Nitsoaka nandositra ilay 4X4 nifaoka olona iray

News - Nitsoaka nandositra ilay 4X4 nifaoka olona iray

News - Nitsoaka nandositra ilay 4X4 nifaoka olona iray

Naratra mafy ary tsy nahatsiaro
tena mihitsy ity tovolahy iray, 21 taona eo ho eo, nofaohin’ny
fiarakodia 4X4 iray, mitondra laharana vahiny, tetsy akaikin’ny
Pulman Alarobia, ny asabotsy tolakandro teo. Tsy nahalala nijanona
akory ity fiara 4X4 fa vao mainka nirifatra nandositra. Ilay
tovolahy voadona, nitsirara tsy nahatsiaro tena teo amin’ny arabe.
Ankoatra ny fanapariahana ny mombamomba ity fiara 4X4 ity, izay tsy
misy afa-tsy ny hoe “miloko manga”, ny namonjy ilay naratra aloha
no nahamay ireo polisy etsy Analamahitsy, sendra teny an-toerana.
Avy hatrany dia nentin’izy ireo teny amin’ny hopitaly ity
niharam-boina.

Fantatra fa na dia mafimafy ihany
aza ny dona nahazo azy, efa manomboka mahatsiaro tena ity tovolahy
ity eny amin’ny hopitaly, amin’izao fotoana izao. Eo am-pikarohana
fatratra ilay fiara 4X4, izay marihina fa tsy voaray ny nomeraony,
kosa ny polisim-pirenena amin’izao fotoana izao. Izay indrindra no
angatahin’izy ireo ny rehetra manam-baovao momba ity fiara ity mba
hampandre na hiantso ny Brigade des accidents amin’ny 034
05 517 24.

M.R. 

 

Article tiré de Newsmada

L’article Nitsoaka nandositra ilay 4X4 nifaoka olona iray a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 12/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy…

Mbola resaka hafa ny taxi-be sy ny fihoaram-pefy ataon’izy ireo.  Niserana ihany ny fampiharan-dalana ho an’ireo sarety sy posy ary kalesy teto Antananarivo Renivohitra. Miverina sahady ny gaboraraka eny an-dalana. Manjaka amin’ny fotoana rehetra izy ireo. Antony miteraka fitohanana lavareny manampy trotraka ny fanamboaran-dalana ary mampikaikaika ny maro anefa ny fikisahan’izy ireny eny an’arabe.Ankoatra ny fandikana ny fotoana iasana, manimba zavatra ary tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana ireo mpitarika posy sy sarety ireo. Betsaka ireo efa velon-taraina amin’ny fahapotehan’ny fiara amin’ny hafitsok’izy ireny.Miala maina anefa ireo manana ny simba satria tsy misy fiantohana ireny sarety sy posy ireny. Ankoatra izany ny vava ratsy sy ompa hataon’ireo mpitarika azy izay tsy manaiky hanana ny fahadisoana.Anisan’ny sosokevitr’ireo mpampiasa ny fifamoivoizana ny tokony hametrahana lalàna mazava, manaraka ny zava-misy ankehitriny sy fampiharan-dalàna hentitra sy maharitra amin’izy ireny.Tokony hazava ao anatin’izany lalàna izany ny refin’ny sarety na posy ampiasaina. Tokony  hiditra anaty trano fiantohana izy ireny hahafahana miady aminy raha manimba zavatr’olona.Tompon’antoka amin’izay mety ho fahasimbana ny mpitari-posy, tompon’ny posy ary ny tompon’ny entana entina.Efa napetraka mazava ny ora hahafahan’ireny mivezivezy izay voatondro fa manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 12 ora antoandro izy ireo no miasa ny maraina. Amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora kosa ny hariva.Voafetra ihany koa ny toerana hahafahan’izy ireo mivezivezy. Tsy azon’izy ireo aleha ny faritry ny afovoan-tanàna. Tafiditra ao anatin’izany ny ao Analakely, Ambohijatovo, Antaninarenina, Soarano ary Ankadifotsy. Tsy tokony hivezivezy amin’ny toerana misy fiakarana ihany koa ireny sarety sy posy ireny.Tatiana A L’article Fifamoivoizana eto an-dRenivohitra: miverina ny gaboraraky ny sarety sy ny kalesy… a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna

Miroso amin’ny fanalavam-potoana ny fanjakana. Tokony hifarana ny volana septambra izao ny fe-potoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Tsy azo ihodivirana anefa ny hanalavana ny hitantanan’izy ireo ny eny anivon’ny kaominina.   “Hanahirana ny hanendry delegasiona manokana (PDS) amin’ny kaominina miisa 1 695 ka hohalavaina ny fe-potoam-piasan’izy ireo na tokony ho efa tapitra aza” hoy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Tsy mbola niroso amin’ny fankatoavana ny tolokevitry ny eo anivon’ny Ceni ny fitondram-panjakana ny hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny 28 oktobra ho avy izao.Fanavaozana sy fanitsiana ny lisi-pifidianana “Hotanterahina amin’ny fotoana manaraka, amin’ny mahamety azy, izany”, hoy ihany ny eo anivon’ity minisitera misahana ny fitsinjaram-pahefana ity.Na izany aza, tombanana fa anisan’ny mety ho nampihemorana ny fifidianana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny resaka lisi-pifidianana, nahabe resaka taorian’ireo fifidianana intelo natao. Maromaro ireo antoko sy fikambanana ary koa fiarahamonim-pirenena nitaky ny hanavaozana na koa hanitsiana mihitsy ny lisi-pifidianana. “Hatao mialoha ny fifidianana ny fijerena izany ary mbola hiroso amin’ny karazana fikaonandoha aza ny rehetra”, hoy ihany ny minisitera.Kandidà ben’ny Tanàna lasa mpanolotsainaAnkoatra izany, voalaza fa mbola harindra sy hosokajina arakaraka ny isan’ny mponina ny sata sy ny lalàna hifehy ny fitantanana ireo kaominina manerana ny Nosy. Tokony hifanaraka, ohatra, ny isan’ny mponina sy ny filan’ny kaominina ahafahana mampandroso ny tanàna, miainga avy eny ifotony. Mbola olana koa ary tokony hijerena ny momba ny kandidà ben’ny Tanàna tsy lany nefa lasa mpanolotsaina avy eo. Zary lasa sakana ho an’ny fampandrosoana ny kaominina ho an’ny faritra sasany izany noho ny hevitra tsy mitovy…Aorian’ny volana mey 2020 ny fifidianana ben’ny Tanàna Araka izany, tombanana fa mety ho aorian’ny fanavaozana na ny fanitsiana ny lisi-pifidianana ny 15 mey amin’ny taona 2020 ny tetiandro vaovao ho amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Tsiahivina fa tsy mankasitraka izao fanemorana ny fifidianana izao ny ankamaroan’ireo fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ny Safidy sy ny KMF/Cnoe… Ho azy ireo, efa tsy fanarahan-dalàna izany…Synèse R. L’article Nihemotra ny fifidianana kaominaly: manohy ny asany aloha ireo ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray 22 taona tompon’antoka tamin’ny fandratrana polisy teo am-panatanterahana ny asany teny Ambodihady Ambohimanarina. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny 16 jolay tokony ho tamin’ny 5 ora maraina teny Ambodihady Ambohimanarina dia nitrangana fifamaliana teo amina olona roa tao Anosisoa Ambodihady. Nifamaly tamin’ny rafozam-baviny ity lehilahy voasambotra ity noho ny fidirana an-keriny tao an-trano fonenan’ny rafozam-baviny ary nodarohany tao ilay rafozany. Niantso polisy avy hatrany anefa ilay vehivavy vadin’ilay nahavanon-doza ary nilaza tamin’ny polisy fa novonoim-badiny ny reniny mipetraka ao Anosisoa. Tonga ara-potoana ny polisy avy ao amin’ny FIP sy ny avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimanarina (CSP6). Raikitra ny fifanenjehana ka raha vao nahatazana ireo polisy ity lehilahy ity dia nitoraka tamin’ny biriky avy hatrany sady nanompa variraraka. Voa teo amin’ny lohany ny polisy iray ka naratra mafy ary nalefa nentina notsaboina. Tafaporitsaka ilay lehilahy ka nitohy ny fikarohana nataon’ny polisy, tratra tao an-trano fonenany ao Ambodihady izy, ny zoma lasa teo.Jean ClaudeL’article Ambodihady: nidoboka eny Tsiafahy ny lehilahy iray nandratra polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ady amin’ny Covid-19: tonga ny fanampiana andiany fahatelo avy amin’ny Sinoa

