Niakatra tampoka ny isan’ny maty sy ny tranga vaovao: efatra ireo lavon’ny Covid-19 ary 84 ny nifindran’ny valanaretina

News - Niakatra tampoka ny isan’ny maty sy ny tranga vaovao: efatra ireo lavon’ny Covid-19 ary 84 ny nifindran’ny valanaretina

News - Niakatra tampoka ny isan’ny maty sy ny tranga vaovao: efatra ireo lavon’ny Covid-19 ary 84 ny nifindran’ny valanaretina

Tena mbola mampanahy fa
miaka-midina. Efatra ireo lavon’ny Covid-19, omaly, araka ny
tatitry ny CCO. Tsy vitan’izany fa nitombo koa ny isan’ireo
nifindran’ny valanaretina.

Notsaboina tetsy Befelatanana ny
iray amin’ireo lavon’ny coronavirus ary tany amin’ny hopitaly Place
Kabary, Antsiranana, kosa ireo telo hafa. Tafakatra 206, efa
manakaiky ny isan’ireo matin’ny pesta miisa 209, ny taona 2018,
izany izao ireo lavon’ny Coronavirus eto amintsika, hatramin’ny 19
marsa no ho mankaty.

Niakatra be tampoka koa ny
isan’ireo nifindran’ny valanaretina. Miisa ireo 83 tranga vaovao
tamin’ireo fitiliana miisa 300 ka avy eto Analamanga ny 44
amin’izany raha 14 ny any Alaotra Mangoro. Telo ireo tranga vaovao
any Matsiatra Ambony sy i Boeny raha 10 ny any Diana. Miisa fito ny
any Sofia ary roa any Sava.

Miisa 53 ireo marary
mafy

Etsy andaniny, miisa 53 ireo marary
mafy ka etsy Befelatanana ny 27 amin’izany. Dimy ny eny amin’ny
HJRA raha telo ny eny Andohatapenaka. Roa ny eny amin’ny CMC
Mahamasina ary « forme grave » iray ny eny Anosiala.
Manampy ireo ny any Fianarantsoa, miisa 12, raha roa ny any Toliara
ary iray kosa ny any Boeny.

Na izany aza, miisa 35 ireo sitrana
ka tafakatra 14 219 izany izao ireo efa nahafeno ny fepetra ho
amin’ny fahasitranana amin’ireo mararin’ny Covid-19,
miisa15 435. Niakatra ho 1 010 izany ireo mbola tsaboina
sy arahi-maso ny toe-pahasalamany.

Miisa 61 631 ny fitiliana PCR vita
raha miisa 6 412 kosa izany ho an’ny ny fitiliana eo anivon’ny
GenExpert.

Synèse R.

 

Article tiré de Newsmada

L’article Niakatra tampoka ny isan’ny maty sy ny tranga vaovao: efatra ireo lavon’ny Covid-19 ary 84 ny nifindran’ny valanaretina a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena

Miantraika any amin’ny tontolo iainana ny fambolena, vokatry ny fitomboan’ny mponina be loatra, miteraka ny fiovan’ny toetr’andro izany. Tsy mifandanja koa ny sakafon’ny tany mandroso miohatra ny any amin’ny tany mahantra.Namoaka tatitra ny Vondron’ny manampahaizana sy mpikaroka iraisam-pirenena mikasika ny fivoaran’ny toetr’andro (GIEC). Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanadihadiana nataony ny fahafantarana fa ampiasaina sy ajarian’ny olombelona ny 72%-n’ny velaran-tany tsy misy ranomandry, izay tsy maharitra ny ankamaroany. Avy amin’ny olombelona ny 23%-n’ny etona karbonika na gaz à effet de serre (Gez), amin’ny alalan’ny fandripahana ny ala, ny fanovana ny ala ho amin’ny fambolena sy fiompiana indostrialy ny biby. Tsindry mivantana manimba ny haibolantany ny fihariana ataon’ny olombelona, izay mahatonga mivantana ihany koa ny fiovan’ny toetr’andro, manapotika ny zavamananaina, ary indrindra ny tsy fahampian-tsakafo. Tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala maneran-tany ny fambolena sy ny sakafo.Very fotsiny ny 30%-n’ny sakafoAraka ny fanadihadian’ny GIEC ihany, mahatratra 810 tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo maneran-tany. Etsy ankilany anefa, very fotsiny na tsy misy mihinana ny 25 hatramin’ny 30%-n’ny sakafo vokatra rehetra eto ambonin’ny tany. Endriky ny tsy fifandanjan’ny sakafo sy ny fihinanana azy izany eo amin’ny tany mandroso miohatra amin’ny tany mahantra.Araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF, hita soritra eto Madagasikara, ity fanadihadiana nataon’ny GIEC ity. Anisan’ny hanamarinana izany ny firongatry ny fandripahana ny ala eto amintsika, havadiky mponina ho amin’ny fambolena.Mahatratra 25,7 tapitrisa ny Malagasy, ankehitriny, ary tombanana ho 55 tapitrisa afaka 30 taona, amin’ny 2050. Hitombo ny vava mihinana, ka hampiasaina araka ny tokony ho izy ny tany efa ambolena ary mila arindra tsara ny fanitarana ny tany vao hojariana. Tanjona, ny hisian’ny famokarana maharitra sady manaja sy miaro ny tontolo iainana.Mifandray ny toetr’andro, ny fambolena ary ny fiarovana ny zavamananainaHo an’ny WWF, mampiseho ny fifandraisana akaiky eo amin’ny toetr’andro, ny olombelona ary ny zavaboahary ity tatitry ny GIEC ity. Midika izany fa tsy afa-miala ary tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampiasana ny tany ny fiarovana maharitra ny zavamananaina sisa tavela, ny fanarenana ny zavaboahary potika, nefa mifandrindra amin’ny fiarovana ara-tsakafo ho an’ny zanak’olombelona.Manana ny lanjany lehibe ny vahaolana ho an’ny toetr’andro mifototra amin’ny zavaboahary. Singanina amin’izany, ny anjara toeran’ny ala honko amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, asdy manampy ny fiarovana ny tontolo mananaina ho an’ny mponina eny ifotony avy. Mamerina ny fisian’ny loharano ny famerenana ny ala, manampy ny tany ho lonaka ary miverina tsikelikely amin’ny maha izy azy tany aloha ny zavaboahary sady maharitra.Nilaza ny lehiben’ny mpanolotsaina amin’ny fiovan’ny toetr’andro, sady tompon’andraikitry ny GIEC, Stephen Cornelius, fa “mitondra hafatra mafonja ho an’ny rehetra ity fanadihadiana ity, milaza fa miantraika any amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fomba ampiasaintsika ny tany, ka mila hovana haingana izany”.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra

