MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto

News - MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto

News - MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto

Mampidi-bola ny mpanakanto. Lasa mirona any amin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera ny mpanakanto amin’ny fampahafantarana ny sangan’asany noho ny fisian’ny “pirate”. Mitaky vola anefa ny famokarana sangan’asa ka amin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra no ahafahana mamokatra vokatra vaovao indray mba hanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy. Noho izany, mitondra tombontsoa ara-bola ho an’ny mpanakanto ny fidirana ao amin’ny Musichall Application.musichall 1 Ity “application” ity dia ampidirina amin’ny finday amin’ny alalan’ny “Google play store”. Tao anatin’ny telovolana teo ny orinasa Musichall SARL no niketrika ity application ahafahana manjifa ny zava-kanto malagasy ity, toy ny hira, angano, tantara, tononkalo. Mpanakanto 160 no efa nisoratra anarana hampiditra ny sangan’asany ao anatin’ny application. 40.000 Ariary isan-taona ny sarany raha hisoratra anarana. “5 Ariary isaky misy mihaino ny sangan’asany no azony raha tolotra andoavam-bola no ampiasain’ny mpanjifa ary 2 Ariary raha tolotra maimaimpoana”, hoy Rakotomahefa Rado, Filoha tale jeneralin’ny Musichall SARL, nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny “plateforme Musichall Application”, ny 05 martsa 2021 teny Ankorahotra. Nilaza izy  fa 3 Ariary isaky misy mijery na mihaino ny vola azon’ny mpanakanto raha  ao amin’ny Youtube.

Raha ho an’ny mpanjifa no resahana dia misy ny tolotra maimaim-poana ahafahana mampiasa ny application fa voafetra ny sangan’asa azo henoina, araka ny fanazavany. 55.000 Ariary kosa ny abonnement telovolana ary  174.000 Ariary ny  iray taona. “ Ho fanomezana hasina ny mpanakanto, fanandratana ny talenta malagasy  eto an-toerana sy any ivelany, fanomezana tohana ny vita malagasy no tanjonay tamin’ny famoronana ity application ity”, hoy Rakotomahefa Rado.  Eo ihany koa ny “fiarovana ny sangan’asan’ny mpanakanto, hampihenana ny pirate” satria tsy afaka “télécharger”-na  ireo vokatra ao.

Nirina R.

Cet article MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto est apparu en premier sur déliremadagascar.

MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto

L’article MUSICHALL APPLICATION: Mampihena ny “pirate” amin’ny sehatry ny zava-kanto a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 06/03/2021

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Efa nigadra tany am-ponja: tratra fanindroany ny lehilahy iray nisandoka ho polisy

Manaova fifaninanana raha te hiditra ho fianakaviamben’ny Polisim-pirenena! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « poste de police » Ilanivato, teny Anosipatrana ny talata teo, ny polisy sandoka iray mipetraka eny Ambanidia. Voarohirohy ho nisandoka ho polisy ity lehilahy ity ary tsy vitan’izay fa mbola miditra an-keriny ao an-tokantranon’olona ihany koa izy, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Voalaza fa lehilahy miisa efa ny niara-nisotrosotro tao amina toeram-pisotroana iray ao Anosipatrana, ny alatsinainy hariva teo. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no nidiran’ny roa amin’izy ireo tao amina tokantrano iray tsy lavitra teo. Raha nanontany ny momba azy ireo ny tompon-trano, nilaza ry zalahy fa polisy ary nitaky ny hisavana ny trano. Nangataka avy hatrany ny taratasy manamarina ny maha polisy azy ireo ny tompon-trano, saingy tsy nisy teny amin’izy ireo. Manoloana izany, niantso polisy avy ao amin’ny “poste de police” Ilanivato ny tompon-trano ka tonga avy hatrany teny an-toerana ny polisy. Nosamborin’ny polisy izy roa lahy ary voaporofo fa tsy polisy velively fa olon-dratsy nitaky vola tamin’ireo tompon-trano. Nanao satroka misy soratra hoe “polisy” ny iray amin’izy ireo ary tamin’ny fisavana, nahitana antsilava maranitra teny am-balahan’ny iray. Niaiky izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa nisandoka ho polisy ary nitaky volabe tamin’ireo olona tompon-trano. Efa nifonja ny iray amin’izy roa lahy ny taona 2019 noho ny antony fitazonana basy tsy nahazoana alalana sy ny fisandohana hatrany ho polisy.Jean ClaudeL’article Efa nigadra tany am-ponja: tratra fanindroany ny lehilahy iray nisandoka ho polisy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra – Mpanazatra ny Barea, i Dupuis: «Novidianay lafo ilay fatoritoriana”

Mbola ambentin-dresaky ny rehetra, hatramin’izao, ny faharesena nahazo ny Barea de Madagascar, nanoloana ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny alakamisy lasa teo. Naneho ny heviny i Nicolas Dupuis, mpanazatra malagasy.Nambaran’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar, taorian’ny lalao nihaonany tamin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, fa “tena nampiseho endri-dalao tsara ny Malagasy, saingy nisy fotoana toa nampatoritory sy tsy fitandremana nataon’ny mpilalao tao anatin’ny 15 mn nilalaovana, izay novidian-dafo satria nampidiran’ny Ivoarianina ireo baolina roa. Saika tsy voaarina izany, raha tsy nisy ny fanoloana mpilalao izay nampifoha indray ny Barea, ka nahafatesana iny baolina tokana iny, izay mety aminay”, hoy izy. Nomarihin’i Nicolas Dupuis fa mbola azon’ny Barea de Madagascar hatao tsara ny mandresy 1 no ho 0 any Toamasina, mandritra ny lalao miverina, amin’ny talata 17 novambra ho avy izao.Tetsy ankilany, niaiky i Patrice Beaumelle, mpanazatra ny Elefanta, fa mahay ny Malagasy ary tena nanahirana ireo mpilalaony, indrindra fa teo amin’ny 30 mn farany. Tsy maintsy hitandrina mafy amin’ny lalao miverina. Na izany aza, nahafaly azy ireo ny fahazoany isa 3.Fantatra fa ho tonga anio asabotsy eto Madagasikara ny delegasiona roa tonta, saingy tsy hiaraka fiaramanidina fa samy manana ny azy. Hijanona fotoana vitsy eto Ivato ka avy hatrany dia hihazo an’i Toamasina.Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga amin’ity asabotsy ity ihany koa ny “commissaire au match”, teratany kongoley. Tsy mbola fantatra kosa ny hahatongavan’ireo mpitsara hitantana ny lalao.Efa vonona tanteraka ny kianja Barikadimy Toamasina hampiantrano ny lalao. Omaly zoma, nisy ny fanazavana nentin’ny ben’ny Tanàna sy ireo tomponandraikitry ny mpitandro filaminana ary ny solontenan’ny federasiona (FMF) ny amin’ireo lamina isan-tokony  handraisana izany lalao izany. Tompondaka L’article Kitra – Mpanazatra ny Barea, i Dupuis: «Novidianay lafo ilay fatoritoriana” a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra: niala tao Reims i Fontaine ary hilalao ao Lorient

Mitohy ny fifindran-toeran’ireo mpilalao malagasy, nandrafitra ny Barea de Madagascar, avy niatrika ny Can 2019, tany Egypta. Fantatra izao fa hiala ao amin’ny Stade de Reims, i Thomas Fontaine, vodilaharan’ny Barea de Madagascar ka hifindra any amin’ny Lorient, mifaninana ao amin’ny “Ligue 2” frantsa.Efa tontosa ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Hanamafy ny fiarovantenan’ity ekipa L2 ity, no tena antony niantsoana an’i Fontaine. Hiaraka amin’i Julien Laporte, izy amin’izany. Tsy mbola fantatra kosa ny faharetam-potoana, hilalaovany ao Lorient. Marihina fa anisan’ireo, andrin’ny fiarovantena Malagasy, tany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Egypta i Fontaine. 28 taona ny tovolahy amin’izao fotoana izao, ary mbola tena ao anatin’ny heriny tanteraka.Raha tsiahivina, nifindra lasy toa izao ihany koa i Jeremy Morel, vodilaharan’ny Barea. Tapitra ny filalaovany tao amin’ny Olympique Lyonnais, izay tsy nanavao ny fifanarahana, taminy intsony. Nifindra ao amin’ny Stade Rennais, i Jeremy Morel, ary taom-pilalaovana iray ihany no hilalaovany ao. TompondakaL’article Kitra: niala tao Reims i Fontaine ary hilalao ao Lorient a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Andrianiaina Tiavina Arnaud – DRJS Alaotra Mangoro: mpisehatra ara-panatanjahantena manana fikirizana

