Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly

News - Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly
Sekoly iray anisan’ny nanaporofo ny fahombiazan’ny tetikasa Tafita ny EPP Ambohinambo Talatamaty. Nohazavain’ny talen’ity sekoly ity fa niakatra ny taham-pahaizan’ny ankizy (T2 hatramin’ny T5) kajy sy vakiteny, rehefa nampiharin’ny mpampianatra azy ireo ny paikady vaovao. Tsy inona izany fa ny fanazavana amin’ny alalan’ny fitaovana mora hitan’ny ankizy, nandritra ny ora fanampiny, izany hoe, ankoatra ny tapany maraina efa voarafitry ny fandaharam-pianarana ofisialy.
Nanomboka ny volana mey hatramin’iny volana jolay iny, manomboka amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora ary intelo isan-kerinandro, izany ora fanampiny izany. Ankoatra ny fampiasana fitaovana tsotra sy mora hita, tsy mijanona eo ambony dabilio sy miatrika solaitrabe ny mpianatra fa atao toy ny lalao, miala amin’ny mahazatra, ny fampitana ny fahalalana.
Tetsy ankilan’izay, vokatry ny tetikasa Tafita hatrany, mazava sy mahomby kokoa ny fitantanana ny sekoly. Tsiahivina fa, nanomboka ny taom-pianarana 2016-2017, ny fiaraha-miombon’ezaka ho fanatsarana ny fanabeazana ifotony (Feffi) ny rafitra mitantana ny sekoly (EPP). Demokratika kokoa ity rafitra ity, ahitana « assemblée générale » ka voafidy ny filohany, ny birao maharitra (ahitana mpitambola sy mpanolotsaina) ary ny rafitra mpanara-maso.
Rafetina, mandritra ny fivorian’io « assemblée générale » io, amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana, ireo asa hotanterahina ao amin’ny sekoly. Ho an’ny EPP Ambohinambo, io no nandany ny tokony hanatanterahana ora fanampiny amin’ny fampianarana ka nahazoana izao vokatra tsara izao.
Teo amin’ny fitantanana ny sekoly, mazava sy ampahafantarina ampahibemaso (eo anatrehan’ny ray aman-dreny), toy ny natao omaly teny amin’ny EPP Ambohinambo, ny zava-bita sy ny fandaniam-bola tamin’izany, hatramin’ny mahakasika ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny sekoly.
Nitondra tohana betsaka ny governemanta japoney
Tanjon’ny tetikasa Tafita ny hampitombo ny isan’ny zaza miditra an-tsekoly sy ny famitan’izy ireo hatramin’ny farany ny fianarana, ny hanatsara ny kalitaon’ny fianarana sy ny fitantanana ny sekoly. Manohana teknika ity tetikasa ity ny governemanta japoney, amin’ny alalan’ny antokon-draharaha iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa japoney (Jica).
Misitraka ny tetikasa ny faritra Analamanga sy Amoron’i Mania. Mizara roa ny fanohanan’ny Jica ka voalohany ny fanampiana ny fametrahana ny Feffi, efa tafapetraka amin’ny 99%-n’ny sekoly eto Analamanga ary 100% kosa ny any Amoron’i Mania. Nanampy tamin’ny fanofanana ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ny Japoney.
Nanomboka tamin’ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera ka hatramin’ny mpampianatra. Niompana tamin’ny fitantanana ny fiofanana. Nisy koa ny paikady fampianarana, mahakasika ny famakiana teny malagasy sy ny kajy. Ho tapitra amin’ny volana mey 2020 ny tetikasa Tafita ka anjaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny manohy ireo voka-tsoa avy amin’izany.
Landy R.
