Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily

News - Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily

News - Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily

 

 Tra-tehaky
ny zandarimaria, omaly maraina tao Androvakely-Ambohimandroso, ilay
mpamily sy ny fiara nentiny nahavanon-doza. Nenjehina noho ny
lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ilay mpamily. Miharo
fitsoahana rehefa avy nandika lalàna ny heloka iampangana azy.
Tsiahivina fa maty vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy
iray, ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tao
Avaratsena. Maty tsy tra-drano izy ary nitsoaka avy hatrany ny
fiara taorian’izay. Nambaran’ny zandary fa 38 taona ilay namoy ny
ainy ary monina ao Andeboka-Ambohimandroso ihany. Taorian’izay,
raikitra ny fikarohana ilay fiara sy ny mpamily ka voasambotra
omaly. « Vesatra maro ny anenjehana ny mpamily satria na
inona na inona antony, tsy azo atao ny mandositra adidy ka mamela
ny olona voadona hiady irery amin’ny fahafatesana », hoy
ny fanazavan’ny Zandariamaria ao Vakinankaratra. Fantatra fa
raisin’ny zandary ao Ambohimandroso ny fanadihadiana ny raharaha
ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay.

Ankoatra izay, nitrangana
lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ihany koa teo
Antanambao-Talata Volonondry, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6
ora hariva. Voadonan’ny fiara taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy
ny ao an-toerana ny mpirahalahy roa nandeha moto. Tranga niseho teo
amin’ny fiolanan-dalana ao Antanambao. Voadona teo amin’ny lohany
ireo lehilahy 23 sy 26 taona ka naratra mafy. « Nandeha
mafy ireo mpandeha moto ka nifatratra tamin’ilay
taxi-be », hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny
famotorana. Taorian’izay, nianjera tamin’ny tany ireo roa lahy avy
namangy havana ary namonjy ny Renivohitra. Mbola nentina teny
amin’ny hopitaly teny Anosy Avaratra ireo tra-doza, saingy namoy ny
ainy minitra vitsy taorian’ny nahatongavany teny. Ankehitriny, atao
andrimaso ao amin’ny zandary ao Antanambao ny mpamily ilay taxi-be.
Nogiazana avy hatrany kosa ny fiara.

Henintsoa Hani

Article tiré de Newsmada

L’article Nandona sy nahafaty olona: tratra rehefa nifampitadiavana ilay mpamily a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 27/10/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Seho an-tsehatra any ivelany: mpanakanto maro hanafana ny faran’ny taona any Frantsa

Toy ny isan-taona. Nanafatra mpanakanto maro ireo mpikarakara lanonana any Frantsa amin’izao fetin’ny faran’ny taona sy hiarahabana ny taona vaovao izao. Ao ireo hiray sehatra fa eo koa ireo samy hanao fampisehoana amin’ny toerana samihafa. Hiara-dalana any Reinnes, ohatra, ireo mivoy ny mozika mafana ahitana an’i Vaiavy Chila, i Nina’s ary i Flahs B. Mbola ho hita ao Paris koa i Vaiavy Chila, saingy hiaraka amin’i Boy Black kosa izy. Hanafana ny faran’ny taona any Toulouse kosa Rakroots sy i Tence Mena. Eo koa ny seho an-tsehatra hataon’ny tarika AmbondronA any an-toerana ihany. Ankoatra izany, ao Paris ny alim-pandihizana hafanain’i Wawa sy i Big MJ. Hijanona eto an-tanàna Mbola ao an-dRenivohitr’i Frantsa koa ny “Masiaka 2018”, iarahan’i Dalvis sy i Nina’s, ankoatra ny seho hataon’i Tosy. Hampiara-peo hitondra ny talentany any an-toerana koa ry Luc sy Mahery ary Gothlieb miaraka amin’i Lilie sy i Inah. Tsy ho diso anjara ny seho fiderana, hiarahana amin’ny mpanakanto efa monina any ivelany, tahaka an’i Rija Rasolondraibe. Ho an’ny eto an-toerana kosa indray, nisafidy ny hanafana ny fetin’ny faran’ny taona, hijanona eto an-tanàna, ry Tsiliva, i Samoela, i Dah’Mama, i Jerry Marcos ary i Lianah sy i Stéphanie. Mbola manaraka kandidà amin’ny fampielezan-kevitra Mialoha ireo rehetra ireo, mbola any amin’ny fanafanana ny fampielezan-kevitra ny ankamaroan’ireo artista amin’izao fotoana izao. Aorian’izany vao miondrana na miomana amin’ny fiakarana an-tsehatra amin’ny fetin’ny faran’ny taona izy ireo. Synèse R.  L’article Seho an-tsehatra any ivelany: mpanakanto maro hanafana ny faran’ny taona any Frantsa a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Fitifirana polisy

Miroso amin’ny famoto­rana tamin’ny fahafa­tesan’ilay polisy, tany Morafenobe, tamin’ny alahady 14 jolay lasa teo, ny minisiteran’ny Filaminana anatiny. Ireo tompon’ andraikitry ny Polisim-pirenena any Maintirano no miandraikitra ny fanadihadiana, mialoha ny hiakaran’ny raharaha aty an-drenivohitra, araka ny fantatra. Na balan’ny jiolahy na balan’ny mpitandro filaminana ihany no nahafaty io polisy io, raha ny angom-baovao. L’article Fitifirana polisy est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina

Hiankina betsaka amin’ny feon’ny fieritreretan’ireo filohana ligy miisa 22, ny ho avin’ny baolina kitra malagasy. Ny tsikaritra, misy ireo mpitantana ligy sasany, tsy manana hazon-damosina, ka zary manara-drenirano fotsiny. Tsy mijoro amin’ny tena heviny fa izay alehan’ny sasany, handehanany. Ny hafa indray, sady mahay atsy no mahay aroa, izany hoe : tsy te ho ratsy amin’ireo kandidà. Toa lasa feno fihatsarambelatsihy, ny fihetsik’izy ireo.Raha ny lojika, tokony ho ligy fito sisa no hiadian’ireo kandidà dimy mifaninana satria ny kandidà tsirairay avy, efa samy nahazo filohana ligy telo avy, tamin’ny alalan’ny fanomezana “caution”. Araka ny heno anefa, “caution” fotsiny no nataon’izy ireo fa tsy hifidy io kandidà io. Toe-javatra mampihomehy sady mahamenatra, ny fomba toa izany raha toa ka tena mitombina. Ny latsa-bato miafina no hilaza, ny marina mikasika azy ireo. Tsiahivina fa hanomboka anio, ny “5 mn n’ny stade”, hanaovana ny fampielezan-kevitra, ao amin’ny RNM, ho an’ny kandidà tsirairay. Hisantatra izany, Rabekoto Raoul, arahin’i Mohamad Abdillah, ny talata ho avy izao ary Andriamiasasoa Doda, ny alarobia. Rasoamaromaka Hery, ny alakamisy ary Rakotomamonjy Neypatraiky, ny zoma. Tompondaka L’article Kitra – Fifidianana ho filohan’ny federasioana (FMF): maro ireo filohana ligy tsy manana hazon-damosina a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe

(Fizarana faha 6)18 – Amin’ny maha « Neuropsychiatre » anao, inona no torohevitra ho an’ny vehivavy voan’ny androbe nefa te hanan-jaza ?Alohan’ny hanapahan-kevitra fa hanan-janaka dia tokony hanatona mpitsabo matihanina ny vehivavy manana io aretina io. Ny dokotera (neurologue) miara-miasa amin’ny mpitsabo mpampivelona (gynécologue-obstétricien) no mandanjalanja ny mahamety na tsia ny fitondrana vohoka na ho an’ny reny na ho an’ny zaza vao hiforona.Ankoatra ny fanadihadiana ara-medikaly, dia tontosaina koa ny fitsapana sy ny fizahàna manaraka programa maty paika.Misy karazana krizy sasan-tsasany sy soritr’aretina mety ampihemotra ny fitondrana vohoka. Misy fanafody sasany fitsaboana ny androbe tsy azo omena ny vehivavy mitondra vohoka. Ankoatra izany, ny fitondrana vohoka dia tranga manokana hafa mihitsy ka tokony harahi-maso mitokana. Ny tanjona ho an’ny mpitsabo (Neurologue) dia ny fampiasana fanafodin’ny aretina androbe mandaitra nefa amin’ny daozy faran’izay ambany sady tsy misy fiantraikany rahateo amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny fitomboan’ny zaza. Eo no anisany tena ilàna fatra manara-penitra eo amin’ny fanafody fitsaboana ny Androbe ka amin’ny ra no refesina izy io (dosage sanguin). Ny fanomezana fanafody dia miankina ihany koa amin’ny fahafaha-manao sy ny enti-manana eo amin’ny marary. Io dia hialana amin’ny tsy fihinanan’ny marary ny fanafody izay omen’ny dokotera azy. Misy fanaraha-maso samihafa arakaraka ny fitomboan’ny vohoka hisorohana izay mety ho aretina na koa mety hampisy fahasamponana eo amin’ny zaza vokatry ny fampiasana fanafody fitsaboana ny androbe. Tsy hadino koa ny mety fiantraikan’ny fanafody sasany eo amin’ny zaza minono ka tokony hotandremana fatratra.Tena zava-dehibe tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny fanaovana fizahàna amin’ny alalan’ny ekografia, mandritra ny dingana rehetra eo amin’ny fitomboan’ny zaza am-bohoka mba hisorohana ny tsy fahalavorariana. 19 – Tokony hanaraka fombam-piainana ara-pahasalamana manokana ve ny olona voan’ny androbe ?Araka ny efa voalaza, ny androbe dia vokatry ny karazana fihetsehan’ny herin’aratra tsy manaraka ny tokony ho izy ao anatin’ny ati-doha. Izany dia avy amin’izay rehetra mety manakorontana ny fiasan’ny sela ao amin’ny atidoha ao. Anisan’ny antony manamora ny fitrangan’ny krizy, dia ny tsy fihinanana fanafodin’androbe eo amin’ireo marary, eny na dia indray mandeha fotsiny aza. Ny fihinanana fanafody izany dia tokony ho lasa fomba aman-panao mahazatra andavanandro. Ny tsy fahampian’ny tori-maso, indrindra fa raha miverimberina dia vao mainka mety manakorontana ny fomba fiasan’ny selan’ny atidoha. Ny zavatra rehetra izay tafahoatra ka manelingelina ny fiasan’ny atidoha dia mety miteraka krizy eo amin’ny olona efa voan’ny androbe. Mety mifanampy koa ny korontana samihafa, toy izany ny adin-tsaina diso tafahoatra (alahelo, hafaliana, fahatezerana…) na koa ny fisotroan-toaka, ny fandraisana zavamahadomelina sy ny fihinanana fanafody sasan-tsasany. Ny marary koa dia samy manana ny mampiavaka azy ka mety misy toe-javatra manokana mora mampihetsika ny kriziny. Anjaran’ny manodidina azy no manampy sy manazava aminy fa tokony ho lanjalanjainy na foanany mihitsy izay rehetra antony mety hitarika any amin’ny krizy. Ny tenany rahateo koa dia tokony ho tonga saina amin’ny zavatra ataony. Indreto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo antony marobe mety hitarika any amin’ny krizy : ny tsy fahampian’ny torimaso, ny fiainana tsy milamina, ny tabataba be, ny fahazavana sasan-tsasany maharitra na tsia, ny fijerena « écran » ny telefona, « tablette », ny fanaovana jeux amin’ny solosaina na koa ny fijerena fahitalavitra.                                                                                                                                  Nangonin’i Tatiana     (hitohy)L’article Kolo anaka: ny tsara ho fantatra momba ny androbe a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Sénat : Fin de mandat le 21 janvier 2021