Andiany fahatelo ny fanampiana avy amin’ny governemanta sinoa tonga teny Ivato, ny alarobia teo. Nandray izany ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, notarihin’ny sekretera jeneraly.Nahitana “kit” miisa 20 000 ahafahana manao fitiliana ny tsimokaretina Covid-19 sy “respirateurs” miisa 30 amin’izany fanampiana izany. Tanjona ny hanafoana ny valanaretina Covid-19, nandripaka Malagasy maro tao anatin’ny dimy volana.Fanatanterahana ny fandavantenan’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena rehetra amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 ireny fanampiana ireny, araka ny fandrisihana sy ny fanentanana nataon’ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, i Xi Jinping.  Nandritra ny fanokafana ny andiany faha-73-n’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana no nilazany izany.Nisy ny fandraisana anjaran’ireo teratany sinoa monina sy mila ravinahitra eto Madagasikara amin’ireo fanampiana ireo. Anisan’izany ny orinasa sinoa sy ny mpandraharaha ary ny olon-tsotra maneho firahalahiana eo amin’ny firenena sinoa sy malagasy.Tatiana AL’article Ady amin’ny Covid-19: tonga ny fanampiana andiany fahatelo avy amin’ny Sinoa a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Pétanque – Analamanga : Vingt-neuf clubs affiliés

Avant le championnat régional, la ligue de pétanque Analamanga a procédé au recensement de ses membres pour cette saison. En effet, 29 sont les clubs qui sont légalement inscrits dans la ligue à l’issue d’une liste publiée hier. Ce sont les clubs affiliés ayant effectué leur engagement. Par ailleurs, la ligue a annoncé que ceux qui ne figurent pas dans la liste, alors qu’ils devraient y être, peuvent encore faire une réclamation. Cette liste provient de la Fédération Sport Boules Malgache, souligne la ligue. Le sommet régional Analamanga de triplette constituée s’étalera ce week-end au boulodrome Para Ivato. Cela concerne toutes les catégories entre autres seniors hommes, dames, juniors et vétérans. Les inscriptions sont ouvertes à partir d’aujourd’hui jusqu’à vendredi. Par ailleurs, des concours sont organisés tous les jours par les partenaires de la ligue pour performer les boulistes. Ces concours se déroulent notamment au PAC Ampitatafika, au CBT Anosy, au CAI Ambodin’Isotry, au PCT et IBC Para Ivato. Les noms des clubs affiliés à la ligue Analamanga sont : – Cbi – Cosfa – Cbma- Cbt – Pfam – Ibc – Pac – Cb Zanzibar – Cb Behoririka- Mama – Caip – Ubm- Cbp – Uba – Pca- C Band – Pct – Pcb- Cb-Pro – Vespa – Asut- Abmi – Cb T2b – Cab- Fam – Cbwt – Asbt- Chujdr – Abs. Manjato Razafy L’article Pétanque – Analamanga : Vingt-neuf clubs affiliés a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - News Mada

Antso an’efitra ny an’ny Eveka sy ny FFKM: fihantsiana sy amboletra ny etsy amin’ny HCC 

Tsy misy mihaino ? Samy miantso fitoniana amin’izao fiandrasana voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC izao ny sehatra rehetra. Anisan’izany ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Frankofonia (OIF), ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny FFKM ary koa ireo mpanara-maso fifidianana eto an-toerana sy avy any ivelany miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena. Karazan’ny antso an’efitra ihany anefa izany raha ny tranga miseho etsy amin’ny HCC Ambohidahy. Efa herinandro izao ny hetsika ataon’ireo andiana olona vitsivitsy sy milaza ho mivoy ny fanorenana ifotony (HFI). Miezaka ny mandrangitra sy manao ny fomba rehetra hahitan’ny olona azy ireo amin’ny ambara fa feom-bahoaka, itakiana ny hanafoanana mihitsy ny fifidianana filoham-pirenena. Eo koa ny fitakiana ny hanokafana indray ny lisi-pifidianana na efa mazava aza ny voalazan’ny lalàna fa tsy azo atao intsony izany. Fihantsiana sy amboletra… Efa fihantsiana sy karazan’ny amboletra ny ataon’izy ireo ary tsy mihaino sy manao bemarenina manoloana ny antso avo ataon’ireo sehatra rehetra, indrindra fa ny eo anivon’ny fiangonana, ny amin’ny tokony hitoniana sy hametrahana filaminana, manoloana izao fifidianana izao. Iza ny tena ao ambadik’izao hetsika ho amin’ny fanakorontanana izao ? Efa tonga hatrany amin’ny fandorana fiara ny raharaha, omaly. Hanao ahoana ny hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana rahampitso ? Tahaka ny ahoana ny fepetra horaisin’ny fanjakana sy ny Emmo/Reg satria mety samy ho avy eny an-toerana ny mpiandany amin’ny kandidà roa ho amin’ny fihodinana faharoa. Eo koa ireo miandany amin’ireo kandidà 25, ankoatra ireo liam-baovao. Lalao baolina kitra iraisam-pirenena… Mifanindry amin’izany koa ny lalao baolina kitra iraisam-pirenena etsy Mahamasina, handraisan’ny Elgeco Plus ny ekipa avy atsy Zimbaboe. Raha sanatria resy ny solontenantsika, inona ny hitranga, aorian’ny lalao na ekena aza fa lalao efa ny tolakandro izany ? Mitaky fepetra sy andraikitra manokana avokoa izany rehetra izany mba tena hipetrahan’ny fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena, araka ny antso avo nataon’ireo sehatra samihafa voatanisa eo ambony. Ny fanapahan-kevitra tsy am-piheverana koa anefa, mety vao mainka handrehitra ny afo ? Zaran’ny sasany aza! Randria  L’article Antso an’efitra ny an’ny Eveka sy ny FFKM: fihantsiana sy amboletra ny etsy amin’ny HCC  a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fotodrafitrsa eny ifotony: miroso ny fanamboaran-dàlana ao Antsirabe

