MPIASAN’NY CNAPS: Mitentina 60 tapitrisa Ariary ireo fanomezana ho fanamafisana ny ady amin’ny COVID-19

News - MPIASAN’NY CNAPS: Mitentina 60 tapitrisa Ariary ireo fanomezana ho fanamafisana ny ady amin’ny COVID-19

News - MPIASAN’NY CNAPS: Mitentina 60 tapitrisa Ariary ireo fanomezana ho fanamafisana ny ady amin’ny COVID-19

Congé navadika fanomezana.  Nanatitra fitaovana ho an’ireo mpisehatra miady amin’ny COVID-19 ny solontenan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny CNAPS ny 09 septambra 2020 teny amin’ny CCO Ivato. Mitentina 60 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ireo fanomezana toy ny fiarovana ny volo, solomaso, visière, masque, blouse, surblouse, fiarovana ny kiraro, ny gel disinfectant… “Ny mpiara-miasa rehetra izay voan’ny corona virus tao amin’ny CNPAS dia nahatsapa fa voakarakara, ary ny mpiara-miasa  izay miasa miady amin’io valanaretina io dia nanampy ny vahoaka Malagasy ary tao anatin’izany ny mpiasan’ny CNAPS. Isaorana an’Andriamanitra fa tsy nisy na iray aza narary mafy fa sitrana daholo izy rehetra. Amin’izao fotoana izao vitsivitsy sisa fa efa an-dalam-pahasitranana avokoa. Nifampiresaka izahay tao amin’ny CNAPS hoe inona no ataontsika mpiara-miasa mba hanome fankasitrahana ho an’ireo mpiara-miasa amin’ny ministeran’ny fahasalamana, ny CCO.  Ny anjara birikin’ny mpiara-miasa dia ny congé no natao fanomezana”, hoy ny Tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy.

 Araka ny fanazavan’i Ratsimbaharison,  talen’ny serasera eo anivon’ny CNAPS hatrany “fa ireto tolotra ireto dia tsy avy amin’ny orinasa fa avy amin’ny mpiara-miasa eo anivon’ny CNAPS. Ny fomba nahafahana nanatanteraka izao tolotra izao dia ny congé eo anivon’ny mpiasa tsirairay. Raha tokony ho sitrahana dia nomena an-tsitrapo ary navadika vola ahafahana nividy an’ireto fitaovana ireto dia izay nahazoana ilay 60 tapitrisa Ariary. Tao no nanome congé herinandro, congé iray volana ary nisy nanome roa volana”. Izay rehetra izay hoy izy dia mariky ny fifampitsinjovana satria ny fototry ny fiahiana ara-tsosialy dia ny fifampitsinjovana. Nambaran’ny Jeneraly  Elack Olivier Andriankaja , mpandrindra ny CCO Ivato fa “ny ivon’ny tsimokaretina dia any amin’ny faritra avaratra ka mety hirona bebe kokoa any amin’izany ny fitsinjarana ireto fanomezana ireto”.

Nirina R.

Cet article MPIASAN’NY CNAPS: Mitentina 60 tapitrisa Ariary ireo fanomezana ho fanamafisana ny ady amin’ny COVID-19 est apparu en premier sur déliremadagascar.

MPIASAN’NY CNAPS: Mitentina 60 tapitrisa Ariary ireo fanomezana ho fanamafisana ny ady amin’ny COVID-19

L’article MPIASAN’NY CNAPS: Mitentina 60 tapitrisa Ariary ireo fanomezana ho fanamafisana ny ady amin’ny COVID-19 a été récupéré chez Délire Madagascar.

Nivoaka tamin'ny : 09/09/2020

Zarao

Share this...
Share on Facebook
Facebook
Tweet about this on Twitter
Twitter

Vakio ihany koa

News - News Mada

Lavon’ny zandary ny dahalo dimy lahy namany: tafaporitsaka i Del Kely, azo ny kara-panondrony