Il reste trois mois et deux semaines de mandat aux membres actuels de la chambre haute. Les premières gouttes de pluie tombées ces derniers jours relancent le débat, voire la polémique sur la tenue des sénatoriales en dehors de la saison sèche.  « Le scrutin doit se tenir durant la saison sèche de l’année, entre le 31 mai et le 30 novembre, sauf cas de force majeure prononcée par la juridiction compétente sur saisine de la Commission électorale nationale indépendante (CENI) ». Au regard de ces dispositions de l’article 52 alinéa 1er de la loi organique relative au régime général des élections et des référendums, la CENI aurait dû saisir au préalable la HCC avant de proposer au gouvernement la date du 11 décembre pour la tenue des sénatoriales.  Facteur climatique. D’ailleurs, il y a eu un précédent avec les précédentes sénatoriales qui s’étaient tenues le 29 décembre 2015, c’est-à-dire en pleine saison des pluies, et pour lesquelles la CENI avait adressé une requête aux fins de constatation d’un cas de force majeure auprès de la HCC, « la seule à pouvoir accorder une dérogation ». La haute juridiction présidée par le même Jean-Eric Rakotoarisoa avait constaté et prononcé le cas de force majeure pour accéder à la demande d’organisation des élections sénatoriales durant la saison des pluies. En considérant notamment que « les élections sénatoriales sont organisées au suffrage universel indirect, avec un collège électoral restreint constitué par les conseillers municipaux ou communaux et les maires ; le facteur climatique ne devrait pas être un obstacle dirimant à l’organisation du scrutin ». Date limite. Pour les sénatoriales du 11 décembre 2020, le collège électoral est toujours constitué par les seuls maires et conseillers municipaux ou communaux, faute d’élus régionaux. Concernant le cas des communes dont le sort est lié aux requêtes en cassation auprès du conseil d’État, ce dernier va tout faire pour évacuer le contentieux relatif aux élections municipales et communales avant le 11 novembre, date limite pour la clôture de la liste des grands électeurs. De toute façon, le collège électoral ne pourra pas être au grand complet, puisque les quelques élections partielles ont peu de chance de se tenir avant le 11 décembre. Qui plus est, il n’est pas exclu que les résultats des partielles fassent de nouveau l’objet de contentieux. Echéance. Pour en revenir au scrutin du 11 décembre, le défaut de saisine de la HCC par la CENI pourrait être couvert si l’on peut dire par l’article 52 du même code électoral, qui dispose que « le scrutin se rapportant à tout mandat arrivant à terme se tient dans le respect de la date de l’échéance de celui-ci, indépendamment de la saison (…) ». La proclamation des résultats officiels des sénatoriales du 29 décembre 2015 ayant eu lieu le 22 janvier 2016, le mandat de cinq ans des élus sortants de la chambre haute expire donc le 21 janvier 2021 à minuit. Ce qui explique l’organisation des nouvelles sénatoriales en dehors de la saison sèche, comme c’était déjà le cas pour les deuxièmes tours des présidentielles du 20 décembre 2013 et du 19 décembre 2018. La saison des pluies n’a pas fait tomber à l’eau les deux scrutins, comme elle n’a pas empêché les candidats de mouiller leur chemise. R. O L’article Sénat : Fin de mandat le 21 janvier 2021 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Sénat : Fin de mandat le 21 janvier 2021 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