Mitohy hatrany ary mandroso ny asa fanamboarana sy ny fanarenana ny làlana ary ny fotodrafitrasan’ny lalana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe. Tafiditra ao anatin’izany ny sampanan-dalana miisa enina: ny “Rond point Voirie”, ny “Quatre chemins voirie”, ny sampanana Ambohimiandrisoa, ny sampanana Andranomadio, eo amin’ny “station” Total ary eo amin’ny “rond point route d’Ambositra”. Natao « béton armé” ny arabe amin’ireo sampanan-dalana ireo hampaharitra azy amin’ny orana sy ny fandalovan’ireo fiara vaventy.  Namboarina koa ny lalana mirefy 6 km eo an-tampon-tanàna. Eo ny lalana “Mareshal Foch”, miainga eo amin’ny “rond point Andranomadio”, mandalo ny tobin’ny zandarimaria, mankeo amin’ny “Hôtel des Termes”, hatao rarivato (pavet).Nidina ifotony ny minisitra Andrianainarivelo HajoManampy izany lalana miala eo amin’ny sampanana “station” Total mankeo amin’ny Jirama, atao tara. Tahaka izany koa ny lalana avy eo Antsenakely mandalo ny fonja mivoaka amin’ny RN7, atao rarivato (pavet) ary ny lalana avy eo amin’ny “rond point route d’Ambositra” hatreo Ambohimena. Nidina ifotony tahaka ny fanaony, nijery ny fandroson’ny asa, ny minisitry Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Andrianainarivelo Hajo, ny faran’ny herinandro teo. Nojerena tamin’izany ny olana tokony hovahana sy ny fanomezana toromarika amin’ny hampandrosoana haingana kokoa ny asa ary hanamafisana ny fanaraha-maso. Tsiahivina fa nanomboka ny 29 aogositra teo izao asa fanamboarana izao.Synèse R.L’article Fotodrafitrsa eny ifotony: miroso ny fanamboaran-dàlana ao Antsirabe a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany

Vavany avy hatrany! Tsy nifampitsitsy fa samy nanao izay ho afany ny tarika Ramadison Anosimanjaka sy ny tarika Ratovoson Ampahimanga, omaly nandritra ny fanokafana ny hetsika « Hiragasy makotrokotroka » eny amin’ny Rovan’Antananarivo. Na teo amin’ny fomba fiseho na tany amin’ny fomba fanehoana ny hafatra ampitaina, samy tsapa ho niezaka mafy nisarika ny mason’ny mpijery sy ny mpitsara ny tarika tsirairay.Raha ny fandaharam-potoana manaraka, any Alarobian’i Manjakandriana indray no hanohizana ny « Hiragasy makotrokotroka », ny 11 aogositra izao. Hitohy any Sambaina izany, ny 18 aogositra. Eny Talata Volonondry ny 25 aogositra. Hiazo ny Fidasiana Rovan’Ambohimanga kosa ny 1 septambra.Marihina fa ny 6 oktobra izao, eo amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ny famaranana sady hanolorana ny amboara ho an’izay mendrika izany.HaRy RazafindrakotoL’article Hiragasy makotrokotroka: nafana ny andro voalohany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fakana an-keriny an’i Rishi Chandarana : Gadra 10 taona an-tranomaizina i Bora sy ny namany

Niakatra teny anivon’ny PAC tetsy 67ha ny alakamisy teo raharaha fakana an-keriny ny teratany karana Rishi Chan­darana ny taona 2018. Voahe­loka higadra 10 taona an-tranomaizina i Bora sy zandrikely. Voasazy an-tranomaizina mandritra ny 10 taona i Ho­mady Ibrahim na i Bora sy Andriamampionona Onjaniaina na Zandrikely na koa Dadafara. Ireto farany izay efa naiditra am-ponja vonjimaika ny 27 janoary lasa teo noho ny raha­raha fakana an-keriny an’ilay teratany karana Rishi Chanda­rana, ny taona 2018 teny Anda­kana. Araka ny angom-baovao, nitory azy ireo i Milou Zahi­dahy, Navaza Verjee ary Asaga­raly Zahidahy. Tsiahivina fa nirongo fitaovam-piadina mahery vaika Kalachnikov i Bora sy ireo namany. Nitondra fiara iray marika Renault fourgon ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Norahonan’ireo olon-dratsy tamin’ny basy i Rishi Chan­darana ny tolakadron’ny 3 jona 2018 tokony tamin’ny 4 ora. Nentin’izy ireo tamin’ny fiarany ihany ilay teratany karana. Taorian’izay, voatazon’ireo jiolahy nandritra ny 10 andro izy. Votsotra kosa izy ny 13 jona 2018 tokony ho tamin’ny 8 ora alina rehefa avy nandoa vola ny fianakaviany.Henintsoa HaniL’article Fakana an-keriny an’i Rishi Chandarana : Gadra 10 taona an-tranomaizina i Bora sy ny namany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fitsoahana ny fonja: mbola ifampitadiavana ireo gadra enina nandositra

