Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana

News - Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana

News - Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana

 

Mbola eo ihany ny valanaretina
covid-19! Nisy nikarakara fampisehoana nakàna mpanakanto malaza,
tao Manakambahiny-Andrefana, Disitrikan’Ambatondrazaka. Nokasaina
hotanterahina ny alahady 25 oktobra teo izany. Anisan’ny tarika
nokasaina hiseho tamin’izany ny tarika Jean Aimé. Raha ny fantatra,
efa voafandrika  mialoha ireo mpisehatra. Ny 20 oktobra,
nandefa taratasy fanakanana ny hanatanterahana izany fapisehoana
izany ny ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana.

Ny 22 oktobra io rafitry ny
minisiteran’ny fahasalamana io no nanao tatitra tao amin’ny Radio
iray ao Ambatondrazaka fa ny disitrikan’Anosibe an’Ala sy ny
Andilamena no tsy ahitàna olona voamarina fa mitondra Covid-19.
Nanantena ireo nikarakara fampisehoana fa mba hisy fihatsaràna ny
toe-javatra, kanjo tao Manakambahiny-Andrefana mihitsy no nisy
tratran’ny covid-19 miisa telo sy tranga mampiahiahy 16! Nofoanana
ilay fampisehoana… Samy mbola tokony hanao arovava sy orona avokoa
ny aty Ambatondrazaka.

Rarivo

Article tiré de Newsmada

L’article Noho ny Covid-19: nofoanana ny fampisehoana a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 28/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly

Vita omaly ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny Croix Rouge Malagasy (CRM). Nanatanteraka izany fifanarahana haharitra roa taona izany  ireo birao vaovao eo amin’ny  Croix Rouge Malagasy.Tanjon’ny fifanarahana ny hanentana  sy hampianatra ny mpiasan’ny  CRM  hanana fitondran-tena manohitra ny kolikoly sy hanana toe-tsaina mandala  izany. Eo koa ny  hampianatra azy ireo  handà ny endrika kolikoly amin’ny sehatra rehetra  hiasany.Ankoatra izao,  hanangana ny rafitra sy ny antanantohatra maneho ny mangarahara tsy hampisy  ny tranga kolikoly amin’ny fintanana sy sehatra rehetra ao amin’ny CRM.Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Bianco sy ny fandaharanasan’ny CRM ho amin’ny fitantanana mangarahara  sy marina izao fiaraha-miasa natao sonia, omaly izao. Hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izany raha voahaja antsakany sy andavany.Hanampy ny CRM, araka izany ny Bianco amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa apetraka momba ity ady  amin’ny kolikoly ity.Raha tsiahivina, nisy nofy ratsy teo amin’ny CRM teo aloha mikasika fanodinkodinam-bola ary nahatonga ny mpamatsy vola hampiato ny fanampiana.Tatiana AL’article Bianco sy Croix Rouge Malagasy: apetraka ny ady amin’ny kolikoly a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona

Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Faharendrehana lakana

Tsy hita popoka hatramin’ny omaly ny lehilahy iray nandeha tamin’ny lakana tra-doza tany andrefan’ny Port Schneider, any Mahavoky-Mahajanga, tamin’ny 15 jolay tokony tamin’ny 10 ora maraina. Tapaka fivoy no voalaza fa antony nahatonga ny loza kanefa ny andro ratsy rahateo. Efa hita tsy misy ahiana kosa ny lehilahy iray hafa isan’ireo mpivoy lakana.   L’article Faharendrehana lakana est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…   

Mby aiza ny raharaham-pirenena amin’izao? Manohy ny asany ny governemanta hoe vaovao. Mifanindran-dalana amin’izany, tafajoro ny Antenimierampirenena vaovao. Tsy vitan’izay, voatendry ny tale jeneraly vaovao hitantana ny Bianco. Inona na ahoana koa?Omanina fatratra ny fandraisana ny fitsidihan’ny papa François amin’ny volana septambra. Aoriana kelin’izay, eo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, na mbola mampanontany tena aza ny hoe: ho voatana sa tsia ny andron’ny 28 oktobra?Mbola misy ve ny fisarahan-kevitra? Eny, na mbola tsy mazava be ihany aza, ohatra, ny amin’izay hoe ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.Tsy mazava ny lalàna sy izay ampiharana azy? Na mifanohitra an-toerana ny samy mpanohitra…Tsy efa mba niombona sy nampiombonin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra, tamin’ny dingana lehibe vitany, ve ny samy Malagasy tsivakivolo? Na toy inona, ohatra, toerana misy ny tsirairay, na manao ahoana tsy fitovin-kevitra sy fijery…Izany rehetra izany, mila fijery sy ainga vaovao amin’izao? Be ny azo atao sy mety ho vita, ao ny tsy maintsy atrehina, misy ny maika… Efa natomboka, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana… Ahoana ny tohiny sy ny sehatra hafa?Miandrandra fiovana ny vahoaka ifotony, araka ny fanamby sy ny fampanantenana rahateo. Fihatsaram-piainana mivaingana amin’izay ahay. Tsy lavina, arakaraka ny ataon’ny tsirairay no mahasoa na maharatsy ny fiainan’ny tena. Eo koa ny fiaretana sy ny faharetana.Na izany aza, tsy efa mba hisy zavatra hita soritra ve amin’izao? Tsy inona fa ny finoana sy ny fanantenana fa tena mandeha sy atao tokoa ny raharaha: tsy misy intsony, sanatria, ny kitsapatsapa, ny endri-javatra ivelany, ny mbola fifandresen-dahatra indray…Andron’ny asa izao, firosoana amin’izay atao. Izay tena miasa sy be asa, tsy misy fotoana holanina amin-javatra hafa. Efa lasa ny lasa fa ny ankehitriny no atrehina hahitana ny hoavy… ho hafa sy ho tsaratsara kokoa. Mby aiza amin’ity raharaham-pirenena?Rafaly Nd.  L’article Andron’ny asa izao, fa efa lasa ny lasa…    a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Toamasina : 50 000 ireo hahazo sosialim-bahoaka

