Nécrologie du 15 septembre 2020

News - Nécrologie du 15 septembre 2020

News - Nécrologie du 15 septembre 2020

Cliquez pour agrandir

L’article Nécrologie du 15 septembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.

Nécrologie du 15 septembre 2020

L’article Nécrologie du 15 septembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Nivoaka tamin'ny : 15/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Raindahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery: voasambotra indray, tapa-bolana taorian’ny nivoahany ny fonja

 Voasambotra, afakomaly, rehefa nifanenjehan’ny polisy, teny Andravoahangy ireto roalahy, voalaza fa jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Vao tapa-bolana anefa izay no nivoahan’izy ireo ny fonja.Nahasambotra ireto jiolahy ireto ny polisy nanao fanamiana sivily miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro nampian’ny andrimasom-pokonolona eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, afakomaly tolakandro. Ny iray, tratra teo am-panendahana vehivavy iray niantsena teny Andravoahangy kanefa voatazon’ilay vehivavy ny tanan’ity jiolahy sady afaka niantso vonjy ihany izy. Nahifik’ilay jiolahy ny tanan’ilay vehivavy ka tafaporitsaka izy, saingy efa nisy vaomiera’ny fandriampahalemana sy polisy nanao fanamiana sivily teny an-tsenan’Andravoahangy tamin’io fotoana io ka raikitra ny fifanenjehana tao anaty tsena. Tsy lasa lavitra anefa, tratra ity jiolahy raindahiny ity. Ny jiolahy faharoa kosa, tratra teo amin’ny lakandrano Andravoahangy rehefa avy nanendaka telefaonina finday. Fiaraha-miasa amin’ireo mpiambina ny tsena ihany koa ny nahafahan’ny polisy nisambotra ity jiolahy ity. Malaza ratsy amin’ny halatra telefaonina ity jiolahy ity ary efa ikoizana amin’izany. Nilaza ry zalahy fa vao nivoaka ny fonja tapa-bolana (tamin’ity volana jolay ity) kanefa izao nanohy ny asa ratsiny izao sahady.Tratra koa ny jiolahy mpangalatra kodiarana…Saron’ny polisy teny ambony tetezan’i Behoririka, afakomaly, koa ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra kodiarana fiara. Ireo polisy nanao fisafoana amin’iny faritra iny no nahatsikaritra lehilahy iray nanao fihetsika hafahafa. Vantany vao nahatazana ny polisy anefa izy, nitsoaka avy hatrany ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra izy fa tratran’ny polisy. Nahitana “clé” famohana kodiarana fiara tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Nilaza izy tamin’ny famotoran’ny polisy fa mangalatra ny kodiaran’ireo fiara mipetrapetraka eny amin’ny manodidina an’Antaninandro sy i Behoririka iny.Jean ClaudeL’article Raindahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery: voasambotra indray, tapa-bolana taorian’ny nivoahany ny fonja a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra

Anisan’ireo zavakanto vahiny nofolahin’ny Malagasy hifanaraka amin’ny aingam-panahiny,ny  fomba fisainany, sns, ny teatra. Nanjary teatra klasika malagasy mihitsy aza moa ny anarany taty aoriana… Nandalo fotoan-tsarotra anefa izy io…Iray amin’ireo kolontsaina sy ny zavakanto niroborobo fatratra ny teatra, nandritra ny vanim-potoan’ny fanjanahantany teto Madagasikara ka hatraty amin’ny Repoblika voalohany. « Raha ny vaovao ofisialy, nitriatra Ambatovinaky (trano filalaovana teatra) ka izay ny antony nandrodanana azy », hoy i Mbato Ravaloson. Raha ny filazan’ny mpilalao teatra sy ireo mpitia teatra tamin’izany fotoana izany anefa, vokatry ny fahatezeran-dry zareo mpanjanaka, noho ny « Raharaha 1947 », ny anisan’ny antony nandrodanana ilay trano fanaovana teatra tetsy Ambatovinaky. « Raha ny fanadihadiana nataon’ny teo aloha sy notohizana taty aoriana, nanana ny lanjany teo amin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny fisian’ny teatra tamin’izany. Kolontsaina malagasy, hira malagasy, teny malagasy, sns, no novoizina tao, hany ka natahotra ny mpanjanaka sao sanatria hampitombo ilay fitiavan-tanindrazana ao amin’ny Malagasy ny fisian’ny teatra ka naleony narodana ny taona 1953 Ambatovinaky », hoy hatrany i Mbato Ravaloson.Notsiahiviny ihany koa ny vina tany amin’ny taona 2010. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’nireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Averina ny endrika ivelan’ilay trano filalaovana teatra tetsy Ambatovinaky. Ny anatiny kosa, atao « Musée d’art ». Hatreto anefa, mijanona ho vina tokoa io fa tsy mbola nisy asa notanterahina. Efa zary toerana fanariana maloto rahateo Ambatovinaky nijerena teatra fahiny !HaRy RazafindrakotoL’article Fanovana toe-tsaina: natahoran’ny mpanjanaka ny teatra a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: nanolotra 10 tapitrisa Ar ho an’ny Barea i Hery Be