Mbola tsy hita nanjavonana raha efa sarona kosa ny sasany. Nambaran’ny eo anivon’ny mpandraharaha ny fonja fa mbola misy gadra tsy hita tamin’ny fahavakisan’ny fonja any Farafangana, ny taona 2020.« Enina ireo tsy mbola hita fa karohina amin’izao fotoana izao amin’ireo gadra, nitsoaka tany amin’ny fonjan’i Farafangana. Mbola handalo fitsarana avokoa ireo efa tratra satria heloka vaovao ny fandosirana ka ho voasazy indray izy ireo », hoy ny talen’ny fandraharahana ny fonja, R. Tovonjanahary, omaly, teny Faravohitra.Tsiahivina fa herintaona katroka tahaka izao, volana aogositra no vaky ny fonjan’i Farafangana ka tafaporitsaka tamin’izany ireo gadra 88. Nitora-bato ny mpiambina sy namaky ny varavarana izy ireo tamin’izany ary nahazo basin’ireo mpiandry fonja. Nisehoana fifandonana koa teo am-pivoahana. Naratra ny telo amin’ireo mpiambina. Nifarimbona ny mpitandro filaminana tany an-toerana ka azo sambo-belona ny 37 raha 20 ireo gadra maty voatifitra ary 31 kosa nifampitadiavana tamin’izany.Resabe teto amin’ny firenenaNiteraka resabe teto amin’ny firenena izany tranga izany. Nanitrikitrika ny fiarahamonim-pirenena PFNOSCM/Voifiraisana fa tsy tongatonga ho azy ireny herisetra miseho lany eto ireny. “Vokatry ny zava-misy iainana ara-toekarena sy sosialy, vao mainka nanery ny fahafahan’ny tsirairay… Mety anisan’ireo valin’ny herisetra ara-drafitra nifanesy nitranga tato ho ato ireny. Manjaka ny didin’ny be sandry amin’ny fiarahamonina. Tsy mino ny fahamarinana, ny rariny sy ny hitsiny, ny tsy fanavakavahana intsony ny fiarahamonina », hoy izy ireo tamin’izany.Efa-taona tsy voatsara tamin’ny halatra akohoNaneho hevitra koa ny mpiaro ny zon’olombelona fa tsy mifanaraka amin’ny zava-miseho ny fepetra noraisina tamin’ny alalan’ny fitifirana sy fanalana ain’olona. Nahitsy koa ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunelle, nilaza fa ohatra ny mora ilay mamono olona. “Nisy gadra efa efa-taona tsy notsaraina kanefa halatra akoho no nanagadrana azy, anisan’ny maty tao anatin’iny raharaha iny”, hoy izy.Araka izany, andrasana ny ho tohin’ny raharaha mba tsy maty momoka tahaka ireo tranga niseho teo aloha. Anisan’izany Antsakabary…Synèse R. sy Fano Nampahafantarina, omaly, ny fizotry ny fifaninanana hidirana ho mpandraharaha ny fonja. Miisa 500 ireo tonga amin’ny dingana voalohany tamin’ireo mpiadina miisa 9 261. Hiakatra amin’ny dingana manaraka izy ireo. Nohatsaraina ny fomba fiasa amin’ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Bianco raha tsy nisy izany tamin’ny roa taona lasa. Misy ny fampiasana “camera de surveillance” amin’ireo toerana rehetra hikirakirana ny laza adina.L’article Fitsoahana ny fonja: mbola ifampitadiavana ireo gadra enina nandositra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY
13/10/2021

Amidy Ordinateur portable HP en bon étatWindows 8.1 pro  Processeur Intel core 2duo  Ram 2gb  Graph AMD Radeon X2300 (256mb) Dur 100 go Ecran 14.1" Misy lecteur CD DVD.3 ports USBEfa misy Office 2016Batterie 50 mn environ Mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra. Azo antoka.Mail: kelydoda724@gmail.comFacebook: Doda Kely   Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Ordinateur portable HP Compaq 6910p AMIDY".

Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire
13/10/2021

Ayant 9ans d'expérience dans le domaine de l'enseignement et diplômé en Master Mathématiques. Je vous propose des cours particulier à domicile et ou en ligne - mathématiques (6ème --> Tle A, C, D, spé math ou techno) - mathématiques appliquées, mathématiques financières, statistiques, base informatiques(L1, L2, L3 Universitaires).  N'hésitez pas a me contacter pour plus d'information. Mr Jackis Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COURS PARTICULIER à DOMICILE MATHEMATIQUES programme française et/ou Malagasy et/ou Universitaire".

Emploi et services COMMERCIAL SENIOR
13/10/2021

 Nous recrutons pour un client dans l’impression et fabrication en papier :  COMMERCIAL SENIOR Missions :- Identifier des cibles pertinentes et rechercher de nouveaux marchés- Prospecter et développer le portefeuille clients- Assurer la gestion et le suivi de la relation clients BtoB- Participer à l’élaboration et l’optimisation du plan d’action commercial et le mettre en œuvre- Assurer le suivi de l’activité commerciale via tableaux de bord relatifs à l’activité Profil :- Titulaire d’un bac +3 en commerce, marketing, vente ou équivalent- Minimum 2 ans d’expérience réussie dans le domaine commercial- Possession d'un portefeuille client entreprise serait un atout- Bonne connaissance et intérêt pour le marché BtoB- Maîtrise des techniques de vente et de négociation- Bonne maîtrise de la langue française- Ayant une aisance relationnelle et un bon sens de la communication- Rigoureux(se), proactif(ve) et flexible- Titulaire du permis moto Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail, la référence COMMERCIAL-1021 Tél: 034 10 826 36Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services COMMERCIAL SENIOR".

Emploi et services Travail stable pour les Malgaches
13/10/2021

KAZAJOBS est une plateforme dédiée aux Malgaches qui veulent travailler depuis la Maison: (Assistants Virtuels) même pour les débutantsVous pouvez gagner des revenus depuis la maison... Un ordi, une connexion internet et le rêve d'une vie meilleure suffisent.Veuillez vous inscrire sur le lien : https://kazajobs.com/referral?&r=701037108 c'est totalement gratuitCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail stable pour les Malgaches".

Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE
13/10/2021

Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSEProfil : -  FEMME de plus de 20 ans -  Expériences dans le domaine de la vente de produits informatiques seraient un atout -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 2 minimum en Informatique -  Parfaite maîtrise du français oral/écrit et des outils informatiques et bureautiques, notamment Word et Excel -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Mission : -  Accueil client au magasin et réception d’appels clients -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Développement des ventes compte tenu des objectifs de ventes du magasinEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste de « STAGIAIRE VENDEUR »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une STAGIAIRE VENDEUSE".

Emploi et services Manao Instrumental
13/10/2021

Manao Instrumental Rap, rnb, zouk, tropical, salegy, reggae, ragga, évangelique, chorale, folk, piano, sy ny manodidina azy rehetra, tononkira, feonkira, video lyrics, mise en youtube, manampy vue am youtube, Afaka manome tononkiraAfaka manao video liricsFacebook.com/instrukreator Prix mora Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Manao Instrumental".

A vendre Tany Mora
13/10/2021

Raha tia hisitaka kely ny "VIlle", hitady toerana milamina sy rivotra madio dia ity no mety....Tany Mirefy 11a (1.100m²), efa- Mifefy tamboho biriky.- Amoron-dalala ary tongan'ny fiara rehetra.- Titré et Borné- Tanàna efa mandroso be. Tongan'ny BusToerana : Atsimon'ny Lac Vontovorona (19mn en voiture miala OASIS).Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Tany Mora".

Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
15/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services UN ou UNE INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE
13/10/2021

Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLEProfil : -  FEMME de plus de 25 ans avec expériences confirmées en Attachée de Direction à orientation commerciale -  Titulaire d’un diplôme Bacc + 3 minimum en Gestion -  Parfaite maîtrise du français ; l'anglais serait un grand atout -  Parfaite maîtrise des outils informatiques & bureautiques, notamment Word Excel ERP et outils digitaux -  Motivée, polyvalente, dynamique, rigoureuse, organisée, réactive, intègre et autonome Missions : -  Assistanat de Direction, lié notamment au Commercial et à l'approvisionnement -  Relations, contacts et suivis clients & fournisseurs -  Proposition d’offres commerciales adaptées aux besoins des clients -  Réalisation de reportings commerciaux et autresEnvoyez CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d'ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons une ASSISTANTE COMMERCIALE ET OPERATIONNELLE".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois
13/10/2021

Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois :Profil : - Jeune de moins de 28 ans dynamique mais posé(e) et marié(e) de préférence - Maîtrise significative et justifiée des logiciels Photoshop, Illustrator, In design, Quark xpress - Titulaire de Bacc + 2 minimum dans le domaine - Maîtrise du français - Sens créatif développé, autonomie, rigueur et polyvalenceMission : - Conception de tous les supports de communication (images, vidéos) - Conception de plans et maquettes 3D - Gestion et application de la stratégie marketing, média planningEnvoyez votre CV + photo + lettre de motivation et prétentions salariales à rhrecrutement0620@gmail.com en précisant comme objet du mail : "Candidature au poste d’INFOGRAPHISTE »Merci de s’abstenir si vous ne répondez pas aux critères.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Nous recrutons un ou une INFOGRAPHISTE pour une mission de 2 mois".

Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR
13/10/2021

Nous recrutons pour un client dans le domaine du transit:  DÉCLARANT EN DOUANE SENIORPoste basé à Antananarivo et Toamasina Missions :- Recueillir les informations nécessaires à l’établissement d’une déclaration en douane- Établir des nomenclatures douanières à utiliser- Réaliser la saisie des éléments d’une déclaration en douane à partir des documents reçus- Enregistrer les déclarations validées par le Responsable Douane- Garantir la transmission au service facturation des copies des DAU enregistrées dans la ligne de crédit de la société- Etablir les DAU draft pour les clients qui en ont besoin Profil:- Bac+3 a en commerce international ou équivalent- Expérience de 02 ans minimum dans le domaine similaire- Bonne connaissance des opérations douanières et des législations douanières- Bonne maîtrise de la langue française- Maîtrise des outils bureautiques- Rigoureux, Integer et dynamique Envoyez-nous votre candidature à talent@human-talent-consulting.com avec comme objet du mail la référence DECLARANTDOUANE-1021Veuillez préciser dans votre candidature la localité du poste qui vous convient. Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services DÉCLARANT EN DOUANE SENIOR".

Notsongaina

Vol dans un bus : Une femme blessée par les voleurs à Ampefiloha
16/10/2021

Une agression s’est produite dans la matinée d’hier à Ampefiloha, pendant laquelle la victime a été blessée par un pickpocket. Ce dernier a pris de force le téléphone d’une passagère tranquillement assise dans un taxi-brousse. Alors que la victime tenait son téléphone à la main dans un bus de la ligne 138, le voleur, de l’extérieur, n’a pas hésité à le lui arracher en faisant entrer sa main entre les vitres latérales du taxi-be. La femme a réussi à le repousser mais le malfrat n’a pas renoncé et a persisté jusqu’à ce que les vitres du véhicule se brisent. La victime a été sérieusement blessée au niveau de la tête due à l’interaction entre elle et le voleur. Après avoir réussi son coup, celui-ci a pris la fuite. La scène s’est déroulée en présence des autres voyageurs, du chauffeur et de son aide dans le taxi-be. D’après les témoignages des autres passagers, tout le monde était paniqué. Certains sont restés immobiles, d’autres ont tenté de s’interposer face à l’homme violent, mais en vain. « Les cas de vols sont fréquents dans le quartier, ils sont souvent commis par des pickpockets, mais jamais on n’a été confronté à une telle violence, comme ce fut le cas ici …» raconte un riverain. Les passants, en particulier les femmes, sont souvent la cible des voleurs. « Ce genre de scène est choquant à voir et à assister, nous avons tous la boule au ventre mais on ne peut rien y faire…». Les forces de l’ordre ont lancé des opérations anti-pickpocket mais le phénomène ne risque pas de disparaître facilement. Tous les jours, des victimes se plaignent des agissements de ces bandits, partout dans la ville. Yv Sam L’article Vol dans un bus : Une femme blessée par les voleurs à Ampefiloha a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fifampitokisana mila fahatokisan-tena
11/10/2021

Tsy fifampitokisan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana no lazain’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) no anisan’ny mahatonga ny olana aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Aiza na inona no tena fototra sy fositra amin’izany? Ahina lava ny mety hisian’ny korontana.Ny tsy fanajana sy fampiharana amin’ny antsipiriany sy manontolo ny lalàna ve, ohatra, no mahatonga ny fifampiahiahiana lava? Misy ny mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, mibahan-toerana loatra ny kajikajy sy paipaika politika ka voahosihosy ho azy ny lalàna… Eo koa ny rafitra, ny fomba fiasa…Tsy vitan’izay, ao ny tsy matoky tena amin’izay lazainy sy ataony, hany ka miahiahy hatrany ny hafa ho antony tsy fahombiazan’ny tena? Na tsy mahalala ny momba aza izy amin’izany, fa mitsapatsapa fotsiny ka mitsarapaka any amin’ny fahavoazana. Dia ny hafa no omen-tsiny, ialana vonkona…Atao ahoana, ohatra, ny handresen-dahatra ny hafa amin’ny fifidianana, raha ny tena aza tsy resy lahatra amin’izay lazaina sy atao? Iray tarika amin’izany ny matokitoky tena fahatany na mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ho voafidy. Nefa na herin’ny tena aza, ohatra, tsy fantatra mazava.Ekena, mety manao ny ataony tokoa ny hafa: ady fiady ny fifidianana. Mety eo koa ny lalàna, ny rafitra, ny fomba fiasa… Na izany aza, miankina  amin’ny fahatokisan-tena marim-pototra eo amin’ny tsirairay no anisan’ny manorina ny fifampitokisana amin’izay atao. Izay matoky tena no azo itokisana?Amin’izany, atao izay lazaina ary lazaina izay atao. Dia mifanara-maso sy mifampiteny: iza no manao inona, iza no tsy manatanteraka? Hampiharina ny lalàna amin’izany raha ilaina, na iza izy na iza manao ny tsy mety. Tsy misy henamaso na tahotra, na fangatahana andro. Ho vita ve izany?Izay ilay hoe miankina amin’ny tsirairay miaraka amin’ny fampiharan-dalàna, hisian’ny fangaraharana fa tsy hifampitahana an-toerana. Hisy fahatapahan-kevitra, fahasahiana, fahavononana, fijoroana…? Ny tena na ny tsirairay no antony, fa ny atao ihany no mampikorontana na tsia?Rafaly Nd.L’article Fifampitokisana mila fahatokisan-tena a été récupéré chez Newsmada.