News - Triatra

Fanesorana fako eto Antananarivo : Sakanan’ny praiminisitra Ntsay Christian

Miaina anaty loto tanteraka ny mponin’Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao. Tsy misy manala ny fako, ary tsy vitan’ny misavovona fa efa miparitaka ivelan’ny daba-pako mihitsy ka mila hanapaka ny lalana hifamezivezen’ny mponina sy ny fiara, efa ho herinandro maromaro izao, eny amin’ireo toerana voatokana fanariana fako isaka ny faritra. Eny, fa na efa nanao antso avo sy antso mafy ho an’ny Samva, izay mpiandraikitra ny fanalana ny fako aza ny ben’ny tanànan’Anatananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, amin’ny tokony hiasan’izy ireo amin’ny fanesorana ireo fako isaka ny faritra, hatramin’izao, mbola tsy nihetsika sy nandray ny andraikiny mahakasika izany ny Samva. Maro ireo milaza ho manao “bemarina” ny eo anivon’ny Samva, ao koa ny milaza fa tsy mahalala ny andraikiny, sns. Tsy fantatry ny mponin’Antananarivo marina ny tena zava-misy ankehitriny momba ny tsy fanesorana ny fako. Marina fa andraikitry ny Samva ny manala ny fako isaka ny faritra eto Antananarivo Renivohitra, saingy ny minisiteran’ny Rano no tena tompon’antoka voalohany amin’ny fanetsehana azy ireo. Hatreto, ny praiminisitra Ntsay Christian no fototry ny olana amin’ny fahalotoan’ny tanàna. Porofon’izany ny tsy famoahany ny vola tokony hanetsehana ny Samva amin’ny fanesorana ny fako isan’andro eny amin’ireo dabam-pako manerana an’Antananarivo. Tsy fantatra mazava aloha izay tena antony tsy hamoahan’ity lehiben’ny governemanta Mapar ity ny vola voatokana ho amin’izany. Ny hany mazava fotsiny dia misy ambadika politika ity tsy fanomezan’ny praiminisitra ny vola ahafahan’ny Samva ity mihodina ara-dalàna sy manatanteraka ny adidiny, amin’ny fanalana fako. Ambadika politika satria efa mitady korontana mihitsy ry zareo Mapar, ka ny lehiben’ny governemanta mihitsy no mirotsaka an-tsehatra amin’izany. Manao izay ho afany amin’ny fambolena korontana satria rehefa misavovona ny fako ary maloto ny tanàna, tsy misy afa-tsy ny Ben’ny tanàna hatrany no voahenjika. Tsy iza anefa ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra fa vadin’ny kandidà Marc Ravalomanana. Noho izany, hoentina handemena an’ity kandidà laharana faha-25 ity izany rehetra izany. Eo ihany koa ny famoronana loto mihitsy amin’izao vanim-potoana izao mba hiparitahan’ny valanaretina pesta, mba hahafoana ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana faharoa, izay tsy ankasitrahan’ny Mapar, izay antoko misy ny praiminisitra Ntsay Christian, sns. Hita sy tsapa, araka izany, fa ny tsy hahatanteraka ny fifidianana fihodinana faharoa sy ny hisian’ny korontana no tena hifotoran’ny praiminisitra amin’izao toe-java-misy ankehitriny izao. MN L’article Fanesorana fako eto Antananarivo : Sakanan’ny praiminisitra Ntsay Christian est apparu en premier sur .L’article Fanesorana fako eto Antananarivo : Sakanan’ny praiminisitra Ntsay Christian a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Tsy nisy aina nafoy ary 109 ireo tranga vaovao

Mihena hatrany ny firongatry ny valanaretina. Tsy nisy ny lavon’ny covid-19 tao anatin’ny roa andro farany. Mijanona ho 178 ireo nodimandry noho ny coronavirus, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.Nidina tahaka izany koa ny isan’ireo tranga vaovao. Latsaky ny 60, miisa 50 izany ny asabotsy teo ary 59 kosa ireo nifindran’ny valanaretina, omaly alahady, tamin’ny fitiliana miisa 339. Izany hoe, miisa 109 ny fitambaran’izy ireo, tao anatin’ny 48 ora.Na izany aza, mbola lohalaharana amin’ny fahamaroan’ireo tranga vaovao ireo ny eto Analamanga. Miisa 22 izany, araka ny tatitry ny CCO, omaly, amin’ireo nifindran’ny valanaretina miisa 50. Manaraka akaiky azy eo ny any Diana, ahitana tranga vaovao miisa valo. Miisa fito ny any Menabe ary efatra any Sofia. Telo avy kosa ny any Vakinankaratra sy Amoron’i Mania. Iray avy ny any Bongolava sy Matsiatra Ambony ary iray hafa, tsy fantatra ny toerana misy azy.Ahitana « forme grave » etsy ItaosyNiakatra ho 87 kosa ireo marary mafy  ka anisan’ny ahitana ireo « forme grave » raha tsy nisy izany teo aloha ny etsy amin’ny hopitalin’Itaosy, Ambatofinandrahana, Mandoto sy ny any Miarinarivo ary koa ny any Diana.Etsy an-daniny, miisa 23 ireo sitrana ka tafakatra 13 335 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana. Miisa 14 327 ireo nifindran’ny valanaretina eto amintsika ka 794 sisa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny fahasalamany.Miisa 55 018 ny fitiliana PCR vita raha 5143 kosa ny vita eo anivon’ny fitiliana Genexpert.Synèse R. L’article Tsy nisy aina nafoy ary 109 ireo tranga vaovao a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kibota nivadika: mpandeha iray namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indroa nisesy tao anatin’ny minitra vitsy ny lalan’Andilampotsy Ambatondrazaka, ny zoma hariva teo manodidina ny tamin’ny 4 ora sy sasany. Voadonan’ny moto avy ao Ambatondrazaka nihazo an’i Vohidiala ny ankizivavikely iray enin-taona niampita arabe. Vokany, naratra mafy ilay zazavavy, ireo mponina kosa, nitondra haingana azy teny amin’ny hopitaly ka voavonjy ny ainy. «Hatreto, mbola manohy ny fitsaboana izy ary efa tsy atahorana ny ainy », hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana misahana ny famotorana.Minitra vitsy taorian’izay, kibota nitondra olona efatra koa nivadika tsy lavitra teo. Vokany, lehilahy mpandeha iray manodidina ny 40 taona namoy ny ainy vokatry ny fahatapahan’ny tongony. Narata mafy nandritra ny loza ny mpamily raha tsy naninona loatra kosa ny roa hafa. « Nahita ilay fitangoronana teo amin’ilay ankizivavikely voadonan’ny moto ny mpamilin’ny kibota ka tsy nahafehy intsony ny familiana », hoy hatrany ny fanazava’ny zandary. Nambarany fa niala ireo olona marobe ny mpamily ary nilatsaka tao anaty hantsana raha saika handeha haka vato « moellon » teny amina toerana atoa hoe Lalandratsy. Henintsoa HaniL’article Kibota nivadika: mpandeha iray namoy ny ainy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka

Nanamboatra lalankely eny amin’ny fokontany Andohatapenaka I, ny zoma teo, ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriborintany I sy ny avy eo anivon’ny departemanta misahana ny asa vaventy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Mirefy 120 m ny namboarina tamin’izany ary haharitra herinandro ny asa. Ho afa-pahasahiranan ireo mponina maro mifamezivezy amin’ity lalana ity, indrindra ireo mpantsaka rano. Mikisilasila sy mamotaka izany làlana izany na amin’ny maintany aza. Tafiditra hatrany anaty fandaharansan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ravalomanana Lalao, ny fotodrafitrasa ho an’ny mponina eny ifotony izao. Hitohy amin’ny fokontany hafa miisa 44 izany.Synèse R.  L’article Fotodrafitrasa eny ifotony: namboarin’ny CUA ny lalankelin’Andohatapenaka a été récupéré chez Newsmada.

