Niara-niasa nandritra ny 10 taona mahery: « Tsotra sy malemy fanahy Ramahafadrahona », hoy i Dadafara

News - Niara-niasa nandritra ny 10 taona mahery: « Tsotra sy malemy fanahy Ramahafadrahona », hoy i Dadafara

News - Niara-niasa nandritra ny 10 taona mahery: « Tsotra sy malemy fanahy Ramahafadrahona », hoy i Dadafara

“Raha teo amin’ny tontolon’ny
kolontsaina, iray amin’ireo olona akaiky an-dRamahafadrahona aho”,
hoy Ramilson Dadafara, omaly. Raha ny nambarany, tao anatin’ny 10
taona eo ho eo no niarahan’izy ireo nanolotra ny fandaharana momba
ny hiragasy tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM). Ramahafadrahona
rahateo no tompon’andraikitra sy nanatontosa io fandaharana io.
“Tao anatin’izay fotoana naharitra izay, ireto toetra ireto no
hitako sy tsapako tao amin-dRamahafadrahona. Olona be fitiavana,
tia fihavanana, tsotra sy malemy fanahy ary mora mifandray
aman’olona”, hoy hatrany i Dadafara. Nohamafisiny fa “ anisan’ny
nahafinaritra ahy taminy dia ilay fandalana ny kolontsaina malagasy
nentim-paharazana. Tena tiany io”.

Nambaran’i Dadafara fa anisan’ny
manome torohevitra olona maro Ramahafadrahona. Ataony am-pitiavana
izany hany ka satry hihaino azy foana. Manana talenta amin’ny
fitantarana ny zava-misy rahateo izy. “Iray amin’ireo tena
nahaliana ahy tamin’ireo notantarainy, ohatra, ny fizotran’ireo
seho nataony tany ivelany. Nambaran-dRamahafadrahona tamiko
tamin’izany fa marobe tokoa ny vahiny no liana sy voasariky ny
vakodrazana malagasy”, hoy hatrany i Dadafara Hiragasy.

Raha ny fijoroana vavolombelona
nataon’i Dadafara, marobe ireo nandray sy nanovo soa
tamin-dRamahafadrahona teo amin’ny tontolon’ny kanto.

HaRy
Razafindrakoto

Article tiré de Newsmada

L’article Niara-niasa nandritra ny 10 taona mahery: « Tsotra sy malemy fanahy Ramahafadrahona », hoy i Dadafara a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 22/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Santé

Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA.

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.L’article Décision N°3632/2020-MSANP fixant l’ouverture du recrutement par contractualisation de 12 Sages-femmes auprès de la Direction Régionale de la Santé publique, Alaotra Mangoro dans le cadre de la riposte contre le covid-19, financé par l’UNFPA. a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

Tontolon’ny Rap gasy: hiverina indray i Noum’s Montana

Efa ao anaty ilay zavakanto ka tsy azo ampanginina na totorana. Anisan’ny miaina izany ihany koa i Noum’s Montana. Ho azy, mbola maro ny tanjona manoloana ny tontolon’ny rap gasy …Nomena Nantenaina Andriamaromanebo na i Noum’s Montana, no tena ahafantaran’ny maro azy eo amin’ny tontolon’ny mozika. Tao Antsirabe, tanàna nahalehibe azy rahateo no nitsirian’ny talentany voalohany ka nirosoany teo amin’ny tontolon’ny rap. Ankehitriny efa eto Antananarivo izy. Ny vondrona ”zaza mainty” tao Antsirabe no nisy azy tamin’ny voalohany fa rehefa niakatra taty Antananarivo, nisafidy ny andeha irery ny lehilahy.“Rehefa somary tsy henoheno kely teo dia hiverina indray satria somary sahirana tamin’ny fianarana teny amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo aho. Ny tena tanjona amin’ny ilay fanaovana mozika rap, ny  hanabeazana sy hampitana fomba fijery  manokana amin’ny lafim-piainana maro samihafa. Izany hoe, amin’ny alalan’ ilay zavakanto ataoko no ampitako hevitra”, hoy i Noum’s Montana.Miezaka mampivelatra sy mampahafantatra ny talentanyAnisan’ny hira nahafantarana an’i Noum’s Montana ny ”Raha Mozika” niarahana tamin’i Ndoas, izay manazava sy mamaritra ny mozika ataony amin’ny ankapobeny. Teo ihany koa ny hira ”Ny kolontsaiko” niarahana tamin-dry Doublenn, Psykopasy, Buddha El Taga”, izay manazava sy mamaritra ny fandraisany ny tontolon’ny zavakanto na ny kolontsaina Hip Hop. Mbola rakikira « audio » daholo hatreto  fa tsy mbola misy rindrantsary.“Ankehitriny, tena miroborobo fatratra sy mivelatra hatrany ny mozika rap. Fa olana ny eo amin’ny resaka haino aman-jery amin’ny fandefasana ny sanganasa.  Soa ihany fa nisy ny “facebook” sy ny karazan-tambajotran-tserasera izarana ny mozika”, araka ny nambarany.NarilalaL’article Tontolon’ny Rap gasy: hiverina indray i Noum’s Montana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Asa ratsy tany Toamasina :: Voasambotra ilay mpiambina namono telo mianaka