Amin’ny maha olon-tsotra tia sy mpankafy ny baolina kitra azy, tonga nijery sy nanohana ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny “Lalaon’ny Nosy”, Rasoamaromaka Hery (Hery Be), fantatra amin’ny fanamboarana kianja synthètique. Nanome lelavola 10 tapitrisa Ar ho an’ireo mpilalao ny tenany, omaly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. “Kely izany fa noho ny fitiavana ny Barea sy ny taranja baolina kitra, manampy anareo ny tenako”, hoy izy. Nomarihiny fa tsy vao izao akory ny tenany ny ao anatin’ity tontolon’ny baolina kitra ity fa efa hatrizay satria efa nitondra klioba ary efa mpitantana mihintsy ka tsy mba anisan’ireo lazaina fa mijapy masinina mandeha.Nohararaotiny ity fotoana omaly ity namaliana ireo olona mitabataba sy mifanenjika any anaty tambajotran-tserasera. “Aleo mifaninana aty amin’ny fanampiana ny Barean’i Madagasikara fa tsy hifaratsy sy hifanenjika any anatin’ireo tambajotran-tserasera ireny”, araka ny filazany.Notsiahiviny ihany koa fa fotoana efa ela ny nilazany fa ho kandidà hirotsaka hofidina ho filohan’ny federasiona ny tenany, ary mbola nanamafy izany indray, omaly tetsy Mahamasina. Nampanantena sahady izy fa raha ho lany amin’izany toerana izany, hanao izay haha matihanina ireo mpilalao malagasy, ary hampitomboina ny fanampiana ny vola hampiroboroboana ny baolina kitra eto an-toerana.Tsiahivina, fa i Maorisy no hidona voalohany amin’ny Barean’i Madagasikara eo amin’ity “Lalaon’ny Nosy” ity. Torcelin L’article Kitra: nanolotra 10 tapitrisa Ar ho an’ny Barea i Hery Be a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Vokatra ny legioma: 5 000 Ar ny kesiky ny voatabia

 Fotoana fiakaran’ny vokatra legioma izao fiafaran’ny ririnina izao. Mora ny vidiny, araka izany, mahafaly ny mpanjifa, saingy tsy ahazoan’ny tantsaha mpamokatra tombony loatra.Vokatra avokoa ny ankamaroan’ny legioma rehetra izay any Vakinankaratra sy any Itasy ny toerana tena mamboly azy ireny. Anisan’izany ny voatabia, ny petit pois, ny karaoty, ny ovy, ny voatavo, sns.Manodidina ny 5 000 Ar ny vidin’ny voatabia iray kesika, milanja 10 kilao eo ho eo, ivarotan’ny tantsaha mpamboly any an-tsenan’Ampary, distrika Soavinandriana Itasy. Nambaran’izy ireo fa voatery tsy maintsy amidy mora satria miara-miakatra avokoa ny vokatry ny mpamboly. Mila vola anefa satria maro ny ilana azy, toy ny hividianana kojakoja samihafa ao an-trano, ny hanonerana ny vola nindramina, ny fampidirana mpianatra, ny famadihana, sy ny hafa.Tsy mihetsika ny vidin’ny ovyMitobaka koa ny petit pois ao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Amidy 300 Ar hatramin’ny 400 Ar ny kapoaka. Nilaza ny mpivarotra fa avy any Talata Volonondry ny toerana anisany tena be mpamboly azy. Voly avotra ny petit pois, maniry mandritra ny telo na efa-bolana, ambolena aorian’ny vary (vakiambiaty), niakatra ny volana mey na jona. Tsy mihetsika manodidina ny 800 Ar hatramin’ny 1 200 Ar kosa ny kilaon’ny ovy, na fotoana fahavokarany koa aza izao. Nilaza ihany ireo mpivarotra legioma etsy Andravoahangy fa ny tsaramaso indray no vokatra manaraka hiakatra, afaka iray volana eo ho eo.Raha manaraka ny fenitry ny tolotra sy ny tinady ny eto Antananarivo, tsy toy izany kosa ny any amin’ny faritra. Nambaran-dRajaonson, mpanangom-bokatra sady mpamatsy any Toamasina, fa misy fihenany kely ihany ny vidiny handraisana ny legioma any amin’ny tantsaha fa ny saran-dalan’ny fiara mpitatitra no tena mamaritra ny vidiny hivarotana azy any amin’ny faritra.Njaka AndriantefiarinesyL’article Vokatra ny legioma: 5 000 Ar ny kesiky ny voatabia a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy

Notokanana, omaly, ny toby fitsinjaran-tsolika vaovao an’ny Shell eny Mahitsy. Fivarotan-tsolika faha-72 eto amintsika, an’ny orinasa Vivo Energy, manaparitaka sy mivarotra ny vokatra Shell (solika sy ny vokatra samihafa mifandraika aminy) eto Madagasikara.Manamora ny fividianan’ny mpanjifa ny vokatra ilainy, hita ao amin’ity toby vaovao ity, ny fampiasana ny karatra “prépayée Shell Petro+”. Ho an’ny ben’ny Tanànan’i Mahitsy, Rakotovao Andriambololona, “tsy mijaly famatsiana solika intsony ny any Mahitsy satria mitombo ny toby mpaninjara, raha iray ihany no nisy tany amin’ny 10 taona lasa”.Nilaza ny tale jeneralin’ny Vivo Energy, i Mondher Bouhouche, fa endriky ny fandraisan’anjaran’ny orinasa tantaniny amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ary mitondra fampandrosoana ny firenena izao fotodrafitrasa izao. Marihina fa efa nisokatra ho an’ny mpanjifa teo amin’ny iray volana eo ity toby vaovao ity.Njaka A.L’article Shell Vivo energy: tsy mijaly solika intsony ny eny Mahitsy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

“Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana

Seho indroa miantoana, araka ny fangatahan’ny mpankafy. Ho feno ihany koa satria nasain’i Erick Manana hifampizara sehatra aminy ry Dama, Bebey, Benny, Kaolibera ary Nini…Akaiky ilay fotoana! Efa amam-bolana maro no nampiomana ireo mpankafy azy i Erick Manana, fa hisy ny seho izay hotontosainy eto Madagasikara, ny volana aogositra. Nambarany tamin’izay fa fanohizana ilay “Feo roa, gitara roa” niarahany tamin’i Dama io. Rehefa nandroso anefa ny fotoana, fantatra fa hanasany ihany koa an’i Bebey ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, sy ry Kaolibera, Nini ary Benny ao amin’ny tarika Feo Gasy, izany. “Maro ireo nangataka tamiko ny hanaovana sehon’ny Feo Gasy amin’ny fandalovako an-tanindrazana, ka izay no nahatapaka ny hevitra”, hoy ny nambaran’i Erick Manana. Hotontosaina ny asabotsy 10 aogositra sy ny alahady 11 aogositra izao ity fiarahana an-tsehatra ity. Fantatra fa hizara efatra mazava tsara izany: Erick Manana sy Dama, Erick Manana sy Benny ary Bebey (Lôlô sy ny tariny) ary ny fizarana farany dia iarahan’ny rehetra. “Hisy ampahany tsy hampitovy ireo seho roa ireo ihany, fa amin’ny ankapobeny ny fanomanana dia iray ihany”, hoy hatrany ny fanazavana nomen’i Erick Manana. Efa andro maromaro no nigadona an-tanindrazana sy nanomana ny seho ity mpanakanto ity. Anisan’ny fotoana niainan’izy ireo sahady ny “Revirevinay taloha”, izay natao anaran’ny fiarahana, ny famerenana. Mikasika ny Feo Gasy manokana, hihazo an’i Toamasina izy ireo, ny 16 sy 17 aogositra. Fantatra koa fa eo am-panomanana ny rakikira fahatelo, izay misy ny sanganasan’i Kaolibera sy Erick Manana, ankoatra izay indramin’izy ireo. Aorian’izay dia hisy ny fivoahan’ny Feo Gasy any Eoropa. Ho famaliana ny fanontaniana maro, tsy mbola afaka miaka-tsehatra noho ny toe-pahasalamany i Fafah. Zo ny Aina L’article “Revirevinay taloha” : hanasa ireo namany an-tsehatra i Erick Manana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ankizy tia boky: tombontsoa roa no azo

Mila manova paikady ifotony ny rohim-boky eto Madagasikara raha te hahita vokatra tsara. Miainga avy any amin’ny zaza sy ny ankizy ny ezaka. Ampitsirina any amin’ireo sokajin-taona ireo ny fitiavana mamaky boky. Atao izay ahazoan’izy ireny fahafinaretana avy amin’ny famakiana boky. Ankoatra ny endrika ivelany izay tsy maintsy manintona, anisany goavana indrindra ny votoatiny sy ny teny ampiasaina. Omena lanja ny kolontsaina malagasy, toy ny angano malagasy ka ny teny malagasy no hanoratana ny boky. Mahazo tombontsoa roa ny zaza sy ny ankizy malagasy ary i Madagasikara iray manontolo amin’io fomba io.  Manjary tia mamaky teny ny ankizy. Mahazo lanja eo anatrehany indray ny teny malagasy. Faharoa, mivoatra ny kolontsaina malagasy satria ny azy no henon’ny sofiny fa tsy zavatra vahiny notefitefena tetsy sy teroa sady tsy mifanaraka amin’ny zava-nisy marina teto Madagasikara. Eny am-piandohana, rehefa azon’ny zaza sy ny ankizy ny boky, ny olon-dehibe toy ny ray aman-dreny mihitsy aloha no mitarika ny famakian-teny. Hajanona eo amin’ilay faritra tena mahaliana ny ankizy avy eo ny vaky teny. Mangetaheta izy ireo ka mitady ny tohiny avy hatrany.HaRy Razafindrakoto L’article Ankizy tia boky: tombontsoa roa no azo a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-103 ny « Concert classique de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hiaka-tsehatra, anio etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), ny Quatuor Majesty. Tarika ivondronan’ireo andrarezina amin’ny fandidiana « violon » sy « violoncelle », ahitana an’i Joachim Rakotoniaina (violon solo), i Samuthiah Andrianarivelo (violon faharoa), i Benja Andriambololona (Alto) ary i Atolotro Ho Fiderana Ny Finoana (violoncelle).Raha ny ao anaty fandaharam-potoana, holalaovin’izy ireo eny an-tsehatra ny “Intermezzo sinfonico du Cavallerie rusticana”, sanganasan’i Pietro Mascagni (quatuor), ny « Quartet n°35 an’i J. Haydn op.64 n°5” sy ny « Divertimento in F KV138 an’i Mozart.Marihina fa i Joachim Rakotoniaina no hitarika sy handrindra ity seho tanterahin’ny Quatuor Majesty, anio manomboka amin’ny 1 ora, ity.HaRy RazafindrakotoL’article Concert classique de midi: hiatrika ny andiany faha-103 ny Quatuor Majesty a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

 Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM

Misoko mangina, tsy re tsaika.  Efa mandeha ny IEM ary anisan’ny nisitraka izany ireo tantsaha any Vakinankaratra.  Nidina ifotony tany an-toerana ny filoha Rajoelina, omaly.Nihaona mivantana amin’ireo tantsaha nahazo ny fanohanana.“Mipaka aty amin’ny tokantranonay mihitsy, Andriamatoa filoha, ilay IEM », hoy ny renim-pianakaviana tao Andranomanelatra Antsirabe.  Fito  ireo nahazo famatsiam-bola ary kendrena hahatratra 800 ny hisitraka ny fihariana sy homena omby, hatramin’ny faran’ny taona any an-toerana. Nahazoana ronono 5 litatra isanandro ny  ombivavy teo aloha. Maherin’ny 20 litatra izany izao.  “Hisy veterinera maimaimpoana hanaraka ny fahasalaman’ny omby eto amin’ny fikambanan’ny tantsaha Sandratra. Homena fiofanana ianareo.  Afaka mametraka dosie  ireo  tsy mbola nahazo omby…  Efa nampanantena ny Socolait  fa hividy ny ronono”, hoy ny filoha Rajoelina. Nambarany fa mbola hisy koa ny fiompiana akoho sy ny fanomezana lalam-barotra ho azy ireo. Nampanantena  ny  hanampy eo amin’ny fitaovana na vola na koa zezika sy masomboly  ny filoha. Natsidiny koa fa hitsangana tsy ho ela ny orinasa mpanamboatra “Plaque solaire”. Ho avy ny “kits solaires” ka  hahazo izany voalohany ny ao Andranomanelatra.Ho avy ny fitaovana hanamboaran-dalana Ho an’ny tao Manandona kosa indray, misitraka ny tetikasa fihariana ny fianakaviana miisa 20 eo ho eo ary  mamboly velaran-tany 30ha. Eo koa ny fiompiana kisoa matavy. Mamboly vary, ny tongolo, ny ovy, ary legioma koa  izy ireo. « Tokony hijery ny tsena any ivelany ny tantsaha ary tokony ho matihanina fa tsy hijanona amin’ny fambolena sakafo ao an-tokantrano fotsiny”, hoy izy. Notsiahivina ny velirano hanampiana ny tantsaha. Fanoitra lehibe amin’ny fahantrana ny fanampiana ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny nambarany. Hahazo omby maherin’ny 800 ny tantsaha ao Andranomanelatra, mialoha ny faran’ny taona. Hahazo koa ny ao Manandona. Notsiahiviny fa homena fitaovana daholo ny faritra  rehetra.  Anisan’izany ny  “Tracks sy ny Bulls” hanamboarana ny lalana mampifandray ny kaominina. Hahazo fiara fitondrana marary koa ny ao Manandona…Nomena toromarika ny tompon’andraikitra hijery ny fampiasana izany.Synèse R. L’article  Andranomanelatra sy i Manandona: niaiky ny vahoaka fa efa miainga ny  IEM a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Antananarivo : Olona telo voasambotra saika haka an-keriny teratany vahiny

Tsy nahomby ny tetik’ireto andian’olona telo nikasa haka volabe tamina teratany vahiny mpandraharaha monina eto Antananarivo tamin’ny fandrahonana hanao « kidnapping » ity farany. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy izy ireo ary natolotra ny fampanoavana omaly 23 novambra. Araka ny fanazavana avy amin’ny Polisy dia niainga tamin’ny fitarainana voaray no nahasamborana ireto olona ireto. Ny 13 novambra tamin’ny 10 ora alina no voalaza fa nisy olona niditra an-keriny tao an-tranon’ity mpandraharaha ity. Ny ampitso, izany hoe ny 14 novambra tamin’ny 10 ora antoandro dia naharay antso an-telefaonina ilay mpandraharaha. Nilaza ilay antso fa tsy maintsy manome azy ireo 1 tapitrisa ariary ity mpandraharaha ity raha tsy izay dia halain’izy ireo an-keriny. Manoloana izany dia nandefa 200 000 ariary tamin’izy ireo ity farany. Koa satria efa nahazo fitoriana momba ity raharaha ity  ny  polisy dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ka nahafahana nisambotra vehivavy iray mpivarotra « puce » na finday eny amin’ny 67 ha, ny 15 novambra. Ity vehivavy ity no fantatra fa nividianana ireo nomerao finday nampiasaina niantsoana ilay teratany vahiny. Taorian’izay dia tratra ireo lehilahy roa izay tena atidoha rehefa nokarohina hatrany Moramanga. T.M.L’article Antananarivo : Olona telo voasambotra saika haka an-keriny teratany vahiny a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Samy manao izay mahametimety azy    
18/09/2020

