatra, ny fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra ny vary. Miara-dalana amin’izany ny fanahiana ny taom-pamokarana ny taona ho avy fa manahirana be ihany ny amin’ny fiavian’ny orana. Na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza, sarotra sy mafy. Ho maitso ve ny ahitra raha tsy misy orana?Manampy trotraka izany rehetra izany, tsy maintsy atrehina ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Himasoana sy hotanterahina amin’izay ny tena vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Raharaha be koa ny amin’ny firongatry ny fanolanana sy ny fanaovana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, izay fahalovana mikiky ny aim-pirenena.Mbola tsy mahafa-bela koa ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny vahoaka amin’ny  faritra sasany, indrindra any amin’izay heverina ho lavitra fanjakana. Toa tsy misy afa-tsy olana na fahasahiranana no mavesa-danja, mibahan-toerana, talaky maso… Izany no mampiaka-peo ny mpanohitra sasany fa tsy misy inona mandeha eto na tsy misy inona hoe miova?Tsy miala amin’ny olombelona ny fahasahiranana sy ny olana. Raha tsy izany, tsy fiainana. Izay efa mety na tsara, itadiavana sy iadiana ny tsaratsara kokoa hatrany. Lozan’izay tsy mahita sy tsy mijery afa-tsy ny lafiratsin-javatra? Mitsikera, manaratsy, manakivy, mankahala, manakorontana aza. Na hoe manolo-kevitra aza, mety mamitaka fa mitady sy miady izay ho azy.Inona ny hatao? Misy ny mitady ho kivy nefa fomban’ny tsy afaka amin’izay kendreny sy ataony ny manakivy. Irosoana izay efa nanapa-kevitra, nifanarahana, natomboka. Ho hita eo tokoa… Na voa na mahavoa? Izay tsy mandroso, mihemotra.Rafaly Nd.L’article Izay tsy mandroso, mihemotra…  a été récupéré chez Newsmada.

Semipi: tsara ny voka-panadinana bakalorea
24/11/2020

« Mahatsiaro ny tanàna nahabe ». Io ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, raha nitsidika ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ny alahady 22 novambra 2020 tany Fianarantsoa. Nijery ny fanavaozana ny fotodrafitrasa entina manatsara ny andavanandron’ny mpianatra ao amin’ny sekoly ny MDN. Nambarany fa nahafapo ny vokatra azon’ny sekoly tamin’ny fanadinana bakalorea farany teo ka nisaotra manokana ny kaomandin’ny sekoly, ny Kly Rafidison, izy. Niarahaba manokana ireo afa-panadinana koa ny izy sady nankahery ireo mpianatra hitozo hatrany ny fianarana. Nandritra ny fandalovany tany an-toerana, nisy ny fihaonany amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao Matsiatra Ambony sy ireo OMC. Nanatrika ny fivoriana koa ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Raharinirina Baomihavotse Vahinala, sy ny masoivohon’ny firenena Soisa eto Madagasikara, i Chasper Sarott. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny lafiny tsy fahampian-drano noho ny fiovaovan’ny tontolo iainana sy ny fisian’ny doro tanety. Ankoatra izany, nihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana noho ny ezaka nataon’ireo miaramila mampandry tany ka nahafanana nanangona basy tsy ara-dalàna, indrindra ny tao amin’ny distrikan’Isandra, araka ny nambaran’ny MDN.Jean ClaudeL’article Semipi: tsara ny voka-panadinana bakalorea a été récupéré chez Newsmada.

CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato
19/11/2020

Fanamorana ny fahazoana trano fonenana. Tontosa ny 19 novambra 2O2O teny amin’ny « salon de l’habitat » teny amin’ny Forello Tanjombato ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS, ny BNI ary ny ANALOGH. Tafiditra ao anatin’ny paikady entin’ny CNAPS hahazoan’ny mpikambana ao aminy trano fonenana ity fiarahamiasana ity sady ho fanatanterahana ny politakan’ny fahazoana trano fonenana. “Laharam-pamehana ho anay ny fisitrahana ny zo hahazo trano. Anjara birikinay ny hahazoan’ny mpikambana trano. Ny banky manome famatsiam-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambanimbany ary Analogh manao asa fanamboarana”, hoy ny tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy. Nambarany fa mpikambana miisa 12.000 ao amin’ny CNAPS no afaka misitraka ny  trano fonenana an-jatony, eny Lake Village eny Ivato raha sitrak’izy ireo. “Ny CNAPS no manome antoka ny banky fa afaka misitraka izany izy ireo”, hoy izy. Araka ny fanazavany dia 350.000 ny mpikambana ao amin’ny CNAPS afaka omena trano fa samy manana ny vola tokony aloany amin’ny banky. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Analogh  fa manohana ny fandaharan’asa ao anatin’ny vinan’ny Prezidan’ny Repoblika, laharana faha-11 dia fanamorana ny fahazoana trano fonenana mendrika ho an’ny Malagasy ity fiarahamiasa ity. Lynda A. Cet article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CNAPS: Mpikambana 12.000 no afaka misitraka ny trano fonenana eny amin’ny Lake Village Ivato a été récupéré chez Délire Madagascar.

Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s
25/11/2020

Telo taona nilonana tao anaty mozika mafana i Jha’s. Tena ilonany sy ifotorany ankehitriny ny afro beat sy ny reggae. Amytach ny tena anarany fa nasalotra azy fahazaza kosa ny Jha’s ka notazoniny. Azo lazaina ho famaliana babena ny ray aman-dreny ny azy ny fanaovana mozika. “Anisan’ny fanirian’ny mamako, ny hahatonga ahy ho mpanao mozika ka izao tanteraka izao izany”, hoy izy. Efa maro ny sanganasan’i Jha’s ka anisan’izany ny «Tsy kivy», izay rindran-tsary novokarina sy notontosain’i Sylvanno Ratsimandresy. Miparitaka any anaty «You tube» sy ireo tambajotran-tserasera maro izany. Toy ireo mpanakanto rehetra, manana tanjona ny halaza izy. Anisan’ny fanambiny ny ho reharehan’ny zanak’i Nosy be, tanàna nipoirany. Mampiavaka azy ny fandrafetana tononkira manakaiky kokoa ny tanora ary mitarika azy ireo hanana fanantenana amin’ny fiainana. Misokatra amin’ny olon-drehetra i Jha’s, amin’ny fiaraha-miasa. “Tsy mila kivy isika rehetra na mafy aza ny fiainana”, hoy izy. Ho an’izay mitady ho kivy, henoy ilay hirany «Tsy kivy» fa mampisy fanantenana amin’ny fiainana izany, araka ny nambarany. “Mipetraka hatrany ny maha fialamboly ny mozika. Saingy fotoana izao hidirana tanteraka eo amin’ny sehatry ny mahamatihanina eo amin’ity zavakanto iray ity”, hoy i Jha’s.NarilalaL’article Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s a été récupéré chez Newsmada.

Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara
21/11/2020

Nankalazaina, omaly, tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny Andron’ny indostria aty Afrika 2020. Nitarika ny fotoana ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny indostria (Onudi), ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana ary ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Navoitra tamin’ny An­dron’ny indostria aty Afrika ny fifanakalozana malalaka ao anatin’ny fifaninanana, izay misy tse­na mahatratra 3 000 miliara dolara aty Afrika. Mitaky vokatra betsaka avy amina fi­renena isanisany izany, ampy ho an’ny tsena anatiny sy hoentina eo amin’ny tsenan’ny fifanakalozana. Ma­no­hana izay tetikasa misy mangaraharaha mankany amin’izany tolotra izany ny Onudi. Ho an’i Madaga­si­ka­ra, fanamby napetraka ny fa­nomezan-danja ny fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’ny tsena anatiny, koa hampirisihina ny mpanjifa hirona amin’ny vita malagasy. Aorian’izay ny tolotra ho an’ny tsena ivelany hifaninana amin’ny hafa. Mifamatotra ny indostria sy ny varotra ka manafaingana izany ny fampiasana an­govo azo havaozina, ny fidirana amin’ny teknolojia vaovao, ny fiantsoana ny mpampiasa vola mivantana avy any ivelany. Mitombo hatrany ny fampiasam-bola aty Afri­ka ataon’ireo firenen-dehibe, efa nahatratra 49 mi­li­ara dolara tamin’ny 2019, saingy tamin’ity taona ity, nosembanin’ny Covid-19.Indostria iray isaky ny distrika irayNotsiahivin’ny minisitra Ra­kotomalala Lantosoa, fa tsara toerana ny indostria ma­lagasy tamin’ny taon-dasa sady nahazo fanohanana tamin’ny Onudi. Mbola anatin’izay fampiroboroboana ny indostria malagasy izay ny politikan’ny fitondram-panjakana: Indostria iray isaky ny distrika iray. Ankoatra ireo orinasa tafatsangana tamin’ity taona ity, hisy tetikasa fananganana in­dostria iray goavana ma­no­dina ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono any atsimo andrefana, amin’ny taona 2021, vatsin’ ny Bad vola. “Eto Madagasikara, isan-taona, mankalaza ny An­dron’ny indostria aty Afrika, ahafahana manao jery todika ny zava-bita sy hijerena ny ho avy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, sehatra tsy miankina”, hoy ny minisitra Rakotomalala Lan­tosoa. Napetraka ny lo­hahevitra hoe fampandrosoana ny indostria maharitra, manolona ny fisokafan’ny tsena aty Afrika sy fiatrehana ny fandalovan’ny valanaretina coronavirus.R.MathieuL’article Andron’ny indostria aty Afrika : Fanodinam-bokatra eto an-toerana ho an’i Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa Ambatovy: hiverina hisokatra afaka volana vitsy ny fitrandrahana
20/11/2020