Tafaporitsaka, nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary, tao amin’ny kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, indray ilay jiolahy raindahiny, natao hazalambo hatry ny ela, antsoina hoe Del Kely. Tavela tamin’izany ny kara-panondrony izay ahafantarana ny salovan-tavany. Lavo nandritra izany kosa ny dahalo dimy lahy tena akaiky azy.Nahazo angom-baovao tamin’ny olona ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Betsiboka fa mitoby ao amin’ny tanàna atao hoe Antanifotsy, kaominina ambanivohitr’i Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka, ilay dahalo raindahiny nokarohina hatry ny ela atao hoe Del Kely sy ireo jiolahy namany akaiky, afakomaly. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary nanara-dia ireo jiolahy. Rehefa tonga tao an-toerana ireto farany, voamarina fa nitoby tao amin’ny tranokely iray i Del Kely sy namany, saingy tsy tratra tao fa namany roa no tratra’ny zandary. Rehefa natao ny fisavana ilay trano, mbola tao avokoa ny fitaovany toy ny akanjo, ny antontan-taratasy, ny mohara, ny omby miisa valo tsy misy taratasy sy tsy misy kavina. Nitohy ny savahao nataon’ny zandary ka tonga tao amin’ny toerana atao hoe Manalasala, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitr’Antsiabositra, nisy dahalo maromaro nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana ka dahalo telo indray lavo, saingy nisy ihany ireo tafaporitsaka. Nitohy ihany ny fizahana ireo dahalo lavo ka hita teo amin’ny toerana nifampitifirana ny kara-panondrom-pirenena iray latsaka izay an’i Del Kely niaraka tamin’ny basy Mas 36 iray miaraka amin’ny bala enina, basim-borona iray sy bala telo, balana basy poleta miisa roa, antsy sy famaky miisa valo ary karazana mohara maro, araka ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany.Nampiasa fiara mifonovy ny zandary…Nandritra izany anefa ireo dahalo roa lahy azo sambo-belona tao Antanifotsy, nentin’ny zandary nanoro lalana izay misy an’i Del Kely. Nikasa handositra anefa izy roa ka voatery nitifitra avy hatrany ny zandary taorian’ny fampitandremana. Vokany, maty tsy tra-drano ireto jiolahy roa akaiky an’i Del Kely ireto. Lavo avokoa, araka izany, ireo dahalo dimy lahy fa i Del Kely sy ny namany iray tafaporitsaka nandritra ny fifampitifirana, saingy efa azo ny mombamomba azy rehetra, araka ny voalaza ao amin’ilay kara-panondro latsaka teo akaikin’ireo jiolahy maty voatifitra. Nanamafy hatrany ny zandary fa sambany izao vao fantatra mazava sy ananana sary ny endrik’ilay jiolahy raindahiny antsoina hoe Del Kely. Nampiasa fiara mifonovy ny zandary nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo ary nanamy tamin’izao fiatrehana tamin-dry Del Kely sy ny namany izao koa ireo vondrona zandary avy ao amin’ny hery vonjitaitra (FIGN) mampandry tany ao Andriamena.Jean ClaudeDel Kely: Dahalo atao hazalamboManao antso avo amintsika mpiray tanindrazana mba hanome vaovao ahitana mpitandro filaminana ahitana an-d: – Rakotoarivelo Fanomezantsoa Atlas, dit Del Kely. – Teraka ny 2 janoary 1984 tao Mahitsy Ambohidratrimo. – CIN 103 211 004 971, natao ny 10 jolay 2002 tao Ambohidratrimo.Marihina fa mety efa manana kara-panondrom-pirenena sandoka hafa izy fa hita araka ity sary fanehoana ity ny endriny.Ny toerana nahitana azy farany, tao Antanifotsy/Mahatsinjo/Maevatanàna, ny 6 aogositra 2019.Raha misy vaovao mahakasika ity filazana ity, antsoy ny laharana +261 34 14 005 23 na +261 34 14 007 31 na 119 Telma na 305 Orange. Hisy valisoa ho an’izay manome vaovao matotra sy marina.  L’article Lavon’ny zandary ny dahalo dimy lahy namany: tafaporitsaka i Del Kely, azo ny kara-panondrony a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Zotra nasionaly sy rezionaly: tsy mahazo mitondra entam-barotra ny taksiborosy

Nilaza ny tale jeneraly (DG)-n’ny ATT, ny jeneraly Reribake Jeannot, fa voakasik’ity fiverenan’ny fitaterana olona ity ny mandalo an’i Manjakandriana, i Moramanga, i Brickaville ary i Toamasina. Tsy mbola misokatra kosa ny zotra mankany Ambatondrazaka sy Fenoarivo Atsinanana.Notsindrin’ny tale jeneraly manokana fa ny entana tsotra an’ny mpandeha tsirairay ihany no azony entina fa tsy azo ekena intsony ny entam-barotra mavesatra, toy ny “balle” fripy, ny fitaovana amin’ny trano, sns. Hajaina koa ny fetra haavon’ny entana ambony tafo tsy mihoatra ny 80 sm.Mifandimby ny fotoana iaingan’ny fiara ka tokony hanomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 12 antoandro, farafahatarany, satria tsy maintsy hajaina ny fe-potoana tsy ahazoana mivezivezy amin’ny alina (couvre-feu) amin’ny 10 ora alina, na eto Antananarivo na any Toamasina.Tsy misondrotra ny saran-dalanaNohamafisina nandritra ity fivoriana ity ny fepetra tsy maintsy arahina. Toy ny famandrihan-toerana amin’ny finday, ny fampiasana ny kahiebe “manifold” andraisana ny mombamomba ny mpandeha tsirairay. Ho an’ny toby fiantsonana Maki eny Andohatapenaka, toerana iray ihany no ahitana ny fandoavana ny saran-dalana, fa tsy samy manana ny azy ny kaoperativa. Tsy azo atao koa ny manondrotra ny saran-dalana.Tsy maintsy apetraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra, indrindra ny fanondrahana ranom-panafody ny toby fiantsonana sy ny fiara tsirairay, ny fampiasana “gel”, ny fametrahana arotava, sns.Njaka Andriantefiarinesy L’article Zotra nasionaly sy rezionaly: tsy mahazo mitondra entam-barotra ny taksiborosy a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana

Manomboka izao, maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana eny amin’ny biraom-panjakana rehetra ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Voakasik’izany ny foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny eny anivon’ny amin’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny eny anivon’ny “controle financier”, ary ny prefektiora.Io ny nolazain’ny prefet-n’Antsirabe, Andriatomponera Voahangy, nandritra ny fanofanana nomen’ny sampandraharaham-paritry ny karama sy ny fisotroan-dronono izay naharitra roa andro tao Antsirabe.Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisitrahan’ny mpiasam-panjakana ny zony.Nanaraka fiofanana ireo mpiandraikitra ny maha olona, ny tompon’andraikitry ny fitantanana vola eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana rehetra.Mbola betsaka ny tsy fahatomombanana hita amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny mpiasam-panjakana. Tsikaritra hatrany koa ny tsy fifehezana ireo dingana rehetra tokony harahina ataon’ny mpiandraikitra ny maha olona ka nahatonga izao fampiofanana izao.Manodidina ny 9 000 ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra, mizara ho sokajy roa: ireo mpiasam-panjakana raikitra ary ireo voafatotry ny fifanarahana. Iandraiketan’ny  foibem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy avokoa ireo. Anisan’ny faritra be mpiasam-panjakana toy ny eto Analamanga sy ny any Matsiatra Ambony ny ao Vakinankaratra.Heverina hanatsara ny fomba fiasa sy hahaingana ny fanaovan-taratasy amin’ny biraom-panjakana ao an-toerana izao fiofanana izao. Hanaramana ireo mpiasam-panjakana ny 75% -n’ny tetibolam-panjakana ka tokony hiasa tsara ho an’ny vahoaka izy ireo.Tatiana AL’article Faritra Vakinankaratra: maimaimpoana avokoa ny fanaovana taratasim-panjakana a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Kitra  – “Ligue des champions d’Afrique”: manantombo amin’ny filalaovana eo an-kianjany ny Fosa Jr

Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra, hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousses SC Maorisy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra, amin’ity asabotsy ity.Hotanterahina, anio tolakandro manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny tompondakan’i Afrika «Ligue des champions», taranja baolina kitra. Fihaonana hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny, Madagasikara, sy ny Pamplemousse SC avy atsy Maorisy. Manantombo amin’ny teknika aloha raha ny fahitan’ireo teknisianina sy ny mpanara-baovao ny tompondakan’i Madagasikara. Ankoatra izay, tombony betsaka ho an-dry Jean-Yves sy ry Baggio ary ry Santatra ny filalaovany eo amin’ny kianja mahazatra azy, sy ny fahazakany ny toe-tanin’i Mahajanga, izay mafana.Raha tsiahivina, ekipa tsy azo atao hoe goavana na atahorana ny Maorisianina. Tsy mifanalavitra amin’ireny fomba filalaon’ny Club M, tamin’ny « Lalaon’ny Nosy » farany teo ireny ny an-dry zalahy ireto. Ekipa mianona amin’ny valim-panafihana rehefa milalao an-tanin’olona, izany hoe, mitady ady sahala. Na izany aza, nanambara ny mpanazatrany fa tsy hitsangantsangana izy ireo fa haka fandresena.Tsiahivina fa misy mpilalao mpila ravinahitra efatra ao amin’ity ekipan’ny Pamplemousse SC ity ka Malagasy ny telo: i Hollas sy i Boanahery ary i Fabrini Razah, nilalao tao amin’ny Japan Actuels, tamin’ny fotoan’androny. Teratany niger kosa ny iray: i Sunday Gabriel.Manoloana izany, tsy matahotra fa vonona tanteraka ireo mpilalaon’ny Fosa Jr hiatrika azy ireo ary tena hilalao sy hitady fandresena ihany koa. Efa nipetrapetraka tsara ihany koa ny paikady rehetra, amin’io lalao io, araka ny nambaran’i Titi, mpanazatra. «Fanafihana ary tsy misy afa-tsy fanafihana ny hany ataon’ny Fosa Jr. Mila maka elanelan’isa roa mba hampilamina tsara eo amin’ny lalao miverina. Tompondaka L’article Kitra  – “Ligue des champions d’Afrique”: manantombo amin’ny filalaovana eo an-kianjany ny Fosa Jr a été récupéré chez Newsmada.

News - News Mada

Tsena iraisam-pirenena: ratsy toerana ny lavanila avy eto Madagasikara

Tsy ankasitrahan’ireo mpandraharaha lavanila ny vidiny farany ambany noferan’ny fanjakana ho 250 dolara ny kilao, masaka sy voakarakara. Any amin’ny faritra Sava ny maro amin’izany vokatra izany, any koa ny ifantohan’ireo mpandraharaha maro, saingy nilaza izy ireo fa tsy misy ny komandy amin’ny vokatra avy eto an-toerana, noho izay vidiny lafo izay. Eo  anelanelan’ny 150-175 dolara izao ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, koa raha io feran’ny fanjakana io, ratsy toerana eo amin’ny fifaninanana ny avy eto Madagasikara, hoy  ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila.Manome  toerana ny vokatra avy any amin’ny firenen-kafa ny vidiny ambany indrindra noferan’ny fanjakana, indrindra amin’izao krizy ara-toekarena noho ny Covid-19 izao. Ny mpamokatra akaiky antsika indrindra, ohatra, i Afrika Atsimo, dimy taona nifanesy izao mandresy ny vokatra avy eto Madagasikara any amin’ny tsena eoropeanina, eo amin’ny kalitao sy ny vidiny. Ny vokatra avy any Amerika  Atsimo (Mexique) mamatsy mora ny tsena any Etazonia, ary ny tsena any Azia ahitana ny vokatra avy any Indonezia, mpamokatra voalohany lavanila maneran-tany.Mameno ny tsena hatramin’ny 63 %, any Frantsa, Alemaina, ary Soisa, ankehitriny, ny vokatra avy amin’ny Nosy maromaro : La Réunion, Comores, Polynésie française, sy Tonga ; miampy ny avy ao Afrika Atsimo sy Ouganda. Ireo rehetra ireo, mifaninana amin’ny vokatra avy eto Madagasikara, manamarina fa ratsy toerana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, araka ny filazan’ireo mpandraharaha any Sava. R.MathieuL’article Tsena iraisam-pirenena: ratsy toerana ny lavanila avy eto Madagasikara a été récupéré chez Newsmada.

News - Triatra

Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25

Navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny voka-pifidianana ôfisialin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena, omaly. Tafakatra hiatrika ny fihodinana faharoa na « 2è Tour », hotanterahina ny 19 desambra izao kosa ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana, sy ny kandidà laharana faha-13, Andry Rajoelina. Araka izany, nampiseho ny fahavononany hiatrika izany fihodinana faharoa izany ny kandidà laharana faha-25, tamin’ny alalan’ny solontenany, ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Nambaran’ity solontenan’i Marc Ravalomanana ity taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana fihodinana voalohany tetsy amin’ny HCC, fa vonona hiatrika izany izy ireo, ary ny vahoaka no tompon-tsafidy amin’izay hitantanana azy ireo sy ny firenena. Na izany aza, nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, fa hanamafy ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana amin’ity “2è Tour” ity ny eo anivon’ny kandidà laharana faha-25. « Efa samy nahatsapa ny rehetra, eny, hatramin’ireo vahiny nanara-maso teto amintsika aza niaky, fa betsaka ny tsy fahatomombanana tamin’iny fifidianana Filoham-pirenena, fihodinana voalohany iny. Anisan’ireo nametraka fitoriana teo anivon’ny HCC ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Saingy, mba ho fitsinjovana sy fijery lavitra, nisintona ireo fitoriana sy fitarainana miisa 208 napetraka teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana izahay. Saingy kosa, hanamafy ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana sy ny zotra fandatsaham-bato izahay eo anivon’ny kandidà laharana faha-25”, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Ankoatra izay, notsindrian’ity solontenan’ny kandidà Marc Ravalomanana ity, fa raha toa ka mbola mahita tsy fahatomombanana mivaingana izy ireo amin’ity fihodinana faharoa ity dia tsy hanaiky, ary tsy hilefitra intsony fa hiroso amin’ny fitoriana. « Betsaka ny lesona azo notsoahina tamin’iny fihodinana voalohany iny, noho izany, mino izahay fa tsy ho toa izany ny amin’ity fihodinana faharoa atrehintsika ity », hoy hatrany izy. Etsy andaniny, tsy nohadinoin’ny Me Hanitra Razafimanantsoa ny nanao antso avo amin’ny vahoaka amin’ny fanatanterahana ny adidy masina ho an’ny tanindrazana, sy fanehoana ny safidy amin’ny alalan’ny latsa-bato. MN L’article Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25 est apparu en premier sur .L’article Fihodinana faharoa : Vonona ny kandidà laharana faha-25 a été récupéré chez Triatra.