L’article Noho ny tetikasa Tafita: nitombo ny fahaizan’ny mpianatra, nahomby ny fitantanana ny sekoly a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
CIGEPS: filoha vehivavy voalohany Rakotozafy Rosa
Tontosa ny 28 sy 29 septambra lasa teo ny fivoriana ara-potoana teo anivon’ny CIGEPS (Le Comité intergouvernemental pour l’éducation physique et le sport). Voafidy tao anatin’ity fivoriana ity ho filohan’ny CIGEPS i Madagasikara, amin’ny alalan-dRakotozafy Rosa, tale Jeneralin’ny spaoro, eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara eto Afrika sy maneran-tany izany, indrindra, Rakotozafy Rosa no vehivavy filoha voalohany, hatramin’ny niforonan’ny CIGEPS, ny taona 1978. Tsiahivina, nisy ny fifanarahana hametrahana an’i Madagasikara ho filohan’ity komity ity ary nifanaraka fa hatao mifandraika amin’ny politikan’ny Unesco mahakasika an’i Afrika, eo ihany koa ny nanaovana ny kandida ho vehivavy dia i Tale Rosa, izay solontenan’i Madagasikara ka izao lany izao. Marihina, firenena 18 ao anatin’ny Unesco ny mandrafitra ny CIGEPS, ivondronan’ireo fikambanana anivon’ny firenena mikambana, ireo federasiona ara-panatanjahantena manan-danja ary ireo ONG. Misehatra eo amin’ny lafiny fanabeazana ara-batana sy ara-panatanjahantena ity komity ity.Nambaran-dRakotozafy Rosa fa tohin’ny kaonferansa voalohany natao teto amintsika, nanaovan’ny minisitra, i Tinoka fanoloran-tena tanteraka ka nahazoan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny tompondakan’ny EPQ (Education Physique de Qualité), ny nahazoana ity toeran’ny filohan’ny CIGEPS ity.Tsara ny manamarika, firenena dimy ahitana an’i Finlande, Japon, Cuba, Tunisie ary i Bulgarie no voafidy ho filoha lefitry ny CIGEPS, nandritra ity fivoriana ara-potoana ity. Mi.Raz L’article CIGEPS: filoha vehivavy voalohany Rakotozafy Rosa a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary
Ravan’ny zandary ny toerana fanamboarana basy ao kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny mpanamboatra ireto fitaovam-piadiana ireto…Basy lava telo efa vita rafitra (iray efa vita sy basim-borona roa tsy misy taratasy) ary basy roa vao an-dalam-pandrafetana ary fanamboarana basy. Ireo ny fitaovana hitan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Isoanala, distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona atao hoe Rata mipetraka ao Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina ambanivohitr’Isoanala, distrikan’i Betroka voalaza fa mpanamboatra sy mpivarotra basy ho an’ny dahalo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka tratra tao avokoa ireo basy rehetra ireo. Nambaran’ny zandary fa tsy tao an-toerana ilay olona voalaza fa mpanamboatra basy fa ny rahalahiny no tratran’ny zandary tao an-trano.Basy Mas 36 iray koa azon’ny zandary tao Ambalamanakana distrikan’Ambositra, ny asabotsy vao mangiran-dratsy teo. Nahazo angom-baovao ny Kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa hoe misy olon-dratsy mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo mitazona basy mahery vaika ao Ambalamanaka. Nihazo ilay toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaompanian’ny zandarimaria Ambositra ka hita tao tokoa ny basy Mas 36 ora. Nogiazana avy hatrany ilay basy ary noraisim-potsiny ilay olona voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fihazonana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nohamafisin’ny zandary fa dimy izay ny basy mahery vaika tratra, tao anatin’ny telo herinandro teo.Jean ClaudeL’article Isoanala – Betroka: trano fanamboarana basy sy basy telo saron’ny zandary a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha
Miantraika amin’ny seha-pamokarana maro ny Coronavirus. Ho fitsimbinana ny tantsaha no nahatonga ny Fofifa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any Maraoka.Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP (Office chérifien des phosphates) any Maroka ary ny Oniversite Mohammed VI Polyteknika any Maroka. Tanjona ny hiarovana ny tantsaha sy ny mponina any ambanivohitra, manoloana ny Coronavirus. Mitentina 87.600.000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny fondation OCP. Miara-miasa amin’ny lafiny teknika ny oniversite Mohamed VI sy ny Fofifa.Nilaza ny tale jeneraly, ny Pr Razafinjara Aimé Lala, fa hisy ny fanentanana ny tantsaha hiadiana ny coronavirus. Omena toromarika izy ireo, ny fepetra hatao hisorohana ny aretina rehefa miasa. Tsy tokony hatao intsony ny mandrora amin’ny zaran’angady rehefa miasa tany ohatra satria mampiely ny otrikaretina. Eo koa ny fandaharana sy fanentanana any amin’ny radio any ambanivohitra. Faritra dimy (Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no hisitraka ity tetikasa ity.Manjaitra arotava sy manamboatra “gel”Nambaran-dRakotoarisoa Jacqueline, tale siantifika Fofifa fa hizarana milina fanjairana koa ny fikambanam-behivavy tantsaha hanamboarana arotava. Eo koa ny kojakoja, toy ny kofehy, ny ravin-damba 110 metatra sns… Ampianarina koa izy ireo hanamboatra tsiranoka fanasan-tanana (gel) sy savony fidiovana.Efa misy ny tetikasa fanaovana saríntany sy fitsirihana nofon-tany ho fanatsarana ny fambolena eto Madagasikara, iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP any Maroka.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fanjarian-tsakafo: namolavola paikady ny mpampianatra
50%-n’ny zaza malagasy 6 ka hatramin’ny 59 volana tratran’ny tsy fahampian-dra avokoa ka ny 30% miseho amin’ny endrika mahery vaika. 35% amin’ny vehivavy koa voan’io tsy fahampian-dra io, araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ny antony mitarika amin’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny tsy fahampian’ny singa mpamelona. Nisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo, nametraka tetikasa fanovozan-tsoa ny sakafo (PFOA) ny Gret sy ny orinasa Nutri’zaza, izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Consulat de Monaco, nanomboka ny taona 2017 mandritra ny efatra taona mahery. Tanjona ny hahamora ny fahazoan’ny reny sy ny ankizy sakafo feno hery satria namokatra sakafo notovozin-tsoa ny tompon’andraikitra ary naparitaka ho an’ireo voakasika. Ankoatra izay, namolavola fitaovana fanentanana any an-dakilasy ho an’ny mpianatra momba ny sakafo sy ny fanjarian-tsakafo ny tetikasa. Ny mpampianatra no nasaina nikaroka hevitra hamokatra fitaovana entina mampita ny fahalalana momba ny sakafo. Anisany ny karatra mora kirakiraina ho an‘ny mpianatra T1 ka hatramin’ny T5 novokarin’ny mpanabe ao amin’ny EPP Andohatapenaka II. Misy ny lesona momba ny sakafo sy ny fahadiovan’ny sakafo izany. Tsapa fa mahaliana ny mpianatra kokoa ny mianatra amin’ny alalan’ny lalao, hoy ny mpanabe iray ao amin’ny EPP, Rahelimandimby Heritiana. Fitaovana faharoa koa ny tabilao misy kofehy ahitana ny sokajin-tsakafo. Hoentin’ny mpianatra any an-trano ny fahalalana azony ary ho raikitra aminy mandra-pahalehibe ny hafatra. EPP 20 eto Antananarivo Renivohitra , Avaradrano sy Atsimondrano no nizarana ny fitaovam-pampianarana novolalain’ny mpampianatra ihany taorian’ny fiofanana ao momba ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fanjarian-tsakafo, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny Gret, i Claire Kaboré, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fampahafantarana ireo fitaovana ireo.VonjyL’article Fanjarian-tsakafo: namolavola paikady ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.