Telo volana aty aoriana, tra-tehaka ny olona voarohirohy tamin’ny fanafihana niharo famonoana olona telo mianaka, tany Vohitsara Toamasina, tamin’ny 13 mey lasa teo. Voasambotra tany Ambodibonara Mahanoro, omaly, ilay mpiambina voatondro ho tompon’antoka voalohany tamin’io asa ratsy io. Tratra tamin’ny zoma lasa teo ny vadiny sy ny lehilahy iray hafa niray tsikombakomba taminy. Tsiahivina fa teratany frantsay sy ny vadiny teratany malagasy ary ny zanak’izy ireo, fito taona, ireo namoy ny ainy tao Vohitsara Toamasina. Tao amin’ny trano fidiovana no nahitana ny vatana mangatsiakan’izy ireo efa simba, tamin’ny alatsinainy 13 mey. Nokarohina nanomboka teo ny mpiambina izay noahiahiana voalohany. Mitohy ny famotorana an’ireto voasambotra. L’article Asa ratsy tany Toamasina :: Voasambotra ilay mpiambina namono telo mianaka est apparu en premier sur AoRaha.

News - Delire Madagascar

FIANARANA AMBARATONGA AMBONY TSY MIANKINA: Misy oniversite mampiasa ny fankatoavana lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra.

Betsaka ny tanora vao afaka bakalorea no tsy mahafantatra akory ny tena marina ambadiky ireny fianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana milaza fa “habilité par l’Etat”. Diso ny filazana hoe: “université habilitée par l’Etat” fa formation(s) habilitée(s) par l’Etat no fiteny. Tamin’ny mbola tsy nampiasa ny LMD no lazaina fa “agrée” na “homolguée ilay oniversite. Ankehitriny kosa, raha mampiasa ity rafi-pampianarana vaovao ity izy, ny lalam-piofanana isaky ny diplaoma no  hankatoavin’ny fanjakana. “Ny lalam-piofanana isan-tsokajiny no mahazo fankatoavana avy any amin’ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony fa  tsy ny oniversite velively”. Ny diplaoma isaky ny lalam-piofanana no mahazo fankatoavana. Manomboka amin’ny  Licence izany, Master, ary Doctorat. Be dia be anefa  ny oniveriste  tsy miankina no mampiasa ny fankatoavana ny lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra dia lazaina  fa “habilitée par l’Etat”. Ny tena zava-doza, raha diplaoma Licence ihany no nahazoana fankatoavana  dia entina handresen-dahatra ny mpianatra fa afaka manome diplaoma Master sy Doctorat ihany koa ilay ivom-pampianarana. Eto dia efa voafitaka ny mpianatra. Tsy fitia te hanakiana fa miteraka voka-dratsy ho an’ny mpianatra ny famitahana tahaka izany. Betsaka amin’izy ireo anefa no tsy mahalala fa tsy maintsy mandalo komity  nasionaly momban’ny fankatoavana na Conseil national de habilitations (CNH) ny famoahana didy manome alalana hampianatra ilay lalam-piofanana. Mitaky andraikitra goavana ho an’ny oniversite izany avy eo. Anisan’ny fepetra takiana izao fa tsy maintsy mpampianatra manana diplaoma Master no mampianatra  ny mpianatra L1,L2,L3 izany hoe: ireo haka Licence. Torak’izay ihany koa ny ao amin’ny sokajy manaraka, tsy maintsy manana Doctorat vao afaka mampianatra ankizy haka Master… Raha jerena anefa ny salan’isa, firy amin’ireo oniversite no mampihatra izany? Matoa napetraka izany fenitra izany dia ny fahafenon’ny   fahaizana hampitaina amin’ireo tanora no tanjona. Tsy mahagaga raha  mitotongana ny fari-pahaizan’ireo tanora vao vita fianarana eto Madagasikara satria mpampianatra mitovy kilasy aminy aza no nampianatra azy. Misy mihitsy aza mbola ambany diplaoma amin’izy ireo.  Rehefa tonga eny amin’ny sehatry ny asa, hita amin’izay ny lavaka. Tokony hisy ny fanaraha-maso  ataon’ny Ministera voakasika mba tsy hitrangan’izany intsony . Ary tokony hanadihady tsara ireo mpianatra fa tsy sodokan’ny “habilité par l’Etat” fotsiny. Mila mieritreritra ihany koa ireo oniversite fa tsy atao fitadiavam-bola fotsiny  no atao fa tokony hitsinjo ny ho avin’ireo mpianatra Malagasy. Nirina R. Cet article FIANARANA AMBARATONGA AMBONY TSY MIANKINA: Misy oniversite mampiasa ny fankatoavana lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra. est apparu en premier sur déliremadagascar.

News - News Mada

Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra”

Hatramin’izao, tsy mazava be ihany ny amin’ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra. “Tsy miankina amin’ny minisitera fa mahaleo tena ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina.“Momba ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra misy milaza hoe mila ny minisitera na ny andrimpanjakana. Andrimpanjakana ny mpanohitra. Ao anatin’ny lalàmpanorenana izay ary anatin’ny lalàna ihany koa.”Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika ara-politika, Ralambomahay Toavina, momba ny fanendrena izay ho lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, izay mbola mahabe resaka sy adihevitra politika amin’izao.Rehefa mifidy ny filohany, ohatra, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tsy mila minisitera na andrimpanjakana. Izy ihany dia efa mahaleo tena amin’izay fifidianana ny filohany izay. Tahaka izany koa ny Antenimierampirenena, tsy misy minisitera na governemanta rehefa mifidy ny filoha. Izy ihany no mahaleo tena mifidy izay filohany izay.“Toy izay ihany koa ny mpanohitra rehefa hifidy ny lehibeny: tsy mila minisitera, tsy mila governemanta, tsy mila HCC”, hoy ity mpandinika politika ity. Mahavita tena ny mpanohitra satria fantatra ny antoko mpanohitra misoratra anarana eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Mahaza ka tena izy raha ny marina.Ny olana: betsaka ny mandroritra ny lalàna fa samy manana ny fomba famakiany azy. Ny vokany, tsy nisy ny lehiben’ny mpanohitra hatramin’ny fitondrana Rajaonarimampianina hatramin’izao…Hahay hifanaraka àry ve ny samy mpanohitra amin’izao? Na mbola hifanohitra an-toerana ihany ny samy mpanohitra…R.Nd.L’article Ralambomahay Toavina: “Mahaleo tena ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fizarana an’i Vatovavy sy i Fitovinany: niarahan’ny ampanjaka sy ny filoha novahana ny olana

