Namono tena sa nisy namono? Teratany frantsay iray hita faty nihantona tamin’ny tady

News - Namono tena sa nisy namono? Teratany frantsay iray hita faty nihantona tamin’ny tady
Hita faty nihantona tao an-tranony,
ny talata hariva teo tokony ho tamin’ny 07 ora ny
vata-mangatsiakana teratany frantsay iray. Monina ao amin’ny
fokontany Bazarikely, renivohitr’i Antsiranana izy io. Rehefa
naharay antso mikasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana,
nidina teny an-toerana nanamarina izany. Mbola tratran’ireo polisy
avy ao amin’ny « Section de recherche criminelle »
nihantona tamin’ny tady ny nofo-mangatsiakan’io teratany vahiny 58
taona io tamin’ny fotoana nahatongavany teny. Nanatrika izany koa
ny mpitsabo ao an-toerana, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao
iray.
Fantatra ny mombamomba ilay namoy
ny ainy. Rehefa vita ny fanadihadiana, natolotra ireo
tompon’andraikitra ao amin’ny «concile de France» izany. Misokatra
ihany koa ny famotorana ny raharaha.
Nanazava momba ny fiarovana ny
ain’ireo teratany frantsay monina ao Antsiranana kosa ny kolonely,
kaomandin’ny CIRGN ao an-toerana, omaly. Fihaonana natao tao
amin’ny « concile de France » ao Antsiranana.
Henintsoa Hani
L’article Namono tena sa nisy namono? Teratany frantsay iray hita faty nihantona tamin’ny tady a été récupéré chez Newsmada.
Vakio ihany koa
News - News Mada
FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona
«Tena mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ity tsangambato ity». Izay ny nambaran’ny mpitandrina iray anisan’ireo nasaina. Vita ary tena nanaraka ny fenitra amin’ny fanaovan-trano tokoa ny akany tsangambaton’ny faha-140 taon’ny fiangonana Tranovato Ambatonakanga. Trano lehibe misy rihina roa, ahitana efitra maro (efitrano malalaka fanaovana fivoriana na atrikasa, fiofanana…, trano fidiovana manara-penitra, efitra fandraisam-bahiny miaraka amin’ny fanaka sy ny kojakoja samihafa mifandraika amin’izany,…). Ny alahady 4 aogositra 2019 teo ny nitokanana amin’ny fombam-piangonana ity akany ity. Alahady izay nifanojo indrindra tamin’ny fankalazana ny “Alahadin’ny taranaka”. Vory marobe, araka izany, ny mpianakavin’ny finoana, nahitana ireo kristianina maro sy zanaka am-pielezana ary ireo vahiny nasaina manokana.Niarahana amin’ny foibe FJKM sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny synodam-paritany Iarivo Avaradrano ny fotoana rehetra. Nitarika ny fanompoam-pivavahana Rabetokotany Miarilaza A, mpitandrika, prezidà synodaly SPIA. Nitondra ny tenin’Andriamanitra Rakotonindrainy Jaona, mpitandrina sady tonian’ny departemantan’ny fiangonana, foibe FJKM, niara-niasa Razafiniarivo Fidison Maxim, mpitandrina FJKM Tranovato Ambatonakanga… “Ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity ho tranon’Andriamanitra… Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona” (Gen 28, 22a /II Kor 6, 16b). Ireo tenin’ny Soratra masina ireo no nanompanana ny fotoana. “Tsangambato natao holovain’ny taranaka mifandimby ity akany ity…”, hoy ny filohan’ny komitin’ny tsangambato, Atoa Rakotomavo Hugues.M.R. L’article FJKM Tranovato Ambatonakanga: notokanana ny akany tsangambaton’ny faha-140 taona a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho
Raha tarafina tamin’ny famerenana, tsy hitovy amin’ny fampisehoana mahazatra ao amin’ny CCEsca Antanimena ny hiseho anio sy rahampitso, samy hanomboka amin’ny telo ora tolakandro. Ny antony, haharitra ora maromaro mihitsy, raha ny fandaharan’i Erick Manana sy ny namany ny hira ao. Hizara efatra mazava tsara mantsy ny seho ka ny tapany voalohany, i Erick Manana sy i Dama. Tohin’ilay “Feo roa, gitara roa”, niainga tao amin’ity efitrano ity, ny volana marsa 2016, ihany io. Efa nentin’izy mirahalahy nitety firenena maro ity fiarahana ity, haverina izao. Hanembonana ireo vazon-dry Lôlô sy ny tariny kosa ny tapany faharoa, iarahan’i Erick Manana, i Benny ary i Bebey. Ao amin’ny tapany fahatelo ny tarika Feo Gasy, ahitana an’i Kaolibera sy i Nini ary i Sata, hanampy an’i Erick sy i Benny. Io ilay tena nandrasan’ny maro satria efa aman-taony maro tsy niaka-tsehatra teto an-tanindrazana ny Feo Gasy. Ny tapany fahefatra farany kosa no tena hafana indrindra satria hiaraka an-tsehatra avokoa izy irehetra ireo, handahatra hira vitsivitsy. Fantatra fa hisy ampahany betsaka hitoviany ny seho roa, saingy hisy kely ihany ny fiavahany. Anisan’izany ny nanasan’i Erick Manana an’i Simon Randria, izay hiaraka an-tsehatra aminy, amin’ny seho anio. Zo ny Aina L’article Erick Manana sy ny namany: haharitra ora maro ny seho a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Kitra any Eoropa – Liverpool sy FC Barcelone: tsy afaka hilalao, anio, i Mohamed Salah
Ho fantatra anio alina, izay ekipa voalohany, ho tafita amin’ny famaranana, hiadiana izay ho tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana, hikatrohan’ny Liverpool sy ny FC Barcelone.Hotanterahina, anio alina, ny lalao manasa-dalana miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “ligue des champions”, taranja baolina kitra. Hampiantrano, ny FC Barcelone ao an-kianjany, ny Liverpool. Tsiahivina fa efa nanantombo, tamin’ny isa, 3 no ho 0 ny Barça, nandritra ny fihaonana mandroso, notanterahina tany Camp Nou, herinandro lasa izay.Ity izany no tsotsorimamba isarahana, eo amin’ny roa tonta. Ankoatra ny faharesena efa nianjady taminy, mbola manana olana ihany koa ny Anglisy, satria tsy afaka hilalao amin’ity fihaonana miverina ity, ilay Egyptianina, Mohamed Salah. I Jürgen Klopp, mpanazatra ny Liverpool mihitsy no nanambara izany, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Raha tsiahivina, voadona teo amin’ny lohany, i Salah, ny asabotsy lasa teo, nandritra ny andro faha-37, niadiana ny ho tompondakan’i Angletera, nikatrohany tamin’ny Newcastle. Nandresy, tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Liverpool tamin’izany ary nampiditra ny baolina faharoa, ho azy ireo, i Salah.Sahiran-tsaina tanteraka, araka izany, ny Anglisy, satria mpilalao roa tena andrin’ny ekipa no tsy hiakatra kianja dia i Roberto Firmino sy i Mohamed Salah. Hiady irery eo amin’ny famonoam-baolina izany, ilay Senegaley, Sadio Mané, anio alina manoloana an-dry Messi sy ry Suarez. Manantena, “remontada”, amin’ny Liverpool, ireo mpijery anglisy, amin’ity.Ankoatra izay, hangotraka ihany koa ny fihaonana eo amin’ny Ajax d’Amsterdam sy ny Tottenham, rahampitso alarobia, eo amin’ny ankatoky ny famaranana, faharoa.Efa nanantombo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 tany an-tanin-dry zareo Anglisy, ny Hollandey, izay hampiantrao ity fihaonana miverina ity. Heverin’ny rehetra fa ho sarotra amin’ny Tottenham, ny hanakana ny Ajax, amin’ity. Na izany aza, mbola hiady ny tapakilany, ao anatin’ny 90 m, ny roa tonta. TompondakaL’article Kitra any Eoropa – Liverpool sy FC Barcelone: tsy afaka hilalao, anio, i Mohamed Salah a été récupéré chez Newsmada.