Manomana ny fandaminana ny fizarana sosialim-bahoaka indray ny ekipa rehetra ao Toamasina. Omaly, nisy ny fivoriana notarihin’ny governor, ny prefet, ny solombavambahoaka niaraka amin’ny ben’ny Tanàna sy ny Fid ary ny tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany natao tao Mangarano ho fandaminana ity hetsika ity. Ivondronan’ny tompon’andraiki-pahefana rehetra ny fandaminana mba tsy hisy ho tompon-trano mihono sy hampazava tsara ireo fandaminana apetraka. Hentitra ny fepetra noraisina amin’ny tsy maintsy hanavaozana tanteraka ny lisitr’ireo hisitraka izany sosialim-ba­hoaka izany. Tokantrano marefo maherin’ny 50 000 no heverina hisitraka izany ao amin’ny faritra Atsinanana ankoatra ireo 60 000 efa nahazo tamin’ireo andiany roa teo aloha. Tsy tokony hisy ny kiantranoantrano eo amin’ireo lehiben’ny fokontany izay mampitaraina fatratra ny mponina toy ny miseho eto Antananarivo. Ao anatin’ny mangarahara no tokony hanaovana ny lisitra ary ireo tsy mbola nahazo hatramin’izay mihitsy no hojerena manokana indray amin’ity sosialim-bahoaka andiany manaraka ity.Tatiana AL’article Toamasina : 50 000 ireo hahazo sosialim-bahoaka a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…”

Nidina ifotony nijery ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo  sy  ny manodidina ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, omaly. “Anton’ny fijerena ety tahaka izao  ny fandrindrana ny asa miaraka amin’ny teknisiana mba tsy hisy ny tandrametaka fa asa tokony hamaha  tanteraka ny olana rehetra… Efa  mandeha ny fanamboaran-dalana rehetra amin’izao  fotoana  izao… Manodidina ny  35% ny asa vita ho an’ny toerana  sasany. Tombanana fa ho vita mialohan’ny faran’ny taona avokoa izy rehetra”, hoy  izy.  Niara-dia tamin’ny minisitra ireo teknisianina eo anivon’ny minisitera sy ireo orinasa misahana ny fanamboaran-dalana. Nambarany fa tsy maintsy atao ny fandrindrana  izany mba tsy hiteraka fikorontanana eo amin’ny asa.  Efa hiatrika ny fotoam-pahavaratra rahateo  isika ka tsy maintsy miomana dieny mialoha hialana amin’ny mety hiakaran’ny rano. Ankoatra izany, niaiky ny minisitra fa misy ihany ny fahasarotana amin’ny fanamboarana ny lalana Antanimena mihazo an’Ankorondrano.Azo ampiasaina amin’ny fahatongavan’ny papa François…Tsy maintsy hafindra ny andrin-jiron’ny Jirama na koa ny taribin’ny orinasam-pifandraisana na koa  ireo fotodrafitrasa hafa hokitihina. Eo koa ny fivarinan’ny rano sy  ny rano maloto. “Na izany aza,  hiezaka ny orinasa  mba ho azo ampiasaina amin’ny fandraisana ny papa  François izany. Hohatsaraina indray aorian’izany avy eo”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo  Hajo.  Ho azon’ny fiara efatra, roa  mandroso sy miverina izany lalana  izany.Synèse R. Mirefy 47 km ny lalana amboarina eto Antananarivo  sy ny manodidina. Mitsinjara ho efatra izany, ahitana ny RN4 : Gara Soarano-Mahazo  sy Andravoahangy Ambony-Sabotsy Namehana. Ny RN4 kosa, Soarano  hatreny Imerinafovoany. Miainga eo Soarano mihazo an’i Mandriamena ho an’ny RN7 ary ny RN1 kosa, “Rond-point” Anosy mihazo ny tetezana Ampitatafika ary koa ny lalana Itaosy hatreny amin’ny tetezana Ampasika sy ny Cité Itaosy ary Avarabohitra. L’article Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Tsy hisy ny fanamboaran-dalana tandrametaka…” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe

 Tsy afaka ny hangina. Velon-taraina ary miantso vonjy amin’ny fanjakana, indrindra ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mponina any amin’ny distrikan’i Morombe manoloana ny fihetsiky ny miaramila mampandry tany any an-toerana. Nandefa taratasy misokatra ho an’ny minisitry ny Fiarovana sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny faritra izy ireo. Misongadina ny fihoaram-pefy ataon’ny miaramila sasany  fa alaina an-keriny ny ombin’ny olona sasany. Noraisin’izy ireo ohatra ny nitranga ny 25 sy ny 28 jolay teo tamin’ny fakana omby anjatony. Voalaza anefa fa anaty boky ara-dalàna avokoa ireo omby 1700 an’ilay atao hoe Jaonary, mitondra ny marika TSL avokoa. Anisan’ny mahagaga ny mponina amin’ity raharaha ity  ny fanatanterahan’ny miaramila sy ny dinabe izany fa tsy ahitana ny zandary na ny polisy na koa  ny eo anivon’ny distrika. Adikan’ny mponina  ho fakana an-keriny izany. Notanisain’izy ireo koa fa efa maro ireo lasibatry ny fanamparam-pahefan’ireo mpampandry tany. Voatery mitsoaka mandositra ny mponina.  Ampahany ihany ireo ka hanairan’ny vahoaka ny mpitondra mba hijery ny rariny sy ny fahamarinana ary koa ny mangarahara. Manahy izy ireo fa hanome endrika ratsy ny fitondrana  izao raharaha izao.Synèse R.  L’article Miantso vonjy ny mponina: mihoa-pefy ny miaramila any Morombe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ankasina: vola sandoka no nakana mpivarotena

Nidoboka am-ponja, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay lehilahy nahatrarana vola sandoka 10 000 Ar miisa dimy teny Ankasina. Nahasambotra ity lehilahy ity ny polisin’ny Sut ao Tsaralalàna, ny asabotsy hariva tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Fantatra tamin’ny fanadihadian’ny polisy fa saika hakan’ity lehilahy ity mpivarotra fahafinaretana sy hofana trano fandraisam-bahiny ireto vola sandoka ireto. Nahatsikaritra ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny fa vola sandoka ny nomen’ilay lehilahy azy ka niantso polisy avy hatrany izy. Noraisim-potsiny ity lehilahy ity. Voalazany tamin’ny fanadihadiana azy fa azony tany amin’ilay namany io vola io. Fantatra ihany koa fa avy eny Ankasina ity namany mpanamboatra vola sandoka ity ary rehefa nojerena teny an-toerana, efa tsy tao intsony io namany io, raha ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany. Natolotra ny fampanoavana izy ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy. J.C L’article Ankasina: vola sandoka no nakana mpivarotena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana

Niavaka ny fanehoan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny “Tagnamaro”, volana jolay. Nirohotra nanome ra teny amin’ny HJRA Anosy izy ireo ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny asabotosy lasa teo. Nanao hetsika mitovy amin’izay avokoa ny fari-piadidiam-pahasalamana rehetra manerana ny faritra 22. ““Manome ra, manome aina” ny lohahevitra norasina ho an’ny hetsika ho fanohanana ny tahirin-dra, indrindra ho an’ireo sokajin-dra vitsy mpanana nefa mamonjy aina ao anatin’ny hamehana”, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra. Afaka manome ra isaky ny telo volana ny ho an’ny lehilahy raha isaky ny efa-bolana kosa ho an’ny vehivavy ho an’ny olona 18- 60 taona salama vatana ary tsy manana aretina mitaiza. Mbola misy ny fanadihadiana mialoha ny handraisana olona hanome an-tsitrapo ra. Lafo ny kitapon-dra sy ireo “réactif” hitiliana ny areti-mifindra ao anatin’ny kitapo azo ka izay no tsy maintsy hanoloana ny ra nafindra amin’ny marary iray. Eto amintsika, ambany ny tahan’ny olona manome an-tsitrapo ra fa rehefa voatery noho ny aretina mahazo ny havany vao tonga manome ra izy ireo matetika.Entanina hatrany, noho izany, ny tsirairay hanome ra fa mamonjy aina izany.Vonjy A.               L’article « Tagnamaro »: nanome an-tsitrapo ra ny mpiasan’ny fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM
24/11/2020