An-dalana ny fametrahana ny faritra faha-23 ary noporofoin’ny filoha ny maha raiamandreny azy. Nihaino ny hetaheta eny ifotony amin’ny fametrahana ny faritra faha-23, amin’ny fizarana ho faritra roa : Vatovavy sy i Fitovinany ny filoha Rajoelina Andry. Nihaona sy nitafa mivantana amin’ireo ampanjaka sy raiamandreny, olobe sy depiote ary ben’ny Tanàna miaraka amin’ireo vahoaka tany amin’ireo faritra ireo ny tenany, ny faran’ny herinandro teo. Tolokevitry ny filoha ny samy hananan’ny faritra roa distrika telo avy ka ho an’i Vatovavy ny distrikan’i Manakara, Vohipeno ary Ikongo. Ho an’ny any Fitovinany kosa ny distrikan’i Nosy Varika sy Mananjary ary Ifanadina. Nifaneken’ny rehetra koa fa hiaraka amin’ny any Manakara ny kaominin’i Namorona.  “Marina ny fangatahanareo satria akaiky kokoa ny ao Manakara ianareo rehefa dinihina ny saritany. Afaka amboarina ny lalana. Naneho ny faniriany momba ny fikarakarana taratasim-panjakana  koa ny vahoaka fa akaiky azy ireo i Manakara”, hoy ny filoha tao Namorona. Nanome toky ireo ampanjaka ny tenany fa ho avy ny fitaovana fanamboaran-dalana. Hapetraka ny fotodrafitrasa samihafa ary hamboarina hatao trano vato ny “Tranobe”.Nahazo fanomezana ireo ampanjaka…Hasiana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny tanàna rehetra. hatsaraina ny hopitaly ary hametrahana “Maternité” sy atao maoderina, ahitana trano fitarafana sy fandidiana izany. Toy izany koa ny sekoly hatao manara-penitra. Hapetraka ny borigadin’ny zandary, hanafoanana ny halatra lavanila sy jirofo. Notoloran’ny filoha fanomezana koa ireo Menalamba dimy mirahalahy sy ireo Ampanjaka miisa 49.Efa nialohavan’ny fitsidihana ny tany Mananjary, namangiana ny foibe fitaizana zaza kambana” Centre Tsy manary Zaza” ao Ambatolambo ny tenany.Etsy an-daniny, tsy maintsy hovitaina ny hopitaly manara-penitra ao Manakara ary hahazo  fitaovana : “Scanner, mammographie, radiographie numérique”  ny hopitaly rehefa vita. Efa nomena « Concentrateur d’oxygène”  sy « Ambulance médicalisée » koa ny distrikan’i Manakara. Nisitraka Vatsy tsinjo koa ireo tokantrano miisa 1000 ho fanombohana ary hahazo vola Tosika fameno 100.000 Ar kosa ny iray ampahefatry ny tokantrano ao Manakara.Synèse R. L’article Fizarana an’i Vatovavy sy i Fitovinany: niarahan’ny ampanjaka sy ny filoha novahana ny olana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Alefa depiote a!!! »

Kolikoly, fizarana vola amin’ny « malety », kinamanamana, tsy fahazotoana mamonjy fivoriana, fanararaotam-pahefana, tsy fanaovana tatitra any amin’ny vahoaka sy ny faritra nahavoafidy azy… Lava ny lisitra. Santionan’ny endrika ratsy nampalaza ny solombavambahoaka sy ny Antenimierampirenena ireo. Raha avadika amin’ny fomba hafa izay nambaran-dRtoa Razanamahasoa Christine solombavambahoaka, voafidy tany Ambatofinandrahana, zokiolona nitarika ny fivoriana voalohany, teny Tsimbazaza, omaly, very hasina tokoa ity andrimpanjakana lehibe eto amin’ny firenena, manaraka ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ity.Fanamby goavana ny nambarany, nandritra ny kabariny omaly: ny hampakatra ny hasin’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny tsara toerana “hiteronterona” eo amin’ny toeran’ny filohan’ity andrimpanjakana ity rahateo ny tenany, raha ny toerana sy ny lanjan’ny antoko misy azy. Solombavambahoaka avy amin’ny antoko maro anisa mpanohana ny fitondrana ny tenany. Tsy vitan’izay, kandidà tokana amin’ity fifidianana ho filohan’ny antenimera ity ny tenany. Tsy azo ihodivirana, araka izany, ny hahalany an’i Totoa Krisy (araka ny fiantsoan’ny olona azy) ho filoha, hitarika ireo solombavambahoakan’i Madagasikara miisa 151.Ny ho tena solombavambahoaka, hitondra ny feon’ny vahoaka, hiady ho amin’ny tombontsoam-bahoaka fa tsy ho an’ny tenany na ny antokony ihany, ny fanajana ny demokrasia marina fa tsy hifampiandany, tsy ho lany andro hifampitsikera,… Tsy misy hitondra ho amin’ny tena fampandrosoana ny firenena izany. Izany sy izay rehetra tsy voatonona no andrasana sy andrandrain’ny vahoaka amin’ny solombavambahoaka. Koa arahaba soa, arahaba tsara raha hanana fahavononana ho amin’izany tokoa ireto olom-boafidy mpanao lalàna ireto. Efa hisy rahateo koa eny Tsimbazaza, raha tsy misy ny sampona ny vondrona parlemantera mpanohitra. Hahatsara zavatra izany satria hisy tokoa ny fifandanjan-kery, hahamarin-toerana ny demokrasia eto amin’ity firenentsika ity. Indrindra ao anatin’izao rivo-baovaon’ny fampiraisana sy fampihavanam-pirenena nentin’ny Barea farany teo ireny. “Alefa depiote, alefa Totoa Krisy a !!!”Randria L’article « Alefa depiote a!!! » a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna

  Maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo tao an-tranony ao Marohazo, distrikan’i Maintirano, ny ramatoa, ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny alahady alina teo manodidina ny tamin’ny 8 ora sy sasany. « Ny zanak’anadahiny ny nahavanon-doza nahafaty azy », hoy ny loharanom-baovao iray. Io lehilahy io izay malaza ho dahalo raindahiny. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa maty nisy nitifitra ny rahalahin’io dahalo io ka ahina ho nahatonga izany ilay ramatoa ben’ny Tanàna io.Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa mpivarotra zava-pisotro ilay ben’ny Tanànan’i Marohazo. Ny alahady teo, tonga tao aminy ny lehilahy miisa efatra nisotro toaka, isan’izany ilay voalaza fa dahalo. Nivoaka tao ilay lehilahy manodidina ny 25 taona voalaza fa zanak’anadahiny ary nitifitra ny lamosin’ilay ben’ny Tanàna intelo tamin’ny basim-borona. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana 43 taona. Tsy naninona kosa ny zanany vavy 20 taona niaraka aminy tao. Nitsoaka sady nanao difi-danitra izy efa-dahy taorian’ny asa ratsiny. « Raha ny fanadihadiana natao, lonilony fianakaviana ny mety ho namonoana an-dramatoa ben’ny Tanàna », hoy ny fanazavan’ny zandary ao Maintirano. Nohamafisiny fa fantatra avokoa ny anaran’ireo efa-dahy tao an-tsena. Efa mandeha ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha.Henintsoa HaniL’article Marohazo Maintirano: maty voatifitry ny zanak’anadahiny ilay ben’ny Tanàna a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Rallye Motul FMMSAM: nandresy i Bona sy i Ny Anjara

Norombahin’ny ekipazin’ny Fmmsam sy Asacm, nahitana an’i Bona sy i Ny Anjara, nitondra ny fiara Subaru Impreza, ny “rallye Motul”, nokarakarain’ny klioba Fmmsam. Dingana faharoa, amin’ny fifaninanam-pirenena, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.  Tombony ho azy ireo, ny fahaizany nitazona ny fotoana tsara efa azony, teo amin’ireo “ES” natao ny andro farany. Tontosan’izy ireo , tao anatin’ny 1 ora 48 mn 17, 3 s ny fifaninanana, tamin’ity.Faharoa, nanaraka azy ireo, i Fred sy i A.T, mpanamorin’ny klioba Asacm, nitondra ny fiara Subaru Impreza. Tara, 1 mn tamin-dry Bona ireto ekipazy ireto, satria 1 ora 49 mn 59, 2 s ny fe-potoany, tamin’ity.Fahatelo, i Teddy sy Hermann avy amin’ny klioba FMMSAM, nitondra ny fiara Ford Ranger, nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 1 ora 50 mn 38, 8 s. Fahefatra, i Davonjy sy Tsilavo, niaraka tamin’ny fiara Foton Tunlands, 1 ora 50 mn 44, 4 s ary fahadimy Haja D sy i Rivo, 1 ora 52 mn 29, 6 s. Dingana manaraka ny rallye karakarain’ny klioba Asacm, hatao ny 14, 15, 16 jona, ho avy izao. Torcelin L’article Rallye Motul FMMSAM: nandresy i Bona sy i Ny Anjara a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Jirama: hotantanina toy ny orinasa tsy miankina