Ny volana jona teo no nitrangan’ny raharaha. Niharan’ny fanararaotam-pahefana sy fihazonana tsy ara-dalàna, nataona polisy efa-dahy, miasa ao amin’ny biraon’ny polisy, Ambohimandamina, Mahajanga ny olona vitsivitsy.Tsy nipetra-potsiny ireto niharan’izany fa nanao fitarainana tao amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) tany an-toerana. Voalaza fa hoe nitaky vola 2 000 000 Ar tamin’izy ireo ireto polisy ireto, ho sandan’ny famotsorana azy ireo.Nandray ny andraikiny momba izany àry ireo mpanao fanadihadiana sy famotorana ao amin’ny Bianco. Hita sy voamarina tamin’izany fa mitombina tokoa ny fitarainan’ireto olona niharan’ny fanararaotana nataon’ireto polisy ireto. Natolotra ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany, tao Mahajanga ireto polisy izay voarohirohy ho nanao kolikoly sy fakam-bola an-keriny (extorsion).Fantatra, taorian’izay fa naiditra am-ponja avy hatrany ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina, sazy mihatra ilay inspektera polisy. Ireo brigadiers telo lahy kosa noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana, na dia efa nohamafisin’ny fampanoavana aza fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ity raharaha maloto ity izy ireo. Hita taratra amin’izao ihany ny tsy fetezan-javatra eo amin’ny fitsarana izay efa hanaovan’ny mpanara-baovao maro fanamarihana sy fanakianana hatrany. Soa ihany fa, araka ny fantatra, efa an-dalam-pananganana amin’izao fotoana izao ny Pôle Anti-corruption any Mahajanga.M.R.L’article Kolikoly, fihazonana olona tsy ara-dalàna: inspektera polisy migadra roa taona sazy mihatra a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé - News Mada

Iray matin’ny covid-19 : tranga vaovao 231 Analamanga, mirongatra ny any amin’ny faritra

Niampy iray indray ny la­von’ny coronavirus, avy eto Ana­lamanga. Tafakatra 54 izan­y izao ireo namoy ny ainy tamin’ity valanaretina ity. Mihanaka tanteraka koa anefa ny covid-19 ka miisa 378 ireo tranga vaovao, omaly, araka ny tatitry ny CCO. Maro anisa amin’izany ny avy eto Ana­lamanga, ahitana 231 ireo ni­findran’ny valanaretina.Tranga vaovao 61 any Alaotra Mangoro Tsy eto Antananarivo ihany anefa izany fa mirongatra be ny fifindrany any amin’ny faritra. Anisan’izany ny tranga vaovao miisa 61 any Alaotra Mangoro. Faharoa amin’ny hamaroan’ireo tratran’ny covid-19, raha ny tatitry ny CCO, omaly hatrany, aorian’ny eto Analamanga. Mitsinjara ho 35 ao Amba­tondrazaka, 25 ao Mora­man­ga ary iray any Amparafara­vola. Manaraka izany ny any amin’ny faritra Diana.41 ireo nifindran’ny valanaretina any Diana Miisa 41 ireo tranga vaovao any an-toerana ka miisa 22 ao Antsiranana. Roa ao Ambilobe raha 11 ny any Am­banja ary enina ny any Nosy Be. Mahatratra 14 ireo nifindran’ny covid-19 any Boeny. Mihanaka any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany koa ny valanaretina, amin’izao fotoana izao. Ahitana tranga valo any an-toerana raha enina any Analanjirofo ka ao Fenoarivo Atsinanana ny roa ary any Soanierana Ivongo ny telo. Ho an’ny any amin’ny faritra Sava sy Atsimo Andrefana indray, miisa dimy avy izany. Telo avy ny tranga vaovao any Matsitra ambony sy Sofia ka any Mandritsara ny roa ary any Antsohihy kosa ny iray. Tranga iray ihany kosa ny any Atsinanana, anisan’ny foiben’ny valanaretina teo aloha. Baraingo tanteraka ny nampirongatra ny covid-19 any amin’ny faritra, amin’izao fotoana izao.Tafakatra 86 ireo ahina mafy ny toe-pahasalamany Etsy an-daniny, nitombo be koa ny isan’ireo marary mafy «forme grave». Tafa­ka­tra 86 izany ka avy eto Ana­lamanga ny 81 amin’izy ireo. Mitsinjara ho 35 etsy Befe­latanana raha 18 ny eny amin’ny HJRA. Miisa 16 kosa ny eny Anosiala ary sivy ny eny Andohatapenaka. Miampy ny eny Fenoarivo, ahitana marary mafy telo. Manampy ireo ny «forme grave» iray avy any Antsirabe sy Bongolova ary Fianaran­tsoa, raha roa ny any Toliary. Ankoatra izany, miisa 157 ireo sitrana ka tany an-trano ny 1349 amin’izy ireo.Synèse R.Miisa 31 774 ny fitiliana vita. Tafakatra 6 467 ireo nifindran’ny coronavirus hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty. Mbola tsaboina sy arahi-maso kosa ny toe-pahasalaman’ireo 3 305 ary miisa 3108 ny isan’ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana. L’article Iray matin’ny covid-19 : tranga vaovao 231 Analamanga, mirongatra ny any amin’ny faritra a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fiara nanao loza