Vita ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19? Mbola izay aloha ny resaka izao. Tsy mbola nofaranana ny fahamehana ara-pahasalamana, mitohy ny fanajana sy ny fampanajana ireo fepetra amin’izany. Nefa efa misy ny tsy tan-dalàna, na misy aza ny fanaraha-maso sy ny fanasaziana. Samy manao izay saim-pantany ny tsirairay amin’izao? Na manao izay mahametimety azy, na izay mahafalifaly azy.Tsy maharitra hatramin’ny farany ny Malagasy rehefa manao zavatra? Mafana fo am-boalohany. Rehefa ela ny ela, miverina ho azy amin’izay fanao tsy mahafa-bela teo aloha. Na mahatsiaro tena ho malalaka avy amin’izay fihibohana izay ka samy manao izay mahametimety sy mahafalifaly azy. Sanatria, tapa-kofehy? Na ny sehatra hafa aza, ahitana izay fanaovana izay saim-pantatra izay etsy sy eroa.Am-boalohany ihany no samy tena nanaja antsipiriany sy manontolo ny fepetra ara-pahasalamana, ohatra, ny sehatry ny fitaterana. Amin’izao, misy manao izay saim-pantany: tsy hita intsony izay tsiranoka fanasan-tanana, tsy voahaja ny isan’ny toerana ary miovaova ny saran-dalana fa misy mitondra mpandeha antsasa-dalana… Hanao ahoana ny antoka fa resy sy efa lasa ny valanaretina Covid-19?Na amin’ny fidiran’ny sekoly aza, tsy ilaozan’izay manao izay mahametimety azy avy. Misy, ohatra, mbola manohy taom-pianarana lasa izay tsy vita na tsy hita be ihany, mbola hanao fitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra hampiakarana kilasy azy na tsia, vao hiditra amin’ny taom-pianarana vaovao. Ao ny efa misisika amin’ny fitakiana saram-pisoratana anarana ho amin’ny taom-pianarana vaovao.Inona na ahoana koa? Santionany ireo fa samy manana izay mahazo azy sy izay ataony avy ny isana-tsehatra: asa, fivavahana…Tsy takona afenina amin’izany fa nampitondra faisana ny fihanaky ny valanaretina: nampisara-bazana, mampiady irery, mahatonga ny samy maka ho azy… ? Na fahalalahana, na fifaninanana, na tsy fiankinan-doha… Mbola misy ny soa iombonana sy mampiombona tsara jerena sy ampitomboina ?Rafaly Nd.  L’article Samy manao izay mahametimety azy     a été récupéré chez Newsmada.

Fanadinana BEPC : 327 455 ny mpiadina manerana ny Nosy
19/09/2020

Hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ary haharitra hefarana ny fanadinana faharoa BEPC manerana ny Nosy. Mahatratra 327 455 ny mpiadina misandrahaka amin’ny foibe 1 042 manana efitrano fanadinana 10 658. Ni­tombo 12 ny foibem-panadinana ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana mandritra ny fanatontsana izany. 34 ireo mpiadina manana fahasembanana ary telo ny vahiny manatrika ny BEPC amin’ity taona ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sampandraharaha misahana ny pedagojia, omaly. Tsapa fa nihena ny mpiadina nisoratra anarana teny anivon’ny sekoly fa nanolo-tena ny ankamaroany. Tokana ny laza adina ho an’ny taranja hatrehin’ny mpiadina rehetra. 27 695 ny isan’ny mpiadina ni­soratra anarana ho an’ny BEPC, amin’ity taona ity eto Antananarivo Renivohitra. 23 787 ny sokajy A. 810 amin’ireo nisafidy ny teny vahiny alema, 22 644 hanao ny Anglais ary ny 336 hiatrika ny Espaniola mandritra ny fanadinana. 3908 ny sokajy B. Mahatratra 3365 ireo mpiadina hanala ny BEPC fotsiny, 24309 hanatanteraka ny BEPC sy ny fidirana amin’ny kilasy 2nde ary efatra no mifaninana hiditra amin’ny kilasy 2nde fotsiny. Mahatratra 31 ny foibem-panadinana eto Antananarivo Renivohitra ahitana efitrano 647. Fito ny foibem-pitsarana ny taratasim-panadinana. 20 ireo mpiadina manana fahasembanana hisedra ny BEPC. Manao tenim-pirenena vahiny ny mampiavaka ny sokajy A. Toy ny tamin’ny CEPE, hizarana arotava avokoa ny mpiadina rehetra, mahazo “gel” hanadiovana tanana koa ny rehetra ary apetraka eny an-tokotany ny fitaovana ahafahan’ny mpiadina manasa tanana mialoha ny hidirana ao amin’ny efitrano fanadinana. Milamina kokoa ny fanomanana raha nitahana ny tamin’ny CEPE, hoy ny lehiben’ny Cisco Antannarivo Renivohitra.Vonjy A.L’article Fanadinana BEPC : 327 455 ny mpiadina manerana ny Nosy a été récupéré chez Newsmada.

Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo
21/09/2020

Miroso sy mandeha ny asa fanamboaran-dalana Ambilobe- Vohémar (RN5A). Anisan’nyfampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina Andry ny fanarenana tanteraka iny lalam-pirenena mampitohy ny distrika roa iny.Nidina ifotony tao Vohémar nijery ny fandroson’ny asa fanarenana sy ny fanamboarana izany ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa mizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny asa amin’izao fotoana izao. Efa saika tafapetraka avokoa ireo toerana hiasan’ny orinasa manao ny fanamboarana. Efa miroso ny asa fanamarinana sy fanajariana ny lalana (terrassement) na avy any Vohémar na ny avy any Ambilobe.Natao hijerena ny olana…Efa an-dalana tahaka izany koa ny fandrafetana sy fametrahana ireo fotodrafitrasa fivarinan’ny rano (dalots) miisa 60 mahery. Manampy ireo ny fijeren’ny minisitra ireo toerana fakana ranontany sy ny vato ary ny toby hipetrahan’ny orinasa manatentaraka ny asa. “Natao indrindra hijerena ny fandrosoan’ny asa sy hifampidinihina amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’ireo olana mety mitranga ny fidinana ifiotony tahaka izao. Jerena koa ny mety hampitarazoka na hampikatso ny asa, ary hanomezana toromarika amin’ny fandrindrana ny asa amin’ny ankapobeny”, hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo.Tsiahivina fa anisan’ny miantoka ny fampandrosoana any amin’iny faritra avaratra iny ny fahavitan’io lalam-pirenena io. Tahaka izany koa ny efa hirosoana amin’ny fanamboarana ny lalana Ambilobe mihazo ny any Antsiranana.Synèse R.L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: nijery ny fanamboaran-dalana RN5A ny minisitra Hajo a été récupéré chez Newsmada.

Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC
22/09/2020

Nanomboka omaly ary hitohy anio ny fiatrehan’ny mpiadina 327 455 ny fanadinana BEPC. Tsy nisy olana saro-bahana fa nizotra tsara ny andro voalohany.  26 485 ny isan’ny mpiadina nanatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 27 699 no nisoratra anarana. 1214 ireo tsy tonga, omaly, tamin’ny andro voalohany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananantony Lalaina, omaly. Nizotra tsy nisy olana saro-bahana ny fanombohana ny BEPC. Mpiadina iray avy any Ambatondrazaka no voatery niatrika ny fanadinana teto an-dRenivohitra ka rehefa voamarina fa voasoratra anaty ny lisitry ny mpiadina izy dia nomena ny taratasy fiantsoana ary nomena alalana hanaraka ny fanadinana. Nisy koa ireo diso foibem-panadinana, saingy tsy niteraka olana fa tonga teny amin’ny ivontoerana tokony niadinany ihany izy ireo.Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Razafimahefa Herman fa na nisokatra aza ny lalana hivoaka ny faritra rehetra, azo noraisina hanatanteraka ny BEPC ihany ireo mpiadina taraiky tany amin’ny faritra ary nohamoraina ny fahazoany miatrika izany. Nitsidika ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy ny tompon’andraikitry ny minisiteraho fanombohana tamin’ny fomba ofisialy sy ny fanokafana ny laza adina, omaly maraina. Manana tombony ny teto Madagasikara afaka nanao ny fanadinana roa ara-panjakana raha mitaha ny tany ivelany, izay nanambara fa taona fotsy ny taom-pianarana 2019-2020, indrindra taty Afrika. 272 ny mpiadina teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambatolampy Tsimahafotsy, Cisco Ambohidratrimo.Nohajaina avokoa ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.Hiatrika ny taranja matematika sy ny français (LV1) ny mpiadina, anio tontolo andro.356 ny tsy tonga tao ToamasinaHo an’i Toamasina manokana, nitombo tsy toy ny fahita isan-taona ny isan’ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana BEPC, ho an’ny omaly, izay mahatratra 356. Mitotaly 19 055 ireo mpiadina voasoratra anarana ao anatin’ny faritra Atsinanana, izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 56. 6 357 kosa ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina voalohany voazarazara amin’ny toeram-panadinana 14. Vonjy A. sy SajoL’article Cisco Antananarivo Renivohitra: Anarivony ireo tsy tonga tamin’ny BEPC a été récupéré chez Newsmada.

CENI : Mandeha ny mandeha
20/09/2020

Miroso mankany amin’ ny fifidianana loholona vaovao. Tsy misakana ny sarety tsy ho any Sabotsy ny horakoraka. Fifidianana ataon’ny olom-boafidy izy ity.  Amin’ity fifidianana indray mitoraka ity dia tsy hisy intsony izany « doublon » izany  satria tsy hisy ben’ny tanana « double » na mpanolon-tsaina « double » amin’ny kaominina iray izany no afaka hifidy sady  vitsy raha teo ny isan’izy ireo raha mihoatra amin’ny vahoaka. Natao ahoana moa izany ilay didy navoakan’ny HCC momba ny famerenana ireo fifidianana  ben’ny tanana  sy mpanolon-tsaina vitsivitsy ? Nisy fepotoana napetrak’izy ireo io didy io. Voahaja ve ilay fepotoana ? Mifidy ve ireto governora notendrena ireto ? Apetraka amin’ny fomba ofisialy rahampitso 21 Septambra 2020 eny amin’ny CENI Alarobia ny filoha lefitry ny CENI vaovao. Nirina R. Cet article CENI : Mandeha ny mandeha est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CENI : Mandeha ny mandeha a été récupéré chez Délire Madagascar.

Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… »
19/09/2020

Nitohy tany Sambava indray ny fidinana ifotony naton’ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Nitokana fotodrafitrasa maromaro ny tenany sady nitondra fanampiana koa. “Tsy ho faritra tara intsony tahaka ny teo aloha i Sava sy i Sambava. Manao fanamby isika fa fotoana hampandrosoana ity distrika ity izao. Tsy maintsy hotanterahina ireo fotodrafitrasa efa nampanantenaina ho an’ny faritra”, hoy izy tany an-toerana. Notokanana tamin’izany ny Hotel des Finances ao Besopaka. Fotodrafitrasa manafaingana ny raharaham-panjakana. Eo ny fanomezana fisotroan-dronono, karaman’ny mpiasam-panjakana, ny hetra sy fadin-tseranana.Nampiasa ny CVO + “gelule”Nankahery sy nanome ny tamby fandrisika ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Hopitalibe koa ny filoha mivady. Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny hopitaly, ahitana ireo fitaovana manara-penitra ahafahana haingana mamonjy aina ny tenany. Natolotra koa ireo “extracteur d’oxygène” miisa 50 handraisana ireo marary manana fahasarotana. Voalohany nisitraka ny « gelule CVO + » koa ny any Sambava. “Ho mora atelina sy ampiasaina kokoa ny CVO + mitaha amin’ny tambavy CVO ka antony namoronana azy io”, hoy ny filoha. Nijery ny fanamboarana ny lalana “pavet” sy “beton” eo an-tampon-tanàna sy ny manodidina koa ny tenany.Vatsy tsinjo sy Rakibolana ary kamiaoNotoloran’ny filoha fiara tsy mataho-dalana miisa roa koa ny faritra Sava ka ho an’ny distrikan’Andapa sy i Sambava izany. Manampy ireo ny “ca­mion benne” sy “benne” miisa dimy ho an’ny kaominina Sam­bava. Nifarana tamin’ny fanolorana Vatsy tsinjo avy aminy sy ny fanolorana milina fanjairana ary ny fizarana Rakibolana ho an’ny kilasy T5 sy T9 ny fitsidiham-paritry ny filoha mivady tao Sambava.Synèse R.L’article Fidinanana ifotony nataon’ny filoha : « Tsy ho tara amin’ny fampandrosoana ny faritra Sava… » a été récupéré chez Newsmada.

BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany
23/09/2020

Efa nanomboka, omaly, ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja roa natrehin’ny mpiadina amin’ny BEPC, omaly, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Napetraka ny « grille de correction » niaraka amin’ny « commission d’entente » ary nisy ny fivoriana niarahana amin’ny mpitsara rehetra. Tombanana ho vita ny faran’ny herinandro ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja natrehina ka hampiditra ny naoty ao amin’ny ordinatera ny mpiasa ny alatsinainy ho avy izao. Mbola misy ny fanamarinana farany momba ny naoty avy eo. Herinandro aorian’izay, heverina fa hivoaka ny valim-panadinana farafahatarany ho an’ny eto an-dRenivohitra. Fito ny toerana fitsarana taratasim-panadinana. Ny taranja histogéo sy ny fizika simia no miandry ny mpiadina anio tontolo andro. Nanambara ny minisitry ny Fanabeazana fa haloa avy hatrany ny karaman’ireo mpiasa mikarakara ny fanadinana hatramin’ny fitsarana ka tsy hisy ny trosa amin’ity fanadinana 2020 ity.VonjyL’article BEPC: tombanana hivaly ny 5 oktobra farafahatarany a été récupéré chez Newsmada.

Namoaka mpampiofana  miisa 55 ny Don Bosco
21/09/2020

Mpampiofana miisa 55 no navoaka ny faran’ny herinandro teo tetsy Ampefiloha. “Hampivoatra kokoa ny sehatrasa eo amin’ny orinasa madinika sy salantsalany ny anton’ny hetsika mba ho matihanina kokoa na efa tompon’andraikitra aza ireto nivoaka ireto”, hoy ny eo anivon’ny birao teknika eo anivon’ny Don Bosco, ny mompera Ramaminirina Jeannot. Nanteriny fa natao ny fanofanana mba hahaizan’izy ireo mandray ireo mpiofana any amin’izy ireo avy ho amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny asa. Eo ny fahaizana mampita sy mampianatra sy ny fanaraha-maso ireo tantaniny. “Miaraka amin’ny fanitsiana sy fanoroana mba hananana traikefa bebe kokoa. Anisan’izany ny fomba fanaovana tombana, ny fomba fanofanana”, hoy ihany izy. Misehatra eo amin’ny asa tanana, tahaka ny zaitra, ny taovolo, ny “soudure”, ny taon-kazo (OB) ny maro amin’ireto hampita ny fahaiza-mampiofana amin’ny hafa ireto.Nambaran’ny minisitry ny Fampianarana teknika, i Tsikeliankina Ernest, niatrika izao lanonana izao fa efa midina ifotony mijery ny filàna eny anivon’ny faritra ny departemanta tantaniny, miainga amin’ny vinan’ny filoham-pirenena. Anisan’izany ny hidiran’ireo tanora hatrany amin’ny iray tapitrisa eo amin’ny sehatry ny asa. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ny mpiara miombona antoka ho amin’ny fanofanana.Synèse R.   L’article Namoaka mpampiofana  miisa 55 ny Don Bosco a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange
18/09/2020