Edisiona nisafidy ny hisahana bebe kokoa momba ny boky natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny Editions Jeunes Malgache (EJM). Fantatra fa nanavao sy nanatevina ny paikady hoenti-manapariaka ny boky ho eny am-pelatanan’ny ankizy izy ireo. Manomboka izao, azon’ny ankizy henoina ao anaty site web www.editions-jeunes-malgaches ireo voarakitry ny boky avoakan’ity edisiona ity. Boky 22 no efa vonona ka azo henoina avy hatrany. « Kendrena ho amin’ny sarany sahaza ny fahefa-mividy ankehitrny ny fanaovana izany », raha ny fanazavan-dRazafintsalama Marie Michèle, mpitantana ny Presse Edition & Diffusion (Prediff).Nankahery sy nandrisika ny ray aman-dreny ity editora ity mba hanentana ny zaza malagasy hamaky boky sy hanome azy ireo ny fomba ahavitany izany. « Hiezaka hatrany izahay, hampitombo ny fanapariahana ny boky manerana ny Nosy satria anisan’ny manampy amin’ny fananana voambolana eo amin’ny ankizy sy ny tanora ka hanamora ny fahaizany mifanerasera amin’ny mpiara-belona ny fahazoany izany », hoy hatrany Razafintsalama M. Michèle.HaRy RazafindrakotoL’article Fanapariahana boky: nanavao sy nanatevina paikady ny EJM a été récupéré chez Newsmada.

Tarika AmbondronA: hivoaka rahampitso ny album « Ho soa hatrany »
25/11/2020

Tonga ilay nandrasana! Manohy ny lalany hatrany ny tarika AmbondronA. Ho avy tsy ho ela ny vokatra vaovao…Masaka ny nahandro ! Hivoaka manerana ny Nosy, rahampitso, ny rakikira « Ho soa hatrany » an’ny tarika AmbondronA. Ahitana hira 9 samy mbola vaovao be avokoa izy ity. Ny 28 novambra kosa no hanatanterahana ny fampahafantarana sy fanapariahana ito vokatra vaovao ito, eny amin’ny Aero Village Talatamaty. Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany ka tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanaovan’ny tarika AmbondronA rango-tsonia ireo rakikira vidian’ny mpanjifa.Nomarihin’ity tarika manana ny maha izy azy ity fa tsy maintsy notsinjaraina ny fanatanterahana fampisehoana noho ny tsy fahafahana mamory olona mihoatra ny 200 ao anaty efitrano. Noho izany, hisy ny seho hotanterahina ao amin’ny La City Ivandry, ny 4 desambra izao. Ny 11 desambra sy ny 13 desambra ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely. Ny 18 desambra sy ny 19 desambra, eny amin’ny Santillo Anosizato, seho tsy misy vidim-pidirana.Fantatra fa noferana ny isan’ity rakikira vaovao havoaka rahampitso ity. Ny Telma Shop manerana an’i Madagasikara kosa no ahitana azy. Ho an’ny eto Antananarivo, ahitana ny « Ho soa hatrany » ihany koa ny Phô Restaurant Ampasamadinika, Bel’Air , By Pass ary Ankorondrano.Nanangona : HaRy RazafindrakotoL’article Tarika AmbondronA: hivoaka rahampitso ny album « Ho soa hatrany » a été récupéré chez Newsmada.

CFM: “Mba hahay hifidy ireo mpifidy”
20/11/2020

“Amin’izao ankatoky ny fifidianana loholona eto Madagasikara izao, manao antso avo izahay ato amin’ny CFM hitandroana ny fihavanana. Zava-dehibe ho antsika io fifidianana io, satria olon-dehibe ary ho mpikamban’ny andrimpanjakana mpanao lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana no hofidina.”     Io ny fanambaran’ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM), i Maka Alphonse, amin’izao fiatrehana ny fifidianana loholon’i Madagasikara izao, izay nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra amin’izany. Koa manantena izy fa ny fieritreretan’ny mpifidy vaventy no hamaritra ny safidin’izy ireo tsirairay avy. Hahay hifidy koa izy ireo, satria izay no lalàn’ny demokrasia.Ireo mpifidy vaventy no raiamandreny sy heverina ho olon-dehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Koa antenaina ho vita ao anatin’ny filaminana ny fifidianana hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny soatoavina maha Malagasy izany: ny fitandroana lalandava ny fihavanana. Ao anatin’ny firaisankina sy ny fitonian-tsaina ary ny fandriampahalemana no ahazoana miroso amin’ny asa fampandrosoana ho fanarenana ny firenena. Matoky sy mino ny CFM fa hiara-mientana sy hiray fo hampandroso ny firenena ny rehetra.R.Nd. L’article CFM: “Mba hahay hifidy ireo mpifidy” a été récupéré chez Newsmada.