Hatolotra ny Fampanoavana rahampitso ny mpamily nitondra ny kamiao nanao loza teny amin’ny digy Ampitatafika, tamin’ny alin’ny alarobia lasa teo. Tsiahivina fa nandona sarety ny fiara nentiny. Maty tsy tra-drano ny tovolahy roa nanosika ny sarety. Naratra kosa ny namany roa hafa. L’article Fiara nanao loza est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany

“Héroïnes » manodidina ny 40 kilao teo no tratran’ny ladoany ( Service de la surveillance et de la lutte contre la contrebande, Brigade des stups) tany Toamasina, omaly. Niara-niasa ny CSI (Comité pour la sauvegarde de l’intégrité), le CRFIM (Centre régional de fusion d’informations maritimes) nampian’ny FIP sy ny zandary no nahasarona ity tambazotra ity.Efa tao anaty fiara 4×4 iray saika hiala tany Toamasina no tratra ireo zava-mahadomelina ireo. Tao anaty valizy nafenina anaty lamba. Rehefa nosavaina ilay fiara ka tratran’ny manampahefana tamin’izany. Olona maromaro no voasambotra ary mandeha ny famotorana.Tranga mahazo vahana eto amintsika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika. Matetika any Maorisy no misy olona tratra avy aty amintsika. Fantatra fa firenena andalovan’ny “Héroine” eto amintsika, ary mandeha any amin’ny firenena hafa avy eo. Efa maro ihany koa anefa ny manjifa azy ity eto amintsika, ary miparitaka eto an-dRenivohitra izany.Yves S. L’article Toamasina: “Héroïnes” milanja 40 kilao saron’ny ladoany a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fizarana Vatsy Tsinjo: manampy amin’ny fanisana olona ny miaramila

 Taorian’ireny zava-nitranga manoloana ny savorovoro teny anivon’ny fokontany samihafa, ny herinandro teo nandritra ny fizarana ny fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny fitondram-panjakana, mirotsaka an-tsehatra eny anivon’ny fokontany ireo miaramilan’ny Bataillon Multi-missions BMM toy ny nataon’ireo minisitera hafa, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra amin’ny fanisana ireo mponina isam-pokontany. Natao izao mba hanamorana ny fizarana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana. Nomarihin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena fa ny asa fandaminana ny fandraisana sy ny fanadihadiana isan-tokantrano dia iarahana amin’ny fokontany. Nanomboka ny zoma lasa teo izany ka teny amin’ny fokontany Ambatovinaky no nanombohana izany. Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny asa fanisam-bahoaka ka miaramilan’ny BMM miisa 450 no nidina ifotony nanatanteraka izany. Mizara roa ny asa ka misy ireo misehatra manao fanadihadiana eny anivon’ny isan-tokantrano avy, misy kosa ireo mirakitra an-tsoratra izany amin’ny alalan’ny “saisie des données” eny amin’ny minisitera eny Ampahibe.Jean ClaudeL’article Fizarana Vatsy Tsinjo: manampy amin’ny fanisana olona ny miaramila a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – «Can 2019»: tsy afaka hilalao i Bapasy sy i Marco

 Miala sasatra avokoa ireo ekipa 16 tafita hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja baolina kitra, anio. Raha ho an’ny Barea, roa ny mpilalao tompon-toerana tsy afaka hilalao.Efa fantatra avokoa ny fandaharam-potoana, amin’ny ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2019”, taranja baolina kitra. Ny Leopard-n’ny RD Kongo no hidona amin’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’izany dingana izany. Fihaonana hotanterahina, ny alahady 7 jolay ho avy izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva.Araka ny vaovao voaray, roa ny mpilalao tsy afaka hiatrika izany lalao izany: Ilaimaharitra Marco, eo amin’ny irakiraka, sy i Bapasy, vodilaharana. Noho ny fahazoany karatra mavo roa ny antony tsy ahafahan’i Marco miakatra kianja. Ny faharatrana nahazo azy, nandritra ny fifandonana tamin’i Nizeria, kosa ny an-dRazakanantenaina Pascal.Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barean’i Madagasikara, fa mety ho Raveloson Ryan ny haka ny toeran’i Marco . Izy izay voalaza fa ampy lalao tsara ary afaka mitazona io toerana io sady manana ny tanjaka ilaina amin’io fihaonana io. Mety tsy hiova kosa fa i Mamy Gervais, efa nisolo an’i Bapasy, ny eo amin’ny vodilaharana afovoany. Izy izay efa ampy traikefa tsara sady afaka manidy tsara ny fiarovantena malagasy.Na izany aza, eo koa ry Dax sy ry Njiva, mbola afaka mandrindra ny fanafihana eo afovoan’ny kianja. Toy izany koa ry Debakely sy ry Caloin, eo amin’ny fiarovantena. Anjaran’ny mpanazatra anefa ny mahita izay tena azony antoka hampahomby hahazoana fandresena.Ankoatra izay, mila fahamailoana hatrany amin-dry zareo Kongoley izay tonga nandrombaka ny medaly alimo, ny taona 2015, ary niatrika ny ampahefa-dalana, ny taona 2017. Hanala vela rahateo ny Barea, amin’ity. Resin’ny RDC, tamin’ny isa 6 no ho 1, mantsy ny Barea, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2017”, tany Mahajanga.Tompondaka Toy izao ireo fandaharan-dalaon’ny ampahavalon-dalana :Zoma 5 jolay Kianja Le Caire 07 :00 – Maraoka # Benin 10 :00 – Oganda # SénégalSabotsy 6 jolay Kianja Alexandrie07 :00 – Nizeria # KameroninaKianja Le Caire 10 :00 – Égypta # Afrika AtsimoAlahady 7 jolay Kianja Alexandrie07 :00 – Madagasikara # RD KongoKianja Le Caire 10 :00 – Alzeria # GineaAlatsinainy 8 jolay Kianja Suez07 :00 – Mali # Côte d’Ivoire Kianja Ismailia10 :00 – Ghana # Tonizia L’article Kitra – «Can 2019»: tsy afaka hilalao i Bapasy sy i Marco a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”