CENI : Rapport de fin de mandat le 29 octobre prochain
13/10/2021

La CENI procédera à son rapport de fin de mandat du bureau permanent 2015-2021, le 29 octobre prochain à son siège à Alarobia. Elle est chargée de l’organisation et de la gestion de toutes les opérations électorales et référendaires. Dans l’exercice de ses attributions, la CENI agit en toute indépendance, impartialité, intégrité, transparence et professionnalisme. Elle est autonome, dans la prise de décisions qui entrent dans le cadre de l’exercice des attributions qui lui sont conférées par la loi. Les membres de la Commission Électorale Nationale Indépendante ne reçoivent aucune instruction dans l’exercice de leurs fonctions, et ne sollicitent pas d’instruction, d’ordre ou d’injonction d’aucune autorité publique, privée ou politique. Ces articles qui régissent la commission électorale n’ont pas été respectés, d’après certaines entités. Recueillis par Dominique R.L’article CENI : Rapport de fin de mandat le 29 octobre prochain a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président 
11/10/2021

La section Tana-ville de basket-ball a un nouveau patron, il s’agit de Mamisoa Lalaina Rakotomavo. Ce nouveau président a été élu à l’issue d’une Assemblée Générale Elective de la section en date du 26 septembre. La passation de pouvoir entre ce dernier et le président sortant Edson Rabakoherinjatovo, s’est tenue samedi à Ampefiloha. Sans tarder, les membres du bureau ont été déjà constitués. Le lancement officiel de leurs activités est prévu le 23 octobre et les projets à réaliser durant son mandat se divisent en deux grandes parties. « Nous aurons comme première tâche la multiplication des compétitions à commencer par la catégorie U10, afin que les clubs aient suffisamment de temps de jeu durant la saison. Nous devons aussi améliorer la technique de gestion et mettre en place une base de données. L’objectif final c’est de promouvoir la discipline dans la section, et de rehausser le niveau technique des joueurs. Pour cela, il est essentiel de trouver des partenaires clés. Ainsi, il est important d’avoir une collaboration étroite avec l’Etat afin que nous puissions bénéficier ou au moins avoir facilement un accès aux infrastructures sportives pour les championnats », a fait savoir le président. Les membres du bureau : Mamisoa Lalaina Rakotomavo (Président),  Helina Randrianjatovo (SG), Mialitiana Ratsimba (Trésorier), Jean Felix Andrianantenaina (Responsable technique),   Olivier Ranaivoson, Fenonjara Rakotomaharo, Arsène Rakotoarimanana, Prisca Radafy, Lalaina Randrianiaina (Conseillers), Idealisoa Ramanoelinirina (Secretaire). Manjato Razafy  L’article Basket-ball – Tana-ville : Mamisoa Lalaina Rakotomavo élu président  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Le désir des Malgaches d’’avoir une vie calme  
13/10/2021

Les Malgaches vivent cette période de l’après Covid sans vraiment manifester l’envie de réclamer une amélioration de leur situation. Ils subissent les événements avec  résignation. Ils affrontent les difficultés de la vie quotidienne en attendant de voir le résultat des actions du pouvoir. Ce dernier a essayé de peser sur les leviers de l’économie pour ramener le coût de la vie à un niveau raisonnable, mais on attend de voir le résultat des annonces qui ont été faites. Dans le contexte actuel, on ne peut que rester dans l’expectative. La communication gouvernementale occupe tous les créneaux de l’information. Les déplacements du chef de l’État sont l’occasion de conforter l’action qu’il mène pour le développement du pays. Le désir des Malgaches d’’avoir une vie calme   Les Malgaches n’ont plus le goût de la contestation. Il est loin le temps où ils étaient prêts à descendre dans la rue pour montrer leur mécontentement. Ils ont été laminés par la crise et ils sont plutôt attentifs à l’évolution d’une situation sur laquelle ils n’ont aucune prise. Ils regardent ce que fait l’État pour tenter d’améliorer leurs conditions d’existence. C’est le coût de la vie qui est au centre de leur préoccupation. L’annonce de l’arrivée de cargaisons de riz et plus tard de PPN pour stabiliser les prix est accueillie sans enthousiasme. Tout le monde attend de voir les effets de ces importations sur le marché pour se réjouir. Mais les citoyens restent plutôt sceptiques sur leurs effets à long terme car il s’agit d’actions conjoncturelles. Ils attendent des mesures de soutien plus concrètes des secteurs productifs pour relancer l’agriculture et l’industrie malgaches. Les difficultés actuelles n’ont pas diminué la capacité d’analyse des Malgaches, mais ils acceptent  ce que l’État fait aujourd’hui pour amoindrir les effets de la crise. Il est peut être malvenu dans les circonstances actuelles de faire des reproches. Les interpellations viendront plus tard. Actuellement, les Malgaches font le dos rond et préfèrent vivre leur vie de la manière la plus calme possible. Patrice RABEL’article Le désir des Malgaches d’’avoir une vie calme   a été récupéré chez Midi Madagasikara.

JIRAMA : Le DG limogé
14/10/2021

Il a été également décidé, lors du Conseil des ministres d’hier, la nomination du nouveau Directeur général par intérim de la JIRAMA, en la personne de Radanielina Rivo. Il remplace ainsi Vonjy Andriamanga qui vient d’être limogé de son poste de DG. Ce dernier a été nommé à ce poste le 18 décembre dernier. Recueillis par Dominique R.L’article JIRAMA : Le DG limogé a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Indray mijery
12/10/2021

334.000.000 Ar ny tentim-bidin’ny fanamboarana sy fanitarana ny sampan-draharaha mandray an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao amin’ny CHU Place kabary Antsiranana. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny masoivohon’i Japon no hahafahana manatanteraka izany. Tanjona ny hampavitrika ireo reny mikarakara tena any amin’ny hopitaly, toy ireo mitondra vohoka sy manao fandrindram-piterahana ary mitondra ny zanany hotsaboina sy hatao vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana. Tafiditra hatrany ao anatin’ny fanatrarana ny velirano fahadimy momba ny fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ny asa fanitarana sy fanatsarana.Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny hanaovana tolo-bidy hanamboarana ny “pipeline” na fantsona lehibe mitondra rano miainga ao amin’ny reniranon’i Efaho mankany amin’ny faritra Androy. Mirefy 69km ny halavan’ny fantsona hitarihana ny rano hamatsy ny tanànan’Androy manontolo. Heverina hivoaka amin’ny 13 oktobra izao ny “appel d’offre” . Hosafidina aorian’izay ny orinasa hanatanteraka ny asa sy izay tena mahavita azy tsara. Haharitra 12 volana na herintaona ny  asa ka hahazo rano amin’izay ny ao Androy. Hanondraka velaran-tany mirefy 2.000 ha  sy hamatsy rano amin’ireo tanàna 60 mahery ao Androy ny rano miainga any Efaho.Hisy koa ny toerana manokana hahafahan’ny biby fiompy madinika misotro rano amin’ity dingana voalohany ity.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Banky iraisam-pirenena sy FMI: fanarenana ny toekarena ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana
11/10/2021

