Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»

News - Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»

News - Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»

Nanomboka tamin’ity herinandro ity,
efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho
an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny
sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina
izy io.

Fomba entina hikarakarana haingana
ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa
hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany.
Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro
ronono, miisa 250.

 Mahatratra hatrany amin’ny
3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana
ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny
fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny
fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany
amin’ny 2.500.

Kendrena ho vita haingana ny
fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana
ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany
betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny
valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.

Tatiana A

Article tiré de Newsmada

L’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

Nivoaka tamin'ny : 24/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - Ao Raha

FAMPIRANTIANA AN-TSARY :: Hitohy amin’ny famelabelarana ny fampahafantarana ny Akamasoa

Fiarahan’ny lahatsoratra sy ny saripika. Niainga avy amin’ilay boky « La cité d’espérance de Père Pedro», ary vao navoakan’ny trano mpanonta boky Rocher vao haingana. Efa nanomboka ny alatsinainy teo ary haharitra hatramin’ ny 22 desambra izao ny fampirantiana saripika hitantarana ny zava-misy iainana eny amin’ny Akamasoa, tanàna natsangan’ i Père Pedro hitsinjovana ireo fianakaviana sahirana. Araka ny fandaminana efa napetraka,dia tokony hisy ny fihaonana amin’ny mpanoratra Pierre Lunel, omaly maraina, hitantarany ny fomba fanorany rehefa mitantara olona toa an-dry Père Pedro. Noho ny antony manokana anefa dia nofoanana izany tamin’ny ora farany. Fandaharam-potoana manaraka kosa ny famelabelarana momba ny « Akamasoa » hiarahana amin’izy telo mianaka, toko telo nahamasa-nahandro, dia i Père Pedro, Pierre Lunel ary i Rijasolo, hotontosaina ny 11 desambra izao ao amin’ny IFM ihany. Rakotra saripika niangalian’i Rijasolo, ary ahitana ny asa soratr’ilay mpanoratra frantsay Pierre Lunel, nanoratra ny « La cité d’espérance de Père Pedro». Hita taratra ao anatin’ireo saripika ireo ny fiainan’ireo mponina ao Akamasoa. Tanàna izay nahitana taratra ny fandraisana amin’ny maha olona, ny fametrahana ny firahalahiana ary ny fifanampiana eo amin’ny samy mpiara-monina. Nandritra ny lanonana fanokafana ny fampirantiana ny alatsinainy teo ihany koa no nampahafantarana io boky io. L’article FAMPIRANTIANA AN-TSARY :: Hitohy amin’ny famelabelarana ny fampahafantarana ny Akamasoa est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Filaharana ankapobeny

Tsy niova fa nijanona teo amin’ ny filaharana faharoa, i Madagasikara, nandritra ny andiany fahafolo, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2019), notanterahina tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Nitotaly, 127 ny medaly norombahin’ny Malagasy, ka volamena ny 49 ary volafotsy ny 47, 31 ny alimo. Ry zareo Maorisianina mpampiantrano kosa no lohalaharana, izay nandrombaka medaly volamena, 92. Nitazona ny rambony, ry zareo Kaomorianina.  1-Maorisy : volamena 92 ; volafotsy 79 ; alimo 532-Madagasikara : volamena 49 ; volafotsy 47 ; alimo 313-La Réunion : volamena 46 ; volafotsy  58 ; alimo 744-Seychelles : volamena 28 ; volafotsy 32 ; alimo 515-Maldives : volamena 4 ; volafotsy 4 ; alimo 76-Mayotte : volamena 3 ; volafotsy 2 ; alimo 107-kaomoro : volamena 1 ; volafotsy 3 ; alimo 11 Mi.RazL’article Filaharana ankapobeny a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Fandraofana ny fako: hanome kamiao 10 ny Samva ny minisitera

Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo ny Sampandraharaha misahana ny fanadiovana an’Antananarivo (Samva). Taorian’ny fihaonan’ny minisitra Andriamanga Vonjy sy ny mpiasa, ny 20 aogositra teo, nampanantena izy fa hahazo kamiao vaovao miisa 10 ho an’ny Samva amin’ny volana septambra ho avy izao, hanamafisana ny fandraofana fako eto an-dRenivohitra. Noresahina koa ny paikady manokana hisorohana ny mety ho firongatry ny valanareti-mifindra, sy ny hiatrehana ny fivahinian’ny papa ray masina eto Madagasikara.Tsiahivina fa efa nahazo kamiao miisa 11 ny Samva, ny taona 2018 teo, ary efa voafaritra tao anatin’ny tetibola 2019 ireto kamiao vaovao fanindroany miisa 10 ireto.Etsy ankilany, andraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny mandraoka ny fako, mitatitra izany hatreny amin’ny toby fanariam-pako, ary taterin’ny Samva eny Andralanitra avy eo.Njaka A.L’article Fandraofana ny fako: hanome kamiao 10 ny Samva ny minisitera a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

« Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio

Anisan’ny andrasan’ny mpanaraka ny “Lalaon’ny Nosy”, amin’ity andiany faha-10, tanterahina aty Maorisy ity, ny vaovao mahakasika ny ekipam-pirenena malagasy, ny Barea, eo amin’ny taranja baolina kitra. Niakatra an-kianja voalohany, ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Geoges V, Flic en Flac, Maorisy, izy ireo. Ny ekipan’ny Seychelles no nifanandrina tamin’i Madagasikara nandritra izany ary isa sahala, 0 no ho 0, ny nisarahan’ny roa tonta. Raha ny tokony ho izy ary araka ny nambaran’ny mpanazatra, tokony ho mora tamintsika ny nandavo an’i Seychelles, saingy tsy ampy ny fahamatorana teny ambony kianja.Raha hiverenana ny lalao, nanam-bintana ny Malagasy ary nahazo penalty, saingy tsy maty. Nandaka ity penalty ity i Xavier, laharana faha-6.Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ekipan’i Maorisy ny Barea, ao amin’ny kianjan’i Georges V hatrany. Ho mafy ny miandry ireto mpilalao malagasy ireto, saingy tsy maintsy mandresy raha te ho tafakatra amin’ny dingana manaraka. Ho raraka avy hatrany kosa izay resy eo satria efa samy nanao ady sahala 1 no ho 1 Maorisy sy 1 Seychelles, tamin’ny andro voalohany. Mi.Raz L’article « Lalaon’ny Nosy » – Kitra: mila mandresy an’i Maorisy ny Barea, anio a été récupéré chez Newsmada.

News - Santé

Covid-19: Situation du 30.07.2020

Hialana tsiny indrindra ny fisian'ny teny frantsay rano iray ato amin'ity lahatsoratra : « Covid-19: Situation du 30.07.2020 » ity fa nisafidy izahay ato amin'ny ewa.mg ny hampiseho azy satria saropady ny aretina Coronavirus ka tokony ho fantatry ny mpiray firenena izay mombamomba azy.344 guérisons et 431nouveaux cas de Covid-19 sont rapportés par le Pr Vololontiana ce 30 juillet 2020. 388 de ces nouveaux cas sont localisés dans la région d’Analamanga, 13 cas dans la région d’Alaotra mangoro, 2 cas dans la région d’Itasy, 6 cas dans la Région Boeny, 1 cas dans la région Sava, 2 cas dans le région Antsinanana, 7 cas dans la region de Haute Matsiatra, 3 cas dans la région d’Amoron’i mania. Selon le rapport du Professeur, 7461 personnes sont totalement guéries du Covid-19 tandis que 3182 patients sont en cours de traitement dont 94 presentent des formes graves. 6 nouveaux décès dus au coronavirus ont été egalement enregistrés dans le bilan epidemiologique du CCO ce jour. Ce qui porte à 105 le nombre de personnes ayant perdu la vie à cause de cette maladie.L’article Covid-19: Situation du 30.07.2020 a été récupéré chez Ministère de la Santé Publique.

News - News Mada

I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana

Feno 47 taona ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagsikara. Ho an’ny amin’ny lafiny fampianarana ambony manokana, efa napetraka manerana ny Nosy ireo ivontoerana « confucius » ahafahana mifanakalo eo amin’ny sosialy sy ny koltoraly. Anisan’ny mpamorona izany toeram-piofanana izany ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Blanche Nirina Richard.Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly teny amin’ny masoivohon’i Sina eny, Nanisana ny horonantsary fanadihadiana mirakitra ny vokatry ny fiaraha-miasa sinoa sy malagasy. Teo koa ny fampirantiana ireo sary maneho ny fivoaran’ny Sinoa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo firenena roa tonta. Maro ny fanampiana ataon’ny Sinoa amin’ny oniversite. Anisan’izany ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy, ny fampitaovana sy ny fanorenana toeram-pianarana. Tsiahivina fa mankalaza ny faha-70 taony amin’ity taona ity ny Repoblika sinoa.Synèse R. L’article I Sina sy i Madagasikara: 47 taona ny fifandraisana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Zazalahy very maso

Nandalo fandidiana teny amin’ny hôpitaly ilay zazalahikely, fito taona, niharan’ny herisetra nataon’olon-tsy fantatra, tany Ankililoaka Toliara Faharoa. Nisy naka ny voamason’io zazalahikely io, ny faran’ny herinandro lasa teo. Izany no nidirany hôpitaly tany Toliara. Mitohy kosa ny fanadihadiana sy fikarohana an’ireo heverina no nahavita izany. L’article Zazalahy very maso est apparu en premier sur AoRaha.