“Famerenana sy fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Izay ihany ny antoka ahafahantsika manatanteraka ny asa fampandrosoana ”, hoy ny kabarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe (Acmil), omaly nandritra ny lanonana famoahana ny “Fandresena 2019”. Naneho ny fahavononany  ny filoha hanampy hahamendrika hatrany ny Akademia miaramila satria hisahana andraikitra ambony ireo manamboninahitra mivoaka ao. Naneho fankasitrahana manokana ny filoha Rajoelina kosa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, tamin’ny ezaka nataony tamin’ny fampitaovana ary efa hita fa mihena ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra sasany. Afaka miatrika ny fivelomany ny mponina.Marihina fa nivoaka tamin’izany ny andiany mivantana faha-40 nitondra ny anaran’ny “Général de brigade Andranaivo Raymond”, ahitana manamboninahitra miisa 55 ka vehivavy ny enina amin’izy ireo nandritra ny “Fandresena 2019”. Notsofin-drano ara-miaramila ireo andiany mivantana faha-42 sy ny famindrana sabatra tamin’ny andiany faha-41. Teo koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 “Andraina”. Ankoatra izany,  notokanana ny efitrano filanonana “Farimbona” sy ny “sale d’honneur” ary ny trano famakiam-bokin’ny  Acmil.J.C L’article Filoha Rajoelina: “Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Me Olalah : “Fero ireo ampidirina am-ponja”

  “Aoka mba hoferana ny olona ampidirina am-ponja, satria ny fomba fiainana ao mihitsy, sanatrian’ny vava, no tsy olombelona intsony fa toy ny biby.”, hoy  ny mpahay lalàna, ny Me Razafinjatovo Willy. Tsy misy intsony ny iainana ao am-ponja, na amin’ny ny toerana ipetrahana na ny sakafo ho hanina aza. Izany no hoe famonjana tena atao izay ampangirifiry an’ilay olona. Notsiahiviny ny filazan’ny filohan’ny Repoblika raha nandalo tany, novambra 2019, fa be loatra ny olona ao am-ponja. Koa tokony hoferana ihany ny olona ampidirina ka hojerena iireo fa tsy mety. Tsy tokony hampidirina am-ponja ireo heloka madinika, ary tsy ampidirina am-ponja avokoa izay mandalo fitsarana.Mitohy ihany ny fampidirana am-ponjaTaoriana kelin’izany fitsidihan’ny filoha, nisy ny fampihenana isa ny voafonja. Nefa taty aoriana, mampiditra ihany ny fitsarana. Politikam-panjakana ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny  mba ho vitsivitsy ireo ampidirina am-ponja. Arakaraka ny mpitsara sy ny fahitany izany antontan-taratasy eo an-tanany no anaovany izany famonjana izany.“Marina fa mahita ny olona fa efa tsy rariny intsony ny fampidirana olona am-ponja isan’andro: na kely na lehibe, na manahoana ny vesatra ao amin’ny antontan-taratasin’ady”, hoy izy. Misy ny valanaretina Covid-19, nefa afa-mifindra avokoa ny aretina ao amin’ny fonja rehefa misy ny fifampikasohana: raboka, aretin-koditra…R.Nd.L’article Me Olalah : “Fero ireo ampidirina am-ponja” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Asan-jiolahy ao Toamasina : mpamaky trano eo amin’ny tetezana Mainty, saron’ny Fip

Ravan’ny polisin’ny Fip ao Toamasina, ny asabotsy alina teo tao amin’ny fokontany Ta­nambao Verrerie, akaikin’ny tetezana Mainty, araka ny fahafantaran’ny maro azy, ireo tambajotrana mpamaky trano sy mpanendaka miisa dimy lahy izay andiany faharoa raha efa tratra ireo andiany voalohany. Raha ny loharanom-baovao avy amin’ny polisin’ny Fip, avy namaky trano ireto jiolahy ireo ka nitondra entana halatra nitsoaka avy hatrany. Afaka niantso vonjy amin’ny polisy ihany anefa ireo olona niharan’ny vaky trano ka fotoana fohy taorian’izay, ton­ga ny polisy nanara-dia ireto jiolahy ireto. Napetraka ny sakana manerana ny fokontany ka nahitam-bokany izany sa­tria tratra teo am-pitondrana entana halatra ireto andian-jiolahy ireto. Vokany, noraisim-potsiny izy ireo, mbola tratra tany amin’izy ireo rahateo koa ny entana halatra rehetra. Isan’ireo nanara-dia ny tompon-trano ka niaiky fa izy ireo tokoa no tonga namaky ny tranony. Tao anatin’ny fotoana fohy, ranolava ny fahatraran’ny polisy ireo jiolahy mpamaky trano ao amin’ireo fokontany voasokajy ho isan’ny faritra mena ao Toamasina ireto.SajoL’article Asan-jiolahy ao Toamasina : mpamaky trano eo amin’ny tetezana Mainty, saron’ny Fip a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-09-2020
Source : CCO COVID19 - 30/09/2020