News - Triatra
Kidnapping Arman Kamis : Any am-ponja i Haja MAPAR
Nitondra fanazavana manodidina ny fakàna an-keriny ilay teratany Karana Arman Kamis ny lehiben’ny Fampanoavana Ambaratonga Voalohany tany Toamasina sy ny komandin’ny vondrom-paritry ny zandarimaria any an-toerana. Basy kalachnikov sy P.A ary bala miisa 118 no sarona tao amin’ny trano nitanana ity teratany Karana ity. Mitondra ny laharana 6192 ny sasany tamin’ireo bala, ny 109 tamin’ireo bala nitondra ny laharana 04, ny 08 laharana 08 ary ny iray laharana 28. Fiarakodia roa no sarona nandritra ny hetsika nataon’ny manam-pahefana tany Toamasina, ka ny iray Peugeot 309 laharana 6309 TL ny faharoa kosa Ford laharana 2404 TV. Nanao saron-tava ny telo tamin’ireo mpanao kidnapping, niseho tava kosa ny fahefatra. Sarona tao amin’ny trano nitanana an’i Arman Kamis ny jiolahy iray antsoina hoe Jean Paul Etienne (avy any Majahanga). Izy moa araka ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny Fampanoavana no niandry an’i Arman Kamis tao amin’ilay trano. Natolotra ny Fampanoavana ireo olona valo voarohirohy tamin’ity kidnapping Karana ity ka notanana am-ponja. Fahanginana Tsy nisakana ny fizotry ny fanadihadiana sy ny famotorana nataon’ny zandarimaria, ny polisy ary ny lehiben’ny Fampanoavana tany Toamasina ny fahanginan’ireo hainoamanjerin’ny TGV manoloana ny fisamborana an’i Haja MAPAR. Nisafidy io fahanginana io tokoa mantsy ny gazety mpomba an’i Andry Rajoelina. Fomba fiadin’izy ireo tokoa moa izany fahanginana izany, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharaha famotsiam-bola maloto azo avy tamin’ny fanondranana “bois de rose” sy fanodinkodinam-bolam-panjakana an’i Mamy Ravatomanga any Frantsa. Dia mbola izay fahanginana izay hatrany koa no niseho tamin’ity raharaha kidnapping ity. Mbola haverina eto indray ilay fanontaniana napetraka teto amin’ny gazety roa volana lasa izay nanao hoe: “fa iza loatra mihitsy izao mila vola be izao no toa manao tohivakana ity resaka kidnapping Karana ity?”. Amin’ny fotoam-pifidianana tahaka izao tokoa mantsy no tena mampirongatra ny fakana an-keriny, dia izao iaraha-mahita izao ny fahamarinany! L’article Kidnapping Arman Kamis : Any am-ponja i Haja MAPAR est apparu en premier sur .L’article Kidnapping Arman Kamis : Any am-ponja i Haja MAPAR a été récupéré chez Triatra.
News - News Mada
Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona
Hatolotra ny fitsarana ao Arivonimamo, anio ireo jiolahy miisa dimy saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Arivonimamo, omaly. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo antso avy amin’ny vahoaka ny polisy fa misy olona tratra nangarom-paosy ao an-tsenan’Arivonimamo. Efa saika nodoroan’ny vahoaka ilay jiolahy, soa ihany fa nalaky ny fahatongavan’ny polisy naka azy. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nanononany ireo jiolahy atidoha miray tsikombakomba aminy. Nosamborin’ny polisy ireo mpiray tsikombakomba aminy ka samy niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa isan’ireo jiolahy nampitondra faisana ny mponina ao Arivonimamo ireo jiolahy tratra ireo.Jean ClaudeL’article Arivonimamo: mpangarom-paosy saika nodoran’ny olona a été récupéré chez Newsmada.
Foot - News - Sport - News Mada
Kitra: mety hilalao any Espaina i Ibrahim Amada
Araka ny vaovao hita ao anaty tambajotran-tserasera, firenena roa ny mitady an’i Ibrahim Amada, irakiraka mandrafitra ny Barea de Madagascar. Samy mitady azy avokoa i Espaina sy i Maraoka. Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly alatsinainy, fa mety tsy hilalao ao amin’ny Mouloudia Club Alzeria intsony ilay Malagasy, i Ibrahim Amada, amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Araka ny fantatra, firenena roa: i Maraoka sy i Espaina no mety hifindrany. Tsy mbola fantatra kosa anefa ny anaran’ireo klioba mitady azy. Ho fantatra, ny fiandohan’ny volana desambra ho avy io, izay tena hilalaovany na any Espaina na ao Maraoka. Anisan’ny naharesy lahatra ireo “agent recruteur” ny zava-bitany sy ny endri-dalao nasehony, nandritra ny filalaovany tao amin’ny Barea de Madagascar, nandritra ireny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019” ireny. Raha tsiahivina, mpilalao novolavolaina tao amin’ny Akademia Ny Antsika Vakinankaratra i Amada, nanomboka ny taona 2005 ka hatramin’ny 2011. Taorian’io, nilalao tany Alzeria hatrany ny tovolahy. Nanombohany izany ny tao amin’ny JS Kabylie, herintaona ihany ny nijanonany tao. Nandalo tao amin’ny AS Khroub izy avy eo ary tao amin’ny USM El Harrach, ny taona 2012 ka hatramin’ny 2015. Nanatevina ny ES Sétif indray ny taona 2015 ka hatramin’ny 2017 ary ao amin’ny Mouloudia, amin’izao fotoana izao. Nahatafiditra baolina 16 i Amada hatramin’izay nilalaovany atsy Alzeria izay. 28 taona ny tovolahy ankehitriny ary ao anatin’ny heriny tokoa. Marihina fa anisan’ny lalao tena nampiavaka azy ny fihaonana nikatrohan’ny Barea de Madagascar tamin’ny Liona Senegaley, natao tetsy Mahamasina ny alahady 9 septambra lasa teo. Tompondaka L’article Kitra: mety hilalao any Espaina i Ibrahim Amada a été récupéré chez Newsmada.