Hatao ny 11 hatramin’ny 17 oktobra 2021 ho avy izao ny fivoriambe isan-taona fanaon’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Isan’ny hodinihina ny fanarenana ny toekarena aorian’ny Covid, ny fiovan’ny toetr’andro ary ny varotra iraisam-pirenena.Hisy tomponandraikitra ambony avy any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana maromaro, hanatrika ity fihaonan’ny roa tonta ity, hiaraka handinika ny fanamby efa tanterahina sy ny mbola ho avy.Anisan’ny lohahevitra hodinihina, rahampitso 11 oktobra, ny fepetra horaisina hisian’ny fitomboana ara-toekarena tena mipaka any amin’ny rehetra, indrindra any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Ho an’ny talata 12 oktobra, hokarohina ny vahaolana hanamafisana ny fahasalamana ka hanafainganana ny fitsinjarana ny vaksiny miady amin’ny Covid. Hanazava ny asan’ny Banky iraisam-pirenena ny filohany, i David R. Malpass, ny 13 oktobra, handrindrana ny fanarenana ny toekarena afaka miatrika ny Covid.Atrehina ny fiovan’ny toetr’androHo dinihina ny 14 oktobra ny asa tokony hataon’ny firenena tsirairay sy ny orinasa manoloana ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro. Hokarohina ny asa ho vahaolana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, ahitam-bokatra maneran-tany. Ho an’ny 15 oktobra, hojerena ny lanjan’ny varotra iraisam-pirenena ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana, hijerena ny fomba hanamorana ny fifanakalozana sy hampihenana ny masonkarena.Mivory indroa isan-taona ny BM sy ny FMI, ka hatao isaky ny volana avrily ny antsoina hoe fivoriana lohataona ary izao atao isaky ny oktobra izao ny fivoriambe isan-taona. Misahana ny fampandrosoana mivantana ny lafiny toekarena sy sosialy ny BM ary miompana amin’ny fanampiana ara-bola ny fanjakana isaky ny firenena ny FMI.Njaka AndriantefiarinesyL’article Banky iraisam-pirenena sy FMI: fanarenana ny toekarena ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana a été récupéré chez Newsmada.

« Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina
12/10/2021

Mamoha, mitrandraka, mampahalala, manome sehatra ary manaparitaka ny mozika miaina ny « Angaredona ». Anjaran’i Toamasina indray no mandray ny andiany faha-16.Mbola tsy mikatona ny fery navelan’ny hamehana ara-pahasalamana, ho an’ny sehatry ny zavakanto. Na izany aza, efa nanombana Rajery tamin’ny volana jona, fa hotontosaina any Toamasina ny « Angaredona » amin’ity taona ity. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, nanamafisana ny fisian’ity hetsika lehibe ho an’ny mozika miaina ity. Fantatra fa hotontosaina ny 21 hatramin’ny 24 oktobra ho avy izao ny « Angaredona » andiany faha-16, ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Manankarena zavakanto, indrindra ny mozika iny faritra atsinanana iny. Mbola voaporofo izany nandritra ireo fitetezam-paritra nataon-dRajery sy ny ekipany, nikaroka ifotony izay mahakasika ny mozika malagasy rehetra. Antony nisafidiana ny toerana, ary mbola nanamafy izany ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, izay mpanakanto fanta-daza rahateo. Mifikitra amin’ny tanjona napetrany hatrany am-boalohany ny « Angaredona », raha ny fanazavan-dRajery, izay vy nahitana ny hetsika. Mampiaina, mampita ny manome lanja ny tafan-kolontsaina, izay harembakoka lehibe eto Madagasikara. Teny an-dalana teny, lasa sehatra ho an’ny kolontsaina isam-paritra ny « Angaredona ». Maro ireo mpanakanto nofohazina na nasondrotry ny hetsika, izay samy mivoy ny mozika miaina avokoa. Nametraka tanjona fanampiny, toy ny fivoizana ny firaisankina sy ny fihavanana malagasy, ary ny fanentanana ny tanora hitodika amin’ny kolontsaina ny hetsika. Nametraka ny maha fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny kolontsaina rahateo ny “Angaredona”, ka ny hita maso akaiky indrindra dia ny lafiny fizahantany mandritra ny hetsika. “Hozaraintsika amin’ireo ankizy sy ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy hatrany ivelany ny kolontsaina malagasy”, hoy kosa ny nambaran’i Patrick Pisal Amida, tale jeneralin’ny Telma, izay hanana andraikitra lehibe amin’izay fanapariahana izay. Tsiahivina fa mpanakanto maro, mivoy ny mozika miaina marolafy, avy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no handray anjara amin’ny “Angaredona” any Toamasina amin’ity. Mazava loatra fa hahazo sehatra bebe kokoa ny avy ao an-toerana.Zo ny AinaL’article « Angaredona andiany faha-16 : ho kianja ivelaran’ny mozika miaina i Toamasina a été récupéré chez Newsmada.

Tsy fandriampahalema ao Toamasina: namory ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny lehiben’ny OMC
12/10/2021