News - Midi Madagasikara

Betroka : Rongony 300 kg indray saron’ny zandary

Mitohy hatrany ny ady ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny resaka fanondranana zava-mahadomelina any amin’iny distrikan’i Betroka iny. Rongony milanja eo amin’ny 300 kilao eo indray mantsy no saron’ny zandary tao amin’ny Fangorolava, fokontany Ambalamary, kaominina Jangany, distrika Betroka ny voalohan’ny herinandro teo. Izany dia noho ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimarim-pirenena amin’ny fisafoana andro aman’alina ataon’izy ireo any amin’iny faritra mena izay ikoizana amin’ny asan-dahalo sy amin’ity resaka zava-mahadomelina ity. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany mantsy dia tsy manaraka lalam-pirenena intsony ireo olon-dratsy mpanondrana izany rongony izany amin’izao noho ireo savahao ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-dalana. Aleon’izy ireo mihodidina amin’ireny tanana kely saro-dalana ireny, saingy mbola izao nahazoana vokatra izao ihany moa. Marihana fa tsy nampoizin’ireto olon-dratsy, izay mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy zava-maranitra isan-karazany ny fisian’ireo zandary mpanao fisafoana tany an-kebakeban-tany tany. Vao nahatazana ireto farany izy ireo dia rafitra nitsoka namela ireto entana, izay miteti-bidy an-tapitrisany any ho any teo. Gony feno rongony miisa enina teo izy ireo no sarona ary io milanja 300 kilao io, izay saika halefa ao Andiolava, alohan’ny hanaparitahana azy any amin’ny toerana farany hitodihan’izany. « Tsy maintsy atao ny fanenjehana ny fanondranana ny zava-mahadomelina, hampisy ny fandriampahalemana aty Betroka », hoy ny tompon’andraikitry ny zandary any an-toerana. Marihana fa tany amin’iny tapany Atsimon’ny nosy ihany  no nahitan’ireo mpitandro filaminana ilay tany fambolena rongony amina hektara maro. m.LL’article Betroka : Rongony 300 kg indray saron’ny zandary a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 25-11-2020
Source : CCO COVID19 - 25/11/2020

Notsongaina

Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany
24/11/2020

Hafainganina ny fanarenana! Mitodika koa any amin’ny foto-tsakafon’ny Malagasy ny fitondrana noho ny fikorontanana sy ny fangejana isan-tsehatra afitsoky ny Covid-19. Ny ao amin’ny Fitantanam-paritry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jonon’Alaotra-Mangoro (Dredd) no nampahafantatra, ny 19 novambra teo, fa misy fampisamboram-bola amin’ny zana-bola ambany dia ambany (1%) amin’ny tantsaha, mpamoka-bary, te hanitatra na hanatsara ny famboleny. Miara-miasa amin’ny fanjakana amin’izany ny banky BOA. Azon’ny mpamboly atao koa ny manao fangatahana mitokana, na koa mitambatra amin’ny mpiray tambajotra, ohatra. Ampandalovina any amin’ny kaominina ny fangatahana an-tsoratra, na koa any amin’ny birao mitantana ny tambajotran’ny tantsaha.“Tohana” anarenana ny fahabangana nateraky ny aretin-dratsy Covid-19 hatrany izao ifotoran’ny fitondrana izao. Antenaina fa hisy fanohanana ny fambolem-bary ho an’ny tantsaha, toy izao, any amin’ireo toerana mpamoka-bary lehibe hafa eto amin’ny Nosy.RarivoL’article Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany a été récupéré chez Newsmada.

Nécrologie du 23 novembre 2020
23/11/2020

Cliquez pour agrandir L’article Nécrologie du 23 novembre 2020 est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Nécrologie du 23 novembre 2020 a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Tiako i Madagasikara : Virulentes critiques contre Vy Vato Rakotovao
18/11/2020