Fanaovana maloto ankalamanjana: manota fady ny sahan-driaka sy ny tahirin-drano
21/11/2020

Nomarihina tao amin’ny kaominina Mantasoa omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny kabone. Nofidiana manokana ny ao Mantasoa noho ny fananany tahirin-drano sy sahan-driaka midadasika izay saropady ka mila tandrovana amin’ny loto. “Fahadiovana ma­ha­ritra, fanoitra amin’ny fiovaovan’ny toetrandro”. Io no lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana ity ndron’ny kabone ity. Nen­tina nanairana ny sain’ny olo­na sy ho fampahtsiahivana ny mponina fa manota fa­dy tanteraka ny tahirin-dra­no fisotro madio sy ny sa­han-driaka ny fanaovana ma­loto ankalamanjana. Nanome toky ary nametraka fanamby ireo ben’ny ta­nàna ao amin’ny distrikan’ i Manjakandriana rehetra fa hanaja ny fahadiovana ary ha­natratra ny tanjona tsy hi­sian’ny fanaovana maloto an­kalamanjana ho fiarovana ireo rano ao an-toerana izay mamatsy indrindra an’Anta­na­narivo. Nisy ny sonia na­taon’izy ireo am-pahibemaso tamin’izany ho fanamafisana io ady iombonana io. Miparitaka ny loto rehefa hatao ankalamanjana ary en­tin’ny riaka na ny rivotra any amin’ireny rano fisotro ire­ny. Havarin’ny riaka any an-tanimbarysy ny fambolena ary amin’ny trano fonenana manodidina. Mitera-doza ho an’ny mponina izany ary manimba ny hasin’ny tenan’ny olombelona mihintsy aza satria naman’ny mampihinana ma­loto olona ireo manao izany ankalamanjana. Ankoatra ny maha-maty hasina ny maha-olona sy ny ota fady, mitondra aretina maro koa ny fiparitahan’ny maloto ankalamanjana. Anisan’izany ny aretim-pivalanana izay mbo­la mamono indrindra ny an­kizy madinika eto amintsika.Tanjon’ny taona 2025 Tanjon’ny minisiteran’ny rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana ny hanafoana ny fanaovana maloto anklamanjana amin’ny taona 2030. Haroso amin’ny taona 2025 anefa izany tanjona kendrena izany ka mitaky ezaka mafy amin’ny tsirairay. Mila ampitoboina ny tetibola ho an’ny rano sy fidiovana ary fahadiovana indrindra ny fampandraisana an­drai­kitra ireo sehatra tsy miankina. Ho isan’ny tanàna modely amin’ny tsy fisian’ny fa­na­ovana maloto ankalamanjana intsony ny faritra An­a­lamanga amin’ity taona ity. Hiitatra amin’ny faritra hafa izany ka tsy maintsy tratra ny tanjona, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny rano, Randriatsiferana Simon. Hapetraka ny kabone modely sy moderina izay hampirisihana ny rehetra ny hanangana azy amin’ny alalan’ny akora misy any aminy avy.37,6%-n’ny Malagasy ihany no manana kabone. Mbola manao maloto ankalamanjana ny 62,4% ka manaparitaka izany eny rehetra eny. Olona 7 amin’ny 10 araka izany no mbola manaparitaka ny malotony ka manelongelona ny hafa ary mitera-doza ho an’ny fiarahamonina. Mafagasikara madio no filamatra sy tanjona kendrena. L’article Fanaovana maloto ankalamanjana: manota fady ny sahan-driaka sy ny tahirin-drano a été récupéré chez Newsmada.