COVID-19: Statistique du 14 Septembre 2020
Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « COVID-19: Statistique du 14 Septembre 2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon le bilan quotidien de la porte parole du CCO, Pr Vololontiana sur la situation du Covid-19 à Madagascar, 12 nouvelles contaminations sur 506 tests ont été enregistrées ces dernières 24h. 9 de ces nouveaux cas sont localisés dans la région d’Analamanga, 2 nouveaux cas dans la région Antsinanana et 3 nouveaux cas dans la région de Boeny. Quant aux guérisons, 43 personnes sont guéries du Covid-19, le nombre de guérisons s’élève au total à 14 411. Par contre, 1143 personnes suivent encore des traitements dont 30 présentent des formes graves. Elle a également annoncé que deux personnes contaminées par le Covid-19 ont perdu la vie portant le nombre de décès liés au coronavirus à 213 dans la grande Île depuis mars 2020. Jusqu’à ce jour, Madagascar compte 15 769 cas confirmés. L’article COVID-19: Statistique du 14 Septembre 2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.
News - News Mada
Basikety : nivoaka ny hopitaly Rabearivony Gilbert
Sitrana soa aman-tsara Rabearivony Gilbert, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Gamin, “doyen” ny mpitsara lalao eo anivon’ ny federasiona malagasy ny basikety. Raha ny nambaran’ny mpikambana anivon’ilay komisiona ny mpitsara, nikarakara azy, tsy vita ny fitsaboana an’i Gamin raha tsy teo ny fanampian’ireo malala-tanana. Isan’izany ny FMBB, ny ligy, ny CCA, ny CRA, ny CEBB, ny mpitsara, ny mpanazatra, ireo klioba, ireo mpilalao, ny olon-tsotra, ny mpiara-monina, ny havana ary ny mpanao gazety. Nizara roa ny fanampiana ka nisy ireo nanampy azy nivantana ary nisy ireo tonga teto anivon’ny komisiona. Nitentina 1 099 000Ar ny vola voaray ary nampiasaina tamin’ny fikarakarana sy ny fitsaboana azy. Azo lazaina ho efa salama tsara i Gamin ankehitriny, saingy mbola misy anefa fanaraha-maso sy ny fitsaboana arahiny mandritra ny 15 andro, raha ny fanazavana hatrany. Hampiasaina amin’ny fanafody mbola ilaina sy ny tohana sakafo ho azy, mandritra io 15 andro io, ny ambin’ny vola amin’izany.Mi.RazL’article Basikety : nivoaka ny hopitaly Rabearivony Gilbert a été récupéré chez Newsmada.
BAOLINA KITRA – BAREAN’I MADAGASIKARA :: Miantso ireo mpilalao tsy ho voaloton’ ny pôlitika i Nicolas Dupuis
Manoloana ny faharavan’ny komity mpanatanteraka ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny olana eo amin’ny fifidianana dia nanao antso avo ho an’ireo mpilalao ny amin’ny hialana lavitra ny resaka pôlitika i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea. “Nanomboka tamin’ny volana marsa no efa nisavorovoro ny toe-draharaha. Efa tamin’izany no tokony ho natao ny fifidianana. Taty aminay dia niezaka ny niala lavitra izany resaka pôlitika izany izahay. Nifantoka tanteraka tamin’ny maha fanatanjahantena ny taranja baolina kitra ka izao ny vokatra azo”, hoy ity teknisianina frantsay “angady nananana sy vy nahitana” ny tapakila hiatrehana ny CAN 2019, hatao any Caméroun amin’ny taona ho avy, ity. Na izany aza anefa dia naneho fankasitrahana ny Federasiona iraisam-pirenena tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny ity mpanazatra nasionaly malagasy ity. “Soa ihany fa efa tafita isika alohan’izao lalao hotanterahina amin’ny alahady izao. Afa-po tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fifa