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoelina, omaly, ny fanapahan-kevitra hanarenana ny Jirama. Fantatra fa “tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny orinasa Jirama, manomboka izao. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana amin’ny antsipiriany ny fomba fitantanana sy ny vola, hataon’ny kabinetra miaraka amin’ny mpanara-maso ny kaontimbolam-panjakana (Cours des comptes) sy ny sampana Fanaraha-maso ankapobeny ny fanjakana (IGE)”.30 miliara Ar ny tsy naloan’ny fanjakanaHapetraka mazava ny tetiandro hanarenana ny orinasa ary tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ny sampandraharaham-panjakana ananan’ny Jirama trosa, mitentina 30 miliara Ar, raha asian-teny, nanomboka ny janoary hatramin’ny jona 2019.Araka izany, tsy maintsy vitaina ao anatin’ny roa taona, raha ela indrindra, ny fanarenana ity orinasam-panjakana ity sy ny trosany. Hapetraka ny vaomiera manokana ahitana solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny primatiora ary ny minisitera mpiahy. Miantoka ny fandaminana ireo rehetra ireo ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama.Hojerena ny fifanarahana rehetraAraka ny tatitry ny Cour des comptes, mahatratra 400 miliara Ar ny fanampiana ara-bola nomen’ny fanjakana ny Jirama. Fantatra nandritra ity fivoriana ity koa fa “tsy maintsy harafitra ny drafitrasam-pitantanana (Business plan) vaovao. Manampy izany, hojerena akaiky ny fifanarahana mikasika ny fanofanana ny gropy mamokatra herinaratra. Hisy ny fifanarahana fandaharanasa (contrat programme) iarahan’ny fanjakana sy ny Jirama, amin’ny hanatanterahana ny paikady rehetra hanarenana ny fitantanana ity orinasa ity.Njaka A.L’article Jirama: hotantanina toy ny orinasa tsy miankina a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Maroantsetra: nidoboka am-ponja ireo roa lahy nisandoka nanala bakalorea
24/10/2020

Taorian’ny fakana am-bavany azy ireo teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana, naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra ireo roa lahy nisandoka ho mpanala fanadinana bakalorea.Tsiahivina fa nisolo mpi­a­dina, tsy hafa fa vadiny ihany, ny iray amin’ izy roa lahy, nandritra ny laza adina matematika. Nosoloiny ny sariny ny tao amin’ny taratasim-pamantarana ilay mpiadina. Nihevitra izy fa tsy nisy nahafantatra kanjo tsikaritry ny olona. Rehefa nandeha ny fijerena ny mombamomba ilay mpiadina, tsikaritra fa to­kony ho vehivavy ilay manala ny fa­na­dinana fa tsy lehilahy. Tsy na­nan-kavaly intsony fa niaiky ny heloka nataony ity farany. Vo­alaza ihany koa fa mpampianatra Fram ny asan’ io lehilahy saika hanala fanadinana io. Ilay lehilahy faharoa kosa, saika hanolo ny toeran’ny mpiadina iray tao Mananara Avaratra nandritra ny laza adina filozofia. “Olona mitovitovy aminy indray no saika nosoloiny tamin’izay”, hoy ny Polisim-pirenena. Tsikaritra anefa tamin’ny fisavana ny sarin’ilay tena mpiadina fa tsy mitovy mihitsy aminy ny sary. Voasambotra avy hatrany ilay mpisandoka satria tsy izy ilay tokony hanala fanadinana.Henintsoa HaniL’article Maroantsetra: nidoboka am-ponja ireo roa lahy nisandoka nanala bakalorea a été récupéré chez Newsmada.

Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety
28/10/2020

Olona iray no maty niharan-doza nohon’ny fahasimban’ny sarety noentiny ihany ny 26 oktobra teo tokony tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andafiantsimo fokontany Andoharanofotsy, Ambohitompoina distrika Antanifotsy . Avy nanatitra entana tany Ambohitompoina ity lehilahy ity ka teny an-dalana hiverina ho any Analamanitra Ambohitompoina izay toerana fiaviany izy izao tra-doza izao. Nitsoaka tampoka ny kodiaran’ny sarety ilany ankavia ka nitarika ny fianjerany tampoka avy teny ambony ary mbola ilay kodiarana izay nitsoaka io ihany no nahavoatsindry ny lohany ankavanana ka nitarika ny fahafatesany. Tonga tany an-toerana ny zandary avy amin’ny Poste Avancé Ambohitompoina niaraka tamin’ny lehiben’ny CSB II, nanao ny fiazahana ny razana. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fiazahana nataon’ny mpitsabo ny tra-doza. Yv Sam L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Antanifotsy : Olona iray maty navadiky ny sarety a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom
27/10/2020

  Nitsidika ny Akany Enfants de joie ao Andranomadio Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Reny mpiahy ity akany ity rahateo ny tenany. Miisa 33 ireo zaza kamboty taizana ao, ary mpianatra 400 kosa ireo ampianarina ao amin’ny sekoly, miankina amin’ny akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa.Nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra ireo, ahitana boky isan-karazany sy vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza mijery ireo fandaharana samihafa sy miala voly ny antoko.Sahirana ity foibe ity. Miankina amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ao. Nampanantena ny hifanome tanana araka ny vitany ny mpanorina ny Freedom hanarenana ny foibe, tena simba sy tsizarizary tanteraka.Nankasitraka ny fahafoizan-tena asehon’ny talen’ny akany sy ny vadiny ny filoha nasionalin’ny Freedom. Eo ny fanampiana ireo kamboty na narian’ny ray aman-dreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny sekoly koa. Manampy ireo, misy vehivavy telo narian’ny vadiny sy lehilahy manano tena koa mipetraka ao amin’ny akany nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo.Synèse R.L’article Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom a été récupéré chez Newsmada.