News - Ao Raha

Aretina vokatry ny loto :: Ambany ny tahan’ny fampiasana fotodrafitrasa fidiovana eto amintsika

Ataon’ny olona ambanin-javatra ny fiantohana ny fahadiovana eto amintsika, hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ,noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasam-pidiovana eny ifotony. Ity antony farany ity no voalaza fa mahabetsaka ny aretim-pivalanana amin’ny zaza latsaky ny dimy taona sy ireo aretina samihafa mahazo ny vehivavy , vokatry ny loto. « Tsapa fa tsy ara-dalàna ny fihetsiky ny olona mikasika ny fampiasana ny fotodrafitrasam-pidiovana ka mitarika aretina maro . Antony iray mahatonga ny fivalanana ho aretina voalohany mahafaty ny zaza eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tsy fifehezana ny fahadiovana », hoy ny Dr Rakotoarison Norohasina, misahana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nisy ny atrikasa notanterahina niaraka tamin’ny fikambanana tsy miankina, izay nitadiavana vahaolana sy fanatsarana ny tontolon’ny fampiasana fotodrafitrasam-panadiovana, toy ny trano fivoahana sy fidiovana. Fiaraha-miasan’ny minisitera niaraka tamin’ny fikambanana tsy miankina izao atrikasa izao ary nahitana natao ity, izay nahitana famelabelarana isan-karazany mikasika ny zava-misy eny anivon’ny kaominina samihafa. L’article Aretina vokatry ny loto :: Ambany ny tahan’ny fampiasana fotodrafitrasa fidiovana eto amintsika est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Raha voaofana ny mpampivelona: voafehiny ny 87%-n’y tolotra momba ny fananahana

Raha ny fenitra iraisam-pirenena, misahana olona 5 000 ny mpampivelona iray.Eto amintsika mikarakara mponina hatramin’ny 16 000 ny rasazy iray. Mafy ny asan’izy ireo izay miantoka ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza.Marihina isaky ny 5 mey ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona ary any Toamasina ny handray ny hetsika mifandraika amin’izay eto Madagasikara, anio. Lohahevitra hitondrana ny fanehoana rehetra “ny mpampivelona mpiaro an’ny zon’ny vehivavy”. Sokajin’olona ahafahan’ny vehivavy manana antoka fa hizotra tsara ny fitondrana vohoka sy ny fiterahany ny mpampivelona amin’ny asa iandraiketany isan’andro.  Mpanelanelana eo amin’ny  fiarahamonina sy ny tobim-pahasalamana ny mpampivelona amin’ny fandraisana an-tanana ny reny sy ny zaza ary miantoka ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny mandritra ny vohoka na eo am-piterahana, indrindra any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana, araka ny fanambaran’ny tale mpanatanteraka ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Manampy ny mpivady handrindra ny fananahana momba ny fahasalamana amin’ny torohevitra ny mpampivelona ankoatra ny fikarakarana mivantana ny vehivavy mitondra vohoka na koa maniry ny hanabe aizana.Eto amintsika, 44,3% amin’ny fiterahana ihany no atrehin’ny  mpiasan’ny fahasalamana fa ny 55,7%, manatona reninjaza na ny mpitsabo nentim-paharazana noho ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana sy ny olana amin’ny vola hoenti-manana mandritra ny fiterahana. Vahaolana ahazoan’ny vehivavy rehetra misitraka tolotra ho an’ny fananahana amin’ny fahasalamana azo antoka ny fanofanana ny mpampivelona hanatsarana ny asany. Raha voaofana sy tohanana amin’ny asany ny mpampivelona, voafehiny avokoa ny 87% -n’ny tolotra momba ny fananahana fahasalamana sy ny fikarakarana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Ao anatin’ny fandaharanasa tohanan’ny UNFPA, 115 000 ny mpampivelona voaofana ary nampidirana amin’ny rafitra fahasalamana ka miasa eny ifotony.Havoakan’ny UNFPA sy ny Unicef ary ny fivondronana iraisam-pirenen’ny mpampivelona tsy ho ela ny tatitra momba ny fanamafisana ny fanofanana momba ny fiterahana manaraka ny fenitra hahatafita ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe, hatramin’ny 2030.Vonjy A. L’article Raha voaofana ny mpampivelona: voafehiny ny 87%-n’y tolotra momba ny fananahana a été récupéré chez Newsmada.