Mpitia sy mpisehatra ary mpitantana, eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, Andrianiaina Tiavina Arnaud. Nanana fikirizana tokoa teo am-panatanterahana ny andraikiny, indrindra ho fampandrosoana ny faritra misy, any Alaotra Mangoro. Nanomboka ny taona 2013 dia efa hita teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ary mbola milona tanteraka ao anatin’izany mandraka ankehitriny.Raha fintinina ny lalana nodiaviny, nivoaka tao amin’ny ANS (Académie National des Sports) Ampefiloha i Arnaud, ny taona 2013. Tamin’io taona io ihany, teknisiana teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy. Nanomboka nifarimbona tamin’ny fampiroboroboana ny faritr’Alaotra Mangoro ny tenany, ny taona 2016 ary ny lafiny teknika hatrany no nosahaniny tamin’izany. Maro ireo klioba sy sekoly, nahazo tombontsoa sy fandresena, nomen’i Arnaud fahalalana, anisan’izany ny mpanao baolina vehivavy, izay tompondakan’Alaotra Mangoro. Tsy nijanona tao amin’ny faritra misy azy ihany anefa fa nivelatra tamin’ny faritra hafa ihany koa i Arnaud, izy no namorona ny “Ecole de foot des beaux lieux tao Mandroseza, sady mpanazatra tao amin’ity sekoly ity. Ankoatra izay, efa nanazatra ny “Ecole de foot Ajesafa” tany Ambatondrazaka izy, ny taona 2016 hatrany. Tsy ambakan’izany, fa isan’ny nahazo traikefa tamin’ity Tale Rezionaly ny Tanora sy fanatanjahantena Alaotra Mangoro ity, teo amin’ny taranja baolina kitra, ny klioba’ny Dream team Ambandrika Ambatondrazaka, ny klioba FC Manakambahiny Ambatondrazaka. Ity klioba ity izay efa tompondaka an’i Madagasikara, tamin’ny lalao natao tany Manakara, ny taona 2017. Ity farany izay tena fahatsiarovana tsara ho an’i Arnaud tokoa.Manomboka miditra amin’ny fitantananaVoafidy ho filohan’ny ligin’Alaotra Mangoro, taranja rugby, Andrianiaina Arnaud, ny taona 2018. Nanomboka teo, niditra lalina tamin’ny fitantana ny fanatanjahantena tao amin’ny faritra nisy azy izy. Noho izay fikirizany izay, voatendry ho Tale rezionaly ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS) Alaotra Mangoro izy ary nandray izany toerana izany, nanomboka tamin’ity volana jiona ity, izy no Tale tanora indrindra. Tsiahivina, mpiofana mendrika indrindra tamin’ilay “cours avancés en Management du Sport”, andiany faharoa ary nosafidian’ny Cio (Comité International Olympique) ny tetikasany nandritra ity fiofanana ity satria azo tanterahina tsara. “Ataoko adidy ny hampandroso ny tanora sy ny fanatanjahantena, ao amin’ny faritra iadidiako sy manerana an’i Madagasikara”, araka ny nohamafisin’ Andrianiaina Tiavina Arnaud. Mi.RazL’article Andrianiaina Tiavina Arnaud – DRJS Alaotra Mangoro: mpisehatra ara-panatanjahantena manana fikirizana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana

Nangotraka ary niavaka ny fampisehoana isan-karazany nandravahana ny lanonam-panokafana, taorian’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy, amin’ny fisokafan’ny andiany faha-10 ny lalaon’ny Nosy, nataon’ny filoham-pirenena maorisiana, i Barleen Vyapoory. Natomboka tamin’ny fitondran’ireo firenena ny jiro sy ny fampitàna izany ary ny fanentanana maro isan-karazany. Nirefodrefotra ny afomanga taorian’izay, izay naharitra minitra vitsivitsy. « Hampitombo ny firahalahiana eo amin’ny Nosy rehetra manerana ny ranomasimbe Indiana, izao lalaon’ny Nosy tanterahina eto Maorisy izao”, io no hafatra matanjaka avy amin’ny kaomisiona mpikarakara ity andiany faha-10 ity, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly. Tsy nanadino ny nisaotra sy naneho fankasitrahana ireo delegasiona rehetra tonga hifaninana, izy ireo ary nirary soa hahavitan’ny lalao hatramin’ny farany, amin’ny antsakany sy andavany.Mivonona ny handray ny JIOI 2023 i Madagasikara Hatolotra sy velabelarina anio, eto Maorisy, ny vinan’ireo firenena maniry ny handray ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy, tanterahina ny taona 2023. Anisan’ny hanolotra izany eo anatrehan’ny CIJ ( Comité International des Jeux) i Madagasikara. Efa nanambara moa ny filohan’ny CIJ, nandritra ny fitsidihana ny firenena malagasy, roa herinandro lasa izay fa tsy manana fahasarotana i Madagasikara amin’ny fandraisana ny JIOI 2023, saingy mila fanatsarana kely ny « site » tsirairay handraisana ireo lalao rehetra. Nangonin’i Miarintsoa.Raz (Iraka manokana aty Maurice) L’article Nanehoan’ny Maorisianina ny fahaizany ny fanokafana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Ory hava-manana, manana havana ory…  

Misy fiarakodia vaovao na hiaka farany mandalo? Raha vazaha, hono, no mahita izay, hilaza hoe: “Rahoviana aho no hanana toy iny?” Raha Gasy na Malagasy kosa, mety hiloa-bava hoe: “Rahoviana no ho simba na hidofotra iny?”Fatra-pamisavisana ny ratsy ny Malagasy? Indraindray, tsy hiavian’ny soa… Ny manana, hono, tsy havan’ny ory; ny omby mahia, tsy lelafin’ny namany. Ohabolan-drazana efa hatry ny ela ireo: fahendrena? Na hadalana koa…Nahatonga ny hoe ny ory tsy havan’ny manana izay? Na azo itarafana izany koa… Tsy mifampilelaka ny omby mahia: samy maka ho azy, mifanaratsy an-toerana. Raha tsy izany, mionona sy miaritra fotsiny. Vokany, manana ihany ny manana.Mety hahatonga ny ory hava-manana koa ny tsy firaharahan’ny manana havana ory? Raha ho faty aho, matesa rahavana… Miteraka fihatakatahana na fankahalana ho azy ny tsy firaharahan’ny hafa ny tena?Vao mainka zava-doza izany raha fantatry ny ory fa fomba tsy mazava izay mety mahatonga ny havana ho manana, raha sanatria tsy rariny, ohatra, na asa ratsy… Mety ho natao tohatra fiakarana hampanana ny tena aza ny havana ory amin’izany.Inona no iresahana izany rehetra izany eto? Efa hatramin’ny ela ny hoe ady amin’ny fahantrana. Efa nisy filoham-pirenena aza nilaza ny hoe tsy hampahantra ny efa manana, fa hampanana ny tsy mbola manana…Tenenin-dava hoe fototry ny fampandrosona ny fihavanam-pirenena. Ahoana ny hampiara-dia ny ory hava-manana sy ny manana havana ory? Mbola misy ny mampiombona: ny tanindrazana, ny taranaka, ny fanantenana ny ho avy …Eny, na misy any ho any aza ny miseho ho tompony irery ka manjakazaka, na tsimatimanota, na lehibe tsy meloka… Eo koa ny mpikomy noho ny tsy rariny amin’izany, te hamoaka ny alahelony… Ahoana ny hampihavanana izany?Fa ny manana tsy havan’ny ory na manana havana ory aza, ary eo ny ory hava-manana. Mbola misy elanelana be izay. Toa vao mainka mihamitombo sy nihalalina aza talohaloha teo? Na mila totofana amin’ny fanovana, asa mivaingana…Rafaly Nd.    L’article Ory hava-manana, manana havana ory…   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Any atsimon’ny Nosy: mitohy ny ady amin’ny kere