Décès : Damy rejoint Jean Gabin Fanovona au firmament des immortels
18/11/2020

Damy, un des plus grands musiciens traditionnels de Madagascar. (crédits photos : Vaovy, la fondation) Damy, le violoniste traditionnel du légendaire groupe Vaovy, est décédé hier tôt le matin. Il laisse un vide immense dans le patrimoine musical malgache. Le paysage musical malgache est assombri par la disparition de Damy, joueur de « lokanga antandroy » – violon traditionnel spécifique du sud de Madagascar. Il a tiré sa révérence hier aux premières heures. Une perte immense, ce virtuose a joué dans le groupe Vaovy en tant que musicien attitré. Né dans les environs d’Amboasary Atsimo, dans un village entouré d’une nature hostile et sèche, d’où il n’était presque jamais sorti, il a été un jour touché par le destin. « Depuis là-bas, Gabin, le fondateur du groupe, l’a fait venir à Antananarivo vers les années 2000. Il est resté une semaine dans la capitale pour faire son passeport et ses papiers. Il part sans attendre en Europe pour une tournée et réaliser un disque chez Label Bleu », évoque Lova Hariniaina Andrianaivomanana, responsable de la communication du groupe Vaovy. Depuis un lointain chez lui, sans éclairage public, en proie à la sécheresse, damy s’est retrouvé dans un continent à des milliers de kilomètres où il y a presque tout. Il sillonne le monde avec son mentor. Il marque également de son empreinte la polyphonie du groupe. Avec des titres comme « Rodoringa », où le violon traditionnel est mis à rude épreuve. Le musicien de génie reste pourtant très discret. Des fois, au hasard des rencontres, on le voit en solitaire avec son instrument s’attarder dans les rues animées de la capitale. Comme s’il commençait vraiment à découvrir Antananarivo, après avoir vu Paris, Londres, Berlin, etc… Une fois Jean Gabin Fanovona décédé en 2010, sans son charismatique leader, le groupe Vaovy se disperse. Cependant, Damy multiplie les collaborations. Il se retrouve aux côtés de Rajery le valihiste, ou encore intègre Sairy. Vers 2015, il débarque à Sainte-Marie et devient musicien de Zaina. « Depuis que le fils de Vaovy, Desy, a décidé de remettre sur pied le groupe Vaovy, il a répondu à l’appel. Il était déjà faible par ailleurs à son arrivée. Et il est décédé à l’hôpital », regrette le responsable de Vaovy. Sa disparition est un coup dur pour le groupe qui était attendu par les mélomanes et amateurs de musique traditionnelle. Il ne reste qu’à espérer que cela motive encore plus l’envie de porter haut le nom de Jean Gabin Fanovona et de Damy. Pour l’instant, la famille et les proches n’ont pas encore communiqué les détails des funérailles. Sûrement, ceux-là viendront dans les jours à venir. Maminirina Rado L’article Décès : Damy rejoint Jean Gabin Fanovona au firmament des immortels est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Décès : Damy rejoint Jean Gabin Fanovona au firmament des immortels a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka
20/11/2020

Tsy vao izao fa efa hatry ny ela! Mirongatra ny asa fanendahana ataon’ireo andian-jatovo tsy ampy taona eny amin’ny tsena solomaso Andravoahangy. Manoloana izany, nisy ny ezaka nataon’ny polisy amin’ny fanenjehana ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany satria efa-dahy indray tratran’ny polisy, afakomaly alina. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa miaraka maromaro manao andiany ireto jiolahy rehefa manao ny asa ratsiny ka ny efatra tamin’izy ireo no tratran’ny polisy. Ireo mpandeha an-tongotra tratra alina no tena mitondra faisana amin’izy ireo. Maro rahateo ireo olona nanao fitarainana noho ny firongatry ny fanendahana eny amin’iny faritra iny ka antony nahatonga ny polisy nandray andraikitra avy hatrany.J.CL’article Andravoahangy: tratra ireo tontakely mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 20 novembre 2020
20/11/2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 20 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 20 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Amin’ny maso sy mahasoa… tsy miangatra    
18/11/2020

Tena marina ny hoe tsy misy jamba toy izay minia mikimpy? Na marenina toy izay minia marenina… Inona, hono, ny zavatra miova eto amin’ny firenena amin’izao? Izay ny vavan’ny mpanohitra sasany. Tena tsy misy tokoa ve izay? Na minia mikimpy sy marenina na entin’ny fankahalana, hany ka maizina avokoa ny zava-drehetra.Aza gaga raha tofoka amin’ny afitsoky ny mpanao na ny mpilalao politika ny ankamaroan’ny olona. Toy ny hoe ny tena ihany no inona: manao zavatra, mahavita zavatra. Fony teo amin’ny fitondrana, ohatra, misy sahy miantsanantsana fa izay tsy natao tao anatin’ny 50 taona, vita iray volana na herintaona. Izany moa ny inona?Rehefa eo amin’ny fitondrana, toy ny hoe ny tena ihany no hany tia tanindrazana, mahalala sy mitsinjo vahoaka… Tsy vitan’izany, hany tokana an-tany manao sy mahavita zavatra hoe fampandrosoana. Manginy fotsiny, izay mahita na milaza zavatra ankoatra izany: soketaina ambony ihany ho fahavalom-pirenena, manakorontana, potehina…Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana indray, tabatabaina fa famonoana vahoaka sy famotehana firenena izay rehetra ataon’ny mpitondra. Tena tsy misy na inona na inona miova tokoa ve eo amin’ny tany sy ny fanjakana? Na eo amin’ny fiainam-bahoaka… Aleo ny tsirairay no mitsara fa tsy izay lazaina sy hitan’ny tena no hany marina.Ny zava-doza: manakorontana rehefa tsy mahasarika sy mahazo vahoaka amin’izany. Tsy mety misy fiovana ny fomba fanaovana politika? Tsy firy ny mijery amin’ny maso tsy miangatra amin’izay tena mahasoa amin’ity hoe fitiavan-tanindrazana… hirahiraina lava. Na misy izay mety mahasoa ny vahoaka aza, toherina fotsiny izao.Aza gaga raha tsy miova koa ny fomba fanaovana politika, ny fijerin’ny maro ny mpanao politika sy ny fanaovana politika… Lazaina fa tsy misy inona miova eto noho ny tsy fijerena amin’ny maso tsy miangatra. Tsy ny tena mpitsikera befahatany noho ny fiheveran-tena diso ve no tsy misy fiovana voalohany amin’ny maso tsy miangatra?Rafaly Nd.  L’article Amin’ny maso sy mahasoa… tsy miangatra     a été récupéré chez Newsmada.