Herintaona mahery izao ny nanendrena ny SEM. Higuchi Yoshihiro ho masoivohon’i Japana  hiasa eto Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro. Anisan’ny notsidihiny ny orinasa Ambatovy, satria manana petrabola be indrindra ao ny orinasa japoney, Sumitomo (55%).Fampiasam-bola lehibe indrindra aty Afrika ny tetikasa Ambatovy. Nilaza ny masoivohon’i Japana, miasa eto amintsika, SEM. Higuchi Yoshihiro, fa tsy maintsy atao ny fiaraha-miasan’ny rehetra mba hisian’ny fahombiazana, hisintonana ny mpampiasa vola vahiny hafa ihany koa ho avy aty Madagasikara. Nambarany koa fa amin’ny maha ambasadaoro azy, hiara-kiasa hisy koa ny fiaraha-miasa amin’ny masoivoho hafa, hametraka tontolo tsara hampahomby ity tetikasa goavana iraisam-pirenena ity, ahazoan’ny rehetra tombontsoa, indrindra ny vahoaka Malagasy sy ny governemanta eto an-toerana. Notsiahiviny fa manan-danja lehibe eo amin’ny toekaren’i Madagasikara ny tetikasa Ambatovy, izay manome asa mivantana maherin’ny 9.000, sady mampidi-bola vahiny avy amin’ny fanondranana ny vokatra any ivelany.Manantena ny fanohanan’ny rehetraEtsy an-kilany, nilaza ny filoha lefitra misahana ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny  Tetikasa Ambatovy, i Philippe Beaulne, fa “tsy mbola voafaritra mazava ny hisokafana indray ny orinasa”. Na izany aza, nambarany fa efa miantso tsikelikely ireo mpiasa eto an-toerana sy any ivelany  izy ireo amin’ny fikojakojana ny fitaovana izay tena saro-pady tokoa. Nanome toky kosa anefa izy fa fa hiverina hamokatra afaka volana vitsy, ary manantena ny fanohanan’ny rehetra.Nomarihiny koa fa manodidina ny 220 tapitrisa dolara ny fividian’Ambatovy entana sy fahazoana servisy (tolotrasa) any amin’ireo orinasa eto Madagasikara, toy ny any Toamasina, Moramanga, Antananarivo, sns. Manodidina ny 7.000 isan-taona ny fampiofanana arak’asa omen’ity orinasa ity.Anisan’ny notsidihin’ny ambasadaoro koa ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, vatsin’ny Fiaraha-miasa japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica).SajoL’article Tetikasa Ambatovy: hiverina hisokatra afaka volana vitsy ny fitrandrahana a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina : Un gymnase de 4 000 places opérationnel dans 6 mois
20/11/2020

Le ministre Tinoka Roberto s’est déplacé sur le site devant abriter le nouveau gymnase de Toamasina. A la place de l’ancien stade municipal de Toamasina sera construit un gymnase respectant les normes internationales. Annoncées depuis le début de l’année, mais avec les mesures de confinement, les démarches relatives aux travaux de construction du Gymnase couvert de Toamasina ont pris un peu de retard. Mais avec la descente d’une délégation ministérielle conduite par le ministre de la Jeunesse et des Sports, Tinoka Roberto, dans la ville du Grand port, les choses sérieuses vont pouvoir commencer. Mercredi dernier, le ministre a fait le déplacement au stade municipal de Toamasina, le lieu qui va abriter la nouvelle infrastructure. Un gymnase couvert de 4 000 places sera construit dans le cadre du projet présidentiel et dans l’accomplissement du « Velirano numéro 13 » dédié au sport et à la jeunesse. Celui de faire du sport et de la jeunesse malagasy une fierté nationale. Le ministre a été accompagné du Colonel Raherinjanahary, coordonnateur général des projets (CGP) au sein du département en charge de la jeunesse et des sports. Celui qui est chargé des suivis des projets d’infrastructures sportives dans toute l’île. Toamasina est une ville sportive et les athlètes locaux méritent d’avoir des infrastructures à la hauteur de leurs ambitions. « L’entreprise qui prendra en charge le projet a été déjà notifiée donc je ne vois plus de contrainte qui devrait retarder le début du chantier. Ainsi, les travaux d’aménagement commenceront dès la semaine prochaine. En plus d’un gymnase respectant les normes internationales d’une capacité de 4 000 places avec des parkings, un terrain d’échauffement sera intégré à l’ensemble. Avec cette infrastructure, Toamasina a toutes les chances d’abriter des compétitions pour la 11e édition des Jeux des îles de l’Océan Indien en 2023 dont nous sommes candidat pour l’organisation. Des jeux régionaux qui pourront apporter un plus pour les jeunes et surtout contribuer aux changements de mentalité de la jeunesse », a souligné le ministre Tinoka Roberto. L’entreprise en charge des travaux s’attèle déjà aux installations et à l’implantation du chantier. Et avec le projet « Miami » dont les travaux ont débuté cette semaine, l’ancien stade municipal qui a vu naître des champions du football de la ville de Toamasina sera déplacé ailleurs, mais, en plus moderne avec des pistes en tartan dédiées à l’athlétisme. T.H L’article Toamasina : Un gymnase de 4 000 places opérationnel dans 6 mois est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Toamasina : Un gymnase de 4 000 places opérationnel dans 6 mois a été récupéré chez Midi Madagasikara.