Manohy ny ady amin’ny kere any atsimo ny minisitry ny Rano sy ny fahadiovana ary ny fidiovana, Rakotovelomanantsoa Voahary. Nandrindra ny fizotran’ny asa amin’ny fametrahana ireo paikady rehetra izy ny faramparan’ny taona teo.Nohamafisina ny asan’ny CCO Kere, tarihin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena miaraka amin’ireo governora isam-paritra. Ny CCOK ny mandrindra ny asa rehetra iadiana amin’ny kere, na ho an’ny miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny mpiara-miombona antoka na eto an-toerana na ny avy any ivelany.Nisy ny fivoriana natao tao Ambovombe nanazavana ny andraikitry ny CCOK eo amin’ny lafiny fandrindrana, ary ny nandray anjara ny minisitra Rakotovelomanantsoa, ireo tompon’andraikitry ny CCOK ary ny solontenan’ny mpiantsehatra rehetra.Nifampidinika tamin’ny mpiasan’ny AES ao Ambovombe ny minisitra. Nisy ny fizarana ny vahaolana eo amin’ny fampandehanan-draharaha. Nahazo ny karamany mialoha ny faran’ny taona ny mpiasan’ny AES, araka ny fanamby napetraka, ary nanamafy izy ireo fa hilofo manoloana ny asa takin’ny ady amin’ny kere.Asa goavana miandry ny rehetra ny fanampiana ny mponina ianjadian’ny kere. Mitohy ary hatsaraina ny fanampiana eo amin’ny lafiny sakafo, ny fizarana rano, ary ny momba ny fahasalamana.Jerena manokana ireo tena marefoNizara sakafo ho an’ireo olona voasokajy ho tena marefo ao amin’ny fokontanin’i Berary, ao amin’ny kaominin’Ambovombe, ny ministra. Ankoatra ny fizarana vary, katsaka voatoto, lafarina misy otrikaina ary rano, nisy koa fizarana vilany, lovia sy sotro, ary nomena sakafo mafana ihany koa ireo ankizy madinika.Nitohy tao amin’ny kaominina Andranobory, distrikan’i Taolagnaro, izany ary tao amin’ny fokontanin’i Embaritsiky, distrikan’Amboasary. Ankoatra ny fizarana sakafo sy rano… nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina.Hitohy hatrany, isaky ny distrika voakasika any atsimo, ny fizarana sakafo, rano ary ny fizaham-pahasalamana hiatrehan’ny mponina ny kere.Tsara homarihina fa efa manomboka ankehitriny ny fametrahana ny banky misahana ny lafiny sakafo. Raha ny mikasika ny paikady lavitra ezaka hanafoanana ny kere, mitohy ny fanadihadiana isam-pianakaviana, hanangonana ny antontanisa ilaina amin’ny fandrafetana izany paikady izany. Mifanindran-dalana hatrany amin’ny fizarana sakafo ho an’ireo marefo ny hetsika.Tatiana AL’article Any atsimon’ny Nosy: mitohy ny ady amin’ny kere a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo  

 Fay rano Antananarivo! Lasa faobe ny fahatapahan-drano ka mampitaraina ny mponina. Misy tsy fahatomombanana ny milina ao Andekaleka ka mahatonga izao tsy fisian’ny rano izao. Mitohy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Nimenomenona ny olona fa tsy nahazo rano na ireo manana famatsin-drano ao an-trano na ireo mampiasa ny paompy iraisana.Lasa olana iraisan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny tsy fisian-drano tao anatin’ny herinandro maromaro ka manakorontana ny fiainana andavanandro mihitsy. Anisan’ny niharan’ny fahatapahana ny teny Mahazo, Amboanjobe, Andoharanofotsy… Teny Amboanjobe (RN 7), efa ho telo andro no tapaka ny rano ary tsy mbola niverina, hatramin’ny omaly.Tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny mpiray monina manana lava-drano na koa mandeha mantsaka lavitra. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny isan-tokantrano amin’ny fividianana rano satria mila manomana hatramin’ny 10 000 Ar karaman’ny mpantsaka sy ny vidin-drano.Nanome vahaolana amin’ny fizaran-drano amin’ny kamiaobe ny Jirama ho an’ny fokontany maromaro voakasika. Misy ireo mponina nanambara fa tsy nahita  ny fizaran-drano mitety vohitra hatramin’izao.Nanamafy ny Jirama fa misy fikorontanana ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Antananarivo noho ny tsy fahampian’ny tanjaka herinaratra ilain’ny tobim-pamokarana rano eny Mandroseza.Vokatry ny tsy fahatomombanan’ny milina mpamokatra herinaratra avy ao Andekaleka. Efa mamerina izany ny teknisianin’ny Jirama ka hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano aorian’izay.Mandra-piandry izany, sahirana ny vahoaka satria aina ny rano. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisitry ny Rano sy ny mpiasan’ny Jirama nijerena ny vahaolana momba ity fahatapahan-drano faobe ity.Vonjy A. L’article Tsy fahatomombanan’ny milina ao Andelakela: lasa faobe ny fahatapahan-drano eto Antananarivo   a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Feno ny fepetra…

Manomboka feno tanteraka  ny fepetra ahafahan’ny firenena  miroso. Efa tafapetraka avokoa ireo Andrimpanjakana rehetra. Anisan’izany ny Antenimierampirenena vao nijoro farany teo. Manana ny maro anisa aoriany ny fitondram-panjakana, ankoatra ny hijoroan’ny  governemanta, afaka andro vitsy. Efa eo an-tanan’ny fitondrana avokoa ny fitaovana sy ny olona ary ny hoenti-manana  miaraka amin’ny vina  nampanantenaina. Efa nankatoavin’ny fianakaviambe  iraisam-pirenena ary  nahazo tohana sy famatsiam-bola, izao fitondrana izao. Tsy tokony  hisy  intsony ny fialan-tsiny ao anatin’izany  rehetra izany. Na koa fanilihana andraikitra  tahaka ny nataon’ny  teo aloha, fony  izy teo amin’ny fitondrana. Atombohy amin’izay àry  ny asa vavany avy  hatrany, hiantraika any amin’ny ativilanin’ny sarambabem-bahoaka  sy  ny mponina. Esory amin’ny toerany ary aza andeferana ireo tsy mahavita  ny iraka  sy  ny andraikitra ankinina aminy. Aleo hiavaka ny  vary sy ny tsiparifary na koa ireo zatra ny lalan-dririnina. Tsy tokony  hisy toerana  ho an’ny misalasala intsony  izao.Farito ary ataovy mazava  tsara ny lalan-kombana iaraha-mjery sy manombana. Aiza ho aiza  izao isika amin’ny lamasinina haingam-pandeha ? Inona ny  mbola misakana na koa manahirana ?  Fotoana izao hanatanterahana  ireo nambara  sy notanisaina, araka ilay fiteny nambara fa asa izy ity fa tsy kabary. Ahoana  ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana manoloana  ireo fitaovana maro samihafa efa azon’ny mpitandro filaminana ?  Ahoana ihany ity delestazy miverimberina mahazo  laka isanandro  tato  ho  ato ity ? Miantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy  :  fiakaran’ny vidim-piainana, ny lafiny fitsaboana  sy ny fanadiovana izany, indrindra  eny anivon’ny hopitaly. Ny olan’ny fananan-tany tsy ahitana mangirana hatramin’izao. Ny mbola fihanaky ny kolikoly sy ny fomba hampihenana  izany amin’ny sehatra samihafa eto amin’ny firenena.   Ampahany  ihany  ireo. Tsy vitan’ny  fisehosehoana  fotsiny na  resabe intsony  izao fa  mitaky andraikitra amin’ny rehetra.  Tokony  hanomboka izany ary ho fitaratra ny  mpitantana isan’ambaratongany… Roso toy tsa mipody koa…  Efa feno  tanteraka ny fepetra  ka  tsy tokony  hisy  intsony ny olana  na fialana bala ?Synèse R.       L’article Feno ny fepetra… a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Petites annonces by e-tady.mg

Emploi et services Développeur C#.net
05/05/2021

Vous êtes intéressé par le métier de développeur .NETLe langage C# vous attireSIDINA,  branche de MANAO spécialisé en développement informatique basé à Fianarantsoa  recrute un DEVELOPPEUR C# .NetLa mission tourne autour du développement d'applications sous C# .Net.Compétences requises- Bac+5 en informatique- Maîtrise de la langue française orale et écrite- Maîtrise du langage C# .Net- Développement web : HTML, CSS, Javascript, SQL,- Maîtrise du plateforme .NET: framework C# .NET, design pattern Modèle MVC,les suites d'outils de développement proposés par -Microsoft Visual StudioAtouts- Connaissances framework Javascript Angular- Connaissances librarie Javascript React- Un an d'expérience en développement C# .NetPour postuler, envoyez votre cv et lettre de motivation avec prétention salariale à l’adresse email rh@manao.eu avec la référence “Dev C#.NET”Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Développeur C#.net".