Trano narodana tetsy Antohomadinika: olona 7 tototry ny tany, 3 naratra mafy  
23/10/2020

 Ankoatra ilay lehilahy tsy nahatsiaro tena tototry ny ranontany, nianjeran’ilay rindrin-trano eny Antohomadinika Atsimo, omaly, tsy latsaky ny dimy ireo olona naratra. Voa mafy tamin’izany ny olona telo.Nitera-doza ny fandravana trano lehibe iray etsy Antohomadinika Atsimo, omaly maraina manodidina ny tamin’ny 8 ora. Nirodana tampoka ny rindrin-trano ka nianjeran’izany avokoa ny mpiasa sy ireo mpaka ranontany tao anatiny. Vokany, olona miisa fito naratra raha telo hafa naratra mafy. Lehilahy iray kosa tsy nahatsiaro tena ary voatery nalefa mihitsy teny amin’ny HJRA. Vokatry ny tsy fahaiza-manaon’ireo mpiasa tao anatiny ny nahatonga ny loza, raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana. « Mbola tsy tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra ny fandravana ilay tranobe. Ireo mpiasa tsotra sy ireo mpaka ranontany no efa niatrana teny an-toerana nanao ny asany avy. Antony nahatonga ny loza. Teny an-toerana ihany koa ny sarety miisa roa saika nitaterana ireo ranontany », hoy ny fanazavan-dRafaliarisoa Tsilavimandresy, sefo fokontany eny Antohomadinika Atsimo. « Nianjera tampoka ilay lavarangana amin’ny “béton” ka nilatsaka tamin’ireo sarety roa. Taorian’izay, nianjera tampoka sy nirodana koa ny rindrina ka nilatsahan’izany ireo mpaka ranontany », hoy ny filazan’ny mpivarotra iray eny an-toerana. Voa teo amin’ny tarehiny, ny tanany, ny tongony avokoa ny ankamaroan’ireo olona naratra. “Lehilahy iray kosa nalaina tao ambanin’ny tany ary nalemilemy tanteraka”, hoy hatrany ny fanazavany.Tsy tonga teny amin’ny fokontanyTaorian’ny loza, niray hina niara-namoaka ireo tototry ny ranontany ny fokonolona sy ireo avy ao amin’ny BMH. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa efa herinandro omaly ny fandrodanana natao. Tsy tonga eny amin’ny fokontany ny taratasy fangatahana mahakasika izany. « Ny fampahafantarana izany no tonga eto aminay fa tsy nisy fangatahana natao », hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fokontany.“Tsy mahafantatra koa ny fisian’ireo mpaka ranontany teny an-toerana ilay teratany vahiny, tompon’ilay trano narodana nefa nanolotra fanampiana ireo niharam-boina eny amin’ny hopitaly izy”, hoy ireo mpivarotra eny an-toerana. Marihina fa olona avy eny Antohomadinika ireo mpikarama naka ranontany. Hamidiny indray izany avy eo hanotofana ireo tokotanin’olona. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola azo ivarotana manoloana ilay trano narodana hisorohana ny loza hafa. Ireo mpivarotra kosa, mitaraina ho tsy mahita toeran-kaleha hanaovany ny asany.Henintsoa HaniL’article Trano narodana tetsy Antohomadinika: olona 7 tototry ny tany, 3 naratra mafy   a été récupéré chez Newsmada.

Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea
23/10/2020

Namoaka ny filaharan’ireo firenena mikambana ao aminy, omaly alakamisy, ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa). Tsy mihetsika aloha, hatreto, ny Barea de Madagascar fa mbola mijanona hatrany eo amin’ny faha-92 maneran-tany. Miakatra toerana iray kosa anefa ny Malagasy raha eo amin’ny laharana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina satria lasa faha-20 raha faha-21, iray volana lasa izay. Mbola mitarika hatrany kosa ry zareo Senegaley, faha-21 maneran-tany, arahin’i Tonizia sy i Alzeria ary ry zareo Nizerianina. Eo alohan’ny Barea hatrany kosa ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, faha-12 aty Afrika.Mbola ry zareo Belzika hatrany aloha ny mitarika maneran-tany, manana isa 1 773 arahin’i Frantsa, eo amin’ny laharana faharoa, nahazo isa 1 744 ary fahatelo ny Brezilianina, manana isa 1 712. Fahefatra i Angletera ary fahadimy ry zareo Portiogey. Any amin’ny faha-14 kosa ry zareo Alemà, miaraka amin’ny isa 1 602.Mbola mitana ny laharana farany kosa ry zareo St Marin. Mialoha azy, eo amin’ny faha-209 i Anguilla ary faha-208 Iles Vierges Britaniques. TompondakaL’article Filaharana Fifa: mijanona eo amin’ny faha-92 hatrany ny Barea a été récupéré chez Newsmada.

DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy
29/10/2020

 Nihaona mivantana ny tompon’andraikitry ny foibe fitsarana fiarakodia sy ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao, omaly. Tonga nanatrika izany ireo solontenan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao (Gcam). Tanjon’ny fihaonana ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana fiara sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara. Eo koa ny fanamboarana sy ny fikirakirana ny ara-taratasy rehetra hahatomombana ny fivezivezena.Nasiana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony hanaovana fandraisana ara-teknika ireny fiara vaovao ireny mialoha ny hamarotana azy. Teo koa ny lalàna mikasika ny laharana WWT, izay voafaritra mazava fa ireo fiara vaovao navoakan’ny orinasa nanamboatra azy ihany no tokony hitondra izany.Anisan’ny nampitaraina mafy ny foibe fitsarana fiara teo aloha ny gaboraraka teo amin’io laharana WWT io satria misy fiara tena efa ratsy kanefa mbola mitondra izany ihany fa tsy milamina ny taratasiny.Hodinihina amin’ny fivoriana manaraka indray ny mikasika ny fanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Iarahana amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany ny fihaonana amin’io fotoana io.Tatiana AL’article DGSR-Gcam: tokony horaisina ara-teknika ny fiara vaovao vao amidy a été récupéré chez Newsmada.