News - Ao Raha

Ahiahy hain-trano :: Setroka afon-dakozia nampikoropaka tetsy Ambodifilao

Setroka mainty nateraky ny afo tao an-dakozia no noheverina fa trano may ka nanaitra ny olona teny Ambodifilao, omaly antoandro. Tonga teny an-toerana mihitsy ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy akory anefa ny fahamaizana. Taitra ny olona teny Ambodifilao sy ny manodidina tamin’ny fisian’ny setroka nidonaka tao amina trano iray teo ampitan’ny toeram-pisakafoanana Zaimaika. Tsy niandry ela ny sampana mpamonjy voina, teny Tsaralalàna, vantany vao naheno ny antso vonjy, fa nidina teny avy hatrany. Kamiao roa lehibe famonoana afo no nahetsika sy nalefa teny an-toerana. Fantatra, taorian’izay, fa gony sy zavatra hafa no natao kitay nandrahoana sakafo tao amin’io trano io ary nahatonga ny setroka sy ny lelan’afo. Nampitandremina ny tompon-trano ho fisorohana ny loza mety haterak’ireo zavatra narehitra. L’article Ahiahy hain-trano :: Setroka afon-dakozia nampikoropaka tetsy Ambodifilao est apparu en premier sur AoRaha.

News - News Mada

Gold Amigo Red: zava-pisotro vaovao ho an’ny rehetra

Nivoaka, nanomboka ny 19 novambra teo, ny Gold Amigo Red, zava-pisotro vaovao vokarin’ny orinasa Star. Hita amin’ny tavoahangy 50 cl, ao anatin’ny karazana labiera, sokajy tequila beer, miampy hanitra guarana, zavamaniry avy any Brezila, mahatonga ny lokony ho mena, ahitana tsirona voankazo, somary marikivy. Sahaza ny tanora sy ireo mpankafy lanonana ity zava-pisotro vaovao ity ary tsiahivina fa tsara kokoa ny misotro azy am-pahamendrehana sady tsy tafahoatra. Nanombohana nanapariahana azy ny toeram-pivarotana sy ny tranombarotra mahazatra, ny toeram-pisakafoana samihafa eto Antananarivo, any Antsirabe, any Mahajanga ary any Toamasina. Hiitatra tsikelikely any amin’ny faritra hafa izany atsy aoriana kely. Tsiahivina fa efa 28 taona izao ny nivoahan’ny zava-pisotro Gold, ary nivoaka ny taona 2017 ny labiera Gold Amigo, niavian’ny namoronana ny sokajy Red. Midika izany fa tsy mitsahatra mamorona sy manome vokatra vaovao hatrany ny mpanjifa ny Star, nandritra izay 60 taona niorenany izay eto Madagasikara. Njaka A.L’article Gold Amigo Red: zava-pisotro vaovao ho an’ny rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Malaza androany

Antontan'isa farany mikasika ny COVID19

COVID19 - Statistiques du 24-09-2020
Source : CCO COVID19 - 24/09/2020

Notsongaina

Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard
23/09/2020

« Nifanafatra foana, nifanome fotoana, indrindra tato ho ato, nifanao andraso andraso”… Iray amin’ireo tononkira nampalaza ny tarika Kafa tany ho any amin’ny taona 1983. Nindaosin’ny fahafatesana, ny 21 septambra teo, Randrianarisoa Richard, fantatra teo amin’ny tontolon’ny hira tamin’ny anarana hoe Kafa, fanafohezana ny “Kalo no fahafinaretana”. Raha ny heno, efa amam-bolana tsy salama i Richard Kafa. 61 taona izy izao nodimandry tany Analavory izao. Iray amin’ireo tarika nanana ny naha izy azy tany ho any amin’ny taona 1985 ry Kafa. Tononkira tsotra, gadona tsy niala lavitra ny funk ny nampitan’i Richard sy ireo namany ny hafatra tao anatin’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny “Tanisan’ny manina” (Isan’ny amontana, roa ny aviavy …).Raha ny fandaharam-potoana, anio amin’ny 9 ora maraina no hiala ao an-tranony ao Miadanarivo ny nofomangatsiakany, aorian’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Handalo ao amin’ny PK 41 Mangatany Arivonimamo amin’ny 11 ora maraina ary hasitrika ao amin’ny fasan-drazany Ambohimandroso Arivonimamo avy eo.Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.Nanangona: HaRy RazafindrakotoL’article Tarika Kafa: nodimandry Randrianarisoa Richard a été récupéré chez Newsmada.

Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19
22/09/2020

Niampy roa indray ireo lavon’ny covid-19, tao anatin’ny 24 ora. Avy eto Analamanga sy avy any amin’ny faritra Diana ireo namoy ny ainy ireo. Tafakatra 225 izany izao ireo matin’ity valanaretina ity hatramin’ny 19 marsa noho mankaty.Etsy andaniny, miisa 12 ireo tranga vaovao ho an’ny eto Analamanga amin’ireo 20 nifindran’ny valanaretina. Avy any Vakinankaratra kosa ny efatra raha iray avy ny avy any Itasy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary avy any amin’ny faritra Boeny.Nihena enina ireo anaty fahasarotana ka miisa 20 izany izao ireo “forme grave”.Na izany aza, miisa 36 ireo sitrana ka anisan’ny maro amin’izany ny avy any Diana, miisa 15. Tafakatra 14 682 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 073. Miisa 1 164 ireo mbola manaraka fitsaboana.Synèse R.L’article Mitombo hatrany ny isan’ireo lavon’ny covid-19 a été récupéré chez Newsmada.