News - Midi Madagasikara
Service public : Fermeture des bureaux de la CNaPS pendant 12 jours
Dans un souci de limiter la propagation de la Covid-19, la Caisse Nationale de Prévoyance Sociale tient à informer ses adhérents que tous les bureaux de la CNaPS à Antananarivo, épicentre de l’épidémie, seront fermés pendant 12 jours, et ce à compter du lundi 27 juillet 2020. Toutefois, il sera toujours possible de faire parvenir les déclarations à la CNaPS par courrier électronique. D’ailleurs, dans son communiqué, la caisse incite tous les adhérents à respecter l’envoi des déclarations nominatives des salaires dans les délais impartis, exceptionnellement avant le 15 août 2020 pour le deuxième trimestre, et ce avec ou sans les cotisations sociales y afférentes. Anja RANDRIAMAHEFA L’article Service public : Fermeture des bureaux de la CNaPS pendant 12 jours est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Service public : Fermeture des bureaux de la CNaPS pendant 12 jours a été récupéré chez Midi Madagasikara.
News - News Mada
SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Parvis Analakely, ny andiany faharoa tamin’ilay hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux), karakarain’ny Seho Évent. Afa-po ireo mpandray anjara, raha ny nambaran’ny ankabeazan’izy ireo, omaly. Tsiahivina, trano heva miisa 50 no nampiranty ny fahaiza-manaony sy ireo vokatra avy aminy tsirairay avy, nanomboka ny zoma lasa teo hatramin’ny omaly. Nampitolagaga ireo mpitsidika ny seho nataon’ireo tanora sy ankizy mikatroka anivon’ny haiady isan-karazany sy ireo taranja miavaka toy ny « parcours » sy ny « roller ».Kempo sy MMA Ho an’ny taranja kempo sy MMA (Mixed Martial Arts) manokana, ampy tsara ny telo andro nahafahana nampahafantatra ny taranja tamin’ireo mpitsidika ny trano heva nisy azy ireo, maro ny liana, isan’izany ireo Ray aman-dreny izay te hampiditra ny zanany anaty klioba mianatra ny taranja kempo sy MMA. Ho an’ity haiady ity, ny fanaovana seho, ny fomba fanaovana totohondry, ny MMA ary ny full kempo no tena nasongadina nandritra ny fampirantiana. Araka ny nambaran-dRakotonindriana Parfait, filoha mpitantana ity taranja ity, miezaka hatrany izy ireo mampivoatra ny kempo sy ny MMA, ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagascar, amin’izao ny mpitantana sy ny mpikatroka, hisy, araka izany, ny fampiofanana ireo mpitsara izay hatao ato ho ato. Mi.RazL’article SESAM andiany faha-2: afa-po tanteraka ireo mpandray anjara a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena
Miantraika any amin’ny tontolo iainana ny fambolena, vokatry ny fitomboan’ny mponina be loatra, miteraka ny fiovan’ny toetr’andro izany. Tsy mifandanja koa ny sakafon’ny tany mandroso miohatra ny any amin’ny tany mahantra.Namoaka tatitra ny Vondron’ny manampahaizana sy mpikaroka iraisam-pirenena mikasika ny fivoaran’ny toetr’andro (GIEC). Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanadihadiana nataony ny fahafantarana fa ampiasaina sy ajarian’ny olombelona ny 72%-n’ny velaran-tany tsy misy ranomandry, izay tsy maharitra ny ankamaroany. Avy amin’ny olombelona ny 23%-n’ny etona karbonika na gaz à effet de serre (Gez), amin’ny alalan’ny fandripahana ny ala, ny fanovana ny ala ho amin’ny fambolena sy fiompiana indostrialy ny biby. Tsindry mivantana manimba ny haibolantany ny fihariana ataon’ny olombelona, izay mahatonga mivantana ihany koa ny fiovan’ny toetr’andro, manapotika ny zavamananaina, ary indrindra ny tsy fahampian-tsakafo. Tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala maneran-tany ny fambolena sy ny sakafo.Very fotsiny ny 30%-n’ny sakafoAraka ny fanadihadian’ny GIEC ihany, mahatratra 810 tapitrisa ny olona tsy ampy sakafo