Vaovao tambatra
27/10/2020

35 ireo tanora any amin’ny kaominina Bemanevika, distrikan’Ambanja, nanaraka fiofanana “Miasa na mianatra asa sahaza”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana asa sy ny Helvetas Madagascar. Fito ireo nanaraka fiofanana momba ny fahasalaman’ny biby, 12 ny nianatra momba ny zaitra ary 16 ny nanaraka fiofanana momba ny nahandro. Tanjona ny hanampiana ireo tanora any ambanivohitra, mahazo fianarana sy mianatra asa, ahafahan-dry zareo miasa tena, mampandroso ny toekarena ao amin’ny faritra. Hampiofana tanora maro ny minisitera sy ny Helvetas mialoha ny volana febroary taona 2021.Any Tanambe, distrikan’Amparafaravola, mijoro ara-dalàna hatramin’izao ny kaoperativa Ndao, ahafahan’ireo tantsaha mpikambana mifanakalo hevitra momba ny fambolem-bary. Manodidina ny 60 ha ny tany volena izy ireo, mijoro toy ny orinasa tsy miankina, ary misedra olana goavana ankehitriny. Olana ny amin’ny fahazoana hoenti-manana amin’ny voly vary, iantsoan’ny mpikambana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana.  Havaozina isaky ny dimy taona ny mpikamban’ny birao.Ho famelomana indray ny sehatry ny fizahantany, misy ny tolotra package any Belo sur Mer, faritra Menabe, ataon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Afaka mandray anjara ny mpandraharaha rehetra, sy ny mpandraharaha any an-toerana, hiaraha-miasa amin’ny kompania mpitatitra ana habakabaka Tsaradia. Isam-bolana ny hanaovana ny tolotra package, hisafidianana tanàna iray, toy ny any Sainte Marie, ny any Nosy Be, ny any Taolagnaro… hanentanana ny mpandraharaha sy hisarihana mpizahatany. L’article Vaovao tambatra a été récupéré chez Newsmada.

CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra
27/10/2020

  Vonjy aina an-tanety, fanokafan-dalana ary fanavotana traboina anaty rano. Ireo ny votoatin’ny fiofanana natrehin’ireo mpamonjy voina miisa 40 ao amin’ny Tafika nandritra ny herinandro ka nifarana ny zoma lasa teo teny amin’ny vondron’ny vonjy voina eny Ivato (CPC). Nandritra ny lanonam-pamaranana ny fiofanana, nisy ny fanehoana traikefa vao norantovin’ireto mpamonjy voina ireto. Nanatrika izany ny lehiben’ny etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Rabenaivoarivelo Jean Claude, notronin’ireo manamboninahitra isan-tsokajiny. Nohamafisin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika fa hampitomboina ny ambaindain’ny CPC ka hisy ny “bataillon” roa hisahana izany, araka ny voasoritra anatin’ny fanavaozan-drafitra ampiharina ao amin’ny Tafika. Hisy koa ny fanofanana mpamonjy voina miisa 100 ny faran’ny volana novambra izao ka izy ireo indray no hanaparitaka ny traikefa any amin’ny faritra telo manamorona ny morontsika Atsinanana. Hisy ny ao Sambava amin’ny faritra avaratra, hisy ny ao Toamasina amin’ny faritra Atsinanana ary hisy ny ao Manakara ho an’ny faritra atsimo. Notolorana mari-pahaizana ireo mpamonjy voina nahavita fiofanana.Jean ClaudeL’article CPC Ivato: miomana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany
26/10/2020

Maina ny andro eto afovoan-tany amin’ny ankapobeny ary hiakatra ny maripana ambony (28°C) indrindra fa ny alarobia no ahitana fidinany (26°C) izany, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Nanjaka ny orana ho an’ny tapany atsimo, ny faran’ny herinandro, nahazo izany avokoa ny atitany sy ny morontsiraka ary nirefy 30 mm ny rotsak’orana tany an-toerana. Nitohy, omaly, ny orana ho an’ny atitany any atsimo entin’ny atmosfera tsy marim-toerana. Eto Antananarivo kosa, alina no hotombanana hirotsaka ny orana. Manao volon’andro manjombona tanik’orana matetika fa tsy mahalatsaka satria tsy feno ny fepetra. Raha tazanina lavitra, rakotra setroka manjavona ny Renivohitra izay tsy misava mihitsy mandritra ny tontolo andro. Tsioka atsimo-atsinanana kosa ny hanjaka amin’ny ilany Atsinanana sy ny tapany avaratry ny Nosy.Vonjy L’article Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra
26/10/2020