Emploi et services Superviseur comptable
06/05/2021

 Profil : Superviseur comptable  Niveau d’étude : Bac + 4 en gestion, comptabilité ou finance Expérience 3 ans minimum Missions principales : Effectuer des opérations comptables, établir les déclarations fiscales et suivre la trésorerie et assister dans l’établissement du reporting mensuel, l’établissement des états financiers annuel  Comptabilité Tenu des comptes Vérification et analyse comptables Etablissement des prix de revient des importations Révision comptable et reporting mensuel Etablissement rapport financier annuel (Les états financiers) et coordination de l’audit et des inventaires Trésorerie Vérification, validation et paiement fournisseurs Tenue des comptes bancaires et des caisses Prévision de trésorerie Versement des chèques et remise à l’encaissement des traites Assistance et préparation des dossiers de la mise en place des prêts/ligne bancaire Fiscalité Déclarations fiscalesCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Superviseur comptable".

A vendre A VENDRE: KIA PRIDE SLX VGT,AN O6,BVA,CRDI VGT, BONNE OCCASION DE COREE
06/05/2021

A VENDRE : KIA PRIDE SLX  VGT, WHITE CLASSIC, année  2006  , faible kilométrage, TRÈS BONNE OCCASION DE COREE , immatriculation étrangère, moteur 1.5L CRDI VGT ,boite de vitesses AUTOMATIQUE , 5 places,5 repose-têtes, TOUTES OPTIONS :*Direction assistée*Freinage ABS*Intérieur d’origine avec house en cuir beige et confortable*AIRBAGS*4 Vitres électriques*Sièges chauffantes*Verrouillage centralisé avec commande à distance*Climatiseur (bien frais)*Auto radio de marque SONY*4 Jantes en alliage par 15*Fermeture automatique des portes*Téléphone intégré*Détecteur de recul*Feux antibrouillard*Kits chromes… VOITURE CONFORTABLE, TRES PUISSANTE, SILENCIEUSE, TRES ECONOMIQUE (5l /100 en ville)VOITURE TRES AGREABLE A CONDUIRE  PRIX : 19M8Ar (99.000.000 fmg)  légèrement  négociable CONTACT DIRECT: 0338741679 / 0346464584(Aleo mba tonga dia miantso, fa tsy mi- connecte matetika,  MERCI !)Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre A VENDRE: KIA PRIDE SLX VGT,AN O6,BVA,CRDI VGT, BONNE OCCASION DE COREE".

Emploi et services Travail en ligne tsy mila mandoa vola fa tonga dia miasa . en $
05/05/2021

 Asa en ligne tena matotra tokoa ity asa ity . Efa betsaka ihany no asa nandramana fa tena anisan'ny asa tena tsara sady azo atao hoe betsaka ny vola azo arakarakin'ny asa vitanao , ity ny lieu ;  https://paidera.com/?r=1967202        Mazotoa daholo ary e!Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Travail en ligne tsy mila mandoa vola fa tonga dia miasa . en $".

A vendre Nouveau ondulaire a vendre
30/04/2021

Ondulaire marque UPS TECHNOLOGIE 850 VA inlineAutonomy up to 14minPlage de tension 140V à 300V entrée2 prises europeenAdresse: Ankadilalana Rue RABOZAKA près du l'égliseTél: 034 11 776 46Obtenir votre devis sur email: mandimby.mg@gmail.comLivraison à domicileNe manquez pas nos offres du moment  Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Nouveau ondulaire a vendre".

Emploi et services Recrutement développeur Windev mobile expérimenté (CDI)
29/04/2021

JM-CONTACTS, société leader dans le domaine de l’externalisation informatique recrute  01  développeur WINDEV MOBILE  expérimentéPoste basé à Ambohibao.VOTRE MISISON :-          Participer à l'analyse détaillée des besoins fonctionnels et techniques.-          Conception, développement, et intégration de  la solution tout en respectant les normes & méthodes existantes.-          Implémenter  la solution avec les technologies retenues.-          Réaliser la documentation associée-          Réaliser les tests unitaires.-          Participer à la maintenance corrective et évolutive du parc applicatif-          Assurer le support aux utilisateurs PROFIL :-          Ayant suivi des formations supérieures en Informatique, vous avez bénéficiez d'une expérience similaire en développement Windev Mobile/ Windev  d'au minimum 2 ans.-           Passionné par le développement informatique, vous êtes rigoureux.-           Vous savez écouter et proposer vos idées à l'ensemble du groupe.-           Dynamique, impliqué, et autonome, vous appréciez le challenge et le travail d'équipe.-           Parlant couramment le Français-           Disponible de suite.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services Recrutement développeur Windev mobile expérimenté (CDI)".

Emploi et services PLOMBERIE SANITAIRE / SECURITE INCENDIE / CLIMATISATION-VMC / ELECTRICITE
30/04/2021

Offre de services d’Etudes, Contrôles, Installations et Maintenances en :§  Plomberie Sanitaire ;§  Froid Ménager et Commercial ;§  Climatisation et Ventilation Mécanique Contrôlée ;§  Adduction et Surpression d’eau ;§  Réseaux d’Air Comprimé ;§  Moyens de Lutte Contre Incendie ; §  Electricité : Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie Références :Ces clients me connaissent en tant que Rija Frank RANDRIANARIVONY-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD (032 03 111 09)-Mme KIM (032 11 010 01)-Mme CLAUDINE (034 95 497 88)-Mme HANITRA (034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : c-pvc@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PLOMBERIE SANITAIRE / SECURITE INCENDIE / CLIMATISATION-VMC / ELECTRICITE".

A louer Megane 2 RS pour course en ville de TANANARIVE
04/05/2021

Pour vos course en ville et ses alentours utiliser notre vehicule Renault Mégane 2 RS, véhicule de luxe est très confortable à zêro panne.Profitez de nos tarifs disponible à partir de 30.000 ARIARY est varible suivant votre demande, carburant déja inclus et le parking à la charge de la clientèle.L'offre est disponible en jour ou nocturne de 24h/7j non-stop.Service très fiable et serieuxRéservations 24h avant le service et offres uniquement pour 3 passagers maximumContact: 034.71.010.43Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Megane 2 RS pour course en ville de TANANARIVE".

A louer Location de voiture à petit prix à TANANARIVE
05/05/2021

Nous vous offrons notre Renault Mégane 2 RS, luxe et très confortable pour votre partenaire de vos courses en ville de TANANARIVE et ses alentours à petit prix à partir de 30.000 ARIARY, carburant déjà inclus et parking à la charge de la clientèle.Tarif variable suivant votre demande et vos besoins.Services disponible de jour et nocturne de 24h/24 et 7j/7 non-stop.Horaire souple et flexible suivant votre besoinOffre sous réservation 24h avant et uniquement pour les clients 3 passagers maximum.N'hésitez pas à nous contacter via notre numéro mobile 00.261.34.71.010.43.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A louer Location de voiture à petit prix à TANANARIVE".

A vendre Mazda berline 323, moteur DIESEL
04/05/2021

Afin d'améliorer notre projet actuel, nous vendons une voiture légère. Les informations impétrantes concernant cette voiture sont résumées ci-dessous :Mazda berline 323, très bon état.Moteur DIESEL d'origine.Capitonnage et peinture d'origine.Consommation: 5 l au 100.Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Mazda berline 323, moteur DIESEL".

Emploi et services PLOMBERIE SANITAIRE / SECURITE INCENDIE / CLIMATISATION-VMC / ELECTRICITE
05/05/2021

Offre de services d’Etudes, Contrôles, Installations et Maintenances en :§  Plomberie Sanitaire ;§  Froid Ménager et Commercial ;§  Climatisation et Ventilation Mécanique Contrôlée ;§  Adduction et Surpression d’eau ;§  Réseaux d’Air Comprimé ;§  Moyens de Lutte Contre Incendie ; §  Electricité : Courant Fort ; Courant faible ; Système de Sécurité Incendie Références :Ces clients me connaissent en tant que Rija Frank RANDRIANARIVONY-Cabinet d’études ECIM (034 03 056 63)-SOPEMAD (032 03 111 09)-Mme KIM (032 11 010 01)-Mme CLAUDINE (034 95 497 88)-Mme HANITRA (034 01 298 09)  Tél : 033 08 909 22E-mail : c-pvc@gmail.comCliquez sur le lien pour en connaître plus sur "Emploi et services PLOMBERIE SANITAIRE / SECURITE INCENDIE / CLIMATISATION-VMC / ELECTRICITE".

A vendre Arrivage Kymco bon occasion
05/05/2021

ARRIVAGE KYMCO BON OCCASION  (Ny tsara & lohany hatrany)(Misoratra @ izay aka azy ny papier) -KYMCO GP 125 CARBU /FUEL INJEC  -KYMCO JR 100 CARB & FUEL INJEC -KYMCO J POP 100 &KYMMCO MEGAFI 125 -Moto efa velona daholo, Faible KM  -Equipement ok! Livrée avec Battérie vaovao! -Visible à Tanjombato  Contact : 033 75 629 15 ou 034 75 629 15Cliquez sur le lien pour en connaître plus sur "A vendre Arrivage Kymco bon occasion".