Tsy fantatra izay tena antony fa manao fanerena ankolaka ary tena misisika mafy ny hanaovana lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar ny Swift Hesperange Luxembourg. Efa tsy neken’ny federasiona malagasy (FMF) anefa izany. Nandefa taratasy any amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny ekipan’ny Swift Hesperange D1 ao Luxembourg, misisika sy manao fanerena ankolaka mangataka hanao lalao firahalahiana amin’ny Barea de Madagascar. Hotanterahina aorian’ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny Etalons-n’i Borkina Faso, hatao any Lisbonne, Portugal, ny asabotsy 10 oktobra. Nambaran’ity ekipan’i Luxembourg ity fa hiantohany avokoa ny fivahinian’ny delegasiona malagasy, ny sakafo sy ny fiantranoana ary hatolotra ny Barea de Madagascar ny vola azo rehetra amin’io lalao io ary hampitaina mivantana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny fihaonan’ny roa tonta, raha raikitra izany.Efa nanaiky ity lalao ity ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, i Nicolas Dupuis, fa miandry ny valin-tenin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra izany sisa. Marihina fa efa nilaza ny tomponandraikitry ny FMF fa tsy mendrika ny Barea de Madagascar ny hifandona amin’ity ekipa vao niakatra D1 ao Luxembourg ity.Tsiahivina fa anisan’ireo manao ny fanelanelanana hisian’izao lalao izao ilay Malagasy, Randriantsoaray Justin (Plâtre), namana akaikin’i Nicolas Dupuis, araka ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasy. Izy rahateo, tomponandraikira ao anatin’ity ekipan’ny Swift Hesperange ity, ary anisan’ireo nampiditra an’i Hakim Abdallah hilalao ao amin’ity ekipa ity.Nanamarika kosa ny mpitantana ao amin’ny federasiona malagasy fa aleo mitady ekipam-pirenena hanaovana lalao firahalahiana toy izay amin’ny klioba satria tsy misy ekipa nasionaly manao “sparring partner” amin’ny ekipa D1 izany na aiza na aiza. TompondakaL’article Kitra – Lalao fanomanana: misisika ny hidona amin’ny Barea ny Hesperange a été récupéré chez Newsmada.

Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina
23/09/2020

Hiakatra  kianja ary hifanadrina amin’ny teratany aostralianina i Irina, anio. Efa any amin’ny dingana faharoa kosa i Tessah, taorian’ny fandresena azony, omaly.Ramialison Irina, hifanandrina amin’ilay Aostralianina, i Astra Sharma, eo amin’ny fihodinana voalohany, hiadiana ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana, hotanterahina amin’ity alarobia ity. Mpilalao efa manana filaharana ambony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity mpifanandrina aminy ity satria faha-132 maneran-tany.Efa imbetsaka niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ary manana traikefa betsaka raha mitaha amin’i Irina. Efa nandrombaka ny “Fed cup”, niaraka tamin’ny ekipam-pireneny, ny taona 2019. Azo lazaina fa maozatra amin’i Irina ity mpifanandrina aminy ity. Raha tsiahivina, “wild card” na fanasana manokana ny azon’i Irina amin’ny fandraisana anjara amin’ity “Grand chelem” ity satria tsy tafiditra tao anaty filaharana ny tovovavy. Faha-370 maneran-tany mantsy no misy an’i Irina, amin’izao fotoana izao.Miakatra amin’ny dingana faharoaEtsy andaniny, nazava ny fandresen’i Tessah Andrianjafitrimo, nifandona amin’ilay espaniola, i Nuria Parrizas Diaz, manana ny filaharana faha-225 maneran-tany, omaly. Miakatra amin’ny dingana faharoa ity Malagasy ity rehefa nandresy “set” 2 noho 1.  Laharana faha-262 i Tessah amin’izao fotoana izao ary eo amin’ny faha- 21 taony.Marihina fa hiadiana toerana hidirana ao anaty tabilao lehibe ny fifanintsanana nanomboka ny alatsinainy lasa teo, izay hifarana ny zoma 25 septambra ho avy izao. Ny alatsinainy 27 septambra kosa vao tena hanomboka ny fifaninanana amin’ity “Grand chelem” ity. TorcelinL’article Tenisy – “Roland Garros”: tafakatra i Tessah, hidona amin’i Aostralia i Irina a été récupéré chez Newsmada.

Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina
21/09/2020

Misaona indray ny tontolon’ny taranja fanamoriana fiarakodia satria nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, Ratsifandrihamanana Nirina, 62 taona, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM. Ny aretim-bavony efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, ny taona 1992 i Nirina no nanomboka niditra teo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena mekanika ka nisantarany izany ny “course de côte”, nitondrany ny fiara P.104. Niditra nanao “rallye” kosa izy, ny taona 1994 ka nitondra ny fiara P.106, ary nifaninana tao amin’ny sokajy “2 roues motrices”, izay efa nahazoany anaram-boninahitra maro. Ny p.206 no fiara nentiny nifaninana farany ka nahatonga azy ho tompondakan’i Madagasikara , teo amin’ny M11 2 roues motrices, ny taona 2019, niaraka tamin’i Alcazaria Jr. Nomeny anarana hoe : Baomba kely avokoa ireo fiara rehetra nentiny nifaninana. Efa mpandray anjara tamin’ny “Run” ihany koa i Nirina. Ankoatra ny fanamoriana fiarakodia, efa tompondaka tamin’ny taranja lomano, tany amin’ny taona 1974, 1975 ihany koa Itompokolahy. Namela mananon-tena sy kamboty vavitokana i Nirina. Raha tsy misy ny fiovana, alevina amin’ity alatsinainy ity ny nofomangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny rallye, izahay eto amin’ny Gazety Taratra. Torcelin sy Mi Raz L’article Misaona ny “Rallye”: nodimandry Ratsifandrihamanana Nirina a été récupéré chez Newsmada.

Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD
23/09/2020

 L’article Covid19-Fiarovana ny mpiasa; 36,85 tapitrisa euro avy amin’ny BAD a été récupéré chez Newsmada.