Notsongaina

Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA
25/09/2020

Efa nihomana mialoha ny fotoam-pahavaratra sy nandray an-tanana ny fanomanana ny fotoam-pahavaratra ny kaomina Antananarivo Renivohitra mba hanalefahana ny fiakaran’ny rano sy hahavitsy kokoa ireo traboina. Efa nivory niaraka ny CUA sy ny eo anivon’ny Sadc nijery ny ho toetry ny andro. Nivaly ny fitiliana ny toetrandro iraisam-pirenena sy ny aty Afrika ary i Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa ho mafy kokoa ary ho betsaka ny rotsak’orana raha mitaha tamin’ny taon-dasa ka ilana fiomanana.Efa misy ny « Comité communale de gestion » natsangana ka filoha mitarika izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Miara miasa amin’ny Samva sy ny Apipa ary  ary ireo mpiara-miasa rehetra miandraikitra amin’ny fikirakirana ny tandindomin-doza sy ny loza izy amin’izany. Tafiditra ao koa ny eny anivon’ny fokontany, ahitana  ny « Equipe locale de secours » na ny komity loharano.  « Tokony ho samy mandray an-tanana amin’ny fiakaran’ny rano , amin’ny fandraisana andraikitra manandrify azy koa ny vahoaka. Tsy hanary fako amin’ny lakandrano sy hanorina trano ambonin’ny lakandrano ary hitandro ny fahadiovana rehetra », hoy ny eo anivon’ny CUA.Faritra iva sy ny tondra-dranoEfa nisy ny koa ny fanadihadiana natao teto Antananarivo momba ny fijerena ireo toerana « point noir » mahatonga ny fahatsentsenana. Tsy mahavita ny ady amin’izany raha ny tetibolan’ny CUA fa mila tosika amin’ny fanjakana foibe, indrindra  avy amin’ny eo anivon’ny BNGRC . Mangataka mba homena tombony ny eto Antananarivo, anisan’ny ahitana olana maro eo amin’ireo faritra iva misy ny fiakaran’ny rano.Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny asa ataon’ny CUA amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lalàna ary ny fanarahana ny Fehezam-pitsipika monisipaly ho fikoloam-pahasalamana « CMH », miaraka amin’ny fampahalalana izany.Synèse R.L’article Fanadiovana ny Tanàna: miomana amin’ny fahavaratra ny CUA a été récupéré chez Newsmada.

Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha
25/09/2020

Miantraika amin’ny seha-pamokarana maro ny Coronavirus. Ho fitsimbinana ny tantsaha no nahatonga ny Fofifa miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any Maraoka.Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP (Office chérifien des phosphates)  any Maroka ary ny Oniversite Mohammed VI Polyteknika any Maroka. Tanjona ny hiarovana ny tantsaha sy ny mponina any ambanivohitra, manoloana ny Coronavirus. Mitentina 87.600.000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny fondation OCP. Miara-miasa amin’ny lafiny teknika ny oniversite Mohamed VI sy ny Fofifa.Nilaza ny tale jeneraly, ny Pr Razafinjara Aimé Lala, fa hisy ny fanentanana ny tantsaha hiadiana ny coronavirus. Omena toromarika izy ireo, ny fepetra hatao hisorohana ny aretina rehefa miasa. Tsy tokony hatao intsony ny mandrora amin’ny zaran’angady rehefa miasa tany ohatra satria mampiely ny otrikaretina. Eo koa ny fandaharana sy fanentanana any amin’ny radio any ambanivohitra. Faritra dimy (Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana) no hisitraka ity tetikasa ity.Manjaitra arotava sy manamboatra “gel”Nambaran-dRakotoarisoa Jacqueline, tale siantifika Fofifa fa hizarana milina fanjairana koa ny fikambanam-behivavy tantsaha hanamboarana arotava. Eo koa ny kojakoja, toy ny kofehy, ny ravin-damba 110 metatra sns… Ampianarina koa izy ireo hanamboatra tsiranoka fanasan-tanana (gel) sy savony fidiovana.Efa misy ny tetikasa fanaovana saríntany sy fitsirihana nofon-tany ho fanatsarana ny fambolena eto Madagasikara, iarahan’ny Fofifa sy ny Fondation OCP any Maroka.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fofifa-OCP-Oniversite Mohamed VI: tsinjovina ny tantsaha a été récupéré chez Newsmada.