Mirongatra izaitsizy ny asan-jiolahy mahatonga ny tsy  fandriampahalemana ao Toamasina, ankehitriny. Ny fahatsapana izany indrindra no anton’ny fivoriana lehibe niantsoan’ny prefet-n’i Toamasina, izay sady lehiben’ny OMC ny lehiben’ny mpitandro filaminana (miaramila, zandary, polisy), ny lehiben’ny boriborintany, ny sefom-pokontany sy ny lefiny miisa 138, ary ny fikambanana mampiasa ireo fitaovam-pitaterana (bajaj, posy bisikileta), ny zoma teo, tetsy amin’ny lapan’ny prefektiora, Mangarano. Momba ireto fitaovam-pitaterana (ny bajaj na posy bisikileta) ao Toamasina ireto, voalaza fa toa ampiasain’ny mpanao ratsy hitaterana entana halatra azo avy amin’ny fandrobana sy vaky trano, fandrobana tranombarotra. Miray tsikombakomba amin’ny jiolahy àry ve izany izy ireo ? Asa, fa ny zava-misy, efa maromaro tamin’izy ireo ihany no voasambotry ny mpitandro filaminana.Mpianatra telo lahy tratra nitsindrona héroine…Ankoatra izay, niara-niaiky ny rehetra fa noho ny fihanaky rongony sy ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne, cocaïne, scquinque…), izay efa manomboka be mpampiasa amin’izao fotoana izao no antony iray lehibe mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Hatramin’ny tanora sy ny mpianatra any amin’ny Lycée sy ny oniversite aza, ankehitriny dia tafaroboka tanteraka amin’izany. Anisan’izany izao ny fahatrarana mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy telolahy, nitsindrona héroïne ary hiakatra fitsarana amin’ny herinandro io. Izao fihanaky ny fidorohana zava-mahadomelina izao no niarahan’ny rehetra niaiky fa mahatonga ny firongatry ny tsy fandriampahalemana (vonoan’olona, fandrobana, halatra sy vaky trano…) ao Toamasina. Hisy, araka izany, ny fiaraha-mientan’ny hery rehetra, ny mpitandro filaminana mivondrona ao anivon’ny OMC, tarihin’ny prefet, an-daniny, ary ireo tomponandraikitra ifotony, ny avy ao amin’ny boriborintany, ny fokontany… an-kilany.SajoL’article Tsy fandriampahalema ao Toamasina: namory ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny lehiben’ny OMC a été récupéré chez Newsmada.

Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga
11/10/2021

Nifarana, omaly, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara, N1A lahy sy vavy, taona 2021. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga.Nanao pao-droa ny ekipa an’Analamanga, tamin’ity fifaninanam-pirenena N1A 2021 ity.  Nafana sy nampitsanga-nitoetra ny mpijery ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Niakatra ny lentan’ny mpilalao tamin’ity, hany ka niady ny fifandonana. Teo amin’ny vehivavy, fitaintainana hatramin’ny farany ny niandrasana izay hibata ny amboara. Na dia somary nangatsiatsiaka aza ny ekipan’ny SBBC Boeny tany am-panombohana, nanezaka mafy izy ireo ka nitsimbadika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tsy nahasakana ny ekipan’ny Mb2All anefa izany ka azony ny amboara, tamin’ny isa 71 no ho 69, sengondra vitsy tsy hifaranan’ny lalaon’ny roa tonta. Tsiahivina, intelo nisesy izao ny nisaloran-dry Malala sy ry Rasoa ary ry Murielle ny anaram-boninahitra ho tompondaka an’i Madagasikara. Laharana faharoa toy ny tamin’ny taon-dasa hatrany kosa ny ekipan-dry Maeva, Coralie, Dalya ary Sarobidy.Nangotraka ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy Toraka izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nangotraka ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny Sebam Boeny, nandritra ny lalao, omaly. Ekipan’ny samy henjana ka samy tsy nisy nanaiky lembenana. Nifandimbiasana ny fampitomboana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Nisy fotoana efa nifanakaiky be 22 no ho 23 ny isa, nandritra fizaram-potoana faharoa.  Nitohy tamin’ny fizaram-potoana fahatelo sy farany izany, somary nihalefy kely anefa ny herin-dry Faralahy sy ry Martial ka nobatain’ny ekipan’i Livio sy ry Kakay mora foana, tamin’ny isa 57 no ho 50 ny fandresena. Indroa izao ny nisaloran’ny Cospn izao tompondaka nasionaly ny N1A, sokajy lehilahy izao.Lavo tamin’ny manasa-dalana ny andrarezinaTsy nampoizin’ny maro ny valin-dalao teo amin’ny manasa-dalana, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nolavoin’ny Sebam tamin’ny isa hety dia hety …. ny andrarezina, ny GNBC. Tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo kosa anefa ity ekipan’ny Zandary ity, rehefa nandavo ny Cosfa tamin’ny isa 68 no ho 60. Laharana fahadimy ny Mb2All, faha-6 ny Ascut, faha-7 ny Cospn 2 ary faha-8 kosa ny As Fanalamanga. Teo amin’ny vehivavy, laharana fahatelo ny Cospn2 Atsinanana rehefa nanilika ny Ankaratra, tamin’ny isa 66 no ho 65. Laharana fahadimy ny Jea Vakinankaratra, faha-6 ny Serasera Vakinankaratra, faha-7 ny Tamifa Amoron’i Mania ary faha-8 kosa ny Ascut Atsinanana.Mi.RazVehivavyMM:  Ramino Nivo Irma N°7 – COSPN2 (192)MVP:  Ranarisaona Elinah Chantiah N°23 -MB2ALLEkipa Fair play: Serasera VakinankaratraLehilahyMM: Tsialefitra Jino N°14 – COSPN2 (252)MVP: Ratianarivo Livio N°06 -CospnEkipa Fair Play: Ajrt Androy L’article Basikety N1A 2021: misalotra ny anaram-boninahitra ny Mb2All Analamanga sy ny Cospn Analamanga a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony
10/10/2021

Teny amin’ny trano fiasany teny Fiadanana no nandraisan-dRamatoa minisitry ny fampianarana ambony, ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana izay miasa sy monina eto Madagasikarara. Dinika tsotra sy tamin’ny fomba fifanajana no nisy teo amin’ny roa tonta ka nahafahan’izy ireo nanasongadina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanaovana sonia tetikasa lasitra momba ny fiarovan’ireo tanora ny zon’olombelona sy fametrahana ho fanamafisana ny fandriampahalemana, sy ny fametrahana ihany koa ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny fiaraha-monina… Ity tetikasa ity izany raha ny marimarina kokoa dia vokatry ny asan’ny OHCHR sy ny UNESCO ary vatsian’ny PBF vola, izany dia ho fanohanana ireo tanora mianatra eny amin’ny oniversité eto amintsika. Navoitran’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice, nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fifandraisan’ireo samy mpianatry ny oniversité, indrindra rehefa misy fihetsiketsehana sy fitakiana ataon’izy ireo… Ny  tetikasa « Rary Aro Mada » ihany koa, hoy izy, no hanampy amin’ny fanabeazana ireo tanora, ary ahafantarany tsara izany fiarovana ny zon’olombelona izany, ary ny fiarovana ny fananana iombonana ka mba tsy hisian’ny fihetsika mety ho fanimbàna na koa hnelingelenana ny fizotry ny fampianarana. Izany indrindra dia mba ahafahana manala ny tanora amin’ny haraton’ny kotontana ara-piaraha-monina sy ara-politika Issa Sanogo, ilay mpandrindra maharitry ny rafitry ny firenena mikambana eto amintsika kosa tetsy ankilan’izany dia niarahaba sy nankasitraka an-dRamatoa minisitra amin’ny fanohanan’ny minisitera izay tarihiny ity tetika ity ho an’nireo tanoran’ny oniversite eto amintsika. Cet article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article Tetikasa « Rary Aro Mada » Tohanan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony a été récupéré chez Délire Madagascar.