aho satria efa ela loatra no nitarazoka ity olana ity”, hoy izy. Nankahery an’ireo mpilalaony ihany koa izy amin’izao toe-draharaha misy izao. “Teknika no anjarantsika. Mila miray hina isika mba hahafahana mandresy hatrany ka hanatsara ny endrik’i Madagasikara”, hoy hatrany izy. “Niezaka ny nitady ny fomba rehetra nahafahan’ireo mpilalao niara-niketrika ny fahazoana ny tapakilan’ny CAN izahay. Tsy rariny loatra raha tapahana mialoha ny efa fahaiza-miarak’ireo mpilalao ireo. Na ireo voaantso na ireo tsy voaantso dia noezahina ny nahatongavany teto, tamin’ ny alalan’ny famatsiam-bola ivelan’ny federasiona. Tsy manambany an’ireo mpilalao avy eto an-toerana anefa izany satria ilaina ny fitohizan’ny fanazarantena miaraka”, hoy hatrany i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea. Mila miady mafy izy ireo, araka ny nambarany hatrany, satria nivoaka sempotra ny Malagasy tany Soudan tamin’ny lalao mandroso. “Mety ho mafimafy ihany koa ny lalao miverina”, hoy izy. L’article BAOLINA KITRA – BAREAN’I MADAGASIKARA :: Miantso ireo mpilalao tsy ho voaloton’ ny pôlitika i Nicolas Dupuis est apparu en premier sur AoRaha.
News - News Mada
“Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz
Ny azy, izay ampanantenainy dia tanterahiny… Toetran’i “Konka”, anarana nomen’ireo akaiky azy, an’i Wawa, izay. Ho avy any Nosy Be i Flavour amin’ity…Efa teto i Diamond Platnumz. Tsy hoe nandalo fotsiny fa nametraka fahatsiarovana tsara ho an’ireo mpankafy azy ao Nosy Be, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny “Festival Sômaroho!” ity mpanakanto iraisam-pirenena ity. Fitia mifaly satria tsy nahafoy ihany koa an’i Madagasikara ka mbola hiverina amin’ity andiany faha-6 ity i Diamond Platnumz. Anisan’ireo vahinin’i Wawa, mandritra ny “Festival Sômaroho!”, hotontosaina ny 31 jolay hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, ao Nosy Be, izy. Nampisafidy ny mponin’i Nosy Be i Wawa, nandritra ny seho famaranana ny andiany fahadimy, tamin’ny taon-dasa. “Iza ny tianareo ho avy: i Kassav, i P Square sa i Flavour? Tsy maintsy tongantsika eto farafaharatsiny ny iray amin’ireo amin’ny taona ho avy”, hoy izy. Ho tanteraka tokoa izany satria fantatra fa ho avy i Flavour. Mpanakanto nizerianina malaza izy, ary efa nampiara-peo tamin’i Diamond Platnumz ihany koa tao anaatin’ilay hira “Time to party”. Tsy izy ireo ihany fa mbola ho avy koa i Franko, ilay mihira ny “Coller la petite”, efa nanao seho tsy nahomby teto Antananarivo. Ankoatra izay, nasaina manokana ry Chigoma & Mbiwi, avy atsy La Réunion. Tsy ho latsa-danja amin’ireo vahiny anefa ireo mpanakanto malagasy nasain’i Wawa. Ao ireo efa malaza eto sy any ivelany ihany koa, ary misy kosa ireo vao misondrotra. Hifandimby ao amin’ny sehatra ao Ambodivoanio ry Black Nadia, Amc Junior, Lahety, Tax Olo Fotsy, Sofia Goma, Bibiana, Tence Mena, Big MJ, Taa Tense, Haramy, Jaojoby, Lico Kininiky, Mario, El Kiss, Dedaky, Madmax, Rijade, Basta Lion, sns. “Efa tomombana ny fanomanana sy ny fandraisana ao Nosy Be amin’izao fotoana izao. Tsy ny lafiny fampisehoana ihany fa eo koa ny lafiny fanatanjahantena sy ny fizahantany, izay tsy afa-misaraka amin’ny “Sômaroho!”, hoy ny nambaran’i Perkin, solontenan’ny mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny Futsal Andraharo. Zo ny Aina L’article “Somarôho!” andiany faha-6: vahiny andrasana i Flavour sy i Diamond Platnumz a été récupéré chez Newsmada.