Notsongaina

“Raharaha fakana an-keriny” – Anjozorobe: zazalahikely 13 taona ny iray amin’ireo 14 voasambotra
06/05/2021

Mahavariana ! Ankoatra ireo vehivavy roa, zazalahikely vao 13 taona monja ny iray amin’ireo 14 voasambotry ny zandary, mikasika ilay “Raharaha fakana an-keriny” nahoraka tao anatin’ny andro vitsivitsy, tany Anjozorobe.Mahavita mandrahona ny  mponina ao Anjozorobe sy ny manodidina azy tokoa io zazalahikely vao 13 taona monja sarona niaraka amin’ny namany miisa 13 tao amin’ny fokontany Ambohimiarina, kaominina Betatao, distrikan’ Anjozorobe, afakomaly, io, raha ny nambaran’ny zandary. Taorian’ny fanarahan-dia ireo dahalo mpaka an-keriny tao an-toerana ireo, tra-tehaka ihany izy 14 mianadahy efa ikoizana amin’ny asa ratsiny ireto. « Mpamatsy dahalo, mpampiantrano ary mpandray anjara fototra tamin’ilay fakana an-keriny avokoa ireo olona voasambotra ireo ary ananana porofo mazava izany », hoy ny Kly Randrianarivelo Anissé, lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga. Tambajotran’i Del Kely, anisan’ny dahalo mpambotry ny mponina any amin’iny faritra avaratra iny, ireo tra-tehaka ireo. Na izany aza, tsy nikely soroka ireo mpitandro filaminana fa nikiry hatrany nanao izay hisamborana ireto andian-dahalo ireto niaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny miaramila Das. Marihina fa ankoatra ireo voasambotra ireo, dahalo roa hafa efa lavon’ny zandary tany an-toerana. Takalonaina iray amin’izao fotoana izao ny mbola ezahina havotsotra  eny am-pelatanan’ny olon-dratsy raha toa ka efa avotra soa aman-tsara ireo efatra namany. Manentana ny mponina any an-toerana kosa ny zandary hisian’ny fiaraha-miasa hatrany ahafahana mamongotra ireo mpanao ratsy mbola miriaria. Tsiferana RandriatianaL’article “Raharaha fakana an-keriny” – Anjozorobe: zazalahikely 13 taona ny iray amin’ireo 14 voasambotra a été récupéré chez Newsmada.

Lutte contre la Covid-19 : 2000 concentrateurs d’oxygène arrivés hier
29/04/2021

Le président Andry Rajoelina a réceptionné les 2000 concentrateurs d’oxygène arrivés hier. Le président de la République Andry Rajoelina a fait le déplacement à Ivato pour assister à la cérémonie de réception officielle de ce nouveau matériel sanitaire. « Dorénavant, aucun compatriote ne devrait plus perdre la vie à cause du manque d’équipements sanitaires comme l’oxygène ». C’est ce qu’a déclaré, hier, le président Andry Rajoelina. En effet, le chef de l’Etat et le ministre de la Santé publique, le Professeur Rakotovao Hanitrala Jean Louis ont fait le déplacement à l’aéroport d’Ivato pour assister à la cérémonie de réception officielle de 2000 concentrateurs d’oxygène que l’Etat malgache a commandés en Chine.  Ces nouveaux équipements viennent donc s’additionner aux 2400 concentrateurs d’oxygène que Madagascar a obtenus l’année dernière, lors de la première vague de la pandémie. Tout de suite après l’atterrissage du vol de la compagnie Air Madagascar, transportant ces nouveaux équipements, le chef de l’Etat a donné la consigne au ministre de la Santé publique, ainsi qu’à tous les responsables concernés, d’acheminer ces concentrateurs d’oxygène vers les régions les plus touchées par la pandémie de la Covid-19, en l’occurrence Vakinankaratra, Haute Matsiatra et SAVA. A entendre les explications du chef de l’Etat, 2000 bouteilles d’oxygène vont aussi être réceptionnées à l’aéroport d’Ivato ce weekend. En effet, cet avion d’Air Madagascar mettra le cap, ce jour, vers la Chine pour récupérer ces matériels sanitaires nécessaires dans le cadre de la lutte contre la Covid-19. Le président Andry Rajoelina a souligné que la disponibilité des concentrateurs d’oxygène dans les hôpitaux et les centres de traitement a contribué à sauver de nombreuses vies. L’Etat malgache en a donc fait une priorité. Solidarité gouvernementale. Répondant à la question d’un confrère journaliste concernant la solidarité gouvernementale en cette période de pandémie, le président Andry Rajoelina a fait savoir que tous les ministres ont un rôle à jouer dans le cadre de la lutte contre la Covid-19. « Tous les membres du gouvernement ont une région à coacher. Nous attendons de voir qui a fait son travail et qui ne l’a pas fait », a-t-il déclaré. En effet, actuellement, certains observateurs estiment que, durant cette deuxième vague, certains ministres sont complètement tombés dans la transparence, et sont moins présents sur le terrain. A travers cette réponse du chef de l’Etat, les autres membres de l’exécutif dirigent donc le combat contre la Covid-19 dans leur région respective. Quoiqu’il en soit, Andry Rajoelina a expliqué, hier, que le gouvernement reste uni pour faire face à la pandémie. Davis R L’article Lutte contre la Covid-19 : 2000 concentrateurs d’oxygène arrivés hier est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Lutte contre la Covid-19 : 2000 concentrateurs d’oxygène arrivés hier a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Olan’ny Barea de Madagascar: potehin-dRabekoto Raoul sy ny ekipany ny baolina kitra malagasy
03/05/2021

Malahelo ny mpitia baolina kitra malagasy manoloana ny zava-misy iainan’ny Barea de Madagascar, amin’izao fotoana izao. Taranja efa nisandratra, saingy iniana potehina sy averin-dalana, noho ny tsy fahaiza-mitantana.Miantso vonjy ny baolina kitra malagasy amin’izao fotoana izao. Fitiavan-tena, fitiavam-boninahitra ary tsy fanomezana lanja ny vahoaka malagasy an-tapitrisa tia baolina kitra malagasy no ataon-dRabekoto Raoul Romain, filohan’ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny forongony, ankehitriny.Manao fanahy iniana tsotra izao izy ireo manapotika sy manimba ity taranja ity na efa hita sy tsapa fa mandroso. Iray volana mialoha ny hiatrehana ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”, sahin’ity filohan’ny FMF, izay tsy eto an-toerana fa mitsoaka any am-pitan-dranomasina ny manala tsy am-piheverana ny mpanazatra, i Nicolas Dupuis.Tsy nohajainy ny lalàna mifehy ny satan’ny federasiona fa ny tapaky ny antsasa-manilan’ny komity mpanatanteraka no arahina. Raha tsiahivina, tsy nanaiky fa nitazona an’i Nicolas Dupuis, ny 7 tamin’ireo 10 mpikambana. Nodinganiny fotsiny amin’izao anefa izany ka nandraisany fanapahan-kevitra nampiato ity mpanazatra efa eo am-panomanana ny Barea, ity. Ankoatra izany, tsy nisy ny fakan-kevitra nataony tamin’ireo mpikambana maro anisa na tamin’ireo filohan’ny ligim-paritra, nampandany azy fa fanapahan-kevitra samirery. Notendreny hisolo an’i Nicolas Dupuis, Rabesandratana Eric, mpilalao sady kapitenin’ny Paris St Germain, teo aloha. Tsy hanakorontana ny BareaManoloana izany, nanaiky ny hiala am-panetren-tena i Nicolas Dupuis, saingy nomarihiny fa fanapahan-kevitra olon-tokana no nataon-dRaoul, ary tsy ireo komity mpitantana miisa 7 no nanala azy fa ny filohan’ny federasiona.Toe-javatra mahazendana ny fihetsika ataon’ny filohan’ny federasiona, any amin’ny 11.000 km, mandefa filazana fampiantoana mpanazatra, araka ny filazany hatrany.“Tsy hanisy olana ho an’ny fanomanantenan’ny Barea ny tenako fa mirary soa ireo mpilalao”, hoy i Dupuis.Etsy an-daniny, notsiahiviny fa indroa ihany ny tenany no hany mba nahita ny filohan’ny federasiona ary ny tena mahavariana ny filazany fa tsy mahafantatra azy akory ny filohan’ny FMF.Fantatra araka ny vaovao fa hanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, amin’ity herinandro ity, ny filoha lefitra faharoa eo anivon’ny federasiona malagasy, Andriamanampisoa Alfred, hilaza ny ho tohin’ity raharaha Nicolas Dupuis, ity sy ny ho fanomanan-tenan’ny Barea.TompondakaHoy izy ireoMpanazatra Raux AugusteTampoka laotra ny fanesorana ny mpanazatra Nicolas Dupuis, « mety misy ny tsy fahombiazana amin’ny maha mpanazatra ary ny tenako efa sendra izany matetika, saingy  mila fanitsiana izany », hoy ny mpanazatra Raux Auguste. « Azo natao tsara ny nanome fotoana hanarenan’i Dupuis ny lesoka tamin’ny tsy fahafahantsika hiatrika ny CAN», hoy izy. Tsy natao ho olana anefa izany fa izay no fanapahan-kevitry ny FMF ka heverina fa hahasoa ny ekipantsika, raha ny nambarany. Andrasana noho izany, hoy izy, ny paikady entin’ny mpanazatra vaovao, i Eric Rebesandratana, amin’ny lalao roa hatrehin’ny Barea hiakarantsika amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany .Lalaina Nomenjanahary « Mendrika ny omena « 2ème chance » ny mpanazatra Nicolas Dupuis », hoy i  Lalaina Nomenjanahary na i Bôlida iza efa valo taona nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Izy irery ihany no mpanazatra vazaha nahasahy nandray ny Barea raha jerena amin’ny lentan’ny baolina kitra teo aloha ka nanova izany amin’izao fotoana, raha  ny nambarany. Na izany aza, nilaza i Bôlida fa samy lehibe ka samy tomponandraikitra amin’ny zavatra ataony. Tsy nametraka ho olana eo amin’ny fanovana ny mpanazatra izy fa vonona hatrany hitondra avo ny kitra malagasy miaraka amin’izay mpanazatra eo raha toa ka voantso.Ravelomanarivo Ferdinand, mpankafy kitra« Ny vokatra ihany no andrasan’ny mpanakafy kitra malagasy », hoy Ravelomanarivo Ferdinand. Tsy tokony noesorina kosa anefa ny mpanazatra Dupuis fa nomena mpanazatra mpanampy fotsiny ihany hanamafy ny paikady entiny hitondrana ny ekipantsika. « Tsy ho voafafa amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy  raha ny zava-bitan’ny mpanazatra Dupuis », hoy hatrany izy.  « Vao indray no tsy nahomby ny tenany ary mety hiteraka fikorontanana eo amin’ny fiatrehana ny lalao fifanintsanana hiatrehana ny tompondaka eran-tany izay ataontsika afaka iray volana izany », hoy Ferdinand. L’article Olan’ny Barea de Madagascar: potehin-dRabekoto Raoul sy ny ekipany ny baolina kitra malagasy a été récupéré chez Newsmada.