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika »
28/09/2020

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Noresahiny tamin’izany ny momba ny Fitsipi-pifehezana monisipaly momba ny fikoloana fahasalamana (CMH). Eo koa ny fitaterana sy ny tsena ary ireo fotodrafitrasa samihafa.« Tsy voasazy rehefa tsy diso… Raisina ny fepetra rehefa misy ny fanelingelenana ny fiarahamonina, indrindra raha miverimberina izany ary afaka mitaraina ireo iharan’izany », hoy izy namaly ireo resabe momba ny CMH. Na izany aza, nambarany fa tsy mbola hampiharina izany. Ialohavan’ny fanentanana sy ny fanabeazana sady mbola miandry ny fanorenana fotodrafitrasa izany, araka ny nambarany. « Diso ny filazana fa hakan’ny CUA vola ny CMH. Samy hafa ny lamandy sy ny hetra », hoy izy. Natsidiny sahady fa hisy WC miisa 50 haorina mialoha ny faran’ny taona. Efa misy ny vola 32 miliara Ar avy amin’ny mpiara-miombona antoka hahazoana dabam-pako miisa 5 000 eny anivon’ny fokontany, sarety 600 sy borety 1 000 ary kifafa 45 000. Hanamboatra CSB miisa efatra sy idivianana fanafody ny iray tapitrisa dolara.Hivoaka ny tolo-bidy fanorenana tsena etsy Anosy Ankoatra izany, nambarany efa hivoaka ny tolo-bidy ho amin’ny fanorenana tsena etsy Anosy sy ny Coum 67 ha ary koa ny fanarenana ny Zaimaika. Efa manomboka koa ny fanamboaran-dalana ary hivoaka amin’ny herinandro ny tolo-bidy ho amin’izany. « Hatsaraina ny fomba fiasa amin’ny herintaona fa hovitaina mialoha ny fahavaratra aloha ireo lalana ireo », hoy izy.Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy maintsy hofoanana ny fifanarahana amin’ny Easy park noho ny fitongilanana nefa kosa handoavam-bola hatrany ny “parking”. Hatao amin’ny fomba hafa amin’ny alalan’ny fandoavam-bola amin’ny “borne” izany. Hiitatra amin’ny tsena izany fomba fakana vola izany rehefa voaisa ireo mpivarotra. Mialoha ny faran’ny taona, homena toerana ireo mpivarotra etsy Behoririka. Haverina amin’ny toerany kosa ireo mpivarotra ara-dalàna miisa 16 etsy amin’ny Esplanade. “Manahirana ny fanararaotana politika ataon’ny sasany sy ny famadihana izany ho amin’ny sain-dratsy”, hoy izy. Hanorina trano fonenan’ireo sahirana ny CUAAnkoatra izany, nampanantena ny ben’ny Tanàna fa hanamboarana trano fonenana ka ireo tena sahirana na ireo may trano. Tsy ho maimaimpoana anefa izany fa haverina tsikelikely amin’ny alalan’ny fanomezana asa azy ireo na ny Himo. “Tsy mijanona intsony isika rehefa manomboka ny asa”, hoy izy. Nanteriny indray koa fa hatsaraina sy ahitsy ny fomba fakana hetra amin’ny fanorenana trano ka anisan’ny hahazoana izany ireo fanorenana lehibe, toy ny an’ny orinasa na tranobe.Hatsaraina ny vola miditra amin’ny taxi-beNoresahina koa ny vahaolana amin’ny fitohananan’ny fifamoivoizana. Eo ny fanamboaran-dalana sy ny fanalana mpivarotra. Halamina koa ny zotra andehanan’ireo taxi-be. Ampidirina Cnaps ireo mpiasa ary hotadiavina ny fomba hampiakarana ny vola miditra amin’ireo mpitatitra. Ampiasaina ny “géolocalisation”, hanaraha-maso ireo fiara ary hampiana amin’ny fividianana fiara izy ireo hifampiraharaha amin’ny mpandraharaha momba izany. Hoferana koa ny fidiran’ireo taxi-be “suburbaine” eto fa natao ho an’ny “urbaine”. Maka sisiny ireo avy any ivelan’ny Renivohitra.Ampahany amin’ireo resaka nifanaovan’ny ben’ny Tanàna, tamin’ny mpanao gazety, momba ny fitantanana an’Antananarivo, ireo.Synèse R.                     L’article Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina: « Ilana fitsipika ny fitantanana ny tanànantsika » a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: Situation du 27.09.2020
28/09/2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 27.09.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.Selon le bilan quotidien de la porte parole du CCO, Pr Vololontiana sur la situation du Covid-19 à Madagascar, 28 nouvelles contaminations sur 417 tests effectués ont été enregistrées ces dernières 24h. Ces nouveaux cas sont éparpillés dans la région de Sava avec 15 cas, Vakinankaratra avec 6 cas, Analamanga avec 4 cas, Analanjirofo avec 1 cas, Matsiatra Ambony avec 1 cas et Vatovavy Fitovinany avec 1 cas. Par contre aucune guerison n’a été signalée ces dernières 24h, le nombre de guérisons reste donc à 14 922. Cependant, 1132 personnes suivent encore des traitements dont 17 présentent des formes graves. Le nombre total de décès reste également à 229 puisqu’aucun décès n’a été rapporté. Jusqu’à ce jour, Madagascar compte 16 285 cas confirmés.L’article Covid-19: Situation du 27.09.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo
23/09/2020

Voasambotry ny zandary ny dahalo, ny faran’ny herinandro teo, ny iray tompon’antoka amin’ny fanafihana raim-pianakaviana iray mpivarotra lamba tonta niaraka amin’ireo zanany roa lahy. Voalazan’ny tatitra nampitain’ny zandary fa teny an-dalana hody ao amin’ny fokontany Ambiky Berevo, Bebaboka, niara-nivarotra amin’ireo zanany, izy no niharan’ny fanafihan-dahalo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Mangabe ny nitrangan’ny fanafihana, ny 17 septambra tolakandro. Voatifitr’ireo malaso teo amin’ny tratrany, ny tanany ary ny feny ilay raim-pianakaviana. Nandritra izany, afaka niantso fokonolona ao Saropitsaha ireo zanany roa lahy. Nentina haingana namonjy hopitaly ilay raim-pianakaviana, saingy namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitohy ny fikarohana ireo dahalo nanafika ka tratran’ny zandary tao Bebaboka, ny asabotsy hariva teo, ny olona iray ahina ho nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nahitana basy niaraka amin’ny bala 10 tany aminy nandritra ny fisavan’ny zandary.J.CL’article Ankorovahiny: raim-pianakaviana voatifitry ny dahalo a été récupéré chez Newsmada.