Arema : Descente du comité directeur national à Toamasina
24/11/2020

Descente du comité directeur national de l’Arema à Toamasina. Les instances dirigeantes de l’Arema ont fait une descente à Toamasina le week-end dernier. Samedi matin, ce parti a procédé à la présentation officielle des membres du Comité directeur national (CDN). La cérémonie s’est déroulée au gymnase Soavita à Toamasina. Les six provinces ont toutes été représentées lors de cette rencontre dans le grand port de l’Est, qui a vu la présence de 200 participants. Le Secrétaire national de ce parti, Annick Ratsiraka, était également de la partie et comme son nom l’indique, n’est autre que la fille de l’amiral. Ces membres du CDN ont notamment été élus lors du congrès national de ce parti qui s’est tenu le 20 mars 2020 à Antananarivo. Qui faut-il le rappeler que parmi les dispositions prises lors de ce congrès figure notamment le sigle de l’Arema qui a repris ses initiales d’origine étant donné que le nom de ce parti est devenu désormais « Antoko Revolisionera Malagasy ». Un nom qui rappelle la deuxième République. Tour des chefs-lieux de province. Pour en revenir à Toamasina, le samedi après-midi a été consacré à un échange d’expériences entre les participants, au lycée Jacques Rabemananjara. Le lendemain, les membres de ce parti se sont donné rendez-vous au Fokontany d’Antananambo, de la commune rurale de Fanandrana du district de Toamasina II, pour procéder à un reboisement sur un domaine acheté par le couple Didier Ratsiraka en 1963. Des arbres fruitiers ont été plantés à cette occasion. Le tout s’est terminé avec un banquet. Leurs prochaines réunions auront lieu à Fianarantsoa et Toliara. Autrement dit, ce parti créé par l’amiral va faire le tour des chefs-lieux de province. Une façon de le redynamiser. Recueillis par Dominique R. L’article Arema : Descente du comité directeur national à Toamasina est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Arema : Descente du comité directeur national à Toamasina a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny: mitombo ny ankizy matin’ny kitrotro maneran-tany
19/11/2020

  Niakatra ny isan’ny ankizy maty noho aretina kitrotro maneran-tany teo anelanelan’ny taona 2016 sy ny 2019, araka ny tatitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Nitombo 50% izany ary nahatratra 207 500 ny taona 2019 izay isa ambony indrindra tao anatin’ny 23 taona farany. 869 770 ny trangana kitrotro voatily, araka ny fanadihadian’ny Ivontoerana fanaraha-maso sy fisorohana ny valanaretina (CDC). “Voakasika avokoa ny faritra rehetra ary tokony hisy ny fanentanana goavana ho an’ny firenena rehetra hampirisika ny vahoaka ao aminy hanao vaksiny ny ankizy iarovana azy ireo”, hoy ny tale jeneralin’ny OMS, ny dokotera Tedros Adhanom Ghebreyesus. Antony voalohany nitarika ny fiakaran’ny isa ny tsy fahavitan’ny vaksiny fatra roa ara-potoana ho an’ny ankizy rehetra.“Teto amintsika sy tany Congo ary tany Nigeria no nahitana ny 90% -n’ny trangana kitrotro”, hoy ny fanambarana avy amin’ny OMS. Ny taona 2018, nisy 16 000 ny zaza malagasy voan’ny kitrotro. Nanao vaksiny faobe iarovana ny ankizy ny fanjakana niaraka amin’ny Unicef sy ny mpiray ombon’antoka ka zaza 5,3 tapitrisa (9 volana -14 taona) no vita vaksiny. Tsapa fa nihena ny isan’ny ankizy nahatontosa vaksiny mahazatra nandritra ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana noho ny tahotra valanaretina Coronavirus.Vonjy A.    L’article Tokony hotohizana ny fanaovam-baksiny: mitombo ny ankizy matin’ny kitrotro maneran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar
25/11/2020