Beach soccer- CAN 2021 : Les Barea restent à quai !
29/04/2021

Faute de moyens, les Barea beach soccer n’ont pas pu rallier, hier, les Seychelles pour les éliminatoires de la Coupe d’Afrique des Nations. Un match prévu se tenir samedi prochain. A moins d’un miracle donc, ce sera le forfait pour l’équipe nationale malgache pourtant championne d’Afrique de beach soccer en 2015 avec à la clé une participation au Mondial de Portugal la même année. Ce qui est dommage pour cette équipe qui a encore du répondant dans cette discipline même si la préparation n’a pas pu se dérouler comme convenu. Madagascar a même des cadres solides à même de battre les Seychellois et d’aller plus loin au championnat d’Afrique de mi-juin au Sénégal. On citera en premier le jeune Del qui avait été repéré au Portugal par les sergents recruteurs mais à qui on avait dit d’attendre pour ensuite sombrer dans l’oubli. Une nouvelle qualification à cette Coupe d’Afrique des Nations de beach soccer lui aurait certainement permis de montrer toute l’étendue de son talent et d’intégrer un grand club en Europe. Outre Del, on citera aussi le grand défenseur Ymelda mais aussi le gardien Jhorealy sans oublier le grand Tuléarois Richard ainsi que le retour sur le devant de la scène de Tina Tsiliva.. Bref, on avait une formation assez solide mais qui doit se résigner à rester à la maison. La faute à cette commission de beach soccer présidée par Alex Lay Mein qui n’a jamais su prendre les choses par le bon bout.  La situation est d’autant plus critique avec ce refus de la FIFA de financer ce déplacement à Mahé puis plus tard en cas de qualification au Sénégal. Une issue malheureuse mais sans nul doute  liée à cette guerre intestine au sein même de la Fédération Malgache de Football. Comme tout se sait, la FIFA, ne serait-ce que par le truchement de son émissaire Verone Mosengo, a tout tenté pour recoller les morceaux mais en vain. Et comme l’actuel président de la commission de beach soccer , Alex Lay Mein, se trouve dans l’aile dissidente et que Mosengo a pris une nouvelle dimension en devenant le Secrétaire Général de la CAF, il n’y avait plus personne pour défendre le dossier malgache. La demande d’aide adressée à la FIFA par Alfred Randriamanampisoa et ses hommes, a reçu une fin de non recevoir. Un premier revers en fait pour cette sacrée équipe. A quelque chose, malheur est bon, ce premier couac devait suffire pour faire comprendre à tout le monde que rien ne vaut l’unité pour espérer diriger une fédération. Clément RABARY L’article Beach soccer- CAN 2021 : Les Barea restent à quai ! est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Beach soccer- CAN 2021 : Les Barea restent à quai ! a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Famerenana ny fitiavana vaky boky: « Tokony hovidin’ny fanjakana ny boky… », hoy i Nandrasana
29/04/2021

Vao andro vitsy izay no nivalona ny fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny boky sy ny zon’ny mpamorona. Taona 1970, nivoaka tamina gazety boky iraisam-pirenena maro fa i Madagasikara no firenena voalohany amin’ny famakiam-boky aty Afrika. Niainga tamin’ny isan’ny boky lafo tany amin’ny mpivaro-boky ny fanadihadiana. Ankehitriny, tsy izay intsony ! Inona no hatao mba hamerenana io fitiavan’ny Malagasy vaky boky io ? Mamaly izany ny filohan’ny Federasionin’ny mpikanto teny sy soratra (Fmts), Rabenandrasana Lalao François. « Tokony hataon’ny fanjakana izay hividianana ny boky voasoratry ny mpamanoratra malagasy. Mamorona toeram-pamakiam-boky eny amin’ny zaridaina na toerana malalaka. Hametrahana tomponandraikitra hitantana izany. Eny ny olona no mamaky maimaimaim-poana », hoy izy.Nanteriny ihany koa fa : « Toeram-pamakiam-boky tena manatona vahoaka no ilaina isaky ny fokontany ka ahitana ireo boky rehetra izany. Na eo aza ireo, ilaina ny fanesorana ny tataon-ketra amin’ny akora fanaovam-boky mba hampihena ny vidiny ho takatry ny olona ».Tafiditra ao anatin’ny soso-kevitra nomen-dRabenandrasana Lalao François ihany koa fa : « …Terena ny zaza malagasy tsy maintsy mahavaky boky iray isan-kerinandro. Ho an’ny any an-tsekoly indray, isaky ny fakana rivotra, asiana ny 15 minitra famakiam-boky ka ny fanjakana no mamatsy maimaim-poana izany isan-tsekoly ».HaRy RazafindrakotoL’article Famerenana ny fitiavana vaky boky: « Tokony hovidin’ny fanjakana ny boky… », hoy i Nandrasana a été récupéré chez Newsmada.

Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2022»: nahazo fankatoavana tamin’ny Caf ny kianjaben’i Mahamasina
05/05/2021

Afa-tsento ny mpitia baolina kitra malagasy fa nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) ny fankatoavana ny kianja Barea eo Mahamasina ka azo andraisana ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2022”.Namoaka ny lisitr’ireo kianja nahazo fankatoavana ny eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf). Firenena 56 ny nomena izany ka anisan’ireo ny kianja Barea eo Mahamasina sy ny Stadium Barikadimy any Toamasina. Afaka andraisana ireo lalao fifanintsanana ho an’ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2022” izany ireo kianja roa ireo. Anjaran’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) kosa ny misafidy izay tiany hanatontosana ny fihaonana.Efa nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina, fa eo Mahamasina izay vao nasiam-panamboarana ny hanatontosana ny lalao mandroso hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy i Benin, ny fiandohan’ny volana jona ho avy izao. Tsy mbola fantatra kosa na ho ao ihany na any Toamasina ny handraisana an’i Tanzania, ny tapaky ny volana jona ihany. Tsiahivina fa mbola miandry izay daty omen’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) ny Malagasy amin’ireo lalao ireo.Marihina fa eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 8 jona ny fotoana hikatrohana amin-dry zareo Beninoa ary ny 12 ka hatramin’ny 14 jona kosa ny amin’i Tanzania.Tsiahivina fa efa eo am-pamaranana ny eo amin’ny “tribune centrale” sy ny fametrahana ny bozaka amin’izao fotoana izao ireo teknisianina ao amin’ny orinasa China State Construction Overseas Development (CSCOD). Hahazaka mpijery hatrany amin’ny 40 880 ny kianja Barea Mahamasina ka ny 15 536, eo amin’ny “tribune centrale”. Ankoatra izay, nampiana 9 704 ny seza eny amin’ny “gradin”.Araka ny fantatra, ho vita amin’ny faran’ny volana mey ho avy izao ny kianja Barea ary ny fiandohan’ny volana jona ny fandraisana ara-teknika io fotodrafitrasa io. TompondakaL’article Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2022»: nahazo fankatoavana tamin’ny Caf ny kianjaben’i Mahamasina a été récupéré chez Newsmada.

Famonoana dokotera tao Amboangibe: olona enina naiditra am-ponja, vehivavy iray karohina
06/05/2021

Voasambotry ny Zandarimaria avy ao Antalaha ny olona miisa valo voarohirohy amin’ny heloka bevava nahafaty dokotera iray tao Amboangibe-Sambava, ny 21 avrily lasa teo.Niakatra fitsarana tao Antalaha, ny talata teo, ny fito mianadahy ahina ho nahavanon-doza. Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika tamin’izany ny olona miisa enina raha nahazo fahafahana vonjimaika ny iray hafa. « Tsara homarihina fa misy ramatoa iray antsoina hoe Rasoa Lette, anisan’ny voarohirohy sy efa voasambotra ary efa voatazona tao amin’ny tobin’ny Zandarimariam-pirenena Antalaha, saingy tafaporitsaka ka efa anaovana savahao ankehitriny », hoy ny Zandarimariam-pirenena, loharanom-baovao. “Misy ny famotorana manokana mikasika izany ary tsy maintsy handraisana fepetra raha nisy fahadisoana teo amin’ny fiambenana”, hoy hatrany ny Zandarimaria.Tsiahivina fa ny 21 avrily teo, nisy namono ilay dokotera tao Amboangibe, distrika Sambava. Taorian’ny fanadihadiana, voasambotra ireo nahavanon-doza. Nisy ihany koa ny savorovoro tao an-toerana tamin’ny fitazonana ireo voarohirohy. Anton’izany ny fangatahan’ny mponina ao Amboangibe hanaovana fitsaram-bahoaka azy ireo ny 24 avrily teo. Taorian’izay, niravona ny raharaha rehefa nandray andraikitra ny solontenan-panjakana. Henintsoa HaniL’article Famonoana dokotera tao Amboangibe: olona enina naiditra am-ponja, vehivavy iray karohina a été récupéré chez Newsmada.

Andry Rajoelina :  » Aucun passager ne peut plus entrer à Madagascar « 
03/05/2021

Madagascar n’est pas sorti de l’auberge mais si l’on se réfère aux statistiques, on est en passe de vaincre la pandémie. C’est le message que le président Andry Rajoelina a envoyé hier soir par rapport à la lutte contre la COVID-19. Un peu moins de trois heures. C’était la durée de l’émission spéciale organisée hier au Palais d’Etat d’Iavoloha. Pour la première fois depuis le début de la pandémie, le Chef de l’Etat a choisi une formule où il était face à des journalistes réputés être d’obédience contre le régime, et parmi les invités figuraient le ministre de la Santé publique, le Professeur Rakotovao Hanitrala Jean Louis, le ministre des Transports Joël Randriamandranto, la ministre du Commerce Lantosoa Rakotomalala et la ministre de la Communication Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Une émission que l’on peut plutôt qualifier de  » sans complaisance « . Fidèle à sa mode opératoire et à ses principes qui consistent à offrir un show médiatique aux téléspectateurs, notre confrère Gasikara Fenosoa de Real TV n’a pas mâché ses mots pour dénoncer notamment les décisions inappropriées prises par les tenants du pouvoir dans le cadre de la gestion de la pandémie de la COVID-19. Il a même accusé le régime d’être responsable des pertes de vies à cause du retard de l’importation des concentrateurs d’oxygène et des bouteilles d’oxygène. Mais aux yeux des observateurs, Andry Rajoelina a réussi un coup médiatique hier en optant pour cette nouvelle formule. Maîtrisant l’art de la communication, son intervention consistait à avancer une plaidoirie pour défendre les initiatives prises par l’Etat dans la lutte contre la pandémie.  » 50% de mon travail actuellement consiste à la lutte contre la COVID-19 « , a-t-il martelé. Trois nouvelles régions fermées. Pour cette nouvelle quinzaine, l’Etat d’urgence sanitaire est maintenu sur toute étendue du territoire de Madagascar. Et ce, pour une durée de 15 jours. Le rassemblement de plus de 50 personnes reste interdit. Deux régions ont réussi à combattre la COVID-19 et peuvent à partir de ce jour, ouvrir leurs frontières aux autres régions. Il s’agit de la Région Boeny et Nosy Be. En revanche, les régions comme Analamanga qui est encore considérée comme l’épicentre de la pandémie, ainsi qu’Antsinanana et SAVA restent fermées. La fermeture concerne aussi trois nouvelles régions à partir du mercredi 5 mai prochain, à savoir Vakinankaratra, Haute Matsiatra et Anosy qui accusent des cas de contamination très élevés de coronavirus. Cette semaine, le Chef de l’Etat va se rendre au niveau de ces régions pour assister à l’implantation de nouveaux centres de traitement (CTC-19), mais aussi pour remettre des matériels et équipements sanitaires à la population locale. Selon l’annonce du président Andry Rajoelina, le confinement total pendant le weekend est maintenu en ce qui concerne la Région Analamanga. Le couvre feu se poursuit aussi de 21h à 4h du matin sur toute l’étendue du territoire. Vols domestiques suspendus. Désormais, la fermeture de l’espace aérien de Madagascar sera effective.  » Aucun passager ne pourra plus entrer au pays « , a déclaré hier le président Andry Rajoelina. Selon ses dires, aucune demande ne sera plus considérée ni tolérée pour éviter l’entrée de nouveaux cas importés. En outre, afin de limiter le taux de contamination du virus vers les autres régions, les vols domestiques assurés par la Compagnie Tsaradia seront suspendus à partir du mercredi 5 mai prochain. Pour ce qui est des transports terrestres, les transports vers les régions fermées, à savoir Analamanga, Antsinanana, SAVA, Vakinankaratra, Haute Matsiatra et Anosy, restent suspendus. De leur côté, les transports des marchandises sont autorisés à poursuivre leurs activités. De même pour les vols cargo. Hier, le numéro Un d’Iavoloha a annoncé une mesure prenant en considération les cas sociaux en cette période de pandémie.  » Aucune démolition de maison ni expulsion ne peut se faire « , a-t-il déclaré. Enseignement. Pour ce qui est du domaine de l’enseignement et de l’éducation, après une longue période de vacances, les élèves des classes d’examens, même ceux au niveau des régions frappées de fermeture, reprennent les chemins de l’école. En revanche, les cours restent suspendus pour les universités et les autres classes. Au niveau des régions non concernées par les décisions de fermeture, l’enseignement reprend son  » cours » normal. Conformément aux mesures prises lors de la précédente quinzaine, les bars, karaokés et boîtes de nuits sont fermés tandis que les restaurants sont autorisés à servir mais ne peuvent utiliser que la moitié de leur capacité d’accueil. Pour le moment, les églises et les mosquées restent fermées mais sont autorisées à organiser des cultes et des émissions au niveau des médias publics. Les marchés au niveau des Fokontany quant à eux sont ouverts de 6h à 17h. Le transport des cadavres vers d’autres régions reste interdit et l’enterrement des personnes ayant succombé à la COVID-19 se fait le jour même du décès et seules 10 personnes peuvent assister à l’enterrement. Comme ce fut le cas lors de la première vague de la pandémie, les personnes vulnérables sont autorisées à ne pas se rendre au travail. De leur côté, les entreprises dont le nombre des employés est supérieur à 500 sont appelées à limiter la présence au bureau à la moitié du personnel. Solidarité. A entendre les propos du président Andry Rajoelina, l’Etat va poursuivre la multiplication des centres de prise en charge des malades de la COVID-19. Aussi, ce jour aura-t-il lieu l’ouverture du CTC d’Andoharanofotsy et de l’hôtel hôpital au Panorama Andrainarivo. Le chef de l’Etat a réitéré que la solidarité de tout un chacun est important pour vaincre cette pandémie. Il n’a pas non plus manqué de remercier les médecins et tous les agents de santé, ainsi que les Forces de l’ordre qui sont au front pour faire face au coronavirus. Davis R L’article Andry Rajoelina :  » Aucun passager ne peut plus entrer à Madagascar «  est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Andry Rajoelina :  » Aucun passager ne peut plus entrer à Madagascar «  a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Ny fanjakana ihany no afaka manafatra…: ho tonga amin’ny fiandohan’ny volana mey ny vaksiny
29/04/2021