“Raharaha Danil Radjan”: telo lahy MD eny Tsiafahy, Frantsay iray arahin’ny fitsarana maso
29/09/2020

Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ilay teratany frantsay tompona orinasa fiambenana iray raha nalefa avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy koa ireo telo lahy voarohirohy tmin’ilay “Raharaha Danil Radjan”…Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo telo lahy mpiambina ao amina orinasa fiambenana iray rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly. Teratany frantsay iray (ex-legionnaire), tompon’ny orinasa misahana fiambenana iray kosa, eo ambany fanaraha-maso ny fitsarana. Voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny famonoana ilay teratany karana antsoina hoe Ameralli Danil Alibay Radjan ireto voarohirohy ireto. Hita tao anaty “caméra de surveillance” izy telo lahy ireto niaraka amin’ity teratany frantsay ity, araka ny loharanom-baovao voaray hatrany. Herinandro taorian’ny famonoana azy, saron’ny polisy misahana ny ady heloka bevava ireo tompon’antoka amin’izany ka ny zoma 25 septambra no voasambotra teny Ambohijatovo ny lehilahy iray nanao ity vonoan’olona feno habibiana ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Nitohy hatrany ny famotorana nataon’ny polisy ka ny zoma teo ihany, tratra teny Anosibe ny lehilahy iray faharoa raha teny Ambatonakanga kosa ireo namany. Tsiahivina fa hita faty nifatotra tanana tao ambany rihana ao amin’ny La City Ivandry i Danil, nahitana mangana nokendaina ny tendany.Jean ClaudeL’article “Raharaha Danil Radjan”: telo lahy MD eny Tsiafahy, Frantsay iray arahin’ny fitsarana maso a été récupéré chez Newsmada.

Tetikasa vaovao PMI Measure Malaria: hamafisina ny fahazoana antontan-kevitra momba ny fahasalamana
25/09/2020

 Nampahafantarina, omaly,  tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra ny tetikasa vaovao PMI Measure Malaria (PMM) ho fanamafisana ny antontan-kevitra momba ny fahasalamana manerana ny Nosy, indrindra ny ady hamongorana ny aretina tazo eto amintsika.Fanohizanan ny tetikasa “Measure evaluation”, izay ho tapitra amin’ity taona ity ny PMM. Efa tafapetraka niaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana avy amin’ny fikirakirana ny “Measure evaluation” ny fototra ilaina hanamafisana ny antontan-kevitra momba ny fahasalamana ka tafiditra ao ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny aretina tazo. Nofanina ny tompon’andraikitry 200 teny anivon’ny distrika hifehy ny fitaovana fanangonana sy fizarana antontam-baovao tao anatin’izany.Haharitra dimy taona ny fanatanterahana ny PMM ka anisan’ny firenena iray amin’ny 10 aty Afrika hisitraka azy i Madagasikara. Hanokana vola 1 480 000 dolara ampiasaina ho an’ny taona voalohany 2020-202 ny USAID mpanohana ara-bola ny tetikasa. Tanjon’ny tetikasa ny hanome vaovao maro-pototra sy azo ampiasaina rehefa misy fanapahan-kevitra mila raisina ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto an-toerana sy any ivelany. Ampiasaina ny teknolojia vaovao hanangonana sy hitaterana izany manomboka eny ifotony, indrindra ho an’ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny aretina tazo. Hamolavolana paikady hamongorana ity aretina ity ny antontam-baovao rehetra voangona, hoy ny fanazavan’ny tompon’andrakitra. Hiara-kiasa amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Fahasalamana maromaro voakasika toy ny fahanaraha-maso ny valanaretina, ny ady amin’ny tazo ary ny fahasalaman’ny ankohonana… Ny tetikasa hanamora ny fanatanterahana.Aretina mbola olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny tazo eto amintsika ary niakatra ny  isan’ny marary ho an’ny enim-bolana voalohany raha oharina tmin’ny taon-dasa, araka ny tatitry ny tompon’andraikitra.Vonjy A.L’article Tetikasa vaovao PMI Measure Malaria: hamafisina ny fahazoana antontan-kevitra momba ny fahasalamana a été récupéré chez Newsmada.

Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky
28/09/2020

Fihariana iray goavana be mpanao eto amin’ny faritra Analamanga ny fanaovana biriky tanimanga eny an-tanimbary. Mandritra maintany, aorian’ny miaka-bary, ny fiasana fanaovana biriky, manomboka ny volana mey hatramin’ny volana septambra. Miankina amin’ny toetr’andro amin’ny ankapobeny fa miankina amin’ny toe-tany. Maharitra telo volana eo ho eo ny asa, manomboka amin’ny fihadiana tany, ny fandrafetana sy ny fandorana azy.Fianakaviana tompon’ny tanimbary ihany no miasa azy na mampanofa ny taniny. Ao ny efa za-draharaha hatramin’ny taranaka mifandimby mivelona amin’io asa fanaovam-biriky io isan-taona. Faritra maromaro ny hiasana amin’izany, araka nambaran’ireo mpanao azy. Samy ahitana izany eny Atsimondrano sy eny Avaradrano. Fantatra anefa fa tsy maharaka intsony ny akora tanimanga ka tsy maintsy manampy tany hafa, mitaona tany mihitsy ireo mpanao biriky ireo. Misy karazany ireo tany ireo: lamoka, mangakely, tain-drihitra, loham-pototra, sy ny maro hafa.Tsy latsaky ny 100 AriaryVoalazan’ireo mpiasa biriky fa tsara avokoa ireo. Izy ireo moa mivarotra dia tsy maintsy izay ny lazainy fa ny mpanao trano matihanina, mahafantatra tsara ny tena ilaina, miankina amin’izay trano hatao. Miankina amin’izay koa ny vidiny. Amin’ny ankapobeny, tsy latsaky ny 100 Ariary ny biriky iray eny am-potony, miampy ny saram-pitaterana io. Ankoatra ny fiara, misy mitondra amin’ny sarety, araka izay toerana aleha ny sarany. Milaza fa sahirana ankehitriny ireo mpanao biriky, noho ny antony maro: tsy ampy ny tany sy ny rano, lafo ny kitay fandorana azy. Izany rehetra izany, noho ny fiovan’ny toetr’andro (zahao ny lahatsoratra Fivadihan’ny toetr’andro). R.MathieuL’article Fihariana: sahirana izao ny mpanao biriky a été récupéré chez Newsmada.

Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa
26/09/2020

Notanterahina omaly teny amin’ny fitandremana toby Fanantenana FLM 67 ha ny fanamasinana ny fitsofandranon’ny fanambadian’Andriandrantoson Riamaholy Haridina, mpanao gazety mikirakira ny vaovao ara-toekarena ao amin’ny gazety “Les Nouvelles” sy Rakotondraibe Hanitiriniaina Henintsoa, mpanao gazety mikirakira ny trangam-piarahamonina gazety Taratra, ao anatin’ny vondrona Ultima Media. Ny Pastora Rasolonjanahary Hobinirina Riri Harivelo sy Randrianarison Henri René ary Rakotondramanitra Mino Harivola no nifarimbona tamin’ny fitsofan-drano ny fanambadian’izy roa kely ireto. Nosafidin’izy ireo manokana ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 8 : 7a “Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana ary ny renirano tsy mahapaoka azy”. Taorian’ny fanamafisana ny fanambadian’izy ireo dia niara-nikorana tamin’ny fianakaviana sy ireo namana aman-tsakaiza teny amin’ny Espace Sahamadio Ilafy izy roa kely. Mirary tokantrano sambatra ho an’i Haridina sy i Henintsoa, harahin-jazalahy sy zazavavy ny fianakaviamben’ny vondrona Ultima Media.Ny fanoratanaL’article Nifanaiky ho mandrakizay i Haridina sy i Henintsoa a été récupéré chez Newsmada.

Tselatra
26/09/2020

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria 67, afakomaly ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery eny 67 ha sy ny manodidina. Niainga avy amin’ny fitarainana nataon’ny lehilahy iray lasibatry ny fanendahana no nahafahan’ny polisy nanao ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika teny an-toerana. Nendahin’ilay jiolahy tao anaty fiara ny telefaonina avolenta niaraka tamin’ny vola. Nitsoaka avy hatrany ka nanenjika ity jiolahy ity ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy ka naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy ny fanaraha-maso ataon’ny polisy satria isan’ireo faritra malaza ratsy amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery iny faritra 67 ha iny. L’article Tselatra a été récupéré chez Newsmada.

« Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu »
23/09/2020

Mitohy ny hetsika fampandrian-tany « Opération coup de poing » ao amin’ny faritra Bongolava nataon’ireo polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Tsiroanomandidy. Ny 15 sy ny 16 septambra 2020 teo, nisy ny vokatra azo nandritra izany hetsika izany. Olona dimy voasambotra tao Androtra sy tao Mangarivotra noho ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina, ny 15 septambra, raha olona roa kosa tratra tao Tsenankisoa, fokontany Tsaralalana, noho ny fisian’ireo roa lahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ihany koa niaraka amin’ny ramatoa mpamatsy izany. Olona 13 ny nofotoran’ny polisy noho ny tsy fanajana ny fahazoana mivezivezy amin’ny alina « couvre feu ». Olona 10 voasazy nanao asa miteraka tombontsoa iombonana noho tsy fanaovana arovava, moto miisa 32 nandalo fisavan’ny polisy noho ny tsy fanaovana aroloha. Posy miisa 43 voasava raha 10 amin’ireo kibota 60 nosavaina kosa no niharan’ny sazy avy hatrany. Teo koa ny fisian’ireo olona tratra nitondra fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny odigasy, raha nikasa hangalatra kisoa.J.C L’article « Opération coup de poing »: olona 13 tratra tsy nanaja « couvre feu » a été récupéré chez Newsmada.

Cybercriminalité – Facebook: tompona vondrona «publications» nosamborin’ny polisy
29/09/2020

Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray tompon’ilay vondrona “Zava-misy eto Madagasikara sy maneran-tany”. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy misahana ny ady momba ny heloka amin’ny “internet” na ny “cybercriminalité”, fanaparitahana sary sy horonantsary mamoafady, fihantsiana adim-poko sy fanompana olona ary fanalam-baraka mpitondra fanjakana, mpanao politika sy ireo olom-pirenena tsotra. Ireo no hita miverimberina ao anatin’ity vondrona “Zava-misy eto Madagasikara sy Maneran-tany” ity ka voatery nandray ny andraikitry ny polisy ka nisambotra ny lehilahy iray tompon’ireo vondrona ireo. Manentana ny rehetra hatrany ny polisy tsy hamoaka vaovao tsy mendrika toy ny hita ao amin’ity vondrona ity satria manimba ny fisainan’ny fiarahamonina malagasy. “Tiana ny manamarika fa anisan’ny tompon’andraikitra feno amin’ireo zavatra aparitany mivoaka eo amin’ny pejy na ny vondrona tantaniny ny administrateur, ny modérateur-n’ny vondrona tsirairay. Noho izany, tokony hanara-maso ny vaovao sy ny zavatra avokaan’ny olona izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Tokony hampiasaina am-pamendrehana ireny tambajotran-tserasera ireny hialana amin’ny zavatra toy izao.Jean ClaudeL’article Cybercriminalité – Facebook: tompona vondrona «publications» nosamborin’ny polisy a été récupéré chez Newsmada.