News - Triatra

Kidnapping teny Soavina : Toniziana sy karàna indray no lasibatra

Teratany vahiny miisa roa indray no lasibatra tao anatin’ny ora vitsy. Nitrangana fakana an-keriny ny sabotsy 08 desambra lasa teo, teny Soavina ,Tanjombato. Rangahy teratany Indianina fantatra amin’ny anarana Malik Karmaly, mpandraharaha Indostrialy ao amin’ny vondrona Habibo, no lasan’ ny jiolahy nitam-basy. Araka ny fampitam-baovao ofisialy navoakan’ny “Cfoim”, na ny vondron’ireo teratany Indiana mizaka ny zom-pirenena frantsay monina eto Madagasikara, dia teratany Tonizianina antsoina hoe Sofiane Ormani, mpandraharaha manodidina ny 47 taona koa no lasa tamin’io andro io ihany. Tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro, fotoana maha be mpandalo sy fiara mifamoivoy no nisehoany, raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny vondron’ireo teratany mizaka ny zom-pirenena frantsay hatrany. Tao anatin’ny fotoana fohy no nitrangan’izany, ary matihanina no nanao azy, tsy latsaky ny efadahy ireo jiolahy raha ny fahitan’ny teny amin’ny manodidina ny fomba nanatanterahana azy sy ny fitaovana nampiasain’ireo mpaka an-keriny. Tao anaty fiara raitra, ilay nokendrena. Nosakanan’ireo mpaka an-keriny avy eo aloha ilay fiara 4×4 niloko mainty nitondra ireo lasibatra. Rehefa tratry ny ankisisika nampijanonan’ireo jiolahy mitam-basy ilay teratany karàna, dia nanapoaka basy izy ireo, ka nentina an-terisetra tamin’ny fiarany ihany ilay teratany karàna, raha filazan’ny nanatri-maso. Nampiasa fiara roa Express miloko fotsy ary mbola raitra ireo mpaka an-keriny. Midika fa manan-takao ireto farany, na ny mpaniraka azy ireo. Voalaza aza fa nisy fiara hafa, marika Partner miloko maitso koa no nampiasain’izy ireo nitsoaka nihazo nianatsimo nony avy eo. Ny olona no nahita, ka nampandre haingana ny polisy, izay efa nampisavorovoro ihany koa ny feom-basy indroa nisesy nanao ny fikarohana avy hatrany, saingy efa tsy tratra ireo olon-dratsy. Nandritra izany fikarohana izany kosa anefa dia efa hita teny Ambatobe ny fiara nitondran’ireo jiolahy mpaka an-keriny. Hatreto, tsy nahazoam-baovao firy ny mikasika ity mpandraharaha Teratany Tonizianina, izay voalaza fa eo am-pelatanan’ny mpaka an-keriny. Fantatra ihany koa fa samy tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray, ireto farany, izao lasibatra izao. Trangana fakana an-keriny teratany Indianina fahadimy niseho tao anatin’ny volana iray io niseho tamin’ny sabotsy lasa teo io. Hita fa tsy nisy fitsaharana izany ny volana novambra no nankaty. Izay nahalasibatra zanaka karana vavy 11 taona tany Manerinerina, nitohy tamin’ny Riaz Hassim tompon’ny Makiplast izany, ka voatazona teo amin’ny enina andro teo ity nalaina an-keriny no votsotra. Ny iray karàna lahy, antsoina hoe Nassir Sivjee, mpandraharaha amin’ny Conforama etsy Tsaralalàna, ary ny teratany karana tompon’ny orinasam-pitaterana “Transfy” lasibatra tany Toamasina. Mandeha ny fikarohana, ary efa fantatra fa tsy olon-tsotra izy ireo. Ny tsikaritra aloha dia nirongatra ity resaka kidnapping ity, nialohan’ ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, hatramin’izao hiatrehana ny fihodinana faharoa izao. Misy ifandraisany ve ireo sa tambajotra samihafa? Valérie R. L’article Kidnapping teny Soavina : Toniziana sy karàna indray no lasibatra est apparu en premier sur .L’article Kidnapping teny Soavina : Toniziana sy karàna indray no lasibatra a été récupéré chez Triatra.

News - News Mada

Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy

Feno 71 taona katroka, omaly (19 jolay 1948 – 19 jolay 2019) ny nitifiran’ireo mpanjanatany ireo mahery fo nitaky ny fahaleovantenan’i Madagasikara teny Avaratra Ambohitsaina dia ny Lietna Randriamaromanana Albert, Rakotobe Samuël, Ratsizafy Samuël, Bekamisy ary Lezoma.Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirana azy ireo sy teny amin’ny Tobi-Miaramila Regimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietnà Randrimamaromanana Albert ny solontem-pianakaviany sy ireo andiany niaraka taminy ary ny Praiminisitra Christian Ntsay, nisolo tena ny Filoha Rajoelina. Nandritra ny fandraisam-pitenanan’ny Fitaleanan’ny mpiady tia tanindrazana, ny Kly Rakotonirina Lala Jacquis no nanambarany fa tsy fanadino ny ezaka fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo fa mendrika ny hotsaroana. Ny tantara no miantoka ny ho avy ka nilazany fohifohy ny tantaran’ny namonoana ireo mahery fo Malagasy ireo. Ny Malagasy manontolo no tokony hivondrona ao anatin’ny Vondrona Tia Tanindrazana izay iandraketan’ny sampandraharaha ny mpiady Tia Tanindrazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).Ohatra ho an’ny taranaka…, hoy ny PM“Feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo ireo”, hoy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Nohamafisiny hatrany fa ny vahoaka malagasy dia tokony hoentanin’izany afom-pitiavan-tanindrazana izany koa mba hamerenantsika sy hanamafisantsika hatrany ny fifampitokisana sy ny fifamenoana eo amin’ny mpitondra isan-tsokajiny ary ny vahoaka. “Fifampitokisana sy fifamenoana izany dia mba ho soatoavina hampitambatra ny hevitra hanatanterahana fampandrosoana ny firenena sy fanandratana ny fahamasinan’ny tanindrazana”, hoy izy.Nisaotra manokana ireo bekotro maro holatra kosa ny Sekretera jeneralin’ny MDN, ny Amiraly Ranaivosehono Antoine de Padoue. “Ohatra ho antsika taranaka aty aoriana ary tokony halain-tahaka izany fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo tamin’izany vanim-potoana izany. Ny fahafoizana ny aina no fitiavana faratampony”, hoy izy.Jean ClaudeL’article Raharaha 19 jolay 1948: notsaroana manokana ireo mahery fo Malagasy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra

Niato ny fampianarana teny frantsay eny amin’ny Alliance française Andavamamba, ny 30 jolay lasa, teo nandritra ny tontolo andro noho ny fitakiana nataon’ny mpampianatra momba ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana jolay. « Ho fanamafisana ny fangatahana maro efa nataon’izy ireo hatramin’izay hanatsarana ny fanatontosana ny asa ny fampiatoana ny fampianarana ny talata lasa teo », hoy ny fanazavan’ny solontenany. 60 ny mpampianatra nanasonia ny fangatahana voalaza. Taorian’ny hetsika, tsy nisy ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta fa tonga dia tapaka avy hatrany ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpampianatra sy ny AFT, araka ny fanambarana navoakan’ny tomponandraikitry ny Alliance. Noheverina fa nanapaka ny fifanarahana ny mpampianatra rehefa nampiato ny asany ny talata teo. Mbola vonona ny handray ny mpampianatra maniry ny hanohy ny fiaraha-miasa aminy anefa ny AFT ka afaka mametraka fangatahana vaovao ireo mazoto hanaraka ny fepetra apetrak’izy ireo. Ambara fa tapaka tanteraka ny fifanarahana momba ny asa ho an’ny mpampianatra tsy nametraka fangatahana hatramin’ny anio hariva amin’ny 5 ora.Ny mpampianatra kosa, manizingizina fa marim-pototra ny fangatahana nataon’izy ireo ka mangataka ny hampiatoana ny fanapahana ny fifanarahana momba ny asa ary hiroso amin’ny dinidinika miaraka amin’ny mpitantana ny AFT.Vonjy   L’article Olan’ny AFT: hametraka fangatahana ny mpampianatra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 30-10-2020
Source : CCO COVID19 - 30/10/2020

Notsongaina

Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom
27/10/2020

  Nitsidika ny Akany Enfants de joie ao Andranomadio Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Reny mpiahy ity akany ity rahateo ny tenany. Miisa 33 ireo zaza kamboty taizana ao, ary mpianatra 400 kosa ireo ampianarina ao amin’ny sekoly, miankina amin’ny akany ary mampianatra ireo zaza sahirana ihany koa.Nanolotra kojakojam-pianarana ho an’ireo mpianatra ireo, ahitana boky isan-karazany sy vata fahitalavitra iray ahafahan’ireo zaza mijery ireo fandaharana samihafa sy miala voly ny antoko.Sahirana ity foibe ity. Miankina amin’ireo malala-tanana ny fampihodinana azy. Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ao. Nampanantena ny hifanome tanana araka ny vitany ny mpanorina ny Freedom hanarenana ny foibe, tena simba sy tsizarizary tanteraka.Nankasitraka ny fahafoizan-tena asehon’ny talen’ny akany sy ny vadiny ny filoha nasionalin’ny Freedom. Eo ny fanampiana ireo kamboty na narian’ny ray aman-dreniny, ireo zaza sahirana mianatra ao amin’ny sekoly koa. Manampy ireo, misy vehivavy telo narian’ny vadiny sy lehilahy manano tena koa mipetraka ao amin’ny akany nefa mamelon-janaka irery avokoa. Horaisin’ny Freedom an-tanana ny fanampiana azy ireo.Synèse R.L’article Nanampy ny Akany: enfants de joie ny Freedom a été récupéré chez Newsmada.