Fifidianana: hanazava ny ”Toky nomena” ny CFM
“Hanazavana amin’ireo kandidà solombavambahoaka miisa 803 momba ny tokony ho toetrana kandidà. Hanome toky izy ireo fa solombavambahoaka vanona, vonona, sahy sy mendrika, ary arakaraka izay no hitsaran’ny mpifidy azy ireo.” hoy ny filohan’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM), i Maka Alphonse, teny Ampefiloha, omaly, momba ny fanombohan’ny fanazavan’ny eo anivon’ny CFM amin’ireo kandidà depiote isam-paritra ny “Toky nomena”, anio.Hisy fanaovan-tsonia amin’ny “Toky nomena”, mirakitra ny tokony ho fitondrantenan’ny kandidà mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana, indrindra ny toky homen’ny kandidà voafidy eo amin’ny fanatanterahana ny voalazany mandritra ny fampielezan-kevitra ataony.Fifanarahana fa tsy hifanerena ny “Toky nomena”Tsiahivina fa avy amin’ny komity iombonana iarahan’ny andry na rafi-panjakana ny “Toky nomena”. Anisan’izany ny Ceni, ny CFM, ny CNIDH, ny HCDDED, ny CSI, ny Bianco, ny Samifin. Eo ny avy amin’ny firaisamonina sivily: ny Tetikasa Fandio, ny TI-IM, ny ONG Tolotsoa, ny Justice et paix, ny Rohy.Noho ny fahabangan’ny lalàna ny “Toky nomena”: tsy lalàna na didim-panjakana izany ka hisy rafitra fitsarana na hisy sazy voalazan’ny lalàna hampiharina. Araka ny feon’ny fieritrertan’ny tsirairay io. Tokony ho adidy tanterahin’ny tsirairay avy izany amin’ny toe-tsaina malagasy fa tsy iandrasana lalàna sy fanasaziana: fahavononana ho olom-banona sy mendrika… Farafanaovan-tsonian’ny kandidà, ny 5 mey, mialoha ny fampielezan-kevitra. Ho hitan’ny mpifidy eo ireo tsy manao sonia?R.Nd. L’article Fifidianana: hanazava ny ”Toky nomena” ny CFM a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Tetezan-dRamala Isotry: telo lahy tratra nanendaka vao maraina
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny asabotsy vao maraina teo teny amin’ny tetezan-dRamala, Isotry, ireo jiolahy telo lahy tratra teo am-panendahana mpiantsena. Polisy nanao fanamiana sivily ny nahatsikaritra ny asa ratsin’ireto jiolahy ireto ka nanenjika avy hatrany azy ireo. Nentina teny amin’ny kaomisarian’ny polisy izy ka tamin’ny fanadihadiana an-dry zalahy no nahafantarana fa efa mpanao asa fanendahana amin’iny faritra iny izy ireo. Mijery ny olona hoendahiny izy ireo ka mijery ny manodidina sao misy polisy mandalo, izay vao manao ny asa ratsiny, araka ny filazan’izy ireo tamin’ny polisy. Efa misy koa ny lalana miditra elakela-trano fitsoahan’ireto jiolahy ireto rehefa avy manao ny asa ratsiny. Tsy nampoizin’izy ireo anefa ny fisian’ireo polisy manao fanamiana sivily mody miantsena kanefa manara-maso ny faritra manodidina. Nandritra izany no nahasamborana ireto tontakely ireto rehefa avy nanendaka renim-pianakaviana iray.J.CL’article Tetezan-dRamala Isotry: telo lahy tratra nanendaka vao maraina a été récupéré chez Newsmada.