Fifidianana loholona   : manaraka izay fanapahan-kevitra ofisialy ny Ceni    
18/09/2020

 “Ho an’ny Ceni, ny rijan-teny eo an-tanana no iaingana amin’ny fanomanana hiatrehana ny fifidianana. Raha misy, ohatra, ny adihevitra, araka ny lalàna, izay tsy maintsy atao: misy ny rafitra misahana manokana amin’ny fanomezana ny heviny na ny fangatahan-kevitra momba ny lalàna mampiady hevitra.”Izay ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Rakotondrazaka Fano, manoloana ny adihevitra hoe ara-dalàna na tsia ny fanatanterahana ny fifidianana loholona hatao ny 11 desambra. Raha milaza indray izay rafitra fakan-kevitra izay fa misy fanitsiana na tsy araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana io fifidianana io amin’izany, manaraka izay fanapahan-kevitra ofisialy ny Ceni.Iraka ampanaovina ny Ceni ny fikarakarana ny fifidianana. Maka bahana hatrany amin’ny fiomanana amin’ny fikarakarana ny fifidianana ny fomba fijeriny sy ny fiasany. Fa tsy hoe tonga ny vanin’andro hanatanterahana ny fifidianana, nefa tsy tomombana ny fiomanana.Ahitsy sy hatsaraina hatrany lisi-pifidiananaManangona ny didy avy amin’ny Filankevi-panjakana ny amin’ireo raharaha nangatahina fandravana didy ny Ceni amin’izao, araka ny nambarany. Enti-manitsy sy manatsara ny lisitry ny mpifidy vaventy amin’io fifidianana loholona io izany. Amin’ny 11 novambra no faranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy vaventy. Mandra-pahatonga izay, entin’ny Ceni manatsara ny lisi-pifidianana izay didy tonga eo an-tanany.Amin’ny 28 septambra izao ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Tsy maintsy mametraka ireo mpikambana ao amin’ny Rafitra mandray sy mpanamarina an-tsoratra ny antontan-taratasy ny firotsahan-kofidina (Ovec) eny anivon’ny fari-pifidianana, ny renivohi-paritany enina, ny Ceni. Mialoha ny 28 septambra, tsy maintsy mahazo fiofanana avy amin’ny Ceni foibe ireo mpikambana amin’izany.R.Nd. L’article Fifidianana loholona   : manaraka izay fanapahan-kevitra ofisialy ny Ceni     a été récupéré chez Newsmada.

Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra
22/09/2020

Taorian’ny fikatonan’ny CTC etsy Mahamasina sy ny foibem-pitiliana etsy Andohatapenaka, nilaza, mitohy ny fitsaboana ireo mararin’ny  covid-19 eny amin’ireo hopitaly lehibe rehetra.Nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala fa manatona avy hatrany ny hopitaly lehibe ireo marary miaina ny tranga fahasarotana, satria efa nahazo toromarika amin’ny fandraisana marary covid-19 izy ireny.Nanome toky ny minisitera  fa tsy misy atahorana ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly satria efa midina be ny trangan’aretina, ankehitriny.Ho an’ireo misy tranga mampiahiahy, manatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana ary manao ny fitiliana raha ilaina izany. Tsaboina eny anivon’ny tobim-pahasalamana tsotra kosa raha tsy mbola misy fahasarotana.Na ny eny amin’ny CSB aza, efa vitsivitsy ny olona tonga manao fizaham-pahasalamana satria efa tsy manafika be intsony ny aretina tao anatin’ny iray volana mahery izao.Na midina aza ny tahan’ny voan’ny coronavirus, mitohy hatrany ny fanajana fepetra rehetra ho fiarovan-tena sy fiarovana ny manodidina . Tatiana AL’article Covid-19: mandray marary ny hopitaly rehetra a été récupéré chez Newsmada.

Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy
23/09/2020

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 29 oktobra ho avy izao ny andiany roa ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Manoloana izany, nitoka-monina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo olona rehetra mpizaika sy mikarakara ny laza adina hatrehin’ny mpiadina amin’ny bakalorea 2020, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assoumacou Léa Béatrice. 40 andro ny faharetan’ny fitokanana ary tsy hivoaka any izy ireo raha tsy vita tanteraka ny bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika. Tsy mahazo mifanerasera amin’ny aty ivelany ireo mpiasa mandritra izay fotoana izay ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana.Voahaja ny fe-potoana amin’ny fanomanana ny fanadinana sy ny fepetra ara-pahasalamana eo amin’ny olona sy ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika. Efa norarahina fanafody ny toerana handrasaina azy ireo. « Vonona koa ny olona hikarakara ny fandriampahalemana mandra-pivoakan’ireo olona ao », hoy ny tomponandraikitra.Efa nifarana ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny bakalorea manerana ny Nosy.Vonjy A.L’article Bakalorea 2020: “Voahaja ny fe-potoana fanomanana”, hoy ny minisitra mpiahy a été récupéré chez Newsmada.

Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique»
24/09/2020

Nanomboka tamin’ity herinandro ity, efa am-perinasa ny « guichet unique interministeriel» ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miasa eo anivon’ny sampandraharaha miasahana ny fitantanana ny mpiasa, etsy Mahamasina izy io.Fomba entina hikarakarana haingana ny antontan-taratasin’ny mpiasa izany. Ho an’ireo mpiasa alefa hisotro ronono, efa miisa 1.400 ireo antontan-taratasy momba izany. Ireo hafindra toerana kosa mahatratra 1.300. Ho an’ireo efa misotro ronono, miisa 250. Mahatratra hatrany amin’ny 3.500 kosa ny antontan-taratasy karakaraina momba ny fanamboarana ny sokajin’asa ho an’ny mpiasa. Manodidina ny 300 kosa ny momba ny fiakarana grady, fikarakarana momba ny tambiny arakasa…Ho an’ny fanavaozana ny fifanarahana arakasa kosa dia mahatratra hatrany amin’ny 2.500.Kendrena ho vita haingana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy izay nikatso nandritra hamehana ara-pahasalamana lavareny teo. Kendrena mba tsy hisy fiantraikany betsaka amin’ny mpiasa amin’ireo sokajin’asa misy azy avy iny valanaretina nampitarazoka zavatra maro iny.Tatiana AL’article Mpiasan’ny minisitera: am-perinasa ny «guichet unique» a été récupéré chez Newsmada.