L’hémorragie qui a frappé le parti Tiako i Madagasikara (TIM) est toujours douloureuse pour cet ancien parti majoritaire, plus de 10 ans après le départ du pouvoir de son fondateur. Convaincue sur le fait que Vy Vato Rakotovao n’y est pour rien dans l’interdiction d’accès de l’opposition aux locaux de Magro samedi dernier à Antsirabe, la députée Hanitra Razafimanantsoa, élue du parti TIM, s’en est prise violemment au gouverneur de la région Vakinankaratra, dans les rues de la Ville d’eaux. Les supposées interventions du gouverneur, dans le cadre de la tenue de la manifestation samedi dernier à Antsirabe, ont visiblement agacé la députée du parti Tiako i Madagasikara qui a formulé, sur la place publique, des propos virulents contre Vy Vato Rakotovao. Tracteurs. La colère de la députée témoigne du fait que le parti TIM est toujours remonté contre le gouverneur, lequel était membre du parti, avant la chute de Marc Ravalomanana. « On connaissait ce gouverneur lorsqu’il était encore ministre de l’Agriculture », a lancé Hanitra Razafimanantsoa. Elle a rappelé une histoire qui remonte à 2010, durant la période transitoire, lorsque Vy Vato Rakotovao était encore ministre de l’Agriculture. « Où est passé l’argent des 2.000 tracteurs ? », a ajouté la députée. « Le Bianco a déjà été saisi sur ce dossier. Nous comptons maintenant faire le suivi », poursuit alors l’avocate. Veto. Hanitra Razafimanantsoa a profité sa prise de parole pour s’en prendre publiquement à Vy Vato Rakotovao. La députée du parti TIM a donc attaqué le gouverneur de la région sur son supposé veto contre la manifestation de l’opposition samedi dernier dans la capitale du Vakinankaratra. Hanitra Razafimanantsoa parle même de « menaces et intimidations proférées », par le gouverneur. Elle s’est étalée dans une longue diatribe contre le gouverneur, qui a pris l’allure d’un règlement de comptes avec l’ancien membre du parti TIM. Gestion. Connue par son ton modéré, l’avocate Hanitra Razafimanantsoa s’est montrée ferme. « Nous n’avons pas de leçons à recevoir du gouverneur qui est un responsable nommé. Nous, nous sommes des élus », a soutenu Hanitra Razafimanantsoa. Dans ce sens, la députée a continué sur la gestion financière du gouvernorat : « Que le gouverneur fasse d’abord transparence sur les reliquats de la trésorerie laissée par l’ancien chef de région et les arriérés de salaire des agents de la commune urbaine d’Antsirabe », a lancé Hanitra Razafimanantsoa. Rija R. L’article Tiako i Madagasikara : Virulentes critiques contre Vy Vato Rakotovao est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Tiako i Madagasikara : Virulentes critiques contre Vy Vato Rakotovao a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Barea : Un jet privé pour Romain Métanire
21/11/2020

Après le match de mardi, Romain Métanire est immédiatement parti pour l’aéroport d’Ambalamanasa où un jet privé l’attendait pour le ramener aux Etats-Unis. Un luxe dont peu de personnes peuvent bénéficier, mais Métanire a ce statut de troisième meilleur défenseur du Major Soccer League. Il est donc logique que son club du Minnesota décide de le faire revenir au plus vite pour le match certainement très important du week-end. La grande classe de Métanire ne se dément pas même s’il a été moins tranchant comme à son habitude mardi. Comme beaucoup de Barea, il n’est pas parvenu à rentrer dans le match au cours des 20 premières minutes. A moins qu’on lui ait dit de faire très attention pour ne pas se blesser en vue du match de son club. Une chose est toutefois certaine, Métanire reste parmi les cadres ayant disputé tous les matches des Barea à l’instar du gardien Adrien Melvin, Jeremy Morel, Thomas Fontaine, Jerôme Mombris, Marco Ilaimaharitra, Carolus Andriamahitsinoro, Voavy Paulin et Ibrahim Amada. Quelques-uns sont rentrés vers la fin de la partie dont Oussiero, Zotsara Randriambololona, Dimitry Caloin et Alexandre Ramalingom. Hery Bastien et Hakim Abdallah ont été alignés plus longtemps par les nouvelles recrues. Par contre, il y a des joueurs qui n’ont pas du tout joué durant la double confrontation contre la Côte d’Ivoire dont Bapasy Razakanantenaina, Dax Arohasina Randriamirado, Nina Razakanirina, Mathyas Randriamamy et William Gros. Clément RABARY L’article Barea : Un jet privé pour Romain Métanire est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Barea : Un jet privé pour Romain Métanire a été récupéré chez Midi Madagasikara.

RFC – Fifaninanam-pirenena: nanomboka omaly ny fifaninanana
23/11/2020

Mahatratra sivy ireo sarimihetsika novokarina teratany malagasy niatrika sy hiatrika fitsarana ataon’ireo mpitia ity zavakanto sy kolontsaina iray ity. Tafiditra ao anatin’ny « Rencontres du film court”, notontosaina, omaly, tao amin’ny Institut français de Madagascar Analakely ny fizarana voalohany. Saika nitovitovy hatrany ny nambaran’ireo olona tonga teny an-toerana nijery sy nanatanteraka ny fitsarana na ny fanomezana ny isa. « Sarotra ny fanomezana ny naoty, satria samy nanao ezaka lehibe ny mpandray anjara hany ka mitovitovy nanaraka izany ny zava-bita… Samy tsara! ». Amin’ny alakamisy izao no hanatanterahana ny fitsarana tapany faharoa. Mbola hotsarain’ny mpijery televiziona ihany koa izy ireo ka ny 3 desambra ny ho fantatra ny sarimihetsika tsara naoty indrindra.Anio, hisy ny fihaonana eo amin’ireo mpamokatra sarimihetsika sy izay heverina fa afaka hifanohana amin-dry zareo amin’ny fanomezana aina vao hatrany ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Hanasana ireo mpandraharaha liana sy te hampiasa vola amin’ny sarimihetsika.HaRy RazafindrakotoL’article RFC – Fifaninanam-pirenena: nanomboka omaly ny fifaninanana a été récupéré chez Newsmada.