maneran-tany. Etsy ankilany anefa, very fotsiny na tsy misy mihinana ny 25 hatramin’ny 30%-n’ny sakafo vokatra rehetra eto ambonin’ny tany. Endriky ny tsy fifandanjan’ny sakafo sy ny fihinanana azy izany eo amin’ny tany mandroso miohatra amin’ny tany mahantra.Araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF, hita soritra eto Madagasikara, ity fanadihadiana nataon’ny GIEC ity. Anisan’ny hanamarinana izany ny firongatry ny fandripahana ny ala eto amintsika, havadiky mponina ho amin’ny fambolena.Mahatratra 25,7 tapitrisa ny Malagasy, ankehitriny, ary tombanana ho 55 tapitrisa afaka 30 taona, amin’ny 2050. Hitombo ny vava mihinana, ka hampiasaina araka ny tokony ho izy ny tany efa ambolena ary mila arindra tsara ny fanitarana ny tany vao hojariana. Tanjona, ny hisian’ny famokarana maharitra sady manaja sy miaro ny tontolo iainana.Mifandray ny toetr’andro, ny fambolena ary ny fiarovana ny zavamananainaHo an’ny WWF, mampiseho ny fifandraisana akaiky eo amin’ny toetr’andro, ny olombelona ary ny zavaboahary ity tatitry ny GIEC ity. Midika izany fa tsy afa-miala ary tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampiasana ny tany ny fiarovana maharitra ny zavamananaina sisa tavela, ny fanarenana ny zavaboahary potika, nefa mifandrindra amin’ny fiarovana ara-tsakafo ho an’ny zanak’olombelona.Manana ny lanjany lehibe ny vahaolana ho an’ny toetr’andro mifototra amin’ny zavaboahary. Singanina amin’izany, ny anjara toeran’ny ala honko amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, asdy manampy ny fiarovana ny tontolo mananaina ho an’ny mponina eny ifotony avy. Mamerina ny fisian’ny loharano ny famerenana ny ala, manampy ny tany ho lonaka ary miverina tsikelikely amin’ny maha izy azy tany aloha ny zavaboahary sady maharitra.Nilaza ny lehiben’ny mpanolotsaina amin’ny fiovan’ny toetr’andro, sady tompon’andraikitry ny GIEC, Stephen Cornelius, fa “mitondra hafatra mafonja ho an’ny rehetra ity fanadihadiana ity, milaza fa miantraika any amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fomba ampiasaintsika ny tany, ka mila hovana haingana izany”.Njaka AndriantefiarinesyL’article Fiovan’ny toetr’andro: tompon’andraikitry ny 75%-n’ny fahapotehan’ny ala ny fambolena a été récupéré chez Newsmada.
News - News Mada
« Asa tagnamaro »: nanao lalana ny MAHTP
Nandray anjara mavitrika tamin’ny andiany faharoa amin’ny “Asa tagnamaro”, ny asabotsy teo, ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy (MAHTP). Nisara roa ny hetsika. Teo aloha ny fanadiovana faobe ny toeram-piasana sy ny manodidina eo amin’ny foiben’ny minisitera etsy Anosy sy ho an’ireo rantsa-mangaika isam-paritra. Niarahan’ireo mpiara-miasa rehetra isaky ny sampandraharaha isan-tsokajiny izany fanadiovana faobe izany. Fa teo koa ny fanarenana ny làlana mirefy 200 m miditra ao amin’ny lycée Technique Ampasampito, niarahan’ny mpikambana ao amin’ny kabinetra sy ireo mpiara-miasa rehetra avy amin’ny sampandraharaha miankina amin’ny MAHTP. Nodiovina ny manodidina ny lalana ary notampenana avokoa ireo lavaka amin’io làlana miditra mankao amin’ity sekoly ity io. Nolokoina ny fefy aty anoloana. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny MAHTP tamin’ny akora nilaina tamin’izany. « Maro amin’ireo injeniera miasa ao amin’ny MAHTP ny nianatra tao amin’io sekoly io ka antony nifidianana ny hanampiana azy. Fanehoana koa izao ny fiaraha-mientan’ny MAHTP amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana ny firenena », hoy ny minisitra Andrianainarivelo Hajo. Naneho ny fisaorana ny fianakaviamben’ny MAHTP ny talen’ny sekoly ary nampanantena fa hikojakoja ity lalana narenina ity.Synèse R. L’article « Asa tagnamaro »: nanao lalana ny MAHTP a été récupéré chez Newsmada.