Trouver des actions efficaces afin de lutter contre la violence faite aux filles et aux femmes, relève maintenant de l’urgence.   Face aux nombreux cas de violences à l’égard des filles et des femmes, particulièrement médiatisés ces derniers temps, il urge de réduire, voire d’éliminer ce fléau qui anéantit des vies entières, suite aux traumatismes physiques, psychologiques et sociales causés par ces violences. C’est ainsi que se tient, à partir de ce jour, et durant quatre jours (du 25 au 28 novembre 2020) au Centre Arrupe Madagascar sis dans l’enceinte de l’ECAR Faravohitra, un atelier de réflexion avec les premiers acteurs en contact avec les victimes, mais également les institutions spécialisées, afin d’identifier les origines et les causes des violences à l’égard des filles et des femmes. Ce, en partant des expériences de prise en charge des victimes et de leurs familles, des leçons tirées des mécanismes de prévention et de gestion des violences de ces acteurs.   Participants. Plusieurs entités, institutions expertes et société civile, figurent parmi les participants à cet atelier de réflexion : magistrats spécialisés, ministère de la Population, de la Protection sociale et de la Promotion de la Femme, ministère de la Justice, UNICEF, brigade Féminine de proximité, centre d’accueil et acteurs religieux, MenEngage Madagascar, Commissaire divisionnaire de police, doctorants et psychothérapeute. « L’objectif est de mettre à l’écrit des orientations nouvelles à soumettre aux décideurs politiques et sociaux, aux acteurs de développement et aux églises », souligne alors le Centre Arrupe Madagascar, hôte de ces journées de réflexion. Rappelons que Madagascar a déjà adopté la Stratégie Nationale de  la Lutte contre  la Violence Basée sur le Genre (VBG) avec  l’appui de l’UNFPA, et en parallèle l’UNICEF a soutenu la Stratégie Nationale de lutte contre les mariages des enfants pour l’année  2017-2024.   Débat de fond. Cet atelier de réflexion sera alors un espace où s’ouvrira un débat de fond avec toutes les forces vives de la nation. L’actuelle explosion du nombre de cas, rapportés dans les médias, met l’opinion publique face à une triste réalité, tandis que les statistiques du ministère de la Justice dénonce 1 cas de viol par jour en moyenne cette année, jusqu’au mois d’octobre, et 750 cas de viols répertoriés en 2019 avec 16 cas de décès. Ces dernières semaines, on assiste à une explosion du nombre de cas de violences, de viols sur mineures, voire sur des bébés, marquant les lacunes du système de protection des victimes de violences. Hanitra R. L’article Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Violences à l’égard des filles et des femmes : 4 jours de réflexion au Centre Arrupe Madagascar a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fametrahana fotodrafitrasa: hanomboka ny fanamboarana an’i Miami – Toamasina
18/11/2020

An-dalana ny asa rehetra. Nidina tany Toamasina ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ary nanambara ny hanombohan’ny asa fametrahana ny Miami, any an-toerana.Nambarany tamin’izany ny dingana voalohany amin’ny fanombohana ny asa, voafaritra amin’ny «zone nord», eo anelanelan’i Hopitalibe sy ny Hotel Neptune.Hisy kosa ny fananganana fotodrafitrasa sy ny toerana fitsangantsanganana rehefa vita ny fanajariana sy ny fanamafisana ny sisin-dranomasina “Voile de soutènement”. Eo koa ny kianja marolafy fanaovana fanatanjahantena sy fialamboly isan-karazany “terrain de basket, skatepark, terrasses + ventes coco, jardin des amoureux…”Fanampin’izany, hahazo fanohanana ho matihanina ireo mpivarotra amoron-dranomasina. Haverina sy homena toerana voavoatra sy voatokana amin’ny asany izy ireo. Anisan’izany ny kilalao, ny zava-pisotro, ny mpaka sary, ny tekateka, ny “coco”, ny “taxi-phone”, ny “box” manara-penitra…Fitokanana lalana “béton”Ankoatra izany, nisy koa ny fijerena ny fotodrafitrasa. “Ity lalana manamorona ny ranomasina, boulevard Ratsimilaho, ity no maha Toamasina hatramin’izay. Ity ny mitsena anao vao mivoaka ny seranam-piaramanidina”, hoy izy. Lasan’ny rivodoza izany ary tsy nisy nanamboatra intsony. Nampantena ny filoha ny hamerenana ny reharehan’i Toamasina amin’ny fanamboarana izany lalana izany.  “Hampiakarina hahatratra 6 m ny haavony tsy hatahotra intsony loza voajanahary. Hatsaraina ihany koa ny torapasika manamorona azy“, hoy ihany izy. Notokanana tamin’izany koa ny lalana “béton” manomboka eo Morafeno mankany amin’ny sekoly manara-penitra ao Toamasina.Synèse R.L’article Fametrahana fotodrafitrasa: hanomboka ny fanamboarana an’i Miami – Toamasina a été récupéré chez Newsmada.