CENI : Mandeha ny mandeha
20/09/2020

Miroso mankany amin’ ny fifidianana loholona vaovao. Tsy misakana ny sarety tsy ho any Sabotsy ny horakoraka. Fifidianana ataon’ny olom-boafidy izy ity.  Amin’ity fifidianana indray mitoraka ity dia tsy hisy intsony izany « doublon » izany  satria tsy hisy ben’ny tanana « double » na mpanolon-tsaina « double » amin’ny kaominina iray izany no afaka hifidy sady  vitsy raha teo ny isan’izy ireo raha mihoatra amin’ny vahoaka. Natao ahoana moa izany ilay didy navoakan’ny HCC momba ny famerenana ireo fifidianana  ben’ny tanana  sy mpanolon-tsaina vitsivitsy ? Nisy fepotoana napetrak’izy ireo io didy io. Voahaja ve ilay fepotoana ? Mifidy ve ireto governora notendrena ireto ? Apetraka amin’ny fomba ofisialy rahampitso 21 Septambra 2020 eny amin’ny CENI Alarobia ny filoha lefitry ny CENI vaovao. Nirina R. Cet article CENI : Mandeha ny mandeha est apparu en premier sur déliremadagascar.L’article CENI : Mandeha ny mandeha a été récupéré chez Délire Madagascar.

Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba
22/09/2020

Tontosa soa aman-tsara teny Ampangabe Alasora, ny fivoriambe teo anivon’ny seksiona Avaradrano, taranja karate, izay notarihin’ny filohany, Sensei Ramanitra Andriamamonjy sy ireo mpikambana ao amin’ny birao mpitantana. Noresahina nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny “statut” ho an’ny fe-potoana hitantanana sy ny fitsipika anatiny. Ankoatra izay, nambaran’ i Sensei Manitra fa tsy mbola misy aloha hatreto ny fitadiavam-bola azo atao. Toraka izany koa ny fifaninanana, izay mbola miato satria tsy maintsy miandry ny avy eo anivon’ny federasiona ny mahakasika ny tetiandron’ny fifaninanana. Na izany aza, efa eo an-dalam-panomanana ny Gassaku na fiofanana ny seksiona Avaradrano. Eo amin’ny fanazaran-tena kosa, efa saika miverina mikotrana avokoa ireo klioba.Araka ny hita teny an-toerana, klioba miisa 15 teo ho eo ny nahatonga solontena tamin’ity fivoriambe ity (Kokaju, kawam, kenkaju,Akka, Tfska, Rengkiu, Wado Gosetlai, Fudeshin, Ambohimanga Rova,…). Tonga nanome voninahitra ihany koa ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, nisoloan’ny delege an’Avaradrano , tena. Mi.RazL’article Karate-Avaradrano: efa miverina mikotrana avokoa ireo klioba a été récupéré chez Newsmada.

Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra
22/09/2020

Nanao hetsika fitokonana teo amin’ny “Station de pesage” eo Ambohimalaza ireo mpamily kamiao, ny herinandro teo. Hita taratra ny tsy fahavononan’ny sasany ho amin’ny fanarahan-dalàna.Mitady hihoa-pefy ? Anisan’ny notakin’izy ireo ny fampitahana ny fandanjana natao tany Tsarakofafa Toamasina sy ny eo Ambohimalaza. Tsy azo natao anefa izany noho ny tsy fandehanan’ny jiro teo Ambohimalaza. Nangataka ihany koa izy ireo ny tsy hampidina ireo vesatra mihoatra entin’ny kamiao fa handoa onitra fotsiny ihany, araka didim-panjakana lah 27 252/2019, mametraka ireo fepetra sy sazy vaovao amin’ny fitsirihana ny vesatra eny amin’ny làlam-pirenena.Fijerena ny marimaritra iraisanaTsy misy intsony anefa ny “derogation” amin’ny tsy hanao ny fampidinana ny entana fa tsy maintsy ampidinina avokoa ireo entana amin’ny lanja mihaotra, ary aloa ny lamandy.Etsy an-daniny,  efa nisy koa ny fifampidinihina sy fifampiresahana teo amin’ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny Fitaterana sy ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetr’andro  sy ny eo anivon’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP)  niaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpitatitra. Nojerena tamin’izany ny marimaritra iraisana ka nampitomboana ny vesatra ambony indrindra afaka entiny ao anatin’io didim-panjakana voalaza etsy ambony io.Tsy vonona hanara-dalànaTsy mivonona ny hanara-dalàna  izy ireo raha miainga amin’ny fihetsika ataon’ireo mpitatitra ireo izao. “Tsy mijery ny fikojana sy fitandremana ny fananana iombonana sy ny tombotsoan’ny be sy ny maro mpampiasa lalana”, hoy ny eo anivon’ny MATP.Tsiahivina fa natao hikajiana ireo fotodrafitrasan’ny làlana tsy ho simba mialoha ny fe-potoana napetraka ny famerana ny vesatra ambony indrindra azo entina amin’ny lalam-pirenena.Hampitomboana ny sazy…Araka izany, nanapa-kevitra ny MATP amin’ny alàlan’ny Agence Routière (AR), sampan-draharaha misahana ireo toerana fitsirihana vesatra fa hasiana fampitomboana ny sazy aloan’ireo mpitatitra tsy manaiky hampidina ny entana miohatra.Synèse R.L’article Fitsirihana vesatry ny fiara vaventy: tsy vonona hanara-dalàna ireo kamiao mpitatitra a été récupéré chez Newsmada.

EST-Vital Serge : manome tsiny ireo tsy tia fivoarana
19/09/2020

Nitondra fanazavana ampahibemaso tao amin’ny kaonty facebook, omaly, ny filohan’ny fikambanana Espoirs Sportifs de Tuléar (EST), i Vital Serge, amin’ny fangatahana alalana fanamboarana sy fanavaozana kianja ataon’izy ireo. Nambarany fa tsy faly loatra ary manome tsiny ireo olona sasany tsy tia fivoarana ny tenany ka manasarotra ny famoahana fahazoan-dalana. 15 andro ihany koa izao, hoy izy, ny nandefasana ny antontan-taratasy any amin’ny tompondraikitra hanavaozana ny kianja basikety ao Anketa Toliara kanefa tsy mbola azo izany hatramin’ izao. Nohamafisin’i Vital Serge fa efa naterina eny amin’ny fokontany ny taratasy ary efa vita sonia, saingy tsy fantatra raha misy hevitra politika tsy amoahana ilay fahazoan-dalana. Tsy afaka hiandry izany anefa ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy fa miroso hatrany ny fanamboarana sy ny fanavaozana kianja hafa. «Mahagaga fa sakanana hatrany izay olona manana finiavana sy tetikasa hampandroso sy hampivoatra amin’ny antony tsy fantatra», hoy ny nohamafisin’ny filohan’ny EST, i Vital Serge. Tsy hampihemotra anefa izany fa tsy maintsy tratra ny tanjona, ny hamolavolana ny tanora sy ny taninketsa ma­lagasy hitondra avo ny voninahi-pire­nena.Mi.RazL’article EST-Vital Serge : manome tsiny ireo tsy tia fivoarana a été récupéré chez Newsmada.