Minisitry ny Atitany  : “Tena ilaina ny mpanohitra”
18/11/2020

“Tena ilaina ny mpanohitra, hanao arofanina. Fa aoka hanao ny asany amin’ny maha mpanohitra amin’ny maha arofanina azy izy fa tsy hanao asan’olon-kafa: ndeha hanakorontana fiainam-bahoaka, sanatria.”Io ny nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Razafimahefa Tianarivelo, manoloana ny hetsika ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao. Raha sanatria misy korontana eto amin’ny firenena, tsy misy manana tombontsoa na ny mpanohitra na ny mpitondra, indrindra ny vahoaka malagasy.Koa aoka hisikim-ponitra hiaraka hiarina sy hanarina ny toekarena, izay hita fa niara-potika amin’ny toekarena eran-tany noho iny valanaretina Covid-19 iny. Tsy ny politika politisianina hitadiavan-toerana na ny tombontsoa kely etsy sy eroa no entina indray hanakorontanana ny fiainam-bahoaka. Mino izy fa fatra-pandala fihavanana ny Malagasy.Tsy maintsy tandrovina ny filaminam-bahoaka“Fatra-panaja izany demokrasia izany isika. Tsy baranahiny akory ny demokrasia fa demokrasianina tomponandraikitra. Samia tomponandraikitra avokoa isika rehetra, indrindra ny mpanao politika”, hoy izy ny amin’ny fitetezam-paritany ataon’ny mpanohitra hoe tatitra ho an’ny vahoaka. Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fifidianana isika izao. Amin’ny 11 desambra ny fifidianana loholon’i Madagasikara. Tsy maintsy tandrovina ny filaminam-bahoaka mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.“Mitodika amintsika rehetra tsy ankanavaka aho: aoka re ity politika politisianina ity tsy entina hanakorontanana fotsiny ny fiainam-bahoaka, sanatria”, hoy ihany izy. Tena mba tatitra ny zava-bita sy ny sisa ve no ataon’ny mpanohitra? Tena zavatra hafa: resaka politika ranoiray.R.Nd.L’article Minisitry ny Atitany  : “Tena ilaina ny mpanohitra” a été récupéré chez Newsmada.

Nilatsaka ny baiko ho an’ny mpitandro filaminana: hihamafy ady amin’ny asan-dahalo sy ny fiparitahan’ny basy
18/11/2020

Nanantanteraka fivoriana fahatelo tamin’ny alalan’ny « visio-conférence » ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy, omaly. Nitarika izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Niditra nivantana ihany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Voalaza tao anatin’izany ireo toromarika nomen’ny OMC, indrindra ireo fepetra horaisin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany; ny ady amin’ny halatr’omby sy ny asan-jiolahy, ny fiparitahan’ny basy mampirongatra asan-dahalo sy ireo mpimasy, ny firongatry ny zava-mahadomelina; ny fiarovana eny amin’ny lalam-pirenena, ny fitantanana ireo mpiasan’ny Zandarimaria; ny fankasitrahana sy ny fampirisihana ireo zandary nahazo vokatra tsara.Handray andraikitra mialoha ny fifidiananaEo koa ny fampitaovana ireo toby sy zandary eny an-tsehatra; ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka mandritra ny fifidianana senatorialy; ny hetsika fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny ady amin’ny doro tanety; ny fanohizana ny ady amin’ny fianahan’ny Coronavirus; ny fanofanana asa ireo zandary ary ny fanamafisana fitrandraham-baovao ara-potoana. « Handray andraikitra izahay mialoha ny fifidianana. Atao ihany koa ny hampilamina ny tany sy ny fanjakana », hoy ny lahatenin’ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa misy ireo sokajin’olona hanao izay tsy hahatanteraka ny fifidianana. Na koa mikasa ny hanakorontanana izany. Manoloana izany, nilaza handray andraikitra feno ny Zandarimariam-pirenena hisorohana ny korontanana. Henintsoa HaniL’article Nilatsaka ny baiko ho an’ny mpitandro filaminana: hihamafy ady amin’ny asan-dahalo sy ny fiparitahan’ny basy a été récupéré chez Newsmada.

Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM
21/11/2020

Sarotiny amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Niton­dran’ny kandidan’ny antoko Malagasy miara-miainga va­ha­olana avy hatrany ny eny ifotony. “Hampitomboina ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana”, hoy ny loha lisitra, Rakoton­drai­ni­be Michel, tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona.Nisantaran’izy ireo iza­ny ny teo anivon’ny distrikan’ Am­bohidratrimo, notanterahina teny Talatamaty, afako­maly. Fampivoarana ny kaominina rehetra Naneho ny fahavononany ny kandida fa hanaja ny teny no­mena sy ny tamberin’andraikitra ho fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ireo olom-boafidy. “Tafiditra ao an­a­tin’izany indrindra koa ha­mpivoarana ny kaominina rehetra ato amin’ny faritan’ An­tananarivo”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’izy ireo koa ny fisokafany amin’ireo olom-bo­afidy rehetra tsy an-kanavaka, amin’izao fiatrehana ny fi­fi­dianana loholona, hatao ny 11 desambra izao.Synèse R.L’article Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM a été récupéré chez Newsmada.

Tahotra fitsaram-bahoaka: maty tao amin’ny ranon’Ikopa ilay mpanendaka
18/11/2020

Maty tra-drano! Lehilahy iray 22 taona, nangarom-paosy tao anaty taxi-be avy any Ivato no nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa, rehefa nifanenjehan’ny olona, omaly antoandro.Natahotra fitsaram-bahoaka ity mpanendaka ity ka nitsoraka avy hatrany tao Ikopa. Ny olona rahateo, efa nentin-katezerana amin’ny afitsoky ny asan-jiolahy. Nilentika avy hatrany tao anaty rano ity jiolahy ity ka tsy nipoitra intsony. Niantso ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina ireo fokonolona. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina niaraka amin’ny fitaovana fampiasa amin’ny famonjena olona anaty rano. Naharitra minitra vitsy ny fikarohana nataon’ny mpamonjy voina ka nampiakarin’izy ireo avy ao anaty rano ny fatin’ilay mpanendaka. Mbola hita teny aminy ny kitapo avy nendahiny tao anaty taxi-be izay nahitana telefaonina finday, vola, karatra fisariham-bola.J.CL’article Tahotra fitsaram-bahoaka: maty tao amin’ny ranon’Ikopa ilay mpanendaka a été récupéré chez Newsmada.