Hotanterahina any Toamasina ny 30 sy 31 oktobra izao ny « Salon de l’étudiant » ho an’ireo mpianatra nahavita ny fanadinana bakalorea sy hiakatra amin’ny tontolon’ny oniversite amin’izay. Hivondrona amin’ny toerana iray ireo sekoly ambony ao Toamasina sy ny manodidina hampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana ao aminy.Miresaka mivantana amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly, araka izany, ireo mpianatra. Misokatra ny fanontaniana rehetra hatramin’ny mety ho lalan’asa ho hita aorian’ny fiofanana na fampianarana hatao.Betsaka ireo tanora afa-panadinana bakalorea no sady te hiasa no hianatra ka misy ihany koa ireo sekoly ambony mandefa manao fizarana asa avy hatrany hahafahan’ny tanora mivelatra sahady sy manana lalan-tsaina amin’ny tontolon’ny asa.Takina indrindra amin’izao fotoana ny fananana traikefa ka izany no anton’ny fizarana asa avy hatrany na dia vao manomboka amin’ny taona voalohany aza ho an’ireo sekoly ambony efa manome fahalalahana ny mpianany amin’izany sehatry ny asa izany.Misy amin’ireo tanora ihany koa no tazomin’ny orinasa nanaovany fizarana asa avy hatrany rehefa tsapan’ny mpampiasa fa matotra sy afaka mamokatra ho an’ny orinasany ka avy hatrany dia omeny ny toerany ao amin’izany orinasa izany.Tatiana AL’article Toamasina: hisitraka ny « Salon de l’étudiant » ireo mpianatra a été récupéré chez Newsmada.

Anosy: tratra ilay lehilahy nandona olona tamin’ny fiara
23/10/2020

Niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Anosy, ny alahady 21 septambra lasa teo, ny raim-pianakaviana iray 51 taona. Nitondra moto izy ka nandalo teo Anosy no nisy fiara iray nandona mafy azy avy ao aoriana. Nianjera ilay niharam-boina ka naratra mafy teo amin’ny sorony. Nirifitra nandositra kosa ilay fiara nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy teny an-toerana, nentina namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana naratra. Noho ny ratra nahazo anefa, tsy afaka niasa nandritra ny 45 andro izy araka ny baiko nomen’ny mpitsabo. Nitohy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny polisy hikarohana ilay fiara nandositra ka tamin’ny alalan’ny potik’ilay fiara tavela teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza no nahafahan’ny polisy nitondra fanadihadiana hatrany amin’ny fahitana ny tompon’ilay fiara. Nosamborina ilay tovolahy nitondra ilay fiara sy nandona ilay mpitondra moto ary niaiky ny heloka vitany izy.Jean ClaudeL’article Anosy: tratra ilay lehilahy nandona olona tamin’ny fiara a été récupéré chez Newsmada.

Te ho katolika alohan’ny Papa?
24/10/2020

« Mahafinaritra ity Papa ity… ». Fotoana fohy taorian’ny nanosorana ny Papa Fransoa ho Ray masina, maro ny fanehoan-kevitra heno maneran-tany toy izany. « Papa misokatra amin’ny firehan-kevitra maro », « Papa mijery akaiky sy manome lanja ny maha olombelona », sns. Tsy ny mpino katolika irery, fa na ireo hafa finoana aza, nahenoana fanehoan-kevitra mirona mankany amin’izay avokoa. Eny, olon’ny fisokafana tokoa ny Papa Fransoa. Anisan’ireo nanana tombony manokana i Madagasi­kara satria vao tamin’ny taon-dasa no nandalovany teto ka nahita sy nandre akaiky ity dimbin’ny Apostoly ity. Fa toa ny vara-datsaka ny nilatsahan’ny vaovao, ary toy ny fitsoriakan’ny tselatra koa ny fipariahan’ny vaovao…Resabe tamina tambajotran-tserasera ilay voalaza ho fanambarana nataon’ny Papa Ray masina momba ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Fanadihadiana tamin’ny teny espaniola, nandritra ny fetin’ny Sarimihetsika tao Roma, ny nataon’ilay mpanao gazety, i Evgeny Afinnevsky. Voalaza tao anatin’izany fa mano­hana ny fiarahana sivily eo amin’ny olona mitovy fananahana ny Papa… Eo ny fototry ny olana. Samy nandroritra izany araka izay zoro metimety aminy ny tsirairay. Samy nanana ny fandraisany azy koa. Ho an’ireo mpino katolika, sanganehana tanteraka, satria hoe tsy mifanaraka mihitsy amin’ny lalàn’ny Eglizy izany. Mazava loatra fa nandray izany ho fitaovana handotoana ny Fiketrahana masina sy ny Papa ireo hafa firehana… Misy ireo miezaka miaro fa nisy fahaizana “montage” tao anatin’ilay fanadihadiana, nanodinana izay tian’ny Papa hola­zaina. Na inona na inona anefa ny marina, ny zava-nisy dia nihaino ireo olombelona manana fironana amin’ny mitovy fana­nahana ny Papa. Nihaino sy nandray ny fanirian’izy ireo, amin’ ny maha samy zanak’Andriamanitra… Anisan’ireo nijoro vavo­lombelona tao anatin’ilay fanadihadiana i Andrea Rubera, nangataka raha mba afaka mivavaka any am-piangonana toy ny olon-drehetra. Mazava loatra fa nalahelo amin’ny fanilikilihana, ny tondro molotra, ny fanavakavahana tonga any amin’ny fikasihan-tanana aza, ny Ray masina. Ny zo maha olona no narovan’ny Ray masina. Tsy tao anatin’iny fanadihadiana iny ihany fa efa nialoha izao. Ny zo ho an’ireo mitovy fananana, tsy tokony hailiky ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Na marina na tsia ilay fanambarana, ny azo antoka kosa, tsy eken’ny lalàn’ny fiangonana katolika ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Tsy midika fa tokony hailika satria tsy zanak’Andriamanitra izy ireo… Ka ahoana aza, nety sa tsia ny nataon’ny Ray masina? Io indray aloha izany ny anton-dresaka mandritra ny andro maromaro…Zo ny Aina RandriatsiresyL’article Te ho katolika alohan’ny Papa? a été récupéré chez Newsmada.