Tsy ho ela intsony! Ho avy amin’io volana mitsidika io ny ampahany voalohany amin’ny vaksiny fanefitry ny covid-19. Ny fanjakana ihany anefa no miandraikitra ny fanafarana sy ny fitsinjarana izany….Miroso anatin’ny fandaharanasa « Initiative Covax » i Madagasikara. Ho avy tsy ho ela amin’io fiandohan’ny volana mey io ny vaksiny azontsika avy amin’izany, araka ny tapaka sy nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny minisitra, izay natao omaly 28 avrily. Voafaritra mazava ao anatin’ny tatitra fa ireo siantifika malagasy miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana no handrindra ny fanatanterahana izany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ny fanjakana irery ihany anefa no afaka manafatra vaksiny, saingy azo tanterahina kosa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Raràna, araka izany, ny fivarotana vaksiny ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina. Ireo mpandraharaha sy vondrona mpandraharaha te hanao vaksiny ireo mpiasa ao aminy dia tsy maintsy manaraka ny rindran-damina iarahana amin’ny fanjakana. Ireo masoivoho vahiny te hanao vaksiny ho an’ireo mpiasa ao aminy kosa dia omena fahazoan-dalana ary miantoka tanteraka ny fanarahana ny fahasalaman’ireo olona hisitraka ny vaksiny. Mazava loatra fa hisy ny rindran-damina amin’izay hisitraka voalohany ny vaksiny ho avy. Mbola hanamafy izany ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana aorian’izay. Nahiboka ireo mpandeha tonga farany Nandraisana fepetra manokana ireo mpandeha rehetra tamin’ilay sidina AF 934 avy any Frantsa            , nahabe resaka farany teo. Tsy maintsy manao fihibohana 14 andro, nanomboka tamin’iny fotoana nahatongavany iny izy ireo, ao amin’ny toerana izay neken’ny fitondram-panjakana hijanonany. Arahina akaiky ny fahasalaman’ireto mpandeha farany ireto ary tsy maintsy manao fitiliana indray amin’ny faran’ny fihibohana vao mahazo mamonjy ny tokantrano. Mbola nanamafy hatrany ny Filankevitry ny minisitra fa tsy misy mpandeha avy any ivelany intsony miditra eto amintsika, aorian’ireo.Zo ny AinaL’article Ny fanjakana ihany no afaka manafatra…: ho tonga amin’ny fiandohan’ny volana mey ny vaksiny a été récupéré chez Newsmada.

Opération « Pick pocket » Isotry: mitohy ny hetsika ataon’ny polisy, jiolahy roa tratra
29/04/2021

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, afakomaly, teny Manarintsoa Isotry ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanendehana sy harom-paosy. Nanamafy ny polisy fa manohy sy manamafy hatrany ny hetsika fanaony ny polisy miasa ao amin’ny CSP4 amin’ny fanaraha-maso ireo fari-piadidiany amin’ny famongorana ireo mpanao asa ratsy amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny. Mifanome Tanana, araka izany, ny polisy miasa ao amin’ny CSP4 sy ny polisy miasa ao amin’ny commissariat central Tsaralalana amin’ny fisafoana ireo faritra mena eny an-toerana. Nahitam-bokany izany tamin’ny alalan’ny fahatrarana ireto jiolahy ireto, izay anisan’ny mampikolay ny olona eny Isotry sy ny manodidina iny. Nambaran’ny polisy fa teo akaikin’ny perception principal Isotry no nahatrarana ireto jiolahy ireto teo am-panaovana ny asa ratsiny. Efa mpamerin-keloka ry zalahy ireto, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ireo. Tsy vao izao fa isan’ny faritra mampikaikaika ny maro iny Isotry amin’ny afitsoky ny jiolahy na eo aza ny ezaka ataon’ny polisy.J.CL’article Opération « Pick pocket » Isotry: mitohy ny hetsika ataon’ny polisy, jiolahy roa tratra a été récupéré chez Newsmada.

Rasamy Coco: angatahina ny hivarotana ny andramena eto an-toerana
05/05/2021

Naneho hevitra Rasamy Coco, mpandraraharaha madinika iray any Antalaha, faritra Sava, mikasika ny tahiry andramena eto amintsika. Aminy, mandalo fotoan-tsarotra isika amin’izao tranga covid-19 izao. Sahirana vola ny Malagasy nefa tsy maintsy misakafo ara-pahasalamana mampitombo ny hery fiarovana. Tsy misy ny vola hividianana fanafody sy ny oksizena. “Koa, mangataka amin’ny fanjakana sy ny filoham-pirenena aho hamelana hivarotana ireo tahiry andramena”, hoy izy. Nambarany fa tsy azo atao inona intsony ireo hazo efa tapaka ireo fa ho lasan’ny rano fotsiny.Nomarihiny fa nisy ny fivoriana niarahana amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny senatera maromaro, ny 2 avrily teo tany Antalaha. “Hiditra amin’ny ririnina isika, izay mahery vaika tokoa ny Covid-19, koa aoka tsy hiandry ela ny fanatanterahana izay nodinihina tamin’io fivoriana io”, hoy ihany Rasamy Coco. Nolazainy fa efa sahirana tokoa ireo mpandraharaha amin’izao fotoana izao satria ananan’ny banky volabe.Njaka AL’article Rasamy Coco: angatahina ny hivarotana ny andramena eto an-toerana a été récupéré chez Newsmada.

Fivoriana ara-potoana: samy niantso hampitsaharana ny fihantsiana ireo Antenimiera   
05/05/2021

Nitovy fomba fijery manoloana ny raharaham-pirenena. “Aoka hatsahatra ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra ahafahana miady miaraka amin’ny valanaretina. Ekena fa tsy mitovy ny hevitra nefa ilaina ny firaisam-po. Aoka kosa anefa tena hanao ny asany ny governemanta”, hoy ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Nanokatra ny fivoriana ara-potoana tamin’ny alalan’ny “visioconference”, ampitain-davitra, ny tenany tamin’izany.Sata hifehy ny mpanohitra…Natsidiny sahady fa anisan’ny fandaharam-potoana ny fifanatrehana amin’ny governemanta. Eo koa ny fanitsiana ny tetibola. Anisan’ny lahadinika ny momba ny satan’ny mpanohitra sy ny fananganana ny vaomiera parlemantera hanadihady ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena…Ho an’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, kosa, nambarany fa anisan’ny vahaolana eto amin’ny firenena ny fandalana fihavanana. Tokony hohajaina sy hitandrovina toy ny anakandriamaso izany. Na inona na inona hevitra tsy mitovy, tsy atao ambanin-javatra ny fihavanana. Ny olona mandala fihavanana, manalavitra ny fankahalana, ny valifaty, ny faminganana, ny lolompo, ny fihantsiana, ny fifandranitana… Tsy aleo ve ny fifaliana sy firaisankina no ampanjakaina eto ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao ?Ny resaka Pac, ny lalàna momba ny toaka gasy…Valo kosa ireo volavolan-dalàna hodinihina amin’izao fivoriana ara-potoana izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny fanambohana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny andrimpanjakana tarihiny.Anisan’izany ny momba ny fitsarana misahana ny raharaha kolikoly (Pac), ny momba ny toaka gasy, ny momba ny satan’ny mpanohitra sy ny antoko politika, ny momba ny holafitry ny mpandrefy tany. Eo koa ny volavolan-dalàna momba ny fananan-tany, ny momba ny satan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpampianatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny momba ny fahavitantenan’ny oniveriste sy ny fampianarana ambony ary ny fikarohana siantifika, ary ny momba ny fandaniam-bola 2017. Mbola mety hisy ny volavolan-dalàna hafa ho avy.R.Nd. sy Synèse R.L’article Fivoriana ara-potoana: samy niantso hampitsaharana ny fihantsiana ireo Antenimiera    a été récupéré chez Newsmada.