Indray mijery
18/09/2020

Ho fisorohana ny fanapoizinana sakafo, mpitantana toeram-pisakafoana na gargaoty 336 ny nahazo fanentanana avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (sampandraharaha misahana ny kalitao sy ny fahadiovan’ny sakafo) sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ity herinandro ity tetsy amin’ny tranom-pokonolona Isotry. Tanjona iraisana ny hanolorana hatrany sakafo ara-pahasalamana sy tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. Eo koa ny fisorohana ny fanapoizinana sakafo eny amin’ireny toeram-pisakafoana anisan’ny manavanana ny vahoaka ireny.Betsaka ny olona mivarotra ny entana ao an-trano azo avadika ho vola haingana manoloana ny fahasahiranana hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Ireo tokantrano sahanin’ny olon-tokana indrindra vehivavy irery no tena tojo olana amin’izao fotoana izao. Sasa lamba, asa an-trano, ny asa antselika ahazoana vola tsy mahavita ny filana fototra no raisina isan’andro arakaraka ny asa. Mirongatra rahateo ny ala-boty eny anivon’ny fokontany ka raha vao tsy malina, lasa ny lamba miahy eto an-tokotany sy ny entana ao an-dakozia.L’article Indray mijery a été récupéré chez Newsmada.

Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana…
18/09/2020

Nivoaka ary nampahafantarina sy mbola hanentanana ny rehetra, omaly tetsy Analakely, ny “Fehezam-pitsipiky ny kaominina Antananarivo Renivohitra misahana ny fikoloam-pahasalamana” (CMH). Manomboka amin’ny 5 000 Ar hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny sazy ho an’ireo mandika sy mihoa-pefy amin’izany.Anisan’ny andoavana 50 000 Ar, ohatra, ireto manaraka ireto: ny fandrorana sy ny fandrehofana ary ny famaniana eny rehetra eny. Fanariana diky amin’ny toerana rehetra ivelan’ireo fotodrafitrasa natokana ho amin’izany.Tsy fahadiovan’ny trano fonenanaAnisan’ny andoavana sazy 50 000 Ar koa ny tsy fahadiovan’ny trano fonenana sy ny miankina aminy ary ny lalana manoloana azy. Ny fandefasana mafy loatra ny zavamaneno, ny fahitalavitra, ny fitaovana maneno ao an-tokantrano… Ny biby fiompy mirenireny sy ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola ivelan’ny toerana voatokana na ankalamanjana koa, mbola andoavana 50 000 Ar.Andoavana 300 000 Ar kosa ny tsy fanajana ny ora fisokafana amin’ny 6 ora maraina sy ny fikatonana amin’ny 9 ora alina ho an’ireo mpivarotra zava-pisotro misy alikaola. Ny fivarotana amoron-dalana amin’ny lalam-bahoaka na koa ny varotra amin’ny toeram-pisakafoana mifindrafindra tsy nahazoana alalana. Andoavana 300 000 Ar koa ny fametahana petadrindrina sy sorabaventy sy kisarisary na soratra tsy nahazoana alalana. Eo koa ny fampiasana ny fantsakam-bahoaka amin’ny fanasana lamba na fiara. Ny tsy fandraisana fepetra ialana amin’ny fihandronan’ny rano eo an-tokotany, toy ny fanotofana izany… Ny fampiasana ny lalam-bahoaka ho amin’ny tombontsoa manokana.Dimy tapitrisa ariary… karaokeAnkoatra izany, andoavana 1 000 000 Ar ny fanapoahana sy ny fivarotana tsipoapaoka, afomanga tsy nahazoana alalana amin’ny CUA. Tahaka izany koa ny tsy fandraisana fepetra ho fisorohana tsy hiparitahan’ny feo amin’ny trano. Ny famindrana razana matin’ny pesta mialoha ny fito taona. Ny tsy fandokoana ny trano manamorona ny “avenue” sy ny arabe migodana.Etsy andaniny, andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar ny tsy fanatanterahana ny fandrodanana trano mety hitera-doza. Ny fampiasana ny lalam-bahoaka amin’ny fanorenana vonjimaika, mihoatra ny 48 ora. Anisan’ny andoavana hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar koa ny tsy fanajana ny fahadiovana sy ny tsy fiparitahan’ny feo ary ny ora fikatonan’ny karaoke. Manampy ireo ny famatsiana zava-pisotro misy alikaola ireo mpivarotra tsy ara-dalàna.Sazy 5 000 ArSazy 5 000 Ar kosa ny tsy fanariana ny fako amin’ny ora voatondro, amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. Ny fanaovana ny asa fangatahana rehetra, arahina zaza tsy ampy taona. Fangatahana eny an-dalana ka manelingelina sy mampitahotra ny mpandalo. Fanaovana ny toeram-bahoaka ho fonenana na fatoriana… Eo koa ny fanahazan-damba eny amin’ny lalam-bahoaka.Ampahany ihany amin’ireo fandikan-dalàna andoavana sazy vola, tafiditra amin’ny CMH, ireo.Synèse R.L’article Fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana – CUA: sazy 50 000 Ar ny fandrorana sy ny famaniana eny an-dalana… a été récupéré chez Newsmada.