Minisiteran’ny Mponina – Fanodinkodinam-bola: tompon’andraikitra ambony fito nampidirina am-ponja vonjimaika 
19/11/2020

Niainga tamin’ny fampahafantaran’ny mpanara-maso ny fitantanambola (DGCF) ny fanadihadian’ny Bianco ny raharaha. Niafara amin’ny fampidirina am-ponja olona miisa fito noho fanahiana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana tamin’ny tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina izany.Miisa 15 be izao ireo niakatra tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha, omaly. Raharaha tamin’ny taona 2018 izao noraisin’ny Bianco, sampana Antananarivo, an-tanana, izao, tamin’ny alalan’ny DGCF, nanomboka ny 1 septambra teo.Hosoka sy fanaovana hosokaNiainga tamin’ny tatitra vola azon’ny eny Ambohibao izany. Fantatra fa ahina ny nisian’ny hosoka sy ny fanaovana hosoka. Fanodinkodinam-bolam-panjakana sy tolotra na fanomezana tsy mazava sy fanadiovam-bola « cadeaux illicites et blanchiment de capitaux »…Tale sy tompon’andraikitra ambony samihafaAnisan’ny ahina ho tsy afa-bela amin’izany fa voarohirohy amin’izao raharaha izao ny tale misahana ny vola eo anivon’ity minisitera ity tamin’ny fotoan’androny. Eo koa ireo mpitantana ny kaontimbola miisa roa « dépositaires comptables » sy ny tompon’andraikitra roa misahana ny tsenam-baro-panjakana, mpitantana iray « gestionnaire d’activités » ary ireo mpamatsy entana maromaro.Miandry ny ho tohin’ny fanadihadianaNilatsaka ny didy teo anivon’ny Pac ka fito ireo nampidirina vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny 17 novambra teo. Ny valo kosa, nahazo fahafahana vonjimaika ary mbola miandry ny mety ho tohin’ny fanadihadiana sy ny famotorana izy ireo.Synèse R.L’article Minisiteran’ny Mponina – Fanodinkodinam-bola: tompon’andraikitra ambony fito nampidirina am-ponja vonjimaika  a été récupéré chez Newsmada.

Voasambotry ny polisy tetsy Antohomadinika: sivy lahy mpifoka rongony sy mpanendaka nampikolay ny maro
24/11/2020

Miteny ho azy ny sary. Jereo fotsiny ny endriky ry zalahy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra Isotry (CSP4), afakomaly, ireo andian-jiolahy miisa sivy mpanendaka eny Isotry hatreny Antohomadinika.Sivy lahy ry zalahy ireto niaraka amin’ny sabatra indray tratran’ireo polisy nanao fanamiana sivily teny Antohomadinika. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, vao 16 taona ny zandriny amin’ireo raha 21 taona kosa ny zokiny indrindra. Eny Isotry sy Antohomadinika ny tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Mpivaro-mandeha toy ireny mivarotra kojakoja ilaina andavanandro ireny ny asan’ny sasany amin’izy ireto raha mpibata entana kosa ny hafa. Mifoka rongony izy ireo mialoha ny hanaovany ny asa ratsiny ary efa maro ireo olona noratrain’ireto jiolahy ireto. Niainga avy amin’ny fitarainana nataon’ireo olona lasibatra no nahafahan’ny polisy nitsongo dia ireto jiolahy ireto ka niafara amin’ny fahatrarana azy ireo. Marihina fa isan’ireo faritra tena mampikaikaika ny olona amin’ny lafiny fanendahana iny faritra Isotry sy Antohomadinika iny. Maro ireo efa nitondra faisana tamin’ny nafitsok’ireo jiolahy. Tokony homena ny sazy henjana izay tratra satria mijanona fotoana fohy any am-ponja ireny tontakely ireny dia miverina manohy ny asa ratsiny indray.Jean ClaudeL’article Voasambotry ny polisy tetsy Antohomadinika: sivy lahy mpifoka rongony sy mpanendaka nampikolay ny maro a été récupéré chez Newsmada.

Fampianarana: mbola maro ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly
24/11/2020

Tontosa tamin’iny herinandro iny ny atrikasa goavana mikasika ny “Ankizy ivelan’ny sekoly”  natao tao Antsirabe nandritra ny telo andro. Niompana amin’ny fampahafantarana sy fifampizarana traikefa mahakasika ny eo amin’ireo mpisetraha amin’ny fanabeazana ny atrikasa. Niarahana tamin’ireo teknisianin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena , ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, ary ny ministeran’ny Toekarena sy ny tetibola tamin’ny alalan’ny Instat izany.Tanjona ny hahafahana manofana ireo ekipa teknika nasionaly amin’ny fanangonana ireo raki-kevitra sy antontam-baovao, ary antontanisan’ny ankizy ivelan’ny sekoly eto Madagasikara nanomboka ny taona 2015. Mbola marobe ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoy noho ny antony maro.  Eo ihany koa ny fiantraikan’ny valanaretina Covid19 nandritra ny tsy fahafahan’ny ankizy niditra an-tsekoly.Antoky ny famolavolana ny paikady hahatrarana ny « Vinan’ny fampandrosoana lovainjafy » (ODD 4) sy ny politikan’ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny tsy fahafahan’ny ankizy mandeha an-tsekoly ny fanatanterahana izany.Nanohana tamin’ny enti-manana rehetra ho fanatanterahana ny atrikasa ny Unesco, nandrindra ara-teknika kosa ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco.Tatiana A L’article Fampianarana: mbola maro ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly a été récupéré chez Newsmada.