Eran-tany
28/10/2020

Nampihena betsaka ny fampiasam-bola maneran-tany tamin’ity taona ity ny fisian’ny aretina Covid-19. Nihena -30 % izany hatramin’ny 40 %, araka ny fanamarinana navoakan’ny sampana ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana, Cnuced (Conférence des Nations unies pour le commerce et le développement). Raha ny nambaran’ny Cnuced aza, latsaka – 49 % mihitsy tamin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity izany raha ampitahana tamin’ny taon-dasa. Voakasika daholo izay mety sehatra tokony nampiasam-bola.Nifanaraka i Japana sy Angletera hanatevina ny fifanakalozana ara-barotra aorian’izao Coronavirus izao. Mihevitra ny hampitombo izany fifanakalozana izany ho 50 % ny firenena roa tonta. Hifanakalozana amin’izany ny sehatry ny teknolojia vaovao, ny kojakojana fiarakodia, hatramin’ny fromazy. Mitovitovy amin’izany koa ny fifanarahana eo amin’i Japana sy ny Vondrona eoropeanina, fifanakalozana mitentina 16,8 miliara dolara. Mijery sy mamaritra lavitra i Japana, manao fifanarahana manokana amin’i Angleteera noho ny fisintahan’ity firenena ity amina Vondrona eoropeanina (Brexit).Loza mitatao amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fiovan’ny toetr’andro, ka hivadika tsikelikely miova amin’ny fampiasana solika ny kandida Joe Biden, any Etazonia. Nanambara ny finiavany amin’izany ny kandida filoha amerikanina, izay toherin’ny mpifaninana aminy, Donald Trump, filoha ankehitriny. Mihevitra hanapotika ny indostria momba ny solika ny kandida Joe Biden. Tsy laviny ny fanovàna miandalana amin’ny indostria momba ny solika ,  izay mbola iankinan’ny toekarena betsaka ankehitriny.  Koa miteraka fatiantoka ho an’ny firenena maro ny fiovana miala amin’ny solika.L’article Eran-tany a été récupéré chez Newsmada.

Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg
28/10/2020

   Noforonin-dRakotonirina Reg ny  tarika Rheg, izay somary nisy hitovizana  satria mifangaro amin’ny anarany rahateo. Mifantoka amin ny gadona Heavy métal ny tarika. Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ihany koa…Feno 20 taona akehitriny ny tarika Rheg … Tany amin’ny taona 2000 no nitsanganany ary tsy nijanona mihitsy nivoy ny gadona “Heavy metal” hatry ny anio. “Gadona mitaky tanjaka sy fahaiza-manao satria mivatravatra sy mahery setra, saingy, ny lafiny kanto ao aminy kosa mitaky lantom-peo sy fandrindrana tsara ny vazo”, hoy i Reg…  Na eo aza anefa izay gadona fototra izay, misokatra amin’ny lafiny hafa, “rock métal” ny tarika ka mivoy ny “blues”, ny “Rock&Roll” ary ny “slow rock” ihany koa.Fantatra fa fanafohizana ny “Rock Heavy Gasy” ny hoe Rheg. Handray anjara amin’ny “Saturday Rock” eny amin’ny Résidence Soalandy Alasora, ny asabotsy 31 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izy ireo. Miisa 5 lahy ny mandrafitra ny tarika amin’ny ankapobeny. Ahitana an’i Jaykee (première solo), Titan (amponga maroanaka), Hubb (deuxiéme solo), Tsila (bassiste) ary i Rheg (hira). Misy mpikambana fanampiny manao hira manelanelana rehefa seho lehibe. I Vito sy i Lalah, seho acoustique ihany vao miakatra an-tsehatra.Maro ny bainga voavadika tao anatin’izay 20 taona niseharana teo amin’ny tontolon’ny mozika izay. Rakikira efatra sy ny rakitsary maro dia maro, izay nositrahin’ny mpankafy. Anisan’ny hira nahafantarana ny tarika ny “Raozy” tamin’ny taona 2000. Maro ny “clip” efa mivoaka toy ny “ Emmorheg”, ny “coronavirus”… Ankoatra izay, nahavita nanangana rafitra manokana hikarakara azy ny tarika, ny Otoprod by Reg, izay tranom-pamokarana fampisehoana, izay tsy mikarakara afa-tsy ny tarika Rheg ihany …” Miaina sy malalaka tanteraka ny mozika malagasy ankehitriny koa aleo samy hanala ny fony sy hanao izay mba fantany fa mety. Tsy adala akory izy ireny . Tsara ho marihina kosa fa ilaina ny sivana manoloana izay mety ho fihoaram-pefy. Ohatra, ny teny maloto anaty hira na fihetsika mamoafady” , hoy i Reg.Narilala L’article Heavy metal: 20 taona nilonana tao anaty mozika mavesatra ny tarika Rheg a été récupéré chez Newsmada.

Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij
27/10/2020

Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fifidianana eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanina ny volley ball. Lany ho filoha hitantana mandritra fe-potoana fitondrana manaraka ramatoa Bouchra Hajjij, filohan’ny federasiona maraokanina ny taranja volley ball. Isam-bato 42 no ho 12, nanoloana ny Dr Amr Elwani, filoha nitantana teo alohany, ny azon’i Bouchra Hajjij, nandritra ny fifidianana, natao tamin’ny alalan’ny “visio-conférence”. Marihina fa nanomboka ny 24 oktobra teo ny kongresin’ny CAVB ka federasiona avy amin’ny firenena miisa 51 eto Afrika ny niatrika izany tany am-panombohana. 53 kosa ireo filohana federasiona nanatanteraka ny fifidianana, omaly alatsinainy, ary isan’izany ny filohan’ny federasiona malagasy ny volley Ball, Andriamanantena Tahiana Nirina. Tsy nanadino ny niarahaba ity filoha vaovaon’ny CAVB ity ny filohan’ny FMVB, i Tahiana Nirina, ary nirary soa azy. Tsiahivina fa firenena telo ny tsy niatrika ny kongresy (i Djibouti, i Erithré ary i Ginea), saingy firenena iray ihany kosa ny tsy nanatanteraka ny fifidianana, omaly.Nialoha ny fifidianana, nisy ny tatitra nataon’ny mpitantana teo aloha, mahakasika ny zava-bita nandritra ny fotoam-piasan’ny Dr Amr Elwani sy ny mpikambana niaraka aminy. Ankoatra ny zava-bita, nisy koa ny tatitra vola, efa fanao rehefa tapitra toy izao ny fotoam-piasana. Samy miandrandra fampandrosoana ho an’ny taranja volley ball eto Afrika ireo federasiona, amin’izao nahazoana filoha mpitantana vaovao sady vehivavy izao.Mi.RazL’article Volley-CAVB: lany ho filoha ramatoa Bouchra Hajjij a été récupéré chez Newsmada.

Sombintsombim-baovao
28/10/2020

Karate : Hitohy anio ny fampiofanana ireo ankizy voafantina ho isan’ny hisafidianana, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kata en ligne, sokajy latsaky ny 14taona. Hotanterahina amin’ny 13 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao izany. Tsiahivina, tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny fifampizarana voalohany nomen’ireo teknisiana avy amin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga, ho an’ireo ankizy ireo.Dirigeants sportifs : Taorian’ny fampiofanana teto Analamanga sy Boeny, mikasa hanohy izany any amin’ny faritra Vakinakaratra indray ny eo anivon’ny Komity Olympika Malagasy. Isan’ny andrasana hatrany ny ho fandraisana anjara ho an’ireo vehivavy mandritra izany, izay tena hanentanan’ny eo anivon’ny Komity Iraisam-pirenena Olympika(CIO) izany.Nangonin’i Mi RazL’article Sombintsombim-baovao a été récupéré chez Newsmada.

Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany
26/10/2020

Maina ny andro eto afovoan-tany amin’ny ankapobeny ary hiakatra ny maripana ambony (28°C) indrindra fa ny alarobia no ahitana fidinany (26°C) izany, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Nanjaka ny orana ho an’ny tapany atsimo, ny faran’ny herinandro, nahazo izany avokoa ny atitany sy ny morontsiraka ary nirefy 30 mm ny rotsak’orana tany an-toerana. Nitohy, omaly, ny orana ho an’ny atitany any atsimo entin’ny atmosfera tsy marim-toerana. Eto Antananarivo kosa, alina no hotombanana hirotsaka ny orana. Manao volon’andro manjombona tanik’orana matetika fa tsy mahalatsaka satria tsy feno ny fepetra. Raha tazanina lavitra, rakotra setroka manjavona ny Renivohitra izay tsy misava mihitsy mandritra ny tontolo andro. Tsioka atsimo-atsinanana kosa ny hanjaka amin’ny ilany Atsinanana sy ny tapany avaratry ny Nosy.Vonjy L’article Toetry ny andro: maina sy mafana eto afovoan-tany a été récupéré chez Newsmada.

Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy
24/10/2020

Manana ny lanjany toekarena eto Madagasikara ny Tetikasa Ambatovy. Miankina amin’ny lafin-javatra maro maneran-tany, noho izao tranga Covid-19 izao, anefa vao hiverina amin’ny laoniny ny fiharian’ity orinasa ity. Araka ny fanadihadiana manokana, tsy mbola afaka miverina ny asa fiharian’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Maromaro ny an­tony, ary anisan’ny sakana ny tranga Covid-19 tsy mbola foana ka tsy afaka mankaty Madagasikara ireo vahiny miisa 850 miasa ao Ambatovy satria mikatona ny sidina ana habakabaka iraisam-pirenena mampifandray antsika amin’ ny any ivelany. Tsy misokatra, toraka izany, koa ny ankamaroan’ny sidina ana habaka­baka any amin’ny firenena maro. Eo koa ny lafiny tolotra sy ny tinady, fototry ny fihariana. Andaniny, ny lafiny famatsiana akora fototra ampiasain’ny orinasa, ilaina amin’ny fanodinana ny nikela sy ny kobalta. Hatreto, tsy miverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy ny fitaterana azy ireny an-dranomasina, vokatry ny hamehana amin’ny tranga Covid-19, voa­laza etsy ambony. Singanina manokana ny akora sofra, ilaina amin’ny fanadiovana ny nikela sy kobalta, ny arintany ilaina amin’ny angovo ampiasaina amin’izany, sns. Ankilany, sarotra ny hama­ritana sy ny hamantarana ny fotoana hiverenan’ny orinasa Ambatovy hihodina indray. Manampy ireo, tsy mbola miverina amin’ny laoniny koa ny lafiny tinady, ny mpanji­fan’ny orinasa, fototra voalohany iankinan’ny fihodinan’ ny famokarana. Tsiahivina fa voalohany amin’ny varotra ivelany, amin’ny fanondra­nana entana any ivelany, ho an’i Madagasikara, ny fihariana ataon’Ambatovy.Kojakojaina ny milinaSaropady sady mifandraika amin’ny zavatra maro ny fiharian’ny tetikasa Ambatovy. Hatreto, ny mikojakoja ireo fitaovana sy milina ao amin’ ny orinasa no tsy maintsy hany azo atao, any amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatovy, sy ny toeram-panodinana any Toa­masina. Maherin’ny 9 000 ny mpi­asa mivantana sy tsy mivan­tana miasa ho an’ny orinasa, misandrahaka amin’ny lalam-pihariana maro, toy ny fama­tsiana sakafo ho an’ny mpiasa, ny fitaterana, ny fanadiovana, ny famatsiana akora madinika sy salantsalany eto an-toerana, sns. Izay no maha anisan’ny fototry ny toekaren’i Mada­ga­sikara ny Tetikasa Ambatovy.Njaka AndriantefiarinesyL’article Noho ny Covid-19: tsy afaka miverina miasa ny orinasa Ambatovy a été récupéré chez Newsmada.

Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka”
27/10/2020

Vaovao mahafaly ho an’ireo mpankafy dihy. Hotanterahina ihany ilay lanonana goavana ho an’ny dihy any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy nampitondraina ny anarana hoe “Mitsaka”. Hizara roa mazava tsara ity andiany fahafolo ity ka hotanterahina any Toamasina ny andiany voalohany amin’ ny 4,5,6 desambra ho avy izao ary any Foulpointe kosa ny andiany faharoa amin’ny 18,19,20 desambra 2020. Saika ho hita mandritra an’io fotoana io avokoa ireo karazan-dihy misy sy ampianarina eto amintsika amin’ny maha sahoby goavana ho an’ny dihy azy. Fifandrimbonana no fototr’izy io ka nanasa ireo mpisehatra amin’ ny dihy rehetra manerana ny Nosy ny mpikarakara. “Ny antony anaovana ny “Mitsaka” amin’ity taona ity mantsy, ny finiavana hitazona ny afo tsy ho faty. Amin’ny taona 2021 kosa vao tena hotanterahina ilay fandaharanasa rehetra izay tokony ho natao tamin’ity taona ity”, hoy ny mpikarakara. Tsy hisy ihany koa moa ny fandraisana an-tanana an’ireo mpandray anjara fa miankina tanteraka amin’ny finiavana sy ny fitiavan’ny tsirairay ny fahatongavana amin’ity hetsika andiany fahafolo ity. L’article Lanonana goavana :: Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka” est apparu en premier sur AoRaha.

Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy
27/10/2020

 Asabotsy faran’ny volana… Maro ny seho isan-karazany amin’io faran’ny herinandro io. Anisan’izany ny “Samdi Full,” hotanterahina etsy amin’ny Espace Fitiavana & Fialamboly Ambatomirahavavy RN1, ny asabotsy 31oktobra 2020 tontolo andro. Ho hita eny avokoa ny karazana fialamboly mifono kolontsaina hanalana ny sorisorin-tsaina nandritra izay volana izay, indrindra amin’izao fisokafan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra.Anisan’izany ny tontolon’ny filalaovana gitara, ny “karaoke live”, ny fanentanana sy ny fampandihizana tahaka ny “animation DJ”, sns. Eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena toy ny basikety, ny tsipy kanetibe… Misy toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy toy ny “château gonflable”, ny “trampoline”… Ny alina, hisy ny “soirée Halloween” sy ny “maquillage artistique” iarahana amin’ny Bis’art Design Studio.“Samdi full”, hetsika karakarain’ny Tiagasy, fikambanana ray aman-dreny sy tanora vitsivitsy misehatra amin’ny fifampitsimbinana sy ny soatoavina fifanampiana amin’ny samy Malagasy. Tanjon’izy ireo ny hanampy tsikelikely ireo ankizy sahirana amin’ny fampianarana, ny fitsaboana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fitafy sns.NarilalaL’article Kolontsaina sy fialamboly: hanatanteraka “Samdi full” ny Tiagasy a été récupéré chez Newsmada.

Lomano-Analamanga: tsy ho vita amin’ity taona ity ny fifidianana
27/10/2020

 Araka ny efa notaterina teto, tokony ho nivoaka ny asabotsy lasa teo, taorian’ny fihaonana nataon’ny ligy sy ny fitaleavam-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena Analamanga, ny daty hanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Analamanga. Tsy izany anefa ny zava-nitranga fa nahazo baiko midina ny ligin’Analamanga fa tsy azo tontosaina intsony amin’ity taona ity ny fifidianana fa tsy maintsy miandry amin’ny taona ho avy. Araka izany, mbola mitohy indray izany ny fe-potoana hitantanan’ny filoha am-perinasa. Ity filoha ity izay nilaza fa mbola hangataka fanazavana misimisy kokoa eny anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Raha ny fantatra, saika niharan’ny fanafoanana fifidianana toy izao avokoa ireo taranja rehetra, toy ny judo, izay tsy afaka nanatanteraka ny fifidianana ihany koa tamin’ity volana oktobra ity. Raha ny loharanom-baovao, ny eo anivon’ny komity iraisam-pirenena olympika mihitsy ny nanafoana ny fifidianana rehetra amin’ity taona ity. Nanamafy izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy, ny tapaky ny volana teo.Ho an’ny taranja lomano, mbola ny filoha am-perinasa izany ny hampandeha ny raharaha amin’izao fanombohana ny taom-pikatrohana vaovao izao. Hanomboka ny 8 novambra izao izany taom-pikatrohana 2021 izany, ho an’ity taranja ity. Taona ho feno tanteraka raha ny fandaharam-potoana napetraka.Mi.Raz L’article Lomano-Analamanga: tsy ho vita amin’ity taona ity ny fifidianana a été récupéré chez Newsmada.

Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza
28/10/2020

Les membres de la Commission spéciale de mise en accusation devant la Haute Cour de Justice à l’Assemblée nationale se sont réunis en travaux de commission hier. L’Assemblée nationale commence le traitement des dossiers des personnalités qui seront traités au niveau de la Haute Cour de Justice (HCJ). En effet, les membres de la Commission spéciale de mise en accusation auprès de la HCJ à la Chambre basse ont tenu leur première réunion en commission, hier. Les 17 membres de cette commission, dirigée par le député de Vohipeno, Tsabotokay Honoré, ont une vingtaine de jours pour trancher sur le sujet. Si l’on se réfère à l’ordre du jour adopté à l’Assemblée nationale, la présentation de leurs travaux en commission aura lieu le 17 novembre prochain. A cette date, les députés valideront en séance plénière les dossiers qui vont être transférés à la Haute Cour de Justice pour être jugés. Hier, le président de la Commission spéciale de mise en accusation a annoncé qu’au total, 12 dossiers ont été reçus à Tsimbazaza. Tsabotokay Honoré a toutefois annoncé que trois dossiers impliquant des anciens hauts responsables étatiques seront étudiés pendant la session ordinaire en cours. Des dossiers concernant des anciens ministres du temps de la Transition de 2009 à 2013, mais aussi sous le régime Rajaonarimampianina, de 2014 à 2018. Faux et usage de faux, détournements de deniers publics, marchés fictifs, affaires bois de rose. Ce sont entre autres, les principaux chefs d’inculpation inscrits dans ces dossiers. Exil. Pour l’heure, le député de Vohipeno se défend de révéler l’identité des personnalités impliquées. Et ce, même si il y a longtemps que des noms circulent. Parmi les dossiers qui pourraient être traités en premier devant la Haute Cour de Justice, les affaires Mahafaly Olivier Solonandrasana, Anthelme Ramparany, Maharante Jean de Dieu, Onitiana Realy et Reboza Julien. Tous, ou enfin presque, sont frappés d’interdiction de sortie du territoire (IST), mais ont cependant réussi à s’exiler à l’étranger. Les investigations concernant leurs dossiers ont déjà été finalisées par les enquêteurs du Bureau Indépendant Anti-Corruption. L’identité des personnalités impliquées dans les trois premières affaires à traiter par la Haute Cour de Justice sera donc connue lors de la séance plénière du 17 novembre prochain à l’Assemblée nationale. Davis R L’article Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza est apparu en premier sur Midi Madagasikara.L’article Mise en accusation devant la HCJ : Trois dossiers d’anciens ministres à valider à Tsimbazaza a été récupéré chez Midi Madagasikara.

Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art »
24/10/2020

Taona 2015… Taona 2020 ! Dimy taona nisiana ny School Art, naorin’i Nofy Ramiadason. Manofana ankizy ho tonga matihanina eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny alalan’ny fampianarana omena azy ireo. Hanomezan-danja ny talentan’ny tsirairay eo amin’ny se­hatry ny zavakanto izany. Hi­derana an’Andriamanitra iha­ny koa, raha ny nambarany. Misy mpampianatra valo mianadahy ao amin’ny sekoly ankehitriny. Nanomboka ta­min’ny fampianarana sary, niitatra tamina zavakanto hafa maro, toy ny dihy, ny mozika, ny teatra …. “Tanjona ny hikolokoloana ny talenta hoentina hiderana an’Andriamanitra, hanomezana voninahitra ny anarany Masina eo amin’ny fiainana satria izy no mpanome ny talenta…”, hoy i Nofy Ra­mia­dason, nanazava ny an­tom-pisian’ny sekoly sy ny nanorenany azy. Azon’ny rehetra idirana ny sekoly fa tsy mifidy finoana na anaram-pivavahana, ho an’izay te hampitombo talenta sy hikolokolo izany. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ihany koa izy ireo, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” pejy “School Art” sy ny kaonty facebook “Nofy Ram”. Etsy Anosisoa Ambohimanarina no misy ity toeram-pampianarana zavakanto marolafy ity. Ny tsy fahampian’ny ivontoerana na sekoly manofana na mamolavola ankizy no singa iray mamparefo ny kolontsaina, indrindra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto.NarilalaL’article Fikoloana talentan’ny ankizy: dimy taona ny « School Art » a été récupéré chez Newsmada.